Fetin'ny Trompetra - Hiditra an-Tsehatra amin'ny Raharahan'izao Tontolo Izao i Kristy

 

Ambasadaoro Kolejy - Toko faha-30

FETIN’NY TROMPETRA

 

Ny Fetin’ny Trompetra dia mampiseho ny hetsika tokana lehibe indrindra eo amin'ny tantaran'izao tontolo izao: ny Fiavian'i Jesosy Kristy Fanindroany!

Nahoana ny fiangonan'izao tontolo izao no tsy mahatakatra ny fahalalana lehibe indrindra misy ho amin'ity taranaka ity?

Ny Baiboly dia manambara feno ny antsipiriany momba ny fahatongavan'i Jesosy Kristy fanindroany, amin'ny hery ambony indrindra, mba hametraka ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany. Na izany aza, toa saika tsy mahatakatra na inona na inona izao tontolo izao momba an'io faminaniana io, sy ny hetsika fetibe fanao isan-taona izay mampiseho an-tsary an’izany!

Mieritrereta kely! Rehefa afaka taona vitsy, Andriamanitra dia handefa indray an’ilay Jesosy Kristy velona Izay hamonjy ny olombelona amin'ny fandringanana nokleary faobe, hamarana ny fahantrana sy ny fijalian'ny olombelona, ary hitondra fiadanana, fahasambarana ary fifaliana ho an'ny olombelona rehetra.

Ho avy hanjaka sy hitsara ny firenena rehetra Izy ary hanangana ao amin'ny tontolon’ny ampitso fahasambarana sy fifaliana.

Tena mifanalavitra be amin'ny foto-pampianarana milaza hoe: "Ny lanitra no valisoan'ireo voavonjy" izany.

Hanorina Fiaraha-Monina Vaovao I Kristy

               Nandritra ny 6000 taona izay, nanomboka tamin'ny fahotan'i Adama, dia navelan'Andriamanitra hijinja ny vokatry ny fandehanana amin’ny lalantsika manokana isika. Ny olona izao dia miomana ny hamongotra ny fiainana rehetra eto amin'ity tany ity. Ary raha tsy hiverina eto an-tany i Jesosy Kristy mba hanavao ny fitondram-panjakan'Andriamanitra ary hamarana ny ady, dia tsy hisy olona na dia iray aza ho sisa miangana!
               Ao amin'ny Planina lehiben’ny famonjen'Andriamanitra maharitra 7000 taona, ny 6000 taona voalohany dia natokana ho an'ny olombelona mba hanaovany izay sitrapony. Nandritra ireo 6000 taona ireo, ny sivilizasiona dia niorina araky ny làlan'i Satana, izay mipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny tany.
               Amin'ny fiverenany, Kristy dia hamarana ny fitondran'i Satana, ary hanomboka ny Fanjakan’Andriamanitra 1000 taona, ny fitondran'ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany. Sivilizasiona vaovao miorina amin'ny lalàn'Andriamanitra no handrakotra ny tany. Fiadanana, fahasambarana ary fanambinana no ho hita maneran-tany atsy ho atsy!

Ny Voaloham-Bokatra Hojinjaina Amin 'Ny Fiverenan' I Kristy

               Mampiasa ny fijinjàn’ny mpamboly any Palestina amin'ny lohataona sy ny fararano Andriamanitra ho tandindon’ny fijinjana ara-panahy ny zanak'olombelona.
               Ireo fety amin'ny lohataona ireo dia tandindon’ireo nantsoin’Andriamanitra mialoha mba ho lasa zanany notorotoronin’ny Fanahiny ka ho tonga "voaloham-bokatra" (Jak.1:18), ilay fiandohana vitsy kely amin’ny fijinjany ara-panahy ny olombelona rehetra hiditra ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra.
               Avy eo, amin'ny fiandohan'ny fararano, ny fetin'ny taom-mpijinjàna aoriana kely dia maneho ny fiantsoan’Andriamanitra ny ambiny amin’ny olombelona mba ho vonjena aorian'ny fiverenan'i Kristy.
               Manomboka ny fetiny isan-taona amin'ny Paska Andriamanitra, izay mampatsiahy antsika fa ny sorona nataon’i Kristy Ilay Mesia (1Kor.5:7) no nahafahan’ireo voaloham-bokatra ho voavela heloka.
               Avy eo dia tonga ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira, izay maneho ny filàna tsy an-kiato, ho an'ny vahoakan'Andriamanitra- voaloham-bokatra — ny hiala amin’ny "masirasira" na fahotana (1Kor.5:8) amin'ny fiainany, sy hankatoa an'Andriamanitra.
               Avy eo ny andro Pentekosta, izay fety farany amin'ny lohataona, dia tandremana ho fahatsiarovana ny nanomezan'Andriamanitra ny Lalàny tao Sinay ary, taty aoriana, ny Fanahiny Masina tany Jerosalema (Asa.2) ka ho torontoronina ara-panahy sy hohamafisina ireo voaloham-bokatry ny famonjeny.
               Fa ireo voaloham-bokatra dia tsy ho jinjaina ho ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra mandra-pahatongan'izy ireo ho “teraka indray” (Jaona 3:3-8), hatsangana amin’ny maty ary hiova ho fanahy. Tsy hitranga izany mandra-piavin'i Kristy indray, ary izany dia mitondra antsika ho amin'ny fety manaraka, dia ny Fetin’ny Trompetra!
               Ny Fetin’ny Trompetra dia, ara-keviny, ivom-besatra, ny afovoan’ny Andro Masina ao amin'ny Planin’Andriamanitra.
               Tsy tandindona fotsiny amin'ny fotoam-pahoriana mahatsiravina sy ady hitranga amin'ity taranaka ity fotsiny io, fa koa ny fidiran’i Kristy an-tsehatra ihany koa hamonjy ny velona amin'ny fandringanana, ary hanorina ny Fanjakan’Andriamanitra ety an-tany. Izany koa dia tandindon’ny fahatongavan'i Kristy hanangana amin’ny maty ireo voaloham-bokatra.

Ny Fiandohan'ny Fijinjana Lehibe

               Ny fiverenan'i Kristy, ambaran'ny trompetra farany, dia hampiditra ny Fanjakana Arivo Taona - vanim-potoana haharitra 1000 taona izay hanjakan’i Kristy sy ireo olona natsangana tamin'ny maty - ireo voaloham-bokatra, eto an-tany. Avy eo dia hanomboka ny fijinjana ara-panahy lehibe ho ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra.
               Mandritry ny Fanjakana Arivo Taona dia hianatra ny fahamarinan'Andriamanitra ny olombelona rehetra, ary hatolotra, ho olona afaka sy voavonjy, ary ho zanakalahy ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra. Ny ankamaroany dia hisafidy ny hankatoa an’Andriamanitra ary ny ho teraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra.
               Ary isika voaloham-bokatra, izay hojinjaina ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra amin'ny fiverenan'i Kristy, dia hanampy an'i Kristy amin'ny fijinjana ara-panahy lehibe ny olombelona ho ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra.
               Andao hanomboka hianatra momba ny Fetin’ny Trompetra isika.
               Fantaro tsara ny ifandraisan'ity fety lehibe ity amin’ny Planina Lehiben'Andriamanitra.

 

LESONA 30

Hiditra An-Tsehatra Amin'ny Raharahan'izao Tontolo Izao I Kristy

Raha nahita an'i Kristy niakatra any an-danitra tamin’ny taona 31 tar. JK ireo mpianatra, dia nisy anjely roa nilaza taminy fa mbola hiverina indray Izy (Asa 1:11). "Ho avy indray" aho, hoy i Jesosy nilaza tamin'ny mpianany taloha (Jaona 14:3).
Kristy dia efa tonga mihoatry ny 2 000 taona lasa izay, ho mpitondra hafatra feno fanetren-tena, hanambara ny vaovao tsaran'ny Fanjakan’Andriamanitra ho avy. Saingy amin’izao kosa, rehefa hiverina Izy, dia ho avy amin'ny hery rehetra ary ny voninahitry ny Fanjakan’Andriamanitra!
Tsy ho faty hatao sorona noho ny fahotantsika ho Zanak’ondrin’Andriamanitra intsony i Jesosy Kristy, fa hiverina ety an-tany mba hamarana ny ota amin-kery!
1. Moa ve hiverina ety an-tany Kristy hametraka ny Fanjakan’Andriamanitra sy hitsara ireo firenena? Apok.11:15-18. Ho avy amim-pahalemem-panahy ve Izy, sa miaraka amin'ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny olombelona mpikomy? Andininy 18. Moa ve ny firenen'izao tontolo izao hanaiky am-pilaminana ny fitondram-panjakan'Andriamanitra? Andininy mitovy.
FANAMARIHANA: Ny mpitondra ara-politika dia ho tezitra rehefa tsapan'izy ireo fa efa tonga i Kristy handrodana ny fitondrana amin'izao tontolo izao ary hanorina ny Fanjakan’Andriamanitra, izay hanjaka amin’ny tany rehetra avy ao amin'ny foibe ao Jerosalema.
Tamin'ny toriteniny tao an-tendrombohitra, dia nasehon'i Jesosy ny mpianany ny drafitry ny hetsika izay hitarika ny Fiaviany Fanindroany. Andao hodinihina izay nambarany momba ny Fetin’ny Trompetra sy ny ny adin’ny tontolo ho avy.
2. Inona no famantarana manambara ny fiverenan'i Kristy - moa ve feon'ny trompetra maneno mafy? Mat. 24:30-31.
3. Nilaza ve i Jesosy fa ilay Fanjakan’Andriamanitra ho avy dia haorina eto an-tany mandritry ny fotoana misy ady eto amin’izao tontolo izao? Mat.24:3, 6-8, 21. Jereo koa ny Lioka 21:31. Moa ve io fotoana misy ady maneran-tany io no fotoana hananan’ny olona fahefana hanafoana ny fiainana rehetra eto an-tany? Mat. 24: 21-22.
4. Nampanantena ve i Jesosy fa hanafohy izany fotoana misy fahoriana lehibe izany, noho ny fitsinjovany ny vondrona vitsy an'isa antsoina hoe "olom-boafidy"? Andininy 22. Rahoviana izany no hitranga? Andininy 33-34.
               Ny olona miaina amin’izao tontolo izao ankehitriny izany ho hahita maso ny fanapotehan'ny ady niokleary. Fa ny olona ankehitriny koa dia hahita maso ny fanelanelanana farany hataon'i Jesosy Kristy mba hamonjy ny olombelona amin'ny famongorana ny miaina rehetra. Ny olona ankehitriny no hahita maso ny fiverenan'i Jesosy Kristy amin'ny hery lehibe sy voninahitra mba hanangana ny Fanjakan’Andriamanitra.
               Hotsofina ny trompetra milaza ady, ary ny trompetra fahafito, manambara ny fandresen'ny Mpanjakan'ny mpanjaka, dia hotsofina alohan'ny fahafatesan’ity taranaka ity!
               Avadiho ny Baibolinao ho any amin'ny Levitikosy 23, ilay toko tena lehibe izay mamaritra ny Andro Masin'Andriamanitra rehetra. Andeha isika hianatra izay voalaza ao sy any amin’ny toko hafa ao amin'ny Testamenta Taloha ny momba ny Fetin’ny Trompetra.

            Mariho koa fa ny dikan-teny rehetra ao amin'ny ampahany voalohany amin'ny andininy 18 dia miresaka "ny fotoana hitsarana ny maty”. Izany dia azavain’ny Apok.20:5, izay milaza “Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona…”

FANAMARIHANA: Ny tontolo ankehitriny dia toby mitam-piadiana, rakotra fitaovam-piadiana mahagaga izay afaka hanapotika ny sivilizasionan’ny olombelona manerana izao planeta izao! Hoy i Jesosy momba io andro io: "Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan'izany rehetra izany” (Matio 24:34). Isika ankehitriny dia miaina amin'ny tena andro izay noresahan'i Jesosy Kristy, “ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena” ka ho velona! (Matio 24:22)

Ny Dikan'ny Trompetra

1. Rahoviana no hankalazaina ny Fetin’ny Trompetra isan-taona? Lev.23:23-25.
FANAMARIHANA: Ny fito dia isa manokana an'Andriamanitra midika fahafenoana sy fahatanterahana. Ny volana fahafito ao amin’ny kalandrie masin'Andriamanitra dia misy ireo fety farany mahatanteraka ny Planin’ny Famonjen'Andriamanitra.
Ny andro voalohany amin'ny volana fahafito dia manamarika ny fiandohan'ny dingana farany amin'ny Planin’Andriamanitra.
2. Moa ve ny Fetin’ny Trompetra dia anisan'ireo andro Sabatan'Andriamanitra ankalazaina isan-taona? Andininy 24. Moa ve ny vahoakan'Andriamanitra mahazo manao ny asany an-davanandro amin'io Sabata fanao isan-taona io? Andininy 25.
3. Moa ve ny vahoakan'Andriamanitra dia asaina hanao fivoriana masina eo anatrehan'Andriamanitra amin'io Andro Masina io? Nom.29:1.
4. Inona no hany asa tsy maintsy hatao amin’io Andro masina fahefatra io? Lev.23:24. Moa ve "fahatsiarovana amin’ny fitsofana trompetra" izany andro izany? Io andininy io ihany.
FANAMARIHANA: Avy amin'io lanonana io nahazoany ny anarana hoe Fetin’ny Trompetra. Ilay fomba Hebreo momba ny fitsofana trompetra dia midika hoe fahatsiarovana ny fandresena, na hiakam-pifaliana [miaraka amin'ny trompetra].
5. Moa ve i Davida Mpanjaka fahiny dia nahatakatra fa ny Fetin’ny Trompetra dia andro fihirana sy fihobiana noho ny fifaliana? Sal.81:1-4.
6. Ahoana ny fitsofana ny trompetra amin’ny Fetin’ny Trompetra? Vakio sy fintino ny Nomery 10:1-10, mariho indrindra ny andininy faha-10. Moa ve ny trompetra volafotsy no ampiasaina hanambarana ny andro firavoravoana sy hiantsoana ny vahoakan'Andriamanitra mba hivory? Andininy 2, 10.
FANAMARIHANA: Ho fanampin'ny trompetra volafotsy tsofina amin'ny Fetin’ny Trompetra, dia misy hafa koa no tsofina. Ny lovantsofina jiosy dia mitahiry ao amin’ny firaketana fa ankoatry ny trompetra volafotsy (chatsotserah amin'ny teny hebreo), dia misy anjomara iray, vita avy amin’ny tandrok’ondrilahy, (shophar amin'ny teny hebreo) tsofina isan-taona amin'ny andro voalohany amin'ny volana fahafito-amin’ny Fetin’ny Trompetra (Talmud, "Rosh Hashana," Mishnah 26b).
Ny trompetra volafotsy dia afaka mamokatra feo mahafinaritra isan-karazany, fa ny tandroky ny ondrilahy kosa dia manana feo mipoaka. Io feo mipoaka io dia matetika lazaina ao amin'ny Baiboly ho toy ny hiaka, na tabataba-tsy azo ampifangaroina amin’ny mozika, fa natao ho fampitandremana ihany.
7. Moa ny feon 'Andriamanitra mahery vaika ve azo oharina amin'ny feon'ny trompetra lehibe na amin’ny feon'anjomara mafy indrindra? Eks.19:16-19; 20:18; Apok 1:10.
8. Moa ve ny trompetra dia tsofina manokana amin'ny andro fifaliana, amin’ny fotoam-pivavahana, ary amin'ny voaloham-bolana-anisan'izany ny volana fahafito? Nom.10:10.
FANAMARIHANA: Ny Fetin’ny Trompetra dia androm-pifaliana sy firavoravoana be, fa misy koa marika mifanohitra izay milaza voninahitra sy fahamasinana miaraka aminy. Izany no misy dia noho ny tranga samihafa hiseho eto an-tany alohan'ny hiverenan'i Kristy. Ny feo mipoakan’ny anjomara no manome fahamasinana sy voninahitra lehibe ny Fetin’ny Trompetra.

Ny Trompetra, Fanairana Amin'ny Ady

               Koa satria ny fampiasana ny anjomara na ny tandrok’ondrilahy amin’ny Fetin’ny Trompetra no mahatonga io andro firavoravoana io ho tsy manam-paharoa, inona no dikan'ny feon'ny anjomara teo amin'ny Isiraely tamin’ny Testamenta Taloha? Aoka ho azontsika ny fomba nampiasàna ny tandrok’ondrilahy ary inona no ambaran’ny feony minananàna ho an'ireo izay maheno izany.
1. Inona no fihetsik'i Jeremia rehefa nahare ny feon'ny anjomara izy? Jer.4:19-21.
FANAMARIHANA: Ny trompetra na ny tandrok'ondrilahy dia nampiasaina ho fanairana amin’ny ady. Ny feony dia nahafeno tahotra an'ireo nandre izany satria fantany fa manambara fa efa antomotra ny horohoron’ny ady! Izany fampitandremana amin'ny krizy manakaiky izany no mampiavaka ny Fetin’ny Trompetra amin’ireo Andro Masin’Andriamanitra. Izany fampitandremana amin’ny ady izany no manome fahamasinana sy voninahitra an’ity andro feno fifaliana amin'ny Fetin’ny Trompetra ity.
2. Moa ve notsofina ny anjomara rehefa hitan'ny mpitilin’ny Israelita fa manakaiky ny fahavalo? Ezek. 33:2-6.
3. Iza no notendren'Andriamanitra ho "mpitily" eo amin’ny olony? Andininy 7-9. Moa ireo mpanompon'Andriamanitra mahatoky manerana ny taona rehetra ve no tompon'andraikitra amin'ny fampitandremana izao tontolo izao amin'ny ady manakaiky? Amosa 3: 6-7. Jereo koa i Isaia 58:1
FANAMARIHANA: Tany amin’ny Israely fahiny, ny trompetra koa dia notsofina ho filazana ny hafatra manan-danja. Ireo mpaminany tao amin'ny Testamenta Taloha, toa an'i Isaia, Jeremia ary Ezekiela, dia nampiasa ny feony ara-panoharana ho toy ny fanenon’ny trompetra ho fampitandremana ny vahoakan'Andriamanitra. Ary toy izany koa no ataon'ireo mpanompon'Andriamanitra ankehitriny.
4. Efa nanambara tamin'ireo mpanompony marina an’ireo tranga hiseho mialohan'ny hiverenan'i Kristy eto an-tany ve Andriamanitra?
Vakio sy fintino ny Matio 24:1-14. Inona ireo hafatra entin'ireo mpanompon'Andriamanitra mahatoky amin’ny firenena rehetra? Andininy 14.
FANAMARIHANA: Ny tena Fiangonan’Andriamanitra amin'izao taranaka miaina amin’ny vanim-potoana farany izao dia mitory ny Filazantsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra amin'ny firenena rehetra eran'izao tontolo izao amin’ny alàlan’ny fahitalavitra, ny radio ary ny gazety. Ireo olona samy manana ny fiainany dia ampitandremana fa, alohan 'ny famerenana amin'ny laoniny ny Fanjakan’Andriamanitra eto amin'ity tany ity, dia hisy aloha ny hadisoana lehibe eo amin'ny fampianarana ny finoana, avy eo ny ady sy ny filazana ady, avy eo ny fanenjehana ara-pivavahana, miafara amin'ny Ady mahatsiravina indrindra eto amin’izao tontolo izao, izay mbola tsy niainana mihitsy hatrizay!
Amin'izao fotoana izao, isika dia eo anelanelan'ny ady faharoa sy fahatelo eto ami’izao tontolo izao. Ho avy ny ady lehibe fahatelo, ary ireo izay mendrika ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra ihany no hisidina ho any an’efitra izay hiarovan'Andriamanitra azy ireo.
5. Inona no antony itondran'Andriamanitra ady amin'ny firenena iray? Ampitahao ny Isaia 58:1, ny Jeremia 4:22 ary ny Hosea 4:6; 8:1-4.

Ny dikan'ny Sophar

Araky ny lovantsofina jiosy, ny shophar, na anjomara, dia trompetra tsotra mazàna namboarina tamin'ny tandroky ny ondrilahy, ary notsofina tamin'ny Fetin’ny Trompetra, ho fanampin'ireo trompetra volafotsy. Ny trompetra volafotsy dia afaka nanome feo isan-karazany, fa ny shophar kosa dia nanome fipoahana manaitra. Amin’ny fotoan'ny andro sarotra eo amin’ny firenena, ny feony dia nahatonga an’izay nandre izany ho feno tahotra, satria fantany fa antomotra ny ady. Izany fampitandremana amin’ny ady izany no mahatonga ny androm-pifalian’ny Fetin’ny Trompetra hifangaro amin’ny feo mifanohitra misy voninahitra sy fahamasinana.
Maro ireo karazan’anjomara nampiasaina hatramin’izay, ary hitantsika amin’ny sary etsy ambony ny sasantsany amin’izy ireny.

 

Kristy Dia Misolo Vava Ny Firenena

Izao dia mitodiha any amin'ny bokin'ny Apokalypsy, izay ahitàna ny faminaniana momba ny trompetra fito, izay tandindon’ny tranga hisy maneran-tany mampihorohoro sy mikorontana, alohan'ny fiverenan'i Kristy.
1. Inona avy ireo fotoana voatondro ho an'ny trompetra fito- Moa ve izany dia fotoan'ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ireo olombelona mpikomy? Apok.6:16-17.
FANAMARIHANA: Ireo trompetra ara-panoharana dia mampiseho ny andron'ny Tompo – ny andron’ny fahatezeran'Andriamanitra, fotoana izay hidiran’Andriamanitra an-tsehatra amin'ny raharahan'izao tontolo izao, mba hanasaziana an’izao tontolo izao noho ny haratsiany! Izany dia fotoana isoloan'Andriamanitra vava ny nofo rehetra izay manana fiteny fantatry ny olombelona rehetra!
2. Moa ve ny fotoana miavaka hidiran'i Kristy an-tsehatra eto amin’ny raharahan’izao tontolo izao dia hambaran’ny famantarana mahagaga manokana eny amin’ny lanitra? Andininy 12-16. Moa ve ny olona izay nanana fiainana nofehezin’ny ota dia mangovitry ny tahotra, ary te hiafina amin'Andriamanitra rehefa hitan’izy ireo fa miditra an-tsehatra eo amin'ny raharahan’izao tontolo izao Izy? Andininy 15-16.
               Izany fampitandremana amin’ny ady izany no manome voninahitra sy fahamasinana ny Fetin’ny Trompetra, mifanohitra amin’ny fifaliana hita.
3. Inona no zavatra hitranga aoriana kelin’ny famantarana ny fiavian'i Kristy? Apok.7:1.
FANAMARIHANA: Ny rivotra efatra dia ny rivotra izay mitsoka ny trompetra efatra voalohany amin’ireo trompetra fito. Ny trompetra dia manambara ny fidiran'Andriamanitra mivantana amin’ny raharahan’izao tontolo izao, mba hanavotana ny olombelona amin'ny fandringanana ny nofo rehetra, dia ny olombelona sy ny biby.
4. Moa hiaro ireo mpanompony tsy mivadika Aminy ve Andriamanitra - anisan'izany ireo izay mitodika Aminy mandritry ny fotoana hikorontanan’izao tontolo izao izay mbola ho avy? Apok.7:2-3. Avy taiza ireo mpanompon'Andriamanitra ireo? Vakio sy fintino ny andininy 4-14, ary mariho indrindra ny andininy faha-14.
5. Moa ve ireo olona ireo nibebaka tamin'ny fahotany mandritra na amin'ny faran'ny Fahoriana Lehibe? Andininy 14.
Handray ny fiainana mandrakizay ireo vahoaka be ireo, ary hanompo an'Andriamanitra andro aman'alina ao amin'ny tempoliny ireo (and.15).
6. Inona no hitranga aorian'ny nametahana tombo-kasen’ny Fanahy Masina an’ireo mpanompon'Andriamanitra mahatoky, izay manome fiarovana azy ireo amin'ny loza nambaran'ny trompetra izay ho tsofina mandritry ny andron'ny Tompo? Apok. 8: 1-6.
7. Inona no hitranga eto an-tany rehefa mitsoka ny trompetra ny anjely voalohany? Andininy 7.
FANAMARIHANA: Hisy rivo-doza mahery vaika handoro ny ahi-maitso rehetra sy ny ampahatelon'ny hazo. Ny fahamaizan’ny zavamaniry no sazy voalohany raha mitohy mandà tsy hanaiky ny Fitondram-panjakan'Andriamanitra ary mandà ny hankatoa ny Didiny.
8. Inona no hambaran’ny fipoahan'ny trompetran’ny anjely faharoa? Andininy 8-9.
FANAMARIHANA: Ho tratran'ny loza lehibe tokoa ny ranomasina. Ho lasa rà ny ampahatelon'ny ranomasina, haringana ny ampahatelon'ny fiainana ao anaty ranomasina, ary ny ampahatelon'ny sambo, izay ampiasaina indrindra amin’ny varotra sy ny ady, dia ho rava!
Toy ireo loza rehetra avy amin'Andriamanitra izay mianjera amin'ny olon-dratsy sy tsy mankatoa Azy, ireo izay manolo-tena ho an'Andriamanitra, ireo izay manomboka hankatoa Azy ary miala amin'ny lalan'ny fiaraha-monina feno faharatsiana, dia ho voaro amin'ny sazy mahatsiravina mbola ho avy.
9. Manaraka izany, inona no hitranga amin'ny ampahany amin'ny tany amin’ny famatsiana rano fisotro rehefa hitsoka ny trompetrany ny anjely fahatelo? Apokalypsy 8:10-11. Moa ve ho maro ny olona maty noho ny fisotroana an'io rano misy poizina io? Andininy 11.
10. Inona ny loza mahatsiravina iray ambaran’ny trompetra fahefatra? Andininy 12.
FANAMARIHANA: Ny tsy filaminana eo amin'ny masoandro sy ny volana dia nitondra ny olona fahagola nahatsapa fa niditra an-tsehatra tamin'ny raharahan'olombelona Andriamanitra Tsitoha!
Na dia nihorohoro noho ny famantarana eny amin’ny lanitra aza ny ankamaroan'ny olona, dia mbola hitohy nanota ihany, na dia eo aza ny fampitandreman’ Andriamanitra imbetsaka azy ireo mba hibebaka!

FANAMARIHANA: Ny 144000, ary koa ny olona maro tsy hita isa avy amin'ny firenena rehetra voatonona andininy faha-9, dia nibebaka tamin'ny lalan-dratsiny taloha, ary mitodika amin’Ilay Andriamanitra Tsitoha amin'ny fanolorany tena. Noho izany, ny fahotany dia napetrak'Andriamanitra eo ambanin’ny ran'i Jesosy-Kristy, Ilay Zanak'ondrin'ny Paska (andininy 14). Hoy ny iray amin'ireo Loholona eo amin'ny Seza Fiandrianan’Andriamanitra: “Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin'ny ran'ny Zanak'ondry” (Apokalypsy 7:14)

FANAMARIHANA: Avy eo Andriamanitra dia hanasazy ireo mpanota tsy mibebaka ireo amin'ny fanaovana ny ampahatelon'ny rano ho tsy azo sotroin’ny olombelona. “Ary… tonga mangidy ny ampahatelon'ny rano; ary maro ny olona no matin'ny rano, satria efa nangidy izany” (Apokalypsy 8:11)

Loza amin’antambo Ateraky Ny Ady Maneran-Tany

1. Moa ve mbola hisy loza amin’antambo hafa hahazo ny olombelona? Apok.8:13. Moa ve ireo loza telo ireo mitovy amin'izay entin’ny trompetra telo farany? Andininy mitovy.
FANAMARIHANA: Ny isa telo dia isa manambara fahatontosana. Ireo loza telo ireo dia midika ady lehibe telo farany, izay samy mahatsiravina be, satria antsoina hoe "loza" avy amin'Andriamanitra Tsitoha. Ny ady tsirairay dia samy mandringana daholo, ary Andriamanitra irery ihany no afaka hanamboatra ny fahasimbàna hataon'ny tafiky ny olombalona eto ambonin'ny tany.
Amin'ny ady fahatelo, izay loza farany ambaran’ny trompetra farany, ny olombelona rehetra dia ho voavonjy amin'ny faha-fonganana noho ny fahagagana ataon'Andriamanitra irery ihany. Raha tsy hiditra an-tsehatra manokana amin'ity ady ara-toetr’andro ity Andriamanitra, ny olombelona dia handringana ny tamingan’olona miaina tavela eto an-tany.
Ireo tranga mahatsiravina ireo no mahatonga ny Fetin’ny Trompetra ho andro manetriketrika. Fa ho an’ireo izay nanomboka nankatò ny Fitondram-panjakan'Andriamanitra, dia ho fotoana firavoravoana izany. Hofoanana ny fandikan-dalàn’ny fiaraha-monina ankehitriny, ary hatsangan'i Jesosy Kristy ny Fanjakan 'Andriamanitra eto an-tany!
2Inona no ambaran’ny loza voalohany? Vakio sy fintino ny Apokalypsy 9:1-12. Moa ve ny loza voalohany mitovy amin'ilay entin’ny trompetra fahadimy? Andininy 1, 12.
3. Moa ve ny Apostoly Jaona mitantara ny "valala" mampahatahotra tokoa, izay tsy hanimba ny ahitra, fa hampiasaina hampanaintaina nyolombelona? Andininy 3-10.
Ny trompetra dia manambara ny fidiran'Andriamanitra mivantana amin'ny raharaha manerantany, hiarovana ny zanak’olombelona amin’ny fandringanana ny aina rehetra.
FANAMARIHANA: Jaona dia nampiasa voambolana an'ohatra hoe valala hitantarany ny fitaovana mahatsiravina fampiasa amin’ny ady, izay noforonin'ireo manam-pahaizana, ary ampiasain'ny tafika amin’ity ady farany maneran-tany ity! Mariho fa ireo valala ara-panoharana ireo dia tsy manimba ny ahitra, ary entin'ny olona sy afaka manidina (and.7, 9). Hiteraka tabataba be izany, ary hanana fiarovan-tena handrakotra azy.
               Ireo fitaovam-piadiana mahery vaika sy mpandresy ny tontolo ireo dia tena tsy nahazatra ny Apostoly Jaona. Tsy afaka namaritra ireo tamin’ny fiteny tamin'ny androny izy. Ireo fitaovam-piadiana mampatahotra ireo dia mety manana anarana tsotra ankehitriny satria fitaovana maoderina fampiasan’ny miaramila. Amin'ny fotoan’ny trompetra fahadimy sy ny loza voalohany, dia ho hita mazava tsara hoe inona ireo fitaovam-piadiana ireo sy ny fomba fampiasàna azy ireo.
 

Ny Loza voalohany

-Ny tafiky ny bibi-dia na ny Fanjakana Romana nohavaozina, izay antsoina koa hoe Babylona maoderina, dia hanafika ireo fahavalony any atsinanana. Ireo fitaovam-piadina mampihorohoro, arak’izany, dia hitondra fahafatesana sy fandringanana olona an-tapitrisany.
4. Iza no tena mpitarika an'io tafika io, izay manana an'ireo fitaovam-piadiana mahatonga fandringanana olona maro ireo? Andininy 11.
FANAMARIHANA: Ny teny hebreo abaddon, sy ny ny teny grika hoe apollyon dia samy midika hoe "fandringanana"! Ny hery mamohehitra izay hitarika io tafika io dia i Satana devoly!
5. Avy aiza ity tafika ity, miaraka amin'ity mpitarika sompatra ity? Andininy 2-3. Moa ve ilay "lavaka tsy hita noanoa" manondro toerana iray mety hahafahantsika mamantatra ny tafika izay miainga avy tao aminy? Apok.17:8. Moa ve io tafika matanjaka an’ny bibi-dia io, dia famerenana farany ny Fanjakana Romana tany Eoropa, izay mitarika ny fivavahan-diso lehibe? Andininy 7-13.
6. Iza no ho voavonjy amin'ny fanafihan'ny herin'ny biby? Apok.9:4.
FANAMARIHANA: Rehefa mirohondrohona hanafika ny fahavalony any amin'ny tany atsinanana ny tafiky ny bibi-dia, ireo izay manana ny tombo-kasen'Andriamanitra eo amin’ny handriny ihany no ho voaharo!
Fa ireo taranaka maoderina an’ireo foko folon'ny Zanak’Isiraely taloha an-tapitrisany maro -anisan'izany Etazonia, Angletera ary ireo firenena hafa any avaratra andrefan'i Eoropa, dia ho resin'ny fanafihana tampoka taona vitsy mialoha ihany, ary ho lasa andevo ara-batana sy ara-panahy! Ireo olona ireo, izay efa ampitandreman’ny mpanompon'Andriamanitra ankehitriny amin'io fahababoana ho avy io, dia tsy ho voaaro amin'ny herisetra mahery vaika amin'ny ady farany maneran-tany, raha tsy mibebaka amin'ny fahotany sy mandray ny tombo-kasen'ny Fanahy Masin'Andriamanitra.
               Mandritra izany fotoana izany, dia hiomana ny olona maro avy any atsinanana hanafika ny herin'ny bibi-dia. Fa tsy avelan’ny bibi-dia hahazo vahana izy ireo, fa hiverina izy hamely ireo amin’ny fahatezerana lalin’ny herin'ny tafiny! Ity fanafihana ity, izay mampiasa ny hery fandringanana mahatsiravina rehetra afaka foron’ilay bibi-dia, no ho loza voalohany.
               Izany no fanombohan’ny ady mahatsiravina mba hahazoana mifehy ny tontolo rehetraamin’ny mpomba ny Eoropa sy Azia roamifaninana amin'ny fitantanana an'izao tontolo izao.
               Ankehitriny dia vonona ny sehatra ho amin'ny ady an-trano faharoa, hahazoana manapaka an'izao tontolo izao. Ny loza faharoa dia vonona ny hanomboka — vonona ny hitsoka ny trompetra fahenina!

Ny Loza Faharoa

1. Moa ve mazava fa mitovy ny fahoriana entin’ny trompetran’ny anjely fahenina sy ny loza faharoa? Apok.9:12-13. Inona no hitranga rehefa tsofina ny trompetra fahenina – iza no ho sahy handrahona sy hiady amin'ny herin'ny bibi-dia? Andininy 14-16. Ary ahoana ny ilazany ny fitaovam-piadiany? Andininy 17-19.
2. Firy ny isan’ny olona hiharan'ny fampahoriana, sy ny fampijaliana ary ny fahafatesana entin’ny tafiky ny Atsinanana rehefa mifanohitra amin'ny tafika sy ny tanàna eo ambany f          ahefan'ny bibi-dia izy? Andininy 15, 18.
FANAMARIHANA: Izany fanapotehana tanteraka ny ain’olombelona marobe izany no ho fidin'i Jesosy Kristy manokana hajanona! Raha navela hitohy ny ady toy izany, dia ho fongana daholo ny ain'olombelona rehetra (Mat.24:22).
 
 
3. Ahoana no ilazalazana ny tafika mitam-piadiana avy any Atsinanana? Apok.9:16-19.
FANAMARIHANA: Eto indray, dia afaka namaritra ity fitaovam-piadiana mampatahotra amin’ny andro farany ity ny Apostoly Jaona, tamin'ny alalan’ny fampitahana izany amin'ny zavatra mahazatra azy! Koa satria mitombo ny fahalalana ara-teknikan'nyolombelona, ny olona dia hampiasa ireo fitaovam-piadiana voalaza eto.
4. Inona koa no fantatsika momba ilay tafika mahery izay hanafika ny herin’ny bibi-dia? Koa satria an-tapitrisany no ho ripaky ny ady niokleary, ampitahaina amin’ny inona ny vidin’ny ain'ny olombelona? Isa.13:12-16. Moa ve ity fahapotehana ity dia avy amin’ny taranaky ny Mediana sy ireo mpiara-dia aminy, izay monina any avaratra-atsinanana ary atsinanan'ny Babylona maoderina? Andininy 17-18.
FANAMARIHANA: Ny Mediana sy ny Persiana teo ambanin’ny Mpanjaka Kyrosy dia namabo an'i Babylona tamin'ny taona 539 tal.K. Ny taranaky ny Persiana dia any Iran, ary ny an’ny Mediana dia any Ukraine ankehitriny.
5. Moa ve i Babylona (anarana nomen'Andriamanitra an'ny fitambaran’ny politika sy ny foto-pinoana izay nipoitra tao amin'ny tanànan 'i Babylona taloha ary notohizan’i Satana tao amin'ny Fanjakana Romana sy ny fampodiana izany) nolazain’ny mpaminany fa hirodana fanindroany? Apok 18: 2; Isa. 21: 9.
Ny loza faharoa. Ny tafika Rosiana misy miaramila 200 tapitrisa no hanohitra sy hanimba ny tanànan'ny tafiky ny bibi-dia. Ny tanàna ravan’i Babylona fahiny dia manambara ny faharavàna any am-parany nolazain’ny faminaniana izay hitranga amin'i Babylona maoderina.
Ny loza fahatelo — Amin'ny fotoana hiverenan’i Kristy, dia hiangona any Megido ny tafiky ny firenena rehetra, ao amin'ny Lohasahan'i Jezirela. Hizotra ho any Jerosalema izy ireo hiady amin’i Kristy, Izay haharesy azy ireo tokoa.
FANAMARIHANA: Ny valim-panafihana ataon’ny Rosiana, taranaky ny Mediana, sy ireo mpiara-dia aminy, dia handray anjara lehibe amin'ny fanonganana ilay bibi-dia, izay lazaina eto hoe "Babylona".
               Mba hahatakarana tsara kokoa ireo loza izay hitranga amin'ny fifohazana faran'ny Empira Romana, dia vakio ny Jeremia 50:9-16, 40-42 sy 51:7b.
               Ny fianjeran'i Babylona fahiny dia fahatanterahana fohy ara-tantara ny fandringanana lehibe kokoa amin'ny fotoana farany, izay hitranga amin'ny "zanakavavy" maoderina amin'izany tanàna tranainy izany.
 
 
6. Aorian'ny valim-panafihana handrava an'i Babylona maoderina hataon'ny tafika tatsinanana, moa ve ny olona hanaiky ny Fanjakan’Andriamanitra? Apok.9:20-21.
7. Moa ve Andriamanitra hanohy handefa ireo irany mahatoky mandritra io vanim-potoana io, mba handresy lahatra ireo zanak’olombelona ireo hibebaka? Apok.11:3-6. Fa moa ve ny olona hitodika amin'Andriamanitra rehefa avy nahare ireo vavolombelona roa ireo? Sa, noho ny fahatezerany sy ny haromotany, dia hovonoin'ilay bibi-dia ho faty ve izy ireo? Andininy 7. Aiza ireo vavolombelona roa ireo no hovonoina? Andininy 8.
FANAMARIHANA: I Kristy dia nohomboana tao Jerosalema, izay tonga ratsy tahaka an'i Sodoma sy Gomora, nanota toy ny Egyptiana, eo imason'Andriamanitra (Jer.23:14).
               Ho faty hitsitra eny an-dalambe any Jerosalema ho hitan'ny rehetra ireo vavolombelona roa ireo.
8. Rehefa avy namono ireo vavolombelona roa an'Andriamanitra ny bibi-dia, inona no hataon'ireo olom-peheziny? Apok.11:9-10. Moa ve Andriamanitra, izay manana fahefana amin'ny fiainana sy ny fahafatesana, hanangana amin’ny maty an’ireo vavolombelony roa ireo eo imason'ireo mpamono azy, mba hanaporofoana aoriana fa Izy no nandefa azy ireo haminany? Andininy 11-12.
9 Moa ve hisy horohoron-tany lehibe handringana ny ampahafolon'ny tanàna? Andininy 13. Moa ve izany tranga izany hiseho mandritry ny loza faharoa, sy ny trompetra fahenina? Andininy 14

Manambara Ny Fiverenan'i Kristy Ny Trompetra Fahafito

1. Inona no hitranga rehefa hotsofina ny trompetra fahafito ary hanomboka ny loza fahatelo? Apok.11:14-15. Iza ary avy eo no homena ny fitondram-panjakana na ny fahefana eto amin'izao tontolo izao? Andininy 15. Moa ve ho fotoana tena feno fifaliana ho an’ny mpanompon'Andriamanitra izany, anisan'izany ny anjely any an-danitra? Andininy 16-17.
2. Nefa kosa, inona no fihetsik'ireo firenena eto amin'izao tontolo izao? Andininy 18.
FANAMARIHANA: I Jesosy Kristy, Ilay Mpitondra vaovao an'izao tontolo izao, dia tsy ho eken'ireo firenena mbola miady foana ho Mpanjakan'ny tany. Ireo firenena, izay mivondrona ao amin’ny Firenena Mikambana - ny «firenena rehetra» voalazan’ny faminaniana ao amin'ny Baiboly, dia hanangona ny heriny ny bibi-dia sy ny Rosiana, ka hitondra ny tafiny ao amlin’ny Tany Masina mba hanohitra an'i Kristy. Hihevitra izy ireo fa fahavalo iraisany Izy, ary ho tezitra Aminy izy ireo, noho ny hanapahany ny governemanta rehetra eto an-tany. Fantatr'izy ireo fa raha i Jesosy Kristy no mitondra ny tany, ny fomba fitondran'olombelona fanaony dia tsy hisy intsony.
               Izany ady momba ny andro izany, ny Adin'ny Andro Lehiben'ilay Andriamanitra Tsitoha, no hamaritra ny fiafaran'ny Ady Lehibe Fahatelo, sy izay hanapaka ny tany!
3. Moa ve io fotoana fanelanelanan'Andriamanitra io no fotoan'ny fahatezerany marina amin'ny olombelona mpikomy? Apok 11:18. Inona no mbola ambara momba io fotoan’ny fahatezeran'Andriamanitra io? Apok.15:1.
FANAMARIHANA: Toy ny tombo-kase faha-fito izay misy ny trompetra fito farany, dia toy izany koa, ny trompetra fahafito dia misy ny loza fito farany. Ireo loza ireo dia hamotika ny fikomiana rehetra, ary hitondra ny olona rehetra handohalika amin'ny fihetsika mibebaka.
4. Moa ve ireo Anjelin’Andriamanitra, izay handatsaka ny loza fito farany eto ambonin'ny tany, niakanjo rongony fotsy sady madio no mangatsakatsaka, izay tandindon'ny fitsarana marina? Andininy 6.
FANAMARIHANA: Andriamanitra, Izay be famindram-po, dia tsy hiandry intsony ny hibebahan'ny olona amin’ny asa ratsiny.
Ireo mpanao politika manam-pahefana, izay mitantana ny fitondram-panjakan'olombelona, dia efa nandrava ny ankamaroan'ny tany, ary raha tsy noho ny fidiran’Andriamanitra an-tsehatra amin-kery hampijanona ny ady, dia tsy hisy olona ho velona intsony!
5. Ahoana no namaritana ireo loza fito farany? Vakio sy fintino ny Apokalypsy 16:1-4, 8-21. Koa satria tsy mety hibebaka ny olona, moa ve Andriamanitra hitohy hatrany handefa ireo loza tsirairay ho setrin’izany? Andininy 9, 11.
6. Moa ve hanomana lalana ho an'ireo mpanjakan'ny atsinanana sy ny tafiny Andriamanitra mba hiampitany an'i Eofrata hankany amin'ny Tany Masina? Apokalypsy 16:12. Moa ve izany dia ampahan’ny Planin'Andriamanitra hanangona ny tafiky ny firenena rehetra izay mbola mikomy Aminy ho any amin’ny toerana iray, ho amin'ny Ady Lehibe Fahatelo farany? Andininy 13-14. Jereo ihany koa ny Zefania 3:8 sy Joela 4:9-14.
7. Aiza Andriamanitra no hiady amin'ny tafika ratsy an'ny fanjakan'olombelona? Joela 4:12, 16 .Moa ve io ady farany hahazoana ny fifehezana ny tany io dia ho ao amin'ny “lohasaha fitsarana”? Andininy 14. Moa ve antsoina koa hoe Lohasahan’i Josafata io lohasaha io? Andininy 2, 12.
FANAMARIHANA: Armagedona no anarana amin’ny teny anglisy ho an'ny Tendrombohitra Megido, izay anarana Grika.
Megido dia tanàna kely iray sahabo ho 88 kilometatra ao avaratr’i Jerosalema, mipetraka eo amin'ny Lohasaha toa vilia lehibe atao hoe Jezirela, izay antsoina koa hoe Lemak'i Esdraelon.
Eto no hivorian’ny tafiky ny olombelona mpikomy mba hiadiany amin'i Jesosy Kristy eo akaikin'i Jerosalema, mba hamaritana hoe iza no hanapaka eto an-tany.
8. Moa ve hiady amim-pahamarinana i Kristy hanohitra ireo firenena sy ny tafiny mifanandrina Aminy? Apok 19:11; Isa.11: 4-5. Moa ve i Kristy hamely ny firenena amin'ny sabany maranitra, izay tandindon'ny fahefan'Andriamanitra, ary hanapaka azy ireo amin'ny tehim-by? Apok.19:15.
9. Moa ve i Kristy hanitsaka ny famiazana ny divain’ny fahatezeran’Andriamanitra amin'izay fotoana izay? Andininy 15. Moa ve io no famiazana ny divain’ny fahatezeran'Andriamanitra io maneho ny ady lehibe hataon'i Kristy hanoherana ireo olombelona tsy mibebaka, tsy mankatoa ary mpikomy mba hamonjena ny zanak’olombelona tsy ho lany tamingana? Apok.14:19-20; 19:17-21; Isa.63:1-6.
10. Na dia tonga handrava ny tafika aza i Kristy amin'ny fiaviany, moa ve mbola hitalaho amin'ny olona ihany Izy hibebaka amin'ny làlany ratsy? Jer.25:30-33, indrindra ny andininy faha-31.
11. Iza no ho resy amin'ity adin’ny andro ity amin'ny Ady Lehibe Fahatelo? Apok.19:18-20.
12. Taorian'ny fahapotehan’ny tafika izay nalamina mba nanohitra ny Fanjakan’Andriamanitra, moa ve avy eo i Jesosy Kristy nanasazy ireo mpitondra an'izao tontolo izao ara-politika sy ireo mpitondra ny rafitra ara-pivavahana izay niady taminy? Andininy 20.


            I Jesosy Kristy, ilay Mpitondra an'izao tontolo izao vaovao, dia tsy tonga dia ho eken’ireo firenena niady taminy ho Mpanjakan’ny tany.


FANAMARIHANA: Ny andro firavoravoan’Andriamanitra fitsofana trompetra dia tandindon’ny adin’ny andro maneran-tany sy ny fananganana ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany. Rehefa hiditra an-tsehatra Andriamanitra, ary hiaraka amin'io taranaka io, ireo mpanompony mahatoky dia ho faly amin'ny Fiavian’i Jesosy Kristy Fanindroany. Ho azon'izy ireo izay mitranga amin'ny raharahan’izao tontolo izao satria izy ireo efa nitandrina ny Fetin’ny Trompetra, Andro masina ao amin’ny Planin’ny Famonjen'Andriamanitra, izay maneho ny ny fiverenan'i Jesosy Kristy eto an-tany hanjaka amin'ny firenena rehetra avy ao Jerosalema.

Ny Voaloham-Bokatra Hojinjaina Amin’ny Trompetra Farany

1. Nahoana ny olom-boafidin'Andriamanitra no hifaly amin'ny feon'ny trompetra farany, nefa ny firenena rehetra eto ambonin'ny tany hitomany daholo? Mat.24:30-31.
FANAMARIHANA: Amin'ny Ady Lehibe Fahatelo farany - amin'ny trompetra fahafito sy ny loza fahatelo, Andriamanitra Tsitoha dia hiditra an-tsehatra mba hiaro ny zanak'olombelona amin'ny fandringanana tanteraka, noho ireo olom-boafidiny (and.22).


            Ny fitsangan’ireo olom-boafidy dia hitranga amin'ny Fiavian'i Jesosy Kristy Fanindroany, rehefa hiverina Izy hanjaka amin'ny firenena rehetra.


2. Rehefa hiverina eto an-tany i Kristy miaraka amin'ny ny feon'ny arikanjely sy ny trompetran'Andriamanitra, inona no hitranga amin’ireo izay nankatoa tamim-pinoana ny Fitondram-panjakan'Andriamanitra? 1Kor.15:52; 1Tesa.4:16-17. Rahoviana ity fanovana ho amin'ny tsy fahafatesana ity no hitranga - amin'ny feon'ny trompetra farany ve? 1Kor.15:52.
 
3. Inona izany fiovana hitranga izany? Andininy 53-54. Iza no hiaina ity fanovana ity voalohany, avy amin'ny tenan’olombelona ara-nofo ka ho amin'ny tena fanahy tsy mety maty? Andininy 52.
FANAMARIHANA: Rehefa mampiasa ny teny hoe "isika" ny Apostoly Paoly, dia miresaka ny tena kristiana izy, izay nanolotra ny fiainany ho an'Andriamanitra ho fankatoavana ny Lalàny, sy ireo izay efa nandray ny Fanahiny Masina. Ireo no "olom-boafidy" izay hatsangana amin'ny maty mba homena fiainana tsy mety maty amin'ny Fitsanganana Voalohany, toy ireo "olom-boafidy" izay mbola velona amin' ny Fiavian’ i Kristy Fanindroany.
               Ireo vondrona vitsin'ireo olo-masina ireo no ho "voaloham-bokatra" ho jinjaina amin’ny Planin’ny Famonjen'Andriamanitra. Izy ireo no “fofom-badin’i Kristy, araka ny efa nodinihina an-tsipiriany tao amin'ny lesona 17.
4. Iza ireo lazaina fa manana anjara amin'ny Fitsanganana Voalohany? Apok. 20: 6. Jereo ihany koa ny Apokalypsy 3:21.
FANAMARIHANA: Ny fitsanganan'ireo olom-boafidy dia hitranga amin'ny Fiavan'i Jesosy Kristy Fanindroany, rehefa hiverina hanjaka amin'ny firenena rehetra Izy amin'ny maha Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo Azy. Avy eo ireo izay nandray ny Fanahy Masin’Andriamanitra nandritra ny fiainany teto an-tany dia hatsangana amin'ny maty ho amin’ny fiainana mandrakizay, ary handova ny Fanjakan'izao tontolo izao miaraka amin’i Kristy.
5. Moa ve hanome valim-pitia ny olo-masina ve i Kristy, ka hanome azy ireo satroboninahitra sy toeram-pitondrana amin'ny fiaviany? Apok.11:18; Isa.40:10; 62:11; 2Tim.4:8; 1Pet.5:4.
FANAMARIHANA: Ny voaloham-bokatry ny famonjena dia hahazo voninahitra lehibe ka ho lasa mpanampy an'i Kristy amin'ny asa mahafinaritra fananganana sivilizasiona vaovao ao amin’ny Tontolon’ny Ampitso. Hiara-hanjaka amin'i Kristy izy ireo, ka hanampy Azy amin'ny fijinjana ara-panahy lehibe kokoa mandritra sy aorian'ny Fanjakana Arivo Taona.

Manambara Ny Fifindran-Toerana Faharoa Ny Trompetra Farany

1. Raha vao voajinjan’ Andriamanitra ny voaloham-bokatry ny Planin’ny Famonjena Lehibe amin'ny fitsanganana voalohany, inona no hataony? Isa.27:12-13.
2. Moa ve izany fanangonana ireo taranaka maoderina an'ny foko 12 amin'ny Isiraely izany hanomboka amin'ny fitsofana ny trompetra farany? Andininy 13. Moa ve ireo vahoaka ireo nampahorin’ireo firenena izay nambabo azy? Andininy mitovy; Isa.10:20-22.
3. Moa ve navelan'Andriamanitra hiparitaka any amin'ny firenena rehetra ny olony, taranaky ny Isiraely taloha? Isa.11:11-12. Moa ve Andriamanitra tsy maintsy hanafaka azy ireo fanindroany amin'ny fanandevozan’ny firenena Jentilisa? Andininy 11, 16. Moa ve izany tsy mitovy amin'ny fialan’ny Isiraely fahiny avy tany Egypta? Andininy 16.
FANAMARIHANA: Ireo taranaka maoderina an'ny foko 12-n’ny Israelita, anisan'izany, fa tsy voafetra, ny Etazonia, ireo mpikambam-barotra amin’ny Britanika ary ireo demokrasia any avaratra andrefan'i Eoropa, dia hiditra amin’ny fahababoana alohan'ny fiavian'i Jesosy Kristy fanindroany. Noforetana izy ireo, noana, nijaly ary halan'ny firenena rehetra. Nefa Andriamanitra kosa hanafaka azy amin'ny fahababoana.
4. Moa ve ity fifindra-monina ho avy manerana izao tontolo izao ity ho lehibe lavitra noho ny fifindra-monina avy tany Egypta tamin’ny andron'i Mosesy? Jer.16:14-15; 23:3-8.
FANAMARIHANA: Tsy hovana ho tsy mety maty ireo olona ireo rehefa miverina i Kristy, fa kosa, hoentina any amin'ny Tany Nampanantenaina ho olombelona ara-nofo. Azo antoka fa efa naheno izany hafatra fampitandremana ho an'ny Fiangonan'Andriamanitra amin'ny andro farany izany izy ireo, izay manambara ny ady nahatsiravina sy fahababoana ho tonga tsy ho ela ety ambonin'ny tany, fa tsy niraharaha (Hos.5:8-9). Vokany dia lasa babo izy ireo.
5. Moa hankahala ny tenany noho ny ratsy nataony ve ny taranaky ny Isiraely fahiny? Ezek. 20:42-43. Moa ve sambany mba hanome azy ireo toetra mibebaka Andriamanitra? Andininy mitovy.
FANAMARIHANA: Ny ankamaroan’ny Isiraelita amin'ny andro maoderina, izay taranak’ireo lazaina hoe foko folo very, dia tsy mahalala akory ny mombamomba azy. Ary tsy mankatoa ny Didin'Andriamanitra izy ireo. Izany no antony nahalasanany ho babon’ny firenena. Fa Ilay Andriamanitr'i Abrahama, Isaka ary Jakoba razamben'izy ireo dia mbola hanafaka azy ireo indray amin'ny fahababoana, ka hitondra azy ireo hiverina any amin'ny Tany Masina.

Fampitandremana Amin’ny Andro Farany

               Ilay Andriamanitra Tsitoha dia milaza amin’ireo mpanompo mahatoky Azy mba hampitandrina ireo taranaka maoderina an'ny Isiraelita taloha amin'ny sazy manakaiky azy ireo noho ny heloka lehibe nataony (Ezek.33:1-16).
1. Inona no hitranga raha tsy mampitandrina ny olona amin’ny fahavoazana ho an'ny firenena ny mpitilin’Andriamanitra? Ezek.33:6.
FANAMARIHANA: Ankehitriny Andriamanitra dia mampitandrina ireo taranaka amin’ny fotoana farany amin'ny alàlan'ny mpanompo nantsoiny sy nofidiny, izay notendreny hitsoka ny trompetra ho fampitandremana amin’ny ady ho avy. Izany fampitandreman’ny mpitilin'Andriamanitra izany no mahatonga ny olona an-tapitrisany maro mihaino ny fandaharana World Tomorrow. Izany no hafatry ny Planin’Andriamanitra Lehibe ho amin’ny famonjena.
               Ny ankamaroan'ireo mandre sy mamaky ny hafatra fampitandreman'Andriamanitra dia tsy miomana amin'ny fotoan’ny korontana sy ady mahatsiravina izay ho avy. Misy vitsivitsy anefa, mihetsika amin’ny fahalalana nambaran'Andriamanitra tamin'ny alàlan'ireo mpanompo nofidiny.
               Vitsy no mihaino sy matahotra ny tsy hankatoa ny Tenin'Andriamanitra. Ireo olom-bitsy ireo ihany no homena fiarovana amin'ny horohoro ho avy.
               Ity fiarovana ity dia homena an'ireo vonona ny handao ny lalana malalaka sy migodana amin'ity tontolo feno faharatsiana ity, izay mitondra amin’ny fandringanana an’izao tontolo izao. Ireo izay vonona ny hanolo-tena amin'ny fahefan'ny Jesosy Kristy, sy hanao izay lazainy, ka hametraka ny tenany eo ambany fiarovan’Andriamanitra, dia afaka mandray anjara ankehitriny amin'ny Planin’Andriamanitra.
2. Tamin'ny andron'i Ezra, moa ve ny fiangonan'Isiraely, izay Fiangonan'ny Testamenta Taloha, nitandrina ny Fetin’ny Trompetra? Neh.8:1-2. Moa namaky ny bokin’ny Lalàna ho an'ny olona tamin'ny Fetin’ny Trompetra ve i Ezra? Andininy 3-8. Moa ve ny mpanompon’Andriamaniitra taloha namaky sy nanazava izany mba ho azon'ny vahoaka, toy ny ataon'ireo mpanompon'Andriamanitra ankehitriny? Andininy 8.
3. Inona no nampianarin'i Nehemia ny vahoaka momba ny Fetin’ny Trompetra? Andininy 9-12. Na dia nitomany noho ny fibebahana aza ny vahoaka satria tsy nahalala ny Lalàn'Andriamanitra ary tsy nitandrina ny Fetin’ny Trompetra, rehefa nanazava i Nehemia fa andro fifaliana lehibe ity andro ity, inona no nataon'izy ireo? Neh.8:12.
FANAMARIHANA: Ny mpikambana ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra ankehitriny koa dia mifaly amin'ny Fetin’ny Trompetra satria tsy andriny izay hiverenan’i Jesosy Kristy mba hahatonga azy ho tsy mety maty, ary ho lasa mpitondra sy hiara-manjaka Aminy eto an-tany. Avy eo, dia hisy ny fandriam-pahalemana, fahasambarana sy fifaliana manerana IZAO TONTOLO IZAO!
            Ankehitriny, Andriamanitra dia mampitandrina ireo taranaka amin’ny andro farany amin’ny alàlan’ireo mpanompo izay nirahiny mba hitsoka ny fampitandremana, mba hitsoka ny anjomara fampiomanana amin’ny ady mananontanona eran’izao tontolo izao.
               Nefa tsy hitranga avy hatrany akory izany Tontolon’ny Ampitso nofinofy izany. Tsy maintsy hesorina i Satana, ary hatsahatra amin'ny fitaomany olona. Amin'izay ihany vao afaka hilamina izao tontolo izao. Ity hetsika ity dia haseho amin'ny Andro Fanavotana. Ny lesona manaraka dia hilaza amintsika ny zava-drehetra momba ity fety ity.

No comments:

Post a Comment