Inona moa ny "Afobe"?

 

AMBASADAORO KOLEJY - TOKO FAHA-6

INONA MOA NY « AFOBE » ?

Na dia kristiana mahatoky sy mino aza ianao, dia mety handeha any amin'ny "tany aloky ny fahafatesana"! Maro amin'ireo olona tianao no efa any amin’izao fotoana izao… Fa aza matahotra na dia izany aza! Raha araky ny vinavina, dia mbola tsy naheno ny MARINA momba ny tena atao hoe "afobe" ianao - ary ny nihavian’ny ankamaroan'ny hevitra momba izany. Inona no ampianarin'ny Baiboly momba ny "helo"?


Olona an-tapitrisa maro no manana hevitra misavoritaka momba ny "helo" Fa inona marina moa izany? Aiza no misy izany? Iza no mandeha any - ary nahoana?
Moa ve ny helo toerana iray, sa faritra ara-jeografia? Toerana iray any anatin'ny tany ve no misy izany, sa any anivon'ny masoandro, sa any an’habakabaka lavitra?
Naseho fa, teo amin'ireo lazaina ho kristiana, ny tahan'ireo mino ny fisian'ny paradisa dia avo noho ny salanisan'ireo mino ny helo.
Ahoana no hanazavana izany?
Maro amin’ireo mino ny lanitra no tsy afaka fotsiny hanaiky ny hino fa Andriamanitra be indra-fo sy mpamindra fo dia hanameloka olona na iza na iza handeha any amin'ny toerana iray mba hiaran'ny fijaliana mandrakizay.

Hevitra fahita momba ny helo Ny fanadihadiana natao tany Nouvelle-Zélande dia nahitana fa ny 60% n'ny mponina any dia mino fa ny afobe dia toe-tsaina iray; Ny 26% ihany no nihevitra fa toerana izany, amin’ny tena dikan'io teny io.
Ireo sendra nandalo dia nametrahana ity fanontaniana manaraka ity: "Ahoana no iheveranao ny afobe?" Ny valin-teny sasany nomena dia manambara ny fisafotofotoan'ny hevitry ny besinimaro momba izany resaka izany.
"Raha tsorina ny resaka, hoy ny olona voalohany, dia misalasala ny amin'ny fisian'ny toerana toa izany aho. Heveriko fa ny afobe dia fomba iray hampitahorana ny olona mba hananany fiainana tsara kokoa. ... Raha misy ny toerana toy izany, dia heveriko fa toerana mideza izany ary feno olona mandrehitra lafaoro lehibe na mamaky vatobe."
Ny olona faharoa dia namaly hoe: "Ny hevitra momba ny helo dia iray amin'ireo fomba mahomby indrindra amin'ny fampianarana ny ankizy mba ho hendry. Na izany aza, ny tenako manokana dia mihevitra fa fomba fiteny ara-baiboly tsotra fotsiny io."
Olona fahatelo: "Fony mbola tanora aho, dia nihevitra mazava tsara ny momba ny afobe - lelafo maro sy devoly iray misy tandroka sy ny fitrebika lehibe. Saingy lasa zatra an’izany aho, toy ny mahazatra amin’ny hevitra dadabe noely."
Olona faha-efatra: "Aleoko tsy mieritreritra momba izany ..." 
 Olona faha-dimy: "Tsy mba nieritreritra izany velively aho, afa-tsy ny nahita izany tany amin’ny “Opéra” na tany amin’ny teatra."
Olona fahenina: "Heveriko fa tany hay lehibe mandoro izany, ary tsy misy fiadanana mihitsy. Mieritreritra aho fa tena misy izy io, nefa tsy ao anatin'ny tany. Saingy satria nisy nametraka antsika teto an-tany, dia afaka nanokana toerana ho antsika izy ho amin’ny aorian’izay ».
Olona fahafito: "Ny afobe dia toerana mampanjoretra mihiboka, mitovitovy amin'ny fonja. Tsy voatery ho any anatin'ny lelafo izy io. Fa toa fampijaliana ara-panahy kosa. Heveriko fa toerana tena misy izany, na dia tsy voatery ho any ambany aza izany – toy ny lanitra koa tsy any ambony."

Maro ireo eritreritra tsy hita fototra momba ny afobe hitantsika teo, saingy saika tsy misy fahalalàna marina. Azo heverina fa ny ankamaroan'ny olona dia haka toerana eo amin'ireo "tsy te-hieritreritra momba izany"!
Maro ny mpahay teolojia ankehitriny no tsy mino ny "afobe" araky ny heviny ara-bakiteny.. Ka hoy ny iray tamin'izy ireo: "Ny tena fototry ny helo dia ny fisarahana amin'Andriamanitra, tsy fampijaliana tena ara-batana, fa fampijaliana ara-tsaina."
Ny iray hafa dia mamaritra ny helo ho "fepetra momba ny fisian'ny olombelona".
Nilaza ny minisitry ny fivavahana iray fa ny helo dia "fahaverezan'ny serasera, ny tsy firaharahana ny soatoavina ara-panahy, ny fahatsapana ny hoe hatraiza no nidabohantsika ao ambanin’ny fahaizantsika, ny fahatsiarovana ny zavatra sasany nataontsika. "
Tena fisafotofotoana mampalahelo izany!
Moa tsy fotoana tokony hianarana ny FAHAMARINANA arak’izay hita ao amin'ny Baiboly ve izao?

"Afobe midedadeda"

 Saika ny rehetra no misaina ny iray amin'ireto hevitra roa mifanipaka momba ny "afobe" ireto. Misy vondrona an-daniny mandà an-kitsirano ny fisiany. Lazainy fa finoanoam-poana taloha, izay tsy misy ifandraisany amin'ny fiainana môderina izany.

Ny vondrona an-kilany, ao anatin'izany ny ankamaroan'ireo izay antsoina hoe mifototra amin'ny Baiboly, dia mihevitra fa ny afobe dia toerana mahatsiravina iray izay misy fampijaliana tsy an-kiato; izay hanjakan'ny devoly ary falifaly ery ireo demoniany manendy ny mpanota, sahala amin'ny saosisy an-tapitrisa maro mitohitohy eo ambonin'ny vy fitonoana! Misy ranomaso mangidy any, toloko, kiakiaka ary ompa avy amin'ireo olona eo amin'ny fara-tampon'ny fanahiana lehibe - dradradradra sy horakoraka mankarenin-tsofina avy amin'ireo izay tafalentika any amin'ny fampijaliana mandrakizay – arak’izany famolavolana izany.

Toy izao no namintinan'ny Rakipahalalana Amerikana (Encyclopedia Americana) fohifohy io finoam-bahoaka io: "Araka ny fiheveran'ny besinimaro, ny afobe dia fonenan'ireo fanahy ratsy; ny toeran’ny helo…izay andehanan’ireo fanahy very sy voaozona ho any amin’ny afobe mba hiaritra ny fampijaliana tsy hay lazaina ary ny sazy mandrakizay... 

Ny sasany dia nieritreritra izany ho toerana noforonin'Andriamanitra, izay hanasaziana amin'ny fomba henjana tsy azo ihodivirana, mandritry ny mandrakizay, ny fanahin'ireo izay, vokatry ny tsy finoan'izy ireo an’Andriamanitra, na ny fiankohofana amin'ireo andriamanitra tsy izy, dia nahatezitra Azy. Izany dia toerana ampiharana ny valifatin’Andriamanitra, amin'ny heriny rehetra ary ho mandrakizay. Izany no fiheveran’ny ankamaroan'ny kristiana, na katolika na protestanta. Izany ihany koa dia hevitra izay nampidirina tao anaty foto-pinoana Mozolomana. . . 

Ny toetra mampiavaka ny helo, izay asehon'ny teolojiana “Hindou” na Persiana, Egyptiana, Grika ary Kristiana dia mitovy amin’ny ankapobeny. "(Notsoahina avy tamin'ny lahatsoratra momba ny" helo "; izahay no nandika sy nanipika mandritra ity lesona ity.)
Fa ahoana no hinoan' ny olona an’izany zavatra izany? Avy taiza ary tamin’iza no nahazoany izany hevitra mahazatra izany?

Avy tamin’ny mpanompo sampy


Nisy mpitondra fivavahana malaza sasany tamin'ny Moyen Age namela asa soratra sy fampianarana izay ninoan’ny olona eran'izao tontolo izao ka nanjary lasa foto-pinoana ekena eran'izao tontolo izao izay nilaza-tena fa Kristiana. Ny roa tamin'ireo mpanoratra izay nahasarika olona be dia be dia i Augustin (345-430 tar JK) sy Dante Alighieri (1265-1321 tar JK) Augustin dia nijoro tamin'ny famakafakàna fa tsy maintsy fa ndiovina mandritry ny fotoana fohy ireo fanahy tsy lavorary ao amin’ny afo fandiovana. Izy, sy ireo olona nanam-pahefana hafa tao amin'ny Fiangonana izay nilaza am-pahibemaso fa Kristiana, dia voataon’ny foto-pinoana talohan'ny Kristianisma - ny an'ny filozofa mpanompo sampy taloha (jereo Encyclopaedia Britannica, andiany faha-11, ao amin'ny lahatsoratra "Purgatoire").
Nanplanina tononkalo fanta-daza iray i Dante izay mitondra ny lohateny hoe la divine Comédie izay misy fizarana telo: ny Helo, ny Afo Fandiovana ary ny Paradisa. Araky ny nolazain'ilay mpanoratra môderina iray azy, "Amin'ireo poeta rehetra amin'ny andro môderina, dia i Dante Alighieri no angamba mpanabe lehibe indrindra. Mety ho izy no nanana fitaomana lehibe indrindra amin'ny fizotry ny sivilizasiona noho ny olon-kafa hatrizay niainany... Nanoratra izy, tamin'ny tonon-kalo saiky tsy takatry ny saina, tantara noforonina sady mahatsiravina momba ny afobe mahatsiravina. Izany dia tononkalo lava misy fehezanteny vitsivitsy izay mitazona ny fisainan'izao tontolo izao, toy ny hoe:"Ianao izay miditra eto, dia afoizo ny fanantenana rehetra!" Nisy fiantraikany lehibe teo amin'ny fisainana sy ny fampianarana ny vahoaka Kristiana izany. Ny "Helony "dia nifototra tamin'ny hevitr'i Virgile sy i Platon (Dante and his Inferno).
I Dante dia voalaza fa tena voasintona mafy tamin'ny foto-kevitry ny filozofian'ny mpanompo sampy toa an'i Platon sy Virgile izay ninoany fa notarihin’Andriamanitra.
Iza moa i Platon sy Virgile?
Virgile, poeta latina mpanompo sampy, 70-19 tal JK, dia nisy nikambana tamin'ny sekolim-pirenena momba ny fisainana Romana mpanompo sampy, izay voataonan’ny mpanoratra grika. Ny kristiana tamin’ny Moyen Age, anisan'izany i Dante, dia nino fa nahazo fitarihan’Andriamanitra manokana izy.
Platon, teraka tao Atena, any Gresy, tamin'ny taona 427 Tal JK, dia iray amin'ireo mpianatr'i Socrate, ilay filozofa tena fanta-daza. Ny asa-soratra malazan'i Platon, antsoina hoe Le Phédon, dia nampianatra ny fanahy tsy mety maty, izay fototry ny foto-pampianaran'i Dante momba ny helo mandrakizay izay hanamelohana ny "fanahin'ireo ratsy toetra" mandrakizay.


Araka izany, dia tsapa fa ny fieritreretan'olombelona momba ny "helo" dia vokatry ny famoronan’ny eritreritra - ny fandinihan’ny mpanompo sampy – avy amin’ny olona sasany izay nanontany tena momba ny hiafaran'ny ratsy fanahy.
Inona no hiafaran’ny olona an'arivo tapitrisa maro?

Alohan'ny handinihana ny Baiboly mba hahitana raha mety ho marina ny fisainana momba ny helo, andao hodinihina iza y hitondran’izany antsika raha marina ireo… Eto an-tany dia misy olona mihoatry ny telo arivo tapitrisa sy tapany. Ny tany be mponina indrindra dia i Shina, i India ary ny faritra hafa sasany any Azia. Saingy, na teo aza ny ezaka ataon'ireo misionera tandrefana, dia ny antsasaky ny rehetra monina eto ambonin'ny tany dia tsy mbola naheno akory ny anarana tokana ahafahan'ny olona ho voavonjy (Asa.4:12) – ny an'i "Jesosy- Kristy". Misy olona an'arivo tapitrisa maro efa niaina sy maty tsy nahalala zavatra momba ny "famonjena" "- tsy mbola nahita Baiboly mihitsy.

Diniho ny dikan’izany ... Raha ireo rehetra " tsy voavonjy" no tonga dia miandeha any amin'ny afo midedadedan'ny afobe aorian'ny fahafatesany, amin'ity tranga ity, maherin'ny antsasaky ny olona izay niaina hatramin’izay dia nomelohin'ity sazy mahatsiravina ity nefa tsy mba afa-nandositra izany!
Afaka mino tokoa ve ianao fa ilay Andriamanitra be fitiavana, be famindram-po, manana fahendrena ambony indrindra , dia hanao toy izany mba hanatanterahana ny tanjony eto an-tany eto?
Inona ary no marina?

Manana ity safidy manaraka ity isika eo anoloantsika: na ny Mpamorona dia manambara ny fahamarinana amin'ity lohahevitra ity ao amin'ny Teniny ara-tsindrimandry, na tsy maintsy hanainga sandry any an-danitra isika ary miaiky fa tsy haintsika fotsiny izany. Na isika mino izay lazain'ny Baiboly, na tsy maintsy - raha mieritreritra sy manao ny marina isika - miaiky ny tsy fahalalantsika.
Inona marina no lazain'Andriamanitra, ao amin'ny Baiboly, momba ny "helo"? Mety ho gaga ianao! Aza hadino ihany koa ny mamaky ny andinin-tSoratra Masina rehetra omena amin'ity lesona ity, mba hanaporofoana ny fahamarinana avy ao amin'ny Baiboly amin'ny famakiana izany amin'ny masonao mihitsy.

LESONA 6

NIRESAKA MOMBA NY "AFOBE" I KRISTY


1. Inona no nolazain'i Kristy momba an'ireo tsy mety miala amin'ny ota? (Marka 9: 43-47).

FANAMARIHANA: ny teny hoe "géhenne" dia teny frantsay. Rehefa noraketin'i Marka ireo teny nolazain'i Kristy, dia nosoratany tamin'ny teny grika izany. Ny teny grika nadika hoe "gehena", izay nosoratan'i Marka teo ambany tsindrimandrin'Andriamanitra, dia gehenna. Satria, ao amin'io andininy io, dia nilaza i Kristy fa ny mpanota dia tsy maintsy mandeha any "amin'ny helo, dia any amin’ny afo tsy azo vonoina", dia midika izany fa izay mandeha any amin'io toerana io dia ho saziana amin'ny afo.

Nampifandraisin'i Kristy tamin'ny afo ny teny grika hoe gehenna.



2. Inona no nolazain'i Kristy ao amin'ny Marka 9:46 mba hanamafisana izay nolazainy ao amin'ny andininy 44?

FANAMARIHANA: i Marka dia nampiasa ny teny grika hoe gehenna, eto amin'ny andininy faha-46, izay nampiasainy koa tao amin'ny andininy faha-44. Ny mpandika ny Baiboly dia nisafidy ny teny malagasy hoe "afo tsy vonoina" mba handikany an'io teny grika hoe Gehenna io. Mbola hianatra bebe kokoa momba ny tena dikan'io teny io isika any aoriana.

3. Ahoana no nanamafisan'i Kristy izay nolazainy momba ny "helo"? Marka 9:47.

FANAMARIHANA: ny teny Grika nampiasain’i Marka tamin'io andininy io dia gehenna indray. Milaza mazava ny afo izany.
Ny hevitra telon'ny teny hoe "helo"

Ny mpianatra Baiboly rehetra dia mahafantatra fa ny Testamenta Vaovao dia nosoratana tamin'ny teny grika. Raha ny tena izy, dia misy teny grika telo samy hafa, izay matetika adika hoe "fiainan-tsy hita", "fasana", na "helo", izay manana dikany samihafa be. "Ny fiainan-tsy hita", na "ao anatin'ny tany", izay nitoeran'i Jesosy nandritry ny telo andro sy telo alina (Mat. 12:40) taorian'ny nanomboana azy teo amin'ny hazo fijaliana; dia nadika avy tamin'ny teny grika hoe hades izay midika fotsiny hoe "lavaka" na "fasana" fotsiny. Vokatr'izany, ny toerana izay nalehan'i Jesosy dia fasana tsotra fotsiny, fasana nolavahana tamin'ny vatolampy, izay nandevenana Azy. 

 Ny teny grika faharoa, izay adika hoe "helo, dia ny"tartaros". Indray mandeha monja no ampiasàna io ao amin'ny Baiboly (ao amin'ny 2 Pet 2:4), ary tsy milaza afa-tsy ny toetry ny anjely lavo. Io teny io dia tsy misy ifandraisana amin'ny olona mihitsy.

Ny teny grika fahatelo, manondro toeran'ny fanasaziana olona, dia gehenna; izay nahazoana ny teny hoe "gehena". Ny teny grika, araka ny fiaiken'ny manam-pahefana rehetra, dia avy amin'ny anaran'ny lohasaha tery misy haram-bato atao hoe Hinnom izay any ivelan'i Jerosalema. Izany toerana izany dia fandoroana fako tsy an-kiato. Ny fako, ny zavatra maloto ary ny fatin’ny-biby sy ny olo-meloka tebahina dia natsipy tao anaty afo tao Géhenne – tao amin’ny lohasahan’i Hinnom. Matetika, ny zava-drehetra nariana tao amin'ity lohasaha ity dia levon'ny afo - LEVONA TANTERAKA.

Tamin'izany fotoana izany, ny lohasahan'i Hinnom, mirehitr’afo tsy anki-janona, dia mampahatsiahy ny sazy ho avy ho an'ny olon-dratsy. Tsy mahagaga raha nampiasa ilay teny hoe "Gehenna" i Jesosy sy ny Apostoly mba hilazana ny anjara mampatahotra izay miandry ny mpanota tsy mibebaka.
Noho izany, ireo teny grika telo ireo, dia matetika asehon'ny baiboly amin'ny fombam-pitenenana hoe"fiainan-tsi-hita", na indraindray aza "afobe". Ao amin'ny Testamenta Taloha, izay nosoratana tamin'ny teny hebreo, dia hita ny teny hoe sheol (matetika adika hoe "fiainan-tsi-hita" na "fasana"), izay mifandraika amin'ny teny grika hoe hades, midika hoe "fasana" na "lavaka". ' Ka noho izany, rehefa miresaka momba ny helo ao amin'ny Testamenta Vaovao isika, dia tokony hitadidy ny fisian'ireo dikany telo samihafa ireo.

Aiza no halehantsika aorian'ny fahafatesana? Tao amin'ny lesona teo aloha, dia nianarantsika fa ny olona iray, aorian'ny fahafatesany ary ny fandevenana azy ao am-pasana, dia tsy mahalala na inona na inona (Mpito.9:5). Milevina ao fotsiny izy, mandry fehizay ary mangina, toy ny "matory" tsy mahalala velively izay manodidina azy.
Andeha hojerena vetivety izany fahamarinana lehibe izany.
1. Inona no hiatra amin'ny olona sy ny biby? (Mpito. 3:19). Hankany amin’ny fitoerana iray ihany ve izy rehetra rehefa maty? Andininy 20 sy Genesisy 3:19.


FANAMARIHANA: Efa mba naheno resaka momba ny biby mankany amin’ny "helo" mba hampijaliana any ve ianao? 2. Araka ny nolazain'Andriamanitra, mandeha aiza ny olona rehefa maty ? Mpito. 9: 10. Fantatr'i Joba ve fa handeha ho any am-pasana izy - ny fiainan-tsi-hita - aorian'ny fahafatesany? Joba 17:13.

3. Notendrena ho faty indray mandeha ve ny olon-drehetra? Heb. 9:27. Moa ve ny 1 Korintiana 15:22 manamafy izany? Moa ve Kristy nandray ny nofo aman-drà mety maty izay mitovy amin'ny namoronana antsika? Heb. 2:14. Ary moa ve tsy voatery niditra koa tao am-pasana toy ny olona hafa mety maty izy? Azafady jereo indray ny Asa 2:31.

FANAMARIHANA: Ny teny grika tany am-piandohana ao amin'ny Asa 2:31 dia hades izay, araky ny efa fantatrao ankehitriny, dia midika hoe "fasana". Ny "fanahy" (izany hoe ilay vatan'i Jesosy) dia tsy “tsy mba tratry ny lò” ary tsy mba nihintsana mihintsy tany am-pasana satria natsangana tamin'ny andro fahatelo i Jesosy.

Na izany aza, ny mpahay teolojia sasany dia manohana ny fomban-drazana izay milaza fa i Kristy dia nandeha nitory teny "tamin'ireo fanahy tany an-tranomaizina" (1 Pet 3:19) raha tany amin'ny "helo" izy. Diso tanteraka ity hevitra ity. Ny andininy faha-20 dia mampiseho mazava fa ireo izay notorian'i Kristy (nifandraika tamin'ny fihetsik'izy ireo nikomy teto an-tany) dia fanahin'ny demonia ary nanao izany tamin'ny andron'i Noa - izany hoe, tamin'ny fotoana niainan'i Noa! Io andininy io dia tsy miresaka mihitsy ny amin'ny telo andro sy telo alina izay nilevenan'i Jesosy, maty, tao am-pasany.



Natsangana ho amin'ny "fitsarana"


Mety ho efa naheno angamba ianao hoe ny mpanota dia mandeha avy hatrany, aorian'ny fahafatesany, any amin’ny fampijaliana amin’ny “afobe” midedadeda. Midika izany fa voaheloka ho any amin’ny "afobe" izy ireo alohan'ny hitsarana azy sy hanamelohana azy amin'ny fomba ofisialy. 1. Rahoviana no hotsaraina ny maty? Jaona 5:28-29.
FANAMARIHANA: Nilaza i Kristy fa ny fitsarana ny mpanota maty, izay any amin'ny fasany ankehitriny, dia hatao amin’ny ho avy."Avy ny andro", hoy i Jesosy. Raha izany, ahoana no fomba hahazoan'izy ireo ny saziny ankehitriny nefa mbola tsy notsaraina izy ireo? Mazava fa mifanipaka ireo hevitra roa ireo.
Rahoviana no hotsaraina ny maty? Miharihary fa rehefa avy nivoaka avy tao am-pasana izy ireo, mandritry ny fitsanganany amin'ny maty.

2. Raha mbola any amin’ny fasany izy ireo - mandra-pahatongan'ny andro fitsanganany amin'ny maty - moa ve ireo efa tsapa fa " tsy marina" dia hatokana ho amin'ny fotoana fanamelohana sy fanasaziana ho avy? 2 Pet. 2:9.
 
3. Moa ny Apokalypsy 20:13 koa ve dia manaporofo fa tsy maintsy hisy ny fitsanganana amin'ny maty fitsarana amin’ny fotoana ho avy.

FANAMARIHANA: Mariho tsara fa ireo izay ao anaty fasana rano ("ny ranomasina") dia tsy maintsy hatsangana amin'ny maty, ary ireo izay novonoina tamin'ny fomba hafa ary tsy nalevina dia tsy maintsy hitsangana koa; dia hitovy, amin'izay fotoana izay, amin'ireo izay ao anaty fasana nolavahana tamin'ny tany ("ny fiainan-tsi-hita" - eto, ny teny grika dia hades)

Araka izany, na aiza na aiza misy azy ireo, ireo mpanota rehetra izay maty eto an-tany na any anaty ranomasina dia hatsangana amin'ny maty amin’ny ho avy ho amin'ny "FITSARANA". Io no fotoana hanamelohan'Andriamanitra azy ireo amin'ny fomba ofisialy.
Tsy misy olona ao anaty "afobe", mitsambikina eo ambony vainafo midedadeda ary midradradradra noho ny horohoro, iharan’ny fampijaliana. Tsy mbola tonga ny fotoana izay hitsarana sy hanamelohan’Andriamanitra ireo olon-dratsy. Mazava ange izany ê !
Miresaka bebe kokoa an'ity lohahevitra ity izahay amin'ny boky zaraina maimaim-poana hafa. Aoka ho ampy ny milaza, amin’izao fotoana izao, fa ny Baiboly dia maneho mazava fa ny fotoana hamaliana ny ratsy fanahy dia AMIN’NY HO AVY. Ny hevitra milaza fa "ny fanahy ratsy dia mijaly mafy amin’izao fotoana izao any amin'ny afobe midedadeda dia laingan’ny mpanompo sampy.

Ny fahafatesana amin'ny afo

Inona no sazy farany - "tamby" na fanonerana – noho ny ota? Moa ve fiainana mandrakizay misy fampijaliana - sa fanadinoana mandrakizay? Inona no anjara natokana ho an'ireo ratsy fanahy? Io fahamarinana io dia ataon'ny Baiboly mazava tsara.
1. Inona ny "tambin'ny ota"? Rom. 6: 23.
FANAMARIHANA: "Fa fahafatesana no tambin'ny ota." Ny fahafatesana dia mifanohitra amin'ny fiainana. Vokany, ny karama farany izay ho azon'ireo ratsy fanahy tsy mety hanarina dia ny fahataperan’ny fiainana tanteraka fotsiny ihany.

2. Inona no fampitandremana nomen'i Paoly momba ny fitsarana na fanamelohana izay hamely ireo izay mahalala ny didin'Andriamanitra, ary efa nanandrana ny fomba fiainan’Andriamanitra, nefa ninia nanota? Heb.10:26-27. Moa ve ireo olona ireo hanohy hiaina ao anatin'ny fampijaliana, mitsofoka anaty afo, sa izy ireo "ho lany" amin’ny afo mirehitra ? Andininy 27. Ho hitanao fa io fitsarana io dia hiatra amin'ny olona manota an-tsitrapo.

3. Moa ve nampitahain'i Jesosy amin'ny hazo tsy mamoa "voa tsara" ireo minisitra sandoka izay tsy mamokatra asa tsara? Mat.7:15-19. Inona no nolazainy fa hitranga amin'ny olona toy izany? Andininy 19. Ny kitay nalefa tao anaty afo ve dia natao hampijaliana, sa ho levonina? Nohazavain'i Kristy ve fa ireo izay tsy mamoa voa tsara dia hatsipy ao anaty afo toy izany? Mat.7:17-19.

4. Inona no nambaran'i Kristy tamin'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo tsy nibebaka tamin'ny androny? Mat.23:33. 
FANAMARIHANA: Ny teny grika tany am-boalohany nadika eto hoe "gehena" dia gehenna – izay lohasahan’ny Hinnom. Kristy dia nampiasa ny afo nandevona ny fako tany amin'ny Lohasahan'ny Hinnom ho tandindon'ny anjara farany – ny fandringanana tanteraka - ny ratsy fanahy amin'ny afo. Ireo mpitondra fivavahana nikomy sy mafy loha ireo dia afaka nahatakatra ny fampitahana izay nampiasain'i Kristy. Fantatr'izy ireo fa norahonana tamin’ny fandringanana tanteraka izy ireo, toy ireo fako.

5. Inona no fampitandremana nomen'i Kristy momba ny hiafaran'ireo izay tsy mibebaka amin’ny fahotany? Lioka 13:3.
FANAMARIHANA: "Ringana" dia midika hoe mitsahatra ny fiainana; io teny io dia tsy midika hoe manohy miaina. Andriamanitra dia tsy nandidy fiainana misy fijaliana mandrakizay ho an'ny mpanota tsy azo anarina.
Ny sazy ambaran'ny Baiboly dia ny fahafatesana, izany hoe ny fahataperan'ny fiainana mandrakizay. Ny fiainana mandrakizay dia zavatra tsy niara-teraka tamintsika. Izany dia fanomezana homen'Andriamanitra mandritry ny fitsanganana amin'ny maty ho an'ireo izay mankatò Azy. Manerana ny Baiboly, ny fiainana mandrakizay sy ny fahafatesana mandrakizay dia tsy mitovy.

6. Nasehon'i Kristy tao amin'ny fanoharana mikasika ny tsimparifary ve fa hisy fijinjana amin'ny ho avy? Mat. 13:30. Nilaza ve Izy fa ireo ratsy fanahy - "ireo tsimparifa ry" – dia hodorana aorian'izay? Andian-tsoratra mitovy.
FANAMARIHANA: Tao amin'io fanoharana io dia nampitahain'i Kristy tamin'ny "saha" ny tany (andininy 24), ny mpankatò nohariny tamin’ny "vary" (andininy 25-29) ary ny tsy mpankatò tamin'ny "tsimparifary" (andininy 25, 29- 30).

7. Asehon’ny Salamo 37:20 koa ve fa ny fa ny anjara farany ho an’ny ratsy fanahy dia ny fahalevonana amin’ny afo? Moa ve hisy andro hidedadeda toy ny memy handoro tanteraka ny ratsy fanahy ?Malakia 3:19. Inona no ho sisa amin'izy ireo? Ratsy. 3:21. Iza no handoro tanteraka ny olon-dratsy: Satana sy ny demoniany, na Jehovah Andriamanitra? Andian-tsoratra mitovy. 
FANAMARIHANA: ny "fatana fandoroana" resahin'ny Baiboly dia ho an’arivo degrea maro ny hafanany, MANDORO KOKOA noho ny "afon’ny helo" an’eritreritra, izay resahan'ny ankamaroan'ny mpitory teny - izay tsy manana hafanana ampy handoroana fa mba ho fampijaliana fotsiny. Ny "fatana fandoroana" ara-Baiboly dia handevona tanteraka ny tsy mpankato tanteraka. Tsy hiverina ho velona intsony izy ireo.

Ny Baiboly dia maneho mazava fa ireo izay nahalala ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra ary mbola tsy manaiky ny hankato izany, na minia tsy mankatò, dia hijinja ny tambin'ny ota - fahafatesana mandrakizay (Romana 6:23). Io andalan-tSoratra Masina io dia manambara tsara izay lazainy. Ny fiezahan'ireo teolojiana marobe hanazava ny fahafatesana amin'ny fahalàlany azy sy ny hivaofy izany ho toy ny "fisarahana fotsiny amin'Andriamanitra" dia tsy afaka hifanaraka amin'izay lazain'ny Soratra Masina. Mazava fa ny fahafatesana dia tsy midika hoe "fiainana mandrakizay" any amin'ny fampijaliana mahatsiravina ao amin’ny"afobe" mandrakizay.

Tsy misy afa-tsy ny rain'ny lainga - i Satana devoly - no namorona an'io fitaka avy amin’ny mpanompo sampy io (Jaona 8:44). Raha nino ny fampianarany tamim-pahatsorana hatramin’izay, ary niaritra fijaliana ara-tsaina noho izany, dia misaora an'Andriamanitra fa namoha ny sainao hahatakatra ny fahamarinana Izy !

Inona moa ilay "farihy afo"? 

Amin’izao fotoana izao no hambara amintsika ny zavatra tena mahaliana…Inona moa izany afon’ny gehena izay handevona ny ratsy fanahy izany ? Rahoviana ary aiza no hisy izany ?
Adinoy daholo ny hevitra taloha izay nasaina ninoanao taloha. Ankehitriny dia vakio ao amin’ny Baibolinaéo izay ambaran’Andriamanitra, satria ny « fatana fandoroana »any amin’ny afobe dia tsy mbola misy akory

1 .-Moa ve ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpandainga – izany hoe ireo rehetra mandika ny didin’Andriamanitra – dia « hanana ny anjarany ao anatin’ny farihy mirehitra afo sy solifara » ? (Apok. 21:8)
FANAMARIHANA : Efa hitantsika teo aloha fa ny afon’ny gehena no anjaran’ireo ratsy fanahy. Azo oharina amin’ny farihy mirehitra afo ny lelafo midedadeda. Izany no antony hilazana fa io afo goavana io dia lazaina fa « farihy mirehitra afo ».

2°.-Hitarika ny « fahafatesan »’ny ratsy fanahy ve izany ?Jereo indray ny Apok. 21:8. Karazam-pahafatesana inona no ho vokatr’iazany ? Andininy mitovy.
FANAMARIHANA : Ny olombelona nofo aman-drà dia maty indray mandeha monja (Heb 9:27), satria mihe-reraka izy. Saingy raha misy olona maty amin’ny fahafa tesana fanindroany, dia satria notsarain’Andriamanitra fa meloka izy noho ny tsy fanekeny maharitra sy ny fikomiany tsy azo anarina. Ny fahafatesana faharoa dia ho mandrakizay.

3. Manaporofo ve ny Apokalypsy 20: 13-14 fa izay rehetra tsy mety hanarina dia hatsipy ao anatin'ity farihy mirehitra afo ity, tsy izao, fa aorian'ny fitsarana ho avy? Hatsipy any amin'ny farihy mirehitra afo ve ny olombelona mety maty izay tsy manana ny anarany voasoratra ao amin'ny bokin'ny fiainana (mandrakizay)? Andininy 15.

4. Rahoviana no hanomboka ny farihy afo? Amin’ny Fiavian'i Kristy Fanindroany ve? : Apokalypsy. 19:20. Moa ireo fahavalo roa lehibe an'ny Kristy ve dia hatsipy any amin'io fotoana io ? Andininy mitovy.

5. Hafiriana no haharetan’izany afo izany? Mat. 25:41.
FANAMARIHANA: Amin'ny teny grika, ny teny hoe "mandrakizay" dia aionion; io dia avy amin'ny foto-teny hoe aion, izay matetika midika hoe "taona". Amin'ity tranga ity, ny dikany marina dia hoe "afo maharitra an-taonany". Ity farihy afo ity dia hirehitra mandritry ny faharetan'ny Fanjakana Arivo Taona manontolo - fe-potoana hanjakan'i Kristy.
Mandritry ny vanim-potoana hanjakan'i Kristy sy ireo olo-masiny, ny lohasahan'i Hinnom dia hotehirizina indray hirehitra, ary ireo ratsy fanahy tsy azo anarina izay mikiribiby mikomy amin'ny lalàn'Andriamanitra dia HATSIPY AO amin'ity “farihy afo” ity "ho vavolombelona hentitra amin'ny tontolo rehetra sisa (Isaia 66:24).

6. Rehefa elabe aorian’ny Fanjakana Arivo Taona, moa ve ny lelafon’ny "farihy mirehitra afo" dia hanadio ny endriky ny tany, izay hirehitra mandritry ny famonoana lehibe eran'izao tontolo izao? 2Pet 3:10. Moa ve ho levona ny zava-drehetra noforonin'ny olombelona, ary koa ireo tsy nahazo famonjena sy fiainana mandrakizay noho ny fikomiana niniana nataon'izy ireo hanohitra an'Andriamanitra? 2Pet 3:10 ; Apok.20:15.

FANAMARIHANA: Hita eto ny fitantaran'Andriamnitra – fa tsy avy amin'olona – ny sehon’ny hoe "fatana fandoroana any amin’ny afobe ". Mbola ho avy izany - tsy mbola tonga izany. Tsy misy na aiza na aiza ao amin'ny Baiboly miresaka momba ny "fanahy" midina any ambanin'ny tany ao anaty "fatana fandoroana any amin’ny afobe", na fampijaliana mandrakizay. Ny Baiboly kosa dia mampiseho fa ny olombelona rehetra tsy azo anarina sy ny asany dia ho ringanina indray mandeha monja ho mandrakizay. Ny fampianarana hafa rehetra mifanohitra amin’izany dia nampitain'ny mpanompo sampy.

7. Moa ve ny ratsy fanahy hataon'ny afo lasa lavenona ve, afo izay hanimba ny endriky ny tany manontolo? Malakia 3:19. Mety hampijaliana mandrakizay ve ny lavenona? Tsia, mazava ho azy! Ny fahafatesana niaretany dia ho famaizana mandrakizay, fa tsy sazy mandrakizay amin'ny endrika fampijaliana. " Fa fahafatesana no tambin'ny ota" (Romana 6:23), fa tsy fiainana mandrakizay ao amin'ny fatana fandoroana any amin’ny afobe.



8. Inona no dikan'ny hoe: " « Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita dia natsipy tany amin'ny farihy afo"? Apok.20:14

FANAMARIHANA: ny teny grika tany am-boalohany izay nadika teto hoe " fiainan-tsi-hita " - ary amin'ny dikan-teny sasany, "afobe" - dia hades. Ny mpanota tsy mibebaka ihany - ireo izay mandà ny hankatoa an Andriamanitra - no mbola ho mety maty amin'ny andro fitsanganana. Tsy hisy olon-kafa izaymbola ho mety maty. Vokatr'izany, dia tsy hisy intsony ny fahafatesana sy ny fasana rehefa mandevona ny endriky ny tany manontolo ny farihy afo.
 
9. Inona no anjaran'i Satana amin'ity " fatana fandoroana any amin’ny afobe " ho avy ity? Apok.20:10.
FANAMARIHANA: Hatsipy ao anatin'ny farihy afo sy solifara koa i Satana, izay handringana ny olombelona tsy mety hanarina rehetra. Na izany aza, satria fanahy izy,dia tsy ho fongotry ny lelafo (jereo ny Lioka 20:36).

Mariho tsara fa ho ao amin'ny "farihy mirehitra afo" i Satana. Ny anjara asany dia tsy ny hampijaly olona, araky ny filazan'ny foto-pampianaran'ity tontolo ity. Ny Apokalypsy 20:10 dia mampiseho fa i Satana mihitsy no HAMPIJALIANA andro aman'alina, "MANDRAKIZAY MANDRAKIZAY." Haharitra mandrakizay ny fampijaliana azy ; nefa io afo io dia tsy hitovy amin'izany, izay haharitra fotsiny raha mbola misy fitaovana azo dorana ao. Mbola hitohy mandrakizay ny fampijaliana an'i Satana amin'ny endrika fahorian-tsaina vokatry ny fahitany fa levona daholo izay rehetra antony niadiny, izay rehetra natsangany, ary izay rehetra nataony, ary ho diovina amin'ny afo ny tany.

10. Mbola ao anatin’io afo io ve ny “bibidia” sy ny “mpaminany sandoka”? Apok. 20:10. FANAMARIHANA Ireo olona roa maty ireo dia efa naringana mihoatry ny arivo taona talohan'ny fotoana izay nanipazana an'i Satana tenany ao amin’io farihy afo io. Ny fehezanteny manaraka hoe "hampijalina andro aman'alina mandrakizay mandrakizay ireo" dia manondro an'i Satana sy ny demoniany. Voalaza koa izany ao amin'ny Joda 6 sy 13 io, fa mikasika ireo anjely nanota.

Tsy ho faty ve ny afon’ny helo? 

1. Moa ve i Jaona Mpanao Batisa niresaka «afo tsy mety maty»? Mat. 3:12; Lioka 3:17.

2. Nanambara ve i Jesosy fa tsy ho faty mihitsy ny afon’ny Gehena? Marka 9:48. (Tsarovy fa ny teny Grika nadika hoe "helo" - na “afo tsy vonoina” - ao amin'ny andininy 44, 46 ary 47 dia gehenna).
FANAMARIHANA: Mba hanamafisana misimisy kokoa izany, dia namerimberina io fanambarana io in-dimy i Jesosy. Vokatr'izay, dia noheverin’ny olona, tsy am-pieritreretana fa "ny afo tsy vonoina " (and. 44) dia afo misy fampijaliana efa nisy nandritry ny taonjato maro ary hitohy hirehitra mandrakizay.
Voaporofo ary fa diso tanteraka io hevitra io. Mariho ny fanazavan'Andriamanitra manokana momba ny "fatana fandoroana any amin’ny afobe" izay tsy mety maty.

3. Moa Andriamanitra ve efa nampitandrina ny vahoakan'i Jerosalema (2 500 taona mahery izay) fa handrehitra afo tsy mety maty eo am-bavahadin'ny tanàna Izy? Jer.17:27 . Fa inona kosa no tokony hataon'ity afo ity ao amin'ny lapan'ny tanàna? Andian-tsoratra mitovy.
FANAMARIHANA: Nitranga izany afo izany taona vitsivitsy taty aoriana, ary nandrava ny trano rehetra tao Jerosalema (Jer.52:13). Koa satria Andriamanitra efa nilaza fa tsy ho faty izany afo izany ary tsy mirehitra izany androany, dia mazava ho azy fa maty ho azy izy, rehefa avy nahatanteraka ny tanjony, izany hoe, rehefa avy nandevona ny fitaovana mora mirehitra rehetra.

4. Inona no sazy nihatra tamin'ny tanàna malaza ratsy sahala an'i Sodoma sy Gomora? Gen 19:24. Moa ve afo, ara-baky teny, no nandringana ny zanak'olombelona? Lioka 17:29. Inona no vakiantsika ao amin'ny Joda 7 mikasika an'io toe-javatra io? Moa ve mbola misy afo mirehitra amin'ireo tanàna ireo, izay naringan'Andriamanitra efa elabe?

FANAMARIHANA: Ny fombam-pitenenana hoe "afo maharitra mandrakizay" izay ampiasaina ao amin'ny Joda 7 dia midika hoe afo izay hita mandrakizay na maharitra ela ny vokany, ary tsy hita miharihary fa afo mirehitra mandrakizay. Rava tanteraka i Sodoma sy Gomora, taonjato maro lasa izay, saingy tsy mirehitra ireo tanàna ireo amin’izao fotoana izao.

Ny afo nandevona azy ireo dia maty ho azy taorian'ny fandoroany ny fitaovana rehetra mety may. Ireo andalan-tSoratra Masina ireo dia manaporofo fa ny "afo maharitra mandrakizay" dia tsy hampijaly ny olona "mandrakizay mandrakizay”

Araka ny efa hitantsika, i Kristy dia niresaka matetika momba ny afo mirehitra tao amin'ny Lohasahan'i Hinnom, any akaikin'i Jerosalema, mba hiresahany ny "fatana fandoroana any amin’ny afobe" (na gehenna) amin’ny farany, izay tsy maintsy handevona ny ratsy fanahy. Saingy maty ve ireo afo ireo? Ny zava-misy dia ny hoe : nirehitra foana izy ireo raha mbola nisy ny fako hodorana. Avy eo dia ho faty ho azy izy ireo.

Tsy maty novonoin'ny olona mialoha mihitsy izy ireo. Maty fotsiny ny lelafo rehefa tsy nisy zavatra hodorana intsony. Toy izany koa ny afo farany ao amin’ny gehena. Tsy ho vonoina izany, fa avela ho faty ho azy eo.

"Ny kankana tsy mety maty" Misy fanambarana mahagaga ao amin'ny Marka 9:48. Raha ny marina, ao amin'ity andininy ity, i Kristy dia niresaka ny kankana iray izay "tsy maty". Tena misy kankana tsy mety maty ve?
Misy ny mihevitra fa kankana no niantsoan'i Jesosy ny olona, ka nanandrana nilaza Izy fa tsy ho faty mihitsy ireo olona ireo, fa mbola hitohy hiaina any amin'ny fampijaliana tsy takatry ny saina. Ireo izay mino io fivoasan-kevitra io dia tsy mahamarika fa izay noresahin'i Jesosy dia ny "kankany". Ka noho izany, ny olon-dratsy tsy mba «kankany» izany...
Inona ary izany "kankana" feno zava-miafina izany, izay tsy mety maty? Mariho izay tena tian'i Jesosy holazaina amin’izany.
Kristy, araky ny fanamarihana eo an-tsisiny amin'ny dikan-teny maron’ny Baiboly, dia mampahatsiahy ny Isaia 66:24, andalana iray momba ny "kankany" - ny kankan’"ny faty" - ( tsarovy ny mamaky io andalana io).
Kanefa, inona moa ny "kankan’"ny vatana mihe-lò? Raha efa nahita fatim-biby ianao, dia mazava ho azy ny valiny. Mba tsy hisalasalàna ny momba an'io resaka io, dia voamarika fa ny diksionera dia mandika hoe kankana fotsy, na olitra, ilay teny grika sy hebreo nadika amin’ny teny hoe "kankana" ao amin'ny Marka 9:48 sy Isaia 66:24.
Raha sendra nihantona voasaringotra teo ambony vatolampy nandondona ny faty iray teo ambonin ny setroky ny afo nandorana ny fako tao amin’ny Lohasahan'i Hinnom, vetivety foana dia rakotry ny olitra fotsy avy amin'ireo atody napetraky ny lalitra. Ireo olitra ireo fotsiny no noresahin’i Kristy raha nilaza izy fa " ny kankany tsy maty ".
Tsy nilaza akory i Jesosy fa ny kankana tsirairay dia mbola mitohy miaina mandrakizay. Raha ny marina, ny kankana - olitra fotsy - avy amin'ny atody, dia mihinana ny nofo ary manohy ny fiainany toy ny endrika kankana nandritry ny andro vitsy monja; avy eo izy dia miofo, ka lasa lalitra amin’ny farany. Tsy maty ny kankana fa lasa lalitra. Aorian'izany, dia maty ny lalitra.

Izany zavatra izany dia fantatry ny mpianatra biolojia rehetra. Ary i Kristy dia na halala izany.
Mifanohitra amin'izany, ny tsy fahazoan'ny olona sasany io fanambarana nataon'i Kristy io dia tokony ho lesona tanjona – izany hoe tokony hitandrina foana ny olona, ka hampiasa ny fahendrena sy fahalalàna fantatry ny besinimaro rehefa mianatra ny Tenin'Andriamanitra. Ny Fanahy Masina dia fanahin'ny fahendrena ("mahonon-tena", "mahay mitsara zavatra" amin'ny dikan-teny sasany) (2Tim.1:7). Ny Baiboly dia boky misy heviny. Hianaro lalandava am-pitandremana ireo andinin-teny mampisy adi-hevitra ireo, ary aoka ianao tsy haka fanapahan-kevitra maimaika loatra izay sady hafahafa no diso .

Ny tantaran’ilay mpanan-karena ratsy fanahy sy Lazarosy mahantra 

 Ny tantara nolazain'i Jesosy momba ilay lehilahy mpanan-karena sy i Lazarosy (Lioka 16:19-31) dia iray amin'ireo andinin-teny manaitra ny saina indrindra nampiasain'ireo izay te-hanaporofo fa misy afon’ny helo mandrakizay.
Inona no lesona tian'i Jesosy hambara amin'ity tantara hafahafa ity? Andeha hodinihina tsara amin'ny an-tsipiriany izany ary ampitahaina amin'ny andinin-teny hafa izay tena mazava.

1. Lazarosy, mpangataka fa marina, moa maty ve izy? Lioka 16:22. Nentin'ireo anjely teo an-tratran'i Abrahama ve izy avy eo? Andian-tsoratra mitovy.
FANAMARIHANA: Raha an'i Kristy isika, Andriamanitra dia manao antsika ho "taranak’"i Abrahama - tahaka ny taranany na zanany - ary lasa mpandova miaraka amin'i Abrahama isika handray ny fampanantenan'Andriamanitra taminy (Gal.3:29) . Isika rehetra dia afaka ny ho tonga "zanak'i Abrahama" amin'ny finoana (Gal. 3: 7). Tena fifandraisana akaiky izany - firaisana akaiky avy amin'ny fomba fijery ara-panahy - miaraka amin'i Abrahama. Hifandray akaiky aminy isika hifampizara ireo teny fampanantenana. Io no hevitry ny andalan-teny milaza fa i Lazarosy ilay marina dia nentina teo an-"tratran'i Abrahama".
Raha izany, rahoviana i Abrahama sy Lazarosy, izay resahina amin'ity tantara ity, no hahita ny fahatanterahan'ny fampanantenana? Ny valiny omen'ny Baiboly antsika dia i Abrahama sy ny olo-masina - ny "taranany" – dia handova ny tany amin'ny fitsanganan'ny marina, amin'ny fotoana hiverenan'i Jesosy Kristy eto an-tany hanorina ny Fanjakan'Andriamanitra. (Amin'ny lesona manaraka, dia handinika bebe kokoa ny resaka lova ara-panahy isika).

2. Ary inona no nanjò ilay mpanankarena mpanota voatonona ao amin'ny fanoharan'i Jesosy? Moa maty koa ve izy? Lioka 16:22. Moa isika mahita azy miandrandra avy eo – izay manondro fa nitsangana tamin'ny maty izy - ary niantso an'i Abrahama mba hanana rano mitete misimisy mba hampangatsiaka ny lelany, satria miaritra ny fampijaliana ara-tsaina izy? Lioka 16:23-24.

FANAMARIHANA: Ny teny hoe "fiainan-tsi-hita", izay ampiasaina eto dia ilay dikan’ny teny grika tany am-boalohany hoe hades, izay fantatsika, fa midika hoe "fasana". Tsy avy amin'ny teny grika hoe gehenna, izay maneho ny farihy mirehitra afo ho avy, izay HANDRINGANA mandrakizay ny ratsy fanahy. Eto, ilay mpanan-karena dia aseho amin'ny fotoana hivoahany avy amin'ny FASANA, mandritry ny fitsanganana amin'ny maty.

I Abrahama sy Lazarosy dia efa nandova ny fiainana mandrakizay ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra (Mat. 25:34). Efa lasa tsy mety maty mandritra ny arivo taona mahery izy ireo, ALOHAN'ny hananganana ilay mpanan-karena ratsy fanahy mba hodorana amin'ny farihy afo (Apok.20:4-5, 15). Vokatr'izany, dia mandra-pahatongan'izany, ilay lehilahy mpanan-karena, maty, dia any am-pasany, nefa tsy nahalala mihitsy ny fandalovan'ny fotoana (Mpito. 9: 5).

Amin'ny fitsanganany amin'ny maty, dia hahita ny lelafon’ny farihy afo manomboka manodidina azy ilay mpanan-karena. Fantany fa handevona azy mandrakizay ny lelafo. Niaritra fialàn’aina ara-tsaina fatratra izy, nangataka rano kely fotsiny izy mba hampangatsiaka ny lelany, izay nanjary maina vokatry ny fanahiany lehibe. Tsy nangataka rano amin’ny koveta izy na rano betsaka hamonoana ny afo, satria fantany fa tsy hahazo ny valin’ny fangatahana toy izany izy.

3. Inona no navalin'i Abrahama an'io lehilahy mpanan-karena io? Lioka 16:25-26. 
FANAMARIHANA: ny "tevana makadiry ajadona" eo anelanelan'izy ireo dia ny fahasamihafana amin'ny mety maty sy ny tsy mety maty. Ireo izay lasa tsy mety maty dia tsy ho faty intsony satria efa naterak'Andriamanitra izy (Apok. 20: 6). I Abrahama sy ilay mpangataka dia ho eo amin’ny andanin'ny tsy mety maty amin'itytevana ity - ilay mpanan-karena mety maty dia ho eo an-kilany, miatrika ny fahafatesana antomotra sy farany amin'ny afo.

Maro amin'ireo izay hohelohina, toa ity mpanan-karena ity, no maniry ny hampitandremana ny ray aman-dreniny (Lioka 16:27-28), satria tsy fantany ny fetrandro lasa hatramin'ny nahafatesany, na ny hoe ny olona hafa rehetra dia efa nanana ny anjarany hahazo famonjena.
Ny fanoharana momba ilay mpanan-karena ratsy fanahy sy i Lazarosy mahantra dia tsy manaporofo fa misy ny fampijaliana mandrakizay ataon’Andriamanitra amin'ny alàlan'ny afo mivaivay. Aleo kosa milaza fa i Kristy dia nampiasa io sary io hanehoana amin’ireo izay nihaino Azy fa misy ny fitsanganan'ny maty, na ho an’ny marina na ho an’ny ratsy fanahy. Jesosy dia naneho ny fitsanganana amin'ny maty ho amin'ny FIAINANA MANDRAKIZAY amin'ny fampitahana azy amin'ny fiafaran'ny ratsy fanahy - ny fitsanganana amin'ny maty sy ny FAHAFATESANA MANDRAKIZAY.

Andriamanitra dia fitiavana sy fahamarinana Koa maninona no betsaka ny olona no manana fiheveran-diso momba ny "helo"? Satria tsy nahalala ny tanjona lehiben'Andriamanitra tamin'ny nametrahany ny olombelona teto ambonin'ity tany ity izy ireo.
Ny tanjon'Andriamanitra ho an'ny olona dia ny hamorona toetra masina sy marina ao amin’ny olona, mba hahatonga azy ho mendrika handray ilay fanomezana sarobidy, dia ny fiainana mandrakizay. Nefa Andriamanitra dia nahary ny olona avy tamin'ny vovoky ny tany, mety maty, ka raha tsy nahomby tamin'ny fampitomboany ao anatiny ny toetra mendrika izy, dia mety ho afaka amin'ny fahoriany amin'ny alàlan'ny fahafatesana.
Andriamanitra dia tsy maniry ny hampijaly na hanenjika ny olona. Andriamanitra dia fitiavana (1Jaona 4:8). Nataony mety maty isika olombelona ho tombontsoantsika manokana. Tsy hanameloka olona na iza na iza Izy noho ny tsy fahalalana, ary Izy dia hanao izay ahafahan’ny olon-drehetra hianatra ny fahamarinana, ary amin'ny farany dia hanana anjara marina mba ho voavonjy. Nefa raha nomen'Andriamanitra fiainana mandrakizay ireo izay minia mikomy sy tsy mahavita mampitombo ao amin'ny tenany ny toetra marina, ireo dia hitondra fahoriana eo amin'ny tenany ary eo amin'ny hafa ho mandrakizay.

Azo antoka fa ny zavatra tsara indrindra azon'Andriamanitra natao, ho an'ireo karazan’olona ireo, dia ny tsy tokony hamelana azy ireo hanohy hiaina. Ka noho izany dia hovonoiny tsotra fotsiny ireo izay mikomy tsy mety hanarina; Tsy hampijaly azy ireo tsy misy indrafo mandrakizay Izy.

Andriamanitry ny fahamarinana Andriamanitra. Ireo izay mankatò Azy dia handray ny fanomezana maimaimpoana, dia ny fiainana mandrakizay, fa ireo izay tsy mankatò kosa dia tokony handray ny karamany. Ny fahafatesana faharoa, na ny fahafatesana farany - ny fahafatesana mandrakizay any amin'ny farihy afo - dia sazy azony noho ny fahotany manokana.

Ity fahamarinana ity dia tsy tokony hitarika horohoro tsy misy antony toy ny fampianaran’ny mpanompo sampy sy Satana momba ny fatana fandoroana mandrakizay any amin’ny afobe, izay nampihorohoro ny olona tsotra be sy tsy misy haratsiana. Amin'ny an-kilany kosa, ny farihy afo dia tokony ho tonga FAMPITANDREMANA MAHERY VAIKA ho an'ireo rehetra mahalala ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra nefa mbola mikiribiby mandà ny hankatò.

Ireo izay mankatò an'Andriamanitra ihany - ireo izay tonga sy mitoetra ho Kristiana amin'ny dika marin'io fehezan-teny io no handova ny fiainana mandrakizay (Jaona 3:16). Ireo rehetra izay minia tsy mankatò an'Andriamanitra dia ho faty amin'ny fahafatesana faharoa.

Izany no safidy izay napetrak'Andriamanitra eo anoloantsika tsirairay: amin'ny andaniny, ny fiainana mandrakizay, amin'ny ankilany, ny fahafatesana mandrakizay...

Mazava loatra fa ny fiheverana ny "helo" misy afo mandrakizay dia finoanoam-poana ary angano avy tamin'ny mpanompo sampy. Izany dia angano tsotra fotsiny, izay tafiditra tao amin'ny Kristianisma nentim-paharazana. Saingy ny fatana fandoroana any amin’ny afobe izay resahina ao amin'ny Baiboly - ilay voalazan'i Kristy- dia TENA HISY. Handevona ny olon-dratsy tsy mety hibebaka izany, ary hahatonga azy ireo ho lavenona.

Andao hiezaka ny hahatonga antsika ho mendrika ny fiainana mandrakizay, mba tsy hila handoa ny sazy, izay fahafatesana mandrakizay any amin'ny farihy afo!

No comments:

Post a Comment