Fitsipika 12 amin'ny Fandalinana Baiboly

AMBASADAORO KOLEJY - FAMPIDIRANA

FITSIPIKA 12AMIN’NY FOMBA FANDALINANA NY BAIBOLY


Nahoana ny Baiboly no boky tena tsy azo indrindra ny dikany? Fa maninona izy no tena natao dika vilana, nosimbaina, novan-toetra- ary nahoana izy no antony ilazana lainga be indrindra? Ny ankamaroan'ny olona dia mandà ny hino izay lazain'ny Baiboly. Ny fampiharana ireo fitsipika tsotra sy fototra ireo dia hanampy anao hahatakatra ny tena fahamarinana momba ny Tenin'Andriamanitra.



Iza moa isika? Moa ve isika napetraka teto an-tany noho ny antony tsy voafetra? Raha eny, inona izany tanjona izany? Fa maninona ny olombelona no manana fiainana toa tsy misy dikany aminy? Maninona izy ireo no tsy faly sy tsy sambatra? Ahoana no hahatonga ny fiainana ho sambatra, mahaliana tanteraka, feno fanambinana, izany hoe mahomby? Inona no tena antony mahatonga ny ady, ary inona no lalana mankany amin'ny fandriampahalemana eran-tany? Inona no hitranga aorian'ny fahafatesana? Inona no lalana mitondra mankany amin'ny fiainana Mandrakizay, sambatra sy feno fanambinana?

Tsy misy boky afa-tsy ny Baiboly irery ihany no manambara ny valin'ireo fanontaniana fototra ireo.

Na izany aza, korontana sy tsy fitovian-kevitra maro no manjaka noho izay lazain'ity boky ity. Ny fironam-pinoana an-jatony samihafa sy ny sekta izay misy ao anivon'ny Kristianisma dia tsy mety mifanaraka amin'izay ao anatin’ny bokiny. NAHOANA? Fa maninona ireo olona maro, izay afaka mahazo ny ankamaroan’ny boky hafa rehetra, no tsy mety mahazo ny BAIBOLY?

Halalino samirery izany

Anjaranao ny mahafantatra ny fomba ahafahanao mahazo tombon-tsoa be indrindra amin’ny Tenin 'Andriamanitra.

Tokony hino aloha ianao fa MISY ANDRIAMANITRA, ary ny BAIBOLY NO TENINY NOTARIHIN’NY FANAHY. Raha manana fisalasalana momba izany ianao, dia manorata aminay avy hatrany mba hahazoanao ilay bokikely omena maimaim-poana mitondra ny anarana hoe : Misy ve Andriamanitra ?

Mba handalinana ny Baiboly, na ny zavatra hafa rehetra koa aza, dia misy ny fomba mety sy ny tsy mety. Misy fitsipika sasany ka ny fampiharana izany dia mahatonga anao hahafantatra bebe kokoa ny Tenin'Andriamanitra; ireo fitsipika ireo dia hamaly ny ankamaroan'ny fanontanianao, ary hanampy anao hieritreritra sy hanao araka izay sitrapon'Andriamanitra.

Ny fitsipika voatanisa etsy ambany dia tsy voatery nomena arakaraky ny lanjany, ary izy ireo dia tsy fitambaran’ny fitsipika rehetra; na izany aza, satria ilaina izy ireo, dia hanampy anao hahita ny fahamarinana izany.


1 - Mivavaha mba hitari-dalana anao Andriamanitra 

Voalohany indrindra aloha, alohan'ny hanokafanao ny Baiboly, angataho Andriamanitra mba hanokatra ny sainao ary hanome anao ny fahatakarana ilainao mba hahazoanao ny Teniny. Davida, izay olona "araka ny fon'Andriamanitra", dia nandalina fatratra ny Soratra Masina, ireo izay efa voasoratra tamin'ny androny. Nisaintsaina ny lalàna sy ny lalan’Andriamanitra izy. Nitady fomba handehanana amin'ireo lalany ireo izy: Rehefa mamaky ny Salamo ianao, dia ho hitanao fa matetika i Davida no nangataka tamin'Andriamanitra mba hitarika azy amin'ny fandalinana ny Teniny, mba hanokatra ny sainy, ary hanambara aminy ny fahamarinana."Jehovah ô, toroy ny lalan'ny didinao aho; Dia hotandremako hatramin'ny farany izany. Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; Eny, hitandrina azy amin'ny foko rehetra aho. Ampandehano amin'ny lalan'ny didinao aho; Fa izany no sitrako. Amporisiho ny foko ho amin'ny teni-vavolombelonao, Fa tsy ho amin'ny fieremana… Velomy amin'ny lalanao aho. Tovy ny teninao amin'ny mpanomponao, Izay matahotra Anao indrindra…Indro, manina ny didinao aho, Velomy amin'ny fahamarinanao"(Sal. 119: 33-40).

Ny fandinihana ny Baiboly dia ho zava-poana sy tsy misy ilana azy raha tsy mangataka amin'Andriamanitra, amin'ny fahatsoram-po sy finoana isika, hanampy antsika hahatakatra ny Teniny sy hikatsaka voalohany ny Fanjakana sy ny fahamarinan'Andriamanitra (Mat. 6: 33). Tahaka ny mety ho foana ny fivavahana amin'Andriamanitra (Marka 7:7), dia toy izany koa, mety ho foana ny fandalinana ny Teniny!

Na izany aza, maro ny olona nahita fianarana sy manan-tsaina, no nandany ny androm-piainany handinihana ny Tenin Andriamanitra - araky ny nanoratana izany tamin'ny fiteny tany am-boalohany - nefa kely no tombony azony tamin’izany.

Ny manam-pahaizana sasany aza dia nandika ny Baiboly manontolo – nanomboka tamin'ny Genesisy ka hatramin'ny Apokalypsy - nefa tsy nahazo ny dikany marina, ary tsy nahatakatra ny hafatra manan-danja ao anatiny. Tamin'ireo mpandika teny ireo, dia nisy niaiky tamim-pahatsorana fa, araky ny filazan'izy ireo, ny Testamenta Taloha dia tsy hafa fa fanangonana tsotra ny asa soratra jiosy. Mpaneho hevitra maro momba ny Baiboly, olona izay nanoratra boky maro mba hanazavana ny andalana tsirairay ao amin'ny Baiboly, dia tsy nahazo afa-tsy ny dikany ara-teknika; tsy azon'izy ireo ny hafatra ara-panahy ao anatiny.

Ny asan'ireo manam-pahaizana ireo dia nanampy antsika be dia be, fa ny fahatakarana ny hafatr'Andriamanitra dia tsy tonga ho antsika amin’izao fotsiny; Andriamanitra no manokatra ny saintsika rehefa mangataka izany Aminy isika.


Tsy mila fiofanana manokana Na dia hafahafa aza ny fahitana izany, tsy mila manana faharanitan-tsaina lehibe ianao, na koa nanao fianarana betsaka, mba hahafahanao mianatra ny Tenin'Andriamanitra. Raha ny marina, Jehovah Andriamanitra dia mahalala fa isika, ireo izay nantsoiny, raha amin’nyankapobeny, dia tsy mba anisan’ireo olo-mahay indrindra eto an-tany (1 Kor. 1: 25-27).
Ekeo ny tsy fahaizanao ! Fantaro fa, raha amin’ny herinao irery, dia tsy afaka mahalala, na ny Tenin'Andriamanitra ianao, na ny fikasany eto an-tany. Izany no antony ilanao ny mangataka fanampiana avy amin'Andriamanitra.


Raha tsy maintsy mila manana faharanitan-tsaina lehibe ny olona iray mba hahazoana ny Tenin Andriamanitra, dia ny manam-pahaizana sy ny avara-pianarana rehetra dia hahazo izany. Saingy tsy izany no zava-misy. Nanambara Andriamanitra, raha niresaka momba ny vahoakany, ary koa ny maha-olombelona amin'ny ankapobeny: "Raha ny hanao ratsy, dia hendry izy; Fa ny hanao soa kosa tsy fantany." (Jer. 4:22).

Raha mbola mahay mamaky teny ianao, ary afaka mandohalika eo anatrehan'Andriamanitra, mba hivavaka Aminy amin'ny fahatsoram-po rehetra mba hitari-dàlana anao amin'ny fandalinana ny Teniny, dia hanokatra ny faharanitan-tsainao Izy: ho azonao izay tsy azon’ny ankamaroan'ny manam-pahaizana. Ny fivavahanao dia hampifandray anao amin'Andriamanitra; ny vavaka dia ahafahanao mahatakatra bebe kokoa ny Tenin Andriamanitra, mihoatra noho ireo be diplaoma avy amin'ny Oniversite lehibe.
Ny vavaka - izany hoe ny fifandraisanao amin'Andriamanitra - dia zava-dehibe indrindra amin'ny fanombohanao indrindra ny fianarana ny Baiboly; raha tsy misy io fifandraisana manokana amin'ny Mpamorona anao io, dia handany fotoana betsaka ianao "handalinana" izany, nefa tsy hahazo tombontsoa betsaka; ho tahaka ny Farisio ianao. 

Ny fotoana laninao amin'ity fandinihana ity, ny isan'ny andininy azonao vakiana amin'ny fotoana voafetra, ny fahalalanao ny teny hebreo sy grika, ny fahafahanao mitadidy toko maromaro amin'ny Baiboly - tsy ho ampy izany rehetra izany hampiditra anao any amin'ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny zava-dehibe, dia ny ataonao amin'ny zavatra nianaranao.
Ny vavaka ataonao amin'ny fo dia hanampy anao handalina ny Baiboly.

2 - Ny fanirianao hahitsy


Ny fitsipika faharoa dia mandeha miaraka amin'ny voalohany. Rehefa avy mivavaka ianao, dia tsy maintsy resy lahatra tanteraka, na ao an-tsainao na ao am-ponao, fa ny fandalinana ny Baiboly dia tsy fanovozana fahalalana fotsiny ihany, na fomba hahafahana mandà foto-pinoana iray na zava-misy iray, fa fomba hanatonana ny "halehiben’"ny toetran’Andriamanitra. Ny fomba tokana hanatanterahana izany, dia ny famelanao ny hanitsiana ny sainao ara-nofo!

Ny Tenin'Andriamanitra dia miantefa mivantana ary manokana amin'ny olona tsirairay.

Ary noho izany, ny toetranao dia tokony ho tahaka ny an'i Jeremia izay niantsoantso hoe:”Jehovah ô, fantatro fa tsy an'ny olombelona ny lalan-kalehany, na an'ny mpandeha ny hahalavorary ny diany. Jehovah ô, anaro aho, nefa araka ny antonony ihany, fa tsy amin'ny fahatezeranao, fandrao hataonao tonga tsinontsinona aho”(Jer. 10: 23-24).

Aza lalovana tsy am-pieritreretana ireo andalana ireo. Aza vakiana fotsiny ihany izy ireo, noho ny antony tsotra hoe nanoroanay hevitra anao hamaky azy ireo. Vakio izy ireo miaraka amin’ny faniriana lalina ny hahitsin’ny Tenin'Andriamanitra.

Andeha hodinihintsika koa ny andalan-teny iray hafa ao amin'ny Soratra Masina, izay ahafahanao manana toe-tsaina mety amin'ny fanatonana ny Tenin'Andriamanitra: " Izao no lazain'i Jehovah: Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro; Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? Ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako ? Fa izao zavatra izao no nataon'ny tanako. Ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah; Nefa izao no olona hotsinjoviko, dia izay malahelo sy torotoro fanahy sady mangovitra noho ny teniko. Mihainoa ny tenin'i Jehovah, Hianareo izay mangovitra noho ny teniny! Hoy ny rahalahinareo izay mankahala anareo, ka mandroaka anareo noho ny amin'ny anarako: Hampiseho ny voninahiny anie Jehovah, Mba ho faly mahita ny fifalianareo izahay! Kanefa ireny ho menatra kosa" (Isaia 66: 1-2, 5).

Ny Baiboly dia maneho ny fanahy sy ny hevitr'i Jehovah Andriamanitra, Ilay Mpamorona anao. Tsy tokony ho lasa lohahevitry ny resabe izany. Aza raisina ho toy ny boky iray izay ahafahanao mitsimpona ny hadisoan'ny hafa izany, fa ny ANAO. Ohatra, ianareo olona, aza mampiasa ny Efesiana 5: 22-23 ho fitaovam-piadiana hamelezana ny vadinao - na ianao vehivavy, ny andininy faha-25 hamelezana ny vadinao. Enga anie ianareo mivady tsirairay avy, , hampihatra eo amin’ny fiainanareo, ny andalan-tSoratra Masinaizay mifandraika mivantana aminareo avy.
 

3 - Fantaro ny zavatra rehetra


Ny fitsipika fahatelo: dia toa fanitarana ny teo aloha ihany. Ny fomba handinihanao ny Tenin'Andriamanitra dia ny TSY MISALASALA. Diniho ny ohatry ny mponin'i Berea: "Ary ny toe-panahin'ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin'ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masinaisan'andro, na marina izany, na tsia"(Asa. 17:11). Toe-tsaina tsara izany. Ny avy tao Berea dia tsy nandinika ny Soratra Masinahiampangana an'i Paoly; tsy toe-tsainy dia tsy manohitra sy misy fandavana.

Ka rehefa mandre na mamaky zavatra momba ny Baiboly ianao, ka tsy azonao tsara izany, dia mila mianatra ny Baiboly ianao hahitanao izay lazainy marina. Betsaka ny olona no tsy mahatakatra ny dikan'ny hoe "Fantaro ny zavatra rehetra" (1 Tes. 5:21). Mihevitra izy ireo fa, mba hahavitana izany, dia mila mahafantatra ny teny hebreo sy grika izy, manao fikarohana maharitra ara-tantara, ary mikaroka ny arisivan'ny rakipahalalana. Diso io hevitra io.

Mazava ho azy, raha ny fikarohana ataonao dia mitarika anao amin'izay karohinao toy izany, ary raha amin'ny alalany no ahalalanao ny maha-marina ny Baiboly, dia tsy misy maharatsy izany; nefa ny fahalalana sy ny fandalinana lalina dia tsy ilaina mandrakariva.
Ny teny hoe "mamantatra" dia tsy misalasala; Midika hoe "manandrana"izy io. Ohatra, tao amin'ilay fanoharana momba ireo olona nasaina, i Jesosy Kristy dia nampiasa an'io teny io rehefa niresaka momba ilay olona nasina izay nandà ny fanasana handeha amin'ny fampakaram-bady satria te-"hanandrana" ny omby dimy vao avy novidiany izy (Lio. 14:19).


Io hevitra mitovy io dia ambara ao amin'ny bokin'i Malakia. Andriamanitra, raha miresaka eto momba ny fahafolonkarena, dia tsy manasa antsika hanao fikarohana akademika mba hahitana ny dikanteny ara-teknika momba ny teny hoe "fahafolonkarena" izy, fa mandrisika antsika hizaha toetra azy Izy amin'ny fanaovana ny zavatra andidiany antsika. hatao. "Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo”(Mal. 3:10).
 

4 - Tsy manohitra ny tenany mihitsy ny Baiboly 


 Raha sarotra aminao ny mahatakatra ny andalan-teny sasany avy ao amin'ny Soratra Masina, ary raha toa mifanohitra amin'ny andalan-teny iray hafa ny momba an'io lohahevitra io, dia mila mandalina ny fianaranao ianao. Tsarovy fa tsy manohitra ny tenany mihitsy Andriamanitra - izany no fitsipika fahefatra. Vokatr'izany, na ny fahatakaranao ilay andalan-teny resahina dia tsy ampy loatra, na nisy hadisoana teo amin'ny fandikana ny lahatsoratra tany am-boalohany.


"Fa Izaho Jehovah dia tsy miova” (Mal. 3: 6). Ary fantany tsara izay nolazainy. Any an-toeran-kafa dia mbola vakintsika hoe: "Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay" (Heb. 13: 8). Io andalana io dia milaza tsara izay teneniny!

Ny Tenin'Andriamanitra dia fahamarinana (Jaona 17:17); raha tsy manatona an'izany amim-pahatokisana tsara ianao, mba hianaranao izany amin'io fomba fijery io, dia tsy ho azonao ny Baiboly.

Andao hodinihina ohatra ny iray amin'ireny teny "mifanohitra ireny". Izao no hitantsika ao amin'ny Ohabolana: "Aza mamaly ny adala araka ny hadalany…[ary] Valio ny adala araka ny hadalany…" (Ohab. 26: 4¬5).

Ireo andininy roa ireo dia tsy mifanohitra; fa mifameno. Ny fitsipiky ny tsirairay amin'ireo andalana ireo dia tsy maintsy ampiharina arakaraky ny toe-java-misy, satria izy ireo dia harena sarobidy amin’ny fahendrena, izay tsy maintsy hianarana sy ampiasaina rehefa misy mametra-panontaniana amintsika. Ny fizarana faharoa amin'ny andininy faha-4 sy 5 dia manome antsika ny fanalahidy mba hahazoana azy ireo; Manoro antsika torohevitra hendry sy azo ampiharina tsara izany.


"Aza mamaly ny adala araka ny hadalany, fandrao mba adala tahaka azy koa ianao" (and. 4); izany hoe "aza manambany tena hidina toa azy ianao amin'ny firesahana aminy". Aza miditra amin'ny adihevitra, ary aza mitady ny hanana ny teny farany rehefa hita mazava fa ny olona miresaka aminao dia mitady hamafy ady.

Ao amin'ny Lioka 20: 1-8 dia mahita ohatra tsara isika. Kristy dia nampianatra tao amin'ny Tempoly. Ary tonga ny Fariseo ka nanontany azy hoe: « Lazao aminay: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? ary iza no nanome Anao izany fahefana izany? »

Mazava ho azy fa tsy nahaliana azy ireo ny hianatra na inona na inona; tsy tonga tamim-panetren-tena ary tsy nangetaheta fahalalana izy ireo. TONGA HANOMBOKA ADIHEVITRA IZY IREO. Mariho ny fomba nitondran'i Kristy ny raharaha.


" « Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa mba hanontany anareo zavatra iray loha, ka lazao amiko: Ny batisan'i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana no tsy nino azy ianareo? Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona, dia hitora-bato antsika ny vahoaka rehetra, satria inoany ho mpaminany Jaona. Dia namaly ireo fa tsy fantany izay nihaviany. Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao. »

Namaly ny fanontaniany tamin'ny fanontaniana hafa i Kristy. Ny fomba fihetsika hafa rehetra dia mety niteraka adihevitra fotsiny. Nanalavitra ny fandavana Izy tamin'ny tsy namaliany azy araka ny hadalany.

Raha miverina amin'ny andininy faha-5 amin'ny Ohabolana faha-26 indray isika, ny ampahany faharoa amin'ity andininy ity dia manome antsika ny fanalahidy: "Valio ny adala araka ny hadalany, Fandrao dia manao azy ho hendry izy"

Amin'ity tranga ity, raha tsy mamaly ny fanontaniany ianao - raha tsy mandray ny fahantsiny ianao – dia heveriny ho olon-kendry izy.

Ny Apostoly Paoly dia tsy maintsy niatrika karazana toe-javatra toa io tany Korinto, izay nisy Apostoly sandoka nilaza tena ho tena apostolin'i Kristy, ary ny fiangonana dia niala tamin'ny lalana mahitsy.

Jereo ny fomba namalian'i Paoly an'ireo adala ireo:

« Mpanompon'i Kristy va izy? (miteny toy ny olona very saina aho) mihoatra noho izy aho: amin'ny fisasarana manan-tombo, amin'ny tranomaizina matetika kokoa, amin'ny kapoka be efa izay tsy izy, amin'ny fahafatesana matetika. Indimy aho no nokapohin'ny Jiosy inefa-polo latsaka iray avy. Intelo nokapohina tamin'ny hazo aho, indray maka notoraham-bato, intelo no vaky sambo, indray andro sy indray alina no nitoetra teo amin'ny lalina, nandeha matetika aho, saiky nahita loza tamin'ny ony, saiky nahita loza tamin'ny jiolahy, saiky nahita loza tamin'ny tompon-tany namako, saiky nahita loza tamin'ny jentilisa, saiky nahita loza tao amin'ny tanàna aho, saiky nahita loza tany an-efitra aho, saiky nahita loza tany amin'ny ranomasina aho, saiky nahita loza tamin'ny rahalahy sandoka aho, tamin'ny fisasarana sy ny fikelezan'aina, tamin'ny tsi-fahitan-tory matetika, tamin'ny hanoanana sy ny hetaheta, tamin'ny fifadian-kanina matetika, tamin'ny hatsiaka sy ny fitanjahana. Afa-tsy ireo zavatra ivelany dia mbola misy koa izay mahazo ahy isan'andro, dia ny fiahiana ny fiangonana rehetra» (2 Kôr 11: 23-28).

Nasehon'i Paoly tamin'ireo olona ireo fa izy no tena ministra marina. Namaly izy ary napetrany teo amin'ny toerany ireo olona ireo.

Tsy mifanipaka ny Baiboly! Ireo andininy roa ireo dia ohatra amin'ny fahendrena tokony hampiarintsika eo amin'ny fiainantsika.
 

5 - Inona no lazain'ny Baiboly? 


 Ny fampiharana an'io fitsipika fahadimy io dia mety hamaha olana maro. Betsaka ny olona no mivaofy ny Baiboly araka ny fombany, ary manova ny dikan'ny andalan-tsoratra iray mba hanohanana foto-pampianarana izay tsy araky ny Baiboly.


"« Lozan'izay milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy! Izay manao ny maizina ho mavaza ary ny mazava ho maizina! Izay manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy! Lozan'izay manao azy ho hendry sy manao azy ho mazava saina!" (Isaia 5: 20-21).

Izay mitady hivaofy ny Baiboly - ary koa ireo mihaino azy, dia misintona fahavoazana ho an’ny tenany. Fa maninona ianao no tsy mikaroka izay lazain'ny Baiboly momba ny zavatra iray, mba HANAIKY IZAY LAZAINY, fa tsy hanome fivoasana hafa?
Ohatra, ao amin'ny Jaona 3: 6, dia mamaky isika hoe: "Izay ateraky ny nofo dia nofo, ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy." Andalana tena tsotra sy mazava tsara io, izay mamaritra ny maha-nofo ary inona ny fanahy. Izany no lazain'ny Baiboly! Tsy izany anefa no lazain'ny olona fa lazainy!


Indraindray, dia lasa mazava kokoa ny dikan'ny teny iray rehefa dinihina ny dikan-teny iray na roa hafa mandika ilay andalana iray. Diniho, ohatra, ny Lioka 17:20-21; " Tsy misehoseho no fihavin'ny Fanjakan’Andriamanitra. Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, ety! na ery ! fa, indro, ny Fanjakan’Andriamanitra dia ao anatinareo."

Noho io dikan-teny “ao anatinareo” io, dia maro ny olona no mino sy mitory fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia efa ao am-pon'ny olona ary tsy fanjakana amin'ny heviny ara-bakiteny io. Eto, ny fandikana ilay teny grika mitovy, hoe "eo afovoanareo" sy "ao anatinareo" dia lasa manome fampianarana roa samihafa. Inona no azontsika atao amin'ny tranga toa io? Ahoana no ahafantaranao ny dikan-teny marina amin’ireo dikany roa ireo? Io fanontaniana io dia mitondra antsika amin'ny lalàna fahenina.

6 - Diniho ny teny manodidina (contexte) 

 Ny contexte dia avy amin'ny teny roa: "con", avy amin'ny teny latina "cum", izay midika hoe miaraka, ary ny texte izay tena teny ny dikany. Izany hoe, tsy maintsy mamaky andinin-teny ao amin'ny Baiboly isika, ka hijery ny hevitr'ireo andalan-tsoratra manodidina azy na mifanaraka amin'izy ireo. Raha miverina amin'ny ohatry ny Lioka 17:21 isika, raha vakiana manontolo ireo andininy teo aloha, dia tsy ho sarotra amintsika ny hahatakatra hoe iza amin'ireo dikany roa ireo no marina.

Andao aloha hametraka izao fanontaniana manaraka izao: Iza no niresahan'i Kristy? Raha marina ilay teny hoe "ao anatinareo", iza avy no niresahany? Ny andininy faha-20 dia manome antsika ny valiny: ireo Fariseo. Amin'ny alalàn'ity fanazavana tsotra ity, dia hitantsika fa i Kristy dia tsy hilaza mihitsy amin'ny Fariseo fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia ao anatin'izy ireo. (Mila mamaky ny Matio 23 ianao mba hahitanao izay niheveran'i Kristy an'ireo Fariseo ireo.)

Azontsika jerena avy hatrany izany fa, amin’ireo dikan-teny roa ireo, ilay iray nilaza hoe "eo afovoanareo" no marina, ary ilay iray hafa - izay lasa niteraka fampianaran-diso isan-karazany - dia diso. Jesosy Kristy, amin'ny maha-solontenan'ny Fanjakan’Andriamanitra Azy, dia niresaka tamin'ny Fariseo, ary nilaza tamin’ireo Izy fa ny Fanjakan’Andriamanitra - amin'ity tranga ity amin'ny alàlan'ny solontenany dia i Kristy - dia teo afovoan’izy ireo.

Mba hahafahanao mahatakatra ny andinin-teny rehetra ao amin'ny Soratra Masina, dia tsy maintsy mametraka ireto fanontaniana ireto amin’ ny tenanao ianao ary hikaroka ny valin-teny ao amin'ny Baiboly: INONA? RAHOVIANA? AIZA? IZA? NAHOANA? FA MANINONA? 

Rehefa voavalinao ireo fanontaniana ireo, avy amin'ny alàlan'ny Baiboly mihitsy, dia ho mazava ny dikan'io andalan-tsoratra io; hanana ny valim-panontaniana avy amin’Andriamanitra ianao.
Ohatra iray hafa, ny Marka 7:19. Maro ny olona mampiasa io andalan-teny ao amin'ny Soratra Masina io mba hilazana fa Kristy dia nilaza fa madio ny hena maloto. Amin'ny alàlan'ny fakàna an'io andalana io ivelan’ny teny manodidina, dia tonga amin'ny fara-hevitra tena diso tanteraka izy ireo.

Amin'ity tranga ity, ny famakiana ny toko manontolo dia hanome anao ny fanalahidy. Raha manao izany ianao, dia hahita fa ny andininy faha-19 dia mifandraika amin'ny fanontaniana hoe tokony hanasa tanana ve sa tsia (araky ny fomba tamin'ny fotoan’andro) alohan'ny hihinanana; tsy misy ifandraisany amin'ny fihinanana hena madio na maloto izany, ka ny lisitr’izany dia hita ao amin'ny Levitikosy 11 sy Deoteronomia 14.

Ho gaga ve ianao raha hahita fa mety hahita lainga ao anaty Baiboly mihitsy aza? Izany koa no antony iray hafa tokony hitandremanao tsara indrindra, mba tsy hanandrana hanatsoaka ny andalana ivelan'ny teny maznodidina azy. Jereo! Voasoratra ao anaty Baiboly hoe: "Tsy ho FATY ianao" (Gen. 3: 4).
Izany tokoa dia fanambarana ao amin’ny Baiboly! Mba hahitana na tena marina ilay izy na tsia, tsy maintsy fantarina aloha hoe iza no nilaza izany! Amin'ity tranga ity, io andininy io ihany dia hilaza aminao fa fanambarana nataon'i Satana io: Noho izany, dia mila miverina any amin'ny andininy faha-17 ao amin'ny toko faharoa amin'ny Genesisy ianao, izay nanambaran'Andriamanitra Tsitoha hoe : "Ho faty tokoa ianao; ' (araky ny teny hebreo).

Izany no hany fomba ahafantarana ny marina rehetra. Izany dia mitondra antsika amin'ny fitsipika fahafito.

7 - Hamarino ny andalana rehetra


Tsy misy andalan-teny ao amin'ny Soratra Masina, nalaina ivelan'ny teny manodidina, tokony hatao fototra hametrahana ny fahamarinana. Tsy izany no fomba fivoasana ny Baiboly; " fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masinadia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany;" (2 Peteraa 1:20).

Jehovah Andriamanitra, raha nanome aingam-panahy tamin’ny fanoratana ny Teniny, dia nanaraka fomba tsy mahazatra. Nasainy nosoratana izany mba hahafahan'ny olona mianatra azy lalina amin'ny fiteny tany am-boalohany, ary mandinika fatratra ny teny voasoratra tsirairay, kanefa tena tsy tonga amin'ny fahalalana ny fahamarinana.

Ohatra, misy olona mianatra tsianjery ny toko manontolo ao amin'ny Baiboly, saingy tena tsy azony ny dikany ara-panahy. Zava-dehibe ny maka ny Baiboly manontolo miaraka amin’ny teny manodidina, ka manangona ireo andalana rehetra momba ny lohahevitra iray, alohan'ny hahatongavana amin’ny fahalalàna ny foto-kevitra iray, fahalalana izay mifanaraka amin'ny hevitr'Andriamanitra.


"Iza no hampianariny fahalalana? Ary iza no hampahafantariny fianarana? Zaza vao notazana va? Ny vao nitsaha-nono va? Fa didy anampy didy, didy anampy didy; Fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely ety, ary kely ery; » (Isaia 28: 9-10).

"Ary ny tenin'i Jehovah dia ho tonga didy anampy didy aminy tokoa, eny, didy anampy didy, fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely ety, ary kely ery, mba hanaovany dia mianotra, ka ho torotoro izy sy hofandrihana ary hosamborina”(and. 13).

Mitranga matetika fa ny andalan-tSoratra Masinairay dia misy fahamarinana vaovao izay tsy hita tamin'ny andalana hafa. Raha tsy takatra izany, dia maro ny olona no mihevitra fa mifanohitra ny tenin'ny Baiboly. Misy ohatra tsara toy izany ao amin'ny Matio 27:37, izay azonao ampitahàina amin'ny Lioka 23:38. Raha vao jerena, dia hita fa ny iray amin'ireo evanjelistra dia manohitra ny hafa mba hitantarana ny soratra izay napetraka teo ambonin'ny lohan'i Kristy.

Makà fotoana handinihanao io andalana io sy hanaporofoana ny zava-drehetra, amin'ny alàlan'ny fanangonana ireo toro-marika isan-karazany momba izany. Ity fikarohana ity, amin'ny maha-izy azy, dia efa fianarana Baiboly tsara. Mba hahitana izay voasoratra, na iza no nanoratra, ary amin'ny fiteny inona no nanoratana, dia mila manambatra ireo andinin-teny efatra mifandraika amin'io lohahevitra io ianao. Jereo aloha ny Matio 27:37, ary mariho amin’ny taratasy iray izay lazain'ny Baiboly momba an'io soratra io. Hamarino avy eo izay lazain'ny Marka 15:26; dia soraty eo ambanin'ny soratra voalohany izany. Aorian'izany, manaova toy izany amin'ny Lioka 23:38 sy Jaona 19:19. Avy eo, atambaro ireo andalana efatra ireo: tsy ho sahirana ianao hamantatra marina ilay soratra napetraka teo ambonin'ny lohan'i Kristy.

Mba mariho kely fa raha tsy tao ny iray tamin’ireo fitantarana ireo, dia tsy ho fantatra fa i Pilato no nanoratra ilay soratra; raha nesorina ny roa tamin'ireo, dia tsy ho fantatra fa natao tamin'ny fiteny telo io soratra io. Ireo antsipiriam-panoroana ireo, rehefa tafangona, dia milazao amintsika ny tantara manontolo. Tsy misy mifanohitra ireo andalana efatra ireo; mifameno izy ireo, ny andalana tsirairay dia manome toromarika fanampiny.

8 - Avelao ny Baiboly hilaza ny hevitry ny tenany 


 Misy olona manoratra mba hilaza aminay fa mahafaly azy ny fomba nivoasanay ny Baiboly! Na izany aza, na ao amin'ny radio na amin'ny asa-soratra isan-karazany izay avoakanay, dia tsy mitsahatra milaza izahay fa tsy milaza ny hevitray momba ny Baiboly izahay; fa avelanay izy hilaza ny heviny!


Ny fitsipika fahavalo ilaina amin'ny fandalinana ny 'Baiboly àry dia azo fintinina amin'ny fotokevitra voarakitra ao amin'ny Romana 3: 4: "Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga..."

Ity misy ohatra iray hafa momba ny fivoasana ny Baiboly nataon’olombelona. Amin'ny ankamaroan'ny Baiboly teny frantsay, ny bokin'ny Apokalypsy dia nomena lohateny hoe: Apokalypse de Jean. Io lohateny io, toy ireo lohateny sy zana-dohateny rehetra ao amin'ny Baiboly, dia tsy anisan’ny soratra ara-tsindrimandry tany am-boalohany; Ireny fanamarihana ireny dia nampian'ny mpanonta samihafa mba hanamora ny fizarana ireo toko sy ny famantarana azy ireo.

Fa jereo ny zava-mitranga: amin'ny famakiana ity lohateny ity, dia toa mahatsapa ianao fa io fanambarana io ("Apokalypsy" dia mitovy amin'ny fanambarana) dia an'i Jaona; Kanefa tsy izany no izy. Rehefa mamaky ny andininy voalohany toko voalohany ianao dia ho hitanao fa ny lohateny nomen'ny olona - ny fivoasan’ny zanak'olombelona - dia mifanipaka tanteraka amin'ny Tenin'Andriamanitra, satria voasoratra ao hoe: "Fanambaran'i Jesosy Kristy ... » (Apok. 1:1).

Ny bokin'ny Apokalypsy dia efa zavatra saro-pantarina foana teo imason'ny olona; nefa Andriamanitra dia milaza fa bokin'ny fanambarana io. Tsy hafahafa ve izany? Antsoin'ny olona hoe boky "miafina" sy "mistery" izany, ary voasany amin'ny fomba samy hafa; fa Andriamanitra kosa dia miantso azy io hoe FANAMBARANA: " mba hasehony amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana " (Apok. 1: 1).

Ireto misy ohatra hafa koa mba hanehoana aminao fa tokony havela ny Baiboly handika ny tenany. Ao amin'ny Apokalypsy 1:12, Jaona dia miresaka fanaovan-jiro fito. Inona ary no dikan'ireo? Tsy mila maminany ianao, satria ny valiny dia hita ao amin'ny andininy faha-20 amin'ilay toko voalohany: "ny fanaovan-jiro fito dia fiangonana fito".
Ao amin'ny andininy faha-16 dia miresaka kintana fito izay notanan’ilay "tahaka ny Zanak'olona" teo an-tanany i Jaona. Eto koa, tsy hanandrana hanome dikany manokana momba io, fa tadiavo ny famaritan’ny Baiboly. Ao amin'ny andininy 20, ny Baiboly dia milaza fa "ny kintana fito dia anjelin'ny fiangonana fito". Ary dia toy izany hatrany, afaka manohy ny fianaranao toy izany ianao.


Noho izany, ny ilaina ataonao, dia jereo ao amin'ny Baiboly ny famaritan'Andriamanitra ny teny sy ny seho an’ohatra izay ampiasainy.
 

9 - Tandremo ny teny maizimaizina! 


 Mety ho mahasoa kokoa ny hanazavana ity fitsipika fahasivy ity amin'ny fanomezana ity fepetra manaraka ity: Aza manandrana mametraka fampianarana iray miorina amin'ny andalan’ny Baiboly izay toa maizina ny heviny.


Betsaka ny "kristiana" no mino fa nodiovin'Andriamanitra ny hena maloto tamin'Izy nanolotra "biby maloto" an’i Peteraa tamin'ny fahitana. Tsy efa voasoratra ve hoe: " Izay efa nodiovin'Andriamanitra dia aza ataonao ho fady."? (Asan’ny Apostoly 10:15).

Kanefa, efa ampy ny mamaky ireto andinin-teny manaraka ireto mba hahafantarana fa i Peteraa ihany koa dia tsy nahalala, ka " nieritreritra tao am-pony…ny amin'izay anton'ny fahitana efa hitany " (and. 17). Izy dia tsy tonga tamin’ny fehin-kevitra maimaika. Eo aoriana kely , ao amin'ny andininy faha-28, dia manome antsika ny fanazavana momba io fahitana io izy: ".. izaho efa nampahafantarin'Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio. »
 

10 - Mijere Baiboly misy dikanteny hafa 


 Ao amin'ny Matio 27:46 no ianarantsika fa i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana, dia nanonona ny Salamo 22. Mariho tsara fa na dia voasoratra tany am-boalohany tamin'ny teny hebreo aza ity Salamo ity, ary ny Testamenta Vaovao nosoratana tamin'ny teny grika, dia navelan Andriamanitra hivoaka teto ny dikan-teny arameana. Ny Soratra Masinadia voadika amin’izao fotoana izao ho saika amin’ny fiteny rehetra, ary tsy voatery mila mianatra teny Hebreo na Grika isika hahatakarana ny dikany.

Ny Baiboly dia nadikan’ireo teolojiana matetika tamin'ny teny frantsay. Ny dikan-teny SEGOND, izay ampiasainay matetika, dia vita tamin'ny 1873, ary fito taona no nanaovana azy; nohavaozina izany tamin'ny 1910. Ny dikan-teny hafa, malaza ihany koa, dia ilay antsoina hoe SYNODALE, nataon'ny teolojiana maro niaraka tany Frantsa noho ny fangatahan’ireo Synoda fanavaozana. Mazava ho azy fa misy dikan-teny maro hafa, na Katolika na protestanta.

Na dia tsara aza ireny amin'ny ankapobeny, ny dikan-teny rehetra dia tsy ampy loatra amin'ny toerana sasany. Ohatra, ny dikan-teny Louis Segond dia nandika ny Matio 5: 5 toy izao: "Sambatra ny tsara fanahy izay lasa mpiasa be, fa izy no handova ny tany." Ny dikan-teny Synodaly dia mandika an'io andininy io hoe: "Sambatra izay malemy fanahy, fa ho azy ny tany!"

Hitanao fa eto amin'ity tranga ity, dia hazava bebe kokoa ny dikan'ny hoe " tsara fanahy izay lasa mpiasa be "; raha mijery ny dikan-teny Synodaly ianao (na ny soratra grika tany am-boalohany) dia ho hitanao fa mitovy amin'ny "manetry tena" izany.

Koa tsy maintsy tadidintsika fa ny zavatra vakintsika amin'ny teny frantsay dia dikanteny fotsiny avy amin'ny lahatsoratra tany am-boalohany, ary mba hahatakarantsika ny tena dikan'ny teny iray izay toa maizimaizina, dia tokony hijery dikan-teny hafa isika, na koa - raha azo atao - ny lahatsoratra tany am-boalohany. Ny fitsipika fahafolo àry dia ny tsy hamoronana hevitra momba ny teny iray, raha tsy tena fantatrao ny dikany rehefa avy nanamarina izany tamina-dikan-teny maromaro ianao.

11 - Fanondroana eny an-tsisiny 


 Tokony ho fantatrao fa tsy tafiditra ao amin'ny Soratra Masinavoatsindrimandry tany am-boalohany ny fanondroana eny an-tsisiny, na eo anelanelan'ny tsanganana roa ao amin'ny Baiboly izany, na eo amin'ny fanombohan'ny toko na fehintsoratra iray. Noforonin'olombelona ireny fa tsy Jehovah Andriamanitra. Ireny dia fivoasan-teny nataon’olombelona.
Na marina aza fa mety hanampy anao hahita andinin-tsoratra mitovitovy na mifandraika aminy aza ireny, ireny fanondroana ireny dia indrisy fa mety hamitaka anao koa. Tokony hitandrina ianao, rehefa mampiasa ireny fanondroana samihafa ireny hitarika anao ho any amin'ny andalana hafa. Toy izany koa ny amin’ny fanamarihana ambany pejy. Ireny dia mety hanampy anao amin'ny asanao, saingy tadidio tsara fa tsy misy an'ireny fanondroana na fanoroana ireny ao amin'ny lahatsoratra tany am-boalohany. Fanampin-javatra nataon'olombelona fotsiny ireo. Ity fitsipika faha-iraikambinifolo ity, na dia tsotra aza, dia manana ny lanjany lehibe.

12 - Mariho ny Baibolinao 


 Ho fitsipika faha-roambinifolo, manoro hevitra anao izahay hanisy marika ny Baibolinao amin'ny fanamarihanao sy fanondroanao manokana. Raha ohatra ka, tamin'ny famakiana ny bokintsika, na tamin'ny fihainoana ny onjam-peonay, dia hitanao ny tena dikan'ny andinin-tSoratra Masinairay izay toa maizina taminao taloha, makà pensilihazo, na stylo, ary soraty mivantana ao amin'ny baibolinao ny dikany, ao amin'ilay andalana izay nahitanao ny teny na ny andininy.
Ohatra, raha mamaky ny Apokalypsy 3:14 ianao, dia ho hitanao fa i Louis Segond, raha miresaka an'i Kristy, dia miantso Azy hoe "Ny fiandohana", nefa ny Baiboly Synodaly kosa dia mampiasa ny teny hoe "fitsipika" eto. Na izany aza, ao amin'ny asa-soratray, dia efa nilaza taminao izahay fa ny teny grika tany am-boalohany dia midika hoe "ilay teo an-doharano", na "ilay manomboka" - "ny mpanomboka" fa izay no mahalaza azy. Noho izany, dia ilainao ny manisy marika, ao amin'ny Baibolinao, eo ambony, na eo akaikin'ity hoe "izay niandohan" ity, ny teny hoe "ny mpanomboka" na "ilay manomboka". Raha manao izany ianao, dia hahatadidy ny tena dikany rehefa mandinika indray io andalan-teny io ianao.
Ireo ary ny FITSIPIKA ROAMBINIFOLO izay tena ilaina amin'ny fandalinana ny Baiboly. Ampiharo ireo, dia ho hitanao fa ho tonga boky velona sy mahaliana anao ny Tenin'Andriamanitra!

Ny fampianarana an-taratasy Nandritra ny folo taona mahery, ny Ambassador College dia nanampy olona an'arivony hianatra momba ny Baiboly amin'ny alàlan'ny fampianarana an-taratasy. Ity fampianarana tsy manam-paharoa ity dia nitarika mpianatra 200 000 teo ho eo hamantatra ity boky ity, izay tena vitsy mpamaky sy tena tsy azo indrindra amin'ireo asa-soratra rehetra eto amin'izao tontolo izao.

Ny fianarantsika Baiboly dia tsy mitovy amin'ny fomba hafa hianarana Baiboly. Manamora ny fahazoanao azy izany, ary maneho fa ny Baiboly dia manaraka ny toetr’andro amin'izao vanim-potoana handehanantsika eny an’habakabaka izao. Manambara ny fahamarinana izany, araky ny hita ao anaty Baiboly. Ho tarihina lalana tsikelikely ianao hankany amin'ny valiny tsotra sy mazava.

Ny fepetra tokana amin'ity fandalinana ity dia ny hoe afaka mamaky teny; voasoratra ireo lesona ireo, ka na ny ankizy aza dia afaka mahazo azy ireo. Tsarovy fa maimaim-poana io fampianarana io; tsy misy saram-pianarana. Ireo lesona ireo dia efa naloan'ireo olon-kafa izay manampy anay, an-tsitrapo, handefa ny Fahamarinan'Andriamanitra amin'ireo rehetra mangataka izany.
Manorata aminay dieny anio mba ahafahanay mandefa lesona ho anao iray isam-bolana; ho faly ianao noho ny nanaovanao izany. Raha mbola tsy nisoratra anarana tao amin'ny La pure Vérité, ilay gazety tsy manam-paharoa ianao, dia mangataha famandrihana maimaimpoana. Jereo eto ambany ny adiresy samihafa.

No comments:

Post a Comment