Ny Anjely - Nikomy Tamin'ny Fanjakan'Andriamanitra i Losifera

  

Ambasadaoro Kolejy - Toko Faha-16

NY ANJELY

                Ny baibolinao dia manambara fa ny anjely dia efa nipetraka teto an-tany elabe talohan’i Adama sy Eva. Nanota anefa ireo anjely ireo! Inona ny ANTON’ny fahotan'izy ireo? Ary ahoana ny amin'ny anjely marina - inona no ataon'izy ireo ankehitriny?

ANDRIAMANITRA no Mpamorona. Andriamanitra dia efa nisy hatrizay. Iza ary inona Andriamanitra no nianarantsika tao amin'ny lesona farany. Izao no voasoratra ao amin'ny Jaona 1:1: "Tamin'ny voalohany ny Teny…” izany hoe ilay Persona antsoina hoe ny Teny. Izy no Mpitondra teny. “ary ny Teny tao amin'Andriamanitra.” (Jaona 1:1). Raha izany ary, dia nisy Persona hafa. Misy izany Persona roa voambara ao amin'ny Jaona 1:1. Fa mariho ihany koa ny hoe: "Ary ny Teny dia Andriamanitra." Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao…” (Jaona 1:3). “Izy no nisiam-piainana…” (and. 4).

               Ireo andininy ao amin'ny Jaona 1 ireo dia tsy miresaka afa-tsy ireo mpikambana roa mandrakizay ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Misy "Andriamanitra" izay tonga ny Ray, ary ny "Teny" izay tonga Kristy. Izy ireo dia manana fiainana vadin-koditra Aminy.
               Ary Izy Ireo dia niara-niaina. Ahoana no fomba fiainan'Izy Ireo? Ny lalan’ny FITIAVANA! Tian'Andriamanitra ny Teny. Miresaka momba ny Teny Izy rehefa lasa Jesosy Kristy Izy hoe: "Ity no Zanako malalako Izay sitrako ...."
               Ary tia sy nankatoa ny Ray ny Zanaka. Io fitiavana io - io fomba fiaina io - no toe-tsaina izay nitarika ny zavatra nataon’Izy roa tonta ireo.
Ny namoronana ny anjely
               Inona no nataon 'ny Ankohonan’Andriamanitra? Inona no asan'Izy Ireo? MPAMORONA Andriamanitra. Talohan'ny namoronana ny Onivera fizika, dia namorona ny anjely aloha Andriamanitra.
               Koa satria samy manana ny fiainana mandrakizay vadin-koditra Aminy ireo Mpikambana roa ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra, ny Teny no nizara ny aina tamin’ny anjely tamin'ny namoronany azy ireo. Izy ireo dia nahazo fiainana vadin-koditra aminy mandrakizay.
               Ny anjely dia nanompo teo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra any an-danitra. Ny roa tamin'izy ireo, manana ny laharana kerobima, dia voaofana tao amin'ny foiben'Andriamanitra any an-danitra ary nanaloka tamin’ny elany teo ambony seza fiandrianan'Andriamanitra (Ezek.28:14). Iray tamin'izy roa ireo i Losifera.
               Taty aoriana, dia namorona ny tany sy ny Onivera manontolo tamin'ny fotoana mitovy ny Teny (Genesisy 1:1). Teto amin’ny planetantsika no nametrahan'Andriamanitra ny Fanjakany, teo ambany fifehezany. (Joba 38:4-7; Isa.14:14; Apok.12:4) hamolavola sy hanome endrika azy ary hamita ny famoronana.
               Ahoana no nanatanterahan'ireo anjely ireo ny asany tety an-tany? Ahoana no fomba nataony mba niarahany niaina nirindra sy nahomby ary nahasambatra azy ireo? Inona no fepetra nandamina ny fitondran-tenany teo anatrehan'ny Mpamorona azy ireo sy izy samy izy ? Ny fitondram-panjakan'Andriamanitra teo ambonin'izy ireo!
               Koa satria Mpamorona Andriamanitra, dia manjaka sy manapaka ary mamaritra ny fomba fiainan’ny zava-boahary manan-tsaina noforoniny Andriamanitra. Ny fitondram-panjakan'Andriamanitra dia mitarika ireo eo ambaniny ho amin'ny fomba fiainany, izany hoe fitiavana, fiaraha-miasa ary fiahiana ny hafa. Mba hitantana ny fitondram-panjakana eto an-tany, dia nametraka ny arikanjely lehibe natao hoe Losifera, teo ambonin’ny seza fiandrianana iray teto ambonin’ny tany Izy (Isaia 14:12-14).
Lalàm-pitiavan'Andriamanitra
               Ny fitiavan'Andriamanitra dia miampita amin'ny hafa. Miahy ny soa sy ny tombontsoan’ny hafa Andriamanitra. Ny fitiavan Andriamanitra dia misy fiaraha-miasa, fifanompoana ary fanampiana. Io no fomba "manome" fa tsy "mandray".
               Tian'Andriamanitra hatrizay ny Teny ary tia an'Andriamanitra mandrakariva ny Teny. Ny Ray, araky ny efa nomarihintsika, dia niresaka ny Teny, fony Izy Kristy, hoe: "Ity no Zanako malalako izay sitrako" (Mat.3:17). Tia sy mankatoa ny Ray ny Zanaka, Izay manao ny sitrany mandrakariva (Jaona 8:28-29; 15:10). Niara-niaina nirindra hatramin'ny mandrakizay Izy roa ireo (Jaona 10:30). Ny fifankatiavan’Izy ireo-io fomba fiaina io-no ilay toe-tsaina manosika ny tsirairay ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra.
Nandà Ny Lalàn'Andriamanitra i Losifera
               Ny lalàn'Andriamanitra dia mihatra amin'ny anjely sy amin'ny olona. Ny foto-kevitra miorina amin'ny Lalàn'Andriamanitra dia mitoetra ho mitovy, toy ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fitiavana ny rahalahy. Ny Baiboly dia milaza amintsika mazava fa ireo anjely napetraka teto an-tany dia nandao ny lalan'ny fitiavana ary nanota (2 Petera 2:4). Ny ota dia fandikana ny lalàm-pitiavan'Andriamanitra - ny lalan'ny fandriampahalemana, ny fiaraha-miasa ary ny firindrana- ny fomba manome izay mifanohitra amin'ny fombamandray.
               Navelan'i Losifera ny fireharehana hitarika azy amin’ny fitsiriritana, ny fanirian-dratsy, ny fialonana, ny fifaninanana. Nanomboka niaina tamin’ny fomba "mandray" izy fa tsy tamin’ny fomban’Andriamanitra "manome". Koa nolavin'i Losifera Andriamanitra sy ny Lalàm-pitiavany. Araka izany, dia nitsahatra tsy notantanina teto an-tany ny Fanjakan'Andriamanitra.
               Farany dia nanangana ny ampahatelon'ny anjelin'Andriamanitra ho tafika iray izy ary niakatra tany an-danitra izy ireo mba “haka” ny fitondrana ny Onivera eo am-pelatanan'Andriamanitra. Voaroaka anefa izy ireo ary naverina teto an-tany. Vokatr'izany dia nanjary "tsy nisy endrika sady foana" ny tany (Gen. 1: 2). Nanjary maizina sy simba ilay planeta!
               Andao hianarantsika ny tantara feno amin’ny zava-nitranga sy ny dingana ataon'Andriamanitra hamerenana amin'ny laoniny ny Fanjakany - ny fomba fiainany- amin'ny tany manontolo. Avy eo, dia ho hitantsika izay ataon'ireo anjely marina ankehitriny ary ahoana no fomba hiarovantsika tena amin'ny fitaka ataon'ny Devoly sy ny demoniany.
               Saingy alohan'ny hanombohantsika ity fandalinana lehibe ity, dia alaovy ny Baibolinao mba ahafahanao mitodika any amin'ireo andinin-teny rehetra nomena ho valin'ny fanontaniana amin'ity lesona ity. Ho hitanao koa fa tena mahasoa ny mandika ireo andinin-tsoratra ireo ao anaty kahie. Tsy vitan'ny hoe mamela anao handinika ny fianaranao na amin'ny fotoana inona na amin'ny fotoana ho avy izany, fa hanampy anao koa mba hahatonga ireo andinin-tsoratra masina ireo ho lasa ampahany amin'ny maha-anao anao. Andao isika hanomboka izany lesona izany!


NIKOMY TAMIN'NY FANJAKAN' ANDRIAMANITRA I LOSIFERA

1. Anisan'ireo kerobima voahosotra nanaloka ny seza fiandrianan'Andriamanitra ve i Losifera? Ezek.28:14; Eks.25:18-20.
               Ny elany dia hanaloka an'io mitovy amin'ny Seza Fiandrianan'Andriamanitra io. Tamin'izany, i Losifera dia nipetraka tao amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra (Ezek.28:14). Nofanina tamin'ny fitantanana ny fitondram-panjakan'Andriamanitra izy talohan'ny nametrahan'Andriamanitra azy hitantana ny anjely teto an-tany.
2. Nanapa-kevitra ny handao ny tany ve i Losifera taloha ary hiakatra any an-danitra ary hiezaka hanandratra ny seza fiandrianany (izay tao Edena, zaridainan'Andriamanitra) eo ambonin’ny anjely rehetra ("kintana")? Ezek.28:13; Isa.14:12-14.
FANAMARIHANA: Mazava ho azy fa tsy nanan-tsaina afa-tsy ny hampidaraboka an’Ilay Mpamorona azy tsy ho eo amin'ny Seza Fiandrianany i Losifera ary ny ho lasa Mpitondra ambony indrindra! Io ilay sangan'asa ambony indrindra tamin'ny herim-pamoronan'Andriamanitra, amin'ny maha-zavaboahary noforonina azy, izay niodina tamin’ny Mpamorona azy- toy ilay “monstre”-n’i Frankenstein manandrana ny hanapotika ny mpamorona azy – manandrana ny handray ny fahefana rehetra mba hanjakany amin'ny Onivera goavana!
               Ny faniriany dia tsy ho fitondram-panjakana miorim-paka amin'ny fitsipiky ny Fitiavan'Andriamanitra, sy ny fiahiana ny soa ho an'ny hafa - fa kosa miankina amin'ny fifaninanana, ny fitiavan-tena, ny fireharehana, ny fitsiriritana; ny fanirian-karena, ny fialonana, ny fankahalana, ny herisetra ary ny fandringanana; eo amin'ny haizina ara-panahy sy ny fahadisoana, fa tsy amin’ny fahazavana sy ny fahamarinana; amin'ny faharatsiana fa tsy amin’ny fahatsarana.
4. Losifera, ilay arikanjely tena ambony, dia tonga lafatra tamin'ny nalehany rehetra hatramin'ny andro nahariana azy mandra-pahatongan'ilay zavatra niseho teo aminy. Inona no hita teo aminy? Ezek. 28:15. Lasa nirehareha ve izy? Nanimba ny fahendreny ve izy? Andininy 17.
FANAMARIHANA: Rehefa nanomboka nieritreritra hevitra momba ny fifaninanana, fireharehana, fialonana, filàna ary fitsiriritana i Losifera, avy eo dia nieritreritra lolom-po sy fikomiana, dia niova ny fahafahany misaina am-pahendrena. Ny fisainany dia lasa simba, mivilana, marary. Lasa diso tanteraka ny fiheverany!
               Namadika tamin-kafetsena, angamba tena miandalana dia miandalana, an'ireo anjely izay napetrak'Andriamanitra ho tantaniny i Losifera, mandra-pahavitany ho tena nampivadika ny sain’izy ireo hikomy. (Mety tsy ampoizina fa angamba ela be, na an-tapitrisa taona maro aza, vao vitan’i Losifera izany - tsy voalazan’ny Baiboly.) Nataon'i Losifera hahatsiaro ho tsy afa-po sy halahelo tamin'ny nataon’Andriamanitra ireo anjely, ka nahatonga hatezerana sy alahelo tao an-tsain'izy ireo.
5. Inona no nitranga tamin'ny fikasan'i Losifera sy ny anjeliny hambabo ny fifehezana ny Onivera tamin'ny Mpamorona azy? Isa.14:12; Apok.12:3-4. Ahoana no namaritan'i Jesosy ny fahalavoan'i Satana avy tany an-danitra? Lioka 10:18.
FANAMARIHANA: Ninia ho lasa fahavalon'ny mpamorona i Losifera. Izay no safidiny fa tsy an’Andriamanitra- fa navelan'Andriamanitra nataony izany! Ary dia novain'Andriamanitra ny anarany ho lasa Satana- izay midika hoe fahavalo, mpifaninana. Ary ireo anjely natsipy tety an-tany niaraka taminy, dia lasa nantsoina hoe demonia.
Lasa Planeta Rava Ny Tany
               Ny Lalàn'Andriamanitra no fototry ny fitondram-panjakan'Andriamanitra. Ary araky ny nianarantsika teo aloha, ny ota dia fandikana ny Lalàn'Andriamanitra (1Jaona 3:4). Nianatra ihany koa isika fa ny fahotana dia mitondra sazy. Mariho ny korontana lehibe vokatry ny fahotan'ireo anjely.
1. Milaza mazava ve ny Baiboly fa nanota ny anjely? 2Petera 2:4.
FANAMARIHANA: Azonao noeritreretina ve ny hoe misy anjely lasa nanota? Nefa dia                izany no nambaran'Andriamanitra. Ary satria ny ota dia fandikana ny Lalàn’Andriamanitra, dia nandika izany ireo anjely ireo - nikomy - nanohitra ny Lalàm-pitiavan’Andriamanitra - ilay tena fototry ny fitondram-panjakan’Andriamanitra – ny fomba fiainan’Andriamanitra.
2. Mampiseho mazava ve ny Baiboly fa ny ota maneran-tany dia mitondra fandringanana maneran-tany? 2Petera 2:5-6; Gen.6:5-13.
FANAMARIHANA: Ny Genesisy 6: 5-13 dia mampiseho fa ny fahotan'izao tontolo izao dia mitondra fanimbana ny endrikin’ny tany manontolo! Nanota daholo ny nofo maneran-tany. I Noa irery ihany no nahita fahasoavana sy famelan-keloka teo imason'Andriamanitra. I Noà irery ihany no "niara-nandeha tamin'Andriamanitra". Noho izany ny Safodrano dia nandrava ny aina rehetra teto an-tany, afa-tsy ny an'i Noa sy ny fianakaviany.
               Taty aoriana, dia niely nanerana ny faritanin'i Sodoma sy Gomora ny firaisan'ny lahy samy lahy sy ny fahotana hafa tamin’ ireo tanàna roa ireo. Ary noho izany, ny fandringanana fizika tamin’ny afo mirehitra dia avy tamin'Andriamanitra, hatrany amin'ny faritra rehetra ary nanimba ny zavatra rehetra!
               Noforonin 'Andriamanitra ny tany mba hampiasaina, hokolokoloina, hohatsaraina ary homena endrika. Io fomba io dia fehezin'ny Lalàn'Andriamanitra. Rehefa nikomy tamin'Andriamanitra ireo anjely, dia nitsahatra tsy nampiasaina teto an-tany ny Lalàn’Andriamanitra. Ary noho izany dia nijanona koa ny fiarovana ny tany araky ny fizika, hany ka ny hatsarany sy ny voninahiny tany am-boalohany dia tsy nisy intsony. Fahalovana no vokany ary farany dia maizina ny tarehin’ny tany!
               Noforonina ho mpitondra hazavana tonga lafatra i Losifera. Ankehitriny, izy dia lasa mpamorona ny haizina, ny fahadisoana, ny fisafotofotoana ary ny faharatsiana.
3. Ahoana no nitantaran'ny Baiboly ny faharavana mahatsiravina noho ny seho voajanahary teto an-tany vokatry ny fahotan'ireo anjely? Gen.1:2. (Avereno jerena ao amin'ny lesona 13 ny vokatry ny fikomian'i Losifera. Ny lesona 13 dia manazava ny dikan'ny teny hebreo hoe tohu sy bohu, izay nadika hoe "tsy nisy endrika sady foana" ao amin'ny Genesisy 1: 2.)
FANAMARIHANA: Amin'izao fotoana izao dia mety hanontany tena ianao raha efa nahalala mialoha Andriamanitra fa hanota i Losifera sy ireo anjely feheziny. Satria tokoa, moa ve Andriamanitra tsy mahalala ny zava-drehetra?
Tsia ny valiny! Raha nanapa-kevitra Andriamanitra ny hahafantatra mialoha ny safidy hataon'izy ireo, dia tsy maintsy ho "nobaikony" ny sain'izy ireo hanao an'izany, ary noho izany dia hanery azy ireo hanao izany. Fa kosa, nomen'Andriamanitra fahafahana ireo fanahy ireo, toy ny hanomezany ny olombelona rehetra koa, hanana ny hery hisaina amin'ny alàlan’ny tenany ihany -hamotopototra, hisafidy, handray fanapahan-kevitra. Raha tsy izany, izy ireo ary isika, dia ho toy ny milina voabaiko manao izay efa voalahatra hatao, fa tsy mieritreritra.
               Nisafidy ny hanao anjely Andriamanitra, ary taty aoriana dia ny olombelona, izay afaka misafidy malalaka. Na izany aza, na ny anjely, na ny olombelona, dia tsy afaka nampitombo ny toetra tsara. Notoloran'Andriamanitra saina ny anjely mba hananany fahalalana betsaka – ambony lavitra noho izay hananan'ny olombelona. Mety hisy hieritreritra hoe, rehefa nomena fahalalana midadasika toy izany izy ireo, dia tsy hisafidy ny tsy marina na oviana na oviana, na hanao fahotana.
               Saingy tsy navelan'Andriamanitra ho tratry ny fahalovana sy ny fahapotehana ny planeta tany taorian'ny taorian'ny fikomian'i Losifera. Nanomboka namerina tamin'ny laoniny ny tany Andriamanitra mba hahafahany manohana ny ain'ny olombelona - izany no dingana manaraka amin'ny planiny — araky ny voalaza ao amin'ny Genesisy toko voalohany.

Ny mpandimby dia tsy maintsy mendrika

               Ny tena marina dia tao amin'ny saha Edena i Satana mba haka fanahy ny olombelona voalohany - satria izy izao no "andriamanitr'izao tontolo izao" (2Kor.4:4) ary "mpanapaka ny fanjakana eny amin'ny rivotra" (Efes.2:2), izay nanana "ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao" homeny an'i Kristy (Mat.4:8) – dia porofo ampy tsara amin’io fitsipiky ny fifandimbiasan'ny fitondram-panjakan'Andriamanitra io.
               Rehefa niodina hikomy i Losifera sy ireo ampahatelon'ny anjely nanaraka azy, dia hita miharihary fa ireo Mpikambana roa ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra ihany no tsy afaka nanota. Ny dingana manaraka ho an'Andriamanitra dia ny manomboka miteraka ny tenany amin'ny alàlan'ny olombelona izay, rehefa hateraky ny Fanahin'Andriamanitra ho tena mpikambana ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra, dia tsy hanota intsony na hiodina amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
               Tao anatin'ny planin'Andriamanitra ihany koa, fa ny mpandimby mahafeno ny fepetra hisolo an'i Satana ho mpitondra an'izao tontolo izao dia mbola miaina eto an-tany izay mbola tarihin'i Satana. Tsy maintsy niaritra ny fakam-panahin'i Satana izy mba hanaporofoana fa hankatoa an'Andriamanitra izy fa tsy ny Devoly. Ary noho izany, Andriamanitra dia nanome fotoana an'i Adama, lehilahy voalohany, mba hisolo an'i Satana.
Maninona no tsy nahomby i Adama Voalohany
1. Inona avy ireo karazana hazo nampanirian’Andriamanitra tao amin'ny saha Edena? Gen.2:8-9. Ary inona no didy manokana nomeny an'i Adama momba ireo hazo ireo? Andininy 15-17.
2. Inona no hanjo an'i Adama raha mihinana ny voan'ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy izy? Andininy 17.
FANAMARIHANA: Ny "hazon'aina" sy ny "hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy" dia misy dikany lehibe ho antsika ankehitriny. Hazo ara-bakiteny ireo, nefa ara-panoharana ihany koa. Ny hazon'aina dia maneho ny Fanahy Masin'Andriamanitra sy ny fiainana mandrakizay. Io koa dia mampiseho ny fomba fitondran’Andriamanitra, izany hoe ny Lalàn’Andriamanitra ara-panahy. Araka izany, ny fakàna ny voany dia manambara fa ny fahalalana ara-panahy dia mety raisina sy azo takarina.
               Ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia mampiseho ny fomba fanaon'ny Devoly - ny fikomiana amin'ny fitondram-panjakan'Andriamanitra, ny fomba hanapahany samirery ny tsara sy ny ratsy. Izy io dia maneho ny ota sy ny saziny, izay hitondra fahafatesana mandrakizay ho an'ny olombelona (Romana 6:23). Ary noho izany Andriamanitra dia nandidy an'i Adama tsy handray ny voan'ity hazon’ny fahafatesana ity!
               Andao ho takarina tsara. Adama dia namboarina avy tamin'ny vovo-tany ka nomena fotoana fohy hiainany ara-batana. Tsy nanana fiainana mandrakizay vadin-koditra taminy izy. Tahaka ny famataranandro izay tsy mandeha intsony rehefa sontomina ny vimiainany, izy dia miha-antitra tsikelikely. Azo lazaina fa ny ainy dia miankina amin’ny rivotra fohiny amin’ny fotoana rehetra.
               Koa dia nomen'Andriamanitra an'i Adama ilay "hazon'aina", izay maneho ny Fanahiny Masina sy ny fiainana mandrakizay. Raha nandray ny voany i Adama sy Eva, dia ho nahazo ny Fanahin'Andriamanitra izy ireo ary ho notorontoronin’ny Fanahin'Andriamanitra.
               Ny Fanahin'Andriamanitra dia ho nanome koa fahalalana ara-panahy, fahazoan-kevitra ary fahendrena an'i Adama sy Eva. Izy io dia mety ho nanambara ny fahatakarana ny Lalàn'Andriamanitra ara-panahy - ny fomba fiainana izay mitondra fandriampahalemana, fahasambarana, fahafaham-po, fahombiazana amin'ny fiainana, fiaraha-miasa ary fifanampiana eo amin'ny mpiara-belona.
               Misy fomba fiainana roa, amin’ny ankapobeny, hasehon’ireo hazo roa tao Edena. Ny iray dia fitiavana lehibe. Mba hahafoy sy hanamora ny resaka, dia midika izany amin’ny hoe : ny fomba «manome». Ny iray hafa, ny fomba "mandray." Izy ireo dia fomba roa samy hafa eo amin'ny fiainana, mitarika amin'ny lafiny mifanohitra, mamoa vokatra tena mifanohitra!
3. Moa ve i Satana namitaka an'i Eva ka nitondra azy tsy hino an'Andriamanitra ary tsy hankatoa ny didiny? Gen.3:1-7. Nandainga ve ny Devoly tamin'ny fampanantenany azy fa manana fanahy tsy mety maty ao amin'ny vatana ara-nofo izy ka tsy ho faty? Gen.3:4. Ary moa ve i Satana dia nanambara tamin-kafetsena fa nanafina taminy "fahalalana" miankina aman’aina, izay tokony hananany, Andriamanitra? Andininy 5-6. (Mariho ny teny hoe "hampahahendry" ao amin'ny andininy 6.) Tamin-kasahiana ve ny nihinan’ i Adama an’ilay voankazo voarara? Andininy 6.
4. Moa ve voafitaka i Adama ka lasa tsy nino an’Andriamanitra, sa ve izy tena nahalala tsara? 1Tim.2:14. Na izany aza, dia nifidy ny lalan'ny tsy fankatoavana an'Andriamanitra izy tamin'ny fihinanana ilay voankazo voarara niaraka tamin'ny vadiny? Gen.3:6.
FANAMARIHANA: Tamin'ny andro Sabata voalohany, Andriamanitra Izay nahary ny olona voalohany ary tonga Jesosy Kristy taty aoriana, dia nanome toromarika an'i Adama sy Eva tamin'ny lalan'Andriamanitra - ny fomba fitondram-panjakan'Andriamanitra mifototra amin'ny lalàn'Andriamanitra, toa an'i Losifera sy ny anjeliny izay nampianarina momba ny fitantanana ny governemantan'Andriamanitra taorian'ny namoronana azy.
               Fotoana fohy taorian'izay, dia namitaka an-kafetsena an'i Eva i Satana ka lasa tsy nino izay nampianarin'Andriamanitra izy. Noraisiny ilay voankazo voarara ary nomeny koa i Adama. Rehefa nandray an'io voankazo io i Adama, dia nisafidy ny tsy hankatoa ny didin'Andriamanitra ary avy eo nolaviny ny fitondram-panjakan'Andriamanitra tsy hifehy azy.
               Rehefa naka ny voankazo voarara i Adama, dia nalainy ho azy ny fahefana hamaritana ny fahalalana ara-panahy momba ny tsara sy ny ratsy. Noraisiny ny fahefana ahafahana manapaka izay tsara sy ratsy, ny fahamarinana sy ny fahotana. Saingy tsy nanana fahefana handidy ny tenany i Adama.
               Nolavin'i Adama ny fahalalana ara-panahy nambaran’Andriamanitra. Nanao safidy izy, izay nametra azy tsy hanana afa-tsy ny fahalalana fizik        a sy materialy. Nolaviny ny fahalalana ara-panahy izay mety hiteraka fifankatiavana misy fifaliana miaraka amin'Andriamanitra sy ny mpiara-belona. Nolaviny ny Fanahy Masin’Andriamanitra, ny fitiavan’Andriamanitra, ny governemantan’Andriamanitra ary ny fiainana mandrakizay! Tsy nankatoa ny baiko mazava nomen'ny Mpanao azy izy. Nanota i Adama ary nitondra ny sazin'ny ota ho azy sy ny taranany rehetra! (Rom.5: 12-19; 6:23.)

 

               Ny governemanta rehetra dia mifototra amin'ny lalàna fototra na lalàm-panorenana. Ary ny lalàm-panorenana na lalàna fototry ny fitondram-panjakan'Andriamanitra dia ny Lalàn'Andriamanitra - ny fomba fiainana izay iainan'ireo Mpikambana roa ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra! Ny fitondram-panjakan'Andriamanitra dia ny fitantanana amin’ny Fomba Fiainan'Andriamanitra. Ny lalàn'Andriamanitra dia azo fintinina amin'ny teny iray hoe fitiavana (Romana 13:10). Ny anton'izany dia satria Andriamanitra dia Fitiavana (1Jaona 4:16), ary ny lalàn'Andriamanitra dia taratry ny toetrany be fitiavana. Ary noho izany, ny fitondram-panjakan'Andriamanitra dia fampiharana ny fitsipi-pitondran-tenany feno fitiavana.

Rehefa nametraka ny anjely tety an-tany Andriamanitra, dia nametraka arikanjely lehibe teo amin’ireo Izy mba hitantana ny Fanjakan'Andriamanitra. Ilay anaran’io arikanjely io tany am-boalohany amin'ny teny hebreo dia midika hoe "Mpitondra Hazavana" - "Losifera" no anarany amin'ny teny latina. Olona fanahy mahagaga i Losifera satria manana hatsaran-tarehy sy famirapiratana mahafinaritra, fahalalana lehibe, fahefana, fahiratan-tsaina ary fahendrena. Saingy nanota i Losifera! Andinin-teny roa ao amin'ny Baiboly - Isaia 14 sy Ezekiela 28-no milaza amintsika ny toetran''i Losifera tamin’ny namoronana azy voalohany sy ny fahotany lehibe.

FANAMARIHANA: Ao amin'ny Eksodosy 25, dia voarakitra ny toromarika nomen'Andriamanitra an'i Mosesy momba ny modelin'ny Fiaran'ny Fanekena izay tokony hatao ho an'ny Tranolay Fihaonana. Ny famaritana an'io Fiara tokana io dia manomboka amin'ny andininy 10. Eo an-tampony, araky ny andininy 17-21 dia ny rakotra fanaova      m-panavotana, izay mampiseho ny Seza Fiandrianan'Andriamanitra any an-danitra - ny foiben'ny fitondram-panjakan'Andriamanitra manerana ny Onivera manontolo. Kerobima roa no apetraka eo ambonin'ny rakotra fanaova               m-panavotana, misy iray amin'ny lafiny iray avy.

3. Tena te-hitovy amin'ilay Andriamanitra Avo Indrindra ve i Losifera amin’izao fotoana izao? Isa.14:14.

            Tsy afa-po tamin'ny fitondrana planeta iray ihany i Losifera. Te hitondra ny Onivera manontolo izy! Hoy izy hoe: " ambonin'ny kintan'Andriamanitra [anjely] no hanandratako ny seza fiandrianako..." (Isaia 14:13). Ary noho izany, dia lasa mpikomy voalohany - mpanota voalohany - i Losifera!

            Ny fahotan'ireo anjely, izay nitranga talohan'ny nahariana ny olombelona, dia nanerana izao tontolo izao; noho izany dia nanerana izao tontolo izao ny vokatry ny fahotany teto an-tany. Manerana izao tontolo izao sy maneran-tany, ny fahotan'ny anjely " … izay tsy nitana ny anjara-fanapahany, fa nandao ny fonenany [ny tany]…" (Joda 6), dia niafara tamin'ny fandringanana araky ny fizika ny endriky ny tany manontolo! Fa ahoana?

               Na izany aza, ny ampahatelon'ny anjely rehetra dia nandika ny lalàna! Ny fahalalany lehibe dia tsy nanakana ny fikomiana, ny ota ary ny fanimbana sy ny famotehana manerantany. Niodina tamin'ny fomba fiainan'Andriamanitra izy ireo, ka nisafidy ny lalan’ny fireharehana, ny fitsiriritana, ny fahidiana sy ny fitiavan-karena be loatra, ny fialonana ary ny fanirian-dratsy, ny fifaninanana izay miteraka fifandirana, herisetra, ady. Lasa tezitra tamin'ny fitondran'Andriamanitra izy ireo. Nisafidy ny hanaraka ny lalany manokana izy ireo - ny làlan'ny "mandray" –ary nanapa-kevitra fa handà ny lalan'Andriamanitra - ny fomba "manome." Araka izany safidy izany no nahatonga azy ireo hanana toetra ratsy.

               Eto amin'ity lesontsika ity, dia tsy maintsy mahatakatra fitsipika fototry ny fitondram-panjakan'Andriamanitra isika — satria ny fanjakana dia tsy afaka hiasa raha tsy misy mpitondra. Tany am-boalohany, Andriamanitra dia nametraka an'i Losifera hanapaka ny fitondram-panjakana eto an-tany. Rehefa nikomy tamin'Andriamanitra izy, dia nitsahatra tsy nitantana ny fanjakan'Andriamanitra, ary nahalasa ny tenany ho tsy mendrika intsony hitondra indray ny governemantan'Andriamanitra. Fa izy (ny anarany ankehitriny dia niova ho Satana) dia tsy maintsy mijanona eo ambonin'izany seza fiandrianana izany eto ambonin'ny tany, mandra-piomanan’izay mpandimby mendrika hisolo azy ka handray ny toerany!

            Saingy tsy nahomby i Adama! Ny tranga tamin'ny voankazo voarara tao amin'ny Saha Edena dia nitantara izany. Tena zava-dehibe ny hahatakarantsika ny zava-nitranga marina!

Andriamanitra dia tsy nanome ny tsi-fahafatesana avy hatrany. Ny iray dia notorontoronina aloha– feno ny fiainana ara-panahin'Andriamanitra - ary noho izany dia lasa "mandova" ny fiainana mandrakizay araky ny efa nohazavaina tao amin'ny lesona faha-8. Fa ny Fanahin'Andriamanitra koa dia ho nanome lalana an'i Adama sy Eva hiditra ao an-tsain'Andriamanitra - ny fitiavany, ny finoany ary ny heriny izay mitondra any amin'ny fiainana mandrakizay! Ny Fanahy Masina dia ho nanome tanjaka hanatsarana ny toetran'Andriamanitra ao anatin'izy ireo, ary ho nanova ny vatany mety maty ho tonga mpikambana ara-panahy ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra!

5. Inona no nanjo ny sain'i Adama sy i Eva taorian'ny nisafidianany hanaraka ny lalan'i Satana? Gen.3:7.

FANAMARIHANA: Nisokatra ny mason 'izy mivady. Ny fihetsika fikomian’ny Devoly dia niditra tao an-tsain'i Adama rehefa naka ny voankazo voarara izy. Satana, izay fanahy, dia nampita tao an-tsain'izy ireo ny fihetsika fireharehana, fitiavan-tena, ny "madray", ny lolom-po, ny fahefana. Ireo toetra antsoina hoe "toetran’ny olombelona" - ny saina araky ny nofo (Rom.8:7) izay nofaritana ao amin'ny Jeremia 17:9 – dia avy amin'i Satana Devoly mihitsy! (Tadidio fa efa nianatra momba ity fanambarana mahagaga ity isika tany amin'ny lesona faha-9)

6. Moa ve i Adama sy Eva dia tsy navela hiditra tany amin'ny hazon'aina sy ny Fanahy Masin'Andriamanitra? Gen.3:22-24.

Fanamarihana: Rehefa nanota i Adama, dia nisaraka tamin 'Andriamanitra (Isa.59:2). Ary noroahin'Andriamanitra hiala tsy hiditra amin'ny hazon'aina izy sy ny taranany. Tapaka ny fifandraisan’ny fianakavian'olombelona amin'ny Fanahy Masina. Ny olombelona, mandra-pahatongan'ny Adama faharoa, dia tsy nahazo nifandray tamin’ny Fanahy Masina, afa-tsy ireo olom-bitsy izay niantsoan'Andriamanitra manokana.

Mendrika hanjaka i Adama Faharoa

1. Iza ilay "Adama faharoa" resahina ao amin'ny Baiboly? 1Kor.15:45-47.

2. Moa ve tsy lasa manana ny Fanahy Masina sy ny fiainana mandrakizay indray isika noho i Kristy? 1Kor.15:22; Jaona 1:4; 10:10; 7:37-39; 1Jaona 5:11-12. Saingy hatramin'ny fiavian'I Jesosy voalohany, moa ve ireo izay nantsoin'Andriamanitra Ray ihany no mety handray ny Fanahiny ka ho tonga iray amin'ireo "voaloham-bokatra"? Jaona 6:44; Jakoba 1:18.

FANAMARIHANA: Hatramin'ny namoronana an'i Adama, ny olombelona dia tsy nomena ny fiainana mandrakizay mandra-panorenan'i Kristy, Ilay Adama faharoa, ny Fiangonany ary nanombohany nanolotra fiainana ho an'ireo voaloham-bokatra izay antsoin'ny Ray mialoha ny Fiavian'i Jesosy Fanindroany. Ny sasany aminareo, toa an’i Adama, dia tolorana fiainana anio! Ary mila misafidy ianao.

               Eo ambanin’ny fahefana ratsin'i Satana isika, ka tsy mora ny mandresy ankehitriny. Fa Andriamanitra manampy antsika mba hankatoa azy amin'ny herin'ny Fanahiny. Ireo izay maneho fa te-hanaraka ny làlan'Andriamanitra dia ho "voaloham-bokatra" izay voalohany manana Fiainana sy anjara fanapahana ao amin'ny Ankohonan'Andriamanitra mandrakizay!

3. Talohan'ny nahaterahan'i Jesosy ara-nofo, nanambara ve Andriamanitra fa ho lasa mpanapaka i Jesosy ary homena seza fiandrianana? Lioka 1:30-33. Moa ve hisy farany ny fanjakany, sa hisy fitsaharana ny fitombon'ny governemantany? Andininy 33; Isa.9:6-7.

4. Rehefa tsy nahavita nisolo an'i Satana ho mpanapaka an'ity tontolo ity i Adama, moa ve nanambara Andriamanitra fa ny taranaka mandimby an'i Eva dia handresy an'i Satana? Gen.3:14-15.

FANAMARIHANA: Ity faminaniana ity dia nanambara mialoha ny fahaterahan'i Adama faharoa izay handresy an'i Satana - ary i Jesosy Kristy dia hahomby amim-pahamendrehana hisolo an'i Satana ("manorotoro" ny lohan'ny menarana) ary hamerina amin'ny laoniny ny Fanjakan'Andriamanitra eto an-tany!

5. Ahoana no hahatonga an'i Adama faharoa ho mendrika hisolo an'i Satana ho mpitondra an'izao tontolo izao? Mat.4:1-11.

FANAMARIHANA: Alohan'ny hahafahan'i Jesosy hisolo an'i Satana ka ho mpitondra an'izao tontolo izao dia tsy maintsy niharan'ny fitsapana fara tampony izy mba hanaporofoana fa hitantana amim-pahatokiana ny Fanjakan'Andriamanitra Izy. Tahaka ny namelan'Andriamanitra an’i Satana hitsapa an'i Adama, dia navelany hizaha toetra an'i Jesosy izy, saingy taorian’ny nifadiany hanina 40 andro sy 40 alina. Tao anatin'ny hanoanana mihoa-pampana, Jesosy dia nanonona sy nankatoa ny Soratra Masina intelo nandritry ny fanoherany ny Devoly- Nankatoa ny Fanjakan'Andriamanitra Izy!

               Noporofoin'i Jesosy fa izy dia tsy mivadika sy azo itokiana eo amin’ny fitondram-panjakan'Andriamanitra ary tsy misy afaka manery Azy hanohitra na tsy hankatoa izany!

               Noho izany i Jesosy dia nahafeno ny fepetra hisolo toerana an'i Satana ho mpitondra an'izao tontolo izao – ary hitantana ny fitondram-panjakan'Andriamanitra amin'ny firenena rehetra. Saingy tsy nipetraka teo no ho eo teo amin'ny seza fiandrianany i Jesosy.
6. Rehefa avy nahafeno ny fepetra hisolo an'i Satana sy ho tonga Mpanjaka eran'ny tany manontolo i Jesosy Kristy, ary taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty sy ny niverenany tany amin’ny voninahiny taloha, dia niverina tany an-danitra Izy (Asa. 1: 9-11). Mandra-pahoviana i Jesosy no voatondro hijanona any an-danitra? Asan’ny Apostoly 3:20-21.

FANAMARIHANA: Ny Fanjakan'Andriamanitra, izay nitsahatra tsy notantanina teto an-tany rehefa nikomy i Losifera sy ireo anjeliny, dia haverina amin'ny Fiavian'i Kristy Fanindroany. Ho avy i Jesosy Kristy hamerina amin'ny laoniny ny fitondram-panjakan'Andriamanitra amin'ny firenena rehetra - fitondram-panjakana ambony sy masina izay hitondra an'izao tontolo izao ho amin'ny Fanjakana lavorary nofisina hitondra fiadanana mandrakizay, fanambinana ary fahalalana ny planina lehiben'Andriamanitra ho an'ny olombelona rehetra!

7. Inona no asa lehibe tsy maintsy vita alohan'ny hiverenan'i Kristy hanorina indray ny fitondram-panjakan'Andriamanitra eto an-tany? Mat.24:14; Marka 13:10.

FANAMARIHANA: Nilaza mialoha i Jesosy fa alohan'ny fiverenany dia hanorina asa amin’ny andro farany Izy mba hanambara amin'izao tontolo izao ny fiaviany mba hanavaozany ny Fanjakan'Andriamanitra eto ambonin'ny tany (Mat.28:19-20). Noho io tanjona io dia nanorina ny Fiangonan'Andriamanitra maneran-tany Izy tamin'ny alàlan'i Herbert W. Armstrong, apostolin'ny andro farany an'ny Fiangonan'Andriamanitra sy Lehiben'ny mpitondra teniny izay nirahiny ho any amin'ireo mpitondra eto amin’izao tontolo izao ankehitriny. Ary tahaka ny nampianaran'i Kristy ny Apostoly, izay nampianatra ny mpianany koa - mba hampianatra ny hafa - koa amin'izao fotoana farany izao, dia nanorina ny College Ambassador Andriamatoa Armstrong mba hampianatra sy hampiofana mpianatra maro mba hampianatra ny hafa ankehitriny.

               Io Fiangonana io dia sahy manambara ny fahamarinana momba ny Lalàn'Andriamanitra sy ny governemantany ho avy.

               Amin'ny alàlan'ny fahitalavitra "The World Tomorrow" sy ny onjam-peo re maneran-tany sy ny pejin’ny gazety La Pure Vérité sy ny La Bonne Nouvelle du Monde à Venir, Andriamanitra dia manambara ny planiny mba hamerenana ny làlany feno fitiavana, fandriam-pahalemana ary fifaliana ho an'izao tontolo izao.
               Ary ankoatra izany, dia mamoaka ireo Taratsy Ifampandefasana fianara          na Baiboly izahay, izay ianaranao ny fahamarinan'Andriamanitra - toy ny nanambarana izany tamin'ny apostoliny voafidy sy mahatoky - amin'ny alàlan'ny fandalinana ny Baiboly avy amin’ny andininy.

6000 Taona Nitondran'i Satana

               Ny antony nahatonga ny korontana rehetra eto amin'izao tontolo izao dia nipoitra tamin'ny fihinanana voankazo voarara tany amin'ny Saha Edena!

I Adama, tamin'ny nifidianany ny voan'ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, dia nisafidy ny "handeha irery" fa tsy miaraka amin’Andriamanitra. Vokatr'izany, dia nitondra ny tenany sy ny taranany ho any amin’ny tontolo feno olana izy. Ny olombelona dia nizaka ny vokatr'izany fanapahan-kevitra izany nanomboka tamin’izany!
               Rehefa naka tamin’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy i Adama, dia nandà ny fomba fiaina “manome”. Nalaony nisafidy ny lalana "mandray" izay an'i Satana. Noho izany dia natokan'Andriamanitra ny "andro" enina arivo taona voalohany momba ny tantaran'ny olombelona hanaporofoina ny vokantry ny fanarahana ny fomba fiainan'i Satana.
               Ny vokatra azontsika dia ny tontolo izay nataon'olombelona, miaraka amin’ilay lehiben'ny mpanao maritrano izay tsy iza fa ilay "mpanapaka ny fanjakana eny amin'ny rivotra" izay tsy hita maso (Efes.2:2) - ny tena "andriamanitr’izao tontolo izao" feno faharatsiana ankehitriny ity dia i Satana (2Kor.4:4).

               Taorian'ny fahotan'i Adama sy Eva, Andriamanitra dia nihataka tamin’ny raharahan’izao tontolo izao manontolo. Efa 6000 taona izao ny olombelona no tsy nifandray tamin’ny mpamorona azy. Nandritr’izany, ny olombelona dia teo ambany vahohon’i Satana Devoly izay tsy hita maso sy tsy ampoizina. Ny olombelona dia niezaka nandamina ny fiaraha-monina misy azy, ny fitondram-panjakany ary ny fivavahany araka ny lalana izay heverin'ny olona fa mety, nefa nitarika azy ho any amin'ny Fahafatesana! (Ohab.14:12).

               Nandritra io vanim-potoana io, dia tsy nitady hamonjy an'izao tontolo izao ara-panahy Andriamanitra (Heb.9:27). Ireo rehetra niaina sy maty tsy mahalala ny fahamarinan'Andriamanitra dia mbola hotsaraina kosa amin'ny ho avy, amin'ny fitsanganana amin'ny fiainana ara-nofo amin'ny faran'ny 1000 taona.

               I Abela sy Enoka ary Noa ihany no voarakitra fa nitodika tamin'ny lalan'Andriamanitra nandritry ny 1900 taona voalohany. Taorian'ny Safo-drano, i Abrahama dia nankatoa sy nino ary niantehitra tamin'Andriamanitra. Saingy Andriamanitra dia tsy nampanantena famonjena ara-panahy ho an'ny firenen'Israely tamin'ny andron'i Mosesy. Raha nanaiky ny fitondram-panjakany izy ireo, Andriamanitra dia nampanantena ho an’ny fireneny ny fahombiazana, ny fahalehibiazana ary ny fahefana fa tsy ny fiainana mandrakizay. (Hohazavaina tsara izany amin'ny lesona ho avy.)

               Nandritr’izany taona an'arivony maro izany, ny mpaminany sy ny olom-bitsy voafidy ihany no nomena ny Fanahin'Andriamanitra, ary izy ireo ihany no nanatanteraka ny iraka avy amin'Andriamanitra (jereo ny Jeremia 7 ohatra). Avy eo dia tonga i Jesosy nanambara ny fahalalana mitovy amin’izay voalaza tamin’i Adama sy Eva. Nefa tsy nino Azy ny olona. Nefa tsy nino Azy izao tontolo izao!

               Ary araka ny efa nianarantsika tao amin'ny lesona 1 momba ny "herinandro" misy 7000 taona natokana ho an'ny tantaran'ny olombelona, Andriamanitra dia nanome enina "andro" misy arivo taona tsirairay ho an'i Satana, mba hanehoana fa ny lalan’i Satana, izay lalan’ny “mandray” dia feno lainga sy zava-poana ary manimba.

               Vokatr'izany, dia niteraka aretina ara-tsaina sy ara-pitondran-tena ary ara-panahy ho an’izao tontolo izao ny sivilizasiona teto amin’ny tontolo, ary nivadika ho tsy nisy fandrosoana izany. Lasa mandrorona sy mitondra fahapotehana ho an’ny tenany izany! Ny toetra mahatsiravina amin'ity tontolo ratsy ankehitriny ity dia vokatry ny fiainana taloha sy ankehitriny nanaraka               ny alàlan'i Satana izay "mandray" fa tsy ny fomban'Andriamanitra "manome", ary azo heverina fa vokatry ny fanapahan-kevitr'i Adama sy Eva tany am-boalohany izany!

            Noho izany, dia navelan'Andriamanitra hanjaka eto an-tany i Satana mandritry ny 6000 taona. Hoy tokoa Andriamanitra tamin'i Satana, "Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra." - amin'ity tranga ity, dia ny asan'ny Satana mamitaka sy mankahala an'Andriamanitra - "Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany (Eks.20:9-10).

               Misaotra an'Andriamanitra isika fa efa akaiky ny faran'ny enina andro natokana ho an'ny fanjakan'i Satana. Ilay "andro Sabata" arivo taona dia efa hiposaka!

Fanjakana lavorary nofisina aorian'ny fanesorana an'i Satana!

               Amin'ny fiverenan'i Jesosy Kristy, ilay lehiben’ny mpamitaka tompon'andraikitra amin'ny fijalian'ity tontolo ity sy amin’ny fitondrana ny zanak'olombelona ho eo amoron'ny fahafongorana tanteraka, dia ho voasakana mihitsy tsy hamitaka an'izao tontolo izao mandritry ny 1000 taona (Apok.20:1-3).

               Ho voarara sy ho foana ny ady avy eo. Ny Fanjakan'Andriamanitra ho avy dia hamerina amin'ny laoniny ny lalàna sy ny fitondran'Andriamanitra manerana ny tany manontolo. Ary izany dia hitondra sivilizasiona vaovao, miorina amin'ny lalam-piainan’ANDRIAMANITRA, izay hiteraka fandriampahalemana eto amin’izao tontolo izao (avereno jerena ny lesona faha-4). Hahita fiarovana sy fahasambarana ny olona. Ny tahotra sy ny tebiteby dia hanjavona. Ho fongotra ny tsy fahasalamana sy ny aretina. Ny tsy fisian’asa sy ny hakamoana dia hanjavona rehefa hitan’ny olona ny antony anaovana sy ny zava-kendrena ary ny fahombiazana amin'ny asa misy tombontsoa. Hiara-miaina ny fianakaviana, tsy noho ny fahatsapana f            a adidy izany, fa hahazo hafanana sy fahasambarana ary firindrana. Ny trano rava sy ny fisaraham-panambadiana dia ho zavatra taloha.

               Amin'ity tontolo falin’ny ampitso ity, ny tany manontolo dia hiorakoraka amin'ny hira sy ny dihy ary ny fifaliana! Ho fantatry ny olona fa tena fiainana mahomby io. Ary izany dia hisy rehefa haninjitra ny tanany hamonjy an'izao tontolo izao Andriamanitra, satria ampianarina ny lalana mankany amin'ny Fiainana mandrakizay ny olona an-tapitrisa maro!

               Ary izao, rehefa avy nampitaha ny 6000 taona nanjakan'i Satana sy ny fitondran'i Kristy nandritry ny 1000 taona teto an-tany isika, ahoana ny amin'ireo anjely taloha izay nifidy ny hamela ny fankatoavana an'Andriamanitra? Inona no ataon'izy ireo ankehitriny?

Ny Asan'ireo Anjely Marina Ankehitriny

               Ny Baiboly dia manondro fa ny roa ampahatelon'ny anjely dia tsy nivadika tamin'Andriamanitra. Ireo anjely noforonina miisa an-tapitrisa maro dia mpanompony manampy Azy amin'ny fanatanterahana ny planiny ho an'ny olombelona, ary koa manatanteraka andraikitra hafa. Andeha hojerena izay lazain'ny Tenin'Andriamanitra momba azy ireo.

1. Ao amin'ny Baiboly dia voalaza ireo karazana anjely isan-karazany izay manana endrika sy asa samihafa. Misy kerobima ve eo amin'ny Seza Fiandrianan'Andriamanitra? Sal. 99:1. Ary ny serafima? Isa.6:1-7. Misy “zava-manan’aina” sy "loholona" ve manodidina ny seza fiandrianan'Andriamanitra? Apok.4:2-11.

FANAMARIHANA: Ny kerobima dia mifandray amin'ny Seza Fiandrianan'Andriamanitra, na mitondra azy io, na mitondra toromarika manan-danja avy amin'io Seza Fiandrianana io, toy ny miambina ny hazon'aina taorian'ny nanotan'i Adama sy i Eva (Gen.3:24). Tsarovy fa i Losifera, kerobima voahosotra (Ezek.28:14), dia nomena fahefana lehibe hitantana ny fitondram-panjakan'Andriamanitra ambonin'ny anjely an-tapitrisany maro teto an-tany talohan'i Adama.

               Ny famaritana tsara indrindra momba ny kerobima dia hita ao amin'ny bokin'i Ezekiela. Ao amin'ny toko voalohany, fahasivy syfahafolo, dia hita ny kerobima mitondra ny Seza Fiandrianan'Andriamanitra. Vaventy sy matanjaka izy ireo, ary voalaza ho zava-manan’aina efatra manana elatra efatra izy ireo.

               Ny serafima dia mitovitovy amin'ny bikan’ny olombelona ary manana elatra enina, fa ny "zava-manan’aina" efatra dia lazaina fa manana ny mampiavaka azy ireo amin’ny kerobima sy ny serafima.

               Tsy misy filazalazana momba ny loholona 24 ao amin'ny Baiboly, afa-tsy ny hoe manao akanjo fotsy izy ireo, ary samy manana satro-boninahitra volamena eo amin'ny lohany.

2. Moa ve Andriamanitra dia manana anjely izay mandeha tsy tapaka ety an-tany mba hijery sy mitantara Aminy ny toe-javatra ankapobeny eto amin'izao tontolo izao? Apok.5:6; Zak.4:10; 2Tantara. 16:9. Misy anjely an-tapitrisa maro koa ve manompo an'Andriamanitra eo amin'ny seza fiandrianany any an-danitra? Dan. 7: 9-10.

3. Ao amin'ny Hebreo toko voalohany sy faharoa, ny apostoly Paoly dia miresaka momba ny tsy fitovian'ny olombelona sy ny anjely. Moa nolazaina mazava ve fa "ny tontolo ho avy" -na ny Fanjakana Arivo Taona sy ny aorian'izany — dia tsy ho tantanin'ny anjely? Heb.2:5. Fa rehefa tonga zanak'Andriamanitra nateraky ny fanahy isika, moa ve nampanantenaina fa hanapaka ny anjely isika? Heb.2:6-8; 1Kor.6:2-3.

FANAMARIHANA: Nasain'Andriamanitra nanantitrantitra i Paoly fa natao ambany kely noho ny anjely ny olombelona amin'izao fotoana izao, fa any aoriana dia apetraka eo ambonin'ny "asan’" Andriamanitra "-na ny zavatra noforoniny rehetra, anisan'izany ny anjely!

4. Inona, ankoatry ny endriny, ny tsy fitoviana lehibe amin'ny anjely sy ny olombelona? Heb.1:5, 13.

FANAMARIHANA: Ny olombelona, izay ambany noho ny anjely amin’izao fotoana izao, dia manana anjara ambony lavitra kokoa! Tsy nisy biby, na anjely, na zava-manan’aina hafa, afa-tsy ny olombelona ihany, noforonina mba ho torontoronina ara-bakiteny, araky ny fomba fiterahana ara-panahy, ary avy eo dia HATERAKA ao anatin'ny Ankohonan’Andriamanitra!

Tsy nisy ary tsy hisy mihitsy anjely notorontoronina ary haterak'Andriamanitra! Tsy misy anjely afaka ho mpikambana ara-bakiteny ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra!

5. Inona no tanjon'Andriamanitra amin'ireo anjely noforoniny? Heb.1:7, 14. Moa ve ireo kristiana notorontoronin’ny fanahy no “mpandova” resahin'i Paoly? Rom.8:16-17; Gal.3:26-29; 4:6-7.

FANAMARIHANA: Ny Anjely, izay ambony noho ny olombelona ankehitriny, dia noforonina mba ho mpanompon'Andriamanitra, mpitondra hafatra, ary ho solontena ao amin'ny fitantanana ny governemantam-panjakany maneran-tany. Ankehitriny, amin'ny fifandraisany amin'ny olona, dia nirahina hampianatra sy hanompo ireo zanak'Andriamanitra izay notorontoronin’ny fanahy izay mpandova an’Andriamanitra.

Mba hanehoana ny tena asan’ny anjelin'Andriamanitra ankehitriny, dia tokony hojerentsika ny toetoetran'ny zanak’ilay lehilahy mpanankarena iray. Raha mbola zaza izy, dia mety ho eo ambany fiahian'ny mpanompo lehibe na mpiambina notendren'ny rainy. Ilay mpanompo dia lehibe ary manana fahalalana lasa lavitra kokoa, lehibe kokoa ara-batana sy ara-tsaina - saingy mety ambany kokoa ny hery ao anatiny.

Fa rehefa lehibe ilay zanaka, dia handova ny harena sy ny fahefan'ny rainy. Noho izany, ilay mpanompo, izay zokiny kokoa sy matotra kokoa, dia mpanompo "mampianatra" an'ilay tanora mpandova "fotsiny. Ary toy izany koa, ny anjely dia mampianatra ny olona notorontoronin’ny Fanahy ankehitriny.

6. Moa ve ireo zanak'Andriamanitra dia harovan’ny anjely izay mifandray akaiky amin'ny Ray any an-danitra? Mat.18:10; Asan’ny Apostoly 12:15.

7. Manan-kery ve ny anjely? 2Petera 2:11. Moa ve ireo anjelin'Andriamanitra mitandrina ny zanany mpankatoa Azy sy miaro azy ireo amin'ny loza, voina, antambo ary faharatsiana hafa? Sal.34:7; 91:1-12. Hiady amin'ny fahavalontsika ve ny anjelin'Andriamanitra? Sal.35:1, 5-6.

FANAMARIHANA: Ireo fanahy mpanompon'Andriamanitra dia notendrena hanampy ireo mpandova Azy eny an-dàlana mankany amin'ny fiainana mandrakizay; hamonjy azy ireo tsy ho faty tanora sy / na ho fatin’ny loza amin’antambo, ary hanampy a             zy ireo mba handresy amin'ny fitsapan-toetra sy ny adiny, ary hiaro azy ireo amin'i Satana sy ireo demoniany.

8. Manam-pahefana hiseho ara-batana toy ny olombelona koa ve ireo anjely masin’Andriamanitra, mba hanaovany ny iraka ataony? Dan.9:21; Heb.13: 2. Vakio ihany koa ny Genesisy 18 sy ny Genesisy 19:1-22.

FANAMARIHANA: Ny anjely dia mpitondra iraka ihany koa. Niseho tamin'i Abrahama, Lota, Hagara, Mosesy, Gideona, Elia ary maro tamin'ireo mpaminany sy ny apostoly izy ireo. Rehefa maneho ny tenany amin'ny olombelona ireo anjely ireo, dia toy ny olon-tsotra ihany. Nasongadin'i Paoly ao amin'ny Hebreo 13:2 fa indraindray dia mitety faritra izy ireo nefa tsy fantatra, amin’ny fanaovana ny asan'Andriamanitra, ary tsy manambara fa anjely izy ireo. Saingy ny anjely marina dia tsy hoe mipoitra na tsy mipoitra fotsiny araky ny sitrapony, toy ny hilalao na hampilalao ny olona.

9. Nahoana i Elisa mpaminany no nangataka tamin'Andriamanitra hanokatra ny mason'ny mpanompony? 2Mpanjaka 6:15-17.

FANAMARIHANA: Tsy mahagaga raha tsy natahotra ny fahavalony ara-batana i Elisa. Hitany ny iray tamin'ireo tafika ara-panahin'Andriamanitra nijanona teo an-tendrombohitra!

10. Moa ve Andriamanitra nandidy anjely manokana mba hiambina ny zanak'Israely ary hitondra azy ireo ho any amin'ny tany nampanantenaina? Eks.23:20-23.

11. Moa ve i Mikaela (iray amin'ireo arikanjely izay tsy nivadika tamin'Andriamanitra) no mpiambina voalohany ny taranak'i Isiraely? Dan.12:1. ("Ary amin'izany andro [farany] izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao…")

FANAMARIHANA: Ny Baiboly dia manonona anjely telo manana toerana ambony: Losifera (Isa.14:12), lasa Satana Devoly ankehitriny; Gabriela, izay niseho tamin'i Daniela indroa (Dan.8:16; 9:21), tamin'i Zakaria, rain'i Jaona Mpanao Batisa (Lioka 1:19), ary taty aoriana dia nankany amin'i Maria, renin'i Jesosy (Lioka 1:26-27); ary Mikaela, izay antsoina hoe ny iray amin'ireo andriana lehibe indrindra (Dan.10:13), ary i Joda dia nilaza fa arikanjely izy (Joda 9). Mikaela dia ilay arikanjely notendrena manokana hiaro sy hampianatra ny foko roa ambin'ny folon'Isiraely.

Mahaliana ny manamarika fa ny anjelin'andriamanitra roa ambin'ny folo no ho mpiandry vavahady ao amin'ny tanànan'i Jerosalema Vaovao (Apok.21:12), iray ho an'ny foko israelita tsirairay. Ireo roa ambin'ny folo ireo dia mety manampy an'i Mikaela arikanjely amin'izao fotoana izao.

12. Nalefa ve i Gabriela mba hanome ny mpaminany Daniela ny fahazoana ny fahitana, ary koa hanao ny ady ara-panahy amin'ireo anjely lavo mahery ("andriana") an'ny Devoly mba hanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra eo amin'ireo governemantan'ny olona? Dan.8:15-16; 9:21-22; 10:10-14; 20-21.

FANAMARIHANA: Avy amin'ireo fitantarana ao amin'i Daniela ireo sy any amin'ny toeran-kafa ao amin'ny Baiboly, dia afaka milaza isika fa ny tontolon'ny fanahy dia feno asa! Miasa Andriamanitra (Jaona 5:17) ary ireo anjely marina mpanompony dia sahirana manampy Azy amin’ny fanatanterahana ny sitrapony ho an'ny olombelona. I Satana sy ireo demoniany dia sahirana manandrana mandrava sy manapotika ary manimba ny planin'Andriamanitra.

13. Inona no nataon'ny anjelin'Andriamanitra rehefa nandefa tany am-ponja ny sasany tamin'ireo apostoly ny mpitondra fanjakana? Asan’ny Apostoly 5: 17-20. Moa ve izany nisakana ny apostoly tsy hanohy ny fitoriana ny fahamarinan'Andriamanitra? Andininy 21.

FANAMARIHANA: Tsy nanome afa-tsy andininy vitsivitsy fotsiny maneho ny fomba nanompoan'ireo anjelin'Andriamanitra Azy sy ireo olo-masiny ankehitriny isika. Aoka isika hankasitraka an'Andriamanitra noho ny fandefasany ireo anjeliny mahery, masina ary marina mba hanampy sy hiambina ny asan'ny Fiangonany ary isika izay zanany notorontoronin’ny Fanahy, ireo mpandova Azy izay tsy ho ela dia ho teraka ao anatin'ny Ankohonan' Andriamanitra mpitondra ny Onivera manontolo!

Mitandrema Amin’ny Fahavalonao!

               Araky ny nasehon'ity lesona ity mazava tsara, dia tsy Andriamanitra no namorona an'i Satana Devoly. Namorona kerobima avo lenta Andriamanitra - dia arikanjely nantsoina hoe Losifera-izay tonga lafatra tamin'ny lalany, fa manana fahefana hisafidy malalaka.

               Nanova ny tenany ho Devoly i Losifera noho ny fikomiany tamin'ny fitondram-panjakan'Andriamanitra! Tamin'ny fikomiana nataony, dia lasa Satana izy. Tsarovy fa ilay Losifera lehibe sy ireo anjely hafa rehetra noforonina dia tsy natao afa-tsy ny ho mpanompon'Andriamanitra ihany. Tsy misy anjely afaka ho torontoronin'Andrimanitra ary ho teraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra tahaka ny olombelona. Taorian'ny fikomian'i Satana sy ny anjeliny, dia namorona ny olombelona Andriamanitra, ary nanokatra ho azy ireo ny fahafahana ho tonga Zanak'Andriamanitra hateraka indray, hanjaka amin'ity tany ity, ary amin'ny farany dia amin’ny Onivera manontolo miaraka amin'i Jesosy Kristy.

               Fantatr'i Satana sy ny demoniany izany ary mankahala an'io toe-javatra io izy ireo! Noho izany dia noheverin'i Satana fa ny fisian’ny olombelona dia fihantsiana mafy ny fomba fiainany. Miaraka amin'ny sainy ratsy sy mamitaka, i Satana, izay nanandrana ny handrombaka ny hery sy fahefana rehetra an'Andriamanitra, dia mihevitra ny olombelona ho "mpifaninana" aminy ankehitriny, satria nasain'Andriamanitra hisolo azy sy ny demoniany ho mpitondra ny tontolo ny olombelona!

               Ary noho izany, inona no mety ho tsara kokoa, hoy ny sain-dratsin'i Satana, afa-tsy ny hahatonga ireo "mpifaninana" ireo tsy hankatoa an'Andriamanitra, ary amin'izany dia tsy hahafeno ny fepetra ireo mba tsy hahafahan'Andriamanitra hampiasa azy ireo! Noho izany, ny fikasana rehetra notetehin'i Satana, nanomboka tamin'i Adama sy Eva, dia ny handringana ny olombelona rehetra ary noho izany, dia manantena izy fa hampidaraboka ny planin'Andriamanitra. Izany no nahatonga an'i Kristy niantso ny Devoly hoe"mpamono olona hatramin'ny taloha" (Jaona 8:44).

               I Satana dia nikasa ny handrodana ny planin'Andriamanitra izay nataony mba hiterahany ny Tenany; tamin'ny voalohany dia nahomby izy tamin’ny nitarihany an’i Adama voalohany hikomy tamin'ny Mpamorona azy, ka tsy nahafeno ny fepetra io mba hisolo an'i Satana. Avy eo izy dia nanandrana ny hampamono an'i Kristy, Ilay Adama faharoa, tamin’ny alàlan’ny governemanta sivilin’ny olombelona, raha mbola zaza Izy. Ary rehefa olon-dehibe i Kristy, dia nanandrana ny hanapotika Azy ara-panahy i Satana tamin'ny alàlan'ny fakam-panahy mba hampanota Azy.

               Raha nandresy ity ady ara-panahy goavana ity tokoa i Satana, dia ho nitana ny fanjakany eran’izao tontolo izao. Raha toa i Kristy no nandresy, dia handroaka an'i Satana Izy ary ho lasa Mpitondra ny tontolo amin'ny Fihaviany Fanindroany. Nandresy an'io ady io i Kristy tamin'ny nanaporofoany fa hankatoa ny fitondran'Andriamanitra Izy, hanohitra ny Devoly ary hitantana amim-pahatokiana ny lalàn'Andriamanitra mandritry ny mandrakizay. Ary toy izany koa isika, raha avelan’Andriamanitra isika ho mpiara-mifehy ny Onivera manontolo miaraka amin'i Kristy!

               Isika koa dia tsy maintsy mandresy an'i Satana amin'ny alàlan'ny Teny sy ny Fanahin'Andriamanitra toa an'i Kristy. Andriamanitra dia mampiseho antsika ny fomba handresena amin’ny ady.

 
FANAMARIHANA: Ao anatin’ny ady ara-panahy amin'ny fanahy ratsy isika. Tokony ho fantatsika ny fomba hiarovantsika tena amin'ireo fahavalo tsy hita maso ireo izay mitetika hanapotika antsika ara-panahy!
 
2. Inona no fiadiana lehibe ampiasain'i Satana amin'ny fikasany handringana ny olo-masin'Andriamanitra? Efes.2:2-3.

1. Efa nampahafantarina antsika ve fa ireo kristiana notorontoronin’ny Fanahy dia ao anatin'ny ady tanteraka amin'ny fiainany ara-panahy? 1Petera 5:8; Efes.6:12. Moa ve azontsika atao ny tsy hiraharaha ireo tetik’ady ataon'i Satana? 2Kor.2:11.

FANAMARIHANA: Satana, ilay arikanjely lehibe natao hoe Losifera, izay noforonina tany am-boalohany ho tsy misy tsiny tamin'ny nalehany (Ezek. 28:15), dia namolavola ny toetra maha-Satana azy tamin'ny alalàn'ny fisainany sy ny safidiny. Ny olombelona indray avy eo dia nahazo ny toetran'i Satana, izay ampahany amin'ilay antsoina hoe "toetran’olombelona." Mariho ny fomba namaritan'i Paoly an'ity saina voajanahary ity: "satria fandrafiana an'Andriamanitra ny fihevitry ny nofo [fihetsika azo avy amin'i Satana]; fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany. » (Romana 8:7)"

               Saingy rehefa ampidirina ao an-tsain'ny olona ny Fanahy Masin'Andriamanitra rehefa mibebaka sy atao batisa izy, dia manana fahatsiarovan-tena sy hery ara-panahy hanoherana ny toe-tsaina feno fitiavan-tena, filàn’ny nofo, fitiavan-karena, fireharehana, fialonana, fitsiriritana, alahelo, lolom-po, fahatezerana ary fankahalana, izay "alefan’"i Satana ao an-tsainy izy!

               Tsy misy olona voatery ho resy na hankatoa ireo sain-dratsy avy amin'i Satana ireo. Ny Devoly dia tsy manan-kery hanery olona hieritreritra na hanao ratsy! Saingy ireo tsy mitandrina dia manao izany tsy am-pieritreretana, ka tsy mahafantatra izay tonga ao an-tsainy akory. Ny ankamaroan'ny olona dia mandeha fotsiny, mihaino ny fihetseham-pony sy ny fientanam-pony, izay matetika miseho amin'ny fanirian-dratsin’ny nofo sy ny fiezahany hanatanteraka izany(Galatiana 5:19-21).

 

3. Rehefa avy notorontoronin’ny Fanahy Masin’Andriamanitra ny olona iray, izay mahatonga ny olona ho tena Kristiana (Rom.8:9), moa ve ny Devoly hanohy hiezaka hamitaka ilay kristiana vao notorontoronina — hamitaka ny sainy ary hitarika ilay olona hanalavitra an’i Kristy sy ny lalan’Andriamanitra? 2Kor.11:2-4. Moa ve ny Kristiana sasany tamin'ny andron'i Paoly nanomboka voafitaka sy lavon’ny fanangolen'ny Devoly indray? Gal.1: 6-8; 3:1. I Satana koa ve manana ny mpanompony izay iarahany miasa? 2Kor.11:13-15.

FANAMARIHANA: Ny fiovam-po dia tsy miaro anao amin'ny "onjam-peon’"i Satana. Manohy "mandefa" ny toe-tsainy ao amin’ny saintsika izy ary miasa amin'ny hafa mba hanapotehana ny fiainantsika ao amin'i Kristy. Rehefa niresaka momba ny fandresena i Jesosy, dia nanondro ny fandresena ny lalan'i Satana, izay mifanohitra amin'ny lalan'Andriamanitra. Ireo izay nivily tamin'ny lalan'i Satana dia tokony hitandrina ary tsy maintsy miady mba handresena ireo zavatra maika nataony ary hitoetra ho marina amin'ny lalan'Andriamanitra!

Talohan'ny nahafahan'i Jesosy Kristy nahafeno ny fepetra mba hamerenana amin'ny laoniny ny Fanjakan'Andriamanitra ary hanjaka amin'ny firenen-drehetra, dia tsy maintsy niaritra ny fakam-panahy mafy indrindra nataon'i Satana Izy. Kristy dia nandresy ny Devoly tamin'ny alàlan'ny Teny ara-panahy sy ny herin'Andriamanitra. Fantany ny sitrapon'Andriamanitra. Noho izany, dia tsy afaka namitaka Azy ny Devoly! Namaly ny fakam-panahy napetraky ny Devoly Izy tamin'ny fitanisana ny andinin-tSoratra Masina izay azo ampiharina amin'ny toe-javatra tsirairay. Fantany tsara ny Tenin'Andriamanitra.

 

4. Moa ve ny kristiana ankehitriny tokony hanohitra ny Devoly amin'ny alalan'ny fijanonana amin'ny fahamarinana izay nasehon'Andriamanitra azy ireo? 1Petera 5: 9. Inona no tsy maintsy hataon'ny Devoly raha manohitra azy mafy isika? Jakoba 4:7.

 

5. Manome antsika toromarika voafaritra tsara ny Apostoly Paoly momba ny ady amin'ny fitaoman-dratsin'ny Devoly. Inona no hotafin'ny kristiana mba hiadiana amin'ity ady ara-panahy ity? Efes.6:10-13. Inona avy ireo fiadiana ara-panahy omen'Andriamanitra? Andininy 14-20.

FANAMARIHANA: Ny "fahamarinana" dia manondro ny Tenin'Andriamanitra ara-tsindrimandry (Jaona 17:17), ilay fitafiana voalohany amin'ny fiadiana ara-panahy kristiana. Ny "fiarovan-tratra" dia ny fankatoavana ny didin'Andrimanitra (Sal.119:172); ny "filazantsara" dia ny hafatry ny Fanjakan'Andriamanitra ho avy, rehefa i Kristy no hanjaka eto an-tany sy hitondra fiadanana.

               Ny "ampingan’ny finoana" dia manondro ny finoana an'i Jesosy Kristy izay tsy maintsy ho ao anatintsika (Gal.2:20; Fil.3:9) fa tsy ny finoantsika olombelona ihany. Io finoana io dia fanomezana avy amin'Andriamanitra nomen'ny Fanahy Masina (Galatiana 5:22). Ary io no finoana - napetraky ny finoana an'i Kristy ao anatintsika - no ahafahantsika mandresy an'i Satana sy ny fahotana!

               Ny " famonjena ho fiarovan-doha " dia ny fahalalana ny atao hoe famonjena, inona ny andraikitra amin’izany : ny tanjon'ny fiainana, ny tena tanjona ary ny otri-kerin’ny olombelona ho tonga mpikambana ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra!

Ny "sabatry ny Fanahy" dia manondro ny Tenin'Andriamanitra voasoratra (Heb.4:12). Izy no fitaovam-piadiana famelezan’ny kristiana amin'ny fitaka ataon'ny Devoly. Mba hampiasana tsara io fitaovam-piadiana io, ary mba handresy amin'ny ady ara-panahy hanohitra ireo andrian’ny fahamaizinana fetsyireo, dia tsy maintsy mianatra Baiboly isika ary mianatra ny sitrapon'Andriamanitra sy ny fampanantenany!

Ny zavatra nolazain'i Paoly tamin'ny farany ho fanoherana ny fanafihan'i Satana dia ny vavaka. Ny Kristiana dia tokony hanakaiky an'Andriamanitra amin'ny vavaka maharitra (1Tes 5:17) mivavaka ho an'ny Fiangonan'Andriamanitra, ny asany ary ny mpanompony, ho an'ny vahoakan'Andriamanitra rehetra ary ho an’ny tenany.

Ireo no fomba ahafahana mandresy an'i Satana ary hanery azy handositra! Io no paikady tsara indrindra handresena ny tafik’i Satana Devoly. Raha manaraka tsara an'ireo fomba ireo ianao, dia ho azo antoka ny fahombiazanao amin'ny fandresena ireo fahavalon'i Satana ireo!

Ny ezaka farany hataon'i Satana hakana ny fahefan’Andriamanitra

            I Satana, izay tohanan'ireo anjely lavo lasa demonia, dia "andriamanitr'izao tontolo izao" (2Kor.4:4), dia ilay mpitondra tsy hita maso izay mandrisika ny olombelona tsy hankatoa an'Andriamanitra.

            Na dia notoherina ary natsipy teto an-tany aza i Satana sy ny demoniany taorian'ny fiezahany hanala an'Andriamanitra amin’ny Seza Fiandrianany, dia mbola mikatsaka ny handrombaka ny fahefan’Andriamanitra ihany izy ireo. Ireo anjely ireo dia anjelin’ny fikorontanana, matimatim-boninahitra, tsy mamindra fo, ary tsy mifaditrovana, izay tsy mpikambana ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra, nefa mitady ny fomba rehetra azony atao mba hahatonga ny tenany ho "andriamanitra" izay hanjaka eo amin'ny Onivera manontolo, ary ho ambonin'ilay Andriamanitra Mpamorona Avo Indrindra sy ny Ankohonany – dia ny Fanjakan'Andriamanitra!

1. Moa ve naminany i Jesosy fa mbola hanao ezaka hafa i Satana mba hakany ny fahefan’Andriamanitra? Apok.12:7. Moa ve hazera eto an-tany indray izy? Andininy 9. Moa ve ny andininy faha-10 milaza fa hitranga tsy ho ela izany, aloha kelin'ny Fiavian'i Kristy Fanindroany mba hanorina ny Fanjakan'Andriamanitra? Moa ve horoahina mandrakizay tsy ho eo anatrehan'Andriamanitra i Satana ary tsy handray anjara intsony amin'ny fitantanana ny Fanjakan'Andriamanitra? Andininy 8.

 

2. Moa ve ny Devoly hitondra fahatezerana lehibe eran'izao tontolo izao? Apok.12:12. Moa ve ho tezitra mafy manokana amin'ny fiangonan'Andriamanitra izy amin’ny andro farany? Andininy 13-17. Fa maninona izy no ho tezitra mafy amin'izany fotoana izany? Apok:12:12, ampahany farany. "kely sisa ny androny" alohan'ny inona? Apok.20:1-3.

FANAMARIHANA: Rehefa nazera tety an-tany fanindroany sy farany i Satana, dia fantany fa fotoana fohy sisa no tavela alohan’ny hanalana azy tanteraka tsy hamitaka an'izao tontolo izao any aoriana mandritry ny arivo taona, ary tsy hanandrana handringana ny olo-masin'Andriamanitra na ara-batana, na ara-panahy. Noho izany, dia hanaisotra ny sakana rehetra izy, amin'ny ezaka misy famoizam-po farany, mba handringana ny sisa amin'ny Fiangonan'Andriamanitra - ireo izay tsy "nisaina ho mendrika ny handresy" (Lioka 21:36).

 
FANAMARIHANA: Ity faminaniana amin'ny andro farany ity dia milaza fa hisy "fialofana" ho an'ireo mpanompon'Andriamanitra mahatoky amin'ny fahoriana lehibe halefan'i Satana Devoly. Ho any an-tany "efitra" ny Fiangonan'Andriamanitra, izay hiarovana azy ireo amin’i Satana sy ny demoniany ary ny olombelona mpanaraka azy, ary amin'ny fandringanana ny tontolo amin'ny ady manodidina azy ireo. Ho any ve ianao? Nohazavaina ao amin'ny Baiboly ny fomba ahazoana antoka tsara fa hoentina any amin'ny "toerana" fiarovana ianao!

3. Ny Apokalypsy 12 dia miresaka ny Fiangonan'Andriamanitra amin'ny andro farany, manondro azy ho vehivavy. Hanome fialofana an'ny Fiangonany ve Andriamanitra? Apok.12:14-16. (Vakio ihany koa ny Apokalypsy 3:10.). Kanefa, moa ve hisy "sisa" amin'ny Fiangonan'Andriamanitra ho matimaty ara-panahy, ary tsy ho isaina ho mendrika ny handresy? Apokalypsy 3:17; Apok.3:14-19. Moa ve hananatra mafy sy hanasazy azy ireo Andriamanitra, ka hamela azy ireo hiharam-pitsapana mirehitra noho ny fahatezeran'i Satana, izay hanaitra azy ireo ara-panahy? Apokalypsy 3:18-19.

 


No comments:

Post a Comment