Ny Fahamarinana Momba ny Sabata Masin'Andriamanitra - Ny Famoronan’Andriamanitra Manokana Ny Olombelona

  

Ambasadaoro Kolejy - Toko faha-26

NY FAHAMARINANA MOMBA NY SABATA MASIN'ANDRIAMANITRA

 

Inona no tanjon'Andriamanitra amin'ny Sabatany isan-kerinandro? Nahoana no tena vitsy no mahatakatra fa ny fitandremana ny Sabata dia mitondra FITAHIANA MANOKANA?

Andao hianarana ny antony sy ny fomba hanamasinan’ny Kristianin’ny Testamenta Vaovao ny Andro Sabatan’Andriamanitra.
 
 
Tena lehibe tokoa ve ny mamantatra tsara ny andro mety hivavahana amin'Andriamanitra ao anatin'ny herinandro? Moa ve azo ekena ny mitandrina izay andro iray tiana amin’ny herinandro ho fanomezam-boninahitra ny Mpahary?
Nandidy antsika Andriamanitra manao hoe: “Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao” (Eksodosy 20:8-10).
Fa maninona isika no tokony hitandrina ny andro Sabata masin’Andriamanitra? Inona no zava-kendren'ny Sabata andro faha-fito hanompoana amin'izao vanim-potoan’ny taonjato faha-21 izao? Ary ahoana ny fomba hanamasinana azy?

Noforonin'i Jesosy Kristy

Jesosy Kristy dia mpikambana ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra ary Izy no naharian'Andriamanitra ny zavatra rehetra (Efes.3:9; Heb.1:1-2). Fantatrao ve fa i Kristy, ny Teny (Jaona 1:1-3, 14), dia "nanao" ny Sabata koa (Mark 2:27-28) ary nitandrina izany Izy taty aoriana rehefa tonga olombelona?
Rehefa vita ny asany tamin'ny fanavaozana ny tarehin’ny tany, ary ny famorona ny fiainana fizika rehetra tao amin’ny enina andro, ny Teny dia “nitsahatra” tamin'ny andro fahafito (Gen.2:2-3; Eks.20:11). Tamin'ny fitsaharana tamin'ny andro fahafito no "nanamasinany" an’io, nametraka azy io manokana noho ny antony voafetra.
Ny teny hoe "Sabata" dia midika hoe fitsaharana amin'ny teny hebreo. Andriamanitra dia nanao ny andro fahafito ho fe-potoana fialan-tsasatra sy fijanonana amin'ny asa mahazatra natao tamin’ireo andro enina teo aloha. Ary noho izany, Andriamanitra dia nanome modely ho an'ny olombelona ka nitsahatra tamin'ny asany rehetra Izy tamin'ny andro fahafito tamin'izay antsoina hoe herinandro famoronana. Noho izany, dia namorona ny Sabata Izy ary nanondro ny andro fahafito rehetra ho avy ho fotoana fitsaharana ho an'ny olombelona.
Nefa ny tanjona hitandremana ny Sabatan'Andriamanitra dia tsy voafetra ho fijanonana amin'ny asantsika fotsiny ihany amin’ny andro fahafito.

Nahoana no natao ny Sabata?

            Rehefa manao zavatra Andriamanitra, na manamboatra zavatra, dia misy antony, fikasana lehibe.

            Namorona ny olombelona Andriamanitra ary nametraka azy teto ambonin'ny tany noho ny tanjona voafaritra tsara. Saingy tsy fantatry ny olombelona izany tanjona lehibe izany.

            Tamin'ny alàlan'ny Teny, Andriamanitra dia namorona ny Sabata (Jaona 1:1-3). Fa nahoana? Inona ny tanjon'izany? Very ihany koa ny fahalalan’ny olombelona momba io tanjona manan-danja io!

            Jesosy Kristy dia nilaza fa "ny Sabata no natao ho an’ny olona »(Marka 2:27), fa Izy kosa tsy nilaza hoe ahaona, na noho ny antony lehibe inona no nanaovana ny Sabata, afa-tsy ny manompo sy manasoa ny olona ihany.

            Izany tanjona lehibe izany dia nambaran'Andriamanitra tamin'ny vahoaka voafidiny manodidina ny 1,500 taona talohan'izany, fotoana fohy taorian'ny nanafahany azy ireo tamin'ny fanandevozana tany Egypta.

            Taorian'ny nanomezan'Andriamanitra ny Didy Folo sy ny nanaovany fanekena tamin'ny Zanak’Isiraely tany an-tendrombohitra Sinay, Andriamanitra dia nanao fanekena tena miavaka tanteraka, fanekena izay ifamatorany amin'ny olony mandrakizay (Eks.31:12-17).

            Mariho ny fepetr’ity fanekena manokana ity: " Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Ary dia milazà amin'ny Zanak'Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo”(andininy 12-13).

            Izay izany ny tanjon'ny Sabata. Izany dia "famantarana". Ny famantarana dia marika iray, seho hahafantarana ny maha-izy Azy.

            Nandidy ny olony Andriamanitra hitandrina ny Sabatany ho marika famantarana hoe IZA no Andriamaniny!

            Nanome ny Sabatany ho an'ny olombelona Andriamanitra mba hitazonana ny olona amin’ny fahalalàna ny marina sy amin’ny fiankohofana amin'ilay tena Andriamanitra. Ny Sabata manamarika hatramin'ny fotoana namoronana an’ity tontolo fizika ankehitriny ity (Eks.20:11; 31:17), ary ny famoronana dia manaporofo ny fisian'Andriamanitra.

            Ilay tena andro izay natokan'Andriamanitra ho amin'ny fivoriambe sy ny fiankohofana Aminy dia fampahatsiarovana hoe IZA no tompoinao, dia Ilay Mpamorona sy Tompon'izao rehetra izao!

Tsy izany ihany anefa.

Ny Sabata dia famantarana ny vahoakan'Andriamanitra

            Ny Sabata dia nomena ihany koa ho famantarana hoe iza no vahoakan'Andriamanitra. Tsy vitan'ny miteny ny fanekena manokana manao hoe, "mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah…", fa " mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo ”(Eksodosy 31:13).

            Ny teny hoe "manamasina" dia midika hoe natokana ho an'ny a fampiasana na tanjona masina. Tamin'ny andro fahafito tamin'ny herinandro famoronana, Jehovah dia nanamasina - izany hoe Izy dia nanokana ho an'ny fampiasana masina-ny andro Sabata. Ny fanekena manokana momba ny Sabata koa dia manambara fa ny Sabata dia marika fa manamasina ny vahoaka mankatoa Azy i Jehovah-manavaka azy amin'ny olon-kafa – noho ny tanjony masina.

            Tamin'ny andron'ny Testamenta Taloha, ny vahoakan'Andriamanitra no foko izay mandrafitra ny firenen'Israely. Amin'ny Testamenta Vaovao, ny vahoakan'Andriamanitra dia ny Israelita ara-panahy (Gal. 3: 28-29) –ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra izay notarihin'ny Fanahiny. Notorontoronin’ny Fanahy Masina izy ireo mba ho fanaka masina.

            Ho an'ireo voaloham-bokatra na “santatry" ny planina lehiben’ Andriamanitra (Jak 1:18), ny Sabata dia tandindona manambara ny fahavitan'ny famoronana ara-panahy ataon’Andriamanitra ao amin’izy ireo. Ny Sabata no sary maneho ny fahaterahany ao amin'ny Fanjakàna na ny Ankohonan’Andriamanitra, mba ho mpitondra sy mpampianatra ny Teniny ireo any amin’ny Tontolon’ny Ampitso (Apok 5:10).

Ny Didy Fitsapana

            Ao amin'ny Eksodosy 16 dia hitantsika fa ny fitandremana ny Sabata dia fitsapana ny fankatoavan’ny Isiraelita an’Andriamanitra. Hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy hoe " hizahako toetra azy, na handeha manaraka ny lalako izy, na tsia”(and. 4).

Izany dia mari-pamantarana omen’Andriamanitra, ary ekentsika an-tsitrapo izany. Fa firy ny olona fantatrao fa mitandrina ny Sabata amin'ny andro fahafito?
Rehefa mitandrina ny Sabatan’Andriamanitra ny olona iray dia fantatr’izao tontolo izao. Fa ny ankamaroan'ny olona dia tsy te ho voatondro ho hafa noho ny rehetra.
Betsaka ireo mitonon-tena ho Kristiana no vonona hanaiky ireo didy sivy hafa tokony hotandremana, fa ny didy fahaefatra ihany no notsipahiny ary lavin'izy ireo ny fanajana azy!
Na dia izany aza, dia io no fitsapana lehiben’ny fankatoavana, satria io no famantarana ireo izay tena nanolo-tena ho an’Andriamanitra, ireo izay mankatoa ny didiny rehetra na inona na inona fanenjehana na sandan’izany!
Inona anefa no mari-pahaizana omen'Andriamanitra anao momba izany?
Andao hanomboka handinika lalina momba an'io andro manan-danja indrindra amin'ny herinandro io isika mba handresena amin’ny fanadinana izay omen’Andriamanitra isika.

            Nandidy antsika Andriamanitra hoe: "Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy"(Eks. 20:8). Andriamanitra dia nanome antsika FITSAPANA - fizahana iray mifandraika amin'ny fidirana mankany amin'ny fiainana mandrakizay ao amin'ny Fanjakany, ary io fitsapana io dia isan-kerinandro!

 

LESONA 26

Ny Famoronan’Andriamanitra Manokana Ny Olombelona

               Ny Sabata andro faha- fito dia famoronana tsy manam-paharoa.
      Tsy tamin'ny fotoana nahavita tanteraka ny famoronan'Andriamanitra ny zavatra fizika, anisan'izany ny olombelona, vao nanao ny Sabata ny Mpamorona. Ny fahamarinana feno momba ny andro Sabata masin'Andriamanitra dia manomboka ao amin'ny toko faharoa amin'ny Genesisy.
1. Tamin'ny andro inona amin’izay antsoina matetika hoe herinandrom-pamoronana no nitsaharan’Andriamanitra? Gen.2:1-3; Eks.20:11. Nitsahatra ve Andriamanitra satria reraka Izy noho ny asa rehetra izay efa nataony nandritry ny enina andro talohan’izany? Isa.40:28.
FANAMARIHANA: Andriamanitra dia Fanahy, ka noho izany tsy mety reraka mihitsy Izy. Andriamanitra dia namorona na “nanao" ny Sabata (Marka 2:27) ho fitsaharana, fa ny andro hafa rehetra dia noforonina mba hiasana. Amin'ny fialan-tsasatra amin'ny andro fahafito, Andriamanitra koa dia nanome ohatra mba harahin’ny olombelona.
2. Inona no nataon'Andriamanitra tamin'ny andro fahafito? Gen.2:3.
FANAMARIHANA: Mariho fa nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy Andriamanitra. Amin'ny fitsaharana amin'ny andro fahafito amin'ny herinandrom-pamoronana, Andriamanitra dia nametraka ny fanatrehany masina ao aminy, manao azy ho masina. Noho izany no nanokanany azy miavaka amin’ireo andro enina hafa amin'ny herinandro, hanaovana fampiasana masina.
Amin’izany fomba izany ihany koa no anamasinany ny andro fahafito amin'ny herinandro ho avy rehetra!
Andriamanitra dia nanorina ny Sabata manomboka amin’ny fotoana filentehan’ny masoandro amin’ny Zoma ka hatramin’ny filentehan’ny masoandro amin’ny Sabotsy manaraka. Isaky ny herinandro, rehefa tonga izany fotoana izany, dia ao anatin'ny fotoana masina isika! Fotoana an’ANDRIAMANITRA izany, fa tsy antsika. Nohamasinin’Andriamanitra izany, ary ao amin'ny Didy fahaefatra dia nandidy antsika hitandrina izany ho masina Izy!
3. Mpikambana iza ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra no nanao izany Sabata voalohany izany? Kol.1:13-16; Marka 2:28. Moa ve ny Sabata andro fahafito dia iray amin'ireo Andro Masin’Andriamanitra Mpamorona? Isa.58:13.

FANAMARIHANA: Araka ny efa nanaporofoana izany tamin’ny fianarantsika taloha, i Jesosy Kristy no Andriamanitra Tompo nanambara ny tenany tamin'ny Israely taloha teo amin’ny Testamenta Taloha. Andriamanitra Ray no namorona ny zava-drehetra tamin’ny alàlany. Araka izany dia "Tompon'ny Sabata" i Jesosy Kristy satria Izy no nanao izany. Noho izany, ny Sabata andro fahafito dia tena "Andron'ny Tompo"!

4. Natao ho an’iza ny Sabata araka ny nolazain'i Jesosy? Marka 2:27. Iza no tafiditra amin'izany? Eks.20:8-10, indrindra ny andininy faha-10.

FANAMARIHANA: "Ny Sabata no natao ho an'ny olona" hoy i Jesosy. Isaky ny andro fahafito nanomboka tamin'ny herinandro famoronana dia natokan'Andriamanitra ho fotoana manokana ho tandreman’ny olombelona izany, na inona na inona firazanany na zom-pireneny. Ny Sabata dia natao ho an'i Adama sy ny taranany rehetra, anisan'izany ny olon-drehetra amin'izao andro izao! Ny Sabata andro fahafito dia hahasoa izay rehetra velona -raha tandreman’ireo izany araky ny nikasan’Andriamanitra azy.

5. Ahoana no niheveran'Andriamanitra ny Sabata hahasoa ny olombelona? Deot.5:14; Eks.23:12. (Jereo ny teny hoe "hitsahatra" sy "fialan-tsasatra".

FANAMARIHANA: Ny teny Hebreo hoe "Sabbath" dia midika hoe fialan-tsasatra. Ny fiteny hebreo no nanoratana ny Testamenta Taloha. Fitsaharana ara-batana sy fialan-tsasatra ara-tsaina aorian'ny asa nandritry ny herinandro no antony mazava hitandremana ny Sabata andro fahafito. Fantatr'Andriamanitra fa mila fitsaharana ny olombelona sy hiovan’ny raharaha atao.

Nefa ny tanjona amin’ny fitandremana ny Sabatan'Andriamanitra dia mihoatra loavitra ny fialan-tsasatra sy ny fitsaharana ara-batana fotsiny ihany.

6. Moa ve ny Sabata dia fampahatsiahivana ny famoronan'Andriamanitra? Eks.20:8-11, indrindra ny andininy 11.

FANAMARIHANA: Ny fitandremana ny Sabata andro fahafito isan-kerinandro dia mampatsiahy antsika fa Andriamanitra no Mpamorona izay rehetra misy, anisan'izany ny olombelona rehetra. Noho izany, ny Sabata dia fotoana fahatsiarovana ny famoronan'Andriamanitra, miaraka amin’izany ny tanjon'Andriamanitra ara-panahy lehibe indrindra tamin'ny famoronana ny olombelona. Araky ny mbola hianarantsika aoriana amin’'ity lesona ity, dia ny Sabata koa dia sary maneho ny fahaterahantsika ara-panahy amin'ny maha-mpikambana antsika ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra!

Nanokana na nanamasina ny andro faha-fito amin'ny herinandro Andriamanitra ho fahatsiarovana Azy ho Mpamorona sy ny tanjony amin'ny fisiantsika. Ny Sabata dia fotoana ahafahantsika mamerina ny hatanorantsika ara-panahy, satria manana fifandraisana akaiky amin'Andriamanitra isika eo. Izany dia mamela antsika hanana fotoana hieritreretana bebe kokoa momba an'Andriamanitra, hivavaka sy hiankohoka eo anatrehany (na mitokana na miaraka amin ny hafa), ary handalina ny Baiboly mba hahatakarana bebe kokoa momba ny tanjony mahavariana amin'ny fiainantsika sy ny fomba hahatratrarana izany!

Ny andro sabata naharihary tamin’ny fomba mahagaga tamin'ny Isiraely

            Hatramin'ny fotoan'ny herinandro famoronana ka hatramin'ny Eksodosy (2 500 taona teo ho eo tany aoriana), dia tsy ahitana fanamarihana manokana momba ny Sabata ao amin'ny Baiboly.

            Mazava kosa anefa fa "marina" i Abela (Heb.11:4), Enoka (izay "nankasitrahan'Andriamanitra" -Andininy 5), Noa ("lehilahy marina” sady “mpitory ny fahamarinana" - Gen.6:9; 2Pet.2:5), Abrahama (rain'ny mino-Rom.4:16), Isaka, Jakoba, Josefa ary ny hafa dia nitandrina ny Sabatan'Andriamanitra. Izy ireo dia olo-marina teo imason'Andriamanitra, ary ny fahamarinany dia ny mitandrina ny didin Andriamanitra (Sal.119:172).

            Andeha hodinihina manokana ny ohatr'i Abrahama.

1. Moa ve voalaza fa nitandrina ny lalàn'Andriamanitra i Abrahama, ka tafiditra ao amin'izany ny Sabatany andro fahafito? Gen.26:5.

FANAMARIHANA: Ny patriarka rehetra dia nahafantatra sy nitandrina ny Lalàn'Andriamanitra. Andriamanitra dia tsy ho namporisika an'i Mosesy hanoratra fa nitandrina ny didiny sy ny fitsipiny ary ny lalàny Abrahama raha nitandrina andro tsy izy ho Sabata izy, na tsy nitandrina andro izany mihitsy!

2. Moa ve natoky Andriamanitra fa i Abrahama dia hampianatra ny zanany rehetra hitandrina ny lalàny? Gen.18:19.

FANAMARIHANA: Nitandrina ny Sabata andro fahafito i Isaka, satria ny fitandremana ny Sabata dia ampahany amin'ny lalàn'Andriamanitra –fomba fiainany. Jakoba (izay nomen'Andriamanitra anarana hoe Isiraely taty aoriana) dia nitandrina ny Sabata koa, nanaraka ny dian’ny rainy Isaka. Nefa tamin'ny andron'i Mosesy, ny taranak'izy ireo, ny Isiraelita, dia nanary betsaka, raha tsy ny ankamaroany, ny fahalalana ny lalan'Andriamanitra.

Tadidio fa taorian'ny nahafatesan'i Josefa, dia lasa andevo tany Egypta ny zanak’Israely, izay tany iray tsy manisa ny fotoana amin'ny herinandro, fa amin’ny volana sy taona. Voarara tsy hivavaka amin'Andriamanitra marina ny Isiraelita, ary voatery hiasa fito andro isan-kerinandro. Nandritry ny taonjato iray teo ho eo, dia tsy navela hitandrina ny Sabata izy ireo. Saingy fotoana fohy taorian’ny nanafahana azy ireo tany Egypta, dia nataon'Andriamanitra mazava tanteraka amin'ny zanak'Israely hoe andro inona no atao hoe andro Sabata, tamin'ny alàlan'ny fanambaràna manokana tamin’izy ireo an’izany.

3. Iray volana taorian'ny nandaozany an'i Egypta, ary herinandro roa teo ho eo talohan'ny nahatongavany teo an-tendrombohitra. Sinay, izay nanomezan’Andriamanitra ny Didy Folo tao anatin’ny helatra sy ny kotro-baratra, inona no nampanantenain’Andriamanitra fa homeny ny zanak’Isiraely? Eks.16:4. Inona no anarana niantsoan’ireo izany mofo izany? Andininy 15. (Vakio aloha ity toko manontolo ity alohan'ny handrosoana).

4. Moa ve ity “mana” nilatsaka avy any an-danitra ity koa ve dia natao ho fitsapana ny fahavononan'ny Isiraelita hankatoa an’Andriamanitra? Andininy 4, tapany farany. (Mariho fa ny Lalàn'Andriamanitra dia efa nisy talohan'ny nanomezany ny Didy Folo tao amin'ny Tendrombohitra Sinay.) Moa ve notenenina izy ireo tsy hitahiry mana amin’ny alina mba ho hanina amin'ny andro fiasana manaraka? Andininy 19. Inona no nanjo ny mana nasisan’ireo tsy mpankatoa ho amin'ny ampitso? Andininy 20.

5. Moa ve tsy maintsy nanangona mana indroa toraky ny fatra mahazatra ny Isiraelita amin'ny Zoma maraina? Andininy 5. Moa ve ampy ho an'ny Zoma sy Sabotsy na Sabata andro fahafito ireo ampahany roa ireo? Andininy 23.

6. Moa ve ny mana nangonina ho amin’ny Sabata lasa maimbo sy niteraka olitra, toy ny nitranga raha notehirizina nandritry ny alina izany tamin'ny andro enina teo aloha? Andininy 24. Moa ve ny anton’izany dia satria najanon'Andriamanitra ny mana mba tsy hilatska amin'ny andro fahafito, ary voatahiry tamin'ny fomba mahagaga ny ampahany nasisa ho amin'ny Sabata? Andininy 25-26.

7. Nefa moa ve ny olona sasany izay tsy nino an'i Mosesy sy tsy nankatoa an'Andriamanitra ka niezaka nanangona mana tamin'ny Sabata? Andininy 27-28. Moa ve Andriamanitra dia nandidy azy ireo tsy hiasa amin'ny Sabata? Andininy 29. Farany, inona no nataon'ny olona tamin'ny Sabata? Andininy 30.

FANAMARIHANA: Ny tsy fisian'ny mana amin’ny andro fahafito dia mampahafantatra miharihary ny andro Sabata izay tsy maintsy ijanonan'ny zanak'Isiraely tamin’ny asany. Araka izany, dia nanambara ho azy ireo tamin'ny fomba mahagaga ny andro Sabatany Andriamanitra!

            Mariho fa nanao fahagagana maro isan-kerinandro Andriamanitra mba hanondro ny tena andro Sabata tamin'ny Isiraelita. Nanome ny olona mana mahagaga Izy tamin'ny enina andro voalohany amin'ny herinandro, anisan'izany ny anjara roa amin'ny andro fahenina. Ary narovany ny ampahany sisa tavela tamin'ny mana zoma ka azo nohanina tamin'ny Sabata, satria tsy nisy azo nangonina tamin'ny andro fahafito satria voarara tsy hanangona izany tamin’io andro io ny olona. Ary noho izany dia afaka nitsahatra tsy miasa ny olona amin'ny androny masina.

            Isan-kerinandro dia nampahatsiahivin’Andriamanitra mazava tamin’ny Israelita ny Sabatany andro fahafito. Nanatanteraka ireo fahagagana isan-kerinandro nandritry ny efapolo taona Izy! (Eks. 16:35.) Hita mazava amin'izany fa zava-dehibe ho an'Andriamanitra ny fitandremana ny Sabata!

Marika fifamantarana

            Mampiasa marika manokana Andriamanitra mba hamantarany ny olony. Io marika fifamantarana io dia ny andro Sabata masiny. Aoka ho azontsika ny fomba hampahafantaran’io ny tena Kristiana amin'izao fotoana izao.

1. Ankoatry ny didy nomena ny Isiraelita mba hitandremany ny Sabata, sy ny nanambarany izany andro izany tamin’ny fahagagan’ny mana, ary taoriana kelin'izay dia ny nampidirany izany ho iray amin'ireo Didy Folo, moa ve Ilay Persona lasa Jesosy Kristy dia nanao ny fitandremana ny Sabata ho fifanekena na fifanarahana fanampiny sy miavaka tamin'ny olony? Eks.31:12-16, indrindra ny andininy faha-16. Moa ve haharitra mandrakizay izany fifanekena izany? Andininy 16-17.

2. Moa ve ny Sabata dia toy ny "famantarana" eo amin’ny Mpamorona sy ny vahoakany? Andininy 12-13, 17 Moa ve Andriamanitra hanamasina - hanokana ho amin'ny fampiasana masina – ireo izay mitandrina ny Sabata? Andininy 13, tapany farany.

FANAMARIHANA: Ny marika dia famantarana. Mety hisy manao famantarana ho anaran'ny orinasa sy ny toetran'ny orinasa. Ny famantarana dia mety hanambara fampahalalana hafa ihany koa. Fahalalana inona no ambaran'ny Sabata? "Mba ho fantatrareo fa Izaho no JEHOVAH" izay "nanao ny lanitra sy ny tany" (Eks. 31:13, 17). Ny Sabata dia mampahafantatra hoe iza ilay tena Andriamanitra. Ho fampatsiahivana an’Ilay namorona ny lanitra sy ny tany izany! Tian'Andriamanitra hotadidin’ny Israely fahiny tsara fa Izy no Mpamorona, Mpanohana ary Andriamanjaka lehibe amin'ny zavatra rehetra nohariany. Ka dia navahany manokan           a ny fitandremana ny Sabata ho famantarana lehibe mba hampahatsiahy azy ireo foana hoe Iza Izy.

            Nefa ity fanekena manokana Sabata amin'ny Eksodosy 31 ity dia manambara fa ny Sabata dia natao koa, ankoatry ny famantarana an’Ilay Mpamorona, ho famantarana koa ny tena vahoakan'Andriamanitra: "Mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo ” (and. 13). Ny tanjon’ny sabata dia ny manondro ny zanak’Isiraely, izay olona nofidiny. Io no didy iray izay mampiavaka ny Israely amin'ny firenena hafa rehetra.

            Araka ny voalaza tery aloha amin'ity lesona ity, ny ankamaroan'ny olona dia tsy mitady izay hanavahana azy amin'ny hafa eto amin’izao tontolo izao. Ny ankamaroany dia tsy mitandrina ny Didy fahaefatra raha tsy efa tena te hankatoa ny didin 'Andriamanitra rehetra. Na izany aza, dia fitsapana fototra io fankatoavana io ankehitriny, toy ny tamin’ny Israely taloha ihany (Eks.16:4), satria mampiavaka ireo manolo-tena ho an’Andriamanitra - ireo mankatoa ny didiny rehetra!

            Ary Andriamanitra dia nandidy in-droa ny fitandremana ny Sabata amin’ny fanaovana azy io ho fifanarahana manokana amin’ny olony taorian' ny nahafeno, nanamarinana ary napetraka ho manan-kery sy mihatra avy hatrany an’ilay fifanarahana izay antsoina matetika hoe Fanekena Taloha (ary tafiditra ao ny Didy Folo).

            Ity fanekena manokana Sabata ity dia fifanarahana natao haharitra mandrakizay. Io dia natao ho famantarana izay manondro ny olon'Andriamanitra hatramin'ny taranaka fara mandimby, ao anatin'izany ny "Isiraely ara-panahy" ankehitriny - ireo mpikamban'ny Fiangonan'Andriamanitra notorontoronin’ny Fanahy.

3. Moa ve manambara ny Baiboly fa ny tena Kristiana, tsy manavaka firazanana na firenena, dia olona iray izay lasa Isiraely ara-panahy - iray amin'ireo taranak’i Abrahama amin'ny alàlan'i Jesosy Kristy? Gal.3:28-29; Rom.4:16; Efes.2:11-13, 19.

FANAMARIHANA: Nanao fanekena manokana momba ny Sabata Andriamanitra niaraka tamin'ny taranak’i Abrahama ara-batana, dia ny firenen'Isiraely izany. Natao hankatoavina izany hatramin'ny taranaka faramandimby.

            Ankehitriny, ny zanak’Andriamanitra rehetra notorontoronin’ny Fanahiny, ireo tena Kristiana (Rom. 8: 9) - tsy manavaka firazanana na firenena, dia nanjary taranaka ara-panahin’i Abrahama, ary noho izany, dia mitandrina ny Sabatan'Andriamanitra! Izy ireo dia natokana, "nohamasinina" (Eks. 31:13), nataon'Andriamanitra ho olony.

            Saingy, ny ankabeazan'ny antokom-pivavahana izay mitonona ho mitandrina ny Sabata andro fahafito dia tsy mitandrina ny Didin Andriamanitra rehetra. Noho izany dia tsy mpikambana ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra izy ireo, izay misy ny zanak'Andriamanitra notorontoronin'ny Fanahy Masina. Jesosy dia nilaza fa ny mpianany dia hitandrina ny didiny rehetra (Jaona 14:15, 21). Ary Andriamanitra dia hanome ny Fanahiny Masina amin’ireo izay mankatoa Azy ihany! (Asan’ny Apostoly 5:32.)

            Ny fanekena manokan’ny Sabatan'Andriamanitra dia manambara antony lehibe iray hafa mahatonga ny tena kristiana hitandrina ny Sabata ankehitriny. Andao hodinihina bebe kokoa hoe nahoana Andriamanitra no te hanamasina ny Israelita.

4.Raha nankatoa an'Andriamanitra ny Isiraelita, dia ho lasa inona izy ireo? Eks.19:5-6. Moa ve izy ireo tokony hanome ohatra amin'ny fankatoavana amin'ireo firenena Jentilisa? Deot.4:5-8.

FANAMARIHANA: Tokony hatokana ho fanjakam-pisorona sy firenena masina ny Isiraely. Noho ny ohatra nomen’izy ireo, dia tokony ho nitarika ny Jentilisa hankatoa an’Andriamanitra izy ireo, mba hahafahan'izy ireo mahazo ny fitahiana vokatry ny fitandremana ny Lalàn'Andriamanitra.

            Nafahan'Andriamanitra tamin'ny fanandevozana ny Isiraelita fahiny, tsy vitan'ny hoe mba hahatanteraka ny fampanantenany tamin'ireo patriarka, nefa koa tamin'ny alalàn'ny Isiraelita dia afaka nanambara ny Tenany tamin'izao tontolo izao Izy - mba hanehoana fa Izy no Mpamorona sy Mpitondra izao rehetra izao-ary hanambarana ny Lalàny, ny didiny, ny fampanantenany ary ny fitahiany ho an'ny olombelona sisa! Koa ny fitadremana ny Sabatan'Andriamanitra dia tokony ho famantarana fa ny Isiraelita dia voafidy no amin'izany tanjona izany.

5. Moa ve ny taranak'i Abrahama ara-nofo tamin'ny alàlan'i Isaka dia lasa firenena masina sy fanjakam-pisorona? Ezek 20:13. (Jereo ny teny hoe "niodina") Nitandrina ny Sabatan’Andriamanitra ve ireo? Andininy mitovy.

FANAMARIHANA: Ny firenena na ny fiangonan’Israely dia ohatra fizika ho an'ny fiangonan'Andriamanitra ara-panahy amin'izao fotoana izao. Raha nankatoa an'Andriamanitra ny Isiraelita, dia ho tonga firenena masina, mendrika ary mahay mampianatra ny firenena hafa. Saingy tsy nahavita nitandrina ny Sabata masina izy ireo. Ary koa tsy nahatsiaro ny tena Andriamanitra Mpamorona izy ireo, ary tsy tonga vahoaka masina sy fahazavan'izao tontolo izao.

6. Ankehitriny, inona no tanjona manokana ho an’ireo Kristiana notorontoronin'ny Fanahy Masina –ireo Isiraelita ara-panahy – izay navahana tamin'ity tontolo ratsy ity? 1Pet.2:5, 9; Apok.5:10; 20:6. Moa ve izy ireo no fahazavana, satria ny Isiraely taloha dia tsy nety ho lasa izany? Mat.5:14, 16.

FANAMARIHANA: Araky ny efa nianarana tany amin’ny lesona faha-16, ny Zanak’Isiraely tany amin’ny Fanekena Taloha dia tsy namaly ny antso satria tsy nanana ny Fanahy Masina izy ireo hanampy azy ireo hahafantatra na hahatakatra an'ity antso ity sy hanatanteraka izany. Fa kosa, raha niova fo lasa Isiraelita ara-panahy isika, amin'ny alàlan'ny Fanahy Masina dia manana fahatsapana sy hery isika hamantarana ny antso azontsika sy hanekena an Andriamanitra.

            Ireo izay manamasina ny andro Sabatan'Andriamanitra sy mitandrina ny didiny hafa no ho tonga "firenena masina" sy "fanjakam-pisoron’"Andriamanitra! Ho lasa firenena masina ireo rehefa teraka ao amin’ny Fanjakan'Andriamanitra amin'ny fihavian’i Kristy tsy ho ela.

            Kristy dia hanao azy ireo ho "fanjakana, dia mpisorona ho an’Andriamanitra Ray" (Apok.1:6). Amin'ny maha-mpikambana azy ireo ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra manjaka, dia ho vonona ireo hampianatra sy hanompo mba ho voavonjy izao tontolo izao mandritry ny Fanjakana Arivo Taona sy ny ankoatr’izany!

Ny fiangonana marina dia nitandrina ny Sabatan'Andriamanitra

Jesosy, ilay ohatra tonga lafatra ananantsika, dia nitandrina tsara ny Sabata andro fahafito. Toy izany koa ny Fiangonana izay naoriny. Ny ohatra napetrak'i Kristy sy ny Apostoliny dia voarakitra ao anaty Baiboly mba harahintsika ankehitriny.

1. Moa ve Jesosy naneho ohatra momba ny fomba tokony hiainantsika? 1Pet.2:21; 1Jaona 2:6.

FANAMARIHANA: I Jesosy dia nampianatra ny mpianany hiaina amin’ny fomba kristiana. Izy koa, Ilay Tompon'ny Sabata (Marka 2:28), dia naneho ny fomba tiany hitandremana io andro fitsaharana io. Ary i Jesosy dia mampiseho amintsika ankehitriny, amin’ny ohatra navelany sy ny fampianarany, fa ny Sabata dia tokony ho loharanom-pifaliana sy fitahiana.

2. Ahoana no ahafantarana fa nitandrina ny Sabata i Kristy? Lioka 4:16, 31.

FANAMARIHANA: Nanatrika fanompoam-pivavahana tsy tapaka i Jesosy tamin'ny andro Sabata "araka ny fanaony." Izy dia nankatoa ny didy izay nomen’ny Tenany ihany mba hanao fivoriana masina isaky ny Sabata (Lev.23:3). Io no andro notandremany ara-drariny, satria Izy no namorona ny Sabata ary nanokana izany ho “masina”!

3. Moa ve ireo vehivavy nomba an'i Jesosy avy tany Galilia nitandrina ny Sabata taorian'ny namantsihana Azy teo amin'ny hazo fijaliana? Lioka 23:55-56. Moa ve ny andro voalohany amin'ny herinandro (alahady) dia andro fiasana tsotra? Lioka 24:1.

FANAMARIHANA: Mariho ireo teny hoe "araka ny lalàna ”ao amin'ny Lioka 23:56. Raha nanoratra io tantara io i Lioka, angamba 30 taona taty aoriana, dia nahalala fa ny didy momba ny Sabata dia mbola nanan-kery.

4. Moa ve fanaon'ny Apostoly Paoly ny mitandrina ny Sabata? Asan’ny Apostoly 17:1-2. Moa ve nitandrina ny Sabata i Paoly satria te-hanao an'izany, sa noho i Jesosy Kristy Izay nitoetra tao aminy tamin'ny alàlan'ny Fanahy Masina? Gal.2:20. Moa ve miova ny sitrapon’i Kristy? Mal.3:6; Heb. 13: 8.

FANAMARIHANA: Mazava be fa ny Apostoly Paoly dia nitandrina andro mitovy amin’izay notandreman’i Kristy. Ary raha i Kristy no miaina ny fiainany ankehitriny ao anatintsika amin’ny alàlan’ny Fanahin Andriamanitra, isika koa dia tsy maintsy mitandrina andro mitovy amin’izay notandreman’i Jesosy, dia ny Sabata andro fahafito!

5. Moa ve nampianarin’i Kristy manokana ny Apostoly Paoly ho fanomanana ny asa fanompoany? Gal.1:11-12,17-18.

FANAMARIHANA: Nampiofana an'i Paoly i Kristy hanomanana azy amin'ny asa fanompoany any amin’ny Jentilisa; toa nandritry ny telo taona nitoerany tany Arabia izany. Raha nofoanan’i Kristy ny Didy Faha-efatra na ny lalàn'ny Rainyhafa, na novainy ho andro hafa ny Sabata, dia azo antoka fa ho nanambara izany tamin’i Paoly Izy. Saingy tsy nisy fanovàna natao. I Paoly dia nampianatra ny Fiangonan'Andriamanitra arak’izay nasain'i Kristy ho toriny, arak'izay asehon’ny Baiboly mazava tsara ! Mariho koa ny manaraka.

6. Moa ve i Paoly, na dia tany amin’ny tanàna be Jentilisa aza, dia nitandrina ny Sabata andro fahafito? Asan'ny Apostoly 18:1-4, 6, 11.

FANAMARIHANA: Nandritry ny 18 volana mahery, tany Korinto, i Paoly dia niasa nanao tranolay nandritry ny enina andro voalohany amin'ny herinandro. Fa nitory isaky ny Sabata, isaky ny Asabotsy, isaky ny andro fahafito amin’ny herinandro!

Mariho ny fomba fiheveran'ny Jentilisa niova fo ny Sabata tany amin'ny fiangonana voalohany.

7. Indray mandeha, ny Apostoly Paoly dia nitori-teny tamin’ny Jiosy sy ny hafa firenena miaraka tamin'ny Sabata (Asa 13:14-42). Rehefa nandao ny synagoga ny Jiosy, moa ve ny Jentilisa nangataka tamin'i Paoly hitori-teny aminy indray ny Sabata manaraka? Andininy 42. Tamin'ny Sabata manaraka. firy no tonga hihaino an'i Paoly? Andininy 44.

FANAMARIHANA: Mariho fa fanaon'ny Jentilisa maro ny mihaona amin'ny Jiosy amin'ny andro Sabata. Ary satria nahaliana an’ireo Jentilisa ny hafatr'i Paoly, dia nangataka azy mba hiresaka an’i Jesosy indray izy ireo amin'ny Sabata manaraka.

            Na dia mety ho toerana sy fotoana tsara azo hanaovana izany aza io, i Paoly, ilay Apostolin'ny hafa firenena, dia tsy nilaza tamin'izy ireo mba hitsahatra tsy hivory amin'ny Sabata mba hivavaka!

Raha afaka mahita andininy iray ao amin'ny Testamenta Vaovao isika manome antsika fahefana matanjaka hitandremana ny alahady toy ny fitandremana ny Sabata, dia hanana fahefana araky ny Soratra Masina isika hitandremana ny andro voalohany amin'ny herinandro. Fa tsy misy an’izany ao!

Ny andian-teny "andro voalohany amin'ny herinandro" dia hita im-balo ao amin'ny Testamenta Vaovao. Nefa isika dia tsy mahita, na dia iray aza amin'ireo valo ireo, andininy milaza ny fanovàna ny Sabata andro fahafito ho andro alahady. (Mbola hisy lesona manaraka hampianarana amin’ny antsipiriany fa ny olombelona fa tsy Andriamanitra, no nanova ny Sabata ho alahady, izay andro voalohany amin'ny herinandro.)

8. Satria efa nanaraka ny dian'i Kristy izay nitoetra tao anatiny i Paoly, inona no nodidiany hataon’ny Kristiana tany Korinto? 1Kor.11:1. Moa ve nodidiany hanao toy izany koa ny Filipiana? Fil.3:17.

FANAMARIHANA:I Paoly dia nampianatra an’ireo Kristiana jentilisa niova fo, notorontoronin’ny Fanahy Masina, mba hanahaka ny fankatoavany an'Andriamanitra, tahaky ny hanahafany koa ny fankatoavan'i Kristy.

            Ireo Jentilisa Kristiana tao amin'ny Fiangonan’Andriamanitra voalohany dia nivory foana tamin'ny andro Sabata, tahaky ny nataon 'i Kristy nandritry ny naha-nofo aman-drà Azy, mba hitandrina ny andro izay nodidian'Andriamanitra notandremana ao amin'ny Teniny.

Toy izany koa ankehitriny, ny zanak’Andriamanitra notorontoronin’ny Fanahy rehetra, dia manahaka an'i Jesosy Kristy sy ny Apostoly Paoly amin'ny fitandremana ny Sabata masina andro fahafito!

9. Inona no fampianaran'i Kristy izay manondro fa ny fiangonany dia mbola hitandrina ny Sabata ihany na dia amin'ny fotoan'ny farany aza, alohan'ny Fiaviany Fanindroany? Mat.24:20.

FANAMARIHANA: Nasehon'i Kristy mazava eto fa ny Fiangonany dia hanohy hitandrina ny didiny momba ny Sabata. Ny Fiangonan'Andriamanitra voalohany dia nandositra an’i Jerosalema talohan'ny nandravan'ny Romana ny tanàna tamin'ny taona 70 tar JK. Ny tena kristiana dia nitandrina ny Sabata tamin'izany fotoana izany. Fa ity faminaniana ity dia mandray roa, ary ny tena fahatanterahany dia mbola amin'ny ho avy. Izany dia mampiseho fa mbola mitandrina ny Sabatan’Andriamanitra ihany ankehitriny ny vahoakany!

Nandritra ny 1900 taona mahery, ny Fiangonana marin’Andriamanitra dia mitandrina ny didin'Andriamanitra, anisan'izany ny Sabata andro fahafito! (Apok.12:17; 14:12.)

Isaky ny zoma hariva MATY MASOANDRO no manamarika ny fanombohan’ny fotoana masina - ny fanombohana ny andro Sabatan’Andriamanitra. Mifaly amin'ny Sabata ny vahoakan' Andriamanitra satria fantany fa fitahiana lehibe ny fitandremana izany ho masina.

 

Tsy miova ny fitsingerenan'ny herinandro

            Moa ve nanokana andro iray isan-kerinandro Andriamanitra, izay notahiany, nohamasininy, nodidiany fa hohamasinina mandrakizay, ary avy eo navelany ho adino izany fotoana izany ka tsy hahalalana intsony hoe rahoviana no hotandremana izany?

            Tena tsy marina izany!

            Nataon'Andriamanitra izay hitahirizana ny fahalalana hoe rahoviana no ho tandremana ny Sabatany masina.

1. Inona no asa nankinin'Andriamanitra tamin'ny firenen'i Joda, izany hoe ny Jiosy, mba hotahiriziny? Rom.3:1-2.

FANAMARIHANA: Nasehon'i Paoly fa nampiasain’Andriamanitra ny Jiosy mba hiaro ny Soratra Masina Hebreo na ny Testamenta Taloha ( "Fanambarana"). Andriamanitra no nahatonga ny Jiosy hitahiry an'io fahalalana nambara io ho an'ny Fiangonany ao amin’ny Testamenta Vaovao, ho an’ireo zanany notorontoronin’ny Fanahy!

2. Inona no nolazain'i Jesosy izay mampiseho fa ny Soratra Masina tao amin’ny Testamenta Taloha dia notehirizina? Mat.5:17-18; Lioka 16:17; Jaona 5:46-47.

FANAMARIHANA: Notandreman'ny Jiosy tamim-pahamalinana ny Tenin'Andriamanitra. Nasehon'i Jesosy mazava fa tsy niova izany tamin’ny androny, ary nambarany fa TSY HO VERY MIHITSY IZANY! Niaro ny alimanak'Andriamanitra koa ny Jiosy, izay ahitana ny tsingerin-kerinandro sy ny tena andro Sabata, ary koa ny daty marina amin'ny fety fanao isan-taona.

3. Azo antoka ve fa ny Jiosy dia nitahiry sy nitandrina ny andro marin’ny Sabata hatramin'ny andro niainan'i Jesosy? Lioka 4:16.

FANAMARIHANA: Mariho indray fa "araka ny fanaony" i Jesosy dia nitandrina ny Sabata tamin’ny andro izay mitovy amin’izay notandreman'ny Jiosy. Ilay nanao ny Sabata dia tsy nitandrina ny andro tsy izy! Mazava tsara fa fantatry ny Jiosy tamin'izany andro izany ny andro amin’ny herinandro izay Sabatan’Andriamanitra.

            Mariho koa fa nanome fankasitrahana am-pahibemaso ny Soratra Masina nampiasain'ny Jiosy i Jesosy tamin'ny famakiany izany mafy tany amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata!

            Saingy mety ho "very" ve ny tsingerin-kerinandro taorian’izay? Taorian'ny fandravana an'i Jerosalema tamin'ny taona 70 tar JK, dia nifindra monina tany amin'ny faritra rehetra manerana an'izao tontolo izao ireo Jiosy. Nandritry ny Moyen Age, ny Jiosy tany Shina dia tsy nifandray mihitsy tamin'ny Jiosy tatsy Afrika. Ny Jiosy tany Eoropa koa dia tsy afaka nifandray tamin'ny Jiosy niparitaka tany amin’ny faritra hafa eran'izao tontolo izao.

            Raha niova na mifangaro ny fihodinan’ny herinandro, ny Jiosy any amin'ny faritra iray eto amin'izao tontolo izao dia no nitandrina andro iray ho an'ny Sabata, fa ny Jiosy any amin'ny faritra hafa kosa dia hitandrina andro hafa.

            Saingy na aiza na aiza amin'ny firenena rehetra eto ambonin'ny tany, dia hitantsika fa ny Jiosy dia mitandrina foana ny andro mitovy amin’izay notandreman’i Jesosy, dia ny andro fahafito, ny Sabotsy!

            Io fanaon'ny Jiosy io dia manaporofo fa tsy very akory ny andro marina ho amin'ny Sabatan'Andriamanitra, na dia amin'ny ankapobeny aza ny Jiosy dia tsy ampy fahatakarana ara-panahy ary tsy nanoa ny Soratra Masina (Jaona 7:19; Romana 3:3-4), ary na dia toa lasa hentitra loatra amin'ny fitandremana ny Sabata aza izy ireo, ka manampy ny fombany sy ny ribany manokana, ny Jiosy dia nitazona am-pinoana ny fahalalana ny andro marina ho amin'ny Sabatan' Andriamanitra.

Fambara mialoha momba ny Fanjakana Arivo Taona

            Notendren'Andriamanitra mialoha ny 7000 taona mba hanatanterahany ny famoronana ara-panahy ny olombelona. Misy lamim-potoana izay vitsy no mahafantatra izany. Io maodelin’ny planin’Andriamanitra io dia ambara ao amin'ny toko roa voalohany amin'ny Genesisy. Izany dia ny herinandro misy andro fito.

            Ankoatra ny fahatsiarovana ny famoronana sy ny fifamantaran’ny Mpamorona sy ny Zanany notorontoroniny ara-panahy, ny Baiboly dia maneho fa ny Sabata isan-kerinandro dia ohatra na tandindon'ny "Sabata"arivo taona ho avy - ny “andro” fahafito maharitra arivo taona amin'ny "Herinandron’"Andriamanitra maharitra 7000 taona, izay ampiasain’Andriamanitra mba hanatanterahany ny planiny ho an'ny olombelona.

1. Moa ve “ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro”? 2Pet.3:8. Moa ve voalaza fa ny fotoana hanjakan’i Kristy sy ireo olo-masina natsangana amin’ny maty eto an-tany dia haharitra arivo taona? Apok.20:4-6.

FANAMARIHANA: Ao amin'ny planin'Andriamanitra ho an'ny olombelona, ny andro iray dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taonan’ny sivilizasionan’ny olombelona dia toy ny iray andro ao amin'ny "herinandro" nomaniny hisy "andro" fito maharitra arivo taona tsirairay"!

            Andriamanitra dia nikasa fa ny andro Sabata isan-kerinandro dia sary na tandindona mialoha an’ny vanim-potoana 1000 taona ho avy, fantatra amin'ny anarana hoe Milenioma na “Fanjakana Arivo Taona”. Ilay Fanjakana Arivo Taona dia ho fotoana fitsaharana sy fandriam-pahalemana ho an'izao tontolo izao - "Sabata" 1000 taona fitsaharana amin'ny fitaoman'i Satana, ary amin’ny tsy filaminana, ny fifandirana sy ny ady vokatr'izany.

            Mandritra io Sabata arivo taona io, ny fahalalana ny fikasana lehibe indrindra an’ Andriamanitra ho an'ny olombelona dia hiparitaka eran'izao tontolo izao (Isaia 11:9). Ny olombelona rehetra miaina amin’izany fotoana izany dia hampianarina ny lalan'Andriamanitra ary homena fahafahana ho torontoronin’ny Fanahin’Andriamanitra, ary ny maro an'isa amin'ny farany dia ho teraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra.

            Mifanandrify tsara ny enina andro voalohany tamin'ny herinandro famoronana sy ny 6.000 taonan'ny sivilizasion’ny olombelona, izay efa manakaiky ny farany. Koa satria i Adama nisafidy ny hanaraka ny lalan'i Satana hoe "maka" fa tsy ny lalan’Andriamanitra hoe “manome”, dia nisaraka tamin’ny olombelona Andriamanitra nandritry ny 6000 taona mba hianarany fa ny tsy fankatoavana Azy dia tsy mitondra afa-tsy fijaliana sy fahafatesana.

            Navelan'Andriamanitra hanjaka amin'ny olombelona i Satana mandritry ny 6000 taona. "Enina arivo taona", hoy tokoa Andriamanitra tamin'i Satana, “no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra” - amin`izany no anaovan’i Satana ny asany mamitaka sy mitaona ny olona hanota- "fa Sabatako ny fotoana arivo taona fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin’izany» (ampitahao amin'ny Eksodosy 20:9-10).

            Misaotra an'Andriamanitra isika fa efa akaiky ny faran'ny “henemana" natolotra hiasan’ i Satana. Ny “Sabatan”’Andriamanitra mandritry ny arivo taona dia efa ndeha hanomboka!

Ny Sabata, sarin’ny Fanjakan'Andriamanitra

            Ao amin'ny Hebreo toko faha-3 sy faha-4, ny Kristiana dia amporisihina hanohy hitandrina ny Sabata andro fahafito, satria misy fampitahàna mahaliana sy manan-danja ao.

Ny fidiran'ny Isiraely taloha tao amin'ny Tany Nampanantenaina dia ampitahaina amin’ny fidiran'ny kristiana marina any amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.

            Mila mahatakatra ny fampitandreman'Andriamanitra isika, ary mila matoky tena fa mankatoa an’izany!

1. Inona no ampitandreman'Andriamanitra ny zanany notorontoronin’ny Fanahy momba ny fidirana ao amin’ ny "fitsaharany"? Heb. 3: 7-13, 16-19; 4: 1-2. Moa ve ny fikomiana, indrindra ny fandikàna ny Sabata, no antony tsy namelan Andriamanitra ny taranak’Israely iray manontolo hiditra ao amin'ny "fitsaharany"? Ezek.20:12-13, 15-16.

FANAMARIHANA: Ny teny hoe "fitsaharana" eo amin’ireo andininy ao amin'ny Hebreo voalaza etsy ambony dia nadika avy tamin'ny teny grika hoe katapausin, izay midika hoe "fitsaharana" na "toerana fitsaharana". Araky ny nampiasaina azy ao amin'ny Hebreo 3:11 sy 18, dia midika ny fitsaharan’ny Isiraelita taloha taorian’ny firenireneny tany an’efitra ka nidirany tao amin'ny Tany Nampanantenaina.          Ny "fitsaharana" izay nidiran’ny Zanak’Isiraely tamin’ny farany (Josoa 1:13) dia oharina amin'ny "fitsaharana" ara-panahin”ny kristiana (Heb. 4: 1) – amin’ny fidirana ao amin’ny Fanjakana na Ankohonan’Andriamanitra (satria nateraka) ary ho velona mandrakizay! Hankany amin'ny Tany Nampanantenaina no tanjon’ny Isiraelita; ankehitriny, ny hiditra any amin’ny Fanjakan'Andriamanitra no tanjon’ireo zanak'Andriamanitra notorontoronina ara-panahy (ireo Isiraelita ara-panahy).

            Nefa satria lasa nikomy ny zanak’Isiraely ka nandoto ny Sabatan'Andriamanitra nandritry ny 40 taona izay nirenireneny tany an'efitra, dia tsy navelan'Andriamanitra hiditra any amin'ny Tany Nampanantenaina ireo olon-dehibe izay nivoaka avy tany Egypta, afa-tsy Josoa sy Ka     leba.

2. Moa ve noho ny tsy finoan'izy ireo no nahatonga ny tsy fankatoavan’ny Isiraelita, ka lasa voasakana tsy hiditra ao amin'ny "fitsaharana" izay nomanin'Andriamanitra ho azy izy ireo, dia ny tany Kanaana? Heb.3:19; 4:1-2.

FANAMARIHANA: Satria tsy nino an’Andriamanitra ny Isiraelita, dia lasa nanamafy ny fony izy ireo. Nandoto ny Sabatan'i Jehovah izy ireo. Nefa i Jehovah dia nanao ny Sabatany ho fizahan-toetra azy ireo, mba hahitany ny fankatoavan'izy ireo (Eks.16:4). Ary noho izany Andriamanitra dia nilaza tamin’izany taranaka izany hoe: "Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy” (Heb. 3:11).

            Ary tsy nisy tamin'io taranaka io afaka niditra tao amin'ny Tany Nampanantenaina, afa-tsy i Josoa sy Kaleba. Fa ny taranaka manaraka, izay teraka nandritry ny 40 taona nirenirenena tany an’efitra nandritry ny fifindran-toerana, ka latsaky ny 20 taona, no niditra tao amin'ny Tany Nampanantenaina niaraka tamin’ireo lehilahy roa ireo. Andriamanitra dia nampanantena an'io tany io tany am-boalohany tamin'i Abrahama sy ny taranany, na nankatoa ny Israelita na tsia, ary tsy maintsy nitàna ny teny nomeny Andriamanitra.

3. Raha mino sy mankatoa an’ Andriamanitra ny Kristiana ao amin'ny Testamenta Vaovao, moa ve izy ireo afaka hiditra ao amin'ny "fitsaharana" - handova fiainana mandrakizay ao amin’ny Fanjakan'Andriamanitra? Heb. 4: 3. Inona no resahan’ny Hebreo 4:4? Gen.2:1-3.

FANAMARIHANA: Ny Hebreo 4: 4 dia miresaka mazava momba ny fitsaharan’Andriamanitra, rehefa vita ny asany tamin'ny famoronana. Io andininy io dia miresaka ny andro Sabata voalohany isan-kerinandro, izay tandindon’ny "fitsaharana" resahin’ny Hebreo 3 sy 4. Noho izany, ho an'ny Isiraely fahiny, ny Sabata dia ohatry ny "fitsaharana" izay homen'Andriamanitra azy ireo - ny Tany Nampanantenaina izay hidiran’izy ireo amin’ny farany. Io “fitsaharana” io sy ny Tany Nampanantenaina dia tandindon’ny fidiranny Kristiana marina ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra, amin'ny fiverenan’i Kristy!

4. Moa ve ny kristiana marina hitandrina ny Sabata, izay tandindona isan-kerinandro amin’ny "fitsaharana" ho avy any amin'ny Fanjakan’Andriamanitra? Heb.4:9-10.

FANAMARIHANA: Ao amin'ny Hebreo 3 – 4, ny teny grika nadika hoe "fitsaharana" dia katapausin, ary mety izany. Na izany aza, ao amin'ny Hebreo 4:9, tsy ny katapausin no voasoratra fa sabbatismos, izay midika hoe "fitandremana ny Sabata"! Ny teny hoe “fitsaharana” dia manamaizina ny heviny tany am-boalohany. Izao no tokony ho nandikana io andininy io “Koa dia mbola misy ny fitandremana ny Sabata ho an’ny vahoakan’Andriamanitra”.

            Ka dia mbola misy mandrakariva ny sabbatismos - ny Sabata izay tokony ho tandreman'ny vahoakan'Andriamanitra ankehitriny. Ireo kristiana notorontoronin’ny Fanahy (Isiraelita ara-panahy) dia miomana ny hiditra ao amin'ny "katapausin”, ao amin’ny fitsaharana" ho avy any amin'ny Fanjakan'Andriamanitra, ary mitandrina ny Sabata isan-kerinandro izy ireo ankehitriny, izay tandindon’io fitsaharana io!

            Fa maninona ny Fanjakan'Andriamanitra no oharina amin’ny "fitsaharana"? Satria rehefa tafiditra ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra ireo kristiana, dia hitsahatra tsy hanota intsony. Rehefa hateraky ny Fanahin'Andriamanitra isika, dia tsy hiady intsony hanohitra ny ota. Hanana ny saina sy ny toetran'Andriamanitra amin’ny fahafenoana isika, ary tsy hanota intsony mandrakizay! (1Jaona 3:9.)

            Ary rehefa teraka ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra isika, dia ho tonga mpikambana mandrakizay ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra, samy hanana ny vatana ara-panahy mitovy amin’ny an'i Kristy sy ny Ray, manam-pahefana, mamirapiratra sy be voninahitra. Tsy ho voafetra intsony isika, tahaky ny ankehitriny, noho ny vatana malemy sy tsy mety maty no mety reraka mora foana. Ho afaka hiasa sy hanao zavatra isika nefa tsy ho reraka mihitsy (Isaia 40:28, 31).

Izao no azontsika antenaina rehefa hiditra ao amin'ny "fitsaharan’"Andriamanitra isika, rehefa ho teraka ao amin’ny Ankohonana mandrakizay an’Andriamanitra!

Ny vokatry ny fandotoana ny Sabatan’Andriamanitra

Ny Sabata dia tena manan-danja tokoa amin'Andriamanitra ka ny fitandremana ny Sabata dia nataony ho iray amin'ireo Didy Folo. Io Didy io dia ampahany amin'ny ireo Didy efatra voalohany, izay manazava ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra. Araky ny ho hitantsika manaraka, tena zava-dehibe eo imason'Andriamanitra ny fitandremana ny Sabata.

1. Taorian'ny nanafahana ny Isiraely olony tamin'ny fanandevozana tany Egypta, moa ve nampanantena fitahiana lehibe tokoa Andriamanitra, raha mitandrina ny Didiny izy ireo? Levitikosy 26:3-12. Didy inona no noresahan'Andriamanitra manokana? Andininy 1-2. Ahoana koa no hitahian’Andriamanitra ny Isiraely, raha mbola mankatoa Azy ihany izy ireo? Deoteronomia 28: 1-13.

2. Fa inona no ozona mampatahotra nihatra tamin’ny Isiraelita raha tsy nitandrina ny didin'Andriamanitra izy ireo? Levitikosy 26: 14-39. Moa ve tsy faharesen’ny fireneny ary fahababoana no iray amin'ireo ozona? Andininy 31-33, 38-39. Inona koa no hanjo ny Isiraelita raha tsy hankatoa an’Andriamanitra izy ireo? Deoteronomia 28: 1568.

FANAMARIHANA: Nampitandrina Andriamanitra fa hisy ozona mahatsiravina hiatra amin'ny olona raha tsy mitandrina ny Didiny izy ireo, indrindra fa ny Didy Fa           ha-Efatra, izay fifamantarana lehibe manondro Azy ho Andriamaniny sy izy ireo ho olona voafidiny!

3. Nankatoa an'Andriamanitra ve ny Zanak'Isiraely? 2Mpanjaka 17:16-17. Inona no nataon'Andriamanitra tamin'ny vahoaka noho ny tsy fankatoavany? Andininy 18. Moa ve lasa babo tany an-tany hafa ny zanak’Isiraely? Andininy 23.

FANAMARIHANA: Tamin'ny andron'ny mpanjaka farany Hosea, ny foko folo tany avaratra dia notafihan'i Asyria, resy, nesorina tamin'ny taniny ary lasa andevo! Ny anton'io sazy io dia toy ny antony izay nanasazian’Andriamanitra ny Israely tany an’efitra ihany, noho ny fikomiany taminy, ary ny nandotoany ny Sabata! (Ezekiela 20:12-24.) Nanompo sampy koa izy ireo; Tsy ho nisy izany raha nitandrina ny Sabata izy ireo.

4. Fa ny taranak'i Joda dia nandoto ny Sabatan'Andriamanitra koa, ary noho izany dia niharan'ny ozona izy. Maherin'ny 100 taona taorian'ny naha-lasa babo ny taranak'Israely, inona no sazy nomen'Andriamanitra ny Joda noho ny tsy fitandremany ny Sabatany masina? 2Tantara.36:5-7, 16-19, 21. Inona no nanjo ireo izay tsy maty? Andininy 20.

FANAMARIHANA: Ny fandrobana sy fandravàna an'i Jerosalema nataon'i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, sy ny fahababoan’ireo izay mbola velona, dia fahatanterahan’ny fampitandreman'Andriamanitra tamin’i Joda (Jer.17:21-25, 27). Nanam-paharetana tamin'ny Zanak’Isiraely sy ny Joda Andriamanitra, saingy taorian'ny faharetan’ny tsy fankatoavany, dia navelany ho resy ara-tafika izy ireo sy nentina ho babo!

5. Moa ve fantatr’i Nehemia tsara fa ny antony lehibe indrindra naha-voasazy an’i Joda dia ny fandikany ny Sabatan’Andriamanitra, izay andro naverina nolotoin’ny Jiosy ratsy fanahy tamin'ny androny koa? Neh.13:15, 17-18.

FANAMARIHANA: Ny sazy efa nihatra tamin’i Israely sy i Joda taloha dia mitovy amin’ireo sazy voalazan’ny mpaminany fa hitranga amin'ireo taranany maoderina. Ireo koa dia hosaziana noho ny fahotana mitovy amin'izany ihany, dia ny fandotoana ny Sabata sy ny fanompoan-tsampy.

            Ny ozona nataon'Andriamanitra tamin'ireo vahoaka voafidiny dia mitondra roa amin’ny fahatanterahany! Ireo firenena maoderina nandà ny andro Sabata dia taranak’ireo Isiraely taloha, ary ny tontolo mandà ny Sabata dia ho voasazy koa noho ny tsy fankatoavany!

Fitahiana lehibe noho ny fankatoavana

Rehefa nanao ny Sabata Andriamanitra ka nitsahatra tamin'ny andro fahafito tamin'ny herinandron'ny famoronana, dia nanantena ny Fanahiny fa ny Sabata dia ho fitahiana ho an'ny olombelona rehetra. Tsy vitan’ny hoe ho velombelona indray ny olona amin'ny fitandremana ny andro fitsaharana nomen'Andriamanitra, fa koa hahazo fitahiana ara-nofo sy ara-panahy izy ireo.

1. Moa ve nampanantena Andriamanitra fa hitahy ny olona izay mitandrina ny Sabatany? Isa.56:1-2. Inona no nolazain'i Jesosy fa holovain’ny kristiana marina? Mat.5:5. Amin'ny maha-Tompon'ny Sabata Azy, inona no nampanantenainy an’ireo izay mitandrina tsara ny Sabatany? Isa.58:13-14.

FANAMARIHANA: Ny lovan'i Jakoba dia ny lova izay nampanantenain’Andriamanitra tamin'ny voalohany an’ny raiben'i Jakoba, dia Abrahama lehilahy marina. Mampanantena antsika Andriamanitra — rehefa lasa taranak'i Abrahama ara-panahy mpankatoa isika, amin'ny alàlan'i Kristy (Gal. 3:16, 29) – ny fandovana ny tany mandrakizay (Romana 4:13), ary koa fitahiana ara-panahy lehibe! Andao hodinihina bebe kokoa.

2. Tsarovy ny fitahiana tena mahagaga nampanantenain’ Andriamanitra ireo Isiraelita taloha raha hitandrina ny Sabatany sy ireo didy hafa izy ireo. Moa ve ny fitahiana voalaza'ny Levitikosy 26:11-12 dia nampanantenaina ihany koa ho an’ireo Kristiana notorontoronin’ny Fanahy? 2Kor.6:16-18. Inona ary ny fepetra? Andininy 17.

FANAMARIHANA: Ireo fitahiana ireo dia misy fepetra mazava tsara, na tamin'ny Isiraelita fahiny na ho an'ny Isiraelita ara-panahy, dia ny Fiangonan'Andriamanitra ankehitriny. Ny fitahian'Andriamanitra dia vokatry ny fankatoavana Azy fa tsy vokatry ny fikomiana na fahakamoana.

            Ny andininy faha-18 dia maneho amintsika ny iray amin’ireo tso-drano lehibe indrindra omen’Andriamanitra: ho lasa mpikambana teraka ara-panahy ao amin'ny Ankohonana masin’Andriamanitra! Ireo izay mankatoa ka mitandrina ny Sabatan'Andriamanitra dia lasa akaiky ara-panahy amin’Ilay Mpamorona azy ireo.

            Izany dia mampahatsiahy azy ireo ny tanjon'Andriamanitra lehibe izay tanterahiny amin’izy ireo; izany koa dia manampy azy ireo hahafantatra tsaratsar         a kokoa io tanjona io. Izany koa dia miara-miasa amin'Andriamanitra mba hahatanteraka ny toetra ara-panahy izay foroniny ao anatin'izy ireo ho fanomanana ny fahaterahany ao amin'ny Ankohonany.

3. Ao amin'ny andininy manaraka, inona no fananaran'ny Apostoly Paoly ho an'ny kristiana rehetra, izay tsy maintsy arahan’izy ireo alohan'ny hahafahany mahazo ny fitahiana ara-panahy avy amin'Andriamanitra? 2Kor.7:1.

FANAMARIHANA: Tsy mety hahazo fahamasinana tonga lafatra raha mandoto ny andro Sabata masin'Andriamanitra!

4. Inona no anarana nampanantenain'Andriamanitra fa homena ireo izay mankatoa Azy ary mitandrina tsara ny Sabatany isan-kerinandro? Isa.56:4-6. Moa ve hataon’Andriamanitra ho Zanany izy ireo ary homeny fifaliana ka homeny toeram-panapahana ao amin’ny tranony, dia ny Tempoliny, izay foiben'ny fitondram-panjakany manerana izao tontolo iz  ao? Isaia 56:5, 7 tapany voalohany; Apokalypsy 3:12.

FANAMARIHANA: Andriamanitra dia manome toky fa raha tsy mandoto ny Sabatany isika fa mitandrina izany araky ny baikony, dia handova anarana mandrakizay isika, dia ny anaran’ny Ankohonana hoe ANDRIAMANITRA!

            Ny hery mitatao mahatalonjona ananantsika, araky ny efa nianarana tamin’ny tenin’Andriamanitra tamin'ny alàlan' ireo lesona teo aloha, dia ny ho lasa tsy mpanota, mahery, mpikambana teraka ara-panahy ao amin'Ankohonan’Andriamanitra! Ny fahaterahantsika ara-panahy ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra dia hahatonga antsika ho lasa ANDRIAMANITRA, tahaka ny Ray sy i Jesosy Kristy!

            Fitahiana ara-panahy mahatalanjona no miandry ireo manana ny mariky ny fankatoavana an’Andriamanitra izay manavaka izy ireo, izay manokana azy ireo. Rehefa hiditra ao amin’ny Fanjakan'Andriamanitra izy ireo, dia handova ny harena tsy manam-petra nampanantenain’Andriamanitra, dia ny fiainana mandrakizay be voninahitra, feno fifaliana tsy manam-pahataperana, fiainana mahatalanjona, feno fanatanterahana tsy hita isa!

Ny finoana mankatò

            Ny fitandremana ny Sabata indraindray dia mitaky finoana be dia be. Tsy mora lalandava ny mankatoa an Andriamanitra ao amin’ny tontolo izay miaina mifanalavitra amin'ny lalan'Andriamanitra. Fa araka ny efa hitantsika ihany, ny fitahiana dia tena lehibe ho an'ireo manana fahasahiana handeha araky ny finoana sy mankatoa an'Andriamanitra, na inona na inona fanerena na sampona toa tsy azo resena miseho mba hisakana azy ireo tsy hitandrina ny Sabata andro fahafito.

            Andao isika hijery zava-misy vitsivitsy momba ny fanampiana izay nampanantenain’Andriamanitra homena antsika raha tena maniry ny hankatoa Azy isika amin'ny zava-drehetra.

1. Maneho mazava ve Andriamanitra fa tsy maintsy manana finoana isika alohan'ny hanomezany antsika ny "fitsaharana" mandrakizay – ho mpikambana ao amin'ny Fanjakany? Heb.4:1-3, 6. (Mariho ny teny hoe "finoana" ao amin'ny andininy 2, "nino" ao amin'ny andininy 3 sy "tsi-finoana" ao amin'ny andininy 6.)

FANAMARIHANA: "Ny tsi-finoana" dia ny tsy fahampian'ny finoana, vokatry ny tsy fankatoavana an'Andriamanitra. Maneho finoana isika rehefa mankatoa an'Andriamanitra ka mitsahatra amin'ny andro Sabata.

2. Moa ve ny fankatoavana diatsy maintsy miaraka amin'ny finoana mba hankasitrahan'Andriamanitra an’izany? Rom.3:31. Vakio koa Jakoba 2:14-26. Ahoana no anehoana fa manam-pinoana ianao? Jak.2:18. Karazam-pinoana inona no ananan’ny olona iray raha tsy miaraka amin’ny asa? Andininy 17, 20, 26.

3. Inona koa no fampaherezana fanampiny omena ny kristiana momba ny fidirany ao amin'ny "fitsaharan'Andriamanitra" mandrakizay? Heb.4:10-11. Inona no tokony hatao mba hahazoana fanampiana- mba hahazoana ny finoana ilaina mba hankatoavana an'Andriamanitra? Andininy 14-16.

FANAMARIHANA: Ity toko faha-4 ity dia mikasika ny fitandremana ny Sabatan’Andriamanitra. Ary mifarana amin'ny fangatahana amin’i Kristy hanome antsika fanampiana ilaintsika handresena ny sakantsakana rehetra eny amin'ny lalantsika, izay mety manakana ny fankatoavantsika an'Andriamanitra.

4. Moa ve ny finoana, izay tokony hankasitrahan’Andriamanitra antsika sy ahazoantsika famonjena, dia fanomezana avy amin'Andriamanitra? Efes.2:8. Moa ve io finoana io dia toetran'ny Fanahy Masina, izay tsy maintsy ananan’ny tena Kristiana rehetra? Gal.5:22.

FANAMARIHANA: Io teny hoe finoana io dia nadikan’ny Baiboly Katolika hoe tsy fivadihana, nadikan’ny Baiboly FFPM hoe fahamarinana, ny Baiboly DIEM nandika azy hoe fahamarinan-toetra, ary ny Baiboly fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nandika azy hoe finoana). Finoana an’iza izany, raha ny tena marina? Apok.14:12.

FANAMARIHANA: Ny Apokalypsy 14:12 dia filazana momba ny Fiangonan'Andriamanitra marina. Ireo mpikambana ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra dia manana ny "finoana an'i Jesosy". Tsy ny finoany an’i Jesosy fotsiny ihany no ilaina, fa ny FINOAN’I KRISTY izay mipetraka ao amin’izy ireo ary miasa ao amin’izy ireo!

Ny Fanahin'Andriamanitra dia afaka mampita amin'ny sainao ny tena ny finoana mitondra famonjena. Io finoana velona io - ny finoan'i Jesosy Kristy, izay nahafahany nankatoa an'Andriamanitra Ray, dia hahatonga anao hankatoa an'Andriamanitra! (Ivereno ny lesona faha-12 amin’ilay fizarana hoe "Afaka mandresy ianao!" Manazava be dia be amin’ny antsipiriany ny finoana ilaina mba hankatoavana an'Andriamanitra io, ary ny fomba handraisantsika an’izany.)

Mifalia amin'ny andro Sabatan’i Jehovah!

Ny Sabata dia mahafinaritra - fotoana hampiroboroboana ny fiarahan'ny fianakaviana, amin'ny alalàn'ny fianarana bebe kokoa momba an'Andriamanitra, ny lalàny lehibe ary ny habetsahan’ny fitahiana nampanantenainy an’ireo izay mankatò Azy.
1. Moa ve enta-mavesatra ho an’ny Kristiana ny Didin’Andriamanitra momba ny fitandremana ny Sabata? 1Jaona 5:3.
2. Moa ve ny olona no natao ho an’ny Sabata, sa ny Sabata no natao ho an'ny olona? Marka 2:27.
FANAMARIHANA: Ny Sabata, araky ny efa nianarantsika, dia fotoana masina. Na izany aza, dia natao ho an'ny olombelona izany, mba ho FITAHIANA lehibe ho an'ny olombelona rehetra. Ny Sabata dia iray amin'ireo fitahiana lehibe indrindra natolotry ny Mpahary ho an’ny fianakavian'ny olombelona!
               Raha mitandrina tsara ny Sabata ny olona, dia hifandray tsy mijanona amin'Andriamanitra. Raha tsy misy izany fifandraisana izany dia tsy afaka hahalala ny tanjona lehibe momba ny fisian’ny olombelona izy, na hahatakatra ny lalàna mifehy ny fahombiazana eo amin’ny fiainana. Tapaka ny fahafantarany ny maha-izy azy, ny lalan-kalehany ary ahoana ny fomba hahatongavana any.
               Koa satria navelan'Andriamanitra ho lasa babo tany Babylona ny Fokon'i Joda noho ny fandotoany ireo Sabatany, dia maro tamin'ireo Jiosy izay navela hiverina tany Jerosalema 70 taona taorian’izany no lasa tena hentitra amin'ny fitandremana izany. Noho izany, ny Fariseo tamin'ny andron'i Jesosy dia manana lisitr'ireo asa 65 eo ho eo voafaritra ho "asa" tsy azo hatao.
               Ireny fandrarana ny asa tsy nahazoana tsindrimandrin’ny Fanahy Masina ireny no nahatonga ny fitandremana ny Sabata ho "zioga fanandevozana".
               Ireny fandrarana ireny dia nihoatra lavitra ny soratra sy ny zava-kendren’ny Didy fahaefatra. Jesosy Kristy dia nanome tsiny ny fariseo, izay mihambo ho manana ny fahamarinana, noho ny fomban’olombelona arahiny, izay tsy najain’i Jesosy akory!

FANAMARIHANA : Ny Didy Folo, ary anisan’izany ny Didy faha-efatra – dia mitondra fitahiana ho an’ireo izay mitandrina izany, fa tsy enta-mavesatra akory. Ireo izay tsy nahazo tanteraka ny dikan’ny Soratra Masina dia nilaza fa “fanandevozana” ny fitandremana ny Sabata. Raha henoina izy ireo, dia toa lasa ozona lehibe ho an’ny zanak’olombelona ny Sabata. Andeha hesorina tanteraka io angano io.

3. Nasehon'i Jesosy ve fa azo hatao ny mitady sakafo amin'ny andro Sabata raha noana ny olona? Mat.12:1-8; Marka 2:27. Nasehony ve fa ara-dalàna ny manao ny tsara amin'ny andro Sabata? Marka 3:1-5.

4. Moa ve manaiky ny Tompon'ny Sabata fa mety ny manavotra biby latsaka ao anaty hantsana mandritry ny Sabata, ary toy izany koa, moa ve afaka mikarakara tranga maika ara-dalàna izay tsy afaka hiandry ny faran’ny Sabata ny olona? Lioka 14:5; Mat.12: 9-13. Afaka manome rano ny biby ve, ary koa manome sakafo azy, amin'ny andro fitsaharan'Andriamanitra? Lioka 13: 10-17, indrindra ny andininy faha-15.

FANAMARIHANA: Tian'Andriamanitra hampiasa fahendrena sy fahamarinana isika rehefa mitsara zavatra, amin'ny fampiharana ny hevitra sy ny tanjon'izay tokony hatao sy ny tsy tokony hatao amin'ny androSabatany. I Kristy dia nampianatra antsika hahay handanjalanjana sy ho hendry; Nasehony antsika ny fihetsika tokony hatao manoloana ny Sabata.

Ny Jiosy dia tsy afaka nahazo izany ny fampiharana ara-panahy ny didin’ny sabata, satria sahirana amin’ny fampiharana ara-batana an’izany. Vonona izy ireo hamonjy biby nilatsaka any an-kady tamin'ny andro Sabata, nefa nanameloka an'i Kristy izy ireo tamin'ny nanasitranany marary tamin'io andro io! Rehefa nampiany ny fomban-drazany sy ny fandikany izany manokana, ny Sabata dia tonga enta-mavesatra indrindra.

5. Moa ve tokony hitady ny fanao ahazoantsika tombontsoa sy fahafinaretana isika amin'ny andro Sabata? Isa.58:13.

FANAMARIHANA: An'Andriamanitra ny Sabata. Izy nahatonga ity fotoana 24 ora ity hoe andro masina! Tokony hatao amin'ny andro enina amin'ny herinandro mialoha ny Sabata ny miasa, miantsena, manapaka bozaka ary manadio ny trano. Ny Sabata ihany koa dia tsy fotoana mety hanaovana ilay fialamboly ankafizinao, fanatanjahan-tena na hikarakarana ny zavatra mahasoa anao manokana. Ireny hetsika ireny dia mampanalavitra ny saintsika amin’Andriamanitra sy ny tanjony rehetra nanaovany ny Sabata.

6. Ao amin'ny torolalana nomen’Andriamanitra ny Isiraely taloha, inona no fitsipika namba rany ho an'ny Kristiana ankehitriny momba ny fiomanana amin’ny Sabata? Eks.16:22-23.

FANAMARIHANA: Ny Sabata dia natao hanafaka antsika amin'ny karazana asa ara-batana rehetra sy ny asa saina mifamatotra amin’izany arak’izay azo atao. Andriamanitra dia niteny tamin’ny Isiraelita mba hiomana mialoha amin'ny alàlan'ny fanaovana mofo na fanendasana mavesatra mandritry ny andro mialoha ny Sabata. Ny Kristiana ankehitriny dia tokony handamina ny asany ho vita tanteraka mialoha ny hilentehan’ny masoandro amin’ny harivan'ny andro fahenina (zoma).

            Tokony hadio ny trano, voasasa ny lovia, ary ny fandrahoan-tsakafo mavesatra vita alohan'ny filentehan'ny masoandro, mba hanombohan’ny ankohonana manontolo ny Sabata ao anaty rivo-piainana fitsaharana sy fiankohofana - mba ho andro iray anjakan'ny FAHAMASINANA ho an'Andriamanitra ny Sabata!

7. Moa ve isika tokony hifaly mandritry ny andro Sabata masin'Andriamanitra? Isa.58:13. Ahoana no hanaovana an'izany? Io andininy io ihany.

FANAMARIHANA: Ho andro fifaliana sy firavoana ny Sabata - hafaliana ho an’ireo izay manaja sy manome voninahitra an’Andriamanitra. Miala sasatra amin'ny asa sy ny fahafinaretan’izao tontolo izao amin'ny andron'Andriamanitra dia manome antsika fahafahana hanokana fotoana bebe kokoa amin'ny fiderana an'Andriamanitra, amin'ny fandalinana, ny fisaintsainana momba ny Teniny - mameno ny saintsika amin'ny eritreritra sy ny toetry ny Raintsika Izay any an-danitra sy i Jesosy Kristy Zanany.

            Ny Sabata koa dia fotoana fivoriam-pianakaviana marina izay tsy mety ho tanteraka amin’ny fotoana hafa – fotoana manokana sy fanararaotana hampianarana ny zanatsika momba an’Andriamanitra sy ny làlany. Io ihany koa no fotoana ahafahana mandinika sy mankasitraka ny famoronan'Andriamanitra tsara tarehy sy mahatalanjona – ny voninkazo, ny tantely na izay mety zavatra nohariany mora hita.

            Ny fitandremana ny Sabata araky ny torolalan'Andriamanitra dia hanala ny ahiahintsika sy hampiakatra ny aingam-panahintsika izay ilaina hanampy antsika amin’ny asa amin'ny enina andro manaraka ho feno fifaliana sy hevi-baovao. Izany dia hanampy antsika hahatsapa fa ny traikefa iainantsika isan'andro, mampihatra ny Tenin Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika, dia manampy antsika hanorina ny toetran’Andriamanitra ao anatintsika!

            Noho izany, ny Sabata dia ho lasa fahafinaretana lehibe ho antsika rehefa mianatra ny lalan'Andriamanitra amin'ny Androny Masina isan-kerinandro isika. "Hampianatra" ny tenantsika isika, hiomana amin'ny asa lehibe tokony hataontsika any amin’ny Fanjakana Arivo Taona, aorian'ny fahaterahantsika ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra.

            Raha iray amin'ireo zanak’Andriamanitra notorontoronin'ny Fanahy Masina ianao, ary mitandrina ny Sabatany araka izay nodidiany, dia hanana ny famantarana avy amin'Andriamanitra amin'ny heviny marina sy mamonjy ianao.

            Ho voaomana hiditra ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra ianao amin'ny maha mpisorona (mpampianatra) sy mpanjaka anao (Apok.5:10), afaka hanao asa fanompoana mahavariana any amin'ny Tontolon’ny Ampitso!

Finamanana amin'ny Sabata

            Ny Sabata dia andro fitsaharana ara-batana sy famelombelomana ara-panahy. Io koa no andro iray hanaovana fivoriana masina sy firaisana amin'ny kristiana hafa, miaraka amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy. Tena zava-dehibe ny hahatakarana tsara ny marina momba ny fiarahana amin’ny namana kristiana.

1. Moa ve Andriamanitra nandidy an'ireo Isiraelita hiara-hivory mba hiara-mivavaka amin'ny Sabata isan-kerinandro? Lev.23:3. Nankatoa izany ve i Jesosy, izany baikon'ny tenany manokana izany? Lioka 4:16.

FANAMARIHANA: Jesosy Kristy, izay manome ohatra antsika amin’ny fomba tokony hiainantsika, dia nampianatra antsika tamin’ny fiainany manokana sy ny fampiharana izany fa ny fivoriambe masina iray, baiko hivorian'ny vahoakan'Andriamanitra, dia tokony hatao isan-tSabata. Andro iray hanaovana fanompoam-pivavahana amin'Andriamanitra izany, hataon’ireo olona nantsoiny sy nofidiny. Io no fotoana hitorin’ny mpanompon'Andriamanitra teny sy hamelabelarany ny fotokevitra ny lalàn'Andriamanitra velona avy amin'ny Teniny nomeny ara-tsindrimandry (Efes.4:11-13).

2. Inona no anatra ambaran'ny Testamenta Vaovao ho an’ny Kristiana momba ny fivorian’izy ireo manokana? Heb.10:24-25. Moa ve tena zava-dehibe ho an’ny Kristiana ny firaisana ao anatin’ny vatan'ny mpino izay ao amin’ny fiangonan'Andriamanitra? 1Jaona 1:3, 6-7.

FANAMARIHANA: Amin'ny andro Sabatany, ny fanatrehan'i Kristy no manamasina izany. Rehefa miara mivory amin'ny Androny Masina ireo zanaka mpankatoa ny Rainy, samy miara-miombona amin’i Kristy (Jaona 15:15) – samy mandeha mirindra miaraka amin'i Kristy, dia tena manana firaisana amin'i KristyEo Izy, eo afovoan’izy ireo, amin'ny fanahy!

            Ary Kristy dia manakambana azy rehetra ireo amin'ny alàlan'ny Fanahin’Andriamanitra, hiaraka Aminy sy ny Ray! "Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana"(Jaona 4:24).

            Ireo izay mivory mba hivavaka amin'ny Ray sy Kristy amin'ny fomba rehetra mifanohitra amin'ny fomba na ny fotoana nodidin'ny Tenin Andriamanitra dia TSY manompo azy ireo amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. Tsy hankatoa izany fanompoam-pivavahana izany Andriamanitra satria zava-poana izany! (Marka 7:7-9.)

            Matetika, rehefa mianatra ny marina momba ny Sabata ny olona, dia mitady vondron'olona mpivavaka izy mba hiara-hivory aminy. Tsy ampy anefa ny mivory miaraka amin'ny vondron’olon-kafa satria manaja fotsiny ny Sabata izy. Tsy voatery hidika izany hoe Fiangonan'Andriamanitra io.

            Araky ny efa nianarantsika tao amin'ny lesona faha-19, dia nilaza i Jesosy fa hanorina ny fiangonany Izy (Mat.16:18). Fiangonana TOKANA no naoriny! (Efes.4:4.)

            Tsy misy afa-tsy tena iray ihany ny mpino marina - ireo Kristiana notorontoronin’ny Fanahy - omen'Andriamanitra hery ary mitondra ny asa lehibe nomen'Andriamanitra mba hitory ny Filazantsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra amin'izao tontolo izao ho vavolombelona (Mat.24:14). Izy ireo dia mitandrina am-pahatokiana ny didin'Andriamanitra rehetra (Apok.12:17) miaraka amin'ny fanampian’ny Fanahiny Masina. Izy io dia araky ny nolazain'i Jesosy hoe "ondry vitsy", enjehina, hamavoin’izao tontolo izao. Mihevitra izahay fa efa hainao sahady ary efa azonao izay fiangonana misy an’Andriamanitra miasa hatramin'izao fotoana izao.

            Ny vahoakan'Andriamanitra ankehitriny dia manatrika fanompoam-pivavahana isan-kerinandro amin’ny Sabata any amin'ny Fiangonan'Andriamanitra maneran-tany, any amin’ny firenena mihoatra ny 50 eran'izao tontolo izao! Isaky ny Sabata, dia miara-mivory izy ireo mba handray fampianarana ara-panahy avy ao amin'ny Baiboly arak’izay ampianarin'ny mpanompon'Andriamanitra ao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra.

            Tena mifaly ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny Sabatany, ary mankafy ny fiarahan’ny tsirairay amin'ny Andro masina isan-kerinandro. Izy ireo dia mianatra fa ny fitandremana ny Sabata masin'Andriamanitra dia mahafinaritra sy fitahiana lehibe, satria mampatsiahy antsika ilay Andriamanitra Mpamorona sy ny tanjony mahatalanjona ho an'ny olombelona!

            Raha azo tsara sy tandremana tsara ny andro Sabata masin'Andriamanitra, dia iray amin'ireo fitahian'Andriamanitra lehibe indrindra omena ny olombelona izany . Izany dia MARIKA mampiavaka hifamantaran’ny tena Kristiana sy ny Mpamorona azy ireo.

            « Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. »

No comments:

Post a Comment