Teraka mba Hanjaka Ianao

 

AMBASADAORO KOLEJY - TOKO FAHA-10 

TERAKA MBA HANJAKA IANAO

Ny Baiboly dia manambara fa nateraka ho amina FIKASANA mahagaga ianao. Na izany aza, vitsy ny olona mahatsapa ny HALEHIBEn'ny ho avy mahatalanjona izay atolotr’Andriamanitra ho an’ ny "olombelona". Ity lesona ity dia natao hampahazava bebe kokoa io fahamarinana mahatalanjona io.
 
            Fa maninona no teraka ianao? Anontanio ireo Manam-pahaizana ara-tsiansa izany. Anontanio ireo manam-pahaizana. Anontanio ireo mpitondra fivavahana. Misy dikany ve ny ain'olombelona? Maninona no napetraka eto an-tany isika? Aiza no halehantsika - ary inona no hataontsika rehefa tonga any amin’ny tanjona isika?
            Ny ankamaroan'ny olona dia miaiky am-pahatsorana fa tsy manana ny valin'ireo fanontaniana fototra ireo izy - ary mihevitra izy ireo fa tsy misy valiny izany. Naha-sanganehana sy nanahirana ireo filozofa tamin’ny fotoana rehetra izany.
            Hoy i Hendrick Van Loon, mpahay tantara fanta-daza tao amin'ny bokiny hoe Story of Mankind (tantaran’ny olombelona) : "Miaina isika, sahirana amin'ny fanontaniana goavambe. Iza isika? Avy aiza isika? Ho aiza isika?" (Ny fandikana ny andalan-tsoratra notsongaina amin'ity taranja ity dia anay ary izahay no manipika.)
            Tahaka ny olombelona rehetra, ny mpahay siansa dia maniry mafy ny hameno izany banga lehibe izany ary hahatakatra ny tanjon'ny fiainana.
            Ny manam-pahaizana malaza dia tsy nahavita namaly ireo fanontaniana manan-danja indrindra amin'ny fotoana rehetra ireo. Ny fitaovana ananan’ny siansa dia tsy afaka mampahafantatra ny TANJON’ny fiainan'ny olombelona.
Manana ny valin’izany ve ny fivavahana?

Miaiky ny tsy fahafantarany ny mpitondra fivavahana

            Rehefa tokony hanome ny valin'ireo fanontaniana lehibe ireo ny ankamaroan'ny mpitondra fivavahana, dia miaiky ny tsy fahafantarany. Nilaza toy izao ny pasitera iray: "Ny iray amin'ireo fanontaniana maha-sadaikatra indrindra izay apetraky ny tanora ahy matetika dia ny hoe: Fa maninona no namorona ny Onivera Andriamanitra? Amin'io fanontaniana io, dia alaim-panahy aho hamaly  tsy mazava hoe : Andriamanitra irery no mahalala!
            "Mazava fa tsy valiny mahafa-po izany; angamba tsy misy valiny azon'ny olombelona omena?
            "Raha mino isika fa misy Andriamanitra", hoy ity pasitera ity "dia ara-dalàna ny manontani-tena hoe fa maninona no namorona antsika Izy, ary inona ny tanjon'ny fiainan'ny olombelona eto an-tany. Miaiky aho fa tsy mahalala ny antony namoronan'Andriamanitra antsika..."
            Mahagaga izany fiaikena izany!
            Koa apetrakay indray ny fanontaniana hoe: Nahoana isika no teraka?

Nateraka mba hanjaka isika

            Tamin'ny 1948, rehefa niteraka an'i Charles, zanany lahimatoa ny Mpanjakavavy Elisabeth, dia voatendrin’ny vintana hanjaka any Angletera io zaza io; samy mahalala ny rehetra fa io zaza vao teraka io dia ho lasa mpanjaka indray andro any. Noho izany, nanomboka tamin'ny fahaterahany, dia nahazo ny fiofanana sy ny fanabeazana ilaina hanomanana azy ho amin'izany andraikitra izany.
            Tahaka ny maha-marina ny nahaterahan'ny Printsy Charles tao amin'ny fianakavian'ny Mpanjakan’i Angletera - mba ho lasa mpanjaka – ianao koa dia voatendry hanjaka ary ho MPANJAKA MANDRAKIZAY, mahery sy matanjaka, rehefa ao amin’ny fahateraham-baovao ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra ianao, izay hitondra ny Onivera. Na dia tsy mampino aza ny fahitana izany, ny Baiboly dia manambara fa teraka ho MPANAPAKA NY ONIVERA ianao.

          Ao amin'ny Apokalypsy 21:7, ny Apostoly Jaona dia nahazo tsindrimandry avy tamin'Andriamanitra mba hanoratra izao manaraka izao momba ny anjaran'ny olombelona: "Izay maharesy no handova IZANY ZAVATRA IZANY; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho ZANAKO."

          Ny Apostoly Paoly koa dia nanoratra momba io anjara mahagaga io: " Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no MPIRAY LOVA amin'i Kristy koa"(Rom.8:16-17). Tian'Andriamanitra handova ny Onivera miaraka amin'i Jesosy Kristy ianao.

          Toa tsy mampino anao izany? Avy amin’ny fanampian'ity lesona ity, dia hahita porofo tena mazava momba izany ao amin'ny Baiboly ianao.

Mpiara-mandova amin'i Jesosy Kristy

1. Satria i Jesosy Kristy, nandritra ny fiainany olombelona, dia nahay nandresy, ary teraka indray tamin'ny alàlan'ny fitsanganana tamin'ny maty, aiza no hipetrahany ankehitriny? Apok.3:21 Moa ve ny anjely, ny fahefana ary ny hery rehetra dia nampanekena Azy, ary Izy kosa dia hapetraka eo ambany fahefan'ny Rainy? 1Pet.3:22; Efes.1:20-22; 1Kor.15:27.
 
2. Inona no ho anaram-boninahitra ofisialin'i Kristy rehefa ho tonga hitondra ny firenena Izy? Apok. 19:16. Hisy farany ve ny fitomboan'ny governemantany be voninahitra ? Isaia 9 5-6.
 
3. Ka inona avy ary ny halehiben'ny fahefana izay holovain'i Kristy? Heb.1:1-2; Mat.28:18.
4. I Kristy ve no ho mpandova tokana? Izy irery ve no hanjaka eto ambonin'ity tany ity sy eto amin'ity Onivera lehibe ity - sa hisy mpiara-mandova mba hifampizara miaraka Aminy izany lova sy andraikitra mahatalanjona izany? Rom.8:16-17. Inona ny fanabeazana fanampiny homena ireo mpiara-mandova ireo aorian'ny fiverenan'i Kristy? Apok.2: 6-27; 5:10; 20:4.
FANAMARIHANA: Raha lasa tena kristiana isika, ankehitriny dia lasa "zanaka" natorontoron’ny Fanahin'Andriamanitra. Isika dia mpandova – mpiara-mandova amin'i Jesosy Kristy – mba handova ny zava-drehetra noharian'Andriamanitra.
FANAMARIHANA: Amin'ny maha-Mpisoroben’ny "zanak'Andriamanitra" rehetra, izay notorontoronin’ny Fanahy Azy, i Kristy dia miambina ny fivelaran'izy ireo ara-panahy; Manomana azy ireo Izy mba hahazoan’ireo handova ny "zavatra rehetra" miaraka Aminy.

FANAMARIHANA: Ny dikan-teny ao amin’ny Hebreo.1:2 dia toy izao manaraka izao: " dia amin'izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra…"

 

          Azafady mba mariho tsara izay voasoratra ao amin'ny toko faharoa amin'ny epistily ho an'ny Hebreo. Hatreo amin'ny andininy faha-6, dia mampahatsiahy ny Salamo 8:4-6 ny Apostoly Pao1y hoe: "Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy?" Eny, nahoana ity Andriamanitra Mahery Indrindra ity no mikarakara antsika, ry olombelona mety maty? Fa maninona isika no teraka?

          Ity ny valiny: "Ny ZAVATRA REHETRA dia efa nanapanekenao ho eo ambanin'ny tongony. Fa tamin'ny nampanekeny azy ny ZAVATRA REHETRA, dia tsy nisy izay tsy nampanekeny azy." (Heb.2:8).

          Ny tanjona mahatalanjon'ny olombelona dia ny hanjaka amin'ity Onivera midadasika ity miaraka amin'i Jesosy Kristy.

          Hatramin'izao, dia i Jesosy Kristy irery ihany, Ilay "Lahimatoa amin'ny rahalahy maro" (Romana 8:29), no nahazo izany fahefana izany. "Nefa ankehitriny(amin’izao fotoana izao) tsy mbola hitantsika fa efa ampanekena azy ny zavatra rehetra (ny Onivera). Fa Ilay natao ambany kely (vetivety) noho ny anjely no hitantsika, dia Jesosy, ary noho ny fitondrany ny fahafatesana dia voasatroka voninahitra aman-daza Izy…(Heb.2:8-9). Izy irery no nahazo ny fahefana sy ny voninahitra izay horaisintsika koa rehefa haterak'Andriamanitra isika amin'ny fitsanganana amin’ny maty.

 

5. Amin'ny anaram-boninahitra inona no anaovan'i Kristy raharaha ho an’ny tena Kristianina? Heb.4:14-16.

Ny toerana sasany dia efa misy tompony

            Amin'ny maha-Mpamonjy sy amin'ny maha-Rahalahy Lahimatoa Azy - "lahimatoa amin'ny rahalahy maro" - dia efa nanaporofo tamin’ny tenany i Jesosy Kristy fa hitàna ny toerana ambony indrindra, eo ambany fitarihan'Andriamanitra Ray, any amin'ny Tontolo Ho Avy. . Tsy misy olona afaka mahazo ny toeram-pahefana izay nampanantenain'ny Ray Azy.
            Misy olona sasany hafa, izay nahazo ny fampanantenana fa homena andraikitra voafaritra tsara ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra izy ireo. Andao ho jerena ny mety ho andraikitry ny sasany amin'izy ireo.
 
1. Milaza ve ny Romana 4:13 sy ny Galatiana 3:7-9, 29 fa i Abrahama - rain'ny mpino (Rom.4:11) - no hanapaka an'izao tontolo izao, amin'ny maha-Lefitra mivantana an'i Jesosy Kristy azy?
 
2. Taorian'ny fikomian'i Saoly, iza no mpanjaka napetrak’ Andriamanitra tamin’ny Isiraely fahiny? 2Sam.7:8. Mandra-pahoviana no haharitra ny seza fiandrianan'i Davida? Andininy faha-15 sy 16. Iza no nampanantenain'Andriamanitra fa hanjaka amin'ny firenen'Israely sy Joda mandritry ny Fanjakana Arivo taona? Ezek.37:21¬22, 24.
FANAMARIHANA: Andriamanitra dia nifidy voalohany an'i Saoly hanjaka amin'ny Isiraely (1Sam.10:24; 12:13) satria te hanana mpanjaka olombelona ny vahoaka. Raha nanaiky nanaraka an'Andriamanitra I Saoly, raha nanaraka ny didin'Andriamanitra ary nandresy ny fakam-panahy ara-nofo izy, dia hiseho fa mendrika hitàna izany andraikitra izany ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra izy, mandritry ny Fanjakana Arivo Taona. Na izany aza, nikomy tamin’Andriamanitra anefa i Saoly ary tsy nety nibebaka. Araka izany, dia tsy naneho fa mendrika ny andraikitra lehibe izy.
            Avy eo Andriamanitra dia nifidy an'i Davida, lehilahy araky ny fony, mba hanjaka handimby an'i Saoly. Nanao fahadisoana lehibe koa i Davida. Nanao fahotàna lehibe tamin'Andriamanitra izy. Saingy nibebaka marina tokoa izy; Niezaka ny hankatoa an'Andriamanitra tamin'ny fony rehetra izy. Nanao izay azony natao izy mba handreseny ny fironany ara-voajanahary. Izany no fomba nanaporofoan'i Davida fa mendrika ny hanjaka ao amin'ny "Fanjakan'Andriamanitra izy. Tsy misy olona afaka mandray an'io andraikitry ny mpanjakan'Israely io satria efa nampanantenaina an'i Davida izany.
FANAMARIHANA: Ny Apostoly tsirairay dia hanjaka amin'ny foko roa ambin'ny folon'ny Isiraely, eo ambany fahefan'i Davida. Koa satria i Jodasy Iskariota dia hita fa tsy mendrika an'io andraikitra io, dia nifidy lehilahy iray hafa i Kristy, dia i Matia, mba hisolo azy (Asa.1:15-26).
            Betsaka ireo olona izay nianatra ny handresy ny toetran'olombelona ao aminy no voaresaka ao amin'ny Baiboly; naneho izy ireo fa mendrika ny handray andraikitra sasantsasany ao amin'ny Ankohonana manjakan'Andriamanitra; na izany aza, dia tsy nambarany mazava tamintsika ao amin'ny Teniny ny toerana hisy azy ireo tsirairay avy.
            Ary amin’izao, inona no toerana ho an'ny kristiana ankehitriny?
 
4. Tokony hianatra hitantana sy hitsara ve ny zanak'Andriamanitra? 1Kor.6:1-3.


FANAMARIHANA: Ny zanak'Andriamanitra rehetra, notorontoronin’ny Fanahy Masina, dia miomana ankehitriny ho mendrika ny hanana andraikitra lehibe, miaraka amin'i Jesosy Kristy, ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Ireo andraikitra ireo dia ny "valisoa" tian'Andriamanitra homena antsika ankoatry ny fanomezana fiainana mandrakizay (Romana 6:23). Na izany aza, mba hahazoana izany valisoa izany, dia samy mila mandresy ny tenantsika, ary mampitombo ny hafainganan-tsaintsika isika ankehitriny. Hiresaka bebe kokoa momba izany isika amin'ny pejy manaraka.


            Mba hialana amin'ny fisafotofotoana mety hitranga momba ny "valisoa" ary koa ny "fanomezana" izay ampanantenain'Andriamanitra amin'ireo zanany, dia andeha hodinihina tsara ny tsy fitovian'ny fanomezana sy ny valisoa.

 3. Inona no andraikitra nampanantenain'i Jesosy an'ireo Apostoly roa ambin'ny folo? Mat.19:27¬28; Lioka 22:29-30.


Inona no atao hoe "valisoa"?

            Ny tsirairay dia mahatakatra tsara ny dikan'ny teny hoe "valisoa"; ohatra, mahazo vola fanampiny ny mpiasa be zotom-po; dia toy izany koa ny olom-pirenena iray izay nanome vaovao tamin'ny polisy ka niafara tamin'ny fisamborana jiolahy. Tsy misy olona diso hevitra momba ny tiana holazaina raha milaza fa ny ankizy iray dia mahazo fanomezana avy amin'ny ray aman-dreniny.
            Kanefa, rehefa miresaka ny Tenin'Andriamanitra, dia toa tsy azontsika intsony io teny io. Nahoana?
            Satria voalazan'ny Baiboly amintsika fa mamitaka izao tontolo izao Satana devoly (Apok.12:9). Hatramin'ny andro nampivilian'ny devoly an'i Adama sy Eva hiala amin'ny fahamarinana tao amin'ny Sahan'i Edena, i Satana dia niasa nanaparitaka eran'izao tontolo izao ny karazana lainga rehetra momba ny fikasan'Andriamanitra sy ny planina nataony ho an’ny olombelona; Noho izany dia nofitahiny ny firenena rehetra momba ny fahamarinana.
            Ny ankamaroan'ireo mitory ny tenany ho kristiana ankehitriny, no tsy manavaka ny "fanomezana" ny fiainana mandrakizay sy ny "valisoa" izay hoentin'i Kristy ho an'ny olo-masina amin'ny fihaviany Fanindroany. Tena zava-dehibe ny ahalalana tsara ny fahasamihafana misy amin’ireo teny roa ireo.
 
1. Inona ilay FANOMEZANA omanin'Andriamanitra ho antsika? Rom.6:23, tapany farany. Azontsika atao ve ny "mahazo" ny fanomezan’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay? Efes.2:7-9.
2. Ahoana izany no hahazoana ny fahasoavan'Andriamanitra - ny famindram-pony, ny fanambinany ary ny famelan-keloka avy Aminy? Asan’ny Apostoly 2:38. Ary ahoana no hitahirizana izany? Rom.6:14-16; 1Jaona3:22; Efes.2:10.
FANAMARIHANA: Ireo fepetra hahazoana ny fahasoavan'Andriamanitra, izay hanomezany antsika ity "fanomezana" sarobidy dia ny fiainana mandrakizay ity, dia ireto avy : ny fibebahana amin'ny fahotana, dia fanekena ny soron'i Kristy ho famelana ny fahotantsika, ary hananantsika fiainana mankatò ny lalàn’Andriamanitra ara-panahy izay mitondra amin’ny fahasambarana sy ny fanambinana.
 
3. Inona koa ny fampanantenan'Andriamanitra tamin'ny zanany izay notorontoronin’ny Fanahy Masina? Heb.9:15.
FANAMARIHANA: Araky ny efa nianarana tamin'ny an-tsipiriany tamin'ny lesona teo aloha, dia nampanantena Andriamanitra, ho an'ny Kristiana ao amin'ny Testamenta Vaovao - ary koa tamin'ireo patriarika izay nanaovany an'io fampanantenana io tamin'ny voalohany – ny lova mandrakizay dia ny planetantsika sy ny zava-tsoany ary ny hareny. Io lova mandrakizay io dia tsy maintsy hisy koa ny fanomezan4Andriamanitra, dia ny fiainana mandrakizay.
            Ny andraikitrao na ny laharanao ao amin’ny Tontolo Ho Avy dia resaka "valisoa".
FANAMARIHANA: Ny "valisoanao" dia miankina amin'ny zotom-po sy ezaka ataonao ankehitriny, amin'ny fiainanao kristiana, rehefa avy nahazo ny Fanahy Masin’Andriamanitra ianao. Ny valisoanao na ny andraikitrao ho avy ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra dia ho araky ny "asa" ara-panahy ataonao mandritra ity fiainana an-tany ity.
 
5. Inona no tsy itovian'ireo "valisoa" atokan'Andriamanitra ho an’ny zanany sy ny "fanomezana" ataony? 1Kor.3:8, 13-15; Rom.4:4.
FANAMARIHANA: ny olombelona tsirairay avy dia "hovaliana" araky ny ASANY manokana. Vokatr'izany, ny valisoa dia zavatra AZONTSIKA. Raha ny marina, ny teny grika izay nadika hoe "valisoa", ary nampiasain'ny Apostoly Paoly tany am-boalohany, dia midika ho fandoavam-bola noho ny asa, na karama; izany dia fandoavam-bola noho ny fanaovana zavatra. Ny valisoa dia omena ny olona mendrika izany noho ny ataony.
            Dia mariho fa ny olona iray dia mety hahavery ny ankamaroan'ny valisoany, fa mbola hahazo ihany – noho ny fahasoavan'Andriamanitra – ny fanomezana ny fiainana mandrakizay (1Kor.3:15).
            Noho izany, ny “valisoa” ho an’ireo ho voavonjy dia tsy mitovy amin’ny “fanomezana” ny fiainana mandrakizay. Ireo dia zavatra tena samiha      fa. Ny valisoa dia homena ireo izay efa nandray ny “fanomezana” ny fiainana mandrakizay.
            Miharihary ary noho izany fa tsy mila ny FANOMEZAM-PAHASOAVANA na ny ASA isika, fa ny FANOMEZAM-PAHASOAVANA sy ny ASA
               Ny “fanomezam-pahasoavana” dia hampiditra antsika any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra; hanome antsika ny tsi-fahafatesana ho fanomezan’Andriamanitra izany. Ny asa dia hampahazo antsika, na hanome antsika ny fahaiza-manao hahazoana andraikitra tsaratsara kokoa – fototra hanompoana bebe kokoa sy hanaovana tsara misimisy kokoa -  rehefa hateraka ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra isika.

FANAMARIHANA: Ny "fanomezana" dia fahasoavana nomena- zavatra omena maimaimpoana. Ny fanomezan'Andriamanitra ny fiainana mandrakizay dia omena noho ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fanambinany. Fanomezana tsy noho ny faha-mendrehana io. Tena tsy misy azontsika atao mba "hahazoana" izany.

 

4. Inona no nolazain'i Jesosy tamin'ny mpianany? Mat.16:27.

Ny karama dia mety ho tsara na ratsy

Ny karaman’ny tsirairay dia mety miova be.

1. Nampanantena ve i Jesosy fa hitondra valisoa miaraka Aminy amin’ny fiverenany? Apok.22:12. Averina indray, miankina amin'ny asan'ny tsirairay ve ny valisoa homena? Andininy mitovy.

 
2. Inona koa no nolazain'i Apostoly Peteraa sy Paoly mba hampisehoana fa hamaly ny olombelona tsirairay araky ny asany tsara na ratsy Andriamanitra? 1Pet.1:17; 2Tim.4:14; Rom.2:6. Hahazo valisoa tsara ve ny sasany ary ratsy ny hafa? Rom.2:7-10. (Ao amin'ny andininy faha-7, ny teny grika hoe "hanao ny tsara" dia midika ara-bakiteny hoe "hanao asa tsara") Misy ve hahazo sazy farany ho karamany? Inona no "tambin'ny ota", izany hoe ny fandikana ny Lalàn'Andriamanitra (1Jaona 3:4)? Rom.6:23.
FANAMARIHANA: Samy manao "asa", na tsara na ratsy, ny olona rehetra. Izay manao asa tsara dia hahazo karama tsara. Ireo izay manao asa ratsy dia hosaziana, raha tsy mibebaka izy, ary voarakotry ny ràn'i Kristy. Ireo mpanota tsy mety hibebaka dia handray ny "karama", ny "valiny", na ny "tamby" noho ny ota izay  nosintoniny ho an’ny tenany – dia ny FAHAFATESANA mandrakizay, ny fahasimbàna tanteraka ary ny fanadinoan’ny rehetra, araky ny efa nambara tamin'ny lesona teo aloha. Tena zava-dehibe tokoa izany ny mankatò an'Andriamanitra sy ny manalavitra ny ota!
 
3. Ny fitsipika momba ny fahazoana karama araky ny asa tsara na ratsy ve efa nambara koa tao amin'ny Testamenta Taloha? Isaia 3:9-11. Hamaly ny tsirairay ve Andriamanitra amin'ny alàlan'ny fanehoana ny tsy fizahan-tavan’olona lavorary? Rom.2:11.

Ny ambaratongan-karama isan-karazany

1. Ny olona tsirairay naterak'Andriamanitra dia handray fanomezana mitovy mihitsy: ny fiainana mandrakizay sy ny lova mandrakizay; nefa hisy ambaratonga samihafa eo amin’ny valisoa homena ireo olom-boafidy.
            Mariho ny fomba firesahan'ny Baiboly ireo fahasamihafana ireo.
            Nampanantena ve Andriamanitra fa hanome valisoa ho an'ny kely sy ny lehibe? Apok.11:18.
FANAMARIHANA: Eo imason'Andriamanitra, ny olo-masina sasany dia mendrika valisoa lehibe noho ny hafa, satria nahavita asa ara-panahy lehibe kokoa.
 
2. Maneho antsika ve ny fanoharana nataon'i Jesosy, araky ny voalazan'ny Matio 13:3-8, fa ny sasany dia mamokatra "voa" betsaka kokoa noho ny hafa? Andininy 8, 22-23. Tian'i Kristy hamoa voa "be dia be" ve isika rehetra? Jaona 15:1-8.
Na izany aza, moa ve tsy tokony ho "ato anatintsika" i Kristy ka ho afaka mamokatra ny karazana voa ara-panahy takian'Andriamanitra isika? Jaona 15:4-6; 2Kor.13:5; Kol 1:27; Gal.2:20. Ahoana no fomba hitoeran'i Kristy ao anatintsika? Rom.8:9-10.
FANAMARIHANA: Ny mamoa voa tsara dia midika asa ara-panahy; io koa dia midika ny fandresena amin'ny asan'ny nofo (Gal.5:19-21). Ny tsirairay dia tokony hamela an'i Kristy, miaraka amin'ny fanampian'ny Fanahy Masina, hitoetra ao aminy, mba hananany hery hamoa "voa", hamokatra "asa" ara-panahy.
 
4. Inona no iray amin'ireo valisoa lehibe homen'i Kristy an'ireo mandresy hatramin'ny farany? Moa ve ny governemantan'ny firenena? Apok.2:26-27.
FANAMARIHANA: Ao amin'ny Fanjakan’Andriamanitra na ny Ankohonan’Andriamanitra, dia hisy olona izay hanana toeram-pahefana isan-karazany, izay misy voninahitra maro samihafa. (1Kor.15:41-42). Saingy ny tsirairay avy dia hanana andraikitra lehibe, asa tsy hita pesimpesenina hatao, satria hisy sivilizasiona vaovao iray manontolo tsy maintsy hapetraka eto an-tany indray andro any (raha tsy hilaza ny Onivera any ankoatry ny planetantsika). Hatsangana ny sivilizasiona vaovao araky ny toromarika avy amin'Andriamanitra amin’ity indray mitoraka ity. Ny famoronana indray ny fiaraha-monina manerantany dia tsy maintsy mila olona marobe mitàna andraikitra lehibe maro samihafa. Ahoana anefa no hamantaran'i Jesosy ny olona handray ny valisoa lehibe sy ny hafa?

Ny fomba hamaritana ny valisoa

            Amin'ny fandraisana ireo andraikitra ireo, ny kristiana tsirairay dia samy hahazo valisoa arakaraky ny fitomboany ara-panahy azy, rehefa avy nandresy ny fironany manokana izy; hovaliana izy araky ny “voa” tsara izay novokariny noho ny asany ara-panahy. Ny kristiana tsirairay dia handray toerana ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra mifanaraka amin'ny haavon'ny toetra ara-panahy izay tratrany tamin'ny fiainany ara-batana sy mety maty. Ny fanoharana momba ny farantsa izay voarakitra ao amin’ny Lioka toko voalohany dia manazava amintsika io zava-misy io.
            Ao amin'ity fanoharana ity, i Kristy dia manohatra ny tenany amin’ny andrian-dahy iray izay nandao ny fireneny ho any amin'ny tany lavitra (lanitra), mba handray fanjakana mba hanjaka, ary avy eo hiverina eto an-tany (Lioka 19:11-12). Alohan'ny handehanany, dia nanome andraikitra manokana amin'nytsirairay amin’ireo mpanompony folo (andininy 13) izy. Ireo mpanompo ireo dia maneho ny Kristiana tena niova fo izay nomen'Andriamanitra ny Fanahiny Masina.
 
1. Amin’ny fiverenany, rehefa avy nahazo ny Fanjakana Izy, ahoana no fomba hitsaràn'i Kristy ny mpanompony? Andininy 15. Mariho ireo teny "mba hahafantarana ny fomba nandrantoan’ny tsirairay."
FANAMARIHANA: Ny "farantsa" (amin'ny teny grika mina) dia vola mitentina euro an-jatony maro amin'ny vola vahiny miasa ankehitriny. Io "vola" io (amin'ny teny grika argurion) dia nampiasainy ho mariky ny harena ara-panahy; Izy io dia maneho ny fahaiza-manao ara-panahy izay nomen'Andriamanitra ny kristiana tsirairay, mba hahafahany mampiasa izany hanampiana ny hafa, hampivoatra ny toetrany ara-panahy ary hanatanteraka ny asan’Andriamanitra.
FANAMARIHANA: Ny kristiana marina dia mpanompon'i Jesosy Kristy (1Kor.7:22-23). Ny sasany dia mandresy mihoatra noho ny hafa; ny sasany dia manao asa ara-panahy bebe kokoa amin'izay efa nomena azy, izany hoe, ampiasainy bebe kokoa izany. Izy ireo dia mampivelatra toetra ara-panahy mahery noho ny hafa. Vokatr'izany, ny Kristiana sasany, aorian'ny hahaterahany ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra, dia tsy maintsy hanjaka amin'ny tanàna maro (na homena andraikitra hafa mitovy amin’izany) mandritry ny Fanjakana Arivo Taona; ny hafa kosa dia ho mendrika hanjaka amin’ny tanàna vitsivitsy. Ho valiana "araky ny asany" ny tsirairay, araky ny zava-bitany tamin'ny zavatra nomena azy. Ireo izay mahavita betsaka dia hanana fahefana sy andraikitra betsaka; ireo nahavita kely kokoa dia hahazo fahefana kely kokoa ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.
            Na lehibe na kely ny valisoanao, miankina aminao sy ny ASANAO izany! Miankina amin'ny hamafin'ny ezaka ataonao mba handresenao sy hitomboanao ara-panahy izany; raha atao amin'ny teny hafa, na mamela ny tenanao ho tefen’Andriamanitra malalaka ianao, na mirona hanohitra ny fanitsiana ataony.
 
3. Inona no hitranga amin'ireo tsy afaka mandresy, ireo izay tsy mahavita mampitombo ny soa ananany sy ny fahombiazany ara-panahy? Lioka 19:20-24.
FANAMARIHANA: Tsy vitan’ny hoe tsy nahazo na inona na inona tamin'ity androm-piainany ity izy – izay tsy nanao "asa" tsara sy tsy nitombo na naharesy ara-panahy – dia tsy hahazo andraikitra, ary ny toerana izay nankinina taminy taloha dia ho esorina aminy. Manome antsika famonjena Andriamanitra mba hahafahantsika MANOMPO; raha tsy manao ny tenantsika ho mendrika izany isika, dia ho esorina amintsika ny famonjena izay niheverintsika fa azontsika.
 
4. Inona no hatao amin'ny "farantsan’"ilay mpanompo ratsy fanahy? Andininy 24. Mihevitra ve ianao fa tsy rariny izany? Andininy 25. Inona no nolazain'i Kristy momba izany? Inona ny fitsipi-pitondrana arahana hanombanana sy hanomezana ny loka tsirairay? Andininy 26.
FANAMARIHANA: Ny mpanompo izay mahay mifehi-tena dia mahavita manapaka tanàna fanampiny, ho tombontsoan'ny mponina ao aminy, noho izay olona tsy nahavita nifehi-tena na izay nampiseho fa tanàna dimy tanàna ihany no mendrika hanjakany.
 
5. Jereo ny fanoharana momba ny talenta, izay tantaraina ao amin'ny Filazantsara araka an'i Matio 25. Ao amin'ity fanoharana ity, i Kristy dia nampitaha ny tenany tamin'ny lehilahy mpanan-karena iray izay handeha ho any an-tany lavitra (andininy 14). Ahoana no nizaran'ity mpanan-karena ity (Kristy) ny fananany? Andininy 15.
FANAMARIHANA: Ny teny grika izay adika eto hoe "talenta" dia tany am-boalohany nampiasaina fetran-danja hanombanana ny volamena sy volafotsy.
 
6. Eto indray, moa ve mitovy ny habetsaky ny talenta nozaraina, sa i Kristy dia nanome andraikitra mifanaraka amin'ny fahaiza-manao sy ny fahafahan'ny tsirairay? Andian-tsoratra mitovy.
FANAMARIHANA: Tsy ny rehetra no manana fahaizana voajanahary vadin-koditra aminy. Ny sasany nahita fianarana bebe kokoa sy manana faharanitan-tsaina bebe kokoa, manana fahaizana voajanahary amin'ny fitantanana, manana hery ara-batana kokoa noho ny hafa.
 
            Noho ny fahendreny, Andriamanitra Tsitoha dia mahafantatra antsika mihoatra noho ny fahafantarantsika ny tenantsika. Fantany ny herintsika sy ny fahalementsika. Fantany ihany koa fa, mba haha-sambatra tokoa antsika, ny andraikitr’isika dia tokony handrisika antsika, nefa kosa tsy haha-torovana antsika noho ny fatrany. Noho izany, amin'ity fiainana ity koa, Andriamanitra dia manome ny kristiana notorontoronin'ny Fanahy Masina  andraikitra ara-panahy mifanaraka amin'ny fahaizany voajanahary; Ampitomboiny tsikelikely ireo andraikitra ireo arakaraky ny hahafahany miadidy izany, amim-pahendrena sy fitiavana, izany hoe arakaraky ny fitomboany sy ny fandreseny ara-panahy.
 
7. Amin'ity fanoharana ity, ahoana ny fomba nanaovan'ny mpanompo ny talenta izay nomena azy ireo mba hampiasany alohan'ny fiverenan'i Kristy, Izay tsy maintsy hampamoaka azy ireo sy hitsara ny asany? Andininy 16-19.
 
8. Moa ve io fanoharana io, tahaka ilay hita ao amin'ny Lioka 19, manambara fa ny mpanompo tsirairay izay maneho fa mahatoky amin’ny "kely" - izany hoe mahatoky mba hampitombo ny "talentany" izay"voafetra, ka hanararaotra ireo fotoana izay nomena azy amin'ity fiainana ity - dia handray valisoa" betsaka "? Andininy 20-23. Tsy mazava ve izany fa Kristy dia nampanantena antsika fa hanjaka eto an-tany isika? Andininy 21 sy 23.
FANAMARIHANA: Endrey ny halehiben’ny fahamarinan’Andriamanitra! Andininy-21 sy 23. Na dia nomena andraikitra tsirairay avy aza ny tsirairay tamin’ny voalohany araky ny fahaizana ananany, dia nampitombo avo roa heny ny andraikiny ny mpanompo roa voalohany. Arak'izany, dia napetrak'i Kristy eo amin'ny ambaratonga mitovy izy ireo rehefa mamaly azy ireo Izy. Ny Baiboly dia manambara eto io foto-kevitra io izay hitsarana sy hamalian’Andriamanitra antsika araky ny zavatra NOTANTERAHINTSIKA tamin'ny zavatra nomena antsika!
 
9. Ary inona ny niafaran'ny mpanompo fahatelo? Moa tsy noho ny tahotra sy ny hakamoana, dia nanafina ny "talentany" tokana izy fa tsy nampitombo azy? Andininy 24-25. Inona no holazain'i Kristy amin'ny olona toy izany? Andininy 26-27. Inona no hitranga amin'ireo izay tsy miraharaha hanao asa tsara - amin'ireo tsy manao ezaka ara-panahy aorian'ny fiovam-pony voalohany? Andininy 28-29. Milaza ve ny andininy faha-30 fa mety tsy handray ny fanomezam-pahasoavan'Andriamanitra hiaina mandrakizay ireo olona ireo?

 

2. Moa ve ny tena ambaratonga izay nitomboan'ny mpanompo tsirairay sy nandreseny ("nandranto") dia heverina fa tsy tsara loatra eo imason'i Kristy, na dia nitombo avo folo heny aza ny lanjany? Andininy 16-17. Moa ve ny valisoan'ny mpanompo tsirairay dia ho lehibe kokoa noho ny "farantsa" izay nankinina taminy vetivety? Moa ve izany hifanentana mivantana amin'ny ambaratongan'ny fitomboany? Ampitahao ny andininy 18-19 sy ny 16-17.

Izany no antony maha-zava-dehibe ny fandresena

            Ny Baiboly dia miresaka betsaka momba ny "fandresena". Aoka ho azontsika ny anton'ny maha-zava-dehibe ny fandresena eo amin'ny fiainan'ny kristiana ary ny fiantraikan'izany eo amin'ny karamany farany.
 
1. Moa ve lasa tonga lafatra i Jesosy Kristy? Heb.2:9-10. Mariho manokana ny ampahany farany amin'ny andininy 10. Toy izany ve no nasain'i Kristy hataontsika, ho antsika izay mpianany? Mat.5:48.
FANAMARIHANA: Ao amin'ny Matio 5:48, ny teny hoe "aoka ho tanteraka" dia tokony hadika tsaratsara kokoa hoe "aoka ho tonga tanteraka". Kristy dia niresaka momba ny hoe tonga lavorary amin'ny TOETRA; ity dia dingana ity dia mitaky fotoana.
 
2. Na dia Zanak'Andriamanitra aza i Kristy, moa ve tsy maintsy nianatra ny hankatò Izy? Heb.5:8-9. Nandresy ve i Kristy? Jaona 16:33. Moa ve Izy nanohitra fakam-panahy? Mat.4:1-10; Heb.4:15.
FANAMARIHANA: Lasa tonga lafatra i Jesosy Kristy noho ny fitsapana nolalovany teto an-tany amin'ny traikefan'ny olombelona. Hainy ny NANDRESY ny fakam-panahy avy amin'ny devoly, ny an’ny nofo ary ny avy amin’ny tontolo nanodidina Azy. Na dia eo aza ny sakana sy ny fitsapana, dia nitandrina ny Didin'Andriamanitra tanteraka Izy. Noho izany, dia namolavola sy naha-lasa ho tanteraka ny toetrany ara-panahy Izy, izay nahatonga Azy ho lasa Mpamonjy sy Rahalahy Lahimatoa amintsika.
 
3. Moa ve Andriamanitra dia manantena fa ny Kristiana dia handresy ny fitaomana sy ny fakam-panahy mitovy amin'i Kristy? Rom.12:21. Ahoana no maha-zava-dehibe ny handresena mba hahazoana ny famonjena sy ny valisoantsika? Apok.21:7; 2:7, 11, 17,26-27; 3:5, 12 ary 21.
FANAMARIHANA: Tsy misy afaka handresy ho anao. Ny olona rehetra dia tsy maintsy mahavita mandresy ny tenany, miaraka amin'ny fanampian'i Jesosy Kristy, izay mitoetra ao anatintsika amin'ny alalan'ny Fanahy Masina. Tahaka ny nahazo an’i Kristy, ny fandresentsika dia midika hoe “asa tsara”, izany hoe mankatò an’Andriamanitra, manampy ny hafa, fahafoizan-tena manokana, ady amin’ny fahotana, ary koa ady atao amim-pahasahiana sy finoana. Izany rehetra izany dia midika fiezahana ho lasa karazan'olona izay azon'Andriamanitra hampiasaina mba hitantanana ny Onivera - olona voatosika sy tarihin'ny Fanahy.
            Raha fintinina, dia zava-dehibe eo imason'Andriamanitra ny fandresena satria io no hany fomba hampitombo ao anatintsika ny toetran'ny zanakalahy sy ny an’ny mpanjaka izay hiara-manjaka Aminy ao amin’ny Ankohonany.
            Amin'ny  fifehezana ny fitakian-dratsin’ny nofo, ny fakampanahin'ny devoly sy izao tontolo izao, ny toetrantsika dia hihe-lavorary; avy eo isika dia hamorona toetra mitovy amin'ilay toetran'Andriamanitra. Arakaraky ny handresentsika, dia hihatsara ny toetrantsika, ka ho afaka hampiasa fahefana sy hery lehibe kokoa isika. Ho lehibe kokoa noho izany ny valisoantsika!
 
4. Moa ve ny Mat.24:46-47 dia manantitrantitra fa ireo izay handresy hatramin'ny farany - ireo izay manana toetra ara-panahy mitombo hatramin'ny fiverenan'i Kristy (na hatramin'ny faran'ny fiainany ara-batana raha maty alohan’izany izy ireo) - no handova ny Fanjakan'Andriamanitra ka hahazo valisoa?
FANAMARIHANA: I Kristy dia tsy ho afa-po amin’ny fandresena azo tsindraindray. Tiany handresy tsy tapaka isika, ary hankatò mba hahatongavana            amin’izany.
 
5. Moa ve ny 2Pet.1:5-9 tsy mampiseho ihany koa fa tsy maintsy mitombo amin'ny fahatanjahan-tsaina kristiana isika mba hampivelatra ny toetrantsika mandritry ny androm-piainantsika? Tsy milaza ve ny andininy faha-10 fa ireo izay tsy hanohy hitombo sy mandresy dia tsy hiditra amin'ny Fanjakan'Andriamanitra?

Noporofoin'i Abrahama fa mendrika ny hanjaka izy

Andao hodinihina indray ny fiainan'i Abrahama mba hahitana ny ohatra mahagaga izay nomeny antsika.
 
1. Inona no lazain'ny Baiboly momba ny finoan'i Abrahama an'Andriamanitra? Jakoba 2:23. Moa tsy tokony hiaraka amin'ny "asa" ve ny finoana an'Andriamanitra? Andininy 20. Inona ny fitsapana lehibe indrindra nitsapan'Andriamanitra ny finoan'i Abrahama? Andininy 21. Efa nanaporofo ny finoany amin'ny asany ve izy ? Andininy 22, 24.
FANAMARIHANA: Vonona ny hanolotra ny zanany lahitokana hatao sorona i Abrahama, na dia fantany aza fa ny fampanantenan'Andriamanitra dia tsy afaka ho tanteraka raha tsy avy amin’io zanany io. Rehefa naka toeranaNIASA ary niantehitra tamin'ny tenin'Andriamanitra i Abrahama, dia nanaporofo ny finoany an'Andriamanitra. Efa naneho izy fa efa mendrika ny handray andraikitra lehibe rehefa teraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra, satria efa vonona ny hanao izay rehetra nolazain'Andriamanitra taminy.
            Tian'Andriamanitra ny hananantsika rehetra fankatoavana mitovy karazana amin’izany, sy finoana tsy azo ozongozonina izay noporofon'i Abrahama, ilay marina. Alohan'ny hamelàna ny hafa hanjaka any amin'ny Fanjakan'Andriamanitra, dia te-hahazo toky Andriamanitra fa hanaiky ny lalàn'Andriamanitra dieny izao io olona io.
 
2. Efa ela, talohan'ny fitsapàna lehibe natao azy, moa ve tsy efa nasehon'i Abrahama, tamin'ny zavatra nataony, fa vonona ny hamoy ny fahazarany taloha, ny fomba fiainany sy ny havany izy, mba hanarahany ny didin Andriamanitra? Gen.12:1 sy ny fiandohan'ny andininy faha-4. Mariho ny teny hoe "dia nandeha" ao amin'ny andininy 4. Moa ve i Abrahama nanao izany satria nanam-pinoana? Heb.11:8-9.
 
3. Moa ve tamin'ny finoana koa no niandrasan'i Abrahama tamim-pifaliana ny hitoetra any amin’ny tanàna avy anyan-danitra, rehefa hidina eto io tanàna io aorian'ny milenioma? Andininy 10, Apok.21:2, 10-14. Naneho finoana sy fankatoavana mitovy amin’ny azy ve ny zanany lahy sy ny zafikeliny? Heb.11:9; Lioka 13:28.
FANAMARIHANA: Niala tamin'ny fahazarany taloha i Abrahama; nanoa tanteraka ny Mpamorona azy izy. Niala tamin'ny lalana falehany izy ary nitandrina ny didin'Andriamanitra rehetra. (Gen.26:5) Ho ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra ihany koa i Isaka sy i Jakoba, satria nahatratra ny ambaratongam-panekena mitovy ilaina amin’ny lalàn'Andriamanitra.
            Io karazana-toe-tsaina mpankatoa io no takian'Andriamanitra amin'ny Kristiana ankehitriny, araka ny ho hitantsika.

"Tandremo ny didy"

1. Inona no nolazain'i Kristy tamin'ilay tovolahy mpanan-karena te hahafantatra ny tokony hataony mba hahazoany ny fiainana mandrakizay? Mat.19:16-17. Moa ve i Jesosy dia nitanisa didy ampy mba hanehoana mazava fa miresaka momba ny Didy Folo Izy? Andininy 18-19. Inona ny iray amin'ireo antony tokony hitandremantsika ny lalàn'Andriamanitra? Rom.2:13.
FANAMARIHANA: Andriamanitra dia tsy mitaky "asa" izay misy fanatitra biby, fombam-pivavahana, fanasana na fitsipika araka ny nofo hafa izay natao tamin'ny vanim-potoan'ny Testamenta Taloha (Heb.9:9-10) .
            Andeha hodinihina izao ny andinin-teny sasany ao amin'ny Soratra Masina izay maneho fa tena mila mitandrina ny lalàn'Andriamanitra ny tena Kristiana.
 
2. Ahoana no ahafahantsika mahalala fa tena "mahafantatra" an’Andriamanitra isika? 1Jaona 2:3. Ahoana no iantsoan'Andriamanitra antsika raha toa ka milaza fa mahalala Azy isika, nefa tsy mitandrina ny didiny? Andininy 4. Moa ny marina ve ao anatin'io karazan'olona io? Andiny mitovy.
 
3. Inona no ataontsika raha tsy mankatò ny lalàn'Andriamanitra isika? 1Jaona 3:4. Inona ny tambin’ny ota, araky ny didin'Andriamanitra? Rom.6:23.
 
4. Inona no dingana voalohany mba handosirana an'ity famaizana ity ary mba ho eo ambany "fahasoavan'Andriamanitra", hahazoana ny famelan-keloka omena maimaim-poana  sy tsy noho ny famendrehana? Marka 1:14-15; Asan’ny Apostoly 3:19.
FANAMARIHANA: Ny hoe "mibebaka" dia midika hoe mihodina ary mizotra amin'ny lalana mifanohitra; mandao ny lalan'olombelona izay mifanohitra amin'ny lalàn'Andriamanitra. Ny hoe "mibebaka" dia ny mankany amin'ny lalana izay an'ny Lalàn'Andriamanitra. Ny mino ny Filazantsara dia midika hoe mino ny Hafatra nentin'i Jesosy, mino Azy ho Mpamonjy antsika manokana - izany hoe mino ny vaovao tsaran’ny fametrahana ny Fanjakan'Andriamanitra eto an-tany.
            Ataon’Andriamanitra mazava tsara fa izay manota dia tsy mba hateraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra, izay natao hanapaka ny Onivera (Galatiana 5:19-21). Ireo rehetra maniry ny ho tonga zanak'Andriamanitra, izay hateraka indray, ary te hiara-manjaka amin'i Kristy, dia tsy maintsy miala amin'ny ota ary tsy handika ny lalàny intsony; tsy maintsy MIBEBAKA noho ny fikomiany tamin'Andriamanitra izy ireo, ary mankatò ny Teniny, manaiky ny fahefany, MITANDRINA ny didiny rehetra.

Mariky ny fanoavana

1. Rehefa avy nibebaka tanteraka sy am-pahatsorana tamin’ny fahotana ianao, inona ny dingana tsy maintsy hataon'ny olona iray mba ho lasa kristiana – mpiara-mandova amin'i Jesosy Kristy, notorontoronin’ny Fanahy? Asan’ny Apostoly 2:38.
 
2. Izany ve no nitranga tamin'ireto olona telo arivo izay nino ny Filazantsara ka te hankato an'Andriamanitra? Andininy 39-41.
FANAMARIHANA: Natao batisa izy ireo - niroboka tanaty rano. Izany no dikan'ilay teny grika hoe baptizo: mitsoboka na milentika tanteraka anaty rano.
 
3. Inona no asehon'ny batisa? Vakio sy ianaro tsara ny Romana 6:3-7.
FANAMARIHANA: Ny Batisa dia tandindona maneho ny fahafatesana, ny fandevenana ary ny fitsanganan'i Jesosy Kristy amin’ny maty. Saingy ny batisa, tahaka ny zavatra maro hafa amin'ny planin'Andriamanitra, dia misy DIKANY ROA. Mampiseho ny fanomboana an-tsitrapo antsika izany, na ny fahafatesan'ny tena (izaho) mpanota taloha (andininy 6-7). Ny fivoahana avy tao anaty rano, aorian'ny fandevenana antsika tao, ara-pitenenana, dia maneho ny fiovantsika ho olona "nitsangana tamin’ny maty" ho amin'ny FIAINANA VAOVAO MISY FANKATOAVANA natokana ho an'Andriamanitra (and.4, 11-13).
            Ny batisan'ny rano dia didin'i Kristy. Rehefa vita batisa isika dia maneho ny finoantsika Azy ho Mpamonjy antsika; asehontsika fa manaiky ny fahafatesany noho ny fahotantsika isika, ary manaiky ny fitsanganany tamin'ny maty ho amin'ny fiainana mandrakizay. Noho ny fahavelomany tokoa no hamonjena antsika (Romana 5:8-10).
            Ny Batisa koa dia MARIKA IVELANY amin'ny fibebahantsika amin’ny fahotantsika taloha sy ny fiainantsika taloha tsy nankatoavantsika Azy; Io dia tandindon       a milaza fa efa vonona hankato an'Andriamanitra amin'ny zava-drehetra isika - tandindon'ny fialàntsika tanteraka amin'ny fomba fiainantsika taloha tao amin’ny fahotana   .
 
4. Inona no fanomezana ampanantenain'Andriamanitra ny olona rehetra mino sy mibebaka mandritry ny batisany? Asan’ny Apostoly 2:38. Inona ny iray amin'ireo antony tena ilantsika ny handray ny Fanahy Masina? Rom.5:5; 13:10.
FANAMARIHANA: Ny Fanahin'Andriamanitra dia ny ainy manokana izay miditra ao anatintsika toy ny tsimoky ny fiainana MANDRAKIZAY. Lasa mpandova an'Andriamanitra sy mpiray lova amin'i Kristy isika avy eo, ka handova ny Onivera manontolo indray andro any.
            Ny Fanahy Masina dia mampiditra ao anatintsika koa ny toetran'Andriamanitra (Gal 5:22-23). Ny voalohany amin'ireo dia ny fitiavana, tsy ny fitiavana ara-nofo na an’ny olombelona fotsiny, fa ny fitiavan’Andriamanitra. Io fitiavana io dia ahafahantsika mitandrina ny lalàn'Andriamanitra, satria ny fitiavany ara-panahy ihany no ahafahantsika mitandrina ny lalàny ara-panahy (Romana 7:14).
            Ny fitandremana ny didy dia mitaky FINOANA ihany koa, saingy tsy tena matanjaka ny finoantsika. Mila ny finoan'i KRISTY, izay nasehony, dia ilay niainany nandritry ny androm-piainany manontolo tety an-tany. Manome antsika finoana mitovy amin'izany ho antsika, amin’ny alàlan'ny Fanahiny Masina, Andriamanitra.
            Ny Fanahin Andriamanitra dia manome antsika koa ny fahalalàna ara-panahy - ny hery hahatakarana  ny fahamarinana ara-panahy; manome fahendrena sy faharetana izany. Ireo toetra rehetra ireo dia avy amin'Andriamanitra amin'ny alàlan'ny Fanahiny Masina, izay raisintsika avy Aminy ho FANOMEZANA. Omena antsika izany mba hahafahantsika miaina avy aminy - hampiasa azy ireo mba hitombo ara-panahy, hanompo sy handresena.
 
5. Rehefa avy nibebaka marina isika, sy natao batisa ary notorontoronin’ny Fanahy Masina amin’ny fomba mahagaga, moa lasa ho azy ho isan'ny "tena" ve isika? 1Kor.12:13. Inona no tena resahin'i Paoly? Andininy 27; Efes.1:22-23. Vakio tanteraka ny 1Kor.12.
FANAMARIHANA: Ao amin'io toko io, ny Apostoly Paoly dia mampitaha ny vatan'olombelona sy ny Fiangonan'Andriamanitra. Tsy afaka ho tonga anisan’ny ampahany amin'ny tenan'i Kristy isika, izany hoe ny Fiangonan'Andriamanitra, raha mihanina fotsiny amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ny ho tonga ao amin'ny fotoam-pivavahna ao am-piangonana. Ny mampiavaka ny tena mpikamban'ny Fiangonan'Andriamanitra, dia ny faha-torontoronan'ny Fanahy Masina. Ireo izay tsy nandray ny Fanahy Masina dia tsy ampahany amin'ny tena marin’i Kristy; tsy Kristiana araky ny hevitra marin’ny teny ireny (Romana 8:9). Mampanantena Andriamanitra fa tsy hanome ny Fanahiny afa-tsy ho an’ireo mibebaka amin’ny f  ahotany sy natao batisa (Asa.2:38; 5:32).
            Saingy inona no mitranga aorian'ny batisa sy ny faha-torontoronana avy amin’ny Fanahin'Andriamanitra?

Mila mitombo ara-panahy isika

1. Inona no asaina ataontsika rehefa lasa Kristiana isika – izany hoe notorontoronin’ny Fanahy? 2Pet.3:18.
FANAMARIHANA: Rehefa nibebaka tamin'ny fahotantsika isika ary nandray ny Fanahin'Andriamanitra, dia torontoronina ao anatintsika ny fiainana araka an'Andriamanitra; na izany aza, dia tsy mbola "zanak'Andriamanitra" nateraky ny Fanahy isika. Mbola "notorontoronina" fotsiny isika. Ny fiainantsika ara-panahy dia manomboka amin'ny tsimoka bilitika kely izay tsy maintsy mitombo amin'izay.
            Mba hitomboana ara-panahy, dia tsy maintsy mandray SAKAFO ARA-PANAHY isika; atolotra antsika amin'ny alàlan'ny fandalinana ny Baiboly sy ny fisaintsainana izany. Mandray izany koa isika amin'ny alàlan'ny fifandraisana isan'andro sy manokana sy akaiky amin'Andriamanitra, amin'ny alalan'ny VAVAKA, ary amin'ny alàlan'ny firaisana ara-panahy miaraka amin'ireo mpikambana ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra.
            Ny fitomboana ara-panahy dia ny fitomboan'ny TOETRAN'Andriamanitra ao anatintsika. Isika, amin'ny asantsika sy ny fisainantsika, dia tokony ho lasa tahaka an'Andriamanitra miandalana (Matio 5:48).
            Fa manao ahoana ny toetran'Andriamanitra? Ny fahaizana manavaka ny tsara sy ny ratsy, ny misafidy ny marina sy ny manao izany ary tsy miraharaha ireo fanerena na toe-javatra izay manosika antsika hanao zavatra mifanohitra amin’izany. Ny manana ny maha-izy azy, dia afaka mamantatra malalaka ny hatao, ary hitarika izany hatrany amin'ny lalana tokony haleha, dia ny fahamarinana sy ny fankatoavana an'Andriamanitra - ny lalana izay mitondra hanome, hanompo ary hanampy. Io no lalana mitondra any amin'ny tena fahasambarana - fahasambarana mandrakizay.
            Ny kristiana dia tsy maintsy mampitombo izany toetra izany amin'ny alalàn'ny fianarana, ny traikefa ary ny safidy malalaka, ary koa amin’ny fitsapana sy ny za            va-tsarotrana eo amin'ny fiainana.
            Ny traikefa an-taonany, izay nifandraisana tamin'ny olona isan-karazany avy amin’ny sokajy sosialy rehetra, dia nampiseho fa ny kristiana izay tena mitombo ary mampitombo ao aminy ny toetra ara-panahy dia izay mametraka ny fony manontolo ho ao amin'ny ASAN’ANDRIAMANITRA eto an-tany. Ity Asa ity dia ataon'ireo mpanompo izay nantsoin'Andriamanitra ho fitaovany. Ny "asanay" dia ny fanaovana ny anjaranay mba hahatonga ny Tenin'Andriamanitra hahehika izao tontolo izao ho vavolombelony, ka manamboatra ny lalana hiverenan'i Kristy mba hanjaka eto amin'ity tontolo ity (Mat.24:14).
            Noho ity fomba famahanana sakafo ity dia samy mandray ny sakafo ilainy ny kristiana tsirairay mba hitomboany ” mandra-paha-vonona azy ho TERAKA, ho tena zanak'Andriamanitra, ao anatin'ny Ankohonan’Andriamanitra manjaka !
FANAMARIHANA: Tamin'ny andron'ny Pentekosta, tamin'ny taona 31 tar JK (Asa 2), ny Tompontsika dia nandefa ny Fanahiny Masina mba hitokana ny Fiangonany - ary "ny vavahadin’ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy" mandritry ny taona rehetra. Nanomboka teo, na dia somary kely aza ny fiangonana dia mbola nitohy nisy ihany, araky ny nampanantenain'i Jesosy.
            Ao amin'ny Apokalypsy 1:13, i Jesosy Kristy dia aseho mazava ho toy ny monina eo afovoan'ny Fiangonany, izay asehon'ny fanaovan-jiro volamena fito. Ny fanaovan-jiro tsirairay dia maneho vanim-potoana iray eo amin'ny tantaran'ny Fiangonana marina, araky ny voalaza ao amin'ny toko faharoa sy fahatelo. Io Fiangonan'Andriamanitra io dia mbola misy ANKEHITRINY.

 

2. Inona no iraka nampanaovin'i Kristy an'ireo minisitra mikasika ny Fiangonany? Mat.28:19-20; Jaona 21:15-17; 1Pet.5:2. Mariho manokana ny tapany farany amin'ny andininy telo ao amin'ny Jaona 21. Inona no tanjona tsy maintsy “hamahanan”’ireo minisitra ny “ondrin'i” Kristy? Efes.4:11-15.

FANAMARIHANA: Andriamanitra dia nametraka ao amin'ny Fiangonany ireo minisitra izay nantsoiny ary nofidiny, mba hamahana ny ondry, "ho fanatanterahana ny olona masina ho amin'ny asa fanompoana amin'ny fiangonana, ho amin'ny fampandrosoana ny tenan'i Kristy, [fiangonan’Andriamanitra] mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisan'ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy"(Efes.4:12-13).

          Tahaka ny reny olombelona izay mamelona ny zaza ao am-bohoka amin'ny alàlan'ny tavony sy ny tadim-poitra dia toy izany koa, ny zanak'Andriamanitra dia omen-tsakafo ara-panahy ao amin'ny Fiangonana. Manaitra izany fampitahana izany. Ny FIANGONAN'Andriamanitra dia, amin’ny fijery ara-panahy, renin'ny olona rehetra izay notorontoronin’ny Fanahiny Masina. Ny minisitr’i Kristy dia tsy maintsy mampandre sy mampianatra ary manoro hevitra ny mpikambana ao amin’ny fiangonana (Heb.13:17). Ary, toy ny reny mitondra ny zanany alohan'ny hahaterahany amin'ny ampahan'ny vatany izay ahafahany miaro azy tsara amin'ny loza ara-batana mety hanimba azy, dia toy izany koa ny fiasan'ny fiangonan'Andriamanitra marina dia miaro ny zanaka notorontoronin’Andriamanitra sy mitahiry azy tsy ho voafitaky ny fampianaran-diso sy ny minisitra sandoka.

 

3. Moa nampanantena ve i Jesosy fa hitohy ny fisian’ny Fiangonany – ilay ”renin”'ny kristiana marina rehetra - mandritry ny vanim-potoana rehetra? Mat.16:18.

          Anisan'izy io ve ianao?

Miomana ny hanjaka ve ianao?

            Nateraka mba hanjaka ianao, mba hanana anjara-andraikitra eo amin'ny fitantanana, ny fampianarana ary ny fitarihana izao tontolo izao mandritry ny Fanjakana Arivo Taona - ary hanampy amin'ny fanjakana mandrakizay eo amin'ny zava-boaharin'Andriamanitra manontolo.
            Izany no anjara atolotr’Andriamanitra amin'ny olombelona!
            Ahoana no ampitodihanao ny tenanao amin'io tanjona io? Fakafakao ny fiainanao manokana sy ny toetranao. Nanomboka nankatò an'Andriamanitra ve ianao? Mitombo ara-panahy ve ianao? Ary amin'izany, mifehy tena bebe kokoa ve ianao? Mahavita misakana ny fanirian-dratsinao, ny fitiavan-tenanao ary ny fireharehanao ve ianao?
            Raha tampotampoka eo, dia hanana fahefana lehibe ianao - angamba harena be na orinasa lehibe iray misy sampana maro, ho afaka hitarika sy hampihatra izany fahefana izany ve ianao araky ny sitrapon'Andriamanitra?

            Toy izao ary ny fitsapana: Raha dieny izao, dia mahazo fahefana ambony amin'ny fahefana kely anananao ianao - toy ny fahatonianao, ny feonao, ny filanao ary ny fihetseham-ponao, na ny vola anananao ankehitriny, na dia kely tokoa aza izany - dia azo inoana fa afaka homena anao 'ny fitantanana ny fahefana lehibe kokoa.
            Etsy andanin’izany, raha mbola tsy nianatra nitarika sy nampitodika mba hampandeha tsara na dia ireo fahefana kely izay navelan'Andriamanitra hampiasainao ianao, amin'izany, ahoana no hetezany hametraka ny hafany aminao ka hampandraisany anao andraikitra tsy hita pesimpesenina ao amin'ny Fanjakany? Raha tsy mianatra mandamina tsara ny vola miditra aminao ankehitriny ianao, iza no hanolotra anao ny vesatry ny tena harena sy ny fahefan’Andriamanitra lehibe?
            Mangataha fahendrena, fahalalana ary fahatakaran-javatra amin’Andriamanitra, mba hahafahanao hitantana tsara ny fahefana sy handraisanao ny andraikitra izay mianjera aminao ankehitriny. Mangataha Aminy mba hitari-dàlana anao ary hanampy anao hampitombo ny fanomezana rehetra izay efa azonao, mba ho lasa MPANOMPO mahomby sy matoky ianao.

          Miezaha mba hatoky amin'ny zavatra kely nomen'Andriamanitra anao, ka indray andro any, haheno an’i Kristy hiteny aminao ianao hoe: "Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be..."(Mat.25:21).

          Ity fiainana ity dia sehatra fiofanana; tsy maintsy mianatra manjaka isika amin'ny fianarana ho tompon'ny tenantsika ary amin’ny fandraisana andraikitra am-pahamarinana. Tokony ho tonga hanaiky ny fahefan'Andriamanitra isika, amin’ny fankatoavana ny didiny. Ny fiomanantsika hanjaka any amin'ny Fanjakany dia manomboka amin'ny fanekena ny lalàny, dieny izao!

            Tsy hamonjy olona tsy manaiky Azy velively Andriamanitra. Vokatr'izany dia ianaro ny lalàn'Andriamanitra. Halalino ireo ary saintsaino. Ampiasao izy ireo, ary noho ny fanampian'ny Fanahy Masina ,dia reseo ny fitak'izao tontolo izao sy ny fahafetsen'i Satana; izaény hoe, miovà. Mitomboa ara-panahy mandra-pahafatinao na mandra-piverin'i Kristy, rehefa hanova ny tenantsika ratsy avy hatrany ho tena ara-panahy Andriamanitra, nomem-boninahitra, tsy misy tomika (Fil.3:20-21; 1Jaona 5:18). Avy eo - ary tamin'izany ihany - dia haneho ny tenanao ho mendrika hanjaka amin'ny firenena araky ny lalàn'Andriamanitra ianao.
            Ny fanampiana ny hanjaka eto an-tany, ary koa ny Onivera izay any ankoatra lavitra, izany no anjarantsika amin'ny maha-mpikambana ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra antsika!
            Izany dia lahatra feno fampanantenana, be voninahitra sy mahatalanjona. Hoavy mahagaga sy mahafinaritra izany!

No comments:

Post a Comment