Paska: Fiandohan'ny Planin'Andriamanitra Lehibe - Zanak'ondrin'ny Paska: Faminaniana Momba ny Soron'i Kristy

 

 Ambasadaoro Kolejy - Toko faha-27

PASKAFIANDOHAN'NY PLANIN'ANDRIAMANITRA LEHIBE

 

               Nilaza i Paoly fa "Paska ho antsika" i Kristy. Inona no tiany holazaina? Ny ankamaroan'ny olona mihevitra fa ny fahafatesan'i Kristy no MAMARANA ny Planin'Andriamanitra ho famonjena ny olombelona. Tsy misy zavatra lavitry ny fahamarinana mihoatra an’izany! Andeha ho takarintsika ny antony.

Raha nanary aina teo ambony hazo fijaliana i Jesosy Kristy, dia nihiaka mafy Izy hoe:" Vita " (Jao 19:30). Nihevitra araka izany ny Kristianisma araky ny lovantsofina fa ny fahafatesan'i Kristy no mamarana ny Planin’Andriamanitra ho an’ny Famonjena. Fa Inona anefa no vita? Ny asa nomen'ny Ray hataon’i Jesosy no vita (Jao 17: 4). Anisan'izany asa izany ny nanao sorona ny ainy ho "Paska ho antsika" (1Kor.5:7), handoa ny sazin’ny otan’ny olombelona. Saingy ny fahafatesan'i Jesosy tsy nahavita ny Planin’ny Famonjena manontolo! Tsy nahavita mihitsy. Ny fanombohany ihany io – ny dingana voalohany amin'ny Planin'Andriamanitra Lehibe.

Ny Paska no tandindon’ny soron'i Kristy

Ny Paska voalohany dia notanterahin’ny Israelita taloha, mialoha ny nivoahany avy tany Egypta. Telopolo sy efajato taona izy ireo no andevo tany Egypta, talohan'ny nanafahan'Andriamanitra azy tamin'ny alalan’ny loza maro samihafa nanafaizany ireo Egyptiana mpanandevo, izay nandà ny famelana azy ireo handeha. Ny loza faha-10 farany dia ny nahafatesan’ny lahimatoa rehetra tany Egypta.

Saingy tsy nisy niharan-doza ireo Isiraelita. Tamin’ny alàlan'i Mosesy, no nanomezan’Andriamanitra toromarika ny fianakavian'Isiraelita rehetra tany Egypta mba hamono zanak'ondry iray, ary hanosotra ny rany amin'ny tolana sy tataom-baravaran’ny tranon’izy ireo.

EGYPTA - Mialoha ny nanafahana ny Israelita taloha tamin'ny fanandevozana tany amin'ny tany Egypta, dia nanorina ny Paska Andriamanitra - seho iray manondro ny soron'i Jesosy Kristy mba hanavotana antsika amin'ny sazin'ny ota.

Tamin'ny alina izay nitrangan'izany, ny anjelin’ny fahafatesana dia nandalo fotsiny ny trano rehetra voamariky ny ran’ny zanak'ondry. Niaro ny Isiraelita fahiny tsy ho faty Andriamanitra, tamin'ny alàlan'ny famantarana iray, dia ny ran'ny zanak'ondry. Sary an'ohatra amin'ny ran'i Kristy izany, Ilay "Zanak'ondrin'Andriamanitra" (Jaona 1:29), izay halatsaka fotoana elabe taty aoriana, mba hahatanteraka ny famonjena ara-panahy ny olombelona.
Tamin'ny nanorenana ny Paska, Andriamanitra dia nanomboka nanambara ireo fety fito fanao isan-taona ireo tamin'ny fireneny sy ny fiangonany vao miandoha ("fiangonana" - Asa 7:38, ary nandidy ny hitandremana izany mandrakizay (Lev 23:1, 2, 4, 37).

 

Fa maninona no misy ireo fety ireo?

Ireo fety sy Andro Masin’Andriamanitra isan-taona ireo dia manana dikany ara-panahy mahavariana. Tsy manangona fotsiny ireo olony ho amin'ny fivoriana masina ireo (fivoriam-pivavahana nodidiana), fa ny tena ambony indrindra dia manambara ny Planiny Lehibe ireo, anatanterahany ny tanjony mampitolagaga ho an'ny olombelona!
Ny fitandremana isan-taona naorin'Andriamanitra dia manambara ny hevitry ny dingana tsirairay amin’ny fomba anatanterahany ny tanjony ambony indrindra. Ny dingana tsirairay dia maneho hetsika lehibe ao amin'ny Planin'Andriamanitra ho famonjena ny olombelona rehetra.
Fa ny ankamaroan’ny olona anefa dia voafitak'i Satana, ilay “andriamanitr'izao tontolo izao" (2Kor.4:4; Apok.12:9). Koa tsy mahazo ny tena lalana mankany amin'ny famonjena izy ireo. Ny antony dia satria tsy fantatr'izy ireo hoe inona ny fahotana, na inona ny saziny. Vokatr'izany, tsy tena fantatr'izy ireo hoe nahoana ny olona no mila Mpamonjy! Tsy takany ny dikan'ny fibebahana, na ny fomba-fiainana araka an’Andriamanitra. Tsy takatr’izy ireo hoe inona ny Fanahin'Andriamanitra, nahoana isika no mila Azy, na ahoana no fomba andraisana Azy.
Tsy takatry ny fivavahan'izao tontolo izao ny fizotry ny fahatorontoronana ara-panahy, ny fitomboana ary ny fahaterahana ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra. Tsy fantatr’izy ireo fa vitsy ihany ankehitriny no antsoin’Andriamanitra ho ao amin’ny Fiangonany, ary koa ireo vitsy an'isa ireo ankehitriny dia hofananina hanjaka ao amin’ny Fitondram-panjakan'i Kristy izay ho avy tsy ho ela.
Tsy fantatr'izy ireo koa fa ny maro an'isa "tsy voavonjy" dia homena ny anjarany amin’ny famonjena any aoriana, izay fotoana tsara kokoa ho azy, rehefa mitantana ny tany i Kristy sy ny mpanampy Azy teraka ara-panahy.
Ireo fahamarinana rehetra ireo dia asehon’ny Fety sy ny Andro Masin’Andriamanitra isan-taona! Ireo izay mitandrina amim-pinoana ireo andro voatendry ireo dia ampahatsiahivina isan-taona ireo fahamarinana ara-panahy ireo.
Tahaka ny Sabata isan-kerinandro ihany, raha tandremana araka ny lalan'Andriamanitra, izay mitandrina ny olona hifandray tsara amin’Ilay namorona azy sy amin'ny fahatakarana ny tanjony lehibe ho an'ny olombelona, dia toy izany koa, ny Fety sy Sabata fanao isan-taona dia mitazona ny Fiangonana amin'ny fahalalana marina ny Planin’Andrimanitra. Antsoina hoe Sabata lehibe ireo fety fanao isan-taona ireo (Jao 19:31)
Izay vondron’olona mandà ny hitandrina ho masina ny andro izay nohamasinin' Andriamanitra dia tsy mifandray tsara amin'Andriamanitra, ary tsy mahatakatra ny tena lalana marina ho amin'ny famonjena!
Ny andron’Andrimanitra dia nataony ho an’ny olony – ny Fiangonany. Amin’ny alalan’ny Fiangonany, amin’ny fanjakan’i Kristy ho avy eto an-tany, no hianaran’ny sisa amin’izao tontolo izao ny momba an’ireo andro ireo sy ny dikany lehibe miankina aman’aina ho an’ny zanak’olombelona.

Fahatsiarovana ny fahafatesan'i Kristy araky ny Testamenta Vaovao

Andriamanitra dia nandidy ny Isiraelita fahiny mba hitandrina ny Paska ho fahatsiahivana isan-taona ny nanafahany ny lahimatoa rehetra tamin'ny fahafatesana tany Egypta.
Ny Kristiana ankehitriny koa dia didin'Andriamanitra hitandrina ny Paska araky ny fomban'ny Testamenta Vaovao, mampiasa ny mofo tsy misy masirasira sy ny divay, ho fahatsiarovana isan-taona ny nanafahany azy ireo tamin'ny sazin’ny fahafatesana mandrakizay, amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, "Paska" ho antsika (1Kor.5:7), izay lasa "Zanak'ondrin’" ny Paska amin’ny Testamenta Vaovao (Jaona 1:29).
Asehon'ny Baiboly mazava fa ny fahafatesan'i Kristy no hetsika voalohany, na dingana voalohany, amin'ny Planina lehiben'Andriamanitra hitondrany olona an’arivo tapitrisa maro ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra. Ny Paska, ny voalohany amin’ireo fetin’Andriamanitra fanao isan-taona, no maneho an-tsary izany hetsika izany. Jesosy nandidy fa tokony hotandremana isan-taona io, miaraka amin'ny marika vaovao, mba hahatsiarovantsika foana ny fahafoizan-tena lehibe nataony ho antsika (1Kor 11:24-25).
Ny Fiangonana izay natsangan’i Jesosy sy nampanantenainy hotahirizina, mahatakatra fa ny Paskan’ny Testamenta Vaovao dia fahatsiarovana isan-taona ny fijaliana sy ny fahafatesan'i Jesosy Kristy - izay mampiseho ny fampihavanana antsika amin'Andriamanitra amin'ny alàlan'ny Mpamonjy izay nanafaka antsika tamin'ny sazin’ny helok’isika taloha. Nambarany koa fa mbola hotandremana ny Paska araka ny fomba nanorenany azy any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny fiverenany eto an-tany (Mat 26:29; Mar 14:25).
Fa ity tontolo voafitaka ity dia tsy mahazo ny tena dikan'ny soron'i Kristy. Raha tokony hotandremana ny Paska fahatsiarovana ny fahafatesan’i Kristy, ny Kristianisma nentim-paharazana kosa dia mitandrina ny Paska heveriny ho fanomezam-boninahitra ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty.
Nefa ny Baiboly dia tsy mandidy antsika hankalaza ny fitsanganany amin'ny maty. Ary izao tontolo izao aza dia mitandrina io fitsanganana amin'ny maty io amin'ny andro diso! (Ny niavian'ny Paska “Easter”, sy izay lazain'ny Baiboly momba izany, ary ny fety ara-pivavahana hafa, dia hohitantsika amin'ny lesona manaraka.)
Ny Fiangonan'Andriamanitra dia manana fahalalana sarobidy momba ny fahamarinan’Andriamanitra, ary ireo zanany notorontoronin’ny Fanahy Masina dia mankalaza amim-pinoana ireo fetiny fanao isan-taona rehetra!
Hanomboka andian-desona mahaliana ianao, izay hanazava tsara ny hevitry ny Fety fito sy ireo Andro Masina fanao isan-taona. Andeha isika hanomboka handalina ny antsipirian’ny dingana voalohany amin'ny Planin’Andriamanitra lehibe sy mahafinaritra, dia ny Paska.

LESONA 27

ZANAK’ONDRIN’NY PASKA : FAMINANIANA MOMBA NY SORON'I KRISTY

Ireo fety lehibe isan-taona dia feno dikany. Izy ireo dia nomena mba hampianarana antsika ny fahalalana ny dingana fito amin'ny planin'Andriamanitra ho famonjena antsika ara-panahy sy hahatonga antsika ho Zanakalahy ao amin'ny Ankohonany.
Nanomboka voalohany nanambara ny fetiny sy ny Andro Masina Andriamanitra tamin'ny Isiraelita fahiny mbola andevo tany Egypta. Tamin'izany no nandidian'Andriamanitra ny olony hitandrina ny Paska. Ankehitriny, afaka mahafantatra isika fa io fety io dia tandindona voalohany amin'ny Planina Lehiben'Andriamanitra.
Ny Paska-ny Testamenta Taloha dia fahatsiarovana ny Paska voalohany izay naorin'Andriamanitra ho fanafahana ny lahimatoan'ny Isiraelita tamin'ny lozan’ny fahafatesana. Nandatsaka ny loza hanjo an'i Egypta Andriamanitra mba hitarika ny Farao hanafaka ny zanak'Israely, mba hahafahany hiankohoka Aminy any an’efitra (Eksodosy 5-11).
Hitantsika ny tantaran'ny Paska voalohany any amin’ny Eksodosy 12.
1. Alohan'ny nanafahan'Andriamanitra ny olony tamin'ny fanandevozana tany Egypta, moa ve nampahafantariny hoe rahoviana no hanomboka ny taom-baovao? Eks.12:1-2. Inona no anaran'ny volana voalohany amin’ny taona araky ny fanisan'Andriamanitra ny fotoana? Eks.13:4.
FANAMARIHANA: Ny Israelita dia andevo tany Egypta efa ho zato taona. Noterena hiasaa izy ireo mandritry ny fito andro isan-kerinandro ary hanaraka ny kalandrie Egyptiana sy fialantsasatra egyptiana. Io no ny fotoanan'Andriamanitra hanarenana izany toe-javatra izany ary mitady an’izany taranaky ny olo-marina Abrahama izany Izy ho vahoaka voafidiny (Deot. 7:8). Nila fanarenana tanteraka ny fiaraha-monina, ny fivavahana sy ny fomba fiasa izy ireo.
Nanomboka tamin'ny fanitsiana ny fomba fitandremana fotoana Andriamanitra. Nandidy Izy fa ny volana Abiba (izay lasa nantsoina hoe Nisana taorian'ny fahababoana tany Babylona - Estera 3:7) no ho voaloham-bolana ho azy ireo.
               "Abiba" dia avy amin'ny teny hebreo hoe aviv, izay midika hoe "salohy" na "salohim-bary maitso". Izany dia volana izay mahamasaka mialoha ny salohim-bary hordea maitso, avy eo ny varimbazaha ririnina, izay matetika mbola salohim-bary maitso rehefa masaka ny vary hordeaNoho izany, ny kalandrie-an'Andriamanitra dia manomboka ny lohataona any amin’ny Ila-Bolantany Avaratra.
               Tsara ho marihina anefa fa ilay Taom-baovao sivily ankalazain'ny Jiosy ankehitriny dia amin'ny fararano. Na dia ny Abiba aza no ampiasain’ny Jiosy ho voaloham-bolana ho an'ny fanisan’andro ara-pivavahana, dia mampiasa ny Tishri, volana fahafito amin’ny kalandrie-n'Andriamanitra izy ireo, ho fiandohan’ny taona sivily sy ara-pitondram-panjakana.
               Araky ny nianarantsika tamin'ny lesona 23, dia nampiasa ny Jiosy hitahiry ny Soratra Masina sy ny kalandrie hebreo Andriamanitra, mba hahafahan’ny Fiangonany, araky ny torolàlana voatahiry ao amin'ny Baiboly, manao kajy tsara ny fotoana tokony hitandremana ny andro firavoravoan’Andriamanitra.
2. Inona no tokony hataon'ny fianakaviana Israelita amin'ny faha-10-n'ny volana Abiba? Eks.12:3. Tsy maintsy nifidy zanak'ondry tsy misy kilema, aretina na tsy fahatomombanana ve izy ireo? Andininy 5. Iza no iantsoana an'i Jesosy Kristy ao amin'ny Jaona 1:29?
               Moa ny zanak'ondrin'ny zanak'Israely tokoa ve izany dia tandindon’i Kristy, ilay "Zanak'ondry" Mpamonjy antsika, izay tsy nanan-ota - tsy nisy kilema ara-panahy ary tsy misy pentimpentina? 1Pet.1:19.
3. Andro inona tamin'ny volana voalohany ny Isiraelita no hamono ny zanak'ondry izay nofidin'izy ireo? Eks. 12:6.
FANAMARIHANA: Ny teny hebreo izay nadika hoe "amin'ny hariva "dia midika ara-bakiteny hoe "eo anelanelan'ny takariva roa” (jereo ny “Soratra Masina –Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao). Mba hitsarana ity fandikan-teny ity, ny hariva voalohany dia rehefa mandalo ny faravodilanitra ny masoandro ary manomboka ny andro vaovao; ny hariva faharoa dia rehefa lasa maizina ny andro ary dia hita ny kintana.
               Ny mpaneho hevitra Jiosy sasany dia mamerina mandika izany andian-teny izany. Nefa ny fampianaran'ny Fiangonan'Andriamanitra dia milaza fa ny zanak'ondry dia novonoina taorian'ny masoandro vao milentika, tamin'ny fanombohan'ny 14 Abiba.
4. Raha vao voavono ny zanak'ondry, inona no tokony hatao amin'ny ra sasany? Andininy 7, 22. Moa ve ny zanak’Israely avy eo tokony hanatsatsika sy hihinana ny zanak'ondry miaraka amin’ny mofo tsy misy masirasira sy anana mangidy? Eks.12:8.
5. Inona no nanjo ny lahimatoan’ny Egyptiana tamin'iny alin’ny Paska voalohany iny? Eks.12:12, 29.
Moa ve nampanantena Andriamanitra fa tsy hamono - fa “handalo” –ny Lahimatoan'ny Isiraelita? Eks.12:13. Moa ve ny ran’ny zanak'ondry natentin'izy ireo teo amin'ny tolam-baravarana sy ny tataom-baravaran’ny tranony no namonjy ny lahimatoa tamin'ny fahafatesana? Andian-tsoratra mitovy.
FANAMARIHANA: Ny lahimatoan'ny Isiraelita dia mazava fa voaharo amin'ny areti-mandringana tamin'ny alàlan'ny ran'ny zanak'ondry izay natentina tamin'ny tolam-baravaran’ny tranony. Izany dia "famantarana" na marika ampisehoana fa ny tokantrano dia hotsimbinina. Ankehitriny, dia afaka harovana amin'ny fanasaziana amin’ny fahafatesana mandrakizay isika, satria ny fahotantsika no nahazo bebe kokoa ny ran'i Kristy, "Paska ho antsika", Zanak'ondry, izay natao sorona ho antsika (1Korintiana 5:7).
               Nasain'Andriamanitra nihetsika ny Isiraely, tamin'ny fomba ara-batana, ho tandindon'i Kristy, Ilay "Zanak'ondrin'Andriamanitra", Kristy ilay "Paska ho antsika"- izay ho avy 1.500 taona taty aoriana mba handatsaka ny rany, hanome azy ny fiainany tonga lafatra sy tsy misy ota hatao sorona handoavana ny sazin’ny fandikantsika ny Lalàn'Andriamanitra.
6. Mandritry ny hafiriana no nandidian'Andriamanitra ny Isiraelita hitandremana ny Paska? Eks.12:14, 24.
FANAMARIHANA: Alohan'ny hanaovany fanekena tamin’ny Isiraelita tany an-tendrombohitra Sinay, nandidy azy ireo Andriamanitra hitandrina ny Paska mandrakizay - tsy mandra-pahafatin'i Kristy fotsiny, izay namarana izany fanekena izany.
               Rehefa manambara lalàna iray ho tandremana mandrakizay Andriamanitra, dia midika izany fa ho mandrakizay izany! Tsy nisy fahefana avy tamin'Andriamanitra hatrizay nomena hitsaharana tsy hitandremana izany fety lehibe tsy manam-paharoa izany!
               Hatramin'ny andro voalohany namoronana izany tany Egypta, ny Paska dia lasa fahatsiarovana isan-taona ny fandalovan'ny Mandrakizay teo amin’ny Israely ary ny nitsimbinany ny lahimatoany tamin'ny fahafatesana. Fa ny Paska koa dia miandrandra ny fotoana rehefa hiavian’ny Mpamonjin'ny olombelona rehetra handatsaka ny rany, nandoa ny sazim-pahotan'ny olona rehetra, tamin'ny sorona nataony, ka nahafahana nanao ny famelana ny fahotantsika aorian'ny fibebahana sy ny batisa.

Nitandrina ny Paska i Jesosy

1. Tamin'i Jesosy mbola kely, moa nandeha tany Jerosalema niaraka amin'ny ray aman-dreniny ve Izy, izay nitandrina ny Paska isan-taona? Lioka 2:40-42.
2. Rehefa nanomboka ny asany i Jesosy, moa nanohy ny fankalazana ny Paska ihany ve Izy? Jaona 2:13, 23.
FANAMARIHANA: Taloha sy nandritry ny ministerany, Jesosy dia nitandrina ireo fety fanao isan-taona isan-taona, anisan'izany ny Paska. Izy, amin'ny maha Tompon'ny Testamenta Taloha Azy, no Ilay nanambara ireo fety ireo tamin'ny Zanak’Isiraely taloha, ary nitandrina izany koa ny tenany nandritra ny fiainany an-tany, tamin'ny naha-olombelona Azy!
               Talohan'ny nanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana, dia nanome toromarika ny mpianany i Kristy momba ny fomba tokony hitandreman’ny tena kristiana ny Paska amin’ny Testamenta Vaovao, ho fahatsiarovana ny fijaliany sy ny fahafatesany, araka ny mbola ho hitantsika aorian'ity lesona ity.
3. Moa ve Jesosy nankalaza ny Paska niaraka tamin'ny mpianany 12 lahy tamin'ny alina mialoha ny nanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana? Mat.26:17-21; Lioka 22:13-15.
FANAMARIHANA: Taloha kelin'ny nananganana ny Famantarana ny Paska amin'ny Testamenta Vaovao, ny harivan’ny 14 Abiba, dia nihinana i zanak'ondry natsatsika i Jesosy sy ny mpianany, araky ny efa notendreny ho amin'ny fitandremana ny fetibe taloha tamin’ny Testamenta Taloha.
               Tsara homarihina anefa fa tsy nihinana fanatitra noho ny ota izy ireo. Ny zanak'ondrin'ny Paska dia nantsoina hoe fanatitra noho ny ota ao amin'ny Baiboly. Ny Baiboly dia mampiseho mazava fa ny fanatitra noho ny ota dia tsy natsangana raha tsy efa tafavoaka ny Isiraelita.

Ilay "Zanak'ondrin'Andriamanitra" Novonoina Tamin'ny Andro Paska

               Ilay ran’ny zanak'ondry natentin’ny Zanak’ Isiraely taloha tamin'ny tatao sy tolam-baravaran'ny tranony dia niaro ny lahimatoan'izy ireo tsy ho tratry ny fahafatesana.
               Ankehitriny, ho voaro amin'ny fahafatesana mandrakizay isika amin'ny alalan'ny ran'i Kristy, ilay "Zanak'ondrin'Andriamanitra" (Jaona 1:29), Izay natao sorona ho antsika tamin'ny andron’ny Paska, tamin’ny taona 31 tar JK.

Tany Egypta mandra-pahatongan'ny Didy Folo nomena tany amin'ny tendrombohitra Sinay

               Naorina tany Egypta herinandro vitsivitsy talohan'ny nahatongavan'ireo Isiraelita tany an-tendrombohitra. Sinay ny Paska, ary naverina tao amin'ny fanekena natao tany Sinay, fa tsy naorin'io fanekena io izany! Ny sorona natsangana taorian'ny fanamafisana ny fanekena tao Sinay dia nitsahatra tsy nilaina intsony taorian'ny fahafatesan’i Kristy Noho izany, dia tsy notohizan'ny olona intsony izany ho famantarana tao amin'ny Fiangonan'ny Testamenta Vaovao. Fa mitohy ny fitandremana ny Paska, miaraka amin'ny marika vaovao, dia ny mofo tsy misy masirasira sy ny divay. Efa nohazavaina tsara tany amin'ny lesona 17 izany.
4. Moave ireo Jiosy tany Jodia tamin'ny andron'i Jesosy nitandrina ny Paska indray andro taorian’ny nitandreman’Izy sy ny mpianatra izany? Jaona 18:28; 19:14.
FANAMARIHANA: Ny Apostoly Jaona dia mampiseho fa ny Fariseo sy ny Sadoseo dia nanao ny Paska taorian’ny fotoana nanaovan’i Kristy izany. Tsy nitandrina ny Paska ara-Baiboly amin'ny fiandohan'ny 14 Nisana (Abiba) ny Jiosy tany Jodia. Novonoin'izy ireo ny zanak'ondriny ny faran'ny 14 (amin'ny hariva) ary nohaniny izany tamin'ny alin’ny 15 Nisana, ny Andro Masina voalohany na fankalazana avo indrindra ny mofo tsy misy masirasira!

Hatramin'izany andro izany, ny jiosy dia tsy manavaka ny alina amin'ny Paska (Eks. 12:22) sy ny alina aorian’ny Paska, , rehefa nandao an'i Egypta ny Isiraelita (Nom.33:3; Eks.12:42). Mandrak’izao, ny Jiosy ankehitriny dia tsy mitandrina ny Paska amin'ny ny tena fotoany na amin’ny fomba nampianaran'i Jesosy ny mpianany. Nihinana ny sakafo fombafomba amin’ny Paska ry zareo, misy zanak'ondry natsatsika sy anana mangidy, ny harivan'ny 15 Abiba.

Kristy nanangana ny didy momba ny fanetren-tena

            Tamin’ny hariva talohan'ny nanomboana an'i Jesosy Kristy teo amin’ny hazo fijaliana, rehefa nihinana ny zanak'ondrin’ny Paska fanao tany amin'ny Testamenta Taloha Izy sy ny mpianany, dia nanome baiko manokana i Jesosy ho an'ny Fiangonan'ny Testamenta Vaovao. Ny Apostoly Jaona dia nandrakitra ny tapany voalohany lehibe amin'ny fampianaran'i Jesosy ho an'ny Paska amin’ny Testamenta Vaovao.

            1. Moa ve Jesosy nanasa ny tongotry ny mpianany ho ampahany amin'ny fomba vaovao fitandremana ny Paska? Jaona 13:1-5.

FANAMARIHANA: Ny fanasan-tongotra dia tsy fombafomba tany amin'ny Paskan’ny Testamenta Taloha. Izany dia noforonin'i Kristy tenany voalohany.
2. Moa ve i Petera tamin'ny voalohany dia nandà tsy namela an'i Jesosy hanasa ny tongony? Jaona 13:6-8. Moa ve afaka manana fifandraisana amin'i Jesosy i Petera raha tsy navelany hanasa ny tongony Izy? Andininy 8.
FANAMARIHANA: Satria ny kapa no kiraro fanao tamin'izany andro izany, mety ho lasa tena maloto ny tongotra. Ny fanasana tongotra, rehefa ndeha hiditra ny trano, dia noheverina ho asa ambany, mazàna hataon'ny mpanompo ambany indrindra.
               I Petera, tsy mbola nahalala ny tanjon'ny fombafomba naorin’i Jesosy, dia nandà.
Fa nohazavain'i Jesosy fa raha tsy mandray anjara amin’ny lanonana fanasan-tongotra i Petera (fomba ara-pivavahana), dia tsy ho afaka hanana anjara Aminy — tsy afaka ho kristiana izy! Tsy ho afaka koa isika.
3. Fa maninona i Jesosy no nametraka an'io fankalazana vaovao io, dia ny fanasan-tongotra mifandray amin'ny Paskan’ny Testamenta Vaovao? Andininy 12-16.
FANAMARIHANA: Tamin’ny fanasana ny tongony, i Jesosy dia naneho ohatra ho an'ny mpianany fa tonga tety an-tany Izy mba hanompo ny olombelona. Fotoana fohy taorian'izay, dia nanaporofo ny halehiben'ny asa fanompoana an-tsitrapo sy fitiavana nasehony Izy rehefa nanolotra ny ainy ho onotry ny fahotan'ny olombelona rehetra! (Jaona 15:13). Niaritra ny fahamenarana be indrindra Izy ary ny fahafatesana maharary izay azo noforonin’ny saina Izy mba hamonjy antsika rehetra amin'ny sazin’ny fahafatesana mandrakizay!
               Ny fahavononantsika hanompo sy hanampy ny hafa dia ampahany manan-danja amin'ny fiofanan'ny kristiana rehetra mba ho mpitondra be fitiavana ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra, izay hitantan’ny mpitondra rehetra ny fitondram-panjakan'Andriamanitra ho tombontsoan'ny hafa fa tsy ho an’ny tenany (Lio.22:25-27).
               Ny Testamenta Vaovao dia mampiseho fa ireo mpianatr'i Kristy dia nanompo, sahala amin'ny nataony, nitory ny Filazan-tsaran’ny Fanjakan'Andriamanitra. Ny tantara dia mandrakitra fa ny ankamaroany tamin'ireny dia nanolotra ny ainy tamin'io fanompoana io koa.
4. Moa ve i Jesosy nanome baiko feno ny mpianany mba hifanasa tongotra koa? Jaona 13:14-15. Tokony hampianatra an'izao tontolo izao hanao toy izany koa ve izy ireo? Mat.28:19-20.
FANAMARIHANA: Ny sasany ankehitriny, izay tsy manaiky ny sitrapon'Andriamanitra ary tsy te ho tonga mpanompo, dia tsy te hanetry tena amin'ny fanasana ny tongotry ny olon-kafa. Saingy nataon'i Kristy mazava tsara fa ny kristiana rehetra dia tokony hanaraka ny ohatra nomeny amin'ny asa fanompoana ny hafa! Raha Jesosy no Tompo sy Mpampianatra antsika, isika koa dia "mila mifanasa tongotra" amin'ny fotoam-pivavahana amin’ny andro Paska, indray mandeha isan-taona.
5. Inona no fitahiana manokana ampanantenaina an'ireo izay mankatoa ny tenin'i Kristy amin'ny fandraisana anjara amin'ity lanonana misy dikany ity mandritra ny fotoam-pivavahana Paska? Jaona 13:17; 14:23.

            Nanazava i Jesosy fa raha Izy Mpampianatra, no tonga hanompo ny olombelona, ny mpianany izany dia tokony hifanompo koa, sy hanompo an’izao tontolo izao. Jesosy dia nanorina ny fanasana tongotra mifandray amin'ny Paskan'ny Testamenta Vaovao, ho tandindon'ny asa. Izany dia fampahatsiahivana ara-batana ny fitsipika nampianariny azy ireo talohan'izay; “Fa tahaka izany, ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro. » (Matio 20:28)

            Mariho izay nataon'ny Apostoly Paoly, izay nampihatra ny zavatra notoriany, ka nilaza tamintsika ny fananana ny toe-tsain'ny mpanompo: "tsy manao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin'ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany. Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa, Izay,…” nanafoana “ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo …sy… nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana"(Fil.2:3, 5-8).

Ny sary an’ohatra Vaovao

Andeha hojerentsika izay zavatra hafa nandidian'i Jesosy an’ireo mpianany fa tokony hatao aorian'ny nahavitany ny fanasanan-tongotra.
1. Inona no fomba tena vaovao amin'ny fitandremana ny Paska, izay naorin'i Jesosy fotoana fohy mialoha ny fanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana? Lioka 22:19-20; Mat.26:26-29.
2. Moa ve ny mofo tsy misy masirasira no maneho ara-panoharana ny tenan’i Kristy, izay tsy maintsy hokapohina amin-kasiahana ary ho vakina ho an'ny olombelona? Lioka 22:19; Mat.26:26.
FANAMARIHANA: Fantatsika fa nampiasa mofo tsy misy masirasira i Jesosy satria ny Paska tamin’ny Testamenta Taloha dia nohanina niaraka tamin’ny mofo tsy misy masirasira (Eks.12:8).
3. Moa ve ny divay no maneho ny rany, izay tsy maintsy halatsaka ho famelana ny fahotana efa lasa? Lioka 22:20; Mat.26:27-29; Rom.3:25.
FANAMARIHANA: Ny "vokatry ny voaloboka" nomen'i Jesosy ny mpianany dia divay efa niotrika fa tsy ranom-boaloboka. Ny ranom-boaloboka dia misy amin'ny fararano fotsiny ary tsy azo tehirizina mandra-pahatongan’ny lohataona. Izany dia, na natao niotrika ho divay, na koa atao lasa ranom-boankazo mavesatra izay nampiasaina ho fanamamiana.
               Ka tsy ranom-boaloboka na ranom-boankazo mavesatra izany! Tamin'ny andron'i Jesosy, ny divay efa niotrika ihany no nampiasain'ny Jiosy tamin’ny Paska.
               Tsy manameloka ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola ny Baiboly –fa tsy tokony hisotro tafahoatra an’izany. Raha mankatoa ny Didin'i Jesosy isika - "Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy”(1Kor.11:25) – dia hisotro divay kely dia kely isika indray mandeha isan-taona isika amin'ny fotoan'ny Paska.
4. Moa ve efa nilazan'i Jesosy ny Fariseo tany aloha, tamin’ny fanambarana izay tsy azon'izy ireo, fa raha tsy mihinana ny nofony ara-panoharana ny olona sy misotro ny rany, dia tsy manana fanantenana hahazo ny fiainana mandrakizay? Jaona 6:48, 53-54.
FANAMARIHANA: Misy ny mino fa rehefa niteny i Jesosy hoe "Ity no vatako .. ity no rako," na niresaka momba azy mihinana ny nofony ary misotro ny rany, ny tiany holazaina dia ireo fanambarana ireo dia tokony ho takatra ara-bakiteny-fa ny mofo sy ny divay dia ho lasa nofo sy ra ara-bakitenyamin’ny fomba mahagaga. Tsy izany mihitsy no nolazain'i Jesosy!
Ny teny hoe "dia" (amin'ny teny grika sy anglisy) dia midika koa hoe "maneho". Izany no dikany mazava be ao amin’ny Matio 13:38 ohatra. Ilay mofo tsy misy masirasira sy ny divay dia tandindona maneho ny vatana sy ny ran'i Jesosy Kristy!
5. Moa ve i Jesosy nanome didy ny olona hanaraka ny ohatra nomeny rehefa naka mofo tsy misy masirasira sy divay Izy tamin’ny Paska (Lioka 22:19-20), ka mihatra amin'ny Kristiana koa izany mandritry ny vanim-potoana rehetra? Mat.28:19-20; 1Kor.11:23-26.
FANAMARIHANA: Jesosy no nanome an'io didy io tamin’ny alina talohan’ny hamantsihana Azy amin'ny hazo fijaliana. Nasehony tamin'ny mpianany ny fomba fitandremana ny Paska amin’ny Testamenta Vaovao ary nandidy antsika Izy hanaraka izany ohatra izany ankehitriny.
               Jesosy dia tsy nanafoana ny Paska-fa nanova fotsiny ireo tandindona nampiasaina. Ho solon'ny fandatsahana ny ràn’ny zanak'ondry ary hihinana ny vatany natsatsika, dia mampiasa mofo tsy misy masirasira sy divay isika amin’izao fotoana izao.

Maninona no tsy maintsy nijaly i Kristy?

               Taorian'ny nanorenan'i Kristy ny tandindon’ny Paska tamin’ny Testamenta Vaovao, dia nomeny ny mpianany ny toromarika sy fampitandremana, ary koa fampaherezana farany.
               Noraketin’ny Apostoly Jaona ho antsika izany ao amin'ny Jaona 13:31 ka hatramin'ny 16:33.
               Vakio ireo andalana rehetra ireo, ary mariho ny fomba nampiasan'i Jesosy an'io fotoana io mba tsy hiala miaraka amin' Lalàn’Andriamanitra Izy, fa mba hanasongadina izany lalàna izany! Nampiomana ireo mpianatra Izy momba ny maha akaiky ny hamantsihana Azy amin’ny hazo fijaliana, sy ny hanenjehana azy ireo koa. Nampanantena Izy fa hitsangana amin'ny maty ary handray ny Fanahy Masina izy ireo. Nampanantena ny hamaly ny vavak'izy ireo Izy sy hanome azy ireo fahefana mba hampiasa ny anarany rehefa mangata-javatra amin'ny Ray izy ireo.
               Avy eo, ao amin'ny Jaona 17, dia mahita ny tena " fivavahan’ny Tompo" isika, izay nataon'i Jesosy mihitsy. Tamin'izany, Izy dia nanankina tamin'ny Rainy mba ho kolokoloiny, tsy ny mpianany fotsiny ihany, fa izay rehetra hantsoiny ho ao amin'ny Fiangonany mandritry ny taona maro mifandimby. Rehefa vita ny vavaka nataony, Jesosy sy ny mpianany dia “nihira fiderana” ary nankany amin'ny Tendrombohitra Oliva (Jaona 18:1; Mat.26:30; Lioka 22:39).
               Avy eo i Kristy, navadiky ny iray tamin'ny mpianany, dia nosamborina toy ny mpanao heloka bevava mahazatra, ary ny namany rehetra nandao Azy ka nandositra (Mat.26:47-56). Nentina tsy ara-dalàna teo anatrehan'ny Synedriona ( Fitsarana Jiosy) tamin'ny alina, nokapohina sy nororana (andininy 67), nentina nankany amin'i Pilato sy Heroda ary noesoin’ny miaramilan’izy ireo (Lioka 23:11; Jaona 19:2-3).
               Na teo aza izany rehetra izany, Jesosy dia tsy nanota mihitsy, tsy tezitra mihitsy ary tsy te hamali-faty – na dia nohomboana aza! (Lioka 23:34). Nahalala Izy fa izany rehetra izany dia ampahany lehibe amin'ny Planin’Andriamanitra mba hanitarana ny Ankohonan’Andriamanitra. Mahita ny valiny farany Izy, ka nataony ho fifaliana izany rehetra izany (Hebreo 12:2).

Mariky ny Paska vaovao. Tsy tokony handatsaka ny ràn’ny zanak'ondrin'ny Paska sy mihinana ny zanak’ondry voatsatsika intsony. Kristy dia mandidy ny mpanara-dia Azy mba hankalaza ny fijaliany sy ny fahafatesany amin'ny fandraisana ny tandindona ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia ny mofo tsy misy masirasira sy ny divay.

 
1. Alohan'ny nanolorany an'i Kristy hohomboana amin'ny hazo fijaliana, moa ve i Pilato nampikapoka Azy? Mat. 27:26. Moa ve Izy izanydia nokapohina tamin'ny fomba feno habibiana ka lasa tsy fantatra intsony? Isa. 52:14. Vakio koa ny Isaia 52:13 ka hatramin'ny 53:12, sy Salamo 22:1, 6-8, 13-18 FANAMARIHAMA: Ireo faminaniana ao amin'ny Isaia ireo sy ny Salamo dia nosoratana an-jato taona maro mialoha. Notantarainy mazava tsara ny fijalian’ny Mesia –ny Mpamonjy antsika – amin'ny ho avy izay hiaretany!
               Ny kapoka dia sazy mahazatra tamin'ny ny andron'i Kristy, fa ankehitriny, dia sarotra ho antsika ny hanao sary ao an-tsaina ny habibiana toy izany. Ilay lasibatra dia nampitanjahan        a hatreo amin’ny valahany, naondrika sy nifatotra tamin'ny tsato-kazo iray, ary avy eo nokapohina tamin'ny karavasy lehibe iray vita amin'ny kofehy hoditra maro izay novesarana tamin'ny poti-taolana maranitra sy poti-by norangitina hisy kinifinifiny. Amin'ny fikapohana Romana iray, antsoina hoe any amin’ny "antsasaky ny fahafatesana" ilay niharam-boina izay nokapohina mandra-pahatonga azy ho maty fotoana fohy monja aorian’ny ratra marobe.
               I Kristy dia miaritra io kapoka tsy misy famindram-po io, izay hamerina hanokatra ny ratrany, hanapotika ny tarehiny, ary nahatonga Azy hihosin-dra noho ny ratra sy ny fery misokatra.
               Na dia ny sasany tamin’ny taolan-tehezany aza dia voan’ny kapoka.               Ny ankabeazan’ireo niharan’ny kapoka toy izany dia nomena fahafahana, fa Jesosy tsy mba nohafahana. Toy ireny olo-meloka ireny, dia notereny hitondra ny tsato-kazony Izy avy eo, kanefa dia lasa tena osa Izy noho ny kapoka nahatsiravina natao Azy, ka nianjera noho ny lanjan’io rehefa nandeha kelikely. Tany ivelan'ny tanàna, any amin'ny tany atao hoe Ikarandoha (Golgota), dia nohomboana tamin'ny hazo fijaliana i Jesosy
               Ny hazo fijaliana no famonoana olo-meloka tena mahamenatra- ary mitondra fanaintainana be indrindra. Tsy vitan’ny hoe nofantsihana ny tànana sy ny tongotra ary ny vatana dia mihantona avy amin'ireo fery misokatra ireo, fa ny aina ihany koa dia faran’izay sarotra. Ireo niharan-doza dia matetika mijaly eo amin'ny hazo fijaliana mandritra ny telo andro be izao, miaritra fanaintainana, main’ny hainandro, reraky ny hafanana ary ny fahaverezan-drà, ary farany dia maty noho ny havizan'ny hozatra sy ny faharerahana.
               Ilay Mpamonjy antsika dia niaritra fijaliana tsy mampino sy fahafatesana feno hery setra. Ary nataony an-tsitrapo izany. Nanao izany izy ho antsika - ho an'izao tontolo izao!
FANAMARIHANA: Tamin'ny alàlan'ny kapoka loza amin’antambo ary ny fanomboana Azy tamin’ny hazo fijaliana, i Jesosy Kristy dia nandoa ny sazin’ny fahotantsika ara-batana, dia ny fandikana ny lalàn'Andriamanitra momba ny fahasalamana, izay fototry ny aretina rehetra (Mat.9:1-7).
               Raha mino isika fa ny tenany dia nokapohina ho antsika, ary amin'ny alàlan’ny ra nalatsany, dia nijaly toy izany tokoa Izy mba hahazoantsika famelana ny fahotantsika rehetra ara-batana, ny fanasitranana ny vatantsika rehefa marary isika, ankoatry ny famelana ny helo-tsika ara-panahy, dia ny fandikana ny lalàn'Andriamanitra.
               Izany no antony nanorenan'i Jesosy ny famakiana ny mofo tsy misy masirasira ho ampahany amin'ny Fanompoam-pivavahana amin’ny Paska amin’ny Testamenta Vaovao. Io no tandindon’ny nofony vakivaky ho fampahatsiahivana antsika fa ny "dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika" (Isaia 53:5).

            Tao dia nivavaka indray Izy. Nahalala Izy fa hisy fanaintainana lozan-tany tsy ho zaka tokoa ny fahafatesany, ka nivavaka tamin-kafanam-po lehibe i Jesosy mba handositra ny fanaintainana mihoa-pampana sy ny fijaliana izay ho avy (Lio.22:41-44). In-telo Izy no nangataka tamin’ny Rainy raha azo hatao ny hanombohana ny planin’ny famonjena ho an'ny olombelona amin'ny fomba hafa (Mat.26:39-44). Hoy ny vavak’i Jesosy: "nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao" (Lio 22:42).

2. Moa niaritra fampijaliana mangirifiry lozan-tany ve i Jesosy mba hahazoantsika fanasitranana ny vatantsika amin'ny finoana ny vatany voakapoka? Isaia.53:5; 1Pet.2:24; Sal.103:2-3; Jak.5:14-15.

Nahoana no tsy maintsy maty i Kristy

Tsy hoe nijaly ho antsika fotsiny i Jesosy Kristy. Izy Izay Andriamanitra dia maty ara-nofo, nijanona tsy niaina intsony. Tamin'izany andro izany, dia foana ny fikasany (Sal.146:4). Satria Izy namboarina ho nofo, dia maty amin’ny karazam-pahafatesana mitovy amin’ny an'ny olombelona rehetra Izy. Fa inona ny tena antony nahatonga Azy ho faty? Aoka ho takarintsika izany.
1. Moa ve i Jesosy Kristy, talohan'ny nahaterahany ho olombelona, no ilay "Teny" na mpitondra tenin'ny Ankohonan’Andriamanitra, ilay Iray izay naharian’Andriamanitra Ray ny zavatra rehetra? Jaona 1:1-3, 14; Kol.1:16-17; Efes.3:9; Heb.1:2, 10.
3. Moa ve tonga olombelona nofo aman-drà ny Mpamorona antsika tamin'ny nahatonga Azy ho torontoronina Azy tamin'ny fomba mahagaga tao an-kibon’ny vehivavy iray? Jaona 1:14; Mat.1:20-21. Nahoana no tonga nofo Izy? Heb.2:9. Moa ve i Jesosy Kristy nantsoina tsotra hoe "Andriamanitra" sy "Mpamonjy antsika"? Tit.2:13-14.
FANAMARIHANA: Ny sazy noho ny fahotan'ny olombelona dia ny fahafatesana. Fa ireo mpikambana roa ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra, izay fanahy, dia tsy mety maty. Na iray aza amin'ireo persona fanahy tsy mety maty ireo dia afaka mandoa ny sazin’ny fahotan’ny olombelona. Tena nilaina izany raha ny iray amin’ireo persona ao amin’ny Fanjakan'Andriamanitra no hateraka ho lasa olombelona ary ho maty handoa ny sazy.
               Ny Teny, mpikambana faharoa ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra, dia nanolo-tena. Nahafoy an-tsitrapo ny toetrany fanahy Izy, sy ny voninahitra lehibe nananany, mba hotorontoronina sy hateraka ho zanak'olombelona nofo aman-drà mety maty, sy mifoka rivotra.
               Koa satria namorona ny fiainana rehetra ny Teny, ny ainy dia lafo vidy mihoatra ny olona an'arivo tapitrisa maro izay efa niaina. Raha olombelona tsotra i Jesosy Kristy, ny fahafatesany dia ho tsy nahaloa sazy afa-tsy ho an'ny olona iray hafa fotsiny. Fa Jesosy kosa dia Andriamanitra tonga nofo koa!
               Tamin'ny alàlan'ny fandaozany ny fahefana sy ny voninahitra nananany ka nahalasa Azy ho olombelona, dia lasa sorona lavorary sy feno i Kristy, ho fanatitra noho ny ota rehetra vitan'ny olombelona. Tsy nisy fomba hafa mihitsy afaka nanavotan’Andriamanitra ny olombelona marobe tamin’ny fanasaziana amin'ny fahafatesana.
4. Moa ve nentanin'ny Fanahy Masina ny Apostoly Paoly mba hanoratra fa Kristy no "Paska ho antsika" - ny Mpamonjy antsika ankehitriny? 1Kor.5:7.
FANAMARIHANA: Raha tsy novonoina ho faty tany am-boalohany ny zanak'ondrin'ny Paska, ny lahimatoan'ny Isiraelita dia ho voavono tany Egypta. Ary raha tsy novonoina i Kristy, dia ho tsy nanana mpamonjy isika ankehitriny.
               Novonoin'ireo Zanak’Isiraely ny zanak'ondrin'ny Paska ary nalatsany ny rany (Eks.12:6-7). Moa ve ireo zanak'ondry ireo dia tandindon'i Kristy "Paska ho antsika", ary maty nalatsa-dra, toy ny rà nalatsak'i Kristy mba handoavana ny sazim-pahotantsika, dia ny fandikantsika ny Lalàn'Andriamanitra.
5. Mampiseho mazava ve ny Baiboly fa ilain'i Kristy ny ho faty amin'ny alàlan'ny fandatsahana ny Rany mba hahazo famelana ny helok’isika? Heb.9:22.
FANAMARIHANA: Amin’ny alàlan’ny rà nalatsak'i Kristy ihany no ahafahantsika mahazo ny famelan-keloka, dia ny famelana ny fahotana ara-panahy. (Mazava ho azy, fantatsika avy amin'ny Asan’ny Apostoly 2:38 fa ilaina ny fibebahana sy ny batisa miaraka amin'ny ra nalatsany).
6. Nilaza mialoha ve i Isaia fa ho faty i Kristy “toy ny zanak'ondry entina ho vonoina”? Isa.53:7-8. Moa ve ny resaka nifanaovan'i Filipo sy ilay tandapa Etiopiana maneho mazava fa ilay noresahin'i Isaia dia i Jesosy Kristy? Asan’ny Apostoly 8:32-35.
7. Naminany koa ve i Isaia fa i Kristy dia ho maty satria “naidiny ho amin’ny fahafatesana ny ainy”? Isa.53:12. Moa ve ao amin'ny ra ny ain'ny nofo rehetra? Lev.17:11.
               Ny ankamaroantsika dia mbola tsy nahatakatra ny fijaliana sy ny fahafatesan'i Jesosy. Endrey izany fanesoan'ny fitsarana izany! Azonao an-tsaina ve ny fijaliana mahatsiravina vokatry ny kapoka sy ny fanomboana Azy tamin’ny hazo fijaliana, ary ny famonoana Azy avy eo? Izany fahoriana rehetra niaretan'i Jesosy an-tsitrapo izany dia ho fandoavana ny sazin'ny fahotantsika hisolo antsika! Eritrereto fotsiny ny sandany lafo vidy mihoapampana izay naloan'i Kristy mba hanesorana ny helok’isika taloha, ary ny ota nataontsika voafafa. Ny iray amin'ireo tena mpikambana ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra, dia i Jesosy Kristy, no nandoa ny sazy ho antsika. Azonao takarina ve fa ilay Mpamorona antsika - ilay tokana Izay nanome antsika ny fofonaintsika, dia nijaly sy maty ho antsika rehetra?

2. Moa ve ny Ankohonan’Andriamanitra nanendry mialoha fa ho lasa olombelona ilay mpitondra-teny ka hovonoina, tahaka ny zanak'ondry, mba hahatongavany ho mpamonjy antsika? (1Pet.1:18-20; Apok.13:8).

FANAMARIHANA: Kristy dia nalatsa-dra mba ho faty. Izany dia miharihary amin'ny sorona nataony voalazan’ny mpaminany, ary voalazan'ireo asa soratra Grika tranainy maro koa izany. Ny Jaona 19:34 dia milaza : « Fa ny miaramila anankiray nandefona ny lanivoany, ary niaraka tamin'izay dia nisy rà sy rano nandeha”, manondro ny antony nahafatesany sahady (andininy 33). Ny Matio 27:50 dia milaza hoe : “Ary rehefa niantso tamin'ny feo mahery indray Jesosy, dia nanolotra ny fanahiny.

Notandreman'ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao

1. Taorian'ny nanovan'i Jesosy Kristy ny famantarana ny Paska ho mofo tsy misy masirasira sy divay, ary nandidiany ny mpianany mba hitandrina ity fanompoam-pivavahan’ny Testamenta Vaovao ity ho fahatsiarovana ny fijaliany sy ny fahafatesany, misy fambara ve fa hoe nitandrina ny Paska mihoatry ny 10 taona taorian'ny nanomboana an’i Kristy tamin'ny hazo fijaliana ny Fiangonan'Andriamanitra? Asan’ny Apostoly 12:4.

2. Moa ve nampianatra ny kristiana tamin’ny Testamenta Vaovao ny Apostoly Paoly mba hitandrina ny Paska amin'ny fandraisana ny marika vaovaon’ny mofo tsy misy masirasira sy ny divay araky ny nataon’i Jesosy sy nodidiany? 1Kor.11:23-26.
FANAMARIHANA: Paoly, ilay Apostolin’ny hafa firenena, dia nampianatra ny Jentilisa vita batisa mba hitandrina ny Paska! Paoly dia nandany ny ankamaroan'ny fotoanany tao sy manodidina an’i Efesosy. izay tao andrefan'i Azia Minora (Torkia maoderina). Ny tantara dia mampiseho fa ireo fiangonana tany Azia Minora dia nanohy nitandrina ny Paskan’ny Testamenta Vaovao elabe taorian’ny fakana an-keriny nataon’ilay Kristianisma sandoka ny ankamaroan'ny fiangonana hafa.
               Fony izy tany Roma, dia niresaka momba ny fomba Romana mankalaza ny fetin’ny mpanompo sampy ho solon'ny Paska i Polycarpe. Mariho izay nosoratan'i Eusebius momba ity fihaonana ity: "I Anicet dia sady tsy afaka nandresy lahatra an’i Polycarpe tsy hitandrina intsony izay notandremany foana [ny Paska] niaraka tamin'i Jaona mpianatry ny Tompo, sy ny Apostoly hafa izay nananany fifandraisana "(boky V, toko 24).
               Nipoaka indray ny resabe Paska tao anatin'ny 35 taona. Nanandrana i Victor, Evekan'i Roma handroaka ny fiangonana rehetra izay nankalaza ny Paska marina!
               Eusebius dia nanohy toy izao taoriana: "Fa ireo evekan'i Azia, notarihin'i Polycrates [evekan'i Efesosy tany aoriana), dia nanapa-kevitra ny hitazona ny fomba fanao taloha natolotra azy ireo. Izy tenany mihitsy, tamin'ny taratasy iray nalefany ho an'i Victor sy ny fiangonan'i Roma, dia nanambara ao amin'ireto teny manaraka ireto ny fomba nentin-drazana izay nentina nidina nankeo aminy: “Izahay dia mitandrina ny tena andro; tsy nanampiana ary tsy nanesorana. Fa any Asia koa, dia misy jiro lehibe lasa matory, izay hifoha indray amin’ny andro hahatongavan'ny Tompo, rehefa ho avy amim-boninahitra eny amin’ny lanitra Izy ka hitady ny olo-masina rehetra”.
               “Anisan'izany i Filipo, iray amin'ireo Apostoly roa ambin'ny folo.... Ankoatr'izany, i Jaona, izay sady vavolombelona no mpampianatra, izay niankina teo an-tratran’ny Tompo ... sy i Polycarpe any Smyrna, izay eveka sy maritiora. ... Ireo rehetra ireo dia samy nitandrina ny andro fahefatra ambin'ny folo, ... ny Paska araky ny Filazantsara, miala amin'ny fomba tsy misy fanajana, fa manaraka ny fitondran'ny finoana. Ary izaho Polycrates koa dia manaiky ny fomban-drazan’ireo havako. Ireo havako dia nitandrina foana ny andro fametrahan'ny olona any ivelany ny lalivay [ho fanomanana ny fankalazana ny fetin’ny Mofo tsy misy masirasira) '' '(boky V, toko 24).
3. Efa voalazan’ny mpaminany ve fa ny Fiangonan'Andriamanitra ao Smyrna dia hiharan'ny fanenjehana? Apok.2:8-10. Iza no mpanenjika azy ireo? Andininy 9.
FANAMARIHANA: Ny "synagogan'i Satana", dia misy ireo mitonona ny tenany ho "Jiosy ara-panahy" – izay milaza tena ho kristiana - nefa tsy izy, dia ny fivavahan-diso mitondra ny anarana hoe "Kristianisma" ary naorin'i Simona voalaza ao amin'ny Asa.8:9-24. Ilay Andriamanitra Tsitoha dia niantso an'ity fiangonana sandoka ity hoe synagogan'i Satana devoly!


Antony roa ambin'ny folo ahitana fa tsy ara-dalàna ny fitsarana an'i Jesosy

Tsy nisy zavatra mialoha ara-dalàna ny fitsarana an'i Jesosy Kristy. Nomelohina ary novonoina Izy na dia hitan’i Pilato aza Azy fa tsy manan-tsiny! Andao hodinihina fohifohy ireo antony 12 faran'izay lehibe mahatonga ny fisamborana, sy ny fitsarana ary ny fanamelohana an’ i Jesosy izay hita fa tsy ara-dalàna.
1. Tsy nisy fototra ara-dalàna tamin’ny fisamborana an'i Jesosy satria tsy nisy olona nanolotra fiampangana noho ny nanaovany heloka; Nentina tsotra fotsiny Izy. Ankoatr'izany, ireo izay niaraka tamin'i Jodasy hisambotra an’i Jesosy dia tsy nahitana afa-tsy ny mpisorona sy ny loholona, ireo mpitsara Azy (Lio.22:52), anisan’izany ireo nanome kolikolky an’i Jodasy!
2. Jesosy dia nampidirina voalohany nanaovana fanadihadina miafina tamin'ny alina (Jaona 18:12-14, 19-23). Ny lalàna jiosy dia tsy namela ny fizotran'ny fitsarana raha tsy amin’ny antoandro.
3. Tsy ara-dalàna ny fiampangana an'i Jesosy satria ny mpitsara mihitsy no nitondra ny fiampangana tsy misy fiampangana mialoha ataon’ny vavolombelona. Ny fitsarana Jiosy (Sanedrina) dia tsy eken'ny lalàna hiampanga mialoha.
4. Ny fitsarana dia nanao ny tsy ara-dalàna ka nitsara an'i Jesosy talohan'ny fiposahan'ny masoandro, ka tsy misy na dia iray aza afaka nanao vavolombelona tamin’ny fiampangana Azy.
5. Nanomboka ny fitsarana andro iray mialohan'ny Sabata fanao isan-taona (Jaona 18:28), na dia tsy avelan'ny lalàna Jiosy aza ny hanombohana ny fitsarana ny fandikan-dalàna lehibe amin'ny andro zoma na andro mialohan’ny Sabata fanao isan-taona. Jesosy dia nosamborina ary nampijaliana ny andro 14 Abiba, andro mialohan'ny Sabata fanao isan-taona voalohany, tamin'ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira
6. Nifarana ny androtr’iny ny fitsarana an'i Jesosy. Hoy ny lalàna Jiosy: "Raha ny fanamelohana ho faty no didy havoaka, tsy azo faranana amin’ny andro ampitso ny ady maloto"(Mishna, "Sanhedrin" IV, 1). Izany dia natao mba hanomezana fotoana ampy ho an'ny vavolombelona manohana ny voampanga mba hisehoan’ny tenany. Ny fitsarana an’i Jesosy dia natao tany amin'ny toerana mitokana ary novitaina tao anatin'ny sivy ora latsaka!
7. Nisy vavolombelona roa niampanga an'i Jesosy, nilaza fa handrava ny tempoly natao tanana Izy (Marka 14:58); kanefa dia nomelohin'ny fitsarana tamin'ny fiampangana diso hafa Izy, dia ny fitenenan-dratsy (blasfemia). Voaheloka Izy noho ny fijoroan’ny tenany ho vavolombelona (Lioka 22:67-71). Nefa, araky ny Lalàna Jiosy, ny olona iray dia tsy azo melohina noho ny fijoroan’ny tenany ho vavolombelona.
8. Ny fahamendrehan'ny fiarovan-tenan'i Jesosy dia tsy noheverina. Na eo aza ny Deoteronomia 13:15, ny mpisoronabe dia tsy nandinika sy namototra, ary nanadihady tsara mba hahitana raha nanao blasfemia marina i Jesosy. Hoy ny lalàna ao amin'ny Mishna: "Ny mpitsara dia handinika izany raharaha izany amin'ny fahamarinan'ny feon’ny fieritreretany” ("Sanhedrin" IV, 5). Tsy izany no zava-nisy, fa namoaka didy teo no ho eo ny fitsarana, ary neken’ny besinimaro!
10. Ny didim-pitsarana dia navoaka tao amin'ny toerana voararan'ny lalàna. Tao amin’ny tranon'ny mpisoronabe no natao ny fitsarana (Lioka 22:54). Araky ny lalàna, ny fanamelohana ho faty dia tsy azo avoaka raha tsy ao amin'ny toerana voatondron’ny fitsarana ihany.
11. Ny ankamaroan'ny mpitsara dia tsy nanana alàlana mba hitsara an’i Jesosy. Nisy nividy làlana mba hiditra an-tsehatra, hoy i Josephus. Koa, satria izy ireo dia fantatra hoe fahavalon'i Jesosy, ny lalàna Jiosy dia nilaza fa tsy manana fahefana hanao izany izy ireo, mba ho azon'ny mpitsara tsy manavakavaka arovana Izy.
12. Ny fitsarana dia namily tsy ara-dalàna ny fiampangana ho nanao blasfemia, ka nolazainy fa fikomiana no nataony teo alohan’i Pilato. Tian'ireo mpanohitra an'i Jesosy ny hamonoana Azy, nefa tsy te hanao izany ny tenany. Noho izany, dia niampanga Azy ho mpanohitra ireo (Lioka 23:2) - heloka teo anatrehan’ny Fanjakana Romana izany - ka ny Romana no ho tompon'andraikitra amin'ny fahafatesany. Tsy nisy porofo akory naseho (Jaona 18:29-30). Pilato, rehefa nanadihady fohifohy, dia nahita fa tsy meloka i Jesosy (Jaona 18:38; 19:4; Mat.27:18). Natahotra ny vahoaka anefa izy, ka navelany ho fantsihana tamin’ny hazo fijaliana ny lehilahy tsy manan-tsiny. Tsy nanambara akory i Pilato fa meloka Izy; nalefany fotsiny ho raisin'ny miaramila Izy.
Fanesoana ny fitsarana ity didim-pitsarana ity! Ny tsy fanarahan-dalàna rehetra, ankoatry ny fanomboana Azy tamin’ny hazo fijaliana, dia niaretan’i Jesosy an-tsitrapo mba handoavany ny sazin’ny fahotantsika, ho solontsika!

9. Ireo izay tokony ho nifidy hanohitra ny fanamelohana dia tsy teo amin'ny fitsarana an'i Jesosy. Joseph avy any Arimatia dia mpikambana tao amin'ny fitsarana, nefa tsy tao izy (Lioka 23:50-51). Ireo mpanohitra an'i Jesosy dia nanao izay hahazoana antoka fa ireo izay nankahala Azy ihany no ho eo.

 
4. Mbola hotandreman'i Kristy sy ny hafa rehetra ihany ve ny Paska, rehefa avy nanorina ny Fanjakan'Andriamanitra eto an-tany Izy? Mat.26:29; Lioka 22:15-16. Mandra-pahatongan’izany, moa ve ny Fiangonan'Andriamanitra dia tsy maintsy mitandrina ny Paska ho fahatsiarovana ny fijalian'i Kristy sy ny fahafatesany? 1Kor.11:25-26.
FANAMARIHANA: Nandidy ny mpianany i Jesosy hitandrina ny Paska ho fahatsiarovana Azy mandra-pahatongan’ny fiverenany, rehefa hitandrina izany indray Izy. Ny apostoly dia nitandrina izany, ary ny Fiangonan'Andriamanitra ankehitriny dia mbola mitandrina izany, araky ny nandidian'i Jesosy izany indrindra!

            Ny Apostoly dia nanendry an'i Polycarpe hifehy ny Fiangonan'Andriamanitra tany Smyrna, tanàna iray any akaikin'i Efesosy. Mariho izay nolazain'i Eusebius, mpahay tantara katolika taloha, raha nanoratra momba azy: «Tamin’i Anicet no filohan 'ny fiangonana tany Roma [tokony ho tamin’ny 154 tar JK], Irenée dia nitantara fa i Polycarpe…dia naira-nidinika tamin'i Anicet momba ny resaka andro firavoravoan’ny Paska... Saingy i Polycarpe dia tsy vitan’ny hoe nampianarin'ireo Apostoly sy nahalala tamin'ireo maro izay efa nahita an'i Kristy, fa koa notendren'ireo Apostoly tany Azia ho Evekan'ny fiangonana tany Smyrna [Apok 2:8] .... Tany Roma koa izy tamin'ny andron’i Anicet ary nahatonga ny maro hiala amin’ny lalan’ny… heretika mba hiverina amin’ny Fiangonan'Andriamanitra, nanambara fa azony avy tamin'ny Apostoly izany rafitry ny fahamarinana tokana sy irery izany ”(Ecclesiastical History, boky IV, toko 14, ao amin'ny Nicene sy PostNic ene Fathers, vol. 1).

Fahatsiarovana Indray mandeha isan-taona

1. Moa ve ny fankalazana ny Paska isan-taona tamin'ny Testamenta Taloha dia natao ho fampahatsiahivana an’ireo zanak'Israely an'io fanompoana io? Eks.12:24-27. Moa ve ny fitandremana ny Paska ao amin’ny Testamenta Vaovao dia hatao ho fampahatsiahivana ny Kristiana ny fanaovana sorona an'i Kristy? 1Kor.11:23-26. Moa ve Jesosy nanao io didy io tamin’ny fotoana iray ho ohatra ho antsika? 1Kor.11:23; Lioka 22:14-15.
FANAMARIHANA: I Kristy dia nampianatra tamin 'ny ohatra nomeny fa ny Paska amin’ny Testamenta Vaovao dia tokony ho raisina indray mandeha isan-taona ihany - amin'ny faha-14-n’ny volana Abiba, amin'ny hariva, rehefa tapitra ny faha-13 amin'ny filentehan'ny masoandro. Ny kristiana ankehitriny dia tokony hitandrina ny Paska, tsy matetika arak’izay sitrak'izy ireo, na amin’ny fotoana izay tiany, fa matetika ary amin’ny fotoana mitovy amin’izay nitandreman’i Kristy sy ny Apostoly izany. Ny Paska dia fahatsiarovana tokony hitadidiantsika ny fijalian'i Kristy sy ny fahafatesany. Ny fahatsiarovana ny fotoan-dehibe dia tandremana foana isan-taona, indray mandeha isan-taona, amin'ny fitsingerenan'ny fotoana izay tsiahivina.
               Araky ny nodidian'i Kristy tenany, ny tena kristiana ankehitriny dia mankalaza ny Paska amin'ny takarivan’ny andro nijaliany sy nahafatesany. Io no fotoana manetriketrika sy masina indrindra amin'ny taona- fa tsy fotoana fihomehezana na firesahana amin’ny manodidina. Izany dia manambara isan-taona, "mandra-pihaviny" (1Kor.11:26) ny finoana marin’ny Kristiana ny soron'i Kristy, ho famelana ny fahotana.
               Ny andro hafa dia tsy fahatsiarovana ny fijaliana sy ny fahafatesan'i Kristy, fa fotoana noforonin’ny olona fotsiny mifanohitra amin'ny baiko mivantana nataon'i Jesosy Kristy!
               Ny daty marina ho amin'ny Paska, sy ny fetin'Andriamanitra rehetra fanao isan-taona, dia miovaova isan-taona ao amin'ny kalandrie romana.

Raiso am-pahamendrehana ny Paska

               Alohan'ny hamaranana ity fianarana ny dingana voalohany amin'ny Ny Planina Lehiben'Andriamanitra ity, dia mila mahatsapa isika fa mety handray ny Paskan’ny Testamenta Vaovao "tsy am-pahamendrehana "- raha tsy mihaino tsara ny fampitandremana nataon'ny Apostoly Paoly. Andeha hodinihina izany.

1. Inona no hafatr'i Paoly tamin’ny Kristiana tao Korinto momba ny fitandreman'izy ireo ny Paskan’ny Testamenta Vaovao? 1Kor.11:27. Inona no tokony hataon’ny olona iray mialohan'ny handraisany ny tandindon'ny mofo tsy misy masirasira sy ny divay? Andininy 28. Inona no hitranga raha toa ka raisina tsy “am-pahamendrehana” ireo tandindona? Andininy 29. Moa ve izany no mahatonga ny maro amin'izy ireo ho marary sy ho maty? Andininy 30.

FANAMARIHANA: Maro ankehitriny ireo tsy mahazo ny fampitandreman'i Paoly. Ny sasany, izay mahatsapa fa tsy "mendrika" ny soron'i Jesosy, dia nanatsoaka hevitra fa tsy tokony hankalaza ny Paska izy ireo. Ny hafa dia nilaza fa ny Paskan’ny Testamenta Vaovao dia tandindona na fombafomba fotsiny, satria tsy mahazo tanteraka ny dikan’izany izy ireo. Samy diso ireo roa tonta ireo!
               Tsy nilaza i Paoly fa ny kristiana dia tokony ho «mendrika» ny handray amin’ny Paska. Nanoratra izy fa tsy misy olona tokony hitandrina ny Paska amin’ny fanahy tsy mendrika. Ny hoe "amin'ny fanahy tsy mendrika" dia tsy mamaritra olona- fa mamaritra ny fomba na ny fihetsiky ny olona iray izay mihinana sy misotro ireo tandindona ireo. Ny Soratra Masina fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao dia nandika an’io hoe “amin'ny fomba tsy mendrika”.
               Mazava aloha fa tsy misy olona mendrika ny soron'i Kristy. Na izany aza, ny tena kristiana rehetra dia didiana hitandrina io fahatsiarovana ny fahafatesan'ny Mpamonjy antsika noho ny fahotantsika io. Mariho ny baikon'i Paoly ao amin'ny andininy 28: "Fa aoka ny olona handinika ny tenany ...” Nahoana? Mba hahatsapana fa tsy mendrika izy, ary mandà ny hankatoa? Tsia-ny tsirairay dia tokony handini-tena, "dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin'ny kapoaka."
               Alohan'ny Paska tsirairay, ny tena kristiana marina dia tokony handinika ny tenany mba hahatakatra bebe kokoa fa tena ilainy ny mitandrina ny Paska. Ny fandinihan-tena ara-panahy dia hampiseho amin’ny kristiana tsirairay fa izy dia mbola mpanota ka mila fatratra ny soron'i Kristy. Ny fankalazana ny Paska dia fampahatsiarovana lalina isan-taona ny fahotantsika ara-nofo sy ara-panahy, ary fampahatsiahivana fa i Kristy dia nandoa tanteraka ny sazin’ireo fahotana ireo, raha mbola mibebaka marina tokoa isika noho ireo (1Jaona 1: 9).
               Nanoratra ihany koa i Paoly fa ny sasany tamin’ny Kristiana tany Korinto dia "tsy mahay mamantatra ny vatan’ny Tompo" (1Kor.11:29) [ Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao] fa tsy hoe “raha tsy mamantatra ny tena izy” araky ny hita ao amin’ny Baiboly fampiasantsika an-davanandro. Maro tamin'izy ireo no nandray ny Paska tamin'ny fomba tsy mendrika. Izy ireo dia tsy nahatakatra tanteraka fa hoe i Kristy dia nandoa tao amin'ny Tenany ny sazin'ny fahotany ara-batana, izay asehon'ny mofo novakina, ary noho izany dia tsy sitrana ireo aretiny, ary maro tamin'izy ireo ihany koa no maty (andininy 30).
               Maro tamin'ireto rahalahy ireto no tena tsy nahay manavaka, ary nihevitra izy ireo fa ny fivoriana amin'ny takarivan'ny Paska dia mba hihinana sakafo mahazatra. Ny sasany aza lasa mamo, hoy i Paoly! (andininy 20-21, 33-34). Tsy maintsy hentitra i Paoly nanitsy azy ireo.
               Ny tandindon'ny Paska dia tokony ho raisina am-piheverana, ary miaraka amin’ny finoana nohavaozina — miaraka amin’ny fahatakarana ao an-tsaina izay asehon’ireo tandindona ireo MARINA!
FANAMARINANA: Tany amin’ny Israely fahiny, dia ny Isiraelita sy ny Jentilisa voafora irery ihany no afaka mandray anjara amin'ny fihinanana ny Paska. Ankehitriny, na Jiosy, na Israelita na hafa firenena, dia tsy maintsy voafora ara-panahy aloha vao afaka mandray anjara amin'ny fihinanana ny Paskan’ny Testamenta Vaovao.
               Ny fianarantsika teo aloha dia nampiseho fa ireo mibebaka, vita batisa ary efa nandray ny Fanahy Masin’Andriamanitra dia tonga "Isiraelita ara-panahy", lasa voafora ara-panahy. Raha tsy nibebaka ny olona iray, raha mbola tsy naneho ny finoana fa i Kristy no Mpamonjy amin'ny alàlan'ny mariky ny batisa, dia mbola tsy afaka mandray ny Paska amin’ny fomba mendrika izy. Ary noho izany ny Paska, tsy toy ny fetin’Andriamanitra hafa fanao isan-taona, dia natokana ho an'ireo mpikambana vita batisa tao amin' ny Fiangonan’Andriamanitra irery ihany.

2. Tany amin’ny Zanak’Israely fahiny, iza no navela handray anjara amin’ny fihinanana ny Paska? Eks.12:48, tapany farany. Ao amin'ny fotoan'ny Testamenta Vaovao, moa ve ireo voafora fo? Rom.2:29.

Mijanona amin'ny Paska ve isika?

               Maro amin’ireo antokom-pivavahana milaza tena ho kristiana manerantany no mampianatra fa ny soron'i Kristy dia nahatanteraka ny Planin’ny Famonjena - fa tsy misy zavatra hafa intsony azontsika hatao afa-tsy ny mino.
               Tsy misy resaka lavitry ny fahamarinana toy izany! Ny sorona nataon'i Kristy tamin'ny Paska no manomboka ny Planina Lehiben’Andriamanitra ho amin’ny Famonjena. Ny soron'i Kristy, miampy ny fibebahantsika, no nandoa ny sazin'ny fahotantsika taloha (Romana 3:24-25). Saingy tsy manome alalana antsika izany mba handika ny lalàn'Andriamanitra ka tsy hahazo famaizana amin'ny ho avy.
               Tokony hiezaka hanary ny ota isika, hanaisotra izany amin’ny fiainantsika. Izany no sary asehon’ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira amintsika, fety fanao isan-taona manaraka, sy dingana iray ao amin'ny Planin’Andriamanitra.
               Maro amin’ireo mitonon-tena ho Kristiana no milaza fa "manaiky" ny soron'i Kristy. Fa tsy nampihatra izany sorona izany ho azy ireo anefa Andriamanitra. Mbola mpanota tsy mibebaka izy ireo, mandà ny fankatoavana Azy, milaza fa ny lalàny dia efa tapitra.
               Kristy dia tsy mpanompon’ny ota (Gal.2:17). Rehefa mibebaka amin’ny ota isika, mino ary manomboka mankatoa an’ Andriamanitra, dia afaka mahazo famelan-keloka. Ny soron'i Kristy dia ampiharina amin'ireo izay mampiseho amin'ny ataony fa mibebaka marina izy ireo.
               Raha mbola tsy nanomboka nandray anjara tamin’ny Planina Lehiben’Andriamanitra amin'ny famonjena ianao ary te hanao izany, dia mila fanazavana fanampiny momba ny batisa ianao mba hahazoanao mitandrina ny Paskan’ny Testamenta Vaovao araky ny nandidian’Andriamanitra an’izany.

No comments:

Post a Comment