Ny Fiofanana ho Mpanjaka - Endrika Roa Maneho ny Fanjakan'Andriamanitra

 

 Ambasadaoro Kolejy - Toko faha-22

NY FIOFANANA HO MPANJAKA

 

               Jesosy Kristy dia hiverina tsy ho ela amin'ny maha Mpanjaka fara-tampony Azy, mba hametraka ny Fanjakan'Andriamanitra hitondra an'izao tontolo izao. Fa ahoana ny aminao? Ho tonga iray amin'ireo mpanampy an'i Kristy ao amin'ny Tontolon’ny Ampitso ve ianao? Inona ny fiofanana hatao mba hahafahana hiara-manjaka amin’i Kristy?

Voaofana ho Mpanjaka

               Ny Mpamonjy ny olombelona dia tonga teto an-tany 1 900 taona lasa izay, nitondra hafatra - ny vaovao mahafaly momba ny Fanjakan’Andriamanitra ho avy. Io hafatra io dia antsoina hoe "Vaovao Mahafaly". Ny Fanjakan’Andriamanitra dia hanapaka ny firenena rehetra, ary ny ho Andriamanjaka faratampony eto ambonin'ny tany dia i Jesosy Kristy tenany.
               Fa i Kristy dia tsy hanjaka irery amin'ny olona an’arivo tapitrisa maro. Tsy hamela ny Kristiana kosa, izay nateraky ny Fanahy amin’izay fotoana izay, hanao fialan-tsasatra mandrakizay Izy. Asehon'ny Baiboly fa hiara-manjaka Aminy eto an-tany izy ireo!
               Tamin'ny 1948, ny Mpanjakavavin’i Angletera Elizabeth II dia niteraka ny zanany lahimatoa, Charles. Fantatry ny rehetra fa ho voatendry ho mpanjaka ao amin'ny Commonwealth Britanika izy io. Hatramin'ny nahaterahany, dia efa nandray ny fanabeazana sy ny fiofanana ilaina hanomanana azy ho lasa mpanjaka anglisy amin’ny fotoana manaraka.
               Ary ankehitriny, ny lahimatoan'ny Printsy Charles, ny Printsy William, dia hampianarina ho lasa mpanjaka koa.
               Tahaka ny Printsy Charles, izay teraka tao amin'ny fianakavian’ny mpanjakan'i Angletera mba ho lasa mpanjaka, ianao, raha zanak’Andriamanitra notorontoronin'ny Fanahy, dia ho lasa mpanjaka lehibe lavitra kokoa, ho MPANJAKA TSY METY MATY, ary hanjaka ianao rehefa teraka ara-panahy, ao amin’ny Ankohonana manjakan’ny Mpamorona ny Onivera. Tahaka ny Printsy William izay mpandova ny seza fiandrianana izay holovain’ny rainy indray andro any, ianao koa dia ho mpandova ny Mpanjaka ara-panahy! (Rom.8:16-17.)
               Ny tena kristiana dia tahaka ny mpandova ny seza fiandrianan'ny Mpanjakan’i Angletera, izay nahazo fiofanana manokana mba hahafahany mandray ny toerany amin'ny ho avy.

Ny olomasina no hitantana ny Fanjakan’Andriamanitra

            Ny fanjakana dia sady firenena misy vahoaka,  no fitondram-panjakana. Ny Fanjakan’Andriamanitra dia ny Ankohonana masin’Andriamanitra, izay misy ankehitriny an'Andriamanitra Ray sy Andriamanitra Zanaka (Kristy) any an-danitra, ary ireo zanakalahy sy zanakavavy, notorontoronin’ny Fanahy Masina teto an-tany, fa mbola tsy teraka.

            Ny Ankohonan’Andriamanitra dia fianakaviana manjaka. Ary ireo zanak'Andriamanitra, notorontoronin’ny Fanahy Masina, no haterak'Andriamanitra ara-panahy, amin'ny fitsanganana voalohany; Ary ho lasa mpikambana ao amin'ny Fanjakan’Andriamanitra ireo! "Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan'ny fanjakana eny ambanin'ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy"(Dan. 7:27).

            “Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany… fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.” (Apok.20:6). Ary rehefa afaka izany dia "hanjaka mandrakizay mandrakizay izy"(Apok.22:5).

            Ireo izay antsoin'i Daniela hoe "olo-masina" dia hatsangana amin'ny maty - na hovaina ho tsy mety maty - ary homena toeram-panapahana ao amin'ny Fanjakan’Andriamanitra. Fa iza no hanjakan’izy ireo? Ary aiza no hanjakan'izy ireo? Jereo ny Apok.2:26-27: "« Ary izay maharesy … dia homeko fahefana amin'ny jentilisa; ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy…”

            Ny Fanjakan’Andriamanitra, izay i Kristy no ho Mpanjaka (Apok.11:15; 19:16), dia hanjaka amin'ny olombelona (mety maty) rehetra izay miaina eto an-tany (Apok.5:10). Ary ny lalàna izay hiankinan'i Kristy sy ireo olomasina tsy mety maty dia lalàn’ny fitiavana, izay lalàna manambara ny fomba sy ny toetran'Andriamanitra – dia ny Didy Folo!

Valisoa araky ny asantsika

            Andriamanitra dia manokana ho avy mahatalanjona, mihoatra noho izay eritreretina, ho an'ireo izay misafidy ny hanaraka an-tsitrapo ny lalany, izay manatsara ny toetrany ary mitombo ara-panahy. Tsy vitan’ny hoe handova ny fiainana mandrakizay ho fanomezana maimaimpoana avy amin'Andriamanitra fotsiny izy ireo, ary ho tonga mpikambana mandrakizay ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra, fa ny valisoany koa dia homena andraikitra mandrakizay izy ireo; izany dia valisoa tena hafa noho izay fizaran’ny olombelona. Ny valisoan'ny Kristiana tsirairay dia hampientam-po sy hampitombo mandrakizay!

            Any amin'ny fitondram-panjakan’Andriamanitra, dia hisy toerana maro misy andraikitra azo raisina. Andriamanitra dia hanome ireo andraikitra ireo ho an'ireo izay mendrika ny handray izany, nandritry ny fotoam-piofanany. Amin'ny rariny tanteraka, ny tsirairay dia hahazo valisoa araky ny "asa" nataony nandritry ny fiainany Kristiana (Mat.16:27).

               Ary satria ny mpikambana rehetra, rehefa teraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra, dia hanaiky tanteraka ny fitondram-panjakan’Andriamanitra, dia ho afa-po tanteraka ny tsirairay amin’ny adidy sy ny fahefana homen'Andriamanitra azy ireo.
               Aoka ho fantatsika ny fomba hanomezan'Andriamanitra valisoa an'ireo izay nomena safidy malalaka ho tonga zanany. Andao hojerentsika ny fomba ahafahan'ny olona iray miomana hahazoana fahefana mahatalanjona ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra izay manjaka!
               Alohan'ny hanombohana dia alaivo ny Baibolinao, taratasy vitsivitsy ary penina na pensilihazo. Tadiavo ireo andininy ao amin'ny Baiboly omena ho valin'ny fanontaniana ary vakio ireo. Azonao atao koa ny mandika ireny Soratra Masina ireny. Betsaka amin'ireo mpianatra no nahita fa ny mandika azy ireny dia manampy mba hampitombo ny fahatakarana sy ny fitadidiana an’izany.
Andao atomboka ary!

LESONA 22

Endrika Roa Maneho ny Fanjakan’Andriamanitra

Andriamanitra dia manana hafatra izay manandanja tokoa ho an'ny zanak'olombelona ka ny Zanany mihitsy no nirahiny mba ho voalohany hanome izany. Araka ny hitantsika tao amin'ny lesona faha-18, izany hafatra lehibe indrindra izany dia ny Filazantsara- ny vaovao mahafaly- momba ny Fanjakan’Andriamanitra ho avy (Marka 1:14-15).
               Izany hafatra izany ihany no ambaran'ny Fiangonan'Andriamanitra amin'izao tontolo izao ankehitriny!
         Raha ny marina, ny ivon’ny hafatry ny Baiboly iray manontolo dia ny Fanjakan’Andriamanitra ho avy ety an-tany. Ny fanjakan'Isiraely fahizay dia tandindona fizika na mpialoha lalana ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny ankamaroan'ny faminaniana ao amin'ny Baiboly dia mampiseho ny fomba hananganana ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny fiainan'i Jesosy sy ny fampianarany ary ny sorona nataony sy ny fitsanganany tamin'ny maty dia manambara ny fomba mety hahatongavantsika ho mpikamban'ny Fanjakan’Andriamanitra. Kristy, ilay Mpanjakan'io Fanjakana ho avy io, sy ireo Apostoliny dia nitory momba ny lafiny maro amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.
               Andao hodinihintsika vetivety hoe inona ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny lesona faha-18 dia nampiseho fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia ho governemanta ara-bakiteny izay hanapaka an'ireo firenena rehetra ambonin'ny tany. Ny nofin'i Nebokadnezara momba ilay sariolona lehibe dia mampiseho izany mazava tsara (Dan.2).
               Fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia mihoatra noho ny fitondram-panjakan’Andriamanitra. Izy io koa dia ny Ankohonan’Andriamanitra, ary ao no ahafahan'ny olona ho teraka ho mpikambana ara-panahy.
               Amin'ny maha-fianakaviana mifehy na mitondra azy io, dia hampihatra ny fahefany amin'ny firenena rehetra eto an-tany izy, ary amin'ny farany, manerana ny Onivera manontolo!
Andao ho fantarina bebe kokoa ireo lafiny roa amin'ny Fanjakan’Andriamanitra ireo, manomboka amin'ny Ankohonan’Andriamanitra.

Ny Ankohonan’Andriamanitra mifehy

               Ny fitondram-panjakan'Andriamanitra ho avy ety an-tany dia hotantanan'ny Ankohonan’Andriamanitra manjaka. Rehefa tonga nitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy dia niresaka momba ny Ankohonan’Andriamanitra Izy, ary ny fomba ahaterahan'ny olombelona ao amin’izany.
FANAMARIHANA: Nasehon'i Kristy fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia ny Ankohonan’Andriamanitra, ary ao no ho teraka isika amin'ny maha-olona ara-panahy antsika (tsy olombelona intsony, fa olona masina) -hateraky ny fanahin'Andriamanitra ara-bakiteny, ary hiditra ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra!
               Araky ny nasehon'ny lesona rehetra teo aloha, Andriamanitra dia tsy Persona tokana. Ny teny hebreo nadika hoe Andriamanitra dia Elohim (Gen.1:1), izay manondro persona mihoatra ny iray, izay midika hoe “Ireo Manam-pahefana”. Andriamanitra dia fianakavian'ny persona, na "fanjakana" ahitana persona mihoatry ny iray. Misy ny fanjakana mineraly, ny fanjakan'ny zavamaniry ary ny fanjakan'ny biby. Avy eo, dia misy ny fanjakan’ny anjely noforonin'Andriamanitra ho fanahy. Ary avy eo, avo indrindra, dia ny Fanjakan’Andriamanitra!
FANAMARIHANA: Andriamanitra dia namorona ny fianakavian'olombelona ho ohatra fizika ho an'ny Ankohonany manokana. Noho izany, dia nomeny toromarika ny fianakavian'olombelona mba hanana fitondram-panjakana avy any ambony ka hatrany ambany, toy ny an'ny Ankohonan’Andriamanitra. Ny Ankohonan’Andriamanitra dia manana rafitra mifehy, ka misy andraikitra maro samihafa ao, mba hotanterahin'ireo zanak'Andriamanitra nateraky ny Fanahy, voalamina ho governemanta mitantana an’izao tontolo izao!

1. Moa ve i Jesosy, tamin'ny resaka nifanaovany tamin'i Nikodemosy, nanambara ny toetra maha-fianakaviana ny Fanjakan'Andriamanitra? Jaona 3:3, 5.

2. Inona no lamin'ny governemanta napetrak'Andriamanitra ho an'ny zanak'olombelona? Efes.5:23-24; 6:1-2.

Fitondram-panjakana lavorarin'Andriamanitra

               Tany am-boalohany, Andriamanitra dia nametraka ny arikanjely Losifera teto an-tany mba hitantana ny Fanjakan’Andriamanitra miaraka amin'ny anjely napetrany teto. Fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia nitsahatra tsy notantanina tety an-tany rehefa nikomy tamin'ny Mpamorona azy i Losifera (Satana ankehitriny).
Tao amin'ny Saha Edena, dia nomen'Andriamanitra anjara i Adama hisolo an'i Satana ho mpitondra an'izao tontolo izao. Tsy nahomby Adama tamin'ny nanaovany safidy diso. Efatra arivo taona taty aoriana, dia tonga i Jesosy Kristy, ilay Adama faharoa ary, noho ny fankatoavany ny lalàn'Andriamanitra, dia nahafeno ny fepetra hanjaka amin'ny tany Izy. Nefa tsy nanomboka nanjaka avy hatrany i Kristy
               Niverina tany an-danitra Izy ary nanangana ny Fiangonany teto an-tany tamin'ny alàlan'ny Fanahin'Andriamantra, mba hahatonga ny maro hahafeno ny fepetra mba hanjaka miaraka Aminy. Mety manakaiky ny 2000 taona mandra-piverin'i Kristy avy any an-danitra hamerina amin'ny laoniny ny Fanjakan’Andriamanitra manerantany izany (Asa.3:19-21).
               Andao hodinihina ny andinin-teny vitsivitsy momba ny lafiny fitondram-panjakan'ilay Fanjakan’Andriamanitra hitondra an’izao tontolo izao aamin’ny ho avy.
1. Rehefa hiorina ety an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra, moa ve izy no hisolo an’ireo governemanta eto an-tany? Apok.11:15. Iza no ho lasa mpanjaka amin'ny tany rehetra? Andininy mitovy; Zak.14:9; Apok.19:16. Mandra-pahoviana no hanjaka Izy? Apok. 11:15. Nilaza mazava ve Kristy fa teraka ho mpanjaka Izy? Jaona 18:37.
FANAMARIHANA: Ireo andinin-tSoratra Masina ireo dia manambara fa Andriamanitra dia Mpanapaka faratampony, ary ny fitondram-panjakan'Andriamanitra dia handray ny governemanta eto amin'ity tontolo ity amin'ny fiverenan'i Kristy. Ny Baiboly dia milaza amintsika mazava fa teraka ho Mpanjakan'ny tany i Jesosy Kristy.  Izy no hitondra ny firenena rehetra ary ny fitondram-panjakany dia haharitra mandrakizay!
2. Inona no nolazain'i Kristy tamin'i Pilato mba hanehoana mazava fa tsy mbola niorina eto an-tany ny Fanjakany? Jaona 18:36.
FANAMARIHANA: Ny Fanjakan'i Kristy dia tsy anisan’ny sivilizasiôna eto an-tany. Tsy hanomboka hanjaka ambonin'ny tany izany raha tsy amin'ny fiaviany fanindroany.
3. Rehefa manjaka avy any Jerosalema i Jesosy Kristy, hanao ahoana izao tontolo izao eo ambany fitondrany? Mika 4:1-4; Isa.11:6-9.
FANAMARIHANA: Rehefa handray an-tanana ny governemanta eto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra, ary hanomboka ny Fanjakana Arivo Taonan'i Jesosy Kristy (antsoina matetika hoe ny milenioma), ny fanapahany dia hitondra fiadanana, fahasambarana sy fifaliana ho an'ny olombelona rehetra.
               Mariho fa amin'ny Fanjakana Arivo Taona dia hisy zaza minono sy zaza mitsaha-nono eto an-tany. Ho olombelona mety maty, sy nofo aman-drà izy ireo, fa tsy olona fanahy. Ary satria ny Kristiana notorontoronin’ny Fanahy dia hanao dia efa lasa Zanak'Andriamanitra tsy mety maty amin'ny fitsanganan'ny maty, dia hisy olona mety maty sy tsy mety matyhiara-miaina amin'ny fotoana iray mandritry ny Fanjakana Arivo Taona.
4. Ho aiza i Satana mandritry ny Fanjakana Arivo Taona? Apok.20:1-3.
FANAMARIHANA: Ho fatorana i Satana mba tsy hisy fanimbàna azony atao intsony. Ho lasa izy ary ho eto i Kristy!
Tsy ny fanahy ratsy na ny toe-tsain'i Satana intsony no hanjaka amin’ny habakabaka, hitaona ny olona rehetra ary hiteraka faharatsiana, tahaka ny misy ankehitriny (Efes.2:2), fa ny Fanahy Masin'Andriamanitra no hanjaka amin’ny atmosfera! Ny Fanahy Masina, oharina amin'ny "rano velona" (Zak.14:8; Jao.7:38-39), dia hivoaka avy amin'i Kristy ary hanasitrana ireo olana ara-panahin'ny olombelona rehetr             a.
               Ny governemantan’ny Tontolon’ny Ampitso dia hiorina amin'ny Lalàn-pitiavan’Andriamanitra. Miaraka amin'ny fanampiana sy ny aingam-panahy avy amin'ny Fanahy Masina nomen'Andriamanitra azy ireo, ny olona dia hanomboka hifankatia tokoa - hanana fitiavana marina ny mpiara-belona aminy.
Tsy ho demokrasia ny governemantan’Andriamanitra, tsy ho sosialisma, na kominisma na fasisma. Tsy ho fitondran’ny mpanjaka olombelona, na ho Fanjakana entin’olom-bitsy na ho Fanjakan’ny olona be fahefana noho ny hareny. Tsy ho fitondram-panjakan'olombelona amin'ny olombelona izany. Efa voaporofo fa tsy mahay mitantana ny tenany ny olombelona!
               Izy io dia ho fitondram-panajakana masina- governemantan’Andriamanitra. Tsy ho governemanta miasa manomboka avy any ambany ka hatrany ambony izany. Tsy hifidy ny mpitondra azy ireo ny vahoaka.
               Tsy hisy intsony fotoana na vola ho lany amin'ny fampielezan-kevitra sy ny fifidianana. Tsy ho governemanta an'ny vahoaka na avy amin'ny vahoaka izy io. Izany dia ho governemanta avy any ambony (Andriamanitra Tsitoha) no midina.
               Ao amin'ny Tontolon’ny Ampitso, ny tompon'andraikitra rehetra dia mpikambana ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra- olona andriamanitra ara-panahy, notendren'i Kristy tenany manomboka amin'ny ambany indrindra ka hatramin'ny ben'ny tanàna amin'ny tanàna rehetra.
               Lazain'ny Baiboly amintsika fa eo ambany fitarihan'i Jesosy Kristy, ny Fanjakan’Andriamanitra dia hamokatra fanjakana nofinofy izay paradisa an-tany. Araky ny nianarantsika tao amin'ny lesona faha-4, Andriamanitra dia hanomboka hiasa voalohany hiaraka amin'ireo taranak'i Jakôba. Hanangana azy ireo ho maodely sy ohatra Andriamanitra, ary hamerina hanorina sy hitahy ny firenena rehetra!

Hamboarina ny sivilizasiona vaovao tanteraka!

               Ao amin’ny Tontolon’nyAmpitso, ny mpitondra fanjakana manam-pahefana rehetra dia mpikambana ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra; Izy ireo dia ho olona ara-panahy, nofidin’i Kristy tenany, na dia ny Ben’ny Tanàna aza.
               Lazain’ny Baiboly fa, eo ambany fahefan’i Kristy, ny fitondram-panjakan’Andriamanitra dia hamokatra paradisa an-tany, tena fanjakana nofinonofy. Ary efa hitantsika tao amin’ny Lesona faha-4 fa Andriamanitra dia hanomboka amin’ny fikarakarana ny taranak’i Jakoba. Hampiasainy hatao maodely sy ohatra izy ireo, ary hanorina indray sy hitso-drano ny firenena rehetra Izy.
               Ny Fanjakan’Andriamanitradia midika zavatra bebe kokoa noho ny faneken’ny fitondram-panjakan’izao tontolo izao ny Fanjakan’i Kristy.
1. Moa ve ampitahaina amin'ny trano arafitra ny Fiangonan'Andriamanitra? 1Kor.3:9; 1Petera 2:5. Inona no fototra iorenan’izany trano izany? Efes.2:19-22. Ahoana no maha-zava-dehibe ny fototra mafy iorenan'ny trano? Mat.7:24-27.
FANAMARIHANA: Ny Fiangonan'Andriamanitra dia miorina eo ambony fototra ara-panahy, mafy orina, dia ny fampianaran'i Jesosy Kristy, sy ny Apostoliny ary ny mpaminany. Ireo fampianarana ireo dia miorina amin'ny lalàm-pitiavan'Andriamanitra, amin’ny fomba fiaraha-miasan'Andriamanitra, amin’ny fahafoizan-tena sy ny fanompoana tsy misy fitiavan-tena ny raharahan’Andriamanitra.
               Saingy ity tontolo ankehitriny ity dia naorina tamin'ny fototra hafa amin’ny lafiny rehetra.
Saingy niorina tao amin'ny Saha Edena efa ho 6000 taona lasa ny sivilizasiôna eto amin'ity tontolo ity. Adama sy Eva, izay voataonan'i Satana, dia nandà ny fitondram-panjakan’Andriamanitra ary nifidy kosa ny fitondran’ny tenany. Nihinana ny voan'ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy izy ireo, izay maneho ny fomba fiainan'i Satana. Vokatr'izany, ny sivilizasion'ity tontolo ity dia natsangana teo ambony fototry ny ota!
               Ary noho izany, tamin'ny "fanorenana" ny tontolo ankehitriny (Apok.13:8), rehefa nanota i Adama sy Eva, dia nandidy Andriamanitra fa ho avy i Kristy, ilay "Zanak'ondrin'Andriamanitra" (Jao.1:36). hatao sorona mba handoavana ny sazin'ny fahotany sy ny otan'ny taranany.
               Ity tontolo ratsy ankehitriny ity dia miorina eo ambonin'ny fototra "fasika" (Mat.7:26) - amin'ny fomban'i Satana misy fireharehàna, fitiavam-karena, fitsiriritana sy fialonana, fifaninanana ary ady, herisetra, fikomiana, fifandirana, tsy fahasambarana, fijaliana sy fahafatesana. Ity tontolo ity noho izany dia tsy maintsy ho potika. Ary araky ny nolazain'i Jesosy, dia ho “loza ny fianjerany”! (Andininy 27)
               I Satana fa tsy Andriamanitra no nanamboatra an'ity trano ity.
               Andriamanitra dia tsy manandrana manamboatra an'ity sivilizasiona mirodana sy lo ity. Fa naniraka ny Zanany Izy, dia Jesosy Kristy, amin'ny maha Adama faharoa Azy, dia nanomboka indray nanangana rafitra sivilizasiôna vaovao hafa tanteraka. Ny sivilizasiôna vaovao dia haorina eo ambony fototr'Andriamanitra - ny fomba fiainany.
               Araka ny efa nianarantsika tamin'ny lesona teo aloha, dia ny fiangonan'Andriamanitra, amin'ny endrika "zaza vao mitsaika" azy, no fiandohan'ilay trano vaovao sy hafa tanteraka. Jesosy no nanomboka io sivilizasiôna vaovao sy ny votoatin'ny Governemantan’Andriamanitra ho avy eto an-tany io, rehefa nanorina ny Fiangonany Izy tamin'ny taonjato voalohany taorian’i Kristy.
               Nanomboka tamin'ny olona 120 teo ho eo ny fiangonana tamin'ny andro Pentekosta taona 31 tar JK, rehefa notorontoronin’ny Fanahy Masina ireo mpikambana voalohany. Nitohy nisy ny fiangonan'Andriamanitra nandritra ny taonjato maro ka hatramin'izao andro izao. Maro dia maro no efa niofana taloha sy ankehitriny mba hanampy amin'ny fitondrana any amin’ny Tontolon’ny Ampitso. (Maro amin’ny fandaharan'asan'ny fiofanana no horesahina ato amin'ity lesona ity.)
2. Moa ve firenena maro no hiakatra any Jerosalema, izay foiben'ny governemantan’i Kristy manerantany, ka hangataka mba hampianarina ny lalany? Mika 4:2. Ho henika ny fahalalana an'Andriamanitra ve ny tany? Isa.11:9.
FANAMARIHANA: Tsy ho ela dia hanomboka hampianarina ny olombelona ny fomba fiainan’Andriamanitra, miaraka amin'ny fomba fivavahana amin'Andriamanitra, ny fampianaran'Andriamanitra, ny fomba amam-panao eo amin’ny fiaraha-monina araka an’Andriamanitra, ny rafitra ara-toekarena, indostrialy ary fomba fivarotana. Ny olona an-tapitrisa maro izay niaina teto amin'ity tontolo voataonan'i Satana ity ary mbola velona amin'ny fiverenan'i Kristy dia hampianarina ny fahalalana an'Andriamanitra. Ny fahamarinany dia hampianarina mandritry ny Fanjakana Arivo Taona.
               Amin'ny farany, ny tany manontolo dia hanaraka ny lalan'Andriamanitra.
               Fa iza no hampianatra ny olona any amin’ny Tontolon’ny Ampitso? Mazava ho azy fa tsy ireo mpanabe sy ireo teolojiana eto amin'ity tontolo ity!

            Ny fototry ny trano, izay ity tontolo ity, dia hianjera haingana, ary tsy ho ela dia ho potehin’Andriamanitra tanteraka, amin'ny fiverenan'i Jesosy Kristy! Hoy Andriamanitra: “Raha tsy Jehovah no manao ny trano, Dia miasa foana ny mpanao azy"(Salamo 127:1).

Nantsoina ho tonga mpitondra sy mpampianatra

               Ho avy indray Jesosy hamerina amin'ny laoniny ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany ary hampianatra ny lalan'ny famonjena amin’ny olombelona. Saingy tsy hanjaka sy hampianatra irery ny rehetra i Kristy.
1. Inona marina no hataon'ny Zanak'Andriamanitra hateraky ny Fanahy mandritry ny arivo taona? Apok.2:26-27; 3:21; 5:10; 20:4, tapany farany; Dan.7:27. Ho maro amin’ireo ve no ho lasa ben'ny tanàna? Lioka 19:16-19.
FANAMARIHANA: Asehon'ny Baiboly mazava fa ireo izay hateraka ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra amin'ny fitsanganana amin'ny maty voalohany (ao anatin'izany ny olomasin’Andriamanitra rehetra notorontoronin’ny Fanahy nandritry ny taonjato maro) no hitantana ny olombelona mety maty eto an-tany eo ambany fahefan'i Jesosy Kristy!
               Saingy misy misalasala raha ho afaka hanapaka izy ireo, fa ny hafa kosa dia tsy maniry ny hitondra mihitsy. (Vakio ny lahatsoratr'Atoa Armstrong aoriana kely ao)
               Angamba ianao nieritreritra hoe: "Tsy te hitondra any amin'ny Tontolon’ny Ampitso aho fa te hanompo an'Andriamanitra fotsiny". Ny olana dia vitsy ny olona no mahatakatra marina ny dikan'ny hoe manompo.
2. Moa ve nohazavain'i Jesosy ny tsy fitovian'ny mpanjaka any amin'ny Fanjakan’Andriamanitra ho avy, sy ny mpanjaka na ny mpitondra eto amin'izao tontolo izao? Marka 10:42-45.
FANAMARIHANA: Ny mpitondra ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra dia tsy ho toy ny ankamaroan'ny mpitondra eto amin'ity sivilizasiôna ity. Tsy ho mpanao didy jadona izy ireo. Ireo izay mitana ny toeran'ny mpanapaka any amin’ny Tontolon’ny Ampitso dia ho mpanompo manana anjara hanao soa lehibe amin'ny FANOMPOANA am-pahamarinana ny olombelona, amin'ny fitantanana araky ny fomban'Andriamanitra!
               Hiorina amin'ny fototra vaovao tanteraka ny tontolon'Andriamanitra, dia ny fomba fiainany, ny lalàm-pitiavany. Ireo mpanjaka masin'ny Ankohonan’Andriamanitra dia ho mpanompon'Andriamanitra sy ny olombelona. Ny mpitondra masina tsirairay dia hanompo ny olom-peheziny,ka hanapaka amim-pitiavana marina sy ny fiheverana ny hafa (1Jaona 4:16), fa tsy hanana fitiavan-tena velively. Hanjaka ho amin’ny tombontsoan'ny hafa izy ireo, fa tsy ho an’ny tenany!
               Eny, hanan-kery hampiorina izao tontolo izao izy ireo ary hampihatra ny fandriam-pahalemana raha ilaina izany, izay ilaina indrindra amin'ny fiandohan'ny Fanjakana Arivo Taona. Izy ireo koa dia hanana fangorahana ilaina mba hanampiana ireo sisa velona avy tamin'ny Fahoriana Lehibe- manasitrana azy ireo, mampianatra azy ireo ny antony nahatonga ny faharatsiana teto amin'izao tontolo izao nonenan'izy ireo, ary mampianatra azy ireo ny lalan'Andriamanitra mankany amin'ny fiadanana, ny fahasambarana ary ny famonjena.
3. Ho fanampin'ny maha mpitondra azy, moa ve ho mpisorona koa ny Zanak'Andriamanitra? Apok.1:6; 5:10; 20:6. Inona no asan'ny mpisorona? Mal.2:7.
FANAMARIHANA: Tahaka ireo mpisorona israelita taloha izay nampianatra ny lalan'Andriamanitra, ireo olona nateraky ny Fanahy ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra dia ho mpampianatra ny fomba fiaina avy amin'Andriamanitra ihany koa, hanampy hitondra fahalalana ny lalana mankany amin'ny famonjena ho an'ny olona rehetra any amin’ny Tontolon’ny Ampitso.
               Ankoatry ny maha Mpanjaka fara tampony amin’ny firenen-drehetra an'i Kristy, dia ho Mpanabe Faratampony koa Izy.
               Mba hitarihana ny olombelona rehetra hibebaka, i Kristy dia hamerina hampianatra an’izao tontolo izao ny fomba fiainan’Andriamanitra – dia ny lalàm-pitiavan’Andriamanitra - mba hahafahan'ny olona manapa-kevitra ny hanaraka ny lalany, araky ny safidiny manokana.
               Ny fanabeazana ny olombelona amin'ny fomba fiainan'Andriamanitra no hahazo laharam-pahamehana. Eo ambany fanaraha-maso mivantan'i Jesosy Kristy, ny Fanjakan’Andriamanitra dia hamerina amin'ny laoniny ny lalàna sy ny fitsipik'Andriamanitra maneran-tany. Rehefa vita ny fampianarana eto amin’izao tontolo izao, ny olona dia hanomboka hahatsapa ireo fitahiana azo avy amin'ny fankatoavana ny lalàm-pitiavan’Andriamanitra. Hisy ny fandriam-pahalemana, ny fiaraha-miasa, ny fahasalamana mampavitrika, ny fitahiana ary ny fifaliana. Ary izao tontolo izao dia lasa hahatakatra ny fikasan'Andriamanitra sy ny planina lehiben’Andriamanitra ho an'ny olombelona.
               Saingy Andriamanitra dia tsy hanomboka hanavotra an’izao tontolo izao raha tsy efa nahavita nampiofana mpampianatra hanampy Azy hampianatra ny làlan'ny famonjena Izy.
               Araky ny nianarantsika tamin'ny lesona teo aloha, Andriamanitra dia tsy hanavotra olona an-tapitrisa maro raha tsy efa manana mpampianatra an'arivony maro aloha Izy. Izany no antony hampiofanan'Andriamanitra olona an'arivony izay nantsoiny ho ao amin'ny Fiangonany ankehitriny.
               Fony teto an-tany i Kristy dia mpampianatra koa, sady mpitondra hafatra sy mpitory ny vaovao mahafalin'ny Fanjakan’Andriamanitra ho avy. Izy mihitsy no nampianatra ny Apostoliny ny lalan'Andriamanitra. Avy eo Izy dia naniraka azy ireo hampianatra ny hafa ny zavatra nampianariny azy (Mat.28:19-20). Ireo izay nantsoin 'Andriamanitra ho mpikambana ao amin'ny Fiangonany ary nampianarin'ireo mpanompony hatramin'ny taona rehetra, dia nozarina ho tonga mpitondra sy mpampianatra mandritry ny Fanjakana Arivo Taona!
               Ny Kristiana marina ankehitriny dia tokony hanana faniriana mivaivay mba hitondra ny fomba fiainan'Andriamanitra ho an'izao tontolo izao - hampianatra ny lalan'Andriamanitra mahafinaritra misy fiadanam-po sy fifaliana ary fitahiana. Ary ho azon'izy ireo atao izany rehefa hiverina i Kristy hanangana ny Fanjakan’Andriamanitra, ary haterak'Andriamanitra izy ireo!
               Nefa, mba ho mendrika - mba ho voaofana ara-dalàna – hanompo sy hampianatra any amin’ny Tontolon’ny Ampitso, ny tena Kristiana dia tsy maintsy miofana hanompo sy hampianatra dieny izao.
               Ny hany antony hiantsoana ny olona ankehitriny amin’ny famonjena dia ny hahazoana FAHAMENDREHANA mba hanampy amin’ny fitantanana sy ny fampianarana any amin’ny Tontolon’ny Ampitso – mba hanampy amin’ny fiantsoana sy famonjena ireo izay ho velona amin’izany fotoana izany. Tsy nisafidy ny sasany ankehitriny noho ny fiangarany Andriamanitra; Niantso an’ireo izy noho ny antony manokana – noho ny ASA MAHATALANJONA izay hatao!
               Ireo Kristiana notorontoronin’ny Fanahy dia miof               ana ankehitriny mba hitanany andraikitra goavana, dia ny fanampiana amin’ny fampianarana ny tontolo ny lalan’Andriamanitra, ary mba hitantana ny Governemantan’Andriamanitra, mba hanasoavana ny olombelona rehetra. Ny sisa amin’ity lesona ity dia haneho mazava fa ny fiaianana kristiana dia fiomanana amin’ny asa lehibe izay hiandraiketany any amin’ny Tontolon’ny Ampitso.

"FA IZAHO ANIE TSY MITADY ANDRAIKITRA E!"

Te hanana fialan-tsasatra maharitra mandrakizay any an-danitra izy.
Nosoratan'i Herbert W. Armstrong
              “Raha azoko tsara ny resakao," hoy ity profesora iray tamin'ny oniversite, "ny fampianarana protestanta dia mampianatra fa ny fiainana dia toy ny dia an-dalamby maharitra mandritry ny androm-piainana.
Rehefa mifarana ny dia, tonga dia halefa any amin'ny helo ianao, ka ho voadotra sy may foana tsy mety levona mandrakizay. Arak’io fampianarana io, raha amin’ny fotoana iray ao amin’ny fiainanao, raha nandray an’I Kristy ianao, dia hohadinoiny ny fahotanao, ary rehefa mifarana ny dia, dia halefany any amin’ny lalan-kafa ianao; ary raha vao maty ianao, tonga dia ho any an-danitra! Ary araky ny voalazan’ireo protestanta, rehefa any an-danitra ianao, dia tsy hanana andraikitra intsony; ny hany zavatra hatao dia ny fialan-tsasatra mandrakizay misy fidonanaham-poana.
              "Saingy tsy mino an'izany fampianarana izany ianao. Fantatrao fa tsy maintsy mibebaka amin'ny fahotany aloha ny olona, miova amin'ny fiainana mifanaraka amin'ny lalàn'Andriamanitra, miezaka ny hanatsara ny fitondran-tena, mandresy, mitombo amin'ny fahasoavana sy ny fahatakarana ny Baiboly, mampiorina ny toetra marina araka an'Andriamanitra ao anatiny. Ary avy eo, amin'ny fitsanganana amin'ny maty, dia mieritreritra ianao fa mety homena fiainana tsy mety maty, izay fanomezana maimaim-poana avy amin'Andriamanitra. Fa hiaina mandrakizay ety an-tany ny olona, ary hahazo andraikitra ho valisoa, arakaraky ny ambaratongan’ny toetra izay naoriny nandritry ny androm-piainany. Milaza ianao fa handeha hanjaka isika, ary handeha hampianatra ny hafa.
Azoko tsara ve ny nolazainao? "
             "Eny”, hoy aho namaly azy sady nitsiky, "ohatrohatran’izany, fa tsy tena izany."
             "Raha izany, dia tsy tiako ny fivavahanareo," hoy izy niteny mafy. "Tsy te hitana andraikitra mandrakizay aho. Aleoko fotsiny manaiky an'i Kristy, manapa-kevitra samirery amin'ny fomba hitondrako ny fiainako amin’ny andro kely sisa hiainako eto amin'ity fiainana ity, ary avy eo mankany an-danitra tsy manana na inona na inona hatao mandrakizay."
Io resaka io dia nitranga 36 taona lasa izay. Nahatratra ny fotoana fisotroan-dronono ity lehilahy ity, ary nivelona tamin'ny fisotroan-drononony. Nahazo izay niriany izy. Nianona tamin’ny fivelomany tamin’ny fisotroan-dronono izy, tsy nanan-javatra hatao. Nifanena taminy indray aho rehefa retirety izy. Tena miferinaina sy tsy sambatra ary sorena izy.
              Hoy izy : "Maniry mafy aho aho ny hanan-javatra betsaka hatao toa anao. Ny hany ataoko dia ny mipetraka ao amin'ny efitrano fandraisam-bahiniko, isan'andro isan'andro, tsy manao na inona na inona. Izany no fiainana tena mankaleo indrindra azoko eritreretina."
              Taty aoriana, dia nilaza tamiko ny iray amin'ireo minisitra mpiray tanàna taminy fa : "Efa 87 taona izy izao, ary ny hany zavatra eritreretiny dia ny te ho faty mba hampitsahatra ny maha-irery aza."
Ary tsy ela dia maty ity lahy antitra soren-dava sy tsy sambatra. Nahazo ny faniriany ihany izy tamin'ny farany. Nandritry ny taona maro, tsy nanana andraikitra na inona na inona izy, ary nanana fialan-tsasatra maharitra, Nalahelo azy Andriamanitra ary namarana ny androm-piainany. Ho velona indray izy indray andro any, amin'ny fitsanganana amin’ny maty eo anoloan'ny Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe, mba ho tsaraina. Angamba mety hibebaka izy, ary hanova ny fomba fiainany! Angamba hifidy ny lalan'Andriamanitra izy, mba hahitany ny fomba-fiaina feno fahasambarana, mahomby ary mirehitry ny fahazotoana, miaina amin'ny lalam-pitiavana lehiben’Andriamanitra. Angamba izy hahita ny fientanam-po lalina izay tsapa rehefa mahavita zava-dehibe, rehefa mahomby amin'ny andraikitra, ka mahatsapa fa mahafinaritra ny mahavita zavatra.
            Mahatsiaro ireo traikefa sasany efa hitako nandritry ny androm-piainako aho. Tamin'ny faha-20 taonako, dia mpanao dokam-barotra aho, ary dia nomena andraikitra ny hanandrana handresy lahatra ny mpamokatra iray mba hanao dokam-barotra ao amin'ny gazetinay. Nahomby aho. Rehefa nandao ny biraon'ny orinasa aho, nandrangaranga teny an-tanako ny fifanarahana vita sonia, dia nahatsapa hafaliana tanteraka, izay nampientam-po ahy.
             Taona maro taty aoriana, rehefa nahavita ny asa fitoriana ny filazantsara voalohany nataoko fampielezan-kevitra nandritry ny alina sivy aho, dia olona telo no niova fo ary natao batisa; ireo no voaloham-bokatry ny fanompoako. Ny nitahian'Andriamanitra ny ezaka nataoko, ka nahazoako izany vokatra izany, dia nampientam-po ahy tanteraka, ka nahafeno hafaliana lalina ahy, hafaliana mahery vaika noho izay efa niainako taloha. Ny traikefako dia nahitako fa tsy misy zavatra hafa mitovy amin’ny fahafaham-po noho ny fahatontosana ny andraikitra.
                  Ny tsy fantatry ny maro, dia amin’ny fitsanganana amin’ny maty ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia ho lasa fanahy tanteraka isika. Tsy ho reraka velively isika, na ho sasatra. Tsy hisy fahasorenana noho ny tsi-fahasalamana. Hatanjaka sy havitrika isika, ary hahazo fahafinaretana lehibe amin’ny asa famoronana, sy ny fahavitana zavatra. Tsy hijanona ny ho faly amin’ny zava-bita mifandimby mandrakizay isika.
                   Ny manana andraikitra, dia ny manatanteraka zavatra izay hitondra fahasambarana havaozina tsy an-kijanona, fifaliana bebe kokoa noho izay nety nisy tamin’ny fiainana hafa. Ny valisoa tena lehibe mety ho azon'ny olona iray indray andro any, dia ny handova fiainana izay hitohy mandrakizay, misy fifaliana sy fahasambarana.

Fandaharam-piofanana avy amin'Andriamanitra

               Ny tena kristiana ankehitriny dia manaraka fiofanana izay manomana azy ho tompon'andraikitra any amin'ny fitondram-panjakan'Andriamanitra ho avy. Ity fiofanana ity dia ny miaina amin’ny lalana kristiana, izay an'ny Fitondram-panjakan’Andriamanitra! Satria tokoa mantsy, amin’ny fampiharana io fomba-fiaina io no hianaran’ireo zanak’Andriamanitra notorontoronin’ny Fanahy hitantana ny governemantan’ny Fanjakan’Andriamanitra.
               Andriamanitra mihitsy no namolavola ny planin’ny famonjena ary ny fomba ahafahan'ny olona hiofana sy hiomana ho tonga, amin'ny alàlan'ny fanomezana maimaimpoana avy amin'Andriamanitra, mpikambana nateraky ny Fanahy ao amin'ny governemantan’ny Fanjakany mitondra. Ny Ankohonana masin’Andriamanitra dia hofanina be sy hirindra tsara. Ireo mpikambana ao aminy dia mianatra ny miasa ho mpiray antoka araky ny maodelin’Andriamanitra, sy hiara-hiasa ny tsirairay ary hiasa miaraka tanteraka, amin’ny firindrana lavorary. Ny dingana voalohany tsy maintsy ataon’ny olona te-ho voavonjy, raha ny marina, dia ny fiandohan'ny fiomanana no any amin'ny Fanjakan’Andriamanitra.
               Andao hofantarina.
1. Mba hahaterahantsika ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra manjaka, dia tsy maintsy notorontoronin’ny Fanahiny aloha isika. Inona avy ireo fepetra tsy maintsy fenoina alohan’ny hahatorontoronan’Andriamanitra antsika? Marka 1:14-15; Asan'ny Apostoly 3:19.
FANAMARIHANA: Ny fibebahana sy ny finoana no dingana voalohany. Ny finoana dia midika hoe mino izay nampianarin'i Jesosy momba ny Fanjakan’Andriamanitra ho avy, ary koa mino Azy ho Mpamonjy manokana antsika.
               Ny fibebahana dia midika hoe mihodina ary mandeha amin'ny làlana mifanohitra amin'ny naleha teo aloha - ny mahafoy ny lalantsika manokana, izay mifanohitra amin'ny lalàn'Andriamanitra, ary miverina amin'ny làlan'Andriamanitra, izay lalan'ny Lalàny. Izany dia midika fandavana ny fomba fiainantsika mpanota teo aloha, ary miondrika an-tsitrapo eo anoloan’ny Fanjakan’Andriamanitra.
               Alohan'ny hamelana antsika hitantana ny hafa any amin'ny Tontolon’ny Ampitso, Andriamanitra dia tsy maintsy mahalala fa hanaiky ny fanapahany isika amin’izao fotoana izao! Satria hisy foana ny rojon’ny fahefana avy amin'Andriamanitra Ray amin'ny alàlan’i Jesosy Kristy ary hatrany ambany, dia ho ambanin'ny fahefana foana isika. Ka ny fianarana manapaka dia manomboka amin'ny fanekena ny fitsipika.
2. Inona no dingana manaraka tsy maintsy hatao raha te ho tonga mpikambana ao amin'ny Fanjakan’Andriamanitra mitondra ianao indray andro any? Asan'ny Apostoly 2:38.
FANAMARIHANA: Ny Batisa dia famantarana ivelany ny finoantsika an'i Kristy ho Mpamonjy antsika manokana, sy ny fialantsika amin'ny fomba fiainantsika taloha mpanota, ary ny fiovànantsika hanana fiainana mankatoa an’Andriamanitra. Ny Batisa dia maneho ny fandavantsika amin’ny fomban'i Satana sy ny sivilizasiônan’olombelona izay nitaonany antsika, sy ny fahatokisantsika an'Andriamanitra, ary ny tsy fivadihantsika Aminy sy ny Fanjakany ho avy tsy ho ela.
               Ny Batisa sy ny fametrahan-tànan’ny minisitr'Andriamanitra, mba hahazoana ny Fanahy Masina, dia maneho koa fa ekentsika ny fahefana nomen'Andriamanitra an'ireo minisitra voantso sy voafidin’Andriamanitra ao amin'ny Fiangonany ireo. Ny batisa dia mariky ny fankatoavana an’Andriamanitra. Ary amin'ny alalàn'ny fahatorontoronantsika amin’ny alàlan’ny Fanahy Masin'Andriamanitra, dia lasa anisan'ny mpiofana ho mpitondra fanjaka mbola any am-bohoka isika dia ny Fiangonany (1Kor.12:13).
3. Inona no dingana manaraka amin'ny fandaharana ataon'Andriamanitra, mba hampiofanany antsika ho mpanapaka ao amin'ny Fanjakany? 2Petera 3:18; 1:5-11.
FANAMARIHANA: Raha vao nahazo ny Fanahy Masina isika, izay fanomezana maimaim-poana avy amin'ny Andriamanitra, dia notorontoronin'Andriamanitra isika. Saingy mbola zaza vao mitsaika ara-panahy fotsiny isika, mbola tsy “nateraka indray” ho olona andriamanitra isika; mbola tsy nitombo tsara hahatratra an'io tanjona izay niantsoan’Andriamanitra antsika io; Vao manomboka ny fanofanana antsika ho mpitondra masina sy mpampianatra ao amin'ny Fanjakany. Mba hahatsara ofana antsika, dia tsy maintsy mitombo ara-panahy isika, mampivoatra ny toetrantsika ho mpankatoa an'Andriamanitra.
               Andriamanitra dia manana toetra ara-panahy faratampony. Masina Izy, marina sy lavorary. Isika, raha te-haterany, raha te ho teraka ao amin'ny Ankohonany manjaka ary ho lasa zanany masina - dia tsy maintsy miova, tsy vitan’ny hoe tsy ho nofo aman-drà intsony, fa ho lasa fanahy, manaisotra ny toetra maha-olombelona mpanota, ary hitafy ny fomban'Andriamanitra (2Petera 1:4), izay taratry ny toetrany masina sy lavorary (1Petera 1:16; Mat. 5:48).
               Tsy maintsy aorina tsikelikely ao anatintsika ny toetran'Andriamanitra ara-panahy!
               Inona marina ilay toetra tian'Andriamanitra ho hita ao amin’ireo zanany notorontoroniny? Izany dia fitambaran'ny fahalalana, ny fihetsika ary ny fanao: ny fahalalana izay faritan'Andriamanitra ho tsara sy ratsy, fahalalana izay azo amin’ny fianarana sy fandalinana ny Tenin'Andriamanitra-sy ny faniriana ny hanao ny marina, na dia eo aza ny fakam-panahy hanao ny ratsy.
               Ny toetra araka an'Andriamanitra dia ny fananana sy fampiharana ny fitiavana, faharetana, famindram-po, finoana, hatsaram-panahy, famindrampo, fahalemem-panahy, fahononana, fifehezan-tena ary ny fahamarinana no tena tari-dalana. Izany karazan-toetra izany dia mila fahalalana, fahendrena, tanjona ary fahaizana voafehy tsara sy mivelatra noho ny safidy manokana.
               Ny toetra masina sy marina dia tsy azo raha tsy amin'ny alàlan’ny traikefa. Nefa mila fotoana sy toe-javatra mitranga izany. Noho izany Andriamanitra dia manome antsika ny fotoana sy ny toe-javatra mba hamela antsika hampivelatra an’ity toetra ity.
               Saingy mariho fa tsy toetrantsika izany. Izany dia toetran'Andriamanitra masina sy lavorary, izay aorin’Andriamanitra ao amintsika amin'ny alàlan'ny fankatoavantsika an-tsitrapo ny Lalàny, toetra izay volavolainy ao amintsika eo ambany fitarihany sy ny famporisihany.
4. Inona ny teny iray azo hamintinana ny toetran'Andriamanitra? 1Jaona 4:16. Ary inona no anjara asan'Andriamanitra amin'ny fampitomboana ny toetrany ao amin'ireo Kristiana notorontoronin’ny Fanahy? Rom.5:5; 13:10.
FANAMARIHANA: Ny Fanahy Masina, izay omen’ny Ray maimaimpoana an'ireo izay mibebaka, mino ary atao batisa, no hahafahan'ny zanak'Andriamanitra hahatakatra ny Tenin 'Andriamanitra, izay fototra iorenan'ny fampivoarana ny toetrantsika.
               Ny Fanahy Masina koa no manome ny fitiavana sy ny finoana ilaina mba hankatoavana ny lalàm-pitiavan'Andriamanitra, izay fototry ny governemantany.
               Saingy ny Fanahy Masina dia tsy manery ny olona hankatoa an’Andriamanitra. Tsy manery ny olombelona hanana ny toetrany i Jehovah. Izany dia mety hitombo amin'ny alàlan'ny safidy sy ny sitrapon’ireo izay nantsoin'Andriamanitra ho Kristiana (Jao 6:44), izay notarihin'ny Fanahin'Andriamanitra mandritry ny fiainany mety maty (Rom.8:14). Izany no fiofanana ara-panahy izay manomana antsika amin'ny fitondrana any amin'ny Fanjakan’Andriamanitra!
Ary rehefa haterak'Andriamanitra isika amin'ny fitsanganan'ny maty, dia ho tonga lafatra toa an Andriamanitra isika, satria Andriamanitra dia efa nampitombo ao anatintsika, miaraka amin’ny toetrantsika feno fandeferana, ny toetrany lavorary. Avy hatrany dia haoriny ao anatintsika mandrakizay izany (1Jaona 3:9). Noho izany dia ho vonona hanampy an'i Kristy isika amin'ny maha mpiara-miasa masina sy marina antsika any amin’ny Tontolon’ny Ampitso.
5. Nandresy ny fakam-panahy nentin’i Satana devoly i Jesosy Kristy (Mat.4:1-11). Henjana ny fakam-panahy nahazo Azy, nefa noho ny herin'ny Fanahin'Andriamanitra, dia nanohitra sy nandresy an'i Satana Izy, ary nitoetra mahatoky an'Andriamanitra sy ny lalany mandra-pahafatiny. Mba ho afaka hanampy an'i Kristy, ny kristiana dia tsy maintsy mandresy koa. Apok.3:21.
FANAMARIHANA: Tsy maintsy nahafeno fepetra i Jesosy mba hisolo toerana ny mpitondra ao amin'izao tontolo izao ankehitriny. Izy dia tsy maintsy nanohitra sy nandresy ireo fakam-panahy mahery nataon'ny devoly, rehefa miasa amin'ny maha-olombelona Azy. Ary izay rehetra nantsoin'ny Ray hiara-manjaka amin'i Kristy rehefa hamerina amin'ny laoniny ny fitondram-panjakan'Andriamanitra ety an-tany Izy, dia tsy maintsy mahafeno fepetra ihany koa mba hitondra - tsy maintsy miala amin'ny fomban'i Satana, manohitra ary mandresy ny fakam-panahiny. Tsy maintsy miezaka mamongotra ny fihetsika sy ny fomban'i Satana isika, ary mianatra mankatoa ny lalàm-pitiavan'Andriamanitra, izay fomban'ny fitondram-panjakany.
               Kristy dia nanohitra tanteraka ny fitaoman-dratsy rehetra satria nanana ny sitra-po sy ny fatra fenon’ny Fanahin'Andriamanitra Izy (Jaona 3:34). Na dia tsy manana ny fahafenoan'ny Fanahin'Andriamanitra aza isika ankehitriny, dia afaka manomboka manohitra sy mandresy an'i Satana, ity tontolo ity sy ny toetrantsika ara-nofo, miaraka amin'ny fanampian'ny Fanahy izay omen'Andriamanitra antsika.
Amin'ny alàlan'ny dingan'ny fandresena ny fisarihan’ny fahotana sy ny filan'ny nofo, izao tontolo izao sy ny devoly, ary ny fanekena an'Andriamanitra sy ny lalany, dia eo an-dalam-pivoarana ny toetrantsika ara-panahy. Milefitra amin'Andriamanitra isika mba hanangana ao anatintsika ny tena toetrany. Noho izany dia miomana ny hahafeno ny fepetra hibaikoana sy hampianarana ny firenena miaraka amin'i Jesosy Kristy isika!
               Saingy tsy misy olona afaka mandresy hisolo antsika. Tsy misy olon               a afaka mamokatra asa ara-panahy hisolo antsika. Ny tsirairay dia mila manao ezaka, miaraka amin'ny herin'ny Fanahy Masin'Andriamanitra, mba ho tonga “olona ara-panahy” sy marisika ara-panahy, izay azon'Andriamanitra ampiasaina any amin'ny Fanjakany.

Ahoana no hamaritana ny andraikitra

               Amin'ny maha-Mpamonjy antsika sy zokintsika Azy - "lahimatoa amin'ny rahalahy maro" - i Jesosy Kristy dia efa nahafeno ny fepetra mba hitanany ny andraikitra ambony indrindra, eo ambany fitarihan'Andriamanitra Ray, any amin'ny Tontolon’ny Ampitso. Tsy misy olon-kafa afaka mahazo ny toeram-pahefana nampanantenain'ny Ray Azy any amin'ny Fitondram-panjakan’Andriamanitra.
               Ny olona sasany hafa koa dia nampanantenaina andraikitra manokana any amin'ny Fanjakan’Andriamanitra. Davida mpanjaka dia hanjaka amin'ireo foko 12 amin'ny firenen'i Isiraely tafaray (Ezek.37:21-22, 24).
               Ny tsirairay amin'ireo Apostoly 12 dia hanjaka amin'ny iray amin'ireo foko Israelita (Mat.19:27-28). Ankoatr’izany, Andriamanitra dia niresaka momba ny toeram-pitondrana hafa ho an’ny olona maro izay niaina talohantsika, izay nandresy, ary ho tonga any amin'ny Fanjakany (Heb.11:4-40). Efa voaofana izy ireo ary homena andraikitra amin'ny Ankohonan’Andriamanitra manjaka, na dia tsy nanambara izay toerana manokana homena azy ireo aza Andriamanitra.
               Any amin'ny Fanjakana na Ankohonan’Andriamanitra, dia hisy toerana misy andraikitra maro samihafa, satria sivilizasiôna vaovao iray manontolo no tsy maintsy haorina eto ambonin'ny tany, amin’ny fotoana voatondron'Andriamanitra. Mila asa marobe sy tena miankina aman’aina izany, mba hamerenana amin'ny laoniny ny fiaraha-monina araky ny tokony ho izy.
               Raha zanak’Andriamanitra notorontoronin’ny Fanahy ianao, ankehitriny ianao dia ho tsaraina araky ny asanao any amin'ny Fanjakan’Andriamanitra (1Petera 4:17). Hovalian-tsoa ianao ka hahazo andraikitra any amin'ny Fitondram-panjakan’Andriamanitra araky ny asanao eto amin'ity fiainana ity! Andao hofantarina tsara ity fitsipika lehibe ity.
1. Ahoana no itsaran'Andriamanitra ny tena Kristianina? 1Petera 1:17; Rom.2:5-10.
FANAMARIHANA: Samy manana "asa" ny tsirairay -na tsara na ratsy. Izay manao asa tsara dia hahazo valisoa. Ireo izay manao asa ratsy-izay MANOTA (1Jaona 3:4) -dia hosazina, raha tsy mibebaka izy, ka ny fahotany dia rakofana amin’ny ran'i Kristy. Mariho fa ny asantsika no mamaritra ny valiny ho antsika, fa tsy ny hoe hahazo na tsia ny fiainana mandrakizay isika. Satria tokoa mantsy ny tsi-fahafatesana dia fanomezana omen’Andriamanitra maimaim-poana, izay tsy azo noho ny “fahamendrehana” amin’ny asantsika. Ny mpanota tsy mibebaka dia handray ny "karamany" –izany hoe ny “tambin’ny ota”, dia ny FAHAFATESANA mandrakizay! (Rom.6:23.)
               Aoka ho azonao tsara ny dikan'ilay teny hoe "asa" araka ny ampiasana azy ao amin'ny Baiboly.
               Ny teny hoe asa dia nadika avy amin'ny teny grika ergon ary midika hoe asa-tanana, asa, fandraharahana. Dikany roa no tena ampiasan'ny Baiboly an'io teny io, ary misy fahasamihafana lehibe izy roa ireo.
               Rehefa ampiarahina amin'ny teny hoe "lalàna", toy ny "asan'ny lalàna "( indrindra ao amin’ny Epistilin’i Paoly ho an’ny Romana sy Galatiana), dia manondro ny asa mafy nilaina tamin'ny fanatanterahana ireo fombafomba natao tamin’ny lalàn'i Mosesy. Ireo fombafomba fizika sy manahirana ireo, ny “asan’ny lalàna”, dia nosoloin'ny ny asan'ny Fanahy Masina, ary nanan-kery talohan’ny fahafatesan'i Kristy.
               Fa raha mandeha irery ilay teny hoe "asa", dia mazàna manondro ny asan’ny fahamarinana na ny asa ratsy; Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny “asa tsara” dia ny fitandremana ny didin'Andriamanitra ara-panahy (Salamo 119:172), ary ny asa ratsy na ny “fanaovan-dratsy” dia ny tsy fankatoavana (Kol.1:21). Amin'ity lesona ity, dia hifantoka amin'ny "asa" ara-panahy isika (fitondran-tena marina), fa tsy amin’ny fombafomba ao amin'ny lalàn'i Mosesy.
2. Inona no ho entin'i Kristy miaraka Aminy rehefa hiverina Izy? Apok. 22:12. Iza no homena valisoa amin'izany fotoana izany? Apok. 11:18. Moa hahazo valiny araky ny “asany” ve ny tsirairay? Apok.22:12; Mat.16:27; Apok.2: 26-27; 3:21.
FANAMARIHANA: Rehefa hiverina eto an-tany i Kristy nomem-boninahitra, mba hanjaka amin'ny firenena rehetra amin'ny maha-Mpanjakan'ny mpanjaka Azy, dia hanome toeram-pahefana ao amin'ny Governemantany ("valisoa") ho an'ireo izay "voavonjy" maimaim-poana noho ny fahasoavany – dia ireo izay nahazo ny fiainana mandrakizay amin'ny fitsanganana amin'ny maty, na amin’ny fanovana ho tsy mety maty amin'ny Fiaviany Fanindroany.
               Ny ankamaroan'ireo milaza tena ho Kristiana dia manafangaro ny "valisoa ho an'ireo voavonjy" amin'ny fiainana mandrakizay. Ny fiainana mandrakizay dia fanomezana fa tsy valisoa. Ny Baiboly dia mamaritra an’izy roa ireo mazava tsara.
3. Afaka ho “mendrika” hahazo fiainana mandrakizay ve isika? Rom.6:23; Efes.2:8-9. Nefa inona no tsy maintsy ataontsika raha manantena handray ny fanomezan’Andriamanitra isika, dia ny fiainana mandrakizay? Mat.19:16-19.
FANAMARIHANA: Ny "fanomezana" dia zavatra omena noho ny fanambinana, zavatra omena maimaimpoana. Ny fanomezan'Andriamanitra ny fiainana mandrakizay dia avy amin'ny fanomezam-pahasoavany sy ny fankasitrahany. Tsy noho ny fahamendrehana.
               Tsy misy na inona na inona azontsika atao mba "hahazoana" azy io. Raha karama io dia tsy ho fanomezana.
               Na izany aza, Andriamanitra dia nametraka fepetra tsy maintsy fenoina alohan'ny hanomezany antsika ny tsy fahalovana. Nefa ny fanarahana ireo fepetra ireo dia tsy manome “alàlana” antsika hahazo ny fiainana mandrakizay. Fa kosa, ny tsy fanarahana an’ireo dia hahazoana ny fahafatesana! (1Kor.6:9-10; Rom.6:23; Apok.21:8). Andriamanitra dia tsy hanome fiainana mandrakizay ho an'izay mikiry hiaina amin'ny fomban'i Satana.
               Inona avy ireo fepetra nataon'Andriamanitra? Araky ny hitantsika teo aloha, anisan'izany ny fibebahana, ny finoana, ny batisa ary ny fankatoavana an'Andriamanitra - amin'ny teny hafa, ny fiarahantsika miasa amin'ny planin’ny famonjeny.
               Ireo homena ny tsi-fahafatesana amin'ny fiverenan'i Kristy dia hahazo valisoa ho fanampin'izany, ny fanomezana maimaimpoana ny fiainana mandrakizay. Ny "valisoan'ireo voavonjy" dia tsy fiainana mandrakizay, fa ny toeram-panapahana miaraka amin'i Jesosy Kristy amin’ny firenena eto an-tany! Nefa tsy hitovy ny toerana tanan'ny mpitondra. Ahoana no fomba hanapahan'Andriamanitra hevitra ny amin' izay toerana homeny an’ireo zanany nateraky ny Fanahy, ao amin'ny Ankohonany mpanjaka? Manazava an’izany i Kristy amin’ny fanoharana maromaro.
4. Moa ve tokony hampiasa ny Fanahy Masin'Andriamanitra tsy tapaka ny Kristiana mba “hamoa” voa ara-panahy be dia be? Jaona 15:1-5, 8, 16.
FANAMARIHANA: I Jesosy dia nampiasa ohatra ny amin’ny voaloboka sy ny rantsany; Izy no voaloboka fa ny Kristiana no sampany. Ny sampany dia tsy afaka mamato-tena amin’ny foto-boaloboka. Tsy noho ny ezaka manokana, na ny “asa” atao no hivelomana amin’ny Fanahy Masina. Ny Ray no manome azy ireo ny foto-boaloboka (Jaona 6:44; 17:9, 11; Asan'ny Apostoly 2:38-39). FANOMEZANA AVY AMINY izany.
Rehefa miray amin’ny voalobok’Andriamanitra isika, ary ny herin’i Kristy (ny Fanahy Masina) no mikoriana ao anatintsika sy manome ny heriny antsika, dia tsy maintsy mamoa voa ara-panahy isika mandritry ny androm-piainantsika. Raha tsy mitondra voa isika, ny Ray dia hanala antsika amin'ny voaloboka (Jao.15:2, tapany voalohany). Nanasaraka antsika amin'i Kristy Izy, ary noho izany dia hanipy antsika any amin'ny farihy mirehitra afo! (Jao.15:6.)
5. Moa ve maneho ny fanoharan'i Jesosy momba ny mpamafy fa ny sasany mamoa "voa" betsaka noho ny hafa? Mat. 13:23.
FANAMARIHANA: Ny Fanahin'Andriamanitra dia omena antsika, ka afaka mamoa voa tsara isika.          
               Ny voa dia tsy inona fa ny vokatry ny fanarahana ny fomba fiainan’Andriamlanitra      , dia ny fitandremana ny lalàn'Andriamanitra. Tsy maintsy ho mpankatoa ny lalàna isika fa tsy ho mpihaino fotsiny ihany (Rom.2:13). Ny fanaovana izany no mamokatra ny voa, izany hoe mampiorina ny toetra ara-panahin'Andriamanitra ao anatintsika, ary izany no fanofanana antsika mba hahatonga antsika ho lasa tompon'andraikitra any amin'ny Fanjakan’Andriamanitra.
               Ny toerana hotanantsika tsirairay dia miankina amin'ny fahombiazany manokana mandritry ny fotoam-piofanana nataony, miankina amin’ny habetsaky ny voa (asa tsara) novokariny nandritry ny fiainany kristiana!
               Andeha hojerena ny fanoharana momba ny farantsa ao amin'ny Lio 19. Mampiseho izany fa ny haben'ny valisoa ho azon'ny Kristiana tsirairay avy dia arakaraky ny habetsaky ny nitomboany ara-panahy sy ny nandreseny tamin'ny fiainany - arakaraky ny voa tsara izay novokariny noho ny fiezahany, sy ny fampiasany ny herin'ny Fanahy Masina iza              y ao aminy.
               Ao amin'ity fanoharana ity, i Kristy dia nanohatra ny tenany amin'ny andriandahy iray nandeha any an-tany lavitra (lanitra) mba handray fahefana hanjaka ary hiverina eto an-tany (Lio 19:11-12). Saingy talohan'ny nandehanany, dia nanome vola nitovy tamin'ny tsirairay tamin'ny mpanompony folo Izy (andininy 13).
6. Rehefa nahazo ny fanjakana Izy dia niverina; Ahoana no nitsaran'i Kristy ny mpanompony? Lioka 19:15.
FANAMARIHANA: Ireo mpanompo ireo dia misolo tena ireo Kristiana (1Kor.7:22) izay nomen'Andriamanitra ny Fanahiny Masina. Ny "farantsa" tsirairay (lanjam-bola iray anehoana ny sanda ara-panahy) dia mitovy amin'ny lanjan’ny Fanahin’Andriamanitra izay noraisintsika tamin’ny voalohany taorian'ny batisa. Nomen’Andriamanitra ny kristiana tsirairay ny Fanahiny mba HAMPIASAINA hanompoana ny hafa, handresena, hampivelarana ny toetra ara-panahy, ary hanampy amin'ny fanatanterahana ny asan'ny Fiangonan'Andriamanitra.
               Amin'ny fiverenany, dia hiantso ny mpanompony i Kristy hijereny hoe ohatrinona "no azon'ny tsirairay tamin'ny fandrantoana." I Kristy dia te-hahita hoe ahoana ny fitomboan’ny Kristiana tsirairay ara-panahy!
7. Moa ve ny valisoan'ny mpanompo tsirairay dia arakaraky ny fitomboany ara-panahy - arakaraky ny fandreseny ara-panahy sy ny fatra nanorenany ao anatiny ny toetran'Andriamanitra? Lioka 19:16-19.
FANAMARIHANA: Ny fiainana Kristiana dia "sekoly ara-panahy", toeram-piofanana hianarana ho mpitondra, mpisorona ary mpampianatra any amin'ny Fanjakan’Andriamanitra. Misy ny mianatra bebe kokoa ary manatanteraka asa ara-panahy bebe kokoa noho ny hafa, amin'ny Fanahy nomena azy ireo.  
               Ny sasany dia mandresy ny tenany ary mitombo bebe kokoa noho ny hafa amin’ny toetra ara-panahy, mamoa voa ara-panahy bebe kokoa. Araka izany, any amin'ny Fanjakana na Ankohonan’Andriamanitra, ny tsirairay dia handray andraikitra arak  araky ny ambaratongan'ny fandreseny ara-panahy sy ny lanjan’ny toetran'Andriamanitra no naoriny tao amin’ny fiainany. Samy homena valiny "araka ny nataony" ny tsirairay (Mat.16:27).
               Araka ny nohazavaina teo aloha, ny asa tsara nataontsika dia tsy afaka manome “alàlana” antsika hahazo ny tsi-fahafatesana any amin'ny Fanjakan’Andriamanitra Tsitoha. Raha teraka any amin'ny Fanjakan’Andriamanitra isika, dia satria fotsiny nomen’Andriamanitra izany fanomezam-pahasoavany izany.
               Fa kosa, raha ho teraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra isika, ny "asa" ara-panahy nataontsika nandritry ny fiainantsika kristianina no hamaritra izay andraikitra, toerana, laharana na ambaratongam-boninahitra ho azontsika! Noho izany, tsy resaka fanomezam-pahasoavana na asa ity, fa fanomezam-pahasoavana sy asa!
               Andeha isika hitodika mankany amin'ilay fanoharana momba ny talenta ao amin'ny Matio 25:14-30. Ity fanoharana ity dia maneho fa homena valiny araky ny asantsika isika. Fa koa maneho lafiny iray hafa, dia ny fahamarinan'Andriamanitra Izay manome valisoa antsika, sady mahalala ny fetran'ny fahalalantsika.
8. Tamin'ity fanoharana ity, dia nampitaha tena tamin'ny olona iray izay handeha any an-tany hafa i Kristy (andininy 14). Ahoana no nizaran-dralehilahy ny fananany? Andininy 15.
FANAMARIHANA: Ny teny grika nadika hoe "talenta" dia talanton, izay fatra fandrefesana taloha ny lanjam-bolamena na volafotsy.
9. Amin'ity indray mitoraka ity, moa ve mitovy da             holo ny anjara nozaraina, sa nomena anjara samihafa izy ireo, araky ny fahaizana sy ny fahafahana manokan’ny mpanompo tsirairay? Andininy mitovy.
FANAMARIHANA: Ireo talenta ireo, toy ny farantsa voalaza ao amin'ny Lio 19, dia tandindon'ny fatran’ny Fanahy Masina omena ny Kristiana (mpanompo) tsirairay. Fa ireo koa dia sary anehoana ny fanomezana ara-panahy omena ny tsirairay, miankina amin'ny fahaizany voajanahary!
               Fantatr'Andriamanitra fa ny sasany dia manana fahaizana bebe kokoa noho ny tarazony, fahafahana voajanahary lehibe kokoa, toetra manokana na tanjaka ara-batana bebe kokoa noho ny hafa. Ny sasany koa dia nandray fanabeazana misimisy kokoa sy anjara tsaratsara kokoa teo amin'ny fiainany.
10. Tamin'ity fanoharana ity, inona no nataon'ireo mpanompo an'ny vola nomena azy ireo talohan'ny niverenan'i Kristy, ka nampamoahana azy ireo momba ny nanaovany ny vola – mba hitsarana ny asany? Andininy 16-19. Ahoana no nitsarana ny roa voalohany? Andininy 20-23.
FANAMARIHANA: Tamin'ny fanoharana momba ny farantsa, ireo mpanompon'i Kristy (Kristiana) folo dia toa samy nahazo fahaiza-manao mitovy, ary ny tsirairay dia nomena ampahany mitovy amin'ny Fanahy Masin’Andriamanitra hatrany am-piandohana.
               Fa kosa, tao amin'ny fanoharana momba ny talenta, Andriamanitra dia nizara ho an'ny tsirairay, tamin'ny fiandohan'ny fiainany Kristiana, fanomezana ara-panahy araky ny fahaizany voajanahary. Ny iray nomeny talenta dimy, ny iray hafa roa, ary iray ihany ny an’ny fahatelo - arakaraky ny fahaizana voajanaharin’ ny tsirairay. Ilay nomena talenta dimy dia nampitombo ny fananany ara-panahy ho avo roa heny. Ilay mpanompo nahazo talenta roa, izany hoe kelikely kokoa, dia nampitombo avo roa heny koa ny zavatra azony. Raha oharina amin'izay azony, ilay faharoa dia nahazo fitomboana mitovy amin’ilay voalohany
               Noho izany, hangatahina be izay nomena be, ary hangatahina kely izay nomena kely (Lio. 12:48). Amin'ny teny hafa, Andriamanitra dia mitsara ny Kristiana tsirairay araky ny isan’ny fandreseny ara-panahy, araky ny fomba fileferany amin'Andriamanitra, ny fandrosoany ary ny fitomboany ara-panahy, araky ny isan’ny talenta nomena azy.
11. Moa ve mampiseho izany fanoharana izany fa ny mpanompo tsirairay izay mahatoky "amin'ny kely" - izany hoe, raha miholotra amin’ny fahaiza-manao sy ny anjara voafetra ananany amin'ity fiainana ity - dia homena valiny "ho mpanapaka ny be" rehefa hiverina i Kristy? Mat. 25:21, 23. Tsy milaza an-kolaka ve izany ny andraikitra ao amin’ny fitondram-panjakana? Andininy mitovy.
FANAMARIHANA: Ankehitriny dia mianatra ny hanjaka amin'ny Tontolon’ny Ampitso isika, sady mizatra mandray andraikitra mba hahatsara antsika sy ny hafa, ka mianatra mifehy am-pahatokisana ny raharaha, ny fahafahana ary ny andraikitra izay anjarantsika ankehitriny, na dia kely aza ireny. Maro ny fotoana mety hitomboana sy hivelarana, na eo amin'ny asa, na any am-pianarana, na any an-tokantrano, na inona na inona zavatra ho hitantsika any.
12. Inona no hitranga amin'ireo izay tsy nikezaka mba hitombo, na dia kely aza, ireo izay tsy nahavita nanao ezaka mba ho ilaina sy hahomby eo amin’ny lafiny ara-panahy? Lioka 19:20-24; Mat.25:24-30.
FANAMARIHANA: Ilay tsy nanao na inona na inona tamin'ny fanomezana ara-panahy nomena azy - ny farantsa na ny talenta- dia manondro ny kristiana tsy nanatsara ny toetrany, tsy nitombo ara-panahy. Tsy nitombo nihe-tsara ny toetrany.
               Ireo fanoharana ireo dia mampiseho fa ny kristiana izay tsy mitombo ara-panahy dia ho resy ary ho very! Azo ampitahaina amin'ny olona izay nieritreritra fa tsy mila mandresy ara-panahy sy hampitombo ny toetrany ara-panahy izy.
               Nihevitra izy fa "efa voavonjy". Tsy nino izy fa ilaina ny "asa"!
               Rehefa tsy manao na inona na inona izy, dia tsy vitan’ny hoe mamoy ny valisoany, fa hamoy ny fanomezana maimaim-poana koan dia ny fiainana mandrakizay satria tsy namoa voa ara-panahy izy. Tsy nahomby tanteraka izy tao amin'ny TANJON'ANDRIAMANITRA marina ho an'ny fiainany.
               Manome antsika famonjena maimaimpoana Andriamanitra mba hahafahantsika manompo ny hafa. Raha tsy miomana, dieny ankehitriny isika, hanompo ao amin' Fanjakan’Andriamanitra ho avy, dia mety hesorina amintsika na dia ny famonjena noheverintsika holovaina aza!

Eo am-piofanana hanjaka ve ianao?

               Maninona i Abrahama, Davida ary ireo Apostoly no tendrena ho tompon'andraikitra any amin'ny Fanjakan’Andriamanitra? Tsotra fotsiny, satria efa niomana sy nahafeno ny fepetra hitana an'ireo toerana ireo izy ireo nandritry ny fiainany mety maty.
               Nianatra ny hanjaka izy ireo tamin'ny fanekena izay rehetra nolazain’Andriamanitra azy ireo. Izy ireo dia nitombo tamin'ny toetra masina sy marin'Andriamanitra.
               Tsy hametraka fanjakana eto an-tany i Kristy raha tsy efa nahavita nampiofana an’ireo mpanampy azy aloha. Andriamanitra tsy hanankina ny fahefana lehibe tsy takatry ny saina an'ny Ankohonany manjaka amin'ireo izay, tamin'ny naha-olombelona azy, tsy nanao ezaka hankatoa Azy ary mianatra ny hifehy tsara ny fahefana kely izay eto am-pelantanantsika. Andriamanitra dia te hahafantatra fa isika dia hampiasa ny fahefany tsy mampino amin'ny fitiavana sy fifehezan-tena ary araky ny sitrapony ho tombontsoan'ireo rehetra eo ambany fahefany!


1.Amin'ny fitsipika lehibe inona no ahafahan'ny olona iray, manana fahaiza-manao antonony sy ambany fihaviana, hanana anjara ho mendrika ny hitàna andraikitra lehibe tokoa ao amin'ny Fanjakan’Andriamanitra? Lioka 16:10. Jereo koa ny andininy 11-12.
FANAMARIHANA: Mianatra manapaka isika amin'ny alàlan'ny tsy fivadihana, ho mahatoky sy marina, amin'izay zavatra ataontsika rehetra; miezaka hampihatra ny fitsipiky ny Lalàn'Andriamanitra izay hitantsika ao amin'ny Teniny. Na ireo izay mihevi-tena ho tsy manana afa-tsy talenta voajanahary tena kely aza, dia azo ampiofanina hanjaka - HANOMPO ao amin'ny Fanjakan’Andriamanitra!
               Saingy ampy ve izany mba hahatonga antsika ho mendrika ny hitantana tanàna iray – mba hamahana ny olana ara-panjakana sarotra, momba ny fitantanana, ary ireo olana manokana marobe izay mipoitra rehefa misy fianakaviana an'arivony maro miara-monina eo amin’ny faritra iray? Eny, ampy izany!
               Tsy mila mahita anao hanapaka tanàna folo Andriamanitra mba hamaritana raha hainao ny mampihatra sy mitandrina ny lalàny. Afaka mahita izy, amin'ny fanapahan-kevitra tsotra raisinao isan'andro amin'ny fiainanao, na mankatoa Azy ianao, na mandeha amin'ny làlan'ity tontolo ratsy ity.
               Ny fanapahan-kevitra takiana mba hiainana araky ny fomban'Andriamanitra dia tena tsotra tokoa, rah any marina. Amin'ny ankapobeny izany dia resaka hoe "manaiky" na "mandà" ny lalàn'Andriamanitra.
               Ny fomba itondranao an-dramatoa vadinao, na hanajanao an-dralehilahy vadinao, na itiavanao ny zanakao sy ny namanao, dia mampiseho amin'i Kristy hoe ho karazana mpitondra manao ahoana ianao. Moa ve mora sendoatra ianao, sarotra ifanarahana, mpikomy, tsy tia mifandray aman’olona, tsy marina?
               Mila mahafantatra izany i Kristy izao, alohan'ny hanomezany anao andraikitra lehibe amin'ny olona maro. Ny Fanjakan’Andriamanitra dia hitondra fandriam-pahalemana ho an'izao tontolo izao fa tsy ady intsony. Ireo izay hanjaka dia tsy maintsy mampiseho amin'Andriamanitra fa ankehitriny, dia mianatra ny làlan'ny fandriampahalemana izy ireo.
Tian'Andriamanitra Tsitoha hianatra ny hanjaka amin’ny tenantsika isika aloha, izay vao hanome fahefana antsika hitantana ny hafa Izy!
               Ary ny ara-bola? Ho tantaninao ve ny volan'ny tanàna toy ny ataon’ny mpitondra maro be ankehitriny, mba hampanan-karena anao hitsentsitra ny hatsembohan’ny hafa? Andriamanitra dia afaka mahafantatra izany amin'ny alàlan'ny fijerena ny fomba fitantananao ny volan'ny mpampiasa anao, sy ny fijerena ny zavatra ataonao mandritry ny fotoana andoavan'ny mpampiasa anao karama, amin'ny alalàn'ny fandoavanao ny hetra, ka tokony "homenao an'i Kaisara izay an’i Kaisara", ary amin'ny fandoavanao ny ampahafolon-karenan'Andriamanitra.
               Ny kristiana rehetra izay mitombo sy mivoatra ara-panahy dia tsy mieritreritra afa-tsy ny andraikitra izay nankinin'Andriamanitra tamin’ny Fiangonany. Ny "asantsika" dia misy ny anjara ataontsika amin'ny fanaovana ny asan'Andriamanitra, dia ny fitorina amin'izao tontolo izao ny Filazantsaran'ny Fanjakan’Andriamanitra “ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra” (Mat.24:14; 28:19-20), mba hanomanana ny lalana amin'ny Fiavian'i Kristy Fanindroany. Ny zanak’Andriamanitra izay notorontoronin’ny Fanahy Masina dia fitaovana ampiasainy ho fanatanterahana ny asa lehibe nanirahana ny Fiangonany, amin’izao vaninandro farany izao!
               Ny traikefa an-taonany maro dia nampiseho fa ireo izay tia tena, tsy miraharaha mihitsy ny asan'ny Fiangonan’Andriamanitra, tsy mitady marina ny handray anjara amin’ny fampielezana ny hafatr'i Kristy ho amin'ity tontolo jamba, voafitaka, ary efa ho faty ity, dia ho very ny fananany rehetra amin'ny farany. Ireo izay mifantoka amin'ny fiainany "Kristiana" iray manontolo amin’ny tenany ihany, ary ny fony dia tsy ao amin’ny asan'Andriamanitra tanteraka, na tsy mira            haraha mihitsy an’io asan’Andriamanitra io, dia mihena ara-panahy ary ho lavo eny amoron-dalana!
               Tahaka ny Fiangonana izay manana iraka roa lehibe ho tanterahana - 1) hitory ny filazantsaran'ny Fanjakana amin'izao tontolo izao; ary 2) hanampy ireo mpikambana notorontoronin’ny Fanahy mba hitombo ara-panahy hahazoana an'io Fanjakana io - ireo mpikambana ihany koa dia manana iraka roa lehibe hatao : 1) mazoto manohana ny Fiangonana amin’ny fitorina ny Filazantsara; ary 2) mandray anjara mavitrika amin'ny programa fanofanan'Andriamanitra izay natao hamolavola azy ireo mba ho lasa mpanapaka mandrakizay ireo, nateraky ny Fanahy an'ny Fanjakan’Andriamanitra mitondra ny Onivera manontolo!
               Angataho isan'andro Andriamanitra hanampy anao hahatakatra izany, sy hanome anao ny fahendrena mba hampiasanao araky ny tokony ho izy nyfahefana, ny fahaiza-manao ary ny andraikitra anananao, mba ho mpanompon’Andriamanitra mahatoky sy mamokatra ianao (Mat.25:21).
               Ity fiainana ity dia tany hampiofanana antsika. Ireo izay mankatoa, dieny izao, ny fahefan'ny Fitondram-panjakan’Andriamanitra - izay mianatra ny lalàny, izay mandao ny lalan-dratsy rehetra, izay manorina ao anatiny ny toetran'Andriamanitra masina sy lavorary, lasa manahaka Azy bebe kokoa, ary miomana ho teraka ao amin'ny Ankohonany, ary hiara-manjaka amin’i Kristy – dia homena toeram-pitondrana.
               Eny, teraka ianao miaraka amin'ny hery mitatao ho lasa mpanjaka mandrakizay - HANJAKA any amin'ny Fanjakan’Andriamanitra!
               Ny anjaranao mahatalanjona, raha vao haterak'Andriamanitra ianao, dia ny hanampy an’i Kristy hitantana ny tany sy ny Onivera manontolo avy eo, amin'ny maha-mpikambana ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra anao!
               Ity dia antso mahatalanjona, manaitra, tsy mampino! Ity dia ho avy be voninahitra sy mahafinaritra! Moa ve efa nanomboka mandroso ara-panahy hankany amin'izany tanjona izany ianao? Efa miomana mba hanjaka ve ianao?

            Araka ny nolazain'i Jesosy hoe: "Ary raha tsy mahatoky amin'izay an'olona ianareo, iza no hanome anareo izay anareo?" (Lioka 16:12.) Raha mianatra ho mahatoky sy marina ianao amin'ny zavatra kely eo amin'ny fiainanao, dia fantatr'Andriamanitra fa ho toy izany koa ianao raha omena andraikitra lehibe kokoa!

No comments:

Post a Comment