Fetin'ny Tabernakely - Ny Fijinjan'Andriamanitra - Fetin’ny Fanangonam-Bokatra - Rehefa Hantsoina ny Olombelona Manontolo

 

Ambasadaoro Kolejy - TOKO FAHA-32

FETIN’NY TABERNAKELY

REHEFA HANTSOINA NY OLOMBELONA MANONTOLO

 

     Aorian’ny fiverenan’i Kristy eto an-tany sy ny fanonganana an'i Satana vao hanomboka ny fijinjana ara-panahy lehibe atao amin'ny olombelona.

ANDRIAMANITRA dia tsy mifaninana amin'i Satana! Tsy manandrana mamonjy an'izao tontolo izao izy ankehitriny! Efa ela i Jesosy Kristy no nanambara fa ny hafany, ny Filazantsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra, dia hotorina amin'izao vanimpotoana izao ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra – fa tsy hanovàna fo azy ireo (Mat.24:14). Rehefa mametraka ny Tanany hamonjy an'izao tontolo izao Andriamanitra, dia hamonjy izany Izy!

Rahoviana Ny Tany No Hovonjena?

Ny fety fiton’Andriamanitra fanao isan-taona dia mampiseho ny dingana ao amin'ny Planina Lehiben’Andriamanitra ho famonjena ny olombelona rehetra. Ny fety telo voalohany, izay mitranga mandritry ny lohataona any amin'ny Ila-bolan-tany Avaratra, dia tandindon’ny tranga lehibe izay mitarika ny fijinjana ara-panahy voalohany an’ireo zanak'olombelona notorontoronin’ny Fanahy ho ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra.

Tamin'ny lesona teo aloha no nianarantsika fa ny Paska dia fahatsiarovana ny soron'i Kristy noho ny fahotantsika. Ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira dia maneho ny fialantsika amin’ny ota sy ny hilantsika lalandava ny fankatoavana an'Andriamanitra. Ny Pentekosta dia mampiseho ny fahatorontoronana ara-panahy sy ny fitomboan'ny voaloham-bokatrin'ny Planin’Andriamanitra. Avy eo, mandritry ny filatsahan’ny orana any amin'ny Ila-bolan-tany Avaratra, dia tonga ny Fety efatra farany. Ireo dia tandindon’ny tranga lehibe izay tsy maintsy hiseho ao amin'ny Planin’Andriamanitra. Ny Fetin'ny Trompetra, voalohany amin'ireo fety efatra ireo, dia tandindon’ny Fiverenan'i Jesosy Kristy hanangana ny voaloham-bokatra ho amin'ny tsy fahafatesana ary hametraka ny Fitondram-panjakan'Andriamanitra eto an-tany. Ny Andro Fanavotana dia mampiseho ny fisamborana sy ny famatorana ary ny fanidiana an'i Satana mandritry ny 1000 taona. Rehefa tsy eo intsony ny fitaoman-dratsin’i Satana mitarika hanota, dia afaka mihavana amin'Andriamanitra indray ny olombelona, ho lasa mikambana Aminy.

Aorian’izay, dia hisy fandriam-pahalemana sy fanambinana mandritry ny 1000 taona. Ireo izay voaloham-bokatry ny fijinjana ara-panahy – ireo teraka voalohany ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra ary mpiara-mandova amin'i Jesosy Kristy – dia hiaraka Aminy hanapaka eto an-tany. Ireo olo-masina nateraky ny Fanahy dia homena fahafahana hitondra ny fahalalàna ara-panahy momba ny famonjena amin'ny olona rehetra izay velona sy teraka mandritry ny Fanjakana Arivo Taona. Ity Fanjakana Arivo Taona sambatra ity dia aseho amin'ny fankalazana ny Fetin’ny Tabernakely - ny faha-enina amin'ny Fety Lehibe fito fanao isan-taona izay tandindon’ny Planin’ny Famonjena.

Ireo Teolojiana Tany Am-Boalohany Dia Nahafantatra Ny Fanjakana Arivo Taona

               Ny Fiangonan'ny Testamenta Vaovao dia nampianatra ny dikan’ny Fety sy ny Andro Masin'Andriamanitra ary ny fitandremana izany nanerana ny Fanjakana Romana. Na dia maro aza ireo Kristianina voalohany nihataka tamin'ny fahamarinana, izy ireo dia nitazona ny foto-pampianaran'ny Fanjakana Arivo Taona, dia ny fanjakan'i Kristy sy ireo olo-masina nateraky ny Fanahy mandritry ny 1000 taona (Apok.20:1-6). Ny momba ny Fanjakana Arivo Taona dia noresahana nandritry ny an-jato taona maro, elabe taorian'ny nahafatesan'ny Apostoly.
               Mariho ny porofo avy amin'ny asa soratr'ireo Teolojiana tamin'ny Taonjato Faharoa sy Fahatelo: Tamin'ny Taonjato Faharoa, Papias avy tany Hierapolis (any Asia Minora) dia nanamarika hoe: "Hisy Fanjakana Arivo Taona marina aorian'ny fitsanganana amin'ny maty, ary hisy fanjakan'i Kristy ara-nofo eto ambonin'ity tany ity”( Ecclesiastical History, nosoratan'i Eusebius, nadikan'i Isaac Boyle, boky faha-3, toko faha-39).
               Irenaeus, Evekan'i Lyon, Frantsa, dia nanoratra tamin'ny faramparan'ny Taonjato Faharoa: "Fa satria andro maro no nahariana an’izao tontolo izao, ao anatin'ny arivo taona maro toy izany no ho tonga ny fiafarany." Avy eo, rehefa avy nanonona andininy maromaro tao amin'ny Testamenta Taloha momba ny Fanjakana Arivo Taona izy, dia nanohy hoe: "Ireo zavatra rehetra ireo dia tsy niresaka raharaha any an-danitra tsy akory, fa ny fotoan'ny fanjakana, rehefa haverin'i Kristy tamin'ny laoniny ny tany" (Against the Heresies, nadikan'i FR Montgomery Hitchcock, boky faha-5, toko faha-28 sy 35).
               Ny voalohan’ny Taonjato Fahatelo dia namoaka fijoroana ho vavolombelona mitovy amin’izany. Avy tany Carthage, Afrika Avaratra, dia nanaiky i Tertullian fa hisy ny Fanjakana Arivo Taona eto an-tany izay nampanantenaina (Against Marcion, boky faha-3, toko faha-25). Ny mpanoratra taty aoriana koa dia azo tononina.

Ny Fahamarinana Dia Nolavina Tany Aoriana

               Tamin'ny Taonjato Fahefatra, ny bokin'ny Apokalypsy dia nesorina tamin'ny lisitry ny vaki-teny ankapobeny fanaon’ny Fiangonana Kristiana izay efa nisy. Nahoana? Satria nanondro mazava ny Fanjakana Arivo Taona izany. "Amin’izay, ny fototra mampikorontan-tsaina izay mety hisy avy amin'ny chiliasm [teny Grika hilazana ny foto-pampianarana momba ny Fanjakana Arivo Taona)" dia tsy hisy intsony (Encyclopaedia Britannica, andiany faha-11, lahatsoratra "Millennium").
               Raha nanoratra momba io vanim-potoana io i Edward Gibbon, ao amin'ny boky nosoratany hoe “Ny Fanjakana Romana dia mandrorona sy mianjera”, dia nanambara hoe: "Ny foto-pinoana milaza ny fanjakan'i Kristy eto an-tany dia ... lazain’ny maro ho hevitra mampisalasala sy tsy misy ilàna azy ary nony ela dia nolavin’ [ny kristianisma sandoka] satria toy ny zavatra noforonina tsy manjary sy fikiribibiana amin’ny hevi-diso "(toko faha-15).
               Nandritra sy taorian'ny nanjakan'i Emperora Constantin, izay nanjaka tamin'ny taona 306-337 tar JK, dia nanomboka nihevitra ny mpitarika tao amin'ny fiangonana kristiana fa ny Fanjakana Romana no Fanjakan'Andriamanitra. Nanomboka nihevitra izy ireo fa efa nanomboka ny Fanjakan’i Jesosy Kristy Arivo Taona!
               Ny sasany amin’ireo mpitarika fiangonana mitonon-tena ho kristiana tamin'ny Taonjato faha-20 dia milaza marina fa ny foto-pampianaran'ny Fanjakana Arivo Taona an'i Kristy dia tsy hita na ao amin'ny Filazantsara na ao amin’ny Epistily ao amin’ny Testamenta Vaovao, , na koa ao amin'ny lovan-tsofina navelan'ireo Apostoly aza (The question Box, William N. Emch, p. 380). Fa ankehitriny, andao hojerena ny Baiboly izay loharanon'ny fahamarinana, ary hianarana izay ambarany momba ny Fanjakana Arivo Taona, izay asehon’ny Fetin’ny Tabernakely.

LESONA 32

Ny Fijinjan'Andriamanitra - Fetin’ny Fanangonam-Bokatra

               Ireo fetin’Andriamanitra fanao isan-taona, araky ny nianarantsika tamin'ny lesona teo aloha, dia nanomboka nampahafantarina ny fiangonan'ny Isiraely fahiny – dia ny Fiangonan'Andriamanitra tany an-tany efitra (Asa.7:38) - raha vao niforona tany Egypta ny firenena voalohany. Andao hodinihina ny torolalan'Andriamanitra momba ny fitandremana ny fety faha-enina fanao isan-taona ary ny fomba anehoany ny Fanjakana Arivo Taona izay ho avy, rehefa hiova fo izao tontolo izao ary homena anjara mba hahazo famonjena.
1. Moa ve manomboka dimy andro aorian'ny Andro Fanavotana ny Fetin’ny Tabernakely? Lev.23:33-34; Deot.16:13-15.
2. Moa ve manomboka amin'ny Andro Masina ny Fetin’ny Tabernakely, izay tsy azo hanaovana asa fanao an-davan’andro, ary hivorian'ny olona eo anatrehan'Andriamanitra? Lev.23:35. Nandidy ve Andriamanitra fa tokony hotandremana mandrakizay ity fetibe ity? Lev.23:41.
FANAMARIHANA: Ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo dia antsoina koa hoe “Andro firavoravoana amin’ny fanangonana” (Eks.23:16; 34:22) satria nankalazàna ny fijinjàna amin’ny faran'ny fahavaratra sy amin’ny fiandohan'ny fararano izany (Lev.23:39). Ity fetin'ny fijinjana ity dia fotoam-pifaliana lehibe sy fisaorana an'Andriamanitra noho ireo fitahiany be dia be. Ankehitriny, dia mampahafantatra an’izao tontolo izao ny Fiangonan'Andriamanitra fa izany fety izany dia tandindon’ny fanangonana lehibe an’ireo olona notorontoronin’ny Fanahy ho ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra mandritry ny 1000 taona, vanim-potoana fantatra amin'ny hoe Fanjakana Arivo Taona.
3. Moa ve maharitra mihoatry ny iray andro ny Fetin’ny Tabernakely fanao isan-taona? Lev.23:34; Deot.16:15.
FANAMARIHANA: Araky ny nianarantsika tamin'ny lesona teo aloha, Andriamanitra dia nampiasa ny vanim-potoana fijinjana roa ao amin’ny taona iray any amin'ny Ila-bolan-tany Avaratra mba ho tandindon’ny fijinjana ara-panahy an'ny olombelona, amin’ny ho avy, ho ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra.
               Ny fijinjana lohataona dia kely raha oharina amin'ny fijinjana fararano izay betsak        a. Ny fijinjana voalohany dia aseho amin'ny andro iray, dia ny Fetin'ny Pentekosta. Izany dia tandindon’ireo voaloham-bokatra ara-panahy, dia ireo vahoaka vitsy an'isa izay nantsoin'Andriamanitra ho ao amin'ny Fiangonany mialohan'ny fiverenan'i Kristy, rehefa hateraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra izy ireo.
               Fa ny Fetin’ny Tabernakely kosa dia maharitra fito andro mipaka. Izany dia mampiseho fa ny fijinjana lehibe faharoa an'ny olombelona dia haka fotoana lava vao ho vita. Hateraka ara-nofo ny olona, hantsoin'Andriamanitra ary, rehefa nahatanteraka ny tanjon'ny fiainany dia ny hitombo amin'ny toetran'Andriamanitra, dia hateraka ara-panahy ao amin'ny Ankohonany mandritry ny 1000 taona.
4. Iza no hanapa-kevitra amin’ny toerana hitandremana ny Fetin’ny Taberanakely? Deot.16:16.
FANAMARIHANA: Andriamanitra irery no miasa, amin'ny alàlan'ny mpanompo voafidiny, mba hifidy ny toerana (Eks.20:24) izay hitandremana ny Fety, ary Izy ihany no manova ny toerana-araky ny zava-misy. Tao amin'ny Isiraely fahiny, Andriamanitra dia nifidy izay toerana tokony hitandreman'ny olony ny andro firavoravoana. Ankehitriny dia miasa amin'ny alàlan'ny mpitondra napetrany ao amin'ny Fiangonany Andriamanitra. Andriamanitra dia mitarika ireo tompon'andraikitra mba hisafidy ny toerana mety hanaovana izany manerana izao tontolo izao, mba handraisana ireo mpikamban'ny Fiangonany maneran-tany. An'aliny ny vahoakan'Andriamanitra sy ny fianakaviany no mandeha amin’ireny toerana ireny mba hitandrina an’io fety lehibe io.

Tsy Nahavita Nitandrina Ny Andro Firavoravoana Ny Isiraely Fahiny

               Na dia nanambara ny fetiny tamin'ny zanak’Isiraely aza Andriamanitra, ary nandidy fa hotandremana mandrakizay ireo fety ireo, vetivety dia nikomy ny vahoaka. Maro tamin’ny farany no nandà tsy hitandrina ny Fetin’ny Tabernakely amin'ny fotoana voatendrin'Andriamanitra, na koa tsy nahavita nitandrina izany intsony izy ireo. Andao hianarana izay nitranga, ary inona ny vokatry ny tsy fankatoavan'izy ireo.
1. Taiza ny toerana voalohany izay nametrahan'Andriamanitra ny anarany, dia ilay toerana voatondro hitandremana ny Fetin’ny Tabernakely? Jos.18:1. Tamin'izany andro izany, moa ve nisy nankatoa an'izany fitandremana andro firavoravoana izany ny sasany tamin'ny Zanak'Isiraely? Mpits.21:19. Ary tamin’ny fifaliana? Mpits.21:21.
2. Moa ve ireo ray aman-drenin'i Samoela, izay lasa iray amin'ireo mpaminany lehibe indrindra an'Andriamanitra, dia nitandrina io fety io isan-taona? 1Sam.1:3, 21; 2:19.
FANAMARIHANA: Ny “fanatitra fanao isan-taona” voalaza amin'ireo andininy ireo dia natao tamin’ny Fetin’ny Tabernakely.
3. Moa ve Andriamanitra taty aoriana dia nanova ny toerana hanaovana ny Fetin’ny Tabernakely ary, tamin'ny voalohan'ny taona nanjakan'i Solomona Mpanjaka, moa ve nanana tempoly niorina teo Izy? 1Mpanjaka 8:1-2, 10-11. Moa ve niantso ny olona talohan'izany fety izany i Solomona mba handany herinandro iray hitokanana ilay Tempoly vao vita? 1Mpanjaka 8:65.
FANAMARIHANA: Ny Isiraelita dia nitandrina ny Fetin’ny Tabernakely tamin'ny andron'i Solomona. Saingy na izany aza, ny firenena dia tsy nitandrina tanteraka izany araky ny lalàna na ny fomba nodidian'Andriamanitra (jereo Nehemia 8:17).
4. Inona no nataon'i Jeroboama, Mpanjaka ratsy fanahy, taorian'ny nikomian’izy sy ny foko folo avy any avaratra tamin'i Rehoboama, zanak'i Solomona? 1Mpanjaka 12:32-33.
FANAMARIHANA: I Jeroboama dia nihevitra fa na aiza na aiza no notandremana ny Andron'Andriamanitra dia tsy nisy fahasamihafana amin'Andriamanitra izany. Ara-dalàna ny fihetsiny ho an'ny olona manana fisainana araky ny nofo izay tsy mahalala firy ny momba an’Andriamanitra. Ny fiheveran'i Jeroboama momba ny fomba hivavahana amin'Andriamanitra dia ny fiheviny amin'ny maha-olombelona azy ihany (1Mpanjaka 12:33).
               Vakio tanteraka ny andininy rehetra avy eo amin'ny 1Mpanjaka 12:26 ka hatramin'ny faran'ny toko faha-13. Ny toko faha-13 dia manambara ny nanomezan'Andriamanitra tamim-pitiavana fampitandremana an'i Jeroboama tamin'ny alalan'ny fahagagana (1Mpanjaka 13: 3-4, 6) - ary fotoana iray hafa mba hibebahana.
               Saingy tsy nibebaka i Jeroboama tamin’ny nanovany ny datin'ny fety tsy maintsy hotandremana (and.33), ary vokatr'izany dia niharan'ny sazy mahatsiravina izy (and.34).
5. Nahoana no tamin'ny farany dia navelan'Andriamanitra ho resin’ny tafika ny zanak'Isiraely sy Joda ary nentina sesitany tany amin'ny firenen-kafa? Ezek.20:13, 16, 19-21, 24, 34.
FANAMARIHANA: Mariho fa ao amin'ireo andininy ireo, ny teny hoe "Sabata" dia milaza fahamaroana (pluriel), tafiditra ao ny Sabata isan-taona ary koa ny Sabata isan-kerinandro. Matetika ny Baiboly rehefa miresaka Sabata isan-kerinandro, dia milaza izany ho tokana (singulier).
               Noho ireo tsy fankatoavany mitohitohy, anisan’izany ny tsy fanajana tanteraka ny Sabatan'Andriamanitra isan-kerinandro sy isan-taona - ny Isiraelita, ary taty aoriana ny Jiosy, dia navarina ho andevo.
6. Moa ve ireo sisa tavela tamin'ny Jiosy izay niverina avy tany Babylona teo ambany fitarihan'i Ezra sy Nehemia nianatra fa Jehovah no Andriamanitra? Neh.8:1.
FANAMARIHANA: Taorian'ny 70 taona nanandevozana azy ireo tany Babylona, Andriamanitra dia nanjary fantatr’ireto Jiosy vitsy ireto, sy ireo izay nijanona tany amin'ny tany nahababoana. Fantatr'izy ireo amin’izay fa tena Andriamanitra i Jehovah.
7. Nanomboka nitandrina ny Andro Masin'Andriamanitra teo ho eo ihany ve izy ireo, anisan'izany ny Fetin’ny Tabernakely? Andininy 2, 14, 17-18. Ary moa ve izy ireo dia nipetraka avy hatrany hianatra ny lalàn'Andriamanitra fa raha voatandrina izany, dia hitarika fandriam-pahalemana, fahasambarana sy fanambinana? Ampitahao Nehemia 8:18 sy Deoteronomia 31:10-11.
8. Moa ve hitan’ireo sisa tamin'ny Jiosy fa ny fankalazana ny Fetin’ny Tabernakely dia mitondra «hafaliana lehibe indrindra»? Neh.8:17-18.
FANAMARIHANA: Ny Andro Masina tamin’izany dia misy dikany mazava ho an'ireo Jiosy an'arivony izay niverina avy tamin'ny fahababoana. Nisokatra ny mason'izy ireo ; izany dia tandindon’izay hitranga amin'ny zanak'olombelona aorian'ny Fiavian'i Kristy Fanindroany.

Jesosy Dia Nitandrina Ny Andro Firavoravoana

1. Nandritry ny fiainan'i Jesosy Kristy tamin’ny naha-olombelona Azy, moa ve ireo taranaky ny Jiosy izay niverina dia mbola nitandrina ny Fetin’ny Tabernakely? Jaona 7:2.
FANAMARIHANA: Ny Apostoly Jaona dia niantso io fankalazana io hoe "firavoravoan’ny Jiosy" satria izy no nanoratra voalohany ho an'ny Jentilisa. Talohan'ny fiovam-pon’ny Jentilisa, izy ireo dia tsy nahita afa-tsy ny ampahany amin'ny fivavahana "hafa" an’ny Jiosy. Verin’ny Firenena Isiraely ny fahalalana ny Andro Masin’Andriamanitra, fa ny Joda kosa dia nitahiry ny Soratra Masina tao amin’ny Testamenta Taloha sy ireo fety nataon’Andriamanitra ary ny kalandrie-n’Andriamanitra.
2. Inona no baiko mazava nomen'i Jesosy an'ireo rahalahiny sy anabaviny? Jaona 7:8.
3. Moa ve i Jesosy ihany koa dia nitandrina io andro firavoravoana io? Jaona 7:10. Moa ve fantatry ny rehetra fa mitandrina ny andro firavoravoan'Andriamanitra foana i Jesosy, ary noho izany dia nanantena izy ireo fa ho any Jerosalema Izy hitandrina ny Fetin’ny Tabernakely? Jaona 7:11.
FANAMARIHANA: Mariho fa tsy tanjon 'i Jesosy, raha ho any Jerosalema Izy, ny hitori-teny sy hampianatra ny olona fotsiny. Nanana fotoana maro Izy hiresahana amin’ireo vahoaka izay nanaraka Azy tsy tapaka.
4. Moa nanana antony manokana tsy hiakarany any Jerosalema ve i Jesosy? Jaona 7:1, 10.
FANAMARIHANA: Jesosy dia efa nanatrika ny andro firavoravoana hatramin'ny andro voalohany, na dia tsy nitsangana nampianatra aza Izy mandra-pisasaky ny fito andro (Jaona 7:14). Niafinafina Izy tamin’ny fahatongavany, ary nijanona tsy ho hitan’ny olona, satria ny mpitondra fivavahana sasany, noho ny fialonany – dia nitady Azy mba hamonoany Azy.
5. Nanaraka ny fanaon'ny Testamenta Taloha fotsiny ve i Jesosy sa nametraka ohatra ho amin'ny Testamenta Vaovao? Mat.28:19-20; 1Pet.2:21; 1Jaona 2:4-6.
FANAMARIHANA: Raha misy toe-javatra mampidi-doza toa izany, raha misy antony tsy hahafahana manatrika ny Fetin'Andriamanitra, dia ity mihitsy no antony iray. Saingy tonga nanatrika teo i Jesosy, nanome ohatra ho antsika fa tokony hanao toy izany koa isika.
               Jesosy dia nanameloka ireo lesoka tao amin'ny "fampianarana voatolotry ny razana "(Mat.15:2-3, 6, 9). Nolazainy mazava fa mbola manan-kery foana ny Lalàn'Andriamanitra ary tonga Izy mba hanamafy an’izany. Mariho ny Teniny ao amin'ny Matio 5:21-22: "Efa renareo ... fa Izaho kosa milaza aminareo hoe". Kristy dia nitandrina ny Didin 'Andriamanitra rehetra, anisan'izany ny Andro Masin'Andriamanitra rehetra.

Ny Firenena Rehetra Dia Hitandrina Ny Andro Firavoravoana Any Amin'ny Fanjakana Arivo Taona

1. Any amin'ny Fanjakana Arivo Taona, moa ve ny foko Isiraelita miampy ny Joda hitandrina ny Fetin’ny Tabernakely? Hosea.12:8-9. Moa ve ny hafa firenena rehetra hiaraka amin’izy ireo hitandrina io Fety io? Zak.14:9, 16.
FANAMARIHANA: Rehefa hiverina eto an-tany amin-kery sy voninahitra i Kristy, tonga dia hanomboka hampianatra eo no ho eo ihany ny olon'izao tontolo izao Izy amin'ny alàlan'ny fetiny fanao isan-taona. Ho avy izao tontolo izao hahafantatra fa Kristy no Tompo, ary ny Planina Lehiben’Andriamanitra dia tandindon’ny lalana hahazoana fitahiana ara-nofo sy famonjena ara-panahy.
2. Inona no hitranga amin'ireo firenena izay mandà aloha ny hitandrina nyFetin’ny Taberna          kely, ary noho izany dia mandà tsy ho ampianarina ny làlan'Andriamanitra, ka noho ny tsy fahalalany, dia mandà ny famonjena? Zak.14:17.
FANAMARIHANA: Amin'ny voalohany i Kristy dia tsy maintsy hanapaka amin’ny "tehim-by" (Apok.12:5), izay tandindon’ny fahefana feno, mandra-pahatongan'ireo firenena ho resy lahatra fa ny lalana nalehan’ny razany - ny "fivavahany taloha" – dia tsy mitondra any amin’ny famonjena.
3. Inona no hitranga raha mbola mandà ka tsy hankatoa ireo firenena? Zak.14:18-19.
FANAMARIHANA: Ireo izay manana an'io toetra io, izay mafy hatoka ka mandà sy tsy mankatoa, dia hijaly hiharan'ny haintany. Raha mbola tsy miova ny toetrany, dia hitranga ny loza mampahory azy ireo mandra-panaikiny an'Andriamanitra. Misy ireo sasany mieritreritra fa Andriamanitra tsy mandidy azy ireo hitandrina ny andro firavoravoana ankehitriny. Hoy izy ireo: “Eny, hitandrina ny andro nohamasinin'Andriamanitra aho rehefa tsy maintsy manao izany, fa amin’izao fotoana izao aloha, tsy hitandrina aho”. Avelan'Andriamanitra handà izy ireo. Fa ireo izay mankatoa Azy amin’izao fotoana izao ihany no harovany amin'ny fotoana mahory izay mitatao.

Fotoana Misy Fifaliana Lehibe ara-Nofo sy ara-Panahy

               Ny Fetin’ny Tabernakely dia fotoana iray misy fifaliana be. Izany dia tandindon’ny fanambinana, ny fahasambarana, ny fifaliana sy ny fandriam-pahalemana eran’izao tontolo izao, izay hisy maneran-tany.
1. Inona ny lohahevitra voatondron’Andriamanitra isan-taona ho amin’ny fitandremana ny Fetin’ny Tabernakely? Deot.16:14-15. (Mariho ireo teny hoe : “ka dia hifaly tokoa ianao” ao amin'ny andininy 15. Ny dikan-teny katolika dia manao hoe: “hifaly eram-po tokoa ianao”).
2. Tian'Andriamanitra ve ny olon-drehetra mba hifaly mandritry ny andro firavoravoana, ka tsy misy fijerena taona, kilasy ara-tsosialy na laharana ara-toe-karena? Vakio indray ny andininy faha-14. Moa ve asain’Andriamanitra ho entin’ny raim-pianakaviana miaraka aminy ny vadiny sy ny zanany mba hiara-hifaly ry zareo mandritry ny andro firavoravoana? Deot.16:14; 12: 5, 7, 12.
3. Moa ve nilaza Andriamanitra fa tokony hihinana sakafo tsara ny olona mba hampitombo ny fifaliana sy ny fahasambarana mandritry ny Fety? Deot.14:26.
FANAMARIHANA: Ny Fetin’ny Tabernakely dia fotoana fifaliana lehibe. Ho an'ny Isiraely taloha, dia fotoam-pifaliana izany satria ny sakafo betsaka ho amin'ny ririnina dia efa nampirimina taloha kelin'ny andro firavoravoana.
               Saingy ny Fety dia manana lanjany lehibe kokoa noho izany amin’ny Fiangonan'Andriamanitra ankehitriny. Izany dia tandindona na fanandramana mialoha ny fanambinana, ny fahasambarana, ny fifaliana ary ny fandriam-pahalemana izay hisy maneran-tany eo ambany fitondrana marin'i Jesosy Kristy. Ny fifikiran'izao tontolo izao amin'ny lalàn’Andriamanitra sy ny fomba fiaina nambarany dia hahatonga ny Tontolon’ny Ampitso ho toerana tena mahasambatra – toerana nofinofy!
4. Mandidy ny olony ve Andriamanitra mba hitahiry fahafolon-karena faharoa (faha-10) amin’ny vola izay miditra aminy mandritry ny taona mba handehanany hamonjy ny Fety sy ho tonga any amin’ny Fanasana? Deot.14:22-26.
FANAMARIHANA: Ny Fetin’ny Tabernakely dia manome fotoana ny vahoakan’Andriamanitra mba hiaina amim-pifaliana mandritry ny herinandro iray – mba hiainany ambonin’izay tokony ho voaloan’ny fidiram-bolany isan’andro - mba hanandramany mialoha ny fanambinana izay hifalian’ny tany rehetra.
5. Rehefa zaraina malalaka ny Fanahy Masina mandritry ny Fanjakana Arivo Taona, inona no hitranga amin'ny toetra fototra na ny toetran'ny olombelona? Ezek.36:26-27; Isa.11:9. Moa ve hisy koa ny fanovana ny toetran'ny biby mba hahatonga ny zava-boahary rehetra halemy fanahy sy tsy hampidi-doza? Isa.11:6-8; 65:25.
FANAMARIHANA: Rehefa nametraka ny Fanahiny ao anatin’ny olona mibebaka Andriamanitra mandritry ny Fanjakana Arivo Taona, ny olombelona dia hanomboka haneho fitiavana sy fiahiana ny hafa ary hankatoa an'Andriamanitra. Ity fanovana ho avy amin’ny toetran'ny olombelona ity no antony lehibe mahatonga ny Fetin’ny Tabernakely hanomana mialoha an'ity fotoana ity mba hisy fifaliana lehibe toy izany!

Ho Tahaky Ny Ahoana Izany Fitondram-Panjakan'i Kristy Izany?

Ny Fitondram-panjakan'Andriamanitra ho avy dia tsy ho demokrasia, na ho toy ny fitondram-panjakan'olombelona hafa. Any amin'ny Tontolon’ny Ampitso, dia Kristy no ho mpanapaka ambony indrindra ao amin'ny foibe maneran-tany any Jerosalema (Apok.19:16; Jer.3:17). Hiara-manjaka aminy ary ho eo ambany fanapahany ireo olo-masina nateraky ny Fanahy (Dan.7:14, 27). Kristy dia hanjaka amin'ireo olo-masina. Ny toerana misy Azy dia ho Vady. Avy eo ireo olo-masina, dia ireo zanak'Andriamanitra tsy mety maty, no ho lasa Fofom-badin’i Kristy. Hitàna ny toeran'ny Ampakarina izy ireo, manaiky ny Vadiny, dia i Kristy.
1. Any amin'ny Fanjakana Arivo Taona, ahoana no fomba fitantanana ny Fitondram-panjakana ambony indrindra an'i Kristy amin'ny faritra rehetra maneran-tany? Lioka 19:17, 19.
FANAMARIHANA: Tamin'ny fanoharana momba ny farantsa dia nasehon'i Kristy fa hovalian-tsoa homena ny toeran’ny mpitondra ireo izay nampitombo ny fahaiza-manaony. Hisy zaran-tany hotantanin’ireo zanaka naterak'Andriamanitra, ny sasany lehibe kokoa, ny sasany kely kokoa.
2. Moa ve ny Lioka 13:28 manambara ny anaran'ireo mpanompon'Andriamanitra marobe izay mahatoky ka homena toerana avo eo ambany fahefan'i Kristy any amin'ny Fanjakan'Andriamanitra? Iza no hanjaka amin'ireo taranaka maoderin'i Jakoba? Jer.30:7-9; Ezek.37:24-25.
FANAMARIHANA:Ny patriarika Abrahama, Isaka ary Jakoba sy ireo olon'Andriamanitra toa an'i Josefa, Joba, Mosesy sy Davida, dia haverina amin'ny fiainana, ho tsy mety maty, hanana fahefana sy voninahitra, mba hitàna ny toeran’ny mpanapaka ambony ao amin'ny fitondram-panjakana vaovao eto amin’izao tontolo izao.
3. Moa ve i Kristy hanana mpanampy lehibe hafa, izay samy hanapaka firenena lehibe iray? Lioka 22:29-30; Mat.19:28.
4. Ahoana no hanompoan'ireo mpitondra efa fanahy tsy mety maty ny olona? Apok.1:6; 5:10; 1Kor.6:2.
FANAMARIHANA: Mba hamerana sy hisakanana ny mety hisian'ny hery famoretana, maro ny governemanta eto ampin’ny tontolo ankehitriny no mizara ho sampana misaraka. Ohatra, any Etazonia, ny fitondrana mpanatanteraka, ny fitondrana mpanao lalàna ary ny fitondrana mpitsara dia fitondrana misaraka. Koa noho izany, dia misy ny fitondrana mpampianatra, izay, any amin'ny firenena demokratika, misaraka amin’ny governemanta (na, amin'ny ankapobeny, arahan’ny governemanta maso).
               Any amin'ny Fanjakan'Andriamanitra ho avy eto an-tany anefa, dia ho tokana ireo asa fitondrana efatra ireo. Ny Lohan'ny Ankohonan’Andriamanitra dia hametraka ny lalàna (asa mpanao lalàna). Hanamafy ny lalàna ny Ankohonan’Andriamanitra (asa mpanatanteraka). Handika izany koa ireo lalàna sy hitsara ny raharaha momba izany izy ireo (asa fitsarana). Ary ny Ankohonan’Andriamanitra no ho tompon'andraikitra amin'ny asa fanabeazan, hampianatra am-pinoana ny lalàn'Andriamanitra amin’ny vahoaka. Ny mpitondra masina tsirairay avy dia hanompo ny olom-peheziny am-pitiavana marina sy hikatsaka izay hahasoa azy ireo (1Jaona 4:16), ary tsy hanana fitiavan-tena na oviana na oviana (Mat.20:26-27).
5. Hanana fahefana firy ny mpitondra tsirairay, eo ambanin'i Kristy, amin'ny faritaniny? Apok.2:26-27.
FANAMARIHANA: Ny fahefana feno sy voafaritra mazava dia hisy eo amin'ny faritra eran'izao tontolo izao. Na izany aza Ny politikam-panjakana dia hiorina amin'ny modely napetrak'i Kristy tenany avy ao amin'ny foibe maneran-tany, ary ny mpitondra tsirairay dia ho eo ambany fiandraiketan'i Kristy daholo. Ho voalamina ho lavorary ny fitondram-panjakan’Andriamanitra, tsy hisy mpiasa birao miangatra.
6. Haharitra mandrakizay ve io fitondram-panjakana io? Dan.7:14, 18.
FANAMARIHANA:Tsy hisy fotoana na vola ho laniana amin’ny fampielezan-kevitra sy ny fifidianana. Tsy hisy mpanao politika hikarakara ireo vondrona manokana na kilasy. Any amin'ny Tontolon’ny Ampitso, dia hotendren'Andriamanitra ireo olony masina natsangana tamin'ny maty ho mpanapaka sy mpampianatra, ary tsy hisy antoko na vondrona hafa hahavita hanodina azy ireo.
               Tsy hisy korontana, tsy hisy fikomiana. Tsy mety ho voaongana Andriamanitra. Ny fanonganam-panjakana tsy nahomby nataon'i Satana dia manaporofo an’izany! Ary tsy misy mpikambana ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra na iray aza ho lasa fahavalony (1Jaona 3:9). Ny mpikambana rehetra dia efa nofantenana mialoha mandritry ny androm-piainany.
7. Moa ve ny mpampianatra nateraky ny Fanahy ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra handray anjara manokana amin'ny fahazoan’ny saina tanteraka ny lalàn'Andriamanitra, ary amin'ny fitarihana ny olona hanao asa marina? Isa.30:20-21.
FANAMARIHANA: Ny fisehoana tampoka ataon’ny mpanapaka ara- panahy, na feo iray tsy fanta-pihaviana, no hiteraka fijanonan’ny asa iray ataon’ireo mety ho mpandika lalàna. Miaraka amin’ny fitarihana manokan’i Kristy, ary noho ny fitarihan'i Satana hanota voasakana, (Apok. 20: 1-3), ny herisetra sy ny heloka bevava dia ho foana.
8. Hanao ahoana ny fahombiazan'ireo mpampianatra sady mpisorona amin’ny fampianarana ny lalàn'Andriamanitra amin'izao tontolo izao? Jer.31:34; Hab.2:14; Isa.11:9.
9. Moa ve Andriamanitra hanao zavatra mihoatra noho izay hahatakaran’ny rehetra fotsiny ny fahalalana? Ampitahao amin'ny Isaia 25:6-7 ny Isaia 29:10-12 sy ny Romana 11:7-8. (Jereo ny fehezan-teny hoe: "arakotra ny firenena rehetra" ao amin'ny Isaia 25:7)
FANAMARIHANA: "Ary … eto amin'ity tendrombohitra ity", dia ny governemantan’Andriamanitra izany, dia hanao ny Fanjakana Arivo Taona ho fety lehibe misy fifaliana Izy. Ny Fetin’ny Tabernakely no tandindon’izany! Andriamanitra dia handrava ny fahajambana ara-panahy nanarona na nanafina ny fahamarinana tamin'ny firenena rehetra. Tsy hisy fisafotofotoana ara-pivavahana hitranga intsony satria i Satana dia ho esorina eto. Ho azo ampianarina ny olombelona, hisokatra amin'ny fahamarinana nambaran’Andriamanitra ny sainy.
               Hanomboka hiaina amin’ny lalam-pitiavan’Andriamanitra ny olona - fomba manome sy miahy ny hafa, mitombo amin'ny lalan'ny soatoavina marina, dia ny lalan'ny fandriam-pahalemana, fahasambarana, fiadanana, firavoravoana, ary farany, famonjena ara-panahy.

Tontolo Iray Afaka Amin'ny Tahotra!

               Any amin'ny tontolon’ny Fanjakana Arivo Taona izay asehon'ny Fetin’ny Tabernakely, dia tsy ho tratrin’ny fitaoman'i Satana intsony ny olona, sy ny fanahy ratsin’izao tontolo izao izay mamirapiratra mandrebireby azy ireo tsy hahareseny ny toetran'olombelona.
               Ny lalan'Andriamanitra dia ho lasa malaza sy malalaka. Io no ho lalana halehan'ny fiarahamonina. Te hanaraka ny fomba fiainan’Andriamanitra ny olona satria fantany fa hitondra azy amin’ny fahasambarana sy fifaliana izany. Ny faneren’ny fiaraha-monina izay mandrisika ny olona ankehitriny ary mifanaraka amin'ny sitrapon'ity tontolo ratsy ity ary dia hovaina ho fiasana manaraka ny fitsipik'Andriamanitra, manohitra ny toetran’ny olombelona ary hanangana toetra tonga lafatra, masina sy marina.
1. Rehefa ho esorin’i Kristy amin-kery ireo izay nameno herisetra ny tany, moa ve hanafoana ny tahotra ny ady Izy? Isa.2:4. Moa ve Izy hampiasa fahefana ambony indrindra mba hananarany ny firenena maro? Andininy mitovy.
FANAMARIHANA: Eritrereto izao! Tsy hisy intsony fanimbana ny vokatry ny taona maro niasana! Tsy hisy fandringanana ny fiainan'olombelona intsony! Tsy hisy tovolahy hanao fanompoam-pirenena intsony ka handao ny tranony, ho sahirana amin’ny fiainany, hanana saina feno fankahalana!
2. Misy antony tokony hatahorana an'i Kristy ho lasa mpitondra jadona ve? Sal.72:1-4, 8, 12-14; Isa.11:5. Handray fanapahan-kevitra tonga lafatra ve Izy? Andininy 2-3. Moa ve ny mahantra hahazo fitsarana ara-drarina avy Aminy? Andininy 4.
3. Moa hisy tahotra ny biby masiaka ve amin’izany? Hos.2:20, tapany voalohany; Isa.11:6-8; Ezek.34:25. Ahoana ny momba ny ady – ho fongorina ve ny fitaovam-piadiana eto an-tany? Hosea.2:20, tapany farany.
FANAMARIHANA: Hisy fandriam-pahalemana manerantany, ary ny olona hanova ny fitaovam-piadiany ho fitaovana momba ny fambolena. Ny Fanjakana Arivo Taona dia fotoan'ny fandriam-pahalemana izay hitarina na dia hatrany amin'ny tontolon'ny biby aza.
4. Any amin'ny tontolon’ny Ampitso azo antoka sy hovelombelomina, moa ve holazaina amin'izay matahotra hoe: « Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy... ka hamonjy anareo" Isa.35:4.
5. Moa hanafaka ny olona amin'ny fahatahorana ny aretina sy ny ratra ve Andriamanitra? Isa.33:24; Jer.30:17. Moa ve ny kilemaina, ara-batana sy ara-tsaina, ho sitrana amin'ny fomba mahagaga? Isa.35:3-6.
FANAMARIHANA: Ny fampianarana momba ny fahasalamana marina sy ny fanasitranana mahagaga amin'ny aretina sy ny ratra rehetra dia midika hoe fahasalamana mamirapiratra ho an'ny rehetra ao amin'ny Tontolon’ny Ampitso!
6. Moa hisy tahotra ny lozam-pifamoivoizana ve any amin'ny Fanjakana Arivo Taona? Jereo ny fitsipiky ny andraikitrao manokana ao amin'ny Eksodosy 21:29, 33-34 sy 22:6.
FANAMARIHANA: Rehefa mivoaka avy any Ziona ny lalàn'Andriamanitra (Isaia 2:3), ny foto-kevitry ny andraikitrao manokana dia hampianarina maneran-tany. Hijery ny mahasoa ny hafa ny olona, ary ho "mpiambina ny rahalahiny" izy ireo!
               Ho vitsy ny loza. Fa raha sendra misy tsy mitandrina, ary indraindray Andriamanitra mamela ny loza hihatra mba hampianarana lesona, ny hery mahagagan'i Kristy manasitrana dia hanan-kery mandrakizay.
7. Moa ve hisy tahotra sy ahiahy any amin’ny tanànan'ny Ampitso? Sa izy io dia ho feno ankohonana sambatra sy miramirana? Jer.33:10-11; Zak.8:4-5.
FANAMARIHANA: Tsy hatahotra ny mpifanila trano aminy intsony ny olona. Tsy hanana ahiahy amin’izay miaina eo akaikin'ny varavarany ny olona, na ny tsy mahay mandanjalanja ara-tsaina, ny ratsy saina na ny mpamono olona. Ny olona antitra dia tsy mila matahotra sao ho voatafika na ho vonoin’ny tanora mpandika lalàna izay mitady zavatra ihomehezany.
8. Moa ve ho lasa ny tahotra amin’ny tsy fahampian-tsakafo, izay mamely ny faritra maro eto amin'izao tontolo izao ankehitriny? Ezek.34:26; Isa.30:23-24; Amos 9:13; Jer.31:12. Hatao mahavokatra ve ny toerana tsy novolena taloha, ary moa ve hisy ala tsara tarehy miparitaka any amin'ny Fanjakana Arivo Taona? Isa. 41: 14-20; 35: 1-2, 6-7.
FANAMARIHANA: Ny ankabeazan'ny tany dia ho lasa mamokatra mandritry ny vanim-potoan’ny Fanjakana Arivo Taona.
               Manerana izao tontolo izao dia hisy ala, faritra fambolena, ary farihy sy renirano feno trondro ary tsy ho hita intsony ny renirano maloto na ny faritra nosimbaina.
9. Ny faha-samihafan’ny fiteny dia sakana lehibe iray amin'ny fiaraha-miasa eo amin'ny vahoaka. Moa Andriamanitra ve hanome fiteny madio iray ho an'izao tontolo izao mba ho azon'ny rehetra ampiasaina hanompoana Azy amin’ny firaisan-kina? Zef.3:9.
FANAMARIHANA: Any amin'ny Fanjakana Arivo Taona, i Kristy dia hampianatra mamaky teny sy manoratra ary fanabeazana amin'ny alàlan'ny fiteny madio. Ny olona rehetra hatraiza hatraiza dia hiteny, hamaky ary hanoratra amin'io fiteny iraisana io hatrany.
10. Ary ahoana ny amin’ny tsy fahatokisan-tena izay aretin’ny be sy ny maro? Moa ve ireo tena mahalala ny Tompo "handry fahizay?" Ezek 28:26.
FANAMARIHANA: Ny fampianarana dia handray an-tanana izany. Tsy hampianarina hitoki-tena intsony ny olona, fa ny fahatokiana an’i Kristy mitoetra ao anatiny amin’ny alàlan’ny Fanahy Masina.
11. Karazana tahotra inona no hitoetra? Isa.59:19; Jer.32:39-40.
FANAMARIHANA: Tsy fivadiham-po sy fijaliana akory ity tahotra ity, fa fahatanterahan'ny fahamatoran’ny feon’ny fieritreretana izay milaza fa ny tsy fankatoavana ny lalàna napetrak'Andriamanitra ho antsika mba hahatsara antsika dia hitondra antsika any amin'ny tsy fahasambarana, ny faharatsiana, ary ny fahoriana. Ny Fetin’ny Tabernakely dia nomena antsika mba hianarantsika hatahotra an'Andriamanitra lalandava (Deot.14:23). Hatahotra ny tsy hankatoa an'Andriamanitra ny olona, izay karazan-tahotra tsy hananan’ny be sy ny maro eto amin'izao tontolo izao ankehitriny.

Isiraely Ho Firenen’Andriamanitra Fakan-Tahaka

               Amin'ny fiverenany, Kristy dia hanafaka ny sisa amin'ny taranaky ny Isiraely taloha, izay babo amin'ny fahoriana lehibe ho avy. Tsy hiova ho amin'ny tsi-fahafatesana izy ireo amin’ny fiverenan'i Kristy, fa hiverina any amin'ny Tany Nampanantenaina ho olombelona ara-nofo. Davida, izay nanjaka tamin'ny foko Isiraely rehetra nandritry ny androm-piainany teto an-tany, dia hatsangana amin'ny maty hankany amin'ny tsi-fahafatesana. Ary araky ny nampanantenain'Andriamanitra, i Davida indray no ho mpanjakan'ny Isiraely aorian'ny hampiraisan’Andriamanitra ny taranak’Isiraely maoderina ankehitriny.
1. Moa ve ireo sisa amin'ny Isiraely izay mbola velona amin’ny fahatongavan'i Kristy dia haniry mafy ny hiditra amin'ny "fanekena mandrakizay "miaraka Aminy? Jer.50:4-5. Moa ve ny ran'i Kristy hanadio ny Isiraely rehetra, ka rehefa hiaina sy hiova fo hanaraka fiainana Kristiana marina izy ireo, dia hahazo fifaliana fara-tampony sy fiadanana io firenena io, ary fanambinana ara-nofo? Jer.33:7-9.
FANAMARIHANA: Ny fiverenana avy amin'ny fahababoana an’ireo vitsy an'isa, izay avy amin'ny Joda sy Levy ny ankabeazany, dia tsy hahatanteraka ny tanjona farany amin'ny faminaniana. Ary tsy hanatona akory ny habetsaky ny harena nananan'ny Isiraely tamin’ny andron’i Davida sy Solomona izy ireo. Rehefa tanteraka io faminaniana io, "dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra"! (Romana 11:26)
               Mandritry ny Fanjakana Arivo Taona, Andriamanitra dia hanolotra an’ny Isiraely mpankatoa ny fitahiana lehibe rehetra izay nampanantenainy fa homeny ny razan'izy ireo raha mankatoa izy ireo (Lev.26; Deot.28).
               Ireo firenena Anglisy sy Etazonia – ireo taranak’i Efraima sy Manase amin’ny andro maoderina – dia tonga mpanan-karena sy firenena matanjaka indrindra eto an-tany amin'izao andro farany izao (noho ny fankatoavan'i Abrahama an’Andriamanitra). Fa ny toe-piainany vao azony tato ho ato teo amin'ireo firenena dia santatry ny harena sy hery lehibe kokoa ho azony (noho ny fanompoany an'Andriamanitra) rehefa samy mankatoa ny fitondram-panjakan’i Jehovah nyIsiraely rehetra.
2. Nolazain’ny faminaniana fa ny taranak'i Abrahama dia ho lasa marobe tokoa (Gen.13:16). Moa ve ny taranak’Isiraely hahatratra ny isa fara-tampon’ny mponina ao aminy amin'ny Fanjakana Arivo Taona? Ezek.36:10-11; Isa.60:21-22. Ahoana no hamaritan'Andriamanitra ny fiparitahan'ny Zanak’Isiraely manerana an’izao tontolo izao? Isa.27:6.
3. Handova ny tany manontolo ve ny Isiraely? Isa.54:4. Noho izany, moa ve hotahiana ny firenena rehetra noho ny "taranak’"i Abrahama? Gen.28:14. Fa amin’ny fomba ahoana? Isa.61:9; 62:1-2, 7. Vokatr’izany, moa ve ny Jentilisa te-hahalala ny lalàn'Andriamanitra ary hanjary ho mpankatoa an'i Kristy? Isa.2:1-3.
FANAMARIHANA: Ny Isiraely dia nokasaina ho fitahiana ho an'izao tontolo izao na ara-nofo na ara-panahy. Hahazo fitahiana toy izany koa ny Jentilisa raha manaraka ny ohatra faran'izay tsara homen’Isiraely amin'ny fankatoavana an’Andriamanitra! Ary ho voatahy ara-panahy koa izy ireo satria lasa “taranak’i Abrahama”, Isiraely ara-panahy amin’ny alàlan’i Kristy (Gal.3:28-29), notorontoronina ara-panahy ary amin’ny farany dia teraka ara-panahy ao amin'ny Ankohonan'Andriamanitra mihitsy.
               Any amin'ny Fanjakana Arivo Taona, ireo foko 12-n'ny Isiraely no voalohany ho lasa firenen'Andriamanitra fakan-tahaka, izay tian’ny mpitondra firenena rehetra ho tahafina!

Ny Fampakaram-Badin'ny Zanak'ondry

Andao hojerentsika ny fitoviana mahaliana sasany azo tsipihina eo amin'ny Fetin’ny Tabernakely sy ny "fampakaram-bady lehibe" ataon'i Jesosy Kristy sy ny Fiangonany nateraky ny Fanahy.
1. Moa ve hitranga aorian'ny fiverenan'i Jesosy Kristy ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry? Apok.19:6-7. Moa ve izany dia ho fotoana hisy fifaliana be? Andininy mitovy.
FANAMARIHANA: Mariho fa ny fampakaram-badin’i Kristy dia ho fotoana fifaliana be aorian'ny ady, ny haizina ary ny olana izay hitranga mialohan'ny hiverenan'i Kristy, izay tandindon'ny Fetin'ny Trompetra!
2. Avy amin'ny ohatra asehon’ny Baiboly, hafiriana no maharitra ny fanambadiana? Mpits.14:2, 10, 12
Moa ve ny Fetin’ny Tabernakely mitovy halava amin'izany fotoana izany? Lev.23:34.
FANAMARIHANA: Ny andro fito amin'ny Fetin’ny Tabernakely dia toy ny fito andro fahiny nanaovana lanonana fampakaram-bady ary izany dia tandindon’ny fanambadian’i Kristy sy ny Fiangonana izay ampakariny.
3. Toy ny vavy voafatotra hanaiky ny lahy raha mbola velona izy, moa ve ny Ampakarin'i Kristy hankatoa Azy mandrakizay? 1Kor.7:39; Efes.5:22-27, 32. Moa ve i Nehemia namaky ny lalàna ao amin'ny Baiboly tamin'ny olona isan'andro, nandritry ny Fetin’ny Tabernakely? Ampitahao ny Nehemia 8:18 sy ny Deoteronomia 31:10-11.
FANAMARIHANA: Any amin'ny Fanjakana Arivo Taona, ireo izay dia ho ampiana ho lasa Ampakarin'i Kristy dia tsy maintsy mianatra ny lalàn'Andriamanitra eo amin'ny fiainany, ary mianatra izany tsara, amin'izay izy ireo dia afaka hampianatra ny hafa any amin'ny Tontolon’ny Ampitso.
4. Moa ve asongadin'i Kristy ao amin'ny Testamenta Vaovao ny hilana ny fiovana anatiny, izay entin’ny Fanahy Masina, mba hahafahan'ny olona ho vonona amin'ny Fampakaram-badin’ny Zanak'ondry? Mat. 25: 6-10.
5. Moa ve ny Isiraely fahiny tamin'ny andron'i Mosesy, nanana fo matahotra sy mankatoa an'Andriamanitra? Deot.5:29; 29:4. Fa rehefa handray ny Fanahy Masina izy ireo, moa ve hahatonga azy ireo hankatoa izany? Jer.32:39-40.
FANAMARIHANA: Ny Fanekena tao Sinay dia fanekem-panambadiana (Jer.31:32). Rehefa nitohy nandika ny fepetry ny fifanarahana ny Isiraely, na nanao fijangajangana ara-panahy, ny fahotany dia nampisaraka azy tamin’Ilay Iray izay lasa Jesosy Kristy taty aoriana (Jer.3:8, 14; 31:32; Isa.59:2).
               Ny fiangonan'Andriamanitra marina dia misy Isiraely ara-panahy. Ny olona teraka tany amin’ny firenen-kafa (Jentilisa) dia afaka miditra ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra raha tonga Isiraelita ara-panahy izy. (Efesiana 2:11-18; Romana 4:16; 9:4-5; Jaona 4:22). Tsy hanambady olon-kafa i Kristy. Hiverina hanambady an’i Isiraely Izy, dia ny Isiraely tsy mety maty sy ara-panahy, tsy araky ny nofo, tahaka ny tao Sinay. Mariho fa ny Ampakarina dia nantsoina hoe "vady" talohan’ny fanambadiana (Apok.19:7) mba hilazana fa Isiraely ihany io, fa tamin'ity indray mitoraka ity dia efa Isiraely niova fo, marina ary ara-panahy.
               Kristy, ilay Zanak'ondry, dia fanahy. Tsy maintsy ho lasa fanahy koa ny vadiny, raha toa ka tiana ho fanambadiana mahafinaritra sy maharitra izany. Ny vadiny dia tokony ho Isiraely nateraka indray, virijiny sy madio (2Kor.11:2), izay efa “niomana” (Apok.19:7).
               Ny Isiraely ara-panahy dia ho mpanapaka ny firenen’Isiraely ara-nofo. Ireo Isiraelita ara-nofo izay hahafeno ny fepetra, ary koa ireo hafa firenena, dia hampidirina ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra manjaka mandritry ny Fanjakana Arivo Taona, raha vao teraka indray izy ireo.
               Ny Isaia 54 manontolo dia mamaritra ny Isiraely ara-panahy hiverina hanambady an'i Kristy, mifanohitra amin'ny firenena ara-nofo Isiraelita nisy nandritry ny 3500 taona nialoha. Mariho indrindra ny andininy enina voalohany. Efa lasa lao ny Fiangonana, vitsy ny niova fo marina, mandra-pahatongan'ny fananganana ny Fanekena vaovao, dia ny fifanekena ara-panambadiana. Fa ny Isiraely ara-nofo dia tsy nitombo isa haingana toy ny Fiangonan'Isiraely niova fo mandritry ny Fanjakana Arivo Taona.
               Ny Ankohonan’Andriamanitra dia miomana amin'ny zavatra lehibe kokoa mbola ho avy. Ny Fanjakana Arivo Taona dia fiandohan'ny fotoana mandrakizay hisy fahasambarana, fahatanterahana sy fifaliana izay haharitra mandrakizay doria.

Ny Dikan'ny Trano Rantsan-Kazo

               Ny Fetin’ny Tabernakely, izay antsoina koa hoe “andro firavoravoana amin’ny fanangonana”, dia antsoina indraindray hoe “andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo”. Izany dia satria mandritry ny fety fito taona andro, ny Isiraelita taloha dia tsy maintsy mipetraka ao anaty trano rantsan-kazo. Andao ho fantarina ny dikan’izany hoe mitoetra ao anaty trano rantsan-kazo izany, ary inona ny dikan'izany ho an'ny olon’Andriamanitra ankehitriny.
1. Moa ve ny vahoakan'Andriamanitra tsy maintsy mitoetra ao amin'ny trano rantsan-kazo, izany hoe, trano tsy maharitra, mandritry ny Fetin’ny Tabernakely? Lev.23:42. Inona ny atao hoe trano rantsan-kazo? Andininy 40.
FANAMARIHANA: Ny trano rantsan-kazo na tabernakely dia fonenanana tsy maharitra, honenana mandritry ny Fetin’ny Tabernakely. Andriamanitra dia nandidy ny Isiraelita taloha mba hipetraka ao amin'ny fialofana tsy maharitra, vita amin'ny sampan’ny hazo, rehefa mitandrina ny Fetin’ny Tabernakely izy ireo. Fa ny vahoakan'Andriamanitra ankehitriny, izay mitandrina ny Fety amin'ny toerana samihafa misy toetr’andro isan-karazany, ny trano lay, ny toby, ny trano fandraisam-bahiny dia lazaina ho trano fonenana vetivety.
2. Moa ve izany fomba fitandremana ny Fetin’ny Tabernakely izany dia ho fampahatsiahivana tsy tapaka ny fivahinian’Isiraely tany an-efitra nandritry ny 40 taona? Andininy 42-43. Nahoana? Moa ve satria niaina vetivety tamin’ny trano fonenana tsy maharitra ny Isiraely nandritra izany fotoana izany? Andininy 43.
FANAMARIHANA:  Nandritry ny 40 taona tany an'efitra, ny Isiraelita dia tsy nanana toeram-ponenana maharitra. Anisan’ny mpiray lova amin’ny tany nampanantenain’Andriamanitra homena azy ireo fotsiny izy ireo, fa tsy mbola mpandova.
3. Moa ve ireo taona maro nirenirenen’ny Isiraely fahiny tany Sinay natao ho toerana vetivety?
Deot.8:2. Izany ve dia natao haharitra mandra-pahafatin'ireo taranaka mpikomy fotsiny? Nom.14:29, 33-34.
FANAMARIHANA: Ireo taranaka mpikomy tany an-efitra dia tandindon’ny vahoaka ara-nofo be fikomiana. Ary ireo fonenana tsy maharitra dia manondro fa ny olombelona, na dia any amin'ny Fanjakana Arivo Taona aza, dia mety maty, ary ny fiainan'ny olombelona sy ny fiaraha-monina mandritry ny Fanjakana Arivo Taona aza dia misy fetra foana. Izay zavatra maharitra no fiainana mandrakizay.
4. Moa ve ny razamben'ny Isiraelita koa, dia i Abrahama, sy Isaka ary Jakoba, nipetraka tamin'ny trano tsy maharitra toy ny olona mpiray lova, nefa tsy mbola mpandova? Heb.11:9, 13.
FANAMARIHANA: Ny fitoerana " an-day " dia "toerana vonjimaika." I Abrahama, Isaka ary Jakoba dia vahiny na mpivahiny tao amin'ny Tany Nampanantenaina, niaina tamin'ny trano tsy maharitra tamin'ny androny rehetra. Tsy mbola nahazo ny lova izay nampanantenain'Andriamanitra homena azy izy ireo.
               Ny fonenan'izy ireo tao “amin’ny tabernakely" (trano rantsan-kazo) no sary ilazana fa anisan’ny mpandova ihany izy ireo, fa tsy mbola nandova ny fiainana mandrakizay ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra ary hanana ny tany mandrakizay.
5. Moa ve ny tena Kristiana ankehitriny dia "vahiny sy mpivahiny "eto amin'ity fiainana ara-nofo ity? 1Pet.2:11.
FANAMARIHANA: Toa an'i Abrahama, sy Isaka ary Jakoba, ireo zanak'Andriamanitra notorontoronin’ny Fanahy dia monina amin'ny tany efitra eto amin'izao tontolo izao, fa tsy mpiavy ao (Jaona 17:11, 14). Misaraka amin'izao tontolo izao izy ireo (Apok.18:4) – mpiray lova, fa tsy mbola nandova ny toeram-ponenany maharitra, dia ilay Fanjakan'Andriamanitra nampanantenaina azy!
6. Moa ve, tamin'ny faran'ny androny, nampitahain'i Petera tamin'ny "trano-lay" tsy maharitra ny tenany? 2Pet.1:14.
FANAMARIHANA: Amin'ny maha-olombelona mety maty azy, avy amin'ny vovoky ny tany, dia natao mety maty ny olona. Amin’ny fahazoana ny Fanahin'Andriamanitra irery ihany no hahafahan’ny olona iray manantena ny hiaina mandrakizay.
               Fa ny kristiana notorontoronin’ny Fanahy dia manana ny fanantenana ny fiainana mandrakizay mitoetra ao aminy (1Jaona 5:11). Ny tenany ara-nofo, miaraka amin'ny tsy fahatanterahany rehetra, ny faniriany voajanahary, ny fahalemeny, ny fijaliany ary ny fanaintainany-dia natao haharitra mandra-pianarany hanompo an Andriamanitra amin'ity fiainana ity.
               Amin'ny fipetrahany ao amin’ny trano tsy maharitra isan-taona mandritry ny Fetin’ny Tabernakely, ny vahoakan'Andriamanitra dia ampahatsiahivina an’io fahalalana manan-danja io. Ho azon'izy ireo fa ity fiainana ara-nofo ity dia mandalo ihany- fa mpivahiny fotsiny izy ireo amin'izao fotoana fiainany izao, miandry ny handovana ny Fanjakan 'Andriamanitra! Raha ao an-tsaina izany rehetra izany, andao isika hijery sarin’ireo zavatra mitovitovy maro, hampitahana ny 40 taona nirenirenen’ny Isiraelita sy ny Fanjakana Arivo Taona mbola ho avy.
               Tahaka ny Zanak’Isiraely fahiny tany amin'ny tany efitra, taorian’ny nandosirany an’i Farao, izay tandindon’i Satana, dia nomena fotoana hisindàny vetivety amin'ny fitarihan'i Satana, dia toy izany koa, ny tontolo rehetra dia hiditra amin'ny fialan-tsasatra 1000 taona hialàna amin'ny fanjakan'i Satana.
               Nandritra izany 40 taona izany, dia nofehezina ho firenena milamina eo ambany fitarihan'Andriamanitra ny Zanak’Isiraely. Mandritry ny Fanjakana Arivo Taona, ny tontolo manontolo dia halamina mitovitovy amin’izany, eo ambany fitarihan'Andriamanitra.
               Ny isa efapolo dia isan'ny fitsapana sy ny sedra. (Jereo ny Konkordansin'ny Baiboly hoe im-piry ny vahoakan'Andriamanitra no nosedraina nandritry ny 40 andro na 40 taona.). Ny Zanak’Isiraely tany an’efitra dia tandindon’ny olona rehetra izay handeha ho tsapaina sy sedraina mba handresy ny toetra maha-olombelona, na dia any amin’ny Fanjakana Arivo Taona aza.
7. Ahoana no hamaranan'Andriamanitra ny vanim-potoaona fitsapana 1000 taona? Apok.20:3, 7-9.
8. Ho tratra ve ny toetra maharitra nambaran’ny planin'Andriamanitra amin'ny Andro Masin’Andriamanitra amin'ny volana fahafito? 1Mpanjaka 8:2-4.
FANAMARIHANA: Etanima dia midika hoe "[volan’ny] zavatra maharitra. ” Hiseho amin’ny lesona manaraka ny fomba sy ny fotoana hitarihan’ny Planin’Andriamanitra antsika ho amin'ny lova maharitra mandrakizay fa tsy "ho mpivahiny" intsony isika.
9. Rehefa hiverina i Kristy ary hametraka ny fitsipiky ny Fanjakan'Andriamanitra eto an-tany, moa ve ny Fanjakan'Andriamanitra dia hitohy hihitatra? Isa.9:7. Jereo ihany koa ny Matio 13:33.
FANAMARIHANA: Ny Fanjakan'Andriamanitra, toy ny masirasira ao anaty koba voafetafeta iray, dia hitombo tsikelikely manerana ny tany manontolo any amin'ny Fanjakana Arivo Taona. Eo ho eo amin'ny arivo tapitrisa maro no hiova fo ara-panahy. Ny vokatra olombelona betsaka indrindra, tandindon’ny fijinjana fararano any amin'ny Tany Masina, dia hangonina ho any amin'ny Fanjakan'Andriamanitra, hateraka indray ho mpikambana ao amin'ny Ankohonan' Andriamanitra manjaka mandritry ny Fanjakana Arivo Taona.
               Rehefa tapitra ny 1000 taona, ny Ankohonan’Andriamanitra dia ho vonona handeha amin'ny dingana farany amin'ny Planin’ny Famonjen'Andriamanitra.

Ny Fomba Itandreman'ny Vahoakan'Andriamanitra Ny Andro Firavoravoana Ankehitriny

1. Moa ve ho voafidy ho ivon’ny fivavahana indray i Jerosalema any amin'ny Fanjakana Arivo Taona? Zak.2:14. Moa ve ankehitriny i Jerosalema dia tsy toerana voalohany fandehanan'ny olona rehetra hitandrina ny Fetin’ny Tabernakely? Jaona 4:21.
FANAMARIHANA: Resy i Jerosalema tamin'ny fararanon’ny taona 66 tar JK, ary niverina tamin'ny Romana. Nesorin'Andriamanitra taminy ny Anarany. Fa any amin'ny Fanjakana Arivo Taona, Jerosalema indray no ho toerana hitandreman'ny olon’Andriamanitra ny Fetin’ny Tabernakely.
2. Tian'Andriamanitra ho afaka amin'ity tontolo ity sy ny lalany ve ny Olony? Apok.18:4; 2Kor.6:14-18. Mariho koa ny Eksodosy 10:7 sy 15:1, tapany farany.
FANAMARIHANA: Nataon'Andriamanitra ny Fetin’ny Tabernakely hanasarahana sy hanafahana ny olony amin'izao tontolo izao sy ny fitaoman-dratsiny. Ity fety lehibe ity dia manome azy ireo fotoana sy toerana manokana, izay hanafaka azy ireo amin'ny raharaha mahazatra eto amin'izao tontolo izao, hieritreretany bebe kokoa momba ny fikasan'Andriamanitra amin’ny fiainany sy ny fomba hahazoany izany.
               Rehefa miaina ao an-trano tsy maharitra mandritry ny herinandro maninjitra, lavitry ny tontolo mahazatra azy, ny asa sy ny fitaoman-dratsy indrindra indrindra, amin'ny fitandremana an’ireo andro fito ireo, ny vahoakan'Andriamanitra dia tandindon’ny fahalalahana sy ny fiadanana izay hisy ho an’ny rehetra, rehefa lasa i Satana ary ny Fanahin'Andriamanitra dia homena ny olombelona tsirairay (Joela 3:1, 5).
3. Moa ve ny Fetin’ny Tabernakely dia fotoam-pifaliana ho an'ny ankohonana iray manontolo? Deot. 12:5, 7, 12; 16:13-14.
FANAMARIHANA: An'hetsiny ny vahoakan'Andriamanitra ary ny fianakaviany manantena fatratra isan-taona ny hitandrina ny fety amin'ny toerana maro manerana izao tontolo izao.
               Io no fotoana misongadina amin’ny taona iray manontolo! Io dia fotoana mitohy sy tena misy firaisan-po kristiana. Ny mpikambana sy ny ankohonany dia mandray anjara amin'ny hetsika isan-karazany karakarain’ny Fiangonana, izay mampientana sy mahafinaritra, ary koa misy fijerena toerana mahaliana sy manintona hafa izay mampiavaka an'ireo toerana tsirairay. Ny fisakaizàna am-po ka mahalasa ho mpinamana, ny sakafom-panahy sy ny fahafinaretana tsotra fotsiny, dia mahatonga ny olona hiandry fatratra ny Fety amin'ny taona manaraka, ka tonga hiheveran’ny olona ny "fialantsasatra" mahazatra tamin'ny lasa ho toa ambany karazana noho izany raha ampitahaina!
               Fa ankoatry ny maha-firavoravoana ara-batana sy feno fifaliana ny Fetin’ny Tabernakely dia, izany koa dia fety ara-panahy misy fanabeazana sy fanomanana. Ny mpikambana amin'ny Fiangonan’Andriamanitra dia mahazo toromarika avy amin'ny mpanompon'Andriamanitra amin’ny toriteny manaitaitra mba hanampiana azy ireo hiomana hanjaka sy hampianatra miaraka amin'i Kristy mandritry ny Fanjakana Arivo Taona.
               Amin'ny andro firavoravoana, ny vahoakan'Andriamanitra dia mampiseho ankehitriny, amin’ ny fomba fiainany milamina, ny endrik’izao tontolo izao raha toa ny tsirairay manaraka ny lalàn'Andriamanitra!

Topimaso Amin’ny Tontolon'ny Ampitso

« Ny amboadia sy ny zanak'ondry hiara-komana, Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby, Ary ny menarana, dia vovoka no ho fihinany; Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy, hoy Jehovah. » (Isaia 65:25)

« Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia. » (Isaia 35:1)

« Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany. » (Isaia 2:2)

« Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah, Ho any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin'ny lalany, Ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah. » (Isaia 2:3)

« Tsy hanao trano hitoeran'olon-kafa izy, Na hamboly zavatra hohanin'olon-kafa; Fa ho tahaka ny andron'ny hazo ny andron'ny oloko, Ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin'ny asan'ny tanany. » (Isaia 65:22)

« Ary amin'izany dia ho faly amin'ny fandihizana ny virijina mbamin'ny zatovo sy ny antitra koa; Fa hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany, ka hampiononiko sy hampifaliko izy ho afaka alahelo. » (Jeremia 31:13)

« Ary hitsara ny adin'ny jentilisa Izy Ka hampiaiky firenena maro; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely Na hianatra ady intsony » (Isaia 2:4)

“Fa amin'izany dia hovako ho madio ny molotry ny firenena, Hiantsoan'izy rehetra ny anaran'i Jehovah, hanompoany Azy amin'ny firaisan-kina.” (Zefania 3:9)

« Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. » (Ezekiela 36:26)

« Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany. » (Apokalypsy 3:21)

« Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan'ny fanjakana eny ambanin'ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy. » (Daniela 7:27)

« Ary hamoa ny hazo any an-tsaha, sady hahavokatra ny tany, ary handry fahizay amin'ny tany izy; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hotapahiko ny ziogany, ary hovonjeko amin'ny tànan'izay nampanompo azy izy. » (Ezekiela 34:27)

« Ny handrosoan'ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin'ny rariny sy ny hitsiny hatramin'izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hahatanteraka izany. » (Isaia 9:6)

« Ary ny amboadia hiara-mitoetra amin'ny zanak'ondry; Ny leoparda hiara-mandry amin'ny zanak'osy; Ary ny zanak'omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, Ary ny zazakely no hiroaka azy» (Isaia 11:6)

« Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy; Fa ny tany ho henika ny fahalalana an'i Jehovah, tahaka ny anaronan'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina. » (Isaia 11:9) « ary eny an-dalambe any an-tanàna dia ho feno ankizilahy madinika sy ankizivavy madinika milalao eny an-dalambe. » (Zakaria 8:5)

« Dia hampahiratina ny mason'ny jamba, ary hampahaladina ny sofin'ny marenina. Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan'ny moana; Fa hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin'ny tany karankaina. Ny alonalona mitarehin-drano dia ho tonga farihy tokoa, ary ny tany mangentana ho loharano miboiboika; Ny fonenana izay amitsahan'ny amboadia dia haniry volotara sy zozoro. » (Isaia 35:5-7)

No comments:

Post a Comment