Ho any an-danitra ve Ianao?

 

AMBASADAORO KOLEJY - TOKO FAHA-7


HO ANY AN-DANITRA VE IANAO?

 Nahare foana ianaoa fa ho any an-danitra raha "voavonjy". Ary maro ny olona mieritreritra fa "nankany an-danitra" ny havany taorian'ny fahafatesany. Inona no lazain'ny Baiboly momba izany? Moa ve ny "lanitra no valisoan'ireo olom-boavonjy "?

Raha mankany an-danitra ny olo-marina, nahoana ny Apostoly Jaona no nanoratra, tamin’ny aingam-panahy hoe: "Ary tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra »? (Jaona 3:13) Teto i Jaona dia niresaka momba an'i Jesosy Kristy tenany.

Raha mankany an-danitra ireo "voavonjy" rehefa maty, nahoana i Peteraa no nanipika fa i Davida Mpanjaka, izay lehilahy araky ny fon’Andriamanitra (Asa 13:22), dia mbola maty, "ka nalevina koa, ary ny fasany eto amintsika mandraka androany…fa TSY Davida no NIAKATRA TANY AN-DANITRA"(Asa. 2: 29-34)?

Eny, NAHOANA?

Hevitra mifanohitra tokoa izany! Olona an-tapitrisa maro ankehitriny no mino fa any an-danitra ireo "voavonjy", nefa i Davida tenany mihitsy aza tsy nankany an-danitra mihitsy! Etsy ankilany, raha niakatra any an-danitra daholo izay "voavonjy", rehefa maty izy ireo, inona no ilàna ny fitsanganana amin'ny maty? Inona no mahatsara ny fitsanganana amin’ny maty, raha toa efa «nahazo ny valisoany» izy ireo?
Ny zavatra ninoan'ny olona Tsy ireo izay mitonona ho Kristiana irery akory no mino ny fisiam-piainana any ankoatry ny fasana. Any amin'ny firenena rehetra, misy olona nino sy mbola mino fa misy karazana fiainana aorian'ny fahafatesana, karazana "valisoa" aorian'ny fahafatesana. Izany dia "finoana arahin'ny mpanompo sampy, ny Jiosy ary ny Silamo ...ny fahasambarana mandrakizay, eo imason’ireo mpanompo sampy, dia natokana ho an’ireo izay niavaka noho ny toetra tsara nananany, ary noho izany, dia nekena ho eo anatrehan'ireo andriamanitra ... " (The Faiths of the World = Ny finoana eran-tany, Boky faha-5, p.10).
Mbola manohy ihany io boky io : "Ny lanitry ny Hindou dia tsy inona fa fiverenana ho any amin’i Brahma, ary ny lanitry ny Bodista dia maneho ny fandevonana ny eritreritra rehetra, na Nirvana. Ny mpisorona tany Egypta taloha dia nampianatra ny tsy fahafatesan'ny fanahy, izay antsoina hoe Palingenesia, na ny fahaterahana faharoa, izay maneho ny fiverenan'ny fanahy ho any amin’ny Ray any an-danitra, na ny famerenana azy indray any amin’ny Avo Indrindra ... "(io boky io ihany, p. 11).
Ny Encyclopédie Britannique, natonta faha-11, dia nanambara fa, eo amin'ireo firenena samy hafa, dia misy "hevitra isan-karazany mahatalanjona momba ny fiainana sy ny tontolo ho avy ... Io fiainana ho avy io dia mety ho eto an-tany, any amin’ny toerana mihataka ny tany, na any ambonin’ny tany, na koa any an-danitra, any amin’ny masoandro, ny volana, ny kintana: - na any ambanin'ny tany aza .. Ny toerana misy ny fahasambarana lehibe sy ny toerana ampiharana ny sazy dia mety ho samihafa, na koa, dia mety homena ny maty rehetra ny fialofana farany. Indraindray, ny nanao ny tsara dia mahita fialofana farany any amin'ireo andriamanitra; indraindray koa, misy lanitra maro misy antanan-tohatry ny fahasambarana isan-karazany "(Boky faha-9, p.760).
Ny silamo dia mino ny lanitra iray voaomana ho an'ireo olon-tsambatra, ho an'ireo izay manaraka ny fivavahana marina, izany hoe ireo mpianatr'i Maéhomet. Mihevitra izy ireo fa any am-paradisa dia ho afaka hankafy ny fahazavana mandrakizay izy ireo, ary koa ny fahafinaretana any an-danitra rehetra. Ny finoan'izy ireo dia misy lanitra valo, izay samy misy ny fahasambarana samihafa.
I Mahomet dia nampianatra ny finoana ny paradisa misy fahasambarana ara-batana sy ara-nofo; nefa koa, izy dia nampianatra ao amin'ny Korany fa ny fahasambarana lehibe indrindra dia ny mahita an'Andriamanitra, mifanatrika, ary io fahafinaretana io dia hampanadino ireo fahafinaretana hafa rehetra ao am-paradisa.
Betsaka ny foko any Aostralia mino fa misy fahasambarana rehefa maty, indrindra ireo foko miparitaka any amin'ny faritra atsimo-atsinanana, izay mametraka ny finoany amin'ny ho avy, misy fiainana sambatra "any an-koatry ny rano lehibe" na any an-danitra. Io "paradisa" io dia mbola fantatra ihany koa amin'ny hoe "tanin'ny kininina". Araky ny finoan'ny ankapobeny, ny tara-masoandro amin'ny masoandro mody na ny “lalan-dronono” dia lalana mankany amin'ny toerana any an-danitra.


Ny aborigène any Tasmania koa dia nanantena, aorian'ny fahafatesany, fiainana sambatra kokoa, izay hahafahan'izy ireo mihaza ary mankafy mandrakizay ny fahafinaretana niriany teto an-tany.

Ny mponina Teuton fahiny (Alemà taloha) dia nino fa misy toerana any an-danitra, antsoina hoe Walhalla. Ireo mpiady mahery fo rehetra dia nanantena ny hiditra any amin’ity lanitra ity - paradisa ho an'ny mpiady - izay ataony fa misy ny toeran’ny andriamanitra rehetra. "Ny valin-drihan’ny paradisa dia vita amin'ny lefona, ary rakotra aro (bouclier) izy io, ary ny dabilio dia voarakotra akanjo vy. Misy amboadia iray eo ambony anoloan’ny varavarana andrefana, arymisy voromahery manidina eo amboniny ... Ity Walhalla ity dia tena midadasika ka misy varavarana efa-polo amby dimanjato. Isan'andro, dia misy mpiady mirongo fiadiana maro mandalo eo am-baravarana mba hiala voly ka mifampiady tsirairay; aorian'izay dia miverina hanao fety sy hisotro ny nectar(ranom-boankazo voatokana ho an’ireo andriamanitra) ao anaty kopy, izay aroson’ny Walkyries azy ireo."(Encyclopedia of Religion and Ethics, vol. II, p. 709).

Ny Eskimo avy any Groenland dia mino ny fisian’ny faritra roa any am-paradisa : ny iray, any ambonin’ny lanitra ary mamanala be, dia misy havoana, lohasaha ary lanitra iray; ny iray kosa, any ambanin'ny tany, dia feno fahafinaretana, ary ny masoandro dia mamiratra mandrakizay. Araka ny mety ho hitanao, ny hevitra hoe handeha ho any an-danitra, aorian'ny fahafatesana, dia tsy avy amin’ireo kristiana madiodio. Hatramin'ny fahagola, ny mpanompo sampy dia efa nanana finoana toy izany.

Ny "lanitry" ny Egyptiana Milaza amintsika ny tantara fa ny hevitra "Kristiana" maro mikasika ny lanitra dia tonga mivantana tamintsika avy tany Egypta fahiny.
Nanoratra toy izao i Adolph Erman ao amin'ny bokiny mitondra ny lohateny hoe « Ny Egyptiana taloha »: "Ny soratra amin'ny pyramida dia miompana indrindra amin'ny fanirian’ilay olona maty hajaina, mba hisoohany ny fiainana tsy misy fifaliana any amin'ny tontolo ambany lenta - izay anjaran'ny olon-tsotra mety maty - ary hiaina any an-danitra tahaka ireo andriamanitra. Any izy dia afaka mitsangantsangana miaraka amin'ilay Andriamanitra-Masoandro amin'ny kalesiny, na mipetraka any amin'ny sahan'ny Olon-tsambatra, any amin'ny sahan’ny fanolorana sakafo, na any amin'ny sahan'i Iaru (na Alu) Mety ho lasa andriamanitra mihitsy aza izy - ary ny haitraitran'ireo poety dia miezaka mamaritra ny mpanjaka amin'izany andraikitra vaovao izany.Hatreo, dia tsy olona intsony no raisin'ireo andriamanitra amin-kalemem-panahy any an-danitra, fa mpandresy iray izay maka ny lanitra tsy araky ny sitrapon’ireo andriamanitra ”(p. 2).
Nino ny Egyptiana fa alohan'ny hahatongavana any amin’ny "lanitra" - ny tanimbolin'i Iaru - ary hisehoana eo anoloan'i Osiris, ny fanahin'ny maty dia tsy maintsy mandalo faritra ambanin'ny tany iray midadasika, antsoina hoe Tuat, izay fonenan'ny andriamanitra maro, ny demonia, ny fanahy tsara sy ratsy, ny fanahin’ireo olo-meloka ary, ho fanampin'izany, ny bibilava, ny zava-boahary sampona ary ny dragona. Ny boky masin'ny Egyptiana, atao hoe bokin'ny Maty, dia manoro ny famosaviana, ny famoazana angatra, ny vavaka, ny fambara-hasambarana (firavaka heverina hahatsara vintana) ary ody fiaro, mba hanampiana ilay maty handresy ny loza ateraky ny Tuat ary farany dia tonga ao amin'ny Sekhet Aaru ary ny Sekhet Hetep - anarana hafa hiantsoana ny lanitra amin’ny Egyptiana – mba hakany ny toerany ho anisan'ireo mpanompon'i Osiris, any amin'ny "Tanin’ny Fiainana Mandrakizay" (EA Wallis Budge, The Literature of the ancient Egyptians, p.40-41 ).
Ny Egyptiana taloha dia nino fa ny maty dia nampidirina any amin'ny efitrano fitsarana, izay notarihin'i Osiris. "Rehefa tsara ny didim-pitsarana ary rehefa nesorina taminy ny fahalotoana rehetra, ilay olona maty dia mahita ny fony, ary, aorian'ny fitsapana maro hafa, dia ampidirina ao amin’ny saha Elysée mamirapiratra izy, (ny sahan'i Alu) any ankoatry ny rano... Hatramin'izao, dia hankafy ny fiainana tsy misy fetra izy, natao ho an'ny olon-tsambatra, eo ambanin'ny aloky ny hazon'aina na ny hazo amontana an'i Nut, ilay andriamani-bavin’ny lanitra. .. "(Kohler, Lanitra sy Helo amin'ny Fampitahana ny Fivavahana, p. 22).
Rehefa tsy nahazo rariny tamin’ilay didim-pitsarana natao izy, dia tsy maintsy miaritra ny «fahafatesana faharoa» ilay mpanota mahantra. Samahina izy ary iharan'ny fampijaliana mahatsiravina indrindra; dorana amin'ny vainafo mivaivay izy na atsoboka any anaty rano lalina, na koa kapakapaina amin'ny sabatra maranitra izy.


Hoy i Kohler : "Hitantsika eto ny tena fiandohan'ny afobe sy ny paradisa" (p. 23).
Ny fampianaran'ny fiangonana voalohany

Na tena mahagaga azan y fahitàna izany, na i Jesosy na ireo Apostoly dia fa toa tsy nampianatra mihitsy fa ny marina dia mankany an-danitra! Mariho izay eken'ny raki-pahalalana iray tsy ara-pivavahana: "Tamin'ny andron'ny Fiangonana voalohany, ny fijery ankapobeny dia toa hoe, mandra-piverenan'I Kristy eny amin’ny rahon’ny lanitra mba hanangana ny maty, ireo izay maty dia natory, ary ho fohazina tampoka izy ireo mba handray vatana vaovao, avy eo, dia hiara-hanjaka amin'i Kristy mandritra ny arivo taona ... "(The New International Encyclopedia, art." Heaven, "vol. 9, p.700-701).

Miharihary fa ny Fiangonana tany am-boalohany dia tsy nampianatra mihitsy ny hevitra hoe handeha any an-danitra. Tsy dia nalaza izany fampianarana izany raha tsy efa maty elabe ny Apostoly.

Mariho anefa izay niseho tsikelikely:

"Voatarika betsaka tamin'ny fisainana grika, nisy fiheverana hafa nahazo laka tsikelikely. Mazava ho azy fa ny niafaran'ny patriarka, ny mpaminany ary ny olona tia vavaka tamin'ny andro taloha dia nisarika ny saina ary nitarika ny hevitra fa ny "fanahiny tsy mety maty" dia voatàna any amin'ny toerana fanomanana izay nantsoin'ny taloha hoe limby (limbus patrum), izay hiandrasan'izy ireo ny fiavian'ny Mpamonjy. Ny finoan’ny kristiana maro dia hoe, hatramin’ny nitsanganan’i Kristy tamin’ny maty, ireo olo-marina tsy voaloton'ny ota dia miditra any an-danitra avy hatrany aorian'ny fahafatesany, ary ny fifaliana lehiben’ izy ireo dia ny fahitana an'Andriamanitra mahasambatra any an-danitra "(ibid).

Ny tantara dia mampiseho fa ny fampianaran'i Clement avy any Alexandria, sy Origène ary ny filôzôfa hafa dia nampivily tsikelikely ireo nilaza-tena ho Kristiana tamin'ny finoana ny Fanjakan'i Kristy Arivo Taona, eto amin'ity tany ity. Ny filozofia grika, izay nindrana betsaka tamin'ny angano egyptiana taloha dia nanomboka nanolo, ho loharanon'ny foto-pinoana, ny fampianarana ara-Baiboly. Ny finoana mahazatra, toy ny tsy fahafatesan'ny fanahy, ny helo misy lelafo mandrakizay, ny afo fandiovana sy ny lanitra, dia samy nanana ny fiaviany avy tamin'ny angano taloha. Ilay fiangonana malaza, mba ho lasa eken'izao tontolo izao, dia nanaiky sy nampianatra ireo hevitry ny mpanompo sampy izay nahazo bahana ireo, fa tsy ny fampianarana madio avy amin'ny Baiboly.

Ankehitriny, ny hevitry milaza fa ny lanitra dia "valisoa ho an’ireo voavonjy", dia saiky eken'ny besinimaro amin'ireo fiangonana protestanta. Ny ankamaroan'ireo milaza-tena ho kristiana dia manantena ny ho any "an-danitra", izay hahitàna ny marina, mipetraka eny ambony rahona, mitendry harpa ary mandihy amin'ny feon'io zavamaneno io, sady mandinika ny tavan'ny Tompony, MANDRITRY NY MANDRAKIZAY.

Ny finoana diso toy izany dia tsy avy amin'ny fampianaran'i Kristy sy ny Apostoly.

Ka inona ny marina tsotra sy mora momba ny lanitra? Inona no tena fampianarana marina avy amin'ny Baiboly momba ny "valisoa ho an’ireo voavonjy"?


LESONA 7
"ILAY TANY NAMPANANTENAINA"

Ao amin'ny epistily ho an'ny Galatiana no ahitana ny famintinana ny tanjona sy ny PLANIN'Andriamanitra ho an'ny olombelona. Ny fanantenan'ny kristiana hahazo "valisoa" mandrakizay dia miankina amin'izay voalaza ao amin'ity andalana ity, izay tena tsy azon’ny olona mihitsy, ary izay hodinihintsika izao.

Raha niresaka tamin’ny Jentilisa tsy mbola niova fo tany Galatia ny Apostoly Paol, dia nahazo aingam-panahy mba hanoratra hoe: "Ary tamin'i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana…Fa raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana" (Gal.3:16, 29).

Noho izany ny kristiana dia tsy mbola manana ny vokatry ny fampanantenan'Andriamanitra; “mpandova” fotsiny izy izao. Izay holovain’ny kristiana raha "voavonjy" izy ireo - izay ho “valisoa ho azon'ireo hovonjena” ary ny toerana hisy azy ireo mandrakizay – dia fampanantenan’Andriamanitra efa voafaitra tsara. Anefa, io fampanantenana io dia natao tamin'i Abrahama izay antsoina amin'ity Epistily ity ihany, izay nosoratana ho an'ny Jentilisa niova fo, hoe rain'ny mpino (Gal.3:7, Rom.4:11-12).

Raha miova fo ny olona iray, na inona na inona firazanana, volon-koditra, ny maha-lahy sy maha-vavy, raha toa "an'i Kristy"ianao - izany hoe raha tena kristiana ianao - dia tonga dia zanak'i Abrahama, ary mpandova ny FAMPANANTENANA natao taminy. Noho izany, izay tokony ho lovain’ny kristiana dia izay nampanantenaina an'i Abrahama.

Andeha hojerena ary raha "ny lanitra" izany fampanantenana izany.



1. Inona no nampanantenain'Andriamanitra an'i Abrahama? Gen.12:2-3, 6-7.

FANAMARIHANA: ny "taranaka" dia midika hoe zanaka. Noho izany, ny teny fikasana natao tamin'i Abrahama sy ny zanany - ny taranany - dia ny tany Kanana.



2. Nijanona vetivety tany Egypta i Abrahama (Gen.12:10). Rehefa niverina tany Kanana izy, nahazo indrayny fampanantenan'Andriamanitra ve izy sy ny taranany? Gen.13:14-15. Inona no faritr'io firenena io? 'Gen.15:18.

FANAMARIHANA: Ny tany Kanana, izay tantanin'ny Jiosy ny ampahany lehibe ankehitriny, dia nampanantenaina ho an'i Abrahama sy ny taranany. Izany no antony iantsoana azy hoe "Tany nampanantenaina". Mariho fa faritra eto an-tany izany, fa tsy toerana tsy voafetra any an-danitra.



3. Mandritry ny hafiriana no nampanantenain'Andriamanitra an'i Abrahama sy ny taranany fa hanana ny tany izy ireo? Gen.13:15.

FANAMARIHANA: Koa satria ho mandrakizay io lova io, dia tafiditra ao ary tsy maintsymisy ao ny FIAINANA MANDRAKIZAY. Mbola hiresaka bebe kokoa momba izany isika.



4. Moa ve io fampanantenana io dia misy dikany malalaka kokoa, ka lasa hisy fandovàna ny tany manontolo? Rom.4:13.

FANAMARIHANA: Tsy misy teny na dia iray aza eto momba ny lanitra. Noho i Abrahama, ny tena Kristiana rehetra dia nampanantenaina handova ny tany.



5. Moa ve ireo fampanantenan'Andriamanitra ireo koa dia natao tamin'Isaka, zanak'i Abrahama? Gen.26:1-5.



6. Ary nohavaozina tamin'i Jakoba, zanak'Isaka ve ireo fampanantenana ireo? Gen.35:9-12. Toy izany koa ve ny natao tamin’ny zanak’i Jakoba - ny Isiraelita? Rom.9:4.

FANAMARIHANA: I Jakoba, izay novàna anarana hoe "Israely", dia nanan-janaka roa ambin'ny folo lahy. Avy amin'ireo zanany roa ambin'ny folo lahy ireo no teraka ny foko roa ambin'ny folon'ny Isiraely, izay fantatra hoe "zanak'Israely", na hoe Isiraelita.
Ny fankatoavana alohan'ny fandovàna

1. Tamin'ny nanaovana an'io fampanantenana io tamin'i Abrahama, dia nametraka fepetra tamin'izany Andriamanitra: ny fankatoavana. Inona no nasain'Andriamanitra nataon'i Abrahama? Gen.12:1.



2. Nanohitra sy niady hevitra tamin'Andriamanitra ve i Abrahama talohan'ny nandaozany ny fireneny? Sa nanatanteraka fotsiny izay nolazaina azy? Gen.12:4; Heb.11:8. Tany amin'ny firenena inona no nitondran'Andriamanitra azy? Gen.12:5.

FANAMARIHANA: Andriamanitra dia niantso an'i Abrama (izay fiantsoana azy tamin'izany fotoana izany) ary nitondra azy nivoaka avy tany Ora, any Kaldea, ilay firenena nahaterahany. Io firenena io dia teo ambany fitarihan'ny rafitra ara-politika izay niforona tany Babela, izay tandindon’ny "Babylona" ara-panahy izay iainantsika ankehitriny. Manoro hevitra antsika Andriamanitra handao izany tontolo izany ankehitriny, ity Babylona môderina ity (Apok.18:1-4).

Nankatò azy i Abrahama. Nandao ny firenena niaviany izy, ny namany sy ny havany ary ny fomba-fiaina nahazatra azy taloha; nandao ny zava-drehetra izy, ary nanaraka ny lalana nasehon'Andriamanitra azy. Saingy, tsy nijanona teo Andriamanitra mba hizaha toetra ny sitrapon'i Abrahama hankatò Azy. Mariho ireto manaraka ireto:



3. Inona no fitsapana hafa nosedrain'i Abrahama? Gen.22:1-2.

FANAMARIHANA: Notsapain'Andriamanitra “toetra” Abrahama, fa tsy naka fanahy azy Izy, satria Andriamanitra tsy maka fanahy na iza na iza (Jakoba 1:13).



4. Manoloana ireo fitsapana ireo, moa ve nampiasa ny fisainany i Abrahama? Nitady fialan-tsiny sy fikomiana ve izy? Nankatò an'Andriamanitra tamim-pitokiana ve izy – ka lasa nifoha maraina mba hanatanteraka ny baikon'Andriamanitra? Gen.22:3.



5. Navelan'Andriamanitra hamono ny zanany lahy tokana ve i Abrahama? Gen.22:10-12.

FANAMARIHANA: Andriamanitra dia tsy tena tia ny hamonoan'i Abrahama ny zanany; Te-hizaha toetra ny SITRAPOn'i Abrahama ny hankatò Azy amin'ny finoana rehetra Izy. Ary, noho i Abrahama nahatoky tamin'ny fankatoavana an'Andriamanitra, ny Baiboly dia miantso azy ho "rain’ny olona rehetra izay mino izy" (Romana 4:11; Gal.3:7).



6. Rehefa nankatò i Abrahama - rehefa avy nosedraina sy nanaporofo ny finoany izy - nametraka fepetra hafa tamin'ny fampanantenany tany am-boalohany ve Andriamanitra? Gen.22:15-18. Mariho ireo teny hoe "satria NANAO izany zavatra izany ianao" ao amin'ny andininy 16, ary koa ireo teny hoe "satria NANAIKY ny teniko ianao" ao amin'ny andininy faha-18.

FANAMARIHANA: Noho izany dia nanjary TSY MISY FEPETRA ny fampanantenana. Nataon'i Abrahama NY ANJARANY tamin'io fanekena io.



7. Inona no andinin-tSoratra Masina hafa mampiseho amintsika FA TENA AZO ANTOKA io fampanantenana io? Gen.26:5.
Ny olona rehetra dia mety ho tonga"mpandova" an'io fampanantenana io

Ireo teratany avy amin'ny firenen-drehetra dia afaka handova an'io fampanantenana natao tamin'i Abrahama sy ny taranany io.



1. Nampanantena ve Andriamanitra fa amin'ny “taranany” no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany? Gen.12:3; 22:18. Iza io "taranany" io? Gal.3:8, 16.

FANAMARIHANA: Ny teny hoe "taranaka" izay hitantsika ao amin'ny Genesisy 22:18, dia miresaka manokana momba ny taranaka iray ihany – i Kristy - fa tsy ireo taranaka maron'i Abrahama na ny taranany voalaza ao amin'ny Genesisy 13:16. ; 17:8.



2. Ny Lioka 3:23, 34 ve manaporofo fa i Jesosy dia taranaka mivantana - avy amin'ny "taranaka" - an'i Abrahama? Moa ve taranaka mivantana avy amin'ny firenen'i Joda izy, izay iray amin'ireo zanak'i Jakoba na Isiraely? Andininy 33-34. Jereo koa ny Jaona 4:22 sy ny Heb.7:14.

FANAMARIHANA: Avy tamin'i Maria reniny no nanaovan'i Lioka ny teti-haran'i Jesosy. I Josefa, voatonona ao amin'ny Lioka 3:23, dia vinanton'i Hely, rain'i Maria. Izany no fomba nampisehoan'i Lioka antsika fa i Maria dia taranaka mivantana avy amin'i Abrahama (and. 34).



3. Ahoana no ahafahan'ny olona iray, izay tsy naterak'i Abrahama mivantana ara-nofo, hahazo handova ny fampanantenana natao tamin’i Abrahama? Gal.3:28-29.

FANAMARIHANA: 'Ny olona rehetra tsy taranak'i Abrahama avy tamin’i Jakoba dia antsoina hoe mpanompo sampy na "Jentilisa" ao amin'ny Baiboly. Izany no nitenenan'i Paoly, raha nanohy ny lahateniny izy, fa ny Galatiana, dia Jentilisa, ka ny hany fomba ahafahan'izy ireo ho lasa mpandova ny fampanantenana natao tamin'i Abrahama, dia ny ho tonga zanaka ("taranaka") an’I Abrahama - amin'ny alàlan'ny fananganan'anaka ara-panahy amin’ny alàlan'i Jesosy Kristy.



4. Ahoana no namaritan'i Paoly ny Kristiana "Jentilisa" tany Efesosy, talohan'ny niovany fo? Efes.2:11-12.

FANAMARIHANA: Amin'ny maha-Jentilisa azy, dia " vahiny tamin'ireo faneken'ny teny fikasana » izy ireo, ary « TSY NANANA FANANTENANA sady tsy nanana an'Andriamanitra teo amin'izao tontolo izao;".



5. Saingy noho i Kristy sy ny sorona nataony, moa nahazo ny fampanantenan'Andriamanitra ve izy ireo? Efes.2:13. Moa mbola vahiny na mpivahiny ihany ve izy ireo? Andininy 19. Moa ve ankehitriny, tsy efa ankohonan’Andriamanitra eo amin’ny lafiny ara-panahy izy ireo? Andian-tsoratra mitovy.

FANAMARIHANA: Tahaka izany koa, ankehitriny, ny olona rehetra, na inona na inona fireneny - raha iriny izany - dia mety ho lasa mpandova ny fampanantenan'Andriamanitra tamin'i Abrahama, ka lasa "taranany" amin'ny alalan’I Kristy.

Izao no vakiantsika ao amin'ny Galatiana 3:7: "Koa fantaro fa izay amin'ny finoana no zanak'i Abrahama." Raha kristiana niova fo ianao, na inona na inona firazananao, i Abrahama dia "rainao"; koa handova izay nampanantenain'Andriamanitra azy ianao. Tsy mazava ve izany?

Ary izany no mahatonga ny tena kristiana rehetra ho mpandova miaraka amin'i Abrahama (1) ny FIAINANA MANDRAKIZAY ary 2) ny LOVA MANDRAKIZAY NY TANY MANONTOLO. Ny "lanitra" dia tsy tafiditra ao anatin'ny fampanantenana nataon'Andriamanitra tamin'i Abrahama.

Rahoviana i Abrahama sy ny "taranany" no handray ny lovany? Rahoviana izy ireo no handray ireo fampanantenana? Efa “nahazo" ny valisoany ve i Abrahama - efa nandova ny teny fikasana natao taminy ve izy?
Ny fampanantenana izay mbola tsy tanteraka

1. Efa nahazo ny lova nampanantenain'Andriamanitra azy ve i Abrahama? Asan’ny Apostoly 7:2-5. Mariho manokana ny andininy faha-5.

FANAMARIHANA: Teo ambany tsindrimandrin'Andriamanitra, nilaza mazava i Stefana fa tsy mbola nahazo ny lova izay nampanantenaina azy i Abrahama, na dia TSY MISY FEPETRA aza ny fampanantenan'Andriamanitra noho ny fankatoavany.



2. Moa ve i Abrahama, Isaka ary Jakoba dia mpivahiny fotsiny tany amin’ilay tany nampanantenain'Andriamanitra azy ireo? Heb.11:8-10. Tamin’ny fotoana nanoratana ny epistily ho an'ny Hebreo, efa nandray ny teny fikasana ve izy ireo? Andininy 13,39-40. Mbola maty ve i Abrahama tamin'ny andron'i Kristy sy ny Apostoly? Jaona 8:52-53.

FANAMARIHANA: Azonao ve ny dikan'ireto andalan tSoratra Masina ireo, izay nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra? Amin'ny fiteny tsotra, dia nambarany fa maty tamin'ny finoana daholo ireo olona ireo, kanefa tsy nahazo ny teny fikasana. Ireo raim-pianakaviana izay nanaovana ireo fampanantenana ireo dia tsy "nandray ny valisoany tamin'ny fahafatesany" - ary mbola tsy "nahazo ny valisoany" izy ireo TAONA MARO taorian'ny fitsanganana sy ny fiakaran'i Kristy ho any an-danitra.



3. Ary moa ve i Davida - iray amin'ny taranak'i Abrahama ary iray amin'ireo mpaminan'Andriamanitra tamin'ny vanim-potoan'ny Testamenta Taloha - nandova ireo fampanantenana, sa mbola ao am-pasany ihany izy? Asan’ny Apostoly 2:29.

FANAMARIHANA: Vakiantsika ao amin'ny Testamenta Taloha fa i Abrahama sy ny patriarika rehetra dia TSY nahazo ny lova nampanantenaina. Izy sy ny kristiana rehetra izay tonga zanak'i Abrahama ao amin'i Kristy ihany no mpandova izany fampanantenana izany mandraka androany. Tsy mbola nandova ireo fampanantenana ireo izy ireo.

Ny fanontaniana LEHIBE izay mbola mipetraka dia izao: Rahoviana izy ireo no handray ny lova izay nampanantenaina azy ireo?
Handova ny "Fanjakan'Andriamanitra"

Mba hahatakarana hoe rahoviana ny lova nampanantenaina no ho tonga, dia andao hijery akaiky izay holovan'i Abrahama sy ny mpandova azy.



1. Inona no "nohamafisin"i Jesosy Kristy nandritry ny asany teto an-tany? Rom.15:8. Inona no hafatra notoriny? Marka 1:14-15; Mat.9:35.

FANAMARIHANA: Tamin'ny fanamafisana ny fampanantenana ny lova mandrakizay izay nataon'Andriamanitra tamin'ny "razany" (Abrahama, Isaka ary Jakoba), i Kristy dia nitory ny FILAZAN-TSARAN’NY FANJAKAN'ANDRIAMANITRA izay tsy maintsy mivelatra eto ambonin'ny tany - ity tany ity izay nampanantenaina tamin 'i Abrahama sy ny taranany ho lovany mandrakizay. Misy fifandraisana ve izany? Mazava ho azy! Jereo ireto manaraka ireto:



2. Hiditra ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra ve ny olo-marina rehetra tany aloha? Lioka 13:28; Mat.8:11.

FANAMARIHANA: Ny fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin'ireo "razana" dia misy ny fidirana ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Vokatr'izany, ny lovany dia hisy 1) FIAINANA MANDRAKIZAY, 2) ny FANJAKAN'ANDRIAMANITRA, ary 3) NY TANY izay hiorenan'ity fanjakana ity – izany hoe MITOVY LOVA amin’izay azonao sy izaho raisina amin'ny alàlan'i Kristy.



3. Araky ny tenin'i Kristy, inona no tokony hiompanan'ny ezaka hataon’ny Kristiana voalohany indrindra? Mat.6:33; 7:21.

FANAMARIHANA: Ao amin'ny Matio 7:21 dia ny Fanjakan’"ny lanitra" fa tsy "any an-danitra"; "ny lanitra" dia tsy midika hoe "any an-danitra".

Ny Filazan-tsara araky i Matio dia nampiasa ny teny hoe "fanjakan'ny lanitra", mba hanambarana marina izay nambaran'i Marka, Lioka sy Jaona tamin'ny teny hoe"fanjakan'Andriamanitra". Tsy midika akory izany hoe Fanjakana any an-danitra, ary koa tsy fanjakana ao amin'Andriamanitra izany. Izy io dia milaza fotsiny fanjakana iray izay fananan’Andriamanitra sy tantaniny, ka ny seza fiandrianana sy ny tranony dia mipetraka any an-danitra.



4. Ao amin'ilay "toriteny teo an-tendrombohitra" moa ve i Jesosy Kristy manondro izay holovain’ny "malemy fanahy"? Mat. 5: 5. Ary inona no lazainy momba ny "malahelo am-panahy"? Mat. 5: 3. Misy fifanoherana ve eo?

FANAMARIHANA: Mazava ho azy fa tsia! Ny "malemy fanahy" sy ny "malahelo am-panahy" dia manondro ireo kristiana manetry tena izay handova ny tany; hanana izany mandrakizay izy ireo ary hiditra amin'ny "Fanjakan'ny lanitra" izay haorina eto an-tany. Ity Fanjakana ity, araky ny nianarantsika tamin'ny lesona teo aloha, dia ny governemantan’Andriamanitra Tsitoha, izay haorin'i Kristy eto an-tany rehefa hiverina Izy.

Miditra ao - na "mandova" - ny Fanjakan'Andriamanitra dia maneho anjara faran’izay mahagaga iray ka tsy takatry ny fanahin'olombelona ny famirapiratany. Ny olona dia tsy manana fahafantarana mihitsy izay miandry ny mpankatò. Ny lovan'ny tena kristiana dia mihoatra lavitra noho izay efa noeritreretinao.

Izao no vakiantsika ao amin'ny 1 Korintiana 2:9: "Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy." Ny olombelona dia tsy hahatakatra velively ny halehiben’ny lova izay nampanantenain'Andriamanitra ho an'ny marina, nefa asehon'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Fanahiny" izany. (and. 10) Izay ambaran'Andriamanitra dia ho lohahevitry ny lesona manaraka.



5. Inona no lazain'ny Matio 6:10 momba ny Fanjakan'Andriamanitra?

FANAMARIHANA: Ankehitriny, ny kristiana dia tsy maintsy mivavaka amin-kafanam-po: "HO TONGA ANIE NY FANJAKANAO." Mazava ho azy fa tsy mbola eto an-tany io fanjakana io…



6. Aiza ny lovan'ny kristiana no tehirizina? 1 Pet.1:3-4; Mat.5:12; Lioka 6:23.

FANAMARIHANA: Ireo andininy ireo dia tsy milaza hoe "Ho lehibe ny valisoanao rehefa mankany an-danitra ianao". Tsy mamaritra izy ireo hoe rahoviana na aiza ny kristiana no handray izany lova na izany valisoany izany; Asehon' ireo fotsiny fa "voatokana" ho azy ireo any an-danitra izany valisoa izany.



7. Rahoviana ny olo-marina no handova ny Fanjakan'Andriamanitra? Rahoviana izy ireo no handray ny lovany sy ny valisoany? Mat. 25:31-34. Miharihary fa rehefa miverina i Kristy dia handova ireo fampanantenana i Abrahama sy ireo "zanany.

Mariho anefa izay zavatra hafa tsy maintsy hitranga amin'ny fiverenan'i Kristy.
Ny maha-zava-dehibe ny fitsanganana amin'ny maty

1. Mahazo mandova ny Fanjakan'Andriamanitra ve isika raha mbola olombelona mety maty, nofo aman-drà? 1 Kor.15:50.

FANAMARIHANA: Tsy misy olombelona afaka mandova ny Fanjakan 'Andriamanitra. Io Fanjakana io dia tsy misy olombelona mety maty; tsy misy olona velona na dia iray aza ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.



2. Inona no tsy maintsy hitranga amin'ny vatantsika mety maty, mba hahafahantsika mandova io Fanjakana io, sy ho lasa mpikambana ao? 1 Kor.15:51, 53. Rahoviana no hovaina ny vatantsika, avy amin'ny nofo mankany amin'ny fanahy? Andininy 52. Haneno ve io trompetra io amin'ny Fiavian'ny Kristy fanindroany? 1Tes.4:13-16. Haneno ve izany rehefa handova ireo fampanantenana i Abrahama, i Isaka, i Jakoba, i Davida ary ny hafa koa? Andalan-tsoratra mitovy. Inona no niantsoan’i Jesosy izany fiovana izany rehefa niresaka tamin’i Nikodemosy momba izany Izy? Jaona 3:6, 8. Raha “ateraky ny Fanahy” isika, moa afaka “mahita” ny fanjakan'Andriamanitra ara-panahy ve isika - na MIDITRA AO-? Andininy 3.

FANAMARIHANA: Amin'ny Fiaviana an'i Jesosy Kristy Fanindroany, ireo rehetra maty ao Aminy dia hatsangana ao amin'ny vatana iray vaovao ary ho fanahy izy ireo; ny kristiana mety maty, izay mbola velona amin'ny fiverenany, dia hovàna amin'ny indray mipi-maso; handray vatana toy izany izy ireo, tsy natao nofo, fa fanahy - vatana izay afaka handova ny Fanjakan'Andriamanitra. Hatramin'izao, dia mety simba ny nofontsika, iharan'ny fahafatesana sy ny fahalovana. Saingy ny fanahy dia vaovao mandrakizay, tsy mety maty, tsy mety lo, tsy mety iharan’ny fahafatesana sy ny fahalovana.



3 .. Nambara ve i Jesosy fa hitsangana i Abrahama, Isaka ary Jakoba (amin'ny ho avy) mba ho ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra? Mat.22:31-32.

FANAMARIHANA: Ny dikan'io andinin-teny io dia matetika ovaina sy simbaina, mba hanaporofoana fa tsy maty i Abrahama - ary efa nahazo ny valisoa nampanantenaina azy izy, ka TSY voatery hatsangana amin'ny maty; ity fampianarana ity dia mifanohitra tanteraka amin'izay nasehon'i Jesosy tamin'ity ohatra ity.

Andriamanitra dia Andriamanitry ny velona fa tsy an’ny maty. Niresaka momba ny fitsanganana amin'ny maty ho avy i Jesosy, ho amin’ny fiainana tsy mety maty. Nilaza mazava Izy hoe, "Fa ny amin’ny fitsanganan'ny maty…"

Hitantsika izany ny antony tsy mbola nandovan'i Abrahama sy ny zanany ao amin'i Kristy ny fampanantenana. Tsy afaka mahazo izany lova izany izy ireo alohan'ny hahazoany ny FIAINANA MANDRAKIZAY. Araky ny nohazavain'i Paoly, dia hitranga amin'ny fitsanganan'ny maty izany.

Raha tsy misy fitsanganana amin'ny maty, ny maty dia tsy haverina hiaina intsony (1Kor.15:16, 18). Ny fitsanganana amin'ny maty izany no ivom-besatry ny planin'Andriamanitra. Ary raha tsy tafatsangana avy any am-pasana i Abrahama, Isaka, Jakoba ary ireo kristiana rehetra izay efa maty, rehefa tafaverina i Kristy, dia tsy afaka mandova ny fampanantenana izy ireo.

Andeha hofintinina fohifohy ny teboka vitsivitsy. Ny fitsanganan'ny maty dia hotanterahina amin'ny Fiavian'i Kristy Fanindroany, rehefa ho tonga Izy amin’ny maha-MPANJAKAN’ny mpanjaka sy TOMPON'ny tompo Azy, mba hanjaka amin’ny firenena rehetra. Ho avy Izy hanorina ny Fanjakany; Amin’izany fotoana izany i Abrahama sy ny zanany ara-panahy ao amin'i Kristy dia handray ny tsy fahafatesana ary handova ny Fanjakan'Andriamanitra. Hivelatra eran’izao tontolo izao ity governemanta ity, ka i Kristy no ho lohany izay hanjaka amin’io tany io izay nampanantenaina an'i Abrahama; ity fanjakana ity, izay ahitana olona tsy mety maty, dia hanjaka amin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany, izay misy olombelona, mbola nofo aman-drà.

Tena hafa tokoa ny Tenin’Andriamanitra fa tsy mitovy amin'ireo angano ara-pivavahana sy hevi-dravina taloha izay mbola inoan'izao tontolo izao!
Ny fomba nataon'i Kristy hahazoana ny lova mandrakizay

Jesosy Kristy dia tonga "hahatò" ireo teny fikasana natao tamin'ireo razana (Romana 15:8). Mila mahatakatra ny dikan’izany isika. Mariho ny fomba nataon'i Kristy mba hahazoan’ny olombelona rehetra handova ireo fampanantenana mahafinaritra ireo...



1. Inona ny ota? 1Jaona 3:4. Moa ve ny olona manota - izay mandika ny lalàn'Andriamanitra - dia handova ny Fanjakan'Andriamanitra? Efes.5:5, 1Kor 6:9-10. Inona no sazy - "ny tamby" (na karama) – n’ny ota? Rom 6:23. Samy efa nanota avokoa va ny olombelona rehetra? Romana 3:23.

FANAMARIHANA: Andriamanitra no namorona ny Onivera. Izy koa no Ilay Avo Indrindra izay manao ny lalàna; Izy no mpanao lalàna lehibe. Ireo izay tsy mankatò Azy dia manota, izay miteraka fijaliana, fahoriana, tebiteby ary FAHAFATESANA. Asehon'ny Baiboly amintsika fa izay minia tsy mankatò an'Andriamanitra dia voaheloka ho FATY MANDRAKIZAY. Koa satria nanota ny olon-drehetra, dia mitovy daholo ny sazy. Raha toa ny tsirairay no tsy maintsy mandoa ny sazy vokatry ny fahotany, dia tsy misy olona afaka hahazo fiainana mandrakizay, tsy misy amintsika afaka handova ny fampanantenana izay natao tamin'ny razantsika.



2. Moa ve i Jesosy tsy nanolotra ny ainy an-tsitrapo - nefa TSY NANOTA MIHITSY – mba ho sorona HO ANTSIKA, mba tsy voatery hanefa ny sazy noho ny ota nataontsika isika, ka tsy hanana ny fiainana mandrakizay ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra isika noho izany? Jaona 10:17-18; 1 Tim.2:5-6; Rom.5:8-10.

FANAMARIHANA: Andriamanitra Raintsika dia namorona ny zava-drehetra tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy (Efesiana 3:9; Jaona 1:1-3), izay Andriamanitra tonga nofo - Andriamanitra natao nofo (Jaona 1:14). Vokatr'izany, amin'ny maha Andriamanitra Azy sy Mpamorona antsika, ny aina ara-batan'i Jesosy dia SAROBIDY LAVITRA noho ny fikambanan’ny ain'ny olombelona rehetra izay efa niaina hatramin’izao. Noho izany, tamin'ny nahafatesany, dia afaka nandoa ny sazin'ny fahotan'ny olombelona rehetra tamin’ny fahafatesany i Jesosy. Nohamafisiny ireo fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin'i Abrahama, tamin’ny fitoriany ny vaovao tsaran'ilay Fanjakana, ary avy eo dia maty noho ny fahotantsika. Amin'ny alàlan’ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin'ny maty, dia afaka mahazo fiainana mandrakizay isika (Jaona 3:16).



3. Inona avy ireo fepetra tsy maintsy fenoina alohan'ny hahazoan’ny soron'i Kristy handoa ny sazin’ny fahotantsika taloha? Asa 2:38. Tokony ho tonga inona isika? Gal.3:29, Rom.8:9, 14.

FANAMARIHANA: Na taranak'i Abrahama isika, na Jentilisa, dia tokony ho an'i Kristy isika – ho lasa "kristiana" mba ho mendrika ny handray lova mandrakizay.



4. Moa ve i Jesosy lasa "Andriandahy", ilay Mpanambara mialoha ny famonjena antsika tamin'ny fijaliana niaretany sy tamin'ny fitsanganany tamin'ny maty? Heb.2:9-10. Inona no nataon'ny Ray ho « lovain »’i Jesosy? Heb.1:1-2. Ary isika - raha toa an'i "Kristy"isika, raha tonga kristiana isika, ary raha mandresy ny fahalementsika isika - moa ve HANDOVA NY ZAVA-DREHETRA MIARAKA AMINY isika, satria mpiara-mandova Aminy? Rom.8:16-17; Apok.21:6-7.

FANAMARIHANA: Jesosy Kristy, tamin'ny nitsanganany tamin'ny maty, dia nandova ny fampanantenana rehetra natao tamin'i Abrahama. Tamin'ny alàlan'ny fiainany tsy nisy ota no nahafahany nahatonga, ho an'izay rehetra manaiky ny sorona nataony, ho tonga mpiara-mandova an’ireo fampanantenana ireo miaraka Aminy.



5. Moa ve i Kristy namela ny fara-hafanyny - sa ny didim-pananany? Heb.9:15-16 (misy ny fara-hafatry ny olona iray ny"didim-pananana" nataony). Lova inona no ho azon'ireo mahazo tombon-tsoa amin’ny fara-hafany - na ity "didim-pananana" ity? Andian-tsoratra mitovy. Rehefa misy olona milaza ny fara-hafany, moa ve tsy tokony ho faty aloha izy alohan'ny hahatanterahana izany? Andininy 16-17.

FANAMARIHANA: Namela didim-pananana i Kristy. Izany no antony mahatonga ny ampahefatry ny Baiboly hantsoina hoe "Testamenta Vaovao"; ity farany ity dia mampianatra antsika ny zavatra tokony hataontsika mba ho lasa mpandova miaraka amin'i Kristy ny fampanantenana ny lova mandrakizay ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.

Na izany aza, ny didim-pananana dia tsy misy lanjany raha tsy maty ny mpanao ny didim-pananana. Izany no antony nahafatesan'i Kristy, mba handovantsika ny teny fikasana noho Izy. Fa miaina Izy ankehitriny ary mitoetra eo ankavanan'ny Rainy; Vonona ny hifona ho antsika Izy (Heb.7:25). Vonona hanampy antsika izy, hanome antsika hery handresena ny fahotantsika ary avy eo handova ny fampanantenan'Andriamanitra mahatalanjona.
Efa nisy olona tany an-danitra ve?



Tsy misy andinin-teny na dia iray aza mampanantena ny LANITRA, ho "valisoa ho an’ireo voavonjy." Tsy misy andinin-teny milaza olo-masina - ny tena kristiana - mankany an-danitra rehefa voavonjy.

Na izany aza, noho ny tsy fahalalany ny fampianarana mazava ny Tenin'Andriamanitra, dia maro ireo izay nanaiky, tsy nisy fitandremana, ny hevitra diso momba ny hoe "mankany an-danitra" aorian'ny fahafatesana, fa tsy mba nanadihady momba izany mihitsy. Andao hodinihina ny andinin-tSoratra Masina vitsivitsy izay nesorina, na angamba nataon'ny olona te-hino an'io fampianaran-diso io an-jorom-bala.



1. Araka ny Jaona 13:33, 36, inona no nolazain'i Jesosy tamin'ny mpianany?

FANAMARIHANA: Ny sasany dia mihevitra fa i Kristy dia nampianatra fa hanaraka Azy any an-danitra ny mpianany, "any aoriana". Na izany aza, ireo andinin-tSoratra Masina rehetra nianarantsika tamin'ity lesona ity dia maneho mazava tsara fa tsy izany ilay nolazain'i Kristy. Tany aoriana dia maty ihany koa i Peteraa, ary mbola milevina ao am-pasany izy, mbola tsy mahatsiaro tena. Hatsangana amin'ny maty izy amin'ny fiverenan'i Kristy; hanana anjara amin'ny fitsanganana amin'ny maty miaraka amin'ireo olo-masina rehetra izy, ary ho lasa mpikambana tsy mety maty ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.



2. Moa manome antsika hevitra mazava momba ny toerana hisy ny olo-masina hatsangana amin’ny maty sy izay hataon'izy ireo aorian'ny fiverenan'i Kristy ve ny Baiboly? Apok. 5:10. Inona no omanin'i Kristy ho azy ireo? Jaona 14:2-3. '

FANAMARIHANA: "Fitoerana" dia dikan-teny tsy lavorary. Ny hevitra tena izy, ao amin'io andalan-teny io, dia ny hoe "toerana iray izay honenana ". Amin'ity tranga ity, ity toerana ity dia milaza ny efitranon'ny "tranon'ny Ray" na ny Tempolin'Andriamanitra. Tamin'ny andron'ny Testamenta Taloha, ny efitra maro (na ny efitrano) ao amin'ny Tempoly dia nitoeran'ny mpisoron'Andriamanitra. Ireo efitrano na efitra ireo dia maneho ny toeram-pahefana izay homena ny olo-masina ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra, aorian'ny fiverenan'i Kristy.

Tsy any an-danitra akory ireo toeram-pahefana ireo. Nolazain'i Kristy mazava fa handeha any an-danitra izy mba "hanomana" toeram-pahefana ho an'ny Kristiana tsirairay. Amin'ny fiverenany eto ihany no hizarana an’ireo toerana ireo ho valisoa.

Rehefa hiverina ho Mpanjakan'ny mpanjaka i Kristy, dia hiteny amin'ireo olo-masina hoe: "Avia ianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao" (Mat.25:34). Milaza ny Soratra Masina fa hanjaka amin'ny firenena rehetra eto an-tany izy ireo, satria hanana TOERAM-PAHEFANA ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra izy ireo.



3. Hentitra ve ny filazan’ny Baiboly fa TSY MISY OLONA - afa-tsy i Jesosy irery ihany - no efa niakatra tany an-danitra? Jaona 3:13.



4. Ahoana anefa ny fieritreretana an'ilay hoe "mpanao ratsy teo amin'ny hazo fijaliana"? Moa ve izy tsy niakatra tany an-danitra niaraka tamin'i Jesosy tamin'io andro io? Lioka 23:43. Ny valin'io fanontaniana io dia TSIA tanteraka! Aoka ho azontsika ny anton'izany.

FANAMARIHANA: Voalohany, Kristy tenany aza tsy niakatra tany an-danitra tamin'izany andro izany. Mifanohitra amin'izany, dia nalevina tao amin'ny fasana izy - "nidina" tany amin'ny fiainan-tsi-hita" Izy - ary nijanona ho maty nandritra ny telo andro sy telo alina manarak’izany.

Faharoa, ny teny hoe "paradisa" dia tsy midika hoe "lanitra". Ny paradisa dia manoritra ny tany rehefa mipetraka ao Andriamanitra. Raha ny tena hevitry ny teny hoe "paradisa" dia midika hoe zaridaina, toerana feno fahafinaretana, vondron-java-maniry eo afovoan’ny efitra, saha malalaka na toerana mahafinaritra sy voakarakara tsara, voahodidina tamboho... izay hanjakan'ny fahafinaretana ary misy rano manondraka tsara ... "Izany no dikany ho hitanao, ohatra, ao amin'ny dikan-tenin’I Thayer.

Ary fahatelo, amin'ny dikan-tenin'ny Baiboly maro, diso ny fiatoana an'ity andininy ity. Eny tokoa, tsy nisy faingo mihitsy tamin'ny soratra grika raha nosoratana ny Testamenta Vaovao. Napetrak'ireo mpandika teny tamin’ny toerana izay noheverin'izy ireo fa tokony hisy azy ilay faingo. Tsy niteny Kristy hoe: "Anio no hihaonanao Amiko any Paradisa", fa; "Lazaiko aminao marina tokoa anio, fa hiaraka amiko any am-paradisa ianao:"

Tamin’ny fitenenana hoe "anio", dia nanantitrantitra i Jesosy tamin’ny fotoana nanaovany izany fampanantenana izany, fa tsy niresaka momba ny fotoana hahatanteraka ny fampanantenany Izy, rehefa ho any am-paradisa Izy irery. Jesosy dia nahatsikaritra ny toe-tsaina mibebaka tamin'ilay mpanao ratsy noresahina; Afaka nilaza taminy Izy fa hiara-hiaina Aminy indray any amin'ny tontolo mahafinaritra izy, indray andro any. Io "paradisa" io dia mbola tsy hita maso teto ambonin'ity tany ity, ary ilay mpanao ratsy izay nibebaka dia mbola maty foana.



5. Inona no holovain’ireo “miandry an’i Jehovah”? Sal.37:9 Inona no hananan 'ireo izay tahian'i Jehovah? Andininy 22. Hanana ny tany mandrakizay ve ny "marina"? Andininy 29. Ary inona no ampanantenain'Andriamanitra an'ireo izay "mitandrina ny lalàny"? Andininy 34.

FANAMARIHANA: Inona no maha-ratsy ny fahazoana ny Tany ho lova mandrakizay? Tsy ho faly amin’izany ve ianao?

Ny Tany ankehitriny dia ho toerana tena kanto - PARADISA marina - raha tsy noho ny ota, dia ny fikomiana amin'Andriamanitra szy amin’ny lalàny ara-panahy, izay mitondra fiadanana, fahasambarana ary fifaliana. Ny fahasambarana sy ny fifaliana dia tsy miankina amin'ny fananana ara-nofo; ny fahasambarana dia toe-tsaina, toe-panahy.

Tsy hisy mpandainga, mpamono olona, mpangalatra na jiolahy any amin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Tsy hisy lakile ny varavarana, tsy hisy fonja, tsisy hopitaly, na fialokalofana! Tsy ho ao intsony i Satana hamitaka ny olona! Tsy hisy ady intsony, tsy hisy fifanoherana intsony, tsy hisy aretina intsony na faharariana, tsy hisyfahantrana intsony, tsy hisy hanoanana intsony. Tena lova mahafinaritra izany!

Rehefa mijery ny Soratra Masina amin'ny ankapobeny isika, dia hita mazava fa ny valisoan'ny olo-masina dia tsy ny hilalao harpa any an-danitra mandritry ny mandrakizay. Izany dia tena valisoa mahatalanjona sy mandrisika kokoa noho izany!
Ilay tany vaovao

Tao amin'ny lesona iray teo aloha dia nianatra ny amin'ny fanjakan'i Kristy isika, eto an-tany, mandritry ny Fanjakana Arivo Taona. Efa hitantsika fa izao tontolo izao dia ho lasa paradisa, kanto sy mamirapiratra, toy ny saha tao Edena.

Inona anefa no hitranga eto an-tany rehefa tapitra ny Fanjakana Arivo Taona, rehefa nahazo ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay ny olo-marina, ary rehefa nodorana sy lasa lavenona ny olon-dratsy?



1. Hisy tany VAOVAO sy lanitra VAOVAO ve aorian'ny fanadiovana ny endriky ny tany ankehitriny? 2Pet.3:7-13; Apok.21:1.

2. Iz »zaz no hipetraka ao amin’izany tany vaovao izany ? Apok.21:24-27. Hisy ireo zanak'Andriamanitra tsy mety maty, natsangana ary voavonjy ve ireny firenena ireny? Andininy 24. Moa ve voasoratra ao amin'ny bokin'ny fiainana ny anaran’ireo? Andininy 27.



3. Inona no ho renivohitra amin'izany Tany vaovao izany? Apok. 21: 2.10-14. Ohatrinona ny halehiben'izany renivohitra iza ny? Andininy 15-17. Ho tanàna mamirapiratra sy mahafinaritra ve izy io, ary misy lalambe volamena madio? Andininy 18-21. Avy taiza izy io? Andininy 2, 10.

FANAMARIHANA: Mazava be izao fa tsy mankany an-danitra ny kristiana aorian'ny fahafatesany na nandritry ny fitsanganany tamin'ny maty; i "JEROSALEMA ANY AN-DANITRA" izay HIDINA AMIN'ITY TANY ITY.



4. Amin'izany fotoana izany, Andriamanitra Ray mihitsy ve dia ho tonga hipetraka eto amin'ity tany ity? Hifidy an'i Jerosalema Vaovao ho toerana hahazo tombontsoa hisy ny SEZA FIANDRIANANY ve Izy? Apok. 21:3. 22-23; 22:3. Hahita ny tavan'Andriamanitra ve ireo hiditra ao amin'io tanàna io? Apok. 22: 3-4.

FANAMARIHANA: I Jerosalema Vaovao - misy lalana volamena - dia hidina eto amin'ity tany ity ary ho foiben'Andriamanitra mandritry ny mandrakizay. Natao ho lasa FOIBEN'NY ASAN’NY ONIVERA ny tany.

Rehefa takatsika ny tanjona tsy hita pesimpesenina kendren'Andriamanitra ho an'ny hoavin'ny Tany, ary rehefa mieritreritra isika fa ny Ray mihitsy dia hanangana NY FOIBENY eto an-tany eto, ahoana no hanirintsika hankany an-danitra? Hiaraka amin'Andriamanitra ve? Fa ho eto ambonin'ity TANY ity anie Andriamanitra e !

Rehefa avy nandinika tsara io lohahevitra io tao anaty Baiboly isika, arak'izay nataontsika tamin'ity lesona ity, dia hita ny fahamarinana tsy azo lavina, fa ny lanitra dia tsy "valisoa ho an'ireo voavonjy"; Tsy mankany an-danitra ny kristiana rehefa maty na aorian'ny fitsanganany amin'ny maty. Fa kosa, ny "lanitra" no hidina eto amin'ity tany ity, ka ho lasa "foibe" izay hanjakan'Andriamanitra Ray amin'ny zavatra rehetra noforoniny.

Hitoetra any amin'io Tany vaovao io ve ianao? Hanana anjara amin'ity tontolo mahafinaritra ity ve ianao?

I Kristy, amin'ny fiverenany, dia hiteny hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko, MANDOVA NY FANJAKANA izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao…" (Matio 25:34). Ho anisan'ireo handova ny Fanjakan'Andriamanitra ve ianao, toa an'i Abrahama, Isaka ary i Jakoba?

Enga anie Andriamanitra hanampy anao hahatakatra izany - ary hahatonga anao ho mendrika ny ho anisan'ity Fanjakan’Andriamanitra ity!

No comments:

Post a Comment