Ny Batisa amin'ny Rano

 

Ambasadaoro Kolejy - Toko faha-11 

NY BATISA AMIN'NY RANO

          « Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra, mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina. » (Asan’ny Apostoly 2:38).
            Mbola manan-kery ve io famporisihan’ny Baiboly io? Ilaina tokoa ve ny batisa amin'ny rano, hahazoana ny Fanahy Masina izay afaka mamonjy antsika? Fa maninona no misy hevitra tsy mitovy momba an'io lafiny lehibe io, izay iray amin'ireo foto-pampianarana lehibe ao amin’ny Baiboly?
            Ankehitriny dia olona an-tapitrisany no mivavaka tsy misy fotony amin'i Jesosy Kristy. « Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy »  hoy i Jesosy (Marka 7:7-8). Didin’ny olombelona mihitsy no resaka eto, fa tsy avy amin'Andriamanitra.
            Olona an-tapitrisa no mino fa "voavonjy" izy, nefa raha ny tena izy dia tsia. Heverin'izy ireo fa "tanterak’i Jesosy Kristy teo amin'ny hazo fijaliana ny planin’ny famonjena ", ary ny sisa tokony hataony amin'izao fotoana izao dia ny manaiky an'i Jesosy Kristy, mino Azy ary mino ny Anarany - aorian'izay dia ho voavonjy avy hatrany izy ireo!
            Amin’ity lesona ity, hianatra ny fahamarinana momba ny batisan'ny rano isika, ny anjara toerany amin'ny famonjena antsika, ary izay tena asehony marina.

Fepetra ilaina amin'ny famonjena

            Nanambara i Jesosy hoe: "Mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara" (Marka 1:14-15). Araka ny hitanao amin'io andininy io, dia fepetra roa no ilaina amin’ny fiovam-po: ny fibebahana sy ny finoana. Tsy maintsy manaiky an’ireo isika.
            Amin'Andriamanitra ny fibebahana; Midika izany hoe mankahala ny lalantsika mpanota, miodina amin'izany, mba hiaina araky ny didin'Andriamanitra.
            Ny finoana, dia ny fahatokiana tanteraka ny sorona nataon'i Jesosy Kristy, Zanak'Andriamanitra, izay nandoa ny sazin'ny fahotantsika tamin'ny fahafatesany; Izany koa dia ny fankatoavana an'i Jesosy Kristy amin'ny maha-Mpamonjy antsika manokana Azy. Raha tsy misy ny finoana, dia tsy azontsika atao ny mino ny Filazantsara na ny Vaovao Mahafalin’ny fananganana ny Fanjakan'Andriamanitra eto an-tany.
            Nefa, moa ve tena izany ihany no ilaina hatao, hahazoana ny Fanahy Masina? Tsy misy fepetra hafa ve?
            Noho izany, raha izany fotsiny, dia tsy ampy amin’ny famonjena antsika ny fibebahana sy finoana; mbola mila ny batisa isika. Satria ny fibebahana sy ny finoana an'i Jesosy Kristy dia mitondra antsika amin'ny fiainana vaovao mankatò, dia nandidy ny baiko hanaovana batisa Andriamanitra, tsy ho mariky ny fiovam-po ihany, fa ho porofon'ny fankatoavantsika Azy koa. Ny batisa amin'ny rano dia baiko.
            Amin’ny maha-fahavalon’Andriamanitra azy, Satana dia namorona famitahana maro mikasika ny fampianaran'Andriamanitra momba ny batisan'ny rano (2Kor.11:13-15). Izy koa aza dia namitaka olona an-tapitrisa maro tamin'ny famporisihana azy ireo hatao batisa amin'ny fandrobohana anaty rano, ary hihevitra ny tenany ho kristiana marina, nefa raha ny tena izy, dia tsy nahavita ny dingana voalohany mankany amin'ny tena fiovam-po na fibebahana marina akory izy ireo.
            Amin'ny ankapobeny, ny batisa dia raisina ho fombafomba tsotra amin'ny fidirana amin'ny antokom-pivavahana iray, fa tsy fandevenana ny fiainana mpanota sy fanombohan'ny fomba fiainana vaovao. Nanjary dingana tsy misy fiheverana ny famelana ny fahotana, tsy misy dikany loatra, vokatry ny fanovan-kevitry ny batisa, izay niteraka fiovam-po sandoka maro.

          Tamin'ny andro Pentekosta, ny Apostoly Peteraa, raha niresaka tamin'ny vahoaka, dia nandidy azy ireo hoe: "…Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina” (Asan’ny Apostoly 2:38). "

          Mandidy antsika Andriamanitra mba hatao batisa isika, mba ho afaka amin'ny sazin'ny ota, ary handray ny Fanahy Masina. Ny batisa dia maneho ny finoantsika an'Andriamanitra, ny finoantsika ny fahafatesan'i Kristy nandoa ny onitra noho ny fahotantsika, ary koa ny finoantsika ny filevenana sy ny fitsanganan'ny Mpamonjintsika. Ny batisa dia manambara ihany koa ny fahafatesan'ny toetrantsika ara-nofo sy mpanota, izany hoe ilay "olona taloha", izay “nalevina ao anaty rano”.

Novonjena tamin'ny rano i Noa

            Ny Testamenta Taloha dia misy ohatra vitsivitsy - na fanoharana mialoha - momba ny dikan'ny batisan’ny rano. Andao hiezaka ny hahatakatra ny maha-zava-dehibe izany isika sy ny fifandraisany amin'ny fampianaran'i Jesosy Kristy momba ny batisa sy ny famonjena antsika mandrakizay.
 
1. Rehefa nihabetsaka ny olona tety ambonin'ny tany, moa ve nankatò an'Andriamanitra izy ireo? Tsy naleony ve nanao herisetra sy heloka bevava? Gen.6:5, 11-12.
 
2. Inona no fanapahan-kevitr’Andriamanitra mba hanasaziana ireo olona nihodina taminy? Gen.6:7. Inona no fomba nandringanana azy? Andininy 17.
FANAMARIHANA: “Fa fahafatesana no tambin'ny ota” (Romana 6:23). Ilay tontolo ratsy fanahy sy mpanota, tamin'ny andron'i Noa, dia nijinja ny vokatry ny lalany ratsy sy ny fanaony feno fahotana.
 
3. Iza no nahita fitia teo imason’i Jehovah, tamin'ny andro naha-feno ota ny tany izany? Gen.6:8. Nahoana no nomen'Andriamanitra fanambinana i Noa? Moa ve satria lehilahy tsy nisy tsiny i Noa ary nankatò ny didin Andriamanitra? Andininy 9. Jereo koa ny 2Pet.2:5.
 
4. Nandidy an'i Noà Andriamanitra hanamboatra sambofiara goavambe izay hahafahan'i Noa sy ny fianakaviany hiala amin'ny safo-drano, izany hoe ny fanasaziana noho ny tsy fankatoavana (Gen.6:14-16). Ahoana no nanehoan'i Noa finoana ny fampanantenan'Andriamanitra famonjena mba hialana amin'ny sazy? Gen.6:22 sy Heb.11:7.
FANAMARIHANA: Naharitra zato taona no nanatanterahana ny fananganana ilay sambofiara (ampitahao ny Gen.5:32 sy ny Gen.7:11). Nandritra io fotoana lava io, dia azo antoka fa naneso an'i Noà ny olona, ary noheveriny fa very saina ilay patriarka. Fa i Noa dia tsy nitsahatra nino an'Andriamanitra; Natoky Azy izy. Nanana finoana velona izay namonjy azy izy.
FANAMARIHANA: Hitantsika fa, amin'ireo tranga roa amin'ny famonjena ireo - ny an'ny sambofiara, tamin'ny andron'i Noa, ary izay voatondro ao amin'ny Testamenta Vaovao - mandidy Andriamanitra mba hanaiken’ny olona hanao zavatra iray amin'ny alàlan'ny rano; Noho izany, dia mitsapa ny finoan'ny olona Izy. Amin'ireo tranga roa ireo, dia takiana ny fankatoavana hahazoana famonjena. Andriamanitra nandidy an'i Noa hanamboatra sambofiara hamonjena azy amin'ny safodrano: Nino an'Andriamanitra i Noa, ary nankatò Azy. Nanamboatra ny sambofiara izy, na dia tsy nahita antony hanaovana izany aza izy, tamin'ny fotoanany.
            Ho antsika, izay miaina ao anatin'ny vanimpotoan'ny Testamenta Vaovao, Andriamanitra dia mandidy antsika hatao batisa amin'ny rano. Raha misy olona mino an'Andriamanitra ka hankatò Azy sy atao batisa, dia mety ho voavonjy izy ireo. (Ireo fepetra takiana dia: ny fibebahana, ny finoana ary ny batisa.) Mazava tsara ny fampitahana ao anatin'ireo tranga roa ireo! Ho voavonjy isika raha miaina amin'ny teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra.
Ny ranon'ny batisa dia tandindona fotsiny ihany; tsy manavotra antsika amin'ny fahotantsika izany. Ny zavatra angatahin'Andriamanitra, tsarainy sy ekeny, dia ny fankatoavana asehontsika rehefa manaraka ny didin'ny batisa isika.
FANAMARIHANA: Nomen'Andriamanitra fomba handosirana ny ota i Noa, ary ho voavonjy amin’ny fandringanana ny tontolo mpanota taloha. Naneho ny faniriany sy ny sitrapony i Noa, hiala tao anatin'ny ota, ary handositra ny sazin'ny fahotana, dia ny fahafatesana. Naneho ny finoany tamin'ny alàlan'ny asa fankatoavana izy. Io finoana io, io fankatoavana io ihany, io no andrasan'Andriamanitra amintsika, raha te ho voavonjy amin'ny tambin'ny fahotantsika isika.
Ny teny ao amin'ny 1Peteraa 3:21 manao hoe: "tsy ny fanesorana ny fahalotoan’ny nofo", dia manondro fa ny batisa dia tsy manaisotra ny lafiny ara-nofo amin'ny toetrantsika; tsy ny batisa no mamonjy antsika. Ny fehezan-teny sisa no mameno ny torolàlana: "ny fitadiavana ny fieritreretana tsara", izany hoe ny fibebahana, dia ilaina alohan'ny hidiran'ny Fanahy Masina amintsika, izay hanangana antsika indray andro any, tahaka ny nanangany an'i Kristy ; Izany no hamonjy antsika. Izany no ahitantsika ao amin'io andininy io ny baiko roa, dia ny fibebahana sy ny finoana. Toa an'i Noa, dia mila mino ny Tenin'Andriamanitra isika - ary manaiky hatao batisa. Dia homena antsika "ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina", ny Fanahy izay mamonjy.

 

5. Ny famonjena an’i Noà tamin’ny tambin’ny ota – tamby nampizakaina an’izao tontolo izao tamin’ny alàlan’ny safodrano goavam-be (fasana rano ho an’ny tontolo mpanota) - io famonjena io ve no sarin’ny famonjena antsika amin'ny tambin'ny ota, amin'ny ranon'ny batisa ao amin'ny Testamenta Vaovao? 1Pet.3:20-21.

Natao Batisa tao amin'ny ranomasina ny Isiraely

Andao hodinihina koa ankehitriny ny fampitahana iray hafa ao amin'ny Testamenta Taloha, izay manasongadina ny baikon'ny batisa.
Raha nonina tany Egypta ny Zanak’Isiraely, nandevozin’i Farao izy ireo; izy ireo dia teo ambany ziogan'ny tomponytoy ny mpanota izay eo ambany fahefan'i Satana. Egypta sy i Farao ary ny tafiny dia maneho an'i Satana sy ny ota. Andriamanitra dia nandidy ny Isiraelita hivoaka avy tany Egypta, izany hoe hivoaka ny ota.
Teo ambany fitarihan’i Mosesy, dia nanomboka nifindra monina avy tany Egypta ny Isiraelita, rehefa avy nanisy ran'ny zanak'ondry natao sorona teo amin’ny tolam-baravarana sy ny tataom-baravaran’ny tranon'izy ireo. Toy izany koa, isika, rehefa nanaiky ny ràn'i Kristy, izay "Paska ho antsika" (1Kor.5:7), dia tsy maintsy vonona ny hivoaka amin'ny ota. Ny fiainganan'izy ireo avy tany Egypta dia fanambarana ny fialantsika amin'ny ota.
 
1. Faly sy ravo ve ny Isiraelita rehefa nandao an'i Egypta izy ireo? Nom.33:3.
2. Raha mbola nifaly tamin'ny fahafahany izy ireo, moa ve nanenjika azy ireo ny mpanjaka egyptiana niaraka tamin'ny tafiny? Eks.14:8-9.
FANAMARIHANA: Ankehitriny, dia olona an-tapitrisa maro no tsy mahatsapa fa ny tenany dia miaina toe-javatra mitovy amin'izay niainan’ny Isiraelita fahiny. Rehefa nanaiky an'i Kristy sy ny ràny ho famelana ny fahotany izy ireo, dia mino fa hatramin’izao dia voavotra tamin’ny ziogan'ny ota rehetra izy ireo - tahaka ireo Isiraelita, izay nihevitra fa rehefa nandao an'i Egypta izy, dia nino fa afaka tanteraka tamin'ny fanandevozana azy ; kanjo indro fa manenjika azy indray avy eo i Farao sy ny tafiny !
 
3. Andriamanitra ve no nandefa an'i Mosesy hanafaka ny Isiraelita tamin'ny ziogan'ny Egyptiana – izany hoe tamin'ny ziogan'ny ota? Eks.3:10 sy Asa 7:5.
 
4. Moa ve i Mosesy tsy tandindon'i Kristy? Asan’ny Apostoly 7:37. Ny teny hoe "mpaminany" dia milaza an'i Kristy. Mariho ireo teny hoe "mpaminany… tahaka ahy" (jereo koa ny Asan'ny Apostoly 3:20-22). Moa ve Andriamanitra tsy naniraka an’i Jesosy Kristy hanafaka antsika amin'ny fahotantsika? Rom.3:24-25.
FANAMARIHANA: Mosesy, izay nirahin'Andriamanitra hanafaka ny Isiraely tamin'ny fanandevozana ara-batana, dia maneho an'i Kristy; taty aoriana dia nandefa ny "Zanany lahitokana" Andriamanitra mba hanafaka ireo mpino mibebaka amin'ny fanandevozana ara-panahy.
 
5. Inona no nolazain'i Mosesy, mpitarika ny Isiraelita, rehefa nivadi-po izy ireo noho ny fanenjehan'ny tafika Egyptiana? Eks.14:13. Mety ve ny natahorany ny tafika Egyptiana? Moa ve Andriamanitra tsy nanoro hevitra azy ireo hankatò Azy, ary handeha am-pahatokiana, matoky ny heriny hanavotra azy? Andininy 15.
FANAMARIHANA: Tahaka izany koa, ankehitriny, mba hanomezan’Andriamanitra famonjena antsika, dia mandidy antsika Andriamanitra mba hankatò ny didiny ary hatoky Azy. Mampalahelo fa betsaka ny olona mino fampianarana hafa. Mihevitra izy ireo fa ny zavatra rehetra tokony hataony mba hahavoavonjy azy, dia ny manaiky an'i Kristy ary mino ny rà izay nalatsany ho antsika rehetra!
 
6. Inona no fanampiana hafa, azon'ireo Isiraelita, niarovan'Andriamanitra azy ireo tamin’i Farao sy ny tafiny? Eks.14:19-20.
FANAMARIHANA: Ilay anjelin'Andriamanitra dia nandeha teo alohan'izy ireo mba hampisehoana azy ireo ny lalana (ny Isiraelita dia manondro ny tena kristiana amin'izao androntsika izao). Miankina amin'ny toe-javatra, ny andry rahona no nialoha na nijoro tao aoriany.
Ho an'ny tsirairay kosa, tena mila mafy ny fanampian'Andriamanitra isika, dia ny Fanahy Masina, mba hanafahana antsika amin'ny fahotantsika; mandritra ny batisa, dia voavelan’ny ran'i Kristy avokoa ny fahotantsika teo aloha.
 
7. Rehefa nampisaraka ny Ranomasina Mena i Mosesy, noho ny hery avy tamin'Andriamanitra, (Eks. 14: 21-22), moa ve tsy namakivaky azy tsy nisy tahotra ny Isiraelita? Sal.78:53. Nino an'Andriamanitra ve izy ireo teo am-pitàna ny ranomasina tamin'ny tany maina? Heb.11:29.
9. Noho izany, moa ve ny fanafahana ny Isiraelita teo ambany ziogan'ny Farao, tamin'ny alàlan’ny famakiana ny Ranomasina Mena, maneho an-tsary mialoha ny batisan'ny Kristiana ankehitriny? 1Kor.10:1-2. Nahoana? Andininy 6.
FANAMARIHANA: Tamin'ny fotoan'ny Testamenta Taloha, Andriamanitra dia nandidy ireo mpaminaniny indraindray mba hiaina mivantana ny zavatra nambaran’ny faminaniana (Ezek.4:1-17, sy 5: 1-4). Ary toy izany koa, ankehitriny Andriamanitra mandidy izay rehetra maniry marina ny ràn'i Kristy hamongotra ny fahotany, mba hanao ny anjarany amin'izany hetsika izany, dia ny fanatanterahany ara-bakiteny ny batisa. Izany no manasongadina ny tena dikan'ny batisa.
Izany tokoa, satria ny fiampitan’ny Isiraelita ny Ranomasina Mena, sy ny fandringanana an’i Farao sy ny tafiny (ilay "tenantsika mpanota taloha"), dia maneho an-tsary ny batisan'ny rano ao amin'ny Testamenta Vaovao.

(Nomery 33:3) « Niala tao Ramesesa Izy tamin'ny volana voalohany, dia tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany; nony ampitson'ny Paska no nivoahan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tanana avo teo imason'ny Egyptiana rehetra. »

FANAMARIHANA: Ny teny hoe "tanana avo" dia midika fifaliana. Eny tokoa, nandao an'i Egypta ny Isiraelita sambatra sy nahatsiaro ho faly indrindra, nandritry ny fifindra-monina noho ny fanafahana azy ireo tamin'ny ziogan'ny Egyptiana.

 

8. Inona no nanjo ny Egyptiana izay nanenjika ny Isiraelita teo afovoan'ny ranomasina? Eks.14:27-28.

FANAMARIHANA: Farao sy ny tafiny, izay nilevina tao am-pasana rano, dia maneho ny fandevenana ny ota eo amin'ny fiainan'ny kristiana mibebaka. " Fa fantatsika fa ny toetsika taloha (ny fiainantsika ara-nofo sy mpanota) dia niaraka nohomboana taminy [novonoina sy nalevina tamin'ny batisa] hanimbàna ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony"(Romana 6: 6).

 

JAONA MPANAO BATISA

          Nandritra ny taonjato maro Andriamanitra dia tsy nitsahatra nandidy ny olona hibebaka.  

            Zava-dehibe ny fibebahana.
            Nahoana? Satria noforonina miaraka amin'ny safidy malalaka isika. Raha tsy misafidy ny lalan'ny fibebahana isika - amin'ny fampanekena an'Andriamanitra ny sitrapon'olombelona aéra-nofo - dia tsy ho afaka ny handray ny Fanahy Masina isika.
            Fotoana fohy mialoha ny nahatongavan'i Kristy voalohany (izany hoe talohan'ny nidinan'ny Fanahy Masina), dia naniraka an'i Jaona Mpanao Batisa Andriamanitra hanatanteraka batisa manokana, izay antsoina hoe batisan'ny fibebahana. Inona no anton’izany? Andao hodinihina.
 
1. Mpaminany ve i Jaona Mpanao Batisa, nirahin'Andriamanitra hanomana ny lalana ho an'i Jesosy Kristy? Lioka 1:63, 75 sy Matio.3:1.3.
 
2. Nanao batisan’ny rano ve izy? Jaona 1:33.
FANAMARIHANA: Tsarovy fa ny batisa dia tandindon'ny fandevenana ny tenantsika ara-nofo mpanota taloha; ary ny fibebahana dia mialoha ny batisa.
 
3. Iza no naniraka an’i Jaona Mpanao Batisa, ary fahefan’iza no nanaovany batisa? Lioka 3:2-3, Mat. 21:26.
FANAMARIHANA: Fantatry ny loholona sy ny lohandohan'ny mpisorona fa mpaminany Jaona, nirahin'Andriamanitra; na izany aza, dia tsy te hanaiky izany izy ireo, satria ny fanekeny izany dia midika fankatoavana fa avy amin'Andriamanitra ny fahefan'i Kristy.
FANAMARIHANA: "Ny batisan'ny fibebahana" dia midika marina ny tian'io anarany io ho lazaina. Ireo izay nataon'i Jaona batisa dia efa nibebaka tamin'ny fahotany, ary navelan'Andriamanitra ny fahotany. Saingy ireo olona ireo dia tsy nandray ny Fanahy Masina - izay hery maharesy ny ota sady manome fifehezan-tena - satria, tamin'izany fotoana izany, tsy mbola nomena ny Fanahy Masina. Tsy nidina izany raha tsy tamin ny andro Pentekosta, taorian'ny nitsanganan'i Kristy. Ny fitantarana feno nataon'i Lioka dia milaza fa nirahina i Jaona Mpanao Batisa, "hanome ny olony [ny vahoakan'Andriamanitra], ny fahalalam-pamonjena amin'ny famelana ny helony" (Lio.1:77).
 
5. Hatramin'ny nanomboana an'iKristy tamin’ny hazo fijaliana sy nitsangany tamin'ny maty, dia fomba manao ahoana no handraisantsika ny Fanahy Masina? (Asan’ny Apostoly 2:38). Tany Efesosy, voatery namerina batisa ve ny mpino nibebaka? Asan’ny Apostoly 19:1-6.
FANAMARIHANA: Ireo izay natao batisa tamin'ny batisan'i Jaona dia tsy maintsy namerina batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy, mba hahazoana ny Fanahy Masina.

 

4. Inona ny batisa notorin'i Jaona? Marka 1:4-5 sy Matio 3:11.

Didin’ny Testamenta Vaovao

          Mbola mitombina ihany ny didin'ny batisa. Andao hodinihintsika ny porofo.

1. Namela ohatra ho antsika amin'ny zava-drehetra ve i Jesosy, mba hanarahantsika ny diany? 1Pet.2:21. Moa ve nataon'i Jaona batisa koa Izy? Matio.3:14-16.
FANAMARIHANA: Na dia tsy nanota izay tsy maintsy hibebahany aza i Jesosy, dia natao batisa Izy, nanome ohatra ho antsika.
 
2. Taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty, dia nankininy tamin'ny Apostoly ny iraka fitoriana ny Filazantsarany. Ao amin'ny torolalana nomeny, nasehony ve fa ilaina amin'ny famonjena ny batisa? Marka 16:15-16. Inona no hitranga amin'ireo tsy mino sy tsy mety hatao batisa? Io andininy io ihany.
 
3. Inona no nolazain'i Matio momba an'io iraka manan-danja io? Matio.28:19-20.
4. Inona no baiko nomen'ny Apostoly Peteraa taorian'ny nahafatesan'i Kristy? Asan’ny Apostoly 2:38.
5. Tsy voasoratra ve fa natao batisa ny mpino nibebaka? Asan’ny Apostoly 2:41, 8:5, 12.
6. Folo taona taorian'ny nitorian'ny Apostoly Peteraa tamin'ny Jiosy tany Jerosalema ny toriteniny voalohany avy amin'ny Fanahy Masina, dia nirahin'Andriamanitra hitory ny Filazantsara amin'ny Jentilisa Izy. Taminà fahagagana, dia tonga tao an-tranon'i Kornelio, mpanompo sampy italiana, tso-po sy be fanoloran-tena izy. Saingy tsy nanana ilay finoana mamonjy i Kornelio. Izany no nahatonga an'i Peteraa hitory taminy sy ny fianakaviany ny famelana heloka amin’ny alalan'i Kristy. Asan’ny Apostoly 10:22, 43.
            Nandray ny Fanahy Masina ve ny fianakavian'i Kornelio talohan'ny nanaovana batisa azy? Andininy 44-45. Io fandraisana ny Fanahy Masina talohan'ny batisa io ve maneho famantarana manokana, nomen'Andriamanitra an'ireo Apostoly? Asan’ny Apostoly 11:17-18.
 
FANAMARIHANA: Tamin'ity tranga ity, nanao seho miavaka Andriamanitra. Amin'ny ankapobeny, ireo mpino mibebaka dia hatao batisa alohan'ny handraisana ny Fanahy Masina (Asa.2:38). Saingy, noho i Kornelio sy ny fianakaviany dia hafa firenena niova fo, (mpanompo sampy), Andriamanitra dia nanova ny filaharan'ireo fepetra ho amin’ny famonjena ireo. Nomeny ny Fanahiny Masina alohan'ny batisa ry Kornelio mianakavy. Nataony famantarana ho an'i Peteraa sy ny Apostoly namany izany, hampahafantatra azy ireo, fa Izy, ilay Andriamanitra Mandrakizay, dia nanokatra ny lalam-pamonjena ho an'ny Jentilisa.
FANAMARIHANA: Ny Filazantsara izay nasain'i Kristy notorin’ny Fiangonany, dia tsy hafatra momba ny toetran'i Jesosy ihany, fa mikasika indrindra ny Filazantsara nanirahana Azy hotorina amin’ny olombelona rehetra: ny Vaovao Mahafaly momba ny fananganana ny Fanjakan'Andriamanitra eto tany.
            Inona no tokony hinoana raha te ho voavonjy? Ny Vaovao Tsara, izany hoe ny Filazantsara, mazava ho azy (Marka 1:14-15). Ny mino ny Filazantsara dia midika hoe mino an'i Kristy ho Tompontsika sy Mpanjakantsika ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Midika fanaovana batisa ihany koa izany, satria mila atao batisa isika mba ho voavonjy.
FANAMARIHANA: Ny Batisa dia ampahany amin'ny iraka masina izay tanterahan'ny Fiangonan'Andriamanitra ankehitriny (Marka 16:15-16).

FANAMARIHANA: Kristy no nandidy ny batisa.

 

7. Nandidy avy hatrany ve i Peteraa mba hanaovana batisa an'i Kornelio sy ny ankohonany? Asan’ny Apostoly 10:47-48.

(Marka 16:15-16) « Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra; » « Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina »

Batisa milona, tondrahana, fafazana, sa asitrika?

          Ny teny hoe "batisa tondrahana" sy ny "batisa amin'ny famafazana" dia tsy ara-baiboly. Ny hany nampiasan'ny Testamenta Vaovao ny teny hoe "famafazana" dia ny amin'ny famafazan-dra, fa tsy momba ny batisa mihitsy. (Hebreo 11:28 ; Hebreo 12:24).

            Na ny Catholic Encyclopedia (Raki-pahalalana Katolika) aza dia manaiky fa ny batisa asitrika, izany hoe fandevenana tanteraka ao anaty rano, dia notanterahina tany am-piandohana, ary nahilika avokoa ireo fomba hafa rehetra: "Ny endrika tranainy indrindra dia ny batisa asitrika... Tao amin ny fiangonana latina [izany hoe ny Fiangonana Katolika Romana], ny batisa asitrika no nanjaka hatramin'ny taonjato faha-12. Taorian’io vanim-potoana io, dia mbola hita ihany izany tany amin’ny toerana samy hafa, hatramin’ny taon-jato faha-enina ambin’ny folo. Ny batisa amin’ny fanondrahana sy tamin’ny famafazana dia niha-malaza tamin'ny taonjato faha-efatra ambin'ny folo, ary nanjaka tao amin'ny Fiangonana tandrefana ".


Araky ny tsapanao izany, ny fanondrahana na famafazana ireo dia fanavaozana nataon’olombelona, fa tsy nodidin’Andriamanitra.
Ny tranga voalohany fantatra momba ny batisan’ilay mihambo ho “kristiana” dia ny an’i Novatien, izay nonina tany Roma tamin’ny taonjato faha-telo amin’ny fanisan’androntsika. Raha niresaka an’izany i Eusèbe, mpanoratra tantara tamin’ny andron’i Constantin, dia nanambara fa : “Rehefa ndeha ho faty i Novatien, dia natao batisa tamin’ny famafazana, tao am-pandriany – raha azo lazaina fa batisa izany…”
Mariho tsara fa tamin’izany fotoana izany, ny batisa tamin’ny famafazana dia tsy noheverina ho toy ny batisa manan-kery. Raha ny marina, i Eusèbe dia nanamarika fa “tsy nekena mihitsy ho isan’ny mpanao raharaham-pivavahana ao amin’ny Fiangonana Katolika na iza na iza natao batisa nofafazana…” (Ecclesial History, boky faha-6, Toko 43. Izahay no nanao ny dikanteny).
Ny teny hoe "batisa" dia avy amin'ny teny Grika baptismos, ary midika hoe fanitrihana na fandrobohana ao anaty rano.
Izany dia fandevenana tanteraka ao anaty rano.
Baptismos sy Baptizo dia tsy manana dika hoe famafazana na fanondrahana, fa ny teny grika milaza an’ireo dia ny hoe rantidzo na cheo. Mariho fa ny Soratra Masina avy amin’ny tsindrimandrin' Andriamanitra, dia tsy nampiasa afa-tsy ny Baptizo fotsiny, fa tsy teny hafa.
Ny batisa amin'ny alàlan'ny fanondrahana na ny famafazana dia tsy batisa. Ny hany batisa marina dia ny fanitrihana, alentika tanteraka ao anaty rano. Ny batisa dia tandindon’ny fandevenana ny "tena", ilay olombelona ara-nofo; raha tsy alentika tanteraka ao anaty rano ianao, dia toy ny alevina ampahany ihany.

 

1. Nahoana i Jaona no nanao batisa tao Ainona, akaikin'i Saleima? Jaona 3:23.

FANAMARIHANA: Rano amin’ny kaopy fotsiny no nilainy, na amin’ny zinga raha be indrindra, raha toa ka tsy mila asitrika tanteraka ny fanaovana batisa.

2. Inona no porofo hafa ananantsika fa ny batisan'i Kristy dia natao tamin'ny fanitrihana anaty rano? Matio.3:16.

FANAMARIHANA: I Jesosy dia tsy maintsy nidina tao anaty rano, satria ny Baiboly milaza fa "niakatra avy teo amin’ny rano" Izy (Mat.3:16). Ilaina ve ny "miakatra" avy tao anaty rano aorian'ny famafazana?

3. Rehefa nanao batisa ilay tandapa i Filipo, dia “nidina ho eo amin’ny rano” daholo ve izy roa lahy? Asan’ny Apostoly 8:38.

FANAMARIHANA: Tsy nisy antony tokony hidinan'i Filipo koa tao anaty rano, raha tsy hoe tsy maintsy nandatsaka an’ilay tandapa izy. Raha ohatra ka fanondrahana na famafazana rano fotsiny, dia ho vitany mora foana ny manao izany raha manatona ny morona izy, mba haka rano kely amin’ny felan-tanany.

Noho izany, manana porofo mivaingana isika, na ao amin'ny Baiboly, na amin'ny fiteny grika, na koa ao amin²'ny asa soratry ny mpahay tantara, fa ny batisa manan-kery dia tsy maintsy atao amin'ny alalan'ny fanitrihana tanteraka, ary io fomba io ihany no nampiharina tamin'ny Fiangonana Voalohany.

Ny dikan'ny Batisa ara-Baiboly

Fantatrao ve ny dikan'ny batisa ara-Baiboly? Ny fanazavana eto ambany dia hanampy anao hahatakatra izany. Ho hitanao fa tsy foana akory ny lalàn'Andriamanitra.

1. Afaka mahafaly an'Andriamanitra ve ny toe-tsaina tsy mihevitra afa-tsy ny nofo sy tia tena? Rom.8:5, 8. Mankatò ny Lalàn'Andriamanitra ve izany? Andininy 7. Inona ny vidin'ny fihevitry ny nofo? Andininy 6 sy Rom.6:23.
2. Moa ve ny kristiana tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra, maniry ny hanaraka ny fironan'ny nofo? Moa ve izy ireo tsy nohatanjahin'ny Fanahy Masina, mba handeha amin'ny làlan'ny fahamarinana? Rom.8:1, 9.
 
3. Amin'ny asan'ny batisa, tsy mampiseho ny faniriantsika handevina, ao am-pasana rano, ilay tenansika taloha ve isika, izany hoe ny lalan'ny fahotana, halevina miaraka amin'i Kristy indray mandeha tsy miverina? Aorian'io "fahafatesana" amin'ny alàlan'ny batisa io, moa tsy tokony hanaiky tsy misy fepetra ve isika hanao ny sitrapon'Andriamanitra, "toy ny ef   a maty nefa velona"? Rom.6:13. Tsy maneho ve izany fa ny kristiana tsirairay, tarihin'ny Fanahin’Andriamanitra, dia tsy te-hiaina intsony araka ny filan'ny nofo, fa araka ny lalàn'Andriamanitra, noho ny herin'ny Fanahy Masina?
Inona no ifandraisan'ny fahafatesana, ny filevenana ary ny fitsanganan'i Kristy amin'ny batisa?
4. Andriamanitra Ray ve nandefa an'i Jesosy Kristy hanameloka ny ota ao amin'ny nofo, ary mampiseho fa ny olombelona mety maty dia afaka hanana fiainana tsy misy ota, amin'ny alàlan'ny Fanahy Masina, izay nanorontoronana azy? Rom.8:3. Moa ve i Kristy maty mba handoa ny sazin'ny fahotantsika? 1Kor.15:3. Tsy nalevina ary natsangana tamin'ny maty va Izy? Andininy 4, sy Rom.8:11. Mariho ny fitenenana hoe:"hamelona ny tenanareo".
Ny Soratra Masina dia manaporofo fa isika, amin'ny maha-kristiana antsika, dia tsy maintsy mamono an'ohatra ny maha-olombelona antsika, dieny mbola velona isika. Ary amin'ny alàlan'ny herin'ny Fanahy Masina ihany, izay mitoetra ao anatintsika, no ahafahantsika hitahiry ny  fanahintsika ara-nofo hanaiky ny Lalàn'Andriamanitra, mba handovantsika ny fiainana mandrakizay indray andro any.
 
5. Moa ny batisa ve maneho ny filevenantsika ao am-pasana? Kol 2:12.
FANAMARIHANA: Rehefa asitrika ao anaty rano ny olona iray, dia tena ao anaty fasana rano ara-bakiteny izy. Ho faty haingana izy raha tsy esorina tao ara-potoana - raha tsy "natsangana" tao amin'io fasana rano io izy.
 
6. Ny batisa koa ve maneho ny fahafatesana, ny filevenana ary ny fitsanganan'i Kristy? Rom.6:3, 5. Maneho koa ve izany ny fialantsika an-tsitrapo amin’ny lalan'ny fahotantsika? Andininy 6.
FANAMARIHANA: Satria ny Planin’Andriamanitra dia misy ny "fifamenoan’" ny asa, ny batisa dia maneho ny fanomboana teo amin’ny hazo fijaliana ny "toetrantsika taloha" - ny fiainantsika feno ota.
            Ny fandevenana an'io « izaho » mpanota io, arahin’ny fivoahana amin'io fasana rano io,dia maneho ny fitsanganan'ny olom-baovao amin'ny fiainana ara-panahy ao amin'i Jesosy Kristy.
            Ny fidinana ao anaty rano dia maneho ny fahafatesan'i Kristy sy ilay “izaho taloha”.
            Ny filevenana na ny fandrobohana ao anaty rano dia maneho ny fandevenana an'i Jesosy ary koa ny lalantsika ara-nofo sy mpanota.
            Ny fivoahana avy tao anaty rano dia maneho ny fitsanganan'i Kristy sy ilay olona ara-panahy vaovao, izay tonga mba handeha "amin'ny fiainam-baovao", amin'ny fitandremana ireo lalàn'Andriamanitra. Aorian'izany, dia tsy fehezin'ny fomba ara-nofo sy ratsyfanahy intsony isika (Romana 8:12), na dia mbola mitoetra ao anatintsika aza ny toetra maha-olombelona antsika.
            Ny batisan'ny rano dia didin'i Kristy izay hanehoana ny finoantsika Azy ho Mpamonjy antsika manokana; amin'ny alàlan'ny batisa no hanekentsika fa ny fahafatesany, ny filevenany ary ny fitsanganany tamin'ny maty dia natao ho famonjena antsika.
            Ny batisa dia tandindon'ny fibebahantsika amin'ny lalantsika mpanota, ny fandevenana ilay « izaho taloha » ara-nofo, ary ny fitsanganana amin'ny maty ho amin'ny fiainam-baovao - fiainana mankatò an'Andriamanitra.

(Romana 8:5-8) « Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy. » (8:6) « Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadanana » (8:7) « satria fandrafiana an'Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany. » (8:8) « Ary izay ao amin'ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra. »

 

          Hoy ny Apostoly Paoly: "Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy”(Gal 2:20).

          I Kristy no mitoetra ao anatintsika, amin'ny alàlan'ny Fanahy Masina ary mahatonga antsika ho afaka, hatramin’io fotoana io, hanohitra ny fahotana ao amin'ny nofontsika mety maty ary hankatò ny lalàna ara-panahy (Romana 8:13).

Amin'ny Anaran'i Jesosy Kristy

Ity fehezanteny ity dia misy dikany manokana. Andao hiezaka ny hahatakatra izany.

1. Milaza ve ny Baiboly fa nanao batisa mpianatra maro kokoa noho i Jaona i Jesosy? Jaona 3:22 sy 4:1. I Jesosy tenany ve no nanao batisa? Jaona 4:2. Iza no nanao izany? Andian-tsoratra mitovy.

FANAMARIHANA: Jesosy tenany dia tsy nanao batisa. Ny mpianany no niandraikitra izany.

2. Moa nanao batisa ny mpino tamin'ny anaran'i Jesosy Kristy ve ny Apostoly? Asan’ny Apostoly 10:48.

FANAMARIHANA: Tamin'ny dikan-teny grika tany am-boalohany, notsindrian'Andriamanitra, ny fombam-pitenenana hoe "amin'ny anaran'ny Tompo [Jesosy]" dia midika hoe "amin'ny f ahefan'i Jesosy". Raha manao zavatra ianao " amin'ny anaran’ny olona iray", dia ataonao izany amin’ny heriny, amin'ny fahefany, miaraka amin'ny fahazoan-dàlana mazava avy aminy.
Ny mpianatr'i Jesosy dia nanao batisa tamin'ny anarany, izany hoe, teo amin'ny toerany. Izy ireo no nanao izany tamin'ny fahefany, izany hoe i Jesosy mihitsy no nanao izany. Ankehitriny, ny mpanompon'Andriamanitra dia nahazo baiko hiasa amin'ny anaran'i Kristy (Kol.3:17).


"Amin'ny Anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina"


1. Moa ve ny mpino mibebaka tokony hatao batisa "amin'ny" anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina? Matio.28:19.
FANAMARIHANA: Eto, ny teny grika eis, izay nadika hoe "amin’ny" dia adika koa hoe "ao "anaty". Ny Soratra Masina dia manondro fa atao batisa na mirotsaka ao anatin'ny anaran'ny Ankohonan’Andriamanitra isika - ary izany, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy na amin'ny herin'i Jesosy Kristy.
            Ankehitriny, ny Ankohonan’Andriamanitra, ara-bakiteny, dia tsy misy afa-tsy ny Ray sy i Jesosy Kristy Zanany. Ny Fanahy Masina no toetrany, ny heriny sy ny maha-Izy Azy ny Ankohonan’Andriamanitra (Jaona 4:24). Mifanohitra amin'ny hevitry ny besinimaro, ny Fanahy Masina dia tsy olona fahatelo.
            Aorian'ny batisantsika, rehefa mandray ny Fanahy Masina isika,dia mamela antsika hanana anjara amin'ny toetra araka an 'Andriamanitra izy io. Ary amin'ny farany dia mety haterak'Andriamanitra isika, ho tonga zanany, mpandova ny Fanjakany. Ny zaza vao teraka iray diaé antsoina amin’ny anaran-drainy. Ohatra, Dupont dia nampita ny anaram-pianakaviany amin'ny zanany. Toy izany koa, raha zanaka notorontoronin'Andriamanitra isika ankehitriny, dia hitondra ny anarany isika, rehefa teraka ao amin'ny Fanjakany ara-panahy. (Romana 8:14, 1 Jaona 3:1).
            Rehefa atao batisa "amin'ny" anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina isika, dia lasa mpikambana ao amin'ny Ankohonan'izy ireo toy ny zanaka notorontoronina - saingy mbola tsy teraka ara-panahy.

Ilaina ny batisa raha hiditra ao amin’ny fiangonana

1. Nampanantena ve i Jesosy fa handray ny batisan'ny Fanahy Masina ny mpianany? Asan’ny Apostoly 1: 5. Oviana no nidina ny Fanahy Masina? Asa.2:1, 4.
FANAMARIHANA: Tamin'ny andron'ny Pentekosta, tamin'ny taona 31 taorian'i Kristy, nanomboka ny Fiangonany ara-panahy Andriamanitra, ka nanome ny Fanahy Masiny ho an'ny mpianatra.
 
2. Moa ve ny tena Fiangonan'Andriamanitra dia "tenan'i Kristy"? 1Kor.12:12, 27 sy Kol.1:18.
 
3. Ahoana no fomba hahatongavana ho mpikambana ao amin'io Fiangonana io? Azo atao ve ny miditra ho mpikambana ao araky ny sitrapontsika ihany, sa tsy maintsy hapetrak'Andriamanitra ao isika? 1Kor.12:13.
FANAMARIHANA: Voalaza mazava ao amin'ny Romana 8: 9 'fa raha tsy mitoetra ao amintsika ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy isika.
            Ny mpikambana tsirairay ao amin'ny "tenan'i Kristy" (ny Fiangonana) dia mikambana amin'ny iray hafa amin'ny fatoran'ny Fanahy Masina mitoetra ao amin’izy ireo. Ary amin'izany, rehefa an'i Kristy isika, rehefa avy nandray ny Fanahy Masina ,dia napetraka ao amin'ny Fiangonany isika – ny tenany – araky ny Fanahy Masina izay mitoetra ao anatintsika.
            Ny fahavitanao batisa amin'ny rano fotsiny dia tsy mametraka anao ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra. Apetraky ny Fanahin'Andriamanitra ao ianao. Andriamanitra no manapaka ireo izay ho mpikambana ao aminy (ireo izay tena nibebaka), amin'ny  fametrahany ny Fanahiny Masina ao anatinao.
            Ny Fanahy Masina no mandentika antsika sy manatsoboka antsika, manao batisa antsika, na mametraka antsika ao amin'ny tena Fiangonan'Andriamanitra. Io "fandrobohana" avy amin'ny Fanahy Masina io no antsoina ao amin'ny Soratra Masina: "ny batisan'ny Fanahy Masina" na ny batisa "amin'ny alàlan'ny Fanahy Masina".

Ny fametrahan-tanana

            Farany, zava-dehibe ho antsika ihany koa ny mahatakatra ilay fomba hafa izay nodidin'Andriamanitra, ilaina amin'ny fandraisana ny herin'ny Fanahy Masina.
 
1. Moa ve ny fametrahan-tanana dia anisan’ny fampianarana fototra, nampianarin’ny Tenin’Andriamanitra ? Heb.6:2.
 
2. Rehefa nandeha tany Efesosy ny Apostoly Paoly, nandritry ny diany fanintelo hitoriany ny filazantsara, dia nisy olona tsy natao batisa afa-tsy ny batisan’i Jaona tao. (Asa 19:1, 3). Rehefa nataon’i Paoly batisa amin’ny anaran’i Kristy izy ireo, Moa ve feno ny Fanahy Masina izy ireo tamin’ny fotoana nametrahan’i Paoly tanana taminy ? Andininy 6. Tsy midika ve izany fa avy amin’ny fametrahan-tanana no handraisan’ny kristiana ny Fanahy Masina ?
 
3.Nahoana no nandeha tany amin’ny mpianatra tany Samaria i Peteraa sy Jaona ? Asan’ny Apostoly 8:14-16. Ankoatry ny vavaka, inona no nataon’ireo Apostoly mba hahazoan’ireo mpianatra ny Fanahy Masina ? Andininy 17. I Simona mpanao fanafody, feno fikasan-dratsy, dia nitady hividy izany fahefana izany fa tsy nahazo, satria tsapany fa ny Fanahy Masina dia nomena rehefa nametra-tanana ny Apostoly (andininy 18-19).

Famintinana

            Afaka nandinika ny Tenin'Andriamanitra tsirairay ianao, sady tsy voasakan’ny fomban-drazana sy ny fampianaran'ny olombelona, mba hianaranao izay amporisihany momba ny batisa amin'ny rano; efa hitanao fa ny batisa amin'ny alàlan'ny fandrobohana dia ilaina mba hahazoana ny Fanahy Masina, amin'ny alàlan'ny fametrahan-tanana.
            Ny fanekena am-bava fotsiny ny fanoloran-tenan'i Kristy dia tsy ampy. Raha ny marina, raha tsy misy hataony afa-tsy izany, raha vao nanao ny "fibebahana am-bava" isika, dia ho novonjen'Andriamanitra teo isika indray mandeha tsy miverina, tsy mampiandry antsika! Ho niala tamintsika ny fijaliana sy ny loza maro tokoa.
            Raha ny marina, Andriamanitra dia mamolavola ao anatintsika ny fombany manokana, ny toetrany. Izany anefa dia tsy mety vita afa-tsy amin'ny alalàn'ny traikefa izay azontsika amin'ny fankatoavana ny lalàny. Na izany aza, tsy afaka maneho fankatoavana tanteraka an'Andriamanitra isika, raha amin’ny herin’ny tenantsika fotsiny.
            Ny Fanahy Masina, izay toetra, fitiavana sy herin'Andriamanitra, dia manome antsika fanampiana izay tena ilaintsika mafy dia mafy. Ny Fanahy Masina dia fanomezana izay omen'Andriamanitra antsika raha manaiky ireto fepetra telo ilaina ireto isika: ny fibebahana, ny finoana, ary ny batisan’ny rano (Asa 2:38). .
Manorata aminay tsy misy hatak'andro raha irinao ny hitsidihan’ny  iray amin'ireo solontenanay. Na dia tsy tokony hahemotra aza ny batisa, tsara kokoa ny miandry ny fitsidihan'ny tena mpanompon'Andriamanitra fa tsy hataon’izao olona tsy fantatra izao batisa ianao, na amin'ny fomba hafa, izay mifanohitra amin'ny sitrapon'Andriamanitra.

          Tsy tokony hahemotra aoriana ny batisan'ny rano. Raha mandinika ireo tranga voalaza ao amin'ny Testamenta Vaovao ianao, dia mahita fa ireo mpino nibebaka dia natao batisa tsy nisy hatak'andro. Ohatra, tamin'ny andro Pentekosta, dia olona telo arivo no natao batisa (Asa 2:41). Filipo dia tsy nandany fotoana mba hanaovana batisa ilay tandapa (Asa.8:38). Nandefa an'i Ananiasy Andriamanitra mba hanao batisa an'i Saoly, izay nosoloina hoe Paoly ny anarany tany aoriana. Raha vao nihaona izy ireo, dia hoy i Ananiasy "Ary ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa ianao ka hosasana ho afaka amin'ny fahotanao" (Asa.22:16). Avy hatrany i Paoly dia nanao batisa ny mpiambina tranomaizina izy tamin’ny alina (Asa.16:33).

          Vonona ny hankatò an'Andriamanitra ve ianao?

No comments:

Post a Comment