Inona ny Filazantsara Marina?

 

Ambasadaoro Kolejy - Toko Faha-20

INONA NY FILAZANTSARA MARINA?

Tonga teto an-tany i Jesosy Kristy efa ho 2000 taona lasa izay, hitondra hafatra avy amin'Andriamanitra. Maty izy noho ny nitondrany izany! Inona izany hafatra izany?

______________________________________________________________________________

            Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao... (Asa 16:31). Izany no hafatry ny ankamaroan’ny mpitoriteny Kristiana ankehitriny. Nefa izany tokoa ve no filazantsara marina? Toa tsy mahafantatra izany ny olona rehetra!

Inona no tsy Filazantsara

            Ny hira re ao amin’ny radio sy televiziona, isaky ny alahady maraina, manerana ny firenena maro eran-tany, dia antsoina hoe “Fandaharan’ny Filazantsara”, ary dia henonao sy hitanao ny mpitoriteny milaza aminao ny momba an’i Kristy- mamporisika anao hino an’i Kristy- hanaiky an’i Kristy- milaza aminao fa olona tena mahafinaritra Izy. Milaza izy ireo hoe “mandraisa ny Filazantsara”, izany hoe “ny hafatra momba an’i Kristy”. Noho izany, isaky ny Alahady maraina, ny mpijery sy mpihaino an-davitrisany maro no mihevitra fa mandre ny Filazantsara momba an’i Jesosy Kristy izy ireo.

            Na mino ianao na tsy mino, ny mitory an’i Kristy sy ny mino ny momba Azy dia tsy mitory ny Filazantsaran’iKristy!

            Kristy dia mpitondra hafatra. Nitondra ny Filazantsara Izy- ny hafatra nalefan’Andriamanitra tamin’ny alalany ho an’ny olombelona rehetra. Io Hafatra io no Vaovao Tsara. Ny tena teny hoe “Filazantsara” dia midika hoe Vaovao Tsara”.

            Marina fa, Jesosy Kristy, Ilay olombelona, no olona faran’izay manan-danja indrindra nandalo teto an-tany. Marina fa Izy no Mpamonjy ny olombelona rehetra. Nefa i Kristy, ny maha-olona Azy, dia Tsy Filazantsara!

               Ireo fahagagana nataony dia tsy filazantsara. Ireo zavatra nataon'i Jesosy dia tsy filazantsara. Izay notoriny - ny vaovao tsara mahatalanjona nambarany- izany no "Filazantsara"!
               Izay neken'ny olona ho filazantsara, tsy manontany na inona na inona, dia tsy mitondra vahaolana amin'ny fijalian'ny olombelona, amin’ny fahadisoam-panantenana sy ny faharatsiana tsy voatanisa. Ny Filazantsara marina izay nentin'i Jesosy dia manambara ny vahaolana ho an'ny ny olana eto amin'izao tontolo izao. Saingy nolavin'ny olona izany filazantsara izany, ary nohomboany tamin'ny hazo fijaliana i Jesosy noho izy nitory an'io!

Mitory an'i KRISTY- Mpitoriteny an'arivony, mihambo ho mpanompon'i Kristy, no mitory momba an'i Kristy, nefa tsy mitory ny hafatry ny Filazantsara izay notoriny mandritry ny 1900 taona lasa izay!

"Ireo mpino" te-hamono an'i Kristy!

               Nisy ireo tamin'ny andron'i Kristy izay "nino Azy, "toy ny olona an-tapitrisany ankehitriny. Voataona tao an-tsainy ireo olona ireo ihany ka te-hamono Azy! Mariho io fahamarinana mahatalanjona io ao amin'ny Baibolinao. Ny ankabeazan’ny olona dia tsy mahalala marina izay lazain’ny Baiboly.
               Fa nandà tsy nety nino ary tsy nety nanao izay nampianariny – ny Filazantsarany - ireo. Nino Azy izy ireo. Tian'izy ireo Izy. Nino ny maha-Izy azy izy ireo. Nino izy ireo fa Izy no ilay Mesia, i Kristy, nefa tsy nino IZAY LAZAINY izy ireo! Nolazain'izy ireo hoe mpandainga Izy.

            Jesosy dia niresaka tao amin'ny Tempolin'i Jerosalema: "Dia hoy Jesosy tamin'ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin'ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa" (Jaona 8:31). Ny "tenin"'i Jesosy dia ny hafany-ny filazantsara izay nampianariny. Hoy Izy, raha lazaina amin'ny teny hafa: "Raha maharitra manao izay ampianarin’ny filazantsara ianareo, dia ho mpianatro tokoa."

            Nanohy i Jesosy, hoy i Jesosy: "... nefa mitady hamono Ahy, satria ny teniko tsy mitombo ao anatinareo. Izay efa hitako tamin'ny Ray no lazaiko..."(Jaona 8:37-38). Ireo olona ireo izay "nino Azy" dia nitady hamono Azy satria halany ny zavatra nolazainy - ny filazantsarany - izay vahaolana indrindra ho an'ny tebitebin’ny zanak'olombelona, izay hitondra fiadanana, fanambinana ary fahasambarana eto ambonin'ny tany rehetra!

            Ireo izay nino Azy dia mbola namaly foana.

            Ary hoy i Kristy: "Fa ankehitriny ianareo mitady hamono Ahy, Izay Lehilahy nilaza ny marina taminareo, dia izay efa reko tamin'Andriamanitra…satria avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako aty ; fa Izaho tsy tonga ho Ahy, fa Izy no naniraka Ahy… Fa satria milaza ny marina Aho, dia tsy inoanareo. " (and. 40, 42, 45).

An-tapitrisany no voafitaka ankehitriny

               An-tapitrisany koa no mino an'i Kristy ankehitriny, saingy tsy mino ny filazantsarany, satria tsy mbola naheno izany ny ankamaroany! Efa nandre resaka momba an'i Kristy izy ireo - dia ny zavatra nataony fa tsy mbola naheno ny hafatra nentiny momba ny vahaolana ho an’ny olona rehetra, sy ny fomba hahazoana fiainana mandrakizay amin'ny fifaliana, fahasambarana, fitahiana ary fahatratrarana ny tanjona! Noho izany dia an-tapitrisany maro no voafitaka hino filazantsara tsy izy izay tsy mitondra mankany amin'ny famonjena!
               Henjana izany teny izany, nefa araka ny ho hitantsika, dia nadika avy tamin’ny Tenin Andriamanitra izany.
               Ity lesona ampianarin'ny Fiangonan’Andriamanitra Miray ity dia haneho anao hoe inona marina moa ity filazantsaran'i Jesosy Kristy ity; nahoana no tena ilaina tokoa izany amin’ny famonjena anao, ny fotoana sy ny toerana nitoriana izany voalohany, ary iza no mitory izany amin’izao fotoana izao.
               Ataovy azo antoka tsara ny manana ny Baibolinao alohan'ny hamakiana teny hafa. Jereo ny Soratra Masina rehetra omena ho valin’ireo fanontaniana rehefa mandalina ny fahamarinana momba ny filazantsaran'i Jesosy Kristy ianao.
Manantena izahay fa maka fotoana handika ihany koa ireo andinin-tsoratra ireo ao anatin'ny kahie ianao. Tsy vitan’ny hoe hanampy fotsiny amin’ny fifantohana amin'ny fianaranao izany, fa hanampy anao koa hampitoetra bebe kokoa ny fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra ao an-tsainao. Ny fanoratana ny Soratra Masina ihany koa dia ahafahanao mamerina mijery indray ity fianarana ity amin'ny fotoana rehetra amin’ny ho avy.

LESONA 20

Filazantsara diso no torin’ny maro ankehitriny

               Any amin’ny tontolo tandrefana milaza tena ho kristianaa, dia filazantsara maro karazana no toriana any. Ny sasany manondro ny filazantsarany ho "Filazantsaran’i Jesosy Kristy". Ny hafa miantso ny filazantsarany hoe" Filazantsaran'ny famonjena". Ny sasany kosa dia mitonona ho "Filazantsaran'ny fahasoavana."
               Eo ihany koa ny "Filazantsaran’ny Fiaraha-monina maoderina", fa ny sasany kosa miantso ny filazantsarany hoe "Ny hafatry ny Isiraely".
               Tsy misy na iray aza amin'ireo no mitory ny Filazantsara izay notorian’i Jesosy!
               Ahoana no hanazavana fa ireo milaza tena ho Kristiana dia tsy mitory ny Filazantsara tokana sady marina izay nambaran’Andriamanitra tamin’ny nanirahany an'i Jesosy Kristy?
1. Moa nilaza tamin'ny mpianany ve i Jesosy fa alohan'ny fiverenany, maro no mety ho voafitaky ny fampianaran-dison’ny mpitori-teny milaza ho misolo tena an’i Kristy ary koa aza milaza tena ho Kristy? Mat.24:4-5.
FANAMARIHANA: Mpitori-teny an’arivony maro no "nitory an'i Kristy" nandritra ny taonjato maro. Nilaza tena ho minisitr’i Kristy izy ireo ary tonga amin’ny anarany. Nanambara ireo fa i Jesosy avy any Nazareta no Kristy. Nefa nanakona ny filazantsaran'i Kristy tamin’ny tontolo izy ireo. Araka izany, ny ankamaroan’ny mpino dia voafitaky ny filazantsara diso!
.Moa ve efa feno antikristy maro sahady tamin'ny andron'ny Apositoly Jaona (tokony ho 90 tar JK)? 1Jaona 2:18.
3. Moa ve ny Apostoly Paoly nitaraina fa hoe efa maro ny Apostoly sandoka, mampianatra Filazantsara sandoka tamin’ny androny? Gal.1:6-8.
FANAMARIHANA: 20 taona taorian'ny nahafatesan'i Kristy, moa ve i Paoly nanozona ny olona rehetra izay sahy nitory filazantsara hafa ankoatra ilay tena filazantsara marina izay notorin'i Jesosy, ary notohizan’ i Paoly notoriana tamin’ny Galatianina? Na izany aza, nisy « filazantsara » iray hafa efa notoriana tamin’ny Galatiana nataon'ireo minisitra sandoka mihambo ho misolo tena an’i Kristy.
               Ny filazantsara marina dia norarana tsy ela akory taorian’ny nahavitan'i Kristy ny asany. Taorian'ny taona 70, tsy nambara ampahibemaso tamin'ny an'izao tontolo izao intsony izany.
               Ny tena Fiangonan'Andriamanitra dia noteren'ny fanenjehana "handeha ambanin'ny tany", mitana serivisy miafina, mampita ny fahamarinan'Andriamanitra samirery.
4. Moa ve naverin'i Paoly ny ozona mba hianjera na amin’iza na amin’iza mamadika ny tena filazantsara ary mitory filazantsara sandoka? Gal.1:9.
FANAMARIHANA: Mitohy ny fitorina ampahibemaso ny filazantsara diso, ka hatramin’izao, dia am-polony maro ny filazantsara samihafa ampianarina toa filazantsara marina. Satria tsy mahalala na inona na inona momba ny filazantsara marina ny ankamaroan’ny olona, dia mandà izy ireo rehefa maheno voalohany izay ambaran’ny Fiangonan'Andriamanitra amin’izao fotoana izao!
5. Inona no nampitandreman'i Paoly, tao amin'ny taratasiny ho an'ny Fiangonana Korintiana (nosoratany talohan'ny taona 60 tar JK), an’ireo izay nitory "Jesosy hafa," na nahazo " fanahy hafa "ary nanaiky "filazantsara hafa "? 2Kor.11:3-4.
FANAMARIHANA: Ilay Jesosy notorian’ireo minisitra sandoka ireo, ny fanahy noderain'izy ireo izaitsizy, ary ny "filazantsara" izay nampianarin'izy ireo dia sandoka avokoa. Na ny Apostoly Paoly, na ny Apostolin'i Kristy hafa dia tsy nanaiky ireny!
6. Araky ny nolazain'i Paoly, inona no miandry an'ireo izay manakana ny fahamarinan'Andriamanitra noho ny faharatsiany sy ny tsy fahamarinany ? Rom.1:18.
FANAMARIHANA: Alohan'ny faran'ny taonjato voalohany amin’ny fanisan’androntsika, ny hafatry ny filazantsara tena marina nampianarin'i Kristy sy ireo Apostoliny dia noesorina sy nosoloina "filazantsara" diso. Ny hafatr'i Kristy dia tsy notoriana eran'izao tontolo izao mandra-pahatongan'ny tapany farany tamin'ny taonjato faha-20!
7. Nilaza ve i Jesosy Kristy fa ilaina ny mino ny filazantsara mba ho voavonjy? Marka 16:15-16.
FANAMARIHANA: Mariho fa hoy i Jesosy hoe "Izay mino." Fa mino inona? Izay notoriny: ny filazantsara! Tsy filazantsara iray. Tsy izao filazantsara rehetra izao akory. Ny filazantsaran’i Kristy!
Satria tokoa mantsy, nanambara tamim-pahefana i Jesosy Kristy fa, raha te-ho voavonjy,dia ilaina ny mino an’io filazantsara io! Nefa, raha hino ny filazantsara marina ianao, dia tsy maintsy fantarina aloha izany, ary mahafantatra ny momba izany.
Talohan'ny nanombohan'i Jesosy Kristy nitory ilay hany filazantsara marinha, efa ho Taonjato sivy ambin'ny folo sy tapany lasa izay, Andriamanitra dia nandefa iraka manokana hanomanana ny lalana eo anoloany.

            Marina aloha fa izay voafitaka dia tsy mahalala hoe nofitahina izy. Raha tsy izany dia tsy ho voafitaka izy. Olona an’aliny maro no diso hevitra ka lasa manaiky filazantsara diso – famonjena sandoka.

Koa izany no antony nanomezan’ i Paoly izany fampitandremana izany ho an'ny Rahalahy Korintiana (ary ho antsika ankehitriny koa): "Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin'i Kristy. Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava. Koa tsy zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon'ny fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany."(2Kor.11:13-15).

Ireo irak'Andriamanitra sy ny hafatra nentiny

               Ny mpaminany Malakia dia niara-niaina tamin'ny jiosy zanatany izay nalefa tany Jerosalema, nivoaka avy tamin’ny fahababoana tany Babylona sy Medo-Persia, mba hanangana ny tempoly faharoa. Malakia dia nanoratra teo amin'ny taranaka iray taorian'i Zorobabela, Ezra sy Nehemia.
               Zava-dehibe no hahafantarana izany, satria ny asa-sorany dia tsy nahatratra afa-tsy ny ampahany kely tamin'ny Joda, ary tsy nisy na iray aza avy tamin’ny mpianakavin'i Isiraely izay lazain'ny sasany ho foko folo "very". Na izany aza, ny faminanian'i Malakia dia nalefa tamin’ny Isiraely (Mal.1:1), fa tsy ho an’ny Zanatany jiosy kely fotsiny tany Jerosalema izay niarahany nipetraka.
               Saingy tsy tonga tany amin'ny taranak’Isiraely mihitsy ny hafany, izay efa ela no nentin’ny Asyriana babo sy niparitaka. Izany no izy dia satria ny hafatr'i Malakia dia faminaniana ho an'ny Israely rehetra ankehitriny!
1. Naminany ve i Malakia fa hirahin'Andriamanitra ny "irany" hanomana ny lalana ho amin’ny fiavian'i Jesosy Kristy? Mal.3:1; Marka 1:2-3.
FANAMARIHANA: Ny faminaniana ao amin'ny Malakia dia sady mihatra nanomana ny lalana ho amin'ny fiavian'i Jesosy voalohany efa ho 2 000 taona lasa izay no hanomana ny lalana alohan'ny Fihaviany Fanindroany amin'ny fahefana sy voninahitra, ho Mpitondra an'izao tontolo izao. Ny Malakia 3: 2-6 dia natokana indrindra ho amin’ny fiaviany fanindroany. (Mbola hijery bebe kokoa momba izany isika amin'ity lesona ity.)
2. Iza ilay iraka nirahin'Andriamanitra hanomana ny lalana ho amin'ny fiavian'i Kristy voalohany? Lioka 1:13-17; Marka 1:4, 7-8.
FANAMARIHANA: Nolazain’ny mpaminany fa i Jaona dia 1) ho tonga miaraka amin'ny fanahy sy ny herin'i Elia; 2) hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka; ary 3) "... hamboatra firenena voaomana ho an'ny Tompo "(Lioka 1:17). Jaona dia nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka mba hanomanana olona maro hanaiky an'i Kristy amin'ny fanombohany ny asany.
3. Taorian'ny nanomanan'i Jaona ny lalana ho amin'ny fihavia         n’i Kristy voalohany, moa ve i Jesosy nahatanteraka ny iraka napetraka taminy amin'ny maha-Mpaminanin’ny Fanekena Vaovao Azy? Mal.3:1; Marka 1:14-15.
FANAMARIHANA: Nampanantena ny handefa iraka avy any an-danitra ho an'izao tontolo izao Andriamanitra, hitondra ny hafatry ny Fanekena Vaovao avy Aminy. Jesosy Kristy no irak'io Fanekena Vaovao io, araky ny nianarantsika tamin'ny lesona teo aloha. Ary tsarovy fa ny hafatry ny Fanekena Vaovao dia ny "filazantsara" notorian’i Jesosy!
4. Taiza i Jesosy no nitory voalohany ny filazantsara? Marka 1:14; Asan’ny Apostoly 10:36-37. Oviana i Jesosy no nanomboka nitory ny filazantsara? Andininy mitovy.
FANAMARIHANA: Galilia no toerana voalohany nitorin'i Jesosy ny filazantsara fa tsy i Jerosalema. Ary nanomboka nitory Izy “taorian 'ny batisa izay notorin'i Jaona” (Asa 10:37).
               Ny tena filazantsaran'ny Fanekena Vaovao izany dia tsy nanomboka tamin'i Jaona Mpanao Batisa akory. Nanomboka taorian'ny nahavitan'i Jaona ny asa fanompoany amin’ny fanaovana batisa sy ny nampidirina am-ponja azy izany.
5. Ho an’iza no nanirahan'Andriamanitra an'i Jesosy hitory ny filazantsara? Mat.15:24.
FANAMARIHANA: Jesosy Kristy no iraka masina nirahin'Andriamanitra hitory amin'ny taranak'i Isiraely fahiny. Araky ny niantsoan'i Malakia Azy ho mpitondra ny hafatry ny Fanekena (Mal.3:1), ny hafany dia ny fitoriana ny Fanekena Vaovao. Ity hafatra ity no filazantsaran'ny Testamenta Vaovao!
6. Moa ve taty aoriana Andriamanitra naniraka ny Apostoly Petera hitory izany filazantsara izany ho any amin'ny Jentilisa? Asan’ny Apostoly 10:34-48 ( mariho indrindra ny andininy 36-37); Asa 11:18.
FANAMARIHANA: ny filazantsara notorin'i Kristy tamin’ny zanak'Israely dia nanomboka nankany amin'ny firenena rehetra. Saingy tsy i Jesosy Kristy no fihavian'ny filazantsara, na i Petera, na ny Apostoly Paoly. Izany dia nalefan'Andriamanitra Ray tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy!

            Ny Malakia 3:1 dia voatokana mazava tsara ho amin'ny fiavian'i Kristy voalohany, satria io faminaniana io dia hita ao amin'ny Marka 1:1-2: "Ny niandohan'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy… Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao".

Ny "Filazantsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra"

1. Inona ilay "filazantsara "notorin'i Jesosy? Marka 1:14.
FANAMARIHANA: Ny hafatra nentin'i Jesosy Kristy no "filazantsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra." Ny Fanjakan'Andriamanitra dia ny fitondram-panjakan'Andriamanitra izay hanjaka amin'ny firenena rehetraFa izany koa dia ny Ankohonan'Andriamanitra izay hahaterahantsika - ny Fanakaviana Masina izay ho lasa firenena ara-panahy-, manjaka amin’ny firenena rehetra eto an-tany, ho governemanta manapaka ny tany rehetra.
               Jesosy dia nirahina hanambara fotsiny ny hafatra - tsy nanery ny olona hanaiky izany sy hino azy ary handray andraikitra Izy. Tsy mbola nitalaho tamin'iza na iza koa Jesosy mba hiova fo. Nanambara fotsiny ny vaovao mahafalin'ny Fanjakan'Andriamanitra Izy, ary avy eo dia namela ny Ray hiantso, amin'ny alàlan'izany fanambarana izany sy ny Fanahiny, ireo izay nofidiny (Jaona 6:44). Noho izany, Kristy dia tsy tonga hanova fo an'izao tontolo izao! Tsy nanomboka nanao tafika masina "hamonjena fanahy" Izy. Tonga Izy hanambara ny filazantsara - ny vaovao mahafaly - noho ny Fanjakana ho avy eto an-tany!
2. Na izany aza, moa ve i Jesosy nilaza fa ilaina ny mibebaka sy mino ny filazantsara notoriny? Marka 1:14-15.
FANAMARIHANA: Mariho fa hoy i Jesosy hoe: "Minoa ny filazantsara." Filazantsara inona? Ilay hany nambarany. Nilaza i Jesosy fa tsy maintsy mino ny filazantsara isika – ny vaovao tsaran’ny Fanjakan'Andriamanitra ho avy - ho tonga Kristiana! Tamin'izany, ary ankehitriny, dia fampandrenesam-baovao efa mandroso izany. Tena vaovao mahagaga, mahafinaritra - vaovao lehibe indrindra nambara tamin’ny olombelona hatramin’izay!
               Saingy, mety misy manontany hoe, tsy mila mino an’i Jesosy ve izany isika? Mazava ho azy. Mampianatra an'izany ny Soratra Masina hafa. Nefa tamin'io fotoana manokana io, dia nilaza i Jesosy fa tsy maintsy mino Azy isika -mino izay nolazainy-mino ny hafatry ny filazantsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra izay notoriny!
               Ny filazantsaran'i Jesosy Kristy dia tsy filazantsaran'ny olombelona momba ny tenan'i Kristy. Io no filazantsaran'i Kristy – Ny filazantsara izay notorin’i Jesosy - ny filazantsara nanirahan’Andriamanitra Azy, ary noho izany dia antsoina koa izany ao amin'ny Soratra Masina hoe: "filazantsaran'Andriamanitra." - ny hafany- ny vaovao tsara izay nampitondrainy an'i Jesosy.
3. Iza no nolazain'i Jesosy mazava fa naniraka azy ary niteny taminy izay holazainy? Jaona 12: 49-50.
FANAMARIHANA: Ny Ray dia naniraka an'i Jesosy hitondra hafatra manokana, dia ny vaovao tsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra. Jesosy dia mpitondra tenin'Andriamanitra - ny Teny izay tonga nofo, velona ary nampianatra tety ambonin'ity tany ity!
4. Moa ve i Jesosy namerina nanantitrantitra fa ny teny izay nolazainy dia tsy Azy fa an’ny Ray? Jaona 14:24.
5. Inona no nolazain'i Jesosy fa filazantsaran'ny Testamenta Vaovao? Lioka 16:16.
FANAMARIHANA: "Ny lalàna sy ny mpaminany" – voalazan’ny Testamenta Taloha - dia notorina
mandra-panombok'i Jaona Mpanao Batisa ny asany manokana.
               Rehefa vita ny asa nanirahana an'i Jaona, dia nanomboka nitory ny filazantsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra i Jesosy.
               Ny filazantsaran'i Kristy no fanambarana ara-paminaniana momba ny Governemantan'ny tontolo ho avy, hitantana ny firenen-drehetra ary hitondra fandriampahalemana sy fahasambarana eto amin’ity tanintsika mampalahelo ankehitriny ity, izay mijaly, mikorontana, ary reraky ny ady! Io no hafatry ny fitondram-panjakan'Andriamanitra izay tena velona, mavitrika, matanjaka, nalefa voalohany ho an'ireo olona ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra izay nanaiky an-tsitrapo ho avy teo ambanin’io fitondram-panjakana io, ary avy eo, ho an’ny firenen-drehetra manerana ny Tontolon’ny Ampitso.
               Mazava ho azy fa ny hafatra avy amin'Andriamanitra dia misy ny fahalalana momba ny Mpanavotra antsika, Izay Mpisoronabe-ntsika ary Mpanjakantsika lehibe amin’ny ho avy! Mazava ho azy fa ao anatin'izany ny lalan’ny famonjena, lalana izay tsy fantatry ny fiangonan'izao tontolo izao! Anisan'izany koa, ny fahalalana ny toerana hisy ny Fanjakan'Andriamanitra, izay ho eto an-tany, fa tsy any an-danitra akory!
               Saingy tsy misy governemanta tsy misy lalàna izany. Noho izany, ny filazantsara tena izy dia tsy maintsy mitory ny lalàn'Andriamanitra izay hitondra fiadanana, fahasambarana, fahombiazana, fahasambarana sy fifaliana ho an'izay rehetra mitandrina ny lalàn'Andriamanitra dieny ankehitriny,sy ho an’izay hiaina ao amin'ny Tontolo Rahampitso.
               Ny filazantsara marina dia misy ifandraisany amin'ireo firenen-kafa eto amin’izao tontolo izao ankehitriny, ary ny fanjakan'i Kristy amin'ny firenen-drehetra rahampitso ao amin’ny Tontolon’ny Ampitso! Izy io dia Filazantsara"feno", mavitrika, matanjaka ary mahery vaika, izay nafenin’i Satana tamin'izao tontolo izao nandritry ny taonjato maro. (Apok.12:9.)
               Aoka ho azontsika antoka fa tena fantatr’isika marina ny atao hoe Fanjakan'Andriamanitra.

Inona marina ny Fanjakan'Andriamanitra?

            Ny Baiboly dia miresaka momba ny fanjakana nifandimbindimby teto amin’izao tontolo izao. Ny voalohany tamin’ireny dia ny Fanjakana Kaldeana (matetika antsoina hoe "Babylona"), izay nanjakan’i Nebokadnezara. Nahazo aingam-panahy i Daniela mpaminan’Andriamanitra mba hiteny amin'i Nebokadnezara, mpanjaka hoe: " hianao…nomen'Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery sy fahaleovana ary voninahitra"(Dan.2:37).

               Teo koa ny fanjakana hafa teo amin'ny tantara, izay nipetraka tamin'ny faritany kely kokoa. Ny iray amin’ireny dia ilay Fanjakan'Isiraely - ny taranaky ny patriarka Isiraely, izay lasa firenena iray nofehezin'ny mpanjaka taty aoriana.
               Raha ny marina, ny Fanjakan'Isiraely dia tandindona na mpialoha lalana ny Fanjakan'Andriamanitra ho avy, izay fikambanan'ny zanak'Andriamanitra nateraky ny Fanahy - Ankohonan'Andriamanitra natsangana ho fitondram-panjakana hitantana marina.
               Roa ny fomba fiasan’ny Fanjakan'Andriamanitra:
1) FANJAKANA. Amin'ny maha-fanjakana azy, dia hisy zavatra efatra hijoroany: a) mpanjaka hanapaka amin’ny b) olom-peheziny ao anaty c) faritany voafaritra mazava misy d) lalàna sy rafitra voalamina tsara hahazoana manaja ireo.
2) ANKOHONANA. Ny Ankohonan'Andriamanitra, izay ahafahan’ ny olona ho teraka, dia ho Ankohonan'ny mpanjaka na mpanapaka. Hanana fahefana amin'ny firenena rehetra eto an-tany izy!
               I Daniela mpaminany, izay niaina 600 taona teo ho eo talohan'i Kristy, dia nahalala fa ny Fanjakan'Andriamanitra dia ho fitondram-panjakana ara-bakiteny tena mifehy firenena eto an-tany satria nambaran Andriamanitra azy izany fahalalana izany.
               I Daniela dia iray amin'ireo tovolahy jiosy manan-tsaina sy mamiratra tokoa niaraka tamin'ireo babo avy amin’ny firenena Joda.
               Nitoetra tao an-dapan’ny mpanjaka Kaldeana Nebokadnezara ireo tovolahy efatra ireo, ary nofanina manokana hitana andraikitra lehibe tao amin'ny fitondram-panjakana Babyloniana.
1. Moa ve Andriamanitra nanome fahendrena manokana an'i Daniela, ka nanambarany ny dikan’ny fahitana sy ny nofy? Dan.1:17.
FANAMARIHANA: I Nebokadnezara no Mpanjaka voalohany nitondra an'izao tontolo izao. Nandresy ny ankamaroan'ny faritany fantatra tamin’izany izy, anisan'izany ny Fanjakan'i Joda. Ity mpanjaka miavonavona ity dia nanonofy zavatra tena nahatalanjona, “ka nitebiteby ny fanahiny” (Dan. 2: 1). Nampiantso ireo mpanao ody mahery, ireo mpanandro ary ireo ombiasy izy mba hilaza aminy,an-kilany ny nofiny ary an-daniny ny dikan'izany. Mazava ho azy fa tsy afaka nahavita izany ireo. Sanganehana izy ireo. Avy eo dia nentina teo anatrehan'ny mpanjaka i Daniela.
2. Na dia nilaza tamin'i Nebokadnezara mpanjaka aza i Daniela fa ny olombelona dia tsy afaka hanana fahalalàna manokana handika nofy – toy izany koa ireo Kaldeana mpanao ody mahery, dia inona no nolazain’i Daniela? Iza, araky ny nolazainy, no manambara ny tsiambaratelo, ary mampahafantatra ny mpanjaka Nebokadnezara izay hitranga any amin'ny andro farany? Dan.2:28-30.
FANAMARIHANA: Tamin'ny alalàn'ity nofy ity no nahariharin'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka mitantana ny olombelona eran’izao tontolo izao fa misy Andriamanitra any an-danitra - Andriamanitra Mpitondra ambonin’ny firenen-drehetra, ny fitondram-panjakana ary ny mpanjaka - ary Andriamanitra dia mifehy ny Onivera! Na dia navelan'Andriamanitra amin’ny ankapobeny aza ireo firenena hanao ny sitrapony nandritry ny 6000 taona lasa izay, dia nomen’Andriamanitra fotoana i Nebokadnezara hahafantatra ny fiandrianan’Andriamanitra.
               Ny tanjona fototr'io nofy io, araka ny ho hitantsika, dia ny hampiharihary ny fitondram-panjakan'Andriamanitra - ny fisian'Andriamanitra mifehy sy ny fahamarinan'ny Fanjakan'Andriamanitra ho avy - ilay hany filazantsara tokan'i Jesosy Kristy.
Ary faharoa, ny hampahafantarana – raketina an-tsoratra ho antsika ankehitriny-izay hitranga "amin'ny andro farany" na amin’ny fotoana farany.
               Tsy asa- soratra mahadisadisa natao ho an'ny vahoaka niaina efa ho 2500 taona lasa izay izy ity. Ity dia vaovao lehibe sy mahatalanjona natao ho an'ny ANDRONTSIKA! Ity dia vaovao nolazaina mialoha natao ho antsika amin’izao fotoana izao – vaovao lazaina mialohan'ny hisehoan’ny tranga lehibe indrindra amin'ny tantaran'ny tany, izay hiseho amin'ny andro ahavelomantsika-mandritra ireo taona vitsivitsy ho avy! Ary misy ifandraisany amin'ny filazantsara izay notorin'i Kristy ity vaovao ity. Tena tokony ho azontsika tsara izany!
3. Inona no hitan'i Nebokadnezara Mpanjaka tamin'ny nofiny? Andininy 31-33.
FANAMARIHANA: I Nebokadnezara dia nahita sarivongana mahagaga lehibe noho izay rehetra efa naorin'olombelona. Nampatahotra ny fijerena izany! Ny lohany dia volamena tsara, ny tratrany sy ny sandriny dia volafotsy, ny kibony sy ny feny dia varahina, ny ranjony dia vy, ary ny tongony sy ny rantsan-tongony dia vy mifangaro tanimanga.
4. Raha nijery io sarivongana io tamin'ny nofiny i Nebokadnezara, inona no nikapoka ny sarivongana tamin'ny tongony? Andininy 34. Inona no nanjo ilay sarivongana? Andininy 35.
FANAMARIHANA: Amin'ity nofy ity, dia manana anjara toerana koa ny fotoana. Nijery ilay sarivongana i Nebokadnezara mandra-pahatongan'ilay VATO iray, mihoatry ny herin’olombelona, natsipy avy tany an-danitra toy ny tain-kintana, nikapoka ilay sarivongana tamin’ny tongony! Avy eo dia vaky sy lasa vovoka ilay sarivongana manontolo ary lasan'ny rivotra ny vovoka ka nanjavoana tanteraka.
               Avy eo, ilay "vato" dia nitombo tamin'ny fomba mahagaga ary vetivety foana dia lasa "tendrombohitra" lehibe nahafeno ny tany rehetra.
               Tsy toy ny nofy mahazatra, fa ity nofy ity dia nampisian’Andriamanitra mba hampahafantaran’Andriamanitra an’i Nebokadnezara fa Andriamanitra no Andriamanjaka lehibe. Ity hafatra ity, izay ampahany amin'ny Tenin'Andriamanitra voasoratra, dia manambara amintsika zava-dehibe maro momba ny Filazantsaran'i Jesosy Kristy.
               Andeha homarihina ny dikan’ny nofy nambaran'Andriamanitra tamin'i Daniela.
5. Moa ve ny fanjakan'i Nebokadnezara no Empira voalohany teto an-tany? Andininy 37-38. Iza no nanome an’i Nebokadnezara ny fanjakany, ny fahefany sy ny voninahiny? Andininy 37.
               I Jehovah dia nanambara ny tenany tamin'i Nebokadnezara, tamin'ny alàlan'i Daniela, ary manambara ny tenany koa ankehitriny, amin'ny alàlan'ny Baiboly, amin’ireo rehetra mety hankatò Azy.
6. Moa ve i Nebokadnezara sy ny fanjakany teto an-tany no nasehon'ny loha volamenan’ilay sarivongana lehibe? Andininy 38.
 
7. Moa ve hisy Fanjakana hafa, nasehon'ny tratra sy sandry volafotsy, handimby aorian'ny fanjakan’i Nebokadnezara? Moa ve ho ambany noho ilay fanjakana voalohany izy io? Andininy 39.
 
8. Moa ve hisy fanjakana fahatelo, asehon'ny kibo sy fe varahina, hahazo hery ary hanapaka maneran- tany? Andininy mitovy.
FANAMARIHANA: Mariho fa ireo andalan-teny ireo dia miresaka fanjakana izay hitondra olona ety an-tany. Ilay faminaniana dia miresaka FITANTANAM-PANJAKANA! Tsy miresaka fihetseham-po tena madio izany, izay re “ao am-pon'ny olombelona." Tsy resaka fiangonana izany. Izany dia resaka momba ny governemanta izay mitondra sy manjaka amin'ny firenena misy olona, eto an-tany. Ara-bakiteny izany ary manokana. Tsy misy isalasalana ny dikan’ny teny hoe "Fanjakana."
               Nambaran'Andriamanitra tamin'i Daniela mpaminany fa io sariolona lehibe io dia maneho fifandimbiasan’ny fitondram-panjakana eto amin'izao tontolo izao. Voalohany, ny loha volamena izay dia naneho an'i Nebokadnezara sy ny fanjakany, ny Empira Kaldeana. Aorinany, dia ho avy faingana ny fanjakana faharoa, avy eo ny fanjakana fahatelo izay “hanam-pahefana amin’ny tany rehetra”. Ilay faminaniana dia miresaka fanjakana na Empira maneran-tany.
9 Tamin’io sariolona hitan'i Nebokadnezara Mpanjaka tamin’ny nofy io, maneho inona ireo ranjo vy? Andininy 40.
FANAMARIHANA: Ny ranjo vy dia maneho ny fanjakana fahefatra manerantany. Io Empira io dia ho tena matanjaka tokoa; ny vy izay tena mafy tokoa dia maneho fa, raha ara-tafika, dia matanjaka kokoa noho ireo teo alohany izy. Ny volafotsy dia kely vidy kokoa noho ny volamena, ny varahina dia kely vidy noho ny volafotsy, ary ny vy di             a kely vidy kokoa noho ny varahina. Na dia mihe-mafy kokoa sy mihe-matanjaka kokoa noho ny teo alohany aza ny iray amin’ny ireo metaly ireo, ny fihenan'ny vidin’ny tsirairay dia mampiseho fa ireo Empira nifandimby ireo dia niha-ratsy ara-tsaina sy ara-panahy, nihe-simba hatrany. Ary ireo ranjo roa ireo dia midika fa ny fanjakana fahefatra dia hizara roa toko.
Taorian'ny Fanjakana Kaldeana dia tonga ny Fanjakana Persiana izay midadasika kokoa, izay nodimbiasan’ny Empira Grika syMakedoniana, avy eo ny Fanjakana Romana. Io Empira farany io dia nizara roa, ny iray nanana ny renivohiny tany Roma, ary ny iray tany Konstantinopla (izay antsoina ankehitriny hoe Istambul).
10. Hisy mpanjaka na fanjakana folo ve, asehon'ny ny rantsan-tongotra folo, hitoetra aloha kelin'ny fametrahana ny fototry ny Fanjakan’Andriamanitra (ilay "vato lehibe")? Andininy 41-44. Inona no hataon'ny Fanjakan'Andriamanitra amin'ireto fanjakana folo ireto? Andininy 44.
FANAMARIHANA: Amin'ny fampifandraisana an'ity faminaniana ity amin’ny Daniela 7 sy ny Apokalypsy 13 sy 17, dia azontsika fantarina fa miresaka ny fikambanan’i Eoropa ho avy tsy ho ela ity, izay miforona ankehitriny avy amin'ny Tsena hikambanan’ny Eoropeana (Marché Commun Européen) izay hitantsika ankehitriny! Ny Apokalypsy 17:12 dia milaza mazava fa hisy firaisan’ny mpanjaka na fanjakana folo - firenena na vondrom-pirenena folo. Izany raha ny marina dia ny fitsanganana amin’ny maty farany an'ny "Fanjakana Romana Masina” tamin’ny Moyen-Age.
               Taorian'ny fianjeran'ny Fanjakana Romana taloha tany amin’ny taona 476 taor JK., dia nisy fifohazana fito izay fehezin'ilay fiangonan-dehibe diso antsoin’ny Baiboly hoe "zanakavavy virijiny” an’i Babylona (fahiny)” (Isaia 47:1). Izy io dia fiangonana milaza tena fa kristiana, fa raha ny marina, nomen'Andriamanitra anarana hoe  "Zava-miafina, Babylona lehibe" - na, mazava kokoa, mistery Babyloniana (Apok.17:1-5).
               Ny enina amin’ireo fifohazana ireo no efa tonga sy lasa. Ny fahafito izao dia ao anatin'ny fahatongavana. Izany dia ho fitsanganana farany ho an'ny Fanjakana Romana. Ho fohy ihany ny faharetany, ary hiisa 10 ny firenena mivondrona ao- na vondrom-pirenena Eoropeana folo. Ireo no rantsan-tongotra folo fitambaran’ny vy sy tanimanga mifangaro (Dan.2:41-43).
               Rehefa tapitra ny androny, dia tsy haharitra telo taona sy tapany intsony i Kristy dia hiverina eto an-tany hanangana ny Fanjakan'Andriamanitra, ka i Jerosalema no ho renivohiny. Hanorina Fanjakana mandrakizay izy, izay handrava tanteraka ireo fanjakana farany ireo!
11. Rehefa ho tonga Kristy, moa ve Izy ho avy amin’ny maha Andriamanjaka Fara Tampony Azy, mba hanjaka amin’ny tany manontolo? Apok.19:11-16. Ho lasa fanjakan'iza ireo firenena amin'izao tontolo izao ireo? Apok.11:15.
FANAMARIHANANy Baiboly dia manambara miharihary fa ny "Fanjakan'Andriamanitra" dia ho fitondram-panjakana ara-bakiteny hisy mpitondra ara-panahy izay hanjaka manerana ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Izany dia handresy an-tosika ny fitondran'ireo firenena, amin'ny Fiaviana Fanindroan’i Jesosy Kristy Mpanjakany. I Kristy dia ho tonga "Mpanjakan'ny mpanjaka" ary hanjaka miankina amin'ny lalàn'Andriamanitra Izy. Izany no vaovao tsara na "filazantsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra "izay notorin'i Jesosy!

FANAMARIHANA: Amin’ny maha-Andriamanjaka lehibe Azy, Andriamanjakan’ny fitondram-panjakana maneran-tany, Andriamanitra dia nanambara ny tenany tamin'io Mpanjaka tsy refesi-mandidy teto amin’izao tontolo izao ity.

"Teraka" ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra!

               Nikodemosy, iray amin'ireo Fariseo nitana toeram-pahefana tamin'ny andron'i Jesosy, dia tonga tamin’ny alina mba hahita an'i Jesosy. Izy dia niaiky fa izy sy ireo mpitondra fivavahana hafa dia nahafantatra fa i Jesosy dia mpampianatra nirahin'Andrimanitra (Jaona 3:1-2).

               Nanambara tamin'i Nikodemosy ny fahamarinana fototra i Jesosy, izay tokony ho haintsika tsara, mikasika ny filazantsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra.

1. Inona no nolazain'i Jesosy tamin'i Nikodemosy fa tsy maintsy hitranga amin'ny olona iray mialoha ny "hahitany" ny Fanjakan'Andriamanitra? Jaona 3:3.

2. Moa ve tsy maintsy ateraky ny Fanahy aloha ny olona vao afaka hiditra ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra? Andininy 5. Ho lasa inona izy rehefa "hateraka indray" - hateraky ny Fanahin'Andriamanitra? Andininy 6. Moa ve Andriamanitra dia fanahy? Jaona 4:24.
FANAMARIHANA: Azo atao ny miditra any amin’ny Fanjakan'Andriamanitra. Fa ireo izay efa "nateraka indray" ihany no afaka miditra ao. Isika dia nateraky ny nofo aman-drà ihany.
               Nefa isika dia mety hateraka indray, amin'ity indray mitoraka ity tsy amin'ny maha-olombelona mety maty, fa amin’ny maha-fanahy, ateraky ny Fanahin'Andriamanitra. Amin'izay, toa an’Andriamanitra, dia ho fanahy tanteraka isika!
3. Afaka mandova ny Fanjakan'Andriamanitra ve ny olona nofo aman-drà? 1Kor.15:50. Ahoana ary ny fomba hidirany ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra, na ny fianakavian’Andriamanitra? Andininy 51-53.
               Ireo izay hateraka indray toy izany - ireo olo-masina notorontoronin'ny Fanahin’Andriamanitra – dia hanatanteraka andraikitra samihafa ao amin’ny fanapahana mpampanoa lalàna ao amin’ny Fitondram-panjakan’Andriamanitra izay hanjaka, eto an-tany, amin’ny olombelona mety maty, eo ambany fahefan’i Jesosy Kristy, any amin’ny Fanjakany mbola ho avy (Dan.7:27; Apok.2:26-27; 5:10)

FANAMARIHANA: Ny Fanjakan'Andriamanitra dia zavatra izay tsy afaka ho hitan’ireo tsy nateraka indray. Noho izany, ny fiangonana eto an-tany dia tsy mety ho Fanjakan'Andriamanitra araky ny niheveran'ny sasany azy, satria afaka mahita fiangonana ianao!

            Araka ny efa nianarantsika tamin'ny lesona faha-8 sy 13 an’ity fampianarana ity, Andriamanitra tsy persona tokana. Ny teny hebreo hilazana an’Andriamanitra, Elohim, dia milaza fa mihoatra ny persona iray Izy. Mampiseho izany fa Andriamanitra dia Ankohonana iray, na "Fanjakana" iray, ary misy persona mihotra ny iray ao.

            Misy ny karazana mineraly, ny karazan-java-maniry, ary ny karazam-biby. Milaza ny Baiboly fa misy koa ny karazan’anjely, noforonin'Andriamanitra ary nataony fanahy. Ary avy eo, eo ambony indrindra noho ireo karazana rehetra ireo no misy ny karazan’ny mpamorona – karazana Andriamanitra – na amin’ny fiteny hafa : ny “Fanjakan’Andriamanitra”. Ny Fanjakan'Andriamanitra na ny Ankohonan'Andriamanitra ankehitriny dia misy an’Andriamanitra Ray sy i Jesosy Kristy Zanany.

Ny fahamarinana mahatalanjona ao amin'ny Baiboly dia ny hoe Andriamanitra dia miteraka amin’izao fotoana izao! Namorona olombelona mety maty tahaka ny endriky ny tenany Izy, mba ho afaka ho torontoronin’ny Fanahy Masina isika - Zanaka - amin'ny Fanahin'Andriamanitra. Avy eo, amin'ny fitsanganana amin'ny maty, dia mety haterak'Andriamanitra isika - "ho teraka indray "- amin’ny maha-olona ara-panahy tsy mety maty, ao anatin’ny Fanjakana na Ankohonan'Andriamanitra! Izao no voalazan’ny apostoly Paoly manazava izany.

FANAMARIHANA: Ny Fanjakan'Andriamanitra dia zavatra tsy azon’ny olona, nateraky ny nofo aman-dra, hidirana na lovaina. Amin'ny fitsanganan'ny maty vao hitafy ny tsy fahafatesana ilay olona notorontoronin’ny Fanahin'Andriamanitra nandritry ity fiainany mety maty ity. Ary, tahaka an Andriamanitra, dia ho lasa tsy mety maty izy, hateraky ny Fanahin'Andriamanitra ara-bakiteny, mba hiditra ao anatin’ny fianakavian’Andriamanitra! Izany no fomba hidirantsika ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.

Torina manerana izao tontolo izao ny Filazantsaran'i Kristy

            I Jaona Mpanao Batisa no "iraka" izay, araky ny faminanian'i Malakia, ho avy hanamboatra ny lalana mialohan'ny fanompoan'i Kristy, mandritra ny fahatongavany voalohany teto an-tany (Mal. 3:1; Marka 1:4, 7-8; Lioka 1:13-17). Nisy anjely iray naminany fa i Jaona Mpanao Batisa dia handeha eo alohan’i Kristy “…amin'ny fanahy sy ny herin'i Elia mba hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary … hamboatra firenena voaomana ho an'ny Tompo”(Lioka 1:17).

1. Rehefa nogadraina i Jaona Mpanao Batisa, ary nanomboka ny fanompoany i Kristy, moa ve i Jesosy  naminany fa hisy "Elia" hafa mbola ho avy? Mat.17:10-11. Mazava ve fa i Jaona Mpanao Batisa dia tandindon’i Elia hafa mbola ho avy? Andininy 12-13. Moa ve i Malakia koa maminany ny fiavian'i Elia hafa? Mal.3:23. Inona no hataon'io "Elia" io? Mal.3:24; Mat.17:11.

FANAMARIHANA: Ireo andininy ireo dia mampiseho fa i Jaona dia fanehoana mialoha an’i "Elia"  ho avy – “Elia” izay hirahin'Andriamanitra ho amin'izao tontolo izao, amin'ny fanahy sy ny herin'i Elia mpaminany, izay ho tonga alohan’ny fiavian’i Jesosy Kristy fanindroany (Mal.3:24). Alohan'ny Andron’ny Tompo, aloha kelin’ny hahatongavan'i Kristy fanindroany, dia hisy iraka olombelona handray avy amin’Andriamanitra fahefana hanomana ho an’ny Tsitoha         vahoaka ara-panahy, ary “hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy” (Mal.3:24). Io iraka io dia hanatanteraka asa mitovy, amin’ny ambangovangony, amin’izay nataon’i Jaona Mpanao Batisa, talohan’ny nanombohan’i Jesosy Kristy ny asa fanompoany.

            Nanambara ihany koa i Jesosy fa i Elia izay mbola ho avy dia “hampody ny zavatra rehetra” (Matio 17:11). Ny teny hoe mampody dia midika hoe mamerina amin’ny toatrany voalohany – mamerina indray ny zavatra efa nofoanana. Inona anefa ny fepetra voalohany – na toetra voalohany - izay tsy maintsy averina ho tratrarina? Inona ny zavatra izay efa nofoanana, ary oviana izany no nofoanana?

            Rehefa nikomy tamin’Andriamanitra i Losifera, dia nijanona tsy nofehezina tety an-tany ny Fitondram-panjakan’Andriamanitra. Io Fitondram-panjakana io dia tsy naverina tamin’ny laoniny tamin’ny Fiavian’i Kristy voalohany. Hampodian’i Kristy amin’ny laoniny izany amin’ny Fiverenany (Asa 3:19-21). Noho izany, dia noraisin’ny lanitra amin’ny maha-“Mpanjakan’ny Mpanjaka sy Tompon’ny Tompo” Azy i Jesosy, mba hampitoetra indray ny fitondram-panjakan’Andriamanitra. (Apok.19:16). Amin’io fotoana io, dia hametraka ny fototry ny Fanjakan’Andriamanitra Izy, ny Ankohonan’Andriamanitra, nateraky ny Fanahy, izay hitantana ny tany.

            Araky ny faminaniana maro, ilay Elia ho avy dia tsy maintsy koa “mampody ny zavatra rehetra” – anisan’izany ny fitondram-panjakan’Andriamanitra eto an-tany. Hanavao io Fitondram-panjakana io eto an-tany i Kristy. Ilay ho avy “amin’ny fanahy sy ny herin’i Elia” (Lioka 1:17) dia handeha eo aloha hanavao io fitondram-panjakana io ao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra. Raha ny marina, ao amin’ny tena fiangonan’Andriamanitra, dia efa nohavaozina io fitondram-panjakana io.

            Misy koa zavatra hafa izay tsy maintsy havaozin’i Elia mialohan’ny Fahatongavan’i Jesosy Kristy Fanindroany : ny Filazantsara izay notorin’ny Mesia momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Naverina amin’ny laoniny io Filazantsara io rehefa nanomboka nitory tamin’ny “radio” ilay Pastera Lehiben’ny Fiangonan’Andriamanitra, dia i Herbert W. Armstrong, tamin’ny fandaharana hoe “Ny tontolo ho avy”, tany Etazonia, nanomboka tamin’ny herinandro voalohan’ny volana Ja    noary 1934. Avy eo, dia nambarany tamin’izao tontolo izao izany rehefa nanomboka ny fandaharana tao amin’ny Radio-Luxembourg sy ny Radio Ceylon tamin’ny 1953, efa ho 1900 taona taorian’ny nanafoanana ny Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.

            Tamin’ny volana Aogositra 1933, dia nampiasain’Andriamanitra ingahy Armstrong mba hanorina tany Eugene, any Orégon, any Etazonian’ny Amerika, ny fiangonana reniny, amin’ny vanin’andro ankehitriny misy ny Fiangonan’Andriamanitra izao. Io Fiangonana io dia hanampy ilay Apostolin’Andriamanitra amin’ny andro farany hanatanteraka ny ira    ka fitoriana ny Filazantsara marin’i Kristy. Nanomboka tamin’izany fiandohana tsotsotra izany, dia nampian’Andriamanitra olona avy tao amin’io Fiangonana io ingahy Armstrong hanampy azy amin’io iraka goavana io.

            Nitombo izany fiangonana izany ka lasa misy olona an’aliny maro vita batisa, mpikambana notorontoronin’ny Fanahy Masina, izay lasa mpikambana ao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra manerana izao tontolo izao. Nantsoin’Andriamanitra ho voaloham-bokatry ny A   nkohonany ireny lehilahy sy vehivavy ireny, mba haterany amin’ny fitsanganana amin’ny maty. Manaraka fiofanana iireo ankehitriny mba hahafahany mitantana ny firenena miaraka amin’i Jesosy Kristy amin’ny fiverenany.

            Ampiasain’Andriamanitra koa ireo mpikambana an’arivony maro mba hizaka ny Asany amin’ny fivavahany mafana fo sy tsy reraka; ary amin’ny ampahafolon-karena sy ny fanomezana manokana ilaina mba hamatsiana ny fitorina ny Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra maneran-tany. Ny hafa koa dia nantsoina hanampy mivantana ny tenan’io apostolin’Andriamanitra io, amin’ny maha-mpanompon’ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy azy, nantsoina sy nofanina, na ampiasaina ao anatin’ny Asan’Andriamanitra maneran-tany.

            Ny mpikambana tsirairay ao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra dia manana ny anjarany amin’ity ASA ity, izany hoe manambara amin’izao tontolo izao ny Filazantsaran’i Kristy. Io andrazikitra io no fomba hahafahan’ny tsirairay mitombo ara-pa          nahy mba hahazoany miditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, amin’ny Fiverenan’i Jesosy Kristy Fanindroany.

 

2. Moa ve Jesosy naminany fa ny Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra dia hotorina amin’ny firenena rehetra ho vavolombelona vao ho tonga ny farany? Matio 24:14; Marka 13:10. Moa ve io fitoriana ny Filazantsara marina io amin’izao tontolo izao dia “famantarana” manambara ny fahataperan’izao tontolo izao sy ny maha-antomotra ny fiverenan’i Jesosy Kristy? Matio 24:1-3.

FANAMARIHANA: Ny Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, izay notorin’i Jesosy Kristy, dia lazaina amin’ny firenen-drehetra ankehitriny amin’ny alàlan’ny fahita-lavitra sy ny haino aman-jery ary ny serasera “aterineto” amin’ny fiteny maro samihafa. Izany koa dia aparitaka tamin’ny gazety sy bokikely maro sy ny fianarana an-taratasy ifandefasana.

3. Amin’ny hery inona no nanatanterahana ny Asan’Andriamanitra tamin’ny andron’i Zerobabela? (Zerobabela dia mpanompon’Andriamanitra, tompon’ andraikitra tamin’ny fanorenana fanindroany ny tempoly faharoa izay tsy maintsy hidiran’i Kristy.) Zakaria 4:6.

FANAMARIHANA: Amin’izao andro efa fandehanana an-habakabaka izao, tahaky ny tamin’ny andron’i Zerobabela, ny Asan’Andriamanitra dia tsy tanterahina amin’ny herin’olombelona, fa amin’ny fahefan’ny Fanahin’Andriamanitra.

            Ankehitriny, ny Fanjakan’Andriamanitra dia torina sy aely eran’izao tontolo izao, noho ny toro-hevitry ny Fanahy Masina. Maro no voaova ny fiainany, niova fo, notorontoronin’ny Fanahy Masina. Ankehitriny Andriamanitra dia mamorona fijinjana“voaloham-bokatra” ho an’ny Fanjakany. Io fijinjana sarobidy io no “tempoly ara-panahy” izay aorin’Andriamanitra ankehitriny (Efesiana 2:19-22), ary hidiran’i Kristy ara-panahy (Malakia 3:1).

            An kehitriny, dia misy Fiangonana amin’ny firenena maro, ary mpikambana amin’ny firenena maherin’ny 100. Ireo ondrin’Andriamanitra dia mahazo, any amin’izay misy azy eto an-tany, sakafo ara-panahy alefan’ireo mpanompo izay nantsoina sy nofidin’Andriamanitra – olona voaofana tao amin’ny Ambassador College. Misy Evanjelistra, pasitera sy loholona maro nohosoran’ny Apostolin’Andriamanitra. Sitrana ny marary ary noroahina ny demonia.

            Ireo “vokatry” ny Asan’Andriamanitra ankehitriny, avy amin’ireo olombelona nataony fitaovana, dia sahala amin’ireo vokatra nomen’ny Fanahy Masina tamin’ny anaran’i Jesosy tamin’ny andron’ny Apostoly. Miasa ny Fanahy Masina, ary ny asa vita dia mitovy tamin’ireo vita tamin’ny andron’i Zerobabela, sy i Kristy ary ny Apostoly.

4. Moa ve i Kristy nanambara fa ny Mpanompony dia hanao fahagagana lehibe kokoa noho izay nataony tety an-tany? Jaona 14:12. Na dia kely aza ny fahefana ananany amin’izao andro farany izao, ny Fiangonan’Andriamanitra dia hahazo fanampiana manokana avy amin’Andriamanitra mba hahafahany manatanteraka io iraka lehibe io. Inona moa izany iraka izany? Apok. 3:8.

FANAMARIHANA. Io « varavarana » io dia nosokafan’i Jesosy Kristy. Ankehitriny, ny iraka izay nankinin’Andriamanitra tamin’ny Fiangonany – dia ny hitory sy hanaparitaka eran’izao tontolo izao ny Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, mba ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra – dia tanterahina amin’ny fomba mahagaga. Mahatratra olona     maro be kokoa noho izay takatr’i Jesosy teto an-tany izany. Izy dia tsy nitory afa-tsy tamin’ireo olona tratrany tamin’ny dia an-tongotra tany amin’ny firenen’Isiraely.

            Noho ireo teknolojia moderina, apostoly iray fotsiny dia afaka mitory amin’ny olona an-tapitrisa maro amin’ny radio, ny fahita lavitra, ny asa-pirinty ary fomba fifandraisana hafa – anisan’izany ny zana-bolana izay mihodina manodidina ny tany.

            Tsy milentika mihitsy ny masoandro any amin’ny toeram-piasan’izany Asa izany. Ny Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra dia tena torina “amin'izao tontolo izao … ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra” (Matio 24:14), araky ny nambaran’i Jesosy. Ny “fanamarihana” hahazoana mamantatra fa efa antomotra ny faran’ity sivilizasiona ratsy ity, sy ny Fihavian’i Jesosy Kristy Fanindroany, dia ny fahatanterahan’io faminaniana io. Izany dia hatao eo ambany masonao sy maneno ao an-tsofinao.

 

No comments:

Post a Comment