Inona no Tanjon'Andriamanitra ho an'ny Olombelona? - Andriamanitra dia Ankohonana

 

Ambasadaoro Kolejy - Toko faha-24

INONA NO TANJON'ANDRIAMANITRA HO AN'NY OLOMBELONA?

Andriamanitra dia nahary ny olombelona ho amin'ny tanjona mahatalanjona, nefa vitsy no nahatakatra an'io tanjona io! Ny Baiboly dia manambara ny hery mitatao amin'ny olombelona izay tsy mampino. Mampiseho ny fomba hanatanterahan'Andriamanitra ny tanjony be voninahitra eto an-tany izy!

               Aoka hatao hoe nahazo fitsangatsanganana maimaim-poana ianao izao. Tsy te hahafantatra izay alehanao ve ianao, ny fomba ahatongavanao any, ary ny mombamomba an’ilay dia, arak’izay azo atao?
               Ny fiainantsika mety maty ankehitriny dia azo ampitahaina amin’ny dia lavitra. Na izany aza, firy no mahalala- na efa nieritreritra fa misy zavatra tian'Andriamanitra lazaina amin’izany dia izany?
               Raha ny marina Andriamanitra dia manambara, amin'ny alàlan'ny Teniny nomeny ara-tsindrimandry, ny tanjona tsy mampino amin'ny diantsika! Manome antsika ny làlan-kaleha amin'io dia io Izy, ary milaza amintsika ny zavatra mahatalanjona hataontsika rehefa tonga any isika. Fa mba hampisy fahombiazana feno amin’ny diantsika, dia tsy maintsy manaraka tsara ny planin’ny fitsangatsanganana nomaniny ho antsika isika.
               Inona marina no tanjona kendrena, na lahatra, ho an'ny zanak'olombelona, dia ilay ho avy mahatalanjona izay nomanin'Andriamanitra ho anao?

Olombelona hanjaka

            Davida, Mpanjakan'ny Isiraely taloha, dia nisaintsaina momba ny fikasan'Andriamanitra tamin’ny namoronany ny olombelona. Nandinika ny lanitra feno kintana izy, ary dia nahazo tsindrimandry hanoratra hoe: "… Jehovah, Tomponay ô…Raha jereko ny lanitrao, izay asan'ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy? " (Sal.8:1, 3-4.)

               Rehefa jerena avy ety ambony ny olombelona, any amin'ny arivo metatra maromaro, dia toy ny vitsika kely tsy misy dikany! Eny, nahoana Andriamanitra no tokony hanahy momba ireo olona marefo ireo?
               I Davida eto dia manondro ny "fahefana “ na ny fanjakan’ny olombelona izay nomen'Andriamanitra ny olona tamin'ny namoronany an'i Adama. Anisan'izany ny tany mafy orina, ny habakabaka, ny ranomasina ary ny zavaboary rehetra izay noforonin’Andriamanitra (Gen.1:26-28). Ireny dia eo ambany fahefan'ny olombelona amin'izao fotoana izao, na amin'ny ampahany na manontolo.
               Fa ao amin'ny Soratra Masina ao amin'ny Testamenta Vaovao, voasoratra taoriana kely kokoa, dia misy lahatra sy fahefana lehibe lavitra ho an'ny olombelona nambara!

            Ny fifandraisana misy eo amin'ny olona sy ny kintana dia nanomboka naseho tamin'i Davida, satria hoy hatrany izy: "Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana”. Nahoana Andriamanitra no nanao izany? “Efa nampanjakainao amin'ny asan'ny tananao izy; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin'ny tongony, dia ny ondry aman'osy sy ny omby rehetra, ary ny bibidia koa, mbamin'ny voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina,izay mandeha amin'ny lalan-dranomasina"(andininy 5-8).

Ny hery mitatao mahatalanjon’ny olombelona

            Ao amin'ny bokin'ny Hebreo dia mamaky isika hoe: "Fa tsy anjely no nampanekeny ny fiainana ho avy, izay lazainay"(Heb.2:5). Ny lohahevitry ny tapany voalohany amin'ity toko ity dia" ny tontolo ho avy "- ny Fanjakana Arivo Taona ary ny aorian'izany!

               Avy eo, manomboka amin'ny andininy 6, dia misy teny nalaina avy tao amin'ny Sal.8:4-6 amin'ny. Ary koa, ny mpanoratra ny bokin'ny Hebreo dia mampiseho fa Andriamanitra dia nametraka ny tany mafy, ny atmosfera eto an-tany, ny ranomasina ary ny zava-manan'aina rehetra ho eo ambany fanapahan’ny olombelona. Saingy ny mpanoratra dia nahazo aingam-panahy hahita zavatra lalina tsy manam-petra izay hitranga amin'ny olona any amin'ny tontolo ho avy.
               Izany dia manambara fahalalana ny fikasan'Andriamanitra ho amin’ny zanak'olombelona- ny hery mitataon’ny olona, izay mahatalanjona sy tsy mampino – izay mihoatra noho izay eritreretintsika! Tsy fantatry ny siansa ny momba an'izany. Ny fampianarana ambony dia tsy mahalala an'izany tanteraka. Ary azo antoka fa tsy misy antokom-pivavahan'ity tontolo ity mahalala an’izany.
               TSY MISY izay tsy nampanekeny azy!
               Ilay teny grika nadika hoe "ny zavatra rehetra" dia hita koa ao amin'ny Hebreo 1:2-3. Ny dikan’izay voalaza ao amin'ny Hebreo 2:8 dia ny Onivera manontolo.
                    Fa inona no hitantsika ankehitriny? "Fa Ilay natao ambany kely [vetivety] noho ny anjely no hitantsika, dia Jesosy…voasatroka voninahitra aman-daza … " (Hebreo 2:9) .Ny olombelona, afa-tsy Kristy, dia tsy mbola voasatro-boninahitra sy laza. Saingy amin'ny vanim-potoana vaovao izy, mbola ho avy, dia ho voasatrokaI Kristy velona dia efa “mihazona ny zavatra rehetra amin’ny heriny” masina tsy manam-petra (Hebreo.1:3). Ny Hebreo 2:8 dia mampiseho koa ny fahamboniany noho ny anjely amin'ny maha Zanakalahy notorontoronina sy naterak'Andriamanitra Azy.
               Ny anjely dia fanahy noforonina tsirairay avy. Tsy hitan'ny mason'olombelona izy ireo ary mpanompon'Andriamanitra, manompo an'ireo izay any amin'ny ambaratonga ambany kokoa ankehitriny, fa mpandova ny famonjena. Ny Baiboly dia manambara fa ireo mpandova ireo dia ho lasa zanak’Andriamanitra, ateraky ny Fanahy, ary mpikambana ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra manjaka, tahaka an'i Kristy ankehitriny! (Heb.1:4-14.)
               Endrey izany lova mahafinaritra sy mahatalanjona nomanin'Andriamanitra ho an'ireo zanany notorontoronin’ny Fanahy! Mpandova an'ny Tsitoha izy ireo ary mpiara-mandova amin'i Kristy, handova ny Onivera manontolo! (Rom.8:14-17.)

            Andeha hotohizana ity vakiteny ao amin’ny Epistily ho an'ny Hebreo ity, aorian’ny fitanisana ny Salamo 8. Ny hery mitatao mahatalanjon’ny olombelona dia ambara ao toy izao: "Ny zavatra rehetra dia efa nanpanekenao ho eo ambanin'ny tongony.Fa tamin'ny nampanekeny azy ny zavatra rehetra, dia tsy nisy izay tsy nampanekeny azy"(Heb. 2: 8).

            Raha lazaina amin'ny teny hafa, dia manambara amintsika Andriamanitra fa ny Onivera tsy manam-petra, miaraka amin'ireo vahindanitra rehetra, ny kintana sy planeta tsy hita isa - ny zava-drehetra - dia hapetraka eo ambany fahefan'ny olombelona amin'ny farany! "…Nefa ankehitriny tsy mbola hitantsika fa efa ampanekena azy [ny olombelona] ny zavatra rehetra [ny Onivera]” (andininy 8). Aza adino, ity dia miresaka ny "tontolo ho avy " - fa tsy ny tontolo ankehitriny. Ny olona dia hapetraka eo ambonin'ny "zavatra rehetra" aorian'ny fahatontosana tanteraka ny planin’Andriamanitra ho an'ny olona ety ambonin'ity tany ity - aorian'ny maha-lasa mpikambana ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra nyolombelona.

Ny anton’ny namoronana ny Anjely

               Izay noforonin'Andriamanitra dia tohanany. Izay noforoniny, dia noforoniny ho amina tanjona iray. Tiany mba hampiasaina izany - ampiasaina tsara – kojakojaina ary hatsaraina. Ny fampiasana, fikojakojana ary fanatsarana ny zavatra noforoniny dia fehezin'ny fitondram-panjakan'Andriamanitra.
               Tany am-boalohany, ity tany ity dia natao ho toeram-piofanan'ny ampahatelon'ny anjelin'Andriamanitra. Tamin'ny famoronana ny tany, hitan'ireo anjely fa tsara tarehy izany, ka niara-nihira tampoka noho ny hafaliany izy ireo! (Joba 38: 4-7.). Nomena tombontsoa lehibe izy ireo mba hikarakara ny tany, hampamokatra azy, hitahiry sy hampitombo ny hatsarany.
               Ny famoronan'Andriamanitra tany am-boalohany dia toy ny fanaka mbola tsy vita amidy any amin’ny magazay sasany. Ireny fanaka ireny dia efa vita, afa-tsy ny fanosorana varinesy, ny fandokoana ary ny fiborosiana azy farany. Ny fanaka toy izany dia mety manana kalitao faran'izay tsara- kanefa tsy mbola misy ny fanatsarana azy farany.
Dia toy izany koa ny zavaboarin'Andriamanitra. Ny Onivera, miaraka amin'ireo vahindanitra marobe, sy ireo rafitra manodidina ny masoandro izay misy planeta maro toy ny tany izay misy antsika, dia tonga lafatra tamin’izy ireny noforonina, saingy azo oharina amin'ny fanaka kanto, izay tsy ampy fikojakojàna farany, izay tian'Andriamanitra hotanterahin'ireo anjely.
               Ny famoronana "tsy vita" tany am-boalohany dia asan'Andriamanitra. Tonga lafatra sy milamina izy io. Nefa Andriamanitra dia nikasa fa ny anjely no hikolokolo sy hamita ity ampahany amin'ny famoronana ity, ka hanao ireo fikasihana farany ho fanatsarana ny endriny sy hamita ireo dingana famaranana izay ho lasa ny famoronana vita tanteraka! Tian'ny Tsitoha hozaraina amin’ny anjely rehetra ny hafaliana amin'ny famoronan-javatra!
               Ary na nambara na tsy nambara tamin'ny anjely aza izany zavatra izany, izany no natao dia ho fitsapana sy fizahan-toetra lehibe indrindra, hahitana raha hanohy hankatoa ny fitondram-panjakan'Andriamanitra izy ireo, amin'ny fanatanterahana ny asa fampihaingoana sy famitana ny tany. Raha nanaraka tamim-pinoana ny torolalan'Andriamanitra izy ireo, dia ho nanankinina andraikitra hanome endrika an'ireo planeta hafa an-tapitrisany maro izay miparitaka any amin’ny Onivera midadasika sy tsy manam-petra any!
               Io no otri-kery izay nokasain'Andriamanitra tao an-tsainy ho an'ireo anjely noforoniny tany am-boalohany.

Lehibe lavitra ny otri-kerin'ny olombelona!

               Raha tokony hanohy ny planin’Andriamanitra ho azy ireo ampahatelon'ny anjely, dia nikomy tamin'ny fitondram-panjakan'Andriamanitra izy ireo. Tamin'ny farany dia nanandrana ny hanolo an'Andriamanitra sy haka an-keriny ny fibaikoana ny Onivera. Ny fitantarana an'io ota io dia aharihary ao amin'ny Isaia 14 sy Ezekiela 28.
               Tsapan'Andriamanitra fa tsy misy afa-tsy Persona roa no tsy hanota mihitsy, dia ny Tenany sy ny Teny, izay lasa Jesosy Kristy taty aoriana. Ny mpikambana ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra ihany no manana ny toetra masina sy marina.
               Ka ahoana ary no hanatanterahana ny fanatsarana farany sy ny famitana ny Onivera tsy manam-petra? Amin'ny alàlan'ny fanampiana mpikambana maro hafa ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra, izay hanana toetra masina sy marina mitovy amin'ny an’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Zanaka ihany.
               Noho izany Andriamanitra dia namorona ny olombelona mba hahafahany hahatorontoronina mpikambana maro hafa ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra.
               Izy ireo dia hanampy amin'ny famerenana amin'ny laoniny ny fitondram-panjakan'Andriamanitra ety an-tany rehefa vita ny fiofanan'izy ireo ara-nofo ary ho teraka ao amin'ny Ankohonany izy ireo.
               Avy eo dia hanohy hamita ny famoronan'Andriamanitra izy ireo, hanitatra ny fanjakan'Andriamanitra hatrany amin'ny faran'ny Onivera!
               Adama dia tokony ho nifototra nankatoa an Andriamanitra fa tsy nahomby. Raha nankatoa izy, ny fankatoavany dia nahatonga azy ho mendrika ny hisolo an'i Satana, izay mpanapaka ny tany tamin'izany sy amin’izao fotoana izao. Rehefa tsy nahomby tamin’ny fanoloana an'i Satana i Adama, dia tsy nahomby koa tamin’ny fikolokoloana sy ny fanatsarana ny Saha Edena izay nametrahan'Andriamanitra azy koa i Adama.

Ny Tany toeram-piofanantsika

               Nomen'Andriamanitra antsika ity tany ity ho toeram-piofanana, ary ity fiainana mety maty ity ho fotoana hampiofanana antsika. Araky ny nianarantsika tamin'ny lesona teo aloha, dia ho nahazo ny Fanahy Masin'Andriamanitra i Adama raha nihinana ny voan'ny hazon'aina. Mety ho nampanomboka ny fizotran'ny fitomboan’ny toetra ara-panahy izy, ary amin'ny farany dia ho teraka tao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra. Ho nomena azy ny anjara ahafahany mamita ny famoronana ny tany sy ny sisa amin'ny Onivera. Saingy tsy nanomboka ny fandaharam-piofanana mihitsy i Adama
               Ka Kristy, Ilay Adama faharoa (1Kor.15:45, 47), izay tonga teto an-tany tokony ho 4000 taona taty aoriana mba hahafeno ny fepetra hisolo an’i Satana, dia nandresy! Nahafeno ny fepetra mba hamerina amin'ny laoniny ny fitondram-panjakan'Andriamanitra eto an-tany izy, ary hanankinana ny andraikitra amin'ny famitana ny famoronana ny Onivera.
               Kristy koa dia tonga kapiteny na mpitarika antsika amin’ny famonjena antsika (Heb 2:10). Izy izao dia mipetrana eo amin'ny Seza Fiandrianan'Andriamanitra any an-danitra amin'ny maha Mpisoronabe-ntsika Azy. Izy dia manampy ireo Kristiana notorontoronin’ny Fanahy mba ho mendrika ny ho tonga mpanampy azy mandrakizay. Miaraka amin'ny fanampian'i Kristy amin'ny alàlan'ny Fanahiny, ny mpikamban'ny Fiangonan'Andriamanitra dia mitombo amin’ny toetra araka an'Andriamanitra, amin'ny fankatoavana ny Lalàn'Andriamanitra mandritra ity fiainana mety maty ity, izay fotoam-piofanan'izy ireo.
               Ny otri-kery mitatao tsy mampino hananantsika dia ny ho tonga mpikambana masina, tsy misy ota, mahery ary hateraka ara-panahy ao amin'ny Ankohonan'Andriamanitra masina sy manjaka! Ny fahaterahantsika ara-panahy ao amin'ny Ankohonany dia hahatonga antsika ho ANDRIAMANITRA tahaka ny Ray sy Jesosy Kristy ihany!
               Eny, Andriamanitra dia namorona ny olombelona hanana otri-kery lehibe lavitra noho ny anjely, satria tsy misy anjely afaka ho lasa Zanaka naterak’Andriamanitra izany mihitsy. Andriamanitra dia eo am-piterahana ny tenany amin'ny alàlan'ny zanak’olombelona amin’izao fotoana izao. Izy izao dia mamokatra Zanak'Andriamanitra maro izay azo itokiana fa tsy hanota mandrakizay, izay tsy hikomy na oviana na oviana amin'ny fitondram-panjakan'Andriamanitra toa an'i Losifera, fa hankatoa lalandava ny Rainy ara-panahy.
               Andao atomboka ny fianarantsika ny Tenin'Andriamanitra amin’ity lesona ity, mba hianarana bebe kokoa ny antsipirian'ny tanjona be voninahitr'Andriamanitra ho an'ny olombelona.

 


LESONA 24

Andriamanitra Dia Ankohonana

               Ny Baiboly dia manambara fa teraka ho amin'ny tanjona mampahatahotraa sy mahate-hanaja isika. Saingy vitsy no tena mahatakatra hoe inona izany tanjona izany. Mba hahatakarana tsara Ny fikasan'Andriamanitra be voninahitra ho an'ny olombelona, andao atomboka amin'ny Genesisy toko voalohany ity fandinihana ity.
 
1. Inona no ambaran'ny teny voalohany indrindra amintsika momba an'Andriamanitra ao amin'ny Baiboly? Gen.1:1. Moa manondro mazava ve ny Baiboly fa misy Persona mihoatry ny iray ao amin’Andriamanitra? Andininy 26. (Mariho ny mpisolo anarana hoe "isika" sy hoe" endritsika” sy ny “tarehintsika" miresaka an'Andriamanitra ao amin'ny Genesisy 1:26
FANAMARIHANA: Araka ny nianarantsika tamin'ny lesona teo aloha, ilay teny hebreo tany am-boalohany nadika hoe "Andriamanitra" ao amin'ny Genesisy 1:1 ary mandritry ny fitantarana ny famoronana dia Elohim. Io dia anarana iray, milaza fahamaroana, midika fa mihoatry ny iray, tahaky ny teny hoe fiangonana, fianakaviana na ankohonana, ary fanjakana. Toy ny fisian’ny fanjakan'ny biby ary ny fanjakana na fianakavian'olombelona, ny Genesisy 1 dia maneho fa misy koa ny Fanjakan’ANDRIAMANITRA na Ankohonana!
               Iray Andriamanitra, fa Andriamanitra dia Ankohonana iray misy mpikambana mihoatry ny iray. Elohim, izay midika hoe "Ilay Mahery," no anaran'ilay Ankohonan’Andriamanitra.
 
2. Firy ny isan'ireo Persona masina misy ankehitriny ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra? Jaona 1:1-2. Ilay "Teny" ve no namorona ny zava-drehetra? Andininy 3. Lasa Iza ny Teny tao aoriana? Andininy 14. Iza ary ny Teny? Efes.3:9; Heb.1:2. Ary iza no mpikambana masina hafa ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra? 1Kor.8:6.
FANAMARIHANA: Jaona 1:1 sy Genesisy 1:1 dia mamerina antsika any amin'ny fotoana iray mitovy any amin'ny “préhistoire” – any amin’ny famoronana voalohany ny Onivera. Ireo andininy roa ireo dia samy manambara fa ireo persona roa faratampony, izay ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra, no namorona ny zava-drehetra.
               Ilay teny grika nadika hoe "Ny Teny" ao amin'ny Jaona 1:1 dia Logos. Io dia midika hoe "mpitondra teny" na "ilay miteny". Noho izany, ilay Logos - ilaymiteny, ny Teny ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra- no "niteny, ary dia  nisy izany [ny zavaboary], dia natao" tamin'ny herin'ny Fanahin'Andriamanitra (Sal.33:6-9; 104:30). Ary noho izany, ny zava-drehetra dia noforonina sy nataon'ilay Persona masina ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra, izay lasa Jesosy Kristy olombelona taty aoriana.
3. Rain'i Jesosy Kristy ve Andriamanitra? Jaona 1:14, 18,34.
FANAMARIHANA: Efa ho 2 000 taona lasa izay, ilay Andriamanitra masina izay nahary ny zava-drehetra dia notorontoronina tao an-kibon'i Maria virijina, avy tamin'Andriamanitra ; Vokatr'io faha-torontoronana mahagaga io, dia lasa Zanaky ny Ray Izy. Nefa, tamin'io fotoana talohan'ny tantara noresahan’i Jaona 1:1 io, dia tsy mbola Zanak'Andriamanitra ny Teny. Taty aoriana vao « lasa Zanak’Andriamanitra » Izy. Mbola notorontoronin’Andriamanitr aloha Izy, ary naterak'i Maria ho olombelona ; Avy eo, naterak'Andriamanitra ho Andriamanitra masina ny Teny,amin’ny maha-Andriamanitra Azy.
Noho izany Jesosy dia tonga Zanak'Andriamanitra. Noho izany, dia nantsoiny hoe Ray Ilay persona ambony lehibe izay lohan'ny Ankohonan’Andriamanitra. Ny teny hoe Ray dia anaram-boninahitry ny fianakaviana, izay an'ny lohan'ny fianakaviana! Ny fifandraisan’ny Ray sy ny Zanaka kosa dia fifandraisan'ny mpianakavy.

 

Andriamanitra hanitatra ny Ankohonany

               Roa ihany ny mpikambana ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra na Fanjakan’Andriamanitra amin'izao fotoana izao – dia Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Zanaka. Fa ny Baibolinao dia manambara fa Andriamanitra dia andeha hanitatra ny Ankohonany manjaka eo amin'izao tontolo izao. Ary afaka ny ho tonga mpikambana ao amin'izany Fianakaviana ara-panahy izany mandrakizay ianao! Jereo fa mahatalanjona izany fahamarinana hazavaina ao amin'ny Baibolinao izany.
 
1. Araky ny "endrika" sy "tarehin’"iza no namoronana ny olombelona? Gen.1:26-27; Jak.3:9, tapany farany.
FANAMARIHANA: Amin'ny lamina nomen'Andriamanitra ny fiainana rehetra, ny karazana iray dia miteraka toy ny karazany. Toy ny zavamaniry na biby tsirairay avy miteraka araky ny karazany, ka ny miteraka ny olombelona dia olombelona ihany. Fa tsy toy ny biby hafa rehetra, nyolombelona dia noforonina araky ny "endrik" sy ny "tarehin'Andriamanitra".
               Nataon'Andriamanitra mitovy endrika Aminy ny olona, mitovy tarehy sy bika Aminy. Ny fahamarinana mahavariana dia ny fikasan'Andriamanitra hamorona ny olombelona araky ny karazan’Andriamanitra!
               Raha lazaina amin'ny fomba tsotra, dia miteraka ny tenany Andriamanitra. Ny olombelona rehetra dia manana ny hery anaty mahatalanjona mba ho lasa zanak'Andriamanitra ara-bakiteny, mpikambana amin’ny Ankohonan’Andriamanitra manokana!
 
2. Moa ve mazava fa Andriamanitra dia milaza ny fikasany hampitombo ny Ankohonany masina amin'ny fitondrana Zanaka maro ao anatiny? Heb.2:9-11; Apok.21:7.
FANAMARIHANA: Ny ankamaroan'ny andinin-tSoratra Masina mifandraika amin'ireo zanak'Andriamanitra ara-panahy dia miresaka azy ireo ho zanakalahy. Izany no izy dia satria Andriamanitra dia resahina ao amin'ny Baiboly ho lahy. Na izany aza, iray ihany isika rehetra ao amin'i Kristy (Gal.3:26-28), ary tsy hisy lahy sy vavy intsony rehefa haterak'Andriamanitra (Mat. 22:30).
 
3. Marina ve fa ireo izay notorontoronin’ny fanahy no tena Kristiana-efa zanak'Andriamanitra sy mpandova ny Ankohonan’Andriamanitra? 1Jaona 3:1-2; Rom.8:16-17.
FANAMARIHANA: Araky ny nianarantsika tamin'ny fianarantsika teo aloha, ny kristiana niova fo amin’izao fotoana izao dia zanaka notorontoronin’Andriamanitra; nefa mbola tsy nateraka ho zanak'Andriamanitra izy ireo. Hateraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra izy ireo amin'ny fiverenan'i Jesosy Kristy. Noho io antony io, Andriamanitra dia nanorina ny fifandraisam-pianakaviana teo amin’ny zanak’olombelona. Anisan’ny fiofananany izany hanomanany ny fahaterahany ara-panahy ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra. Tsy misy zavaboary hafa, na anjely na biby, manana an'io fifandraisana io.
               Andriamanitra dia nanorina ny fianakavian'olombelona ho maodely fizika ho an’ny fianakaviany masina. Tiany ny olombelona mba hianatra ny lesona lehibe indrindra ampianarin'io fifandraisam-pianakaviana io (vakio ny Efesiana 5: 21-33).
FANAMARIHANA: Ny fifandraisan'ny mpianakavy dia mitaky ny fifandraisan'ny mpivady. Ary izany dia mitaky fanambadiana, fifankatiavana ary fahatokiana amin’ny fifamatorana ara-panambadiana. Ny zanaka notorontoronin’Andriamanitra no namorona ny Fiangonan'Andriamanitra. Ary ny fiangonana, amin'ny maha-vatana azy, no ilay Fofombady Ampakarin'i Kristy, hanambady an'i Kristy amin'ny fotoana Fiaviany Fanindroany, rehefa tonga ny fitsanganana voalohany.
               Ny fanambadian'ny fiangonana amin'i Kristy ho avy dia porofo fanampiny fa ny Fanjakan'Andriamanitra dia Ankohonana- miaraka amin'ny Ray, ny Zanaka ary ny Vady-ary Andriamanitra dia manitatra ny Ankohonany masina! Andeha hotohizana lavidavitra kokoa ny lesona.
5. Moa ve ny olona mbola velona amin'ny fiavian'i Kristy dia hofehezina sy ampianarin'i Kristy ary ireo olo-masina izay efa novàna ho tsy mety maty - ireo izay ho lasa vadin'i Kristy miaraka? Dan. 7:18, 27; Apok. 2: 26-27; 5:10; 20: 6.
FANAMARIHANA: Ny olombelona mety maty eto an-tany, dia hampianarina ary hofehezin'ny olona tsy mety maty. Ireo izay mitady ny famonjena, amin'ny alalàn'i Kristy, dia handray ny fanomezana ny Fanahy Masin’Andriamanitra. Ary, aorian'ny fiainana nitomboana tamin'ny toetran'Andriamanitra, araky ny tokony hataon’ny zanak’Andriamanitra notorontoronin’ny Fanahy ankehitriny, dia hateraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra izy ireo.
               Noho izany ny fanambadian'ny fiangonana an'i Kristy dia hitondra zanak'Andriamanitra fanampiny noho ny faha-torontoronana sy fahaterahan’ny mpikambana an-tapitrisany maro teraka ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra, mandritra ny Fanjakana Arivo Taona hanjakan'i Kristy sy ny olona masina!
               Ny olona, ary ny olona ihany, amin'ny karazan'ny zava-manan’aina rehetra izay noforonin'Andriamanitra, no afaka ho teraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra, dia ny Fanjakan'Andriamanitra. Koa satria napetraka teto an-tany ny olombelona mba ho torontoronin’Andriamanitra, ary avy eo ho teraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra, Jehovah dia nanome azy ireo ny fahafahana hanana fifandraisam-pianakaviana, izay fanomezan’Andriamanitra ho an'ny olombelona irery ihany.
               Endrey izany tombontsoa mahafinaritra, nanomezan’Andriamanitra antsika ny fahafahana hanana fifandraisana ara-panambadiana sy fifandraisan'ny mpianakavy - mba hahazoantsika hiomana mialoha hanambady ara-panahy an'i Kristy, sy hanana Fianakaviana masina ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra mandrakizay!

 

4. Moa ve ny Kristiana notorontoronin’ny Fanahy koa ve no ilay fofom-badin'i Kristy, ilay ho vadiny rahatrizay? Efes.5:25-27; 2Kor.11:2; Apok.19:7-9.

 

Kristy Zanaka Lahimatoa

1. Moa ve i Jesosy Kristy tokoa no lahimatoa amin'ny Zanak'Andriamanitra MARO? Rom.8:29; Asan'ny Apostoly 26:23; Kol.1:18.
               Rahoviana no ho teraka ao amin’ny Ankohonany ireo Zanak'Andriamanitra hafa? 1Kor.15:22-23.
FANAMARIHANA: Kristy no hany Zanak'Andriamanitra Izay efa nateraka indray, tamin'ny alàlan'ny fitsanganana amin'ny maty. Ireo Zanaka lahy hafa izao dia notorontoronin’ny Fanahy fotsiny, fa mbola tsy teraka. Hateraka indray izy ireo (Jao 3:3-8), haterak'Andriamanitra, amin'ny fitsanganana voalohany, amin’ny fihavian’i Kristy hitondra ny tany.
 
2. Moa ve i Kristy, amin'ny maha-Zanak'Andriamanitra lahimatoa Azy, raha ny marina dia "kapiteny" na mpialoha lalana, ny mpitarika antsika ho amin’ny famonjena amin'ny alàlan'ny fijaliany, ny fahafatesany ary ny manaraka dia ny fitsanganana amin'ny maty ho amin'ny voninahitra? Heb.2:9-10. Moa ve Izy efa nandova ny fahefana sy ny voninahitra rehetra ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra manjaka? Andininy 9.
 
3. Inona no mahatonga ny fitsangananan'i Kristy amin'ny maty hahalasa Azy ho Zanaka Lahimatoan'Andriamanitra? Rom.8:11; Efes.1:19-20. Ho tonga mpikambana teraka ara-panahy ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra ve isika raha mitoetra ao amintsika ny Fanahin'Andriamanitra amin'ny fotoana hiverenan'i Kristy na rehefa maty isika? Andininy mitovy. Vakio ihany koa ny 1Korintiana 15:49-53.
FANAMARIHANA: Mazava fa tamin'ny hery mahagagan'ny Fanahy Masina, no nananganan'Andriamanitra Ray an’i Kristy hiala amin'ny fahafatesana, ka ho any amin'ny tsi-fahafatesana be voninahitra, fahefana sy hery, tahaka ny hananganany koa ny rahalahy sy anabavin'i Kristy notorontoronin’ny Fanahy, ho any amin’ny tsi-fahafatesana sy ny hery mitovy, fa amin’ny fahefana ambany kokoa.
               Araka ny nianarantsika tao amin'ny lesona faha-20, ny zanak’Andriamanitra, izay notorontoronin’ny Fanahiny, dia "miofana" ankehitriny, mba ho teraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra. Amin’izany dia homena toeram-panapahana eto an-tany izy ireo, eo ambany fahefan’ny zokiny lahimatoa, dia i Jesosy Kristy.
               Amin'ny farany, Andriamanitra dia maniry zanaka an'arivo tapitrisa maro, lavorary sy marina, manoa ny fitondram-panjakany, ho teraka ao amin'ny Ankohonany, mba hameno amin'ny hatsarana, amin’ny fiandrianana ary ny voninahitra, tsy ny famoronana eny amin’ny planeta hafa manodidina ny  masoandro ihany, fa koa eny amin’ny Lalan-dronono manontolo sy ny vahindanitra maro hafa koa, amin’ny Onivera tsy manam-petra.

Ny zanaka notorontoronin'Andriamanitra dia mitombo ara-panahy ankehitriny

               Tsy mbola tonga ny fotoana hahaterahan'ny zanak'Andriamanitra. Mbola vao amin'ny toetra maha-"torontoronina" azy fotsiny izy ireo ankehitriny. Fotoana fitomboana ara-panahy izao, alohan'ny hahatongavana ho mpikambana hateraka indray ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra. Ary ny tany no toeran'ny fitomboany ara-panahy - ny "toeram-piofanana" mba hidirana any amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.
               Ny Onivera dia tsy sehatry ny fiofanana ho tonga tahaka an Andriamanitra; io no valisoa tsy homena antsika raha tsy aorian'ny fahavitana soa aman-tsara ny fanazarana eto ambonin'ny tany!
               Ny toetra mamaritra ny saina sy ny fanahin'ny olombelona no tena mahatonga ity farany ho zavaboary fizika miavaka. Nizaran’Andriamanitra ny sasany amin’ny toetrany manokana ny olombelona, ary tiany hampitombointsika ny Toetrany mandritra ity fiainana mety maty nomeny antsika ity.
5. Rehefa vita ny “fihazakazahana” ho fampiofanana antsika, inona no hitranga manaraka? 1Kor.15:47-53. Rahoviana no hitranga ny fiovantsika ho lasa fanahy? Andininy 52; 1Tes.4:16-17.
FANAMARIHANA: Ireo izay efa vonona haterak'Andriamanitra amin'ny fiverenan'i Kristy dia handresy ary hiditra tampoka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra. Tsy ho voafatotra eto an-tany intsony izy ireo mba hivelona, satria hanana fiainana mandrakizay ho vadin-koditra aminy izy ireo, izay fanomezana avy amin’Andriamanitra!
6. Inona no hataon’ireo izay manantena ny ho tonga Zanak'Andriamanitra amin’izao fotoana izao? 1Jaona 3:1-3. Mariho indrindra ny andininy faha-3.
FANAMARIHANA: Amin'ny fitsanganana amin’ny maty, Andriamanitra dia hanome ny Zanany vatana fanahy ilaina amin'ny dia an-habakabaka eny amin’ny galaksia, izay ilaina amin'ny fanatanterahana ny andraikitry ny Ankohonan’Andriamanitra manjaka eo amin'ny Onivera. Mandritra izany fotoana izany, ireo ho Andriamanitra ireo ankehitriny dia ampiofanina ho fandavorariana ny toetrany aloha, mba hahafahany hiara-miasa Aminy avy eo.
               Alohan'ny hahatonga antsika ho zanak'Andriamanitra hateraky ny Fanahy, dia eo "am-panadiovana" ny tenantsika isika, amin'ny alàlan'ny fifehezan-tena sy ny fifehezana ny eritreritra, miaraka amin'ny fanampian'ny Fanahy Masin'Andriamanitra.
               Izao no fotoana tokony hiezahana hahazoana toetra ara-panahy madio toy ny an’Andriamanitra mihitsy, ary tsy misy kilema (Mat.5:48). Fotoana fanomanana sy fiofanana izao, mba handova ny Onivera manontolo miaraka amin'i Jesosy Kristy zokintsika isika!

1. Mampiseho ve ny Baiboly fa Andriamanitra dia eo an-dalam-pamolavolana sy fanomeza na endrika ny zanany notorontoroniny, tahaka ny mpanefy mamolavola ny tanimanga? Isa.64:7. Nandritry ny fotoam-piofanana nataony tety an-tany, nahatsapa ve i Joba fa niara-niasa tamin’Andriamanitra tamin'ny fomba miavaka izy? Joba 14:14-15.

FANAMARIHANA: Mariho ny tapany farany amin'ny andininy 15: "ary mba halahelo ny asan'ny tananao Hianao" Ny "asan’ny tanana" dia i Joba. Moa ve fantatr'i Joba fa sombin'asan'Andriamanitra eo am-pelatanan'i Jehovah mpanefy tanimanga izy? I Joba dia tao amin'ny dingana fampitomboana ny toetran'Andriamanitra nandritry ny fiainany mety maty, izay nanaovany ny fiofanana ara-panahy.

2. Inona no nolazain'Andriamanitra talohan'ny namoronany an'i Adama, izay manambara bebe kokoa ny zavatra kasainy hatao amin’ny olombelona? Gen.1:26.

FANAMARIHANA: Mariho indray izay voalaza ao amin'ny Genesisy 1:26: " Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika…". Ny teny hebreo tany am-boalohany dia manondro mihoatra lavitra noho ny ny endrika sy tarehin'Andriamanitra ivelany. Ny teny nadika hoe "endrika sy tarehy" dia manondro koa saina sy toetra. Andriamanitra dia nikasa hampivelatra ao amin’ny olombelona, ankoatry ny efa nanomezany azy saina afaka mandinika sy mamakafaka, ny saina sy ny toetran'Andriamanitra!

3. Fantatry ny Apostoly Paul ve fa ny zanak'Andriamanitra notorontoronin’ny Fanahy dia namboarin'Andriamanitra ho amin'ny tanjona manokana? Efes.2:10.

FANAMARIHANA: Tsy miresaka momba ny namoronana an'i Adama tamin'ny 6000 taona lasa i Paoly. Miresaka ireo Kristiana marina izy, izay foronina ankehitriny “mba hanao asa tsara”. Isika dia "sangan'asan'Andriamanitra" – satria Ilay Mpamorona dia mbola mamorona antsika amin’izao fotoana izao. Izy no mamolavola, mampihaingo, manova sy manavao antsika mba hitovy amin’ny toetrany feno fiamboniana, marina, masina, ary ara-panahy!

            Manomboka ao an-tsaina io dingana io. Ny fibebahana no dingana voalohany. Fiovan'ny saina izany. Ny fandraisana ny Fanahy Masina dia fanavaoza na ny saina.

            Tsikelikely, amin'ny alàlan'ny fianarana Baiboly, rehefa mianatra miaina amin'ny "teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra" isika, dia voahitsy amin'ny alàlan'ny Teniny, mitoetra eo akaikin'Andriamanitra amin'ny vavaka isan'andro, ary tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra sy omeny hery, ILAY OLOM-BAOVAO – izay manana toetra masina sy ara-panahy - dia foronina araky ny "endrika sy tarehin’Andriamanitra" ara-panahy.

            Mandritra ity fiainana fiofanana ara-panahy ity, raha miova fisainana sy fomba isika, ka hanana ny toetr’Andriamanitra, mandra-pahatongantsika ho olom-baovao ao amin'i Kristy Jesosy, araka ny sitra-pony, ilay maodely tanimanga, nasaina, novolavolaina sy namboarina araka ny sitrapon'Andriamanitra, dia afaka hivadika amin’ny farany ho zava-boary ara-panahy efa vita, rehefa haterak'Andriamanitra.

4. Moa ve niresaka ny fahavitan'ny fiofanany i Paoly? 2Tim.4:7.

FANAMARIHANA: Nahavita tamim-pahombiazana ny fiofanany ara-panahy i Paoly mba hahaterahany ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra. Ankehitriny, ny 6000 taona voalohany teo amin'ny tantaran'ny olombelona dia efa ho tapitra. Tsy ho ela dia ho avy ny fotoana, ka i Paoly sy ny olombelona hafa izay "nahavita ny fihazakazahany" nandritry ny fotoam-piofanan'izy ireo, dia tsy ho fehezin'ny tany intsony. Ho teraka ao amin'ny Ankohonan’ Andriamanitra mandrakizay sy ara-panahy izy ireo, ary ho Zanak'Andriamanitra!

Ny fikasan'Andriamanitra dia mandeha arak’izay nokasainy

               Tao amin'ny lesona teo aloha, dia hitantsika fa nanota i Adama tao amin'ny Saha Edena ary nanapaka ny fifandraisany mitohy amin'ny Andriamanitra Mpamorona azy. Vokatr'izany, dia tapaka koa ny fidiran’ireo taranany amin'ny Fanahin'Andriamanitra sy ny fiainana mandrakizay. Raha nihinana ny voan'ny hazon'aina i Adama, dia mety ho notorontoronin'Andriamanitra ary dia ho teraka ho Zanak'Andriamanitra ao amin'ny Ankohonany Izay manjaka izy amin'ny farany.
               Moa ve ny fahotan'i Adama nanakana ny planin’Andriamanitra ho an'ny olombelona, sa mandeha araka ny nanomanana azy tany am-boalohany izany?
               Tombanana mialoha ny mety hisian'ny fahotan'i Adama, Andriamanitra dia namolavola planina lehibe 7 000 taona azo antoka fa hanatanteraka ny fikasany ho an'ny olombelona eto ambonin'ny tany.
               Nomelohiny ny olona hanatanteraka, nandritry ny 6000 taona voalohany, izay nangatahan'i Adama ho an’ny zanak'olombelona, handeha araky ny lalany, misaraka amin’Andriamanitra, manao zavatra arak’izay tiany, ary miankina amin'ny tenany irery ihany.
               Ny vokatry ny fomban'olombelona, izay notarihin'i Satana devoly, dia tena loza amin’atambo!
               Andao hodinihina ny andinin-tSoratra Masina vitsivitsy izay manaporofo fa milamina araky ny tokony ho izy ny planin’Andriamanitra ho an'ny olombelona.
FANAMARIHANA: Notarihin'i Satana hanota ny olombelona voalohany (Gen.3:1-6). Ka nanomboka nanefa ny saziny tamin’ny fiandohan’ny 6000 taona ny olombelona, miaraka amin'ny devoly tsy hita maso manjaka aminy amim-pitaka! Hatramin'i Adama ka mandraka ankehitriny, dia nahomby i Satana ary nitaona ny olombelona ho lasa hamorona ny governemantany, ny fivavahanany, ny fiarahamoniny ary ny sivilizasiônany manokana mifototra amin'ny fombany "maka" fa tsy amin’ny fomban'Andriamanitra "manome".
               Olona an'arivony maro no nanampy ho an'ny fiangonana tamin'ny alàlan'ny fitoriana nataon'ny Apostoly taorian'izay.
               Fa talohan'ny taona 70 taorian’i JK., ny hafatra nampianarin’i Kristy sy ny Apostoly dia nofoanan'ilay fiangonana sandoka, izay tsy nitsaha-nitombo. Noho izany, ny Filazantsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra dia tsy notorina intsony teto amin'izao tontolo izao talohan'ny volana Janoary 1934. Tamin'izay fotoana izay no nanomboka nitory ny Filazantsara tany Etazonia ny mpanompo sy Apostoly voafidin'Andriamanitra, Atoa Herbert W. Armstrong, tamin’ny alàlan’ny.onjam-peo kely manana hery 100 watt, tany Eugene, tany amin’ny firenena Oregon.
 
FANAMARIHANA: Rehefa afaka 6000 taonan’ny tantaran’ny olombelona, ary mandritry ny androm-piainan'ny apostolin'Andriamanitra amin’ny andro maoderina, dia ahitàna fandrosoana ara-pitaovana mahatalanjona eto amin'izao tontolo izao. Saiky ny teknolojia sy ny indostria maoderina rehetra dia novolavolaina tao anatin'izay 200 taona izay, ary mihoatry ny antsasaky ny teknolojia manerantany, momba ny fampandrosoana ara-tsiansa sy indostrialy no nitranga tamin'ity taonjato faha-20 ity!
               Ny vanim-potoanan'ny masinina, ny taonan'ny nokleary sy ny taonan’ny habakabaka dia nisesy nifandimby haingana. Ny fiarakodia, ny fiaramanidina, ny radio, ny fahitalavitra ary ny fitaovana maro manamora ny fiainana dia noforonina vao haingana daholo.
               Ny olombelona koa dia namolavola sy namokatra solosaina tsy mampino, ary nandefa mpanamory sambon-danitra mihitsy aza teny amin'ny volana sy nampiverina azy ireo. Ary am-polo taona vitsivitsy lasa izay, ny olona dia nampitombo ny fitaovam-piadiana manapotipotika izay afaka manafoana ny ain'ny olombelona rehetra eto amin'ity planeta ity; Nefa, noho ilay planina lehiben’Andriamanitra, dia nampanantena Izy fa hiditra an-tsehatra mba hisakana ny fandringanana ny zanak'olombelona!
               Ny 6000 taona teo ho eo amin'ny tantaran'ny olombelona no nanaporofo fa ny sain'ny olombelona, raha tsy misy ny Fanahy Masin'Andriamanitra, dia tsy ho afaka hahatakatra afa-tsy ny tontolo ara-nofo; Voafetra ny hiasa eo amin’io an-tanan-tohatra io izy. Ny rafitra fanabeazana dia lasa mifototra amin’ny fitiavan-karena tanteraka, ary ny ankamaroan'ny fanentanana mandrisika ny olona dia avy amin'ny fihetsika "maka". Ny olombelona dia tsy mahay miainaam-piadanana sy mirindra miaraka amin'ny mpiara-monina aminy, nefa mahay mankeny amin'ny volana sy miverina avy eny! Ny olana sy ny aretina mahatsiravina, eo anivon'ny fandrosoana ara-tsiansa mahatalanjona, no vokatry ny fahotan'i Adama sy Eva tao amin'ny Saha Edena!
               Nandritra ny 6000 taona lasa izay, ny fikasan'Andriamanitra ho an'ny olombelona dia nandeha araky ny planiny tany am-boalohany. Tsy ho ela dia hisokatra ny famonjena ara-panahy ho an'ny olombelona rehetra, aorian’ny hahatongavan’i Kristy hanala an'i Satana amin'ny seza fiandrianan'ny tany, ary handraisany an-tanana ny fanapahana ny firenena rehetra, izay mendrika Azy efa 2.000 taona maro lasa izay.
               Miaina ao amin'ny vaninandron’ny taranaka farany isika, any amin’ny fanran’ny 6000 taona nanesorana ny olona tamin'Andriamanitra. Efa antomotra ny fotoana hahatanterahan’ny fikasan'Andriamanitra be voninahitra ho an’ireo izay nantsoiny alohan'ny Fiavian'i Jesosy Fanindroany. Ho tonga tahaka an'Andriamanitra Tsitoha izy ireo amin'izay, satria ho teraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra!

1. Navelan'Andriamanitra hamitaka amin-kafetsena an’izao tontolo izao ve i Satana? Apok.12:9. Moa ve ny devoly, raha ny tena izy, no andriamanitr'izao tontolo izao? 2Kor.4:4.

2. Nandritra io fotoana izay nisarahan’ny olombelona tamin'Andriamanitra io noho ny ota, misy olona afaka manatona an'i Kristy ve? Jaona 6:44, 65.

FANAMARIHANA: Afa-tsy rehefa miditra an-tsehatra Andriamanitra ka miantso manokana ny olona mba hibebaka sy ho vonjena, ho any amin’ny fiainam-piofanana mba ho mpikambana amin'ny Fanjakany, dia tsy misy afaka manatona an'i Kristy. Jesosy no nilaza an'izany! Ny olona rehetra dia mbola tafasaraka amin’Andriamanitra noho ny ota, afa-tsy ireo vitsivitsy izay nantsoin'Andriamanitra hiala amin’ny ota.

            Taorian'ny nanotan'i Adama, dia fikasan'Andriamanitra ny hanaporofo, nandritry ny 6000 taona niainan'ny olombelona, fa ny fomba "maka" an’i Satana, izay mifanohitra amin'ny fomban'ny fitondram-panjakan'Andriamanitra, no anton'ny fijaliana sy ny fanaintainana tsy mampino, ary koa ny fahafatesana, izay mifanohitra tanteraka amin'izay tena irin’ny olona.

            Tokony ho 4000 taona taorian'ny nanotan'i Adama, Andriamanitra, araky ny planina nomaniny tany aloha (Apok.13:8), dia naniraka an'i Jesosy Kristy ho amin'izao tontolo izao mba hanafaka ireo voantso amin'ny fanamelohana ho faty, izay sazy vokatry ny fandikana ny didiny.

3. Jesosy koa dia mpitondra hafatra nirahin'Andriamanitra. Inona no hafatra misy fanantenana sy vaovao mahafaly nentiny ho an'ny zanak'olombelona? Marka 1:14-15; Jaona 3:3-8.

FANAMARIHANA     : Jesosy dia efa naminany ny fotoana tsy hisarahan'ny olombelona amin’Andriamanitra intsony, ary tsy hotapahin'i Satana intsony. Nanambara Izy fa ny fitondram-panjakan'Andriamanitra dia haverina amin’ny maha-izy azy eto an-tany amin'ny alàlan'ny fanjakan'Andriamanitra, izay misy ireo mpikambana ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra,izay nateraky ny Fanahy.

            Jesosy dia nanambara ny vaovao tsara: ireo izay nantsoin’Andriamanitra dia afaka ho lasa tena zanak'Andriamanitra, ary amin'ny farany dia hovaina ny olombelona nofo aman-drà ho lasa olona ara-panahy, ka ho mpikambana ao amin'ny Ankohonan'Andriamanitra manjaka. Tamin'ireo olona an’arivony maro izay nandre ny hafatr'i Jesosy, dia olona 120 fotsiny no lasa mpianany (Asa 1:15). Nofidian'ny Ray izy ireo, mba ho mpikambana mpisava lalana ao amin'ny fiangonan’ny Testamenta Vaovao.

4. Efa ela ve Andriamanitra no naminany fa hitombo ny fahalalana ankehitriny? Dan.12:4.

Hitovy amin’iza isika rehefa haterak'Andriamanitra

               Ireo izay antsoin 'Andriamanitra, izay mandray ny Fanahiny ary izay mitombo sy mandresy ara-panahy, dia haterak'Andriamanitra rehefa miverina i Kristy. Fa hitovy amin’iza ny ho mpikambana ao amin'ny Ankohonana masin’Andriamanitra?
               Inona avy ireo toetra sy fahaiza-manao hananantsika? Andao isika hanopy maso ny amin'ny hoe mitovy amin’iza isika rehefa ho mpikambana ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra!
 
1. Inona no tsy maintsy atao mba hidirana ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra? Jaona 3:3-8. Rehefa haterak'Andriamanitra isika, ho tahaka Azy ve isika? Rom.8:29; 1Jaona 3:1-2.
FANAMARIHANA: ny hoe "ho tahaka Azy isika" dia midika hoe ho lasa mitovy Aminy - omem-boninahitra toa Azy, ho tonga mpikambana ao amin'ny ANKOHONAN’ANDRIAMANITRA be voninahitra toa an'i Kristy ankehitriny! Ny Baiboly dia mampiharihary fa ny tanjontsika dia ny ho tonga, amin'ny alàlan'ny fahaterahana ara-panahy, toy ireo mpikambana roa ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra.
               Hanana ireo fahaiza-manao sy toetra mampiavaka an'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy zokintsika lahy isika.
 
2. Rahoviana no hitranga ny fahaterahan'ny kristiana ara-panahy? 1Kor.15:52. Rahoviana no hitranga ny fitsanganana amin'ny maty? 1Tes.4:15-17. Hovaina ho fanahy ve izy ireo amin'izany fotoana izany? 1Kor.15:42-49; Fil.3:20-21.
FANAMARIHANA: Rehefa hiverina eto an-tany i Jesosy Kristy, ireo zanak'Andriamanitra notorontoronin’ny Fanahy, ary efa maty ao anelanelan’ny taona maro, dia hatsangana amin'ny maty hanana fiainana ara-panahy amin’ny alàloan’ny Fanahin 'Andriamanitra, ary ireo zanak'Andriamanitra notorontoronin’ny Fanahy, nefa mbola velona, dia hovaina ho fanahy avy hatrany. Amin'izay fotoana izay dia "hateraka indray" izy ireo, ho mpikambana ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra. Ary ny zanak'Andriamanitra ny dia hanana fiainana mandrakizay vadin-koditra aminy, toa an'i Jesosy Kristy zokiny!
 
3. Amin’ny inona no ampitahain'i Jesosy an'izay ateraky ny Fanahy? Jaona 3:8.
FANAMARIHANA: Mora fantatra ny vokatry ny rivotra, fa ny rivotra kosa dia tsy hita.
Rehefa hateraky ny Fanahin'Andriamanitra ianao, dia tsy ho hitan'ny mason'olombelona, raha tsy misafidy ny hiseho ianao.
 
4. Taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty, moa ve i Jesosy izay manana vatana ara-panahy, afaka miseho sy manjavona tampoka? Lioka 24: 36-37, 31. Nahavita namaky ny rindrina ve Izy? Jaona 20:19, 26. Afaka miseho ho olona nofo sy taolana ve nyolona iray ara-panahy, rehefa ilaina izany? Lioka 24:38-40. Afaka mihinana koa ve izy raha izany no faniriany? Andininy 41-43.
 
5. Moa ve ny vatana fanahy afaka mandehandeha any amin’ny habakabaka amin'ny hafainganam-pandeha tsy mampino - tsy isalasalana fa haingana kokoa noho ny hazavana? Ampitahao ny Jaona 20:17, 19-20 sy i Matio 28:9.
FANAMARIHANA: Ny ampitson'ny andro taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty, Kristy dia tsy namela na iray aza tamin’ny mpianany hikasika Azy, satria mbola tsy niakatra tany amin'ny seza fiandrianan'ny Rainy tany an-danitra Izy. Saingy tamin'io andro io ihany, tao aorina kokoa, dia navelan'i Kristy ny mpianany hikasika Azy. Mampiseho mazava tsara izany fa i Kristy dia nandeha ho any an-danitra ary niverina teto an-tany tamin'io andro io ihany!
"Hafahafa ny marina noho ny tantara foronina," hoy ilay foto-kevitra taloha. Ny tantara an-tsary faran’izay tsara noforonin’ny sain’olombelona dia zava-poana raha ampitahaina amin’ilay fahamarinana mahavariana sy mahaliana ambaran'ny Baiboly momba ny hery mitatao mahatalanjona ao aminao!
 
6. Raha vao ovaina ho fanahy ny olona iray, mbola mety ho maty ve izy? Lioka 20:35-36. Moa ve ny Ankohonan’Andriamanitra ho velona mandrakizay, hiaina mandrakizay? Sal.90:2; 102: 25-27.
FANAMARIHANA: Ireo mpikambana roa ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra dia samy nisy foana, na dia tsy azon'ny sain’olombelona voafetra aza ny momba izany. Na eo aza izany, Andriamanitra dia milaza amintsika amin'ny alàlan'ny Teniny ara-tsindrimandry, fa isika, toa an Andriamanitra sy i Kristy, dia hiaina mandrakizay rehefa teraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra manjaka amin’ny Onivera!
 
7. Moa ve"nomem-boninahitra" i Jesosy taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty? Jaona 17:5; Heb.2:9. Ahoana no fisehoan’ny vatana fanahin'i Kristy nomem-boninahitra rehefa niseho tamin'ny fahitana tamin’ny Apostoly Jaona Izy? Apok.1:13-16.
FANAMARIHANA: Ny hoe "nomem-boninahitra" dia midika hoe omena fahefana lehibe sy famirapiratana lehibe. Talohan'ny nahatongavan'i Kristy ho olombelona, dia nanana vatana fanahy be voninahitra Izy, mamirapiratra sy mahery toy ny an'ny Rainy. Taorian'ny ny fitsanganany amin'ny maty,dia naverina taminy io fahefana sy voninahitra. Mamirapiratra toy ny masoandro ny vatana fanahy maherin'i Kristy!
8. Moa ve Andriamanitra dia hanome voninahitra ireo rehetra tonga mpikambana ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra, amin'ny fanomezana azy ireo fahefana sy voninahitra lehibe ? Rom.8:17; Kol.3:4; Mat.13:43. Moa ve i Jesosy nanome ny telo tamin'ny mpianany topy maso vetivety tamin'ny fahitana an'ity ho avy be voninahitra ity? Mat.17:1-2, 9. Inona koa ny andinin-teny hafa manome fahitana antsika mikasika ny toetra be voninahitra ho avy an'ireo izay haterak'Andriamanitra amin'ny fotoana fitsanganan'ny maty? Dan.12:2-3.
FANAMARIHANA: Ny voninahitra izay tsy maintsy ho azon’ireo zanak’ Andriamanitra notorontoronin’ny Fanahy amin'ny fitsanganana amin'ny maty dia ho lehibe tokoa, ka hampamirapiratra azy ireo toy ny kintana mamirapiratra eny amin'ny lanitra, tahaky ny masoandro amin'ny heriny lehibe!
               Saingy ampahany fotsiny amin'izay nomanin'Andriamanitra ho an'ireo mpikambana ao amin’ny Ankohonany izay nateraka ara-panahy izay. Andeha isika hijery ireo toetra mahafinaritra hafa izay hananan'izy ireo amin'ny maha zanak'Andriamanitra azy.
 
9. Ny toetra lehibe indrindra ananan'Andriamanitra Ray sy i Kristy, ilay lahimatoan'Andriamanitra ary zokintsika lahy, no ho toetran'izy ireo. Inona avy ary ireo sasantsasany amin’ny toetran'Andriamanitra izay hananan'ny zanak'Andriamanitra amin’ny fatra feno rehefa haterak'Andriamanitra izy ireo? Gal.5:22-23; 2Tim.1:7.
FANAMARIHANA: Araky ny nianarantsika tao amin'ny lesona faha-11, Andriamanitra dia manana toetra masina sy marina. Ary iriny ny hananantsika ny hatsaram-panahy ananany: fitiavana, fifaliana, faharetana, famindram-po, finoana, hatsaram-panahy, fahalemem-panahy, fanetren-tena, fahononam-po, fifehezan-tena sy fahafahana hifidy ny tsara.       Ny toetra amam-panahy koa dia mila fahalalana, fahendrena, tanjona sy ny fahaizana.
               Izany toetra izany no hananan’ireo zanaka notorontoron’ny Fanahin’Andriamanitra, amin’ny fatra feno, rehefa ho teraka ao amin'ny Ankohonany izy ireo. Alohan’izany fotoana izany, dia tian'Andriamanitra ny hampitomboantsika, miaraka amin'ny fanampian'ny Fanahiny, ireo lafin’ny toetrany ireo mandritry ny fiainantsika mety maty.
10. Ahoana no amaritan'ny Baiboly ny fomba sy toetran'Andriamanitra? 1Jaona 4:8. Inona ny fitiavan’Andriamanitra? 1Jaona 5:2-3. Moa ve ny fitiavana no lafiny tokana lehibe indrindra amin'ny toetrany? 1Kor.13:1-13. Nahoana? 1Jaona 4:16.
FANAMARIHANA: Ny toetran'Andriamanitra dia azo fintinina amin’ny teny tokana hoe FITIAVANA. Ny toetran'Andriamanitra io dia mandeha miaraka amin'ny fitarihan'ny lalàny-ny làlan'ny FITIAVANA. Io ilay fomba manome, manompo, manampy, miahy ny hafa. Andriamanitra dia manana izany toetra izany!
               Andriamanitra dia miahy mivantana ny olombelona rehetra. Nanome ny Zanani-lahy Tokana mba hampihavana antsika Aminy Izy, ary Izy no manome antsika ny fifaliana amin'ny fahazoantsika ny fiainana mandrakizay. Andriamanitra dia mandrotsaka amintsika ny soa rehetra ary ny fanomezana sarobidy rehetra, ao anatin'izany ny Fanahy Masina, izay ahafahantsika ho torontoroniny aorian'ny fibebahana noho ny fandikana ny lalàny, rehefa miala amin'ny làlan-dison’ ity tontolo ity isika, sy manomboka manohitra ireny, ary mitodika any Aminy amin'ny alalàn'ny finoana an'i Jesosy Kristy ho Mpamonjy antsika manokana!
               Rehefa hateraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra isika, dia hanana ny fitiavan'Andriamanitra tanteraka. Ary amin'ny alalan'io fitiavana io no hitantanantsika ny fitondram-panjakan'Andriamanitra ety an-tany, ary manerana ny Onivera manontolo, mandrakizay.
 
11. Mbola hanota indray ve ireo haterak'Andriamanitra? 1Jaona 3:9. Moa ve ho tonga lafatra tanteraka toa ny Ray sy Kristy izy ireo? Mat.5:48. Moa ve mety hiova indray andro any izany toetra lavorary, masina sy marina izany? Mal.3:6; Heb.13:8.
FANAMARIHANA: Ny toetra iombonan'Andriamanitra Ray sy Kristy Zanaka dia ny fahamasinana ara-panahy, ny fahamarinana sy ny fahalavorariana tanteraka. Io toetra io, araka ny efa hitantsika teo, dia azo fintinina amin'ny teny iray hoe "fitiavana", voafaritra ho toy ny fiheverana feno fitiavana ny hafa. Io ny lalana izay midika hoe manome, manompo, manampy, mizara fa tsy ny fomba "maka".
               Io no fomba tsy misy fitiavan-karena loatra, fitsiriritana sy fitiavan-karena be loatra, tsy misy avonavona, fitiavan-tena, fifandrafiana, fifandirana, herisetra ary fanimbana, tsy misy fanirian-dratsy sy fialonana, lolom-po ary alahelo – izay toetra rehetra mampiavaka an'i Satana.
               Ny toetra tsy misaraka amin'Andriamanitra dia ny làlan'ny fandriam-pahalemana, fahamarinana, famindram-po, fahasambarana ary fifaliana mamirapiratra any amin'ireo noforoniny. Izy no toetra lavorary, masina ary marina miseho ho olona!
               Koa satria manana toetra tonga lafatra Andriamanitra, dia tapa-kevitra Izy fa tsy hanohitra ny Lalàna lavorary, masina, velona, mavitrika ary tsy azo esorina izay napetrany mba hamorona sy hanome vokatra tsara. Nandraiki-kevitra tao am-poy Izy fa tsy hanota mihitsy na handika ny Lalàny.
               Ny toetran' Andriamanitra Ray sy i Kristy Zanaka, izay tsy vitan’ny ampahatelon'ny anjely ny mandika sy mampitombo izany, no làlan'ny lalàn'Andriamanitra. Ary, toy ny efa nianarantsika, eo am-pamoronana ny toetra amam-panahy araka an'io ao amin'ny Kristiana notorontoronin’ny Fanahy-isaky ny miaina araky ny lalam-piainana marina izy ireo, noho ny safidiny na noho ny fanampian’ny Fanahy Masina.
Rehefa haterak'Andriamanitra isika amin'ny farany- rehefa omena vatana fanahy isika, rehefa avy nitombo ara-panahy aloha ary nampivelatra ny toetran'Andriamanitra mandritry ny fotoam-piofanana- dia hanomboka, ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra manjaka amin'ny Onivera, fiainana misy voninahitra lehibe izay haharitra mandrakizay!

 

Ho avy be voninahitra sy tsy misy farany!

               Ny Fanjakan'Andriamanitra dia ny Ankohonan'Andriamanitra manjaka. Ary ireo izay lasa mpikamban'io Ankohonana io dia natao hitondra ny tany miaraka amin'i Jesosy Kristy mandritry ny 1.000 taona. Ho lasa mpanjaka sy mpisorona izy ireo, manapaka sy mampianatra ao amin'ny Tontolon’ny Ampitso.

               An'arivo tapitrisa maro no hianatra hiaina araky ny fomban'Andriamanitra sy ho teraka ao amin’ny Ankohonanyany manjaka mandritr’io vanim-potoana io. Avy eo, aorian'ny Fanjakana Arivo Taona, ireo olona an’arivo tapitrisa maro maty hatramin'ny andron'i Adama sy alohan'ny Fiavian'i Kristy Fanindroany, nefa tsy afaka nahafantatra na nahatakatra ny lalan'Andriamanitra amin'ny famonjena, dia hatsangana amin'ny maty ara-batana.
               Homena fotoana izy ireo ho tonga Zanak'Andriamanitra mandritr’io fotoam-pitsarana io (Apok.20:11-12), araky ny efa hitantsika tao amin'ny lesona farany.

               Ireo olona an'arivo tapitrisa maro ireo, dia anampy ny Ankohonan’Andriamanitra fanahy amin'ny faran'ny planin’Andriamanitra ho an'ny olombelona ara-nofo.

               Tombanana ho 40 miliara ny isan’ny olona niaina hatramin'ny fotoana niainan i Adama mandraka ankehitriny. Tena sarotra ny hanombana ny isan'ny olona izay mbola ho teraka sy hiditra ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra mandritry ny Fanjakana Arivo Taona ary ny vanim-potoana fitsaran’ny Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe. Tsy isalasalana fa ho an'arivo tapitrisa maro.
Fa andao ho eritreretrina hoe 200 miliara no ho teraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra amin'ny farany. Koa satria sahirana Andriamanitra miasa, mamorona ary manohana ny zavatra nohariany (Jaona 5:17), fantany fa tsy ho sambatra ny Zanany raha tsy miasa sy mamokatra koa izy ireo. Ary inona no mety hahatonga ity Ankohonan’Andriamanitra tena goavana ity hanana asa mandrakizay?
1. Hatraiza ny halehiben'ny fahefana efa nolovain’i Jesosy Kristy? Heb.1:1-2; Mat.28:18; 1Kor.15:27-28. Moa ve ireo olona teraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra dia handray anjara amin'izany lova izany amin'ny maha-mpiara-miasa sy mpiara-manapaka amin'i Kristy azy ireo? Rom.8:16-17; Apok.21:7. Ary moa ve ny fitondram-panjakan'Andriamanitra dia hitohy hihitatra mandrakizay? Isa.9:6-7; Apok.22:5.
FANAMARIHANA: Ny dikan-teny tena tsara amin’ny hoe "zavatra rehetra" ao amin'ny Heb.1:2 dia hoe ny Onivera. Na dia tsy mampino aza ny mieritreritra izany, ny otri-kery farany anananao - ary io otri-kery io dia mitovy ny an'ny olombelona rehetra - dia ny fiarahanao manjaka eo amin’ny Onivera miaraka amin'i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray!
               Fa tena misy tokoa ve ny toerana ampy, ho an'ireo rehetra nateraky ny Fanahy ho Zanak'Andriamanitra, mba hanjakany?
               Ny Encyclopaedia Britannica dia nanombana fa misy kintana mihoatra ny 10 sextillions eo amin'ny OniveraIty tarehimarika ity dia toa tsy takatry ny saina ny mieritreritra azy. Raha tombanana fa hisy Zanak'Andriamanitra 200 miliara na 200 arivo tapitrisa, dia midika izany fa ny mpikambana tsirairay ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra dia mety ho tompon'andraikitra amin'ny fikarakarana sy fampandrosoana kintana 50 miliara, ary ireo planeta mpanotrona azy ireo-ampy hamoronana vahindanitra iray manontolo!
               Ny otri-kery mahatalanjona ananantsika dia ny ho teraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra manjaka, sy ny hahazo ny fahefan’Andriamanitra mihitsy! Ny Zanaka naterak'Andriamanitra rehetra miaraka dia homena fahefana amin'ny Onivera manontolo!
2. Moa ve ny zava-boary manontolo dia voalaza fa “maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra”? Rom.8:19-23. (Ny dikan-teny DIEM dia milaza hoe: “fa tsindrian-daona ery ny zavaboaary miandry ny hanehoan’Andriamanitra an’ireo zanany”)
FANAMARIHANA: Ampitenenin’i Paoly ny zavaboarin'Andriamanitra manontolo eto, anisan'izany ny kintana sy ny planeta. Nasehony fa ny Onivera manontolo dia miandry fatratra ary maniry mafy ny hahaterahana sy hisehoan'ny Zanak'Andriamanitra. Izany no izy dia satria ireo olona lavorary sy marina an'arivo tapitrisa maro tarihin'ny fitondram-panjakan’Andriamanitra, dia hamerina amin'ny laoniny ny Onivera tratry ny fahasimbana ("fahalovana" ao amin'ny Romana 8:21) vokatry ny fikomian'i Losifera. Amin’izany dia hamerina amin’ny laoniny ary hamita ny famoronana izy ireo, hamerina ny hatsaran-tarehiny, ny fiandrianany ary ny voninahiny rehetra, tsy ny planeta hafa rehetra an'ny rafi-masoandro fotsiny ihany (izay efa rava sy simba tanteraka amin’ izao fotoana izao), fa koa ny sisa amin'ny vahindanitra misy antsika ary ny vahindanitra tsy hita isa izay misy ao amin'ny Onivera.
               Inona koa no hataontsika? Andriamanitra, voalohany indrindra, dia Mpamorona. Ireo izay lasa Zanak'Andriamanitra dia ho mpamorona ihany koa! Asehon'ny Soratra Masina fa hizara FIAINANA amin'ny planeta maty an'arivo tapitrisa maro isika, tahaka ny fiainana izay nomena teto an-tany. Hamorona isika, araky ny torolalana sy fampianaran'ny Ray antsika. Ny planeta dia hivadika ho tontolo tsara tarehy sy mamokatra ary mamelona.
               Ny Apokalypsy 21 sy 22 dia mampiseho fa “tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana intsony” (Apokalypsy 21:4), satria samy hianatra hisafidy ny lalan'Andriamanitra daholo, izay mitarika amin'ny fahatsarana rehetra. Ho fiainana mandrakizay hisy zava-bita, izay andinihana mandrakariva ny tetikasa famoronana vaovao, ary koa hijerena amim-pahasambarana sy fifaliana an'izay efa vita.
               Tsy ho reraka na ho trotraka mihitsy isika. Isika dia ho mavitrika lalandava - feno hery, tanjaka, herim-po ary fahefana! Izany no hery mitatao mahatalanjona tsy mampino ananan'ny olombelona tsirairay!
               Moa ve ianao eo am-panomanana ny fanatanterahana an’izany hery mitatao izany, ilay planina be voninahitr’Andriamanitra momba ny fiainanao?

            Hanohy hamorona sy hanjaka hatrany isika ho mandrakizay!

No comments:

Post a Comment