Ny Fiverenan'i Jesosy Kristy Mahagaga

 

AMBASADAORO KOLEJY - TOKO FAHA-3


NY FIVERENAN'I JESOSY KRISTY MAHAGAGA 

 Rahoviana ary aiza i Kristy no hiverina ? TSY HO MARESAKA ve? sa hahalala izany izao tontolo izao? EFA TAFAVERINA mangingina ve Izy? Ity no fahamarinana mahagaga momba ny FIAVIAN'i Jesosy Kristy FANINDROANY.

Tsy misy vaovao hanohina ny olona toy izany. Tsy misy lohatenin-gazety mahagaga kokoa (na mety hahatonga fanesoana) noho ity: niverina i Jesosy Kristy!

Ho an'ny salanisan’olona, ny fiheverana ny fiverenan’i Kristy eto an-tany dia angano foronin’ny saina izay tsy misy ifandraisany mihitsy amin'ny zava-misy iainana. Ary na izany aza, olona an-tapitrisany izay mitonona ho Kristiana no mbola miandry foana ny Fiavian'i Kristy Fanindroany, na dia mizara lalina aza izy ireo momba ny fomba hisehoany sy ny fotoana hahatongavan’izany tranga izany.

Ny fampanantenana ny fiverenan'i Kristy Talohan'ny nahafatesany sy ny nitsanganany tamin'ny maty - ary talohan'ny nandaozany ity tany ity, 1900 taona lasa izay - nampanantena toy izao i Jesosy Kristy: "dia ho avy indray" (Jaona 14: 3).


Fotoana fohy taorian'ny niakarany, dia gaga be ireo Apostoly nahita iraka masina roa izay nanome toky azy ireo toy izao: "Iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra » (Asan’ny Apostoly 1:11).

Nohamafisin'izy ireo ny fampanantenan'i Jesosy fa hiverina Izy ary mamaritra ny fomba hisehoan'ny fiverenany. Ny fiangonana voalohan’ny Testamenta Vaovao dia nino izay nolazain'i Jesosy ary nampianatra ny hafany tamin'ny hafa. Azafady mariho tsara izay nolazain'i Edward Gibbon, mpahay tantara, momba ny Fiangonana tany am-piandohana tao amin'ny asa sorany malaza atao hoe: Fandroronana sy fianjeran’ny Empira Romana:
"Ny foto-pampianarana momba ny Fanjakana Arivo Taona, izay maro mpanohana, dia mifamatotra tsara amin'ny fiavian'ny Mesia fanindroany. Koa satria ny asa famoronana dia vita tao anatin'ny enina andro, toy izany koa, araka ny lovantsofina iray nolazain'i Elia mpaminany, ny fisian'ireo asa famoronana ireo, amin’izao ahitana azy izao, dia ho noferana ho enina arivo taona.Tamin'io fitovitoviana io, dia nolazaina fa io fotoana lava io, izay madiva ho vita, izay misy asa sy tolona, dia hodimbiasan’ny Sabata mahafaly mandritra ny arivo taona, ary i Jesosy -Kristy, arahin'ny mpiantafika mpandresy izay olo-masina sy olom-boafidy afaka tamin'ny fahafatesana, na natsangana ho amin’ny fiaianana tamin'ny fomba mahagaga, dia hanjaka eto an-tany mandra-pahatongan'ny fotoana voatondro ho amin'ny fitsanganana farany sy ho an’ny ankapoben’ny olona. " (Gibbon, Boky II, p. 546, 1899 edition.

Fa io fahamarinana io dia nolavina tsikelikely! Gibbon dia mampiseho fa lasa noheverina ho fahadisoana ny milaza fa hiverina fanindroany i Jesosy mba hiditra an-tsehatra amin'ny raharahan'ity tontolo ity. Tao anatin’ny taonjato iray sy tapany taorian'ny niakaran'i Kristy, dia noheverina ho fanoharana ihany izany fa tsy tokony horaisina ara-bakiteny. Ny foto-pampianarana milaza ny hiverenan'i Kristy hanjaka eto an-tany "dia nolavina tamin’ny farany satria famoronana tsy misy fotony nataon’ireo mpanohitra ny finoana sy ireo mirehidrehitra tsy amin’ny antony."
Ankehitriny, izao tontolo izao dia manohy maneso ny hevitra milaza ny fiverenan'i Kristy. Na izany aza, ity hafatra ity dia hita ao afovoany sy eo anivon'ny Filazantsara marina momba ny Fanjakan'Andriamanitra.

Hevitra mahazatra telo


Amin’ireo olona an-tapitrisa maro izay misora-tena ho kristiana, ka mbola miandry ny fiverenan’i Kristy fanindroany, dia misy fisainana an-jatony maro samihafa mikasika ny fotoana sy ny fomba hiverenany. Ny hevitra telo lehibe dia ireto avy : ny fisehoany « aorian’ny arivo taona », ny « fakana an-keriny miafina », ary ny « fanandratana Azy ara-panahy ».

Vao tamin’ny taona 1700 taorian’i Kristy teo ho eo vao nanambara hevitra ny mpanao raharaham-pivavahana anglisy iray fa ny Fiverenana Fanindroan’i Kristy dia hanaraka aorian’ny Fanjakana Arivo Taona- izany hoe ny fotoana ara-paminaniana hitantanan’ny Fanjakany ny tany. Nefa ireo nanohana izany hevitra izany dia nahatsapa fa tena mihe-sarotra ny hino fa ny olombelona môderina dia ho tena afaka hametraka fandriam-pahalemana sy fanambinana ho an’izao tontolo izao raha tsy manampy ny « herin »i Kristy (Isaia 40:10)

Amin’izao vanim-potoan’ny nokleary izao, ny olombelona dia eo am-pototry ny fikasany hamono tena –izy sy ny miaina rehetra et ambonin’ny tany – na hamongotra ny tenany, satria sempotry ny fandotoana isan-karazany.

Izany zava-misy izany irery dia afaka milaza amintsika hoe nahoana, ary amin’ny ampahany, rahoviana no ho tonga i Kristy.

Ny fakàna an-keriny miafina Ny hevitra faharoa, izay eken'ny olona an-tapitrisa, izay heverina ho kristiana, dia ny amin'ny "fakàna an-keriny miafina". Arak’io finoana io, dia hiverina eto an-tany i Jesosy ka hisy dingana roa. Voalohany, ho tonga mangingina Izy mba hanaisotra ny tena kristiana rehetra ka hitondra azy ireo ho any an-danitra, mba hiaro azy ireo amin'ny "fahoriana lehibe". (Vokatr'izany, ireo mpanohana an'ity hevitra ity dia mino fa ny toerana mahatoky nampanantenaina ho an'ny Fiangonana dia tsy eto an-tany, fa any an-danitra.)

Ny dingana faharoa, araky ny finoany, dia ny fihaviany "ampahibemaso", amin’ny fotoana ahafahan’ ny olon-drehetra mahita sy maheno Azy.
Saingy ny teorian’ny fakàna an-keriny dia famoronana môderina kokoa noho ny teorian’ny aorian’ny arivo taona. Ny Fiangonan'Andriamanitra voalohany ao amin'ny Testamenta Vaovao dia mbola tsy nandre zavatra toy izany. Raha ny marina, dia tsy mbola nisy nahare ny momba azy io talohan'ny 1830, taona niatombohan'ity teoria ity tany Grande-Bretagne tamin’ny vitsy an'isa, ary taty aoriana dia nalaza tao amin'ilay Scofield Reference Bible malaza.

Ireo olom-bitsy mpanohana ny teorian’ny fakàna an-keriny dia nino mafy fa niaina ny telo taona sy tapany farany tamin'ny tantaran'ny tany. Vantany vao lasa io vanim-potoana io, nefa tsy "naka an-keriny" azy ireo i Kristy, dia voatery nanova ny foto-pampianarany izy ireo hoe :hisy fiandrasana faobe fa afaka hiverina indray amin'ny fotoana tsy voafetra i Kristy.

Avy amin'ireo olom-bitsy ireo no nahatonga ny foto-pinoana momba ny "fakana an-keriny miafina" hiparitaka any amin'ny Protestantisma manontolo.
Ny hevitra andiany fahatelo dia ny hoe: efa niverina i Kristy. Betsaka ny olona no mihevitra fa Jesosy dia efa tonga fanindroany tamin'ny endrika Fanahy Masina tamin'ny andro Pentekosta. "Ny Fanjakany dia ny Fiangonana izay naoriny tamin'izany", hoy ireo mpomba an'io teoria io; "Vokatr'izany, amin'izao fotoana izao, ny Fiangonana manontolo no Fanjakan'Andriamanitra".

Amin'ity tranga ity, dia tsy hahatanteraka faminaniana roambinifolo izay tena mazava ity fanjakana ity. Ity teoria ity koa dia tsy miraharaha ny hoe: ny Apostoly Paoly sy ny kristiana marina rehetra tany am-piandohana dia mbola nanantena ny fiavian'i Kristy fanindroany sy ny Fanjakany elabe taorian'io Pentekôsta io!
Inona ny MARINA?
Hodinihintsika sy hoporofointsika amin'ity lesona ity, ara-Baiboly, ny zava-misy momba ny fiverenana mahagagan'i Jesosy Kristy.
_


LESONA 3

EFA NIVERINA VE I KRISTY? 


 Diniho ireo fampitandremana nataon'i Kristy momba ny fampanantenany ny hiverenany.
1. Nampitandrina ve i Jesosy fa hisy ny hilaza fa efa tonga talohan'ny hahatongavany marina Izy? Mat. 24:26; Marka 13:21.

2. Nisy mpitory sandoka ve nanambara an'io hevitra io taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty? 2 Tesa 2: 1-2. Moa ve ny Apostoly Paoly nandà an-kitsirano io fiheveran-diso io? Andininy 3.

3. Nanohy nampitandrina ve i Paoly fa mbola ho betsaka ny olona ho lavo amin’izany fahadisoana izany - fa hisy ny fivadiham-pinoana amin'ny fahamarinana - alohan'ny fiverenan'i Jesosy Kristy? Andian-tsoratra mitovy. Nilaza koa ve i Jesosy fa io fihemorana io dia tsy maintsy hitranga alohan'ny fiverenany? Azafady ampitahao ny Matio 24: 5, 11, 24 ary ny Apokalypsy 6: 2.

FANAMARIHANA: Jesosy izay nanambara an'ity boky ity (Apok. 1: 1), dia mampiasa ny ohatry ny mpitaingin-tsoavaly fotsy mba hanehoana ireo minisitra sy mpaminany sandoka milaza-tena fa misolo tena an'i Kristy na ny Fiangonany. Ilay Kristy marina dia hiverina hitaingina soavaly fotsy izay voafaritry ny Apokalypsy 19:11. Mariho fa i Kristy dia maneho ny tenany hiverina miaraka amin'ny sabatra – dia ny Tenin'Andriamanitra (Apok. 19:15; Heb. 4:12), raha ny famitahan’ny devoly dia aseho amin'ny alàlan’ny mpitaingin-tsoavaly mitazona tsipìka eny an-tanany.

Mariho koa fa ny famadihana ny fahamarinan’Andriamanitra dia tsy inona fa fiandohan'ny fizorana milamina sy lava an’ireo tranga maro (nisesy nandritry ny 1900 taona), ka ny fara-tampon’izany dia ny fiverenan'i Kristy sy ny fananganana ny Fanjakan'Andriamanitra.

4 .. Talohan'ny nitsanganany tamin'ny maty, dia efa nilaza mazava tsara ve i Jesosy fa tsy ho amin'izany fotoana izany ny fanjakany, ary tsy "avy amin'izao tontolo izao" Izy? Jaona 18:36. Noho izany, moa ve ny fiangonan'izao tontolo izao - na ny iray na izy rehetra- dia afaka manangana ny fanjakan'Andriamanitra, araka ny fiheveran'ny maro? Andian-tsoratra mitovy.

FANAMARIHANA: Ity " tontolo" ity na rafitra ("cosmos" amin'ny teny grika) dia ahitana ny zavatra rehetra izay manamarika ny vaninandron'ny olombelona. Ary, araky ny nambaran'ny tantara, ny Fiangonana dia tena anisan'ity vanim-potoana ity. Nanao ady ara-politika izy ireo, nifehy fanjakana sy nandatsaka rà maro, indrindra tamin'ny Moyen Âge. Raha ny Fiangonana no mamorona ny Fanjakan'Andriamanitra, io Fanjakana io dia anisan'ity tontolo ity ary tsy nahalala izay nolazainy i Jesosy izany!

Nilaza mazava i Jesosy hoe: "ny fanjakako tsy avy amin'izao tontolo izao" (izany hoe tsy nanomboka tamin'io fotoana io), na dia nanomboka tamin'ny andro Pentekôsta aza (Asa 2) raha ny tena izy ny fiangonana ara-panahy (Matio 16:18). Noho izany dia nolavin'i Jesosy Kristy mahitsy rano, mialoha, ny fiheverana diso izay nametraka, tany aoriana, ny fototry ny fahombiazan’ireo mpitondra fivavahana ara-politika tamin'ny vanim-potoana Moyen Age.

5. Rehefa nanontany Azy ny mpianany raha hampody ny Fanjakana amin’ny androny Izy, dia inona no nolazainy? Asan’ny Apostoly 1: 6-8. Tsy maintsy nandray fahefana ve izy ireo taorian’izany, izay TSY ara-politika? Andininy 8. Inona no tokony ataon'izy ireo amin'io fahefana io? Andininy mitovy sy Matio. 28: 18-20.

FANAMARIHANA: Tsy nampahafantarina ny Apostoly ny hahalala ny fotoana hametrahana ny Fanjakana, fa tsy maintsy nofenoina ny Fanahy Masina izy ireo tamin'ny andro Pentekosta.

Ireo mpianatr'i Jesosy dia tsy nandray, tamin'izany fotoana izany, fahefana ara-politika hitantanana firenena. Tsy natsangana ny Fanjakan'Andriamanitra tamin'izay. Izy ireo kosa, na dia izany aza, dia nahazo fahefana ara-panahy izay ahafahan'izy ireo ho tonga"vavolombelona" amin'ny fitsanganan'i Kristy - eo amin'izao tontolo izao - ary hampianatra ny lalan'Andriamanitra amin'ny "firenena rehetra".

Jesosy dia nampanantena azy ireo fa rehefa any an-danitra Izy, dia hiaraka amin'izy ireo (sy ireo mpandimby azy) amin'ny fanahy fotsiny mandra-pahatongan'ny faran'ity vaninandro ity - amin'ny faran’ity tontolo ankehitriny misy fitondram-panjakan'olombelona ratsy ity - mandra-piverenany hanangana ny Fanjakan'Andriamanitra eto an-tany eto.

6. Inona ny andinin-tSoratra Masina izay manaporofo marina fa tsy afaka haorina eto an-tany ny Fanjakan'Andriamanitra? (1 Kor. 15:50.) Mbola nofo aman-drà ve ny olona mankany am-piangonana samihafa matetika?

Rehefa tsy hiverina i Kristy 


 Ny hevitra iray môderina kokoa dia ny hoe :ho avy i Jesosy AORIAN'ny hanjakan'ny fandriam-pahalemana sy ny firindrana mandritry ny arivo taona, rehefa nahatratra ny fifanarahana tanteraka ny firenena rehetra. Inona no lazain'ny Soratra Masina?

1. Moa ve ny fotoana fampodiana amin'ny laoniny ny zava-drehetra - ao anatin'izany ny fiadanana sy ny firindrana eto an-tany hialoha sa hanaraka ny fiavian'i Jesosy Kristy? Asan’ny Apostoly 3:21.

2. Rehefa hiverina i Jesosy, inona no hataon’ny iraka nitady fihavanana, ary hanao ahoana ny toe-draharaha ankapoben’nytontolo amin'izay fotoana izay? Isaia 33: 7-8.

FANAMARIHANA: Mazava ho azy fa, alohan'ny hiverenan'i Kristy, dia ho tonga any amin'ny FIFANJEVOANA tanteraka indrindra ny planeta – fa tsy any amin’ny fiadanana.

3. Inona ireo andinin-tSoratra Masina manaporofo tsy misy isalasalana fa i Kristy dia hiverina mialoha fa tsy aorian'ny fandriampahalemana sy ny firindrana eto an-tany mandritry ny arivo taona? Apok. 5:10; 20: 4.
FANAMARIHANA: Ny Baiboly dia mampiseho fa tsy i Kristy dia tsy hiverina aorian'ny arivo taona misy fitantanan’olombelona lavorary. Ny antony hiverenan'i Jesosy fanindroany, dia ny hanafoana ny fitondrana ratsin'ny olombelona sy hametraka ny Fanjakana - na fanapahana - an'Andriamanitra. Koa satria ireo kristiana nitsangana tamin'ny maty dia hiara-manjaka amin'i Kristy mandritry ny arivo taona, dia mazava ho azy fa tsy maintsy ho avy Izy alohan'ny fanombohan'ireo arivo taona ireo.

Ny iraka atao amin’ny andro farany dia tsy maintsy tanterahina mialoha 1. Talohan'ny nanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana, ny mpianatr’i Kristy ve nanantena ny hametrahana faingana ny Fanjakan'Andriamanitra? Lioka 19: 11. Inona no nolazain'i Jesosy mba handavana izany eritreritra diso izany? Andininy 12.
FANAMARIHANA: Ao amin'ity fanoharana ity, ny "andriandahy" dia milaza an'i Jesosy; ny "tany lavitra" dia ny lanitra, izay hiverenany aorian'ny fitsanganany. Ary ireo "mpanompo" kosa, dia ireo tena kristiana.

2. Handray fanjakana ve i Kristy raha mbola tsy eo Izy fa any an-danitra? Ampitahao amin'ny Lioka 19:12 sy ny Daniela 7: 13-14.

FANAMARIHANA: Miharihary fa ny fanoharana izay ao amin'ny toko faha-19 ao amin'ny Lioka dia mifandraika amin'ny fotoana izay mampisaraka ny fiakaran'i Kristy any an-danitra (ny "tany lavitra") sy ny fiverenany mba hampiorina eto an-tany ny Fanjakan'Andriamanitra.

3. Mandritra ny tsy maha-eo ilay andriandahy, izany hoe i Kristy, ny mpanompo ve tokony hiasa hampitombo ny "talentany"? Lioka 19:13, 15; Mat. 25: 15-19.

4. Inona ny adidy tokony hataon'ny mpanompo - ny tena kristiana - indrindra alohan'ny faran'ity vaninandro ity sy ny Fiavian'ny Kristy Fanindroany? Mat. 24:14; 28: 18-20.

FANAMARIHANA: Nilaza mazava i Jesosy fa tsy maintsy torina amin'ny firenena rehetra ny Filazantsaran'ny Fanjakana alohan'ny ahatongavany.


Azontsika fantarina ve ny fotoana marina? 


 Fotoana fohy talohan'ny hiakarany any an-danitra, dia nanazava ihany koa i Jesosy fa hiverina indray Izy aorian'ny fifandimbiasan’ny seho mazava. Nanome famintinana ireo zavatra hiseho ireo tany an-tendrombohitra Oliva Izy. Tao amin'ny lesona teo aloha, dia efa nandinika ity famintinana ity isika, izay voarakitra ao amin'ny Matio 24, Marka 13 ary Lioka 21. Tokony hamerina hamaky ny Matio 24 ianao ary hanamarika ireo seho rehetra izay efa nambaran’ny faminaniana mialoha, izay tsy maintsy hitranga alohan'ny hiverenan'i Kristy.
Azontsika atao ve ny mamantatra, avy amin'ireo faminaniana ireo, ny tena fotoan’ny fiaviany?

1. Moa ve ny fanelanelanan'Andriamanitra amin'ny raharahan'izao tontolo izao sy ny Fiavian'i Kristy Fanindroany dia handrasan’izao tontolo izao? Lioka 21:35.

2. Tamin'ny fotoana inona teo amin'ny tantaran'ny tontolontsika no nampitahan'i Jesosy ny fiverenany? Mat. 24:37. Moa ve ireo olona izay niaina talohan'ny safo-drano dia tena nanantena ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra? Andininy 38-39. Moa ve isika ankehitriny manantena ny fanelanelanan’Andriamanitra sy ny Fiavian'i Kristy fanindroany? Ireo andalan-tsoratra mitovy.

3. Moa ve ireo izay miambina sy miomana mahalala ny andro sy ny fotoana hiverenan'i Kristy? Mat. 25:13.

FANAMARIHANA: Ireo tenin'i Jesosy ireo dia nadika matetika fa ny Apostoly irery ihany no tsy hahalala ny andro na ny ora, fa isika, izay miaina amin'izao andro farany izao, dia hahafantatra. Tena DISO TANTERAKA izany.

4. Nanontany an'i Jesosy ve i Peteraa raha te hilaza Izy fa ny Apostoly ihany no tsy afaka hahalala ny andro na ny ora, na ny rehetra - na isika ankehitriny aza? Lioka 12: 40-41. Inona no navalin'i Jesosy? Andininy 42-43. Natao manokana ho an'ny androntsika ve ny fampitandremany, ho an'ireo izay mbola ho velona "rehefa miverina Izy"? Azafady diniho ny valin-tenin'i Jesosy amin'ny andininy faha-43.
FANAMARIHANA: Mazava fa i Jesosy dia nilaza fa ny mpanompony, ao amin'ity taranaka ity, dia tsy hahalala na ny andro na ny fotoana.

5. Koa satria tsy fantatsika ny andro na ny ora, na izany aza, moa ve afaka fantarintsika tsara ve ny fotoana tena fiverenany? Mat. 24: 32-33.
FANAMARIHANA: Tsarovy fa i Jesosy dia efa nanambara, teo amin'ity toko ity, ny famantarana izay hialoha ny fiaviany faharoa.

Ahoana ny fomba hiverenan'i Kristy Ahoana no hiverenan'i Kristy? Mangina, an-tsokosoko, toy ny «mpangalatra amin'ny alina»? Hiverina ve Izy ve izy mba ''haka an-keriny'' miafina ny Fiangonany?
Hisy antanan-tohatra roa ve ny fiverenan’i Jesosy – ny fotoana voalohany "handraisany” ny olo-masiny, hankany azy ireo an-keriny mangingina ho any an-danitra, ary amin’ny fotoana hafa “miaraka” amin'izy ireo, mba hanangana ny Fanjakany?
Andao hiverina any amin'ny Baiboly indray isika hahazoana valiny mazava sy fohy.
1. Inona no tian'ny 1 Tesalonianina 5: 2-3 ampahatsiahivina raha miteny izy fa ho avy "toy ny mpangalatra amin'ny alina"? Tokony ho mailo hatrany ve ny kristiana ka ity vanim-potoana misavoritaka ity - ny "andron'ny Tompo" – dia tsy hanampoka azy ireo? Andininy 4-6.

2. Ary na izany aza, moa ve i Kristy tsy aseho koa fa ho avy toy ny "mpangalatra"? Apok. 16:15. Midika ve izany fa hiverina mangingina izy, an-tsokosoko?

FANAMARIHANA: Rehefa mandroba trano ny tontakely na ny mpamaky trano, moa ve tsy tonga amin’ny fotoana tsy ampoizina izy ireo? Matetika ny mpangalatra dia tonga amin'ny alina, rehefa matory ny mponina ao, na tsy ao. Tampohiny ireo, ataony sovok’alina- izany hoe, TSY AMPOIZINY izany. Tsy fantatrao mihitsy hoe rahoviana no ho avy ny mpangalatra. Raha efa fantatrao izany, dia hiantso polisy ianao ary hiomana amin'ny fahatongavany. Ny fanontaniana lehibe izay tianao ho fantatra ny valiny, raha efa fantatrao mialoha fa mikasa ny handroba anao ny mpangalatra, dia ny hoe : rahoviana.

Toy izany koa ny amin'ny fiavian'i Kristy. Tsy ho tonga an-tsokosoko Izy, fa ho avy amin’ny FOTOANA TSY AMPOIZINA! Tsy hisy hahafantatra ny fotoana marina hahatongavany.

Nanazava i Jesosy hoe: "Koa amin'izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny Tomponareo. Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin'ny alina izay hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina. Koa miomana kosa ianareo; fa amin'izay ora tsy ampoizinareo no hihavian'ny Zanak'olona”(Mat. 24: 42-44).

Noho izany, dia nampitahain'i Jesosy amin’ny fahatongavan’ny "mpangalatra" ny fahatongavany, momba ny fotoana hahatongavany sy ny singa manampoka! 3. Azafady jereo indray ny Matio 24. Moa ve i Jesosy nilaza fa hisy feo mitatatata tena mahagaga izay ho re avy any an’habakabaka rehefa miverina Izy? Mat. 24: 30¬31. Moa tsy izany ve no fotoana hanangonany ny "olom-boafidiny"? Andininy 31.
4. Rehefa hiverina avy any an-danitra i Kristy, Io tranga io ve hiaraka amin’ny fiantsoana feno fahefana? 1 Tes. 4:16. Moa ve izany no fotoana "hakana an-keriny" ny olo-masina mba hiaraka Aminy? Andininy 16-17.
FANAMARIHANA: Mazava ho azy arak’izany fa ny fahatongavan'i Kristy dia tsy ho hetsika an-tsokosoko.

Fiverenana hita maso 

1. Rehefa hiverina i Kristy, ho hitan'ny rehetra ve izy? Mat.24:27; Apok.1:7.

FANAMARIHANA: Ny teny grika hoe astrape, izay ampiasaina ao amin'ny Matio 24:27, dia mety hidika hoe tselatry ny ranonoram-baratra na izay mety ho hazavana be. Kanefa, inona ny hazavana mamirapiratra izay «miala avy any atsinanana ary miseho hatrany andrefana»? Ny MASOANDRO, mazava ho azy! Afaka mahita izany ve ianao? Mazava ho azy! Ny fahatongavan’i Kristy dia ho toy ny «masoandro mamirapiratra amin’ny heriny »(Apok. 1:16). Ho hita miharihary - tsy misy afaka hanao zavatra hafa ankoatry ny fahitana izany.

Ilay fombam-pitenenana hoe " na dia izay nandefona Azy aza", ampiasaina ao amin'ny Apokalypsy 1:7, dia tsy manaporofo fa ilay miaramila romana izay nandefona ara-bakiteny ny lanivoan’i Jesosy, na ireo Jiosy izay niaina tamin'izany fotoana izany, dia ho velona mandritra ny fihaviany. Izany raha ny marina dia mifandraika amin'ny taranak'olombelona manontolo - aminao sy amiko!

Ny fahotantsika no nahatonga ny fahafatesan'i Kristy (Zak. 12:10). 
Mampiseho fotsiny ny Apokalypsy 1: 7 fa izay rehetra velona, rehefa miverina Izy,dia ho afaka hahita Azy. Ary ny sisa amin’ny olombelona rehetra, dia hahita Azy any aoriana, rehefa tafatsangana ireo olona ireo.

2. Moa ve ireo anjely nirahina, izay niresaka tamin'ny mpianatra taorian'ny niakaran'i Kristy any an-danitra teny amin’ny tendrombohitra Oliva, nilaza marina fa hiverina Izy, "tahaka" ny nandehanany ihany? Asan’ny Apostoly 1: 10-11. Ahoana no fisehon’ny fandehanany? Afaka mbola “hita” ve Izy mandra-panjavony tao amin'ny rahona? Andininy 9. Rehefa hiverina Izy, ho hita indray eny amin’ny “rahona” ve Izy? 1 Tes.4:17.

3. Ary farany, inona no lazain'ny Zakaria 14: 4 momba ny fiverenan'i Kristy eo amin'ity tendrombohitra Oliva, ao akaikin'i Jerosalema ity, izay toerana niakarany ho any an-danitra?
FANAMARIHANA: Ny Baiboly dia mitantara amim-pahamalinana ny fahatongavan'i Kristy, saingy tsy milaza na dia teny indraim-bava aza, momba ny “fakàna an-keriny” miafina sy mialoha an’ny Kristiana ho any an-danitra.

"Fiaviana fanindroany" iray ihany


Ny sasany dia mbola manantena ihany fa ity fahatongavany hita maso sy ren’ny sofina ity dia dingana faharoa amin'ny fiavian'i Kristy. Inona no lazain'ny Baiboly momba izany?

1. Moa ve hisy fitsanganan'ny maty ao amin'i Kristy rehefa hiverina Izy? 1Tes.4:15-16. Moa ve hitranga amin'ny fotoana marina izay hitsofana ny trompetra ("ny trompetra farany") izay voalaza ao amin'ny andininy faha-16 izany? 1 Kor. 15: 51-52.

2. Moa ve ilay trompetra voalaza ao amin'ny 1Tes. 4:16 sy ao amin'ny 1Kor.15:52 dia mitovy amin'ny an'ny Apok.11:15?

FANAMARIHANA: Misy ny hilaza fa ny trompetra farany voalaza ao amin'ny 1Kor.15:52 dia hafa noho ny trompetra fahafito na farany resahina ao amin'ny Apokalypsy 11:15. Jereo kosa anefa fa, ao amin'ny Apokalypsy 11:18, dia nanoratra i Jaona, teo ambany tsindrimandrin'Andriamanitra, fa ny trompetra fahafito dia fotoan’ny fitsanganana amin'ny maty.
Jaona dia mitantara ny tranga lehibe mitovy amin'izany nolazain'i Paoly ao amin'ny 1 Tesaloniana 4 sy 1 Korintiana 15. Hitantsika àry fa hiverina i Kristy ary hatsangana amin'ny maty ireo olo-masina miaraka amin'ny feo maherin'ny trompetra lehibe ary handre azy ny tany rehetra. .

Ny dikan’ny teny grika hoe « parousia » Ireo izay misisika tsy hivadika amin'ny teorian'ny fakana an-keriny dia milaza fa ny teny grika parousia, nadika hoe "fihaviana" ao amin'ny Matio 24:27, dia tsy manana izany dikany izany fa mifandraika amin'ny hoe "fanakekezany miafina", ka rehefa nanontany Azy ny mpianatr'i Jesosy ny amin’ny "famantarana" ny fiaviany, dia tena nangataka famantarana ny "fakàna an-keriny" izy ireo.


Inona no tokony hoeritreretintsika momba izany?

Ireo andalan-tSoratra Masinaefa nianarantsika dia naneho mazava tsara ny fomba sy ny fotoana tokony hisian'ny fiverenan'i Kristy. Moa ve ilay teny hoe parousia dia manondro fiaviana mialoha sy MIAFINA? 1. Io teny grika io dia nadika hoe "fihaviana" ao amin’ny andininy maro ao amin'ny Soratra Masina. Ny ohatra iray omena antsika dia ny 1 Tesaloniana 3:13. Milaza ve io andininy io fa "ny fiavian'i Kristy dia "miaraka" amin'ny olo-masiny rehetra? Raha izany no izy, mety hilaza ny fiverenany miafina ho an'ny olo-masiny telo taona sy tapany na mihoatra mialohan'ny hiverenany ho hitan’ny besinimaro "miaraka" amin'izy ireo ve izany?

FANAMARIHANA: Tsy heverinao va fa i Kristy, raha nisahirana namaly tamin'ny an-tsipiriany ny fanontanian'ireo mpianany (Mat. 24: 3), dia mba mety ho nampahatsiahy ny "fakana an-keriny" na ny "fanatrehany tsy hita maso"? Kanefa, dia tsy mahita resaka momba izany isika, na amin'ity toko ity na amin'ny Baiboly manontolo.

2. Mariho ny andinin-teny hafa ao amin’ny Soratra Masina. Amin’ny "fihaviany" (parousia), inona no hataon'i Kristy amin'ilay "lehilahin’ota" izay “mipetraka eo amin'ny tempolin'Andriamanitra”ka "manao ny tenany ho Andriamanitra"? 2Tesaloniana. 2: 4.8. 

FANAMARIHANA: Mazava izany fa ny fihavian'i Kristy hanatanteraka ny didim-pitsarany dia tsy inona fa noho ny "fiaviany" ho hita eto an-tany, mitafy FAHEFANA.

Mariho fa ity andininy ity dia sady maneho fa ilay lehilahin’ota dia tsy maintsy hofongorina mandritry ny fiavian'i Kristy, no miresaka ny famirapiratry ny fihaviany ihany koa. Mazava ho azy fa tsy fiverenana miafina na an-tsokosoko mihitsy izany.

Lavitry ny fahoriana be ny Kristiana 


1. Inona no nolazain'i Jesosy momba ny tokony hitranga tsy ho ela ALOHAN'ny Fiaviany tokana Fanindroany? Mat. 24:21, 29. Ary inona no hitranga manaraka? Andininy 30.

FANAMARIHANA: Eto dia hitantsika fa alohan'ny hahatongavan'i Kristy, dia hisy fahoriana lehibe eto an-tany. Ireo andininy ireo dia maneho fa tsy hiverina ALOHAN'ny fahoriana lehibe sy ny famantarana lehibe eny amin’ny lanitra i Kristy.

2. Inona no nasain'i Kristy hataon'ny mpianany, tany Jodia, rehefa mahita ny "fahavetavetan'ny fandravana" mitsangana izy ireo? Mat. 24: 15¬20; Lioka 21: 20-21.

FANAMARIHANA: Izany dia tena nataon'ny tena kristiana talohan'ny nandravana an'i Jerosalema, tamin'ny taona 70 taorian’I Kristy. Nefa tsarovy fa ity faminaniana ity dia milaza tranga roa. Izany koa dia manome baiko ireo kristiana, izay any Jodia amin'ny andro farany, ny amin'izay tokony hataony rehefa mitsangana ny "fahavetavetan'ny fandravana". Raha tokony hisy “fakàna an-keriny miafina”, ireo izay manaraka an'i Kristy dia tsy tokony hanana ahiahy momba ny ririnina, ny Sabata na ny tafika hanafika ny firenena.

3. Mampanantena ve i Kristy fa hiaro ny mpikamban'ny Fiangonany mandritry ny "ora fakam-panahy" (fitsapana) - "ny fahoriana lehibe"? Apok. 3:10.

4. Amin'ny fitenin'ny Baiboly, ny "vehivavy" dia tandindon’ny FIANGONANA (jereo ny 2Kor. 11: 1-2; Efes. 5: 23-29; Gal. 4:26). Hanome toerana fialokalofana ho an'ny fiangonana marina misy amin’ny andro farany ve Andriamanitra, izay hiarovana ny olona izay ao anatiny amin'ny devoly (ilay "dragona" - Apok. 12: 9)? Apok. 12: 14-16. Aiza ny toerana misy ny fiarovana - any an-danitra ve, araky ny teorian’ny fakàna an-keriny miafina? Andalan-tsoratra mitovy.

FANAMARIHANA: Mariho fa manampy ny "vehivavy" ny tany. Tsy voasoratra eto ny lanitra na ny resaka fakàna an-keriny.

Miharihary, eto amin'ity tranga ity, fa ny "olo-masina", izany hoe ireo kristiana marina izay mpikambana amin'ny Fiangonan'Andriamanitra - dia ho eto an-tany eto mandritra ny "fahoriana lehibe" - fa tsy any an-danitra akory araky ny finoan’ny teorian’ny fakàna an-keriny. Nefa i Kristy dia mampanantena ireo "olo-masina" fa hisy toerana fiarovana – eto an-tany. Marihina anefa fa tsy ny kristiana rehetra no ho mendrika an'io fiarovana io - ary maro amin’izy ireo no tsy maintsy handalo an'io "fahoriana lehibe" io.
 

Iza no hiverina miaraka amin'i Kristy?


Rehefa hiverina eo amin'ny Tendrombohitra Oliva toy ny fomba izay nandehanany i Kristy (Asa 1:11), dia tsy ho irery Izy. Iza no hiaraka aminy? Andeha hojerena izay lazain'ny Baiboly momba izany. 

1. Hiaraka amin'i Jesosy Kristy ve ny "olo-masina rehetra" (ny tena Kristiana) rehefa hiverina eo an-tendrombohitra Oliva Izy? Zak. 14: 4.5. Mariho ny teny farany amin'ny andininy faha-5.

2. Moa ny Apostoly Paoly niresaka ny momba an'i Kristy ho avy "mbamin'ny masiny rehetra", izay efa nodi-mandry? 1Tes.3:13; 4:13-14. Hiverina avy any an-danitra ve izy ireny, sa avy any amin'ny habakabaka fotsiny, sa hakarina eny amin'ny rahona izy ireo hitsena Azy? 1Tes.4:15-17.
FANAMARIHANA:Tsy ireo maty natsangana ao amin'i Kristy sy ny velona (izay hovaina ho tsy mety maty) fotsiny ihany no hatsangana hiakatra eny amin'ny rahona hitsena an'i Kristy miverina, fa hiara-midina miaraka aminy avy hatrany eto an-tany izy ireo.

3. Hijanona miaraka amin'i Kristy mandrakariva ve izy ireo? 1 Tes 4:17. Aiza no hisy Azy? Azafady jereo indray ny Zakaria 14: 4 sy ny Apok.5:10; 20:4.

4. Iza koa no andrasana hiara-hiverina amin'i Kristy amin'io fotoana io? Ireo anjely masina! Marka 8:38; Apok. 19: 14.

FANAMARIHANA: Rehefa tonga teto an-tany tamin’ny voalohany i Kristy dia nokapohina Izy; Notevatevaina, ary noesoina (Jaona 19: 1¬3). Saingy rehefa hiverina ho Mpanjakan'ny mpanjaka Izy mba hanorina ny Fanjakan'Andriamanitra, dia ho "avy amin-kery sy voninahitra lehibe" (Mat. 24:30; hisy anjely maro be hiaraka Aminy.

(Ny faminaniana ao amin'ny Baiboly dia manambara fa alohan'ny hananganana ny Fanjakan'Andriamanitra eto an-tany, dia hiangona ao amin'ny Lohasahan'i Jezirela manodidina an'i Megido ny tafika. Avy eo izy ireo dia hankany Jerosalema hiady amin'i Jesosy Kristy izay ho avy hametraka fihavanana eo amin'ny tontolo mpikomy sy miady.)

Ny hataon'i Kristy rehefa hiverina Izy


 Tonga tamin’ny 1900 taona lasa izay i Jesosy Kristy, toy ny zanak'ondry mora manaiky izay tsy maintsy hovonoina noho ny fahotan'izao tontolo izao. Nefa rehefa hiverina Izy, dia ho vinitra- ho tezitra – amin’ireo izay ratsy. Amin'izay Izy dia hampiasa ny heriny lehibe mba hanova ireo antony nahatonga ny alahelo rehetra sy ny fijaliana rehetra eto an-tany.

1. Inona no ambaran’ny andalan-teny ao amin'ny Apok.6:16-17 momba ny fotoana hisian’ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ity tontolo ity? Efa nilaza mialoha an'izany ve i Zefania? Zefania 1: 14-15; 2: 2-3. Jereo koa Isaia 13: 6-7 sy Ezekiela 7:19.
FANAMARIHANA: Ny ankamaroan'ny olona dia tsy mbola nahare ny amin’ny "andron'ny Tompo", nefa izany andro izany dia voalaza ao amin'ireo faminaniana samihafa telopolo mahery izay hita ao amin'ny Testamenta Taloha sy Vaovao.

2. Amin'ny fotoana izay hitsofana ny trompetra farany (fahafito) (Apok. 11:15) ary hiverenan’i Kristy, ho tezitra ve Andriamanitra? Apok. 11:18.
FANAMARIHANA: Ny hatezerana amin'ny "andron'ny Tompo" dia hiatomboka amin'ny loza izay nitranga tampoka rehefa notsofina ny "trompetra" fito; ireo loza ireo dia hifampitohy tsy tapaka mandritry ny volana vitsivitsy (Apokalypsy, toko 8, 9; 11: 15-19). Ho tafakatra amin'ny fara tampony ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny fihavian'i Kristy faharoa sy ny fitantanana ireo loza fito farany (Apok. 15: 1, ary ny toko 16).

3. Handeha hiady ve ilay olona lehibe voalaza ao amin'ny Apokalypsy 19:11? Inona no anaram-boninahiny? Andininy 16. Inona no anarana hafa ananany? Apok.17:14. Iza ilay “Zanak'ondrin'Andriamanitra”? Jaona 1:29.

FANAMARIHANA: Ireo andinin-tSoratra Masinaireo dia manaporofo fa hiverina i Kristy miaraka amin'ny andian-tafiky ny anjely mba hanafay ary handresy ireo firenena mpikomy eto amin'ity tontolo ity.

4. Nahoana, Andriamanitra no tokony hanasazy ny olombelona? Jereo ny teny farany an'ny Apok.11:18 sy Zefania.1: 17.

FANAMARIHANA: Ho tezitra i Kristy noho ny fahotan’ny olombelona. Ho avy izy hanafay noho ny fitiavany, mba hamonjy ny ain'ny zanak'olombelona (Mat. 24:22); raha tsy izany, dia hamongotra ny aina rehetra eto an-tany ny olombelona.

Nandritry ny 6000 taona izay, dia nomen'Andriamanitra ny olombelona mafy loha, mpiodina ary maniasia, ny fanambinana rehetra azo hatao mba hitodihany any amin’ny lalany izay mitondra fiadanana sy fahasambarana. Saingy ny zanak'olombelona efa niodina tamin’ny Mpamorona azy; tsy nanaiky ny lalana izay hitarika azy ho amin'ny fahatanterahan'ny faniriany fiadanana ny olona. Manohy mamorona hery izay mandrahona ny hanafongana ny fiainana manontolo izy ireo.

Tahaka ny hanafaizan'ny ray ny zanaka tiany, izay tsy te-hihaino ny anatra feno halemem-panahy omeny azy, dia tsy maintsy manasazy an’izao tontolo izao Andriamanitra mba haha-hendry azy. I Kristy be voninahitra dia ho avy amin'ny famirapiratany, ny fahefany sy ny voninahitr’Andriamanitra, mba hampitsaharana ny “fanamihan'ny ady”, ny famongorana olona marobe ataon’ny baomba atomika, ny fahoriana sy ny fanaintainan’ny olombelona. Ho avy Izy hanangana fanisan-taona misy fandriam-pahalemana, fanambinana, fahabetsahan’ny vokatra, fahasambarana sy fifaliana ho an'ny olombelona rehetra.

5. Hanjary ho tezitra ve ny firenena eto amin'izao tontolo izao amin’izany vaninandro izany? Jereo indray Apok.11:18.
FANAMARIHANA: Tsy te-hiova izao tontolo izao. Ny olona dia maniry fatratra ny hitazona ny fiarahamonina izay naoriny eto an-tany. Ny zanak'olombelona dia tsy tia ny hidiran’Andriamanitra an-tsehatra mba hampianatra azy ny lalana mitondra any amin'ny fandriampahalemana sy ny fanambinana maneran-tany. Fa kosa, ny olona dia maniry ny fandriam-pahalemana avy amin'ny fepetrany manokana - na dia ny lalan'ny olombelona mitodika any amin'ny "fandriam-pahalemana" aza dia mitarika tsy misy hidivirana amin'ny ady hafa, ary amin'ny farany, dia any amin’ny fandringanana ny zanak'olombelona.
Rehefa tonga hisoroka ny famonoan-tenan'izao tontolo izao i Jesosy, dia hitsahatra ny fifandiran’ ny firenena mba hiaraka hiezaka hanohitra an'i Kristy izy ireo, ary hanandrana hiady Aminy ary handringana Azy.

Vantany vao miverina Izy, i Kristy dia voatery hampiasa amin’ireo firenena eto amin'ity tontolo ity ny hany fiteny izay mety ho azony, -ny hery tsy azo toherina. Moa va tsy fanadalana raha tsy maintsy ho voatery ny olona amin'ny farany hanandrana ny fomba fiainana izay mitondra amin’ny fahasambarana, ny fanambinana sy ny fahabetsahan’ny vokatra?

Inona no atao hoe "Hara-magedona? 


 "Hara-magedona" dia "teny mifandraika amin'ny fahatezeran'Andriamanitra. Saiky ny rehetra no efa naheno izany. Ny mpitondra sy ny mpahay siansa matetika dia mampiasa an'io teny voalazan'ny Baiboly io rehefa miresaka momba ny ady nokleary tsy azo ihodivirana sy ny fandringanana ny zanak'olombelona.

Na dia izany aza, vitsy ny olona mahalala izay tena asehon’ny “Hara-magedona”.
Sahala amin'ny ankamaroan'ny taranja velarin’ny faminaniana ao amin'ny Baiboly, ny zavatra ampianarina momba izany dia matetika nekena tsy nisy adi-hevitra. Ary, toy ny ankamaroan'ny tamin’ny taranja ara-baiboly hafa, ny olona dia nivily tamin'ny fahamarinana ary voataona hanome fitokiana ny angano.

Rehefa nipoaka ny Ady Lehibe Voalohany, dia maro ny olona nanambara tamim-pihetseham-po hoe: "Inty ny adin'i Hara-magedona!" Avy eo, taranaka iray taty aoriana, ny hafa dia nihevitra fa ny ny Ady Lehibe Faharoa dia hifarana amin'ny " Hara-magedona ".

Ankehitriny, ny hevitra izay ekena matetika dia hoe : ny "Hara-magedona" dia milaza ny ady farany amin'ny ady manaraka hataon'ny demokrasia tandrefana sy ny Komonista. Heverina fa ho ady eo amin'ny kominista tsy mino an'Andriamanitra eo amin'ny andaniny, izay hanafika an'i Jerosalema ary, amin'ny ankilany, ny tafika anglisy sy amerikana izay hiaro ity tanàna ity. Ary inoana fa amin'ny fotoana marina hisian'io ady io, dia hitranga ny Fiavian'i Kristy Fanindroany.

Izany marina ve no ambaran'ny faminaniana ao amin'ny Baiboly? Mety ho gaga ianao raha hahafantatra hoe iza ireo fahavalo hifanandrina amin'ny fihavian'i Kristy - ary aiza no hitranga izany.
Aza diso hevitra mikasika izany: efa eny amin'ny faravodilanitra izao ny Ady Lehibe Fahatelo!

Ny Ady Lehibe Voalohany sy Faharoa dia mpialoha kely fotsiny amin'ny FAMONGORANA TANTERAKA izay hitranga tampoka amin'ireo firenena. Amin'ity indray mitoraka ity, dia ho tena ratsy tokoa izany ady izany, ka ny Fiaviana Fanindroan'i Kristy irery ihany no ho afaka hamonjy ny zanak'olombelona amin’ny famongorana.

Izany no antony andidian'Andriamanitra antsika "hiambina" (Lio. 21:36) - izany hoe, manara-maso ny vaovao eran'izao tontolo izao mba hahafahantsika mahafantatra ny fahatanterahan'ny faminaniana ara-Baiboly sy hoheverina ho mendrika HILEFA amin’ny famonoana tanteraka ara-nokleary izay tsy ho ela dia hitranga eto amin'ity tontolo tsy manam-panahiana sy mpiodina ity.

1. Ahoana no hahatanteraka ny fahatezeran'Andriamanitra? Apok. 15: 1.

FANAMARIHANA: Ny trompetra fahafito na farany (Apok. 11:15) dia manamarika ny firehitra izaitsizin'ny fahatezeran'Andriamanitra. Amin'ny fomba ahoana? Amin'ny fampidirany ireo "loza fito farany" mampitahotra: " …ny Ioza fito farany… no enti-mahatanteraka ny fahatezeran'Andriamanitra" (Apok. 15: 1).

2. Ampitahaina amin’ny inona ireo loza avy amin'ny fahatezeran'Andriamanitra? Apok. 15: 7. Aiza no hanariana ireo? Apok. 16: 1. Hitondra fahoriana lehibe ho an'ny olona tsy hibebaka ve ireo? Apok. 15:2-11.

FANAMARIHANA: Na eo aza izany famaizana mafy izany, ny firenen-drehetra dia mandà ny hibebaka amin'ny fahotany.

3. Inona no hitranga rehefa arotsaka ny lovia fahenina misy ny fahatezeran'Andriamanitra? Apok.16:12. Azafady mariho hoe avy aiza no fiavian’ireo mpanjaka. Inona koa no tranga hafa amin'izany fotoana izany? Apok.16:13-14, 16. Andao hodinihina tsara izay voalazan'ireo andininy ireo.

Mikambana ny tafik'izao tontolo izao


1. Iza no hiadian'ny mpanjakan'ny tany? Apok.17:14. Efa hitantsika fa ilay "Zanak'ondry" dia i Jesosy Kristy.

2. Iza no hanome aingam-panahy an'ireo firenena hiady amin'i Andriamanitra, Mpamorona azy? Apok.16:13-14. Iza ilay dragona? Apok.12:9. Noho izany, ireo "fanahy" ireo ve dia demonian'i Satana?

3. Ireo demonia ireo ve no tompon'andraikitra amin'ny fanakambanana ny tafiky ny firenen-drehetra? Apok.16:16.
FANAMARIHANA: Amin'izany fotoana izany, ireo demonia voalaza ao amin'ny andininy 14 dia hikarakara ny fanoherana an'i Kristy manerantany. Ny ady resahina dia tsy vitan'ny hoe nitranga nohon’ny olona na ny firenena, fa noho ireo anjely ratsy, dia ireo demonian'i Satana devoly.

4. Inona no hataon'ireo fanahy ratsy ireo mba hahatonga ny fanangonana ny tafika? Apok.16:14. '
FANAMARIHANA: Mariho koa azafady fa ireo fanahy ireo dia mitaona mivantana an'ireo mpitondra firenena - ary fitahiny amin'ny fahagagana ireo – ka hamporisihany hanana fankahalana mafy izay manosika azy ireo hiady amin'ny "mpanafika" vaovao – dia i Kristy.

5. Aiza no asain'ireo demonian’i Satana hitoby ny tafiky ny firenena mba hiomana amin'ny ady lehibe amin'i Kristy? Jereo indray ny Apokalypsy 16:16. Aiza no hisy ny ady? Zak.14:2. 

FANAMARIHANA: Hamory ny tafiny eo amin'ny toerana antsoina hoe Hara-magedona ny firenena. Io teny io dia avy amin'ny teny hebreo hoe Har Megiddo izay nadika tamin'ny teny grika (ny teny hebreo Hara dia midika hoe havoana na tendrombohitra).

Megido, tanàna mimanda fiarovana mafy taloha, dia eo amin'ny 90 km avaratra andrefan'i Jerosa1ema, eo amin’ny kilometatra vitsivitsy miala an’i Haifa – izay seranan-tsambo sy ivon’ireo indostria izay hanome ny fitaovana ilaina amin'ny fidinana an-tsambon’ireo tafika. Ny tanàna ravan’i Megiddo dia hita eo amoron'ny lemaka midadasika izay mitondra io anarana io ihany: izany dia lohasaha tena malalaka be izay nantsoina taloha hoe Esdrelon, ary antsoina ankehitriny hoe Lohasahan’i Jezirela. Izy io dia faritra midadasika be izay mety tsara mihitsy amin'ny fanangonana fitaovam-piadiana sy tafika.

Ny havoan'i Megido dia tanàna voaharo mafy tany amin'ny fotoana efa lasa lavitra toy ny tamin'ny andron’i Solomona Mpanjaka (1 Mpanjaka 9:15). Izy io dia tanàna mimanda lehibe izay mifehy ny lemaka manodidina. Ny havoana mafin'i Megido dia toy ny ohatra (na fakàna tahaka) mba hanondroana ireo toeram-piadiana mahery vaika izay hanodidina tsy ho ela amin'io faritra io.
Araky ny mpahay tantara, ny ady natao tao amin'ny Lohasahan'i Jezirela dia bebe lavitra noho izay natao tany amin’ny tany hafa eto amin’izao tontolo izao. Nefa rehefa hiverina i Kristy, dia hiangona fotsiny amin'io toerana io ihany ny tafika. Avy amin'io toerana niangonany io no handrosoany hianatsimo, amin'ny lalana mankany Jerosalema, mba hiady amin'i Kristy. Hotanterahina manodidina an’i Jerosalema ny ady.



Fifandimbiasan’ireo tranga voalaza ao amin'ny Apokalypsy Toko 6-11, 14-16
NY TOMBO-KASE FITO
1 – Ny Mpaminany Sandoka
2 - Ny Ady
3 – Ny Mosary
4 – Ny Areti-Mifindra
5 - Ny Fahoriana Lehibe
6 - Ny Famantarana Eny Amin’ny Lanitra
7 - Ny Trompetra Fito
(jereo eo ambany)
(Manomboka ny "andron'ny Tompo"

NY TROMPETRA FITO
("Andron'ny Tompo")
1°)
2°)
3°)
4°)
Manimba ny tany, ny ranomasina, ny hazo ary ny renirano
5°) 
Loza voalohany
6°)
Loza faharoa
7°)
Loza fahatelo: ny lovia fito misy ny fahatezeran’Andriamanitra.
Fihavian’I Jesosy Kristy fanindroany

Ny ady lehiben’Andriamanitra Tsitoha


1.-Inona ny anaran’ilay ady farany izay hahitana izay hitondra an’izao tontolo izao ? Apok.16:14

FANAMARIHANA : Ny vokatr’izany ady izany dia hanambara na ny olombelona na Andriamanitra no hanjaka eto amin’izao tontolo izao mandritry ny arivo taona manaraka. Izany dia antsoina hoe « adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha » - izay matetika antsoina amin’ny fomba diso hoe « adin’ny Hara-Magedona » !

2.- Io ady io dia voatantara ao amin’ny Apok.19:11-21. Iza ireo fahavalo mpifanandrina ? Apok. 19:14-19. Ny Rosiana sy ireo zana-taniny Kominista ve hiady amin’ny tafika Anglisy sy Amerikana, araky ny fiheveran’ny sasany ? Sa kosa izany tafika izany dia vondron’ny tafika avy amin’ny fikambanam-pirenena avy any « atsinanana » sy ny tafiky ny firenena rehetra, mba hanandrana hiady amin’i Kristy ? Jereo indray ny Apok.16:12-14.

FANAMARIHANA : Ireo firenena izay efa tafiditra amin’ny ady mafy dia mafy, mba hahazoany mifehy izao tontolo izao, dia ho tezitra sy ho romotra rehefa hitany fa tamy hiditra an-tsehatra amin’ny raharahan’ny olombelona i Kristy. Noho ny haromotany tafahoatra, ireo firenena ireo dia miomana ny hiady amin’i Kristy sy ny tafiny ary hanandrana hamongotra ireo.

3.- Aiza marina, araky ny Baiboly, no hanaovana izany ady izany ? Joela 3:1-2, 9-14. Ampitahao ny andininy 13 amin’ny Apok.14:18-20 sy 19:15.

FANAMARIHANA : « Josafata » dia midika hoe « Jehovah no mitsara ». Ny foiben-toerana hisy ny ady dia ao amin’ny lohasahan’i Josafata, izay antsoin’ny Baiboly ihany koa hoe « lohasaha fitsarana »

. Io lohasaha io dia hady lalina ary ny manodidina dia tena mideza, ary mifanakaiky amin'ny tanànan'i Jerosalema avy any atsinanana. Ny Lohasahan'i Josafata, izay eo anelanelan'i Jerosalema sy ny Tendrombohitra Oliva, no fantatra ankehitriny, araky ny manampahefana, amin’ny anarana hoe "Lohasahan'i Kidrona". Ambaran’i Zakaria 14: 1-4 mazava tsara fa i Kristy dia hiady amin'ny tafika eto an-tany izay hanohitra Azy rehefa miverina Izy ary mijoro eo amin'ny Tendrombohitra Oliva, eo atsinanan'i Jerosalema. Mariho fa ny Apokalypsy 14:20 dia milaza mazava fa ny ran'ireto fahavalony ireto - izay lazaina an’ohatra fa ny ranom-boaloboka voahitsaka ao anaty famiazana hivoaka any "ivelan'ny tanàna". Hisy vono olona be dia be (hisy ra mandriaka) ka amin'ny toerana sasany, dia hiakatra hahadifotra lamboridin-tsoavaly ny rà.

Hiverina tsy ho ela i Kristy Na toa tsy dia mampino aza izany, dia mazava ny faminaniana ao amin'ny Baiboly: fotoana mampitahotra no miandry antsika.
Nandritry ny lesona telo voalohany amin'ity fianarana ity, dia hitanao fa tena miaina amin'ny vaninandro farany isika, izay nambaran'ny faminaniana ao amin'ny Baiboly. Hitanao fa Andriamanitra, amin'ny alàlan'ny mpaminaniny, ny apôstôliny ary ny mpanompony, dia nanambara ny fifanarahan’ny tranga izay hitarika ny fiavian'i Jesosy Kristy mahagaga.
Hitranga toy ny fiposahana sy ny filentehan'ny masoandro izany!

Noho izany, dia mila “miambina”ianao (Lioka 21:36), izany hoe, hanara-maso ireo tranga mihoatra noho ny taloha. Mitandrema! Araho hatrany ireo vaovao eran-tany. Ianao dia tsy maintsy mamaky ny gazetintsika antsoina hoe "La pure vérité" izay tena tsy vidiam-bola tokoa. Izy io dia manazava tsara ny fampahalalam-baovao eran’izao tontolo izao, ampitahaina amin’ny faminaniana ara-Baiboly.

Hitanao ary tao amin'ny Baiboly fa ho avy miharihary sy AMIN-KERY LEHIBE i Kristy, amin'ny tontolo izay mandà an'Andriamanitra, mba hamonjy azy amin'ny tenany. Ny fiaviany mahagaga dia hanamarika ny fiandohan'ny Arivo Taona - arivo taona hisy fiadanana sy fanambinana ho an'ny olombelona rehetra.

Amin'ny farany, ny olona dia hianatra hanana fiainana mavitrika, sambatra ary miroborobo eo ambany fitondrana marin'i Kristy. Eo ambany fitarihany sy ny fahefany, dia hahazo betsaka ny fitahian’Andriamanitra ny tontolo. Saingy hiresaka bebe kokoa an'ity Tontolo Ho Avy mahafinaritra ity isika amin'ny lesona manaraka.

No comments:

Post a Comment