Ny Fibebahana

 

Ambasadaoro Kolejy - Toko faha-10

 NY FIBEBAHANA

            Te hanana fiainana miadana, mahaliana, mahafinaritra ary milamina ny tsirairay. Na izany aza, ny ankamaroan'ny olona dia matetika sosotra sy mandry tsirangaranga; miaina ao anatin'ny tahotra izy ireo, rakotry ny fahatsapana ho tsy tomombana ar   y sorena. Nahoana?
            Nametraka lalàna velona Andriamanitra izay miteraka fahasambarana, fiadanana, fifaliana ary fanambinana. Ireo lalàna ireo dia maneho ny lalana rehetra mahasoa antsika. Saingy, ny rehetra eto amin'izao tontolo izao dia mandà izany ary manaraka lalana mifanohitra amin’izany.
            Ilay Mpamorona Tsitoha dia namorona ny olona avy tamin'ny vovo-tany, izany hoe avy tamin’ny matiera, tamin’ny venty fizika. Ny olombelona, olona fizika, dia nofo. Andriamanitra, izay Fanahy, dia namorona antsika, ka ho mila mikambana Aminy isika, mba hananantsika ny fihetseham-pony sy ny toetrany. Ny olombelona fizika dia tsy feno raha tsy miray amin'ny fanahin'Andriamanitra. Tsy toy ny zavaboary fizika hafa, toy ny biby sy ny zavamaniry, ny olona dia natao "tahaka ny endrik'Andriamanitra"; Afaka miditra ao amintsika izany ny Fanahy Masina, ka mampiray ny zavatra fizika amin'ny ara-panahy.
            Nanolotra maimaim-poana an'i Adama Andriamanitra - ary ankehitriny dia manolotra antsika maimaim-poana amin'ny alàlan'i Kristy - ny Fanahiny Masina Izy, ny ainy tsy mety maty koa. Ny Fanahin Andriamanitra - ny fitiavany, ny fisehoany, ny finoany, ny fahefany, ny toetrany - dia afaka miditra ao anatintsika ary omena antsika ho fanomezana maimaim-poana izay maneho ny fitiavan'Andriamanitra antsika.
            Ny olombelona, rehefa noforonina, dia tsy ho vita tanteraka alohan'ny fametrahana ity fikambanana ity, ity fihavanana toy ny an’ny Ray sy ny zanaka amin’Andriamanitra ity. Fa maninona ny olona rehetra no tsy manana io fanomezana sarobidy io izay tian'Andriamanitra homena marina azy ireo?
            Ny olona voalohany, tamin'ny famoronana azy, dia tsy nandray an'io toetra lavora  ry io, toetra iray izay tanjon'Andriamanitra ny hamorona izany ao anatintsika. Mitaky fotoana ny famoronana io toetra io - ao anatin'izany ny fahalalàna, ny fankatoavana, ny fahalalàna onony, sns.
Tsy mety ho azo izany raha tsy amin'ny alàlan'ny traikefa sy ny fanekena an-tsitrapo.
            Andriamanitra dia namorona ny olombelona izay manana toetra fototra te-hikomy hanohitra ny zavatra ara-panahy sy ny lalan’Andriamanitra. Tsy maintsy ho lasa hahatsapa ny fibebahana marina ny olona noho ity fankahalana ity, ny lolom-pony amin'ny fahefana misy, ary ny fombany ara-nofo.

Ny loharanom-pahasambarana

            Andriamanitra dia tsy hanome fiainana mandrakizay ho an'izay tsy vonona ny hanana fiainana mahasoa, mahaliana, ravoravo ary sambatra. Ny olona rehetra dia maniry an'io karazam-piainana io, fa ny ankamaroany dia mikatsaka izany amin'ny fomba mifanohitra amin’izany. Samy mijinja izay nafafintsika isika: ny fahasosorana, ny loza, ny fifandirana, ny herisetra, ny tahotra, ny fijaliana ary ny fahafatesana.
            Ny fepetra nomen’Andriamanitra hahazoana ny Fanahy Masina dia ny fibebahana (fibebahana amin'Andriamanitra Ray) ary ny finoana an'i Jesosy Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika. Avy amin’izany no mampihavana antsika amin'Andriamanitra. Ny fibebahana marina dia mahatonga antsika hahatsapa fa maharikoriko indrindra ny fironana ara-nofo; izany no ahafahantsika hiodina amin'ny lalan'ny fankahalàna sy ny tsy fankatoavana, mba hitodika any amin'ilay Mpamorona antsika Izay tia antsika.
            Mba handravàna ny sakana manasaraka antsika amin'Andriamanitra, ny fanekenao an'Andriamanitra dia tokony ho feno, ary ny fankatoavantsika dia tsy hisy fepetra; tokony hanana finoana ny sorom-panavotan'i Jesosy isika. Ny dingana voalohany mankany amin'ny fahasambarana marina sy maharitra dia ny fibebahana marina - fibebahana amin-kitsimpo sy lalina (Asa.2:38). Ny batisa dia manaraka ny fibebahana fa tsy mialoha izany.
            Ka tsy maintsy mibebaka izany ianao! Izany dia mitaky hetsika mivantana avy aminao : ny fiaikena tsy misy fepetra fa resy ianao, ary ny fanekenao tanteraka an'Andriamanitra.
            Angamba ianao tonga eo amin'ny fotoana izay hahatsapanao fa mila ny Fanahin'Andriamanitra ianao mba hanova anao. Angamba amin’ny farany ianao dia mahazo ny fahabangana sy ny maha-zava-poana ny fiainana raha tsy misy io firaisana velona io, raha tsy misy io fifandraisana manokana amin'Ilay tena Mpamorona, izay manomboka fantatrao tsara kokoa ny toetrany. Mety handalo andro sarotra ianao amin’izao fotoana izao. Ny fepetran’Andriamanitra mikasika ny finoana sy ny batisa dia mety ho mora aminao, saingy mety ho hafa izany mikasika ny fibebahana. Moa ve mikomy ny fireharehanao raha vao mieritreritra izany?
            Niletsy tamin’ny fahatsapany ny tsy fankatoavany i Adama sy i Eva, tamin’ny fitiavan-tena, ny fireharehàna, ary ny fikomiany nanohitra ny fahefana. Ary izany no mbola ataontsika rehetra ankehitriny, satria manana toetra mitovy amin'izany isika, izay niara-teraka tamintsika,
            Ny fibebahana dia midika fa nanjary fantatsika fa mpiodina amin'ny Mpamorona antsika isika, amin'ny lalany ary ny lalàny; ny mibebaka dia ny mahatsapa fa tsy maintsy mankahala ny fitiavan-tena isika, ny fikomiana, ny fireharehàna ary ny ota rehetra nataontsika; Ny fibebahana dia midika fa manenina tokoa isika rehefa nandika ireo lalàn'Andriamanitra ary efa vonona - amin'ny alàlan’ny fanampian'Andriamanitra – ny handevina amin’izay ny toetra ratsy rehetra teo aloha. Ny fibebahana dia midika fa tsy te hanota intsony isika.
            Rehefa tonga amin'ny fibebahana toy izany ianao, dia tena marina ny fikasanao. Vonona ny hiteny ianao, amin'ny sehon-javatra rehetra: "Eny, Tompoko ... Hatao anie ny sitraponao!" Mba hahatratrarana ny fibebahana marina, dia tsy maintsy mahatsiaro trotraka amin'ny fomba feno fitiavan-tena ianao, ary koa ny an'ny fiaraha-monina, amin'ny ankapobeny.
            Tokony hanenina am-pahatsorana sy amin-kitsimpo amin’ny hadisoanao sy ny fahotanao ianao; mila manana io fiovana maharitra io ao anatinao ianao, miaraka amin'ny fanampian'ny Fanahy Masina. Izany hoe, tokony ho vonona hiova lalana ianao, ary hanaraka amin’izay ny lalana napetrak'Andriamanitra.
            Mba hahafantarana ny tanjon'ny fiainana, dia tokony ho fantatsika, manomboka eto, ny tsy fahefantsika sy ny tsy fahampiantsika rehefa tafasaraka amin'Andriamanitra isika. Ny fisian'ity "taon-jato ratsy ankehitriny" ity, miaraka amin'ny fisedrana, ny fakam-panahy ary ny fahadisoam-panantenany, dia manampy antsika hahatakatra izany fahamarinana izany.
            Raha tsy misy Andriamanitra, dia tsy ho feno isika, maty antoka ary tsy manana fanantenana.
            Tian'Andriamanitra homena ny Fanahiny Masina isika - ny fombany, ny fiainany, ny toetrany - izay hanome antsika hery ara-panahy ka hahafehy tena sy handresy ireo fironana ara-nofo. Mampita izany hery izany amintsika ny Fanahy Masina; Izy koa dia mitondra fifaliana lehibe sy fiadanan-tsaina ho antsika.

          Inona izany no dikan'ny hoe "mibebaka"?

Efa nianarantsika fa navelan'Andriamanitra hanana toetra araky ny nofo i Adama sy i Eva. Amin'ny alàlan'ny fandovàna, miainga amin'ny ray mankany amin’ny zanany, dia tonga aty amintsika io toetra io. Koa satria toa "voajanahary" tamin'i Adama sy Eva ny tsy mankatò an'Andriamanitra, dia naka voankazo voarara tamin'ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy izy ireo (Gen.2:17; 3:6).

Ny fotoana fanapahan-kevitra

            Tonga ny fotoana hibebahanao! Efa eo amin’ny fiolahana izao ny anjaranao. Aza atao ambanin-javatra ny maha-zava-dehibe izany.
            Ny mibebaka dia ny misafidy, na ny fiainana mandrakizay, na ny fahafatesana mandrakizay. Rehefa maniry amin'ny fonao rehetra ianao, fa hampanoa ny sitraponao amin'ny sitrapon’Andriamanitra no hanomezany anao ny Fanahiny Masina. Ary amin'ny herin'ny Fanahy Masina no hahatongavanao hifehy ny fanahinao - handresy ny fitiavan-tena, ny fireharehana ary ny fahotanao.
            Any aoriana, rehefa haterak'Andriamanitra ianao, mandritry ny fitsanganana amin'ny maty, dia tsy ho afaka hanota intsony ianao satria hitoetra ao aminao ny Fanahiny Masina (1Jaona 3:9).
            Ny zava-dehibe dia ny fanekenao hamela an’Andriamanitra hamboatra ao aminao ny toetra tiany hanananao; ho vitanao izany amin'ny  fanekenao Azy sy ny lalany amin'ny alàlan’ny fanampian'ny Fanahiny Masina.
            Matetika ny olona no mieritreritra fa Andriamanitra dia miandry antsika hahatsapa fotsiny fa isika dia manana fangoraham-po na fihetseham-po toy ny fanenenana, alohan'ny hitondrana antsika any amin’ny "valisoa" any an-danitra, izay lazaina koa fa fiainana midonanàm-poana (tsy misy zavatra hatao) - fiainana fialamboly any an-danitra any! Tsy misy hatao afa-tsy ny mitanin’andro mandritry ny andro, ary hankasitrahan'Andriamanitra izany – ary izany dia ho mandrakizay! Ny famonjena dia tsy izany fa zavatra hafa mihitsy.
            Raha nikasa ny "hamonjy" antsika Andriamanitra raha vantany vao miteny ireto teny majika ireto isika hoe: "Manaiky an'i Kristy ho Mpamonjy ahy" aho, nahoana no tsy nitondra antsika ho any an-danitra "ao aorian'izany Izy, mba hamela antsika handray tsy misy hatak’andro ny "valisoantsika"? Fa maninona no hatao maharitra ela ny fahoriantsika eto an-tany amin'ny fisedrana sy ny olana tsy misy fitsaharana?
            Nahary antsika Andriamanitra ho amin’ny tanjona lehibe iray izay tsy fantatry ny ankamaroan'ny Kristiana. Ilay Mpamorona Tsitoha no mpanakanto fara-tampony. Na aiza na aiza, eo amin'ny natiora, dia afaka midera ny zava-kantony isika: ny vao maraina mangiran-dratsy sy ny takariva manopy maizina, ny tendrombohitra mahatalanjona, ny lanitra voaravaky ny kintana maro be, ary ny maro hafa mahavariana! Ny asa-kanto nataony dia ny voahary manontolo.
            Saingy, Andriamanitra dia mamokatra, ao anatintsika ,ny sangan'asan'ny zava-boahary noforoniny rehetra: olona ambony lavitra noho ny anjely. Maniry ny hamorona toetra marina sy mahitsy ary masina ao anatintsika Izy : ilay toetra lavorary.
            Marina fa isika rehetra, amin'izao fotoana izao, dia tsinontsinona! Ny lanjantsika dia tena bilitika kely eo amin'ny resaka fahefana sy fahaizana. Manana fahalemena betsaka sy fahazaran-dratsy maro ary tsy fahatanterahana isika. Mpanota isika.
            Azonao sainina ve fa fikasan'Andriamanitra ny hahatonga antsika, indray andro, ho olona tsy mety maty sy ara-panahy, manana toetra tena madio, tena mendrika ary marina tsara, ka Izy tenany mihitsy, amin'ny farany, no hihevitra antsika ho sangan’asa ambony indrindra amin’ny zavatra noforoniny rehetra? Io fahamarinana lalina io dia tokony hahatonga antsika hanaja sy hanome voninahitra Azy. Andriamanitra no namolavola izany ary hamita ny asany Izy, satria Izy no Mpanefy tanimanga tsy mety diso.

Miverina tanteraka amin'Andriamanitra

            Na izany aza, ny fahatanterahana dia tsy mety hoforonina ao anatintsika raha tsy ny tenantsika no misafidy an-tsitrapo hanolo-tena ho an'Andriamanitra. Mila noana sy mangetaheta ny Fanahy Masina isika; mila mibebaka am-pahatsorana amin'ny fahotantsika rehetra isika, ary miala amin'ny fomba ratsintsika. Tsy maintsy mangataka mafy antsika amin’ Andriamanitra isika mba hamelany ny helok’isika; tsy maintsy mino sy mametraka ny finoantsika Aminy isika, amin'ny fahendreny, amin’ny fahatakarany, amin'ny fitiavany – izany hoe, miverina Aminy tsy misy fepetra, mba hahafahany manefy antsika arak’izay tadiaviny. Izany, raha ny marina, ny anjara tsy maintsy raisintsika.

          Raha mibebaka amin'ny fahotantsika isika ka manatona an'Andriamanitra amin'ny alalàn'i Jesosy Kristy, ka mino fa ny ran'ny Mpamonjintsika dia nalatsaka mba ho famelàna ny fahotantsika, ary mino ny fitsanganany tamin'ny maty, Ilay Kristy velona, Ilay Mpisoronabe mandrakizay, dia ho avy hiaina ao anatintsika amin’ny herin’ny Fanahy Masina. Hanefy sy hamolavola ny toetrantsika Izy. Satria tokoa, ny kristiana dia "voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara" (Efes.2:10), "amin'ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana" (Efes.4:24).

          Ho amin'izany, dia natao tamin'ny vovo-tany isika; fehezin'ny fireharehàna, ny filàna sy ny fanirian'ny nofo isika. Mila mitombo sy mivelatra isika aorian’ny fitsapana izay tsy maintsy resena. Mila ny fiainana an-tany iray manontolo izany, fotoana izay tsy maintsy hanoherana ny fakam-panahy sy handresena ny tenantsika. Nampanantena anefa Andriamanitra fa hanampy antsika amin'izany asa izany. Tena tsy zava-bitantsika izany fa Azy.

            Ny anjarantsika dia ny mibebaka, ny manolotra tanteraka ny tenantsika Aminy, ny mitady Azy, ny mitalaho Aminy ary ny matoky Azy. Io no hamela antsika hanana hery ara-panahy mba hahomby amin'ny asantsika.
            Ny antom-pisian'ity tontolo ity - tontolo iray honenan'ny olona ara-nofo, izay nanova azy ho toerana ratsy sy tsy sambatra - dia ny hahatongavan'ny olombelona hibebaka. Tsy maintsy mahatsapa izy ireo fa mila ny Fanahin'Andriamanitra.
            Diniho, ohatra, ny ankizy kely. Efa manana ny lolompony izy, ny fahatezerany, ny fialonany, ny fitsiriritany, ny toe-panahiny, ny fihetsiny. Raha tsorina dia manana toetra mitovy aminy ianao!
            Ny olombelona, entin'ny fitongilanany, ary voafitak'i Satana sy ny demoniany, dia manaraka ny lalan'ny fandringanana sy ny fahalotoana ary ny faharatsiana; Manimba ny zava-drehetra raisin'ny tanany izy. Novainy ny Teny masin 'Andriamanitra, nolotoiny ny fanahiny ary nampihahakaha-kevitra ny tenany izy; tsy nahomby tamin'ny fitaizana ny zanany izy. Nozoin’ny lolompo, ny fitsiriritana sy ny fankahalana ny namany izy; angalariny amin’io izay rehetra azony angalarina; ataony izay handraisany mihoatra noho izay omeny, ary mitovy amin'ny halatra izany. Manimba ny kalitaon’ny vokatra ara-tsakafo izy. Hataony hahatonga fanimbàna ny fivoarana ara-tsiansa sy teknolojika, ary raha tsy noho ny fanampian’Andriamanitra, dia hiafarana amin’ny famongorana ny tenany ny zanak’olombelona eto an-tany.
            Jamba angaha ianao raha tsy mahafantatra an'izany fahamarinana mazava izany. Tsy maintsy haniry ny fahamarinan’Andriamanitra amin'ny fontsika tokoa isika; mila tmaniry hiady amin'ny tenantsika isika ary hijaly amin'izany ady izany, ary hiantehitra amin'ny famindrampon'Andriamanitra, amin'ny Fanahy Masin'Andriamanitra, mba handresy. Andriamanitra no manana ny toetra tonga lafatra. Ny tanjony dia ny hamorona ao anatintsika ny fahatanterahany, amin'ny alàlan'ny fanekentsika ary ny fivelarana.
            Ny dingana voalohany tokony ataonao mba hahatratrarana an'izany, dia ny fibebahana amin'ny fomba ratsinao, amin’ny fomba amam-panaonao.

LESONA 10

NY FIBEBAHANA DIA NOTAKIANA HATRANY AM-PIANDOHANA

 

1. Efa fantatsika fa ratsy ity taonjato ity. Tsy efa ratsy hatrany am-boalohany ve izany? Gen.2:17, 3:6; 4:8, 6:5.
FANAMARIHANA: Lasa ratsy ity tontolo ity vokatry ny fikomiana. Ny zanak'olombelona, izay tokony hino ny Mpamorona azy, dia lasa te hino ny laingan'i Satana.
 
2. Moa ve mahagaga ny manamarika fa ny olona, hatramin'ny andro voalohany, dia nanimba ny fomba fiainana napetrak'Andriamanitra? Gen.6:12.
FANAMARIHANA: ao amin'io andalana io, dia mariho tsara ny hoe "simba" ary "ny lalany". Andriamanitra dia efa nametraka ny lalana tokony hiainan'ny olona, kanjo ny olona dia nilefitra tamin’ny filan-dratsin'ny tenany.
 
3. Moa ve tsy fanehoana ny fandikana ny iray amin'ireo didin'Andriamanitra ve ny fanompoan-tsampy? Eksodosy 20:3-5.
 
4. Ankehitriny, andeha hojerena raha niantso ny olona hibebaka Andriamanitra tamin'ny andron'i Adama. Moa ve ny fanompoan-tsampy dia tsy zavatra tsy voafetra (zavatra, na zavaboary) izay ampiorenan'ny olona ny fony bebe kokoa noho ny fankatoavany an'Andriamanitra? Ezek.14:4. Moa ve izany tsy iray amin'ireo endrika mampiavaka ny olombelona, izay tian'Andriamanitra hibebahantsika? Andininy 6. mariho ireo teny hoe "mampiorina ny sampiny ao am-pony " (and.4), ary koa ny didy avy amin'Andriamanitra mba hibebaka sy hiamboho amin'izany (and.6).
FANAMARIHANA: Tsy niova ny toetran'ny olombelona. Tian'Andriamanitra hibebaka isika noho ny fikomiana Aminy sy amin’ny lalàny.
            Na dia natao ho an'ny zanak’Isiraely taloha aza izany fiantsoana hibebaka izany, dia natao ho amin'ny mponina hafa rehetra koa. Andriamanitra dia niresaka mivantana tamin'ny Isiraelita satria taranak'i Abrahama izy ireo - ary noho izany dia nanana ny fampanantenan'ny famonjena izy ireo, izay tsy maintsy hihitatra any amin'ny firenena rehetra aty aoriana.
 
5. Tamin'izany fotoana izany, moa ve Andriamanitra tsy efa namorona ny toetran'ny olona tamin'ny fangatahana azy hibebaka sy hiala amin'ny fanirian-dratsiny - tahaka ny ataony amintsika ankehitriny? Deot.30:15-16, 19. Moa ve tsy nasainy nisafidy ireo olona ireo? Ny fahaizana misafidy dia manampy amin'ny fampandrosoana ny toetra. Moa ve tsy izany ny antony naharian'Andriamanitra ny loza? Isaia 45:7.
FANAMARIHANA: Tsy izao vanim-potoana izao ihany no hany vanim-potoana misy ny famonjena. Teo amin'ny Fanekena Taloha, satria ny herin'ny Fanahy Masina dia tsy mbola nozaraina tamin'ny olona, dia tsy mbola azony natao ny nitandrina ny tanjona ara-panahy an'ireo didin’Andriamanitra. Na izany aza, raha niantso ny olona hibebaka Izy, tamin'izany fotoana izany, dia nasehon'Andriamanitra taminy fa misy fomba tsaratsara kokoa – raha ohatra ka te-hanaraka izany izy ireo. Ireo izay niaina tamin'ny andron'ny Fanekem-pihavanana Taloha dia hanana "anjara" amin'ny ho avy, ho afaka hitandrina ny didin'Andriamanitra. Ireo taolana voalaza ao amin'ny Ezekiela 37, taolana izay hitafy nofo ary ho velona, dia manome antsika seho ampy amin’izany.
 
6. Inona avy ireo fomba tokony hialan’ny olona? Ezek.33:9.
FANAMARIHANA: Fantatrao izao fa ny fibebahana dia ny miala amin'ny fomba fanao ara-nofo izay, amin'ny maha-izy azy, dia toa "mahitsy" amin'ny olona. Ireo Isiraelita tamin'ny fotoan'ny Fanekena Taloha dia tsy afaka nieritreritra tamin'ny fomba tsara; tsy mbola nahazo ny Fanahy Masina izy ireo, ary "tsy feno" izy ireo. Nianatra tamin'ny fomba sarotra izy ireo, fa ny ohatra nomeny dia natao ho fampianarana sy lesona ho antsika izay afaka mandray ny Fanahy Masina.
 
7. Manamafy koa ve ny Zakaria 1:4 fa ny fibebahana dia ny miala amin'ny fitarihan-dratsin'ny nofo?
FANAMARIHANA: Niantso ny Isiraelita hibebaka Andriamanitra. Raha misy andinin-teny eny an-tsisiny ny Baibolinao, dia ho hitanao fa Andriamanitra, an-jato taona maro tany aoriana, dia mbola niantso ny Isiraelita hibebaka. Nandritra ny taonjato maro, dia tsy nitsahatra namerimberina io didy io izy.
 
9. Tamin'ny andron'ny Fanekena Taloha, moa ve Andriamanitra nanindry ny mpaminany Isaia mba haminany fa homena amin’ny fotoana any aoriana ny Fanahy Masina, mba hahafahan'ny rehetra mitandrina ny didy? Isaia 55:1-3. Mariho ny teny hoe "amin’ny rano". Efa nanambara mialoha ve Andriamanitra fa any aoriana, aorian'ny Fiavian'i Kristy Fanindroany, dia ho "akaiky" antsika Izy amin'ny alàlan'ny Fanahy Masina hapetrany ao anatintsika? Andininy 6. Inona ary no tokony hataon'ny ratsy fanahy hahazoany ny herin'ny Fanahy Masina? Andininy 7.
FANAMARIHANA: Ny andininy 1-11 dia mifandray amin'ny asan'ny Fanahy Masina, eo amin'ny fiainantsika, nanomboka amin'ny fiverenan'i Kristy. Ny andininy 12 sy 13 dia manoritra ny asan'io hery io ihany, napetraka ao anatintsika, ary afaka manova antsika amin'ny fitsanganantsika amin'ny maty ho any amin’ny fiainana mandrakizay.
FANAMARIHANA: Ny faminaniana dia fomba izay anambaran'Andriamanitra antsika mialoha ny tanjony. Tamin'ny famoronana, dia napetrany tao amin’ny olombelona ny toetran’olombelona. Noho izany dia fantany fa ny Isiraelita, tamin'ny Fanekena Taloha, dia tsy hitandrina ny didiny. Ka navelany hanoratra ny tantarany manokana izy ireo, izay ilain’ny taranaka maro manaraka azy, mba hahafantaran'ny rehetra fa tsy ho afaka hahatratra ny tanjona tadiavina ny olona raha tsy misy ny herin'ny Fanahy Masina.
 
10. Tamin'ny fotoana inona teo amin’ny tantara no nanambaran'Andriamanitra tamin'ny alàlan'ny vavan' Isaia mpaminany (toko 55) ny tanjony hanome ny Fanahy Masiny ho an'ny olombelona?
FANAMARIHANA: Ny mpaminany Isaia dia niaina 700 taona teo ho eo talohan'ny nahatongavan'i Jesosy Kristy voalohany.
 
11. Tamin'ny vavan'i Ezekiela mpaminany, moa ve Andriamanitra nanao antso manokana ho an'ny taranak'i Abrahama, ireo Isiraelita ankehitriny - mba hibebaka amin'ny fahotany izy ireo ary hahazo ny fanampian'ny Fanahy Masina, rehefa homena azy ireo izany? Ezek.33:7, 11.
FANAMARIHANA: Ity fampitandremana hibebaka ity, nomena taorian'ny naha-lasa babo ny Isiraely tranainy, dia nomena mivantana ho an'ny taranaka maoderin'i Abrahama, satria efa nandray ny fampanantenana ny famonjena ity farany, nampitaina ho an'ny taranany (Israely ), ary natao mety noho i Kristy. Fa ny famonjena tsy mialoha ny fibebahana.
 
12.Moa ve naminany i Daniela fa ho avy ny andro izay hibebahan’ny olona maro sy hitodihany amin'ny fahamarinana sy ny hitsim-po? Dan.12:3.
FANAMARIHANA: Marihina fa rehefa tonga io faminaniana io, dia tsy mbola nanana ny herin'ny Fanahy Masina ny olona, izay mety ho nahafahan'izy ireo niverina tamin'ny fahamarinana. Mariho koa fa voasoratra hoe "maro" - izany hoe olona maro - no hovonjena. Io faminaniana io dia manondro ny fotoana ankehitriny, izay hanomezana ny herin'ny Fanahy Masina antsika.

 

8. Tian'Andriamanitra hahafoy ny fieritreretan-dratsintsika ve isika? Isaia 55:7. Raha miala amin'izany isika, aiza no tokony hitodihantsika? Ezek.18:21.

Ny Didy Folo (Eksodosy 20:1-17)

I.-Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.

II.-Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy; nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko. 

III.-Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.

IV.-Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasi­na azy. Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra ; Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy.

V.-Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao.

VI.-Aza mamono olona.

VII.-Aza mijangajanga.

VIII.-Aza mangalatra.

IX.-Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.

X.-Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza. »

Ny fanadiovana tanteraka

1. Fantatr'i Jesosy ve fa ho azon'ny olona rehetra amin’ny voalohany ny Fanahy Masina, aorian'ny fiakarany, ka ho afaka ny hitandrina ny didin'Andriamanitra ny olona rehetra, tsy amin'ny taratasy ihany, fa ao amin’ny fanahy koa? Jaona 16:7-13. Ireo mibebaka araky ny toromarik'Andriamanitra, ary mandray ny Fanahy Masina, dia hiova ho olona ara-panahy ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.
FANAMARIHANA: Ny fibebahana marina dia tena sarotra indrindra ho an'ny sain'olombelona. Manaraka ny lalantsika sy ny fomba amam-panao samy hafa isika, izay noforonina araky ny saintsika ara-nofo. Saingy ny fibebahana marina - izany hoe ny fihodinantsika hiala amin'ny lalan'ny olombelona sy ny fitodihana any amin'ny lalan'Andriamanitra – dia mitondra fikorontanana ao amin'ilay tontolo kely noforonintsika ho an'ny tenantsika.
            Ny fibebahana dia fanadiovana tanteraka! Nilaza Andriamanitra fa tsy mitovy amin'ny antsika ny lalany sy ny heviny;  manamafy Izy fa ireo dia mihoatra lavitra noho ny antsika (Isaia 55:9).
 
3. Moa ve nilaza i Kristy fa hotorina amin'ny firenena rehetra ny fibebahana? Lioka 24:47. Nahoana? Asan’ny Apostoly 17:30-31.
FANAMARIHANA: Tsy maintsy hibebaka ny rehetra. Ny didin'Andriamanitra dia miantefa amin'ny rehetra. Efa akaiky ny fotoana fitsarana: izao no fotoana tokony hibebahana.
 
4. Manamafy izany ve ny Romana 3:23, amin'ny fanehoana fa ny rehetra, noho ny fahotany manokana, dia nanary ny tenany fa tsy hanana voninahitra avy amin'Andriamanitra?
 
5. Moa ve nanao ratsy teo imason'I Jehovah ny olona rehetra? Sal.14:1-2. Misy iray manao ny tsara ve? Andininy 3.
6. Inona no tokony hialantsika? 1Pet.2:11.
FANAMARIHANA: Ny "filan'ny nofo", izay resahina eto, dia maneho ny toetran'ny olombelona, izay navelan'Andriamanitra hananantsika mba ahafahantsika manohitra azy ireo. Ireo toetra ireo dia tsy maintsy resena tanteraka. Ao amin'io andalan-teny voatonona io, ny Apostoly Peteraa dia nanoro hevitra antsika ny hifadiana ny filan'ny nofo. Raha tsy misy fibebahana marin, dia tsy ho afaka hanao izany isika.
 
7. Inona no ho azon'ny olona tsy mibebaka? Rom.2:5. Ary inona no hiafarany? Ezek.18:20.
FANAMARIHANA: Raha misy manapa-kevitra ny tsy hibebaka, dia hopotehin'Andriamanitra mandrakizay any amin'ny farihy afo izy (2Pet.3:10; Apok.20:15).

 

2. Moa tsy nidina tamin'ny andron'ny Pentekosta va ny Fanahy Masina, araka ny efa nolazain'i Kristy? Asan’ny Apostoly 2:4. Fotoana fohy taorian'izay, tsy nilaza tamin'ny olona ny fomba handraisana ny herin'ny Fanahy Masina va ny Apostoly Peteraa, izay hahafahany handresy ny toetra maha-olombelona azy ireo? Asan’ny Apostoly 2:38. Miverimberina eto ve ny fepetra sarotra indrindra? Mariho indray ilay didy hibebaka.

FANAMARIHANA: Amin'ny ankapobeny, maro ny olona mihevi-tena ho "tsara" sy "marina", ary tsy mieritreritra fa tokony hibebaka izy ireo. Na izany aza, dia manondro ny Baiboly fa samy manana ny fanahy ara-nofo avokoa izy rehetra ary samy efa nanota avokoa. Kristy dia nanoro hevitra antsika ho tonga "tanteraka", " toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra." (Mat.5:48). Ilaina ny fibebahana mba hahazoana ny Fanahy Masina ary mba ho tonga lafatra. Hoy koa ny Baiboly: " Ary izay ao amin'ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra. Fa ianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy"(Romana 8:8-9).

Diniho ny tenanao! Azo antoka ve fa efa niova fo ianao? Tsarovy fa ny fomba famonjena dia tsy maro no mahita azy (Mat.7:14).

Nahoana no mibebaka

            Miseho ho marin amintsika ve Andriamanitra, ka mangataka antsika hibebaka? Ny tontolo iainantsika izao dia eo andalam-pamotehana. Inona ny antony mahatonga an'izany?
            Ny fahotana!
            Amporisihin’Andriamanitra hibebaka amin'ny fahotantsika isika. Fa inona ny fahotana? Misy famaritana roa nomena azy: ny iray avy amin'izao tontolo izao, ny iray hafa avy amin'ny Baiboly. Izao tontolo izao dia mamaritra ny ota ho toy ny lalana izay ahazoana fahafinaretana sy fifaliana lehibe indrindra, raha tsy noraràna izany! Amin'ny teny hafa, mieritreritra ny "voankazo voarara" ny olona, izay niantso ny tsiro ara-nofon'ny zanak'olombelona.
            Io famaritana io dia mahatonga antsika hino fa ny ota dia zavatra tsiriritina. Ny fiaraha-monina ankehitriny dia milefitra loatra amin'ny "ota"; mamela hanao zavatra maro izay heverin'ny taranaka taloha fa voarara izy. Ny olombelona, tsy nieritreritra izany akory, dia namorona sarin'ny andriamanitra tsy marina, andriamanitra izay mil any hamoizany izay tsara rehetra, mandà ny zava-drehetra ho an’ny tenany izy, ary mamoy ny fahafaliana miaina; ny sasany aza mihevitra fa amin'ny alalàn'ny fiainana amin’ny tsy fahasambarana no hahazoany "famonjena".
            Kanefa, ahoana ny hamaritana ny ota ao amin'ny Baiboly, ao amin'ity boky manoro ny fananana fiainana sambatra sy faly ity, izay Jehovah Andriamanitra no nanoratra azy? "Fa ny ota no fandikana ny lalàna" (1Jaona 3:4).
            Rehefa mandika azy ireo ianao dia voan’ny sazy. Tsy misy fomba hahafahana miala amin’izany. Izany no antony nanoloran'Andriamanitra ny Zanany lahitokana mba handoa ny sazin’izay  rehetra manaiky ny sorona nataony. Tsy mist fiovàna fa mitohy ny fampiharana ny lalàna, mitaky ny sazy izay tokony haloa. Izany dia nitaky ny ain'i Jesosy Kristy, ilay Zanak'Andriamanitra Ray - tonga nofo - satria nandray andraikitra tamin’ny fahotantsika Izy. Jesosy dia lavo nisolo antsika hanefàna ny sazin'ny lalàna: ny fahafatesana.
            Jesosy dia tsy nanafoana ny Lalàna. Ity farany no namarana ny fiainan’I Jesosy ara-nofo teto an-tany. Koa satria natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty I Jesosy dia velona Izy ankehitriny. Tahaky ny namaranan'ny Lalàna ny fiainan'i Jesosy, no hamaranany ny fiainanao koa raha tsy voasasan’ny ran'i Jesosy ny fahotanao. Ny Lalàna dia tsy miova; mbola miasa izy.
            Tsy ratsy kosa anefa izy; tsara izy. Fitiavana izy. Izy no lalana mankany amin’ny fandriampahalemana, ny fahasambarana sy ny fifaliana. Tandremo izy, dia ho sambatra ianao. Dikao izy, dia hijaly ianao. Ny Lalàna no fanomezana lehibe indrindra nataon'Andriamanitra tamin'ny olombelona; nomena izany mba haha-sambatra ny olona sy hananany fiainana be dia be; ny Lalàna no miantoka ny fahasambarantsika.
            Nandika izany avokoa ny olon-drehetra. Samy efa nanota isika rehetra ary ny onitry ny ota dia ny fahafatesana. Ny ran'i Jesosy no nandoa an'io onitra io, namafa ny fahotantsika, ary mampihavana antsika amin'Andriamanitra. Ny fitiavan'Andriamanitra dia nilatsaka ao am-pontsika avy amin'ny Fanahy Masina ", ary io fitiavana ara-panahy io, ao anatintsika, no mahatanteraka ny lalàn'Andriamanitra. Ireo izay mitandrina ny lalàna ihany no mahita fiadanana, fahasambarana ary fifaliana. Ary ireo izay nandray ny Fanahy Masina ihany no handova ny fiainana mandrakizay.
            Ny didy, ny fitsipika ary ny fampianarana hafa ara-baiboly dia manala ny endrika mahafinaritra sy maha-tsiriritra, ary maneho ny tena maha-izy azy. Tsarovy lalandava io fahamarinana lehibe io. Ny fampianarana ara-Baiboly dia mampiseho antsika ny lalana tokony arahina, ary mamela antsika hahita fa ny lalana hafa rehetra dia tsy mitondra afa-tsy fahadisoam-panantenana sy loza.
            Ny olona dia mitady ny fahafinaretana sy ny lalao. Ny ota matetika dia manome fahatalanjonana vetivety, karazana firehidrehitry ny fihetseham-po. Nefa io fahatalanjonana io dia diso sy mamitaka; Ny fahotana dia miteraka voka-dratsy izay tsy azo sorohina. Nambarany tsy misy indrafo ny vidiny. Ny fara-vidiny dia ny fahafatesana! Ka dia ho very ao daholo ny zava-drehetra, ary tsy misy tombony ho azo amin’izany!
            Manao izay ratsy sy vetaveta" ny olona, ary "tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza" (Sal.14:1-3). Izany no antony niantsoan'i Kristy antsika hibebaka!

          "…Fa araka ny fanahy ny lalàna" (Romana 7:14). Ary "… masina tokoa ny lalàna, ary masina ny didy sady marina no tsara" (and.12). Manampy koa ny Mpamorona hoe: "…ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna" (Romana 13:10). Misy maha-ratsy azy ve izany?

          Inona ary no atao hoe fahamarinana? "…Fa marina ny didinao rehetra " (Sal.119:172). Ny ota dia fandikana ny lalàna velona izay nodidin'Andriamanitra. Ireo lalàna ireo dia marina, tsy miova ary mandrakizay (PS.111:7-8).

 Ny Baiboly dia manondro ny lalana roa

 

Hiezaka isika izao mba hanazava bebe kokoa izay tokony hialanao, ary ny tokony hitodihanao. Ny asanao, ny fihetsikao, ny karazam-piainana ataonao isan'andro, ireo no zavatra hitsaràna anao. Manome toromarika mazava tsara antsika Andriamanitra, mba hahafinaritra ny masony ny zavatra tsirairay ataontsika.
FANAMARIHANA: Ahoana no tokony itokisana ny amin’ny fahendrentsika, satria tsy marina io raha tsy misy ny Fanahy Masina ao amintsika? Ny sain'olombelona irery dia tsy afaka mieritreritra amin’ny fomba mahitsy. Ny maha-mahery lanja ny toetra mampiavaka antsika dia manimba ny eritreritsika ary mitarika azy mankany amin'ny filàna.
 
2. Rehefa misy olona tsy manana ny Fanahy Masina ao aminy, miantehitra amin'ny sainy mba hahafantarany ny marina sy ny diso, aiza no hitondran’ny làlany azy? Ohab.14:12. Mba hampiharihary an’izany, moa ve namerina ny fampitandremana toy io Andriamanitra ao amin'ny Ohabolana 16:25 ?
 
3. Rehefa manaraka ny lalany manokana ny olona, moa ve tsy hadinony ny tanjon'ny fiainana – dia ny antony nametrahan'Andriamanitra azy eto an-tany? Avelan'izy ireo handeha fotsiny ve ny fotoana tokony hianarany hanaiky ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra? Rom.10:3.
 
4. Tsy manaraka izany ve hahalalàna fa ny lalàn'Andriamanitra no milaza amintsika ny atao hoe ota? 1Jaona 3:4.
FANAMARIHANA: Ny lalàna tokoa, fa tsy ny feon'ny fieritreretana, no manambara amintsika izay ratsy na faharatsiana.
 
5. Aiza no ahitantsika ny lalàn'Andriamanitra sy ny didiny izay mitondra antsika mankany amin'ny famonjena? 2Tim.3:15.
FANAMARIHANA: Ny lalàna ambony indrindra dia ny lalàn'ny fitiavana. Ny sampantsampany
dia ambara ao amin'ny Baiboly, amin'ny endrika didy sy fitsipika.
FANAMARIHANA: Tokony hanaraka ny fampianarana ara-Baiboly isika fa tsy ny eritreritr’isika ara-nofo.
            Rehefa avy nandray ny Fanahy Masina isika, ary rehefa manaraka ny Baiboly, dia lasa salama sy tony ny fanahintsika.
7. Inona no lazain'ny Ohabolana 6:23 momba ny toromarik'Andriamanitra sy ny fitsipiny?
FANAMARIHANA: Ny didy, ny fanitsiana ary ny torolalana, hita ao amin'ny Baiboly, dia mitondra antsika amin'ny làlam-piainana vaovao, miroborobo sy misy fifaliana, ankehitriny sy ho mandrakizay. Aoka àry isika hanaraka ilay didy nomen'i Kristy antsika ka nilazany fa ny olona dia ho velona amin'ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra (Matio 4:4). Andao hiverina any amin'ireo fampianarana tena izy ao amin'ny Baiboly!
 
8. Inona no hitranga rehefa tsy manaraka tsara ny Soratra Masina ianao? Mat.15:14.
9. Amin'ny andro fitsarana, rehefa mandray ny karaman-tsika isika – izay, na fahafatesana mandrakizay, na fiainana mandrakizay - amin'ny inona no hitsarana antsika? Jaona 12:48-50.
FANAMARIHANA: Kristy dia nitory ny lalan’ny famonjena rehefa niaina teto an-tany amin’ny maha-olombelona Azy Izy. Tsarovy anefa ,fa Izy ihany koa, amin’ny maha-Jehovah tamin'ny Fanekem-pihavanana Taloha, no nanoro hevitra tamin’ny fanoratana ny Baiboly. Izy ihany koa, ilay Kristy, no nanentana ny mpanompony hitory sy hampianatra, aorian'ny fahafatesany, ny Tenin'Andriamanitra.
 
10. Raha mivavaka amin'Andriamanitra amin'ny eritreritra sy ny teny isika, tsy tokony hampihatra ny torolalany amin'ny fiainantsika andavan'andro ve isika? Mat.7:2l.
 
11. Rehefa mianatra fampianarana vaovao tsy fantatsika isika, inona no tokony hataontsika? 1Tes.5:2l.
FANAMARIHANA: Manoro hevitra antsika Andriamanitra mba handinika sy hanamarina ny zava-drehetra. Noho izany, dia tokony handinika ny Soratra Masina isika mba hanamarina raha marina izay voalaza amintsika.
Ny hany mpitari-dalana azo antoka dia ny Baiboly. Mibebaha ary, ary manaova ny sitrapon'Andriamanitra!

 

1. Afaka mitoky amin’ny fahendrentsika ve isika - ny fahalalàntsika ary ny fahiratan-tsaintsika manokana - mba hahafantarantsika ny tokony hatao na ny tsy tokony hatao? Ohab.3:5.

 

6. Manamafy izany zavatra izany ve ny 2Timoty 3:16-17, amin'ny fampianarany antsika fa ny Baiboly dia nosoratana mba hampianarana antsika, hanitsiana antsika ary hitari-dalana antsika ho amin'ny làlan'Andriamanitra?

FANAMARIHANA: Hilatsaka any amin'ny toe-tsaina diso ianao.

No comments:

Post a Comment