Izao Ihany ve no Andro Famonjena? - Maninona no Jamba ity Tontolo ity?

 

 Ambasadaoro Kolejy - Toko faha-23

IZAO IHANY VE NO ANDRO FAMONJENA?

               Ny Kristianisma Maoderina dia mampianatra fa tsy misy karazan’olona afa-tsy roa, dia ny VERY sy ny VOAVONJY. Fa ahoana kosa ny momba ireo maty tsy mbola nandre mihitsy ny anaran'i Kristy? Rariny ve raha manameloka azy ireo Andriamanitra?

               Ny finoana mahazatra dia milaza fa Andriamanitra dia manandrana mamonjy izao tontolo izao amin’ny fomba rehetra. Lazaina fa miady mafy amin'i Satana Izy ankehitriny mba hamonjy ny olombelona rehetra, fa ny devoly kosa dia manandrana mihazona olona betsaka araka izay azony hatao mba ho "very" mandrakizay ireo.
               Raha marina izany, iza araka ny eritreritrao no handresy?
               Raha toa ka miady mafy izay hahazo ny ain'olombelona Andriamanitra sy i Satana, ary raha mahery araka izay asehon'ny Baiboly Andriamanitra, maninona no ny dimy ampaha-enin’izao tontolo izao no tsy kristianina ankehitriny? Ary maninona no an'arivo tapitrisa maro no efa maty nefa mbola tsy nanana anjara ho voavonjy?

Vinavina diso!

               Maro ny toriteny no mifototra amin'ny finoana fa "tsy misy marimaritra iraisana. Na voavonjy ianao amin'ity minitra ity, na fanahy very ianao!"
               Betsaka ny olona no malahelo satria ny olon-tiany izay maty dia tsy mbola nanao asa fanompoana ho an'i Kristy. Angamba ilay maty dia olona mpanota mahatsiravina; angamba ilay maty dia olona tena “nanao fiainana”, nefa tsy mba tonga mpikambana mavitriky ny fiangonana mihitsy. Ny sasany koa dia malahelo satria tsy azon'izy ireo antoka fa"voavonjy" ny olon-tiany.izay maty.

Ny famitahan'i Satana dia nanomboka hatramin’ny voalohany

Nandritry ny 6000 taona, dia navelan'Andriamanitra mamitaka an'izao tontolo izao i Satana amin'ny finoana diso sy nyfomba fanao sandoka, toy ny fanompoana ny sampy vita amin'ny hazo sy vato, ary ny fanomezam-boninahitra ny fanahin’ny olona efa maty.

 

               Ny fampianarana izay milaza hoe voavonjy na very ny olona iray dia avy amin'ny fiheverana fa Andriamanitra dia mamonjy an’izao tontolo izao ankehitriny – ary ny iraka ampanaovina ny Fiangonana ankehitriny dia ny hamonjy ny olombelona - fa io no "andro tokana famonjena", ary efa ho tapitra io fotoana io.

               Diso tanteraka daholo ireo vinavina ireo!

Maninona ny ankamaroan'ny olona no tsy mahatakatra izany?

               Ny ankamaroan'ny olona dia mbola tsy nandre ny tena Filazantsara - ny vaovao tsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra ho avy. Ary amin'ireo izay efa nandre izany, ny ankamaroany dia tsy nahatakatra izany hafatra izany, satria i Satana dia namitaka azy ireo (Apok.12:9). Noho izany, izy ireo dia tsy nanan-jara mihitsy hahatakarana izany sy ho voavonjy!

               Moa ve izy rehetra izany, na dia tsy nisy hadisoan'ny tenany aza, dia ho "very" mandrakizay?

               Na dia mety ho mahagaga aza ny fahalalàna izany, Andriamanitra dia tsy nieritreritra mihitsy fa ny olombelona rehetra dia mety hahafantatra ny marina amin’izao fotoana izao!

               Raha nanao izany Izy dia hahatakatra ireo!

               Maro no mihevitra fa fanoharana no nitenenan'i Jesosy mba hampazava ny heviny. Tsy izany no antony. Niteny tamin'ny fanoharana Izy mba hanafenany ny tena dikan’ny fampianarany marina, mba tsy ho takatry ny ankamaroan'ny mpihaino Azy izay lazainy. Rehefa avy nilaza ny fanoharana momba ny mpamafy i Jesosy, dia nilaza mazava tsara tamin'ny mpianany izay nantsoiny Izy hoe: "satria ianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin’ny Fanjakan’ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela" (ireo izay mbola tsy nantsoina). Tsy navela hahatakatra izy ireo! (Marka 4:10-12; Mat.13:10-13.)

               Navelan'Andriamanitra ho jamba amin'ny fahamarinany ny ankamaroan'ny zanak'olombelona. Navelany hamitaka an'izao tontolo izao i Satana. Fikasana sy planin’Andriamanitra izany fa, mandra-piverin'i Kristy, dia ireo izay nantsoiny manokana ihany (Jaona 6:44, 65) no ho afaka mahatakatra ny tena lalan'ny famonjena.
               Araka ny hitantsika tamin'ny lesona teo aloha, ny mpikambana ho avy ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra dia ho mpanjaka, mpisorona, mpampianatra sy mpitantana ao amin'ny governemantany hanapaka manerantany ho avy tsy ho ela. Olom-bitsy ihany izao no nantsoina hitàna ireo toerana ireo.
               Mahazo fampiofanana ilaina izy ireo mialoha ny hampianarany ny olombelona rehetra rehefa hatsangana ny Fanjakan'Andriamanitra, ary hisy ny foibe fitantanana an’izao tontolo izao ao Jerosalema.

Ny olona rehetra dia hantsoina

               Andriamanitra dia manambara ao amin'ny Teniny nomeny ara-tsindrimandry-ny Baiboly Masina -fa ireo izay mbola tsy nantsoiny dia tsy mbola namoy ny fahafahany hahazo famonjena. Mbola tsy eo amin’ny fotoam-pamonjena ny olona rehetra Andriamanitra izao.
               Aorian’ny fiverenan’iKristy sy  ny fananganana ny Fanjakan’Andriamanitra ety an-tany, dia hanomboka amin’izay hampianatra ny lalam-pamonjena ho an’ny olona an-tapitrisa maro Izy. Hanana ny antsony sy ny fahafahany mahatakatra ny fahamarinan'Andriamanitra izy ireo ary hateraka ao amin'ny Fianakaviany mandritry ny Fanjakana Arivo Taona.
               Fa ahoana ny amin'ireo olona an'arivo tapitrisa maro izay efa maty nefa mbola tsy naheno na nahalala ny lalam-pamonjena? Aorian'ny Fanjakana Arivo Taona, dia hatsangana amin'ny maty eto an-tany amin’ny fiainana mety maty izy ireo ary homena ny fahafahana hahatakatra ny fahamarinan'Andriamanitra, hotorontoronin’ny Fanahin'Andriamanitra, hitombo ao amin’ny toetrany ary ho lasa mpikambana teraka ara-panahy ao anatin’ny Ankohonan’Andriamanitra Mpanjaka.
               “Tsy mizaha tavan'olona Andriamanitra” (Asa.10:34).
               Ny olona tsirairay dia hantsoiny amin'ny farany ary homeny fotoana ahazoany famonjena! Tena mahitsy sy marina tokoa Andriamanitra!
               Andao atomboka ity fanokafana ny maso sy fianarana-fampaherezana momba ny Tenin'Andriamanitra ity.
 

            Ny fahamarinana momba an'io lohahevitra lehibe io ambara tanteraka ao amin'ny pejin'ny Baibolinao. Aza hadino ny mijery sy mamaky ny andininy tsirairay omena ho valin'ny fanontaniana. Aza mamaky fotsiny ity lesona ity - porofoy ny fahamarinana avy ao amin'ny Baiboly. “Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara” (1Tes.5:21).

LESONA 23

Maninona no jamba ity tontolo ity

               Andriamanitra, ilay Mpanapaka an'izao rehetra izao, dia nanendry ny arikanjely fantatra amin'ny anarana hoe Losifera mba hitantana ny Fitondram-panjakan'Andriamanitra eto an-tany. Nikomy tamin'ny Fitondram-panjakan'Andriamanitra anefa i Losifera, ary noho izany dia novain'Andriamanitra ho Satana ny anarany, izany hoe mpanohitra, mpifaninana, fahavalo.
               Saingy mbola tsy nesorin'Andriamanitra tamin’i Satana ny fahefana sy ny seza fiandrianana. Araky ny planin’Andriamanitra, dia navelany hanohy ny fanapahana ny tany i Satana mandra-pametrak' Andriamanitra an’i Jesosy Kristy ho mpandimby azy amin'ny fomba ofisialy ao amin'io andraikitra misy fahefana io.
               Tamin'ny fandinihana teo aloha, dia fantatsika fa i Satana dia namitaka an-kolaka an'i Eva tao amin'ny Saha Edena. Tsy nilaza tamin'i Eva i Satana hoe: "Safidio ny governemantako sy ny fombako feno fieboeboana sy fitiavan-tena ary ario Andriamanitra”. Nomeny fakam-panahy izy tamin’ny hatsaran’ilay voankazo voarara, nofohaziny ny fireharehany ara-tsaina, nilaza fa tsy mahitsy sy marina Andriamanitra ka mandà ny hanome azy ireo ny fahalalàna tena marina, ary niteny taminy fa tsy ho faty izany izy (Gen.3:1-6), nanome toky azy fa izy dia efa fanahy tsy mety maty monina ao amin’ny vatana ara-nofo.
               Voafitaka tanteraka i Eva ka nino an'i Satana ary tsy nino an'Andriamanitra. Nohaniny ny voankazo voarara ary nomeny tamin’izany ny vadiny hohaniny koa.
               Nanaiky an-tsitrapo i Adama, ary tsinahy no tsy nankatoavany an’Andriamanitra. Rehefa naka ilay voankazo voarara i Adama dia naka ho azy irery ny fahefana hamaritra ny fahalalana ara-panahy momba ny tsara sy ny ratsy. Nalainy ny fahefana hanapaka ny tsara sy ny ratsy, ny marina sy ny diso - inona ny fahamarinana ary inona ny fahotana. Saingy tsy nanana an'io fahaizana io avy tamin’ny tenany ihany i Adama.
               Noho izany ny olombelona voalohany dia tsy nino sy tsy nankatoa an'Andriamanitra, ka nisafidy ny handeha amin'ny làlan-kalehany sy hanao izay tiany. Rehefa nifidy ny handà ny fahefan'Andriamanitra i Adama, dia nolaviny ny fahalalana ara-panahy nambaran’Andriamanitra.
               Naleony nifidy ny hanaraka ny fomba fiaina nitodihan'i Satana -ny lalan’ny "mandray" izay mifanohitra amin'ny fomban'Andriamanitra "manome". Vokatr'izany, ny olombelona rehetra, afa-tsy ny olona vitsivitsy nofidin'Andriamanitra hiala amin’ny tontolon'i Satana, dia nofitahan'i Satana nandritry ny 6000 taona lasa izay.
               Raha lazaina amin'ny fomba hafa, ireo ray aman-drenintsika voalohany dia nataon'i Satana “sambo-belona”, ary nanaraka ny fomba fiainan'ny mpaka an-keriny, fa tsy ny fomba ara-panahin'ilay Ray, izay tsy ninoany sy tsy nankatoaviny.
               Amin'ny fanarahana ny fomban'i Satana ary ny fandavana an'Andriamanitra, dia nifidy an'i Satana ho "andriamanitry" ny olombelona i Adama raha ny marina.
               Ary asehon'ny Baiboly fa navelan'Andriamanitra i Satana hitaona sy hamitaka ny olombelona hatramin’ny nihinanan'i Adama ny voan'ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
               Andao hiverenana ho vakiana ny andinin-tSoratra Masina vitsivitsy manaporofo izany.
4. Moa ve namosa-kevitra i Satana fa hanome an'i Kristy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao raha toa ka miankohoka eo anatrehany Izy? Mat. 4: 8-9. Moa ve niaiky i Kristy fa i Satana no mpitondra an'izao tontolo izao? Jaona 14:30.
FANAMARIHANA: Ity sy ireo andininy hafa efa novakiantsika dia milaza mazava tsara fa i Satana no mpitondra an'ity tontolo ratsy ankehitriny ity. Saingy mitazona izany fahefana izany izy avy amin'ny alàlana mazava nomen'Andriamanitra. Andriamanitra dia nanendry an’i Satana hanjaka 6000 taona amin'ny olombelona.
               Ny asan'i Satana dia asa fandresen-dahatra - famitahana ny zanak'olombelona - fanodinana ny fahamarinan'Andriamanitra, mitarika ny olona marina sy tso-po hanaiky ny sandoka fa tsy ny tena marina, mitarika ny olona hanota. Ary tsy hita pesimpesenina ny fahombiazany tamin'izany asany izany efa ho 6000 taona izao!
               Efa manakaiky ny faran'ny enina andro, na 6000 taona niasan’i Satana isika izao. Ary ny arivo taona fahafito dia ho andro Sabata ho an'i Jehovah Andriamanitra. Tsy ho an'i Satana io "andro" io. An'Andriamanitra izany. Ao anatin'izany, i Satana dia tsy hanao asa na inona na inona. Hofatorana rojo vy izy, tsy hanam-pahefana ary hatsipy ao anaty "lavaka tsy hita noanoa" (Apok.20:1-3). Tsy avela hamitaka olona intsony izy mandritry ny Fanjakana Arivo Taona.
               Rehefa miverina ety an-tany i Kristy, dia haka ny fahefana amin'ilay rain’ny lainga izay mamitaka sy manjaka amin’ny olombelonaIzy. I Kristy dia hanagadra ny mpamboatra sy mpanjaka an’ity sivilizasiôna eto an-tany ity ary tsy hamela azy hiasa mandritry ny 1000 taona!

1. I Satana ve no andriamanitr'izao tontolo izao? 2Kor.4:4. Moa ve nohajambainy ny olona ka tsy mahita ny fahamarinan'Andriamanitra? Andininy mitovy. Moa ve i Satana koa no mpanapaka ny fanjakana any amin'ny rivotra? Efes.2:2. Moa ve izy mandrisika, sa "miasa", ho amin’ny tsy fankatoavana? Andininy mitovy. Moa ve tena mamitaka an’izao tontolo izao izy? Apok.12:9.

FANAMARIHANA: Moa ve i Satana, ilay "mpanapaka ny fanjakana eny amin'ny rivotra", mitaona ny olombelona amin'ny alàlan'ny" fampielezana "ny toe-tsainy sy ny fihetsiny tia rehareha sy feno fitiavan-tena amin’ny fanahin'ny olombelona tsirairay? Ny olombelona dia manaiky tsy nahy ary maneho fa ireo fihetsika ireo dia azy manokana. "Ny toetra voa-janaharin’ny olombelona" dia ny toetran’i Satana mifindra amin'ny olombelona. Satria voafitaka izy ireo, dia tsy mahalala an'ity fampielezana ara-panahy ataon'i Satana ity, ary tsy mahalala akory izy ireo fa voafitaka.

2. An'i Kristy sy Andriamanitra ve ny tena Kristiana? Marka 9:41; 1Kor.3:23; 6:20. Moa ve satria Andriamanitra, tamin'ny alàlan'i Kristy, dia tsy maintsy "nividy" azy ireo indray? Mat.20:28; Kol.1:14; 1Tim.2:6; 1Pet.1:18-19.

FANAMARIHANA: Ny "avotra" (avy amin'izany ny nahazoana ny teny hoe "fanavotana") dia midika hoe famerenana amin'ny tompony ny zavatra very. Raha Kristiana isika, Kristy dia nanavotra antsika- "nividy antsika indray", raha atao amin’ny teny hafa. Ny sorona nataony dia mamela antsika, miaraka amin'ny fanampian'Andriamanitra, hijanona tsy ho zanak'i Satana nalainy an-keriny, fa ho lasa zanak'Andriamanitra notorontoronin’ny Fanahy! Ilay hoe tsy maintsy nandoa takalon’aina i Kristy (ny ainy) mba hividianana sy hanavotana ireo izay Azy manombok’izao, dia manaporofo fa an'I Satana isika rehetra taloha! (Jaona 8:44; 1Jaona 3:8; Rom.6:16.)

 

3. Inona no nampitandreman'Andriamanitra an'i Adama fa ho sazin'ny ota? Gen.2:17.

FANAMARIHANA: Nanota i Adama sy i Eva rehefa nihinana ny voan'ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Hitan'Andriamanitra mialoha izany. Saingy tsy azony natao ny nampiato ny sazy nambarany mazava fa hanaraka ny tsy fankatoavana.

               Ka ahoana no hanavotan'Andriamanitra ny mety ho zanany ara-panahy amin'ilay mpanao takalon’aina, dia i Satana devoly? Amin’ny didim-panjakana natao “hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao" (Apok.13:8) - ity sivilizasiôna ankehitriny miorina amin'ny fomban'i Satana ity, izay nanomboka rehefa nanota i Adama - dia halefany i Jesosy Kristy, ilay Zanany ho avy, mba hiaina tsy misy ota sy handoa ny sazin'ny fahotan'ny olombelona.

Ary Andriamanitra koa dia nanapa-kevitra tamin'izany fotoana izany fa ny zanak'i Adama rehetra dia samy ho faty avokoa: "Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana" (Heb.9:27). Fa ahoana no hitsarana ny olona aorian'ny fahafatesany? Hianarantsika ny valiny rehefa manohy mianatra Baiboly amin'ity lesona ity isika!

                  

            Rehefa tapitra io fotoana io, dia hiditra an-keriny amin'ny raharahan'izao tontolo izao i Kristy ary hanavao ny fitondram-panjakana eto an-tany indray Andriamanitra eto an-tany. Izy no hitondra an’izao tontolo izao mandritry ny 1000 taona manaraka. Araka izany, ny planin’Andriamanitra dia maharitra "herinandro" ara-paminaniana iray, satria “ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro” (2Pet.3:8).

            Andriamanitra dia nilaza tamin'i Satana tokoa fa: "Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany"(Eks.20:9-10). Ny enina andro voalohany amin’io herinandro ara-paminaniana io dia natolotr'Andriamanitra an'i Satana ary nomeny azy malalaka hanjakany sy handreseny lahatra ary hamitahany ny olombelona.

Nafenin'i Jesosy ny marina momba ny famonjena!

               Rehefa tonga tety an-tany i Jesosy Kristy efa ho 2000 taona lasa izay, dia tsy hanangana ny fanjakany no antony (Jaona 18:36). Tamin'izay fotoana izay, tsy tonga hanakana an’i Satana tsy hamitaka an'izao tontolo izao i Kristy.
        Mifanohitra amin'izay efa nampianarina ny maro, tamin’ny voalohany i Kristy tsy tonga teto an-tany hiantso ny tsirairay ho amin'ny famonjena. Tonga kosa Izy mba hitondra ny hafatry ny Rainy - ny Filazantsaran'ny Fanjakan’Andriamanitra. Anisan'izany hafatra izany ny famonjena amin'ny alàlan'i Kristy. Nefa i Jesosy tsy nanandrana hanery ny olona rehetra hino an'ity hafatra mahafinaritra ity!
Jereo ny porofo ao amin'ny Testamenta Vaovao fa i Kristy dia tsy nanandrana ny hampiova fo ny olona rehetra.
1. Moa ve niresaka tamin'ny vahoaka tamin'ny fanoharana ve i Jesosy mba hanazavana ny dikany, sa hanafina azy io mba tsy ho azon'ny besinimaro? Mat.13:10-15; Marka 4:11-12. Moa ve niresaka tamin'ny besinimaro tamin'ny fanoharana foana Izy? Mat.13:34. Satria ve mbola tsy fotoana tokony hamelana ny heloky ny maro sy hiovany fo tamin’izany? Marka 4:12.
2. Moa ve nanazava ny dikan'ireo fanoharana nataony tamin’ny mpianany fotsiny ihany i Kristy? Marka 4:1-2, 10-11; Mat.13:10-11, 16.
FANAMARIHANA: I Kristy dia nitory ny Filazantsaran'ny Ray tamin'ny besinimaro ho vavolombelona. Fa Izy dia niasa niaraka tamin’ny mpianatra vitsivitsy nantsoina sy voafidy manokana irery ihany.
               Ireo irery no tena notadiaviny hahafantatra ny marina momba ny famonjena sy ny fitondram-panjakany mbola ho avy ety an-tany.
3. Moa ve matetika i Jesosy no nanandrana nanalavitra ny vahoaka? Mat.5:1; 8:18; 13:36; Marka 3:13; Jaona 5:13; 7:10.
               Matetika ve Izy no nilaza tamin'ireo izay nositraniny mba tsy hilaza amin'ny olona izay nanasitrana azy ireo? Mat.8:4; 9:30; 12:16; Marka 5:35, 41-43; 7:35-36. Tiany ho fantatry ny rehetra ve hoe iza marina Izy? Mat. 16:20; Marka 3:12.
FANAMARIHANA: Tamin'ny ankamaroan'ny asa fanompoany, dia nisoroka dokam-barotra i Jesosy. Tsy sitrak'Andriamanitra ny hahafantaran'ny olona rehetra ny momba an'i Jesosy. Ny fahatakarana ara-panahy tsy homena an'izao tontolo izao raha tsy efa manala an'i Satana amin'ny seza fiandrianan'ny tany i Kristy!
4. Rehefa afaka telo taona sy tapany nitorian'i Kristy, ary aorian'ny fahafatesany, ny fitsanganany tamin'ny maty, ary ny fiakarany any an-danitra, mpianatra firy sisa no nijanona niaraka Taminy? Asan'ny Apostoly 1:2-4, 15.
FANAMARIHANA: Ny Fiangonan'Andriamanitra ao amin'ny Testamenta Vaovao dia natomboka tamin'ny mpianatra 120 fotsiny ihany. Rehefa avy nofanina ihany izy ireo vao afaka nampianatra sy nampiofana ny hafa. Kristy dia tsy nila afa-tsy mpampianatra vitsivitsy hampianatra ny hafa ho tonga mpampianatra, ka vitsivitsy monja no nantsoiny tamin'izany fotoana izany.
               Aza adino fa ny olona dia tsy afaka manatona an'i Kristy raha tsy Andriamanitra Ray no mifidy sy miantso azy manokana (Jao 6: 44, 65). Fa hanontany kosa ny sasany: "Ary ahoana ny amin’ny olona iray tena mila famonjena - te hino an’i Kristy - vonona ny hibebaka marina ary hivoaka ami’ity tontolo ity, ary hotarihin'ny Fanahin'Andriamanitra, hitandrina ny Didin’Andriamanitra tena izy – hanana fiainana Kristiana? Moa ve ianao milaza fa tsy afaka manatona an'i Kristy io olona io raha tsy Andriamanitra no miantso azy? "
               Valiny: Tarihin'Andriamanitra ny olona toy izany, raha tsy izany dia tsy hanana faniriana toy izany izy. Na izany aza, ny ankamaroan'izay mieritreritra fa ao anatin'io sokajy io izy dia manaraka filazantsara diso, fampianarana sandoka ary voafitaka. Manana hevi-diso momba ny famonjena izy ireo, manana fiheveran-diso momba ny fibebahana, sy ny amin'ny lalan'Andriamanitra.
5. Moa ve Andriamanitra, ao amin'ny Baiboly, milaza amintsika mialoha fa ho vitsy ihany no hantsoiny ho ao amin'ny Fiangonany, ary hitohy ho kely ny Fiangonany, ary dia ho enjehina aza? Lioka 12:32; Mat.10:16-17; 7:13-14; Jaona 16:33; 2Tim.3:12.
FANAMARIHANA: Nanomboka tamin'ny asa maha-olombelona an'i Kristy ka hatramin'ny fiverenany eto an-tany tsy ho ela, dia tsy niantso afa-tsy olona vitsivitsy Andriamanitra. Ny Fiangonan'Andriamanitra tamin'ny taonjato maro dia nitohy ho kely, toy ny "zaza vao mitsaikan’"ny sivilizasiona vaovaon'Andriamanitra mbola ho avy. Izany fiangonana izany, araka ny efa nianarantsika tamin'ny lesona farany, dia manofana ny olona hanjaka sy hampianatra an'izao tontolo izao miaraka sy eo ambany fahefan’i Kristy eto amin'ny tontolo rahampitso.

Inona no tena dikan’ny lahatra?

               Moa ve fantatr’Andriamanitra mialoha na ho voavonjy na ho very ny olona iray? Moa ve nalahatr’Andriamanitra mialoha fa ny olona sasany dia ho voavonjy, ary ny olona sasany dia natao ho very?
            Moa ve ny tsirairay manana safidy amin’izay rehetra mikasika ny famonjena azy?
            "Etsy ankilany, raha fantatr'Andriamanitra fa hibebaka aho, hanaiky an'i Kristy ary ho voavonjy, dia tsy maintsy hataoko izany amin'ny farany, na hanandrana aho na tsia. Ny hoaviko dia efa voalahatra mialoha, notapahina mialoha. Ary raha izany no izy, dia olona tsy afaka misafidy malalaka isika, tsy manan-javatra holazaina momba izany isika. "
            Ny lohahevitra momba ny lahatra dia matetika no mahavaka sy mampanahy ny olona maro satria nanaiky fotsiny, tsy misy fanontaniana, ny fampianaran'ny fivavahany izy. Andao ho fantarina tsara izay ampianarin'ny Tenin'Andriamanitra momba ny "lahatra".
1. Moa ve ny Baiboly milaza fa "voatendry mialoha" ny sasany izay hantsoiny amin’izao fotoana izao? Rom.8:28-30; Efes.1:11-12. Moa ve ny hafa voatendry mialoha, voafidy sa nodidiana mialoha, mba ho jamba ara-panahy amin'izao vanim-potoana izao? 1Pet.2:8.
FANAMARIHANA: Ny lahatra dia tsy misy ifandraisany amin'ny fanapahan-kevitra manokana raisinao, na ny vintana -ny ifandraisany dia ny fotoana iantsoana anao - na miantso anao izao Andriamanitra na amin’ny ho avy. Tsy misy teny iray ao amin'ny Baiboly iray manontolo momba ny olona voatendry ho very. Tsy mbola nametra mialoha na nanendry mialoha na iza na iza Andriamanitra hanaiky na handà an'i Kristy - ho voavonjy na ho very.
               Ny fanapahan-kevitra raisintsika momba ny famonjena antsika dia tsy voafaritra mialoha. Andriamanitra dia nandidy fa isika no tokony hanapa-kevitra. Ny tanjon'Andriamanitra dia ny hampivoatra antsika hanahaka ny toetrany, ary ny toetra amam-panahy dia tsy azo foronina hisy ho azy toy ny amin'ny fanova-maso. Tsy maintsy mivoatra amin'ny alàlan'ny traikefa izany.
               Ary ny traikefa dia mitaky fotoana. Na dia lazain'Andriamanitra amintsika aza ny fanapahan-kevitra tokony horaisintsika (Deo.30:19), ny fanapahan-kevitra farany hisafidy na ny fiainana na ny fahafatesana mandrakizay dia antsika ihany!
               Jesosy Kristy dia nanangana ny Fiangonany mba hampiofana ireo ho mpanjaka sy ho mpisorona amin’ny ho avy ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra – mba hanana anjara amin'ny fampianarana ny lalam-pamonjena amin'ny besinimaro mandritry ny Fanjakana Arivo Taona. Fantatr'Andriamanitra taloha ela fa ilaina any amin'ny Fanjakany ny mpitarika, ny mpampianatra ary ny mpitantana ny governemanta, ka nikasa Izy, nandahatra mialoha Izy, fa hiantso ny sasany ho amin'izany fiofanana izany, indrindra amin'izao vanim-potoana izao.
2. Oviana Andriamanitra no nanapa-kevitra hiantso ny sasany amin’ny fotoana sasany? 2Tim.1:9; Efes.1:4-5.
               Raha antsoina ianao - raha avelan’Andriamanitra hahalala an'io fahamarinana mahafinaritra io ianao, ary raha notorontoronin’ny Fanahiny ianao, dia omeny anjara ianao izao, ary io no hany anjaranao, hiomana hanampy an'i Kristy amin'io asa feno fitiavana io, dia ny manampy ny ankamaroan'ny olona mba ho voavonjy, ao amin’ny Tontolon’ny Ampitso!

            “Raha fantatr’Andriamanitra mialoha izay hosafidiko,”hoy ilay lehilahy iray izay niady hevitra momba ny lahatra”, amin’izany dia efa vita daholo ny fanapahan-kevitra rehetra. Raha notapahany mialoha fa ho very aho, dia ho very aho na inona na inona hataoko. Koa raha tsy maintsy ho very ihany aho, nahoana aho no hiezaka ny hanatsara izay hataoko? Tsy hampiova na inona na inona izany.

FANAMARIHANA: Raha voantso ianao izao, dia satria efa nofidin’Andriamanitra mialoha ianao talohan’ny fanorenana an’izao tontolo izao.“Satria izay fantany rahateo no notendreny koa”. Notendreny ho very ve? Tsia,"fa notendreny “hitovy endrika amin'ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin'ny rahalahy maro Izy. Ary izay notendreny no nantsoiny koa” (Rom.8:29-30). Tsy hantsoina amin'ny ho avy - fa antsoina amin'izao fotoana izao.

Ny ankamaroany dia tsy very ary tsy voavonjy

1. Moa ve samy efa nanota daholo ny olombelona rehetra, ka noho izany dia hahazo ny sazy noho ny ota – izany hoe ny fahafatesana mandrakizay? Rom 3:23; 6:23. Moa ve i Kristy, Ilay nahary ny olombelona rehetra, tsy efa nanome ny ainy tsy misy ota mba handoavana izany sazy izany hisolo antsika? Rom.5:8-10. Amin'ny alalàn'i Kristy irery ihany ve no hahazoana ny famonjena? Asan'ny Apostoly 4:12; 1Tim.2:5.

FANAMARIHANA: Tsy misy olona afaka manatona an'Andriamanitra raha tsy amin'ny alàlan'i Jesosy Kristy. Ny sazy izay nanamelohana antsika, ny fanamelohana ho faty izay mendrika antsika noho ny fahotantsika dia tsy mety ho afaka amin’ny fomba hafa afa-tsy amin’ny alàlan’i Jesosy Kristy irery ihany. Saingy tsy misy afaka mahazo tombony amin'izany fandoavan'i Kristy izany sazy izany raha tsy efa manana fahafahana hanaiky izany fandoavany izany.

               Tsy misy olona afaka mamboatra ao anatiny ny toetran'Andriamanitra raha tsy mbola manana  ny Fanahy Masina. Nefa izany Fanahy izany dia tsy omena raha tsy aorian'ny fibebahana amin’ny fahotana nataontsika, raha manana finoana isika ary natao batisa. Ankoatr’izay, Andriamanitra dia tsy hanome ny tsi-fahafatesana ho an’ireo tsy mbola nanaporofo fa hiaina amin'ny fomban'Andriamanitra izy.

               An-tapitrisany maro no velona sy maty tsy nahafeno ny iray amin’ireo fepetra ireo. Tsy afaka omena fiainana mandrakizay izy ireo; Andriamanitra dia tsy afaka manankina amin’ireo ny fahefana mahagaga an’nyAnkohonany masina. Tsy "voavonjy" izy ireo, nefa tsy voaheloka hatramin’ny farany ihany koa. Mbola ho avy ny anjarany. Nefa, raha mbola tsy niseho ny anjarany ho voavonjy, dia iza ireo izay manana izany tombontsoa izany? Raha ny marina, dia vitsy an'isa izy ireo. Ny Baiboly dia manambara fomba roa mahavery ny famonjena ny olombelona.

2. Moa ve ireo efa nantsoin'Andriamanitra, izay efa nomeny fahalalana momba ny famonjena, dia mbola homeny "tombontsoa faharoa" - raha minia manota izy ireo? Heb.10:26-29; 6:4-6. Mba hahazoana ny sazy toy izany, moa ve nilainy ny hahalala ny fahamarinan'Andriamanitra? Heb.10:26.

FANAMARIHANA: Ireo izay efa nanambaran'Andriamanitra ny fahamarinany ihany no manana tombontsoa hahatakatra ny famonjena ara-panahy ary hahazo ny fiainana mandrakizay. Raha minia manota izy ireo aorian'izany fahazoany fahalalana izany, dia tsy hanana anjara faharoa hahazoany famonjena intsony izy ireo!
               Misy fahasamihafana lehibe amin'ny manota ka mahalala ny antony ny amin’ny manota an-tsitrapo sy am-pitokiana. Nanota ka nahalala ny antony i Adama, saingy tsy midika izany fa voaheloka ho faty ao anaty farihy afo noho izany izy. Vitsy ihany no minia manota, ka ho voaheloka any amin'ny farihy afo izy ireo!
               Andriamanitra dia vonona hamela ny fahotana rehetra izay nibebahana amin’ny fo tokoa, na dia miverina indray aza ny ota noho ny fahalemena, ny fakam-panahy na ny fahazarana. Raha mbola mikasa, amin’ny fihetsika sy ny faniriana, hankatò an 'Andriamanitra ny olona iray, ary hibebaka izy, dia havelan'Andriamanitra ny fahotany (1Jaona 1:9).
               Nilaza i Jesosy fa tokony hamela heloka “hatramin’ny impito amby fitopolo” isika (Mat.18:21-22). Andriamanitra aza vonona ny hamela heloka mihoatra izany! Mpamindra fo Andriamanitra.
               Ka inona ary no fahotana an-tsitrapo na heloka tsy azo avela?
               Raha nomena fahatakarana ara-panahy ny lalan'Andriamanitra ny olona iray, ary efa nandray fitahiana tamin'io fomba io, nefa nanapa-kevitra fa tsy tiany intsony izany, niova ny toe-tsainy, ninia nisafidy fiainana feno fikomiana izy, nanamavo ny Lalàn'Andriamanitra, noho izany dia tsy azo avela ny otany satria tsy hibebaka amin'izany izy! Andriamanitra dia tsy hanome fiainana mandrakizay ho an'izay mikiry miaina amin'ny fomban'i Satana.
               Izany olona izany dia nantsoin'Andriamanitra manokana ary nomeny ny Fanahiny Masina. Nefa, tamin'iny fotoana iny dia nanapa-kevitra an-tszitra-po sy ninia nandà izany izy! Angamba noho ny alahelo, na ny fandavany ny hamela ny heloky ny hafa, na ny fanaovany an-tsirambina ny vavaka sy ny fianarana Baiboly. Noho izany dia najanony, tsy navelany hanorina ny toetrany ao anatin'izy ireo Andriamanitra. Toy ilay mpanompo izay tsy nanao na inona na inona tamin'ny talentany na ny farantsany; tsy nahomby tamin'ny fanatanterahana ny fikasan'Andriamanitra ho azy izy ireo. Lasa nanamafy ny fony tamin'ny fahotany izy ireo ka lasa tsy misy na inona na inona azon'Andriamanitra atao aminy intsony. Na dia mba handramany hahitsy aza izy ireo, dia tsy te hibebaka mihitsy.
3. Moa ve Jesosy niresaka fahotana iray hafa izay tsy ho havelan'Andriamanitra mihitsy? Marka 3:28-29; Mat.12:31-32. Fiampangana lehibe inona no nataon'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo tamin'i Jesosy? Marka 3:22; Mat.12:22-24.
FANAMARIHANA: Miteny minia manevateva, manohitra fivavahana, ka manala-baraka (izany no dikan'ny teny grika nadika hoe "miteny ratsy") ny Fanahy Masina ary milaza fa asan'ny devoly ny Asan’ny Fanahy Masina; Izany dia midika iniana lavina ny hany fahefana izay hahafahana hiova fo sy hahazo ny famonjena. Ny dikan’izany dia mandà an’Andriamanitra sy ny Fahefany, amin-kasahiana sy efa nomanina mialoha!
4. Inona no ambaran'ny 2Korintiana 6:2 momba ny "andro" famonjena? Ahoana no lazain’ny Isaia 49:8, izay nakàna ny 2Korintiana 6:2, izay milaza izany tsara?
FANAMARIHANA: Ny fandikana tena mety an'ny 2Korintiana 6:2 avy amin'ny teny grika (sy ny Isaia 49:8 avy amin'ny teny hebreo) dia "andro famonjena". Raha marina fa amin’izao fotoana izao ihany no hany fotoana mety hahavoavonjy ny olona, dia ho tsy marina          Andriamanitra, satria tsy miantso afa-tsy olom-bitsy Izy!
               Ity vanim-potoana ity tokoa no "andro famonjena" ho an'ny olom-bitsy izay antsoin'Andriamanitra ankehitriny. Fa ny hafa rehetra kosa dia hanana ny "andro" famonjena azy any aoriana any!
               Andriamanitra dia miantso marina ny olona sasany amin'izao vanimpotoana izao. Saingy ny ankamaroan’ny olona kosa dia jamba sy madi-pò. Ninia namela azy ireo hofitahin'i Satana Andriamanitra. Noho izany, ny ankamaroan'ny olona dia tsy a             faka tsotra izao hahatakatra ny marina momba ny famonjena. Mbola tsy tonga ny anjarany mba hamonjena azy ireo!

            "Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina ary efa nanandrana ny teny tsaran'Andriamanitra sy ny herin'ny fiainana ho avy, nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin'ny fibebahana"(Heb.6:4-6).

Ireo «Voaloham-bokatra» antsoina amin’ny famonjena amin’izao fotoana izao

1. Rehefa tonga tety an-tany i Jesosy, tokony ho 4000 taona taorian'ny nanasar              ahan'i Adama ny zanak'olombelona tamin'Andriamanitra, moa ve Izy nanambara fa ny Filazantsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra dia hotorina amin'ny firenena rehetra, amin'ny vanim-potoana misy antsika, mba hanovàna fo azy ireo? Mat. 24:14.
FANAMARIHANA: Ny Filazantsara izay nambaran'i Jesosy dia tsy maintsy hotorina manerantany mba ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, alohan'ny faran'ny Taonjato ankehitriny – fa tsy mba hanovàna fo azy ireo!
               Ny ankamaroan'izay mandre ny Filazantsara marina dia tsy tena mahatakatra izany na ny làlana mankany amin'ny famonjena. Ny fahamarinan'Andriamanitra dia fahalalana ara-panahy, izay tsy afaka ampitaina fotsiny amin'ny sain’ny olombelona mety maty (1Kor.2:11-14). Ny fahamarinana ara-panahy dia azo avy amin’ny fanambaran'Andriamanitra! Tsy misy olona afaka mandray izany, na dia maheno ny teny aza ny sofiny, ary ny masony mahita izany (Mat.13:14), raha tsy omen’Andriamanitra azy ny fahalalàna, ary ambarany aminy ny marina amin'ny alàlan’ny Fanahy Masina.
2. Na dia mbola tsy nantsoina hahatakatra ny planin’ny famonjen'Andriamanitra aza ny ankamaroan'ny olombelona, ny sasany dia MAHATAKATRA ary manatona an'i Kristy. Moa ve nantsoin'Andriamanitra Ray manokana ireny olona ireny? Jaona 6:44, 65. Ahoana no ilazan'ny Apostoly Jakoba azy ireo? Jak.1:18.
FANAMARIHANA: Ireo izay antsoina ankehitriny dia tsy iza fa ireo "voaloham-bokatra" amin'ny planin’ny famonjen'Andriamanitra. Vitsy ihany no antsoin'Andriamanitra amin'ity vanim-potoantsika ity - tsy noho ny fiangarana akory, fa misy ny andraikitra manokana hatao. Izy ireo dia nantsoina hitombo amin'ny toetran'Andriamanitra; Rehefa teraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra izy ireo, dia ho afaka hitondra am-pahamarinana ao amin'ny Tontolon’ny Ampitso. Amin’izany izy ireo dia hanampy hitondra ho amin'ny famonjena ny olombelona mety maty tsirairay, mandritry ny Fanjakana Arivo Taona.
3. Oviana no nomena voalohany ny Fanahy Masina, ho an'ireo nantsoina ho voaloham-bokatra? Asan'ny Apostoly 2:1-4. Iza no nampanantenaina fa homena ny Fanahy Masina? Andininy 39.
FANAMARIHANA: Ny fampanantenana dia natao ho an’ireo izay hantsoin’Andriamanitra ihany. Andriamanitra, fa tsy ny Apostoly, no nanampy olona vao niova fo ho mpikamban'ny Fiangonana (Asa. 2:47).
               Ny Fanahy Masina, izay ilain'ny olombelona rehetra, dia miray amin'ny fanahin'olombelona izay ao anatintsika. Ny fahatorontoronan’ny fiainan’Andriamanitra ao anatintsika no mahatonga antsika ho zanaka notorontoronina (fa tsy mbola teraka) ao amin’ny Ankohonan'Andriamanitra, ary anisan’ny mpandova, fa tsy mbola nandova.
               Ny fanahin'ny fahendrena no mampita ny fahatakarana ara-panahy ao amin’ny ati-doha, ary mahatonga ny olona hahatakatra ny fahalalana ara-panahy. Izany dia ny fitiavan'Andriamanitra napetraka ao anatintsika. Io ilay finoana an'i Kristy, ilay finoana izay nananany, izay omeny antsika ankehitriny. Io ihany koa ny hery ara-panahy ilaina hanampy antsika mba hialàna amin’ny lalan’i Satana “mandray”, mba hanoherana sy handosirana azy, ary hitodihana any amin'ny làlan'Andriamanitra “manome”.
               Ny Fanahy Masina dia ny hery hahafahan’ireo voaloham-bokatra voantso ankehitriny hanorina ao anatiny ny toetra masina, marina ary lavorarin’Andriamanitra, izay fikasan'Andriamanitra hametraka ny zanak'olombelona etỳ an-tany mba hiterahan'Andriamanitra ny tenany.
               Rehefa nifidy ny tsy hankatoa an'Andriamanitra i Adama, dia voaroaka tao amin’ny Saha Edena, ary nolavina ny fidirany ao amin'ny Fanahy Masina sy any amin’ny fiainana mandrakizay. Nataon'i Satana sambo-belona ara-panahy izy! Na dia hotapahin'i Satana mandritry ny 6000 taona aza izao tontolo izao, dia fantatr'Andriamanitra fa izany no fomba tsara indrindra hianaran'ny olombelona ny lesona.
               Ireo izay nantsoina talohan'ny fiverenan'i Kristy dia tsy maintsy, miaraka amin'ny fahefan'ny Fanahy Masina, mandresy an’i Satana dieny mbola manjaka izy. Tsy mora izany, fa manampy azy ireo hahafeno ny fepetra hahazoany andraikitra ambony kokoa eo amin'ny Tontolon’ny Ho Avy izany. Ny toetra lehibe kokoa dia miorina tsara rehefa misy vato misakana ny olona iray, toy ny fitaoman'ny devoly, mba handresena izany.
               Ny miaina ao amin'ny tontolo feno ota koa dia manampy antsika hianatra hankahala tanteraka ny ota (Sal.97:10; 119:104).
Ny valin'ny fitiavan-tena sy ny fifaninanana dia miharihary sy mampanaintaina an'ireo izay nantsoin'Andriamanitra hiala amin'ny tontolon’i Satana.
               Aorian'ny fiverenan'i Kristy sy ny famatorana an'i Satana, ny fanjakana nofinofy dia ho tonga ary hampamirapiratra ny fitahiana azo avy amin'ny lalan'Andriamanitra. Ny fahasamihafan’izany amin'ny fanjakana 6000 taonan'i Satana dia tena hahagaga!

Hantsoina izay rehetra hiaina ao amin'ny Fanjakana Arivo Taona

               Ny teny fanamelohana nihatra nandritry ny 6000 taona tamin’ny tontolon'i Adama – dia ny fanaovana sesi-tany ny olombelona ho lavitra an'Andriamanitra - dia hifarana mandritr’ity androntsika ity. Ity tontolo ity, izay mbola tontolon'i Satana, ary ny fiangonan'Andriamanitra dia tsy anisan’izany, dia manakaiky haingana ny fotoam-pahoriana lehibe izay hitranga alohan'ny fiverenan'i Kristy.
               Tampoka, rehefa tena ilaina mihitsy izany, nefa tsy nampoizin'ny tontolo izay tafasaraka amin'Andriamanitra, dia ho tonga i Jesosy Kristy amin-kery sy voninahitra ambony indrindra amin'ny maha Mpanjakan'ny mpanjaka Azy. Avy eo dia hanambady ny ampakariny Izy - ny voaloham-bokatry ny Fiangonany, izay efa nanomana ny tenany - ary hiaraka hanjaka amin’ny tontolo avy ao Jerosalema ireo mandritry ny Fanjakana Arivo Taona.
               Avy eo, aorian'ny hanafahana an'ity tontolo ity amin'ny fanjakan'i Satana, ho afaka amin'ny famitahana sy ny fitaomana ara-panahy - rehefa lasa tontolon’Andriamanitra ity tontolo ity, i Kristy dia hanomboka hanova fo ny olombelona rehetra, ary hitarika azy ireo hiditra ao amin’ny Fianakaviany mandrakizay!
               Ny taranaka maoderina an-tapitrisa maro an'ireo atao hoe "Foko Folo Very" an'ny Taranak’Isiraely dia hafahana avy amin'ny toby nanandevozana azy. Amin'ny fifindran-toerana, izay lehibe lavitra noho ny nanafahana ny Isiraely taloha tany Egypta (Jer.16:14-15; 23:3, 7-8), izy ireo dia hafahana tampoka avy tamin'ireo nisambotra azy.
               Betsaka no hahatadidy ny fampitandremana nomen’ireo tena mpanompon'Andriamanitra azy ireo talohan'ny fiatombohan’ny Fahoriana lehibe. Ny sasany kosa dia efa nampitandremana nandritry ny fotoan'ny fahoriana, tamin'ny alàlan’ny vavolombelona roa (Apok.11:3-12). Vonona ny hiaiky izy ireo fa ny fomba fiainany taloha, miorina amin'ny fomban'ny sivilizasiona taloha naorin'i Satana, dia ratsy. Ary hanaiky am-pifaliana ny lalan'Andriamanitra izy ireo.
               An-tapitrisa maro ny olona hotorontoronina ara-panahy, hitombo amin'ny toetran'Andriamanitra, ary hateraka ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra mandritry ny Fanjakana Arivo Taona.
1. Rehefa nilaza tamin'i Isaia mpaminany Andriamanitra fa jamba ny ankamaroan'ny Isiraely (Isa. 6:10), inona no nangatahiny tamin’Andriamanitra? Andininy 11. Hafiriana no nolazain'Andriamanitra fa haharetan’ity fahajambana ara-panahy ity? Andininy 11-12.
2. Moa ve ho voavonjy ihany ny Isiraely rehetra aorian'ny fiaviana fanindroany an’i Kristy – Ilay Mpanafaka - hivoaka avy ao Ziona hiantso azy ireo ho amin'ny famonjena? Rom.11:26-27.
3. Moa ve hahafantatra ny lalan'Andriamanitra, ary handeha amin'ny lalany ireo firenena eto an-tany, izay tsy mbola nandre ny momba an'ilay Andriamanitra marina sy ny fomba fiainany izay mitondra mankany amin'ny famonjena? Mika 4:2; Isa.66:18-23; 11:10.
FANAMARIHANA: Ny Jentilisa koa dia ho tonga koa mba hampianarin'i Kristy, ilay Mpanafaka niverina ary "Solofon'i Jese", mba hampianariny aorianan’ny fiverenany, mba hanesorany ny fahajambana ara-panahy amin’ny taranak’Isiraely.
4. Rehefa lasa Mpanjakan'ny tany manontolo i Kristy mandritry ny Fanjakana Arivo Taona, moa ve ny Fanahy Masina (marihin'ny "rano velona") hivoaka avy any Jerosalema? Zak.14:8-9. Handatsaka ny Fanahiny amin'ny olona rehetra ve Andriamanitra? Joela 2:28-29.
FANAMARIHANA: Hanana anjara amin'ny Fanahy Masina ny rehetra mba hahafahan’ny olona hanokatra ny sainy hahalala ny lalan'Andriamanitra momba ny famonjena. Amin’ny voalohany, ny taranaka maoderin’ny foko roa ambin'ny folon'ny Isiraely fahizay dia hianatra hankatoa. Avy eo, dia hanaraka ny ohatra nasehony koa ny firenena hafa rehetra.
Eritrereto io fotoam-pifaliana lehibe izaitsizy io, satria ny mpikambana vaovao ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra dia teraka ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra mandritry ny Fanjakana Arivo Taona! Ireo dia hiaraka amin'ireo olomasina mpitondra, ary hiomanana ho amin’ny fotoana izay hananganana amin’ny maty ireo olona an-tapitrisa maro ary hampianarana azy ireo ny làlan'ny famonjena, aorian'ny Fanjakana Arivo Taona.

Antsoina ny sisa aorian'ny Fanjakana Arivo Taona

               Ireo rehetra miaina mandritry ny Fanjakana Arivo Taona dia hanana anjara mavitrika amin’ny fandrosoana amin’ny dingan’ny famonjena. Hanana fahafahana hitombo ara-panahy izy ireo mba ho teraka ara-panahy ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra. Fa ahoana kosa ny amin'ireo izay efa maty, nefa tsy nanana anjara mba hahatakatra ny fahamarinan'Andriamanitra?
1. Moa ve azon'i Paoly mazava fa ny vahoakan'ny Isiraely, sy ny olombelona amin'ny ankapobeny, dia jamba ara-panahy? Rom.10:16, 18-21. Na dia efa naheno ny Filazantsara aza ireo Isiraelita ireo, dia tsy nankatoa izany. Moa ve satria Andriamanitra dia ninia namela azy ireo ho azon’ny fahajambana? Rom.11:8, 25, 32. Fantatr'i Paoly ve anefa fa hanana anjara izy ireo amin’ny ho avy mba handraisany ny famonjena? Andininy 26.
FANAMARIHANA: Rehefa nilaza i Paoly fa "hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra", ny tiany holazaina dia ny Isiraely REHETRA, anisan'izany ireo tamin'ny androny. Fa rahoviana izy ireo no homena fahafahana ho tonga amin'ny fahalalana ara-panahy momba ny famonjena?
2. Moa ve ny mpaminany Ezekiela namaritra ny fitsanganan’ireo Isiraelita efa maty hiverina amin'ny fiainana mety maty? Ezek.37:11-13. Moa ve izany dia mazava fa fitsanganana ho amin'ny fiainana ara-nofo? Ny vatana notantaraina ve manana nofo, hoditra ary taolana, ary mila rivotra hiainana? Andininy 5-9.
3. Moa ve hanome ny Fanahiny amin'ireo olona an-tapitrisany koa Andriamanitra? Andininy 14. Hitsangana amin'ny maty ve ireo Jentilisa ary “hody amin'ny toetrany taloha"? Ezek.16:55.
FANAMARIHANA: Isiraely dia filazana an’ohatra ny firenena rehetra. Ireo faminanian'i Ezekiela dia mamaritra fotoana iray izay hahatonga ny Isiraelita sy ireo Jentilisa izay efa maty tsy mba nahalala momba ny ara-panahy, izay homena anjara mba ho mendrika hahazo famonjena.
4. Moa ve tian’Andriamanitra hantsoina sy hovonjena ny olon-drehetra amin'ny farany? 2Pet.3:9; 1Tim.2:4. Moa ve tsy maintsy ho voavonjy amin’ny fotoana iray daholo ny olombelona rehetra, sa ve hanaja fandaharana voafaritra mazava Andriamanitra? 1Kor.15:22-24.
FANAMARIHANA: Tahaka ny ahafatesan’ny olombelona rehetra, dia toy izany koa, ny rehetra dia samy hatsangana amin’ny maty (1Kor.15:22). Ny olona rehetra izay efa niaina ka maty dia hatsangana amin'ny maty. Kristy no nitsangana tamin'ny maty voalohany. Avy eo, dia anjaran’ireo olo-masina maty talohan'ny fiverenan'i Kristy.
               Fa ahoana kosa ny amin'ny ankamaroan'ny olona izay tsy mba an'i Kristy mihitsy? Ny andininy 24 dia mampiditra azy rehetra any amin'ny "farany" – fotoana izay hahavitan'i Kristy ny asany ka handreseny ny fahavalo rehetra (andininy 25). Izany dia hitranga aorian'ny Fanjakana Arivo Taona (Apok.20:7-10).
               Ireo izay mbola tsy nandre na nahatakatra ny fahamarinana dia tsy hosaziana ho faty mandrakizay. Tsy ninia nanota, na nanota an-tsitrapo izy ireo. Tsy mba nanana ny “anjarany” izy ireo. Na dia ireo nitandrina fatratra izay fantany aza ny sasany, fony fahavelony, ny Baiboly dia mampianatra fa fomba iray ihany no hahazoana famonjena, dia ny finoana an'i Kristy (Asa.4:12) sy ny fiovam-po ara-panahy araky ny hamaritan'ny Baiboly azy.
               Ny ankamaroan'ireo olona malalantsika izay maty nefa"tsy voavonjy" dia azo inoana fa tsy very amin’ny ankapobeny. Angamba tsy mbola nantsoina izy ireo fony fahavelony. Fa ho avy ny fotoana any aoriana. Hatsangana amin'ny maty amin'ny fiainana ara-nofo izy ireo. Hisokatra ny masony ary hahatakatra ny zavatra ara-panahy izy ireo, ary hanana anjara hahafeno ny fepetra mba ho tonga mpikamban'ny Ankohonan’Andriamanitra. Ny Apokalypsy 20 dia manambara amintsika ny fotoana hitrangan’izany fitsanganana amin'ny maty izany.
5. Miresaka fitsanganana "voalohany" ve ny Baiboly? Tsy milaza an-kolaka ve izany fa misy fitsanganana amin'ny maty hafa? Apok.20:5, tapany farany. Rahoviana ny fitsanganana faharoa? Andininy mitovy, tapany voalohany.
FANAMARIHANA: Ny tapany voalohany amin'ny andininy 5 dia FANAMARIHANA mifono. Io no fitsanganana amin'ny maty voalohany. "
               Ilay fehezanteny hoe "Izany no fitsanganana voalohany." dia manondro ny fitsanganana amin'ny maty ara-panahy ho an'ny voaloham-bokatry ny planin’Andriamanitra, izay hitranga amin'ny Fiverenan'i Kristy Fanindroany, alohan'ny hiatombohan'ny Fanjakana Arivo Taona (Apok.20:4, 6).
6. Ao amin’ny andininy inona koa no misy resaka fitsanganana faharoa? Apok.20:11-13. Ahoana ny fomba hitsarana ireo olona ireo? Andininy 12.
FANAMARIHANA: Ny tena Kristiana ankehitriny dia tsy anisan’ireo maty mitsangana eo anoloan'ny seza fiandrianan’Andriamanitra, satria izy ireo dia hiseho eo anatrehan'i Kristy, ary handray ny valisoany amin'ny fitsanganana voalohany rehefa miverina fanindroany Izy.
               Ireo maty “nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana” koa dia tsy ireo niova fo nandritry ny Fanjakana Arivo Taona, satria izy ireo dia efa nandova ny Fanjakana nandritry ny arivo taona, taorian'ny niainany nandritry ny vanim-potoana mahazatra.
               Ireo anisan’ny nitsangana amin'ny maty faharoa dia ireo izay maty tamin'ny tsy fahalalana ara-panahy, tamin'ny taon-jato maro nifandimby. Mandritry ny fitsanganana faharoa no hananany anjara mba hahafeno ny fepetra hahazoany famonjena!
               Ny teny grika nadika hoe "boky" ao amin'ny andininy 12 dia biblia. Avy amin'io teny io no nahazoana ny teny anglisy hoe "bible", izay nadika amin’ny teny Malagasy hoe “baiboly”. Ny boky izay novelarina dia ny Baiboly! Hisokatra ny Baiboly ho an'ny olona an'arivo tapitrisa maro izay tsy afaka nahalala sy nahatakatra ny fikasana sy ny planin’Andriamanitra ho azy ireo, nandritry ny androm-piainany taloha. Ireo olona an'arivo tapitrisa maro ireo, izay tsy mbola nantsoin'ny Ray, ary tsy mbola nomeny ny Fanahin'ny fahendrena, dia hahatakatra amin’izany fotoana izany.
               Ny olona sasany, izay mihevitra fa ny "fitsarana" dia midika famoahana didim-pitsarana mikasika ny fitondran-tena tany aloha, dia nihavitra fa, na dia hibebaka aza izy ireo, dia tsy afaka hanao na inona na inona hanovana ny anjarany farany. Soa ihany fa be famindram-po Andriamanitra; Vonona hamela heloka hatrany Izy raha mibebaka marina noho ny ota nataony ny olona.
               Amin'io fotoana fitsarana io, dia tsy vitan’ny hoe hazava amin’ny olona ny Baiboly, fa ho sokafana koa ny bokin’ny fiainana. Ireo olona ireo dia afaka hahazo ny fiainana mandrakizay. Andriamanitra, Izay marina, dia hanome azy ireo tombontsoa mitovy amin'izay azon'ireo izay antsoiny amin'izao fotoana izao.
               Na izany aza, tsy hiaritra ny fitaoman’i Satana izy ireo, izay mahazo ny kristiana ankehitriny, satria i Satana dia efa manefa ny saziny (Apok.20:10).
               Aoka ho azontsika tsara ny dikan'ny fitsaran'Andriamanitra izay resahina ao amin'ny Apok.20:12.
7. Moa ve ny Kristiana marina ankehitriny dia efa tsarain'Andriamanitra? I Pet. 4:17. Moa ve ny tanjon'izany fitsarana izany dia ny mba hisorohana ny fanamelohana azy ireo? 1Kor.11:32.
FANAMARIHANA: Andriamanitra dia mitsara ireo zanany notorontoroniny ara-panahy amin'ny fanombatombanana ny fanarahany ny Teniny izay voasoratra, mandritry ny androm-piainany. Ny valisoany ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra, araky ny efa nianarantsika tao amin'ny lesona 20, dia miankina amin'ny fivoaran’ny toetrany mandritry ny fiainany mety maty.
               Ireo izay hatsangana aorian'ny Fanjakana Arivo Taona dia hotsaraina amin'ny fomba mitovy amin’izany. Toy ny Kristiana ankehitriny izay notorontoronina ara-panahy, dia homena fotoana ampy izy ireo hanaporofoina fa vonona ny handeha araky ny lalan'Andriamanitra izy ireo. Afaka hanana fiainana mitombo sy mankatoa an'Andriamanitra izy ireo.
               Ny Fanahy Masina dia azon’ny rehetra raisina, satria tsy afaka hitaona na iza na iza ara-panahy intsony i Satana, ireo izay anisan’ny mandray anjara amin’ny fitsanganana fanindroany dia hanana anjara voalohany sy tokana hahafeno ny fepetra hahazoany ny famonjena amin'ny alàlan'ny fibebahana, ny batisa, ary ny fanorenany toetra masina araka an'Andriamanitra mandritry ny fiainana ara-nofo eto an-tany faharoa.
               Amin'ny fiafaran'ity fe-potoana fitsarana ity, ireo izay maharitra miaina amin’ny lalan'Andriamanitra dia hovaina ho olona tsy mety maty.

            Ny mponina rehetra tao Sodoma dia maty taonjato maro talohan’ny naminanian’i Ezekiela (Gen.19:24-25). Hampody azy ireo avy amin’ny fahababoany Andriamanitra (Ezek. 16:53) ka hanangana azy ireo amin’ny maty. Ny Isiraelita rehetra tsy niova fo dia hiara-hatsangana amin’ireo mpanompo sampy, ary sambany izy ireo no hanana anjara mba ho mendrika ny hovonjena (and.62). Tsy manazava ny fotoana hitrangan’izany fitsanganana amin’ny maty izany ny mpaminany Ezekiela, saingy nambaran’i Kristy tamin’ny Apostoly Jaona izany.

            Mariho tsara izay ambaran’ny tapany voalohany amin'ny andininy 5: "Fa ny sisa amin'ny maty [ireo izay tsymbola nanana anjara mihitsy hahazoana ny fahamarinan'Andriamanitra] dia tsy mbola velona [tsy mbola nitsangana amin'ny maty] mandra-pahatapitry ny arivo taona".Ity fitsanganana amin'ny maty, izay mitranga aorian'ny arivo taona ity, dia ny fitsanganana faharoa. Izany dia fitsanganana amin'ny maty ho amin’ny fiainana ara-nofo!

Ny ankamaroan’ny olona dia haterak’Andriamanitra

            Mba eritrereto anie ny fahagagan’ny olona izay hitsangana amin’ny maty eo am-piandohan’ny fotoam-pitsarana izay avy noresahintsika teo ê! Hatramin’ny nahafatesany, dia izao izy vao hanana fieritreretana. “Natory” nandritry ny taonjato maro izy ireo. Eo am-piandohana, dia mety hieritreritra ny sasany fa efa “any an-danitra”, na “any amin’ny afobe”, na “any amin’ny afo fandiovana” izy. Ny ankabeazan’izy ireo dia ho menatra, na ho sanganehana.

            Tsy misy tamin’izay efa nianaran’izy ireo momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana no voaporofo fa marina. Rehefa mifanatrika amin’ny porofo tsy azo lavina momba ny fahadisoan’ny lalany fahiny, sy ny fampianarana azony sy nankatoaviny izy ireo, dia ho vonona hiaiky ny fahadisoany, hamerina hiaina hatramin’ny voalohany, ary hianatra ny fahamarinana. Olona an’arivo tapitrisa maro, izay tsy mbola nahazo fampianarana momba ny fivavahana, no hianatra ny fahalalàna rehetra hatrany am-boalohany.

            Iza no hampianatra an’ireo olona an’arivo tapitrisa maro ireo? Ho teraka ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra ny mpampianatra an’arivony maro aémin’ny fitsanganana voalohany sy mandritry ny Fanjakana Arivo Taona.

            Ireo izay hatsangana amin’ny fiainana hafa mety maty dia hanaraka fomba fiovam-po mitovy amin’izaymihatra amin’ireo kristiana notorontoronin’ny Fanahy Masina ankehitriny. Hampianarina azy ireo ny Lalàn’Andriamanitra, ary dia ho fantany fa meloka izy ireo fa nanota. Ho fantany fa mendrika ny ho faty mandrakizay izy ireo ho saziny, noho ny fandikana lalàna nataony.Ho fantany ihany koa fa mpamindra fo Andriamanitra, ary i Kristy, raha vao nanaiky ny sorona nataony izy ireo, dia efa nandoa ny sazin’ny otany hisolo azy ireo. Tsy misy hisalasalàna fa ny ankabeazan’izy ireo dia hibebaka noho ny fahotany.

               Rehefa mibebaka sy mino an'i Kristy ho Mpamonjiny manokana izy ireo, dia hahazo famelan-keloka ary homena azy ireo ny Fanahy Masina. Avy eo, amin’ny maha-zanaka notorontoronin’ny Fanahin’Andriamanitra azy ireo, dia afaka manomboka mitombo ara-panahyizy ireo, mampivelatra ao anatiny ny toetran’Andriamanitra masina sy marina ary lavorary.

               Ho an'ny maro, ny manary ny fampianaran-diso rehetra izay efa nianarany tamin'ny fiainany voalohany, ary mianatra ny lalan'Andriamanitra marina dia mila fotoana be. Ary ny fanefena toetra dia mandany fotoana, satria ny toetra amam-panahy dia tsy ho azo hatsaraina raha tsy amin'ny alalàn'ny fotoana sy traikefa.

1. Haharitra hafiriana ny fe-potoana fitsarana azy ireo? Isa.65:20.

FANAMARIHANA: Ity andininy ao amin'ny Isaia ity dia manondro io fe-potoana fitsarana io, izay milaza fa ireo hatsangana amin'ny maty dia ho velona mandritry ny 100 taona, tsy misy fijerena ny taonany fony izy maty.

               Andriamanitra dia lehibe, be famindram-po, be fitiavana ary tsy tiany hisy ho very na dia iray aza. Tiany ho tonga amin’ny fahalalana ny marina sy amin'ny fibebahana marina ny rehetra.

               Saingy fantany koa fa tsara indrindra ho an'ny ankamaroan'ny olona no tonga mahalala ny fahamarinany any amin'ny tontolo tsara kokoa noho ity tontolo ratsy ankehitriny ity. Izany no antony hifohazan’izy ireo amin'ny fitsanganana faharoa, any amin’ny tontolo tsy misy ny fitaka ataon'i Satana, any amin’ny tontolo fehezin’ny Ankohonan’Andriamanitra am-pitiavana

               Izy ireo dia ho afaka mampitaha ny vokatry ny 6.000 taona nisian'ny fomba fiainana araky ny lalan’i Satana “mandray”, sy ny 1000 taonan’ny lalan’Andriamanitra "manome", eo ambany fahefan’i Kristy. Koa satria mifarana ny tantaran'ny zanak'olombelona 7000 taona ankehitriny, ireo mety maty ireo dia hiatrika tsara ny vokatry ny traikefa niainany taloha tao amin’ny fahotana.

               Ny maro an'isa dia hisafidy ny lalan'Andriamanitra.

2. Ahoana no anondroan'i Jesosy an'io "andro" manokana na vanim-potoana fitsarana io ho an'ny olona mbola tsy handre ary tsy hahatakatra ny hafatry ny famonjena mahatalanjona raha tsy any aoriana any? Mat.11:20-24; 12:41-42.

FANAMARIHANA: Kristy dia niresaka ny mponina tany Tyro, Sidona, Sodoma, Ninive tamin'ny andron'i Jona, ary ny Mpanjakavavy avy any atsimo. Nampitahain’i Jesosy tamin'ireo olona niaina amin'ireo tanàn-dehibe sy tanàna hafa tamin’ny androny (ary ny ankamaroan’ireo dia tsy nahazo ary tsy nino ny hafatr'i Kristy) ireo olona izay niaina tamin'ny vaninandro samihafa. Jesosy dia nilaza fa izy rehetra ireo dia hatsangana amin'ny maty miaraka amin'ireo olona niaina tamin'ny androny!

               Jesosy dia nitanisa olona maro izay niaina tamin’ny vanim-potoana samy hafa ao amin’ny Tantara, mba hanaporofoana fa ny ankamaroan'ny olombelona dia hiaraka ho velona amin'ny fotoana iray ihany eto ambonin'ny tany. Ankoatry ny hafa, dia hisy ny olombelona niaina talohan'ny Safo-drano, ireo foko roambinifolon’Isiraely, ireo izay niaina nandritry ny Moyen-Âge sy ny ankamaroan'ny olona miaina ankehitriny. Na ireo zazakely sy ankizy kely maty mbola kely aza dia hatsangana amin'ny maty amin’izany fotoana izany. Hitsangana amin'ny fitsanganana faharoa izy rehetra, satria tsy nantsoin'Andriamanitra nandritry ny androm-piainanyizy ireo.

Ireo antokon’olona ireo dia misy ny olona rehetra niaina manerana ny fotoana rehetra amin’ny Tantara, afa-tsy ireo izay efa naterak’Andriamanitra ankilany, ary ireo efa afaka nahafeno ny fepetra mba handraisany ny fiainana mandrakizay, nefa ninia nanary an’izany an-tsitrapo. Ireo dia hatsangana amin’ny fitsanganana fahatelo farany, mba hatsipy any amin’ny farihy mirehitra afo sy solifara. (Apok.20:14-15).

            Ny vahoaka taloha izay nolazain’i Jesosy ao amin’ny Matio 11 sy 12 dia mety ho nibebaka raha tonga tany aminy nandritry ny andro niainany i Jesosy. Hibebeka ary handray ny Fanahy Masina izy ireo rehefa hitsangana amin’ny maty, ao amin’ny tontolo hotarihin’i Kristy, mandritry ny Fanjakana Arivo Taona!

            Ny Baiboly dia manambara fa ny ankabeazan’ny olona izay miaina dia ho teraka ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra amin’ny fiafaran’ny vanim-potoana fitsarana izay ho avy. Hifarana eo ny planina mahagaga nataon’Andriamanitra mba hamonjena ny olombelona.

            Tena mahagaga sy manome toky ny fahamarinan’ilay Andriamanitra mpamorona izay mahalala ny zavatra rehetra sy be fitiavana ary be famindram-po!

No comments:

Post a Comment