Fitandremana ny Andro Masin'Andriamanitra - Ny Sabata Andro Fahafiton’i Jehovah

 

Ambasadaoro Kolejy - Toko faha-25

FITANDREMANA NY ANDRO MASIN'ANDRIAMANITRA

NY ANTONY TSY MAINTSY HITANDREMAN'NY KRISTIANA NY ANDRO MASIN'ANDRIAMANITRA

 

               Fa maninona Andriamanitra no namorona ny Sabata ISAN-KERINANDRO, ary taty aoriana, ny Sabata fito marihina ISAN-TAONA? Inona no asehon'izany? Moa ve ny andro masin'ANDRIAMANITRA dia natao ho an'ny Isiraely taloha irery ihany, sa koa natao ho an’ny Fiangonan'Andriamanitra ao amin'ny Testamenta Vaovao?

----------------------------------------------------------------------------

               ANDRIAMANITRA dia namorona ny olombelona ho amin'ny tanjona mahagaga sy mahavariana! Io tanjona tsy mampino io dia nambara voalohany tamin'ny namoronana ny olombelona.
               Ny Baibolinao eto dia manambara fa Andriamanitra dia miteraka ny tenany amin'ny alàlan'ny olombelona. Andriamanitra dia namorona antsika mba ho volavolainy sy hanomezany antsika ny toetrany. Tiany mba ho teraka ara-panahy, mba ho lasa mpikambana ao amin’ny Ankohonany izay manjaka eto amin'izao rehetra izao!
               Saingy mila fotoana io asa famoronana io. Mba hanatanterahana an'io tanjona mahatalanjona io eo amin'ny olombelona, dia nanokana fito arivo taona Andriamanitra, fito "andro" arivo taona (2Pet.3:8).
               Nandritry ny 6000 taona voalohany taorian'ny nanotan'i Adama, dia navelan'Andriamanitra handeha araka ny fombany ny olombelona, hanao izaytiany, hitantana ny tenany araky ny lalàny manokana, eo ambany fitarihan'i Satana. Mandritry ny 1.000 taona farany, ao amin’io planina io, dia hanjaka amin'ny olona mivantana i Jesosy Kristy sy ny olona masina efa nitsangana tamin’ny maty. Ho voafehy tanteraka i Satana amin'izay ka tsy handefa ny toe-tsainy ratsy amin'ny olona.
               Ny Baiboly dia nanambara fa Andriamanitra dia namorona ho an'ny Fiangonany andro vitsivitsy izay maneho ny Tanjony amin'ny fiainan'ny olombelona, sy ny planina izay hanatanterahany izany tanjona izany.

Hoy Andriamanitra: "Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika" (Gen.1:26).

Ny Sabata isan-kerinandro dia tandindon’ny fikasan'Andriamanitra

Rehefa natokan'Andriamanitra sy nohamasininy ho an'ny olona ny Sabata andro fahafito (Gen.2:2-3; Marka 2:27), dia nanome andro fitsaharana ho an'ny olombelona Izy, izay misy dikany lehibe.
Ho an'ny "Fiangonany any an'efitra" - ny fiangonan'ny Isiraely taloha (Asa.7:38) – dia nanambara Andriamanitra fa ny fitandremana ny Sabata dia "famantarana" eo Aminy sy ny olony (Eks.31:16-17). Porofon'ny maha-izy azy ireo io famantarana io. Ny fitandremana ny Sabata isan-kerinandro dia mampahatsiahy antsika fa Andriamanitra no Mpamorona ny zava-drehetra, ao anatin'izany ny olombelona. Io koa dia famantarana lehibe mampahafantatra ny tena olon'Andriamanitra!
               Ny Sabata koa dia tandindon'ny Fanjakana Arivo Taona ho avy tsy ho ela, ho an’ny vahoakan'Andriamanitra, ary hanandraman’ny olombelona ny "fitsaharana" amin'ny ady, ny fahantrana, ny tahotra ary ny fijaliana.
               Io vanim-potoana 1000 taona io dia ho "andro" faha-fahafito maharitra arivo taona - ny "Sabatan’"Andriamanitra amin’ny herinandro "7000 taona- ". Amin'izay fotoana izay, ny fahalalana ny fikasan'Andriamanitra mahatalanjona dia hanenika ny tany (Isa.11:9).
               Fa ny fitandremana ny Sabata andro fahafito dia manana hevitra sy dikany lalina kokoa. Manambara ihany koa ny fahavitan'ny famoronan'Andriamanitra ara-panahy ny olombelona izany. Ny Sabata dia fanoharana mialoha ny "fitsaharana" ara-panahy ho an'ny Kristiana amin'ny ho avy, ary ny fahaterahana ao amin'ny Fanjakan’Andriamanitra na Ankohonan’Andriamanitra! Rehefa hateraky ny Fanahin'Andriamanitra isika, dia tsy hiady amin'ny faha-ratsin'ny nofontsika mety maty intsony.
               Hanana vatana fanahy isika; tsy ho reraka na ho sasatra intsony. Ho mavitrika sy matanjaka hatrany isika!
               Ny Baiboly koa dia manambara fa Andriamanitra dia nanokana sy nanao andro masina vitsivitsy amin'ny taona ho fanampin'ny Sabata isan-kerinandro.

Andro masina isan-taona tandindon’ny planina lehiben'Andriamanitra

               Andriamanitra dia manana planina lehibe izay hanatanterahany ny fikasany mahatalanjona ho an'ny olombelona. Ary i Jesosy Kristy Zanany dia mitana anjara toerana lehibe ao amin'ny planin’Andriamanitra ho an'ny olombelona vitsy mpahafantatra.

               Ny planin’Andriamanitra dia ambaran’ny Fety fito fanao isan-taona.

               Ireo fankalazana fanao isan-taona ireo dia sary ambangovangony, miseho tsikelikely, momba ny fomba hanatanterahan'Andriamanitra ny planiny lehibe ho an'ny olombelona. Ny fety tsirairay dia mampiseho an-tsary ny zava-miseho tena lehibe ao amin'ny planin’Andriamanitra. Taorian'ny nanafahana ny Isiraelita avy tany Egypta no nanambaran'Andriamanitra ny fetiny sisa fanao isan-taona.

               Toy ny nanaovan'Andriamanitra ny Sabata isan-kerinandro ho an'ny olona, raha iny vao natao iny ny olona, dia toy izany koa no nanomezan’Andriamanitra ny olony fety fito fanao isan-taona (Sabata fito fanao isan-taona), rehefa avy nametraka ny Fiangonana (ny Zanak’Isiraely) tany an'efitra Izy. Saingy tamin'ny fanekena natao tany Sinay, ny Isiraely dia tsy nampanantenaina ny Fanahy Masina; ary noho izany, dia tsy afaka nahatakatra ny dikany ara-panahy tamin'ireny fankalazana isan-taona ireny izy ireo.

               Na inona na inona tsy fahaizan'ny Isiraely ara-nofo ny dikan’ireny, ny Andro Masina fanao isan-taona dia natokana hotandremana MANDRAKIZAY! I Kristy dia nitandrina an’ireo. Ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao, naorin'i Jesosy tamin'ny 31 tar JK, dia nitandrina an’ireo. Ary ny Fiangonan'Andriamanitra dia mitandrina an’ireo ankehitriny!

            Toy ny Sabata isan-kerinandro izay "fifamantaran"’ Andriamanitra sy ny olony, dia toy izany koa ny Andro Masina fanao isan-taona, izay “famantarana” ahafantarana ny vahoakan’Andriamanitra (Eks.31:13). Ireo no "fivoriana masina", "fotoam-pivavahana voatendrin’I Jehovah" (Lev.23:2, 4); Andriamanitra mihitsy no nilaza izany nanao hoe: “Ny amin'ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy” (andininy faha-2):

            Ireo fety ireo, araky ny nolazain'ny Levitikosy 23:37-38, dia tsy maintsy hotandremana ho “fivoriana masina", ankoatry ny Sabata isan-kerinandro (mariho ny hoe:"afa-tsy”). Ary, araky ny efa nianarana tao amin'ny lesona faha-17, ny fetin'Andriamanitra, izay ampahany amin'ny lalàn'Andriamanitra, dia tsy nofoanana tsy akory rehefa nitsahatra tsy nanan-kery intsony ny fanekena tao Sinay, taorian'ny nahafatesan'i Kristy. Ny fitandremana ireny dia mampahatsiahy ny Kristiana ny planina lehiben’i Jehovah, sy ny anjara asan’ireny amin’izany.

               Ny tantara manontolo momba ny planina mahatalanjon'Andriamanitra dia tokony, isan-taona isan-taona, hotandraman’ireo zanak'Andriamanitra notorontoronin’ny Fanahiny – ireo Isiraely ara-panahy ankehitriny - amin'ny alàlan'ny fitandremana ireo Andro Masin'Andriamanitra. Ny fitandremana ireo andro ireo dia mampatsiahy azy ireo ny planina lehibeny sy ny anjara andraikitr'izy ireo amin'izany.

Fijinjana ara-panahy ataon'Andriamanitra

Ao amin'ny tany nonenan'ny Isiraely fahiny (fantatra amin'ny anarana hoe Palestina taoriana, ary ankehitriny dia honenan'ny fanjakana maoderin’Isiraely), dia misy fijinjana voamadinika kely amin’ny lohataona – vokatra kely; avy eo, amin’ny faran’ny fahavaratra, ary eo amin’ny fiantombohan’ny fararano, dia misy ireo fijinjana lehibe. Ireo fijinjana ny zavatra novolena isan-taona ireo dia tandindon'ny fijinjana ara-panahy izay hamorian’Andriamanitra ny olombelona!
               Androany, araky ny fampianaran'i Kristy sy ny Apostoly, dia azontsika ny mahatakatra fa ny fetin'ny lohataona dia nokasain’ Andriamanitra hanehoana an’ireo rehetra izay antsoiny hoe zanany notorontoronin’ny Fanahiny, mialohan'ny Fiavian'i Kristy Fanindroany, dia ireo voaloham-bokatra na ireo “santatry” ny vokatra ihany (Jak.1:18) -ny fanombohana kely fotsiny amin'ny fijinjana ara-panahin'ny olombelona izay tsy maintsy hiditra ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra.
               Ny fety amin’ny fararano, vanim-potoana fijinjana lehibe kokoa, dia sary anehoana ny fiantsoan'Andriamanitra ny olombelona an'arivo tapitrisa maro ho amin'ny famonjena, sy ny hanomezana azy ireo fahafahana ho lasa Zanany ao amin'ny Ankohonany be voninahitra aorian'ny Fiverenan'i Kristy Fanindroany.
               Ao amin'ny Levitikosy 23, dia hita ny famintinana an’ireo fety fanao isan-taona ireo. Ny telo voalohany, manomboka amin'ny Paska, dia hahatsiarovana ny tapany voalohany amin'ny Planina lehiben'Andriamanitra. Mampiseho ny voaloham-bokatry ny asan'i Kristy izany. Ny fety efatra farany dia tandindon’ny vanim-potoana ho avy, ary mampiseho ny fomba sy ny fotoana hijinjan'Andriamanitra ny vokatra amin’ny fararano lehibe ho ao amin'ny Ankohonany!

Andro Masina natokana (miaro, mitahiry) ho an'ny Fiangonan'Andriamanitra

            Ny Isiraelita taloha, amin'ny ankapobeny, dia tsy nahatakatra ny fikasan'Andriamanitra lehibe ho an'ny olombelona. Tsy azony koa ny dikany ara-panahy amin'ireo dingana ao amin'ny planina lehiben'Andriamanitra izay asehon'ny Androny Masina fanao isan-taona. Tsy nanambara tamin'izy ireo an'io fahalalana ara-panahy io Andriamanitra (Efes. 3: 4-5) satria tsy mbola fotoana hanome azy ireo ny Fanahiny Masina tamin’izany.

            Ka nahoana i Kristy no nanome ny lalàn'Andriamanitra sy ny Andro Masina ho an'ny Isiraely taloha?

            Ny Baiboly dia milaza amintsika fa ny "faminaniana" - ny Soratra Masina ao amin'ny Testamenta Taloha, izay misy ny fahalalana ny Sabatan'Andriamanitra isan-kerinandro, ny Sabata sy ny fety fanao isan-taona, ary ny kalandrie marin’Andriamanitra - dia nomena ny Isiraely mba hampitaina hatramin'ny taranaka fara mandimby.

            Ny Isiraelita, araky ny hita ao amin'ny Asan'ny Apostoly 7:38, dia "nandray teny velona mba homeny antsika [Kristiana ao amin'ny Testamenta Vaovao]."

            Saingy taonjato fito mahery taty aoriana, dia lasa babon’ny Asyriana ny Zanak’Isiraely, very ny maha izy azy sy ny fahalalany an'Andriamanitra. Tsy nahatahiry ny soratra hebreo, na ny Testamenta Taloha na ny kalandrien'Andriamanitra ho an'ny Kristiana ankehitriny izy ireo.

            Ka iza no nanao izany?

            Ny Jiosy!

            Ny Taranak’i Joda - ireo jiosy - izay nanjary nisaraka tamin'ny firenen'Israely taorian'ny nahafatesan'i Solomona, dia lasa babo tany Babylona nandritry ny fotoana nanjakan'i Nebokadnetsara Mpanjaka tokony ho 120 taona taty aoriana. Fa ny Joda kosa dia nitana ny fahalalana ny momba azy sy ny Andriamaniny.

               Fantany fa lasa babo tany Babylona izy ireo noho ny nandikany ny Sabata (Neh.13:17-18), dia nanjary hentitra izaitsizy tamin'ny fitandremana izany ny Jiosy. Na dia tsy nanana fahatakarana ara-panahy aza izy ireo, dia nitazona tamim-pahatokiana ny fahalalana ny tena Sabata, ary nitahiry ny Soratra Masina ao amin'ny Testamenta Taloha sy ny tetiandro marina.
               Nampiasa ny Jiosy Andriamanitra hitahiry ny Soratra Hebreo na ny Testamenta Taloha, ny Sabata isan-kerinandro ary ny kalandrie hahafahantsika mahalala tsara ny fotoana hitandremana ny Andro Masin'Andriamanitra isan-taona. Amin'ireo foko israelita rehetra, Andriamanitra dia nanendry ny Jiosy ho mpitondra ny fahalalana nambara tamin'ny fiangonana notorontoronin’ny Fanahy ao amin'ny Testamenta Vaovao!
               Ny andro firavoravoana rehetra nataon'Andriamanitra dia voatanisa daholo ao amin'ny Levitikosy 23, manomboka amin'ny Sabata andro fahafito, fety isan-kerinandro. Ny lesona 24 ka hatramin'ny 31 dia miresaka tsara an'ireo andro firavoravoana ireo, manomboka amin'ny Sabata isan-kerinandro. Misy lesona iray manontolo natokana ho an'ny tsirairay. Ny pitsopitsony tena ilaina amin'ny planina lehiben'Andriamanitra hanatanterahana ny fikasany lehibe ho an'ny olombelona dia hovelabelarina aminao amin'ny manaraka!
               Ity lesona ity dia hanolorana anao fohifohy ny FANDINIHANA momba ny Andro Masin'Andrimanitra tsirairay, mifantoka amin'ny dikany an'ohatra sy ny fifandraisany manokana amin'ny Kristiana ankehitriny.
               Andao hanomboka hahatakatra ny tena dikan'ireo "andro firavoravoan’i Jehovah" ireo isika!

            Mariho ny fanontanian'i Paoly, teo ambany tsindrimandrin'Andriamanitra, hoe: "Koa inona ary no tombony ananan'ny Jiosy? Avy eo dia novaliany amin'ny ampahany: "Be ihany amin'ny zavatra rehetra: voalohany, izy no notolorana ny tenin'Andriamanitra ho adidiny" (Rom.3: 1-2).


LESONA 25

Ny Sabata Andro Fahafiton’i Jehovah

               Araky ny efa nianarantsika tao amin'ny lesona teo aloha, ny tanjon’ny planin’Andriamanitra dia ny famerenana amin'ny laoniny ny Fitondram-panjakany eto an-tany, amin'ny alàlan'ny Fanjakan’Andriamanitra. Io Fanjakan’Andriamanitra io dia hisy ireo olombelona mpikambana, izay hateraky ny Fanahy, mba ho iray amin'ny Ankohonan’Andriamanitra ankehitriny.
               Miorina amin'ny Lalàn’i Jehovah ara-panahy, izay lalàna momba ny fitiavana ny governemantan’Andriamanitra. Izany dia ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fitiavana ny mpiara-belona. Ny fitiavan'Andriamanitra dia nohamafisin’ny Didy Folo bebe kokoa, ka ny Didy efatra voalohany dia maneho amintsika ny fomba hitiavana sy hitsaohana an'Andriamanitra
               Ny didy fahefatra, toy ireo sivy hafa, dia ampahany tena ilaina amin'ny lalàn'Andriamanitra. Ny fitandremana ny Sabata amin'ny andro fahafito dia famantarana iray manondro izay mivavaka amin'ilay Andriamanitra Mpamorona, ary Aminy irery ihany. Izany dia satria ny Sabata dia fahatsiarovana ny Famoronan'Andriamanitra. Ankoatr’izany, ny Sabata dia tandindon’ny Fanjakana Arivo Taona sy ny fahatanterahan'ny famoronana ara-panahy izay nataon’Andriamanitra tamin'ny olombelona.
               Andao hatomboka ho fantarina ny dikany lehibe miafina ao amin'ny fitandremana ny Sabata  andro fahafito.
1. Andro inona tamin’ny herinandro famoronana no nitsaharan'Andriamanitra? Gen.2:2-3; Eks.20:11. Moa ve niala sasatra Andriamanitra satria reraka tamin'ny asa rehetra nataony nandritry ny enina andro lasa? Isa.40:28.
FANAMARIHANA: Andriamanitra dia fanahy fotsiny ihany, ary tsy ho mety reraka mihitsy, toy ny olombelona ara-nofo. Noho izany dia tsy nisy antony tokony hitsaharany, afa-tsy ny hoe : raha mitsahatra Izy, dia "nanao" ny Sabata Andriamanitra ary namela ohatra harahin'ny olombelona.
2. Iza tamin'ny Ankohonan’Andriamanitra no nanao izany Sabata izany voalohany? Kol 1:13-16; Marka 2:27-28.
FANAMARIHANA: Jesosy Kristy no Tompon'ny Sabata satria Izy no nanao izany! Araka ny efa noporofointsika tamin'ny fandalinantsika teo aloha, dia Tompon'ny Testamenta Taloha Izy ary ny tena Mpamorona ny zava-drehetra.
Rehefa nijanona tsy niasa tamin'ny andro fahafito tamin'ny herinandro famoronana Izy, dia natokan'i Kristy izany fe-potoana 24 ora izany, sy isaky ny andro fahafito taty aoriana, mba hatokana sy hohamasinina. (Ny Sabata dia manomboka amin'ny filentehan'ny masoandro, amin'ny hariva, amin'ny faran'ny andro fahenina, ary mifarana amin'ny filentehan'ny masoandro, amin'ny hariva, amin'ny fiafaran'ny andro fahafito. Jereo ny Levitikosy 23:32 mba hahitana ohatra iray amin’ny fanombohana sy fiafaran’ny andron’Andriamanitra.)
3. Ho an'iza no nolazain'i Jesosy fa nanaovana ny Sabata? Marka 2:27. Iza no nitenenany an'izany? Eksodosy 20:8-10, indrindra ny andininy 10.
FANAMARIHANA: "Ny Sabata no natao ho an'ny olona", hoy i Jesosy. Ny andro fahafito rehetra hatramin’ny famoronana, dia natokan'Andriamanitra ho fotoana ho tandreman'ny olombelona manokana. Ny Sabata dia natao hahasoa ny olona rehetra izay miaina, raha mitandrina izany araky ny fikasan'Andriamanitra izy ireo.
4. Amin’ny fomba ahoana no nikasan'i Kristy ny Sabata mba ho fitahiana ho an’ny olombelona? Deot.5:14. (Mariho ny teny hoe “hitsaharana”).
FANAMARIHANA: Ny teny hebreo hoe Sabbat dia midika hoe "fitsaharana", satria ny teny hebreo no teny nanoratana ny Testamenta Taloha. Ny fitsaharana ara-batana sy ny fialan-tsasatra ara-tsaina aorian'ny herinandro niasana be dia antony ara-drariny hitandremana ny Sabata. Fantatr'Andriamanitra fa mila fitsaharana isaky ny fotoana voafetra ny olombelona ary miova amin'ny asa fanaony.
               Fa ny tanjon'ny fitandremana ny Sabatan'Andriamanitra dia mihoatra lavitra noho ny mijanona eo fotsiny. Ny Sabata  andro fahafito dia misy ifandraisany amin'ny fikasan'Andriamanitra lehibe amin'ny famoronana ny olombelona!
               Ny olona dia mila fatratra an'ity fotoana ity isan-kerinandro mba hananany fifandraisana ara-panahy akaiky amin'Andriamanitra.
               Ny Sabata dia manome fotoana antsika hieritreretana bebe kokoa momba an 'Andriamanitra, hivavahana Aminy, hiankohofana Aminy (na manokana na miaraka amin'ny hafa) ary hianatra ny Baiboly mba hahafantarana bebe kokoa ny momba ny fikasan'Andriamanitra mahatalanjona amin'ny fiainantsika sy ny fomba hanatanterahana an’izany.
5. Moa ve ny fitandremana ny andro Sabata dia famantarana manokana mampiavaka an Andriamanitra sy ny olony? Eks.31:13, 16-17. Moa ve ny fitandremana ny Sabata dia nataon’Andriamanitra ho fanekena manokana tamin'ny olony koa? Andininy 16. Ho fanekena mandrakizay ve izany? Moa ve haharitra mandrakizay izany? Andininy 16-17.
FANAMARIHANA: Mba hahatsiarovan'ny Isiraelita taloha fa Jehovah no Mpamorona azy ireo, ny Mpiaro sy Andriamanjaka faratampony amin'ny zavaboariny rehetra, dia notondroin'Andriamanitra ny fitandremana ny Sabata ho famantarana iray lehibe izay hampahatsiahivana azy ireo foana fa Izy no Mpamorona, ary hitadidiny fa vahoaka nofidiny izy ireo. Io no Lalàna iray izay nampiavaka an'i Isiraely tamin'ny firenena hafa rehetra.
               Ka indroa Andriamanitra no nandidy ny fitandremana ny Sabata, tamin'ny fanaovana azy ho fanekena na fifanarahana manokana tamin'ny Isiraely olony (Ny Sabata dia efa iray amin'ireo Didy Folo nomen'Andriamanitra azy ireo teo aloha). Dia ho fanekena mandrakizay izany - famantarana izay hamantarana ny olon'Andriamanitra hatramin'ny taranaka fara mandimby, ao anatin'izany ny "Isiraely ara-panahy" ankehitriny – izay mpikambana notorontoronin’ny Fanahy ao amin'ny fiangonan'Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Vaovao.
6. Moa ve ampihariharin’ ny Baiboly mazava tsara fa ny tena Kristiana dia ireo izay tonga Israelita ara-panahy, iray amin'ny "taranak'i" Abrahama amin'ny alalàn'i Jesosy Kristy? Gal 3:28-29; Rom.4:16.
FANAMARIHANA: Andriamanitra dia nanao fanekena manokana momba ny Sabata tamin'ny taranaka ara-nofon’i Abrahama. Tsy maintsy hankatoavina hatramin'ny taranany fara mandimby izany. Ankehitriny, ny Kristiana notorontoronin’ny Fanahy Masina rehetra dia tonga taranaka ara-panahin'i Abrahama, ka noho izany, dia mitandrina ny Sabata izy ireo!
               Ny Sabata dia fampahatsiahivana ny Mpamorona antsika, izay tsy vitan’ny hoe namorona an'izao rehetra izao ihany, fa mamorona ny toetrany masina sy tanteraka koa ao anatin'ny kristiana notorontoronin’ny Fanahy, izay haharitra mandrakizay, rehefa teraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra izy ireo! Noho izany, dia mampahatsiahy antsika isan-kerinandro an’Andriamanitra Mpamorona sy ny fikasany mahatalanjona ho an'ny olombelona ny Sabata.
7. Moa ve ve nitandrina ny Sabata i Jesosy Kristy? Lioka 4:16, 31.
FANAMARIHANA: Nanatrika tsy tapaka fanompoam-pivavahana tamin'ny andro Sabata i Jesosy. Nankatoa ny didy nomeny Izy mba hanaovana fivoriana masina isan-tSabata (Lev.23:3). Io no andro izay hotandremany voajanahary, satria Izy mihitsy no nanao ny Sabata sy nanokana izany mba hotandremana ho masina!
8. Moa ve fomban'ny Apostoly Paoly koa ny mitandrina ny Sabata? Asan'ny Apostoly 17:1-2. Misy porofo hafa ve fa nitandrina ny Sabata ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao? Asan'ny Apostoly 13: 13-16, 42, 44; 18:1, 4.
FANAMARIHANA: Tsy misy isalasalana fa nitandrina ny Sabata andro fahafito ny Fiangonan'Andriamanitra tao amin'ny Testamenta Vaovao. Ireo izay miezaka mankatoa an'Andriamanitra ankehitriny dia hitandrina ny andro notandreman'i Jesosy, Paoly ary ny fiangonana voalohany rehetra ihany koa.
9. Inona no fampitandreman'Andriamanitra ho antsika ao amin'ny Hebreo 3: 8-12, 17-19? (Jereo ny teny hoe “fitsaharana” ao amin'ny andininy 11 sy 18.) Moa ve ny fikomiana, indrindra ny fandikana ny Sabata, no antony tsy namelan'Andriamanitra ny taranak’Isiraely iray manontolo hiditra ao amin'ny "fitsaharany"? Ezek.20:12-13, 15-16.
FANAMARIHANA: Ny tany Kanaana-ilay "fitsaharana" nampanantenaina fa hidiran'i Isiraely amin'ny farany (Jos.1:13) – dia resahina ao amin'ny Baiboly ho tandindon’ny "fitsaharana" ara-panahy an'ny Kristiana – izay hateraka ao amin'ny Fanjakana na Ankohonan’Andriamanitra, mba ho velona mandrakizay.
10. Moa ve, raha mino sy mankatoa an'Andriamanitra isika, dia hiditra amin'ny "fitsaharan’"Andriamanitra – dia fiainana mandrakizay ao amin'ny Fanjakany? Hebreo 4:3, tapany voalohany ary andininy faha-11.
FANAMARIHANA: Mazava ny fampitahana: Ny finoana an'Andriamanitra dia mitovy amin'ny fankatoavana mavitrika. Izay tena mino an'Andriamanitra dia hitandrina ny Sabatany!
Ny Sabatan'Andriamanitra dia tsy tokony hatao ambanin-javatra na hadinoina. Didiana isika mba "hahatsiaro ny andro Sabata" (Eks.20:8) satria izany dia fahatsiarovana ny namerenan'Andriamanitra ny endriky ny tany sy ny famoronana ny olombelona. Ary ny Sabata dia tandindon’ny "fitsaharana" mandrakizay ho avy izay hidiran'ny Kristiana marina, rehefa teraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra izy, amin'ny maha-zanak'Andriamanitra voaforona ho fanahy azy. Ho afaka amin'ny fahalemena sy ny fetra rehetra eto amin’ity fiainana mety maty ity izy ireo.
11. Moa ve Andriamanitra nandidy ny firenen'Israely rehetra mba hiara-hivory (“fivoriana masina") amin'ny Sabata isan-kerinandro? Lev.23:3. Inona no fananarana omena ny Kristianin'ny Testamenta Vaovao momba ny fiangonany? Heb.10:25.
FANAMARIHANA: Ny vahoakan'Andriamanitra ankehitriny dia manatrika fotoam-pivavahana isan-tSabata ao amin'ny Fiangonan’Andriamanitra, any amin’ny firenena maherin'ny 50 manerantany. Isan-tSabata, dia miara-mivory izy ireo mba hahazo torolalana ara-panahy avy ao amin'ny Baiboly, ampianarin'ny mpanompon’Andriamanitra ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra (Efes.4:11-13).
               Ny vahoakan'Andriamanitra dia mifaly amin'ny Sabatany ary mankafy ny fiarahana amin’ny namana amin'io andro io. Mianatra izy ireo fa fitahiana lehibe tokoa ny mitandrina ny Sabatan'Andriamanitra ho masina- ilay andro mampahatsiahy antsika an’ilay Andriamanitra Mpamorona sy ny fikasany tsy manam-paharoa ho an'ny olombelona!

Ny Paska

               Ny ankamaroan'ny mpivaofy teny sy ny manam-pahaizana momba ny Baiboly dia manaiky fa ny fanamarihana marobe momba ny fetin'Andriamanitra fanao isan-taona ao amin'ny Testamenta Vaovao dia manondro fa ny fankalazana azy ireo tany amin’ny fiangonana voalohany dia fantatra, ary nekena ho zava-dehibe. Ny tena manan-danja kokoa, dia fanaon'i Kristy sy ny Fiangonan'Andriamanitra nymitandrina ny andro firavoravoana fanao isan-taona: "Tany amin’ny fiangonana kristiana tany am-piandohana, dia tsy nisy mihitsy fanontaniana momba ny maha-mety na tsia ny fankalazana ny andro firavoravoana miaraka amin'ny vahoaka Jiosy manontolo, ka tsy nila fanamarihana manokana" (Ny Diksionera Vaovao Iraisam-pirenena momba ny teolojian’ny Testamenta Vaovao, boky 1, p. 628).
               Na izany aza, miharihary amin'ny fandalinana ny Testamenta Vaovao fa ny A               ndro firavoravoan’Andriamanitra fanao isan-taona dia nisy dikany vaovao ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra apostolika.
               Ny fampianaran'i Jesosy sy ny ohatra nomeny dia manome antsika fahatakarana vaovao momba ny dikan'ireo andro ireo ankehitriny sy ny fomba fitandremana an’ireo.
               Mariho izay nolazain'ny Encyclopédie Britannique momba ny fiangonan'Andriamanitra ao amin'ny Testamenta Vaovao tany am-boalohany, momba ny fitandremana ny andro firavoravoana ara-Baiboly amin'ny fomba vaovao sy hafa: "Ny fahamasinan'ny fotoana manokana [toy ny Paska sy ny Krismasy) dia hevitra iray tsy tao an-tsain'ny Kristiana voalohany... izay nanohy nitandrina ny fety jiosy [ao amin'ny Levitikosy 23], na dia amin’ny fanahy vaovao aza, ho fahatsiarovana ireo fisehoan-javatra izay nasehon'ireo fety ireo mialoha "(Boky faha-8, p.828, fanontana faha-11).


1. Iza no lazain'ny Baiboly fa namorona an'ireo fety fanao isan-taona ireo, ankoatry ny fety isan-kerinandro amin'ny Sabata? Lev.23:1-4. Moa ve Andriamanitra nandidy manokana fa ny andro firavoravoana fanao isan-taona dia tokony hotandremana afa-tsy ny Sabata isan-kerinandro? Andininy 37-38.
FANAMARIHANA: Mariho fa tsy "andro firavoravoan'ny Jiosy", na " andro firavoravoan'i Mosesy" ireo, araka ny fiheveran'ny sasany. Ireo dia andro firavoravoan'ny tenan'Andriamanitra mihitsy, izay naorin'Andriamanitra sy nomeny ny olony hotandremana isan-taona.
2. Inona ny fety voalohany tsy maintsy hankalazaina isan-taona? Lev.23:5. Oviana Andriamanitra no nanorina ny Paska voalohany? Vakio sy fintino ny Eksodosy 12:1-14, 21-27.
FANAMARIHANA: Ny Paska, ilay fety voalohany nodidin'Andriamanitra hotandremana isan-taona, dia tandindon’ny fiantombohana, na ny dingana voalohany indrindra, amin'ny planina lehiben'ny famonjen'Andriamanitra ny olombelona.
               Ny Paska dia fampahatsiahivana isan-taona ny firotsahan'Andriamanitra hiaro ny lahimatoan'ny Isiraelita tamin'ny nandalovan’ilay anjely mpandringana. Izy io koa dia naneho mialoha, ny sorona lehibe nataon'i Jesosy Kristy, Ilay Zanak'ondrin’ny "Paska" (1Kor.5:7; 1Pet.1:18-19), noho ny fahotan'ny olombelona. Ny fitsimbinana ny lahimatoan'ny Isiraelita tamin'ny anjely mpandringana, tamin'ny alàlan'ny ran'ny zanak'ondry novonoina tamin'io Paska voalohany io dia tandindona iray amin'ny fiarovana antsika amin'ny sazin'ny ota mandrakizay (Rom. 6:23) amin'ny alàlan'ny soron'i Kristy.
               Taorian'ny fahafatesan'i Jesosy, ny Paska izay ankalazaina amin'ireo marika vaovao momba ny mofo tsy misy masirasira sy ny divay, dia nanjary fahatsiarovana isan-taona ny sorona nataony, satria Jesosy dia lasa ilay tranga izay efa nasehon’ny zanak'ondrin’ny Paska mialoha.
3. Moa ve Andriamanitra nandidy, talohan'ny Sinay, ny hitandremana ny Paska mandrakizay? Eks.12:14, 24. Moa ve nankalaza ny Paska i Jesosy Kristy? Jaona 2:13, 23.
FANAMARIHANA: Jesosy dia nitandrina ny andro firavoravoana fanao isan-taona. Amin'ny maha-Andriamanitry ny Testamenta Taloha Azy, dia Izy no Ilay nanome an’ireny tany am-piandohana!
4. Moa ve Jesosy no nametraka ny fitsipiky ny Paska tamin'ny Testamenta Vaovao, niaraka tamin'ny mpianany 12, tamin'ny alina mialohan'ny nanomboana Azy? Mat.26:17-20. Inona ny didy vaovao nomeny azy ireo momba ny fitandremana ny Paska? Jaona 13:1-5, 14-15.
5. Tamin'ny voalohany, moa ve Petera tsy nety namela an’ i Jesosy hanasa ny tongony? Jaona 13:6-8. Moa ve afaka “hanana anjara” amin'i Jesosy i Petera raha tsy navelany hanasa ny tongony Izy? Andininy 8. Nahoana i Jesosy no nametraka ity fitsipika vaovao momba ity fanasana tongotra ity nandritry ny sakafo farany nataony tamin’ny Paska? Andininy 12-16.
FANAMARIHANA: Ny kapa mampiseho rantsan-tongotra no kiraro fanao andavanandro tamin'ny andron'i Jesosy, ka lasa feno vovoka ny tongotra. Ny fanasana tongotra, rehefa hiditra ao an-trano, dia asa ambany izay nataon'ny mpanompo irery ihany.
               Tamin'ny fanasana ny tongotr'izy ireo, dia nanome ohatra tamin'ny mpianany i Jesosy fa tonga teto an-tany Izy mba hanompo ny olombelona. Fotoana fohy taorian'izay, dia noporofoiny ny habetsaky ny asa fanompoana mavesatra nataony ho an'ity tontolo ity, rehefa nanolotra ny ainy mihitsy Izy noho ny fahotan'ny olombelona rehetra. Ny fanasana tongotra dia maneho ny toetra feno fanetren-tena sy fanompoana ny hafa izay irin'i Kristy hananan'ny Kristiana rehetra.
6. Moa ve Jesosy nandidy mazava ny mpianany mba hifanasa tongotra? Jaona 13:14-15. Tokony hampianatra an'izao tontolo izao hanao toy izany ve izy ireo? Mat.28:19-20.
Moa ve ireo izay mankatoa ny tenin'i Kristy ka mandray anjara amin'ity lanonana misy lanjany ity dia hahazo fitahiana manokana? Jaona 13:17; 14:23.
7. Ahoana no fomba vaovao fitandremana ny Paska nataon'i Jesosy fotoana fohy talohan'ny nahafatesany? Mat.26:26-29. Inona no didy nomeny ny mpianatra momba io fomba vaovao fitandremana ny Paska io? Lioka 22:19-20. Moa ve izy ireo tsy maintsy hampianatra an'izao tontolo izao an’izany? Mat.28:19-20.
FANAMARIHANA: Tsy nofoanan'i Jesosy ny Paska, fa novainy fotsiny ireo marika nampiasaina tamin’izany. Raha tokony handatsaka ny ran'ny zanak'ondry isan-taona sy hihinana ny hena natsatsika, ankehitriny isika dia tokony hampiasa mofo tsy misy masirasira sy divay.
               Ny Paska amin'ny Testamenta Vaovao dia tokony hotandremana ho fahatsiarovana isan-taona ny fahafatesan'i Kristy. Manamafy izany, isan-taona isan-taona, "mandra-pihaviny" (1Kor.11:26) ny finoan’ny tena kristiana ny ràn'i "Kristy, Paska ho antsika" (1Kor.5:7) ho famelana ny ota, izay asehon'ny fisotroana ny divay.
               Ny fihinanana ny mofo voavaky dia maneho ny finoantsika ny vatan'i Kristy. Loza loatra ny kapoka nataon’ny miaramila Romana an’i Jesosy ka lasa tsy fantatra intony Izy. Niharitra izany fampijaliana izany i Kristy, ary ny fahafatesana vokatr’izany teo ambony hazo fijaliana, mba hahazoana ny famelana ny fahotantsika, sy ny fanasitranana raha marary isika, raha mino ny tenany voapotipotika sy ny rà nalatsany isika. (Isa.53:5; 1Pet.2:24; Sal.103:2-3; Jak.5:14-15)
               Araka ny nodidian'i Kristy tenany, ny tena Kristiana ankehitriny dia tsy maintsy mitandrina ny Paska amin'ny fiandohan’ny andro ahatsiahivana ny fijaliany sy ny fahafatesany, ny andro faha-14 amin'ny volana voalohany amin'ny kalandrien'Andriamanitra, ny hariva, aorian'ny fiandohan'ny andro.
               (Ny daty marin'ny Paska, sy ny andro firavoravoana fanao isan-taona nataon'Andriamanitra, dia miovaova arakaraky ny kalandrie romana. Ny daty marina amin'ny fety rehetra mandritra ny taona maro manaraka dia voatanisa ao amin'ny Kalandrie Masin'Andriamanitra, izay hitanao ao amin'ny faran'ity lesona ity.)
8. Moa ve nampianatra ny Kristianin’ny Testamenta Vaovao ny Apostoly Paoly mba hitandrina ny Paska amin'ny alàlan'ny fihinanana ireo marika vaovao, dia ny mofo tsy misy masirasira sy ny divay, toy ny nataon'i Jesosy sy nodidiany? 1Kor.5:7-8; 11: 23-26.
FANAMARIHANA: Ny fiangonana naorin'i Jesosy dia nitandrina ny Paska sy ny Fetin'ny mofo tsy misy masirasira, fa tsy ny alahadin’ny Paska.
9. Moa ve hotandreman'i Kristy sy ny hafa ny Paska aorian'ny fametrahany ny Fanjakan'Andriamanitra ety an-tany? Mat.26:29; Lioka 22:15-16. Mandritra izany fotoana izany, moa ve ny Paska dia hotandremana ho fahatsiarovana ny fahafatesan'i Kristy? Avereno jerena ny 1Korintiana 11:25-26.
FANAMARIHANA: Jesosy dia nandidy ny mpianany mba hitandrina ny Paska ho fahatsiarovana Azy mandra-piveriny. Nitandrina izany ny Apostoly, ary ankehitriny, ny tena Fiangonan'Andriamanitra dia mbola mitandrina ny Paska ihany!

Fety

Fety

 

Fety

 

Fety

 

Fety

 

Fety

Fety

Paska

Mofo tsy misy masirasira

(Fito andro)

Pentekosta

Trompetra

Fanavotana

Tabernakely

(Fito andro)

 

Andro lehibe farany

 

Andro voalohany

 

Andro Farany

 

 

 

Andro voalohany

 

 

 

Andro Masina

 

Andro Masina

Andro Masina

Andro Masina

Andro Masina

Andro Masina

Andro Masina

Andro firavoravoan’ Andriamanitra fanao isan-taona (Lev. 23)

Fetin'ny Mofo tsy misy masirasira

               Ny Paska, ilay fety voalohany fanao isan-taona nodidin'Andriamanitra, dia tandindon’ny fiantombohana, ny dingana voalohany indrindra amin'ny planin’ny famonjena lehibe ho an'ny olombelona. I Jesosy Kristy, "Paska ho antsika" (1Kor.5:7), no nijaly sy maty noho ny fahotantsika. Saingy ny fanekena ny sorona nataon'i Kristy mba handoavana ny sazin’ny fahotantsika dia tsy ampy.
               Raha vantany vao nibebaka tamin'ny fahotantsika isika ary navelan'Andriamanitra heloka, dia mila miezaka ny hahafoy tanteraka ny ota isika. Tsy maintsy mandositra ny lalan’ota eto amin'ity tontolo ity isika (Apok.18:4) - tahaka ny nandaozan'ny Zanak’Isiraely an'i Egypta, izay tandindon’ny ota (Heb.11:25-26). Tokony hiezaka isika ny hanalàna ny ota rehetra amin’ny fiainantsika. Izany no anjarantsika ao amin'ny Planina Lehiben'Andriamanitra.
               Mba hanampiana antsika hitadidy ny dingana faharoa amin'ny planin’Andriamanitra, dia nomen’i Kristy ny fiangonany ny fety masina faharoa fanao isan-taona. Ny fitandremana an'io fety io dia nampiaiky ny saintsika fa tokony hiezaka ny tsy hiverina amin'ny ota izay nandatsahan'i Jesosy ny rany isika. Andao hofantarina izany.
1. Fety inona no nasain'Andriamanitra notandreman'ny Isiraelita avy hatrany taorian'ny Paska? Eks.12:17; Lev.23:6. Izy ireo ve tsy nasainy nitandrina an'io indray mandeha fotsiny? Eks.12:17; 13:10.
FANAMARIHANA: Mariho fa ny fetin'ny mofo tsy misy masiras dia nomen'Andriamanitra talohan'ny nahatongavan'ny olona tany amin'ny Tendrombohitra. Sinay-talohan'ny nandaozany ny tany Egypta akory aza. Izy io koa dia hotandreman'ny taranaka far   a mandimby azy ireo - mandrakizay!
2. Mandritry ny firy andro no hitohizan'ny fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira? Eks.12:15; 34:18; Nom.28:16-17; Deot.16: 3-4. Moa ve natokana ho Andro Masina ny andro voalohany sy ny fahafito - andro tokony hisy fivoriana masina, mitovy amin'ny andro Sabata isan-kerinandro? Eks.12:16; Lev.23:3, 7-8.
FANAMARIHANA: Ny volana voalohany amin'ny kalandrie hebreo, izay nomen'Andriamanitra ny Jiosy tamin’ny tsindrimandry mba hotahiriziny ho an'ny Kristianin'ny Testamenta Vaovao, dia nantsoina hoe Abiba na Nisana taty aoriana. Mety ho milatsaka volana martsa na aprily amin'ny kalandrie romana ankehitriny izy io. Ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira dia manomboka amin'ny 15 Abiba, ny ampitson'ny Paska. Mitohy mandritry ny fito andro izany, hatramin'ny 21 Abiba. Ny 15 sy ny 21 Abiba dia Sabata fanao isan-taona - andro "fivoriana masina" - andro fitsaharana sy fiankohofana amin'Andriamanitra.
               Eto dia tsara ny manavaka ny andro firavoravoana na fetin'Andriamanitra isan-taona, sy ny Andro Masina na Sabata fanao isan-taona. Ny planina lehiben'Andriamanitra dia misy fety fito isan-taona. Ny roa amin'izany, dia ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira sy ny fetin'ny Tabernakla, dia samy maharitra fito andro. Misy ihany koa ny Andro Masina fito isan-taona, izay Sabata fitsaharana amin'ny asa mahazatra. Ny tsirairay amin'ireo Andro Masina ireo dia miseho amin'ny, na mandritry ny andro firavoravoana (ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira dia misy andro roa). Fa ny Paska, izay voalohany amin'ny fety, dia tsy Andro Masina na Sabata. (Jereo ilay tabilao etsy ambony.)
3. Moa ve ny Isiraelita nanala ny masirasira sy ny sakafo misy masirasira rehetra tao an-tranony sy ny toeram-ponenany ary nitazona azy any ivelany mandritry ny fito andro tamin'ny andro firavoravoana fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira? Eks.12:15-19; 13:7.
FANAMARIHANA: Ny masirasira dia izay zavatra rehetra ampiasaina mba hampitombo ny koba. Anisan’izany ny lalivay, ny leviora,ny karibonetra sy ny koba nalona mialoha.
4. Mazava ve fa ny masirasira dia tandindon'ny ota? Mat.16:6, 11-12; Lioka 12:1; 1Kor.5:8.
FANAMARIHANA: Matetika dia resahina ao amin'ny Baiboly ho toy ny tandindon’ny ota ny masirasira. Ny masirasira dia mampibontsina, na mampitombo - ary toy izany koa ny ota. Ny mofo tsy misy masirasira dia mofo fisaka tsy misy zavatra mampitombo azy, ary noho izany dia tandindon’ny tsy fisian'ny ota. Ary satria ny isa fito dia isa manokana milaza fahafenoana sy fahalavorariana, ny andro fito amin'ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira dia mampahatsiahy antsika fa tian'Andriamanitra ny tsirairay amin’ny olony mba hiezaka hamongotra tanteraka ny fahotana amin'ny fiainany.
5. Moa ve nodidin’Andriamanitra ny olony hihinana mofo tsy misy masirasira mandritra io fety io? Eks.12:15, 19-20; Lev.23:6.
FANAMARIHANA: Ny Zanak’Isiraely dia tsy tokony nanala fotsiny ireo sakafo misy masirasira sy ny masirasira tao amin'ny fonenany. Izany dia midika fotsiny ny fandosirana ny ota. Nasaina nihinana mofo tsy misy masirasira izy ireo, nandritry ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira. Ny fihinanana mofo tsy misy masirasira dia tandindona mifanohitra amin'ny ota, dia ny fankatoavana mavitrika an'Andriamanitra!
6. Rehefa mibebaka noho ny ota natao sy atao Batisa ny olona, ny fanatitra alatsa-drà nataon'i Kristy dia mamono ny ota taloha rehetra. Rehefa nanontany i Paoly raha tokony hanohy hanota isika, inona no navaliny? Rom.6:15-16. Inona ny baikony amin’ny maha-Apostoly azy? Andininy 11-13.
FANAMARIHANA: Maty i Kristy mba tsy handoavantsika ny sazy, dia ny fahafatesana mandrakizay (Rom. 6:23).
Aorian'ny fibebahana sy ny batisa, Andriamanitra dia manantena antsika hiezaka ny hankatoa ny Lalàny, mba hofongorantsika ny "masirasira" amin’ny fiainantsika.
Tsy tian'Andriamanitra hitohy hanota isika, satria tsy mpanompon’ny ota i Kristy (Gal.2:17).
7. Moa ve i Paoly, notarihin'ny Fanahy Masina, nilaza fa ny Kristianin’ny Testamenta Vaovao dia tokony hitandrina ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira? 1Kor.5:8.
8. Inona no nolazain'i Paoly, izay mampiseho mazava tsara fa ny Fiangonan'Andriamanitra tany Korinto, tamin'ny fotoana nanoratany, dia nitandrina ny Andro Firavoravoana Fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira? Andininy 7. Mariho ireo teny hoe "araka izay tsy maha-misy masirasira ianareo."
FANAMARIHANA: Nilaza tamin'ny mpiangona tao Korinto ny Apostoly Paoly mba hanaisotra ny masirasira ara-panahy, sahala amin'ny efa nanesorany ny masirasira ara-batana rehetra raha nanomanana ity andro firavoravoana ity izy ireo. Tokony hitandrina ny andro firavoravoana izy ireo, tsy amin'ny mofo tsy misy masirasira ihany, fa amin'ny fihetsika "tsy misy masirasira" amin'ny fahatsorana sy fahamarinana.
9. Tian'Andriamanitra handao ny fomban'izao tontolo izao mpanota ve ny Kristiana? Apok.18:4. Moa ve isika tokony hiady hatrany, hanao ezaka lehibe, mba hamongorana ny ota amin'ny fiainantsika? Heb.12:1, 4.
FANAMARIHANA: Raha te hateraky ny Fanahy ary ho lasa mpikambana ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra isika, dia tsy maintsy manaporofo fa mankatoa an'Andriamanitra isika amin’ny fotoana rehetra, ka miady mba hanaisotra ny masirasira ara-panahy amin'ny fiainantsika ary hanary an’izany! Izany no anjara asantsika amin'ny Planina lehiben'Andriamanitra.
               Noho izany, isaky ny lohataona, ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira hafitoana dia mampahatsiahy manokana an’ireo Kristiana notorontoronin’ny Fanahy fa mila mitandrina tsy tapaka ny didin'Andriamanitra izy ireo. Io no fotoana iray izay hanavaozan'izy ireo ara-panoharana ny fanapahan-keviny hiaina mifanaraka amin'ny Lalàn'Andriamanitra - hanokana indray ny fiainany mba hitombo ara-panahy lalandava sy handresy.

Pentekosta-fetin'ny voaloham-bokatra

               Fantatr'Andriamanitra fa mba hahavitana miala amim-pahombiazana amin'ny ota eo amin'ny fiainantsika, dia tsy ampy ny finiavana sy ny hafainganan-tsain’ny olombelona. Mila ny hery ara-panahy an'ny Fanahy Masin'Andriamanitra isika mba hanampy antsika hitandrina ny Lalàn'Andriamanitra ara-panahy.
               Ity no dingana fahatelo amin'ny Planina Lehiben'Andriamanitra, asehon'ny fety fanao isan-taona fahatelo, ny andro Pentekosta, antsoina koa hoe Fetin'ireo Herinandro na Fetin'ny Voaloham-bokatra.
1. Inona no torolalana nomen'Andriamanitra momba io fety io? Lev.23:15-17, 20. Moa ve Andro Masina izy io, sa Sabata isan-taona, izay tsy maintsy hisy fivorian’ny vahoaka? Andininy 21. Moa ve tsy maintsy hotandreman'ny vahoakan'Andriamanitra isan-taona mandrakizay izany? Andininy mitovy.
FANAMARIHANA: Eto dia ilaina ny mahatakatra ny tandindon'ity lanonana ity, izay mifandraika amin'ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira, sy ny fifandraisan’izany amin'ity fety masina fahatelo ity. Lehibe ny dikan'ity lanonana ity, na dia tsy atao intsony aza ankehitriny, hatramin'ny nanimban'ny Romana ny Tempoly tamin’ny taona 70 tar.JK..
2. Inona no karazana fanatitra tsy maintsy natolotra tamin'Andriamanitra alohan'ny fanombohan'ny fijinjana amin’ny lohataona (fijinjana amin'ny volana voalohany amin'ny kalandrien'Andriamanitra)? Lev.23:9-11, 14.
FANAMARIHANA: Araka ny nohazavaina tamin'ny fampidirana an'ity lesona ity, Andriamanitra dia namorona ny fetiny niaraka tamin'ny fijinjana ny fambolena indroa isan-taona tany Palestina. Andriamanitra dia nampiasa ireo fijinjana ireo ho toy ny ohatra ho an'ny "fijinjana" ara-panahy roa amin'ny Planina Lehibeny.
               Ny fijinjana fizika dia manampy antsika hahatakatra fa tsy mifandray amin'ny ankamaroan'ny olona Andriamanitra ankehitriny. Vitsy dia vitsy no olona antsoin'Andriamanitra ho ao amin'ny Fiangonany alohan'ny Fiavian'i Kristy Fanindroany. Tian'Andriamanitra ny fetin'ny lohataona mba haneho amin’ny Fiangonany isan-taona fa ny zanany notorontoroniny ara-panahy no "voaloham-bokatry" ny famonjena (Jak.1:18) - ilay fiandohana kely amin'ny fijinjana ara-panahin'ny olombelona ho ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra.
               Toy izao no fanombohan'ny fijinjana lohataona: ny marainan'ny andro voalohany amin'ny herinandro (alahady) nandritry ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira, dia amboaran’orja iray vao notapahana ny alina talohan'izay, no namboarina ary nentina ho any amin'nympisorona, izay hanevaheva azy eny ambony, eo anatrehan'Andriamanitra, mba henekeny izany. Izany no nantsoina hoe "fanatitra ahevaheva" izay maneho ny voalohan'ny fijinjana ny voaloham-bokatra.
               Raha vantany vao nahevaheva ny amboara, dia afaka nanomboka ny fijinjana. Ny fijinjana lohataona dia nifarana tamin'ny fotoan'ny Fetin'ny Voaloham-bokatra, 50 andro taty aoriana.
(Ny anaran'ity fety lehibe ity ao amin ny Testamenta Vaovao, Pentekosta, dia midika ara-bakiteny hoe "andro faha-dimam-polo"). Amin’io Sabata fanao isan-taona io, dia niangona ireo vahoaka mba hisaotra an'Andriamanitra noho ny voaloham-bokatry ny fijinjana tamin’iny taona iny. Andao hojerentsika izao ny fifandraisana mahaliana izay misy eo amin'ny fanatitra ahevaheva sy Jesosy Kristy.
3. Iza no voalohany natsangana tamin'ny maty, mba hiditra ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra? Asan'ny Apostoly 26:23. Moa ve Izy no voalohany (santatra) amin'ny voaloham-bokatry ny fijinjana ara-panahin'Andriamanitra? 1Kor.15:20, 23; Kol.1:18. Noho izany, moa ve mazava fa ireo Kristiana notorontoronin’ny Fanahy no voaloham-bokatra na santatry ny Planina Lehiben'Andriamanitra? Jak.1:18; Rom.8:23.
4. Taorian'ny nitsanganan'i Kristy tamin'ny maty, moa ve tsy maintsy niakatra tany amin'ny Rainy tany an-danitra Izy? Jaona 20:17. Tamin'io andro io ihany, taorian'ny niverenany avy tany an-danitra, moa ve afaka nikasika Azy ny mpianany tamin’izay? Ampitahao ny Matio 28:9 sy ny Jaona 20: 19-20, 27-28.
FANAMARIHANA: Tamin’ny andro voalohany tamin'ny herinandro (Alahady) io andro io, nandritry ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira. Tamin'io maraina io indrindra, izay fanolorana ny fanatitra ahevaheva, no naneken’ny Rainy an'i Jesosy Kristy ho toy ny "fanatitra ahevaheva" ara-panahy, natolotra tany an-danitra!
               Noho izany, dia notanterahin'i Kristy ny tandindon'ny fanatitra ahevaheva ao amin'ny Testamenta Taloha. Izy no Zanak'Andriamanitra natsangana tamin'ny maty voalohany - ny vokatra voajinja voalohany amin'ny Planina Lehiben'Andriamanitra. Lasa Zanak'Andriamanitra lahimatoa Izy - ny olombelona voalohany nahavita ny fizotry ny famonjena ary "nateraka indray".
               Saingy tsy afaka nanjary ho “Tompo sy Mpamonjy” antsika i Jesosy sy ho Lahimatoa amintsika raha tsy nanana zava-dehibe indrindra avy amin'Andriamanitra izay tokony hananantsika rehetra Izy, raha te hateraka indray isika tahaka ny nahaterahana an’i Kristy.
5. Moa ve, amin'ny maha-olombelona Azy, ary amin’ny heriny fotsiny, dia mety nahavita ny asa ara-panahy nataony ve i Jesosy, anisan'izany ny fankatoavana an'Andriamanitra,? Jaona 5:30; 8:28. Taiza no nahazoany ny fahefana nilainy? Jaona 14:10, tapany farany.
FANAMARIHANA: "Nitoetra" tao amin'i Jesosy tamin'ny alàlan'ny Fanahy Masina ny Ray!
6. Moa ve i Kristy nampanantena fanampiana ara-panahy toy izany tamin'ny mpianany? Jaona 14:16. Inona ilay "Mpampianatra"? Andininy 26.
7. Tamin'ny andro inona no tena nahazoan' ny mpianatra ny Fanahy Masina? Asan'ny Apostoly 2:1-4. Moa ve izy ireo lasa mpikambana ao amin'ny fiangonana ara-panahin'Andriamanitra? 1Kor.12:12-14.
FANAMARIHANA: Dimampolo andro taorian'ny nanekena an'i Kristy tany an-danitra, dia nomena ny mpianatra ny Fanahy Masina araky ny nampanantenain'i Jesosy. Tamin'ny andro Pentekosta no nanirahan'Andriamanitra ny Fanahiny mba hanorina ny Fiangonany - hahatorontoronina sy hanamafy ny voaloham-bokatra izay nanomboka nantsoiny ho ao amin'ny Fiangonany, voaloham-bokatra izay naseho an'ohatra tamin'ireo "mofo roa" voalazan'ny Levitikosy 23:17, sy 20. Ny fetin'ny Pentekosta ao amin’ny Testamenta Vaovao dia fahatsiarovana ny nananganana ny Fiangonan'Andriamanitra ao amin'ny Testamenta Vaovao tamin'ny alàlan'ny fandraisana ny Fanahy Masina. Tamin'ny andro Pentekosta taona 31 tar JK no nanomboka namboarin'ny Fanahiny ny voaloham-bokatry ny fijinjana ara-panahin'Andriamanitra, mba ho "jinjaina" ho ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra.

Fetin'ny Trompetra

               Fa ny voaloham-bokatra dia tsy azo jinjaina ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra raha tsy "ateraka indray" (Jaona 3:38) – izany hoe nitsangana tamin'ny maty ary niova ho fanahy. Tsy hitranga izany raha tsy amin'ny fiavian'i Jesosy Kristy indray, izay mitondra antsika amin'ny dingana fahefatra ao amin'ny Planina Lehiben'Andriamanitra.
               Ny Fetin'ny Trompetra dia hetsika teteza-mita ao amin'ny Planin’Andriamanitra. Ity fetibe ity dia tsy hoe tandindon’ny fiavian'i Kristy fotsiny, izay fotoana hitsanganan’ny voaloham-bokatra amin'ny maty sy hiovany ho fanahy, fa koa fanoharana mialoha ny fotoana mahatsiravina hisy ady lehibe maneran-tany atsy ho atsy, sy ny fidiran'i Jesosy Kristy hamonjy ny olombelona amin'ny fandringanana tanteraka, ary koa ny hampiorenana ny Fanjakan'Andriamanitra eto an-tany.
               Andao ho fantatsika tsara ny fomba ifandraisan'ity fety ity amin'ny Planina Lehiben'Andriamanitra.
1. Rahoviana no hankalazaina ny fety fahaefatra fanao isan-taona? Lev.23:23-25. Moa ve Sabata iray hafa fanao isan-taona izany ary fitsaharana amin'ny asa fanao an-davan’andro? Andininy 24-25. Moa ve didian’ Andriamanitra ny vahoaka hivory eo anatrehany amin'ity Andro Masina ity? Andininy 24.
FANAMARIHANA: Ny isa fito ao amin'ny Planin’Andriamanitra dia midika fahavitana sy fahalavorariana. Ny volana fahafito amin'ny kalandrien'Andriamanitra dia misy fety efatra farany, maneho ny fahavitan'ny Planina Lehiben'Andriamanitra ho an'ny olombelona. Ny fety izay miseho amin'ny andro voalohany amin'ity volana ity dia manamarika ny fiandohan'ny hetsika farany ao amin'ny Planin’Andriamanitra.
2. Tokony ho fahatsiarovana amin’ny fitsofana trompetra ve ity fety ity? Andininy 24.
FANAMARIHANA: Avy amin'ity lanonana ity no nahazoan’ny fetin'ny trompetra ny anarany. Misy hevitra ara-panoharana lehibe mifamatotra amin'ny fitsofana ireo trompetra ireo-indrindra fa isika izao dia miaina amin'ny vaninandro farany.
               Notsofina ny trompetra mba hanambarana ny fetin'Andriamanitra, ary koa hiantsoana ny olon'Andriamanitra hivory.
               Ny trompetra dia nampiasaina ihany koa ho fanairana raha misy fanafihan’ny fahavalo na ady mananontanina. Ity feo mampatahotra ity dia nameno tahotra ny vahoakan'Isiraely taloha, satria fantany fa manakaiky ny horohoro amin'ny ady!
               Io fampitandremana amin’ny ady io no mampiavaka ny Fetin'ny Trompetra amin'ny fetin’Andriamanitra hafa.
3. Rahoviana no nolazain’i Jesosy fa hampiorenina ny Fanjakan'Andriamanitra, tsy amin'ny fotoan'ny ady maneran-tany ve izany? Mat. 24:3, 6-8; Lioka 21:31. Moa ve ny olombelona hanam-pahefana hamongotra ny ain'ny olombelona rehetra eto ambonin'ny tany amin’izany? Mat.24:21-22.
4. Ao amin’ny bokin'ny Apokalypsy, moa ve misy resaka fitsofana trompetra mafy any an-danitra, mialoha kelin'ny fiverenan'i Jesosy Kristy? Apok.8:1-2, 6.
FANAMARIHANA: Ny tombo-kase fahafito izay nanidy ny horonam-boky (Apok.5:1), rehefa nosokafana, dia nampahafantatra anjely fito niaraka tamin'ny trompetra fito izay maneho ny tranga lehibe manerantany. Izany dia natao ho sazy ara-batana avy amin'Andriamanitra hampitandremana ireo firenena mba tsy handeha lavitra amin'ny fahotan'ny firenena sy ny tsirairay.
               Ireo trompetra telo farany izay manambara “loza” dia tandindon’ny dingana telo amin'ny ady lehibe manerantany. Amin'ny fahatelo, ny olombelona dia ho voavonjy amin'ny fandringanana tanteraka noho ny Fiavian'i Jesosy Kristy Fanindroany!
5. Moa ho voaro amin'ireo loza ambaran’ireo trompetra ireo ve izay mitodika amin'Andriamanitra? Apok.3:10; 7:2-3; 12:14. Moa ve noho ny "olom-boafidy" no hidiran'i Kristy amin'ny raharahan'izao tontolo izao mba hanafohezana ny fotoanan'ny fahasahiranana lehibe maneran-tany sy hanavotana ny olombelona amin'ny famongorana nokleary? Mat. 24:22.
FANAMARIHANA: Ny olom-boafidin'Andriamanitra no voaloham-bokatra amin'ny Planina Lehibeny. Izy ireo no nantsoin'Andriamanitra an'ity tontolo ity mba ho "voaloham-bokatra hojinjaina" ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra noforoniny.
6. Moa ve Jesosy nampanantena fa handefa ny anjeliny hamory ny olom-boafidiny amin'ny fitsofana mafy ny trompetra lehibe? Andininy 30-31. Moa ve ny fitsofana ity trompetra ity no fotoana hitsanganan'ireo maty ao amin'i Kristy? 1Tes.4:16-17; 1Kor.15:51-52; Apok. 11: 15-18. Io trompetra io ve no fahafito sady farany amin'ireo trompetra fito nambara ao amin'ny Apok.8? 1Kor.15:52.
FANAMARIHANA: Amin'ny feon'ny trompetra fahafito, izay manambara ny fiverenan'i Jesosy Kristy, ny voaloham-bokatry ny Planina Lehiben’Andriamanitra dia hitsangana amin'ny maty sy hovaina ho teraka ho fanahy tsy mety maty, ho ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra! Amin’izay Andriamanitra dia hijinja ny amboara ara-panahy kely amin’ny olombelona, mba hametraka ireo ho ao amin'ny Ankohonany. Hanomboka hanampy an'i Kristy hanjaka amin’ny tany izy ireo avy eo (Apok.20:6) ary hijinja vokatra ara-panahy bebe kokoa mandritra sy aorian'ny Fanjakana Arivo Taona. Ny fety telo farany dia mampiseho amin’ny antsipiriany ny fomba hanatanterahana izany.

Ny Andro Fanavotana

               Ary ahoana ny amin'i Satana? Inona no hahazo azy aorian'ny fiverenan'i Kristy?
               Ny dingana fahadimy ao amin'ny Planina Lehiben'Andriamanitra, ny Andro Fanavotana, dia manambara ny valiny. Izy io dia sarin'i Kristy manala an'i Satana devoly amin'ny toerany amin'izao fotoana izao amin'ny maha mpitondra ny tontolo azy (2Kor.4:4), sy ny fanesorana an'i Satana amin'ny toerana tena lavitra tanteraka ny zanak'olombelona. Ho voafatotra mandritry ny 1000 taona izy, tsy afaka hamitaka ireo firenena intsony sy hitaona ny olona hanota.
               Aorian'ny fanagadrana an'i Satana, ny sisa amin'ny zanak'olombelona dia hampihavanina-hatao miray amin'Andriamanitra.
Andao ho fantarina ny dikan'ny tandindon'ity fetin'Andriamanitra tokana fahadimy ity.
1. Inona no Sabata fanao isan-taona manaraka ny andro sivy aorian'ny fetin'ny trompetra? Lev.23:27; 16:29-31.
Didiana ve ny vahoakan'Andriamanitra hivory eo anatrehany amin'izany andro izany? Lev.23:27.
2. Ahoana no fomba fitandremana ny Andro Fanavotana? Andininy 32. Ahoana no "hampahoriana" ny tena amin'izany andro izany? Isa.58:3; Ezra 8:21.
FANAMARIHANA: Ny Andro Fanavotana angamba no Andro Masina tsy mahazatra indrindra, eo amin’ny zavatra izay tian'Andriamanitra hataontsika. Io no andro iray amin'ny taona handidin'Andriamanitra antsika hifady hanina, tsy hihinanana sakafo sy tsy hisotroana rano (Eks.34:28; Estera 4:16) - mandritry ny 24 ora, manomboka amin'ny filentehan'ny masoandro amin'ny andro fahasivy amin'ny volana ka hatramin'ny filentehan'ny masoandro amin'ny andro fahafolo ("hatramin'ny hariva ka hatramin'ny ampitso hariva" Lev.23:32).
               Ny fifadian-kanina noho ny antony ara-panahy, amin'ny fotoana rehetra amin'ny taona, dia tokony ho amin'ny fanetren-tena, mba hanakaiky kokoa an'Andriamanitra sy ny lalany marina (Isa.58:6-11). Noho izany, ny fifadian-kanina amin'ny Andro Fanavotana dia fampahatsiahivana mazava tsara ny toe-tsaina ilaina amin'ny famonjena, dia fanetren-tena, fanenenana lalina, fitadiavana mafy an' Andriamanitra sy ny làlany, izay toetra hananan'ity tontolo ity amin’ny farany, aorian’ireo tranga mahatsiravina tsy hiafara raha tsy amin'ny Fiverenan'i Jesosy Kristy!
3. Moa ve tsy mitovy amin'ny Andro Masina hafa fanao isan-taona ny Andro Fanavotana, satria tsy mahazo manao raharaha amin'izany? Nom.29: 7; Lev.16:29.

      Nahoana ity andro ity no hotandremana amin'ny fomba manetriketrika? Lev.23:28.
FANAMARIHANA: Ny Levitikosy 16 dia manambara amin’ny antsipiriany izay didin’Andriamanitra hataon’ny Levita amin’ny andro Fanavotana. Ny fombafomba voatanisa ao, na dia tsy atao intsony aza ankehitriny, dia manambara dingana hafa ao amin’ny Planin’Andriamanitra, izay ilaina mba hamerenana amin’ny laoniny ny Fitondram-panjakan’Andriamanitra eto an-tany, sy hitondra fahalalana mahavonjy ho an’ny rehetra
4. Moa ve, indray mandeha isan-taona, ny mpisoronabe taranak’i Arona dia tsy maintsy manao fanavotana manokana ho an'ny Zanak’Isiraely rehetra, hahafahany amin’ny fahotany? Lev.16:32-34. Natao tamin'ny Andro Fanavotana ve izany? Andininy 29-30.
5. Saingy alohan'ny hanaovan'ny mpisoronabe an’io fanavotana io, moa ve naka osilahy roa izy, ary nanao filokana hamaritana izay ho soloiny tena? Lev.16:7-8.
               Moa ve ny iray hisolo-tena an'i Kristy, Ilay Tsitoha? Andininy 8.
               Iza ilay soloin’ilay osilahy hafa tena? Andininy mitovy. Ho roahina ho any an-efitra ve izy? Andininy 10.
FANAMARIHANA: Tamin'ireo mponina voalohany tany an-efitra Sinay, Azazela dia milaza an'i Satana devoly.
6. Moa ve ny osilahy izay maneho an'i Kristy natolotra ho fanatitra noho ny ota ho an'ny olona rehetra? Andininy 15-16. Moa ve ny fahotan'ny olona napetraka ara-panoharana amin'ny lohan'ilay osilahy hafa, izay maneho an'i Satana, izay ho entina any an-efitra avy eo? Andininy 21-22.
FANAMARIHANA: Jesosy Kristy dia nanavotra antsika tamin’ny fahotana, rehefa naloany ny sazin'ny fahotantsika (ny fahafatesana) (Rom. 6:23) tamin'ny nanaovany sorona ny ainy tsy misy ota hisolo antsika.
               Fa ny tena anton'ireny fahotana ireny dia i Satana devoly (Jaona 8:42-44). Amin'ity fombafomban'ny Levita ity, ny otan’ny olombelona rehetra avy amin'ny herin'ny Satana dia napetraka teo an-dohan'i Satana, ara-panoharana, izay mpandrisika hanao izany!
               Rehefa hiverina i Jesosy Kristy, ny tsiny momba ny fahotan'ny zanak'olombelona dia hapetraka tsara eo an-dohan'i Satana, izay hahataka tsy ho eo amin'ny olombelona intsony.
               Mariho ny fahatanterahan'ny ampahan'ny Planina Lehiben'Andriamanitra nambaran'i Jesosy Kristy ao amin'ny bokin'ny Apokalypsy.
7. Inona no hatao an'i Satana aorian'ny Fiavian'i Jesosy Kristy Fanindroany? Apok.20:1-2. Aiza no hanipazana azy? Andininy 3. Jereo koa ny Apok.18:1-2.
FANAMARIHANA: Ilay "lavaka tsy hita noanoa" dia asehon'ny efitra izay nandroahana ilay osilahy ho an’i Azazela. Satana sy ny demoniany dia hosakanan'i Kristy tanteraka tsy hitarika ny olombelona hanota intsony. Tsy afaka hampiely intsony ny toe-tsainy ratsy i Satana (Ef.2:2).
               Rehefa nofatoran'ny anjelin'Andriamanitra (asehon’ilay "lehilahy voatendry" ao amin'ny Levitikosy 16:21) ireo devoly, ny sain'ny olombelona, izay nohidin'i Satana ara-panahy teo aloha, dia hosokafan'ny Fanahin'Andriamanitra!
Sambany ny olombelona no mba ho afaka hahatakatra ny Planin’ny Famonjen'Andriamanitra. Avy eo ny olombelona dia hanomboka hahatsapa ny lalany ratsy ary haniry ny hibebaka sy hahazo famelana ny helony. Amin'izay fotoana izay, fa tsy alohan’izay, vao hiray amin'i Kristy sy ny Ray ny olombelona, ka hirindra araky ny sary asehon'ny Andro Fanavotana!

Fetin'ny Tabernakely

1. Inona ny Fety voatendrin'Andriamanitra mitranga dimy andro aorian'ny Andro Fanavotana? Lev.23:34; Deot.16:13-15.
2. Moa ve io fety fito andro io dia manomboka amin'ny Andro Masina izay mandrara ny fanaovana tao-zavatra rehetra, ary hisy fivoriana masina izay hiangonan’ny olona eo anatrehan'Andriamanitra? Lev. 23:35. Moa ve Andriamanitra nandidy ny hitandremana mandrakizay izany fety fanao isan-taona izany? Andininy 41.
FANAMARIHANA: Ny Fetin'ny Tabernakla dia nantsoina koa hoe”andro firavoravoana amin’ny fanangonana” (Eks. 23:16; 34:22) satria nankalaza ny fijinjana izay hatao amin’ny faran’ny fahavaratra sy amin’ny fiandohan’ny fararano (Lev. 23:39).
3. Inona no lohahevitra nofidin'Andriamanitra ho amin'ny fankalazana ny Fetin'ny Tabernakely isan-taona? Deot. 16: 14-15. Moa ve Andriamanitra nilaza fa tokony hihinana sakafo tsara mba hampitombo ny fifaliana syny fahasambarana mandritra ity fety ity? Deot. 14:26.
FANAMARIHANA: Ny Fetin'ny Tabernakely, izay maneho ny dingana fahenina amin'ny Planina Lehiben'Andriamanitra, dia fotoana fifaliana lehibe! Ho an'ny Isiraely taloha, dia fotoam-pifaliana izany satria ny tahirin-tsakafo betsaka ho an’ny ririnina dia efa notehirizina talohan'ny Fety. Amin'ny Fanjakana Arivo Taona, izay ity fety ity no tandindon’izany, eo ambany fanapahana marin'i Jesosy Kristy, ny fahasambarana, ny fifaliana ary ny fanambinana izay asehon'ny Fetin'ny Tabernakely dia hisy manerana izao tontolo izao. Ny fanarahan’ny rehetra ny fomba fiainan'Andriamanitra dia hanova ny tontolo ho tonga Fanjakana nofinofy marina!
4. Moa ve ny vahoakan'Andriamanitra dia tsy maintsy honina ao an-trano rantsan-trano, na trano lay tsy maharitra mandritry ny andro firavoravoana? Lev.23:42.
FANAMARIHANA: Ny "tabernakely" na "trano rantsan-kazo" na trano lay dia trano vonjimaika. Nandidy ny Zanak’Isiraely taloha Andriamanitra honina ao amin'ny fialofana vonjimaika vita amin'ny rantsan-kazo (andininy 40) mandritry ny Fetin'ny Tabernakely. Ho an'ny olon'Andriamanitra izay manatrika ny Fetin'ny Tabernakely ankehitriny, ny lay, fiara mandeha maromaro, ny toby, ny hotely na ny trano fandraisam-bahiny dia mendrika honenana vonjimaika.
               Ao amin’ny fikasan’Andriamanitra ny Fetin'ny Tabernakely dia hahafahany hampihataka ny olony amin'izao tontolo izao sy hanafaka azy ireo amin’ny terivozona. Rehefa mipetraka amin'ny trano vonjimaika mandritry ny herinandro izy, lavitry ny toerana mahazatra azy isan'andro, lavitry ny asa sy ny fitaoman-dratsy rehetra, ny vahoakan'Andriamanitra dia misantatra ny fahalalahana, ny fifaliana sy ny fiadanan’ny tontolo izay hanjaka mandritry ny Fanjakana Arivo Taona, rehefa tsy afaka manimba intsony i Satana ary ny Fanahin'Andriamanitra dia hitarika ny olombelona rehetra (Joela 3:1-5).
               Ireo andro fito ireo dia andro firahalahian’ny kristiana mitohy sy tsotra, andro fialamboly, malalaka, misy toe-panahy faly! Misy vahoakan'Andriamanitra an'aliny maro sy ny Ankohonany dia mivory amin’ny toerana fanaovam-pety maro manerana an'izao tontolo izao. Ny Kristiana any amin'izany Fety izany dia manandrana, amin'ny fomba fiarahan'izy ireo miaina mirindra, ny ho fomba hiainan’ity tontolo ankehitriny, feno fahotana sy tsy fahasambarana ity, aorian'ny fiverenan'i Kristy.
               Fa na dia fety ara-batana feno fifaliana aza ny Fetin'ny Tabernakely, dia fety ara-panahy ihany koa, amin'ny fanabeazana sy fiofanana ihany koa. Ireo mpikamban'ny Fiangonan'Andriamanitra dia mahazo fampianarana avy amin'ny mpanompon'Andriamanitra, amin'ny alàlan'ny toriteny manentana fanahy hanampy azy ireo hiomana hanjaka sy hampianatra miaraka amin'i Kristy, mandritry ny Fanjakana Arivo Taona.

5. Aorian'ny fiverenan'i Jesosy Kristy, rehefa nampanaiky ireo firenena niady Izy sy nametraka ny fitondram-panjakan'Andriamanitra eto ambonin'ny tany, moa ve hanomboka hanatona Azy ireo firenena mba hianatra ny fomba fiainan’Andriamanitra? Mika 4:1-2. Moa ve ho takatr'izao tontolo izao ny lalan'Andriamanitra mankany amin'ny fandriampahalemana, ny fahasambarana, ny fiadanana, ny fitahiana ary ny famonjena? Isa.11:9; Jer.31:34.

Fanamarihana: Rehefa voafatotra mandritry ny 1000 taona i Satana, ary hitsangana eto an-+tany ny Governemantan’Andriamanitra, dia hanomboka ny 1000 taona volamena, taona misy fandriam-pahalemana sy fanambinana manerantany. Ny programa fanabeazan'i Kristy ho an'izao tontolo izao dia hitondra sivilizasiona vaovao mifototra amin'ny fomba fiainan’Andriamanitra –amin’ny lalàn'ny fitiavana masina, izay miteraka fitahiana ara-batana sy ara-panahy lehibe.

6. Fa inona no hanjo an'ireo firenena izay tsy nety nitandrina ny Fetin'ny Tabernakely tamin'ny voalohany, ka tsy nety niverina hianatra ny lalan'Andriamanitra? Zak.14:16-17. Inona no hanjo azy ireo raha mbola tsy mety manoa izy ireo? Andininy 18-19.

FANAMARIHANA: I Kristy dia hamerina hampianatra ny olona eto amin'izao tontolo izao amin'ny fety fanao isan-taona. Hahafantatra izao tontolo izao fa ny Planina Lehiben'Andriamanitra dia maneho ny fomba handraisana ny fitahiana fizika       sy ny famonjena ara-panahy. Ireo izay mandà tsy mety hitandrina ny Fetin'ny Tabernakely dia hijaly noho ny haintany sy ny areti-mandringana mandra-pankatoavany an'Andriamanitra Tsitoha.

7. Moa ve hitombo tsy misy fetra ny Fitondram-panjakan'Andriamanitra? Isa.9:7.

FANAMARIHANA: Hitombo haingana ny mponina maneran-tany amin'ny Fanjakana Arivo Taona. Olona an-tapitrisany maro no hiova fo ara-panahy! Ny fijinjana lehibe amin’ny fararano ny olombelona dia hangonina ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra ; hateraka indray ho mpikambana masina ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra manjaka mandritra ny Fanjakana Arivo Taona.

Amin'ny faran'ny arivo taona, ny Ankohonan’Andriamanitra lehibe dia ho vonona amin'ny dingana farany amin'ny Planina Lehiben'Andriamanitra. Mbola fifaliana sy zava-bita mihe-lehibe kokoa aza no miandry aorian'ny Fanjakana Arivo Taona!

Ny Andro Lehibe Farany

               Ary ahoana ny amin’ireo rehetra niaina sy maty nefa tsy mba nantsoin'Andriamanitra (anisan'izany, ny ankamaroan'ny olon-tianao ankehitriny) - izay tsy mba voasarika hahafantatra sy hahazo tanteraka ny fikasan'Andriamanitra sy ny planiny ho an'ny olombelona? Moa ve very mandrakizay izy ireo?
               Ny valiny dia aseho amin'ny hevitry ny Andro Lehibe Farany-ny fetin’Andriamanitra isan-taona ary fahafito farany - ny andro firavoravoana izay maneho ny dingana fahafito farany amin'ny Planina Lehiben'Andriamanitra.
3. Ahoana no nanondroan'i Jesosy an'io "andro" manokana na vanim-potoana fitsarana io ho an'ireo olona izay mbola tsy maintsy mandre sy mahatakatra ny hafatry ny famonjena mahatalanjona? Mat.11: 20-24; 12:41-42.
FANAMARIHANA: Niresaka momba ny olona tany Tyro sy Sidona, Sodoma, Ninive tamin'ny andron'i Jona ary avy eo ny Mpanjakavavin'ny atsimo i Kristy. Ireo olona rehetra ireo, izay niaina tamin'ny vanim-potoana samy hafa amin’ny Tantara, dia nampitahain’i Jesosy tamin’ireo olona niaina  tamin'ny androny, ary ny ankamaroan’ireo dia tsy nahatakatra na tsy mino ny hafatr'i Kristy.
               Jesosy dia milaza fa izy rehetra ireo dia hatsangana amin'ny maty hiaraka amin'ireo taranaka velona sy niaina tamin'ny androny!
               Jesosy dia nanome ohatra ampy momba ny olona velona tamin'ny fotoana samihafa, mba hanamarinana fa ny ankamaroan'ny zanak'olombelona dia ho velona amin'ny fotoana iray ihany eto ambonin'ny tany. Hisy ny olona niaina talohan'ny Safo-drano, ireo foko 12 Zanak’Israely rehetra, ireo izay niaina tamin'ny vanim-potoana antenantenany (Moyen-Age) sy ny ankamaroan'ireo olona velona ankehitriny. Ireo zazakely sy ny zaza maty tsy tra-drano koa dia hatsangana amin'izay. Hitsangana amin'ny fitsanganana faharoa izy rehetra, satria tsy nantsoin'Andriamanitra nandritry ny fiainany voalohany.
               Ireo olona taloha nolazain'i Jesosy tao amin'ny Matio 11 sy 12 dia ho nibebaka raha tonga tany amin'izy ireo Izy tamin'ny androny. Fa hibebaka izy ireo rehefa hatsangana amin'ny maty ary hahazo hanana ny Fanahy Masina aorian'ny Fanjakana Arivo Taona.
               Ny Baiboly dia mampiseho fa ny ankamaroan'ny olona rehetra dia ho teraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra amin'ny faran'io fotoam-pitsarana ho avy io, izay aseho an-tsary amin'ny Andro Lehibe Farany.
               Ho vita tanteraka ny Planin’ny Famonjen'Andriamanitra ho an'ny olombelona.
               Avy eo ireo mpikambana ao amin'ny Ankohonan'Andriamanitra lehibe sy manjaka, izay efa fanahy daholo, dia afaka miandrandra lanitra vaovao sy tany vaovao-ary hanana anjara vaovao sy mahafinaritra amin'ny fitondrana ny Onivera manontolo, eo ambany fitarihan'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Ilay Lahimatoa amintsika!

1. Moa ve sitrapon'Andriamanitra ny hahatongavan'ny olombelona rehetra niaina amin'ny fahalalana ny Planin’ny Famonjeny? 2Pet.3:9; 1Tim.2:4.

FANAMARIHANA: Ao amin'ny fiahiany feno fitiavana ny olombelona rehetra, Andriamanitra dia nanomana ny olona rehetra mba hanana anjara hahazoany famonjena sy ho lasa zanany, mpikambana ao amin'ny Ankohonany, sahala amin'ireo izay efa nantsoiny sy efa notorontoroniny ho lasa zanany.

               Tahaka ny tsy fahafenoan'ny herinandro raha tsy ao ny Sabata andro fahafito, dia tsy feno ny Planina Lehiben'Andriamanitra raha tsy ao ny fetiny fahafito farany fanao isan-taona.

               Ny isa fito ao amin'ny Baiboly dia manondro ny fahatanterahana sy ny fahalavorariana. Ity fetin'Andriamanitra fahafito ity dia mampiharihary ny fahalavorarian'ny Planina Lehiben'Andriamanitra; io fety io koa dia manambara ny fitiavan'Andriamanitra sy ny famindram-pony amin'ny olombelona, izay hitohy ankoatry ny Fanjakana Arivo Taona.

2. Moa ve Andriamanitra nanomana andro fiankohofana fahavalo avy hatrany aorian'ny andro fito amin'ny Fetin'ny Tabernakely? Lev.23:36, 39.

FANAMARIHANA: Ny Sabata fanao isan-taona na Andro Lehibe Farany dia hotandremana avy hatrany aorian'ny Fetin'ny Tabernakely. Noho izy akaikin’io Fety hafitoana io, dia nampifandraisina tamin'ny Fetin'ny Tabernakely izy io ary nantsoina hoe "andro fahavalo". Nanjary fantatr’ireo Kristiana amin’ny hoe "ny andro farany, andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana” izany (Jaona 7:37). Ny Andro Lehibe Farany dia fety manokana sy Andro Masina.

               Ny Andro lehibe farany dia maneho ny fahavitan'ny Planina Lehiben'Andriamanitra. Izany, araky ny efa nianarana tao amin'ny lesona 21, dia ny fotoam-pitsaran’ny Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe izay hiseho aorian'ny Fanjakana Arivo Taona. Ny Apok.20:5 dia maneho fa hisy fitsanganana faharoa hitranga aorian'ny Fanjakana Arivo Taona, ary ny andininy 11-12 dia manambara fa ireo izay handray anjara amin'ity fitsanganana amin'ny maty ho amin'ny fiainana mety maty ity, izay maty nefa tsy mbola nantsoina handray anjara amin'ny Planin’ny Famonjen'Andriamanitra, dia homena anjara mba hahatongavany ho mpikambana ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra manjaka.

               Ireo olona ireo dia homena fotoana ampy mba hianarany hankatoa an'Andriamanitra, toy ireo Kristiana ankehitriny izay notorontoronin’ny Fanahy Masina. Ireo izay manohy miaina araky ny fomba fiainan'Andriamanitra, ary mandroso amin’ny toetran'Andriamanitra, dia hovaina ho olona tsy mety maty intsony amin'ny faran'ny fotoam-pitsarana, izay toa haharitra 100 taona, araky ny Baiboly (Isa.65:20).

I Kristy no ifantohan'ny Andro Masin'Andriamanitra

               Nandritry ny taona maro, ny Fiangonan'Andriamanitra dia nitombo tamin'ny fahazoana ny dikany ara-panahy amin'ny Andro Masin'Andriamanitra. Tsy toy ny fety fahita ankalazain’ny Kristianisma nentim-paharazana ankehitriny izany, fa ny andro masin'Andriamanitra dia manambara ny Tanjona Lehiben'Andriamanitra Tsitoha ho an’ny olombelona sy ny fomba fanatanterahana izany.

               Tao amin'ity lesona topimaso ity, dia hitantsika fa i Kristy, Ilay Mpahary antsika, dia mamolavola antsika hanana ny endrika ara-panahin'Andriamanitra, mba ho tonga mpikambana ao amin'ny Fanjakan’Andriamanitra isika, izay asehon'ny Sabata isan-kerinandro. Nianarantsika koa fa ny fety masina isan-taona dia tsy vitan’ny hoe mampianatra antsika ny Planina Lehiben’ny Famonjen’ny Tsitoha fotsiny, fa misarika ny saintsika mivantana amin'i Jesosy Kristy Mpamonjy antsika izany. Izy no "Paska ho antsika" (1Kor.5:7). Rehefa "mitafy" an'i Kristy isika dia hanafongotra ny ota amin'ny fiainantsika (Rom.13:13-14; Kol.3:1, 10-14), araka ny seho an-tsary entin’ny fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira.
               Kristy no voalohany amin'ny "voaloham-bokatra", ary 50 andro taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty no nandefasany ny Fanahy Masina, tamin'ny andro Pentekosta. Ny Fanahy Masina dia nanomboka niely patrana, mba haha-torontoronina ara-panahy ireo izay nantsoin'ny Ray, mba hahafahan'izy ireo mankatoa ny lalàny, mandresy tanteraka ny fahotana amin'ny fiainany ary hitomboany ara-panahy.
               Hiverina eto an-tany i Kristy mba hiditra an-tsehatra amin'ny raharahan'izao tontolo izao (sary asehon'ny Fetin'ny Trompetra), hanangana amin'ny maty ireo voaloham-bokatra, ary ho lasa Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo Izy, ka hamarana ny fanjakana tsy refesi-mandidin’i Satana, ilay rain’ny lainga, araky ny asehon'ny Andro Fanavotana.
               Rehefa tsy misy intsony ny fitaoman'ny devoly sy ny demoniany, ny olombelona rehetra dia hanana fahafahana ho "iray" amin'i Kristy amin'ny alàlan'ny fibebahana, ny batisa ary ny fandraisana ny Fanahin'Andriamanitra.
               Hiverina i Kristy mba hanangana ny Fanjakan'Andriamanitra ety an-tany, ary hanangana Fanjakana lavorary araky ny nofinofisina, izay asehon’ny Fetin'ny Tabernakely. An'arivo tapitrisa maro no olona hotorontoronin’ny Fanahy Masina, ary ho teraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra, mandritry ny Fanjakana Arivo Taona.
               Ary farany, i Kristy dia hanao izay hahatonga ny famonjena ho azo omena ny olona rehetra izay niaina, nefa tsy mbola nandre na nahatakatra ny fahamarinana, mandritry ny dingana lehibe farany amin'ny Planin’Andriamanitra-ny Andro Lehibe Farany, izay tandindon’ny fotoana fitsarana farany.
               Ny fiangonan'Andriamanitra dia mahatakatra sy mampianatra ny fahamarinana sarobidy momba ny tanjona sy ny Planin’Andriamanitra ho an'ny olombelona. Manerana an'izao tontolo izao, ireo zanak'Andriamanitra notorontoronin’ny Fanahy dia mitandrina am-pahatokiana ny Sabata isan-kerinandron’Ilay Tsitoha, sy ireo Andro Masina fanao isan-taona.
               Tsarovy fa amin'ny lesona manaraka dia hanomboka ny fandalinana bebe kokoa momba ny Andro Masin'Andriamanitra tsirairay isika. Ny lesona faha-24 dia handalinana ny Sabata andro fahafito. Tsy ireo teboka naseho tamin'ny fandalinana fohy natao tamin'ny lesona momba ny Sabata isan-kerinandro ihany no hodinihina antsipiriany bebe kokoa, fa hamaly ireo fanontaniana isika, toy ny hoe: Ahoana no maha-didy "fitsapana" manokana ny Sabata? Na koa hoe: Efa niova ve ny fitsingerenan’ny herinandro? Moa ve Andriamanitra nanova ny Sabata andro fahafito ho amin’ny andro hafa? Inona no hatao mba ho tonga fitahiana ara-panahy sy hahazoana fahafinaretana ny Sabatan'Andriamanitra isan-kerinandro?

No comments:

Post a Comment