Inona ny Fiangonana, ary Inona no Antom-pisiany?

 

Ambasadaoro Kolejy - Toko faha-21

Inona ny fiangonana,

 ary Inona no ANTOM-PISIANY ?

 

ANDRAIKITRA SY ASAN’NY FIANGONANA

Any amin’ny tontolo tandrefana, dia maro ny fiangonana, ary tsy misy gaga amin’izany. Fa nahoana no misy ireny fiangonana ireny? Iza no nanorina azy ireo? Inona no anjara asan’ny fiangonana? Ny valin'ireo fanontaniana ireo dia manambara, amin'ny ankapobeny, ny fanatanterahana ny planina lehiben'Andriamanitra.

 

 

Ny sarambaben’ny olona dia mihevitra fa ny atao hoe fiangonana dia trano lehibe iray misy tilikambo fitoeran-dakolosy, ary eo an-tampony dia misy lakroa. Marina fa ny diksionera sasany dia mamaritra azy ho toy izany. Ary ny “mpino” maro dia mankany amin’io fiangonana io isaky ny Alahady maraina mba hanatrika "fanompoam-pivavahana”.

Fa ho an'ny maro hafa, ny fiangonana dia tsy mandray anjara amin'ny fiainany. Tsy miraharaha izay Andriamanitra izy ireo. Tsy ao amin’ny tontolom-piainan’izy ireo Andriamanitra. Ny mahaliana azy ireo dia ny fananany materialy sy ny tombontsoany. Misy amin’ireny mino ao anatiny ao fa misy ny Mpamorona, fa saingy manjavozavo ho azy ireo ny fisiany.

Kanefa misy ny “Fiangonana”. Fa nahoana? Inona ny anjara asany?

Ny Fiangonana, ampahany iray amin'ny Planin’Andriamanitra

Tena misy tokoa ny tanjona napetraka eto an-tany. Misy antony mahatonga ny fisian’ny olombelona, araky ny efa nianaranao tamin’ny lesona teo aloha. Ary ho amin'io fananganana tanjona tena mahagaga io, Andriamanitra dia manana planina matipaika. Ny Fiangonan'Andriamanitra dia ampahany tena ilaina amin'izany planina izany!

Mba hahatakarana ny hoe: "inona no antom-pisian’ny Fiangonana, ary nahoana no misy izany", dia tokony hitadidy ny zava-niseho izay nitarika ny fanorenana izany isika. Tsy tokony hohadinointsika koa ny hoe: iza ary inona Andriamanitra – Ilay Fianakaviana masina mpamorona - ary koa ny hoe : Andriamanitra ankehitriny dia miteraka ny Tenany amin'ny alalan'olombelona.

Tsarovy fa i Satana, na i Losifera, ilay kerobima teo aloha, izay efa notendren'Andriamanitra hanjaka teto an-tany, dia nikomy tamin'Andriamanitra. Noho izany, ny fitondram-panjakan'Andriamanitra dia najanona tsy notantanina teto an-tany. Nefa Andriamanitra dia namela an'i Satana hijanona teo amin'io seza fiandrianana io ihany.

            Andriamanitra dia tsy nanala azy teo amin'io toerana io mandra-pahatongan’ny mpandimby iray mahafeno ny fepetra hisoloana an'i Satana ho andriamanjaka amin’izao tontolo izao, hitondra ary hiasa!

            Ny asan'ny Fiangonana dia mifamatotra amin’izay nitranga taoriana kelin'ny namoronana ny olombelona voalohany, dia i Adama. Ny olombelona voalohany dia nanaraka ny làlan'i Satana, ary nandà ny fitsipiky ny fanjakan'Andriamanitra.

            Jehovah dia namindra tamin’ny olombelona rehetra ny fanapahan-kevitr'i Adama mandrapahatongan’ny famerenana amin'ny laoniny ny governemantan'Andriamanitra eto an-tany. Havela hanaraka ny lalan'i Satana mandritry ny 6000 taona ny zanak’olombelona - mandra-pahatongan'ny Fiavian'i Jesosy Kristy Fanindroany hamerina ny fitondram-panjakan'Andriamanitra!

            Nandritra izany fotoana izany, Andriamanitra dia niantso ary nanome manokana ny Fanahiny ho an'ny olom-bitsy ihany mba hanampy Azy hanomana ny fihavian’ny Fanjakan'Andriamanitra. Andriamanitra dia nifidy ny firenen'ny Isiraely fahiny ho fireneny manokana, saingy tsy nampanantena ny hanome azy ireo ny Fanahiny Masina tamin'izany fotoana izany Izy, nefa nanome izany ihany tamin’ireo mpaminany sy olom-boafidy vitsivitsy hafa.

            Izany dia mitondra antsika ara-tantara amin'ny andron'i Jesosy Ilay Mesia, sy amin’ny fanorenana ny Fiangonan'Andriamanitra. Nefa tadidio fa ny fikasan'Andriamanitra dia ilay fiterahana ny Tenany amin'ny alàlan’ny olombelona.

            Ny famoronana ny olombelona dia nanomboka tamin’i Adama-ilay olombelona voalohany. Fa ny fanamboarana ara-panahy indray ny olombelona dia nanomboka tamin'i Jesosy Kristy-ilay Adama faharoa, izay nahafeno ny fepetra hanoloana an'i Satana ho mpitondra an’izao tontolo izao, tamin'ny nanaporofoany fa hankatò ny governemantan’Andriamanitra Izy ary hanapaka ny tany amin'ny Lalàn'Andriamanitra.

Hampiofana ny mpitondra ny tontolon'ny hoavy

            Mba hamerenan'i Kristy amin'ny laoniny ny fitondram-panjakan'Andriamanitra eto an-tany, dia mila mpiara-miasa mendrika sy milamina Izy, hanampy Azy amin'ny fitantanana ny firenen-drehetra.

            Handà ny lalan-dison'i Satana izy ireo, ary hanaporofo fa mahatoky amin'ny fitondram-panjakana sy ny lalana marin’Andriamanitra mandritry ny fiainany mety maty.

            Tao amin'ny planina lehibe sy mahatalanjon'Andriamanitra izany, ny Fiangonany dia natao hanomana izany mpiara-miasa mahafoy tena sy manana fandaminana izany, dia olona ara-panahy. Noho izany ny Fiangonana dia fitaovana ampiasain’Andriamanitra mba hanatanterahany ny tanjony lehibe dia ny fiterahany.

            Ireo izay nantsoin'Andriamanitra hiala eto anivon’izao tontolo izao – ka napetrany ao amin'ny Fiangonany - dia notorontoronin’ny Fanahy Masina, ary ho teraka ho olona ara-panahy. Hamorona ny Ankohonan’Andriamanitra izy ireo, izay hamorona ny Fanjakan'Andriamanitra!

            Handinika ny antsipiriany asehon'ny Baiboly isika. Kanefa, alohan'ny hanombohana, dia aoka ho eo am-pela-tananao ny fitaovana mahazatra, dia ny Baiboly, ny cahier ary ny stylo na ny pensilihazo. Jereo ao amin'ny Baibolinao ireo andinin-tSoratra Masina omena ho valin'ny fanontaniana ary adikao ireo. Ireo manaraka ity fomba fampianarana Baiboly ity dia efa mahafantatra fa tena manampy amin’ny fitadidiana sy ny famerenana mijery ireo fahamarinana lehibe ianaran'izy ireo avy amin'ny Tenin’Andriamanitra izany

LESONA 21

Ny fiatombohan’ny tontolon'i Satana

     Ny Fiangonan'Andriamanitra dia voantso hiala eo anivon'izao tontolo izao (2 Korintiana 6:14-17; Apok.18:4). Fa nahoana? Inona no ratsy amin'izao tontolo izao?

Ity dia tontolon'ny fandrosoana mahatalanjona. Ny olombelona dia nandeha nandroso sy niverina teny amin’ny volana. Nalaina sary ny endrik’i Venus, Mars, Jupiter sy Saturne. Ny ordinatera, ny fiara-manidina haingam-pandeha, ny fitaterana eny an’habakabaka sy ny zavatra mahatalanjona maro hafa momba ny siansa sy ny teknolojia dia namboarina.

     Saingy tsy tontolon'ny fandrosoana mahagaga fotsiny izao misy izao. Ny zanak’olombelona dia ianjadian’ny fahorina mampitahotra, tebiteby maro, sy alahelo lalina, ary fangirifiriana; Mandry an-driran’antsy izy ireo noho ny herisetra sy ny ady. Ny mponina eran-tany dia mijaly sy tsy afa-po. Ny antsasak'izy ireo dia tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Olona an-tapitrisa maro no fadiranovana lalina, mantsina sy maloto!

     Ahoana no nahatonga an'ity tontolo ity ho toy izany? Andao hodinihintsika vetivety izay efa nianarana teo aloha mba hahalalana bebe kokoa ny tena tanjon'ny Fiangonan'Andriamanitra.

Voalohany, nanomboka niaraka tamin'Andriamanitra ny zava-drehetra. Tany am-piandohana, dia nisy persona roa tao amin'Andriamanitra – dia Andriamanitra Tsitoha sy ny Teny (Jaona 1:1). Nanana ny fiainana ho vadin-koditra Aminy Izy Ireo - tsy misy fiandohan'ny androny na faran'ny fiainany. Ny asa ataony dia ny famoronana. Ary mifankatia sy mifanaraka tsara Izy Ireo.

     Nisy ihany koa ny mpitarika. Andriamanitra Tsitoha no Filoha, ary ny Teny dia nanao izay nolazain'Andriamanitra taminy.

     Ary Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny Teny, izay tonga Jesosy Kristy tany aoriana, no namorona ny anjely sy ny Onivera manontolo, anisan'izany ny tany (Efesiana 3:9). Napetrak'Andriamanitra teo amin'ny seza fiandrianana teto an-tany ny kerobima Losifera ary nisy anjely teo ambany fahefany. Fa i Losifera sy ireo anjeliny ireo dia nikomy tamin'ny governemantan’Andriamanitra. Nanaraka ny lalan’ny “mandray” izy ireo, ary nandà ny fomba "manome"; Naleony ny fankahalana sy ny fanoherana toy izay ny fitiavana; Nanaraka ny fireharehana izy ireo, ny fitsiriritana, ny fitiavan-karena, ny fialonana, ny faniriana, ny fikomiana tamin’ny fahefana, ny fifaninanana. Nefa ireo lalana rehetra ireo dia mitarika ady, herisetra ary fandringanana.

     Nisovoka tany an-danitra i Losifera sy ny anjeliny, nikasa ny hanongana an'Andriamanitra amin'ny seza fiandrianany sy haka ny fitondram-panjakan’Andriamanitra teto amin’ny Onivera. Tsy ampy azy ireo intsony ny fitantanana ny tany. Kanefa nazera tetỳ an-tany izy ireo. Ny fikomian'ireo no nitrika ny faha-simbana sy faharavan’ny planetantsika, izay lasa feno korontana tsy ifankahitana. Latsaka tanaty aizina mikitroka ny tany.

     Avy eo dia nanavao ny tany Andriamanitra tao anatin'ny enina andro, namorona ny zavamaniry, ny biby, ny vorona, ny trondro. Ary nahary ny olombelona Izy tamin’ny andro fahenina (Gen.1:26-31).

     Natao ny olombelona mba ho teraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra amin’ny farany. Saingy tsy nomena fiainana mandrakizay i Adama tamin’ny namoronana azy. Tsy nanana afa-tsy fiainana voafetra, simika, sy fizika izy. Raha naka ny hazon’aina i Adama, dia ho nahazo ny aina ho vadin-koditra taminy, ny tsy fahafatesana. Amin’ny fomba ahoana? Ho nahazo ny Fanahin'ny Andriamanitra izy, izay mety ho nahatonga azy ho torontoronina ara-panahy ho lasa zanak'Andriamanitra, ary taty aoriana, dia ho naterak'Andriamanitra i Adama!

     Raha nalain'i Adama ny hazon’aina, dia ho nanohy nampianatra an'i Adama sy i Eva Andriamanitra. Izy ireo dia mety ho nahazo fahalalana ara-panahy be dia be talohan'ny niterahany ny zanany. Ary ny Teny, Ilay Andriamanitra ao amin'ny Testamenta Taloha, Izay lasa Jesosy Kristy, dia mety ho nanomboka nampiditra tao an-tsain’i Kaina sy Abela ny fomba marina sy tsara taoriana kelin'ny nahaterahany.

     Rehefa lasa olon-dehibe izy ireo, dia mety ho nampianatra ny lalan'Andriamanitra tamin’ireo zanany. Mety ho nanomboka ny Fiangonana marina tao amin’ny Saha Edena Andriamanitra! Mety ho noroahina teo i Satana, ary mety ho nomen’Andriamanitra an'i Adama ny seza fiandrianana teto an-tany, raha naka ny safidy tsara izy.

     Nosedraina tao amin'ny Saha Edena i Adama mba hahitana raha hahafeno ny fepetra hisoloany an'i Satana sy hanapahany ny tany manontolo izy. Tsy maintsy nandà ny fomba fiainan'i Satana i Adama, izay nasehon'ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Fa i Adama kosa nandray fanapahan-kevitra tsy mety. Nihinana tamin'ny hazon’ny "fahafatesana" izy.

     Tsy nihinana tamin'ny hazon’ny "fiainana" izy. Noho izany, dia tsy nahafeno ny fepetra hisoloana an'i Satana ho mpitondra ny tany izy.

     Tamin'ny fihinanany ny hazo fahalalana ny tsara sy ratsy, i Adama dia nisafidy ny lalan'ny fahazoana fahalalana avy amin’ny herin’ny tenany ihany.

     I Satana no namporisika an'i Adama, tamin’ny alàlan’i Eva, handray ny fanapahan-kevitra tsy mety. Noho izany i Satana izao no namporisika an'i Adama amin’ny zava-drehetra ataony. I Satana no nandrisika an'i Kaina hamono an'i Abela. I Satana, ilay "andriamanitr’izao tontolo izao "(2 Korintiana 4:4), no namporisika ny taranak'i Adama sy Eva hatramin'izay!

     Satana dia mamitaka izao tontolo izao (Apok.12:9).

Izany no sivilizasionan'i Satana, izay natombony tamin'ny alalan'i Adama, ilay lehilahy voalohany, rehefa nanota izy. Anisan'izany ny fanabeazana diso an'ity tontolo ity, ireo fiangonana diso, ny rafi-pitondram-panjakana sy ny toekarena, ary ny fomba amam-panao eo amin’ny fiaraha-monina.

1. Moa ve i Satana no “mpanapaka ny fanjakana eny amin'ny rivotra”? Efesiana.2:2.

FANAMARIHANA: Amin'ny maha “mpanapaka ny fanjakana eny rivotra” azy, i Satana dia nampita amin’ny olona ny fombany tia tena, mirehareha, mifaninana ary tia ady. Ny fandefasan'i Satana an’izany dia azo ampitahaina amin'ny fahita lavitra sy ny radio mampita sary sy feo. Ohatra, ny vata fandraisam-peo dia mandray ny onjam-peo izay mivoaka avy any amin'ny toerana mpamoaka feo isan-karazany. Toy izany koa, ny olombelona dia afaka mandray ny "onja" avy amin'i Satana satria voa-janahary aminy ny "mifanaraka tsara" amin’ny "onja ara-panahy" alefan'ny devoly!

     Rehefa nanapa-kevitra i Adama tao amin'ny Saha Edena, dia nandà an'Andriamanitra, ny Fanahin'Andriamanitra ary ny fiainana tsy mety maty izy. Ny fanahin'olombelona tao amin’i Adama dia "nifandray" tamin'ny onja ara-panahin'i Satana raha vao tsy nankatò  an'Andriamanitra izy. Ary ny taranany tamin’ny taona rehetra, na dia amin’izao taonjato faha-roapolo izao aza, dia mbola mifandray amin'ny onjan'i Satana.

2. Rehefa nanapa-kevitra i Adama hihinana ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, moa ve notapahin’Andriamanitra, amin’ny ankapobeny, ny fifandraisany amin’ny Fanahy Masina? Gen.3:23-24.

FANAMARIHANA: Andriamanitra dia tsy ho namela an'i Adama hihinana ny voan’ny hazon’aina taorian'ny nanotany. Ny Fanahy Masina dia azon'ny olombelona mandra-pamerenan'Andriamanitra izany indray, tamin'ny alàlan'i Kristy, Ilay Adama Faharoa – amin’ireo izay antsoiny ho ao amin’ny Fiangonany, nanomboka tamin'ny Pentekosta tamin’ny taona 31 amin’ny fanisan’androntsika, ary mbola mitohy izany mandraka androany. Tsy hijanona ao amin'ny olombelona rehetra ny Fanahy Masina ambara-piverenan'i Jesosy Kristy (jereo Joela 3:1). Hianatra izany isika amin’ny lesona manaraka, mba hahafantarana ny planina lehiben'Andriamanitra nataony hamonjena ny olombelona rehetra.

Ny Tanjon’Andriamanitra ho an'ny Fiangonana

1. Oviana no nanapa-kevitra ny Ankohonan’Andriamanitra fa hanefa ny sazin’ny fahotana nataon’ny zanak’olombelona i Jesosy Kristy, ilay Adama farany? Apok.13:8, tapany farany.

FANAMARIHANA: Tao amin’ny Baiboly grika voalohany, dia voalaza hoe: «  voasoratra eo amin'ny bokin'ny fiainan'ny Zanak'ondry, izay voavono hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao. » Midika izany fa, raha vao nanota i Adama, dia voadidy fa hovonoina ny Zanak’ondrin’Andriamanitra mba hanefana ny sazim-pahotan’ny taranak’olombelona rehetra.

 

2. Alohan’ny hanefany ny iraka eto an-tany, moa ve i Kristy dia tsy maintsy ho nahafeno ny fepetra mba hipetrahany eo amin’ny seza fiandrianan’ny tany indray andro any? Matio 4:1-11.

FANAMARIHANA: Mendrika ny hisolo an’i Satana amin’ny maha-andriamanjaka azy eto an-tany i Jesosy, satria resiny ilay Ratsy. Nandresy ny fakam-panahy Izy rehefa avy nifady hanina nandritry ny 40 andro sy 40 alina.

3. Rehefa nahafeno ny fepetra amin’ny maha Andriamanjaka vaovao Azy ety an-tany i Jesosy, moa ve Izy nanomboka nitory ny Fanjakan’Andriamanitra? Mar.1:14-15. Moa ve Izy niantso ny mpianatra izay nofaniny manokana. Mar.1:16-20; 3:14.

FANAMARIHANA: Niantso ireo Apostoliny roambinifolo Izy alohan’ny nanorenany ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao. Ny mpianatra dia olona ampianarany, ofanina, mpianatra raharaha. I Kristy no nifidy ireo mpianany, fa tsy ny mpianatra no nifidy an’i Kristy. Hoy Izy tamin’i Simona (Petera) sy tamin’i Andrea rahalahiny « Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo. » (Marka 1:17)

     Nampianatra sy nanofana ny Apostoly roambinifolo i Jesosy mba hampianaran’ireo koa, mba hanorenan’ireo ny Fiangonany any aoriana. Ny Apostoly no hanorina ny ampahan’ny fototry ny Fiangonana. Izy ireo no hampianatra ireo izay antsoin’Andriamanitra aty aoriana, ao amin’ny Fiangonany.

     Tsy nisy olona lasa mpikambana tao amin’ny Fiangonana mandra-piakatr’i Kristy any an-danitra. Tsy nanao izany Izy fa nanomboka tamin’ny fiantsoana ny mpianany aloha. Nampianarina manokana ireo mba ho lasa mpikambana amin’ny Fiangonany ka hampianatra ireo niova fo. Noho izany, rehefa nanorina ny Fiangonany i Jesosy, dia efa nanana mpampianatra manana mari-pahaizana.

4. Na iza na iza ve ankehitriny dia afaka mandray ny Fanahy Masina sy ho lasa mpikambana amin’ny Fiangonan’Andriamanitra? Jaona 6:44.

FANAMARIHANA: Tsy misy olona afaka mankany amin’i Kristy raha tsy antsoin’ny Fanahin’ny Ray. Tsy niteny akory i Jesosy hoe :”Izay rehetra maniry izany dia afaka mankaty amiko” dieny izao. Ireo mpianatra dia voantso sy nofanina, mba ho afaka hampiantra ireo nantsoin’Andriamanitra ho ao amin’ny Fiangonany.

5. Tamin’ny andron’ny Pentekosta, rehefa nidina ny Fanahy Masina – rehefa nanomboka azo noraisina indray izany, izany hoe azon’ireo nantsoin’Andriamanitra ho ao amin’ny Fiangonany noraisina - firy ny olona efa nantsoin’Andriamanitra? Asa 1:15; 2:1-4. Tamin’io andro io, firy no mbola nanampiny tao amin’ny fiangonany? Asa 2:41. Taorian’izany, moa va Andriamanitra mbola nanampy hafa? Andininy 47.

FANAMARIHANA: Tamin’ny andro Pentekosta taona 31, dia 120 no isan’ny olona lasa mpikambana tao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra. Izy ireo no voalohany feno ny Fanahy Masina. Taorian’izany dia olona 3000 hafa no niova fo tamin’ny andro iray ihany. Nandray ny fampianaran’ny Apostoly ireo. Nandritry ny vanim-potoan’ny Apostoly, dia nitombo tsy an-kijanona ny isan’ny mpikambana niova fo, ka lasa nahatratra na nihoatra ny isan’ny Mpikambana ao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra ankehitriny. (izany hoe aman’hetsiny). Nefa tsy nanangana ny Fanjakan’Andriamanitra teto an-tany akory i Jesosy Kristy. Alohan’ny fananganana ny fanjakana, amin’ny fiverenan’i Krosty, dia ho voantso ny hafa, ary hampianatra ihany koa ny fomba fampianarana ny Lalany amin’ny hafa.

6. Moa ve ny Fanjakana (fitondram-panjakana) amin’izao fotoana izao dia ho tantanin’ny olo-masina amin’ny Tontolo ho avy? Da.7:18, 22, 27; Apok 2:26-27; 5:10; 20:4.

FANAMARIHANA: Ny Fiangonana dia maneho ny Fanjakan’Andriamanitra mbola “torontoronina” (mbola tsy teraka). Ny mpikambana ao aminy dia zanaka notorontoronina ho an’ny Tontolon’ny AmpitsoTonga mba hanorina tontolo vaovao - sivilizasiona vaovao - avy amin’ireo i Jesosy. Hanampy Azy hanjaka sy hampianatra ny lalany ireo rehefa miverina Izy. Mbola eo am-piofanana amin’izao fotoana izao ny mpikambana ao amin’ny Fiangonana. Mianatra ny fomba hampianarana ny olona an’alina – na an’hetsiny maro – izay hiaina na hiverina hiaina (araky ny tranga misy) mandritry ny Fanjakana Arivo Taona sy ny Fitsaran’ny Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe.

     Ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra dia mianatra ny fomba fiaina dieny ankehitriny. Mianatra manangana fiaraha-monina mifanentana amin’izany ireo, manorina sivilizasiona izay hanjakan’ny fahasambarana sy ny fanambinana.

     Ao amin’io sivilizasiona vaovao io, dia hiara-miasa amin’ny namany ny tsirairay. Hiaina amim-pahasambarana ny rehetra ary hahazo hanaram-po mandritry ny fiainany. Ao amin’ny Tontolo ho avy, ho foana ireo fahoriana nianjady tamin’ny tontolo ankehitriny.

7. Moa ve Andriamanitra “mitsapa toetra” na “mizaha toetra” ny mpikambana ao amin’ny Fiangonany – dia ireo miofana ankehitriny mba ho lasa mpampianatra rahampitso? Moa ve manao izany Izy mba hahitany mazava raha hanaiky ny Fitondram-panjakany izy ireo, tahaky ny nataon’i Abrahama? Gen.26:5; Salamo 11:4-5; Jer.17:10; 1Pet.4:12-13; Jak.1:2-4; 1Kor.3:13.

FANAMARIHANA: Ireo izay voantso ao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra dia manao safidy toa an’i AdamaTsy maintsy manapa-kevitra koa izy ireo na hanaraka na tsia an’Andriamanitra. Rehefa maharitra mijanona ao amin’ny lalan’Andriamanitra izy ireo, dia voazaha toetra. Alohan’ny hahaterahany ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra, dia zahan’Andriamanitra toetra izy ireo, mba hahalalany raha Azy tanteraka ny fon’ny tsirairay.

8. Inona ny baiko nomen’i Kristy an’ny Apostoly Petera, izay ho lasa Filohan’ny Apostoly ao amin’ny Fiangonana Apostolika? Jaona 21:15-17.

FANAMARIHANA: Ankehitriny koa, ny FiangonanAndriamanitra dia manaiky ny baiko nomen’i Jesosy mba “hiandry ny ondry”. Manana fandaharana maro izy ho fampianarana, natao hamolavolana ireo zanaka notorontoronin’Andriamanitra. Amin’ny alàlan’ireo mpanompon’Andriamanitra, ny Fiangonana dia miandry ny ondry isan-tsabata, ary amin’ny alalan’ireo boky maro avoakany no hampianarany ireo mpikambana ao.

     Alohan’ny hampianarana ny hafa, ny mpampianatra dia tsy maintsy mianatra koa. Amin’ny alàlan’ny Fiangonany, Andriamanitra dia mamolavola mpampianatra ankehitriny, izay hampianatra koa ny olombelona hafa.

     Ny anjara asan’ny Fiangonan’Andriamanitra ankehitriny dia manofana mpampianatra  afaka hampiantra olona an- tapitrisa, na an’arivo tapitrisa maro any amin’ny Tointolo Ho Avy, mba hianaran’ny rehetra ny fomba hahatongavana ho olona ara-panahy, ka hahalasa azy ho mpikambana amin’ny Ankohonan’Andriamanitra.

9. Moa ve nodidian’Andriamanitra koa ny Fiangonany hanambara ny Fahamarinany ami’izao tontolo izao? Matio 28:19-20. Moa ve naminany i Jesosy fa hotorina amin’izao tontolo izao ny Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, ho vavolombelona, alohan’ny hanapotehana ny tontolon’i Satana sy hametrahana ny Tontolo ho avy? Matio 24:3, 14; Marka 13:10.

FANAMARIHANA: Ny toriteny sy ny famoahana boky ataon’ny Fiangonana momba ny Filazantsaran’i Kristy no fomba lehibe hiantsoan’Andriamanitra ny olona sasany mba hanofanana azy ireo. Ho an’ireo olona an-tapitraisany izay maheno ity hafatra ity, nefa mbola tsy antsoin’Andriamanitra amin’izao fotoanantsika izao, dia vavolombelona fotsiny izany.

Ny fototry ny Fiangonana

     Oviana, ary amin’ny fomba ahoana, no nanorenan’i Jesosy Kristy ny Fiangonan’Andriamanitra? Amin’ny lafiny iray, dia azo lazaina fa efa naoriny taloha ela izany, tamin’ny alàlan’ny mpaminany tamin’ny Testamenta Taloha. Ireo farany ireo, niaraka tamin’i Jesosy sy ny Apostoly, no fototra iorenan’ny Tranon’Andriamanitra ara-panahy izay naorin’i Kristy. Aoka ho azontsika tsara izany.

1. Moa ve i Jesosy nilaza fa hanorina ny Fiangonany Izy? Matio 16:18. Inona no tsy maintsy hipoitra alohan’ny hanorenana ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao? Jaona 7:37-39.

FANAMARIHANA: Ity no voalohany izay ampiasana ny teny hoe fiangonana amin’ny maha-fiangonan’Andriamanitra azy ato amin'ny Baiboly. Nadika avy amin'ny teny grika taloha hoe ekklesia izany, ary midika hoe "miantso olona" - avy amin'ny teny hoe ek (mivoaka), ary klesia (niantso). Io teny grika io dia midika hoe "miantso" mba hiara-mivory, indrindra fa amin'ny fivoriana ara-pivavahana. Tsy midika hoe trano izany, toy ny fihevitra mahazatra ankehitriny.

     Tsy afaka naorina ny Fiangonana ara-panahy raha mbola tsy niakatra any an-danitra i Jesosy, sy raha mbola tsy nandefa ny Fanahiny Masina amin’ireo izay nantsoin’ny Ray. Na izany aza, taloha elabe, Andriamanitra dia nanomboka niantso olona tena vitsy izay ho lasa fofotry ny Fiangonany, dia Abrahama sy ireo mpaminany. Azo inoana koa fa anisan’io fototra io i Abela, Enoka sy Noa. Satria tokoa mantsy Andriamanitra dia nanome andraikitra azy ireo amin’ny fanorenana ny Fanjakany ho avy.

     Nefa, Jehovah Andriamanitra ankehitriny dia nanomboka mametraka ny fototr’io Ankohonan’Andriamanitra ho avy io, tamin’ny alàlan’ny mpaminany Abrahama, Isaka, Jakoba ary Josefa. Ireo dia ampahany amin’io fototra io. Hatramin’i Abrahama mandra-pahatonga amin’i Kristy, Andriamanitra dia niantso ireo mpaminaniny hiala amin’ny tontolon’i Satana; Nataony fototry ny fiangonany ireo.

2. Inona ny zavatra tokony hitranga mialoha ny hanorenana ny Testamenta Vaovao? Jaona 7: 37-39.

FANAMARIHANA: Tsy afaka naorina ny Fiangonana alohan'ny fiakaran'i Jesosy tany an-danitra, sy ny nanirahana ny Fanahy Masina hanatorontoronina ara-panahy ireo izay nantsoin’ny Ray. Na izany aza, taloha ela Andriamanitra dia nanomboka niantso olona vitsivitsy mba ho anisan'ny fototra hanorenana ny Fiangonana, dia i Abrahama sy ireo mpaminany hafa.

Tsy isalasalana fa i Abela, Enoka ary Noa koa dia anisan’izany, satria ireo olo-marina ireo dia nampiasain'Andriamanitra mba handray anjara amin'ny fitondram-panjakan’Andriamanitra ho avy.

3. Inona no niarahan’ireo apostoly sy ireo mpaminany namorona? Efes.2:19-22, indrindra fa ny andininy faha-20. Iza no Lohan'ny Fiangonana? Efes.5:23.

FANAMARIHANA: Nandritry ny telo taona sy tapany nanaovan'i Jesosy ny asa fanompoana teto an-tany, dia niantso ireo Apostoly roa ambin'ny folo Izy, izay ho anisan'ny fototry ny Fiangonana ihany koa. Arakaraky ny nanaovany ny asan'Andriamanitra, dia nampianatra sy nampiofana azy ireo i Kristy.

Noho izany, dia nanorina ny Fiangonany tamin'ny fototr’ireo Apostoly sy ireo Mpaminany tao amin'ny Testamenta Taloha i Jesosy, ary i Jesosy mihitsy no Lohan'ny Fiangonana - ny "Vato Fehizoro Indrindra" an'ny Tempolin'Andriamanitra ara-panahy.

4. Rehefa avy nampiofana ireo Apostoly roa ambin'ny folo i Jesosy, oviana no nanomboka nanorina ny Fiangonana “am-pahibemaso” Izy? Asan'ny Apostoly 2:1-4.

FANAMARIHANA: Ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao dia naorina tamin'ny andron'ny Pentekosta tamin'ny taona 31 tar JK, rehefa nisy olona 120 teo ho eo no notorontoronin’ny Fanahy Masina. Ary amin'ny alàlan'ny Fanahin'Andriamanitra, izay nitoetra tamin'ny mpaminany rehetra, ireo Apostoly sy ireo rahalahy hafa ao amin’ny Fiangonana, izy ireo dia hatsangana amin'ny maty (na hovaina, raha mbola velona) ho amin’ny tsi-fahafatesana, amin'ny Fiavian'i Kristy fanindroany, amin'ny fahefana sy voninahitra!

Noho izany, ny Fiangonana – izany hoe ny Fanjakan'Andriamanitra mbola “torontoronina" - dia maneho ny antokon’olona voalohany indrindra izay ho teraka ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra ho zanak’Andriamanitra!

5. Ao amin'ny Tempoly ara-panahy - ny Fiangonana-izay naorin’i Kristy, inona no hatao hoe "andry"? Apo 3:7, 12.

FANAMARIHANA: Ny andry amin’ny trano dia manana anjara asa tena manan-danja. Matetika ny andry dia tohana lehibe ho an'ny trano. Ny vanim-potoan'i Filadelfia ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra dia nanaporofo ny fahatokiany an’Andriamanitra. Tsy nandà an'i Kristy izy, ary nitandrina ny Teniny (Apo 3:8). Ity fotoana ity dia nanaporofo fa tena mahatoky tsara izy tamin'ny fitandremany ny fahamarinan'Andriamanitra ary nampahalala izany tamin'izao tontolo izao.

Rehefa jerena ny habetsaky ny fahalalana ara-panahy mahagaga izay nambaran'Andriamanitra tamin'ny Apostoliny amin'ny vanim-potoana maoderina, ary ny ezaka ataony amin’ny Asan’Andriamanitra ankehitriny, dia afaka manontany tena isika fa ara-drariny raha ny vanim-potoan’ny Filadelfia no ho fitaovana lehibe ampiasain'Andriamanitra, any amin’ny Fanjakany, amin'ny fampianarana ny lalany amin'izao tontolo izao.

Izany no manazava ny antony niantsoan'Andriamanitra ankehitriny ao amin’ny Fiangonany, olona maro avy amin'ny foko isan-karazany, avy amin’ny firenena rehetra eto amin'izao tontolo izao. Amin'ny maha-mpikambana mbola hofanina azy ireo ao amin’ny vanim-potoan'ny Filadelfia, ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra, dia ho vonona hampianatra ny mpiray firenena aminy izy ireo, aorian'ny fiverenan'i Kristy!

Ny fitantanan-draharaha ao amin'ny Fiangonana

     Ny Fiangonana - Tempolin'Andriamanitra ara-panahy izay naorin’i Kristy – dia tsy maintsy mikambana mafy. Ary dia izany izy. Ahoana no mahatonga izany? Noho ny fitondram-panjakan’Andriamanitra izay manambatra sy mampitohy ny mpikambana amin'ny vatan'i Kristy, mba hahafahan'ny rehetra miasa ao amin’ny fiadanana, firindrana ary firaisan-kina!

1. Iza no nametraka ny rafi-pitondrana ao amin'ny Fiangonana? 1Kor.12:28.

FANAMARIHANA: Ny Zanak’Israely fahiny - ny fiangonan’ny Testamenta Taloha – dia firenena ihany koa, teto amin’izao tontolo izao, na dia tsy nitovy tamin’ny firenena hafa aza izy teo amin’ny rafitra nifehy azy. Ny fitondram-panjakany dia misy ambaratongany. Ny rafi-pitondram-panjakany dia fehezin’Andriamanitra, avy any ambony indrindra mankany ambany - mifanohitra amin'ny demokrasia. Ny mpikambana dia tsy manendry ny Manam-pahefana ao amin'ny Fiangonana - Andriamanitra no manao izany; Izy koa no mametraka ny laika mpikambana ao amin'ny Fiangonana (1Korintiana 12:18; Jaona 6:44; Asa 2:47).

(1 Korintiana 12:28) « Ary Andriamanitra efa nanendry ny sasany teo amin'ny fiangonana, voalohany Apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana*, dia fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, dia fanampiana, dia fitondrana, dia fiteny samy hafa tsy fantatra. [* Gr. hery] »

Ny fitantanana ankehitriny ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra dia mitovy amin’ny endriky ny fitondram-panjakana izay hitantanan’i Kristy ny firenena rehetra mandritry ny Fanjakana Arivo Taona sy ny vanim-potoan’ny fitsaran’ny Seza Fiandrianana Fotsy Lehibe. Ireo izay ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra ankehitriny dia nanolo-tena an-tsitrapo hametraka ny tenany eo ambany fahefan'ny governemantany.

Amin’izany no ianaran'izy ireo hanjaka ao amin'ilay Fanjakan'Andriamanitra. Amin’ny fomba ahoana? Amin'ny fanekeny ny fitondran'Andriamanitra mandritry ny fiainany mety maty eto an-tany.

     Ireo zanak'Andriamanitra izay notorontoronin’ny Fanahy dia mianatra manapaka ho Fiomanana amin'ny Tontolon’ny Ampitso, amin'ny fanekena ny fitondram-panjakan’Andriamanitra sy amin’ny fampandehanana izany ao amin'ny Fiangonany ankehitriny! Aoka ho azontsika izany.

2. Iza no Lohan'ny Fiangonana? Efes.1:22-23; 5:22-24.

FANAMARIHANA: I Kristy no Lohan'ny Fiangonana, tahaka ny lahy no lohan’ny vavy. Ny rafitry ny fianakavian'ny olombelona dia tandindon'ny rafitry ny Ankohonan'Andriamanitra, ary tokony ho tantanina araky ny Lalàn'Andriamanitra izany, izay fintinin'ny teny hoe fitiavana. Amin'ny fanarahana ny fitsipiky ny fitondram-panjakan'Andriamanitra eo amin'ny fianakaviantsika, dia mianatra ny fomba fampiharana ny lalam-pitiavan'Andriamanitra isika, ary hitantana tsara amim-pahamarinana ireo hapetrak’i Kristy eo ambany fiadidintsika mandritry ny Fanjakana Arivo Taona.

3. Amin'ny maha-Lohan'ny Fiangonana Azy, ahoana no fomba fitondran'i Kristy? Efes.5:25.

FANAMARIHANA: Manapaka ny Fiangonany - ny fofombadiny - am-pitiavana i Kristy, ka manao izay tsara indrindra ho azy.

Tena tiany ny Fiangonana ka maty ho azy Izy, mba ho afaka ho voavela ny helony ary ho lasa tsy mety maty izy amin'ny Fiaviany Fanindroany.

     Ny lehilahy dia tokony hanaiky an'i Kristy ary hanaraka ny oha-pitiavana nomen’i Kristy ao amin’ny fianakaviany manokana. Tokony hifehy am-pitiavana koa izy ireo, fa tsy amin-kasiahana! Ny lahy sy ny ray dia tokony hitondra ny ankohonany araky ny Lalàn'Andriamanitra - mifehy hahazoan’ireo feheziny tombontsoa. Ary ny vavy dia tokony hanaiky ny vadiny toy ny haneken'ny Fiangonana an'i Kristy (Efes.5:24). Tena mazava tsara fa ny vahoakan'Andriamanitra dia mianatra mifehy satria izy koa dia olom-pehezina.

4. Eo ambany fitantanana sy fitarihan'i Kristy, moa ve misy asa maro samihafa ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra? 1Kor.12:4-6Ary moa ve ny Fiangonan'Andriamanitra dia milamina tsara? Efes.2:19-22; 4:15-16.

FANAMARIHANA: Ny Fiangonana - "ny ankohonan'Andriamanitra "- dia fianakaviana iray, sahala amin’ny hoe Andriamanitra dia Ankohonan'Andriamanitra. Ny Fiangonana koa dia ampitahaina amin'ny tranobe iray sy ny vatan'olombelona miaraka amin'ireo faritra samihafa. Ankehitriny, ny Fiangonana dia voalamina tsara araky ny torolalan'i Jesosy momba ny Fiangonana, izay hita ao amin'ny Teniny voasoratra. Ny faritra rehetra dia mikambana sy miara-miasa, mirindra sy mifanohana. Ny Fiangonana dia miray hina tsara, toy ny mifamatotra. Mampiseho firaisan-tsaina voalamina izany!

5. Amin’ny fitantanana ireo raharaha samihafa ao amin'ny Fiangonana, inona avy ireo andraikitra ara-panahy izay napetrak'Andriamanitra ao amin'ny Fiangonana eo ambany fahefan'i Kristy? Efes.4:11-12.

FANAMARIHANA: Ny Apostoly dia "iraka iray" nalefa hitondra ny hafatry ny Filazantsaran'i Kristy momba ny fiahavian’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny Apostoly koa dia manara-maso ny fitoriana an'io hafatra io ho an'izao tontolo izao ataon’ny olona hafa ankoatry ny tenany. Ny Apostoly koa dia manara-maso ny fiangonan'Andriamanitra rehetra any an-toerana (1Kor 16:1; 2Kor.11-28).

     Ireo mpaminany izay napetraka teo amin’ny fanorenan'ny Fiangonana dia ny an'ny vanim-potoan'ny Testamenta Taloha. Ampiasaina ny ankabeazan’ny asa sorany hampianarana sy hampandehanana ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao. Ny teny hoe "maminany" dia matetika ampiasaina amin'ny heviny hoe :"mitory, na manambara." Noho izany ny sasany amin'ireo mpitoriteny ao amin'ny Fiangonan’Andriamanitra dia azo lazaina hoe "mpaminany" - saingy tsy misy mpaminany vaovao voatonona – araky ny dikan-teny tany am-boalohany - ao amin'ny Fiangonana Apostolikan’ny Testamenta Vaovao, voalaza fa manana fahefana, na andraikitra amin’ny fitantanana, na amin’ny asa fitoriana.

Ireo evanjelista tamin'ny andron'i Paoly dia mpitarika mpitondra fivavahana nitory ny Filazantsara tamin'ny vahoaka, ary nanangana fiangonana tany an-toerana aza izy ireo, sy nanara-maso ny fiangonana sasany teo ambany fitarihan'ny Apostoly. Noho izany, ny evanjelista iray dia afaka mitana andraikitra mpanatanteraka eo ambany fiadidian’ny Apostoly ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra ankehitriny. Ny evanjelista dia tsy voatery hijanona eo amin'ny toerana iray.

Ny pasitera dia ministra (mpanompo) napetraka eo amin'ny fiangonana any an-toerana na amin’ny vondrom-piangonana any an-toerana.

Tany amin'ny Fiangonana Apostolika voalohany tamin’ny Testamenta Vaovao, dia nisy “dokotera” (mpampianatra) izay tsy voatery ho mpitory teny. Kanefa ireo “ministra” sy “dokotera” dia antsoina hoe loholona ao amin'ny andininy sasantsasany ao amin'ny Testamenta Vaovao. Noho izany, ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra ankehitriny dia misy loholona mitory teny sy tsy mitory teny. Ny loholona mpitory teny dia miandraikitra Fiangonana eo an-toerana. Ny hafa dia antsoina ankehitriny ao amin’ny Fiangonana hoe Loholona eo an-toerana.

6.Moa ve ny mpikambana ao amin’ny Tenan’i Kristy no mametra, amin’ny nahim-pony, ny zavatra inoana sy ny fampianarana, sa nalainy avy tamin’ireo Apostolin’i Jesosy Kristy izany, ary miaraka amin'ireo mpaminanin'ny Testamenta Taloha, izay anisan'ny fototry ny Fiangonan'Andriamanitra ao amin’ny Testamenta VaovaoAsan'ny Apostoly 2:42; Efes. 2:20. Taiza ny Apostolin'i Kristy no nahazo ny foto-pinoany? Mat.28:18-20.

FANAMARIHANA: Tamin’ny Taonjato Voalohany, dia noraisin'ny Fiangonana Apostolika mivantana ny finoany, ny fampianarany ary ny fombany, avy tamin'ireo Apostoly, izay nampianarin'i Kristy izany manokana. (Anisan'izany ireo asa soratr'ireo mpaminany ao amin'ny Testamenta Taloha, araky ny voalaza teo aloha). Noho izany, ireo mpikambana tamin’ny Fiangonan’ny Taonjato Voalohany dia tsy nanapa-kevitra samirery momba ny foto-pinoana, na nandray tsirairay ny fahamarinana avy tamin'i Kristy. Satria tokoa mantsy nampianatra ny Apostoly i Kristy. Avy eo Izy dia nanamafy fa izy ireo no tompon'andraikitra amin'ny fampitana ireo foto-pampianarana amin'ny Fiangonana.

7. Inona no anatra nataon'Andriamanitra tamin'ny Fiangonana, tamin’ny alàlan'ny Apostoly? 1Kor.1:10.

FANAMARIHANA: Manambara ny Baiboly fa ny mpikambana rehetra amin’ny Tenan'i Kristy dia tsy maintsy "hiray teny”. Raha lazaina amin'ny teny hafa, dia tsy tokony hisy fisarahana momba izay inoana, ampianarina, na torina. Tsy azo saratsarahana ny Fiangonana! Noho izany, ankehitriny, ny mpikambana tsirairay ao amin'ny Tenan'i Kristy dia manaraka tsara ny foto-pinoana nohazavain’ny Apostoly, toy ny nataon’ny Fiangonana tamin’ny Taonjato Voalohany.

Ny foto-pampianaran'ny Fiangonan'Andriamanitra dia avy amin'Andriamanitra, Izay nanambara izany tamin'ny alalan'i Jesosy KristyAvy eo i Jesosy dia nampianatra ireo Apostoly. Ireo foto-pampianarana ireo ihany no ampianarin’ny Apostoly ankehitriny, izay nahazo izany avy tamin'i Kristy, tamin'ny alalan’ny Teniny izay voasoratra. Avy eo, ny Apostolin'Andriamanitra ankehitriny, dia nampianatra ny mpandraharahan'Andriamanitra teo ambany fiadidianyAry isaky ny Sabata, ireo minisitra ireo dia mampianatra amim-pahatokiana ireo foto-pampianarana ireo ihany koa, amin'ireo mpikamban'ny Fiangonan'Andriamanitra, rehefa mivory izy ireo any amin’ny firenena manerana izao tontolo izao, sady miombon-kevitra!

Ny asan'ny mpikambana tsirairay

1. Moa ve ny Fiangonan'Andriamanitra dia misy mpikambana tsirairay, izay mpikambana amin'ny "Tenan'i Kristy"? 1 Kor.12:27. Manana mpikambana marobe ve ny Fiangonana, toy ny tenan'olombelona? 1 Kor.12:12-14. Moa ve ny mpikambana tsirairay, ao anatin'io tena io, dia samy manana anjara asa lehibe? 1 Kor.12:18-25.

FANAMARIHANA: Efa hitantsika fa ny Fiangonana dia fikambanan’ireo zanaka notorontoronin’Andriamanitra, izay nantsoin’ny Ray hiala amin’izao tontolo izao. Izany no “Tenan’i Kristy”. Izany no filaharan’ny asan’ny organa ara-panahy – ny fofombadin’i Kristyizay ho lasa vadiny rehefa mitsangana amin’ny maty na ovaina ho amin’ny tsi-fahafatesana izy.

     Ny mpikambana tsirairay ao amin’ny Fiangonana dia tsy maintsy mandresy an’i Satana sy izao tontolo izao, ary mandresy ny tenany ihany koaManefy ao anatiny ny toetran’Andriamanitra masina sy lavorary izy ireo. Ankehitriny izy ireo dia miezaka mba ho mendrika ny hipetraka, miaraka amin’i Kristy, eo amin’ny seza fiandrianan’ny fitondram-panjakana eto an-tany – mba hanjaka amin’ireo firenena sy hampianatra azy ireo. Nefa, inona no anjara asa iandraiketan’ny mpikambana tsirairay ankehitriny ao amin’ny Fiangonana?

     Tamin'ny Taonjato Voalohany dia notorian’ny Apostoly sy ny Evanjelistra ny Filazantsara. Fa inona ny anjara asan’ny mpikambana laika tsirairay tamin’izany? TENA GOAVANA TOKOA! Raha tsy nisy an’ireo tokoa, dia tsy ho vitan'ireo Apostoly ny iraka lehibe nankinin'i Kristy tamin’ny Fiangonana!

Herbert W. Armstrong, Pasitera Jeneralin’ny Fiangonan'Andriamanitra manerantany, dia nanantitrantitra fa, amin'ny maha-Apostolin'i Kristy azy, sy ireo Evanjelistaireo Pasitera ary Loholona izay manampy azy, dia tsy ho afaka nanao ny asan’ny Fiangonan'Andriamanitra raha tsy misy ny fanohanana mahatoky sy ny famporisihana tsy tapaka ataon’ireo mpikambana laika.

Ny mpikambana laika tsirairay koa dia tsy ho afaka handrafitra ao anatiny ny toetran'Andriamanitra masina, marina sy tonga lafatra raha tsy misy ny asa sahanin'ny Apostoly, ny Evanjelistra, ny Pasitera ary ny Loholona. Ireo mpikambana samihafa rehetra, izay napetrak'Andriamanitra ao amin'ny Fiangonany, dia mifampiankina. Lasa mpiara-dia izy ireo- fikambanana ara-panahy mirindra - samihafa tanteraka amin'ny lamina misy amin’izao tontolo izao!

Ahoana no fiasan'io fifampiakinana io?

Amin'ny ankapobeny, ny asa rehetra ataon'ny Fiangonana dia mandany vola amin'ity tontolon'ny Taonjato faha-20 ity. Mba hanatanterahana ny iraka nampanaovina azy, ny Fiangonana dia mampiasa fitaovana sy fomba fiasa tsy mbola nisy tao amin'ny tontolon’ny Taonjato Voalohany, toy ny fahitalavitra, ny radio ary ny fampielezam-baovao samihafa. Raha tsy misy ny ampahafolon-karena sy ny fanatitra an-tsitrapo betsaka avy amin'ny mpikambana laika, dia tsy ho afaka hanao ny iraka nomena azy ny Fiangonana!

Ankoatra izany, raha tsy misy ny VAVAKA misy firehetam-po sy mitohy ataon'ireo mpikambana, dia tsy ho vita ny Asan'Andriamanitra. Ary raha tsy misy ny famporisihina tsy tapaka ataon’ireo mpikambana laika sy ireo izay mikarakara azy ireo any an-toerana, ireo izay miasa any amin'ny foibe dia tsy ho afaka hiatrika ny fanenjehana, ny fanoherana sy ny fitsapana izay miaraka amin'ny fanatanterahana ny Asan'Andriamanitra, amin’izao andro farany izao!

Etsy andanin'izany, ny mpikambana laika dia mila ny famporisihana, ny fampianarana, ny torohevitra ary ny fitarihana avy amin'ny foibe sy ny pasitera any an-toerana. Tena mahatalanjona ny fiaraha-miasa mirindran’ny Fiangonan'Andriamanitra!

Ny Fiangonana - "reny" ara-panahy

Andriamanitra dia manambara fa ny Fiangonany no "reny" ara-panahin'ny Kristiana notorontoronin’ny Fanahy. Izy ireo dia “tsiranoka” sy “zaza vao mitsaika” ara-panahy - ary efa zanak’Andriamanitrafa mbola tsy teraka-satria mbola mitombo ara-panahy - rehefa avy notorontoronin’ny Fanahy Masin'Andriamanitra.

Noho izany, ny Fiangonana dia fandaminan'Andriamanitra ara-panahy izay mamelona ireo zanak'Andriamanitra Ray mbola ho avy. Izy io no manome sakafo sy fiofanana ara-panahy izay ilaina. Izy no manampy azy ireo hanefy ao anatiny ny toetra lavorarin'Andriamanitra!

Zava-dehibe ny hahafantarana tsara an'ity fahamarinana mahatalanjona ity.

Andeha hojerena ny fomba fiterahan’ny olombelona. Izany dia sarin’ny fahaterahana ara-panahy. Fantaro tsara ny anjara asan'ny Fiangonan'Andriamanitra amin'ny fampivelarana ny mpikambana hoavy ao amin’ny Ankohonan'Andriamanitra.

Ny fahatorontoronan'ny olombelona, ny vanim-potoana fitondrana vohoka ary ny fahaterahana dia sary an’ohatry ny fahaterahana ara-panahy. Ireo no ohatry ny fahaterahantsika ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra. Ny fiterahan’ny olombelona no ohatry ny famonjena antsika ara-panahy.

Ny fiainan'ny olombelona rehetra dia manomboka amin’ny atody bilitika vokatra ao anatin'ny reny olombelona. Saingy tena voafetra ny fiainan’io atody io. Ny dokotera ary ny mpahay siansa sasantsasany dia mino fa eo amin’ny 24 ora eo ho eo ny androm-piainany, raha tsy misy selan’ny tsiranoka avy amin'ny tenan'ny ray mitambatra aminy. Raha vao tafiditra ao amin’ny atody io tsiranoka io, dia mahita ny lalan-kizorany hikambanany amin'ny ivon’ny sela. Manomboka eo ny fitomboan’ny olombelona vaovao.

Nefa mbola tsy teraka ho olombelona izany. Ny fiainan'olombelona dia mbola notorontoronina fotsiny. Mandritry ny roa volana voalohany, dia antsoina hoe “zaza vao mitsaika” izany. Avy eo, ary mandra-pahaterany dia antsoina hoe “tsaika” izany.

Raha vao notorontoronina ny zaza vao mitsaika dia tsy maintsy mila sakafo – sakafo fizika - ary ny reny no manao izany asa izany. Noho ireo singa mahavelona ara-batana, dia mitombo tsikelikely izy io. Dia mitombo hatrany izy - mandra-paha-vonona azy ho teraka, rehefa afaka sivy volana.

Mariho izao ny fampitahana mampitolagaga amin’ny fiterahan’ny olombelona sy ny fiterahana ara-panahy. Ny olombelona dia tsy maintsy torontoronin’ny ray fizika. Ary mba haterak'Andriamanitra – mba ho lasa Andriamanitrampikambana ao amin'ny Ankohonan'Andriamanitra - dia tsy maintsy torontoronin’ny Ray ara-panahy izy : dia Andriamanitra Tsitoha! Fahamarinana mahagaga izany!

1. Moa ve ny Fanahin'Andriamanitra no mampianatra amin'ny olona iray ny fiainan'Andriamanitra sy ny toetran'Andriamanitra rehefa notorontoronin’Andriamanitra Ray izy? 2 Petera 1:4. Fa ampahany manao ahoana amin’ny Fanahin'Andriamanitra kosa no raisin’ny olona rehefa torontoronina ara-panahy izy? 2 Kor.5:5. Moa ve ny olona iray izay notorontoronina toy izany dia zanak'Andriamanitra ara-bakiteny? Rom.8:16; 1 Jaona 3:1-2.

FANAMARIHANA: Azo ampitahaina amin'ny "atody olona" na tsirinaina vavy ny fiainan'ny olon-dehibe iray. Io tsirinaina vavy io dia manana fetr’andro hiainana voafetra - eo amin'ny 70 taona eo ho eo - raha oharina amin'ny fiainana mandrakizay. Fa ny fiainana ara-panahy, masina, tsy mety maty dia afaka omen'Andriamanitra Ray azy.

Toy ny fikambanan’ny tsiranoky ny lehilahy amin'ny tenan'ny tsirinaina vavy, dia toy izany koa: ny Fanahy Masin'Andriamanitra dia miditra sy mikambana amin'ny fanahin'olombelona! Izany dia mitranga rehefa mandray ny Fanahy Masina ny mpino iray tena nibebakaaorian'ny batisa natsoboka anaty rano sy ny fametrahan-tanana ataon'ny mpanompon'Andriamanitra marina.

Noho izany, ny olona izay notorontoronin’ny Fanahin'Andriamanitra dia "mbola zaza ihany ao amin'i Kristy" (1Kor 3:1). Efa zanak'Andriamanitra sahady izy, na dia mbola tsy teraka aza. Raha ampitahaina mivantana, ny zaza vao mitsaika ao an-kibon-dreniny dia efa zanaky ny ray aman-dreniny, na dia mbola tsy teraka aza.

Ny zanak'Andriamanitra notorontoronin’ny Fanahy ankehitriny dia manana ny voa ahazoana ny fiainana mandrakizay – ny ain’Andriamanitra - amin'ny alàlan'ny Fanahin'Andriamanitra. Saingy tsy mbola tsy mety maty izy; mbola tsy naterak'Andriamanitra izy. Ao anatin’ny lisitry ny mpandova miaraka amin’i Kristy izy (Romana 8:17), fa tsy mbola nahazo ny anjara lovany. Mbola notorontoronina fotsiny tao aminy ny aina masin’Andriamanitra.

     Ilay olona vao avy niova fo, raha vao vita batisa sy nametrahan-tanana, dia tsy manana zavatra betsaka amin’ny toetran'Andriamanitra, ary voafetra ihany ny fahalalany ara-panahy. Amin’ny fotoana izay hahatorontoronan’Andriamanitra antsika, dia lasa “zaza vao mitsaika” ara-panahy isika. Mba hitomboana ara-panahy, dia ilaintsika amin’izay ny sakafo ara-panahy. Jesosy dia nilaza fa “Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona [sakafo fizika], fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra [sakafo ara-panahy]” (Matio 4:4). Io sakafo io dia hitantsika ao amin’ny Baiboly. Io fahalalàna ara-panahy io dia sotrointsika koa, isaky ny mitombo ao anatintsika ny toetra masin’Andriamanitra noho ny fifandraisantsika manokana, isan’andro, amin’Ilay Mpamorona antsika, amin’ny alàlan’ny vavaka, sy ny firahalahian’ny kristiana izay ifandraisantsika amin’ireo zanaka hafa notorontoronin’ny Fanahy ao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra. Isika koa dia mitombo noho ny fampianarana ara-panahy omen’ny Fiangonana

2Ao amin'ny Galatiana 4:26, ahoana no iantsoana ny Fiangonan'Andriamanitra - ilay "Jerosalema any ambony"?

FANAMARIHANA: Manomboka eo amin'ny Galatiana 4:22, dia misy fampitahana momba ny fifanekena roa – dia ny Fanekena Taloha nifanaovana tamin’ny Firenena fizikan’Isiraely tao an-tendrombohitra Sinay; ary ny Fanekena Vaovao izay hifanaovan'ny Fiangonana (ara-panahy) amin'i Kristy, amin'ny fiverenany, araka ny efa nianarana tao amin'ny Lesona 17. Ao amin'io fanoharana io, ny Fiangonana dia antsoina hoe "renintsika" - izany hoe renin’ireo rehetra mpikambana amin'ny Fiangonan'Andriamanitra.

Ny Fiangonana no "reny" ara-panahin'ny mpikambana ao aminy - tahaka ny vehivavy no renin'ny zaza nentiny tao am-bohoka, nomeny nakafo sy naterany; Ny zaza vao mitsaika ara-nofo dia mahazo sakafo ara-nofo mivantana avy amin'ny reny.

3Moa ve napetrak'Andriamanitra ao amin'ny Fiangonany ny mpanompo izay nantsoiny sy nofidiny mba hanome sakafo ny mpikambana ka hitomboany ara-panahy? 1Petera 5:1-3; Efes.4:11-13.

FANAMARIHANA: Ny reny olombelona dia mitondra ao am-bohoka ny zaza, faritry ny vatany izay ahafahany miaro azy be indrindra amin'ny loza ara-batana; ary izany fiarovana izany sy ny famelomana ny zaza ao am-bohoka, dia asa an’azy madiodio. Toy izany koa, ny Fiangonana, amin'ny alalan'i Kristy, dia manome sakafo ara-panahy - mampianatra, manentana, manoro hevitra, mitantana ary miaro ireo zanak'Andriamanitra tsy mbola teraka amin'ny fahasimbana ara-panahy ateraky ny mpitory diso sy ny foto-pampianarana diso!

4Toy ny zaza vao mitsaika sy ny tsaika ara-nofo izay tsy maintsy mitombo mandra-pahaterany, moa ve tsy maintsy mitombo amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Kristy koa ny kristiana izay notorontoronin’ny Fanahy? 2Petera 3:18. Moa ve tsy maintsy mandresy sy manorina ao anatiny ny toetra ara-panahy izy mandritry ny fiainany eto an-tanymba ho teraka ao amin'ny Fanjakan’AndriamanitraApok.21:7.

FANAMARIHANA: Moa ve ny kristiana notorontoronin’ny Fanahy dia tsy maintsy manorina tsikelikely ao anatiny ny toetra lavorarin’Andriamanitra, dia ny fitiavana, ny finoana, ny fahari-po, ny fahamoram-panahy, ny fahalalàna oniny, sns.? (Gal.5:22-23). Manao izany izy, amin'ny alàlan'ny fankatoavany sy ny fampiasany ny Tenin'Andriamanitra mandritry ny androm-piainany! Ary izany no asan'ny Fiangonana – ilay "reny" ara-panahin’ny kristiana – dia ny manampy ireo nantsoin’Andriamanitra sy napetrany eo anivony, mba hampivelatra ao anatin’ireo ny toetran'Andriamanitra masina, marina ary tonga lafatra.

Any aoriana, amin'ny fotoana voatondron'Andriamanitra, amin'ny fitsanganana amin'ny maty na amin'ny fanovana eo no ho eo ho tsy mety maty amin'ny fiavian'i Kristy (Romana 8:11; 1Kor.15:49-53; 1Tes.4:1617), ny zanaka rehetra izay notorontoronin’ny Fanahy dia haterak'Andriamanitra, ary hiditra ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra na ny Ankohonan'Andriamanitra!

5Moa ve ny olona notorontoronin’ny Fanahy toy izany, dia ho lasa fanahy, tahaka an’Andriamanitra izay fanahy? Jaona 3:5-8; 4:24.

FANAMARIHANA: Tena mahatalanjona ny fitoviana misy amin’ny fiterahana ara-batana sy ny fahaterahana ara-panahy ao amin’ny Ankohonan'Andriamanitra! Na izany aza, noho ny hafetsen’i Satana, dia nafeniny tamin’ny olombelona ny fahamarinana fa isika dia mety ho teraka ho toy ny fanahy, ho mpikambana amin’ny Fianakaviana Masina, ho ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra, ary ny Fiangonana dia zaza vao mitsaika ankehitriny!

Misy Famonjena Ve Ivelan’ny Fiangonan'Andriamanitra?

Afaka mahazo famonjena ve ny olona iray ivelan'ny Fiangonan'Andriamanitra - ilay "renin"ireo zanany notorontoniny, izay mahazo sakafo ara-panahy avy aminy? Inona no lazain'ny Baiboly momba izany?

Hoy i Jesosy Kristy: "haoriko ny fiangonako" (Matio 16:18). Tsy niteny Izy hoe: "Hanorina fiangonana maromaro aho". Tsy misy firaketana an-tsoratra ao amin'ny Baiboly momba an'i Jesosy hanorina fiangonana manana anarana roa, telo, folo, an-jatony maromaro, manana finoana sy fampianarana samy hafa.

Jesosy dia tsy nanorina afa-tsy fiangonana tokana monja(Efes 4:4) « Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin'ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo; ». Ankoatr’izany, ilay hany Fiangonana tokana izay nampanantenainy fa haoriny, dia nanomboka tamin'ny taona 31, tamin'ny nandatsahany ny Fanahy Masina tamin'ireo Mpianatra izay nivory "teo amin'ny fitoerana iray" (Asa 2:1).

Ny mpikamban'ny Fiangonan'Andriamanitra dia tsy olona nanapa-kevitra fotsiny fa tiany ny "hikambana" amin'ny Fiangonany, hanao an'izay tiany sy hanatrika ny fivoriana. Andriamanitra mihitsy no miantso ny mpikambana tsirairay ary mitaona azy hibebaka (Jaona 6:44; Rom.2:4). Ny mpikambana hafa dia tonga manatevin-daharana ny Fiangonan'Andriamanitra rehefa mibebaka izy, vita batisa ary nandray ny Fanahy Masina (Asa 2:38, 47, 1Kor.12:13). Ny mpino mibebaka dia lasa zanaka notorontoronin'Andriamanitra rehefa mandray ny Fanahy Masina izy. Mino ny fampianarana izay napetrak’i Jesosy ao amin'ny Fiangonany izy.

Andao ho takarina bebe kokoa izany.

1. Tamin'ny inona no nanoharan'i Jesosy ny tenany? Jaona 15:1. Ary tamin’ny inona no nampitahany an’ireo mpikambana tsirairay ao amin'ny Fiangonany? Jaona 15:5. Afaka mitondra voa ve ny sampana raha tsy miray amin'ny voaloboka? Jaona 15:4.

Fanamarihana: Nolazain'i Jesosy ho toy ny voaloboka Izy, ary ny Fiangonany toy ny sampam-boaloboka. Mariho fa tsy nampitovy ny tenany amin’ny voaloboka maro i Jesosy – fa amin’ny voaloboka iray! Ireo mpikambana amin'ny tenan'i Kristy no sampana - fa tsy sampana misaraka amin’ny foto-boaloboka. Izy rehetra dia miray amin'ny voaloboka iray ihany - ny tenan'i Kristy.

2. Fa inona no mitranga amin'ireo sampana izay misaraka sy tapaka amin'ny voaloboka - izay misaraka amin'ny tenan'i Kristy? Jaona 15:2, 6.

FANAMARIHANA: Niresaka tamin'ireo voafidy ho apostoly tao amin'ny Fiangonany i Jesosy. Nilaza tamin'izy ireo Izy fa ny Ray no mpamboatra - ilay mpamboly voaloboka (Jaona 15:1). Ny sampana rehetra amin'ity voaloboka ity (ny tenan'i Kristy, ny Fiangonana) izay tsy mamoa ho an'ny Fanjakan'ny Lanitra, dia tapahan’ny Ray – alàny - mba hahazoan’ny voaloboka hitondra voa bebe kokoa.

Ny fampitahan'i Jesosy dia fampitandremana lehibe ho an'ireo izay mihataka amin'ny Fiangonany. Ireo dia hijanona tsy hitombo, halazo ary ho faty ara-panahy amin'ny farany!

3. Moa ve ireo izay manapa-kevitra ny hitady famonjena "ivelan'ny" Fiangonan'Andriamanitra dia hanambady an'i Kristy rehefa hiverina Izy amin’ny maha-Mpanjakan’ny mpanjaka Azy, mba hiray amin’ny vadiny, dia ny Fiangonan'Andriamanitra? Apok.19:7; Mat.25:10-12.

(Apokalypsy 19:7) « Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra Azy; fa tonga ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Ka efa niomana ny vadiny. »

(Matio 25:10) « Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin'ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana. » (Matio 25:11) « Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe Tompoko, tompoko, vohay izahay. » (Matio 25:12) « Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro ianareo. »

FANAMARIHANA: Ireo izay mpikambana amin'ny ampakarina, izay efa niomana ihany, no hanambady an'i Kristy amin'ny fiverenany, araka izay noresahina tao amin'ny Lesona 17Kristy dia hanambady ny hany Fiangonany marina – fa tsy ireo antokon'olona samihafa, na antokom-pinoana mahaleo-tena sy tsy mitambatra, izay manandrana manara-dia an'i Kristy araka ny fombany manokana, fa tsy amin’ny lalan'Andriamanitra (Ohab.14:12).

Raha misaraka amin’ny tenan'i Kristy ny olona iray, ka tsy te-handray anjara intsony amin'ny asa ataon’ny Fiangonana, dia efa nandao an'i Kristy izy, ary tsy ho anisan'ny ampakarina izay hanambady ny Mpanjakan’ny mpanjaka, satria i Jesosy Kristy dia tsy hanambady afa-tsy ilay hany Fiangonana tokana sady marina ihany, izay Fiangonana miray!

Rehefa ho avy tsy ho ela i Kristy dia ho efa vonona ny fofom-badiny ka hiditra ao amin'ny Fanekem-pihavanan’ny Fanambadiana Vaovao amin'ny Tompo. Ny varavarana dia hohidiana amin'ireo rehetra izay nihevi-tena fa efa vonona rehefa tonga hanambady ny Fiangonany ny mpampakatra, dia i Kristy. Ireo izay nihevitra fa afaka "mandeha irery" izy ireo, na miaraka amin'ny vondrona hafa na amin’ny anaram-piangonana hafa, dia ho avy ary handondona eo am-baravarana - fa hilaza kosa i Kristy hoe: "Tsy fantatro ianareo" (Matio 25:12).

Andriamanitra mihitsy no nametraka ny planin’ny famonjena sy ny fomba izay ahafahan'ny olombelona, aorian'ny fahatorontoronany ara-panahy, hahazo fampiofanana ka ho vonona ny ho tonga ilay olona masina nateraky ny Fanahy - naterak'Andriamanitra - ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.

Ny Ankohonana mpanjaka izay an'Andriamanitra dia ho fianakaviana nahazo fiofanana avo lenta sy traikefa tsara sy mahatalanjona, satria efa nianatra ny lamin'Andriamanitra misy fiaraha-miasa, ka ho hiara-mientana tsara. Ireo mpikambana ao amin'ny Ankohonan'Andriamanitra dia hiara-manjaka amin'ny Ray sy Kristy mandrakizay!

Izay miteny hoe: "Hiaina irery eto amin'ny tontolon'i Satana aho - tsy ho anisan'ny mpikambana amin’Fianakaviana aho" - dia mazava fa tsy ho ao amin'ny Fianakaviana! Tsy nahazo fiofanana izy ary tsy nampivelatra ny toetra ara-panahiny izy, araky ny modely sy ny planin'Andriamanitra. Ny olona toy izany dia tsy afaka miditra ho mpikamban'ny Ankohonan'Andriamanitra raha tsy efa niofana sy nitombo ao amin'ny Fianakaviana notorontoronin’ny Fanahy Masina – dia ny Fiangonana!

Andriamanitra dia tsy hamela hiditra ao amin'ny fianakaviany ireo rehetra mandà tsy ho mpikambana ao amin'ny Fiangonana mba hahazo fampiofanana ara-panahy. Izany no antony maha-zava-dehibe ho an’ny olona izay nantsoina sy notorontoronin'Andriamanitra ankehitriny mba hitombo sy handresy ary tsy hivadika sy hankatò ny fitondram-panjakan'Andriamanitra ao amin'ny Fiangonany - satria ny Fiangonan'Andriamanitra no Fanjakan'Andriamanitra vao mitsaikaizay tsy ho ela dia haterak'Andriamanitra.

No comments:

Post a Comment