Iza ary Inona Andriamanitra?

 

Ambasadaoro Kolejy - Toko Faha-15

IZA ARY INONA ANDRIAMANITRA?

 

               Nahoana no misy fisafotofotoana be rehefa mamaritra ny momba ny maha-Izy an'Andriamanitra, ny toetra fototra ananany ary ny tanjona izay tanterahany? Nahoana no misy fisafotofotoana toy izany eo amin’ny Kristianisma moderina, momba ny fahamarinana fototra ambaran’ny Baiboly? Ny fianarana mahatalanjona izay hataonao amin’izao fotoana izao dia hanambara aminao ny valiny mahagaga!

               Taona maro lasa izay, rehefa tany India Andriamatoa Herbert W. Armstrong, Lehiben'ny Mpanota Boky, dia nahatsikaritra omby maro nivezivezy teny an-dalambe izy. Nanontany ny mpamily izy hoe: "Tsy lasa lavitra ny tranony ve ireto omby ireto?"

               -"Eny," hoy ilay mpamily.

               -"Fa," hoy ny fanontanian'i Armstrong, "rehefa mandehandeha lavitra eny an-dalambe izy ireo, ahoana no hataon'ny tompony hakana azy, sy hitondrana azy ireo hody rehefa hariva?"

               Nitsiky ilay mpamily. "Ny tompony dia tsy mahalala ny toerana misy azy ireo. Fa ireo omby ireo mahalala ny tompony ary fantany ny toerana misy azy ireo. Mahita ny lalana mody izy ireo rehefa hariva ny andro."

Andriamanitra tsy fantatra ankehitriny

            Ny tranga izay avy noresahintsika teo dia mampahatsiahy ny teny voalaza ao amin’ny Isaia 1:2-4 manao hoe : "Mandrenesa, ry lanitra, ary mihainoa, ry tany, Fa Jehovah no miteny hoe: Efa nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, Kanjo niodina tamiko ireo. Ny omby mahalala ny tompony, Ary ny boriky ny fihinanam-bilon'ny tompony; Fa ny Isiraely tsy mahalala, Ny oloko tsy misaina. Indrisy! firenena mpanota, olona mavesa-keloka, Taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Efa nahafoy an'i Jehovah izy, Efa nanamavo ny Iray Masin'ny Isiraely. Efa nihodina izy.”

            Ireo teny ireo dia natao ho an’Isiraely fahiny, firenena izay nanambaran’Andriamanitra ny Tenany tamin’ny fahagagana maro. Saingy niodina taminy ny Israelita ary nanadino ny hoe IZA Andriamanitra, na hoe ahoana ny toetrany Ny firenena ankehitriny koa dia vao mainka tsy mahalala an’Andriamanitra.

            Ny siansa moderina dia tsy mahay manaporofo, na mitsipaka mihitsy aza, ny fisian’Andriamanitra; izy koa dia tsy afaka manazava hoe Iza Andriamanitra, na hoe Inona Izy. Ny Oniversite koa dia tsy afaka manazava ny fahamarinana mahagaga momba ny tena maha-Izy Azy an’Andriamanitra. Ny fampianarana moderina dia nampanaiky an’izao tontolo izao, saiky ny rehetra mihitsy, ny angano momba ny Evolisiona. Io farany io no ezak’ireo mihevitra fa tsy misy Andriamanitra mba hanazavàna ny fisian’ny zava-boary nefa tsy misy mpamorona teo aloha. Ireo dia mitsipaka ny fisian’Andriamanitra.

Izao tontolo izao ao anatin’ny fisafotofotoana ara-pivavahana!

            Tena tsy mampino fa ny fivavahana eto amin’ny tontolo dia tsy mahalala marina hoe INONA Andriamanitra, na IZA IZY! Kanefa, moa ve ny fivavahana, raha ny tena izy, tsy ny fanajana an’Andriamanitra? Ahoana ny hanajana izay tsy fantatra?

            Na dia tsy mampino aza izany, ianao dia miaina ao amin’ny tontolo anjakan’ny safotofoto ara-pivavahana ankehitriny! Ny antokom-pivavahana tena be mpanaraka dia ny bouddhisme, ny confucianisme, ny taoïsme, ny shintoïsme, ny hindouïsme, ny islam ary ny kristianisma. ary io fivavahana kristiana io, izay manana anarana samihafa an-jatony maro sy sekta maro, dia tena be mpanaraka tokoa. Na izany aza, ny fiangonana kristiana nentim-paharazana dia tsy mahalala marina hoe INONA Andriamanitra, na IZA IZY!

Olona an’arivo tapitrisa – izany hoe eo amin’ny ampaha-efatry ny mponina eto an-tany – no mipetraka any Chine Kominista. Tamin’ny andro fahagola, ny fivavahana tany Chine dia ny fivavahana amin’ny Razana. Aorian’izany ny Confucianisme, notaomin’ny Taoïsme. Amin’izao fotoana izao, dia manjaka ny Kominisma ary noho izany dia lasa tsy mino an’Andriamanitra io firenena io. Any India, ilay firenena lehibe faharoa amin’ny isan’ny mponina, ny Hindouisme no antokom-pivavahana be mpanaraka indrindra. Moa ve ireo Hindou an-tapitrisa maro ireo mahalala hoe IZA Andriamanitra – ary INONA Izy? Ny valiny dia hoe tsia, na dia mahagaga aza izany!

            Ny Kristianisma Ortodoksa Rosiana dia fivavahana voalohany tany Rosia, izay firenena fahatelo be mponina indrindra. Fa ankehitriny, toa an'i Chine, dia tsy mino an'Andriamanitra izy.

               Tany Egypta fahiny, nivavaka tamin'Isis sy Osiris ny olona – izay andriamanitra Egyptiana nifanandrify tamin'i Nimrod sy Semiramis reniny sady vadiny. Ny Grika sy Romana taloha dia nanana andriamanitra angano toa an'i Jupiter, Hermes, Dionysus, Zeus, Apollo, Diana sy ny maro hafa. Nefa tsy fantatr'izy ireo hoe iza ary iza Andriamanitra, ary tsy mahalala izany koa ny taranany maoderina!

            Saingy, misy fiangonana tokana eto an-tany izay mahalala hoe IZA Andriamanitra – ary INONA Izy! Izany Fiangonana tokana izany dia noforonin’i Jesosy Kristy tamin’ny taona 31 tar JK, ary izany “ondry vitsy” izany dia mbola misy ankehitriny!

Ampahalalaina Ilay "Andriamanitra Tsy Fantatra"

            Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:15-34, dia misy ny tantaran’ny Apostoly Paoly izay nandalo tao Atena, tanan-dehibe Grika, ka nitory tao ny fahamarinan’Andriamanitra.      Tamin’ny Taonjato Voalohany amin’ny fanisan’androntsika, ny avy ao Atena no lazaina fa    manam-pahaizana indrindra teto ambonin’ny tany.

            Indray andro, ny Apostoly Paoly dia niresaka tamin’ny olon-kendry Epikoreana sy Stoika sasantsasany.

            “Inona no tian'io mpibedibedy io holazaina? ” hoy ny sasany, sady nihomehy azy (Asan’ny Apostoly 17:18). Ny hafa kosa dia nanaraby azy ka nanao hoe: “Toa mitory andriamani-baovao izy.

             Ireo olon-kendry dia nitondra an’i Paoly tany amin’ny Areopago, tribonaly ambony indrindra momba ny fampianarana sy ny fivavahana, izayeo amin’ny havoana natokana ho an’ny andriamanitra Mars.

            “Moa mba mahazo mahafantatra izany fampianarana vaovao lazainao izany izahayFa mampandre ny sofinay zavatra hafahafa izay tsy fantatray ianao” (and.19-20), hoy izy ireo, sady mialikalika fanahy.

            Tao no nisy ireo manam-pahaizana lehibe indrindra teto an-tany, izay tsy maintsy nilazan’i Paoly ny fahamarinana momba an’Andriamanitra. Matotra i Paoly ka nanambara hoe : « Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin'ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin'ny andriamanitrareo indrindra ianareo. Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra [sampy] ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: HO AN'IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo, dia Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny ao aminy rehetra, Izy no Tompon'ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanana, sady tsy mba tompoin'ny tànan'olona toa mila zavatra, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofon'aina ary ny zavatra rehetra; ary ny firenena rehetra avy amin'ny iray ihany dia namponeniny ambonin'ny tany rehetra... » (Asan’ny Apostoly 17:22-26).

                IZA Andriamanitra ? Izy no Ilay Mpamorona ; Izy Ilay « nanao izao tontolo izao sy ny ao aminy rehetra » Ny zavatra voahary dia porofo fototra amin’ny fisiany. Ireo filozofa Ateniana, Epikoreana sy Stoika, toy ny mpivavaka amin’ny antokom-pivavahana maro amin’izao fotoana izao, dia tsy mahafantra izany.

            Inona ary ny TOETRA FOTOTR’Andriamanitra ? IZA Izy, ary INONA Izy ? Ilaina ny mahafantatra ny momba izany bebe kokoa. Tsy vitan’ny hoe ilaina fotsiny ny mahafantatra fa nahary izao rehetra izao Izy ; fa ilaina ny mahafantatra hoe Iza Izy ?

            Aza adino ny mandray ny Baibolinao, mba hianaranao an’ity fampianarana lehibe ity. Amarino daholo ny andininy voalaza mba hahitanao ny valin’ny fanontaniana mipetraka. Hoy ny Apostoly Paoly : « Mazotoa manolotra ny tenanao amin'Andriamanitra ho olona voazaha toetra…» (2Timoty 2:15). « Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara. » hoy ny fanentanan’i Paoly ho an’ny Tesaloniana. (1 Tesaloniana 5:21)


LESONA 15

ANDRIAMANITRA TALOHAN’NY NISIAN’NY TONTOLO

     Raha anontaniana ianao hoe : aiza ao amin'ny Baiboly no hahitana ny fitantarana voalohany ny momba ny fisian'Andriamanitra, dia mety hilaza ianao hoe: Inona indray fa tsy ao amin'ny andininy voalohany amin'ny Baiboly ! Mazava ho azy fa ao amin’ny Genesisy 1:1 izany. Tsy marina ve izany?

Diso izany!

               Andao ity fandalinana ity hatomboka amin'ny fiverenana any amin’ny fotoanan’ny préhistoire, alohan'ny fisian'izao rehetra izao ara-materialy.
FANAMARIHANA: Ny teny grika nadika amin'ny teny malagasy hoe "ny Teny" ao amin'ny Jaona 1: 1 dia Logos, izay midika hoe “mpitondra teny”; Izany no anaran’ny persona iray ao amin’Andriamanitra.
 
FANAMARIHANA: Efa 2000 taona lasa izay, dia tonga nofo ny Teny, na ny Mpitondra Teny. Tonga olombelona Jesosy Kristy! Izy dia notorontoronin'Andriamanitra izay tonga Rainy noho izany fahatorontoronana izany. Tsy mbola Zanak'Andriamanitra akory ny Teny tamin’izany, ary tsy mbola Rainy akory Andriamanitra. Taty aoriana Izy vao lasa Zanak'Andriamanitra, tamin'ny alàlan'ny fahatorontoronana mahagaga ary naterak'i Maria virjiny ho olombelona Izy.
               Ny fahatorontoronan’i Jesosy tamin’ny alàlan’Andriamanitra Ray dia tsy manam-paharoa teo amin'ny tantaran'izao tontolo izao. I Maria reniny no hany virjiny izay niteraka zazalahy izay Andriamanitra no rainy! Amin'io dikany io, i Jesosy no ilay Zanaka "lahitokana notorontoronin’" ny Ray.
               Noho izany, tamin'ny vanim-potoana prehistorika noresahina ao amin'ny Jaona 1:1-3, dia tsy ahitantsika afa-tsy ny fisian'ireo persona roa ireo ao amin’Andriamanitra. Ny iray dia Andriamanitra. Ary miaraka amin'Andriamanitra dia misy persona iray hafa izay Andriamanitra ihany koa. Io iray io tany aoriana dia notorontoronina ary teraka ka lasa Jesosy Kristy.
FANAMARIHANA: Koa satria i Melkizedeka dia tsy nanan-tantaram-pirazanana, dia "tahaka ny Zanak'Andriamanitra" izany izy ary mitoetra ho Mpisoronabe mandrakizay; ary satria Jesosy Kristy ankehitriny dia Mpisoronabe mandrakizay ho antsika, noho izany, i Melkizedeka sy Kristy (ny Teny) dia iray ihany ary persona iray ihany ao amin’Andriamanitra!
               I Kristy, fony Izy mbola ny Teny, dia Persona tsy mety maty izay nisy hatrizay. Tsy mbola nisy fotoana izay tsy nisy Azy. Ara-bakiteny, Izy dia tsy nanana"voalohan'andro". Izy izany dia "tahaka" ny Zanak'Andriamanitra, nefa tsy mbola Zanak'Andriamanitra Izy tamin’izay.
 
4. Inona ny antony marina nahatonga ny Teny - mpikambana faharoa ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra – ho lasa olombelona nofo aman-dra? Jaona 3:16; Rom.5:6-10; Heb.2:9-10.
FANAMARIHANA: Jesosy dia sady olombelona no Andriamanitra ihany koa. Andriamanitra dia Rainy ary Maria no reniny. Izy dia sady "Zanak'Andriamanitra" no "Zanak'olombelona." Izy dia naterak'i Maria virjiny, ka noho izany dia olombelona Izy, ary afaka ho maty noho ny fahotan'ny olombelona rehetra Izy.
               Amin'ny maha-Zanak'Andriamanitra sy Mpamorona ny Onivera sy ny olombelona rehetra Azy (Jaona 1:3; Efes.3:9), ny ain'i Kristy dia mendrika lavitra mihoatra noho ny an’ny olon-drehetra mitambatra! Noho izany, dia afaka nandoa ny sazin’ny otan'ny zanak’olombelona manontolo Izy, mba hahafahan'ny hafa mandray ny Fanahin'Andriamanitra ary amin’ny farany ho teraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra ary ho tonga rahalahin'i Kristy (Romana 8:29; Heb.2:11) .


Manao ahoana ny endrik'Andriamanitra?

1. Tahaka ny endrika sy ny tarehin’iza no nanaovan'Andriamanitra ny olombelona? Gen.1:26. Azontsika atao ve ny mamintina fa ireo mpikambana roa ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra ireo dia mitovy amin’ny olombelona? Andininy mitovy.
FANAMARIHANA: Fantatsika ny endrika sy ny tarehin'nyolombelona. Koa satria noforonina “tahaky ny endrik'Andriamanitra" i Adama, “araky ny tarehiny", noho izany dia manana endrika sy tarehin'olombelona Andriamanitra. Ny Baiboly dia manambara fa Andriamanitra dia manana endrika, tratra, sandry, ranjo, tanana, rantsantanana, tongotra ary rantsan-tongotra.
 
2. Tsarovy fa ny Teny ao amin’ny Ankohonanan’Andriamanitra dia tonga nofo sy rà ary nonina teto an-tany. Moa ve nitovy tamin'ny olon-drehetra tao amin'ny fiaraha-monina nisy azy i Jesosy ka voatery notondroina manokana Izy mba hahalalàna Azy? Mat.26:47-49.
 
3. Iza no nolazain'i Jesosy tamin'i Filipo fa mitovy amin'ny Ray Izay any an-danitra? Jaona 14:9.
5. Ny fisehoan'ny Ray sy Kristy ve no lazaina fa be voninahitra? Jaona 17:5. Inona no nataon'i Jesosy, taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty sy ny fiverenany amin'ny voninahiny taloha? Apok.1:13-18.


Andriamanitra dia Ankohonana, Fa tsy "telo izay iray" (trinite) voafetra

               Vao nianarantsika fa ny Persona roa lehibe, Andriamanitra sy ny Teny, dia efa nisy hatrizay. Ahoana kosa ny momba ny foto-pinoana mino ny Trinite sy ny fivavahana kristiana nentim-paharazana? Araka io fampianarana io, dia misy persona telo ao amin’Andriamanitra, dia ny Ray, ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.
               Fantatrao ve ny fomba nidiran'ny foto-kevitra Trinite ao amin'ny tontolo milaza azy ho Kristiana? Izany dia tsy avy amin'ny Baiboly mihitsy!
               Vakiantsika ao amin'ny Apokalypsy 12: 9 fa nofitahin'i Satana devoly ny firenena rehetra. Toa tsy mampino raha tsy vitan’ny hoe namitaka izao tontolo izao i Satana, fa koa namitaka ny "Kristianisma" -na ilay fivavahana mitondra ny anaran'i Kristy, ary voalaza fa fivavahany. Na izany aza, dia vitan’i Satana izany! Ahoana no nampidirany ny fampianaran-diso momba ny Andriamanitra telo izay iray?
               Ny fitaka nataon'i Satana dia vitan'ilay fiangonana sandoka lehibe, izay nanomboka tamin'ny taona 33 tar. JK, naorin’ilay lehilahy iray atao hoe Simona, izay voalaza ao amin'ny Asan’ny Apostoly toko fahavalo. I Simona no mpitarika ny fivavahana mistery babyloniana.
               Roa taona taorian'ny nanorenan'i Jesosy Kristy ny Fiangonan'Andriamanitra, ny diakona Filipo, izay lasa evanjelistra taty aoriana, dia nankany Samaria ary nitory ny Filazantsaran'i Kristy tany. I Simona, mpanao ody, izay namosavy ny olona tao amin'io faritra io, dia tonga niaraka tamin'ny vahoaka mba hihaino ny tenin'i Filipo.
2.Nefa rehefa nino an’i Filipo ireo vahoaka ireo, izay nitory an’i Kristy sy ny Fanjakan’Andriamanitra, dia natao batisa ve izy ireo? Asa 8:12. Moa ve natao batisa i Simona? And. 13.
 
3. Rehefa tonga tany Samaria ny Apostoly Petera sy Jaona mba hametra-tanana amin'ireo vao vita batisa mba hahazoany ny Fanahy Masina, moa ve nanandrana nividy tamin’izy ireo izay heveriny ho hery hanomezana ny Fanahin'Andriamanitra i Simona? Asan’ny Apostoly 8:18-19. Fantatr'i Petera ve fa na dia efa natao batisa niaraka tamin'ny maro hafa aza i Simona, dia diso tanteraka ny toe-tsainy, ary izy dia te hahazo fahefana bebe kokoa ka hanandratra ny tenany eo imason'ny vahoaka? Andininy 20-23.
FANAMARIHANA: Notenenin'i Petera mafy i Simona noho ny fanirian-dratsiny. Saingy nandà ny hibebaka i Simona, araka ny nasehon'ny fangatahany fotsiny tamin'i Petera mba hivavaka ho azy (andininy 24).
               Nitombo haingana ny foto-pivavahan'i Simona. Eo ho eo amin’ny 20 taona taty aoriana, ny Apostoly Paoly dia nanambara fa ny ankamaroan'ny Moyen Orient dia nivadika tamin'ny Filazantsara marina sy tamin’ny Fanahy marina mba hanaraka ny fitaka feno hakingàna! (Gal 1:6-7.)
               Ny teny hoe "trinite" dia tsy hita na aiza na aiza ao anaty Baiboly. Ny antony dia satria Andriamanitra tsy telo izay iray! Tadidio ny fianarantsika ao amin'ny lesona faha-8 fa ny fampianaran-diso momba ny Andriamanitra telo izay iray dia niroborobo noho ny fampidirana ny teny tsy avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra ao amin'ny 1Jaona 5:7-8. Ireo teny ireo dia nampidirin’ny mpanao dikantenin’ny Baiboly atao hoe Vulgate latina, angamba tamin'ny fiandohan'ny taonjato fahefatra.
 
4. Miresaka Andriamanitra iray ve ny Genesisy 1:1?
FANAMARIHANA: "Tamin'ny voalohany Andriamanitra..." dia nosoratan'i Mosesy tamin'ny teny hebreo. Ny teny malagasy hoe "Andriamanitra" dia nadika avy tamin'ny teny hebreo hoe Elohim- anarana milaza fahamaroana. Toy ny teny hoe "fianakaviana", “ankohonana”,"ekipa" ary "fiangonana", dia manondro singa maherin’ny iray mpikambana ao izany.
               Jesosy Kristy, tamin'ny nitsanganany tamin'ny maty, dia teraka ho Zanak'Andriamanitra (Romana 1:4). Fa izy dia “Lahimatoa amin'ny Rahalahy maro” izay hateraka koa ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra (Romana 8:29).
Andriamanitra Ray dia Andriamanitra Rain'ny ANKOHONAN’ANDRIAMANITRA, ary isika izay zanaka notorontoronin’Andriamanitra ankehitriny, rehefa ho teraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra amin'ny fiverenan'i Kristy, dia ho tahaka an'Andriamanitra isika (1Jaona 3:2), satria isika dia ho Zanak'Andriamanitra nateraky ny Fanahy!


Mpamorona Andriamanitra

1. Moa ve Andriamanitra nahary ny zavatra rehetra tamin'ny alàlan’i Jesosy Kristy (ny Teny)? Jaona 1:3; Efes.3:9; Kol 1:15-17; Heb.1:2, 10.
 
2. Ahoana no namoronan'ny Teny izao rehetra izao sy izay rehetra misy? Sal.33:6-9; 148:1-5; 104:30; Gen. 1: 1-3. Moa ve Andriamanitra Ray, amin'ny maha-Mpamorona Lehibe azy, dia milaza tamin'i Kristy izay tokony hatao? Jaona 8:28-29. Ary moa ve mankatoa foana i Kristy? Andininy mitovy.
Toy izany koa Andriamanitra Mpamorona. Andriamanitra no "nanao ny zavatra rehetra” tamin'ny alàlan’i Jesosy Kristy" (Efes.3:9-11) izay nampiasa ny herin'ny Fanahy Masina hanatanterahana ilay asa!
FANAMARIHANA: Ao amin'ny andininy faha-7, ny teny ara-Baiboly hoe "kintan’ny maraina" sy "ireo zanak'Andriamanitra" dia manondro anjely. Mariho ao amin’ ny Apokalypsy 12:4-9 dia miresaka an'ohatra an'ireo anjely izay nanaraka an'i Satana tamin'ny fikomianany ho "kintana amin’ny lanitra.” Ao amin'ny Isaia 14:12, isika dia mianatra fa i Satana, talohan'ny nanotany, dia nantsoina hoe "fitarik’andro, zanaky ny maraina" (Losifera). Jereo ny sisin'ny ankamaroan'ny Baiboly).
               Ao amin'ny Joba 1: 6 dia hitansika fa, rehefa nony avy ireo "zanak'Andriamanitra" (anjely) hiseho teo anatrehan’I Jehovah, dia niaraka tamin'izy ireo i Satana. Ny anjely eto dia lazaina hoe "zanak'Andriamanitra" amin'ny heviny hoe Andriamanitra no Mpamorona azy ireo.
               Ary noho izany dia hitantsika fa ireo anjely, izay noforonina mialoha, dia nihoby noho ny fifaliana tamin'ny famoronana ny tany, angamba an-tapitrisa taona maro talohan'ny namoronana ny olombelona. Firy ny anjely noforonin'Andriamanitra ary firy taona izay no namoronany azy ireo? Tsy nambarany ny momba izany. Na izany aza, ny tany tamin'ny voalohany dia fonenan'ny anjely. Ny lesona manaraka dia hanambara bebe kokoa momba ny famoronana, ny tanjona ary ny asan'ny anjely.
 
4. Moa ve ny Onivera fizika manotolo dia noforonina niaraka tamin'ny tany? Gen.1:1.
FANAMARIHANA: Miresaka ny famoronana ny lanitra sy ny tany ny Genesisy 1:1. Ao amin'ny Baiboly hebreo tany am-boalohany, ny teny nadika hoe "lanitra" dia manambara fa noforonina niaraka tamin'ny tany ny Onivera fizika manontolo.


Ny famoronana tonga lafatra nosimbaina

               Efa nianarantsika fa efa nisy mandrakizay ireo Persona ambony roa ireo, izay mahalala sy mahefa ny zava-drehetra, ary lavorary indrindra, izay manana saina lehibe sy fahefana mamorona. Ireo Persona roa ao amin’Andriamanitra ireo, izay fototry ny Ankohonan'Andriamanitra, dia namorona izao rehetra izao, anisan'izany ny olombelona.
               Tahaka ny olombelona misaina, manao drafitra ary mamolavola alohan'ny hiatombohan'ny fananganana na ny fandrafetana, dia toy izany koa ireo Persona roa ireo, izay nihevitra sy nanomana ary namolavola ny voary manontolo. Tsy nisy naha-maika Azy ireo. Mety nieritreritra sy nikasa nandritry ny an-tapitrisa (na an'arivo tapitrisa) taona izy ireo, araka ny fanisan-taonantsika, alohan'ny tena famoronana.
               Saingy ireo Persona Avo roa ireo dia namolavola sy namorona ny anjely aloha, izay tsy hitan’ny mason’ny olombelona. Namorona ireny fanahy ireny Andriamanitra talohan'ny namoronany ny planeta tany, izay trano na "fonenan’" ny ampahatelon’ny anjely fara fahakeliny (Joda 6). Tena feno hasambarana sy hafaliana ireo anjely hany ka "niara-nihira" sy "nihoby" an-karavoana rehefa voaforona ny tany (Joba 38:7).
 
1. Ankoatry ny famoronana ny anjely, ny tany sy ny lanitra, moa ve Andriamanitra namorona ny fitantanam-panjakana? Kol.1:16.
FANAMARIHANA: Ny Baiboly dia manambara fa Andriamanitra dia nametraka ny arikanjely lehibe Losifera teo ambony seza fiandrianana tety an-tany mba hitantana ny fanjakan'Andriamanitra amin'ireo anjely napetraka teto. Ny Lalàn'Andriamanitra, izay nitondran'i Losifera, dia fomba fiaina mazava. Izany dia fomba fiaina iray mifototra amin’ny fitiavana - fiahiana ny fanasoavana ny hafa- ny lalan'ny fandriampahalemana, ny firindràna, ny fanampiana, ny fanompoana, ary ny fizarana.
 
2. Nanohy nitantana ny fanjakan'Andriamanitra teto an-tany araka ny lalàn'Andriamanitra ve i Losifera? Sa nikomy izy ary avy eo dia nanota be? Ezek.28:12-15; Isa.14:12-14. (Ny "mpanjakan'i Tyro," araka ny Ezekiela 28 voalaza eo ambony, dia manondro an'i Losifera, izay Satana ankehitriny, ilay fanahy ratsy izay nanentana ny "mpanjakan’i Tyro" – andininy 2) Iza no nanaraka an'i Losifera tamin'ny fikomiany? Apok.12:3-4.
FANAMARIHANA: Nikomy tamin'Andriamanitra ny arikanjely Losifera. Raha tokony nanohy nitantana ny fanjakan'Andriamanitra teto an-tany izy, dia lasa nivadika. Tamin'ny fikomiany, ny ampahatelon'ny anjely rehetra dia nanaraka azy tamin'ny fiezahany tsy nahomby mba hanafika sy haka ny foiben'Andriamanitra any an-danitra ary hampiala eo amin’ny seza fiandrianany an’Ilay Andriamanitra Mpamorona mihitsy! Novaina anarana hoe "Satana" i Losifera, izay midika hoe "fahavalo" ary ireo anjely nanaraka azy tamin'ity fanonganam-panjakana ity dia nanjary "demonia".
 
3. Moa ve ny tany kanto sy mahatalanjona dia lasa tany “tsy nisy endrika sady foana”, mikorontana sy misavorovoro vokatry ny fahotan'i Losifera? Gen.1:2.
FANAMARIHANA: Ny teny hebreo nadika hoe "tsy nisy endrika sady foana" dia tohu sy bohu, izay midika hoe feno korontana tsy ifankahitàna sy anaty fisafotofotoana, tany foana sy tsy misy na inona na inona. Ny teny hoe tohu sy bohu dia ampiasaina ao amin'ny Jeremia 4:23, Isaia 24:10 ary Isaia 34:11. Ao anatin'ireo Soratra Masina ireo, ny korontana sy ny fisafotofotoan dia vokatry ny fahotana.
5. Inona no ambaran'ny Genesisy 19:26 amintsika ka manaporofo bebe kokoa fa ny tany dia lasa zavatra izay tsy noforonin'Andriamanitra tamin'ny voalohany?
FANAMARIHANA: Ilay teny hebreo nadika hoe "dia" ao amin'ny Genesisy 1: 2 dia adika hoe "tonga" ao amin'ny Genesisy 19:26. Io dia manondro mazava ny fiovàna. Koa ny teny hoe "dia" ao amin'ny Genesisy 1: 2 dia manondro toetra iray tsy nitovy tamin'ny toetra teo aloha. Raha lazaina amin'ny teny hafa, ny tany dia "tonga" zavatra tsy mbola nisy hatrizay hatrizay.
               Ny teny hoe “dia” ao amin'ny Genesisy 1:2 dia tokony hadika hoe “nanjary”. Amin’ny dikan-teny vahiny sasany, io andininy io dia adikany hoe "Nanjary foana sy lao ny tany." Satria tsy toy izany foana akory izy!
6. Taorian'ny fahasimban’ny endriky ny tany vokatry ny fahotan'ireo anjely, moa ve Andriamanitra namerina namorona indray ny endriky ny tany ary nanavao azy ho azo honenan’ny zavamaniry sy ny biby ary ny olombelona? Sal.104:30. Vakio ihany koa ny toko voalohany amin'ny Genesisy, indrindra ny andininy faha-26.
               Ny fiterahan'Andriamanitra ny Tenany dia tetik'asa lehibe tokoa sy tena mahatalanjona ary sarotra ho an'ny sain'olombelona ny mahatakatra izany. Ilay Andriamanitra lehibe- izay tsy voafetra, talohan'ny zava-drehetra, Mpamorona ny zavatra hafa rehetra - dia eo am-pamolavolana ny Tenany, mamorona ireo hafa an-tapitrisa maro toa Azy.
               Ny Zanak'Andriamanitra dia samy hanana toetran’Andriamanitra, mahery sy lavorary amin'ny toetra - amin'ny alàlan'ny safidiny malalaka sy mitovy tanteraka amin'ny Ray, ary hahatonga ny tenany ho tsy afaka-hanota! (1Jaona 3:9.)
Mba hahatanterahany izany fahagagana tsy mampino izany, dia voalohany nataon'Andriamanitra tamin'ny vovoky ny tany ny olombelona, araky ny endriny. Izany no natao satria, noho ny fiantsoan'Andriamanitra amin’ny fibebahana sy hahatorontoronan'ny Fanahy Masina azy, ny olombelona dia ho afaka hanomboka hampitombo ny toetran'Andriamanitra ao anatiny raha mbola nofo aman-dra izy ireo. Ary noho izany, amin'ny fitsanganana amin'ny maty, dia hovaina ho amin'ny tsi-fahafatesana izy ireo ka homena fanahy mahery toy ny an'Andriamanitra Mpamorona mihitsy!

FANAMARIHANA: Mampanantena Andriamanitra fa tsy hisy farany ny fitomboan'ny fitondram-panjakany! Hiitatra manerana ny Onivera ny fandriampahalemana, ny firindràna, ny fahasambarana sy ny fifaliana mandrakizay. Fa ireo izay nampitombo ny toetra marin'Andriamanitra ary teraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra ihany no ho lasa mpitantana ny governemantany, izay nolazanin’ny mpaminany fa haverina eto an-tany tsy ho ela.


Foto-kevitra fiaraha-mitoetry ny zavatra roa samihafa eo amin’ny famoronana

               Ny Baiboly dia manambara fa misy ny fiaraha-mitoetry ny zavatra roa samihafa eo amin'ny dingan'ny famoronan'Andriamanitra, anisan'izany ny famoronana toetra araka an'Andriamanitra ao anatin'ny olona. Voalohany, zava-dehibe ny mahatakatra fa ireo anjely dia noforonina amin'ny dingana roa. Ny fotokevitra fiaraha-mitoetry ny zavatra roa samihafa dia hita amin'ny fahariana azy ireo, ary koa amin'ny famoronana ny tany sy ny olombelona.
               Namorona ireo anjely hisy saina i Jehovah - miaraka amin'ny fahaizana mieritreritra, mahalala ny antony ary manapa-kevitra. Saingy ny fahariana azy ireo dia tsy mety ho famoronana vita raha tsy ny toetra amam-panahiny - na tsara na ratsy - no nitombo tao anatiny. Io dingana io dia mitaky fotoana sy traikefa. Io fampivoarana toetra io no dingana faharoa amin’ny famoronana azy ireo.
               Tamin'ny voalohany Andriamanitra dia nanoro ny anjely ny làlany misy toetra tsara. Izany dia ny Lalàn'i Jehovah ara-panahy – ny fototry ny governemantan'Andriamanitra. Avy eo dia tonga ny fotoana namoronana ny Onivera fizika. Eto indray dia ahitana ny fotokevitra momba ny fiaraha-mitoetry ny zavatra roa samihafa tafiditra ao.
               Ankehitriny tonga eo amin'ny fiaraha-mitoetry ny zavatra roa samihafa isika amin'ny famoronana ny anjely sy ny tany. Ny Tenin Andriamanitra dia milaza amintsika fa ny tany dia nonenan'ny anjely talohan'ny namoronana ny olombelona. Ny Soratra Masina dia manondro fa nametraka fara-fahakeliny ny ampahatelon'ny anjely teto an-tany Andriamanitra. Nomena ho anjarany ny famitàna ny tany, miaraka amin'ireo singa maro hampitomboana sy hanatsarana ary hamenoana azy.
               Izany asa izany dia mitaky fiaraha-miasa mirindra – ka ny rehetra dia manana tombontsoa hiara-miasa amin'ny tanjona iraisana izay nodidian'Andriamanitra. Tian'Andriamanitra ho fianaran’asa ny tany mba hanatsarana ireo anjely- amin'ny alàlan'ny fampitomboana ny toetra marina ao aminy ary amin'ny famitàna ny famoronana ny tany - handray anjara miaraka Aminy amin'ny fanatanterahana farany an’ireo planeta an'arivo tapitrisa maro manerana ny Onivera lehibe !
 
1.Iza no fahefana notendren'Andriamanitra teto an-tany mba hifehy ny ezaky ny anjely ary mba hitantana ny fitondram-panjakan'Andriamanitra eo amin'izy ireo? Vakio indray ny Ezekiela 28:13 sy ny Isaia 14:12-14.
FANAMARIHANA: Nianarantsika fa nivadika tamin'Andriamanitra i Losifera ary nanota tamin’ny farany. Ary rehefa nanota i Losifera (lasa Satana), ny fitondram-panjakan'Andriamanitra sy ny Lalàny - ny fomba fanorenana sy fananganana ny toetra marina, masina, tonga lafatra - dia nesorina teto an-tany.
 
2. Rehefa hiverina eto an-tany i Jesosy Kristy, moa ve havaoziny ny zava-drehetra, ao anatin'izany ny fitondram-panjakana sy ny lalàn'Andriamanitra manerana an'izao tontolo izao? Asa 3:20-21; Isa.2:2-3; 11:9.
3. Inona no dingana voalohany hatao, amin'ny planin'Andriamanitra, mba hamerenana io fitondrany io eto an-tany? Avereno vakiana ny Genesisy 1:26.
FANAMARIHANA: Andriamanitra dia namorona ny olona hanapaka ny tany. Ny tanjon'Andriamanitra tamin'ny famoronany ny olombelona dia ny:
1.      hanavao ny Fanjakan'Andriamanitra eto ambonin'ny tany;
2.      hanatanteraka ny famoronana fizika, izay noravain'ny anjely;
3.      ao anatin'izany dingana izany, hanatanteraka ny famoronana ny olombelona amin'ny alalàn'ny toetra ara-panahy marina ao aminy; ary
4.      hanorina ny Fanjakan'Andriamanitra, izay ho tonga hisy olona-Andriamanitra tsy hita isa, izay hamita ny famoronana ny Onivera midadasika.
               Taorian'ny namoronana an'i Adama sy Eva, ny mpamorona azy ireo - izay loharanon'ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra - dia nampianatra azy ireo nomba ny governemanta sy ny lalàn'Andriamanitra. (Ny fitantarana ao amin'ny Genesisy toko faha-2 dia tsy ahitana afa-tsy fehim-pifehezana fohy momba ny toromarika nomen'Andriamanitra.) Voasakana i Satana tsy hifandray aminy mandra-pahavitan'ny fampianaran’Andriamanitra azy ireo ny zavatra tokony ho fantany.
               Ilay hazo hafa manana hevitra ara-panoharana lehibe dia ny "hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy". Ny maka ny voany dia midika, ho an’izay mihinana izany, ny tombon-tsoa hanavaka samirery ny tsara sy ny ratsy, ary manapaka irery izay marina sy izay fahotana. Mazava ho azy, izany dia midika fandavana ny Lalàn'Andriamanitra, izay mamaritra ny tsara sy ny ratsy. Ary hiafara amin'ny fahafatesana izany!
               Fa Andriamanitra izao, araky ny fitsipiky ny fiaraha-mitoetry ny zavatra roa samihafa eo amin'ny famoronana, dia eo am-pamoronana Persona maro ho ao amin'ny Ankohonany. Nahatsapa Andriamanitra fa raha ny ampahatelon'ny anjely no afaka nisafidy ny fomba nahatonga ny toetra ratsiny, dia azo tsoahina amin’izany fa Izy sy Ilay mpikambana iray hafa ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra ho hany Persona velona izay azo antoka fa tsy hiala na oviana na oviana amin'ny fanjakany sy ny lalàny - ny fomba fiainany.
               Tsapan'Andriamanitra fa mila persona tonga lafatra sy marina an-davitrisany maro, tantanan'ny fitondram-panjakany, mba hamenoana ny hatsarana, ny fahalehibiazana ary ny voninahitra, tsy ny an’ireo planeta hafa manodidina ny masoandrontsika ihany, fa koa ny “Lalan-dronono” maro, sy ireo vahindanitra maro tsy tambo isaina, ao amin’ny Onivera midadasika tsy misy fetra.
Noho izany, tokony ho 4000 taona taorian'ny nanotan'i Adama, dia tonga ny dingana manaraka amin’ny tanjon'Andriamanitra mahavariana, dia ny fiterahany ny Tenany ho persona an'arivo tapitrisa maro!
               Endrey izany fikasana maneho ny fahamboniana izany! Endrey izany voninahitra mahagaga omen’Andriamanitra antsika! Endrey izany sangan’asa amin’ny famoronana fa              ra-tampony ! Tsy isalasalana fa Andriamanitra dia mahagaga izaitsizy eo amin'ny vinany sy ny asany – manomboka amin'ny tsimoka kely indrindra, ny bibikely bilitika, ka hatramin'ny masoandro lehibe indrindra, izay tsy misy dikany Aminy akory!
               Ny hery mitatao mahatalanjon’ny olombelona dia ny hoe : ny olombelona dia mety ho teraka ara-bakiteny ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra!
7. Moa ve i Jesosy Kristy, ilay Adama faharoa, dia nahafeno ny fepetra mba hisoloany an'i Satana ary hamerina ny Fanjakan'Andriamanitra eto an-tany? Mat.4:1-11; 28:18.
8. Ahoana no nolazain'i Jesosy momba an'io fahaterahana ara-panahy io? Jaona 3:3-8.
FANAMARIHANA: Eto indray isika dia mahita ny asa fiaraha-mitoetry ny zavatra roa samihafa ao amin’ny famaritana ny famoronana ny Zanak'Andriamanitra. Ny fahaterahan'ny olombelona voalohany dia ao amin'ny fianakavian'ny olombelona,izay misy nofo sy ra. Ny fahaterahany faharoa dia ho any amin'ny Ankohonan’Andriamanitra, izay misy fanahy, ary manana toetra tonga lafatra, masina ary marina!


Naharihary ny toetran'Andriamanitra

               Mba hamitan’Andriamanitra ny famoronana ara-panahin’ ny olombelona ho tonga Andriamanitra, dia tsy maintsy mianatra mieritreritra bebe kokoa tahaka an'Andriamanitra isika, manahaka ny fihetsiny sy ny toetrany mandritry ny mbola maha-olombelona nofo aman-drà antsika. Avy eo, rehefa atsangana amin’ny maty na miova ho fanahy tsy mety maty isika, dia ho tonga mpikambana mandrakizay ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra, hanana toetra ambony indrindra sy tena mahagaga!
               Ny tanjontsika eo amin'ny fiainantsika olombelona koa àry dia ny hitomboantsika amin'ny toetran'Andriamanitra. Fa inona marina moa ny toetran'Andriamanitra? Ny toetran'ny Andriamanitra Ray sy Kristy Zanaka dia ilay fahamasinana ara-panahy, fahamarinana ary fahalavorariana tanteraka. Io toetra io dia azo fintinina amin'ny teny hoe fitiavana, voafaritry ny fiheverana ny hafa. Io no fomba "manome," manompo, manampy, mizara - ny mifanohitra amin'ny lalana "mandray" ampianarin'i Satana devoly.
               Io no fomba tsy misy fitsiriritana, faniriana sy fitiavan-karena, fireharehana sy fitiavan-tena, fifaninanana, fifandirana, herisetra sy fanimbana, filendalendàna sy fialonana, lolom-po ary hatezerana. Ny toetra tsy misaraka amin'Andriamanitra dia ny lalan'ny fandriampahalemana, ny fahamarinana, ny famindram-po, ny fahasambarana ary ny fifaliana mamirapiratra mankamin'ny olona noforoniny. Andriamanitra no fahatanterahan’ny fahalavorariana, ny fahamasinana ary ny fahamarinana!

            Ny tranga izay avy noresahintsika teo dia mampahatsiahy ny teny voalaza ao amin’ny Isaia 1:2-4 manao hoe : "Mandrenesa, ry lanitra, ary mihainoa, ry tany, Fa Jehovah no miteny hoe: Efa nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, Kanjo niodina tamiko ireo. Ny omby mahalala ny tompony, Ary ny boriky ny fihinanam-bilon'ny tompony; Fa ny Isiraely tsy mahalala, Ny oloko tsy misaina. Indrisy! firenena mpanota, olona mavesa-keloka, Taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Efa nahafoy an'i Jehovah izy, Efa nanamavo ny Iray Masin'ny Isiraely. Efa nihodina izy.”

            Ireo teny ireo dia natao ho an’Isiraely fahiny, firenena izay nanambaran’Andriamanitra ny Tenany tamin’ny fahagagana maro. Saingy niodina taminy ny Israelita ary nanadino ny hoe IZA Andriamanitra, na hoe ahoana ny toetrany Ny firenena ankehitriny koa dia vao mainka tsy mahalala an’Andriamanitra.

            Ny siansa moderina dia tsy mahay manaporofo, na mitsipaka mihitsy aza, ny fisian’Andriamanitra; izy koa dia tsy afaka manazava hoe Iza Andriamanitra, na hoe Inona Izy. Ny Oniversite koa dia tsy afaka manazava ny fahamarinana mahagaga momba ny tena maha-Izy Azy an’Andriamanitra. Ny fampianarana moderina dia nampanaiky an’izao tontolo izao, saiky ny rehetra mihitsy, ny angano momba ny Evolisiona. Io farany io no ezak’ireo mihevitra fa tsy misy Andriamanitra mba hanazavàna ny fisian’ny zava-boary nefa tsy misy mpamorona teo aloha. Ireo dia mitsipaka ny fisian’Andriamanitra.

            Tena tsy mampino fa ny fivavahana eto amin’ny tontolo dia tsy mahalala marina hoe INONA Andriamanitra, na IZA IZY! Kanefa, moa ve ny fivavahana, raha ny tena izy, tsy ny fanajana an’Andriamanitra? Ahoana ny hanajana izay tsy fantatra?

            Na dia tsy mampino aza izany, ianao dia miaina ao amin’ny tontolo anjakan’ny safotofoto ara-pivavahana ankehitriny! Ny antokom-pivavahana tena be mpanaraka dia ny bouddhisme, ny confucianisme, ny taoïsme, ny shintoïsme, ny hindouïsme, ny islam ary ny kristianisma. ary io fivavahana kristiana io, izay manana anarana samihafa an-jatony maro sy sekta maro, dia tena be mpanaraka tokoa. Na izany aza, ny fiangonana kristiana nentim-paharazana dia tsy mahalala marina hoe INONA Andriamanitra, na IZA IZY!

Olona an’arivo tapitrisa – izany hoe eo amin’ny ampaha-efatry ny mponina eto an-tany – no mipetraka any Chine Kominista. Tamin’ny andro fahagola, ny fivavahana tany Chine dia ny fivavahana amin’ny Razana. Aorian’izany ny Confucianisme, notaomin’ny Taoïsme. Amin’izao fotoana izao, dia manjaka ny Kominisma ary noho izany dia lasa tsy mino an’Andriamanitra io firenena io. Any India, ilay firenena lehibe faharoa amin’ny isan’ny mponina, ny Hindouisme no antokom-pivavahana be mpanaraka indrindra. Moa ve ireo Hindou an-tapitrisa maro ireo mahalala hoe IZA Andriamanitra – ary INONA Izy? Ny valiny dia hoe tsia, na dia mahagaga aza izany!

            Ny Kristianisma Ortodoksa Rosiana dia fivavahana voalohany tany Rosia, izay firenena fahatelo be mponina indrindra. Fa ankehitriny, toa an'i Chine, dia tsy mino an'Andriamanitra izy.

            Saingy, misy fiangonana tokana eto an-tany izay mahalala hoe IZA Andriamanitra – ary INONA Izy! Izany Fiangonana tokana izany dia noforonin’i Jesosy Kristy tamin’ny taona 31 tar JK, ary izany “ondry vitsy” izany dia mbola misy ankehitriny!

            Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:15-34, dia misy ny tantaran’ny Apostoly Paoly izay nandalo tao Atena, tanan-dehibe Grika, ka nitory tao ny fahamarinan’Andriamanitra.      Tamin’ny Taonjato Voalohany amin’ny fanisan’androntsika, ny avy ao Atena no lazaina fa    manam-pahaizana indrindra teto ambonin’ny tany.

            Indray andro, ny Apostoly Paoly dia niresaka tamin’ny olon-kendry Epikoreana sy Stoika sasantsasany.

            “Inona no tian'io mpibedibedy io holazaina? ” hoy ny sasany, sady nihomehy azy (Asan’ny Apostoly 17:18). Ny hafa kosa dia nanaraby azy ka nanao hoe: “Toa mitory andriamani-baovao izy.

             Ireo olon-kendry dia nitondra an’i Paoly tany amin’ny Areopago, tribonaly ambony indrindra momba ny fampianarana sy ny fivavahana, izayeo amin’ny havoana natokana ho an’ny andriamanitra Mars.

            “Moa mba mahazo mahafantatra izany fampianarana vaovao lazainao izany izahayFa mampandre ny sofinay zavatra hafahafa izay tsy fantatray ianao” (and.19-20), hoy izy ireo, sady mialikalika fanahy.

            Tao no nisy ireo manam-pahaizana lehibe indrindra teto an-tany, izay tsy maintsy nilazan’i Paoly ny fahamarinana momba an’Andriamanitra. Matotra i Paoly ka nanambara hoe : « Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin'ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin'ny andriamanitrareo indrindra ianareo. Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra [sampy] ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: HO AN'IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo, dia Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny ao aminy rehetra, Izy no Tompon'ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanana, sady tsy mba tompoin'ny tànan'olona toa mila zavatra, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofon'aina ary ny zavatra rehetra; ary ny firenena rehetra avy amin'ny iray ihany dia namponeniny ambonin'ny tany rehetra... » (Asan’ny Apostoly 17:22-26).

                IZA Andriamanitra ? Izy no Ilay Mpamorona ; Izy Ilay « nanao izao tontolo izao sy ny ao aminy rehetra » Ny zavatra voahary dia porofo fototra amin’ny fisiany. Ireo filozofa Ateniana, Epikoreana sy Stoika, toy ny mpivavaka amin’ny antokom-pivavahana maro amin’izao fotoana izao, dia tsy mahafantra izany.

            Inona ary ny TOETRA FOTOTR’Andriamanitra ? IZA Izy, ary INONA Izy ? Ilaina ny mahafantatra ny momba izany bebe kokoa. Tsy vitan’ny hoe ilaina fotsiny ny mahafantatra fa nahary izao rehetra izao Izy ; fa ilaina ny mahafantatra hoe Iza Izy ?

            Aza adino ny mandray ny Baibolinao, mba hianaranao an’ity fampianarana lehibe ity. Amarino daholo ny andininy voalaza mba hahitanao ny valin’ny fanontaniana mipetraka. Hoy ny Apostoly Paoly : « Mazotoa manolotra ny tenanao amin'Andriamanitra ho olona voazaha toetra…» (2Timoty 2:15). « Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara. » hoy ny fanentanan’i Paoly ho an’ny Tesaloniana. (1 Tesaloniana 5:21)

            Raha anontaniana ianao hoe : aiza ao amin'ny Baiboly no hahitana ny fitantarana voalohany ny momba ny fisian'Andriamanitra, dia mety hilaza ianao hoe: Inona indray fa tsy ao amin'ny andininy voalohany amin'ny Baiboly ! Mazava ho azy fa ao amin’ny Genesisy 1:1 izany. Tsy marina ve izany?

1. Inona no andininy manambara voalohany indrindra, araky ny fifandimbidiasan-taona ela indrindra tamin’ny lasa, ny hoe iza sy inona Andriamanitra? Jaona 1: 1-3.

2. Moa ve ny Teny tonga nofo? Jaona 1:14. Niaina teto an-tany ve Izy amin’ny maha-olombelona Azy? Andininy mitovy sy Matio 1:23. Moa ve Izy irery no Zanaka notorontoronin'Andriamanitra Ray? Jaona 1:14 indray.

3. Ny Hebreo toko faha-7 dia manome fanazavana bebe kokoa momba ny fisian'i Jesosy Kristy taloha. Raha miresaka momba an'i Melkizedeka, izay "mpanjakan'ny fahamarinana" sy "mpanjakan'i Salema" (izay nantsoina tany aoriana hoe Jerosalema) tamin'ny andron'i Abrahama, dia voalaza fa “Mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra”. Mety ho efa nisy hatramin'ny mandrakizay koa ve i Melkizedeka? Heb.7:3. Moa ve i Jesosy Kristy nitsangana tamin'ny maty lasa “Mpisoronabe mandrakizay” ho antsika ankehitriny? Heb.6:20; 7:25-27.

               Andriamanitra ihany koa Izy, miaraka amin'Andriamanitra izay tonga ny Ray. (Ireo mpianatra maniry hianatra momba an’i Melkizedeka dia mahazo mangataka ny lahatsoratra vita pirinty maimaim-poana mitondra ny lohateny hoe "Ny misterin'ny Melkizedeka voavaha!") Samy efa nisy mandrakizay ireo mpikambana roa ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra ireo. (Sal.90:2; Heb.1:8, 10-12; 1Tim.1:17). Tsy azon'ny sain'olombelona voafetra ny mahatakatra ny fisian'ireo Persona roa ireo hatrizay, toy ny tsy fahazoantsika mamantatra mihitsy hoe inona ny herinaratra. Kanefa dia fantatsika fa misy ny herinaratra ary tena misy!

4. Na dia toa olona aza Andriamanitra Ray, inona moa ny tenany? Jaona 4:24. Ary noho izany, moa ve Izy tsy hitan'ny mason'olona? 1Tim.1:17.

FANAMARIHANA: Raha afaka mahita an'Andriamanitra Ray sy Kristy Zanaka isika araky ny fisehoany ankehitriny any amin'ny Fanjakany be voninahitra any an-danitra, “ny tarehiny dia tahaka ny MASOANDRO mamirapiratra amin'ny heriny”! “Ny masony dia tahaka ny lelafo”, “ny tongony tahaka ny varahina manganohano” ary ny “volony dia fotsy tahaka ny volon’ondry fotsy, dia tahaka ny oram-panala”!

 

1. Nanaraka an'i Simona ve ny mponina rehetra tao Samaria? Asan’ny Apostoly 8:9-11. Moa ve izy namitaka azy ireo ka ninoany fa lehilahin'Andriamanitra izy? Andininy 10.

               Te hanandra-tena teo amin'ny vahoaka i Simona, ka nanambara ny tenany ho apostoly. Nalainy ho azy ny anaran'i Kristy ary nanomboka niantso ny fiangonana mistery babyloniana hoe "Kristianisma" izy. Nanaiky ny foto-pampianarana momba ny "fahasoavana" izy ho famelana ny ota (izay tsy mbola nampianarin’ny fivavahana mpanompo sampy hatrizay), ary dia nanova ny fahasoavana ho fahazoan-dalana tsy hankatoa an'Andriamanitra (Joda 4). Nikasa ny hamadika ny antokom-pivavahana mpanompo sampy izy, izay antsoina ankehitriny hoe "Kristianisma", ho fivavahan'ny besinimaro, ary hampiasa azy io ho fomba fahazoana ny fitondrana politika eran'izao tontolo izao!

Saingy ahoana no nahatonga ny fampianaran-diso momba ny Andriamanitra telo izay iray hikambana amin’ny kristianisma sandoka natombok'i Simona? Tamin'ny taona 325, ny Emperora Romana Constantin dia niantso ny Filan-kevitr'i Nicée hamaha ny adihevitra ara-pivavahana maro, izay nahitana hevitra momba ny finoana ny Andriamanitra telo izay iray. Tsy "kristiana" i Constantin tamin'izay, fa amin'ny maha mpitondra ara-politika azy, dia nifehy ny fiangonana izy. Nanaiky ny foto-pinoana Trinite ny filan-kevitra. Avy eo i Constantin dia nanao lalàna ho fampiharana izany manerana ny Empira. Tsy afaka nahatonga izany ho Fahamarinana anefa izy.

               Misy antony manokana nilan'i Satana, ilay lehibe indrindra amin’ny mpamitaka, ny fampidirana an'io fampianaran-diso io ao amin'ny tontolo Kristiana. Ny foto-pinoana “telo izay iray” dia ny fikatsahany feno hakingàna hanaisotra tanteraka ny fo sy ny fototry ny Filazantsara izay notorin'i Jesosy Kristy - ny "Filazantsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra." Izany dia mametra ny isan'ireo mpikambana ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra na ny Ankohonan’Andriamanitra ho telo ihany, ary tsy misy fahafahany hitombo! Ny Filazantsaran’i Jesosy no hafatra izay nentiny avy amin’Andriamanitra Ray ho an’ny olombelona - ny vaovao tsaran’ny Fanjakana na ny Ankohonan’Andriamanitra ho tonga hanjaka eto an-tany. Izany no fahamarinana tokana ambonin'ny rehetra, ka ilain'i Satana ny hanakona ny mason'olona tsy hahalala izany!

               Tamin'ny alàlan'ny foto-pinoana “Trinite”, sy ny fampianaran-diso hafa, dia namitaka tanteraka ny Kristianisma nentin-drazana i Satana, na hino ianao na tsia! Mariho ny fiaikena feno fahatsorana nataon’ny evanjelistra malaza iray izay nampianatra io foto-pinoana io hoe: "Fony vao nanomboka nianatra ny Baiboly aho taona maro lasa izay, ny foto-pampianarana momba ny Andriamanitra telo izay iray dia olana tena sarotra izay nisedra ahy. Mbola tsy nahavita namaha an'izany mihitsy aho, satria mirakitra lafiny zava-miafina izany .... Ny manazava sy maneho ny Trinite dia iray amin'ireo iraka faran’izay sarotra indrindra." Ny antony maha-sarotra be izany dia satria fotsiny tsy marina izany!

               Tsy trinite na telo izay iray izany Andriamanitra. Andriamanitra dia Ankohonana misy an'ireo olona roa voalaza ao amin'ny Jaona 1:1. Na izany aza, ny Ankohonan’Andriamanitra dia tsy ho firaisan’olona roa fotsiny mandrakizay. Andriamanitra dia eo an-dalam-panitarana ny Fianakaviany masina! An'arivony maro no olona efa notorontoronin’ny Fanahin'Andriamanitra, ary tsy ho ela dia ho teraka ao amin'ny Ankohonany (na amin'ny fitsanganana amin'ny maty, na amin’ny fiovàna eo no ho eo amin'ny tsi-fahafatesana) amin'ny fiverenan'i Jesosy Kristy. Aorian’izany koa aza, dia olona an-tapitrisa maro no ho teraka koa ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra!

Mila ny Fanahy Masina isika hoentina manatanteraka ny asa fanompoana!

FANAMARIHANA: Kristy dia manao ny zavatra rehetra nasain'ny Rainy hatao. Rehefa namorona ny zavatra rehetra Izy, dia niteny Izy, tahaka ny mpiasa, ary ny Fanahy Masina no fahefana nanatanterahana izay rehetra nodidian'i Jesosy.

               Ny Lehiben'ny tonian-dahatsoratra Herbert W. Armstrong dia nampitovy an'ity fomba famoronana ity amin’izay hataon’ny olombelona: "Tamin'ny herinandro voalohany tamin'ny Janoary 1914, dia nalefan’ny gazety nasionaly iray tany Detroit, Michigan aho mba hanadihady an'i Henry Ford hanoratako an-dahatsoratra ny momba ny politikan’ny karama 5 $ isan’andro. Nahita an'i Henry Ford tao amin'ny tranobe fitantanana aho, mitafy ny fianjaikan’ny Mpandraharaha, misy vozon’akanjo fotsy sy fehitenda. Avy eo aho nijery ny toeram-piasana goavambe (akaikin’ny Orinasan'ny Highland Park), ary nahita lehilahy an'arivony angamba eo am-pamokarana, niasa tamin'ny milina mandeha amin'ny angovo elektrika. Andriamatoa Ford dia antsoina hoe mpanamboatra ny fiara Ford. Saingy manamboatra fiara izy amin’ny asan’ireto mpiasa ireto, izay nampiasa ny herin'ny elektrisite sy ny milina. "

3. Fa ny tany, ny kintana ary ny vahindanitra dia tsy zavatra voalohany noforonin Andriamanitra. Inona no ambaran'ny Baiboly fa noforonina talohan'ny matiera eran’ny Onivera? Joba 38:4-7.

               Tsy misy fifandraisana toy ny ray sy ny zanaka eto tahaka an'i Jesosy sy ny Rainy. Ny anjely dia tsy notorontoronina sy naterak'Andriamanitra, toa an'i Jesosy Kristy (Heb.1:5) - izy ireo dia noforonina. Ny anjely dia noforonina tsirairay. Tsy afaka notorontoronin'Andriamanitra Ray tamin'ny alàlan'ny Fanahiny Masina izy ireo na ho teraka ao amin'ny Ankohonany toy ny olombelona. (Efa nohazavaina tsara teo aloha ny lohahevitra momba ny fahatorontoronana ara-panahy sy ny fahaterahana.) Fa ny anjely dia hijanona mandrakizay ho "zanak'Andriamanitra" amin'ny heviny hoe namorona ny anjely tsirairay Andriamanitra ho fanahy mahaleo tena sy tsy mety maty.

4. Ao amin'ny Genesisy 1:2, dia mahita ny tany “tsy nisy endrika sady foana” isika,. Izany ve no namoronan'Andriamanitra azy? Isa.45:18.

FANAMARIHANA: Ny teny hebreo nadika hoe "tsy misy endrika" ao amin'ny Isaia 45:18 dia tohu. Io ilay teny nampiasaina ao amin’ny Genesisy 1:2, midika hoe fisavoritahana, tsy misy na inona na inona na tsy misy endrika; amin’ity tranga ity, izany dia vokatry ny fikomiana tamin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra sy ny Lalàny.

            Ao amin'ny Isaia 45:18 dia manana ny fanambarana tsotra isika hoe Andriamanitra no “namorona ny tany sy nahavita azy (Izy no nandamina azy; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana). Fa ao amin'ny Genesisy 1: 2, ny tany dia, na hoe dia nanjary “tsy nisy endrika sady foana" – araky ny tokony ho nandikana azy.

            Tsy namorona ny tany misafotofoto, mikorontana ambony ambany sy mifanjevo akory Andriamanitra. Ny 1Korintiana 14:33 dia milaza "Fa Andriamanitra tsy tompon'ny fikotronana", fa ny devoly no tompon’izany! Andriamanitra no mpamorona ny fandriampahalemana, ny filaminana sy ny lalàna. Tsy ho namorona tany mikorontana sy mifanjevo ary misafotofoto Andriamanitra. Tsy mitombina izany!

FANAMARIHANA: Taorian'ny fikomian'i Losifera izay nahapotika ny tany tonga lafatra, dia niainga Andriamanitra hanavao ny endriky ny tany, ka nanamboatra azy io ho toerana mendrika ny ain'ny zanak'olombelona. Avy eo Andriamanitra dia nanao ny famoronana tena manaitra indrindra amin’ny zava-drehetra - izany hoe mandika ny toe-tenany amin'ny alàlan'ny olombelona! Ny famoronana farany ny olona Andriamanitra ho tonga mpikambana ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra, izay ambony kokoa noho ny anjely, no ho faratampony tsara indrindra amin'ny herin'ny famoronan'Andriamanitra - ny ambony indrindra amin'ny zava-bitan’Andriamanitra rehetra!

7. Rehefa vita ny planin'Andriamanitra ho an'ny zanak'olombelona, dia hamorona lanitra vaovao sy tany vaovao ve Izy? Isa.65:17; Apok.21:1-5.

FANAMARIHANA: Ny korontana vokatry ny fikomian'i Losifera dia hita manerana ny galaksia. Rah any fijery azy, toa voakasik'izany koa ny sisa amin’ny vahindanitra sy ny Onivera manontolo. Fa Andriamanitra hanavao ny zava-drehetra indray andro any! Amin’ny fotoana mety no hanaovan'i Jehovah ny tany ho fonenan'ny olona. Na izany aza, dia navelany hatao ny fanapotehana, izay hita maso mazava any amin'ny planeta hafa (voaporofon'ny sarin'ireo planeta nalaina tany an’habakabaka) sy poti-javatra eny amin’ny habakabaka, mba hijanona ho vavolom-belona amin'ny vokatry ny ota-ny mifanohitra amin'ny fitantanan'Andriamanitra sy ny fomba fiainany.

8. Nanambara mazava ve i Isaia fa ny fanjakan'Andriamanitra dia hitarina tsy ho eto an-tany ihany, fa any amin'ny faritra hafa amin'ny vahindanitra koa, na dia manerana ny Onivera manontolo aza? Isa.9:6-7.

               Ny zavatra noforonin'Andriamanitra dia azo ampitahaina amin'ny fanaka tsy vita izay amidy eny amin'ny toeram-pivarotana. Ny fanaka toy izany dia mety ho tsara kalitao, saingy tsy ampy ny famitàna azy -mila ho vankonina, avy eo ampalesina, asiana varinesy na loko. Tamin'ny fotoana namoronan'Andriamanitra ny lanitra sy ny tany – ny Onivera miaraka amin'ireo vahindanitra tsy hita isa izay misy galaksia maro sy planeta mpanotrona-izy ireo, toy ireo fanaka tsy mbola vita, dia mbola tsy tanteraka. Izy ireo dia lavorary, sy voahary nilamina, saingy mbola betsaka ny tokony hatao alohan'ny hahavitan’ny famoronana!

FANAMARIHANA: Ny fitondram-panjakan'Andriamanitra dia mitondra ireo izay eo ambaniny ho amin'ny fomba fiainany, izay fomban'ny Lalàny. Io no lalana izay mamolavola ny toetra marina, masina ary lavorary. Io no lalana mitondra amin’ny habetsahana, ny firindràna, ny fandriampahalemana, ny fahasambarana, ary ny fifaliana. Io no lalan’ny fitiavana. Noho izany, ny governemantan’Andriamanitra dia tsy maintsy haverina eto an-tany! Ilain’Andriamanitra ny hahatanteraka izany!

               Ity tanjona faratampony ity dia mitaky ny handavan'ny olona ny lalan'i Satana ary hanaraka ny lalam-pitiavan'Andriamanitra, miorina amin'ny Lalàna ara-panahy. Izany dia mitaky ny hanamboarana ny olona amin’ny matiera aloha, hany ka raha voatariky ny làlan'i Satana izy, dia azo ovaina - "hiova fo" amin'ny lalam-pitiavana, amin'ny alalàn'ny fibebahana, ny batisa ary ny fandraisana ny Fanahy Masina. Tena nilaina tokoa izany satria ny fanahy, raha vantany vao vita ny famoronana azy (toa ny toetran'ireo anjely lasa ratsy), dia tsy mety miova intsony! Ny Fanahy dia maharitra ary mandrakizay - tsy mety miova. Fa ny zavatra araky ny fizika dia mety miova tsy tapaka ary noho izany dia afaka miova ao aoriana.

               Ny olombelona voalohany dia noforonina miaraka amin’ny fahaizana mendrika mba hisolo an'i Satana eo amin’ny fitondrana ny tontolo eo ambany fitondran'Andriamanitra, ka amin’izany no hamerenana amin'ny laoniny ny governemanta sy ny Lalàn'Andriamanitra eto amin'ity tany ity. Saingy nilaina i Adama hanohitra aloha sy handà ny fomba “tia tena” an'i Satana ary hisafidy ny hiaina amin’ny làlan'Andriamanitra, dia ny lalam-pitiava-namana, la               lana izay manana fomba "manome".

4. Inona ny sasany amin'ireo fahalalana lehibe indrindra nasehon'Andriamanitra tamin'i Adama sy Eva? Gen.2:8-9, 15-17.

FANAMARIHANA: Tao amin'ny Saha Edena tsara tarehy sady kanto, izay nametrahan'Andriamanitra an'i Adama sy Eva, dia nisy hazo roa misy heviny ara-panoharana lehibe. Ny iray dia ny "hazon'aina." Ny maka ny voany, atolotr’Andriamanitra an-tsitrapo, dia maneho ny fankatoavana sy ny fahatokiana ny lalàm-pitiavan'Andriamanitra. Ny fakana ny voany dia tandindon'ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masin'Andriamnitra, izay mitondra fahatorontoronana ara-panahy ho ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra. Ny fahalalana ara-panahy dia homena amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ihany koa.

5. Moa ve i Adama, lehilahy voalohany, nahafeno ny fepetra hisolo an'i Satana ho mpitondra eto an-tany? Gen.3:1-6, 17-19, 22-24.

FANAMARIHANA: Ilay arikanjely be voninahitra atao hoe Losifera, araky ny namoronan'Andriamanitra azy tany am-boalohany, no fara-tampony tamin’ny herim-pamoronan’Andriamanitra. Vitsy ankehitriny no mahatsapa ny fahefana goava   n'i Satana, izay lasa nivadika ho fitaka sy hafetsena.

               Tonga tamin'i Adama ny devoly fetsy tamin’ny alàlan’i Eva vadiny. Tsy niteny izy hoe : "safidio ny lalako." Niseho taminy toy ny menarana izy ka nilaza hoe: "Safidio ny lalanao manokana", namitaka azy mazava. Adama, izay tsy voafitaka, dia nisafidy ny hanaraka ny lalan'i Satana ihany koa. Ary ny olombelona hatramin'izay, dia nanaraka ny lalan'i Satana. Tsy nahavita namerina ny fitondram-panjakan'Andriamanitra i Adama ary tsy nahavita nisolo an'i Satana ho mpitondra an'izao tontolo izao.

6. Mariho izao ny fiaraha-mitoetry ny zavatra roa samihafa momba an'i Jesosy Kristy. Ahoana no niantsoana an'i Jesosy ao amin'ny 1Korintiana 15:45?

FANAMARIHANA: Adama "voalohany" no olona voalohany, noforonin'Andriamanitra avy tamin'ny vovo-tany. Adama faharoa na "farany" dia i Jesosy, izay natao nofo aman-dra ihany koa, nefa lasa persona tsy mety maty amin'ny alàlan'ny fitsanganana amin'ny maty, ka nahatanteraka ny dingana faharoa izy noho ny herin’ny Tenany, dia ny dingana ara-panahy amin’ny famoronan'Andriamanitra ny olombelona.

               Tao amin'ny planina lehibe ho famoronana ara-panahy ny olombelona, Andriamanitra dia efa nanapa-kevitra fa ny Teny, Ilay mpikambana faharoa ao amin'ny Ankohonanan’Andriamanitra, dia hiala an-tsitrapo amin’ny voninahinay, amin’ny fotoana izay maha-mety izany, mba ho tonga toy ny olombelona ka ho lasa Kristy. Izany dia mba ahafahana manatanteraka ny dingana ara-panahy amin'ny famoronana ny olombelona – dingana izay hiterahan’ Andriamanitra ny tenany.

FANAMARIHANA: Kristy dia nahafeno ny fepetra ho tonga Mpanjaka Avo Indrindra manerana an'izao tontolo izao amin'ny alàlan'ny fandreseny ny lalan'i Satana sy ny fankatoavany an'Andriamanitra tanteraka. Horoahiny i Satana ary hamerina ny fitondram-panjakan'Andriamanitra Izy rehefa miverina. Nefa mandritra izany fotoana izany, dia miasa amin'ny maha-Mpisoronabe-ntsika Izy, ary manampy antsika ho mendrika ny ho mpanapaka miaraka Aminy, manampy antsika hanohitra an'i Satana sy hanorina toetra tsara ho fiomanana amin'ny fahaterahantsika ara-panahy ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra.

Nahoana no tena zava-dehibe amintsika ny mahafantatra hoe iza ary inona Andriamanitra? Satria ny tanjon'Andriamanitra amin'ny fisiantsika dia ny hahatongavantsika ho tahaka Azyamin’ny farany! Rehefa namorona an'i Adama tamin'ny vovo-tany Andriamanitra, dia namboariny nitovy tamin'ny "ENDRIK’ANDRIAMANITRA” mihitsy izy, dia ny fisehoany ivelany sy ny bikany. Io endrika sy bika io dia nomena ho an’ny olombelona irery ihany. Tamin'ny famoronana azy, ny olombelona dia nomena ihany koa ny fahaiza-misaina - ny fahafahana mieritreritra, mamotopototra, misafidy ary manapa-kevitra. Io fitoviana amin'Andriamanitra io, na amin’ny saina na amin’ny toetra, dia tsy nomena ny biby hafa. Ny olombelona dia manana ireo toetra sy fahaizana miavaka tsy manam-paharoa ireo satria noforonina ho lasa Andriamanitra!

               Satria manana toetra tonga lafatra sy marina Andriamanitra, dia tsy hanota mihitsy Izy! Tsy hanohitra ny Lalàna ara-panahy izay lavorary sy masina mihitsy Izy, izay napetrany tamin'ny lalàna velona, mavitrika ary tsy mety miova, mahatonga sy mamokatra ny zavatra rehetra izay tsara. Tena napetrak'Andriamanitra amin'izany ny sitrapony mba tsy hampanota Azy, na handikany ny Lalàny     (1Jaona 3:9).

1. Ahoana no hamaritan'ny Baiboly ny fomba sy ny toetran’Andriamanitra? 1Jaona 4:8, 16. Inona ny fitiavana an'Andriamanitra? 1Jaona 5:3.

FANAMARIHANA: Ny Lalàn'Andriamanitra ara-panahy dia ahafahantsika mahafantatra ny atao hoe Andriamanitra satria mamaritra ny toetrany, izay fehezina amin'ny teny hoe Fitiavana!

2. Ahoana no namintinan'i Jesosy ny Lalàn'Andriamanitra? Mat.22:36-40.

FANAMARIHANA: Ny lalàn 'Andriamanitra dia voafaritra bebe kokoa ao amin'ny Didy roa lehibe: Fitiavana an'Andriamanitra ary fitiavana ny namana. Ny Lalàn'Andriamanitra dia voazara ho Didy Folo. Ny efatra voalohany dia milaza amintsika ny tokony hitiavana an'Andriamanitra, ary ny enina farany dia milaza amintsika ny fomba itiavantsika ny namantsika - ny mpiara-belona rehetra.

3. Inona no zava-dehibe indrindra nolazain'i Jesosy tamin’ny faminaniany momba ny Lalàn'Andriamanitra? Isa. 42:21. Inona ireo ohatra roa momba ny fomba "nanandratan'i" Jesosy ny Didy Folo? Mat.5:21-22, 27-28.

FANAMARIHANA: Rehefa apetraka eo amin'ny Didy Folo ny "fitaratra lehibe" ara-panahy, dia ampitomboina amin'ny foto-kevitra maro kokoa izy ireo. Ary amin'ny heviny lehibe kokoa, ny Baiboly iray manontolo dia fanandratana ny Lalàn'Andriamanitra. Ny Lalàna no fototry ny Soratra Masina rehetra. Mamaritra ny fomba fiainan’Andriamanitra, ny lalana mankany amin'ny fiadanana, ny fahombiazana, ny fahasambarana, ny fifaliana ary ny fiainana mandrakizay. Jereo ny tena itovian’Andriamanitra sy ny Lalàny.

4. Tsara ve ny Lalàn'Andriamanitra? Rom.7:12.

FANAMARIHANA: Tsara Andriamanitra!

5. Marina ve ny Lalàn'Andriamanitra? Andian-tsoratra mitovy.

FANAMARIHANA: Marina Andriamanitra.

6. Masina ve ny Lalàn'Andriamanitra? Andian-tsoratra mitovy.

FANAMARIHANA: Masina Andriamanitra!

7. Araka ny fanahy ve ny Lalàn'Andriamanitra? Andininy 14.

FANAMARIHANA: Andriamanitra dia araka ny fanahy!

8. Tsy misy tsiny ve ny Lalàn'Andriamanitra? Sal.19:7.

FANAMARIHANA: Tsy misy tsiny Andriamanitra!

9. Hiova ve ny toetran'Andriamanitra? Malakia 3:6; Hebreo 13:8. Noho izany, moa ve ny Didin'Andriamanitra, ao anatin'izany ny Lalàny rehetra, dia tsy miova sy ho mandrakizay, haharitra mandrakizay doria? Salamo 111:7-8.

FANAMARIHANA: Andriamanitra dia mandrakizay ary toy izany koa ny Lalàny satria ny lalàna dia maneho ny tena toetra, sy ny tena fomban'Andriamanitra!

               Ny toetran'Andriamanitra dia miara-miasa amin'ny Lalàny. Io no lalam-PITIAVANA. Io no fomba manome, manompo, manampy. Manana izany toetra izany Andriamanitra! Miahy ny olombelona rehetra Izy. Natolony ny Zanany lahitokana notorontoroniny mba hampihavana antsika Aminy, ka mahatonga ny fifalian'ny toetrany sy ny fiainana mandrakizay ho azo tanterahina ho antsika. Manome antsika ny fanomezana tsara sy sarobidy rehetra Izy, anisan'izany ny Fanahy Masina, izay azontsika raisina ho toy ny fahatorontoronana avy amin'ny Ray rehefa avy mibebaka sy miala amin'ny lalan-dison’ny tontolon'i Satana isika, manomboka manohitra izany, ary mitodika any amin'Andriamanitra amin'ny finoana an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjy antsika manokana!

10. Inona avy ireo toetran'Andriamanitra na "vokatry" ny toetran'Andriamanitra izay manomboka asehon'ny zanak'Andriamanitra aorian'ny fahatorontoronany amin'ny alàlan'ny Fanahiny Masina? Gal.5:22-23; 2Tim.1:7.

FANAMARIHANA: Marina, masina, izay toetran’Andriamanitra, dia fananana sy fampiharana ny fitiavana, ny fifaliana, ny faharetana, ny famindram-po, ny finoana, ny hatsaram-panahy, ny halemem-panahy, ny fanetren-tena, ny fahononam-po, ny fifehezan-tena ary ny fitantanana ny tena ho amin’ny tsara. Io toetra io koa dia misy ny fahalalàna, fahendrena, tanjona ary fahaiza-manao - voafehy tsara sy ampivoarina amin'ny alàlan'ny safidy mahaleo tena.

11. Ny fitiavana ve no hany lehibe indrindra amin'ny toetran'Andriamanitra? 1Kor.13:1-8, 13. Nahoana? 1Jaona 4:16. Ahoana no ahafahantsika manana an'io fitiavan'Andriamanitra io? Rom.5:5.

FANAMARIHANA: Afaka manana ny fitiavan 'ny Ray isika raha manana ny Fanahiny ary mitandrina ny didiny, ary miezaka miaina araky ny fomba fiainany. Tsy misy afa-tsy fomba roa azo aleha : ny lalan'Andriamanitra, na ny Lalàn'Andriamanitra, izay nofintinina ao amin'ny Didy Folo, izay antsoina hoe ny lalana "manome"; ary ny lalana fanaovana fifaninana nataon'i Satana, dia ny fitiavam-bola sy ny fireharehana, izay antsoina hoe lalana "mandray". Io no lalana tsy fankatoavana an’Andriamanitra. Ny fijaliana rehetra, ny alahelo rehetra, ny tahotra, ny fahantrana ary ny fahafatesana - dia azo avy amin'ny fiainana araky ny lalana "mandray" izay an'i Satana, fa tsy miaina amin'ny Làlan'Andriamanitra "manome", izay lalana tokana mitondra ho amin'ny fiadanana, ny fahasambarana sy ny fifaliana.

               Ny ampahatelon'ny anjely dia tsy nahavita nampitombo ny toetra araka an'Andriamanitra izay afaka niantoka ho azy ireo ny fiadanana sy ny fahasambarana mandrakizay. Nino izy ireo fa ny lalan'i Satana "mandray" dia tsara kokoa noho ny lalan'Andriamanitra "manome", ary noho izany dia namorona toetra ratsy izy ireo. Ilay Losifera mpiodina dia tsy mendrika hanjaka amin'ny tany intsony. Misy olona tsy maintsy mendrika hisolo azy. Ka dia namorona an'i Adama Andriamanitra ka nanome azy fahafahana hamorona toetra araka an'Andriamanitra izay takian'ny fitondrana marina. Saingy tsy nahomby i Adama. Ka ny taranak’i Adama - ny olombelona rehetra - dia teraka tao amin'ny tontolon'i Satana, misy fifaninanana, fifandirana sy herisetra, ary navela nandika ny Lalàn'Andriamanitra. Navelan'Andriamanitra hanao izany izy noho ny tanjony lehibe. Tiany hianatra ny olona, amin'ny alalàn'ny traikefa, ary ny fanandramana dia mila fotoana; fa ny lalan'i Satana "mandray", izay tsy fankatoavana ny Lalàn'Andriamanitra ara-panahy, dia tsy miteraka afa-tsy fahantrana, fahoriana, aretim-po ary fahafatesana.

               Ireo izay nantsoin'Andriamanitra sy nifidy an-tsitrapo handà sy hanohitra ny lalan'i Satana sy hanana fiainana mankatoa an'Andriamanitra, dia mampitombo ao aminy ny toetran'Andriamanitra masina sy marina ary tonga lafatra. Noho izany dia mendrika ny hitantana sy hiara-manjaka amin'i Jesosy Kristy, ilay Adama faharoa, izay HISOLO an'i Satana, sy hitondra an'izao tontolo izao amin'ny fiverenany tsy ho ela mba HANAVAO ny Fanjakan'Andriamanitra manerana izao tontolo izao!


Mamorona ny sangan’asany Andriamanitra ankehitriny!

               Inona no zavaboary manan-danja indrindra izay noforonin’Andriamanitra? Ny Anjely ve? Moa ve ny lanitra sy ny tany- ny Onivera manontolo ve? Sa ve ny olombelona voalohany? Tsy ireo mihitsy!

               Ny fara tampon’ny asa famoronan'Andriamanitra dia ny famoronany ny toetrany tena tonga lafatra sy masina ary marina ao anatin'ny olombelona noforoniny! Saingy izany dia zavatra izay, na dia Andriamanitra manana ny heriny lehibe indrindra aza, dia tsy afaka hataon’ny tenany samirery amin'ny alàlan'ny sitrapony na ny baikony! Eny, misy zavatra izay tsy hain'Andriamanitra samirery hatao.

            Ny Mpanjaka Davida dia nieritreritra momba ny tanjon'Andriamanitra ho an'ny olombelona: " Raha jereko ny lanitrao, izay asan'ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao" –izay lehibe, midadasika ny habeny sy ny halavirany - ny asa noforonin'Andriamanitra. Dia nanontany i Davida hoe: "Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy?" (Salamo 8:3-4.) Na dia olona iray hetsy aza, izay tafavory ao amin'ny kianja lehibe iray, dia toy ny vitsika kely tsy dia misy dikany raha jerena avy any amin'ny kilometatra an'arivony maro avy any ambony. Eny, nahoana Andriamanitra no tokony hahatsiaro ny olona tsy misy dikany? Ao amin'ny Hebreo toko faha-2, ity salamo ity dia voatonona, ary ao ny Tenin'Andriamanitra dia manambara fa ao amin'ny olombelona Andriamanitra dia nanapa-kevitra ny hamita ny fara tampony amin'ny fahalavorariana amin'ny voary rehetra! Ny famoronana ny toetran'Andriamanitra ara-panahy, lavorary sy marina, ao amin'ny olombelona no tanjona lehiben'Andriamanitra - Ny tanjona farany ho an'ny olombelona! Na izany aza, tsy afaka manao izany samirery Andriamanitra - amin'ny alalany samirery. Ny olombelona dia tsy maintsy manana ny anjara toerany amin'ity sangan'asa ambony indrindra amin'ny voary rehetra ity. Ny famoronana toetra ao amin’ny olona tsirairay dia mitaky ny fisian'ny saina ao anatin'ireny olona ireny - ny fahaizana misaina sy mandray fanapahan-kevitra.

            Amin'ny zavamananaina sy ny zavaboary noforonin'Andriamanitra, roa ihany no manana izany fahafahana izany, dia ny anjely sy ny olombelona. Araka izany, ao amin'ny anjely sy ny olombelona ihany no ahitana ny toetra ara-panahy tonga lafatra an’Andriamanitra. Ny toetra ara-panahy tonga lafatra dia ny fahafahan'ny olona iray noforonina, izay misy saina ary manana safidy malalaka, ho tonga amin'ny fahalalana ny tsara (fomban’Andriamanitra "manome") ho fanoherana ny fomba dison'i Satana ("mandray"), hanapa-kevitra sy hanao ny tsara, na dia manohitra ny faniriana na ny fironana hanao ny tsy mety aza izany, ary amin'ny farany dia mandresy ny fironana mankany amin'ny ratsy mandra-pahatongan’ny tsara ho lasa fahazarana maharitra na fomba sy toetran'ilay olona iray.

               Eritrereto izao: Tamin'ny famoronana ny anjely tany am-boalohany, dia tsy azon’Andriamanitra natao ny nanangana na namorona io toetra io tao amin'izy ireo tamin'ny sitrapon'Andriamanitra. Satria izany dia hahatonga azy ireo ho lasa “robot” na milina fotsiny - tsy ho toetrany izany. Noho izany, ny famoronana ny anjely dia tsy ho vita – tanteraka - mandra-pahatongan'ny toetrany, na marina na ratsy, ho niforona sy niditra tao anatin'izy ireo tamin'ny alalan'ny fanapahan-keviny sy ny sitrapony manokana.

               Taorian'ny nikomian'i Losifera sy ny ampahatelon'ny anjely, dia vita ny famoronana ireo anjely ireo - namorona toetra ratsy tao anatin’ny tenany izy ireo!

               Vantany vao nandray ny làlana nivilianyizy ireo, dia vita ny famoronana azy ireo. Ary satria fanahy tsy mety maty izy ireo, dia tsy afaka miova mihitsy.

Ny toetran'Andriamanitra Ray sy Kristy Zanaka miaraka, izay tsy vitan'i Losifera sy iray am-pahatelon'ny anjely no nampitombo azy, dia ny fahamasinana ara-panahy, ny fahamarinana ary ny fahalavorariana tanteraka - ny lalan'ny lalàn'Andriamanitra. Tsy hanota na handika ny Lalàny mihitsy Andriamanitra. Ary Izy izao dia eo am-pamoronana io toetra araka an 'Andriamanitra io ao amin' ny fanahin’ireo Kristiana notorontoronina izay, amin’ny safidinyihany sy ny fanampian 'ny Fanahy Masina, miaina ny fomba fiainany marina!

Ireo lesona efatra teo aloha an'ny “Ambassador College Bible Correspondence Course” dia manambara ny lalana sy ny fomba izay namoronan'Andriamanitra ny toetrany tonga lafatra sy tsy misy ota ao amin'ireo nantsoiny.

(Ho hitanao fa mahasoa ny famerenana ireo lesona ireo rehefa vita ny lesona.) Ny lesona faha-9 dia mampiseho fa ireo izay namorona toetra ratsy tamin'ny fahotana (ary ny rehetra, afa-tsy i Kristy dia samy nanota - Rom.3:23), dia tsy maintsy mibebaka aloha satria nandika ny lalàn'Andriamanitra masina sy marina. Avy eo dia tsy maintsy atao batisa izy ireo "ho famelan-keloka" (Asa 2:38), araka ny nohazavain'ny lesona faha-10.

Manaraka izany, ny Tenin'Andriamanitra dia mampanantena fa ireo izay mibebaka amin'ny fahotany sy atao batisa dia handray ny fanomezana ny Fanahy Masina avy amin'Andriamanitra, manome ny hery ara-panahy sy ny fahatakarana ilaina amin'ny fampandrosoana ny toetra marina. Ny lesona faha-11 dia mirakitra amin'ny antsipiriany io lohahevitra io.

Ny lesona faha-12 dia mampiseho hoe ny Kristiana, izay notorontoronin’ny Fanahin'Andriamanitra, dia tokony hivoatra sy hitombo amin'ny toetran'Andriamanitra masina sy marina. Ny fitomboan'ny toetra ara-panahy dia vokatry ny fanarahana ny fomba fiainan'Andriamanitra araka izay ambara ao amin'ny Baiboly. Ny lesona faha-12 dia manazava hoe inona ny lalan'Andriamanitra - ny fomba fiainan’ny Kristiana - dia ny rehetra.
               Farany, amin'ny fitsanganana ho any amin'ny fiainana mandrakizay, amin’ny fiverenan’i Jesosy Kristy, dia ho vita ny sangan’asa amin'ny famoronan'Andriamanitra! Ireo izay nantsoin'Andriamanitra sy nisafidy an-tsitrapo hiasa miaraka amin'ilay Mpamorona azy amin'ny famitana ny famoronana ny sangan’asany , dia ho “asa vita tanteraka” noforonina araky ny endrika ara-panahin'Andriamanitra ary manana ny toetrany lavorary sy marina ary masina, mpikambana manjaka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra.

 


No comments:

Post a Comment