Ambasadaoro Kolejy - Toko faha-19
NY FAHAMARINANA MOMBA NY FANEKENA TALOHA SY NY FANEKENA VAOVAO
Inona no tena asehon'ny Fanekena Taloha sy ny Fanekena Vaovao? Inona no ifandraisan'izany amin'ireo Kristiana notorontoronin’ny Fanahy?
-------------------------------------------------------------
Miparitaka be ankehitriny ny fiheverana fa ny Didy Folo dia tsy nisy talohan'i Mosesy, na nofoanana noho ny fahafatesan'i Kristy.
Raha arak’izany fampianarana izany, dia tonga i Jesosy hanorina Fanekena Vaovao, izay misy ny fanomezam-pasoavana sy ny fampanantenana sasany, fa tsy misy lalàna.
Mahatalanjona ny fahitana fa ny Didy Folo dia tsy tamin'ny fotoana nanaovan'Andriamanitra Fanekena tamin’Israely fahiny tao an-tendrombohitra Sinay no nanomboka nisy izany. Efa niasa izany tamin'ny andron'i Adama.
Ny lalàn'ny fitiavana dia talohan'i Adama
Mba hahatakarana tsara ny voalazan'ny Fanekem-pihavanana taloha sy vaovao, dia ilaina ny ahatsiarovana zava-dehibe lehibe iray: Ny Lalàn'Andriamanitra - ny Lalàn'ny fitiavana - dia efa nisy ela talohan'ny namoronana an'i Adama sy i Eva.
Efa hitantsika, tao anatin'ny iray tamin'ireo lesona farany, fa ny fomba fiainan'ireo Mpikambana roa ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra dia ny fitiavana. Tian'Andriamanitra hatrany ny Teny, ary ny Teny dia tia an'Andriamanitra mandrakariva. Niaina tamin'ny firindrana lavorary hatrany izy roa (Jaona 10:30). Ny fitiavana ifankafizan'izy ireo tsirairay avy - io làlana io - dia toe-tsaina mandresy lahatra ny Ankohonan’Andriamanitra amin’izay rehetra ataony.
Ny fitiavan'Andriamanitra dia miasa lalandava hahasoa ny hafa. Mikarakara izay hahazoan’ny zavaboariny rehetra fiadanana Andriamanitra. Ny fitiavan’Andriamanitra dia midika ho fiaraha-miasa, fanompoana ary fifanampiana. Io no làlana "manome", fa tsy "maka".
Ny Didy Folo dia manjary lalàna ara-panahy sy tsy azo ifonana ary mandrakizay. Izany dia Lalàna izay fitiavana, ary ny fitandremana (na ny fahatanterahana) dia mamorona fitiavana (Romana 13:10).
Ny tena votoatin’ny Didy Folo, izay ara-panahy, dia ny tia an Andriamanitra sy tia ny namana (Mat.22:36-40). Ny Didy efatra voalohany dia maneho ny fomba fitiavana an'Andriamanitra. Ireo enina farany dia milaza ny fomba tokony hitiavana ny mpiara-belona.
Koa satria ny tena toetran'Andriamanitra dia ny fitiavana (1Jaona 4:16), ny lalàny dia taratry ny toetrany, ary mamaritra amintsika ny toetrany fitiavana. Ankoatr’izany; satria tsy hiova mihitsy ny toetran'Andriamanitra (Mal.3:6; Heb.13:8), tsy hiova koa ny lalàny ara-panahy; tsy ho rava mandrakizay izany (Sal.111:7-8).
Tian'i Jehovah Andriamanitra ny hianarantsika rehetra ny lalan’ny fitiavany. Ahoana no hamaritany izany? Voasoratra hoe: "Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny." (1 Jaona 5:3).
Rehefa tonga nofo ny Teny – dia i Jesosy Kristy izany, efa ho 2000 taona lasa izay – dia nisy nanontany Azy izay tokony hankatoavina amin’ireo Didy Folo ireo. Namaly azy i Kristy hoe: " Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao, ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao." (Matio 19:18-19). Tsy misy isalasalana fa Jesosy dia niresaka ny Didy Folo eto.
Ny Vokatry Ny Ota
Nahoana ny olona no tsy mahalala ny fandriampahalemana, ny firindrana ary ny fiaraha-miasa? Satria mandika ny Lalàna masin'ny fitiavana izy ireo. Ny tsy fankatoavana ny Didy Folo no tena fototr'ireo ady rehetra, ny fahoriana, finaliana ary fahantrana izay nihatra tamin’ny olombelona hatramin'ny andron'i Adama.
Ny lesona farany nataontsika dia mampiseho ny fomba fitantanana ny fitondram-panjakana eto amin'ity planeta ity, rehefa nametraka anjely tao Andriamanitra mba hamarana ny famoronana. Ny fitondram-panjakan'Andriamanitra, izay mifototra amin'ny Lalàn'ny fitiavana, dia nanosika ny anjely hanao ny asa. Nahatonga firindran’ny fifandraisany tamin'Andriamanitra sy teo amin'izy ireo izany.
Ny fandriampahalemana, ny firindrana ary ny famoronana dia efa nisy teto an-tany mandra-pahatongan'ny fikomiana (ny fahotana) nataon'i Arikanjely Losifera tamin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra (2Pet 2:4). Ny ampahatelon'ny anjely dia nanaraka an'i Losifera tamin'ny fikomiany. Ny Apostoly Paoly dia nanoratra, araka ny tsindrimandrin'Andriamanitra, fa ny ota dia tsy azo ampiharina r aha tsy misy ny lalàna (Romana 5:1; 3). Raha nanota i Losifera sy ny anjeliny, dia nandika lalàna izy ireo. Ireo anjely izay tsy nivadika tamin'Andriamanitra dia mbola velona araky ny lalàn'Andriamanitra (Sal.103:20-21).
Rehefa avy nanazava ny lalany tamin’izy ireo Andriamanitra, dia navelany hisafidy ireo ray aman-drenintsika voalohany. Mba handraisany ny Fanahy Masin'Andriamanitra (tandindomin'ny "hazon'aina"), sy hamerenany amin'ny laoniny ny fitondram-panjakan’Andriamanitra eto an-tany, Adama dia tokony ho nandà ny fomba fanaon'i Satana izay "maka" - ary handray ny lalan’Andriamanitra izay "manome", izany hoe ny lalan'ny lalàm-pitiavana. Tao amin'ny Saha Edena, Satana devoly dia naka fanahy an'i Adama sy Eva.
Nandritry ny "andro" enina arivo taona izay nanjakan'i Satana - izay tsy ho ela dia hifarana - ireo izay nantsoin'Andriamanitra (ireo voalohany, izay vitsy kely) dia tena nahazo ny Fanahiny Masina; notorontoronina ara-panahy izy ireo. Mpikambana amin'ny fanekena manokana natao tamin'Andriamanitra izy ireo izao.
Ny Fanekena nifanaovan'Andriamanitra tamin'ny olombelona
Nanao fanekena maromaro tamin'ny olombelona Andriamanitra. Tao ireo fanekena natao tamin’ny Patriarka Noà, Abrahama, ary Davida Mpanjaka. Tao ihany koa ny Fanekena izay nataon’Andriamanitra tamin’ny Isiraely fahiny, izay antsoina taty aoriana hoe Fanekena taloha. Na izany aza, ny zava-dehibe indrindra amin'ny rehetra - ny Fanekena Vaovao - dia hofaranana amin'ny ho avy.
Inona no hita ao amin’ny Fanekena Taloha sy Vaovao? Inona no fanamelohan’ny Baiboly ny Fanekena Taloha - ary nahoana ny Fanekena Vaovao no tena ilaina? Ahoana no ahafahantsika hahazo tombontsoa amin'ny Fanekena Vaovao? Rahoviana no hanan-kery ity farany?
Ny tsy mampitovy ny Fanekena sy ny Testamenta (didy miafina)
Ny iray amin'ireo fotopampianarana fototra indrindra izay nambaran'i Kristy tamin'ny Fiangonany dia ny momba ny Fanekena Taloha sy Vaovao. Na izany aza, maro ny olona mampifangaro ny teny hoe "Fanekena" sy "Testamenta",
Tsy fanekena ny testamenta - ary ny fanekena dia tsy testamenta. Saingy, raha eo amin’ny resaka ara-pivavahana, dia afangaron’ny olona izy ireo. Zava-dehibe ho antsika ny mahafantatra ny fahasamihafany.
Mifanohitra amin'izany, ny "fanekena" dia fifanarahana iray eo amin'ny olona roa na maromaro; izany dia fanoloran-tena ara-dalàna mametra ny fanatanterahana na ny tsy fanaovana zavatra sasany. Izy io dia antontan-taratasy mirakitra izay voalazan'ny fifanarahana iray. Ao amin'ny Baiboly, ny fanekena dia fifanekena, na fifanarahana iray, ary ilay mpanao sonia iray dia mampanantena ny mpanao sonia hafa valisoa, na tombontsoa voafaritra, ho takalon'ny asa ataony.
Diniho azafady ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'ny iray amin'ireo Patriarika.
1. Inona no fanekena nataon'Andriamanitra tamin'i Abrahama? Gen.12:1-7; 15:18. Inona no teny - na fepetra - tsy maintsy notandreman’i Abrahama mba hahazoan’ny tenany sy ny taranany ny fitahiana sy ny fampanantenan’ilay fanekena nataon'Andriamanitra taminy? Gen.12:1; 17:1-9.
2. Nanao fanekena mitovy tamin’io tamin'i Isaka, zanak'i Abrahama ve Andriamanitra? Gen.17:19. Iza tamin'ireo zanak'i Isaka no namindrana io fanekena io? Gen.27:27-30.
Taona maro taty aoriana, dia nisy mosary mafy tany Kanana, tanin'ny Isiraely ; nifindra monina tany Egypta i Jakoba sy ny fianakaviany, ka lasa nihabetsaka izy ireo. Tany izy ireo, ary rehefa nandeha ny fotoana, dia lasao andevon’ny Egyptiana izy ireo.
3. Moa ve Andriamanitra onena tamin’ny fahababoan’ny zanak’Israely? Nahatsiaro ny fanekeny tamin'ny razambeny ve Izy? Eks.2:23-25.
Fifanekena tamin'ny Isiraely fahiny
1. Inona no lalana nalehan'ny Israelita tamin'izy nandeha nankany amin'ny Tany Nampanantenaina? Eksodosy 19:1-2.
3. Nanaiky ny fepetra napetrak'Andriamanitra ve ny olona? Andininy 8.
4. Vantany vao naneho ny faniriany ho anisan'ny mpikambana amin'ny Mpamorona azy ireo amin’ity fifanekena ity ny Isiraelita, dia inona no nolazain'Andriamanitra tamin'i Mosesy? Inona no hataony amin'ny andro fahatelo? Eks.19:11. Ahoana no ilazan'ny Baiboly an'izany tranga lehibe izany? Andininy 16-20.
5. Inona no fanazavana nomen'Andriamanitra ny Isiraelita momba ny fankatoavany Azy, mba hitandremany ny anjarany amin'ny fifanekena? Eks.20:1-17; Deo.5:6-21.
FANAMARIHANA: Tamin'ny andro fahatelo, teo afovoan'ny tselatra, kotrokorana sy rahona matevina, ny feon'Andriamanitra mahery dia nikotroka tany an-tsofin'ny vahoaka ny lalàna fototra izay iorenan'ny Governemantany - ny Lalàna ara-panahy lehibe izay mamaritra ny fomba fiainan’Andriamanitra.
Ity Fifanarahana natao tany Sinay ity - izay antsoina ankehitriny hoe Fanekena Taloha - dia milaza fa tsy maintsy manatanteraka fepetra sasany ny vahoaka Israely. Tsy maintsy mitandrina ny Didy Folo ny Isiraely. Raha nanao ny anjarany ny olona, dia hataon'Andriamanitra vahoaka voatokana izy ireo. Marihina fa ara-batana sy ho an’ny firenena ihany ireo fampanantenana ireo. Tsy misy resaka fitahiana ara-panahy teo.
6. Andriamanitra mihitsy ve no nanoratra ireo Didy ireo tamin'ny vato fisaka roa? Eks.24:12; Deo 4:13.
7. Taorian'ny nampahafantarany ny Isiraelita ireo Didy Folo, dia inona no toromarika nomen'Andriamanitra ny vahoaka tamin'ny alàlan'i Mosesy? Deo.6:1; 4:5.
FANAMARIHANA: Nambarany tamin'i Mosesy ny lalàna fanampiny - fampiharana isan-karazany ny Didy Folo - amin'ny endrika didy sy fitsipika eo amin’ny fiaraha-monina (voasoratra ao amin'ny toko 20 ka hatramin'ny 23 ao amin'ny bokin'ny Eksodosy). Nandidy an'i Mosesy izy mba hanoratra ireo didy sy fitsipika ireo ao amin'ny boky antsoina hoe " bokin'ny fanekena" (Eks.24:4, 7). Noho izany, ireo lalàna fanampiny ireo dia ampahany amin'ny fanekena nifanaovan'Andriamanitra sy ny olona.
8. Moa ve ny Isiraelita nampanantena am-pahibemaso an’Andriamanitra fa hankatoa ny lalàn'ny fanekena rehetra? Eksodosy 24: 3, 7.
9. Moa ve avy eo nankatoavina - nohamafisina - tamin'ny rà ny Fanekena? Eks 24:6-8.
FANAMARIHANA: Raha vantany vao voasonia ny fanekena iray, nasiana tombo-kase na nankatoavina - izany hoe voamarina – dia tsy misy azo ampiana ao (Gal.3:15). Ny zava-drehetra "eo ambanin'ny sonia", noho izany dia lazaina fa tsy ao anatin’ io fifanarahana io, raha araky ny lalàna. Mariho ireto teny ireto hoe: "ny fanekena izay nataon'i Jehovah taminareo" (Eksodosy 24:8). Tamin'izany fotoana izany, dia efa vita io fanekena io – efa nankatoavina. Tena zava-dehibe izany, ary ho hitantsika ny antony any aoriana.
Raha toa ka nanaraka ny Lalàna arak’izay voasoratra ny Isiraelita, dia ho nitazona ny anjarany amin’ny fifanekena Andriamanitra. Ho naidiny ho azy ireo ny fampanantenana ara-materialy rehetra voalaza ao amin'ity fanekena ity (Lev.26:3-13; Deo.28:1-14).
FANAMARIHANA: Namaly ny olona tsy nisalasala hoe: “Izay teny rehetra nolazain'i Jehovah dia hataonay…” Azon'izy ireo antoka fa afaka mitazona ny anjarany ao anatin'ny fifanekena izy ireo, ary dia nampanantena an'Andriamanitra fa hanaja tanteraka ny Fanekena izy ireo.
Fanekem-Panambadiana
Raha namorona ny olombelona voalohany Andriamanitra (ny Teny, Jaona 1:1-3, izay ho tonga nofo aman-drà ao amin’i Jesosy Kristy - andininy 14), moa ve namorona ny fanambadiana ihany koa Izy (Gen.2: 21-25)? Taonjato maro taty aoriana, io persona ao amin’Andriamanitra io dia nanao sonia, azo ilazana azy izany, "fanekem-panambadiana" tamin'ny firenen'Israely. Vitsy dia vitsy ny olona mahatakatra io tranga lehibe io.
Jesosy Kristy - ilay Andriamanitra Tsitoha tao amin'ny Testamenta Taloha - izay Mpampakatra, dia nampanantena fa hiaro sy hanome izay ilainy ara-materialy ny firenen'Isiraely. Ny firenena, amin'ny maha-vady azy kosa, dia nampanantena fa tsy hivadika Aminy - tsy hanao firaisana amin'ny "andriamanitry"ny firenen-kafa (Eks.34:12-17). Isiraely, amin'ny maha firenena azy, dia nanaiky ny andraikitry ny vady. Nanaiky hankatoa ny "Vadiny" izy.
2. Inona avy ireo fitahiana nataon'ny "Mpampakatra an’ny Isiraely" fanekena ampahibemaso ho an'ny Ampakariny raha miaina araky ny lalàna izay nampanantenainy fa ho tandremany izy? Avereno jerena ny Levitikosy 26:3-13 sy Deoteronomia 28:1-14.
Miorina amin'ny lalàna mandrakizay
Ny lalàm-pitiavana, mandrakizay sy ara-panahy, dia efa nanan-kery talohan'ny namoronana an'i Adama sy Eva. Tsarovy fa raha vantsny vao noforonina ny ray aman-drenintsika voalohany, dia nampitain’Andriamanitra taminy ny Didiny. Na izany aza, tsy nankatoa Azy i Adama sy i Eva, ary izy ireo sy ny taranany dia nolavina ny fidirany ao amin'ny Fanahy Masina.
Ny Baiboly dia manambara fa natao ho an'ny olom-bitsy, tamin'ny andro taloha, ny fahalalana ny Lalàn'Andriamanitra. Ireo izay nantsoin'Andriamnitra, nandritry ny tantara nifandimby, mba hanatanteraka iraka manokana eo ambany fahefany - ireo mpaminany sy patriarka taloha – dia nahalala ny Didy Folo ary koa ireo didy sy fitsipika hafa; ary nitandrina ireo! Zava-dehibe ny fahatakarantsika tsara izany, rehefa mandalina ny Fanekena Taloha sy Vaovao isika.
1. Araky ny hitantsika tao amin'ny lesona teo aloha, fa nantsoin'Andriamanitra ho an'ny tanjona manokana ny patriarika Abrahama. Nanao fifanekena taminy Andriamanitra, ary nanome azy ny fahatakarana ny Lalàny ara-panahy sy mandrakizay. Milaza mazava ve ny Baiboly fa nankatoa an'Andriamanitra i Abrahama? Gen.26:5. Inona ireo didy nankatoaviny? Andian-tsoratra mitovy.
Ireo didy ireo dia manambara ny Mpitsara lehibe. Amin'ny ankapobeny, dia manome baiko izy ireo na mandrara ny zavatra tsy dia manan-danja mihoatra noho ny Didy Folo. Koa ireo didy sy lalàna hafa ireo dia mampitombo, na mampiharihary manokana ny Didy Folo.
Ho fanampin'ny didy, dia nomen'Andriamanitra ny fitsipiny ny patriarika, mba hiarovana ny zon'ny tsirairay. Fanapahan-kevitra raikitra izany, miorina amin'ny Lalàn'Andriamanitra; ampiasaina izy ireo handaminana ny fifandirana sasantsasany mitovy karazana, natao haverina, ary hanambara mari-pankasitrahana na didim-pitsarana.
2. Moa ve misy ohatra hafa mampiseho koa fa nampahatsiahy ny firenen'Isiraely ny lalàna izay efa nanan-kery Andriamanitra? Eks.16:28; 18:16.
Noho izany, araky ny Baiboly, ny Didy Folo, ny lalàna ary ny fitsipika – izay mifototra daholo amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fitiavana ny rahalahy - dia efa nanan-kery talohan'ny fankatoavana ny fifanarahana ara-panambadiana izay nifanaovan’Andriamanitra sy ny firenena Isiraely.
"Raha izany, hoy ianao angamba, maninona Andriamanitra no nanambara ny Lalàny tamin'ny zanak'Isiraely rehefa nanao Fanekena tamin'izy ireo Izy?" Satria mantsy tena nanalavitra ny fahamarinana ny olona ; ka tamin'ny andron'i Mosesy, Andriamanitra dia tsy maintsy nanambara indray ny lalàny sy ny fitsipiny tamin'ny Isiraely. Nandritra ny taona nahababoany, dia nanadino ny ampahany lehibe tamin'ny fomban'Andriamanitra ny Isiraely - mba tsy hilazana hoe ny rehetra. Koa satria ny Didy Folo dia efa nanan-kery, ny hany zava-baovao tany Sinay, dia ny endrika voasoratra sy misy fitsipika izay nampitan'Andriamanitra ny Didiny taorian'ny namakiany izany tamin'ny feony manokana. Ny lalàna momba ny fiaraha-monina sy ny fitsipika dia nambara ihany koa tamin'ny Isiraely mba hampisehoana azy ireo ny fomba tokony hampiharana ny Didy Folo amin'ny firenena fizika (tadidio fa voasoratra ao amin'ny "bokin'ny Fanekena" ny lalàna momba ny fiaraha-monina - Eksodosy 24:3-4 , 7).
Amin'ny ankapobeny, ny Didy Folo dia mihatra amin'ny fitondran-tenan'ny olona tsirairay. Ny Fitsipika kosa dia mikasika ny raharaha ao amin'ny Fiangonana na ny Fanjakana. Ny didy dia mifandraika amin'ireo fanapahan-kevitra raisina mifanaraka amin'ireo fepetra misy ao amin'ny Didy Folo sy ny Fitsipika.
Azafady mba mariho izao ny fomba nanamafisan' ny lalàna ny Didy Folo.
3. Inona ny Didy voalohany? Eks.20:3. Inona no lalàna manamafy io Didy io, na mamaritra ny fomba fampiharana azy? Eks. 23:14.
Misy lalàna maro hafa - ohatra, ao amin'ny Eksodosy 22:15, 19 - manazava amin'ny antsipiriany kokoa ny fomba hitandremana ny didy fahafito manao hoe : "Aza mijangajanga".
Noho izany, tsy vitan’ny hoe miorina amin'ny Didy Folo fotsiny ny lalàna, fa koa manazava bebe kokoa ny fomba fitandremana ny Lalàna ara-panahy araky ny voamarina ao amin'ny Didy Folo.
Koa satria ny Didy Folo, ny didy, ny lalàna ary ny fitsipika dia efa nanan-kery talohan'ny nanaovan'Andriamanitra ny Fanekena tamin'i Isiraely, dia tsy nisy nofoanana akory izany tamin'ny taona 31 taorian'i Kristy, rehefa nanan-kery ny didin'i Jesosy Kristy taorian'ny fanomboana Azy teo amin’ny hazo fijaliana. Ny fanekena iray, efa lany andro, dia tsy manafoana ny zavatra tsy noresahiny tao amin’ny fepetrany.
FANAMARIHANA: Ny Didy Voalohany dia milaza hoe: "Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany." Ny lalàna mifandraika amin'ny fankalazana ny Andro firavoravoana fanao isan-taona dia mampivohitra ny Didy voalohany. Manazava ny fomba hivavahana amin’ilay Andriamanitra marina ireo: "Intelo isan-kerintaona no hanaovanao andro firavoravoana ho Ahy. » (Eks.23:14). Ireo izay mitandrina ireo lalàna ireo dia mahazo tombony amin'ny fifandraisana manokana amin'ilay Andriamanitra Mpamorona, ary mifankazatra tsara amin'ny planina lehibeny ho an’ny olombelona.
Ny lalàna momba ny fisoronana dia nampidirina taty aoriana
Rehefa nanangona ny Isiraely teo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay i Jehovah, dia nanome azy ny Didy Folo. Avy eo, dia navelany i Mosesy hampahafantatra ny zanak’Isiraely ny lalàna ny lalàna sy ny fitsipika izay tsy tian’ny vahoaka homen’Andriamanitra azy mivantana (Eks. 20-24). Araky ny efa hitantsika, ireo lalàna sy fitsipika ireo dia manamafy ny Didy Folo.
Fa kosa, mba fantatrao ve ny fotoana nanombohan'ny fombafomba momba ny fisoronana? Ary oviana izany no nijanona tsy ho voatery hatao? Ahoana no ahafahana manavaka ireo fitsipika sy lalàn'ny Testamenta Taloha?
FANAMARIHANA: Andriamanitra dia miresaka momba ny sorona «ho fanomezam-boninahitra ahy». Niorina tany Egypta ny Paska (Eks.12:1-14), herinandro maro talohan'ny Sinay. Nohamafisina nandritry ny Fanekena izay natao tao amin'io toerana io izany, saingy tsy noforonina tamin’io Fanekena io (tadidio fa ny fifanekena dia fifanarahana nifanaovan’ny olona roa - na vondron’olona - ary mety misy raharaha nifanaovana teo aloha).
Ny Paska - naorina talohan'ny Fanekana Taloha io, sy ho mandrakizay. Ankehitriny dia tandremana miaraka amin'ny sary an’ohatry ny Testamenta Vaovao izy io, dia ny mofo sy ny divay, araka ny torolalan'i Kristy - "Paska ho antsika" (1Kor.5:7). |
FANAMARIHANA: Tamin'ny voalohany, Andriamanitra dia tsy nandidy ny olony mba hanao sorona. Izany no antony mahatonga ny sorona – izay napetraka nandritry ny fe-potoana voafetra, ary taorian'ny fanamafisana ny fanekena voalohany natao tany Sinay - TSY natao intsony, fa araka ny marika hafa ao amin'ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao. Ny Paska ihany no notazonina ao amin'ny Testamenta Vaovao miaraka amin'ny ohatry ny mofo tsy misy lalivay sy divay. Ary maninona isika no mbola mankalaza ny Paska ankehitriny? Satria naorina talohan'ny Fanekena voalohany izany.
Koa satria ny zanak'ondrin' Paska dia nosoloan'i Jesosy tamin’ny mofo tsy misy masirasira sy divay - ilay hany fanoloana izay nataony tsy nahy - ary tsy najanony hotandremana ny fanatitra fanaon’ny levita, dia porofo izany fa ireo fanatitra momba ny fivavahana ireo dia mandalo; tsy ilaina intsony izy ireo ankehitriny. Ny Paska, mazava ho azy, dia mbola ho tandremana, fa amin’ireo marika ao amin’ny Testamenta Vaovao.
FANAMARIHANA: Ny Apostoly Paoly dia nanazava fa ny fombafomba sy ny fanatitra dia "nanampy noho ny fahadisoana " - satria nandika ny lalàn'Andriamanitra ara-panahy ny Isiraelita.
Rehefa nanao fanekena tamin’ny Isiraely fahiny Andriamanitra, dia nanoratra ny Didy Folo teo amin'ny “vato fisaka roa”. Nandritra izany fotoana izany, dia nandidy an'i Mosesy koa izy hanoratra ao anaty boky ny lalàny sy ny didy mifehy ny fiaraha-monina. Na izany aza, io boky io tany am-boalohany dia tsy nisy lalàna mifehy ny sorona dorana, ny fisoronana ary ny fidiovana amin’ny fombam-pivavahana Nampian'Andriamanitra izany taty aoriana, ho fehezan-dalàna ankoatry ny didy momba ny fiaraha-monina, satria nandika ny lalàn'Andriamanitra ny Isiraelita.
Ireo lalàna momba ny fivavahana ireo, araka ny asehon'ny toko fito voalohany amin'ny Levitikosy, dia mitaky asa lehibe. Izany no nahatonga ireo nantsoina hoe "asan'ny lalàna" tamin'ny andron'ny Testamenta Vaovao (Gal.2:16).
Mariho koa fa ireo lalàna ireo, mikasika ny fombam-pivavahana sy tsy maharitra, dia tsy mamaritra ny ota. Izy ireo dia nilaina "hahatsiarovana ny ota". Ny lalàna ara-panahy kosa dia mamaritra ny ota. Manazava ny atao hoe ota izy ireo. Noho izany dia tsy maintsy mitandrina ireo lalàna ara-panahy ireo isika, tsy ara-bakiteny fotsiny ihany, fa kosa araky ny fanahy.
Raha ny momba ny fanatitra an-tsitrapo, mazava ho azyfa efa nisy talohan’i Mosesy ireny.
Hatrany am-boalohany, Ilay ho lasa Kristy dia nanolo-tena an-tsitrapo ho fanavotana ny olombelona amin'ny fahotany (Apok. 13: 8). Kaina sy Abela dia nanolotra fanatitra an-tsitrapo ho an'Andriamanitra (Gen.4:3-4). Saingy nandritry ny vanim-potoana nanomboka tamin'i Mosesy ka hatramin'i Kristy, dia nanjary tsy maintsy natao ny fanaovana sorona; voafetra tao amin'ny drafitry ny lanonana sy natao mivantana izany.
Nahoana?
Tsotra fotsiny - ary efa hitantsika izany tamin'ny lesona teo aloha - satria ny zanak'Isiraely dia vahoaka fizika, ara-nofo, ary ny Fanahy Masina tsy nampanantenaina azy ireo. Noho izany dia tsy afaka nanolotra ny tenany ho an'Andriamanitra izy ireo tamin'ny alalan'ny fanehoana ny fankatoavana Azy (Deo.29:4). Noho izany, Jehovah dia nandidy azy ireo hanao ny fombafomba momba ny fidiovana, hanolotra sorona biby, ary zavatra fizika hafa hasolo izany. Mila mitadidy izy ireo fa hatao sorona i Jesosy indray andro any. Mila mahalala izy ireo fa ny Fanahy Masina - izay manadio antsika ho afaka amin'ny fahotantsika rehetra - dia ho azo omena azy ireo indray andro any.
Ireo lalàn'ny fombam-pivavahana ireo dia lany andro rehefa maty ny Zanak'ondrin'Andriamanitra noho ny fahotan'ny olombelona, ary rehefa nanomboka nomena ny Fanahy Masina ho an'izay antsoin'Andriamanitra. Marihina fa tsy najanona izy ireo satria an'ny Fanekena voalohany - na ny Fanekena Taloha. Nampiana izy ireo taorian'ny fanamafisana ny Fanekena Voalohany (amin'ny fanekem-panambadiana), nifanaovan'i Kristy sy Isiraely (Eks.24). Ny fombafomba - na ny lalàna momba ny fombam-pivavahana - dia najanona, tsy voatery natao, rehefa natolotra Ilay tena sorona ho fanavotana noho ny ota.
Nandrava ny fifanarahana ny Isiraely
1. Mariho fa ao amin'ny "bokin'ny Fanekena", dia sorona iray ihany no resahina. Inona moa izany? Eks.23:18.
2. Rehefa nampidina ny Isiraely avy tany Egypta Andriamanitra, moa ve Izy nampahafantatra azy ny fepetry ny fanekeny, sady nampianatra azy momba ny fisoronana? Jer.7: 22-23.
Andeha hijery porofo hafa momba izany
3. Oviana ary nahoana Andriamanitra no nandidy ny Isiraelita hanao sorona? Gal.3:19.
4. Hafiriana no tokony hampiharina io lalàna fanampiny io? Gal.3:19. Mariho ireo teny hoe: "mandra-pihavin'ny taranaka". Inona no zava-kendren'ity lalàna momba ny asa ity? Gal.3:24; Heb.10: 1-12.
1. Ny Fanekena voalohany, voamarina tao an-tendrombohitra Sinay, dia fifanekem-panambadiana teo amin'i Isiraely sy Ilay Mpikambana amin'ny Ankohonan’Andriamanitra izay lasa Jesosy Kristy tany aoriana. Moa ve noravan'Isiraely ny fifanarahana? Jer.3:6-7; 11:10.
2. Masina Andriamanitra; Tsy miara-miaina amin’ny"fahotana" Izy. Voatery nisaraka tamin'ny "vadiny" ve Izy noho izany? Isaia 59:1-2. Nisao-bady tamin’ny Taranak’Isiraely ve i Kristy? Jer.3:8; Isaia 50:1.
Saingy, tsy nahatak’Andriamanitra tanteraka ny tranon'i Joda, na dia nobaboina vetivety koa aza izy noho ny fahotany (2Tan.36:14-21). Maro tamin'ny olona tao amin'ny Taranak’i Joda no nibebaka tamin'ny fahotany taorian'ny fahababoana. Niverina tany Palestina izy ireo, ary nanaraka ny fepetra napetraky ny Fanekena tao an-tendrombohitra Sinay. Kanefa kosa, lasa ‘hendry teo imason’ny tenany’ ny Taranak’i Joda, araka ny nasehon’ny Fariseo taona maromaro taty aoriana.
Ny Teny - izay ho tonga Jesosy Kristy - dia nanomana fanekem-panambadiana vaovao misy fepetra hafa. Maty i Jesosy Kristy, ilay Mpampakatra ny Taranak'i Joda, ka nahatonga ny fahafoanan'ny fanambadiany an'i Isiraely. Ny fahafatesany dia nanafaka azy tamin'ny fanekem-panambadiana. Afaka manambady indray Izy izao. Saingy tamin'ity indray mitoraka ity, dia hanambady vahoaka "ara-panahy" Izy - ny Isiraely mibebaka, voavela heloka, voadio amin'ny ota rehetra - izany hoe ny Fiangonan'ny Testamenta Vaovao, izay haterak'Andriamanitra amin'ny Fiverenany. .
Ho hitanao ny antsipiriany fanampiny. Zava-dehibe indrindra anefa ny fahazoanao ny liana ny Fanekena Vaovao.
Fanekem-panambadiana vaovao
1. Moa ve nampanantena i Jehovah fa hanao Fifanekena Vaovao – fifanekem-panambadiana vaovao - amin'ny Taranak'i Isiraely sy ny Taranak'i Joda, talohan'ny nahalasan'ny Taranak’i Joda ho babo (tao amin'ny Fanekena Taloha) noho ny fandikany ny Lalàny? Jer.31:31.
Mazava ho azy fa Andriamanitra dia nahalala fa ny Isiraely fahiny dia hanitsakitsaka ny Fanekena izay nifanaovany tamin'ny vahoaka. Tamin'ny alàlan'ireo tsy finoana nataon'ny Isiraely, dia tiany ny hampianatra ny zanak'olombelona lesona marobe.
5. Araky ny voalazan'ny Fanekena Vaovao, inona no kasain'Andriamanitra hatao? Heb.8:9-10; Jer.31:33. Amin'ny hery inona no hosoratana ireo lalàna ireo? 2 Kor.3:3.
Amin'ity indray mitoraka ity, mba hamongorana ny tsy fahatomombanana, dia tsy hifanaovana amin'ny Isiraelita fizika, nofo aman-drà, izay mety hanota, ny Fanekena Vaovao. Ity Fanekena ity dia hatao miaraka amin'ny Isiraelita nateraky ny Fanahy, izay nahazo famelan-keloka, olona izay hanana ny lalàn'Andriamanitra voasokitra ao am-pony sy ny sainy, ary tsy ho afaka hanota na handika ny Fanekena intsony. Ny Apostoly Jaona dia manambara fa amin'ny fotoana fitsanganan'ny maty, rehefa «ateraka indray» isika – izay efa fanahy - dia tsy ho afaka hanota intsony, rehefa hitafy ny fomba masin'Andriamanitra - ny toetran'Andriamanitra - ho mandrakizay (1Jaona 3:9; 2Pet.1:4).
Mifanohitra amin'ny eritreretin'ny olona maro, ny Fanekena Vaovao dia tsy hatao miaraka amin'ireo Jentilisa (ny mpanompo sampy). Ny Fanekena sy ireo fampanantenana dia natao ho an'i Isiraely (Romana 9:4). Ahoana ny momba ny hafa firenena? Avela eny an-jorony ve izy ireo?
Ireo Fepetry ny Fanekena Vaovao
Misy fampianarana be dia be, amin'ny kristianisma nentin-drazana, milaza fa ny lalàna avy amin'Andriamanitra dia tompon'andraikitra amin'ny tsy fahombiazan'ny Fanekena Taloha! Ny fanekem-pihavanana taloha dia midika ho Lalàna, fa ny Fanekena Vaovao - mifototra amin'ny fampanantenana fotsiny - dia manafoana ny Didy Folo. Nahoana no diso izany eritreritra izany?
1. Moa ve Ilay Tompo (Kristy) no irak'ilay Fanekena Vaovao? Malakia.3:1. Inona no hafatra notorin'i Kristy nandritry ny fanompoany? Marka 1:14.
Toa an'i Mosesy, izay mpanelanelana tamin'ny Fanekena voalohany, natao tany Sinay, i Kristy no Mpanalalana amin’ny Fanekena Vaovao. Tahaka ny nanorenan’ny fanambadian’I Jehovah an’Isiraely tao an-tendrombohitra Sinay ny fanjakana fizikan’Isiraely, ny fanambadian'i Kristy an'ny Fiangonana dia hanorina ny Fanjakan'Andriamanitra ara-panahy. Ny filazantsara izay notorin'i Jesosy - ny fitoriana ny Fanjakan'Andriamanitra – dia maneho ny vaovao momba an'io fanambadiana ho avy io.
2. Moa ve ny fibebahana sy ny finoana ny Filazantsara dia ampahany amin'ny fepetran'ny Fanekena Vaovao? Marka 1:15. Moa ve nandidy ireo mpianany i Kristy hampianatra an'izao tontolo izao ny fepetran’ny Fanekena Vaovao? Matio.28:19-20.
Moa ve vonona ho amin’ny fampakaram-bady?
Toy ny fofom-bady iray izay miomana ho amin'ny fampakaram-bady, ny kristiana notorontoronin’ny Fanahy dia tsy maintsy miomana ho amin'ny "fanambadiany" an'i Kristy ho avy. |
3. Moa ve mitaky fankatoavana ny Didy Folo ny Fanekena Vaovao? Matio.19:17-19.
4. Misy ireo milaza fa Jesosy dia tonga mba hanafoana ny lalàn'Andriamanitra rehetra - anisan'izany ny lalàna sy ny didy izay tafiditra tao anatin'ny fanekena voalohany. Inona no nolazain'i Kristy momba an'io? Matio.5:17-20.
Ny Fiangonan'Andriamanitra dia miorina amin'ny fanorenan'ny Apostoly sy ny mpaminany, ary i Jesosy Kristy no « fehizoro indrindra » (Efesiana 2:20). Ny ankamaroan'ireo fotopampianarana sy fampianarana ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra ao amin'ny Testamenta Vaovao dia avy amin'ny asa soratry ny mpaminany, voatahiry ao amin'ilay antsoina hoe Testamenta Taloha.
5. Nanambara ve ny faminaniana fa ho avy i Jesosy mba hahalehibe ny Lalàna? Isaia 42:21.
6. Moa ve nasehon'i Kristy fa tsy ampy ny fankatoavana ny Lalàna ara-bakiteny, fa tokony hitandrina izany koa "araky ny fanahy" isika? Matio.5:21-22, 27-28.
7. Moa ve Kristy nanamafy - nampahafantatra - ny hevitra ara-panahin’ny lalàna sy didy sasany? Matio 5:38-42. Fa inona ny tanjona manokana tokony hankatoavana ireo lalàn'Andriamanitra, araky ny fanahy? Matio 5:48.
Ao amin'ny andininy 38-42, dia notanisainy ny Fanekena Taloha ¬ Eks. 21:24. Nambarany fa ny tena kristiana dia tokony hanaiky hijaly tsy ara-drariny, raha ilaina izany (jereo koa ny 1Pet.2:19-20; Romana 13:1-7). Nohamafisiny, ho an'ny Fiangonan'ny Testamenta Vaovao, ny FAMPIHARANA ny lalàna sivily izay nampahafantarina ny Isiraely fahiny. Tsy nanafoana ireo i Kristy,fa nahalehibe izany. Nataony mendri-kaja kokoa izany (Isaia 42:21).
8. Efa hitantsika fa ny lalàn'ny fombam-pivavahana ao amin'ny Testamenta Taloha dia nisarika ny saina tamin’ny sorona lehibe indrindra hataon'i Kristy. Koa satria i Kristy efa natao sorona, moa ve mbola mila manao sorona isika ankehitriny? 1Pet.2:5; Rom.12:1.
Miomana ny ampakarina
Ny Fanekena voalohany dia nifanaovana tamin’ny firenena iray, raha vao nampanantena ny hankatoa ity farany. Saingy tsy nankatoa izy. Ny Fanekena Vaovao dia hatao miaraka amin’ny Fiangonana nateraky ny Fanahy fotsiny ihany – vondron’olona izay, nandritra ny fiainany ara-batana, dia notorontoronin’ny Fanahy Masina ary efa naneho ny fahavononany hankatoa an'Andriamanitra. Ny Fanekena Taloha dia nifanaovana tamin'ny olona mpanota sy mety maty. Ny Vaovao dia hifanaovana amin'ny olona nanjary tonga lafatra sy tsy mety maty. Zava-dehibe ny mahatakatra an'io resaka io.
Na izany aza, alohan'ny hanambadiany ny Fiangonana, Jesosy dia mikasa ny "hanadio" azy amin'ny fahotany, amin'ny herin'ny Fanahy Masina (Efesiana 5:26). Amin'ny farany, amin'ny fitsanganana amin'ny maty, rehefa hateraky ny Fanahy ny Fiangonana, izy dia ho "tsy hisy pentimpetina, na fiketronana" - afaka tamin'ny ota. Hitafy ny fahamasinana sy ny fahatanterahan'ny Ankohonan’Andriamanitra izy (2Pet.1:4; 1Jaona 3:9). Ho afaka hankatoa tanteraka an'i izy, ho amin'ny mandrakizay. Avy eo i Kristy dia hanambady ny Fiangonany, izay mankatoa Azy tanteraka.
2. Nahoana ny Fanekena Vaovao no tsara lavitra? Hebreo 8:6. Mariho ny fehezan-teny hoe: "izay natao tamin'ny teny fikasana tsara lavitra ". Moa ve ny Fanahy Masina dia iray amin'ireo fampanantenana tsara lavitra ireo? Hebreo 8:10; 2Kor.3:3.
Na dia mbola tsy tanteraka aza ny Fanekena Vaovao - ny fifanekena nataony tsy mbola voasonia, nasiana tombo-kase ary nohamafisina - ny Fanahy Masina dia manomboka mandatsaka ny Lalàn'Andriamanitra ao am-pon'ireo izay antsoin'Andriamanitra. Afaka mahazo ny Fanahin'Andriamanitra izy ireo ankehitriny, izay maha-torontoronina azy ireo amin'ny fiainana, izay manampy azy ireo handresy ny ota, izay manokatra ny sainy amin'ny fahatakarana ny zavatra ara-panahy, ary mitarika azy ireo amin'ny lalan'Andriamanitra. Efa azon'izy ireo ny Fanahy Masina - ary afaka manome azy ireo ny hery handresena an'i Satana sy hanaovany ny asan'Andriamanitra izy.
3. Ahoana no handraisana ny Fanahy Masina? Asan’ny Apostoly 2:38. Moa ve lasa anisan’ny tena (na Fiangonana) an'i Kristy isika amin’izany? 1Kor.12:12-13. Inona no tokony hataon'ny kristiana notorontoronina raha vao lasa mpikamban'ny Fiangonan'Andriamanitra izy ireo - vadin'i Kristy amin'ny ho avy? 2Pet.3:18; Apok.21:7; Mat.24:13.
Ireo no fepetra takiana mba ho tafiditra ao amin'ny fifanekem-panambadiana amin'ny Fanekena Vaovao, ary mba hanambadiana an'i Kristy amin'ny fitsanganan'ny maty. Avy eo, ny taranaka ara-panahin’i Abrahama - ny mpandova azy amin'ny alàlan'i Kristy - no handova ny zavatra hafa mahatalanjona rehetra nampanantenain'ny Fanekena Vaovao; izany hoe ny fiainana mandrakizay, ny toetra maha-zanakalahy ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra, ny fahefana hiara-manjaka amin'i Kristy eo amin'ireo firenena, ary ny tany ho lova mandrakizay!
Ireo izay nantsoin'Andriamanitra handray anjara amin'ity fifanarahana ara-panambadiana amin’ny Fanekena Vaovao ity dia miomana hanambady an'i Kristy rehefa hiverina Izy.
Ny hafa, nantsoina nandritry ny taona maro, izay nanaraka ny lalan'Andriamanitra mandra-pahafatiny, dia efa nomanin'Andriamanitra ary miandry ny fitsanganana amin'ny maty. Rehefa tonga ity farany, dia handray anjara amin'ny Fanekena Vaovao ihany koa izy ireo.
Aorian'ny fiverenany, i Jesosy dia hanohy hanolo-kevitra ny olombelona, mandritry ny Fanjakana Arivo Taona, mba handraisany anjara amin'ny Fanekena Vaovao. Toy izany koa no hitranga amin'ireo olombelona mety maty izay hatsangana amin'ny maty mandritry ny vanim-potoan'ny fitsaran’ny Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe, aorian'ny Fanjakana Arivo Taona. Mandritra io fotoana io no hahatonga ny Israelita taloha mba ho mpiombona amin’ity Fanekena Vaovao ity izy ireo, miaraka amin'i Kristy.
4. Ahoana no amaritan'ny Baiboly ny fanambadiana be voninahitr’i Kristy – dia ny Zanak'ondry? Apok.19: 6-9. Moa ve ny Fiangonan'Andriamanitra ho vonona hanambady an'i Kristy amin’ny fiverenany? Andininy 7. Efa nodiovina noho izany ve izy? Andininy 8. Moa ve ireo olo-masina natsangana amin'ny maty ireo no hanambady an'i Kristy? Andian-tsoratra mitovy.
Ho any ve ianao?
Manakaiky manao dingan-dava ny fotoanan'ireo fanambadiana ireo. Araka ny nosoratan'ny Apostoly Jaona hoe: "Sambatra izay nantsoina ho amin'ny fanasana fampakaram-badin'ny Zanak'ondry" (Apok.19:9).
No comments:
Post a Comment