Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira

 

 Ambasadaoro Kolejy - Toko faha-28

FETIN'NY MOFO TSY MISY MASIRASIRA

Ny Andraikitsika amin’ny Planin’ny Famonjena

 

Ny sorona nataon i Jesosy Kristy dia nahafahana namela ny helontsika taloha - izay dingana voalohany ao amin'ny Planin'Andriamanitra. Ny fety faharoa isan-taona no mampiseho ny DINGANA FAHAROA ao amin'ny Planin’ny Famonjena ho an'ny olombelona

Ny ankamaroan'ny Kristiana maoderina dia mampianatra fa tsy misy zavatra hafa tokony hataontsika afa-tsy ny mino ny soron'i Kristy noho ny fahotantsika.

Tsy mahagaga raha aseho ho toy ny Mpamonjy maty mihantona eo amin'ny hazo fijaliana i Kristy! Ny fahafatesan'i Kristy, asehon'ny Paska, dia nilaina handoavana ny sazin'ny fahotantsika taloha, izany hoe hampihavanana antsika amin'ny Ray. Nefa ny fahafatesany irery dia tsy mahavonjy antsika! Mieritrereta vetivety, raha maty i Jesosy Kristy nefa tsy natsangana, moa ve ny fahafatesany irery ihany dia hahatonga antsika hahazo ny fiainana mandrakizay?
Tsia, mazava ho azy! Ny fanekena ny soron'i Kristy dia dingana voalohany ihany ao amin'ny Planin'Andriamanitra hitondra ny olona ho mpikambana ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra.

Hitohy Hanota Ve Isika?

Inona no tokony hataontsika rehefa norakofan’ny ra nalatsak'i Kristy ny fahotantsika taloha? "Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika hitomboan'ny fahasoavana?" Hoy ny Apostoly Paoly: "Sanatria izany!" Sady nohamafisiny ny valiny (Rom.6:1-2). "Hanota va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin’ny fahasoavana? Sanatria izany!" (Andininy 15).
Voavonjy amin'ny alàlan'ny fahasoavana isika (Efes. 2: 8).
"Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika.”(Romana 3:31). Nisy olona nanontany an'i Jesosy indray mandeha hoe: "Mpampianatra ô, inona no tsara hataoko, hahazoako fiainana mandrakizay?»Namaly toy izao i Jesosy: "Raha te hiditra any amin'ny fiainana ianao dia tandremo ny didy” (Mat.19:16-17).
Araky ny nianarantsika tamin'ny lesona teo aloha, Andriamanitra amin’izao fotoana izao dia eo am-pamoronana toetra ara-panahy masina, mahitsy, tonga lafatra ao amin'ireo izay nantsoiny ho ao amin'ny Fiangonany. Ny olombelona, izay modely tanimanga ihany ankehitriny, dia eo an-dalam-pamoronana azy araky ny endriny Andriamanitra Mahery indrindra.
Koa satria ny Didy Folo dia mamaritra ny toetra sy ny sitrapon'Andriamanitra, noho izany, ny fitandremana ny lalàny dia ilaina tanteraka amin'ny fitomboan'ny toetra ara-panahy. Noho izany, tsy maintsy mankatoa ny Mpanefy antsika isika, mamela Azy hamolavola ny toetrany ao anatintsika raha mbola nofo sy ra isika.

Tokony Handà Ny Ota Isika

Ny fanekentsika ny sorona nataon'i Kristy ho fandoavana ny sazin'ny otantsika dia dingana voalohany ihany mankany amin'ny famonjena. Vantany vao nibebaka tamin’ny fahotana nataontsika isika, ary voavela heloka eo anatrehan’Andriamanitra, dia tiany handà ny ota isika!
Andriamanitra mandidy antsika hivoaka amin'ny ny lalana mitondra amin’ny ota eto amin’ity tontolo misy antsika ity (Apok.18:4) - toy ny nandaozan'ny Isiraely fahiny an’i Egypta, tandindon'ny ota (Hebreo 11:24-26).
Araka izany, ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira dia fampatsiahivana ny vahoakan'Andriamanitra ankehitriny fa tokony hiezaka mafy izy ireo hametraka tanteraka ny ota any ivelan'ny fiainany!

Aorian'ny fibebahana sy ny batisa, dia antenain'Andriamanitra isika hiezaka hitandrina ny Lalàny — mba hanary “ ny masirasira” ara-panahy any ivelan’ny fiainantsika, toy ny ataontsika ara-bakiteny amin'ny fanariana  ny masirasira any ivelan’ny trano alohan'ny Fety. Ny tsy fihinanana mofo misy masirasira mandritry ny Fety dia mampianatra antsika ny fanoherana ny ota, izany hoe ny FANKATOAVANA AN'ANDRIAMANITRA!

Ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira dia sarin’ny fitandremana ireo didin’Andriamanitra, izay fomba hafa ilazana ny fanesorana ny ota. Raha mankalaza ny Paska fotsiny, nefa tsy mitandrina ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira, dia azo oharina amin’ny fanekena ny soron'i Kristy, nefa avy eo dia milaza fa vita ny fanajàna ny Lalàn’Andriamanitra – satria isika dia eo "ambanin'ny fahasoavana", dia afaka hitohy hanao fahotana! Tsarovy anefa fa ny Baiboly dia milaza fa i Kristy dia tsy mpanompon’ny ota! (Gal.2:17).

Isika dia tsy maintsy miezaka hivoaka amin'ny ota rehetra. Izany no ANJARANTSIKA, na ANDRAIKITRA TAKIANA AMINTSIKA, amin'ny Planin’ny Famonjen’Andriamanitra, miaraka amin'ny fanampian'i Kristy.

Mba hitazomana antsika amin'ny fahalalana ny dingana faharoa amin'ny Planin'Andriamanitra, i Kristy, Ilay Tompo tamin'ny Testamenta Taloha, dia nanorina ny Andro Firavoravoana faharoa isan-taona - ny Fihinanana ny Mofo Tsy Misy Masirasira. Ny fitandremana io fankalazana io dia manentana antsika handray andraikitra mavitrika amin’ny fitazonana ny heloka voasaron’ny ran’i Jesosy Kristy mba ho any ivelan'ny fiainantsika manomboka eo.

 ny masirasira dia nataon’Andriamanitra koa ho tandindon'ny ota (1Kor.5:8). Koa nandidy ny Isiraelita fahiny Izy mba hanala ny masirasira rehetra hivoaka ny tranony sy ny fananany ary hihinana mofo tsy misy Masirasira mandritry ny andro fito ao anatin’ny firavoravoana.

"Aoka Isika Hitandrina ny Andro Firavoravoana"!

Ao amin'ny baiko tsotra sy mazava voasoratra ao amin’ny Testamenta Vaovao, izay mampitandrina ny fety masina isan-taona sy ny Andro Masina, ny Apostoly Paoly dia nanoratra ho an'ny Kristiana hafa firenena tany Korinto hoe: “Voavono Kristy, Paska ho antsika; ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana” (1Kor.5:7-8). Ny tena resaka, araky ny ho hitantsika amin'ity lesona ity, dia mazava tsara fa ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira no torin'i Paoly eto!
Ny Kristiana ankehitriny dia tsy didiana fotsiny hahatsiaro ny Sorona nataon'i Kristy amin'ny fankalazana ny Paska; Tsy maintsy mitandrina ny Andro Firavoravoana Fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira koa izy ireo. Ireo fety roa fanao isan-taona ireo dia tsy azo sarahina, na ara-tantara, na ara-panahy ho antsika amin’izao andro izao.
Andao isika hanomboka hahatakatra ny tena dikan'ity fety faharoa fanao isan-taona ity, izay sarin’ny dingana manaraka ao amin'ny Planin'Andriamanitra. Andao hianarantsika izay lazain'ny Baiboly momba ny anjara andraikitr’isika ao amin'ny Planin’ny Famonjena.

Izao no voasoratra: « Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy. » (Apokalypsy 18:4)

(Hebreo 11:24-25) Finoana no nandavan'i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin'i Farao, rehefa lehibe izy, - « nifidy mantsy izy hiara-mitondra fahoriana amin'ny olon'Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin'ny fahotana, » « nanao ny fanaratsiana an'i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan'i Egypta, satria nijery ny famalian-tsoa izy. »

LESONA 28

 Ny Fety Voalohany amin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira

Ny fianarantsika ny fety faharoa fanao isan-taona dia manomboka amin'ireo zava-nitranga tamin'ny andro fankalazana ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira, noforonina tamin'ny fotoana nifindran'ny Isiraely avy tany Egypta. Araky ny efa nianarantsika tamin'ny lesona teo aloha, ny Israelita dia andevo tany Egypta. Andriamanitra dia nanomboka nanafaka azy ireo tamin'ny mpamabo, tamin'ny alalan'ny loza maro be.

Tadidio fa ny harivan'ny andro faha-14 Abiba, ny fianakaviana Isiraelita rehetra dia namono ny zanak'ondry nofidiny, ary avy eo nonosotra ny rany teo amin'ny tolana sy tataom-baravaran'ny tranony. Niaro ny lahimatoan’izy ireo tamin'ny lozam-pandringanana izany (Eks 12:6-7, 12-13). Ny zanak'ondry tsirairay dia tandindon’ny "Kristy, Paska ho antsika," Ilay “Zanak'ondrin’Andriamanitra”, ary ny rany maneho ny ran'i Kristy, izay nalatsaka taty aoriana be mba handoa ny sazin’ny fahotantsika, dia ny fahafatesana ara-panahy.

1. Hafiriana no nijanonan'ny Isiraelita tao an-tranon'izy ireo tamin'ny alin’ny 14 Abiba? Eks 12:22, tapany farany. Inona no tokony hataon'izy ireo raha vao maraina? Andininy faha-10.
2. Inona no nataon'ny olona nandritry ny alin'ny 15 Abiba? Eks 12:37, 42; Nom.33:3; Deot.16:1. Moa ve ny 15 Abiba no andro voalohany amin'ny andro firavoravoana Mofo Tsy Misy Masirasira? Lev 23:6.
FANAMARIHANA: Voaaro tamin’ny anjelin’ny fahafatesana ny Israelita, vokatry ny fametahana ny ran'ny zanak'ondry tamin'ny tolana sy ny tataom-baravaran'ny tranony, sy ny fijanonana tao anaty trano nandritry ny alina. Vao maraina izy ireo dia nandoro ny sisa tavela tsy lany tamin'ny zanak'ondrilahy efa voatsatsika. Ary ny “ampitson'ny Paska” izy ireo no nanomboka "nivoaka avy tany Egypta tamin'ny alina," (15 mifoha 16 Abiba).
3. Moa ve ny Isiraelita tokony hahatadidy indrindra ny fanafahana azy ireo avy tany Egypta? Eks 13:3-4. Amin'ny fomba ahoana no nandidian' Andriamanitra, tamin'ny alalàn'i Mosesy, hankalazana ny fanafahana azy ireo? and. 3, tapany farany, and. 6-7; Eks 12:15-20.
FANAMARIHANA: Nasain'i Mosesy narian’ny olona ny masirasira rehetra araky ny didin'Andriamanitra. Ary tamin'ny fandosiran'izy ireo an’i Egypta, tsy nanam-potoana ampy hitomboana ny koban’izy ireo, satria tsy voaisy masirasira (Eks 12:33-34, 39). Noho izany, ny fihinanana ny mofo tsy misy masirasira dia ho fampahatsiahivana na fahatsiarovana isan-taona ny fotoana izay nandosiran’izy ireo haingana an'i Egypta.
Saingy, araky ny hianarantsika aoriana kely amin'ity lesona ity, misy dikany lehibe maro kokoa mifamatotra amin' ny masirasira ao amin’ny Testamenta Vaovao. Ho azontsika ny hevitra ara-panahin’ny fanariana ny masirasira sy ny fihinanana mofo tsy misy masirasira mandritry ny fankalazana ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira.
4. Taorian'ny nitobiany tao Sokota, taiza no nasain’Andriamanitra nandehanan’ny Isiraelita? Eks 13:20; 14:1-2. Moa ve nanenjika azy ireo i Farao sy ny tafiny? Eks 14:5-8.
Taiza ny tafika Egyptiana no nahatratra ny Israelita? And. 9; (momba ny antsipiriany amin’ny lalana nivoahany, jereo ny sarintany sy ny FANAMARIHANA ao amin'ny pejy manaraka.)
FANAMARIHANA: Tamin'ny andro fahenina tamin'ny andro Fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira, dia tratran’ny tafika Egyptiana nitoby teo akaikin'ny tendrombohitra Pi-hahirota ny Israelita. Ny tendrombohitra dia nisakana ny fandosirana tsy ho azo atao mankany atsimo sy mankany andrefana; Ny Ranomasina Mena, mankany atsinanana, dia sahabo ho 12 kilometatra mahery hatreo amin'izany toerana izany, ary ny tafik'i Farao nijanona teo avaratry ny Isiraelita. Voafandrika ry zareo!
Satria fantatr’i Jehovah fa hanenjika ireo andevony taloha ireo i Farao (Eks 14:3-4), dia nasainy nivoaka ny lalana mahazatra ny Israelita. Nentiny ho any amin'ny fandrika izy ireo, mba hahasoa azy ireo, sy hanaporofoana aminy, sy amintsika ankehitriny koa, fa Andriamanitra irery no manolotra famonjena — raha matoky Azy isika. (Ity fahamarinana manan-danja ity dia mbola horesahina indray any aoriana amin'ity lesona ity.)
5. Raha vao azon'ny olona ity toe-javatra manahirana ity, ahoana no fihetsik'izy ireo? Eks 14:10-12.
FANAMARIHANA: Ny firavoravoana sy ny fifaliana dia lasa tahotra sy fahatezana rehefa hitan'ny Isiraelita fa tsy misy olombelona afaka handositra an'i Farao izany.
6. Ahoana no nanomezan'i Jehovah lalana handosiran'ny Isiraelita voafandrika? Andininy 13-16, 19-22. Inona no nataony tamin'ny kalesy Egyptiana rehefa niezaka hanaraka ny Israelita ny tafik’i Farao? Andininy 23-25. Inona no nitranga tamin'ny Egyptiana? Andininy 26-28.
FANAMARIHANA: Ny andry rahona sy afo mahagaga izay nitondran'Andriamanitra ny Isiraely (Eks 13: 21-22), nifindra nanaraka azy ireo hiaro azy amin'ny tafika Egyptiana. Rehefa afaka izany, Jehovah dia nampifandimby ny herin'ny natiora, ary nanokatra lalana iray namaky tao amin’ny Ranomasina Mena mba hahafahan'ny olona mandeha miampita. Jehovah Mahery Indrindra no nanafaka ny Isiraely tamin'ny Tafik’i Farao!
Ny lovantsofina dia manamarina fa ny fanokafana mahagaga ny Ranomasina Mena, sy ny fahavitan'ny Isiraelita nandositra ny fanandevozana, dia nitranga alohan'ny fiposahan'ny andro fahafito sady farany amin'ny andro firavoravoana Fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira. Noho izany, amin'ny ampahany mazava (antoandro) amin'ity Sabata Masina isan-taona ity, dia nisy fifaliana lehibe ho fankalazana ny fahatanterahan’ny fanafahana ny Isiraely tamin’ny fanandevozana tany Egypta (Eks 15:1-21).

 

Ny Andro Firavoravoana Tamin'Isiraely Fahiny

Taorian'ny nanafahana ny Israelita tamin'ny fanandevozana tany Egypta, dia nampanantena izy ireo fa hankatoa an'Andriamanitra. Nefa tsy nahomby tanteraka izy ireo afa-tsy tamin'ny fotoana nanomezan'Andriamanitra azy ireo mpitondra marina. Teo ambany fitarihan'i Josoa, izay nandimby an'i Mosesy, nankatoa an'Andriamanitra ny Isiraelita (Mpitsara 2:7). Saingy taorian'ny nahafatesany sy ny fahafatesan’ny loholon’io taranaka io, dia tsy nankatoa ny taranaka manaraka.

Nanasazy ny olona Andriamanitra noho ny tsy fankatoavany; fa rehefa niantso vonjy taminy izy ireo, dia naniraka mpitondra marina hamonjy azy Andriamanitra. Na izany aza, rehefa maty ireny mpitondra marina ireny, dia nanota bebe kokoa hatrany ny olona, indrindra nanao fanompoan-tsampy (and. 10-12, 18-19). Ity seho ity niverimberina imbetsaka nandritry ny vanim-potoan'ny mpitsara.
Nandritry ny fotoana nanjakan'i Davida Mpanjaka marina, dia niroborobo be ny Israelita; toy izany fony nanjaka i Solomona. Fa ny mpanjakan'ny Isiraely rehetra taty aoriana, sy ny ankamaroan'ny mpanjaka tao Joda, dia tsy nankatoa an'Andriamanitra, ary nitarika ny firenena ho amin’ny ota hatrany. Voaozona ry zareo, ary nentina ho babo; Isiraely aloha, ary Joda avy eo, 100 taona mahery taty aoriana.
1. Na izany aza, talohan'ny fahababoan'i Joda, nisy mpanjaka iray antsoina hoe Hezekia, nanao izay mahitsy teo imason'Andriamanitra (2Tantara 29:1-2). Fantatr'i Hezekia ve fa ny korontana nasionaly tao Joda dia vokatry ny nandaozan’ny fireneny an'Andriamanitra? 2Tantara.29:6-9.
2. Noho izany, inona no nanomboka nataon'i Hezekia tao amin’ny Tempolin'Andriamanitra, izay niharava ka nanjary korontana? And. 3. Ary inona no nasainy nataon’ny Levita? And.4-5, 10-11.
3. Inona no nataon'i Hezekia taorian'ny nanamasinan’ny mpisorona indray ny tenany mba hanompo an'i Jehovah? 2Tan.30:1-5. Fantany ve fa ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira koa dia tokony hotandremana? And.21.
FANAMARIHANA: Nandritry ny nanjakan'ireo mpanjaka ratsy fanahy talohan'i Hezekia, dia nohidiana ny Tempolin'Andriamanitra. Hadinon’ny olona ny lalàna sy ny fetin’Andriamanitra, ary nanaraka ny fanompoan-tsampy fanaon'ny firenen-kafa manodidina azy izy ireo. Fa rehefa lasa mpanjaka i Hezekia, dia naveriny tamin'ny laoniny ny fiankohofana marina amin'Andriamanitra, anisan’izany ny fitandremana ireo fety fito fanao isan-taona.
Na izany aza, ireo fety voalohany, dia ny Paska sy ny andro voalohany fankalazana ny Mofo Tsy Misy Masirasira, natao hotandremana mandritry ny taona maro, dia tsy notanterahina tamin'ny volana Abiba. Ireo mpisorona dia tsy voaomana ara-potoana ary ny vahoaka mbola tsy tafangona tao Jerosalema hankalaza ireo fety. Araky ny fotokevitry ny Nomery 9:9-12 ho fankalazana ny Paska iray volana aty aoriana raha ilaina, dia nitandrina izany izy ireo ary avy eo, taorian'izay, ny andro fankalazana ny Mofo Tsy Misy Masirasira tamin’ny volana faharoa.
Nampiroboroboan’Andriamanitra ny firenena rehefa niverina taminy teo ambany fanjakan'i Hezekia. Nefa taorian’ny fahafatesan'i Hezekia, dia nanadino an'Andriamanitra sy ireo fetiny indray ny Jiosy. Niverina tamin'ny fanompoan-tsampy izy ireo, tao ambanin'ny ny fanapahan'i Manase sy Amona, mpanjaka ratsy fanahy. Tsy naverina indray ny fety isan-taona mandra-pahatongan'ny fanjakan'i Josia mpanjaka.
4. Mpanjaka marina ve i Josia? 2Tantara. 34:2. Niverina tamin’ny fandaozana sy faharavana indray ve ny tempoly talohan'ny nanombohan'ny nanjakany? And.7. Rehefa nanomboka ny asa fanamboarana, inona no hitan’ny mpisoronabe tao amin'ny Tempoly? And. 14. Inona no nampanantenain’i Josia ampahibemaso fa hataony? And. 31. Moa ve Izy nitarika ny vahoaka rehetra hankatoa an'Andriamanitra? And. 32-33.
5. Inona no nodidian'i Josia hataon'ny vahoaka tamin’ny Paska? 2Mpanjaka 23:21-23; 2Tantara 35: 1. Moa ve takany fa Andriamanitra nanantena ny olony hitandrina ny Andro Firavoravoana Fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira koa? 2Tantara 35:17.
FANAMARIHANA: Rehefa maty i Josia, ny ankamaroan'ny Jiosy dia nanary indray ny Lalàn'Andriamanitra, tsy niraharaha ny Sabata isan-kerinandro izy ireo, ary nolaviny ny fety fanao isan-taona. Mba hitondrana ny olona hibebaka, dia nanasazy azy ireo Andriamanitra, navelany ho resy an’ady ny firenen’i Joda rehetra, ary lasa babon’ny Babyloniana.
6. Fitopolo taona taty aoriana, navelan'Andriamanitra hiverina tany Jerosalema ny Jiosy maro te hanao izany, ary hanangana indray ny Tempoly. Inona no nataon'izy ireo taorian'ny nanorenany indray sy nanokanany ny tempoly? Ezra 6:19-22.
FANAMARIHANA: Mariho fa isaky ny naverina tamin'ny laoniny ny fivavahana amin'ny Andriamanitra, dia naverina toy izany koa ny fitandremana ny Androny Masina, ary nohamafisina. Faly Andriamanitra tamin'ity fibebahan’ny firenena ity, satria fantany fa, rehefa manana toetra tsara manoloana ireo Androny Masina ireo ny olona, dia hianatra mba hanana toe-tsaina tsara manoloana ny didiny rehetra, satria amin'ny Andro Masin'Andriamanitra no ianaran'ny vahoakany ny Lalàny.

 

Notandreman'ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao

1. Iza no namorona ny fety fanao isan-taona, anisan'izany ny fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira? Lev 23:1-2, 6. Koa an’iza izany ireo fety ireo? And. 2. Moa ve tsy maintsy hitandrina ny andro firavoravoana mandrakizay ny vahoakan'Andriamanitra? Eks 12:14, 17; 13:10.

FANAMARIHANA: Andriamanitra Ray no Mpanome lalàna fara tampony, nefa tamin’ny alalan’ny Mpitondrateniny (= ny Teny, Ilay lasa Jesosy Kristy) no nanomezany ny lalàny. Koa satria KRISTY no TOMPO, na JEHOVAH, ao amin'ny Testamenta Taloha, noho izany Izy no nampita tamin’Isiraely fahiny ny fahalalana momba ny Lalàn’Andriamanitra, ao anatin'izany ny Sabatany sy ireo andro fetiny masina. Ary nataony azo antoka fa ho tehirizina izany fahalalana izany, ho an’ny Fiangonan'ny Testamenta Vaovao (Asa 7:38), araky ny nianarantsika azy tamin'ny lesona 23. Ny Fiangonana voalohany tamin’ny Testamenta Vaovao dia nitandrina ireo fety fanao isan-taona sy ny Andro Masina rehetra.
2. Moa ve Jesosy, tamin'ny mbola kely, nitandrina ny PASKA sy ny fetin'ny MOFO TSY MISY MASIRASIRA? Lioka 2:41-43. Tamin’ny taona nanomboana an'i Jesosy, moa ve ireo fahavalony nanantena Azy hitandrina ny ANDRO FIRAVORAVOAN’ny MOFO TSY MISY MASIRASIRA? Marka 14:1-2.
3. Roapolo taona mahery taorian'ny nanomboana an’i Jesosy, sy nitsangany tamin'ny maty, moa ve nisy fambara mazava fa nitandrina ny Andro Firavoravoana Fihinanana ny Mofo Tsy Misy Masirasira ny mpianany? Asa 20:6. Jereo koa ny filazana momba ireo andro ireo ao amin'ny Asa 12:3.
FANAMARIHANA: Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:6, i Paoly sy ny namany dia nitandrina tanteraka ny Andro Firavoravoana Fihinanana ny Mofo Tsy Misy Masirasira tany Filipia. Ity andro fety ity dia mbola notandreman’ny Fiangonan’Andriamanitra - tsy nofoanana tamin’ny fahafatesan’i Kristy izany! Tsy ho namporisika an'io fitantarana ny "Andro Tsy Misy Masirasira" io Andriamanitra raha tiany hatsahatra eo imasony ireo fetiny.
4. Moa ve, araky ny tsindrimandrin'Andriamanitra, ny Apostoly Paoly nilaza fa ny Kristiana ao amin'ny Testamenta Vaovao dia tokony hitandrina ny Andro Firavoravoana Mofo Tsy Misy Masirasira? 1Kor.5:7-8. Tamin'ny fotoana nanoratany, inona no nolazainy izay mampiseho mazava fa ny Fiangonan'Andriamanitra tao Korinto dia nitandrina ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira? And.7. Mariho ny fiteny hoe: "araky izay tsy maha-misy masirasira anareo".
FANAMARIHANA: Ny Apostoly Paoly dia nilaza tamin’ny mpikambana tao amin’ny Fiangonana tao Korinto mba hanaisotra ny masirasira ara-panahy, tahaky ny efa nanesorany tanteraka  ny masirasira rehetra ara-batana ho fanomanana ity andro fety ity. Tsy maintsy mitandrina ny andro firavoravoana izy ireo, tsy amin'ny mofo tsy misy masirasira ihany, fa amin'ny toe-tsaina "tsy misy masirasira" ara-panahy koa, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana.
Io izany dia baiko mivantana avy amin'ny Apostolin'Andriamanitra ho an’ny Kristiana ao amin'ny Testamenta Vaovao mba hitandrina ny Andro Firavoravoana Mofo Tsy Misy Masirasira! Koa satria Kristy Paska ho antsika dia efa voavono natao sorona, dia tsy maintsy mitandrina ny Andro Firavoravoana Mofo Tsy Misy Masirasira isika, izay tandindon'ny fanesorantsika  ny masirasiran’ny ota ao amin'ny fiainantsika. (Mbola horesahina bebe kokoa ny momba ny dikan’ ny masirasira ara-panoharana amin'ity lesona ity.)
Fa ahoana ny hevitr'i Paoly ao amin'ny Kolosiana 2:14-17? Ireo andininy ireo dia resahina matetika ho fanoherana ny fitandremana ny andro firavoravoana, fa rehefa takatra tsara, dia manaporofo ny nitandreman'ny Fiangonana tamin’ny Testamenta Vaovao an’ireo fety ireo!
Andao ho takarintsika ny teny nosoratan’i Paoly ao amin’ny Kolosiana 2, Paoly izay nitandrina ny andron'Andriamanitra rehetra, ary hojerena amin’izay nosoratany ho an’ny Kolosiana, izay tena nodidiany mazava hotandreman’ny Kolosiana.
5. Moa ve ireo Kristiana Kolosiana dia firenena Jentilisa amin’ny fahaterahany? Kol.1:21; 2:13. Moa ve izy ireo tonga Kristiana mpankatoa? Kol.2:5-7.
6. Inona marina no nolazain'i Paoly tamin'ny Kolosiana momba ny fitandremana ny Andro Masina sy ny Sabata? Kol 2:16.
FANAMARIHANA: Ireo Kolosianina ireo dia Jentilisa niova fo, mipetraka ao amin'ny tanàna jentilisa. Taloha izy ireo dia tsy nahalala na inona na inona momba an'Andriamanitra sy ny Androny Masina. Raha tsy nampianarin’ireo minisitra ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra nitandrina ireo andro masina ireo izy ireo, dia tsy ho “notsarain’ireo” havany jentilisa sy ny mpiara-monina taminy tamin’ny fanaovany an'izany.
Tsy nilaza i Paoly fa tsy tokony hitandrina ny Andro Masin'Andriamanitra ny Kristiana. Niteny tamin’izy ireo kosa izy, manao hoe: Tsy tokony hisy havelany hitsara azy ireo noho ny fitandremany ireo andro ireo! Na izany aza, misy ny nampifandray io filazana ny Andron'Andriamanitra sy ny Sabata io amin’ny fandikana diso ny andininy faha-14, ka milaza fa ny lalàn'Andriamanitra rehetra, ny fety, ny andro masina ary ny sabata rehetra dia efa “nohomboany tamin'ny hazo fijaliana”.
7. Inona no tena "nohomboany tamin'ny hazo fijaliana"? Kol 2:14.
FANAMARIHANA: Ny "sora-tanan’ny didy" no nohomboany tamin'ny hazo fijaliana. Ny teny hoe "sora-tanan’ny didy" dia nadika avy tamin'ny teny grika hoe cheirographon, izay midika hoe taratasy fiaikena trosa. Ka inona ilay "nohomboany tamin'ny ny hazo fijaliana"? Soratra momba ny fanamelohana noho ny trosa - izay nitranga vokatry ny fandikana ny Lalàn'Andriamanitra, noho ny fanarahana ny didin'olombelona sy ny fomban-drazana, izay misy ny andro tsy fiasan’ny mpanompo sampy. Ny Kol 2:8 sy 2:20-22 dia mampiseho ireo didy noresahin'i Paoly: "ny fampianarana voatolotry ny razana”, sy “ny abidiam-pianaran’izao tontolo izao". Ireo dia fitsipika sy fomba fanao mandrara tsy hihinana na tsy hisotro zavatra na dia kely fotsiny aza noho ny filosofia grika asetika (fomba fiaina hentitra). Izany dia fombam-pivavahana diso fanaon-drazana, izay nolazain’i Paoly hoe tsy Lalàn'Andriamanitra, ary mifanohitra amin'izay natao ho antsika, ka nohomboana tamin’ny hazo fijaliana (andininy 14).
Ny fanamelohana noho ny ota dia "miapanga antsika" mandra-panaisotr’i Kristy ny sazy tamintsika. Ny fanomboana azy no mahatonga antsika ho voavela heloka. Nofantsihan’i Kristy ara-panoharana teo amin’ny hazo fijaliana io sora-tànana miampanga io, satria efa nandoa izany trosa izany ho antsika Izy!
Inona no asehon'ireo andininy ireo rehefa takatsika ny toe-javatra? Ireo Kristiana tao Kolosia dia notsinian'ny havany mpanompo sampy sy ny mpiara-monina taminy noho ny fanitsakitsahany ny fomban-drazana grika asetika ireo, izay nisy ny fitandremana ny andro fadin’ny fanompoan-tsampy. Ny Kristiana dia nihinana ny hena voarara, nisotro izay tsy navelany hosotroina, ary nitandrina ny Sabata isan-kerinandro, ary ireo Andro Masina isan-taona. (Ny voaloham-bolana, izay nasain'ny manam-pahefana jiosy notandremana araky ny kalandrie, dia natao hahafantarana ny daty marina hankalazàna ny fetin'Andriamanitra. Tsy ilaina intsony ny fitandremana ny voaloham-bolana ankehitriny, satria ny tetiandro hebreo dia azo alaina manerantany amin’ny internet, ary mivoaka mialoha).
Nilaza tamin'ny Kolosiana i Paoly mba tsy hiraharaha ireo tsikera, ary hanohy ny fitondran-tena Kristiana, arak’izay efa nampianarin'ny Fiangonana azy ireo (Kol 2:7).
8. Iza no nolazain'i Paoly fa manana fahefana "hitsara" ny Kristiana? Kol.2:17, tapany farany.
FANAMARIHANA: Ity ampahany amin'ny andininy faha-17 ity dia tsy voadika mazava amin'ny ankamaroan'ny dikan-teny anglisy. Ny matoanteny hoe "dia", sora-mandry ao amin'ny King James Version, dia midika fa tsy hita ao amin'ny soratra grika tany am-boalohany izany. Ny teny grika dia vakiana fotsiny hoe: "... fa tenan'i Kristy.

Ny tenan'i Kristy, araky ny nianarantsika teo aloha, dia ny fiangonan'Andriamanitra (Kol. 1:18; 2:19).
I Paoly eto dia manambara fa ny olona tsy nahazo alàlana dia tsy ekena hipetraka hitsara ny fitondran-tenan’ny Kristiana.
Ny Fiangonan'Andriamanitra, izay "tenan'i Kristy", no manana adidy hanao izany fitsarana izany. Ny Fiangonana no tokony hampianatra avy ao amin'ny Baiboly ny fampiasana ny sakafo sy ny zava-pisotro mety, ny fotoana sy fomba mety hankalazana ireo andro firavoravoana sy ny Sabata, sy ny olana ara-pampianarana hafa.
Noho izany, ny eritreritra feno ao amin'ny Kolosiana 2:16-17 dia azo adika hoe: "Koa aza avela hisy olona mahazo mitsara anareo ... fa aleo ny tenan'i Kristy” no hanao izany aminareo. Betsaka ny manam-pahaizana grika no milaza fa ny fitenenana voalohany hoe: “aza avela hisy olona” dia mitaky fomba FANAMARIHANA manaraka hoe: iza no tokony hitsara ny raharaha?
9. Nahoana isika no tokony hitandrina ireo Sabatan’Andriamanitra fanao isan-taona? Kol 2:17, tapany voalohany.
FANAMARIHANA: Ny antony lehibe indrindra hitandremana ny Andro Masin'Andriamanitra dia tsotra ihany: satria efa nasain'Andriamanitra hataontsika izany. Izany no nahatonga an'i Herbert W. Armstrong, ilay mpampanota boky sy Pastora lehibe teo amin'ny Worldwide Church of God, nanomboka nitandrina ireo Sabatan'Andriamanitra isan-taona ireo.
Manome fahalalana an'ireo izay mampiseho fahavononana ny hankatoa Azy Andriamanitra (Sal.111:10; Asan’ny Apostoly 5:32).
Taorian'ny fankatoavany nandritry ny fito taona, dia nambaran’Andriamanitra an’Atoa Armstrong ny antony iray hafa tsy maintsy hitandremana ireo Androny masina: Ireo andro ireo dia "tandindon’ny soa ho avy", araka izay nandikan’ny Baiboly DIEM tsara ny Kolosiana 2:17.
Ny Sabata andro fahafito dia sary manambara ny arivo taona fahafito, izay hijanonan’ny olona amin'ny asam-pahotany. Toy izany koa, ny fety fanao isan-taona dia noforonin’Andriamanitra ho fahatsiarovana sy fiainana mialoha ny zavatra hiseho ao amin'ny Planin’ny Famonjena. Natolony ho an'ny Fiangonany ireo mba hampahafantarany azy ny dingana fito ao amin'ny Planiny lehibe izay hiterahan’Andriamanitra zanaka maro amin'ny alalàn'ny olombelona.
Fety iray ihany no efa tanteraka amin’ny lafiny rehetra, dia ny Paska. Na izany aza, dia nilaza i Jesosy fa tokony hankalaza an’izany isika isan-taona ho fahatsiarovana ny sorona nataony ho antsika, sady mbola hatao koa io fahatsiarovana io mandritry ny Fanjakana Arivo Taona (Matio 26:29; Marka 14:25).
Rehefa voapetraka izany fototra izany hahatakarana ny Planin’Andriamanitra, andeha hojerena ny fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira, izay manazava tsara ny dingana lehibe faharoa ao amin'ny Planin'Andriamanitra Lehibe ho famonjena ny olombelona.

Andao Hodinihintsika ny Porofo.

            Mariho izay lazain’ny Diksioneran’ny Fiangonana Apostolika nosoratan’i Hasting mikasika ireo fetin’Andriamanitra fanao isan-taona sy ireo Andro Masina: “Tsy misy zavatra afaka mampiseho tsara kokoa ny maha-lalim-paka ny fomba fanao sy ny fitandremana tsy tapaka ny fety araky ny fiodinan’ny taona, afa-tsy ireny fanamarihana fohy sy madinika momba ny fotoana ireny. Miresaka tsotra momba ny andro fihinanana mofo tsy misy masirasira ny olona, toy ny andro manan-danja ao amin’ny kalandrie…Ny vaninandro tsotra dia lasa tsy misy heviny miolotra amin’ireo fotoana voafetra sy malaza.” Mipetraka ny fanontaniana, ny amin’ny fitandremana ny Sabata andro faha-fito, na mbola nanohy nitandrina ireny fety ireny ny kristiana tany am-boalohany. Raha araky ny soratra hita, dia nanohy nitandrina ireny fety ireny ry zareo. (laha-teny momba ny Paska, pejy 132-133).

Hevi-Panahin’ny Fivoahana Avy Any Egypta

Ireo Andro Firavoravoana isan-taona dia sarin’ny zava-nitranga ara-tantara sy mbola ho avy, ho an’Isiraely taloha, sy izao tontolo izao, ary ny Kristiana. Tsarovy fa ny fanambaran’Andriamanitra ny Sabata isan-kerinandro tamin’ny Isiraelita dia famantarana sy fahatsiarovana, mba ho tsy maintsy tadidin’izy ireo fa Jehovah no Ilay Mpamorona, ary izy ireo dia olony. Andriamanitra dia nanome azy ireo koa ny fety roa fanao isan-taona, dia ny Paska sy ny Mofo Tsy Misy Masirasira, ho fahatsiarovana, hankalazana ny fanafahana ny fireneny avy tany Egypta – izay sary ho an'ny Fiangonana ankehitriny momba ny Planin'Andriamanitra hanafaka izao tontolo izao amin'ny ota.
Ny fialan'ny Zanak’Isiraely tany Egypta dia manana hevitra an'ohatra lehibe. Ny lesona ara-panahy ampianarin’ny fanafahana azy ireo tamin'ny fanandevozana dia tena ilaina mba hahafeno ny fahatakarantsika ankehitriny ny sary tian'Andriamanitra hampitaina amintsika amin'ny alalan’ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira.
Nianarantsika fa ny Paska dia mampiseho ny fahafatesan’i Jesosy Kristy, izany hoe ny ra nalatsany ho famelana ny fahotantsika rehefa mibebaka marina isika. Ny fety faharoa manome sary an-tsaina ny fivoahantsika tamin’ny FAHOTANA, mandritry ny fito andro amin'io fety io, toy ny fivoahan’ny Isiraelita avy tany Egypta izay tandindon'ny ota. Raha lazaina amin’ny fomba tsotra, ny fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira dia mampiseho ny fankatoavana an’Andriamanitra, dia ny fitandremana ny didiny! ‘Ndeha ho takarintsika izany sary an-tsaina izany, araka izay lazain’ny Baiboly.
1. Moa ve i Egypta tandindon'ny ota? Heb.11:24-27; Apok 11:8. Moa ve ny mpanota mpanompon’ny ota na andevon'ny ota? Jaona 8:34; Rom.6:16. Tian'Andriamanitra ve isika handositra ny fanandevozan’ny ota ka hankatò Azy? Rom.6:17-18, 22.
FANAMARIHANA: Ny Israelita taloha dia andevon’ny Egyptiana mpanompo sampy. Tsy navela hankatò an'Andriamanitra izy ireo. Noho izany, ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira, izay fankalazana ny fivoahan'izy ireo tamin'ny fanandevozana tao Egypta, dia sarin’ny fivoahana amin'ny ota koa. Manandevo ny ota! Ireo izay tsy zanaka notorontoronin’ny Fanahin'Andriamanitra dia tsy mahatsapa fa andevozin'ny ota izy ireo ankehitriny. Ny fahotana dia lasa mitombo ao amin’ny olona izay mandefitra aminy. Manasazy ny ota! Mitondra alahelo sy nenina sy tebiteby izy. Mampahory antsika amin’ny ratra ara-batana, ny rofy sy ny aretina izy. Miteraka ahiahy sy fahasorenana ary famoizampo izy. Mitarika ho amin'ny fahafatesana koa izany.
Ny fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira manome sary an'ohatra, fa ireo Kristiana ao amin'ny Testamenta Vaovao (Israely ara-panahy) dia tian'Andriamanitra hivoaka tanteraka amin'ny fanandevozan'ny ota, ary handeha amin'ny fankatoavana Azy! Tahaka ny nandehanan'ny Isiraelita nivoaka avy tany Egypta, dia tsy maintsy vonona isika hanomboka hivoaka an-tsitrapo ao amin'ny ota. Na izany na tsy izany, ny hatsaram-panahy sy ny famindrampon'Andriamanitra no mitarika antsika ho amin'izany fibebahana amin'ny ota izany (Rom. 2: 4; Jaona 6:65), toy ny nitarihany ireo vahoaka voafidiny avy any Egypta ho amin'ny fahafahana.
       
Ny fiainana mandrakizay dia mazava fa fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra (Romana 6:23), nefa mazava ihany koa fa tian’Andriamanitra ho vonona isika ary hiezaka mafy hankatò Azy. Andraikitra takiana amintsika izany ao amin'ny Planin’Andriamanitra.
Andao hodinihina ny teny mirazotra vitsivitsy izay hanampy antsika hahazo tsara kokoa ny hevitra ara-panahin’ny Andro Firavoravoana.
 
2. Rehefa mibebaka sy atao batisa isika, ny fahotantsika taloha rehetra dia voafafa amin'ny sorona natao'i Kristy, Ilay Paska ho antsika (Asa 2:38; Romana 3:25; 1Kor.5:7).
Rehefa nanontany i Paoly raha tokony hanohy hanota isika aorian'ny famelan-keloka, inona no navaliny? Rom.6:1-2, 6, 15. Inona no didy apostolika nolazainy? Andininy 11-13.
FANAMARIHANA: Raha mitandrina ny Paska ny Kristiana, nefa tsy mitandrina ny fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira, ny sarin’ny ataon'izy ireo dia manaiky ny soron'i Kristy, nefa avy eo mitohy ho andevozin'ny ota. Nefa i Paoly kosa nilaza fa tsy mpanompon’ny ota i Kristy (Gal.2:17). Noho izany, tsy maintsy miala amin'ny ota isika – mitsahatra manota - amin'ny fitandremana ny Didin'Andriamanitra!
Ny fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira dia maneho an-tsary ny andraikitry ny Kristiana amin'ny Planin’ny Famonjen'Andriamanitra, izany hoe ny fitandremana ireo didin'Andriamanitra, izay fomba hafa ilazana ny fanesorana ny ota. Tamin’ny andron’ny Zanak’Isiraely taloha, na iza na iza nihinana mofo misy masirasira na nitahiry masirasira tao an-tranony, izay tandindon’ny ota, mandritra ity Fety ity, dia hofongorana tsy ho isan’ny firenena na fiangonan'Isiraely (Eks 12:15, 19). Dia toy izany koa, Andriamanitra tsy hamela ny mpanota tsy mibebaka ho ao amin'ny fireneny ara-panahy, dia ny Fanjakan'Andriamanitra! (1Kor.6: 9-10).
3. Rehefa nanomboka nandao an’i Egypta ny Israelita fahiny, iza no nanenjika azy ireo? Eks 14:5-8.
FANAMARIHANA: Endriky ny ota i Egypta, ary Farao dia endrik'i Satana devoly! Ary tahaka ny tsy nitiavan'i Farao ny nandosiran'ny Israelita tamin’ny fanandevozana, dia tsy tian’i Satana ho afaka mandositra ny fanandevozany koa ny mpanota, izany hoe ny fanandevozan'ny ota.
Ny Kristiana vita batisa, matetika, dia enjehan'i Satana. Satana dia mametraka sakana amin'ny lalana alehany, mba hahatafintohina azy ireo, sy hampihemotra azy amin’ny fankatoavana an'Andriamanitra. Ny devoly dia hanao izay azony atao hisakanany ny zanaka notorontoronin’ny Fanahy mba tsy handray fiainana mandrakizay. Ny devoly dia hanandrana hamitaka azy ireo, amin’ny fiheverana fa ny lalan'Andriamanitra dia sarotra be loatra; koa izay tsy miezaka handresy azy, dia hiverina amin’ny fiainan'ny ota izay efa nilaozany.
Toy ny tsy nahafahan'ny Zanak'Israely nandositra an'i Farao tamin’ny herin’ny tenany, dia toy izany koa no tsy ahavitan'ny Kristiana mandresy ny fitarihan'i Satana amin’ny herin’olombelona.
Nefa raha miaraka amin'Andriamanitra, ny zava-drehetra dia azo atao (Mat.19:26). Toy izay nataon'Andriamanitra nanafaka ny Isiraely tamin'ny tafik'i Farao tamin'ny alàlan'ny heriny mahagaga, Andriamanitra, amin'ny alàlan'ny Fanahiny Masina, dia mahatanteraka fanoavana, fandresena sy fitomboana ho an’ireo zanany ara-panahy. Izany no sary asehon’ny fety fahatelo isan-taona ao amin'ny Planin'Andriamanitra, izay hianarantsika any amin’ny Lesona 27.

Tsy takatry ny olombelona fa ny tena fibebahana marina, ny fialana amin'ny ota ihany, izay mitondra mankamin'ny fankatoavana an'Andriamanitra, amin'ny alalàn'ny ny finoana an'i Jesosy Kristy velona, izany ihany no manafaka azy amin'ny sazin’ny ota! (Gal. 5: 1). Ary tohizan’i Paoly ny fanazavana, manao hoe: tsy mahasoa ny fanahy ny famorana na tsy famorana ny nofo; tsy fahafahana ao amin'i Kristy ny fanarahana ny zioga fanandevozan’ny ota, dia ny masirasira lolompo sy faharatsiana rehetra; ny tena fahafahana dia fanarahana ny vokatry ny Fanahy, fa tsy ny vokatry ny nofo.

 

Fampitandremana Tsy Hiherika Any Aoriana!

1. Naminany mialoha ve i Kristy fa ny fiaraha-monina maoderina aty amin’ny androm-piainantsika farany, dia hitovy amin'ny tanànan’i Sodoma ratsy fanahy? Lioka 17:28-30. Inona ny fampitandremana nataony ho an'ireo Kristiana miaina amin'ny andro farany? and. 31, tapany farany. Iza no tokony ho tadidintsika amin'izany fampitandremany izany? and. 32.
FANAMARIHANA: I Kristy dia niresaka momba ny fandringanana an’i Sodoma sy Gomora mpanota, ny fandosiran'ny Lota sy ny zanany roa vavy avy tany Sodoma ary ny vadin'i Lota nivadika ho vongan-tsira. Ny lovan-tsofina dia milaza fa nandritra ny vanim-potoana fihinanana mofo tsy misy masirasira no nisehoan’ireo tranga ireo (na dia efa taonjato maro talohan’ny nandidian’Andriamanitra an’io fety io aza izany). Mahaliana ny manamarika fa ny mofo tsy misy masirasira dia voatonona ho mifandray amin'ny fialan'i Lota sy ny zanany vavy tao amin'io fiaraha-monina mpanota io (Gen.19:3).
Tapa-kevitra ny handringana ireo tanàn-dratsy roa ireo tokoa Andriamanitra, izay tanàna toa an'i Egypta, tandindon’ny ota (Apo 11:8). Nandefa anjely roa izy mba hampitandrina an'i Lota sy ny fianakaviany handao ilay tanàna (Gen.19:1, 12-13).
2. Moa ve ny olona rehetra izay nampitandremana nanaraka ny fampitandremana? Gen.19:14. Moa ve i Lota, sy ny vadiny ary ireo zanani-vavy roa nampitandremana tsy hiherika? and.17. Iza no niherika tany ivohony, ary vokatr'izany, tsy voaro tamin’ny fandringanana? and.26.
FANAMARIHANA: Nomena baiko i Lota sy ny fianakaviany handositra - izany hoe handao tanteraka - ny tanàna ratsy fanahy izay nonenany. Ny fandosirany ihany no hanafaka azy ireo amin’ny fandringanana miaraka amin'ireo mponina mpanota.
Fa tsy nankatoa ny vadin'i Lota. Niherika izy. Te hiverina any Sodoma mpanota izy. Angamba izy efa zatra tamin'ny fahotan'i Sodoma, ka tsy nihevitra azy ireo ho ratsibe daholo. Andriamanitra tsy hamonjy olona toy izany! Ny sira dia tandindon'ny zavatra maharitra.
Andriamanitra dia nanova ny vadin'i Lota ho vongan-tsira mitsangana, ho marika maharitra mandrakizay amin’ireo izay tsy manaiky handao ny ota tanteraka sy mandrakizay. Ny ohatra nomeny dia FAMPITANDREMANA ho antsika mba handao ary tsy hiverina amin'ny fahafinaretana vetivety azo amin’ny ota, izay atolotr’ity fiaraha-monina ratsy ankehitriny ity, fandrao isika ho ringana miaraka aminy!
3. Inona no lazain'Andriamanitra momba ny Kristiana izay manomboka miaina ny fomban'Andriamanitra, nefa miverina indray amin'ny fanandevozan’ny ota aty aoriana? Lioka 9:62; 2Pet.2:20-22; Heb.6:4-6.
FANAMARIHANA: Ny zanaka notorontoronin’ny Fanahin'Andriamanitra dia tsy maintsy miaina ao amin'ity tontolo ratsy ity, nefa tsy tokony ho resin’ny fahotany (Jaona 17:14-15; Rom.12:2). Toa an'i Lota, ny vahoakan'Andriamanitra dia tsy maintsy mivoaka sy mandao tanteraka tokoa ny fahotan'izao tontolo izao, mba ho afa-mandositra ny areti-mandringana haidin’Andriamanitra amin'ny mpikomy (Apo 18:4). Ireo izay mihaino ny fampitandremana dieny tsy mbola tara loatra dia harovan'Andriamanitra (Apo 3:10; 12: 14-17).
Tian'Andriamanitra ireo izay nantsoiny sy notorontoroniny mba handresy ny ota – izany hoe hitombo amin'ny toetran’Andriamanitra noho ny fiezahana hanaisotra ny ota amin'ny fiainany, amin’ny alalan’ny fankatoavana Azy. Tian’Andriamanitra hataon'izy ireo ny andraikiny amin'ny Planin’ny Famonjena!

Ny Maha Tandindon'ny Ota ny Masirasira

Ny fialàn'ny Isiraely fahiny tany Egypta dia ohatra ara-bakiteny amin'ny fandaozana ny ota ho an’ny Kristiana notorontoronin’ny Fanahy. Ny masirasira na lalivay, izay tandindon’ny ota araky ny Baiboly, dia mahatonga ny koba hanaovana mofo hitombo. Toy izany koa, ny fahotana dia mampieboebo ny olona; Ny mofo fisaka, tsy misy masirasira, dia tandindon’ny tsy fisian’ny fahotana, dia ny fankatoavana an’Andriamanitra, ny fialan’ny Kristiana amin’ny ota. Fa nahoana izany no tsarovana amin’ny andro fito tsy misy masirasira, na sakafo tsy misy masirasira? Fantatsika fa tsy ny masirasira mihitsy no mampidi-doza, satria avelan'Andriamanitra hohahina mandritry ny 51 herinandro hafa mandritry ny taona izany.

Mandrara ny fitehirizana sy fampiasana masirasira Andriamanitra mandritry ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira, satria ny masirasira eto, toa an'i Egypta, dia tandindon'ny ota. Andao ho takarintsika ny fanazavana mampiharihary izany ao amin'ny Testamenta Vaovao.
FANAMARIHANA: Ny masirasira dia resahina ao amin'ny Baiboly ho karazana na ohatry ny ota. Ho an'ireo izay nantsoin'ny Ray ho ao amin'i Kristy, ny fanesorana ny masirasira rehetra sy ny sakafo misy masirasira ao amin’ny trano fonenana sy ny tanàna, mandritry ny fito andro fankalazana io fety io, dia sarin’ny fanesorana ny ota amin’ny fiainany. Ary satria ny isa fito no ampiasain'Andriamanitra hanondro ny fahafenoana sy ny fahatanterahana, ireo andro fito firavoravoana no mampahatsiahy antsika fa irin'Andriamanitra ny olony hiasa amin'ny famongorana tanteraka ny ota amin’ny fiainan'izy ireo.
Ao amin'ny soratra ho an'ny Fiangonan'Andriamanitra ao Korinto, ny Apostoly Paoly dia manazava ny hevitra ara-panahy sy ny fanehoana an-tsary ny fankalazana ny Mofo Tsy Misy Masirasira ho an’ireo Jentilisa niova fo. Andeha hojerena izay nampianarin'i Paoly an’ireo kristian’ny Testamenta Vaovao momba ny masirasira, ary ny antony tena ilantsika ho tonga "tsy misy masirasira" ara-panahy.
2. Moa ve ireo Kristiana tany Korinto namela olona iray tena nanota ampahibemaso hitambatra amin'ny Fiangonan'Andriamanitra? 1Kor.5:1.
3. Moa ve izany ota teo afovoan'izy ireo izany nampahatsiaro-tena azy ireo ho meloka, sa vao mainka kosa "nampirehareha" azy, “nampibontsina” azy? and.2.
FANAMARIHANA: Io fahotana fijangajangana io dia fantatry ny olon-drehetra tao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra tao Korinto, fa tsy nisy nanao na inona na inona momba ilay olana. Tamin’izany fihetsika nataon-dry zareo izany, toa mihevitra ry zareo fa mamela heloka kokoa; mihevitra izy ireo fa marina kokoa noho Andriamanitra amin'ny famelana ity mpijangajanga tsy mibebaka ity hitoetra miaraka aminy.
4. Koa satria io ota io nahatonga ny mpikambana sasany hieboebo sy hirehareha, dia nanome torolàlana manokana ho an'ny Fiangonana i Paoly. Inona ireo toromarika ireo? and.3-5.
5. Nampitahain'i Paoly tamin' ny masirasira kely ve ilay mpikambana nanota? and.6. Ary inona indray no didiny momba ity mpanota ity sy ny fitandremany ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira? and. 7-8.
FANAMARIHANA: Nanazava i Paoly fa masirasira kelikely ihany - olona iray mpanota - amin'ny fanoharana – dia mahatonga ny koba manontolo - ny Fiangonana manontolo - amin'ny fanoharana ihany - ho lasa feno ota. Ny fandeferana an'io fahotana mibaribary tsy nibebahana io dia mety hahatonga ny mpikambana hafa hihemotra tsikelikely, ary hiverina amin'ny fahotany taloha; noho izany HISAKANA azy ireo tsy ho teraka any amin’ny Fanjakan'Andriamanitra! (1Kor.6:9-10).
Ankoatr’izany, ny Fiangonana manontolo dia lasa meloka noho ny fieboeboana - ny fireharehana – meloka tahaka ilay mpijangajanga, noho ny ota ao anatiny! I Paoly dia mampiasa ny fahefana nomen’Andriamanitra azy, amin'ny maha-Apostoly azy, ka nandidy ny mpikambana tao amin'ny fiangonana tao Korinto mba hanaisotra ilay mpanota, mpikambana "masirasira" ara-panahy, mba hahatonga ny Fiangonana ho "tsy misy masirasira" ara-panahy.
Ny famoahana tao am-piangonana ny mpikambana mpanota, dia antoka amin’ny famoahana ny masirasira ara-panahy izay manomboka miparitaka amin’ny Fiangonana. Raha tsy izany, dia hiely amin’ny fiainan’ny Kristiana hafa ny ota, noho ny ohatra ratsy ataon'ny olona tokana, tahaka  ny masirasira kely amin'ny koba mahatonga ny mofo manontolo "hibontsina".
Amin’ny fiteny hafa, atoka-monina ara-panahy izy, hanakanana ilay olona voan'ny “areti-mifindra” ara-panahy, mba tsy hamindra amin’ny hafa. Soa ihany fa ity hetsika ity dia nanampy an’ilay mpanota hahatakatra ny maha-zava-doza an’ilay fahotany. Nibebaka izy; ary tao amin'ny taratasin'i Paoly manaraka, nananatra ny mpikambana tao amin’ny fiangonana tany Korinto izy, mba handray indray ilay lehilahy efa nibebaka, hiaraka amin’izy ireo (2Kor. 2: 4-10).
I Paoly nanome baiko an’ireo Kristiana tany Korinto hitandrina ny Fety, tsy misy “masirasira" ara-panahy, izany hoe tsy misy ota, tahaka ny efa tsy maha misy masirasira ny vatan’izy ireo rahateo (1Kor.5:7). Ny masirasira ara-bakiteny dia sary manazava ny masirasira ara-panahy. Tsy maintsy mitandrina ny andro firavoravoana izy ireo, tsy amin'ny fihinanana mofo tsy misy masirasira fotsiny, fa amin'ny fananana toe-tsaina "tsy misy masirasira" ara-panahy koa, amin'ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana (and. 8), izay vokatry ny fankatoavana an’Andriamanitra.
6. Tian'Andriamanitra hiezaka lalandava ve ny Kristiana - hiasa amin-kery - hanaisotra ny masirasiran’ny ota amin'ny fiainany? Heb.12:1, 4.
FANAMARIHANA: Raha te ho tonga mpikambana ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra isika, ho anisan'ireo zanaka notorontoronin’ny Fanahy, dia tsy maintsy manaporofo fa hankatoa an'Andriamanitra dieny izao, amin'ny ezaka atao amin'ny fo rehetra, ny saina, sy hery rehetra, eo ambany fanampian’Andriamanitra, mba hanaisotra  ny masirasira ara-panahy - ny ota - ao amin’ny fiainantsika! Izany no andraikitra takiana amintsika ao amin’ny Planin’Andriamanitra lehibe. Asa maharitra izany, izay mitohy mandritry ny androm-piainantsika sisa rehetra. Araka izany, ny vanim-potoana fitandremana ny andro fito Fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira, dia mampahatsiahy an’ireo Kristiana notorontoronin’ny Fanahy mba hitandrina ny didin’Andriamanitra hatrany. Izany fotoana iray izany no hanavaozantsika ny fahavononana hiaina mifanaraka amin’ny Lalàn'Andriamanitra – hanokana indray ny fiainantsika amin’ny fitomboana ara-panahy sy fandresena ny ratsy.

7. Moa ve mazava fa ny masirasira dia tandindon’ny fahotana? Mat.16:6, 11-12; Lio 12:1; 1Kor.5:8.

Fitandremana ny Fety Ankehitriny

1. Moa ve ny andro voalohany sy fahafito amin'ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira dia andro masina isan-taona na sabata lehibe izay itsaharana sy ivavahan'ny vahoakan'Andriamanitra? Eks 12:16; Lev 23:6-8.

FANAMARIHANA: Manomboka ny harivan'ny andro faha-15 Abiba ny fety, amin’ny fiandohan'ny andro aorian'ny Paska. Mitohy mandritry ny fito andro izany, ary mifarana ny faha-21 Abiba. Ny faha 15 sy faha-21 dia samy Sabata, na andro "fivoriana masina" isan-taona, fitsaharana amin'ny asa mahazatra, ankoatry ny mahandro sakafo hohanina (Eks 12:16). Ny asa mahazatra dia azo atao amin'ireo andro hafa anelanelany, raha tsy Sabata isan-kerinandro izany. Ny "fivoriana masina" dia fotoam-pivavahana nodidin'ny Fiangonan’Andriamanitra, nodidin’Andriamanitra Tsitoha mihitsy.

Amin’izao fotoana izao, ny mpikambana ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra dia manao fivoriana masina amin'ny Sabata isan-taona, be lavitra noho ny fanaony amin’ny Sabata isan-kerinandro (Lev.23: 3). Ireo olom-bitsy mipetraka lavitra be an’ireo mpikambana hafa, tsy afaka manatrika ny fotoam-pivavahana amin’ny Sabata isan-kerinandro, matetika mandritra ireo Sabata lehibe fanao isan-taona ireo vao afaka mihaona amin’ireo zanak’Andriamanitra notorontoronin’ny Fanahy. Mampiasa ireo fotoana ireo ny mpanompon’Andriamanitra mba hanazavana misimisy kokoa momba ny dikan'ireo Fetin'Andriamanitra sy ny Planin’ny Famonjena.
2. Inona no fitandremana manokana napetrak'Andriamanitra amin’ny harivan'ny andro voalohany amin'ny andro firavoravoana? Eks 12:42.
Miaraka ho vondron'olona vitsy ao amin’ny fianakaviana iray izy ireo, hiara-hihinana sakafo hariva iray, sy hisaotra an'Andriamanitra noho ny fiantsoany azy ireo hiala amin'ny fanandevozan'ny ota ka ho ao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra marina. Faly izy ireo satria nambaran’ Andriamanitra taminy ny Lalàny, ny Androny Masina ary ny dikan’izany. Avy eo, amin'ny 15 Abiba antoandro, dia mivory any am-piangonana, miaraka amin'ny mpiray fanantenana aminy izy ireo, mba hampianarin'ireo minisitr'Andriamanitra.
3. Moa ve ny masirasira rehetra sy ireo sakafo misy masirasira tsy maintsy esorina ao an-trano sy amin’izay fananantsika rehetra, mandritry ny andro fito firavoravoana Fihinanana ny Mofo Tsy Misy Masirasira? Eks 12:19-20; 13:7.
FANAMARIHANA: Ny masirasira dia izay akora rehetra ampiasaina hampiakatra ny koba amin'ny alalan'ny fibontsinana; ohatra: lalivay, karbonetra, leviora, sns. Ny sakafo mibontsina dia ireto avy: ny ankamaroan'ny mofo, “crackers”, mofomamy, biscuits, ny pâté sasany, ary ireo sakafo voakarakara mialoha, toy ny “morevit”, “farine lactée”,… sns. Misy koa “bonbon” sy sakafo hafa vitsivitsy misy masirasira.
Raha misalasala ianao, jereo ny lisitry ny akora nanaovana azy eo amin’ny fonosany. Raha mbola tsy azo antoka ny momba ny sakafo iray, aleo tsy hanina izy mandritry ny Andro Firavoravoana (Romana 14:23).
Ny masirasira rehetra sy izay sakafo rehetra misy masirasira dia tokony hesorina hiala amin'ny tranonao alohan'ny fanombohan'ny Andro Masina voalohany. Tsy azo tehirizina any amin’ny efitrano hafa ireny. Ny maraina aorian’ny fivavahana amin’ny andro Paskan’ny Testamenta Vaovao, izay mbola andro Paska mihitsy, no fotoana mety tsara hamitana ny famindrana toerana izay ambina masirasira, na mofo misy masirasira.
Fahendrena raha amboarina ny fividianan-javatra, ka rehefa tonga ny Paska, kely foana ireo masirasira sy sakafo misy masirasira tsy maintsy hariana. Ny fanesorana ireo zavatra tsy lafo vidy ireo dia fomba iray izahan'Andriamanitra toetra antsika ny amin’ny fankatoavana Azy.
Raha nandritry ny Fety, tsy nampoizina, fa nisy masirasira sasany hita tao an-tokatrano, dia tokony hariana avy hatrany izany. Lesona tsara ho antsika izany, satria sarin’ireo karazam-pahotana miafina tsy fantatsika tamin'ny batisa izany. Rehefa mitombo amin'ny fahalalana ara-panahy sy mahatakatra ny fahamarinana isika, dia lasa mahatsapa bebe kokoa ny ota hafa ary mandresy izany. Tokony hapetraka any ivelan'ny fiainantsika avy hatrany ny masirasiran’ny ota rehefa hita!
Ny mofo tsy misy masirasira dia azo atao ao an-trano na vidiana any amin'ny fivarotana (matetika antsoina hoe "matzo", izay avy amin’ny teny hebreo hoe matstsah, izay midika hoe tsy misy masirasira), ary tokony hovakina tsara ny etikety, mba hahazoana antoka fa tsy misy masirasira ilay izy. Azontsika atao koa ny mividy varim-bazaha fanaovana mofo sy tsindrin-tsakafo tsy misy masirasira, miaraka amin'ny hena, ny rano fisotro, ny voankazo ary ny legioma izay fihinana mahazatra antsika. Maro ireo vokatra tsy misy masirasira mahafinaritra, mahavelona sy mahasalama azontsika hanina mandritry ny taona.
Tsara homarihina fa ny "levioran’ny labiera" sy ny "zavatra nalaina tamin’ny leviora" dia tsy mampibontsina, ary noho izany tsy miasa toy ny masirasira. Ny “crème tartare” koa dia tsy miasa toy ny masirasira. Ny tapotsin’atody nokapohina sy ampiasaina amin’ny “meringue” sy ny “pâté” sy ny tsindrin-tsakafo hafa dia tsy anisan’ny masirasira, fa raha ampiasaina ho solon' ny masirasira hampibontsina ny lafarina na sakafo hafa, dia mandika ny baikon'Andriamanitra izany.

 

FANAMARIHANA: Isan-taona amin'ny harivan'ny 15 Abiba (ny hariva manaraka ny Paska), ny Isiraelita dia tsy maintsy manao fety manokana ho fahatsiarovana ny fanafahana azy ireo tany Egypta. Amin’izao andro izao, ny Kristiana marina koa, na Isiraely ara-panahy, dia mankalaza ny "Alina Tokony Hotandremana Fatratra", izay tsingerintaonan’ny fanafahana ny Isiraely tamin'ny fanandevozana.

 

Ahoana ny Amin'ny Labiera na Zava-Pisotro Mandroatra Hafa?

Tsy misy famerana ny karazana zava-pisotro ampiasaina mandritry ny fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira, antsoina hoe "Andro Firavoravoan’ny Mofo Tsy Misy Masirasira," voalaza ao amin'ny Baiboly. Ny divay niotrika ara-voajanahary dia nosotroin’ny Israelita mandritry ny fetin’Andriamanitra rehetra. Tsy miresaka momba ny masirasira mifandray amin'ny zava-pisotro ny Baiboly. Ny hany filazana ataony dia ny ohatra mahakasika ny Zanak'Isiraely raha nivoaka avy tany Egypta izy ireo, tsy hanisy masirasira amin'ny koba hatao mofo (Eks 12:39). Misedra olana indraindray rehefa tsy mitovy hevitra ny mpianakavy amin'ny fitandremana ny andro firavoravoan'Andriamanitra.

Amin'izao vanim-potoana izao, izay iantsoan'Andriamanitra olona vitsy ihany, tsy tokony hanandrana hanery ny sitrapon'ny hafa ny olona! Ity fety ity dia zavatra mahakasika anao sy Andriamanitra.

Ny fianakaviana iray , izay te hitandrina ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira, dia tokony hifady sakafo misy masirasira, ary miezaka araka izay azony atao, hanaisotra ny masirasira ao amin’ny faritra ananany fahefana, izay mety ho efitrano fatoriana fotsiny izany.
4. Andriamanitra ve no mibaiko ny olony hihinana mofo tsy misy masirasira mandritra ity Fety ity? Eks 13:7; Lev 23:6.
Na izany aza, tsy takiana amin'ny olona rehetra ny fihinanana mofo tsy misy masirasira isan’indro amin'ity fety ity. Ny olona sasany dia mahalana no mihinana mofo. Mety misy antony mahatonga ny olona iray tsy te, na tsy afaka hihinana mofo isan'andro mandritry ny andro firavoravoana. Misy koa olona vitsy mety mahatsapa fa mila fifadian-kanina andro iray na roa mandritr’io Fety io.
Fa isaky ny mihinana mofo na sakafo hafa misy lafarinina mandritry ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira ianao, dia tsy asiana masirasira izany. Mitaky fitandremana sy fiheverana ny antsipiriany izany, indrindra fa any amin'ny trano fisakafoanana, ny fampiasana masirasira dia tena fahita. Ny fahotana koa dia tena betsaka, ary ny fanadinoana ny Lalàn’Andriamanitra no mitarika antsika hanota eo amin'ny fiainantsika.
Ny vahoakan'Andriamanitra dia tokony hitadidy ao an-tsainy foana, ny momba ity lesona lehibe ampianarina amin'ity Fety fanao isan-taona ity: Irin’Andriamanitra ireo zanany notorontoroniny ara-panahy mba hiaina amim-pahamarinana, mba hitandrina ny lalàny ara-panahy tonga lafatra, mba hiala amin’ny masirasira ara-panahy, izany hoe handositra ny masirasiran’nyota ara-panahy!

FANAMARIHANA: Tsy hoe nodidian’Andriamanitra fotsiny ihany ny vahoakany hanaisotra ny masirasira sy ny sakafo misy masirasira ao amin'ny toeram-ponenany mandritra ireo andro fito ireo. Fa ny tena takiana aminy dia ny fanalavirana ny ota. Nomena baiko isika hihinana mofo tsy misy masirasira mandritra io fety io. Tandindon’ny fahamarinana izany, dia ny fankatoavana mavitrika an’Andriamanitra!

Voavonjin'i KRISTY VELONA

Ny andro fito Fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira, manaraka ny Paska, dia tandindon'ny fanesorana ny ota, izany hoe ny fitandremana ny Lalàn'Andriamanitra, - rehefa voavela ny fahotana taloha. Ity Fetin'Andriamanitra ity koa dia manambara ny fiainana sy ny asan'i Kristy efa nitsangana tamin'ny maty, izay niakatra any amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra, izay itoerany ankehitriny. Miasa mavitrika any Izy, amin'ny maha-Mpisoronabe Azy, manampy antsika hiala amin’ ny masirasiran’ny ota eo amin’ny fiainantsika.
Ny fahatakarana ity lafiny fototry ny aina amin'ny andro firavoravoana ity dia zava-dehibe tokoa, mba hahatonga antsika hitombo amin’ny toetran'Andriamanitra, sy ho teraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra izay hanapaka ny Onivera manontolo amin’ny fiavian'i Kristy fanindroany.
1. Inona no nentin’ny fahafatesan'i Kristy ho antsika? Rom.5:10, tapany voalohany. Nefa ve mamonjy antsika ny fahafatesany? Rom.5:10, tapany farany.
FANAMARIHANA: Ny fahafatesan'i Jesosy Kristy dia tsy mamonjy antsika, fa mampihavana antsika amin'Andriamanitra fotsiny ihany. Izay mihavana amin'Andriamanitra dia tsy tafasaraka Aminy intsony. Ny fanekentsika ny soron'i Kristy dia mamerina ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra Ray, Ilay hany afaka manome antsika ny fiainana mandrakizay.
Ny Paska dia tandindon’i Kristy nofantsihina tamin’ny hazo fijaliana, izany hoe maty. Saingy i Kristy dia tsy Mpamonjy maty. Efa nitsangana tamin'ny maty Izy. Izy velona no mpamonjy antsika! Mariho fa aseho an-tsary amin'ny batisa ihany koa izany.
2. Moa ve ny batisa dia tandindon'ny fahafatesana sy ny fitsanganan’i Kristy tamin'ny maty? Rom.6:3-4. Amin'ny resaka batisa, moa voavonjin’ny fahafatesan'i Kristy ve isika, sa voavonjin’ny fitsanganany tamin'ny maty? 1Pet.3:21-22.
FANAMARIHANA: Raha tsy nitsangana tamin’ny maty i Kristy, dia mbola ho ao amin'ny fahotantsika ihany isika (1Kor.15:17). Izany dia azo aseho an-tsary amin'ny fanatsobohana antsika ao anaty rano, ary tsy hampiakarina avy tao intsony isika - manambara fa toy ny maty an-drano ao amin’ny fahotantsika isika! Fa ny fialàna avy tao anaty ranon'ny batisa dia tandindon'ny fitsanganan’i Kristy tamin'ny maty. Mazava izany fa ny fahaveloman'i Kristy ihany no mahavonjy antsika.
Ny fanevahevana ny fanatitra "voaloham-bokatra" dia tafiditra ho ampahany amin'ny torolalan'Andriamanitra ho an'Isiraely fahiny, izay nitandrina ny andro firavoravoana Fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira (Lev 23:9-11, 14). Nilaza tamin'ny Isiraelita Andriamanitra fa tsy azo atamboka ny fijinjana vokatra amin’ny lohataona raha tsy efa natao io fanevahevana ny voaloham-bokatra io. Saingy tsy mitaky an'io voaloham-bokatra io Andriamanitra amin’izao fotoana izao. Ny Baiboly dia manambara fa izay nolazain’io tandindona io dia efa notanterahin'i Kristy nitsangana tamin'ny maty (Jao 20:17-20; I Kor 15:20).
I Jesosy Kristy no ilay Zanak'Andriamanitra nitsangana tamin'ny maty voalohany – ny Voaloham-bokatry ny Planin’Andriamanitra. Izy dia tonga Zanaka "lahimatoa"n’Andriamanitra (Kol. 1:18) - ny olombelona voalohany teraka ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra. (Ny dikany feno amin’ny fanatitra ahevaheva koa dia mifandraika amin'ny fety fahatelo fanao isan-taona, ary hazavaina tsara ao amin'ny lesona manaraka.) Tena mety, raha i Kristy, izay tsy nanana ota tanteraka, dia natsangana ary naterak'Andriamanitra ho fanahy mandritra ilay fety mampiseho ny tsy fisian'ny ota.
Koa noho izany, ny fety Fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira, ankoatry ny fanehoana an-tsary ny fanesorana ny ota tsy ho eo amin'ny fiainantsika, dia tandindon’i Kristy velona nitsangana tamin'ny maty koa, izay ambaran'ny santa-bokatra atao fanatitra ahevaheva, satria i Kristy velona no manome antsika ny herim-panahy ilaina handresena ny ota! Tsy maintsy takatsika izany hevitra izany.
3. Moa ve ny Kristiana mbola manota tsindraindray rehefa avy nanaiky ny sorona nataon’i Kristy, izay nandoavany ny sazin’ny fahotantsika taloha? 1Jaona 1:8. (Mariho fa milaza ny tenany koa i Jaona, amin'ny fampiasany ny teny hoe "isika".)
FANAMARIHANA: Mbola olona nofo aman-dra isika; mbola azo alaim-panahy; mbola afaka maka fanahy antsika hanota i Satana, ary mitaona antsika handika ny didin 'Andriamanitra.
4. Ahoana no haha voavela ny heloka nataon’ny Kristiana taorian’ny nahavitana batisa azy? 1Jaona 1:9; 2:1-2. Inona ny fomba hafa anampian'i Kristy velona ireo zanak'Andriamanitra notorontoronin’ny Fanahy amin’izao fotoana izao? Rom. 8:34; Heb. 7: 25-26; 4: 14-16.
FANAMARIHANA: Kristy, Ilay Mpisoronabe ho antsika, Izay velona mandrakizay, dia Mpanolotsaina sy Mpanelanelana, miasa toy ny "tetezana" eo anelanelan'ny olombelona tsy lavorary sy ilay Raintsika lavorary any an-danitra. Ny Mpisoronabe-ntsika dia afaka mangoraka ny fahalementsika; satria Izy, fony mbola Jesosy olombelona, dia efa nalaim-panahy tahaka antsika koa, nefa nandresy ary mampanantena ny hanampy antsika handresy koa (Jaona 16:33; Filip 4:13). Noho izany, amin'ny alalan'io Mpisoronabe io, isika dia sahy manatona ny seza fiandrianan'Andriamanitra, ary mahita fahasoavana, famindram-po, famelan-keloka, sy izay fanampiana ilaintsika hanohizana mba hanaisotra ny fahotana tsy ho eo amin'ny fiainantsika.
5. Manome alalana antsika hivavaka mivantana amin'ny Ray ve i Kristy, mampiasa ny anarany rehefa manao izany fangatahana izany? Jaona 15:16. Moa ve i Kristy, amin’ny maha-Mpanampy an'Andriamanitra Azy amin’ny fitantana, mamaly ireo vavaka ireo koa? Jaona 14:13-14.
6. Moa ve Kristy, amin'ny alàlan'ny Fanahy Masina, miaina ao anatin’ireo zanak'Andriamanitra notorontoronin’ny Fanahy? Gal 2:20; Rom 8: 9-10; Kol 1:27; Filip 2: 5; I Jaona 3: 23-24. Moa ve ny Kristiana, tsy vitan'ny hoe tsy maintsy manana ny Fanahin'Andriamanitra, fa tokony hotarihin'izany koa, mba hananany toetra toy ny an'i Kristy sy ny Ray? Rom.8:14; 2Kor.10:5.
FANAMARIHANA: Ny fanantenan’ny Kristiana marina ho amin'ny voninahitra, dia fanantenana ho mpikambana ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra be voninahitra, amin'ny alalan’i Kristy Mpamonjy antsika, izay mitoetra ao anatintsika amin'ny alàlan'ny Fanahy Masina! I Kristy dia tsy vitan’ny hoe Mpanorina na Mpanomboka ny famonjena antsika ihany, fa Izy koa no Mpanatanteraka azy - Izy no Ilay Mpanefa mahafeno ny famonjena antsika (Heb 12:2).
Nilaza tamin'ny mpianany i Jesosy Kristy, fa tsy maintsy mandeha any amin’ny Seza Fiandrianan'ny Rainy any an-danitra Izy, handefa ny Fanahy Masina ho azy ireo (Jaona 16:7). Nahazo ny Fanahy Masina izy ireo, tamin'ny alàlan'i Kristy velona, nitsangana tamin'ny maty, sy nomem-boninahitra. Araky ny nianarantsika tamin'ny lesona teo aloha, ny Fanahin’ny Ray dia Fanahin'i Kristy koa. Noho izany, Kristy no miditra ao anatin’izy ireo - tsy amin’ny maha olona Azy, fa amin'ny maha Fanahy Azy.
Kristy dia Mpamonjy velona, izay manao ny asam-pamonjeny avy ao ANATIN’izay mino Azy! Ny Fanahin'Andriamanitra koa dia manome antsika ny fitiavany, izay mamela antsika hahatanteraka ny Lalàny (Romana 5: 5; 13:10). Tsy amin'ny alalan’ny herintsika manokana no hiezahantsika hitandrina ny didin’Andriamanitra; fa amin’ny alalan’i Kristy velona ao anatintsika amin'ny Fanahy, Izay mitandrina ny didin'ny Rainy, noho ny fitiavan'Andriamanitra, toy izay nataony fony mbola olombelona i Jesosy.
Fantatsika fa tsy afaka mankatoa an'Andriamanitra amin'ny hery sy tanjatsika manokana isika. Fa KRISTY AO ANATINTSIKA NO AFAKA MANAO IZANY! Ny Mpamonjy antsika izay velona no manome HERY antsika, ho tonga olo-marina – izany hoe tsy misy masirasira ara-panahy! Amin'ny alàlan'izany hery izany, dia voaomana ho amin’ny fijinjam-bokatra ara-panahy isika, ho tafiditra ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra manjaka amin’izao rehetra izao!

 

Ny Dingana Manaraka amin'ny Planin’Andriamanitra

Ny Lalàn'Andriamanitra dia Lalàna araky ny fanahy (Romana 7:14). Noho izany, tsy maintsy manana ny Fanahy Masin’Andriamanitra isika vao mahafantatra azy tanteraka sy mitandrina azy (1Kor.2:11). Ny Fanahin'Andriamanitra no manome antsika ny fitiavan'Andriamanitra sy ny finoan'i Kristy. Amin'ny alàlan'ny herin'ny Fanahy Masina ihany no ahafahantsika manorina ao anatintsika ny toetra marina sy masin'Andriamanitra. Ary amin'ny alàlan'ny herin'Andriamanitra ihany no hahatonga antsika haterak’Andriamanitra, rehefa avy notorontoronina tamin’ny Fanahiny aloha isika. Ny Fanahin'Andriamanitra dia ampahany lehibe amin'ny Planin’ny Famonjena.

Amin'ny alalan’ny Fanahy Masina ihany koa no ametrahan’Andriamanitra antsika ao amin'ny Fiangonany, dia ny Fianakaviany notorontoronin’ny Fanahy, ny Fanjakany vao mitsaika. Tsy miasa amin'olona tsitokatokana Andriamanitra, na amin’ny karazam-pivavahana samy hafa amin'izao tontolo izao. Miasa Izy, amin'ny alàlan’ny fikambanan'ny Kristiana marina an'arivony maro, izay nantsoiny avy tao amin'izao tontolo izao. Ny Fiangonan'Andriamanitra koa dia ampahany lehibe amin'ny Planin’ny Famonjena.

Amin'ny lesona manaraka, dia hianarantsika ny fomba nanombohan’ny fiangonan'Andriamanitra, sy ny fomba nampaherezan'ny Fanahiny ny Fiangonany, nanomezany azy fahafahana manatanteraka ireo iraka lehibe nomen’Andriamanitra ireo vahoakany. Hianarantsika ny fomba ampiasan’Andriamanitra ankehitriny ny Fiangonany hanomanana an'izao tontolo izao ho amin'ny fiverenan'i Kristy.
Hianarantsika koa ny fomba nanomanan'Andriamanitra ireo izay napetrany ao amin'ny Fiangonany, nanomanany azy ireo ho amin'ny "fijinjana" ara-panahy amin'ny fiavian’ny Fanjakan’Andriamanitra izay antomotra - ho teraka ho "voaloham-bokatra" ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra, mba ho mpitondra sy mpampianatra any amin'ny Tontolon’ny Ampitso mahafinaritra!
Izany rehetra izany dia aseho amin'ny fety fahatelo fanao isan-taona ao amin'ny Planin'Andriamanitra, dia ny "Fetin’ny Voaloham-Bokatra", fantatra amin'ny anarana hoe andron’ny Pentekosta ao amin’ny Testamenta Vaovao.

No comments:

Post a Comment