Inona ny Olombelona?

 

AMBASADAORO KOLEJY - TOKO FAHA-5


INONA NY OLOMBELONA?



Moa ve ny olona misy fanahy tsy mety maty ao anaty vatana mety maty? Ny fahafatesana ve no fisarahan’ny fanahy sy ny vatana? Inona no TENA mitranga amin'ny olona iray aorian'ny fahafatesany? Nandritra ny an'arivo taona maro, ny olombelona dia nanontany tena ny amin’ireo, nefa tsy nahavaly izany. Halalino ny valinteniny mahatalanjona amin'ity lesona fanambarana ity.

 
Tena zava-misy ny fahafatesana.


Na dia maro aza ny olona te-handroaka izany eritreritra izany ao an-tsainy mba tsy hisainany izany, dia tena misy ny fahafatesana. Io no fiafarana tsy azo laizina amin’ny fiainana eto an-tany.
Ireo izay manana fireham-pinoana dia mieritreritra matetika fa ny fahafatesana dia vikina farany tsy azo laizina any amin’ny toerana tsy fantatra, any amin’ny "tontolo hafa", miaraka amin'ny lanitra, ny afobe na ny afo fandiovana izay azy manokana.
Inona no atao hoe aina, ary inona noatao hoe FAHAFATESANA? Moa ve tsy fotoana izao tokony hahalalantsika amin’izay hoe : inona ny olombelona, ary inona ny fanantenana misy - raha misy tokoa izany – mba hiainana aorian'ny fahafatesana?

Manana fanahy tsy mety maty ve ianao? Ny filozofa tamin’ny fahagola dia nampianatra fa ny olombelona dia vita be indrindra amin’ny "fanahy" tsy mety maty, izay napetraka ao anaty vatana nofo izay mandalo fotsiny ihany. Nino izy ireo fa ny tena olombelona dia tsy ny vatana, fa ny "fanahy tsy mety maty" izay tsy hita maso sy tsy manam-batana, izay mieritreritra sy mandre ary mahita - olona izay voatendry hiaina mandrakizay,.manana toetra mahalala ny ataony.
Amin'ny fotoan'ny fahafatesana, araky ny vinavinan'ny ntaolo, ny fanahy dia mandao ny vatana ary mankany amin'ny tontolo manjavozavo, izay mety ho paradisa na toerana fanasaziana. Fa ny vatana kosa, dia nahatsikaritra tsara izy ireo fa alefa any amin'ny fasana.

Ny filozofa tatsinanana sasany dia manohana ny teoria fa aorian'ny fahafatesana, ny fanahin'ny maty dia miaina indray ao anaty vatana hafa ary miaina toy ny biby, vorona, bibilava ary na hazo na bibikely - na koa aza lasa miaina indray toy ny olombelona. Ity foto-pampianarana ity, izay antsoina hoe fifindrana mifandimbin'ny fanahy, na " miaina indray ao anaty vatana hafa " dia lasza malaza indray ankehitriny.

Fa mifototra amin’ny inona izany finoana izany? Avy amin'ny fanambarana ara-Baiboly ve izany? Inona ny fiaviany? Avy taiza ireo fiangonana milaza ny tenany ho Kristiana no nahazo ny fampianarana momba ny tsy fahafatesan'ny fanahy?

Eritrereto ity fanambarana tena marina ity, nalaina tao amin’ny Rakipahalalana jiosy: "Ny finoana fa ny fanahy dia mbola mitohy misy hatrany aorian’ny fahalovan’ny vatana [izany hoe, aorian'ny fahafatesana] dia fandinihana filozofika na hevitra teolojika fotsiny ihany, fa tsy resaka momba ny finoana madio sy tsotra; noho izany, dia tsy ampianarina ao amin'ny Soratra Masina izany." (Teny notsongaina avy amin'ny lahatsoratra hoe "Ny tsy fahafatesan'ny fanahy". Izahay no nandika ny teny nindramina rehetra ary nanipika ireo andalana manan-danja mandritry ity lesona ity.)

Lova talohan 'ny Kristianisma Io lahatsoratra io ihany dia mitohy amin'ireto teny ireto: "Ny finoana ny tsy fahafatesan'ny fanahy dia nihanaka teo amin'ny Jiosy taorian'ny nifandraisany tamin'ny rafi-pisainana grika, ary indrindra tamin'ny alàlan'i Platon, izay fanta-daza indrindra tamin'ireo nanaparitaka an'io filozofia io. Izany dia nentanin'ny "misterin’ny" Orphisme sy i Eleusis - fifangaroan-javatra hafahafa misy fironana Babyloniana sy Egyptiana. "

Araka io Encyclopedia io, ny foto-pampianarana momba ny fanahy tsy mety maty dia avy amin'ny filozofa grika, talohan'ny Kristianisma, izay nandika izany tamin'ny tontolo mpanompo sampy tany Egypta sy Babylona.

Mariho izay neken’i Hérodote, mpahay tantara grika tamin’ny taonjato faha-5 Tal JK .: "Ny Egyptiana koa no voalohany nanamafy fa tsy mety maty ny fanahin'ny olona ... Izany hevitra izany ihany no nalain'ny Grika sasany, tamin'ny fotoana hafa, ka nolazainy fa azy manokana ”(Euterpé, toko 123).
Socrate, filozofa grika, dia nankany Egypta mba hanontany ny Egyptiana momba io fampianarana io. Taorian'ny niverenany tany Gresy, dia nampianatra an'io fisainana io an'i Platon izy, izay mpianany fanta-daza indrindra. Ampitahao amin'ny foto-pampianarana izay ampianarin'ny Fiangonana ankehitriny ny asa-soratr'i Platon mitondra ny loha-teny hoe “Le Phédon”. .

"Ny fanahy, izay tsy azo sarahina amin’ny aina, dia tsy hanaiky mihitsy ny mifanohitra amin'ny aina dia ny fahafatesana. Koa voaporofo àry fa tsy mety maty ny fanahy, ary noho izany tsy mety levona ... Mino ve isika fa misy zavatra toy ny fahafatesana? Mazava ho azy.Ary moa izany tsy hafa fa ny fisarahan’ny fanahy sy ny vatana? Ny fahafatesana dia ny fanatanterahana izany fisarahana izany, rehefa misy ny fanahy avy amin’ny tenany irery ary misaraka amin'ny vatana izy, ary rehefa misaraka amin'ny fanahy ny vatana. Toy izany ny fahafatesana ... Ny fahafatesana dia tsy inona fa fisarahan’ny fanahy sy ny vatana. "

Moa ireo teny ireo ve tsy mitovy amin'ny fampianarana izay aelin'ny fiangonana?
Azo inoana fa efa nampianarina anao fa kristiana tanteraka izany foto-mpampianarana izany. Noheverinao fa nalaina mivantana avy tao amin'ny Baiboly izy io, saingy tsy izany no izy, araky ny ho hitanao ihany.

Taorian'i Platon dia nanohy nanaparitaka an'io teoria io i Aristota. Avy eo, ilay poeta Virgile (70-19 tal JK) dia nampahalaza izany teo amin'ny tontolo romana.
Saingy nahoana no lasa foto-mpampianarana fototra izany fiheverana izany ho an'ny ankamaroan'ny olona izay milaza ny tenany ho Kristiana?

Ny anarana hoe "kristiana" dia azo taty aoriana Ny fampidirana an'io finoanoam-poana malaza tao amin’ny fiangonana io dia nandeha niandalana ary nandany taonjato maro vao niparitaka. Ny "rain'ny Fiangonana" voalohany dia samy nanana ny heviny momba an'io resaka io. Tamin'ny taona 160 tar JK, i Justin, ilay filozofa izay mody nanaiky ny fivavahan'ny Kristiana taty aoriana, dia nanoratra izao manaraka izao:

"Fa Jesosy Kristy, taorian'ny nanomboana Azy, ny fahafatesany ary ny fiakarany ho any an-danitra, dia nanjaka; arak’izay rehetra nambaran'ny Apostoly tamin'ny anarany tamin'ny firenen-drehetra, dia atolotra ny fifaliana ho an'ireo izay manantena sy miandry ny tsy fahafatesana izay nampanantenainy "(Ante-Nicene Fathers, Vol. 1, p.176).

Betsaka, tamin’ireo katolika voalohany, no nahalala tsara fa ny tsy fahafatesana dia tsy vadin-koditra ho azy ireo. Na izany aza, mbola nanantena ny handray izany izy ireo.
Origène, iray tamin'ireo voalohany nitory ny finoana Katolika tao Alexandria, tany Egypta, dia nanaraka ny hevitr'i Platon sady nametraka tao singa sasantsany ara-Baiboly. Nantsoiny hoe néo-Platonisme ny filozofiany. Izao no nosoratany manodidina ny taona 200 tar. J-K: "Ny fanahy dia tsy mety maty, toa amin'Andriamanitra izay mandrakizay sy tsy mety maty". Nambarany mazava fa izy dia tena manaraka ny hevitr’I Platon izay mino ny fanahy tesy mety maty"(Ante-Nicene Fathers, Vol. IV, p. 314, 402).

I Tertullien, mpanao raharaham-pivavahana sady mpanoratra tany Afrika Avaratra teo ambany fifehezan'ny Fenisiana, tamin'ny faran'ny taonjato faha-2 tar JK, dia nitarika an'izao tontolo izao tamin'ny fampianarany. Hoy izy nanoratra: "Fa ny zavatra sasany dia fantatra araky nytoetrany: ny tsy fahafatesan'ny fanahy, ohatra, dia eken'ny olona maro… Afaka manaraka ny hevitr'i Platon aho rehefa nanambara izy hoe: NY FANAHY REHETRA DIA TSY METY MATY ”( Ante-Nicene Fathers., vol. III, p. 547).

Ary noho izany, ny hevitra manokana ireo filozofa ireo, izay nanamarika ny fotoanany avy, dia mamolavola ny fisainan'ny olon-drehetra izay milaza azy ho Kristiana ...
Na izany aza, tamin'ny andron'i Constantin, nisy mpanoratra sy "dokotera" katolika sasantsasany izay nanameloka ny fanoloana ny fampianaran'i Kristy amin’ny an’i Platon. Ity ny fananarana izay nalefan'i Arnobe tamin'ireo izay "nentin'ny fiheveran-diso tafahoatra tamin’ny tenany, dia nilaza fa tsy mety maty ny fanahiny ... Hiala amin’ny avonavona mahazatra fanaonao ve ianao, ry olombelona izay milaza fa Andriamanitra dia rainao, nefa ianao dia miziriziry milaza fa tsy mety maty toa Azy ?»( Ante-Nicene Fathers, Vo1. VI, p. 440).

Taorian'ny fitondran'ny Emperora Constantin, izay nanery ny Fanjakana Romana hanaraka finoana iraisana, i Augustin, izay mpanoratra hafa avy any Afrika Avaratra, dia "nanamasina" ny foto-pinoana momba ny tsy fahafatesan'ny fanahy ao amin'ny bokiny mitondra ny lohateny hoe : ny tanànan'Andriamanitra. Avy eo, dia nisy andiam-mpanoratra hafa koa - voataonan'ny hevitr’i Platon, Aristote sy Virgile - izay nifehy ny hevitra filozofikan'ny teolojia "kristiana" tandrefana, nandritry ny voalohan'ny Moyen-Age.

Thomas d’Aquin (1225-1274 tar JK), "dokotera" sy teolojiana manam-pahaizana italiana, dia nampiditra tao an-tsain’ireo izay nihevi-tena ho Kristiana, ny foto-pinoana momba ny tsy fahafatesan'ny fanahy. Dimampolo taona taty aoriana, i Dante Alighieri dia nanoratra ny Divine Comédie, ilay asa-soratra poetika malaza nataony, izay nanehoany, ho an'ireo mpamaky tsy dia nahita fianarana, ny fahitan’ny eritreriny ny afobe, ny afo fandiovana ary ny paradisa - hevitra izay nitokiana hatramin’izay.

Nefa, tsy vitan’ny hoe lasa zava-dehibe toy ny foto-pinoana izany, tamin'ny Moyen Âge, fa ireo izay nandà izany koa dia nomarihana maharitra fa manohitra ny foto-pinoana.
I Martin Luther dia niezaka foana ny hanaisotra ny foto-kevitra momba ny tsy fahafatesan'ny fanahy. Tsy ela dia nohadinoin'ny hetsika Protestanta ny ezaka nataony.

Tamin’ny farany dia noteren’ny fahefana 


 Taloha kelin'ny Fanavaozana Protestanta, dia nandany ity didim-pitsarana manaraka ity ny Concile tao Latran tamin’ny 1513:
"Koa satria ny sasany dia sahy nilaza marina, momba ny toetran'ny fanahy afaka misaina, fa izy io dia mety maty, isika, miaraka amin'ny fankatoavan'ny filankevitra masina,dia manameloka sy mananatra ireo rehetra manohana fa ny fanahy ara-tsaina dia mety maty. Koa satria hitantsika, araka ny Canon'ny Papa Clément V, fa ny fanahy dia ... tsy mety maty ... manambara isika fa tokony hialantsika ireo rehetra manohana izany fiheverana izany ary hosaziana tahaka ny mpivadi-pinoana izy ireo. "
Midika izany fa izay rehetra nampianatra ny fahamarinana dia tokony hatolotra ny manampahefana sivily ary hosaziana. Ary ny fanasaziana momba izany dia matetika henjana tokoa.

Ny fomba fijery protestanta tany am-piandohana Nandritry ny Fanavaozana, ny Protestanta sasany tany am-boalohany dia nanandrana nandà ny foto-pinoana tsy fahafatesan'ny fanahy. Nanambara i Martin Luther fa tsy mampianatra ny tsy fahafatesan'ny fanahy ny Baiboly (Defense, Proposition no 27). "I Luther dia nanohana ny hevitra fa ny fanahy dia miara-maty amin’ny vatana, ary Andriamanitra hanangana azy roa tonta aoriana" (Historical View, p. 344).

Tena samihafa be ireo fampianarana voalohany nataon'i Luther sy ny foto-pampianarana protestanta ankehitriny! Izao anefa no tena tenin'i Luther, tamin'ny taona 1522:
"Raha ny hevitro, dia azo inoana fa, afa-tsyamin'ny tranga vitsivitsy, ny maty dia mitoetra ao anaty tsy fahatsiarovan-tena tanteraka hatramin'ny andro fitsarana…Fahefana manao ahoana no ahazoana milaza fa ny fanahin’ireo maty dia tsy afaka miala sasatra ... toy ny fomban'ny velona izay matory be amin’ny hariva ary tsy mahatsiaro tena mandritry ny torimasony, mandra-pifohazany amin’ny maraina manaraka?" (Nalaina tamin’ny « Life of Luther » nosoratan’i Michelet).

Ny fampianarana voalohany nataon'i Luther dia tsy nitsahatra nahasanganehana ireo teolojiana protestanta izay, avy eo; dia namerina nandray ny fampianaran'i Egypta sy Gresy fahagola.
William Tyndale, ilay nanao pirinty ny 'Testamenta Vaovao voalohany tamin'ny teny anglisy, izay iray amin'ireo olona fanta-daza izay nandray anjara tamin'ny fanavaozana, dia nanoratra izao manaraka izao: 
"Raha mametraka ny fanahy niala tamin'ny vatana any an-danitra, any amin'ny afobe na amin'ny afo fandiovana isika, dia manapotika ny teny nataon'i Kristy sy Paoly manamarina mba hanaporofoana ny fitsanganana amin'ny maty ... Ny finoana marina dia misy fitsanganana amin'ny maty; ny filozofian’ny mpanompo sampy, amin’ny fandavana an'io zava-misy io, dia manohana fa ny fanahy dia velona mandrakizay ... Raha any an-danitra ny fanahy, misy afaka milaza amiko ve hoe maninona no ilaina ny fitsanganana amin'ny maty?"
Fanontaniana tena lalina tokoa izany!

Hitan'ny mpanavao fivavahana protestanta fa tsy te hanova ny foto-pinoany ny olona. Tsikelikely, ireo mpanavao fivavahana ireo koa dia nanaiky ny finoan-drazana malaza, izay nifototra tamin’ny filozofia sy ny fandinihan’ireo mpanompo sampy. Ary noho izany, mandrak’ ankehitriny, ny ankamaroan'ny mpino dia mbola mino ny foto-pampianaran'ny tsy fanahy tsy mety maty, satria manaiky fotsiny tsy misy fanontaniana izy ireo ny fandinihana nolovaina tamin’ny filozofa mpanompo sampy fahagola.


Hoy ny Apostoly Paoly momba ity tombatombana ity: "Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin'ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, fa tsy araka an'i Kristy". (Kol. 2: 8).

Araky ny ho hitantsika amin’ny manaraka, ny Baiboly dia TSY loharanon’ny finoana ny fanahy tsy mety maty. Na dia mahagaga ny sasany aza izany, ny Baiboly dia mampianatra mazava fa ny olombelona dia mety maty, fizika, ara-nofo, nalaina tamin’ny vovo-tany. Ary rehefa maty izy, dia miverina amin’ny tany izay nakana azy. Andaho ho jerena ny Baiboly, ary andeha hamarinina izay lazainy marina.

LESONA 5

INONA NY OLOMBELONA? MANANA VALINY VE NY SIANSA?


 Manana fanahy tsy mety maty ao anaty vatana nofo aman-drà ve ny olona? Manan-teny holazaina ve ny siansa momba izany?
Tsy manana porofo mihitsy izy hanamarinana izany hevitra izany.
Tsy manana porofo azo tsapain-tanana momba ny fisian'ny fanahy tsy mety maty mihitsy ny siansa. Mifototra amin'ny zavatra sy fitondran-tena ara-batana sy hita maso, amin'ny matiera sy ny hery araky ny fizika. Ny siansa môderina dia voafetra tanteraka amin'ny tontolo ara-materialy izay azo lanjaina sy refesina amin'ireo mety ho takatry ny retsim-pandrenesana dimy.


Ny ara-panahy dia tena ivelan'ny faritry ny siansa fizika; noho izany, ny "fomba siantifika" dia tsy azo ampiharina aminy. Tsy afaka mandrefy ny siansa ny karazam-piainana ivelan'ny matiera ny siansa – ary tsy afaka manambara momba izany. Noho izany, ny zavatra rehetra mety ho fantatry ny olona avy amin’ny herin’ny tenany dia materialy (raha tsy misy fanambarana avy amin'Andriamanitra). Na izany aza, ny zavatra nianaran'ny siansa dia mety hanampy antsika betsaka amin'ny fahatakarana izay misy ao amin'ny tenan’ny olombelona. Hitan'ny siansa fa ny zavamananaina rehetra, amin'ny endriny tsotra indrindra, dia ny protoplasma - ilay singa manplanina ny "zavamananain’" ny sela, ny zavamaniry, ny biby ary ny olona.

Fantatra tsara ihany koa fa ny olona "maty" teo ambony latabatra fandidiana, ary novelomina haingana tamin'ny alàlan'ny fanorana fo sy tamin’ny fomba nataon-tanana hafa, dia tsy mahatadidy tanteraka ny tranga nisy tao anatin'izany. Tsy “nandeha” na taiza na taiza izy. Tsy nahatsiaro tena fotsiny izy. Novelomina teo ambony latabatra fandidiana izy ireo ary nifoha toy ny avy natory be. Saingy satria malaky mihasimba ny atidoha raha mandalo minitra maro alohan'ny hamelomana azy ny marary, dia ho very ny ampahany amin'ny fahaizany sy ny fomba fisainany; lasa tsy mahatadidy zavatra izy.
Ireo zava-misy ireo dia maneho amintsika, tsy azo lavina, fa ny "fanahy tsy mety maty", raha misy izany, dia tsy afaka mihitsy hieritreritra, hahatsiaro na hisaina, rehefa tafasaraka amin'ny vatana.
Ny siansa àry dia milaza fa tsy azo porofoina mihitsy ny fisian'ny "fanahy tsy mety maty" ao amin'ny olombelona. Na ny andrana momba ny olona "maty" vetivety eo amin'ny latabatra fandidiana aza dia tsy manome porofo momba izany fanahy izany.


Aiza àry no hahitana porofo marim-pototra, hahitàna ny lalan-kombàna?
Inona ny olombelona? Ny Baiboly no fototry ny fahalalana rehetra. Ao amin'ny Baiboly, Andriamanitra, Ilay Mpamorona, no nanambara ny ankamaroan'ny fahalalana izay tsy mety ho hitan’ny tenan’ny olombelona irery, amin'ny fahaizan'ny olombelona fotsiny; Anisan'izany ny fahalalana sy ny fahatakarana hoe : inona ny olombelona sy ny toetra voatendry ho azy.
Aza miheritreritra fotsiny! Andao hodinihina ny Baiboly mba hahitana hoe inona marina ny olombelona.

Inona ny olombelona?


1. Inona no nolazain'i Jesosy momba an’izay misy ao amin’ny olona? Jaona 3: 6 (ampahany voalohany). Ary "izay nateraky ny fanahy", moa ve manana toetra hafa? Andian-tsoratra mitovy.
 FANAMARIHANA: Ny olombelona dia misy nofo – na protoplasme. Nilaza mazava i Jesosy fa izay teraka avy amin’ny nofo dia tsy mety ateraky ny fanahy ihany koa. Tokony ho ny iray ihany ianao. Io andininy io fotsiny dia porofo maha-resy lahatra fa ny olombelona dia tsy "fanahy tsy mety maty", mitoetra ao anaty vatana nofo mety maty. Nefa kosa tohizo ny fianarana.


2. Moa ve nanana fanahy tsy mety maty ao anaty vatana nofo aman-drà ve ny Apostoly Paoly - sa miresaka ny tenany sy ny nofony ho mitovy izy? (Romana 7:18). 
FANAMARIHANA: Ao amin'ity andininy ity, i Paoly dia tsy manavaka ny tenany sy ny nofony. Nolazainy fa iray sy zavatra iray ihany ireo. (Hodinihintsika ny fanambarana hafa avy amin'i Paoly any aoriana.) Na dia tsy manaporofo tanteraka aza ireo andininy ireo fa tsy manana fanahy tsy mety maty ny olombelona, dia mampiseho amintsika ireo fa ny zavatra toy izany dia tsy misy fototra.

Mba hahatakarana na eny, na tsia, hoe ny olona ve dia manana fanahy tsy mety maty, andao hiresaka momba ny tantaran’ny famoronana isika - rehefa noforonina ny lehilahy voalohany – mba hahita tsara ny zava-nitranga.

Ny famoronana ny olombelona Andriamanitra, raha namorona ny olombelona voalohany, dia manambara amintsika ny zavatra nanaovany azy, mba tsy hisy fisalasalana ny momba antsika marina. Ity izany tantara izany, araka ny nilazana azy tamintsika tao amin'ny Baiboly.

1. Inona no nanaovan'Andriamanitra ny olombelona? Gen. 2: 7. Mariho fa olombelona - tsy ilay vatana ihany - no noforonina.


2. Moa ve ilay olona iray manontolo - "ianao" - no nalaina tamin’ny vovoky ny tany? Gen. 3: 19. FANAMARIHANA: Adama dia noforonina tsotra fotsiny tamin'ny vovoky ny tany – fa tsy tamin’ny zavatra hafa!

3. Inona no tokony hitranga amin'ny olona mahatsiaro tena? Gen. 3:19, ampahany farany.

4. Rehefa avy namorona ny olona sy namorona ny sela rehetra ao amin'ny vatany Andriamanitra, inona no nataony mba hanomezany azy ny aina? Gen. 2: 7.

FANAMARIHANA: Nofofonin'Andriamanitra rivotra - "fofonaina mahavelona" misy oksizena - ao amin'ny havokavoky ny olona, avy eo amin'ny vavorony, ary nanomboka niaina ny olona. Io andininy io tsy milaza fa Andriamanitra dia namorona fanahy tsy mety maty ao anatin'ny olona.

5. Moa ve io "fofonaina mahavelona" io mitovy amin'izay mandalo amin'ny vavoron’ny biby? Gen. 7:21-22. Ka moa ve ny fofonaina mahavelona mijanona rehefa maty an-drano ny olona na ny biby? Andininy 23. Moa ve tsy mitovy izany ny loharanon'ny fiainana ao amin'ny olona na ao amin'ny biby?

FANAMARIHANA: Raha ny "fofonaina mahavelona" dia midika, na dia tena ankolaka aza, fa manana fanahy tsy mety maty ny olombelona, noho izany ny biby, ny vorona ary ny bibikely koa aza – ny lalitra, ny parasy, ny moka, sns. – dia hanana fanahy tsy mety maty koa.

Karazam-“panahy” toy inona?


1. Raha vao nofofonin’Andriamanitra fofonaina mahavelona ny vavoron’i Adama,dia la sa inona izy? Gen 2:7, tapany farany.

FANAMARIHANA: Ny olombelona dia tsy manana fanahy - ny olombelona dia "fanahy"! Ny teny hebreo tany am-boalohany ho an'ny "fanahy" dia nephesh. Ny boky mitondra ny lohateny hoe: Young’s Analytical Concrordance to Bible dia mamaritra azy ho "zava-boary miaina, izany hoe zava-boary biby". Ao amin'ny Genesisy 1: 21, 24; 2:19; 9:10, 12, 15-16, ary ao amin'ny Levitikosy 11:46, ny teny hoe "nephesh" dia nadika hoe "biby", "biby velona" na "zava-manan’aina".

Koa ny olona dia zava-boary; fanahy izy. Ny biby koa dia zavaboary: fanahy. Io teny io ihany hoe nephesh dia adika hoe "faty" na "maty" ao amin'ny Levitikosy 19:28; 21:1; 22:4; Nomery 5:2; 6:11 sy 9:6-7, 10. Ny "fanahy"noho izany dia aim-biby mety maty sy mety tratry ny fahalovana.

Tsy hoe tsy mety maty izy. 
Ny fanahy dia vita tamin'ny "vovo-tany"; ara-materialy izany fa tsy ara-panahy: matiera izy. Raha mbola miaina ny olona, dia fanahy velona izy. Rehefa mitsahatra ny miaina izy, dia lasa fanahy maty. Izany no ambaran’ny Baiboly.

2. Mety maty ve ny "fanahy"? Ezek.18: 4, 20. Raha tsy mety maty ny fanahy - mandrakizay – dia ho mety maty ve izy? FANAMARIHANA: Koa satria ny olona dia fanahy ary ny fanahy dia mety maty, noho izany dia mety maty ny olombelona - iharan'ny fahafatesana. Izany no antony iantsoan'ny Soratra Masina ny olombelona hoe "olombelona mety maty".

3. Tratry ny fahafatesana ve i Adama? Gen. 2:17, ampahany farany. Ny vatana ihany ve no tsy maintsy ho faty, sa ilay olona mahalala ny ataony manontolo- Adama - "ianao"?

4. Moa ve ny olona sy ny biby dia mitovy anjara daholo? Mpito.3:19 Moa ve satria samy manana loharanom-piainana tsy maharitra izy roa, dia ny fofonaina? Andian-tsoratra mitovy.

5. Moa ve ny olona sy ny biby dia manana anjara mitovy rehefa maty? Mpito. 3:20. FANAMARIHANA: Rehefa maty ny biby dia maty. Rehefa maty ny olona, dia maty koa. Tahaka ny alika izay maty, rehefa maty ny olona, dia maty izy. Ny olona sy ny biby dia miverina any amin'ny vovoka nakana azy.

6. Nefa, inona ny fanontaniana mipetraka ao amin'ny Mpitoriteny 3:21?
FANAMARIHANA: Tsy hoe hanaporofoana ny fisian'ny fanahy tsy mety maty izany fanontanian'i Solomona izany, fa maneso ny foto-pinoana "fanahy tsy mety maty", izay foto-pinoana nisy tamin'izany, ary ninoan'ny mpanompo sampy, na dia tamin'ny androny aza. Noho izany, dia nametraka fanontaniana izy, izay tsy misy mpanompo sampy afaka manome ny valiny.

Ny teny hebreo hoe ruach, izay nadika hoe "fanahy" ao amin'io andininy manokana io, dia midika koa hoe tso-drivotra, rivotra ary fofonaina. Manana dikany betsaka izy io, ary azo ampiharina amin'ny zavatra isan-karazany izay manana toetra hitovizana dia ny tsy fahitana azy. Io koa dia afaka hadika hoe "toetra" na "fanahy", ary raha mialoha ny teny hoe "masina" izy io, dia manondro ny Fanahy Masin'Andriamanitra.


Koa satria ny fahafatesana dia manjo ny olona na ny biby koa, dia nanontany tena toy izao i Solomona: "Iza no mahalala ny fanahin'ny olombelona, na miakatra any ambony izy, na tsia, ary ny fanahin'ny biby, na midina amin'ny tany izy, na tsia? " (Mpitory 3:21)

Na izany aza, araka ny ho hitantsika, misy hantsana lehibe manasaraka ny olombelona amin'ny biby. Ary mba hanazavana io fahasamihafana io, dia hiainga amin'ny teny hoe ruach isika.
 

Inona moa ny ain'olombelona? 


 Ny olombelona dia zavaboary velona sy mety maty izay miaina, na nephesh. Inona no mitranga amin’ny tso-drivotra miditra ao amin'ny havokavoka?

Rehefa mifoka rivotra isika, dia mandalo ny lalan-drivotra ao amin’ny havokavoka izy ary miditra ao anaty kitapo kely antsoina hoe alvéoles. Ao no mahatonga ny oksizenan’ny rivotra no fohiny ka miditra amin'ny rà. Rehefa mivezivezy ao anaty lalan-dra ity farany, miala avy amin'ny havokavoka mba ho any amin'ny fo ary mamakivaky ny lalany eran’ny vatana, ny sela mena dia mitondra oksizenina ho an'ny sela tsirairay ao amin'ny vatana. Ny tsirairay amin'ireo sela 60 miliara ireo dia mila oksizenina "handoro" ny sakafo laniny, mba hamorona ny angovo ilaina amin'ny fiasana tsaran’ny taova sy ny hozatra ary ho fitazonana ny hafanan’ny vatana ho ara-dalàna. Mazava ho azy fa ny ain'olombelona dia miankina amin'ny rà, izay mila fofonaina mahavelona mba hitazoman’ny vatana ny ainy sy ny asany.


1. Araky ny Baiboly, moa ve ny ain’ny olombelona sy ny biby dia ao amin’ny rà, sa ao amin’ny fanahy tsy mety maty? Lev.17:11, 14. Moa ve ny Deot.12:23 manamafy izany? FANAMARIHANA: Ao amin'ireo andininy ireo, ny teny hebreo nephesh dia adika hoe "fanahy"an’ny biby na "aina". Nephesh (na fanahy) dia afaka manondro ilay olona ara-nofo, na ny ain'ny olona izay miankina amin'ny rany.



2. Nanolotra ny ainy na ny "fanahiny" i Kristy ho sorona noho ny ota? Isaia 53:10. Ahoana no nahatanterahany izany sorona izany? Andininy 12. FANAMARIHANA: Nanolotra an-tsitrapo ny vatany i Kristy ho sorona mba hohomboana amin'ny hazo fijaliana; Navelany halatsaka ny ràny (fanahiny).
Mazava fa rehefa mijanona tsy miaina ny olona, dia miato ny fitempon’ny fony; tsy mikoriana intsony ny rany ka maty izy. Fa inona no mitranga?

Misy fiainana ve aorian'ny fahafatesana?


1. Rehefa maty ny olona iray, mbola manana fiainana misy fahatsiarovan-tena ve izy noho ny fanahy tsy mety maty vadin-koditra ho azy? Mpito. 9:5; Sal.146: 4. FANAMARIHANA: Satria voalazan'ny Baiboly mazava fa tsy mahalala na inona na inona ny maty, dia azo atao ny milaza fa tsy teraka manana fanahy tsy mety maty ny olona, ary tsy hahatsiaro tena sy hahafantatra izay hitranga aorian'ny fahafatesana.

2. Afaka midera an'Andriamanitra ve ny maty? Sal.115:17. Raha manana fanahy tsy mety maty ny kristiana, tsy hidera an'Andriamanitra ve izy ireo aorian'ny fahafatesany, noho ny fankasitrahany ny fiarahany Aminy ao am-"paradisa"? Io no porofo mivaingana kokoa fa tsy manana fanahy tsy mety maty ny olombelona.

3. Rehefa maty ny olona, mbola voatahiriny ve ny fahatsiarovana an'Andriamanitra? Sal. 6:5.

FANAMARIHANA: Ny fahafatesana dia mifanohitra amin'ny fiainana. Io no fampitsaharana ny fiainana rehetra. Izany no antony tsy ahatsiarovan'ny maty na inona na inona. Tsy mibaribary ve izany?

4. Araky ny Matio 10:28, ny "fanahy" ve dia zavatra mety ho ravaina? Moa ve i Jesosy tsy naneho fa ny fanahy dia mety maty? Aoka ho azontsika ny zavatra nolazainy. FANAMARIHANA: Na dia mampiasa an'ity andininy ity aza ny olona sasany hanohanana ny finoany ny tsy fahafatesan'ny fanahy, dia milaza mazava ity fa ny fanahy dia mety ho levona any amin'ny afobe. Ka na inona na inona toetry ny "fanahy", dia METY MATY izany.

Ny teny grika nadika hoe "fanahy" dia psuche. Misy ifandraisany amin'ilay teny hebreo hoe nephesh io. Ny dikan’izany dia fiainana, fisiana. Ao amin'ny Matio 10:28, tsy isalasalana fa nampiasa an'io teny io i Kristy mba hilazana "fiainana" izay tsy hain'ny olona - fa Andriamanitra dia afaka - manimba. Fiainana manao ahoana moa izany? Miharihary fa ny resahina dia fiainana naverin'Andriamanitra amin’ny laoniny tamin'ny fitsanganana amin’ny maty!

Ny olombelona dia tsy afaka "manimba" ny fiainana izay naverin'Andriamanitra sy navaoziny. Saingy mety hamongotra azy mandrakizay Andriamanitra, ka hanipy ny olona tafatsangana amin'ny maty "any amin'ny farihy afo", sady tsy misy fanantenana fitsanganana amin'ny maty hafa.


Manazava bebe kokoa an'io ampahan-tSoratra Masina io i Lioka: "Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora Izay manam-pahefana hanary any amin'ny helo, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy” (Lioka 12:5). Tsy vitan’ny hoe Andriamanitra dia afaka maka ny fiainantsika fizika, fa Izay koa dia afaka manangana antsika ary –raha toa ka niseho ho tsy manaiky sy tsy azo faizina isika, manary antsika any amin’ny farihy afo, ary tsy hisy fitsanganana amin’ny maty ho avy intsony (Apok.20:14-15; 21:8).

Na dia afaka mamono ny vatany fizika aza ny olombelona, ny tena kristiana dia mahalala fa tsy afaka manala ny fanantenana ho amin’ny fiainana mandrakizay.
 

Tsy biby fotsiny ve ny olona? 


 Koa satria tsy manana fanahy tsy mety maty ny olona, midika ve izany fa biby fotsiny izy, izay miaina ankehitriny ary ho faty rahampitso? Tsy izany mihitsy! Inona no tsy itovian'ny olombelona amin'ny biby? Zava-dehibe ny mahatakatra io fahamarinana mahagaga io.

1. Ny biby ve noforonina araka ny endrik'Andriamanitra, sa araky ny karazany avy? Gen.1:21, 24-25. Saingy ny olombelona dia noforonina tahaky ny "endrik’Andriamanitra" - izany hoe araky ny "toetran’"Andriamanitra? Gen.1:26-27. Moa ve ny olona tsy maintsy hanjaka amin’ny zavaboary hafa rehetra? Andininy 26.

FANAMARIHANA: Ny teny hebreo ao amin'ny Genesisy 1:26-27 dia manambara ny planina lehiben'Andriamanitra sy ny tanjony ay am-parany ho an'ny zanak'olombelona. Rehefa namorona an'i Adama tamin'ny vovoky ny tany Andriamanitra, dia nataony tahaky ny "endriny", izany hoe araky ny bika sy endrika ivelany an’Andriamanitra mihitsy. Andriamanitra tsy namorona zavaboary hafa ho mitovy aminy tanteraka amin’ny tanimanga. Io bika sy endrika tokana io dia natao ho an'ny olona fotsiny.

Mariho indray izay lazain'Andriamanitra, "Andeha isika hamorona olona tahaka ny endritsika ..." Ny teny hebreo tany am-boalohany, amin'io andalana io, dia milaza zavatra bebe kokoa noho ny bika sy endrika ivelany tsotra fotsiny an'Andriamanitra, na ny fitoviana Aminy. Ny "endrika" dia manondro fanahy sy toetra. Tian'Andriamanitra ny hahaizan'ny olona izay nomeny fanahy afaka mieritreritra sy mamotopototra, hampitombo ao aminy ny fanahiny sy ny toetrany mihitsy.

Ny biby tsirairay dia noforonina miaraka amin'ny atidoha mifanaraka amin'ny karazany. Saingy ny biby dia tsy manana ny tataon-kery hampitombo ny fanahy sy ny "toetran'Andriamanitra izay nomen'Andriamanitra ny olona irery. Tsy nisy biby nahazo fahaizana ara-tsaina. Izany anjara tena manokana izany, momba ny FANAHY sy ny TOETRA, no manavaka ny olona amin'ny biby.

Tsy manana saina afaka hieritreritra sy hahatsiaro tena ny biby. Manaraka an'ireo rafitry ny fahazarana voajanahary izy ireo hisakafoany, hananganany akanim-borona, hifindrany toerana sy hananahany. Andriamanitra dia "nandrindra" ny atidohan'izy ireo, ara-pitenenana, miaraka amin'ny fahaiza-manao voajanahary sasany izay voafaritra manokana ho azy ireo. Arak’izany, manamboatra tohodrano ny “castor”, manamboatra akany ny vorona, sns. Teraka miaraka amin'ireo fahaiza-manao ireo izy ireo; tsy vokatry ny fisainana lojika izany.

Ohatra, rehefa manakaiky ny ririnina any amin’ny ila-bolan-tany avaratra, dia vorona an-tapitrisany no manidina hianatsimo isan-taona. Tsy mandany andro "misaina" izy ireo; tsy manontany tena izy ireo raha tokony hifindra monina, ary tsy mitady toro-lalana "mialoha". Amin'ny marika iray nomena, toy ny famoha-mandry nofahanana mialoha, dia mandao ny faritra izay nisakafoanany nandritry ny fahavaratra izy ireo, ary mandeha mifindra monina any amin’ny an'arivo kilaometatra maro, mianatsimo izy ireo. Tsy takatry ny mpahay siansa tanteraka ny anton’izany; Mijery fotsiny ity fandehan-javatra voabaiko tsy amim-pisainan’ny biby ity izy ireo.

Ny karazam-borona tsirairay dia manplanina akany samy hafa, mihinan-javatra samihafa ary mifindra toerana any amin'ny lalana samy hafa, mankany amin'ny toerana samy hafa sy amin'ny fotoana miavaka. Na izany aza, tsy misy na iray aza amin'ireny hetsika ataon'ireo vorona ireny no noeritreretin’ireo. Izany dia fahaizana sy fitiavan'ilay Andriamanitra Tsitoha nomeny tanatin'ny fomba mahatarika ny karazana tsirairay mandritry ny famoronana.

Tena hafa kosa ny olombelona. Afaka mahafantatra sy mahatakatra ny fomba isan-karazany hanatanterahana zavatra iray izy. Ny olombelona dia afaka misaina noho ny fahalalana sy ny zava-misy ao amin'ny fitadidiany; Afaka maka tsoakevitra izy, handray fanapahan-kevitra ary hanao zavatra araka ny planina novolavolaina mialoha.

Ny olona tsirairay dia afaka manorina trano samihafa, mihinana sakafo isan-karazany, ary miaina fiainana hafa noho ny an’ny olon-kafa. Raha te-hiova fomba-fiaina izy dia afaka. Ny olombelona dia tsy fehezin'ny fomba tsy misy fisainana. Tsy fehezin'ny fomba voafaritra mialoha izy, toy ny an’ny biby. Afaka mifidy malalaka izy; tompon-tsafidy izy. Mahay mamorona fitsipika momba ny fitondran-tena izy ary hampihatra fitsipika amin'ny tenany. Mety ho mpamoron-kevitra izy ary hanombatombana ny fahalalana siantifika satria manana saina voalamina araky ny fanahin'Andriamanitra.
Azon'ny olona atao ny mamorona, manao planina ary manatanteraka izany satria ny ampahan'ny hery famoronan'Andriamanitra dia nomena azy.

Ny olona ihany no afaka manontany tena hoe: "Nahoana aho no teraka? Inona ny fiainana? Inona ny fahafatesana? Misy tanjona ve ny fiainan'ny olombelona?"
Ny olombelona, tsy mitovy amin'ny biby, dia "mahay" - tsy hoe manao zavatra sasantsasany ihany, fa koa, fantany fa mahay izy - izany hoe, takany fa manana "fahalalana" marina izy. Fantany tsara izany zavatra izany. Mahafantatra ny tenany izy sy ny fisiany ho toy ny zavaboary miavaka.

Ny fanahy sy ny toetra dia toetra izay mampiavaka ny olona ho zavaboary fizika noforonin Andriamanitra. Ny Mpamorona dia te-hizara ny sasany amin'ny toetrany manokana amin'ny olona, ary manantena izy fa hammpitombo ao aminy ny endrik'ilay fanahy tonga lafatra sy ny toetra masin'Andriamanitra.

Inona no mampiavaka ny sain'olombelona?

Maro ny biby manana atidoha misy singa isan-karazany, manana habe mitovy - na lehibe kokoa aza - noho ny ati-dohan'olombelona. Na izany aza, tsy misy biby manana fahefana ara-tsaina sy fifanarahan-kevitra, fahalalana ny tenany toy ny azy, hery mitatao mpamorona toy ny azy.
Inona no manome ireo fahaizana miavaka ireo an’ny sain’ny olombelona?
Ary inona no hampiasain'Andriamanitra, aorian'ny fahafatesana sy ny famongorana tanteraka ny vatana fizika sy ny atidoha, ka hiteraka ny tsirairay ho amin'ny fitsanganana amin'ny maty?


1. Koa satria ny olona tsy manana fanahy tsy mety maty izay mamela azy hanohy hiaina misaraka amin'ny vatany aorian'ny fahafatesana (tsarovy fa ny olombelona dia fanahy METY MATY), moa ve ny Baiboly miresaka, any an-toeran-kafa, "fanahy AO ANATIN'NY olombelona"? 1 Kor. 2:9-14. Mariho manokana ny andininy 11. 
Moa ve izany fanahy izay "ao anatin'ny" olombelona izany miavaka amin'ny Fanahy Masin'Andriamanitra ? Andalan-tsoratra mitovy.

 FANAMARIHANA: Ny fanahin'ny olona dia tsy ny olona – fa zavatra izay AO ANATINY. Raha miaraka amin'ny atidoha fizikan'ny olona io, dia izany no FANAHIN'ny olombelona. Izy no manome an'ity farany ny fahafahany manokana ho manam-pahalalana sy manana ny maha-izy azy, ny fahafahany misaina mamotopototra sy handray fanapahan-kevitra amin'ny fahalalahana tanteraka. Izy no mampita aminy ny fahafahana mianatra matematika, fitenim-pirenena na fahaizana filozofia rehetra tsy voatanisa.

Nefa tsy mandeha lavitra izany. Ny fanahy izay AO ANATY olona dia tsy mahatsiaro tena raha irery. Tsy «fanahy tsy mety maty» izany izy. Io fanahy io dia tsy ny "olombelona".
Noho io singa ara-panahy io, ny Baiboly matetika dia mampiasa ny teny hoe "fanahy" - mba ilazana fotsiny ny fanahin'ny olona, dia ny faharanitan-tsainy, ny fitondran-tenany. Ary dia hita fa avy amin'ity modely izay tafiditra ao amin'ny "fanahy" ity (ampitahaina amin'ny firaketam-peo amin’ny bande magnétique) no hamoronan’Andriamanitra indray, mandritry ny fitsanganana amin'ny maty, ny olona tsirairay, miaraka amin'ny fanahy tena mitovy, toetra mitovy ary fisehoana ankapobeny mitovy amin’ny izay nisy talohan'ny nahafatesany.
Nahoana no mbola tsy naheno izany fahamarinana izany ianao? Tsotra fotsiny, satria VOATARIKA TAMIN’NY HADISOAN-KEVITRA izao tontolo izao!

2. Azon'ny sain'olombelona atao samirery ve ny mamantatra ny zavatra ara-panahy avy amin'Andriamanitra? 1 Kor.2:11. Inona no tsy ampy amin'ny olombelona mba hahatakarany ny fahalalana ara-panahy voambara? Andian-tsoratra mitovy. 

FANAMARIHANA: Ny zavatra ara-panahy dia tsy hita, na re, na mety kasihina. Ny sain'olombelona, izay tsy afaka mandray ny fahalalana afa-tsy amin'ny alàlan'ireo retsim-pandrenesana dimy ihany, dia tsy afaka hahatakatra velively ny hevitra sy fitsipika ara-panahy raha tsy misy ny Fanahy Masin'Andriamanitra. Ny saina lehibe indrindra, na siantifika na filozofika, dia tsy afaka hahalala tanteraka na hahafantatra ny fahamarinana ara-panahy amin'ny sainy voajanahary irery ihany.

Toy ny atidohan' ny biby - ny an'ny omby ohatra – dia tsy afaka mahazo na mahatakatra ny raharahan'ny zanak'olombelona, ny sain’olombelona koa dia tsy afaka mahatakatra ny zavatra ara-panahy an'Andriamanitra ihany koa, raha tsy hoe efa nandray ny Fanahy Masin’Andriamanitra izy, fa tsy alohan’izany. (Ny lesona manaraka dia hampianatra amin'ny antsipirihany kokoa ny fiasa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina.)

Ny fiandohan'ilay "lainga lehibe"


Ny Fahamarinana momba ny "Fanahy ao amin'ny olona" dia tena zava-dehibe tokoa fa efa elabe i Satana no nanandrana nanova, sy nanimba ary nanaratsy izany. Nodisoiny ny fomba fijery ny fanahin'ny olombelona izy ary nataony izay hampino azy ireo ny "lainga be"- efa ela izay - tamin'ny andron'i Adama sy Eva.

Tao amin'ny Sahan'i Edena, i Satana dia namitaka an'i Eva tamin'ny laingany. Mariho izay nitranga:

1. Inona no nolazain'i Satana tamin'i Eva? Gen.3:4. 
FANAMARIHANA: Io no niandohan ny foto-pinoana momba ny "fanahy tsy mety maty" izay mbola torina mandrak’androany. Nilaza tamin'i Eva i Satana fa "tsy ho faty tsy akory" - amin'ny teny hafa, izy dia manana "fanahy tsy mety maty" izay ho velona mandrakizay. "Resy lahatra" tsara i Eva; voajono izy!

2. Nofitahan’ i Satana ve izao TONTOLO izao? Apok. 12:9. 
FANAMARIHANA: Ny devoly dia namitaka an'izao tontolo izao saika isaky ny misy Fahamarinan'Andriamanitra. Ary ankehitriny, ny tontolo rehetra, ara-pitenenana, misy fiovaovana, dia mino an'io "lainga lehibe" tamin’ny fahagola io daholo. Olona an-tapitrisany no voafitaka ka lasa mino ny réincarnation (na fahavelomana indray ao anaty vatana hafa aorian’ny fahafatesana) na koa ny transmigration (fifindran’ny ambiroa amin’ny vatana hafa), vokatr'izany fampianaran-diso izay mifandraika amin'ny fanahy "tsy mety maty" izany.

 I Satana dia namitaka an'izao tontolo izao tamin'ny foto-pampianarana diso izay nanova ny marina momba ny "fanahin'ny olona". Noho io foto-pampianarany izay nodisoiny tamim-pahakingana io, i Satana dia nahavita namongotra, tao an-tsain'ny olona AN-TAPITRISA MARO, ny fahamarinana momba ny "fanahy ao amin'ny olona" sy ny ilàna ny fitsanganana amin'ny maty.

Andriamanitra irery ihany no tsy mety maty 


Hitantsika mazava tsara teo ary fa tsy mampianatra ny tsy fahafatesan'ny fanahy ny Baiboly. Raha izany, inona no ampianariny momba io resaka io? Mariho ny fomba fampiasan'ny Baiboly ny teny hoe "tsy mety maty" sy ny "tsy fahafatesana".

1. Inona no andalan-dahatsoratra tokana ao amin'ny Baiboly izay ahitana ny teny hoe "tsy mety maty"? 1 Tim. 1: 17.
FANAMARIHANA: Ity andininy ity dia mikasika an'i Jesosy Kristy izay natao lasa tsy mety maty ary tonga Andriamanitra amin'ny alàlan'ny fitsanganany tamin'ny maty ho amin'ny fiainana mandrakizay.

2. Araky ny 1 Timoty 6:15-16, iza no manana ny tsi-fahafatesana - Andriamanitra sa ny olona?

3. Iza no nanambara tamin'ny olombelona ny fomba hahazoana ny fiainana mandrakizay? 2Tim.1:10. Tsy maneho ve izany andininy izany fa ny tsi-fahafatesana dia zavatra tsy mbola ananan'ny olombelona? Tsy ny baiboly ve no vaovao tsara izay milaza ny fomba hahazoana ny tsi-fahafatesana? Andian-tsoratra mitovy.

4. Tokony hitady ny tsi-fahafatesana ve isika? Rom. 2:7. Ny fiainana mandrakizay ve dia fanomezana maimaimpoana ho an'izay mitady ny tsi-fahafatesana? Rom. 2:7; 6:23.

5. Jereo ny 1 Korintiana 15:53, 54. Milaza ve ireo andininy roa ireo fa efa tsy mety maty ny olombelona? Inona no tsy maintsy hotafin'ny olombelona? Andininy 53. Rahoviana no "hitafy" ny tsi-fahafatesana ny olombelona? Andininy 52. Hitranga amin'ny fotoana fitsanganana amin'ny maty ve izany? 1 Tes.4:16.

6. Mbola velona ve i Davida taorian'ny nahafatesany? Asan’ny Apostoly 2:29, 34. Hatsangana amin’ny maty ve i Davida, mpanjakan’ny Isiraely? Jer.30:9.

Fa nahoana no hisy fitsanganana amin’ny maty? 


Raha fanahy tsy mety maty ao anaty vatana ara-nofo ny olona - ary raha ny fahafatesan'ny vatana no manafaka ny fanahy – dia tsy ilaina intsony ny fitsanganana ho amin'ny fiainana mandrakizay. Hanohy fotsiny hiaina aorian'ny fahafatesana ny olona. Fa satria ny Baiboly dia mampianatra ny fitsanganana amin'ny maty, dia izany no porofo fanampiny fa tsy misy ny fanahy tsy mety maty.

1. Raha tsy natsangana tamin'ny maty i Kristy, moa ve ny finoana ny fiainana ho avy, izay azo avy amin’ny fitsanganana amin'ny maty dia ho foana? 1 Kor.15:14-17. Raha tsy misy ny fitsanganan'ny maty, moa ve tsy ho very mandrakizay ireo izay efa nodimandry? Andininy 18.

2. Moa ve Kristy tenany tsy efa nampitandrina fa ny olona tsy azo anarina sy tsy mibebaka dia ho levona? Jaona 3:16 sy Lioka 13: 3,5. Raha fanahy tsy mety maty ny olombelona, dia mety ho "very" ve izy?

3. Iza no handre ny feon'ny Zanak'Andriamanitra amin'ny fitsanganana amin'ny maty? Jaona 5:25. “Hitsangana amin’ny maty” ve izy ireo? 1 Tes.4:16. 
FANAMARIHANA: Tsy afaka "mandre"ny maty raha tsy efa naverina taminy aloha ny fiainana. Imbetsaka ny Baiboly no maneho ny maty ho toy ny matory ao am-pasany, miandry ny andro fitsanganana. Mariho ny tenin'i Jesosy rehefa niresaka ny fahafatesan'i Lazarosy, anadahin'i Maria sy Marta Izy:

"Matory Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho. Dia hoy ny mpianatra taminy: "Tompoko, raha matory izy, dia ho sitrana." Nefa i Jesosy dia niresaka momba ny fahafatesan'i Lazarosy; saingy noheverin'izy ireo fa torimaso tsotra no noresahiny. Avy eo dia nolazain'i Jesosy tamin'izy ireo mazava hoe : "Maty Lazarosy" (Jaona 11: 11-14).

Ny fahafatesana dia aseho ho toy ny torimaso; Izany dia toetra izay tsy hahatsiarovan’ny olona tena ary avy eo izy dia “hifoha”! Mariho ny porofo mandresy lahatra momba izany ao amin'ny Soratra Masina:

"Ary maro amin'izay matory ao amin'ny vovoky ny tany no hifoha..." (Dan.12:2).

Ary hoy Andriamanitra tamin'i Davida: "« Ary rehefa tapitra ny andronao, ka hodi-mandry any amin'ny razanao ianao..." (2Sam.7:12).

Ny fahafatesana dia voafaritra ho toy ny torimaso ao amin'ireo andalan-tSoratra Masina maro mikasika ny mpanjakan'ny Isiraely sy Joda. "Dia nandry any amin'ny razany Davida… " (1 Mpanjaka 2:10- Dikan-teny Katolika). Mariho tsara fa tsy voalaza hoe: "ny vatana dia natory, kanefa ny fanahy no nahatsiaro". Io andalana io dia milaza mazava hoe: "nandry…Davida ". Ilay olona nahalala ny ataony" no "nandry" tamin'ny torimason'ny fahafatesana.

Ao amin'ireto andininy manaraka ireto, io fombam-pitenenana io dia ampiasaina mba hanoritana ny fahafatesana. Diniho tsirairay izy ireo dia ho hitanao fa ny fahafatesana dia oharina amin'ny torimaso: 1 Mpanjaka 11:21, 43; 14:20, 31; 15:8, 24; 16:6, 28; 22:40, 51; 2 Mpanjaka 8:24; 10:35; 13: 9, 13; 14:16, 22, 29; 15:7, 22, 38; 16:20 .; 20:21 ; 21:18 .; 24:6; 2 Tan. 9:31; 12:16; 13:23 ; 16:13 ; 21:1; 26:2; 27:9; 28:27; 32:33; 33:20. Eto dia manana porofo miavaka isika fa ny maty dia tsy mahatsiaro tena ary tsy manana "fanahy tsy mety maty" izy ireo!

Manana anjara ho tonga fanahy ny olona 


1. Nametraka izao fanontaniana manaraka izao i Joba indray andro: " Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? ..."? Ahoana no namalian’izy tenany ny fanontaniany? Joba 14:14. Inona no fiovana noresahin'i Joba ary rahoviana izany no hitranga? 1 Kor. 15: 51-53.

2. Hitovy amin’iza i Joba, i Davida sy izay rehetra handray anjara amin'ny fitsanganana amin'ny maty? Ho toa an'Andriamanitra ve izy ireo? Sal. 17:15. Moa FANAHY ve Andriamanitra? Jaona 4:24. Vokatr'izany, mety ho lasa fanahy ihany koa ve izy ireo? 1 Kor. 15: 42-49. Ampitahao amin'ny 1Jaona 3:2 izany.

3. Nahoana no tsy nahazo nihinana ny voan'ny "hazon'aina [mandrakizay]" i Adama sy i Eva rehefa avy nanota? Gen.3:22-24. Mariho indrindra ny tapany farany amin'ny andininy 22.
FANAMARIHANA: I Adama sy Eva dia afaka nahazo ny fiainana mandrakizay ary tonga fanahy, raha nihinana ny voan'ny "hazon'aina". Maneho mazava izany fa tsy nanana ny tsi-fahafatesana ho tsy mahazo misaraka aminy i Adama sy i Eva.

"Ny hazon'ny fiainana" dia maneho ny Fanahy Masina - ny làlana mankany amin'ny fiainana mandrakizay. Namboarina ho tsy feno i Adama. Izy dia noforonina mba ho mila maniry ny Fanahy Masin’Andriamanitra, mba ho afaka ho velona mandrakizay. Raha nihinana ny voan’io hazo io izyn fa tsy ny voan’ny hazo voarara, dia ho nahazo ny Fanahy Masina (ny ain’Andriamanitra mihitsy), ary tsy ho faty izy.

Kanefa i Adama dia tsy maintsy nifidy na hanaiky na tsia io fanomezana maimaim-poana io, dia ny Fanahy Masina. Nifidy ny tsy handray ny Fanahy Masina izy (1 Tim.2:14, tapany voalohany) rehefa tsy nanaiky an’Andriamanitra. Noho izany, notapahina ny fahazoany miditra ao amin’ny hazon’aina. Io koa izany ny porofo fa tsy misy olona manana ny fiainana mandrakizay ho tsy mahazo misaraka aminy.

Olombelona ny mety maty; namboarina nofo tsy mety simba - zavatra voajanahary izay maharitra vetivety ny fiainany. Tsy manana fiainana mandrakizay izy, tsy misy "fanahy tsy mety maty". 
Izy io dia zavaboary ara-batana, nofo aman-taolana, voatendry ho faty indray andro, hiverenany amin'ny vovoka nahasarika azy ary hitoetra ao amin'ity fanjakana ity mandra-pahatongan'ny fidiran'ny Tsitoha.
Saingy nandefa ny Zanany Andriamanitra mba hahafahantsika mahazo ny fanomezana ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay amin'ny fotoana fitsanganana amin'ny maty. Moa ve ianao ho mendrika handray io fanomezana mahafinaritra io?
Amin'ny lesona manaraka dia hianarantsika ireo fampanantenana be voninahitra sy valisoa lehibe nomen'Andriamanitra ho an'ny olombelona rehetra.

Oviana i Paoly no niandry ny hiarahany amin’i Kristy


Ny sasa ny, izay mino fa ny kristiana dia manana fanahy tsy mety maty, dia mitanisa ny Fil.1:23-24 ho “porofon”’izay eritreretiny. Moa ve ireo andininy ireo manohitra ireo andinin-tSoratra Masina efa nianarantsika? Andeha hofantarina izay nolazain’i Paoly.

1. Nirian’i Paoly fatratra ve ny ho ela anilan’I Kristy? Fil.1:23.

FANAMARIHANA: Tokony hanana izany faniriana izany daholo ny kristiana. Nefa ve io andininy io manambara hoe rahoviana I Paoly no hiaraka amin’I Kristy? Tsia! Nefa ny olona dia miezaka hampiditra hevitra hafa ao amin’io andininy io. Mariho hoe rahoviana i Paoly no maniry ny hiaraka amin’i Kristy.

2. Moa ve i Paoly niandry ny hahazo zavatra avy amin’I Kristy rehefa mifanena Aminy? 2Tim.4:6-8. Ary rahoviana no tsy maintsy hisy izany – amin’ny fotoana hiverenan’I Kristy sy ny fananganana amin’ny maty ny olo-masina rehetra ve? Andininy 8. Mariho ny fombam-pitenenana hoe « amin’izay andro izay ».

3. Rehefa hiverina Izy, moa ve I Kristy hitondra ny valim-pitia miaraka Aminy? Isaia 40:10; Apok.22:12. Rahoviana ny kristiana (maty sy velona) no handeha “hitsena ny Tompo”? 1 Tes.4:16-17. FANAMARIHANA: Ireo izay nodi-mandry any am-pasany dia tsy mahatsiaro-tena; Tsy mahafantatra izay fotoana lasa izy ireo. Ny fotoana hahatsiarovany tena dia ny fotoan’ny fitsanganany amin’ny maty. Izany no antony nanoratan’i Paoly ao amin’ny 2Kor.5:9-10 hoe: « Koa dia ataontsika [dieny mbola velona isika] ho voninahitsika ny mba hankasitrahany antsika, na mitoetra [velona ara-nofo], na tsy mitoetra [nodi-mandry ho any am-pasana]. »

Fa rahoviana izany ?

Ny andininy 10 dia mamaly izany : amin’ny andro fitsarana, amin’ny fiverenan’i Kristy. Izany no fotoana andrasan’i Paoly hahazoany ny valim-pitiany noho ny ezaka nataony sy hiarahany amin’i Kristy. Hitsara antsika Andriamanitra amin’ny fiverenan’i Kristy (2Tim.4:1) – amin’ny fitsanganana amin’ny maty – ilay andro lehibe mahatalanjona izay tsy andrin’ny tena Kristiana ny fiandrasana azy.
 

Tena, aina sy fanahy


Misy koa olona milaza fa ny olombelona dia “tena, aina sy fanahy”, nefa tsy tena fantany mazava hoe iza amin’ireo roa ireo no tsy mety maty – ny aina sa ny fanahy. Andeha ho fantarintsika tsara ireo fomba fitenenana ireo.

1.- Inona no ambaran’ny Baiboly raha miresaka “tena, aina sy fanahy” izy? 1Tes.5:23. Tena manaporofo marina ny “fanahy tsy mety maty” ve izany? Tena tsy izany! Tsy mitsipaka velively ireo andininy mazava efa nianarantsika akory izany.

FANAMARIHANA; Ao amin’ity andininy ity, miresaka fanahin’olombelona I Paoly rehefa mampiasa ny teny hoe “fanahy”, ary ny AINA FIZIKA rehefa mampiasa ny teny hoe “aina”. Rehefa mampiasa ny teny hoe “tena” izy, dia miresaka ny NOFO.

Inona ny maha-ratsy ny hitandremana ny fanahy, ny aina ary ny vatana, harovana tsy hanan-tsiny – hiaro azy ireo amin’ny sazy vokatry ny fahotana – mandra-piandry ny fiverenan’I Kristy? (Jereo koa 2Kor 7:1). Tsy misy maha-ratsy izany mihitsy; Tokony hirintsika fa tratra izany zavatra izany.

METY MATY ny olombelona; Misy nofo mety lo izy – akora manan’aina ka misy fetra ny fiainany. Tsy vadin-koditra aminy ny fiainana mandrakizay, tsy manana “fanahy tsy mety maty” Izy. Izy dia zava-boary fizika, nofo sy taolana, natao ho faty indray andro any, hiverina amin’ny vovoka izay nakàna azy, ary hijanona amin’izany toetra izany mandra-pidiran’ny Tsitoha an-tsehatra.

Nefa naniraka ny Zanany Andriamanitra mba hahazoantsika fanomezana, dia ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay , amin’ny fotoan’ny fitsanganana amin’ny maty. Ho mendrika ny hahazo izany fanomezana mahatalanjona izany ve iana o ?

Ao amin’ny lesona manaraka, dia hianarantsika ny fa mpanantenana be voninahitra sy ny valim-pitia lehibe izay tehirizin’Andriamanitra ho an’ny zanak’olombelona.

No comments:

Post a Comment