Tontolo Fandriampahalemana - Sa Tontolo Mirodana?

Ambasadaoro Kolejy - TOKO FAHA-2

TONTOLO FANDRIAMPAHALEMANA - SA TONTOLO MIRODANA?

 
Mbola mikatsaka ny fandriam-pahalemana izao tontolo izao nefa mitombo hatrany ny tahirin’ny fitaovam-piadiana mahafaty. Toa an'ireo olom-pirenena, ny mpahay siansa dia maminavina fa tsy ho ela dia ho lasa antontan-davenona ny tany, raha tsy MIOVA TANTERAKA NY TOE-JAVATRA MANERANTANY. Inona no hiantraika amin'ny zanak'olombelona amin’ny volana sy ny taona ho avy? Ity lesona ity dia manambara faminaniana manaitra izay mihatra amin'ny androntsika, araky ny voalazan'ny Baiboly.

Ny mpitarika an'izao tontolo izao sy ny mpahay siansa dia tena matahotra ny zavatra vinavinain'ny ho avy.
Mampitandrina ny olombelona izy ireo fa manana ny fomba hamonoana ny taranaky ny olombelona manontolo ny olombelona amin’izao fotoana izao; lazainy mihitsy aza fa tonga amin’ny "fandringanana" mihitsy izany. Takatr'izy ireo fa hisy zavatra tsy ampoizina tsy maintsy ho tanteraka tsy ho ela mba hampitsaharana ny firaikan’ny toe-draharaha maneran-tany ankehitriny, raha tsy izany ny zanak'olombelona dia lasa handevona ny tenany.

Ny fampitandremana avy amin'ireo tompon'andraikitra Jean Rostand dia nanoratra hoe: "Hatramin'ny 1945, ny olombelona dia tandindomin-doza amin'ny fahafatesana ary ... ny fitsapana atomika tsotra dia miteraka fahavoazana lehibe ho an’ny taranaka. Ny cancer noho ny atome dia mihanaka be noho izany.
Tamin'ny 1961, Itompokolahy filoham-pirenena John F. Kennedy dia namoaka ity fampitandremana manaraka ity ho an'ireo mpikambana ao amin'ny Vondron'ny Firenena Mikambana: "Tsy maintsy taperin’ny ny zanak'olombelona ny ady, raha tsy izany ny ady dia hanapitra ny zanak’olombelona... "
"Ankehitriny, hoy izy nanampy izany, ny tsirairay amin'ny mponin'ity planeta ity dia tsy maintsy mieritreritra ny andro izay tsy hahazoana monina eto intsony ... Ny fisian'ireo fitaovam-piadiana môderina izay mahery vaika im-polo tapitrisa lehibe kokoa noho izay efa hitan'izao tontolo izao, ary minitra vitsy monja mba hahatratrarany ny tanjona kendreny eto an-tany, dia loharanon’ny haratsiana...
"Hovonjentsika miaraka ny planetantsika, raha tsy izany dia ho miara-ringana ao amin'ny lelafo izay handoro azy isika."
Izay nolazain'ny Filoha Kennedy tamin'ireo solontenan'ny Firenena Mikambana tamin'ny 1961 dia tsy rediredy tsy misy antony avy amin’ny olona iray mirehidrehitra tsy ahoan-tsy ahoana; Izany no zava-misy isan’andro iainan'ny tontolo misy antsika ankehitriny. Ankehitriny, tombanana fa ny isan'ireo tahirina-baomba nokleary dia ampy hamotehana im-betsaka ny mponin'izao tontolo izao.


Ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana teo aloha, Andriamatoa Thant, dia namoaka ity fampitandremana manaraka ity tamin'ny 1969: "Tsy te-hilaza akory aho fa hahatsiravina ny hiafaran’ny raharaha, fa afaka mamarana fotsiny aho, fa araky ny fampahalalana azoko ato amin'ny maha-Sekretera Jeneraly ahy, dia folo taona no sisa tavela ho an'ny mpikambana ato amin'ny Firenena Mikambana mba hanadino ny fifandiranan'izy ireo taloha, ary hiara-hiasa mba hifehezana ny hazakazaka amin’ny fitaovam-piadiana, hanatsarana ny tontolon'ny olombelona, hanafoanana ny fitomboana fatratry ny mponina, ary hanome ny ezaka ilaina amin'ny fampandrosoana an'izao tontolo izao.'

Mpitondra firesena sy manam-pahaizana malaza eran-tany maro be tsy voatanisa ato amin'ity lesona ity, no miresaka am-pahatahorana ny FARAN'NY TONTOLO ITY - ny faran'ny sivilizasionan’ny olombelona.
Mitohy ny hazakazaka ho amin’ny fitaovam-piadiana Na eo aza ireo zava-misy mahatsiravina ireo, izay sarotra ny hahazo sary an-tsaina azy, dia mitohy hatrany ny hazakazaka ho amin’ny fitaovam-piadiana ho any amin’ny hadalana nokleary.


Diniho, ohatra, ireny «missile» na fitaovana baikona avy lavitra namboarin'ny mpahay siansa rosiana sy amerikana. Ireny fitaovam-piadiana ireny dia afaka mitondra “ogive” nokleary maro; izy ireny dia manolo ny fitaovana izay tsy nitondra afa-tsy ogive tokana toy ireny ihany. Ny balafomanga tahaka izany dia afaka manao asa mitovy amin’ny milina folo sy efatra ambin'ny folo tamin'ny modely taloha. Tamin'ny 1975, noho ireny, dia afaka nandrava ny Firaisana Sovietika in-41 mahery i Etazonia. Tamin'io taona io ihany, ny Sambon-danitra Rosiana mitovy karazana amin’izany dia mety hamotika an'i Etazonia mihoatra ny in-25.

Mety ho mampitolagaga izany, saingy zava-misy! Ny hazakazaka ho amin’ny fitaovam-piadiana dia afaka mihitatra ihany koa amin'ny habakabaka manodidina ny Tany. Misy tatitra vitsivitsy vao haingana maneho fa ny Rosiana dia mety nahavita "satelita mahafaty" izay mety hanapoaka hiparitaka ny satelita hafa nipetraka tamin'ny orbita Saingy iza no afaka manakana ny famoronana satelita afaka mitondra “ogive” nokleary misy baomba hydrogène, ary handefa izany amin’ny tanjona efa nofidiana mialoha? Manaiky ny mpanao politika sy ny manam-pahaizana ara-miaramila amin'ny ankapobeny fa ny firenena izay afaka hifehy ara-tafika ny habakabaka dia afaka hanjaka an'izao tontolo izao.

Inona no hitranga manaraka? Betsaka ny fitaovam-piadiana hafahafa sy mampatahotra eo amin'ny ambaratonga fanatontosana azy isan-karazany. Anisan'izany, ny fitaovam-piadiana mampitsonika madio (antsoina hoe baomba H-"madio"), ny baomba neutron ary ny baomba laser. Ny mpahay siansa dia manambara fa ny fitaovam-piadiana tsirairay avy amin'ireny dia manan-kery mba hanimbana ny fiainana manontolo eto an-tany.
Toa tsy mampino izany, kanefa marina! Na izany aza, manaporofo ny tantara fa ny fitaovam-piadiana novolavolain'ny olombelona dia efa nampiasaina ihany tamin'ny farany.

Ny ady simika sy biolojika Ny ady nokleary dia iray ihany amin'ireo fomba maro mety hitarika amin'ny famongorana tanteraka ny zanak'olombelona amin'ny hoavy tsy ho ela. Na dia kely aza ny resaka voalaza momba an'io, ny firenena sasany dia mamokatra "fitaovam-piadiana mahomby" vaovao izay mety mahafaty kokoa noho ny baomba nokleary aza. Firenena dimy ambinifolo, anisan'izany i Etazonia sy Rosia, no efa manana hery mitatao ho an’ny ady simika sy biolojika.

Efa namboarina sy notehirizina ny entona an'alina litatra maro, izay misy akony mahafaty mamely ny fitambaran-kozatra rehetra, izay tsy misy fofona, tsy misy tsiro ary saiky tsy hita maso. Ny indray mitete fotsiny,nofohina na napetaka amin'ny hoditra, dia mety hamono eo noho eo.

Raha hiresaka momba ny ady biolojika, i Dr. Barry Commoner, direkteran'ny Centre de Biologie des Systèmes Naturels ao amin'ny Oniversite ao Washington, dia nampitandrina fa "raha ampitahaina, ny akora simika sy biolojika dia mahatonga ny fitaovam-piadiana nokleary ho toy ny kilalaon-jaza ".
Ny famokarana fitaovam-piadiana simika na biolojika dia kely vidy kokoa noho ny fitaovam-piadiana nokleary izay sarotra hatao. Izay firenena manana trano fanaovana labiera tsy lehibe manao ahoana, dia afaka manamboatra mikraoba mora foana toy ny manao labiera.

Misy baraingo goavana ao: mety ve, raha sendra ady, ny mampiasa fitaovam-piadiana biolojika hanoherana ny firenena iray fahavalo? Na ny mpahay siansa tena mahay aza dia matahotra fa ny fiantraikan'ny ady ara-biolojika fotsiny dia mety hamely ao aoriana ny firenena izay nampiasa izany. Vokatr'izany, dia hiely haingana eran'izao tontolo izao ny valan'areti-mifindra.

Ny zavatra iray azo antoka dia ity: tsy misy afaka milaza mialoha izay tena hitranga, satria tsy mbola niaina mihitsy isika - ary tsyho afaka hanandrana tanteraka mihitsy - izany fitaovam-piadiana biolojika izany, alohan'ny hampiasana izany eo amin'ny tany fiadiana. Vokatry ny loza ateraky ny fampiasana izany, ny prezidà Nixon dia nanome baiko ny famotehana ireo tahiry misy any Etazonia, ary nanambara izy fa tsy hampiasa izany mihitsy ny fireneny raha misy ady.
Misy fanontaniana mampitebiteby mipetraka amin’ny mpahay siansa ankehitriny: mbola afaka mifehy ny areti-mifindra vokarin’ olombelona ihany ve isika rehefa miasa izany, raha tsy ho vita ny fanandramana izany amin'ny sehatra mahazatra? Nilaza i Dr. Commonerre fa na ny valanaretina voajanahary aza dia tsy takatry ny saina, ary mahalana no ahafahantsika mamantatra ny hafainganan’ny fiparitahany na ny isan’ny olona hiharan'izany.
Ankoatr'izay, mikasika ny ady biolojika, dia nampitandrina izy fa tsy ireo karazan’aretina mpitranga mandritry ny areti-mifindra voajanahary ireo no hisy, fa karazany tena voafaritra, voafidy na novàna tany amin’ny laboratoara natokana ho amin'ny ady biolojika. Amin'ity tranga ity, dia saiky tsy ho fantatry ny olona ny zavatra miandry momba ny fiparitahan’ny areti-mifindra nataon’olombelona raha vao naely izany. Mety hateza izy io, na hihanaka amin’ny fomba tena tsy ampoizina, ka mety hamano na ny namana na ny fahavalo.
Nandritry ny Ady Lehibe Faharoa no nisy andrana ady biolojika; izany dia manazava sy mampitombona ny fahamarinan'ny tahotr'i Dr. Commoner.
Nanandrana fitaovam-piadiana biolojika i Angletera tamin'ny fiandohan'ny taona 1941, rehefa natahotra ny rehetra fa ny fahefan’ireo firenena mpikambana tombontsoa dia hanao ady ara-bakteria. Nandritry ny fanandramana iray toy izany, ny nosy Gruinard, manakaiky ny morontsiraka avaratra-andrefan'i Ecosse, dia notondrahana bakteria mahatonga ny anthrax. Ny ondry no lasibatra; ireo no narary ary maty taorian'izay. Saingy ny bakteria mahatonga io aretina io dia tena ela velona, ka mbola mampidi-doza ho an'ny olona ihany ankehitriny ity nosy ity. Mbola ahiana hijanona toy izany ihany izy io mandritry ny taonjato iray farafahakeliny.

Noho ny fisalasalana lehibe naterak’ireo zava-niainana ireo, ny mpandinika sasany dia mamarana amin'ny fomba mahatsiravina fa "ny fahatongavana amin’ny fampiasana aretina toy ny pesta izay mety hamono mihoatra ny 9/10 ny niharam-boina sy ny anthrax, izay mamono olona indraindray, dia midika fa mandefa ny milina mahatonga ny faran'izao tontolo izao..." (Fanambarana nataon'ingahy Seymore M. Hersch, tao amin'ny gazety New York Times tamin’ny 25 Aogositra 1968).

Fomba hafa fandringanana Mbola misy krizy maro hafa mety hitarika ny fandringanana ny zanak'olombelona rehetra, amin’ny ampitso tsy lavitra loatra.
Ny fiainana ny olombelona dia tsy maintsy tohanana amin'ny alàlan'ny rivotra, rano ary sakafo ihany. Saingy amin’izao fotoana izao, ny olona dia mandoto sy manapoizina ireo zavatra telo ilaina amin'ny fiainana ireo. Ankehitriny dia fantatra fa ny fandotoana ny rivotra dia miteraka loza mitombo amin'ny fomba fijery iraisam-pirenena; Io karazana fandotoana io dia tsy vitan'ny hoe manimba ny fahasalaman'ny olombelona fotsiny, fa misy fiantraikany lehibe amin'ny fitohizan'ny fisian’ny karazam-piainana rehetra.
Ny fandotoana ny rano dia manimba amin'ny ankapobeny koa. Ny ankamaroan’ny renirano sy ny farihy dia voaloto, ka amin’ny faritra maro, ny famatsiana rano fisotro dia tena manano-sarotra be. Ankehitriny, miha-hita bebe kokoa fa ny loto dia mitsika any amin’ny rano monina lehibe ambanin'ny tany. Notaterin'ny Sampandraharahan’ny Fahasalamam-bahoaka fa olona an’hetsiny no misotro rano tsy azo antoka.
Ny olona dia nanao zavatra mahamenatra noho ny nanaperany sy nanimbany ny tany izay hitomboan’ny sakafo hohaniny. Vao haingana, nanafaingana io fanimbana io izy tamin'ny alalan'ny fampiasana zezika simika izay tena manimba ny tanjon’ny zezika, amin'ny alàlan'ny famonoana ireo singa hafa amin'ny tany; izany dia manala ny matiera mineraly izay mahavelona ny legioma, ny voa madinika ary ny voankazo, sy ny vitamina ilaina amin'ny fahasalamana.
Ny olombelona môderina koa dia mampiasa poizina famonoana bibikely, toy ny DDT; ireny dia tsy vitan’ny mamongotra ny zava-manan’aina betsaka izay mahasoa kokoa noho ireo mpanimba, na amin'ny rivotra na ao anaty tany, fa ihany koa miditra amin'ny fifandraisana ekolojikan’ny fiainana, ka ahiana ny hahafaty ny karazan-java-mananaina lehibe kokoa. Na ny olombelona aza dia mety hiharan-doza amin’izany.
Manampy ireo olana maika ireo ny fikorontanana lalin’ny toetr'andro, fotoan'ny hain-tany, ny tondra-drano ary ny horohorontany - tsy adino koa akory ny valanaretina. Ary raha ireo loza rehetra mihatra aminy, izay misy hafainganam-pandeha lehibe, no tsy handringana ny olombelona tsy ho ela, ny manam-pahaizana momba izany dia manambara fa hahomby handringana ny vokatry ny fitomboana fatratry ny Mponina.

Ny baomba fitomboan’ny mponina Mpahay siansa malaza maro no nampitandrina fa ny fitomboana fatratry ny mponina irery no andro sarotra lehibe indrindra atrehan'izao tontolo izao.


Anisan'ireny ny Dr. Paul Ehrlich, biolojista ao amin'ny Stanford University, nanoratra ny boky malaza lehibe eny amin'ny fivarotam-boky antsoina hoe « La bombe démographique » (Ny baomba fitomboan’ny mponina). Ny Dr. Ehrlich dia nanambara fa ny mponina eto an-tany dia haingana fitombo kokoa noho ny harena voajanahary eto amin'ny planetantsika. Nampitandrina izy fa, amin'izao hafainganana izao, eo anelanelan'ny taona 1970 ka hatramin'ny 1985, Etazonia sy ny tontolo hafa dia hiaina mosary be, ka olona an-jato tapitrisa no ho faty mosary.

"Ny tiako holazaina amin’izany dia ho mosarena izy ireo, raha tsy ny pesta, ny ady « thermonucléaire » na zavatra hafa no hamono azy ireo alohan’izany", hoy izy. « Betsaka no ho faty noana, na dia eo aza ny programa vonjy maika izay azontsika atomboka dieny izao. " Ny manampahaizana momba ny mponina dia manambara fa, raha mitohy ny fironana ankehitriny, dia ho tafakatra hatramin'ny 7 miliara ny isan'ny olombelona amin'ny taona 2000. Ahoana no hamahanana ireo? Aoka tsy hadinoina fa ny olona noana sy miha-reraka dia hijanona fotsiny ho maty mangina eo. Mikomy izy ireo, mandray anjara tamin'ny korontana, mandroba ary mamono mba hahazoany sakafo. Ny mosary mianjady amin'ny maro dia mety hitarika ady ho amin'ny sakafo, izay hamono ny zanak'olombelona rehetra amin'ity tolona mahatsiravina mba hahazoana fiainana ity.

Ilaina ny "tanana mahery vaika" Io ihany no hany fanantenana hahavelona ny olombelona. Ireo mpitondra fanjakana dia milaza matetika fa ny fihenjanana sy ny olana manahirana ny tontolo dia miorim-paka lalina ka tsy ho voavaha raha tsy hoe misy "tanana mahery vaika" miditra an-tsehatra...
Ity tanana mahery vaika ity dia ho avy, fa avy amin'ny loharano izay tsy antenain'ny ankamaroan'ny olona mihitsy...


Isaia mpaminany dia nanambara io loharano io ao amin'ny Baibolinao: "Indro, Jehovah Tompo ho avy amin'ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka..." (Isaia 40:10).

Ny Baiboly dia mampiseho fa misy fanantenana ho an’ny olombelona. Andriamanitra Tsitoha dia nampanantena fa hiditra an-tsehatra mba hisorohana ny famonoan-tenan’ny rehetra. Tsy hamela ny fahaizana lehiben’ny siansan'ny olombelona voafitaka hamongotra ny aina rehetra eto amin'ity tany ity Izy. Andriamanitra dia handefa an'i Jesosy Kristy hamonjy antsika amin'ny tenantsika ary hanangana ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany. Eritrereto izany! Ilay Kristy nomem-boninahitra - hiverina amin'ny famirapiratana rehetra, amim-pahefana sy voninahitra mahagaga an’Andriamanitra Tsitoha – dia ho avy hampitsahatra ny firongatry ny ady, ny fandringanana nokleary faobe, ny fijaliana sy ny fanaintainan’ny olombelona; ho avy hitondra fiadanana, fahasalamana misy fahabetsahan’ny vokatra, fahasambarana sy fifaliana ho an'ny olombelona rehetra.

Faminaniana tamin'ny taonjato maro lasa Ny toetra fadiranovan'ny tontolontsika ankehitriny dia efa voalazan'ny firaketana an-tsoratra mialoha sy voarakitra taloha. Mihoatra ny sivy ambin'ny folo taonjato lasa izay, ny mpitsikera fampahalalam-baovao lehibe indrindra hatramin'izay dia nahafantatra mialoha ny toe-piainana mahatsiravina sy feno herisetra eto amin'izao tontolo izao. Naminany ny fahitana siantifika ankehitriny izy, ary koa ny fandrosoana ara-teknolojia; Efa fantany mialoha izay hitranga noho izany rehetra izany.


Fantany fa hamorona hery manimba ireo olona izay mandrahona hahatonga ny famonoan-tena manerana ny tontolo. Io mpitsikera vaova malaza io dia nampitandrina antsika hoe: "« Ary raha tsy nohafohezin'ny Tompo izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena [tsy hisy mbola ho velona]" (Marka 13:20).

Io mpaminany lehibe io dia i Jesosy Kristy avy any Nazareta. Ny faminaniny dia voasoratra ao amin'ny Baiboly hatramin’ny taonjato maro. Jesosy Kristy dia naneho ny toe-javatra mampivarahontsana ankehitriny tamin’ny sary an’ohatra. Naminany mialoha ny ady, mosary, areti-mifindra ary loza voajanahary izay mitranga ankehitriny eo ambany masontsika Izy. Nomeny ny filaharam-potoana marina hitantarana ny tranga hisy amin'ny vanimpotoana milahatra tsara, môderina sy mampientam-po. Ny manam-pahaizana sy ny mpitariky ny tontolo, izay tsy dia mahalala firy amin'ny faminaniana ara-baiboly aza ny ankamaroany - ary mandà ny Baiboly mihitsy aza – dia miaiky avy hatrany fa ny seho izay hitany ara-paminaniana dia mitranga amin'izao fotoana izao, mandritra ity "taranaka” ity. 

 Maro ny mpitsikera sy mpandinika vaovao ankehitriny no mampiasa ny voam-bolan'ny Baiboly ankehitriny hilazana ny toe-piainan’ny tontolo ankehitriny. Izao no vakintsika: "Ny iray amin'ireo mpitaingin-tsoavaly efatra ao amin'ny Apokalypsy dia eo ambony soavaly, efa miomana ny hiazakazaka, araky ny eritreritry ny manam-pahaizana tena mahay indrindra eo amin'ny sehatry ny fambolena sy ny diplomasia. Misy mosary … Hisy mosary mahatsiravina manerana an'i Azia, Afrika ary Amerika Latina AFAKA VALO TAONA, ary ao anatin'ny dimy ambinifolo taona, dia hisy fikomiana, fahaverezan-kevitra ara-tsosialy ary fikorontanana ara-toekarena, ary koa fahafatesana.

 Manaiky izany ny manam-pahaizana momba ny fitondram-panjakana, nefa mampiasa fiteny malina kokoa izy ireo» (Walter Trohan, Chicago Tribune, 1.5.1967).
William L. Ryan, solontena manokan'ny Associated Press Agency, mpanoratra andian-dahatsoratra momba ny fitomboan'ny mponina, dia nilaza hoe: "Ankehitriny, dia misy matoatoa mampitahotra mandeha matetika eto amin’izao tontolo izao ankehitriny ... Izany dia matoatoan'ny mosary, ny pesta ary ny herisetra ankapobe ary, amin'ny farany, ny Ady, alohan'ny haha-lasa.ny taranaka iray "

Ny faminaniana dia natao ho an’ny anio Mbola hanohitra ihany ny olona sasany hoe: "Nisy hatrany ny "mpaminany milaza loza…" Tamin'ny Moyen Age, nihevitra ny olona fa ho tonga ny faran'izao tontolo izao rehefa nihatra tamin’i Eoropa ny fahafatesana mainty."
Ireo tsy mino ireo dia tsy mahatakatra ny kalandrie ara-paminanian'Andriamanitra. Ny fiafaran'ny fanjakan'olombelona dia tsy maintsy ho avy - ary ho tonga- araky ny fikasan'Andriamanitra. Na dia nieritreritra zavatra hafa aza ny sasany, noho ny tsy fahalalany, ny fiafaran'ny fanjakan'olombelona dia tsy mbola nomanina ho an'ny Moyen Age.


Tokony ho takatsika fa ny faminaniana tsirairay dia natao ho an’ny fe-potoana voafaritra iray izay, amin'ny ankapobeny, tsy ho amin'ny fotoana hiainan'ilay mpaminany. Ny ankamaroan'ny faminaniana ara-Baiboly dia tsy mbola tanteraka hatramin’izao; natao ho amin'ny fotoanantsika izy ireo - ankehitriny.

Nampianarin’i Jesosy fa misy fandaharam-potoana ho an'ny faminaniana, fa tsy maintsy hitranga amin'ny volana sy taona ho avy, alohan'ny hiverenany hamonjy ny olombelona amin'ny famongorana. Aleo isika hanao izay hahatakarana ireo faminaniana ireo. Andao hianarana tsara izay efa nambaran'ny mpaneho hevitra lehibe indrindra manerantany mialoha. Alohan'ny hanombohana, dia hamarino tsara fa eo alohanao ny Baibolinao. Tokony hamerina hijery ireo andinin-tSoratra Masinarehetra nomena ianao ho valin'ny fanontaniana napetraka, ary hamaky izany am-pitandremana. Porofoinao mihitsy, ao amin'ny Baibolinao, izay lazainay.
An'arivony ireo mpianatra nahita fa ny fanampiana teny amin’ny lesony sy ny Baiboliny mandritry ny fianarany dia manampy azy ireo indrindra rehefa mamerin-desona izy ireo aoriana. Ny sasany manoratra na mandika amin’ny milina fanoratana ireo andinin-tSoratra Masinarehetra ireo.
Na inona na inona fomba fianaranao, dia tokony hanamarina ny andinin-tenin’ny Baiboly izay mamaly ny fanontaniana tsirairay ianao. Raha tsy izany, dia atahorana ny tsy hahazoanao akory izay tokony homen’ny fanontaniana tsirairay anao mba hahazoanao ny fampianarana.
Ary ankehitriny, andao hiasa!
______________________________________________

LESONA 2

 

Ny mpaniratsiran’ny andro farany 


 Ny vanim-potoanantsika dia ilay antsoina hoe " tsy finoana an’Andriamanitra nefa kristiana", ka na dia ny teolojiana aza dia maniratsira ny hevitra momba ny fisian'Andriamanitra… ary ny fanampian'i Jesosy Kristy izay nambaran’ny mpaminany mialoha.
Mba mariho fa ny Baiboly dia efa naminany mialoha io fotoana izay tsy maintsy hisian’ ny mpaniratsira io.

1. Araky ny Apostoly Petera, inona no tokony ho toetry ny "andro farany"? II Pet 3: 3-4.

2. Moa ve Andriamanitra niteny mafy ireo izay meloka noho ny fisalasalana toy izany, indrindra fa ny Isiraely? Ezek. 12: 21-23.

FANAMARIHANA: Na dia mahagaga aza ny fahitana izany, io faminaniana io, sy ny bokin'i Ezekiela manontolo, dia nosoratana voalohany indrindra ho an'ny androntsika. Rehefa voasoratra io boky io, dia efa resy ny firenen'Israely (aza afangaro amin'ny firenena Israely môderina); nentina ho babo izy - avy tany dia tsy niverina intsony - 120 taona mahery talohan’izany. Rehefa nahazo tsindrimandry tamin’Andriamanitra i Ezekiela mba haminany an’izany, i Joda dia natao fahirano. Efa tao anaty toby fitanana babo babyloniana i Ezekiela (Ezek 1: 1), izay lavitry ny faritra izay nitondran'ny Asyriana ny Isiraely, taloha ela. Ny mpaminany dia mbola lasa lavitra kokoa noho ny toerana nifindran'ny Isiraelita sasany taty aoriana.

Andriamanitra dia nanome hafatra an'i Ezekiela mba halefany ho an'ny Isiraely; izany dia hafatra momba ny fahababoana ho avy any aoriana.
Kanefa ny Isiraely dia lasa tany amin’ny fahababoana, ny fahababoany voalohany sy hany nataony, 120 taona talohan’izay. Ny mpiandry gadra an'i Ezekiela dia tsy hamela azy mihitsy hankany Israely mba hampita izany hafatra izany. Alohan'ny hanomezany azy ny faminaniana, dia fantatr'Andriamanitra fa tsy ho afaka hankany izy. Mazava ho azy fa tsy nanantena Izy fa ho lasa avy hatrany io hafatra io.
Saingy noraketin’i Ezekiela io hafatra io ka voatahiry; Ankehitriny io hafatra io dia tonga ara-potoana mihitsy any amin'ny vahoaka izay nokasain’Andriamanitra handefasana azy.


3. Manambara ve Andriamanitra fa ny teny naverin'ireo tsy mino dia ho tsy misy dikany, ary ho avy ny andro izay hahatanterahan’ny fahitana rehetra? Ezek. 12:23, 25. Inona ilay faminaniana izay tsy te-hinoan’ny taranak’Israely ankehitriny? Andininy 20.

FANAMARIHANA: Nilaza ny olona fa efa lasa ela sahady ny fotoana, ka hita mibaribary fa tsy ho tanteraka velively io fahitana io. Ny valiny avy amin'Andriamanitra dia hoe : ny zavatra rehetra izay efa nambara mialoha dia ho tanteraka amin’ny fotoana voatendry.

4. Na dia fantatry ny olona aza fa ho tonga io loza io, dia ahoana no anandramany hanaisotra izany amin'ny "fisaintsainany"? Andininy 27. Namaly ve Andriamanitra fa tsy hisy fanemorana intsony ny fahatanterahan'io teny fanamelohana io? Andininy 28.

5. Alohan'ny handefasan'Andriamanitra famaliana lehibe ho an'ny firenena iray, dia ambarany mialoha amin'ny mpanompony ve izany? Amosa 3: 6-7.

6. Ny Hosea 5: 9 dia mamaritra ny fotoan'ny farany hoe "andro fanamelohana". Milaza ve ny andininy faha-8 sy faha-9 ao amin'io toko io fa hanome fampitandremana ho an'ny firenen'Israely ireo mpanompony? Ampitahao amin'ny Hosea 7:12 ireo andininy ireo.

7. Ho amin’ny vaninandro inona no nanoratana ny faminanian'Isaia, alohan’ny rehetra? Isaia 30: 8. (Ny "andro any aoriana" dia mazava kokoa any amin’ny Baiboly sasany hoe : "andro farany"). Inona, hoy Andriamanitra, no ho toetran'ny olona amin'ny "andro farany"? Andininy 9-11. Ho avy tampoka dia tampoka ve ny sazin'izy ireo, na dia hita mialoha aza ny famantarana marina? Andininy 13.
 
8. Moa ve ny fironan'izao tontolo izao tsy hiraharaha sy manilika ny loza dia anisan’ny marika iray manondro ny fahantomotry ny loza amin’atambo mahatsiravina? 1Tes. 5: 3.
Inona no hafatra nalefan'i Isaia ho an'ireo mpaniratsira? Isaia 28:22. Mampitandrina azy ireo ve Andriamanitra fa hisy fandringanana lehibe hitranga amin'ny tany rehetra? Andininy mitovy. Moa ve mifandray amin'ny vanim-potoana hidiran'i Jehovah amin'ny raharahan'izao tontolo izao izany? Andininy 21.

Tsy nandao ny faminaniana


Aoka ho azontsika farany fa tsy nandao ny faminaniana. Tokony ho fantatsika fa ny faminaniana rehetra dia manana ny vaninandrony voafaritra tsara, ary mihatra amin'ny vanim-potoana izay, matetika, tsy an'ny mpaminany izay naminany azy. Ny ampahatelon'ny Baiboly dia misy faminaniana, ary saiky ny 90% amin'ny faminaniana rehetra dia mbola mifandraika amin'ny vanimpotoanantsika, izany hoe ankehitriny. Rehefa ao an-tsainao tsara izany, dia diniho ireo faminaniana fanalahidy sasany.

1. Moa ve ny faminanian'i Joela dia mifandraika amin'ny ho avy lavitra sa amin'ny vaninandrony? Joela 1: 2, 3, 15. Inona moa ny "Andron'i Jehovah "? Moa ve amin’io fotoana io Andriamanitra hisalovana amin'ny raharahan'izao tontolo izao? Joela 3: 1-2; 4:11-14. Rahoviana no ho avy io andro lehibe io? Aorian'ny famantarana lehibe eny amin’ny lanitra ve? Andininy 15-16. Moa ve izany miresaka mazava momba ny fotoana hiverenan'i Kristy? Mat. 24: 29-31.

FANAMARIHANA: Ny "andron'i Jehovah» dia voalaza ao amin'ny faminaniana maro ao amin'ny Baiboly. Mifandraika hatrany amin'ny fotoana izay hidiran'Andriamanitra an-tsehatra amin'ny raharahan’izao tontolo izao izany, rehefa hiverina eto an-tany i Kristy.

2. Nanambara mialoha momba izany vaninandro izany ve i Isaia mpaminany? Isaia 24: 17-21. Inona no hitranga "amin'ny andron’i Jehovah?" Isaia 2: 2, 11-12.

3. Ho tanteraka ve ny faminaniana rehetra momba ny "andron'i Jehovah "? Apok. 10: 5-7.

4. Hisy faminaniana ara-baiboly tsy ho tanteraka ve ? Isaia 55: 11. Ho tafita sy ho tanteraka ve ny hafatra fampitandremana nomen'ny mpanompon'Andriamanitra ny vahoaka? Ezek. 33: 30-33. Hafatra mahafinaritra ve izany? Andininy 25 ka hatramin'ny 29. FANAMARIHANA: Ny ankamaroan'ny olona ankehitriny dia reraka mihaino "vaovao ratsy". Na izany aza, ny faminaniana avy amin'Andriamanitra dia misy VAOVAO RATSY ho an'ireo rehetra mikomy amin'Andriamanitra sy manitsakitsaka ny lalàny. Fa izy ireo koa dia ahitana ny VAOVAO MAHAFALY izay mihatra ivelan'ny fotoan'ny fahoriana sy ny korontana izay efa nolazain’ny mpaminany ho an'izao tontolo izao (Isaia 2: 1-4; Mika 4: 1¬4).

Ny ankamaroan'ny olona dia mihevi-diso fa ny faminaniana rehetra dia tsy misy afa-tsy faminaniana mahatsiravina momba ny tranga misy loza amin’atambo ihany, momba ny famalian'Andriamanitra lozabe sy tezitra izay te hidina ety an-tany hiaraka amin'ireo mpanompony azom-pahoriana.
LAVITRA ny fahamarinana izany. Maro ny faminaniana milaza mialoha ny vanim-potoana hisy fandriampahalemana, fahasambarana, famerenana amin'ny laoniny, fifaliana, fanambinana lehibe ary harena ara-batana ho an'ireo izay manompo an'Andriamanitra sy mankatò Azy. Hahafantatra bebe kokoa momba ity VAOVAO MAHAFALY ity isika amin'ny lesona manaraka.

Ny zavatra voalohany nolazain’i Kristy mialoha 


1. Inona no famantarana fampitandremana voalohany nomen'i Jesosy Kristy ny mpianany tamin'ny nanontanian'izy ireo azy hoe rahoviana ny fotoana hihaviany fanindroany? Mat. 24: 3-4. Naminany ve izy fa MARO ny mpamitaka no ho avy ka hamitaka OLONA MARO? Andininy 5, 11 ary 24. Mpanompon’ny lehiben'ny mpamitaka ve ireo? II Kor. 11: 13-15. Noho ny asan'izy ireo ve dia voafitaka izao tontolo izao? Apok. 12: 9.

2. Ny FAHAMARINAN'Andriamanitra ve tokony ho voambara amim-pahefana manerana an'izao tontolo izao alohan'ny ahatongavan'i Kristy? Mat. 24:14.

FANAMARIHANA: Tsy havelan’ Andriamanitra tsy hisy vavolombelona hampitandrina azy izao tontolo izao. Ankehitriny, ny mpanompony dia manambara am-pahibemaso sy amim-pahefana ny fahamarinana amin'izao tontolo izao amin'ny alàlan'ny radio, ny fahitalavitra ary ny gazety. Eo am-pianarana ny hafany ianao amin’izao fotoana izao, satria mandalina ny Baibolinao amin'ity fampianana ity.

3. Mandritra izany fotoana izany, tokony hampiseho asa tafahoatra ve ny mpamitaka? II Tim 3: 13. Moa ve ny olona sasany dia manana "endrika " fotsiny - izany hoe maneho – ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra? Andininy 5. Moa ve i Paoly nilaza mazava momba ny "andro farany", izany hoe ny vanim-potoana iainantsika feno loza? Andininy 1.

4. Naminany ve i Jesosy fa hisy mpaminany sandoka sasany mody milaza fa efa niverina sahady Izy? Mat. 24: 23-26.
FANAMARIHANA: Ho hitantsika ao amin'ny lesona manaraka, fa tsy hisy fisalasalana kely akory ny momba ny hiverenan'i Kristy rehefa ho tonga marina ny fiaviny faharoa.

Mety hiverina ve i Kristy anio alina? Mety efa nandre ny mpitory teny sasany nilaza ianao hoe: "Mety ho tonga ny Tompo anio alina." Saingy marina ve fa mety hitranga amin'ny fotoana tsy voafetra ny Fahatongavan'i Jesosy Kristy? Inona no nolazain’Izy tenany?
Nanome ity fampitandremana manaraka ity i Jesosy: "Mitandrema, fandrao ho voafitaka ianareo." (Lioka.21:8)

1. Inona no fitaka iray torin’ny mpaminany sandoka? Lioka 21: 8. Azafady mariho manokana ny teny hoe "efa akaiky ny andro" amin'ny ampahany faharoa amin’io hafatr'io.

FANAMARIHANA: Ity andininy ity, izay mitovy amin'ny Matio. 24: 4 sy Marka 13: 5-6, dia manome antsika faminaniana fanampiny. Araky ny teny grika tany am-boalohany, izay nanoratana ny Testamenta Vaovao, ny hafatra diso resahina ao amin'ny Lioka 21: 8 dia ny hoe: "efa akaiky ny andro". Amin'ny teny hafa dia hoe: "tsy misy zavatra tsy maintsy hitranga mialoha. Mety ho tonga tokoa ny Tompo anio alina."

Ka inona no tokony hoeritreretina momba izany? Mety hiverina anio alina ihany ve i Kristy? Tsia! Mampianatra ny Baiboly fa tsy maintsy hisy fisehoan-javatra voafaritra mazava sy mifanarakaraka aloha. Hianaro TANTERAKA tsara ny.Matio 24, ary koa ny Marka 13 sy ny Lioka 21. Ireo toko ireo dia manambara mazava fa misy karazana kalandrie ara-paminaniana, fa misy zavatra sasany tsy maintsy hitranga alohan'ny hiverenan'i Kristy.

2. Hiverina mandritry ny ady sy tabataba ve i Kristy? Lioka 21: 9-11.
FANAMARIHANA: Ny dikan-teny sasany amin'ny Baiboly dia mandika ny faran'ny andininy faha-9 amin'ny Lioka 21 amin'ny hoe "avy hatrany", izay dikan-teny tsara kokoa. Ireo fitantarana mitovitovy ao amin'ny Matio.24: 6 sy ny Marka 13: 7, dia milaza tsara hoe: "nefa tsy mbola tonga ny farany"

3. Saingy, rehefa manomboka miseho amin’izay ny tranga mahatsiravina nolazain'i Jesosy ao amin'ny Matio. 24, Marka 13 sy Lioka 21, moa ve izany ho vita mandritry ny androm-piainan'ny taranaka iray? Mat. 24:34, Marka 13:30; Lioka 21:32.

Ireo "mariky ny fotoana" Misy fitoviana amin'ny tsy fahalalan'ny ankapobeny momba ny kalandrien'ny faminaniana mikasika ny fiverenan'i Jesosy Kristy. Ny Jiosy, tamin'ny fotoan'ny fiaviany voalohany koa, dia tsy ampy fahatakarana ary tsy nanaiky an'i Kristy ho ilay Mesia nambara mialoha.

Nilaza tamin'ireo mpitondra fivavahana tamin'ny fotoanany i Jesosy fa ny "famantarana" izay niaraka tamin'ny fanompoany dia tokony ho ampy hanaporofoana fa Izy no Ilay Kristy nolazain’ny faminaniana. Eny tokoa, ireo faminaniana ao amin'ny Testamenta Taloha, izay fantatr'izy ireo tsara mihitsy, dia efa nanambara mialoha ny fotoana sy ny fomba marina hisehoany.
Nefa tsy nety nino Azy izy ireo.

1. Inona no nangatahan'ireo Fariseo sy Sadoseo mpaniratsira ireo mba hasehony azy ireo? Mat. 16: 1. Ahoana no namaliany azy ireo? Andininy 2-3.

FANAMARIHANA: Ireo mpitarika fivavahana tamin'ny andron'i Kristy dia tsy nahatakatra ireo "famantarana ny fotoana". Kanefa, dia efa nampianarina azy ireo fa ho avy ny Mesia, satria io hafatra io dia niverimberina tao amin'ny boky rehetra tao amin'ny Testamenta Taloha. Ao amin'ny andininy faha-3 ao amin'io toko io ihany, dia nasehon'i Jesosy fa mety ho azon'izy ireo izany raha toa ka tena iriny.
2. Inona ny "famantarana" na "fahagagana" fanampiny, ankoatry ny faminaniana mazava ao amin'ny Testamenta Taloha izay efa fantany, izay nomen'i Jesosy? Mat. 16: 4. Inona ilay "fahagagana" niseho tamin'i Jona mpaminany? Mat. 12: 39-40.

FANAMARIHANA: Ny tsy mino an’Andriamanitra sy ny agnostika dia maniratsira ny tantara ara-baiboly momba an'i Jona sy ny trondro lehibe. Na izany aza, nambaran'i Jesosy tamin'ny Fariseo fa Izy dia hitoetra ao am-pasana mandritry ny fotoana mitovy amin’ny fotoana izay nijanonan'i Jona tao anatin'io trondro io. Izany dia natao ho an'ny mpiara-belona taminy, ho famantarana "miavaka" fa Izy tokoa no Kristy izay efa nolazain’ny mpaminany.

3. Nitranga ve izany famantarana izany? Vakio ny Matio 27:57-66, ary 28:1-6. Tokony ho marihana manokana ny Matio 28:6.

FANAMARIHANA: Roa vavy no tonga nijery ny fasana izay nametrahana ny fatin'i Kristy. Rehefa tonga teo izy ireo, dia nahita fa foana ny fasana. Nolazaina tamin’izy ireo ary fa efa nitsangana i Kristy, "araka izay nolazainy", rehefa afaka telo andro sy telo alina.


Efa niseho ny famantarana… Noporofoin'i Jesosy mazava fa Izy no Mesia sy Mpamonjy ny olombelona, araky ny efa nolazain’ny mpaminany mialoha.

Ireo "famantarana" amin'izao androntsika izao Rehefa nanontanian’ny mpianany i Jesosy momba ny "famantarana" haneho fa akaiky ny fiaviany fanindroa sy ny faran'ny fitantanana ratsy ataon’ny olona, dia nolazainy taminy ny tena fifandimbiasan’ireo tranga mialohàn'ny fidirany an-tsehatra (Matio.24.3-41).
1. Inona koa no nolazain'i Jesosy tamin'ny mpianany fa hitranga amin'ny andro farany, ankoatry ny fisehoan'ny mpaminany sandoka maro? ' Mat. 24: 6-7.
FANAMARIHANA: Nanomboka tamin'ny 1914 ny Ady Lehibe Voalohany. Hatreo, dia nisy firenena nitsangana nanohitra ny hafa, ary fanjakana nanohitra fanjakana hafa. Hatramin'ny Ady Lehibe Faharoa fotsiny, dia nisy ady mitam-piadiana mahery vaika 70 manerana izao tontolo izao. Ankehitriny, dia somary milamindamina kely fotsiny isika eo anelanelan'ny Ady Lehibe Faharoa sy ny Fahatelo maneran-tany.
2. Moa ve ny mosary no iray amin'ireo famantarana lehibe manondro fa tena akaiky ny fidiran'i Kristy amin'ny raharahan'ity tontolo ity? Mat. 24: 7.
FANAMARIHANA: Isaky ny telo taona, ny isan'ny mponina eto amin'ny an'izao tontolo izao dia miampy isa toy ny isan'ny mponina any Etazonia. Maro ny faritra miatrika olana mafy satria mihoatra ny famokarana sakafo ny isan’ny mponina.

Arak’izany dia hita any Amerika Afovoany sy Amerika Atsimo ohatra ny fahantrana tena mampalahelo indrindra. Ary na izany aza, any amin'ny firenena maro amin'io kaontinanta io, dia hitombo avo roa heny ny mponina ao anatin'ny 25 taona. Noheverina taloha fa tsy hisy izany.
Noho ny tsy fahampian'ny famokarana sakafo eto amin'izao tontolo izao, miaraka amin'ny fitomboana izaitsizin'ny mponina, dia hisy andro sarotra izay hampihorohoro ny halehibeny ary hanozongozona an’izao tontolo izao.

Ny olona an-tapitrisa maro maty isan-taona ankehitriny noho ny tsy fahampian-tsakafo lavareny dia mety hitombo avo zato heny. Olombelona an-jato tapitrisa maro velona ankehitriny no mety ho faty vokatry ny mosary izay hiparitaka eran'izao tontolo izao.
Ary rehefa afaka izany, dia hitsangana indray ny aloky ny ady araky ny faminanian'i Jesosy, fa hisy firenena hiady amin'ny firenen-kafa, vokatry ny hanoanan’ny olona fotsiny. Tsy mahafinaritra mihitsy ny mieritreritra izany…

Aretina mahafaty sy areti-mifindra manerana ny tany 1. Araka ny faminaniana, inona koa no mbola hiseho aorian'ny mosary? Lioka 21: 11. Tsy vokatra voajanahin’ny mosary ve ny pesta?

FANAMARIHANA: Ny làlana dia efa voaomana hisehoan’ny pesta indray. Ny fiavosan’ny olona miha-mitombo dia midika fa hisy bebe kokoa ny potsi-javatra tsy misy vidiny, ny antontan-javamaniry miha-ló sy ny fako, ny fandotoana bebe kokoa ny rano, ny tany sy ny rivotra,- ary hitombo kokoa ny aretina.
Ny fivangongon’ny mponina lehibe dia lehibe dia atahorana hitondra loza lehibe dia ny mety hitrangan’ny valan'aretina. Rehefa hipoka ny olona, dia mety hisy ny areti-mifindra mihanaka toy ny tetiafo; ny pesta lehibe rehetra tamin'ny lasa dia areti-mifindra toy izany.
Maodimaody hatrany ny manam-pahaizana momba ny fitsaboana rehefa mandalina ny zava-misy eran-tany. Tsikaritr'izy ireo ny fitomboan'ny tahan’isan'ny famantarana ireo areti-mifindra ireo. Ny kolera dia loza efa namely an'i Eoropa Atsinanana, Azia ary Afrika. Na ny pesta mivonto aza, izay nantsoina hoe "pesta mainty" tamin'ny Moyen Âge dia miverina indray ankehitriny…
Miverina mamely mafy indray ny haromotana ka mamely an'i Eoropa sy Etazonia. Ny manam-pahefana ara-pitsaboana Eropeana dia manahy momba ny fandrosoana miadana sy tsy azo ajanona an’ity aretina mahatsiravina sy mahafaty ity.
Ny tenin'i Jesosy, izay nolazainy tamin'ny 1900 taona lasa tany ho any, dia azo antoka fa faminaniana. Ny taona ho avy no tena hampiharihary izany.

Horohoron-tany 1. Inona koa no mbola hitranga ka hitombo ny fahasarotany? Mat. 24: 7. Rehefa tonga any amin'ny fara-tampony ny fihetsehana mahery setra, dia hanjary ho fantatry ny olona ve fa miditra an-tsehatra Andriamanitra? Isaia 2: 19-21.
2. Ireo famantarana izay efa nolazain'i Jesosy ve dia ho fiandohan'ny faoriana fotsiny? Mat. 24:8. Raha avela hitohy ity fotoam-pahorian'izao tontolo izao, izay nambaran’ny mpaminany ity, dia mbola hisy hiaina ve? Andininy 21-22.
FANAMARIHANA: Ny mosary, ny aretina ary ny pesta - ary koa ny horohoron-tany sy ny fikorontanana hafa nateraky ny natior, dia mitodra fahafatesan’olona mihe-maro hatrany ankehitriny. Ary, araka ny efa hitantsika, na aiza na aiza, ireo mpitondra eto amin'ity tontolo ity dia matahotra fa ny fahafahan'ny olombelona handringana dia tsy hitondra vokatra afa-tsy ny fanafoanana ny fiainana eto ambonin'ny tany.

Ireo "mpitaingin-tsoavaly efatra" 


1. Moa ve ny toko fahenina ao amin'ny Apokalypsy dia mampiseho ireo toe-javatra mitovy amin'ilay nolazain'i Jesosy ao amin'ny toko faha-24 amin'ny Matio fa amin'ny teny an'ohatra? Apok. 6: 2-8.

FANAMARIHANA: Ireo soavaly efatra sy ny mpitaingina azy ireo dia maneho ny endrika efatra lehibe eto an-tany, izay nolazain'i Jesosy fa hisy amin'ny faran'ity vanimpotoana ity, samy miaratsy sy mifanitsaka daholo izy ireo, ka miantraika manerana an'izao tontolo izao.

Ny soavaly fotsy dia mampiseho an'ireo minisitra sandoka maro izay mitory Kristy sandoka sy làlana diso mankany amin'ny "famonjena". Ny soavaly mena dia maneho ny firongatry ny fahasimbana vokatry ny ady. Ny soavaly mainty kosa dia tandindon’ny mosary tsy mitsaha-mitombo. Ary ny soavaly hatsatra dia maneho ny fihanaky ny areti-mifindra.

2. Inona no zavatra tsy maintsy haloa tena mavesatra izay horaisin'ireto "mpitaingin-tsoavaly efatra" ireto? Apok. 6: 8.

FANAMARIHANA: Alao an-tsaina fotsiny, raha afaka manao izany ianao, ny am-pahefatry ny olombelona maty mandritry ny vanim-potoana voalaza fa ho voalohan'ny FANAINTAINANA fotsiny!
Ary aza hadinofa isika olombelona ihany no mitondra amin'ny tenany ireto fijaliana sy fahafatesana mahatsiravina ireto. Fantatr'i Jesosy fa ny olombelona, raha avela hiahy ny tenany irery, dia hisarika ho an’ny tenany ny loza rehetra, ary handringana ny miaina rehetra - raha tsy nisy ny fanampian'Andriamanitra miseho mba hisorohana izany. Izany no antony nampanantenany fa hitsabaka amin'ny raharaha eto amin'ity tontolo ity Izy. Ho avy tsy ho ela i Jesosy Kristy hanampy antsika, satria ny olombelona dia "tsy misy ho sarangotina fa efa ho faty".

Ilay “fahavetavetan'ny fandravana” 1. Inona no famantarana hafa nomen'i Jesosy hanambarana fa efa akaiky ny "farany"? Mat. 24: 14-16.
2. Moa ve i Jesosy nilaza fa ny "fahavetavetan'ny fandravana" dia arak’izay nolazain'i Daniela mpaminany? Andininy 15. Azafady mariho ireto teny ireto: "Aoka hisaina izay mamaky izany" Moa ve io baiko io nomena an'i Daniela ihany koa? Dan. 9:23.

3. Moa ve i Daniela efa nampahafantarina ireo zavatra tena "mahatsiravina" indrindra izay hotanterahina amin'ny fotoana farany? Dan. 9:27.

FANAMARIHANA: Mariho fa ity "fahavetavetana" ity dia zavatra hatsangana ao amin'ny "toerana masina" (Matio 24:15), any Jerosalema - izay nanaovana sorona biby taloha.

4. Inona no andininy mbola nilazan'i Daniela ny "fahavetavetan'ny fandravana"? Dan. 11:31.

FANAMARIHANA: Ity tranga tantarain’ity andininy ity dia efa tanteraka taloha teo amin'ny tantara tranainy. Ny ankamaroan'ny manam-pahaizana ara-Baiboly dia manaiky fa ny ankamaroan'ny toko faha-11 ao amin'ny Daniela dia efa tanteraka ara-tantara, satria nisy ny fifanoherana teo amin'ny Séleucide tao Syria sy ny Ptolémée tao Egypta, izay antsoina araky ny laharany hoe mpanjaka avy any avaratra ary ny mpanjaka avy any atsimo.

Ny andininy faha-31 dia manazava ny fandresena an'i Jerosalema sy ny fanimbana ny Tempolin'Andriamanitra nataon'i Antiokosa Epifana, mpanjakan'i Syria, tamin'ny taona 168 talohan'i Kristy.

5. Moa ve i Jesosy tsy nanambara fa ny "fahavetavetana" dia mbola ho amin'ny ho avy? Mat. 24:15; Marka 13:14.

FANAMARIHANA: Vokatr'izany, ny ampahany farafahakeliny ao amin'ny toko faha-11 amin'ny bokin'i Daniela dia mety hanana DIKANY ROA. Tsy mahagaga izany, satria hitantsika fa ny faran'ity toko ity dia manondro ny "fotoana farany" (and. 40) - izay mitondra mankany amin'ny fitsanganan'ny olomasina (toko 12). Ao amin'ny lahatsoratra tany am-boalohany, dia tsy misy misaraka ho toko roa ny Daniela 11 sy 12.

Inona marina no dikan'ilay hoe "fahavetavetan'ny fandravana"?


Raha mampitaha izay lazain’ny Baiboly sy ny zava-bita teo amin’ny tantara isika, dia ho azoantsika an-tsaina ny hoe «fahavetavetan’ny fandravana». Fahiny, ilay fahavetavetana napetrak'i Antiokosa tao amin'ny Tempoly tamin'ny alàlan'ny tafiny, dia tsy inona fa ny sarivongan'i Jopitera avy tao Olympa, andriamanitry ny Grika sy ny Romana.

"Ilay fahavetavetan'ny fandravana" dia tsy inona fa "andriamanitra" sandoka izay hitoetra ao Jerosalema, amin’ilay toerana masin'ilay tena Andriamanitra.

Fandringanana tampoka 1. Amin'ny fotoana ho avy, Inona ny tranga hafa ho tonga miaraka amin’ny fahavetavetan'ny fandravana" hisy ao Jerosalema? Lioka 21:20. Moa ve izany no fotoana marina hahatanterahan’ny faminaniana rehetra, izay heverin’ireo tsy mino fa tsy ho tanteraka? Andininy 22.

FANAMARIHANA: Eto dia ho hitantsika indray ny faminaniana mandray roa.
Ny fandringanana an'i Jerosalema tamin'ny taona 70 amin'ny fanisan’androntsika nataon’ny tafika Romana dia fampahafantarana fotsiny izay hitranga ho avy tsy ho ela. Ny legiona romana izay nandresy an'i Jerosalema tamin'izany fotoana izany dia tsy inona akory fa fampisehoana mialoha- na fampahitana mialoha ny tafika môderina izay tsy ho ela dia handroso any Afovoany Atsinanana (Proche Orient).
Ny taona 70 talohan'i Kristy dia tsy "NY FARANY". Tsy tonga tamin'io fotoana io ny "andron'ny Tompo".

2. Hisy ady lehibe ve any Afovoany-Atsinanana amin'izay fotoana izay? Lioka 21: 23-24. Moa ve ho resin'ny hafa firenena ny tanànan'i Jerosalema? Andininy 24; Zak.14:1-2.

3. Ho entina babo ve ny antsasaky ny mponin'i Jerosalema, ary horobaina ve ny tanàna? Andininy 2. Hampahory indrindra ny vehivavy ve izany fotoana izany? Andian-tsoratra mitovy. Tsy izany ve no antony nahatonga an’i Jesosy nilaza hoe: "Ary lozan'ny bevohoka sy ny mampinono amin'ireo andro ireo!"? Mat. 24: 16-19. Tena ho sarotra ho azy ireo ny handositra.

4. Tsy io ve no fotoana izay tokony hidiran'i Jesosy Kristy an-tsehatra mba hisorohana ny fitaovam-piadiana môderina tsy handringana tanteraka ny fiainana eto an-tany? Mat. 24:22.

FANAMARIHANA: Tamin’ny tantaran’ny olombelona, mbola tsy nisy mihitsy olombelona afaka nandringana ny aina rehetra teto amin'ity planeta ity. Ireo faminaniana ireo dia tsy azo ampifandraisina afa-tsy amin'ny fotoanantsika sy ny ho avy tsy ho ela ihany.

Ny ankamaroan'ny mponina eto amin'izao tontolo izao dia ho ringana 


1. Maminany ady lehibe amin'ny hoavy ve ny Baiboly? Apok. 9: 14-18. Firy ny olona ho faty amin'ity ady mampatahotra ity? Andininy 15, 18.

FANAMARIHANA: Na dia mampihorohoro aza ny fieritreretana izany, ny olona an-tapitrisa maro maty tamin'ny Ady Lehibe Faharoa dia tsinontsinona raha oharina amin'ny famongorana mahatsiravina ny ain'olombelona izay ho avy! Manodidina ny ampahatelon'ny taranak'olombelona no ho faty amin'io ady io. Ary tsarovy fa io fanapahana tsy maintsy hataon'ny fahafatesana io dia ho fanampin'ny isan'ireo izay ho faty vokatry ny mosary sy ny areti-mifindra!

2. Inona no hitranga amin'ny tafika hanafika an'i Jerosalema? Zak.14:12; Apok. 19:19-21.

3. Raha fintinina, inona no faminaniana nataon'i Isaia momba ny mponina eran'izao tontolo izao rehefa hiverina i Kristy? Isaia 24:1, 3. Nahoana? Andininy 5-6. Amin’ny inona no oharina ny isan'ireo " olom-bitsy" sisa tafajanona ho velona? Andininy 13; Isaia 17:4-6.

"Koa miambena ..." 1. Hahatalanjona ny ankamaroan'ny olona ve ny fahatongavan'i Kristy, ny sainy anefa dia variana amin’ny olany manokana, ny fanantenany, ny tebitebiny sy ny fahafinaretany, na dia eo afovoan'ny vanim-potoana mahatsiravina indrindra izay mbola tsy fantatry ny olombelona hatrizay aza izy ireo? Mat. 24: 37-39.

2. Noho izany, i Kristy ve mampitandrina antsika mba hanara-maso ny famantarana ny fiverenany tsy ho ela, ka hiambina? Lioka 21: 34-36.

FANAMARIHANA: Nasehon'i Jesosy mazava amintsika fa mila manara-maso ny tranga eto amin'izao tontolo izao isika mba HIALANA amin'ny loza manjo ny olombelona avy amin’ny ataony ihany, mba tsy ho voafandrik'izany izy ireo ary mba ho vonona amin'ny fiaviany.

3. Moa ve ireo tranga - famantarana - izay mialoha ny fidiran'i Kristy an-tsehatra ho sarotra fantarina, sa ho hita miharihary (ho an'ireo izay miambina) toy ny fiovan’ny fizaran-taona? Ampitahao ny Lioka 21:29¬31 sy ny Matio. 24:32-33.

FANAMARIHANA: Hitanao ve ny fahatanterahan'ny faminaniana miandalana eo amin'ny sehatr’izao tontolo izao? Tandremanao fatratra ve ny teny fampitandreman'i Jesosy? Enga anie Andriamanitra hanampy anao hanao toy izany satria tandindomin-doza ny ainao sy ny an’ny fianakavianao.

Ny vahaolana tokana Rehefa mandinika amin'ny fomba tsy miangatra sy mitombina ny zava-misy sy ny fironana ankehitriny eto amin'ity tontolo ity isika, dia mahita fa miraika any amin’ny ANDRO SAROTRA LEHIBE MANERANTANY tena akaiky izay hisy ady, mosary ary areti-mifindra izay tsy ho voafehin'olombelona isika - ary koa any amin’ny fandringanana ny ain'olombelona eto amin'ity planeta ity.

Ny mpitondran’izao tontolo izao ary ny manam-pahaizana dia mijery ity tontolo mahatahotra ity, ary mahatsapa izy ireo fa matahotra. Mampitandrina antsika izy ireo fa ny hany fanantenan’ny olombelona dia ny fananganana governemanta maneran-tany lehibe izay hitana tanteraka ny fahefana sy ny hery amin'ny firenena rehetra.

Saingy, ireo firenena ireo dia feno fifankahalana eo amin'izy samy izy, ka tsy ho afaka hanangana governemanta toa an'izany.
Na koa, misy Andriamanitra velona iray manana Fanahy Lehibe sy fahefana tanteraka - izay tsy ho ela dia hiditra an-tsehatra amin'ny raharahan'ity tontolo ity mba hamonjy ny olombelona amin’ny ataon’ny tenany ihany - raha tsy izany, dia ny fahafonganan’ny fiainana rehetra eto an-tany no tsy maintsy hitranga, rehefa alefan'ny olona amin’ny namany ny herisetra mahatsiravina izay feheziny.


Ireo ihany no hany safidy.

No comments:

Post a Comment