Ny Tontolo Mahafinaritra Rahampitso

 

AMBASADAORO KOLEJY - TOKO FAHA-4

NY TONTOLO MAHAFINARITRA RAHAMPITSO

FANJAKANA NOFINOFY HO TANTERAKA ANY AM-PARANY


Nandritry ny taonjato maro, ny olona dia nanonofy paradisa nofinofy iray eto an-tany. Tamin'ny fitadiavany an'io paradisa an-tany io, dia nifanohitra avokoa ny firenena, ary olona an-tapitrisany no maty; saingy nandositra ny ezaka rehetra nataony ity nofy ity. Nahoana? Tena azo atao ve izany? Hanjaka tsy ho ela ve ny fiadanana sy ny fanambinana eto amin’ izao tontolo izao? Ireto misy valiny manaitra izay ambaran'ny Baiboly.

Dimy taona taorian'ny fiafaran'ny Ady Lehibe Faharoa, dia nilaza i Winston Churchill tamin'ny lahateny iray nataony tany Copenhague: "Raha tsy miorina sy miasa haingana ny fitondram-panjakana tokana eto amin’izao tontolo izao, dia maizina sady mampisalasala ny hisian’ny fiadanana sy ny fandrosoan’ny zanak'olombelona."
Tamin'ny voalohan'ny taona 1960, i Edward Teller, ilay mpahay fizika nokleary malaza izay nanampy tamin'ny famoronana ny baomba-H, dia nampitandrina hoe: "Tokony hiasa isika ho amin'ny fananganana fahefana tokana maneran-tany tohanan’ny tafika, na ara-moraly na araky ny fizika – governemanta tokana iraisam-pirenena mahavita mampanaja lalàna eto amin'ny sehatry ny tontolo."
Tamin'ny taona 1970, i U Thant, izay Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana tamin’izany, dia nangataka ny hananganana fahefana iraisan’ny tontolo, izay manam-pahefana lehibe ka afaka hamaha ny olan'ny tontolo iainana. Nambarany fa: «Ilaintsika - ao anatin'ny fotoana fohy – ny zava-baovao iray, dia fahefana iraisan’ny tontolo mahazo fanampiana sy ny firaisan-kinan'ny governemanta rehetra sy ny fikambanana matanjaka, izay afaka mamory ny ezaka rehetra efa vita hatramin'izao nataon'ny tsirairay."
Feo maro no re nitaky ny hananganana governemanta tokana maneran-tany.
Fantatry ny mpahay siansa sy ny mpitondra eran-tany fa tsy ho azo ny fandriam-pahalemana maneran-tany raha tsy miray saina avokoa ny firenena rehetra eo ambany fahefan'ny fitondram-panjakana ambony indrindra iraisan’ny tontolo.

Mety hisy ve ny fitondram-panjakana iraisan’ny tontolo? Hoy kosa i A.F.K. Organski, ao amin'ny bokiny World Politics, hoe: "Mbola lavitra ny governemanta iraisan'ny tontolo ... Tsy azo inoana fa hanaiky ny famoronana governemanta iraisan’izao tontolo izao ny firenena efa misy, ary azontsika tenenina mazava fa tsy ho tanteraka velively izany”. (Izahay no mandika ny teny rehetra ary manasongadina mandritr’ity lesona ity.)

Nanamafy kosa i Hans J. Morgenthau ao amin'ny bokiny hoe Politics among Nations : "Tsy misy isalasalana ny milaza fa tsy mety maharitra mandrakizay ny fandriam-pahalemana iraisam-pirenena raha tsy misy fanjakana iraisan’ny tontolo; izany fanjakana iraisan’ny tontolo izany anefa dia tsy azo apetraka amin'izao toe-draharaha misy ankehitriny eto amin'izao tontolo izao, na ara-moraly, sosialy na politika. "

Tsy mifanipaka ve izany? Eken'ireo mpitarika eran’izao tontolo izao fa ny singa tena ilaina sy tena maika ankehitriny dia ny FITONDRAM-PANJAKANA IRAY IRAISAN'IZAO TONTOLO IZAO. Na izany aza, ny hafa kosa dia mahatsapa fa ny fananganana governemanta toy izany dia mbola lavitra be, ARY TSY HO TANTERAKA MIHITSY izany noho ny toe-draharaha misy ankehitriny.

Raha dinihina ny tantaran'ny olombelona, dia afaka mahita mazava ny rehetra fa ny olona dia tsy nahomby tanteraka tamin'ny ezaka nataon'izy ireo hitondrana fiadanana sy fanambinana maneran-tany. Nandritry ny tantara, dia nanjaka foana ny tahotra, ny aretina, ny fahantrana, ny fankahalana, ny fampahoriana ary ny tsy rariny. Tsy azo atao ve izany ny fitondrana tokana iraisan’ny tontolo? Moa ve tsy nofinofy haitraitr’ireo mpijery ny lafy tsara fotsiny izany, izay tsy mijery ny tena zava-misy? Moa ve ny fiheverana ny hisian’ny fanjakana nofinofy eto an-tany tsy haitraitr’ireo milaza azy ho mahita zavatra, angano tsy misy dikany?

Raha ny ezaka ataon'olombelona fotsiny no hany itoeran’ny fanantenantsika, dia TSY METY HISY ny fanjakana nofinofy toy izany, ary tsy misy fanantenana ho an'ny zanak'olombelona.

Izao tontolo izao tantanan’Andriamanitra Ankehitriny, ny olona dia tsy mahalala ny fisian'ny hery ankoatry ny azy, izay mety hiteraka "fanjakana tena nofinofy" eto an-tany eto.
Inona ny fahefana lehibe afaka manao izany - ary tena hanao izany?
ANDRIAMANITRA TSITOHA! Izy irery no manana ny fahefana sy ny fahendrena hanatanterahana ny fanjakana nofinofy ho tena misy.

Io hafatra io mihitsy no nambaran'i Jesosy Kristy, nirahin'Andriamanitra, ho an'izao tontolo izao. Ny Filazantsara - ny VAOVAO TSARA – dia milaza amintsika fa hiverina eto an-tany i Kristy amin'ny farany, miaraka amin'ny herin'Andriamanitra, hitondra fiadanana sy fanambinana maneran-tany.
Ankehitriny dia vitsy ny olona mahatakatra fa nanome enina arivo taona an’ ny olombelona Andriamanitra, izay nahafahany nitantana ny tenany. Nandritra izany fotoana izany, dia tsy niditra an-tsehatra tamin'ny raharahan'olombelona Andriamanitra. Navelany handeha amin'izay lalana heveriny ho tsara ny olombelona (Ohab. 16:25). Nanome fahafahana ho azy Andriamanitra mba hanaporofoana, amin'ny fampiharana, ny tsy fahombiazana fototra, amin'ny governemantan’olomelona amin’ny endriny samy hafa rehetra – na kominisma, na fasisma, na sosialisma, na ny demokrasia aza.

Amin’izao fotoana izao dia avelan'Andriamanitra hanaporofo amin’ny tenany ny olombelona fa tsy misy karazana fitondram-panjakan'olombelona afaka mitondra fiadanana maneran-tany.
Rehefa hiverina i Jesosy Kristy, dia hametraka fanjakan’Andriamanitra eto an-tany Izy. Hampianarina maneran-tany ny fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra, ary ny fanjakan’i Kristy dia hanana ny fahefana sy ny fahendrena mba hampiharany ny lalàny. Izy dia hisakana ny mahery tsy hanandevo ny malemy; Hanana anjara amin’ny tena fahamarinana avokoa ny rehetra.

Ny Baiboly dia mampiseho fa ny hoavy dia mampanantena fanjakana tena nofinofy ho antsika. Ho fotoana fanavaozana ara-panahy sy ara-batana izany - arivo taona misy fiadanana sy fanambinana.
Tsapanao ve ny tombontsoa nomena anao? Manome fahafahana anao Andriamanitra, hijery ny ho avy, amin'ny alalan’ny faminaniany. Afaka mahafantatra ny tontolo mahafinaritra rahampitso ianao.

LESONA 4

TANTERAKA AMIN’IZAY NY NOFINOFY 


 Milaza amintsika ny Baiboly fa eo ambany fitarihan'i Jesosy Kristy, ny fitondram-panjakan'Andriamanitra dia hamorona paradisa nofinofy eto an-tany. Manomboka amin'ireo taranaka môderina amin'ny taranak'i Jakoba, amin'ny fampiasana azy ireo ho modely sy ohatra, Andriamanitra dia hamerina sy hitahy ny firenena REHETRA. Andao hianarantsika izany.

1. Inona no lazain'ny Baiboly manokana momba ny taranak'i Jakoba? Isaia 27:6; Ezek.36:8-11; Zak.8:7-8. Vakio koa ny Amosa 9:7-12.
FANAMARIHANA: Aorian'ny fiverenany, i Jesosy Kristy dia hitondra ny taranaky ny Isiraely taloha avy tamin'ny fahoriana lehibe ary hitarika azy ireo any amin'ny Tany Masina, izay hametrahany azy.

2. Hamboarina ve ireo tanàna rava? Amosa 9: 14-15; Ezek. 36: 33-35. (Aza hadino ny mamaky ny toko 36.) Moa ve hanjaka eo amin'ireo tanàna ireo ny fahasambarana? Jer. 33: 10-14; Zak. 8: 4-5.

FANAMARIHANA: Amin'izao fotoana izao, amin'ny renivohitra be mponina loatra sy voaloto, dia misy ny adim-poko sy ny aretina maro mamely. Tsy hisy any amin'ny tanan-dehibe rahampitso izany toe-javatra izany. Mandritry ny Arivo Taona, ny tanàn-dehibe dia tsy ho feno olona mivangongo. Ho kely kokoa ny tanan-dehibe mba hampisy fiainam-pianakaviana salama sy sambatra; na izany aza, dia ho lehibe tokoa izy ireo mba hanome fifandanjana antoniny eo amin'ny asa sy ny zavatra tena ilaina mba hampifaly ny fiainana.

3. Moa ve Kristy hanao an'i Jerosalema ho renivohitr'izao tontolo izao, izay hisy ny foiben-toeran’ny fitondram-panjakany? Zak. 8: 3; Jer. 3:17. Ho ohatra ho an'izao tontolo izao ve izy? Isaia 62: 1¬2.7.

FANAMARIHANA: Noho i Jerosalema any akaikin'ny afovoany ara-jeografia amin'ny faritra onenana eto an-tany, dia izy no ivon-toerana izay mety hitantanana an'izao tontolo izao. Haverina hamboarina ho lasa lavorary io tanàna io: tsy nisy tanàna taloha mbola nitovy taminy amin'ny famirapiratany sy ny hakantony. Izy no ho lasa tanàna fakan-tahaka eto amin’ny tontolo rahampitso.

4. Handry fahizay any amin'ny taniny ve ny taranak’Isiraely taloha? Ezek. 28: 25-26. Hanjaka ve ny fiadanana eto amin’izao tontolo izao? Isaia 2: 1-4; Mika 4: 1-4. '

5. Hanao izay hahatonga ny lalàna hiasa mba hitondra soa betsaka ho an’ny olony ve Andriamanitra? Deot. 28:12; Isaia 41:18.

FANAMARIHANA: Tany am-boalohany, nampanantena Andriamanitra fa hanome fitahiana be dia be ho an'ny Isiraely fahiny raha Izy irery no hankatoaviny (Lev. 26; Deot. 28). Ny Baiboly dia mampiseho fa tsy nankató ny Isiraely ary NOSAZIANY. Mandritry ny Arivo taona, ny taranaky ny Isiraely taloha dia hankatò an'Andriamanitra; noho izany dia hahazo ireo fitahiana tsy hita pesimpesenina ireo izy ireo.

6. Ny faritra Afovoany Atsinanana ankehitriny dia faritra somary ngazana. Ireo faminaniana ireo anefa dia mampiseho fa aorian'ny fiverenan'i Kristy, ity faritra ity dia hahita ny fiovana mahagaga indrindra izay tsy mbola nisy nahafantatra ny toy izany ny firenen-drehetra. Ho tonga mamokatra ve ny tany hay, ary hisy ala mahafinaritra ve haniry tsara mandritry ny Fanjakana Arivo Taona? Isaia 41: 15-20; 35: 1-2, 7.

FANAMARIHANA: Azonao sary an-tsaina ve ny sary mahafinaritra toy izany? Lasa maitso ny tany hay, hisy saham-boankazo sy fambolena mahavokatra, kirihitr’ala, loharano miboiboika ary renirano; ny tendrombohitra ahetry ary lasa azo hitoerana.
Ny ala mifandimby amin’ny voly dia mahatonga ny toetr’andro hahasalama kokoa sy mamelombelona. Ny hazo lasa tsy dia misy ankehitriny, noho ny fitrandrahana azy tafahoatra, dia hitombo an’isa arakaraky ny isan’ny mponina; noho izany, ny olona rehetra dia afaka manana trano tsara tarehy sy fanaka tsara tarehy.

7. Moa ve Andriamanitra hanova an’i "Ziona" sy ny manodidina azy ho toerana mitovy amin'ny saha Edena? Isaia 51: 3.

FANAMARIHANA: I Ziona dia havoana iray ao an-tanànan'i Jerosalema. Io no toerana niavian'ny tanàna, antsoina hoe "tanànan'i Davida". "Ziona" dia maneho eto ny fitambaran’ny faritanin'ny Zanak’Israely manontolo.

Hotahina ny firenena rehetra


Ny faminaniana dia mampiseho fa ny sisa amin'ny tany dia hizara io fanambinana tsy hita pesimpesenina io izay homen'i Kristy an'i Jerosalema sy ny taranak'i Jakoba. Ny tany manontolo dia hahitana fiovana miavaka.

1. Moa ve ny firenena rehetra hanaiky sy hankato an'i Kristy? Isaia 2: 1-3.

2. Koa satria hankatò an'i Kristy ny Jentilisa mandritry ny Fanjakana Arivo Taona, ho Azy ve izy ireo - ho olony sy ho mpanompony ve izy ireo? Rom. 6:16.

3. Moa ve ny Jentilisa ho lasa zanak'i Abrahama ara-panahy? Gal. 3:29. Inona no nampanantenaina ny taranak'i Abrahama ara-nofo? Vakio ny Levitikosy 26: 1-13 sy Deoteronomia 28: 1-14.

FANAMARIHANA: Ny Isiraely taloha dia tsy afaka nahazo nandritry ny fotoana ela, ireo fitahiana nampanantenaina ao amin'ny toko faha-28 amin'ny Deoteronomia sy amin'ny toko faha-26 amin'ny Levitikosy, satria ireo vahoaka ireo dia tsy nahatoky tamin'ny fankatoavany an'Andriamanitra. Rehefa hanjaka mandritry ny Fanjakana Arivo Taona i Kristy, dia hankatò ny firenen-drehetra; Noho izany, dia hahazo ireo fitahiana tsy hita pesimpesenina ireo izy ireo, izay nampanantenaina tany am-boalohany ho an’ny Zanak’Israely.

Fiteny, kolontsaina ary vokatra be dia be

Ny iray amin'ireo sakana lehibe indrindra amin'ny fifankahazoana sy fiaraha-miasa eo amin'ny vahoaka dia ny fiteny. Rehefa tsy afaka mifankahazo ny olona, dia tsy afaka hifanakalo an-kalalahana ny heviny, ny fomba fisainany araky ny filozofiany, ny fomba fijeriny, na ny fomba fahitany zavatra. Ny tsy fifankahazoana dia matetika loharanon’ny fifanoherana.

Mety ho azonao an-tsaina ve hoe hanao ahoana izany tontolo iray izaytsy hanana FITENY afa-tsy IRAY MONJA no ifampiresahana? Diniho ny fivoarana goavana hisy raha ny olona rehetra, na aiza na aiza, dia tsy fatoran’ny sakana noho ny fiteny samihafa - raha samy miteny, mamaky ary manoratra amin’ny FITENY IRAY IHANY ny rehetra? Hiray saina daholo ny rehetra satria mifankahazo resaka, izay nesorina taminy nanomboka tamin'ny Tilikambon'i Babela.

1. Ny tontolo ve homen’Andriamanitra FITENY IRAY madio mba hahafahan'ny rehetra hanompo sy hivavaka Aminy miaraka? Zefania.3:9.
FANAMARIHANA: ny olona taloha dia nampiraisin’ny fiteny iray niraisana. Saingy nampiasa ny fahalalany ho amin’ny tanjona RATSY izy ireo, raha niezaka nanangana ny fototry ny sivilizasiona izay HANAPOTIKA NY TENANY ihany amin'ny farany (jereo Genesisy 11). Rehefa nanorokoro ny fiteny tao amin'ny tilikambon'i Babela Andriamanitra, dia nampihemotra fotsiny ny vanim-potoan'ny korontana manerantany izay mandrahona ny olombelona amin'ny fandringanana tanteraka ankehitriny.
Mandritry ny Fanjakana Arivo Taona, ny loza dia efa nesorina tamin'ny tontolo, izay i Kristy no ho Filoha Fara-tampony sy Mahery Indrindra. Ary noho izany, i Jesosy Kristy dia hampisy fotoana hampianarana sy hanomezana toro-marika ho an'ny rehetra, ka homeny fiteny tokana madio ny tontolo.

2. Mandritra ny Fanjakana Arivo Taona, dia tsy maintsy betsaka ny fanamboarana. Nefa moa mbola ho toa hampananosarotra ihany ve izany asa izany, aorian'ny hanafahana ireo firenena amin'ny fahoriana, ny fahantrana sy ny hamafin'ny fanompoana eo amin’ny tontolo ratsy ankehitriny? Isaia 11:10; 14: 3. Moa ve ny fanekena an'i Kristy sy ny lalàny hitondra fitahiana toy ny fahafahana, ny fiadanam-po ary ny fiadanan'ny vatana? Matio 11: 28-30.

FANAMARIHANA: Andriamanitra dia hahatonga fiainana mahafinaritra, mora sy manome fahafaham-po ho an'ireo izay hiaina mandritry ny Fanjakana Arivo Taona - raha mbola manohy mankató ny lalàny izy ireo.
Ny fomba fiainan'Andriamanitra dia mitarika marina ho any amin'ny FAHALALAHANA, mankany amin'ny FANAFAHANA amin'ny asa sy ny ezaka mananosarotra izay aterak’ireo lalana (ratsy) an'ity tontolo ity. Saingy ankehitriny, ny olombelona dia tsy mbola resy lahatra amin'izany. Avelan'Andriamanitra ny olombelona hahita, amin’ny alàlan’ny andrana ataony, ny tena fahasarotan'ny lalany manokana.

3. Ankehitriny, dia maro ny manohitra ny fananana manokana. Tena manohitra izany ny kominista sy ny sosialisma, satria nanararaotra izany ny sasany amin’ny ampahany. Mihevitra ve Andriamanitra fa ratsy ny manana fananana manokana? : Mika 4:4; Isaia 62:8-9.

FANAMARIHANA: Hanana ny fananany ny olona mandritry ny Fanjakana Arivo Taona. Ho afaka amin'ny governemanta izay nanala taminy ny valisoany marina noho ny ezaka nataony izy ireo. Ambonin'izany, tsy hamela ny olona hanararaotra an'io zo hanana fananana manokana io Andriamanitra.




4. Hanao ahoana ny mponin'izao tontolo izao rahampitso? Hanafaka ny olona amin'ny tsy fahasalamana sy ny aretina koa ve Andriamanitra? Isaia 33: 21-24; 35: 3-6; 58: 8; Jer. 30:17. FANAMARIHANA: Ny fanabeazana mifanaraka momba ny fahasalamana marina, ampian'ny fanasitranana eo no ho eo ny aretina rehetra, dia hitondra fahasalamana tonga lafatra ho an'ny rehetra.

5. Ny harena noho ny fambolen’ny firenena iray amin'ny ankapobeny dia tombon-dahiny tena lehibe ara-materialy. Ankehitriny, dia misy faritra lehibe eto an-tany tsy mamokatra; Ny 10% -n'ny tany ihany no azo hambolena. Ny isan'ireo tany efitra sy ny faritra be tendrombohitra sy toa-karankaina dia maro. Ny mifanohitra amin izany no ho tena marina amin'ny fanjakana nofinofy rahampitso, rehefa hanomboka hitsodrano an’izao tontolo izao Andriamanitra. Ny orana dia iray amin'ireo fitahian'Andriamanitra tena sarobidy indrindra. Halatsany amin'ny fotoana mety ve ny orana? Ezek. 34:26; Isaia 30:23.
FANAMARIHANA: Nandritry ny taonjato maro, ny tantsaha dia tsy maintsy namboly befahatany tany, noho ny toetr'andro. Ny vaovao tena mampientam-po izay azony henoina dia hoe: hahomby foana ny asany - raha mbola mankatò an'Andriamanitra ihany izy.

6. Hahafaly noho ny habetsahan'ny vokatra homen'Andriamanitra azy ve ny olona any amin'ny Tontolo Mahafinaritra Ho Avy? Jer. 31:12. Hitobaka be tokoa ve ny sakafo? Amosa 9:13.

Ilay renirano lehibe 1. Inona no hitranga rehefa hijoro eo an-Tendrombohitra Oliva ny tongotr'i Kristy rehefa miverina Izy? Zak. 14: 4.

2. Moa ve ilay lohasaha lehibe vita arak’izany dia hisy lalan-drano lehibe izay hipoitra avy ao Jerosalema? Andininy 8. Ny antsasaky ity renirano mahery ity dia hikoriana hankany atsinanana mankany amin'ny Ranomasina Maty? Ny antsasany hafa ve hikoriana miankandrefana mankany amin'ny Ranomasina Mediteranea? Andinin-tsoratra mitovy.

3. Moa ve ny sakeli-drano atsinanana amin'ity renirano ity - izay hisy "rano velona" hikoriana hankany amin'ny Ranomasina Maty - mitovy amin'ny renirano voalaza ao amin'ny Ezek.47:1-12? Moa ve ny andininy faha-8 mampiseho fa rehefa manomboka mitobaka hatreo amin'ny tany hay ka hatrany amin’ny Ranomasina Maty ny rano mamy sy "mahasalama"avy amin’io reniranon’aina io, dia hisy FIAINANA ho hita indray ao amin'ny ranon’ity Ranomasina Maty ity, ary ho “sitrana” izy? Ho sesehena ao ve ny hazan-drano? Andininy 9. Hanome aina ny tany hay izay hoteteziny ve io renirano io? Andininy 12.

FANAMARIHANA: Ny Ranomasina Maty, izay mitoetra 394 metatra ambanin'ny hahavon'ny ranomasina, no tany iva indrindra eto ambonin'ny tany. Diniho ny sarintany rehetra momba ny Tany Masina: ho hitanao fa mikoriana hatrany amin'ny ranon'ny morontsiraka avaratry ny Ranomasina Maty ny reniranon'i Jordana. Na dia ranomasina mihidy aza izy, dia tsy miova firy ny hahavon'ny rano ao. Izany dia noho ny manodidina manana fiakaran'ny mari-pana avo be, ny ranony dia lasa entona, ka ny habetsaky ny rano lasa entona dia mitovy amin'ny rano izay miditra ao amin'ny Ranomasina Maty.
Tena be sira loatra ny ranon’io ranomasina io ka tsy misy zavamaniry afaka mivelona ao ary tsy misy aina afaka mivelona ao amin’io ranomasina io. Saingy, rehefa hanomboka ho tonga ao amin'ny Ranomasina Maty ity renirano vaovao ity - ny onin’ny "rano velona" - tsy lavitry ny vavaranon'i Jordana, dia hitombo ny rano ao aminy ka hitobaka hankany atsimo ary hanondraka ny tany efitra. Ity tondra-drano ity dia tsy isalasalana fa hiitatra hatrany amin'ny Hoalan'ny Akaba. Na aiza na aiza, ao amin'izany faritra voatondraka izany, ny zavamaniry sy ny hazandrano dia hitombo (afa-tsy amin'ny toerana sasany izay hisy toerana fakàna sira sy honahona izay hiforona - andininy 11).

4. Moa ve io onin'ny "rano velona" io hiboiboika avy ao amin'ny toerana hisy ny tempolin'Andriamanitra – dia ny seza fiandrianan'i Kristy? Ezek. 47: 1 sy ny ampahany farany amin'ny andininy faha-12; Joela 4:18 ~ fizarana farany. Oharina amin'ny "rano velona" ve ny Fanahy Masina? Jaona 4:10; 7:37-39. Noho izany, moa ve ny ony tsy takalo fizikan’ny Fanahy Masin'Andriamanitra?
FANAMARIHANA: Ny Fanahy Masina, toy ny renirano, dia hiainga avy ao Jerosalema ary "hanasitrana" ny olana ara-tsaina sy ara-panahy amin'ny olombelona.
Mazava fa ny Tontolo Ho Avy dia ho paradisa nofinofy izay hanjakan'ny fiadanana, ny fanambinana ary ny hatsaran-tarehy. Ny firenena rehetra dia hanana anjara amin'ireto fitahiana mahafinaritra avy amin'Andriamanitra ireto. Ho fantatr'izao tontolo izao ny fandriam-pahalemana. Mandritry ny Fanjakana Arivo Taona, ny faritra tena lehibe indrindra eto amin’ny vohon’ny tany dia azo hambolena. Eto amin’izao tontolo izao dia hisy ala kanto maro, faritany fambolena, farihy sy renirano be trondro. Tsy hisy tany ngazana intsony, na tany hay mampandositra, na faritany karankaina.
Ahoana anefa no hananganana tontolo toy izany? Ahoana no hisehoan'izany fiovana tsy araky ny mahazatra izany?
Andeha hojerena izay lazain'ny Baiboly momba ny fahatanterahan’ity Fanjakana Arivo Taona ity. Na mino ianao na tsia, dia afaka mandray anjara amin'ny fanomanana an'ity Tontolo Ho Avy mahafinaritra ity.

Ny fanosorana ny mpanjakan’ny ampitso

Saintsaino vetivety izay nolazain'ilay anjely nirahina ho any amin'i Maria, renin'i Jesosy: "Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy. Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan'i Davida rainy; ary hanjaka amin'ny taranak'i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana"(Lioka 1: 31-33).

Mariho koa ny dikan-teny omen’i Jaona 18:37 antsika: "Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao ? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina."

Teraka i Jesosy mba hitantana sy hanjaka amin'ny maha-mpanjakan’ny firenena rehetra ambonin'ny tany Azy. Efa ho 2000 taona lasa izay, Jesosy dia nanaporofo fa mendrika ny hanjaka amin'izao tontolo izao Izy, satria nandresy an'i Satana devoly (Matio 4:1-11). Saingy tsy nahàtany i Satana mba hosoloiny. Mbola tsy voahosotra ho Mpanjaka Izy. Nohomboana tamin’ny hazo fijaliana Izy! Mbola tsy tokony handray andraikitra amin'ny asany vaovao i Jesosy tamin'io fotoana io – Mbola tsy tokony ho notendrena tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny toeran'ny mpanjaka izy tamin'izany fotoana izany (Jaona 18:36). Rehefa nihevitra ny mpianatr'i Jesosy fa haorina tamin'ny fotoanany ny Fanjakan'Andriamanitra, dia nomen' i Jesosy fanoharana izy ireo mba hanazavana aminy hoe rahoviana Izy vao hanomboka hanjaka amin’izao tontolo izao.

1. Araka io fanoharana io, voarakitra ao amin'ny Lioka 19:12-27, taiza i Jesosy, taorian'ny nahafatesany, mba hosorana ho mpanjaka sy handray ny fanjakana? Nankany amin’i Kaisara tany Roma ve Izy? Nitodika tamin'ny vahoaka ve Izy mba hametrahan’ireo Azy amin'ny fahefana? Andininy 12. Inona Ilay hany fahefana manam-pahefana hahatonga an'i Jesosy ho « Mpanjakan'ny mpanjaka »? Rom. 13: 1.

FANAMARIHANA: Jesosy dia naneho tamin’ny mpianany fa andeha hiakatra any an-danitra, any amin'ny Ray Izy, mba handray ny fahefana hitantana ny firenen-drehetra. (Ao amin'ity fanoharana ity, ny lanitra dia ilay "tany lavitra" izay resahina ao amin'ny Lioka 19).

2. Taorian'ny fiakarany any an-danitra, i Jesosy dia nanambara ny tenany 60 taona taty aoriana tamin'ny Apostoly Jaona. Efa nanao ny satro-boninahitra ve i Jesosy rehefa hitan’i Jaona? Apok.1:12-18. Tsy midika ve izany fa tsy nosatrohana satroboninahitra i Jesosy rehefa tonga tany an-danitra? Inona no mbola nosatrohan'i Kristy hatreto? Heb. 2 ': 9.

FANAMARIHANA: Sary an'ohatra ny Hebreo 2: 9. Io andinin-tSoratra Masina io dia tsy misy ifandraisany mihitsy amin'ny tena lanonana fanosorana ny tenany, na amin'ny satroboninahitra tena izy. Izany dia fampitahàna fotsiny ihany ny satroboninahitra amin’ny voninahitra sy haja ara-panahy izay ananan'i Kristy mandraka androany. Raha ny filazalazan’ny Apokalypsy toko voalohany momba an'i Jesosy Kristy, dia tsy nanana satroboninahitry ny fanjakana Izy tamin'ny taona 100 amin'ny androntsika. Hatramin'ny nitsanganany tamin'ny maty ka mandraka ankehitriny, Jesosy dia manao ny asan'ny mpisoronabe (Heb.3:1) - tsy mbola ny an'ny "Mpanjakan'ny mpanjaka".

3. Efa voahosotra ho Mpanjaka ve i Jesosy rehefa hiverina? Apok.14:14. Inona no andinin-teny milaza ny fahazoany ilay Fanjakana - ilay Fanjakana izay antony niakarany ho any an-danitra? Dan.7:13-14.

FANAMARIHANA: Eto no aseho an-tsary ny tena fanosorana an’i Jesosy Kristy. Ny "Fahagola" dia ny Ray any an-danitra.Tsy ampiasaina ny anaram-boninahitra hoe "Ray" satria tsy mbola notorontoronina i Jesosy, amin’ny maha-olombelona Azy, raha nahita izany fahitana izany i Daniela.
Mariho koa fa "nisy toy ny zanak’olona" nankeo amin'ny "Fahagola" mba handray ny Fanjakana. Ny Logos - na "ny Teny" (Jaona 1: 1) - dia toy ny Zanak'olona. Izy dia mbola tsy teraka ho zanaka, fa noho izy tsy maintsy ho tonga Zanak'olona any aoriana, tamin'ny andron'i Daniela Izy dia "toy ny zanakolona" – ilay Jesosy Izay tsy maintsy hateraky ny reny olombelona.

Voahosotra ho « Mpanjakan'ny mpanjaka » 


1. Firy ny satroboninahitra ho azon'i Jesosy? Apok.14:14. Inona ny hevitry nydiadema voalaza ao amin'ny Apok.19:12?

FANAMARIHANA: Tsy hahazo afa-tsy satroboninahitra volamena iray lehibe monja i Jesosy. Io satroboninahitra io dia hanavaka Azy amin'ny maha-Mpanjaka Avo Indrindra Azy amin’ny firenen-drehetra - an'izao tontolo izao. Ny dikan-teny marin’ny Apok.19:12 dia toy izao manaraka izao: "Ary tamin'ny lohany, nisy diadema maro". Ny diadema dia satro-boninahitra kely manavaka ny fahefana ambonin'ny mpanjaka. Ny satroboninahitra kely indrindra, na diadema, dia tandindon’ny andraikitry ny mpanjaka izay ambany kokoa noho izay horaisin'i Kristy.

2. Inona no ho anaram-boninahitra ofisialin'i Kristy amin'ny fiverenany? Apok.19:16. Iza anefa ireo "mpanjaka" hafa ireo? Aoka ho azontsika tsara.

3. Ny kristiana koa ve natao hahazo satroboninahitra mandrakizay, raha mandresy ny ratsy? 1 Kor. 9:25. Moa ve ireo manaporofo fa mendrika izany, mandritra izao androm-piainany izao, no hanjaka amin'ireo firenena ireo ho "mpanjaka" miaraka amin'i Kristy? Apok.2:26-27; 3:21; 5:10; 20: 4; Dan.7: 22,27.

4. Rahoviana ny "olo-masina" – ny kristiana – no handray ny valisoany, ny satroboninahitra sy ny toerana ao amin’ny governemanta? 2 Tim. 4: 8. Ampitahao ihany koa ireto andalana manaraka ireto ao amin'ny Apokalypsy 11:15, 18; 22:12 miaraka amin'ny Isaia 40:10.
FANAMARIHANA: Jesosy dia niakatra tany an-danitra mba ho satrohin’ny Ray satroboninahitra, fa ny iray amin'ireo antony hiverenany eto an-tany dia ny hitondra ny valisoany ho an’ireo olo-masina nitsangana tamin’ny maty – ny hiara-manjaka Aminy.

5. Inona no nolazain'i Jesosy momba ny valisoan'ireo izay nitady tombony tamin’ny talenta nomen'Andriamanitra azy ireo? Lioka 19: 16-19.

6. Ho mpisorona koa ve ireo olomasina nitsangana tamin'ny maty? Apok.5:10; 20: 6. Ary ho mpitsara ve? Andininy 4.

FANAMARIHANA: Ny kristiana nitsangana tamin'ny maty dia ho mpanjaka sy ho mpisorona; izy ireo – Izy ireo dia hitsara ny firenena amin'izao tontolo izao mandritra ny Fanja kana Arivo Taona.

Governemanta tonga lafatra sy matanjaka 


 Hanomboka ao Jerosalema ny fanjakan'i Kristy, ary haorina ao ny foibeny (Jer. 3:17). Ny firenena mpikomy rehetra dia hanaiky ny fanapahany izay hihitatra manerana an'izao tontolo izao.

1. Ahoana no hataon'i Kristy amin'ireo firenena tsy mety mankany Jerosalema mba hivavaka amin'Andriamanitra? Zak. 14: 16-19.

2. Inona no fitsipi-piainana harahan'i Kristy mba hanjakany amin'ireo firenena? Apok.12:5; 19:15. Mariho ny fombam-pitenenana hoe "tehim-by"

FANAMARIHANA: Rehefa te-hamonjy ny zanak'olombelona Andriamanitra, dia hampiasa "tehim-by", tandindon'ny fahefana tanteraka ananany. Izy dia hanjaka amim-pahefana, ary tsy hisalasala ny hampiasa izany Izy, raha ilaina izany. Ny olona, voataonan'ny toetrany manokana amin’ny maha-olombelona azy, dia tsy maintsy fehezin'ny tanana mafy toy ny vy, mandra-pahaizany ny lesony ary ho an'ny olon-drehetra.
I Jesosy Kristy dia hanjaka tsy refesi-mandidy eto ambonin’ny tany, nefa kosa Izy dia hanjaka amin ny fahamarinana sy ny famindram-po tonga lafatra, satria Izy tenany dia efa mba olombelona (Heb.2:9-10; 4:15) ).

Voalohany, dia tsy maintsy ho tereny ara-bakiteny ny olona mba ho sambatra. Ho didiany hankató ny fitondrany ny olombelona mpikomy sy mafy loha, ary hodidiany ny tontolo hanana fifaliana TSY MAINTSY EKENA.
Na dia mitondra amim-kery sy fahefana aza Izy, dia tsy mikasa ny hanery ny fivavahany Andriamanitra. Tsy manery olona hanaiky ny fahamarinany Izy.

Andriamanitra dia tsy olona masia-belona tsy azo ifonana sy lozabe, ara ky ny hevitr’ireo agnostika. Tiany ho sambatra tokoa ny olombelona amin'ny fotoana rehetra. Nefa fantatr'Andriamanitra fa ny hany lalana hahazoana fahasambarana maharitra dia ny fankatoavana ny lalàny.
Tsikelikely, rehefa mankatò ny lalàn'Andriamanitra izy ireo, dia hifoha ny feon'ny fieritreretan'ny olona amin’ny fahendrena sy ny fahamarinan'ny fanapahan’Andriamanitra. Noho izany dia hanaiky an-tsitrapo ny fahefany izy ireo, ary tsy hilaina intsony avy eo ny "tehim-by".

Fanitsiana ny fanabeazana mandritry ny Fanjakana Arivo Taona


Raha miresaka momba ny Fanjakan'i Kristy mandritry ny Fanjakana Arivo Taona ny Baiboly dia nanambara toy izao: "Fa ny tany ho henika ny fahalalana an'i Jehovah, tahaka ny anaronan'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina" (Isaia 11:9).

Mandritry ny Fanjakana Arivo Taona, Andriamanitra dia hampianatra ny zanak'olombelona ny lalàna mitondra fahasambarana. Vantany vao nianatra ireo lalàna ireo ny olombelona, ary nahatsapa ny fahasambarana vokariny, dia avelan'Andriamanitra ho an'ny olona tsirairay ny hisafidy, na hankatò ny lalàn'Andriamanitra izy na tsia. Ny ankamaroan'ny olombelona dia hahita fa ny làlan'Andriamanitra no tena tsara indrindra; hisafidy an-tsitrapo hankatò Azy izy ireo. Na izany aza, alohan'ny ahafahany misafidy, dia tokony hahita mazava izay hosafidiany ny olona. Tsy maintsy ampianarina izy ireo mba hahafantarany ny momba ireo hevi-diso nifikirany taloha, ary hahaizany manavaka ny tena fahamarinana. Mandritry ny Fanjakana Arivo Taona, ny fampianarana dia hanana anjara toerana lehibe. Fa maninona no tena zava-dehibe ny fampianarana? Aoka ho azontsika tsara izany.

1. Moa ve ny fanabeazana diso lalana, izay nandiso ny fomba fijery ny fahalalàna an'izao tontolo izao, dia toy ny fisalobonana, manarona ny fahamarinana amin'ny saina? Isaia 25: 7.

2. Iza no tompon’andraikitra voalohany namitaka an'izao tontolo izao? Apok.12:9. Izany ve tsy midika fa izy no tena tompo-marika amin’ny fampianaran-diso rehetra? Jaona 8:44. Hamela ny devoly hamitaka ny firenena rehetra ve ny devoly, rehefa hanomboka hanitsy ny fanabezana ny tontolo i Kristy? Apok.20:1-3.

3. Moa ve namitaka ny firenena eran'izao tontolo izao ny devoly tamin'ny alalan'ny fampiasany ny fivavahan-diso indrindra - anisan'izany ireo izay manambara ny anaran'i Kristy, nefa mandà Azy amin'ny asany? 2Kor.11:13-15; Titosy 1:16.

4. Karazana fahalalana inona no tena tsy ampy amin'ny tontolo ankehitriny? Fahalalana ara-panahy ve izany? Hosea 4: 6. Inona no vokadratsin izany tena tsy fisian'ny fahalalana ara-panahy izany? Andian-tsoratra mitovy.

Inona no tena fanabeazana? 

1. Ahoana no fiheveran'Andriamanitra ny fahendren'izao tontolo izao? 1 Kor. 3: 19. Mitarika amin’ny inona io fahendrena io? Ohab.14: 12.

2. Inona ny fahamarinana? Jaona 17: 17. Inona no hataon’ny fahamarinana mba hahasoa ny olona ao amin'ny tontolon'ny ampitso? Jaona 8: 31-32.

FANAMARIHANA: Misy hevitra iray miparitaka eran'izao tontolo izao ankehitriny, nefa kosa dia diso, izay milaza fa tsy misy ifandraisany amin'ny "fomba fiainana" ny fanabeazana. Betsaka ny mino fa tokony ho ferana amin'ny fampianarana ny fomba fivelomana fotsiny ihany ny fanabezanana, fa tsy ny fomba fiainana. Tsy izany ny zava-misy ao amin'ny Campus-ny "AMBASSADOR COLLEGE”, izay ianaran'ny mpianatra koa" hitady indray ny tena harena "- ary izany dia avy amin'ny FOTOTRA iorenan'ny fahalalana rehetra, dia NY BAIBOLY.

3. Moa ve isika manana porofo voasoratra - fa ny tena Fiangonana apôstôlika dia nitory ny fomba fiainana arak’Andriamanitra? Asa.19:9, 23. Eken'izao tontolo izao ve izany fomba fiainana izany? Asan’ny Apostoly 24:14.

FANAMARIHANA: Ny fomba fiainana arak’Andriamanitra dia ny vokatry ny fanabeazana marina. Izy io dia miorina amin'nyfototra marin’ny FAHAMARINANA.
Saingy nandà tanteraka ny fahamarinan’Andriamanitra izao tontolo izao. Ny fanabeazana môderina dia nanadino tanteraka ny Baiboly.

4. Ity tontolo ity dia manakaiky haingana ny tendro faratampony izay hampihorohoro mafy ny olona, ary mampahatsapa azy ireo fa misy zavatra tena diso tanteraka amin'ity fomba fiainana môderina ity. Inona no ho fantatry ny olombelona amin'izany fotoana izany? Jer.6:19. Te hianatra fomba-fiaina hafa ve izy ireo, raha tsara kokoa izany lalana izany?

FANAMARIHANA: Ankehitriny ny olona dia nandova ny lainga - hevitra tsy misy antony, napetraka tao an-tsaina minomino foanan'izy ireo, noho ny fahamaivanan-doha. Rehefa lasa olon-dehibe izy ireo, dia manohy manaiky ny zavatra tsy misy dikany nianarany tamin'ny fahazazany izy ireo, ary mametraka ny fisiany amin'ny hevitra itompoany sy ny fiheverany mialoha tsy misy famakafakana.
Rehefa hanavotra ny tontolo amin'ny fandringanana tanteraka i Kristy, dia hahatsapa ny tsy fahalalany ny olona - ny tsy fahampian'ny fanabeazana tsara teo aminy. Io fiaikeny ny fahadisoany io, raha ny marina, no dingana voalohany mankany amin'ny "fibebahana".

5. Inona avy no tena tafiditra amin'ny fibebahana? Isaia 55: 6-9. Tsy mazava ve fa ny mitodi-damosina amin'ny fomba fiaina ratsy izany? Andininy 7.

FANAMARIHANA: Ny fibebahana dia ny mamoy ny hevi-diso rehetra momba ny fiainana, izay nekena tsy nisy ahiahy na porofo, ka hitodika amin'ny fahamarinan’Andriamanitra.

6. Moa ve ny fanitsiana ny fanabeazana mandritry ny Fanjakana Arivo Taona dia mila ny fanamboarana indray ny fomba fiasan'ny olombelona eo amin'ny sehatry ny fandraharahana? 2 Kor. 8:21. Hamorona lamina ara-tsosialy ve izany? 1Pet.4:3-4. Hatao toy izany ve ny lafiny rehetra amin'ny fiainana ankapobeny? 1Kor. 10:31.

Ny fomban’Andriamanitra amin’ny fanitsiana ny fanabeazana


Ny faharatsiana rehetra eto amin'ity tontolo ity dia azo lazaina fa vokatry ny fampianaran-diso. Mpampianatra maro no mahalala amin’ny farany NY TSY FAHOMBIAZAN'IREO ONIVERSITE lehibe eto amintsika. Izy ireny dia nanjary foiben’ny fahasosorana, ny fanoherana, ny fikomiana ary fiodinana amin’ny mpitondra. Mazava fa tokony hovàna io rafi-pampianarana io!
Inona no karazana fampianarana hasolo azy?

1. Ankoatry ny asany amin'ny maha-Mpanjaka lehiben’ny firenen-drehetra Azy, i Kristy koa ve no Mpampianatra ambony indrindra? Isaia 2:3; Sal.25:8-10.

FANAMARIHANA: Hataon’ i Kristy ireo raharaha roa sosona ireo. Miharihary fa ny fomban’Andriamanitra momba ny fitantanana an'izao tontolo izao dia tsy mampisaraka ny fivavahana sy ny fitondram-panjakana.

2. Iza no hanjaka amin'ny taranak'i Jakoba vaovao, eo ambany fahefan'i Kristy? Jer. 30: 7-9. Inona no tian'i Jeremia holazaina amin'ny hoe "hatsangako"? 1Kor.6:14. Davida ve no ho mpanapaka ao amin'ny Isiraely? Ezek.34:23-24.

FANAMARIHANA: Hatsangana amin’ny maty i Davida mba hanapaka ny taranaka ara-nofon’ny Isiraely taloha. Ny raharahany dia ny hiandraikitra ihany koa ny fiadidiana ny FAMPIANARANA ireo lalàn’Andriamanitra amin'ny vahoaka.

3. Moa ve ny Apostoly roa ambin’ny folo hapetraka ho lohan'ny foko roa ambin’ny folon'ny Isiraely? Mat.19:28. Hahazo seza fiandrianana ve ny Apostoly tsirairay? Lioka 22: 29-30. Moa ve izy ireo hampianatra ny fahamarinana avy amin'ny foko rehetra amin'ny Isiraely? Mat. 28: 19-20.

FANAMARIHANA: Ny Apostoly dia nitory ny Vaovao Mahafaly tamin'ny firenena rehetra nandritry ny 1900 taona izay, ary ny Fiangonan'Andriamanitra dia manomboka tonga amin'ny firenena rehetra ankehitriny. Saingy hevero fa tsy VAO MAINKA ve ireo firenena eto ambonin'ny tany handre ny fahamarinan'Andriamanitra mandritry ny Fanjakana Arivo Taona.

4. Iza koa no hanjaka sy hampianatra ao amin'ny Tontolo Ho Avy? Apok.2:26; 5:10.

FANAMARIHANA: Ireo Kristiana nitsangana tamin'ny maty, voatonona ao amin'ny Apok. 5: 10, no tsy maintsy atao mpisorona sy mpanjaka miaraka. Fa ny tena asan'ny mpisorona dia ny mampianatra (Mal. 2: 7).



Rehefa hiditra an-tsehatra eo amin'ny raharahan'ny olombelona Andriamanitra, ny olona dia tsy hanam-pahefana intsony hifidy ny mpitondra azy na hisafidy ny mpanabe azy. Ao amin'ny Tontolo Ho Avy, dia ANDRIAMANITRA no hametraka ny olo-masiny nitsangana ary hanangana azy ireo ho governora sy mpanabe. Avy eo, tsy misy fisalasalana politika, na tsindry hafa avy amin'ny vondrona rehetra, mety hanimba azy ireo. Hampianatra ny olona ny lalàny sy ny fitsipiny rehetra izy ireo; Ny fankatoavana azy ireo dia hiteraka fiadanana, fanambinana ary fahasambarana.

1. Ho fanampin'ny asany amin'ny maha-Mpisoronaben’ny firenen-drehetra Azy, moa ve i Kristy no Mpanabe ambony indrindra? Isaia 2:3; Sal. 25: 8-10. 

FANAMARIHANA: Hanambatra ireo raharaha roa ireo i Kristy. Miharihary fa ny tontolon'ny fitantanana an'izao tontolo izao dia tsy mampisaraka ny fivavahana amin'ny governemanta.

2. Iza no hanjaka amin'ny taranak'i Jakoba vaovao, eo ambany fahefan'i Kristy? Jer. 30: 7-9. Inona no tian'i Jeremia holazaina amin'ny hoe "mifoha"? ! Kor. 6:14. David ve no ho andrianan'ny Isiraely? Ezek. 34: 23-24.

FANAMARIHANA: Hatsangana i Davida mba hanapaka ny taranaky ny Isiraely taloha. Ny andraikiny dia ahitana ihany koa ny andraikitry ny FAMPIANARANA ireo lalàna masina ho an'ny olona.

3. Moa ve ny Apostoly roa ambin'ny folo apetraka amin'ny lohan'ny foko roa ambin'ny folon'ny Isiraely? Mat. 19:28 . Hahazo seza fiandrianana ve ny Apostoly tsirairay? Lioka 22:29-30. Moa ve izy ireo hampianatra ny fahamarinan’Andriamanitra amin'ny foko rehetra amin'ny Isiraely? Mat.28:19-20.

FANAMARIHANA: Ny Apostoly dia nitory ny Vaovao Mahafaly tamin'ny firenen-drehetra, nandritry ny 1900 taona, ary ny Fiangonan'Andriamanitra dia manomboka tonga amin'ny firenen-drehetra ankehitriny. Saingy eritrereto hoe tsy VAO MAINKA ve ireo firenena eto ambonin'ny tany handre ny fahamarinan'Andriamanitra mandritry ny Fanjakana Arivo Taona.

4. Iza koa no hanjaka sy hampianatra ao amin'ny Tontolo Ho Avy? Apok.2:26; 5:10.
FANAMARIHANA: Ireo Kristiana natsangana tamin'ny maty, voatonona ao amin'ny Apok.5:10, dia tsy maintsy atao mpisorona sady mpanjaka. Nefa, ny tena asan'ny mpisorona dia ny mampianatra (Mal.2:7).
Rehefa hiditra an-tsehatra eo amin'ny raharahan'ny olombelona Andriamanitra, ny olona dia tsy hanana fahalalahana intsony hifidy ny mpitondra azy na hisafidy ny mpanabe azy. Amin'ny Tontolo Ho Avy, ANDRIAMANITRA no hametraka ny olo-masiny nitsangana ary hanangana azy ireo ho governora sy mpanabe. Noho izany, tsy hisy fitaomana politika, na tsindry hafa avy amin'ny vondrona iray, mety hanimba azy ireo. Hampianatra ny olona ny lalàna sy ny fitsipik’Andriamanitra rehetra izy ireo; Ny fankatoavana izany dia hiteraka fiadanana, fanambinana ary fahasambarana.


5. Ireo olo-masina hitsangana amin’ny maty ve mety hiseho ara-nofo araky ny faniriany ? Isaia 30:20-21. Inona no hataony ? Andininy 21.

FANAMARIHANA: Any amin’ny Tontolo Ho Avy, ireo izay mendrika ankehitriny ny hanjaka eo ambany fahefan’i Kristy, dia ho eo foana ary vonona lalandava ny hiteny sy hiasa, mba hampianatra sy hamono an-karanany haingana ny fanandramana ny tsy hanaiky.

Koa satria fanahy ireo mpampianatran dia afaka ho tonga sy ho lasa arak’izay ilainy izy ireo, mita amin’ny rindrina toa an’i Kristyizay afaka niseho vatana tamin’ny apostoliny, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty (Jaona 20:17, 19, 25-27; Lioka 24-31)
 

Ny vokatry ny fampianarana ny olon-drehetra


 1. Hanana fijery mitovy amin'Andriamanitra ve ny olona rehefa mianatra ny fomba fiainany? Isaia 52: 7-8. Hahalala ny fahamarinan’Andriamanitra ve izao tontolo izao amin’ny farany? Habakoka 2:14; Isaia 11: 9; Jer. 31:34. Na dia ireo izay mimonomonona amin'Andriamanitra aza ve dia hianatra ny fahamarinany? Isaia 29:24.

2. “Hahafantatra an’i Jehovah” ve ny Egyptiana amin'izany fotoana izany? Isaia 19:21. Ahoana no hahatonga ny Egyptiana sy ny firenen-kafa rehetra HAHAFANTATRA Azy? Isaia 55: 6-7; 1Jaona 2: 3-4. Hikatsaka ny hahazo tombom-tsoa ihany koa ve i Etiopia amin'ny fankatoavana an'i Kristy? Sal.68:32.


FANAMARIHANA: Ireo firenena manodidina an'i Israely, voaresaka ao anaty Baiboly, dia maneho ireo karazam-pirenena rehetra manerantany any amin’ny Tontolo Ho Avy. Ireo firenena eto amin'ny tontolo ve dia hianatra fa ny tena kristianisma dia mahasoa. 3. Moa ve ireo mpitarika ny Jentilisa (mpanompo sampy) hitondra fanomezana ho an'i Kristy, ho fankasitrahana ny tombony azony avy amin'ny fanabeazana sy ny ara-nofo? Sal. 68:30. Inona ny fepetra amin’ny fampanantenan'Andriamanitra mandrakariva ny hanomezana fanambinana betsaka ara-materialy? Malakia 3:10-12.

FANAMARIHANA: Ny fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra dia hitondra firoboroboana ho an’ny rehetra, fiadanana ary fahasambarana eo amin'ny Tontolo Ho Avy. Tsy efa mazava ve fa ny fototry ny fanabeazana marina rehetra dia miankina amin'ny fahalalana ny Lalàn'Andriamanitra?

Ireo toetra vaovao 


1. Hanova ny toetran'ny biby ve Andriamanitra mandritry ny Fanjakana Arivo Taona? Isaia 11: 6-8; Hosea 2:20. Hiaina amim-piadanana ve ny zavaboary rehetra amin'izay? Ezek. 34: 25.

2. Ao amin'ny Baiboly, dia lazain'Andriamanitra fa tandindon'ny fanahiny ny fon'ny olombelona.
Manao ahoana ny fon'ny olona - ny fanahiny - ankehitriny? Jer. 17: 9. Manaiky an'Andriamanitra sy ny lalàny araky ny toetrany ve ny fanahin'ny olona? Rom. 8: 7.

3. Inona no ambaran'Andriamanitra momba ny zavatra hampiany ao amin’ny fanahin'ireo olona any amin’ny Fanjakana Arivo Taona, mba hanovana ny toetra fototry ny olombelona? Ezek. 36: 26-'27; Jer. 31:33.

FANAMARIHANA: Tahaka ny hanovan'Andriamanitra ny faniriana voajanaharin'ny liona hihinana nofo, ary hahatonga azy hahatsapa ny faniriana hihinana zavamaniry, dia hanome toetra fototra tsy tia ady ny zavaboary hafa rehetra Izy; Izy koa dia hitondra fiovana mahafinaritra sy mahatalanjona ao amin’ny fanahin'ny olona be fankahalàna. Izany fiovan-tsaina izany dia hitranga amin'ny alàlan'ny fibebahana sy ny fanomezana ny FANAHY MASINA. Izany no tena mahatonga ny Tontolo Ho Avy mahatalanjona ho tonga "Fanjakana nofinofy" marina!

Amin'ny alàlan'ny fahagagana, dia hatolotr'Andriamanitra ho an'ny olombelona ny tena toetrany feno fitiavana ny hafa (Romana 5: 5). Io fitiavana tena izy io dia hiseho ao amin'ny olombelona amin'ny alàlan'ny Fanahy Masina. Avy amin'izany ihany no hifankatiavan’ny olombelona ary hiezahan’izy ireo hanao izay mahasambatra ny hafa.

Mila boky lehibe hamaritana ny toe-javatra mahafinaritra izay mety hanjaka eto ambonin'ity tany ity - ary tena hanjaka amin'ny farany - rehefa mihetry tena sy mibebaka ny fon'ny olombelona, amin'ny alàlan’ny Fanahy Masina, rehefa homena ny tena fomban'Andriamanitra izy (2Petera 1:4).

Ny làlan'Andriamanitra no tsara indrindra Takatrao ve ny dikan'izay nianaranao tao amin'ny Baibolinao tamin'ny alalàn'ity lesona ity? Tamin’ny andro ela taloha, Andriamanitra dia naminany ny fotoana hanomezany ny olombelona eto an-tany fahafahana hanana fanambinana mahagaga. Amin’izay fotoana izay dia ho takatr'izao tontolo izao io fahamarinana lehibe io – izany hoe: NY LALAN'ANDRIAMANITRA DIA TSARA INDRINDRA, rehefa natao ny fandinihana!


Efa antomotra ny fotoana izay hahatanterahan’ity faminaniana ity: « Ary Jehovah, Tompon'ny maro, dia hanao fanasana ho an'ny firenena rehetra eto amin'ity tendrombohitra ity, dia fanasana amin'ny zavatra matavy, fanasana amin'ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka, divay efa niotrika ela sady voadio tsara. Ary hofoanany eto amin'ity tendrombohitra ity, ny sarona izay manarona ny olona rehetra sy ny rakotra izay arakotra ny firenena rehetra » - ny fahajamban'izy ireo ara-panahy (Isaia 25:6-7).

Tsy ho ela Andriamanitra dia hamarana ny hazakazaka feno adalana an’izao tontolo izao manoloana ny "famonoana ny tontolo" ara-nokleary. Haniraka an'i Jesosy Kristy Izy hiditra an-tsehatra amin'ny raharahan'olombelona ary hamolaka izay fikomiana rehetra. Avy eo Izy sy ny olo-masiny dia hanomboka hampianatra amin’ny firenen-drehetra ny fahamarinan’Andriamanitra, ny lalàny ary ny lalany izay mitondra mankany amin'ny fitahiana, fanambinana, fiadanana ary fahasambarana. 

 Ny paradisa nofinofy izay nirian'ny olona mandrakariva dia ho teraka amin’izay ary HIFOHA ny olona! Ho afaka hahita avy eo amin’ny fisalobonan'ny hevitra efa nitompoany mialoha, izay nanakana azy tsy hanaraka ny LALANA izay hitondra ny fahatanterahan’ny faniriany izay tiany indrindra izy.
Tsy hisy ho voafitaka intsony ao amin'ity Tontolo Ho Avy mahafinaritra ity, toy ny mitranga ankehitriny amin'ny ankamaroan'ny olona. 

HO FANTATRY NY REHETRA NY FAHAMARINANA. Tsy hisy fifanjevoana ara-pivavahana intsony. Hisokatra amin'ny fahamarinana ny mason’ny olona. Afaka HAMPIANARINA amin’izay ny olombelona amin'ny farany. Hanomboka hiaina araky ny fomban'Andriamanitra ny olombelona - ny fomba fitiavana ny hafa, ny fomban'ny TENA HARENA - dia ny lalan'ny FANDRIAM-PAHALEMANA, NY FAHASAMBARANA, NY FIADANANA ARY NY FIFALIANA.

Ny heloka, ny tsy fahasalamana, ny aretina ary ny fijaliana dia tsy ho hita intsony. Horoahina ny fahantrana sy ny tsy fahalalana. Hampamirapiratry ny TSIKY ny tavan'ny olona; ho miramirana ireo tarehy ireo. Ny bibidia dia ho folaka. Ny fandotoana ny rivotra, ny rano ary ny tany dia tsy hisy intsony. Hadio mangarahara ny rano; ny rivotra dia ho salama, velona sy madio; tany mainty mahavokatra no handrakotra ny tany hay teo aloha ary hamokatra sakafo matsiro. Ho TSARA TAREHY fatratra ny voninkazo, ny hazo madinidinika ary ny hazo vaventy.

Mandritry ny Fanjakana Arivo Taona, ny tontolo dia ho feno olombelona SAMBATRA, voatarika, ampiana, voaaro ary tantanin'i Kristy sy ny olo-masina; Ho tsapan'ny olon-drehetra fa afaka handova FIAINANA MANDRAKIZAY koa izy ireo, miaraka amin'ny fahasambarana lehibe sy fifaliana mampihetsi-po.
Toa mahafinaritra izany fahitana izany!

Raha ny marina dia tsy hain'ny olombelona ny manao paradisa nofinofy, ary tsy misy na iza na iza amin'ireo fanjakana eto amin'ity tontolo ity ho afaka hiantoka ny fandriam-pahalemana marina, ny fanambinana ary vokatra tena marina; na izany aza, ny baibolinao dia mampiseho hatrany fa ilay Andriamanitra maherin'ny lanitra sy ny tany dia afaka manao izany ary hanao izany tsy ho ela Izy!
Andriamanitra anie hanafaingana ny fahatongavan'izany andro malaza izany!

No comments:

Post a Comment