Nahoana no Ianarana ny Baiboly?

  AMBASADAORO KOLEJY - TOKO 1

NAHOANA NO IANARANA NY BAIBOLY?

            Nahoana isika no tokony hanam-paniriana HIANATRA Baiboly? Mbola andron’ny Baiboly ve izao vanim-potoana fankanesana any amin'ny "habakabaka" izao? Tokony adidy tsy maintsy hataontsika ve izany, noho ny fatahorana Andriamanitra masiaka? Inona marina ny Baiboly, ary ahoana no tokony hianarana azy mba hahatakarana azy marina? Manome valiny anao ity lesona ity.

 
            Nahoana no be dia be ny fiainana foana sy mihatra amin'ny olona sosotra sy fadiranovana? Ahoana no fomba hahatonga ny fiainana ho sambatra, mahomby, miroborobo ary mahaliana? Inona ny tena antony mahatonga ny ady? Inona no LALANA mankany amin'ny fiadanan'izao tontolo izao? Inona no misy aorian'ny fahafatesana? Misy lalana iray mitondra any amin'ny fiainana mandrakizay ve?
Ny fototry ny fahalalana
            Andriamanitra, ilay Tsitoha, dia tsy nanafina ireo fahamarinana lehibe indrindra ireo tamin'ny sain'ny olombelona. Nataony mety ho azon’ny zanak'olombelona ireo. NATAONY AN-TSORATRA NY ZAVA-TSAROBIDIN'ny fahalalana fototra. Nambarany tao amin'ny Baiboly Masina izany, izay FOTOTRY NY FAHALALANA REHETRA, izay boky misy ny torolalana natokany ho an'ny olombelona. Kanefa, saiky tsy nisy nahita ny valiny nomeny mazava ao.
            Ny Baiboly dia fanambarana avy amin'Andriamanitra misy ny FAHALALANA FOTOTRA SY ILAINA izay tsy ho hitan'ny olombelona raha tsy ao ihany.
            Nanome fahefana sy fahaizana ny olombelona Andriamanitra hahafahany mamantatra sy mampiasa ny lalànan'ny siansa. Na izany aza, tsy misy fitaovana na fiasana ara-tsiansa afaka maneho amintsika fa misy fiainana aorian'ny fahafatesana na hoe inona ny TANJON'ny fisiantsika; tsy misy na inona na inona afaka manambara amintsika ny LÀLANA izay mitondra amin'ny fiainam-pifaliana, miroborobo ary amin’ny fiadanan'ny tontolo. Ny manam-pahaizana sy ny mpitondra izao tontolo izao tsy nahavita nanome ireo valiny ireo; tsy nahavita ny nitondra antsika ho amin'ny fandriampahalemana tian'ny tontolo izy ireo, miaraka amin'ny fahasambarana sy ny fanambinana.
            Ny Baiboly dia manambara izany rehetra izany amintsika - sy zavara maro hafa. Ity fampianarana ara-Baiboly ity dia maneho amintsika ny toerana hahitana izany fahalalana izay hambara ao amin'ny FOTOTRY ny fahalalana rehetra.
Boky velona
            Nahoana ny ankamaroan'ny olona no mieritreritra fa ny fandalinana ny Baiboly dia raharaha tsy mamokatra, manahirana ary mahasorena, izay tokony hatao - raha ohatra misy izany - amin'ny maha-adidy azy fotsiny, noho ny fahatahorana an’Andriamanitra lozabe. Satria fotsiny tsy mbola mahalala an'Andriamanitra ny olona, na mitovy amin’ny inona Izy, ary satria mbola tsy tena nanomboka nianatra mba hahazo ny Baiboly izy ireo.
            Amin'ity fandinihana ity, ho hitantsika fa Andriamanitra dia FITIAVANA (1 Jaona 4:8, 16), fa tsy Andriamanitra masiaka sy lozabe; fa tiany ho sambatra sy hankafy fiainana mahaliana isika tsirairay avy. Rehefa manomboka mahazo ny Baiboly isika, dia ho hitantsika fa io no fianarana tena mampientanentana, tena mahaliana, tena mahasoa ary tena mahafinaritra misy eto amin'ny fiainana.
Amin’inona no hanombohana?
            Afaka atomboka hatramin’ny voalohany - miaraka amin'Andriamanitra Mpamorona - ao amin'ny toko voalohany amin'ny Genesisy. Ny fomba voajanahary dia ny mampitaha ny tantara ao amin'ny Baiboly momba ny Famoronana amin'ny teoria môderina momba ny evolisiona; mandinika ny famoronana ny olona, ny niandohan'i Satana, ny ota tany am-boalohany, ary avy eo, dia hitohy manerana ny Testamenta Taloha.
            Nyfomba fanombohana voajanahary iray hafa koa dia atomboka any amin’ny Testamenta Vaovao. Raha ny teny voalohany fiandohan'ny Baiboly dia hoe : "Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany" (Gen. 1: 1), ny tena fiandohan'ny Testamenta Vaovao, araka ny filaharan'ireo zava-niseho ara-tantara, dia hita ao amin'ny Jaona 1: 1: "Tamin'ny voalohany ny teny". Araka izany, ny fitantarana ny fisian’I Jesosy Kristy taloha, ny fahaterahany ary ny asany, Izy izay antsoina hoe "Ny Teny" na "ny Irak’Andriamanitra" dia manomboka amin'ireo teny ireo ihany koa hoe: "Tamin'ny voalohany".
            Mbola misy fomba fanombohana voajanahary iray hafa koa: io no noraisinay. Manomboka amin'ny vaninandrontsika izao izany, izay ahitana ny toe-javatra manerantany mikorontana, ary izao tontolo izao dia toa mivadika tampoka ka mitroatra misy endrika herisetra. Tena miaina tokoa isika amin'ny fotoana izay ahitana ny fikarohana siantifika sy ny fandrosoana ara-teknolojika namokatra hery mpanimba izay mandrahona ny handringana ny fiainana rehetra eto amin'ity planeta ity, amin'ny "FOTOANA FARANY", alohan'ny FARAN'ity vanim-potoana ity sy ny fiavian'i Jesosy Kristy fanindroany.
            Raha manandrana mamantatra ny sarintanin'izao tontolo izao ianao, dia tsy hisy dikany aminao loatra izany, raha tsy hoe fantatrao tsara ny toerana misy anao amin'izao fotoana izao. Amin'izay vao ho afaka hahita sy hahazo mazava ianao, amin'io sarintany io, ny toeran’ny tontolo hafa raha miainga amin'ny toerana misy anao.
            Mihevitra izahay fa hahafantatra tsara kokoa ny Baiboly ianao ary hahita fa mahaliana izy raha dinihinao manontolo - ny tantarany sy ny faminaniany, ny fampianarany sy ny fanambaran’Andriamanitra - raha ampitahaina amin'ny fiainanao ankehitriny.
            Ho mazava aminao kokoa ny Baiboly, rehefa azonao ny fomba nahatonga an'ity tontolo ity ity amin’ny toetrany ankehitriny, sy ny toerana halehany...
            Saingy alohan'ny hanombohantsika ity fandalinana mampientanentana ity, dia mila fantarintsika ny antony maha vitsy ny olona mahatakatra marina ny Baiboly.
            Nahoana no misy fisafotofotoana manjaka toy izany, no misy tsy fifanarahana toy izany momba izay ambaran'ny Baiboly? Nahoana ireo antokom-pivavahana an-jatony sy sekta samihafa ara-pivavahana izay misy ankehitriny no tsy mifanaraka momba izay lazain'ny boky izay ekeny? Nahoana ny olona maro izay afaka mahazo ny boky hafa no milaza hoe: "tsy azoko fotsiny izao ny Baiboly"?
            Raiso ohatra ohatra ny boky manam-pahefana momba ny biolojia. Asehoy amin'ny mpampianatra biolojia folo avy amin'ny faculté folo sy oniversite samihafa. Anontanio azy ireo izay lazainy. Izy rehetra ireo dia hanome anao ny valiny mitovy. Raha ny marina, ny olona dia mitovy hevitra matetika amin'izay lazain'ny boky manam-pahefana, fa tsy izany kosa raha momba ny Boky iray ambonin’ny boky REHETRA: ny BAIBOLY MASINA.
            Raha mandeha mitady teolojiana na ministra folo samihafa ianao, ary manontany ny hevitr'izy ireo momba ity boky ity, dia hahazo valiny folo samihafa.
            Fantatrao ve ny antony?
            Tsy isalasalana fa io ny ankamantatra izay nahavery hevitra ny olona tamin'ny fotoana rehetra. Ny Boky lehibe indrindra, fa tsy azo tsara indrindra noho ny hafa, io no boky tena be mpividy indrindra eto an-tany; io izay no ananan’ny olona bebe kokoa noho ny boky hafa rehetra. Izy no hany lahatsoratra tranainy izay mbola velona na dia maro aza ny ezaka rehetra natao nandritry ny vanim-potoana maro hanapotehana azy.
            Ny Baiboly ihany no boky tokana nanambara mialoha, taonjato maro tany aloha, ny toe-javatra mikorontana sy ny fanahiana amn’ny androntsika; io ihany no boky izay manazava ny dikan'ny fisafotofotoan’ny tontolo ankehitriny ; izy hany no ahafahantsika mahatakatra mialoha ny tontolon'ny ahampitso izay tena mahafinaritra, milamina ary sambatra. Izy irery no Boky izay efa nanambara mialoha ny fisandratana sy ny fahalavoan'ny firenena sy ny governemanta efa voafaritra ; izy ihany no manambara ny ho avin'izao tontolo izao. Tsy nisy asa-soratry ny olombelona nahazo aingam-panahy afaka nanambara zavatra toy izany...
            Ity boky ity, na dia eo aza ny hevi-dison'ny olombelona, dia niova fiainana bebe kokoa noho ny hafa rehetra mitambatra. Ary anefa, io boky dia saiky tsy misy mahafantatra.

            Inona moa ny olombelona? Moa ve isika napetraka eto an-tany ho amin’ny TANJONA manokana? Raha eny, inona izany tanjona izany?

Tena zava-dehibe ireo fanontaniana fototra ireo. Mety hisy hanontany hoe "Misy zavatra HAFA lehibe kokoa noho izany ve?" Fa IZA no hifandraisanao hahazoanao ny valiny? Aiza no halehanao ?

            Mieritrereta kely! Moa ve misy Mpamorona iray izay manana faharanitan-tsaina, fahendrena ary fitiavana ambony indrindra mba hikaroka hevitra, hanomana, hanamboatra ny zavaboary rehetra ary ho mpamorona izany - ny tanintsika, ary koa ny fiainana rehetra sy ny zavaboary manan’aina rehetra izay misy ao – moa ve hamela ireo olona noforoniny ireo tsy hahafantatra ny fikasany ve Izy? Moa ve ho nafeniny amintsika ny ANTONY nahatonga antsika tety sy ny lalàna izay mitondra antsika amin’ny FIADANANA, FAHASAMBARANA, FIFALIANA, raha tsorina, amin’ny TSARA rehetra?

            Mino izahay fa ny Baiboly dia hisy dikany bebe kokoa ho anao raha azonao tsara ny fifandraisana lehibe misy aminy sy amin'ny FIAINANAO ankehitriny, ny fifandraisany mivantana amin'ireo TRANGA MANERANTANY AMIN'IZAO FOTOANA IZAO.

 

Nahoana no misy fifanjevoana toy izany?

 « . »

 

Fa maninona no tsy azony ny Baiboly?

            Ny Baiboly no boky faran'izay tsy azon’ny olona indrindra nandritry ny taona maro. Izy io no asa-soratra izay tena nosimbaina indrindra, novaina, nodisoina, naratsiana, ary nanaovana lainga be indrindra.

          NAHOANA?

            Ao amin'ny 2Timoty 3: 16-17 no ahitantsika ny valiny hoe: "Izay Soratra rehetra" - ary tsy ireo andininy na ampahany vitsivitsy amin'ny fehezan-teny tiana hampiharina ihany mba hifanaraka sy hamaly ny faniriantsika, fa ny SORATRA MASINA REHETRA dia " nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra ". Izany dia MARINA TOKOA. Izany " dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra tsara [mba hahatratra ny fivoarany, dikan-teny Synodaly], ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra"

            Noho izany, ny Soratra Masina dia ilaina ho enti-mandresy lahatra ary hanitsy antsika.

            Nefa firy ny olona fantatrao vonona ny ho resy lahatra rehefa tsy mety ny ataony, ary vonona hahitsy rehefa manao ny ratsy? Ny olona dia tsy te ho resy lahatra fa diso ny nataony, ary tsy te-hahitsy. Aleon'izy ireo ny dera sy ny doka; Halany ny fananarana sy ny fanitsiana azy ireo.
            Hitanao amin’izao ve ny antony maha-tena sarotra ho azy ireo ny mahatakatra ny Baiboly na manaiky ny teniny? Ny Baiboly no fitaratra ara-panahy lehibe an'Andriamanitra. Maneho antsika ny tsy fahatomomban'ny fomba fisainantsika izy ary manambara amintsika ny loto faran’izay kely amin’ny toetrantsika. Maneho amintsika izy hoe iza MARINA isika, toy ny fahitan’Andriamanitra antsika, fa tsy hoe araky ny tiantsika HIHEVERANA antsika, na araky ny aniriantsika ny hahitan’ny hafa antsika.

          Izao no vakintsika ao amin'ny Hebreo 4:12: " Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra [manapaka, tena lalina tokoa] noho ny sabatra roa lela… ka mahay mamantatra [mitsara, manavaka] ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo". Eny, manambara sy maneho ny eritreritrao miafina indrindra izy.

          Rehefa tsy mankatò ny zanakao, matetika ve izy no miaiky izany an-kalalahana sy amin'ny fomba marina? Moa ve, araky ny mahazatra, tsy mandà izany ireo raha mbola azony hatao? Moa ve izy ireo tsy manarona izany, mitady fialan-tsiny, MANAMARINA izany na manjera ny hadisoany amin’ny olon-kafa?

            Isika rehetra dia ankizy kely izay niha-lehibe. Rehefa miresaka amintsika amin'ny alàlan'ny Soratra Masiny ny Raintsika any an-danitra, rehefa mandresy lahatra antsika Izy amin’ny heloka ataontsika, rehefa manitsy sy manome toromarika antsika Izy, matetika dia TSY TE HIAIKY ny fahadisoana sy ny heloka ary ny lalan-dratsy nataontsika isika.
            Noho izany, nandritry ny taonjato maro, dia nanohy NIVAOFY ny Baiboly ny olona. Vokatr'izany, ny Tenin'Andriamanitra dia nosimbaina, nodisoina, novàna toetra, novana endrika ary navadika ny dikany; Te hamaky ao ny dikany diso sy sandoka izay azony eritreretina izy. Raha tokony hampianatra sy hanazava amin'ny an-tsipiriany ny dikany mazava sy tsotra, izay nokendrena izy, dia misy FANDIKAN’NY OLOMBELONA ny Baiboly an-jatony ankehitriny.
            Raha tokony hamantatra ny marina ny olona, dia mikatsaka ny hanamarinana ny fahatokisana ny asany manokana amin'ny alàlan'ny fanodinkodinana ny tenin’ Andriamanitra masina sy mendrika hohajaina.

          Noho ny tsindrimandrin'Andriamanitra, ny Apostoly Paoly dia nanoratra, tao amin'ny 2Tim. 4: 1-4, « Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema ». Ankehitriny, ny olona dia nitodi-damosina ny fahamarinana ary nitodika tamin'ny ANGANO izay asaina ekeny ho toy ny fanehoana ny fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra. Naminany i Isaia fa amin’ny andro farany, dia hangataka ny olona hoe: "Aza maminany zavatra marina aminay: Manaova vava malefaka aminay, maminania fitaka"(Isaia 30: 8-10).

 

            Hitantsika mazava tsara hoe maninona ny olona no tsy mahazo ny Baiboly. .. Tsy manaiky ny sitrapon'I Jehovah izy ireo; feno tahotra ny OLONA izy ireo fa tsy ny tahotra an'Andriamanitra. Mangovitra izy ireo nieritreritra ny zavatra lazain'ny hafa, fa tsy amin’izay ambaran’ny TENIN’ANDRIAMANITRA VELONA.

" Mahatoky avokoa ny didiny rehetra [an’Andriamanitra]; Mitoetra mafy mandrakizay doria ireny, Fa natao tamin'ny fahamarinana sy ny fahitsiana. Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan'izay rehetra mankatò izany [ireo izay mitandrina ny lalàny dia tena hendry - dikan-teny Synodaly]; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy» (Sal. 111: 7-8,10).

          Hoy i Davida hoe: "Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao" (Sal. 119:105).

 

          Ny taranaka ankehitriny dia tahaka ny tamin'ny andron'i Jesosy, izay nilazany hoe: " « Ary izao no fanamelohana, fa tonga amin'izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon'ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany.”(Jaona 3:19).

Eny, jiro ny Baiboly, jiro eo an-tongotr’isika, jiro eny amin’ny lalantsika. Ity tontolo ity dia tsy isalasalana fa tafalentika ao amin'ny haizina...

Voaisy tombo-kase ny dikany hatramin’izao andro izao

          Taorian'ny nanambarany faminaniana maro tamin'i Daniela, dia hoy Andriamanitra taminy: " « Ary ianao, ry Daniela, dia ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-pihavin'ny andro farany; maro no hazoto mandinika, ka hitombo ny fahalalana" (Daniel 12: 4). Ny fahalalana ny Baiboly, toy ny fahalalana hafa rehetra, dia tsy maintsy HITOMBO amin'ny " andro farany".

          Ny dikan-teny sasany dia mandika ny "andro farany" hoe "krizy amin'ny andro farany". Efa manakaiky ny korontana tsy ifankahitana tanteraka izao tontolo izao; miditra amin'ny krizy isika amin'ny faran'ity fiainana ity. Andriamanitra dia nilaza fa "…tsy hisy amin'ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no hahafantatra" (Dan 12: 10).

          Na dia marobe aza ny Tenin’Andriamanitra vita printy nozaraina ankehitriny, dia TSY AZON’NY OLONA FOANA ny Baiboly. Ny tontolo dia latsaka ao amin’ny fisafotofotoana tena mandifotra azy, ara-pivavahana, ara-politika, ara-tafika.Tsy fantatry ny tontolo intsony izay halehany; Tsy azony koa izay nihaviany. Mbola tsy nila ny fahalalàna an’Andriamanitra toy izao ny olona.

Tsy mbola nilaina tahaka izao ny tenin’Andriamanitra

 

            Ireo mahay dia milaza amintsika fa tao anatin'ny folo taona lasa, dia nitombo AVO ROA HENY ny fahalalana ara-tsiansa sy teknika, saingy nitombo toy izany koa ny olana eto amin'ny tontolo. Nahoana? Miharihary fa ny fahalalana materialy, ary koa ny fahalalana ara-tsiansa sy teknolojia efa azo, dia tsy nanome vaha-olana ho an'ny tontolo. Ny fahalalana toy izany ihany no nahatonga ny fihanaky ny olana ; ny vokatr'ireny dia nitondra ny zanak'olombelona eo amoron’ny famongorana nokleary.
            Itompokolahy Filoham-pirenena Dwight D. Eisenhower dia nahafantapantatra ny ho avy, ka nanambara nandritry ny kabariny, raha nandray ny toerany fa: «Eo anivon'ny zava-miseho lehibe izay avy faingana loatra, dia hitantsika fa miapanapana isika mba hahafantarana ny tena dikan'ny androntsika ... Ohatrinona ny halavirana vitantsika nandritr’izay nandehanan’ny zanak’olombelona tao amin’ny haizina hankany amin’ny mazava izay? Toa vonona hanome antsika, ho FANOMEZANA farany, hery HANDRIPAHANA ny ain'ny olombelona eto an-tany ny siansa." (Izahay no nanipika mandritra ity lesona ity)
            Ny biolojista frantsay iray, Jean Rostand, dia naneho mavitrika ny "ahiahiny" manokana momba ny ho avin'ny zanak'olombelona. "Ny siansa," hoy izy, "dia hiantraika amin'ny toetran'ny olona, amin’ny tarazo, amin’ny fihetseham-po, amin’ny tsiahy ... Hanao zavatra maro ny siansa, nefa TSY HITONDRA FAHASAMBARANA."
            Dia nanazava kosa i Albert Einstein fa "ny siansa dia tsy manolotra fiarovan-tena amin'ny fitaovam-piadiana izay mety hanapotika ny sivilizasiona".
            Ahoana anefa no hisorohana ny loza manerantany? Inona no vahaolana amin'ny hazakazaka ho amin’ny fitaovam-piadiana, ary ahoana ny fomba hisorohana ny "Hara-magedona" nokleary?

 

            Tamin'ny faran'ny Ady Lehibe Faharoa, ny Jeneraly Douglas MacArthur dia naminany ny vahaolana tokana azo atao. Nilaza izao teny voafaritry ny vintana izao izy: "Ny zanak'olombelona, hatramin'ny elabe taloha, dia nitady fandriam-pahalemana hatrany. Nandritry ny taona maro, dia niezaka nitady fomba isan-karazany mba hamolavola fomba iraisam-pirenena hisorohana na handaminana ny fifandirana eo amin'ny samy firenena ... Ny firaisankina ara-miaramila, ny fifandanjana eo amin'ny fanjakana mahefa, ny Fikambanana iraisam-pirenena, dia samy nifarana tamin'ny tsy fahombiazana tanteraka. Ny vokatr’izany, ny tontolo dia nila fitaovam-piadiana, izay toa hany fomba hamahana ny fifandirana eo amin'ny samy firenena. Fa ankehitriny kosa, ny fandravana tanteraka ateraky ny ady dia manafoana io safidy io. Ankehitriny dia manam-bitana farany isika.
            "Raha tsy vonona ny hahita rafitra mirindra sy tsara kokoa isika, dia ho eo am-baravarana ny Hara-magedona. Ny tena olana dia mifototra amin’ny teolojia; midika izany fa misy ny firoboroboana ara-panahy, izay miaraka amin'ny fanatsarana ny toetran'ny olombelona, miaraka amin'ny fandrosoana tsy manam-paharoa natao eo amin'ny sehatry ny siansa, ny zavakanto sy ny literatiora, ary koa ny fandrosoana materialy sy ara-kolontsaina voarakitra nandritry ny taonarivo roa farany. Izany fanovana izany dia tsy maintsy fanovana ny SAINA, raha te-hamonjy ny nofo isika" (Reminiscences, p. 459).

          Azafady mba mariho tsara ireo teny miavaka ireo!

          Na dia iray amin'ireo jeneraly môderina lehibe indrindra aza izy, ary iray amin'ireo nahazo fandresena betsaka indrindra, dia nino i MacArthur fa ity no fanantenana farany ho an'izao tontolo izao. Fantany fa ny tsy fahombiazana amin'ity sehatra ity dia hiteraka famongorana ny olombelona. Fa izy koa dia nahita ny vahaolana tokana amin'ny loza mihatra amin'izao tontolo izao, dia ny fanavaozana ny fanahin'ny olona, ny fanatsarana ny toetran'ny olombelona.

            Aoka isika ho marina amin'ny tenantsika ary aoka hahay hiatrika ny zava-misy: .. Misy ANTONY mahatonga ny tranga tsirairay. Satria ny olombelona dia nisafidy ny hanao araka izay sitrapony, ary nolaviny ny fahalalana nampahafantarin’Andriamanitra, ny olombelona dia mijinja ny VOKATR’IZANY ankehitriny. Ny fomban'ny olombelona mihitsy no ANTONY mahatonga ny fahantrana, ny fahoriana ary ny olana manjo ny tontolo ankehitriny. Ny olombelona dia tafasaraka amin'Andriamanitra, ary ny fahaizany ara-tsiansa sy teknolojia diso lalana dia nitarika azy ho eo an-dalam-pamongorana ny tenany.

          Noho izany, ny fototry ny olana dia ara-teolojia. Nanambara ao amin'ny Teniny Andriamanitra hoe: "Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian'ny fahalalana [marina, ara-panahy]" (Hosea 4: 6).

Fanantenana tokana

            Ny olona dia mirona amin'ny finoan-diso fa tsy misy loza manokana amin'izao fotoana izao, ary ny tontolo dia mikorontana foana toy ny ankehitriny.

            Ekena aloha fa raha ny marina, ny toetran'ny olombelona dia mijanona ho mitovy foana. Ny fomba fanaon'ny olona araky ny nofo dia niteraka fahafatesana sy fandringanana foana (Ohab. 14:12).

          Raha naminany momba ny androntsika ny Apostoly Pao1y dia nanambara hoe: "Fa ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa ..." (II Tim 3:13). Io fanambarana io, miaraka amin'ny zava-misy mahatsiravina fa mandraka androany, farafaharatsiny, tsy mety hisy izany fandringanana ny zanak'olombelona, dia tokony hanaitra antsika!

          Jesosy Kristy, ilay mpitsikera vaovao lehibe indrindra izay niaina, dia nahafantatra ny toe-piainana mampalahelo iafaran’ny olona, ary ho lolohavin'izy ireo amin'izao vanim-potoan’ny andro farany izao. Naminany izy hoe: " « Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena [velona] »(Mat.24: 22).

          Ny Baiboly dia mampiseho fa misy fanantenana ho an’ny olombelona! Ilay Andriamanitra Mahery Indrindra dia nampanantena fa hanampy amin'ny raharahan'ity tontolo ity. TSY hamela ny fahaizana ara-tsiansan’ny olombelona hanafoana ny aina rehetra eto amin'ity tany ity Izy. Nampanantena Izy fa handefa an'i Jesosy Kristy indray, mba HAMONJY antsika amin'ny tenantsika amin’izao, ary hitondra fiadanana amin'ny farany.

Afaka manomboka mahatakatra ianao

          Ahoana anefa no hanombohanao hahazo marina ny Baiboly?

            Ity misy fomba ahafahanao manomboka an'ity zavatra mahagaga sy mahafinaritra tonga aminao ity.

          Ianaro ny Baiboly hahitana ny MARINA. Dia minoa Andriamanitra, minoa ny Teniny; ekeo izany amin'ny fomba voajanahary sy tsotra, toa ny hanekenao boky hafa izay itokisanao. Mba malina anefa: fadio ny mamarana maimaika loatra na mandray zavatra tsy am-piheverana fa hoe mandeha ho azy. Tandremo ary " fantaro ny zavatra rehetra" (1 Tes 5:21).

          Alohan'ny zava-drehetra, dia aza manandrana mivaofy ny Baiboly; aza mandray ny fandikan-tenin’ny hafa. Tadidio tsara fa ny Baiboly dia mandika NY TENANY.

          Rehefa tonga tany Berea ny Apostoly Paoly, dia hitan'ny olona fa nitory zavatra HAFA noho ny nampianarina azy sy ny zavatra ninoany. Tsy fantatr'izy ireo na mpaminany sandoka i Paoly na olona nirahin'Andriamanitra. Mariho izay nataon'izy ireo: " « Ary ny toe-panahin'ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin'ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masinaisan'andro, na marina izany, na tsia"(Asa. 17:11).

          Halalino tsy hisy fiandaniana ny Baibolinao, fa miambena hatrany. DINIHO ny zava-drehetra toy ny nataon'ny tao Berea. Diniho ny Soratra Masinamba hahitanao raha marina ny zavatra nolazaina anao.

Alohan'ny hanombohanao

Tsy hoe mandalina fotsiny ireo fampianarana izay alefa ho anao akory ianao. Ny tanjon'ireo lesona dia ny hanoro anao ny toerana hitadiavanao andinin-tSoratra Masinaao amin'ny Baiboly izay mifandraika amin'ilay lohahevitra ianarana, ary ny hanangona azy ireo mba hahatakaranao azy ireo tanteraka. Noho izany, tsy maintsy manokatra ny Baiboly isaky ny mitady andinin-tSoratra Masinaizay omena ho valin'ny fanontaniana izay apetraka ianao, mamaky izany am-pitandremana sy mandalina ireo andalana ireo. (Ireo teny nalaina ao amin'ny taranja ataontsika dia matetika avy amin’ny Baiboly teny frantsay fantatra amin'ny anarana hoe Dr Segond, na ilay antsoina hoe Synodaly.)
            Tsy voatery manoratra andinin-teny raha hianatra Baiboly. Na izany aza, ao anatin'ny taona maro, dia nahita ny mpianatra maro fa ny fandikana ny valiny ary ny fitazonana azy ireo ao anaty kahie misy lesona tsirairay dia manampy azy ireo; Mety ho somary mandany fotoana kokoa ny mandika ireo andininy ao amin'ny Baiboly ireo, nefa ilaina izany ho fitadidiana ny nianaranao sy rehefa mamerin-desona ianao.
            Raha toa ka tsy te-hanaraka ity fomba fandalinana ity ianao, dia tokony hijery ireo andinin-tSoratra Masinaizay omena ho valin'ny fanontaniana napetraka ary hamaky izany. Amin'izay, hanaporofo amin’ny tenanao ianao ny fahamarinana ao amin'ny Baiboly ary ho azonao tsara ny foto-kevitra nodinihina.
            Maro tamin'ireo mpianatra no nanokana fotoana isan'andro hianarana. Eo koa, miankina amin'ny toe-javatra misy ny fotoana marina hianaranao, sy ny faharetan’ny fotoana laninao handinihana azy. Arak’ireo taratasy raisinay hatrany avy amin'ireo mpianatray, dia ho hitanao fa sarotra be ny manery ny tenanao hiala amin'ny fandalinana rehefa nirotsaka tao ianao.
            Ireto misy teny vitsivitsy momba ny fitsapana hita ao amin'ny pejy farany amin'ny lesona tsirairay. Ny fitsapana dia famerenan-desona ambangovangony ny fianarana izay nodinihinao nandritra ity lesona ity; izany dia fomba fampianarana hanampiana anao hitadidy ireo zava-dehibe sasany nianaranao, ary hitsapana ny fivoaranao manokana. Ny lesona tsirairay avy dia hisy fanadinana mitovy amin’io. Vantany vao nahavita ny fanadinana ianao, dia hamarino ny valin-teninao amin'ny fampitahana azy ireo amin'ny valiny marina nomena ao amin'ny pejy faha-11, ary hanome naoty ny tenanao ianao. Tsy sarotra akory izany! Aza alefa aty aminay ny naoty azonao isaky ny misy fitsapana, na ny valin'ny fanontaniana napetraka ao anatin'ny lesona. Ampirimo tsara ho anao manokana izany.

____________________________________

LESONA 1

Inona moa ny "faran'ny tontolo"?

1. Efa nisy nanontany an'i Jesosy Kristy momba ny "faran'izao tontolo izao" sy ny famantarana izay manambara fa akaiky ny fiaviany? Mat. 24: 3.
 
2. Inona no tena noresahin'ireo mpianatr'i Kristy rehefa nangataka antsipirihany momba ny "faran'izao tontolo izao" izy ireo?
FANAMARIHANA: Ny Testamenta Vaovao, araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina, dia nosoratana tamin'ny teny grika. Ny teny grika nadika hoe "izao tontolo izao" dia aion ao amin'ny Matio 24: 3, midika hoe "taona" fa tsy planeta fizika izay iainantsika.
Vokatr'izany, dia nasaina hamaly i Jesosy mikasika ny fiafaran'ny "vanim-potoana" sy ny daty niheveran'izy ireo hiverenany fa tsy ny fandringanana ny tontolo izay antsointsika hoe Tany.
Fotoam-pahoriana mafy
1. Naminany ve i Jesosy fa hisy fotoam-pahoriana lehibe eto an-tany eto aloha kelin'ny fiverenany? Mat. 24:21.
 
2. Inona no nolazain'i Jesosy fa hitranga raha hitohy ireo androm-pahoriana ireo? Mat. 24: 22.
FANAMARIHANA: ny Baiboly Synodaly dia mampahazava kokoa ity andininy ity: "tsy misy olona hovonjena [mbola hiaina]". Vokatr'izany, io andininy io dia tsy mifandraika amin'ny famonjena ara-panahy, fa ny fialana amin'ny fandringanana ara-nofo, izany hoe amin’ny fahafatesana alohan’ny fotoana.

 

3. Naminany ve i Jesosy fa ny mponin'i Jerosalema irery ihany no norahonana haringana tanteraka? Sa nambarany mazava fa tsy HISY OLONA ho voaro amin'ny fandrahonana amin’ny fandringanana ara-nofo? Andian-tsoratra mitovy.
 
4. Iza no hitsabaka amin'ny raharahan'izao tontolo izao mba hanafohy ity fotoam-pahoriana ity, ka hisorohana ny fandringanana ny olombelona rehetra? Marka 13:20.

FANAMARIHANA: Ireo andinin-tSoratra Masinaireo dia tsy midika hoe hanova ny fotoana efa nomaniny mba hiverenan'i Kristy Andriamanitra, fa ho toy ny nanomanany azy tany am-boalohany; hiditra an-tsehatra Izy amin'izay fotoana izay, raha tsy izany, ny olombelona dia eo an-dalam-pandringanana ny tenany. Noho ny fidirana an-tsehatra izay noheveriny, dia hohafoheziny ny faharetan'ny fanjakan'ny olombelona amin'ny olombelona, rah tsy izany, dia hitarika ny fanapotehana ny ain'olombelona rehetra izany.

Tsy misy vanim-potoana mitovy amin’ny antsika

1. Efa nisy fotoam-pahoriana tahaka ny hiseho alohan’ny hiverenan'i Kristy ve? Mat. 24:21; Marka 13:19.

 

2. Efa hitan'ny mpaminanin'ny Testamenta Taloha ve izany fotoana hisian’ny loza amin'ny tontolo izany? Jeremia 30: 7; Danie112: 1.
FANAMARIHANA: Koa satria ny tsirairay amin'ireo andininy efatra teo aloha dia manazava fa mbola tsy nisy hatrizay - ary tsy hisy INTSONY - vanim-potoana hitondrana krizy toy izany, ireo andininy ireo dia tsy mety hilaza afa-tsy vanim-potoana LEHIBE iray izay hisy loza fara tampony eto amin’izao rehetra izao.
 
3. Ahoana no namaritan'i Joela an'ohatra ny zavatra hiseho mahatsiravina hitranga amin'ny faran'ity vaninandro ity? Joela 2: 1-3. Mety mbola hisy fotoana toa izany ve? Andininy 2.
FANAMARIHANA: Ny faminaniana izay nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra tamin'i Joela dia mampiseho marina ny fotoana mahory mitovy amin’ilay novinanian'i Kristy, Jeremia ary Daniela. Ny andininy faha-2 dia maneho mazava fa tsy hisy vanim-potoana hafa amin'ny tantara izay azo ampitahaina amin'ity iray ity. Noho izany, io faminaniana io dia tsy maintsy mifandraika amin'ny tranga hiseho tsy ho ela amin'ny faran'ity vanim-potoana ity. Satria tokoa, amin'io vanim-potoana misy fitaovam-piadiana nokleary, simika sy bakteria izao no mety hahatonga ny fandringanana ny ain'olombelona be dia be.
 
4. Manondro ny fampijaliana sy ny vono olona faobe vokatry ny fampiasana fitaovam-piadiana môderina ve ireo sary an'ohatra hita ao amin'ny Apokalypsy 9: 2-10 sy 16-19 ?
FANAMARIHANA: miharihary fa namariparitra ny fitaovam-piadiana ankehitriny i Jaona, tamin'izy nahita azy ireo tamin'ny fahitana izay nalefan'Andriamanitra. Tsy maintsy nampiasa fiteny an'ohatra izy satria tsy mbola nahita taloha ny"tank", ny"raopilanina", ny "sambon-danitra", na "baomba hydrozena".
 
5. Diniho kely ny fotoana izay nidiran'Andriamanitra an-tsehatra teo amin'ny raharahan'olombelona – efa ho maherin'ny 4,300 taona lasa izay - mba hanemorana ny loza mandrahona ny tontolo ankehitriny. Naniry hanana anarana lehibe ho azy ve ny olombelona tamin’izany, ary hitazona ny tontolo ho tafaray eo ambany fahefan'olombelona? Genesisy 11: 4. Inona no nataon'Andriamanitra handrava ny planin'izy ireo? Genesisy 11:5, 7-9.

 

6. Moa ve ny andininy faha-6 ao amin'io toko io mampahafantatra mazava fa nanakorokoro ny fitenin'izy ireo Andriamanitra ary nampiely ny vahoakan'i Babela mba hihazonana ny fahaiza-manao feno hevi-dison'ny olombelona - ary HANAKANA azy tsy hanatanteraka izay ataony ankehitriny, satria mbola tsy sitrak'Andriamanitra hanao izany izy tamin’izany?


FANAMARIHANA: Ny andininy faha-7 dia manaporofo fa rehefa mianatra ny hiresaka amin’ny fiteny iombonana ny olombelona ary, amin'ny farany, hifampizara fahalalana ara-tsiansa tahaka ny ataony ankehitriny, dia mety ho tanteraky ny sain'ny olombelona izay rehetra eritreretiny, toy ny fandehanana eny amin’ny volana, ny famoronana fitaovam-piadiana afaka hamono ny aina rehetra.
Tsy misy mazava noho izany! Mahita ve ianao fa efa miaina amin'ny vanim-potoana notenenin'i Jesosy ao amin'ny Matio 24 - vanim-potoana izay ananan'ny olona FAHEFANA hahafahany mandringana ny miaina eto an-tany?
Ny antony mahatonga ny ady
            Mampanantena Andriamanitra fa hitsabaka amin'ny raharahan'ny tontolo mba hisorohana ny fandringanana ny zanak'olombelona ary hitondra antsika ho amin’ny fiadanana manerana ny tontolo. Saingy, raha tiantsika ny fiadanana, dia mila misoroka ny ady ho avy Izy ka hanovana izay ny FOTOTRY ny ady. Aoka ho azontsika ny momba izany.
FANAMARIHANA: Tsy misy isalasalana fa ny fieboeboana, ny fireharehana, ny fitsiriritana ary ny filan-dratsin’ny nofon’ny olona tsy niova fo sy ny firehana ara-nofo no tena anton’ny ady.
 
2. Moa ve mampitombo ny fieboeboana ny fahalalana? 1 Kor. 8:1. Satria miaina ao amin'ny vanim-potoana mampitombo haingana ny fahalalana ara-tsiansa isika - izay mahatonga ny olom-bitsy hanam-pahefana tsy hita pesimpesenina - ny fitsiriritana tafahoatran’ny olona ve mahatonga ho tsara sa RATSY KOKOA ny fiainany? 11 Tim. 3: 13.

 

1. Maneho mazava ve ny Baiboly fa ny tena fototry ny ady dia ny filàna sy ny fitsiriritan'ny olona? Jakoba 4: 1-2; Rom.3: 15-17.

 

3. Inona no vokatra farany amin'ny fihetsika sy fanapahan-kevitra izay toa tsara amin’ny mpitondra ambony sy amin’ny ankapoben’ny olona? Ohab. 14: 12.
FANAMARIHANA: Zava-dehibe io fitsipika io ka nasain'ny Fanahy Masin’Andriamanitra naverina ao amin'ny Ohab. 16:25.

 

4. Inona no mamitaka ny olona ka mahatonga voalohany ao an-tsainy fa ny fihetsika mitarika fahafatesana no hitondra fiadanana? Jer. 17: 9. (Tadidio fa ao amin'ny Soratra Masina, indrindra ao amin'ny Ohabolana, ny fo no ivo na toeran'ny eritreritra sy ny fihetseham-pon'olombelona.)
Amin'ity resaka ity, afaka fitahan’ny filany ve ny mpitondra, ka lasa mino fa ny asa ratsiny dia marina sy tsara ho an'ny tontolo? Andininy mitovy.
FANAMARIHANA: Ny governemanta eo amin'izao tontolo izao dia mampanantena FIADANANA, nefa mitarika ADY hatrany! Ny olona, noho ny fiezahany very maina hitondra fiadanana, dia mitarika an’izao tontolo izao eo amoron’ny famongorana.
 
5. Fantatry ny olombelona ve ny lalana mitondra amin'ny fiadanana? Rom. 3: 17. Inona no nasain’Andriamanitra nosoratan’Isaia momba ny tena fahalalan’ny olona ny lalan'ny fiadanana? Isaia 59: 8.
 
6. Inona no hitranga amin'ny fikasan’olombelona ho amin'ny "fiadanana"? Isaia 33: 7-9. Rehefa mitomany mafy dia mafy ny iraky ny fandriam-pahalemana, rehefa rava ny tany, dia hiditra an-tsehatra ve Andriamanitra? Andininy 10.
FANAMARIHANA: Ao amin’ny Baiboly manontolo, ny ady dia aseho ho vokatry ny fitsiriritana na ny filàn-dratsin’ny nofo. Ny fitsiriritana dia fototra lehibe amin'ny toetry ny olombelona. Nefa moa afaka MANOVA izany ve ny lehiben'ny governemanta na ny masoivohom-pirenena? Tsia, mazava ho azy! Efa ho 6000 taona teo amin'ny tantaran'ny olombelona no nanaporofo fa, rehefa navela hitondra ny tenany manokana ny olombelona, dia tsy nahomby tanteraka ny hanao fanovana toy izany. Nandritra ny tantara, ny fifampiraharahana ho amin’ny fandriam-pahalemana dia miaraka sy tohanan'ny fanomanana tena goavana amin'ny ady.

 

Governemantan’ny tontolo tsy maintsy hitondra fiadanana

1. Manelanelana amin'ny raharahan'izao tontolo izao ve Andriamanitra fa tsy nanambara izany tamin'ny mpaminaniny mialoha? Amosa 3: 7.
 
2. An'arivo taona lasa izay, naminany ve  Isaia mpaminany momba ny fotoana hametrahan'Andriamanitra ny fanjakany eto an-tany? Isaia 2: 1-3. Io fanjakana io ve, raha ny hevitry ny teny hoe fanjakana, dia tsy maintsy hitondra an'izao tontolo izao? Dan. 2:44; Sal. 67: 3-5.
 
3. Hisy fifandirana sy ady ve eo amin'ny Fanjakan'Andriamanitra, toy ny misy eo amin'ny firenena ankehitriny? Isaia 2: 4.
Hampianarina ny olona ve ny lalana mankany amin’ny fiadanana sy ny famokarana? Andininy mitovy.
FANAMARIHANA: Ilay namorona ny olombelona mihitsy no ho avy hametraka ny fitondram-panjakan'Andriamanitra eto an-tany, mba haneho amin'izao tontolo izao ny fomba hahazoana MAMPIOVA ny olombelona, ary ny antony nanolorana antsika izany toetr’olombelona izany tany am-boalohany.
Tsy hampianatra azy ireo ny fomba famoronana fitaovana handringanana Izy, fa hampianatra azy ireo ho TOMPOn'ny toetry ny olombelona. Homena hery izy ireo hifehezana sy hitarihana ny hakingan-dry zareo hamoron-javatra amin'ny fomba tsy tia ady.

 

4. Efa nolazain'i Mika mialoha ve ny hananganana ny Fanjakan'Andriamanitra eto an-tany? Mika 4:1-4.
 
5. Azafady mba diniho hoe iza no nolazain’Isaia tamin’ny faminaniana fa hanjaka eto an-tany. Isaia 11: 1-4.Moa ve i Davida no solofon’ny “fototr’i Jese”? Asan’ny Apostoly 13:22. Amin'ity tranga ity, azo antoka ve fa i Jesosy Kristy no "solofo"? Andininy 23. I Kristy ve no "solofo" izay ho teraka avy amin'ny fototr’i Jese? Jer. 23: 5-6.
FANAMARIHANA: Ny faminaniana ao amin'ny Isaia toko faha-11 dia nilaza mialoha, taonjato maro mialoha, fa Jesosy Kristy dia hanjaka eto an-tany indray andro any.
 
6. Talohan'ny nahaterahan'i Jesosy, nisy anjely ve nanambara tamin'i Maria, reniny, fa ny anjarany dia ny haka ny SEZA FIANDRIANANA marina ary hanjaka eto an-tany? Lioka 1: 32-33.
 
7. Moa ve i Daniela nanambara mialoha ny fotoana izay handraisan'ny olomasina, izany hoe ireo kristiana, izay hateraka indray - teraka ara-panahy – fahefana mba hiara-hanjaka amin'i Kristy eto an-tany ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra? Dan. 7: 18,21 ny 22,27.

Inona no "Filazantsara" marina?

            1. Nalefa teto an-tany ve i Jesosy, efa 2000 taona lasa izay, hanambara hafatra tena manokana? Jaona 12:49; 14:24. Inona izany hafatra izany? Marka 1:14; Mat. 9:35. Nambaran’i Jesosy ve fa tokony hino ity “Filazantsara” ity ny olona? Marka 1:15; 16: 15-16.
            FANAMARIHANA: Ny teny hoe Evanjely dia midika hoe ”filazantsara” na "vaovao mahafaly". Nifindra toerana i Jesosy rehefa nitory ny vaovao tsaran'ilay Fanjakan'Andriamanitra mbola ho avy.
            Ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy dia ilay Filazan-tsara tokana izay notoriny, ny vaovao mahafaly momba ny Fanjakan'Andriamanitra eto an-tany. Ny Filazantsaran’i Jesosy dia tsy hafatra mikasika ny Tenany tsy akory, izay nanana tanjona hoe “mandray” an’i Jesosy. Tsy hafatra fotsiny koa mikasika ireo zava-niseho teo amin’ny fiainany na hoe amin’ny maha-Mpamonjin’izao tontolo izao Azy, na dia anisany tokoa aza izany rehetra izany.
            Mariho tsara fa zavatra efatra no ilaina: raha hanangana fanjakana: 1) faritany; 2) mpanjaka na lehibe; 3) olom-pirenena na vahoaka iharan'ny lalàna; 4) lalàna sy governemanta.
            Vokatr'izany, azontsika atao ny mamaritra ny tena Filazantsara: "ny vaovao tsaran'ny mpanjaka iray manapaka faritany sy olom-pehezena amin'ny alàlan'ny lalàna sy governemanta". Ny Filazantsara marina koa dia ahitana ny hafatra momba an'i Kristy izay ho tonga mpanjaka.
 
            2. Nandefa ny apostoliny sy ny tena minisitra ve i Jesosy raha nitory io filazantsara io tamin’izao tontolo izao? Lioka 9: 1-2; Mat. 28: 19-20. Moa ve ny filazantsarany momba ny fanjakan'Andriamanitra ho avy dia tsy maintsy torina manerana an'izao tontolo izao alohan'ny fiaviany? Mat. 24:14; Marka 13:10.
 
            3. Inona no Filazan-tsara notorin'i Filipo? Asan’ny Apostoly 8:12. Ary Paoly? Asan’ny Apostoly 19: 8; 14:22. Moa ve izy nitory io Filazantsara io ihany tany amin'ny Jentilisa tany Efesosy? Asan’ny Apostoly 20:25. Inona no filazantsara notoriny tamin'ny Jiosy sy ny hafa firenena tany Roma? Asan’ny Apostoly 28:23; 28-31.

 

            4. Nisy minisitra sandoka ve nanandrana namadika ny Filazantsaran'i Kristy tamin’ny andron’I Paoly? Gal. 1: 6-7. Fanamelohana toy inona no nolazain’i Paoly tamin’izay nanandrana nitory “Filazantsara hafa”? Andininy 8. Nanonona ozona indroa ve izy?
            FANAMARIHANA: Ny Baiboly dia mampiseho fa iray ihany ny Filazantsara marina. Rentsika ankehitriny fa be dia be ny "filazantsara" momba an'i Kristy, nefa firy ny olona henonao mitory "ny filazantsaran'i Kristy", ilay notoriany, dia "ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra"?

Fotoana tokony hifohazana!

            Ny planin’Andriamanitra 7000 taona ho an'ny zanak'olombelona, izay tsy takatry ny saina, dia nanomboka efa ho 6000 taona lasa izay. Ny rafitr’ity planina ity dia nomena tao amin'ny toko roa voalohany amin'ny Genesisy. Ny andro fito ao amin’ny herinandro izany.
            1. Mitovy amin’ny inona ny arivo taona amin’Andriamanitra? II Pet 3: 8.
 
            2. Ao amin'ny Hebreo 4: 4, 11 ny andro fahafito dia aseho ho toy ny fakan-tahaka, na ohatra, amin’ny "fitsaharana" milamina izay hanaraka ny fiverenan'i Kristy. Moa ve ny vanim-potoanan'ny fanjakan'i Kristy eto an-tany, izay hanaraka ity vanim-potoan’ny fitantanana ratsin’ny olombelona sy ady mahatsiravina ity, no antsoina mazava hoe "arivo taona"? Apok. 20: 4.

FANAMARIHANA: Koa satria ny "andro" farany amin'ny planin’Andriamanitra dia arivo taona, dia lojika izany fa ny andro enina "teo aloha" dia 6000 taona, ka mitotaly 7000 taona ireo.
 
            3. Rehefa nanontany an'i Jesosy ny mpianatra raha haveriny amin'ny laoniny ny Fanjakana amin’ny androny, inona no navaliny azy ireo? Asa. 1: 6-7. Nanda ve i Jesosy fa tsy ho an’io vanim-potoana io ny Fanjakana? Moa ve izy tsy te-hilaza fa ho amin'ny fotoana hoavy izany? Jaona 18:36. (Ny teny grika izay nampiasaina teto ho an'ny "izao tontolo izao" dia "cosmos". Izy io dia manondro rafi-pitondran’ny "tontolo", na ny vondron’olona, tsy mpanao raharaham-pivavahana.

          FANAMARIHANA: Ny Apostoly dia tsy nahazo ny planin’Andriamanitra raha mbola niaraka tamin’i Kristy. Nihevitra izy ireo fa haorina amin'ny fotoany ny Fanjakan'Andriamanitra; saingy talohan'ny nahafatesany, dia fantatr'izy ireo fa hiverina amin'ny fotoana any aoriana i Kristy. Hoy i Peteraa: " « Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany [fahatongavan'i Kristy]… fa mahari-po aminareo Izy ..." (II Pet 3:9). Manam-paharetana Andriamanitra. Efa ho 6000 taona izay, nialany ny miditra an-tsehatra amin'ny raharahan’ity tontolo ity.

          Nahoana? Satria nomen'Andriamanitra 6000 taona ny olombelona, izay tsy maintsy ianarany fa ny lalany ihany no mitondra fahoriana sy fahafatesana.

            Maro ireo dikan-tenin'ny Baiboly mirakitra ny tombantombana ara-potoana maneho fa ny ain'olombelona dia nanomboka teto an-tany 4004 taona talohan'i Kristy. Hatramin'izany fotoana izany, efa ho 2000 taona hafa no lasa izay - izay, amin'ny ankapobeny, dia misy 6000 taona eo ho eo ankehitriny ny sivilizasionan’ny olombelona.

            Mampientanentana tokoa ny amin'izao ANDRONTSIKA izao - amin'ny fotoana izay atahorana ny fandringanana ny fiainana rehetra eto amin'izao tontolo izao - efa ho 6000 taona no lasa! Mampientam-po ny fanambaran’i Jesosy tenany fa, rehefa MAHITA ireo tranga rehetra novinaniany mialoha isika, dia ho avy indray Izy - saingy amin’izao, dia hamonjy izao tontolo izao, hanorina ny Fanjakan'Andriamanitra, ary farany hitondra antsika amin'ny fiadanana.
            Efa hitanao tao amin'ny Baibolinao ny famintinana fohifohy, famaritana fohysady feno hevitra, momba ny valiny masina amin'ny olan'izao tontolo izao. Manomboka mahazo ianao fa mila maika ny fiverenan’i Kristy isika. Ao amin'ny lesona faharoa, dia hianatra bebe kokoa momba ny fidiran'i Jesosy Kristy amin'ny raharahan'olombelona ianao, araky ny nambaran'ny faminaniana mahagaga sy antsipiriany hita ao amin'ny Baiboly.

No comments:

Post a Comment