Pentekosta sy "Voaloham-Bokatra" - Nanomboka Tamin'ny Andro Pentekosta Ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao

 

Ambasadaoro Kolejy - Toko faha-29

PENTEKOSTA

NY "VOALOHAM-BOKATRA" IHANY NO ANTSOINA ANKEHITRINY!

               Andriamanitra dia tsy mitady hanova fo ny tontolo amin’izao fotoana izao – na mino izany ianao na tsia! Ankehitriny dia vitsy an'isa no antsoin'Andriamanitra ho amin’ny famonjena - ho santatry ny famonjena. Fa nahoana?

               Olona 7 miliara eo ho eo no velona ankehitriny. Amin'ity isan’olona marobe ity, Andriamanitra dia tsy niantso sy nametraka tao amin'ny Fiangonany tao anatin'ny 70 taona lasa izay afa-tsy olona roa hetsy eo (200 000). Ho an'ny olona iray napetrak'Andriamanitra ao amin'ny Fiangonany, dia olona 35 000 (dimy arivo sy telo alina) no tsy nantsoiny! Fa nahoana? Misy antony mahagaga!
               Ireo olona maro an'isa ireo, araky ny ambaran’ny Baiboly, dia mbola hantsoina any aoriana, vao hantsoina, ny ankabeazany dia aorian'ny fiverenan'i Kristy. Ireo olona an'arivo tapitrisa ireo dia tsy afaka manatona an'i Kristy ary tsy ho lasa anisan'ny Fiangonan’Andriamanitra ankehitriny-na dia manandrana izany aza izy ireo! Nilaza mazava toy izao i Jesosy: "Tsy misy olona mahay manatona ahy, raha tsy taomin'ny Ray Izay naniraka ahy" (Jao.6:44).
               Raha ampitahaina, dia olona vitsivitsy ihany no notarihan'Andriamanitra tamin'izao vanim-potoana izao, fa ho amin'ny tanjona lehibe. Fa nahoana no vitsy ihany no nantsoin’Andriamanitra? Inona no antony nifidianan'Andriamanitra sy nametrahany tao amin'ny Fiangonany ny “voaloham-bokany”? Moa ve Andriamanitra nitaona ireto olom-bitsy ireto ary nametraka azy ireo tao amin'ny Fiangonany, araka ny fiheveran'ny sasany, mba hahazoan’ireo ny famonjena sy hankafizany ny fiarahana sy ny fiainana ara-tsosialin'ny Fiangonana eo an-toerana?

Aiza Ho Aiza Isika Izao Ao Amin'ny Planin’Andriamanitra?

               Andriamanitra dia manana Planina Lehibe asehony amin'ireo fety fito fanao isan-taona.
               Ny fetibe voalohany dia ny Paska. Izy io dia maneho ny Mesia, na Kristy, izay nanolo-tena an-tsitrapo, talohan'ny nananganana an'izao tontolo izao, mba hovonoina ho Zanak'ondrin’ny Paska, ho Mpamonjy an'izao tontolo izao (1Pet. 1: 19-20; Apok.13: 8). Tanteraka izany tamin'ny lohataona 31 tar.JK.
               Ny fety lehibe faharoa, ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira, dia tandindon’ny fandresena ny ota. Ny olombelona voalohany, Adama sy Eva, dia tsy nankatoa an'Andriamanitra ary niditra teto an-tany ny ota. Noho izany, Andriamanitra dia nanameloka ny fianakavian'olombelona natao an-tsesitany ara-panahy nandritry ny 6000 taona, ary mandritra izany, ny taranak'olombelona dia tapaka tamin'ny fahafahany mahazo famonjena (afa-tsy ireo vitsivitsy izay nofidiny ho an'ny tanjony manokana).
               Efa manakaiky ny faran'ny 6000 taona voalohany isika izao, izay nanandraman’ny olombelona endrika governemanta izay azon’ny saina foronina, hevitra ara-pivavahana, ara-piaraha-monina ary ara-toekarena izay azo eritreretina. Tsy ho ela dia hitranga ny dingana fahefatra amin'ny Planin’Andriamanitra, dia ny fiverenan'i Jesosy Kristy mba hamerina amin'ny laoniny ny Fitondram-panjakan'Andriamanitra ety an-tany. Ity hetsika ity dia tandindon'ny Andro Masina fahefatra, dia ny Fetin'ny Trompetra. Aorian'io seho io dia hantsoina ho amin'ny famonjena ny ankamaroan'ny olona ho ao amin'ny tontolo iray fehezin'ny Ankohonan’Andriamanitra. Saingy alohan'ny ahafahan'ny ankamaroan'ny olona miaina amin'ny tontolo toy izany, sy ampianarina ny lalana marina mankany amin'ny famonjena, dia tsy maintsy ampiofanina ny mpitondra sy ny mpampianatra. Eto isika voaloham-bokatry ny famonjena amin'ny Planin’Andriamanitra no miditra an-tsehatra!

Ny Fiangonana Ao Amin'ny Planina Lehiben'Andriamanitra

               Ao amin'ny vanim-potoanan'ny Fiangonana isika izao. Andriamanitra dia tsy miasa amin'ny alàlan'ny mpaminany mitokana, na amin'ny alàlan'ny Kristiana mahaleo tena. Izy dia miasa amin'ny alàlan'ny vondrona kely ara-panahy misy olona notorontoronin’ny Fanahy an'aliny, nalamina sy natambatra tamin'ny lalàny, ny governemantany, ny fahamarinany.
               Ny Fiangonan’Andriamanitra no fitaovana hanomanan'Andriamanitra an’izao tontolo izao amin'ny fiverenan'i Kristy! Amin'ny alalàn'ny Fiangonan’Andriamanitra no hanomanany ny mpitondra sy ny mpampianatra rahampitso ao amin’ny Fanjakany. Andriamanitra no nametraka ny fototra; Manomboka manamboatra ny Tontolon’ny Ampitso Izy amin'ny alàlan'ny Fiangonany ankehitriny!
               Ireo izay antsoina ho ao amin'ny Fiangonan’Andriamanitra dia anisan'ny voaloham-bokatra ara-panahy avy amin'Andriamanitra - ny vondrona voalohany nomena famonjena. Ireo ao amin'ny Fiangonan’Andriamanitra ankehitriny dia nantsoina voalohany ho amin'ny Tanjona manokana, dia ny fiomanana mankany amin'ny Fanjakan’Andriamanitra!
               Raha vantany vao vonona sy vonona ny Fiangonana, ny voaloham-bokatr'Andriamanitra dia ho lasa mpanampy an'i Kristy amin'ny fanapahana sy fampianarana, hanampy amin'ny fampianarana ny tsirairay ny lalana marina mankamin'ny famonjena any amin’ny Tontolon’ny Ampitso. Nantsoina izy ireo hiasa manokana hahafeno ny fepetra hanampy, raha ilaina iza           ny, hitondra ny fahalalana ny famonjena ho an'ny maro an'isa!
               Ny voaloham-bokatry ny famonjena dia asehon'ilay fety lehiben'Andriamanitra fahatelo isan-taona – dia ny Fetin'ny Voaloham-bokatra, izay antsoina hoe Pentekosta ao amin'ny Testamenta Vaovao.
               Andeha hojerentsika izao izay tsy ananan'ny Kristianisma nentim-paharazana fahalalana, dia ny ambaran’ny Baiboly momba ny Fetin'ny Voaloham-bokatra, na Fiangonan’Andriamanitra, sady dingana lehibe fahatelo amin'ny Planin'Andriamanitra ho famonjena ny olombelona rehetra.

 

LESONA 29

Nanomboka Tamin'ny Andro Pentekosta Ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao

               Niresaka fohy tamin'ny mpianany i Jesosy talohan'ny fitsarana Azy sy ny nanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana: "Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankeo aminareo Aho" (Jao.14:18). Kristy dia nanohy nampianatra sy nanohana ny Apostoly, fa tsy Izy manokana, satria niakatra tany an-danitra Izy. Ka ahoana no ahatongavany any amin'izy ireo?-Amin'ny alàlan'ny Fanahy Masina.
1. Moa ve nampanantena ny mpianany i Jesosy fa handray fahefana avy any an-danitra izy ireo? Lioka 24:49. Taiza no nilazany tamin’ireo fa hiandry an'io fahefana io izy ireo? Andininy mitovy sy Asan'ny Apostoly 1:4-5, 8.
2. Tamin'ny fomba mahagaga ahoana no nahatongavan'ny Fanahin'Andriamanitra tamin'ny mpianatr'i Kristy? Asan'ny Apostoly 2:1-6. Inona no anaran'io andro nanehoana an'io fampiratiana lehibe io? Andininy 1.
FANAMARIHANA: Ny andro Pentekosta no fety lehibe fahatelo fanao isan-taona nomena ny Isiraely taloha. Ny anarany ao amin'ny Testamenta Taloha dia Fetin'ny Voaloham-bokatra, satria tamin'ny fiafaran'ny fijinjana voalohany na fijinjana lohataona tany amin'ny ila-bolan-tany avaratra izany (Eks.23:16; 34:22; Nom.28:26). Nantsoina koa hoe Fetin'ny Herinandro izany, satria fito herinandro aorian'ny alahady voalohany manaraka ny Paska izany (Deo.16:9-10, 16). Koa satria andro fahadimam-polo tamin'ny vanim-potoana fijinjana lohataona io, dia nantsoin'ny Jiosy sy ny Kristiana miteny grika hoe pentekoste, izay midika hoe "faha-dimampolo".

            Ny Pentekosta tamin’ny taona 31 tar JK dia nanamarika ny fiantombohan'ny Fiangonan'ny Testamenta Vaovao notorontoronin’ny Fanahin’AndriamanitraEkklesia, izay teny grika nadika hoe "Fiangonana", dia midika hoe fivorian'ny "voantso". Tsy "nantsoina" ny tontolo rehetra, fa ny vitsy an'isa ihany, izay voatendry hantsoina ho amin'ny tanjona manokana. Izany dia asehon'ny sary sy ny fahatsiarovana ny Fetiben'ny Pentekosta isan-taona.

Nisaraka Tamin'ny Fanahy Masina Izao Tontolo Izao

               Fa nahoana Andriamanitra no miantso ny olona ho amin'ny famonjena? Fa nahoana Andriamanitra no tsy miantso afa-tsy olona vitsivitsy fotsiny alohan'ny hiantsoany ny maro an'isa? Vantany vao nantsoina ny olona iray ary napetraka ao amin'ny Fiangonan’Andriamanitra, inona no ataony?
 
1. Ho dingana voalohany amin'ny fiterahany ny tenany, Andriamanitra dia nahary an'i Adama sy Eva ary nanome azy ireo torolàlana fototra amin'ny lalana marina tokony hiainany. Moa ve Andriamanitra nanome fotoana tsara an'i Adama sy Eva mba hahazoan’izy ireo handray ny Fanahiny? Gen.2:8-9, 16-17.
FANAMARIHANA: Adama dia nanana fiainana mety maty. Ny hazon'aina dia maneho ny fiainana mandrakizay, izay azo avy amin'ny Fanahin'Andriamanitra irery ihany. Raha nihinana tamin'io hazo io i Adama, dia ho nahazo ny Fanahin'Andriamanitra, ho notorontoronina ho zanak'Andriamanitra. Adama, araky ny fepetra, dia tokony ho nahita ny fomba hahazoany ny fiainana mandrakizay. Ny Fanahin'Andrimanitra dia ho namela an'i Adama sy Eva handresy ny fakam-panahy, hitombo amin’ny toetra tsara ary ho tonga lavorary sy vonona homena ny fiainana mandrakizay ara-panahy, tsy misy fepetra.
               Na i Jesosy aza dia tsy maintsy nitombo, nianatra, nandresy ary lasa lavorary (Lio.2:40; Heb.5:8; Apok.3:21; Heb.2:10).
2. Tsy nihinana tamin'ilay hazon'aina anefa i Adama sy Eva. Tamin’ny hazo inona no nofinidiny hihinanana? Gen.3:1-6.
FANAMARIHANA: Na dia efa nampitandrina azy ireo aza Andriamanitra momba ny sazy azo raha mihinana amin'ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, dia resy lahatra i Eva noho ny hafetsen’ny devoly fa hihinana ny voankazo izay mitarika ho amin'ny fitiavan-tena sy ny fahafatesana! Nihinana an-tsitrapo ilay voankazo voarara koa i Adama.
Na tsapan'i Adama tanteraka izany na tsia, dia very ny fahafahany handresy an'i Satana sy hisolo azy ho mpitondra an'izao tontolo izao. Nankatoa an'i Satana i Adama, ka nametraka ny tenany teo ambanin'ny fitondram-panjakan'i Satana.
3. Inona no sazy azon'i Adama sy i Eva noho ny tsy nankatoavany an'Andriamanitra? Gen.3:16-19. Nolavina ve ny fidirany mankany amin'ilay hazon'aina ka nesorina taminy ny Fanahin'Andriamanitra? Andininy 22-24.
FANAMARIHANA: Taorian'ny tsy fankatoavan'i Adama, dia notapahan'Andriamanitra tsy hiditra ao amin'ny Fanahiny ny zanak'olombelona, ka nesoriny tsy ho voavonjy izy ireo! Mandra-pahatongan'ny zanakalahin'i Adama, dia ny Zanak'olona, hahafeno ny fepetra rehefa tsy nahomby i Adama, ho afaka handresy an'i Satana, handoa ny sazin’ny otan’ny olombelona ary hanavotra an'izao tontolo izao tamin'ilay mpaka an-keriny azy, dia tsy nisy afaka namerina amin’ny laoniny ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany, ary tsy hisy olona hahazo ny famonjena.
               Ny Mesia, ary Izy irery ihany, no afaka nanao izany rehetra izany. Noho izany antony izany ary, dia napetraka ny Planin’Andriamanitra mba ho tsy mbola tsaraina aloha ny olombelona amin'ny ankapobeny. Andriamanitra dia tsy namela azy ireo hiditra amin'ny Fanahiny, na hiditra amin'ny famonjena. Hanana fahafahana hahazo ny famonjena izy ireo amin'ny fitsanganana amin'ny maty manokana, amin'ny fitsarana azy ireo, izay hatao aorian'ny famerenana ny Fitondram-panjakan'Andriamanitra manerana ny tany manontolo.

Vitsy Ihany No Nantsoin’Andriamanitra

               Ny tanjona lehibe iray izay mibahana ao an-tsain'Andriamanitra dia ny famerenana amin'ny laoniny ny governemantany eto an-tany. Andriamanitra dia nanokana vanim-potoana 7000 taona hanatanterahana ny fikasany. Tamin’ny 6000 taona voalohany, dia nomelohany ny olombelona mba tsy ho voavonjy.
               Ho hahatanteraka ny tanjony faratampony, dia niantso olona vitsivitsy Andriamanitra. Ny Hebreo 11 dia manonona an'i Abela, Enoka, Noa, Abrahama ary ny hafa. Ny tsirairay dia toa nantsoina hanao iraka manokana avy, mba hanomanana ny famonjena ny zanak'olombelona. Mba hahafahan'ireo manatanteraka ny iraka nampanaovina azy ireo, dia nilaina ny faninganana, ary nomen'ny Fanahin'Andriamanitra hery izy ireo.
               Ny asa nataon'ny patriarka sy ny mpaminany dia nanjary fototra nananganana ny Fiangonana (Efes. 2:20), ary ny Fiangonana kosa dia lasa fitaovana ampiasain'Andriamanitra hamitana ny Fanjakany sy hamerenana amin'ny laoniny ny governemantany manerana ny tany manontolo.
               Na ny Isiraely taloha aza, amin'ny ankapobeny, dia tsy mba notolorana ny Fanahin'Andriamanitra mihitsy. Nomena ny lalàn'Andriamanitra izy ireo, saingy, amin'ny maha firenena azy, dia nolavina tsy hiditra amin'ny Fanahin'Andriamanitra izy ireo. Nanome porofo Andriamanitra, tamin'ny alàlan'ny Isiraely, fa raha tsy misy ny Fanahiny, dia tsy hisy hanampy ny zanak'olombelona. Ny firenen'i Isiraely taloha dia nahalala ny momba an 'Andriamanitra ary afaka niantso Azy, fa raha tsy manana ny Fanahiny ao anatiny izy ireo, dia tsy afaka hanana ny fitiavan'Andriamanitra ao aminy ny Isiraelita, ary noho izany dia tsy afaka ny ho marina ara-panahy izy ireo.
               Na teo aza izany, taorian'ny nahalasa ho roa ny firenen'Isiraely, ny firenen'Israely sy ny Joda nisaraka dia nampiasain'Andriamanitra mba hampandroso ny planiny. Nasain'Andriamanitra nitahiry ny fahalalana ny Lalàny sy ny Teniny ny firenen'ny Joda, na dia tsy nanana fahatakarana ara-panahy momba izany aza izy ireo. Teraka avy tao amin'ity firenena ity i Jesosy Kristy.
            Amin'izao vanim-potoana mialoha ny hanombohan'i Kristy hanjaka amin'ny tany manontolo izao, dia voafidy manokana ny olona tsirairay. Antsoina ho iraka manokana ireo voaloham-bokatra ireo.
               Rehefa tonga tety an-tany i Jesosy Kristy efa ho 2000 taona lasa izay, dia tsy tonga mba hanangana ny fanjakany Izy (Jaona 18:36). Tamin'izany fotoana izany, dia tsy tonga i Kristy hanakana an'i Satana tsy hamitaka an'izao tontolo izao. Andao ho fantarina ny antony.
1. Niresaka tamin'ny fanoharana ve i Jesosy mba hanazavana ny dikany, sa hanafenana ny heviny amin'ny besinimaro? Mat.13:10-15, 34; Marka 4:11-12.
               Moa ve izany, satria mbola tsy tonga ny fotoana famelana ny heloky ny maro sy hiovany fo? Marka 4:12.
FANAMARIHANA: Nitory ny filazantsaran'ny Ray tamin'ny besinimaro i Kristy ho vavolombelona. Henon'izy ireo izany fa tsy azony. Ireo hany tena tian'i Jesosy hahafantatra ny marina dia ireo mpianatra vitsivitsy nantsoina manokana sy voafidy.
2. Moa ve ny olona te hanatona an'i Kristy dia mahazo ny Fanahin'Andriamanitra, ary amin'izany dia ho tonga mpikamba ao amin'ny Fiangonany? Jaona 6:44, 65.
FANAMARIHANA: Amin'ity vanim-potoana mialoha ny hanombohan'i Kristy hitantana ny tany manontolo ity, dia voafidy manokana ny olona tsirairay. Tahaka ireo mpaminany talohany, ireo voaloham-bokatra ireo dia nantsoina ho iraka manokana – ho fanomanana ny tanjona mba hananganana ny Fanjakan’Andriamanitra ety an-tany sy hamonjena ny maro an'isa!
               Alohan’izany, dia tsy azo atao ny maningana - ny tontolo rehetra dia tsy maintsy mijanona tsy hiditra any amin'ny famonjena mandra-piverin'i Kristy.
               Izany no mahatonga ny Fiangonan’Andriamanitra tsy manandrana manova fo olona. Andriamanitra irery no mahavita an'izany. Ny mpanompon'Andriamanitra dia tsy mangataka na miangavy na iza na iza hibebaka na hatao batisa na hanohana ny Fiangonan’Andriamanitra. Saingy hataon'izy ireo izay hahamora azo ny lalan'Andriamanitra ho an'ireo izay nantsoin'Andriamanitra.
               Raha tian'Andriamanitra hahatakatra ny olona rehetra, dia hahatakatra ny rehetra. Raha tsy izany, dia sarotra ho an’ny tsirairay ny hanao izany. Ny tànan'Andriamanitra dia hanala ny tetika izay nanomboka tao amin'ny Saha Edena ka hitohy mandra-pahatongan'ny fotoana alohan’ny fiverenan'i Kristy.
3. Taorian'ny nitsanganan'i Kristy tamin'ny maty, dia firy ny isan’ireo mpianatra? Asan'ny Apostoly 1:15. Moa ve nomena ny Fanahin'Andriamanitra izy ireo, ka nahatonga azy ireo ho mpikambana voalohany ao amin'ny Fiangonan’Andriamanitra? Asan'ny Apostoly 2:1-4; 1Kor.12:13.
FANAMARIHANA: Tamin’ireo olona an'arivony maro izay nandre an'i Kristy, 120 teo ho eo no nino Azy. Ireo 120 ireo dia efa nampianarin'i Jesosy. Ireo 3.000 notorontoronin'Andriamanitra taorian'io andro io (Asa 2:41) dia avy amin'ny faritra samihafa eto amin’izao tontolo izao (andininy 5, 8-11); izy ireo dia tsy mba nampianarin'i Kristy tamin'ny ankapobeny. Nampianarin'ny Apostoly izy ireo, izay efa nozarina sy nasaina nampianatra (Mat.28:19-20).
               Ny isan'ny Kristiana dia nihe-nitombo ary mety nitombo hatramin'ny 100 000 teo ho eo. Saingy nanomboka ny fanenjehana, araky ny faminanian'i Jesosy (Jaona 15:20). Ny fanenjehana dia avy tamin'ny Jiosy aloha, avy eo avy tamin’ny Romana sy ny rahalahy sandoka (Asa.20:29-30; 3Jaona 9-10). Am-polo taona maro taty aoriana dia betsaka noho ny rahalahy marina ireo rahalahy sandoka ireo.
               Ny ankamaroan'ny Fiangonana dia nibosesehan’ny olona izay niezaka nampifangaro ny fampianaran'i Kristy tamin'ny fomba amam-panao nentim-paharazana, nanimba ny fahamarinana tamin'ny alàlan'ny fametahana anarana hoe Kristiana amin'ny hevitra mpanompo sampy. I Satana, ilay andriamanitr'ity tontolo ity, dia namitaka ny maro tamin'ny fivavahana mody atao hoe Kristiana nefa sandoka sy lainga.
               Ny tena kristiana dia nijanona ho vitsy an'isa, azo inoana fa tsy nihoatra ny iray hetsy eo ho eo (100 000), nandositra nankany amin'ny faritra vaovao rehefa nanjary mafy loatra ny fanenjehana.
Fa nahoana Andriamanitra no manana an'io ondrikely? Inona no tanjony?

Ny Fiangonana : Miomana Ho Any Amin'ny Fanjakan’Andriamanitra

               Noforonin'Andriamanitra tsy tanteraka ny olombelona, ka mila fanamboarana farany. Nomena fanahin'olombelona ny olona, ka mila ny Fanahin'Andriamanitra. Natao ho mety maty izy, ka mila omena ny tsy fahafatesana. Noforonina hanana safidy malalaka izy, ka mila mampivelatra ny toetra amam-panahiny.
               Tahaka ny tsy namoronan'Andriamanitra ny rehetra indray mandeha, fa tamin'ny dingana nifandimby, dia toy izany koa ny famonjeny ny olombelona dia amin'ny dingana mifandimby. Ny dingana tsirairay dia dingana mandroso mankany amin'ny tanjona hametrahana ny Fanjakany sy hamerina amin'ny laoniny ny Fitondram-panjakany eto an-tany.
1. Naminany ve i Malakia fa handefa iraka Andriamanitra hanomana ny lalana eo alohan'ny Tompo? Mal.3:1. Moa ve io faminaniana io dia tanteraka ampahany tamin'ny alàlan'i Jaona Mpanao Batisa, izay tonga talohan'ny Fiavian'ny Tompo Voalohany? Lioka 7:24, 27. Nanomana ny lalana tamin'ny fanomanana ny olona ho voaomana ho an'i Kristy ve i Jaona? Lioka 1:17.
FANAMARIHANA: Nitory fibebahana sy fankatoavana ny lalàn'Andriamanitra i Jaona - hampiodina ny tsy fanoavana ho fahendren'ny marina. Araka izany, rehefa nanomboka nitory i Jesosy, dia nisy olona vonona hihaino. Maro tamin'ny mpianatr'i Jaona no lasa mpianatr'i Jesosy.
2. Moa ve nilaza tamin'ny mpianany i Kristy fa ny asan'i Jaona amin'ny fanahy sy ny herin'i Elia dia tandindon'ny "Elia" iray hafa mbola ho avy? Mat.17:11-13. (Mariho fa nilaza i Jesosy fa "mbola" - ho avy ihany.)
               Naminany ve i Malakia fa io "Elia" - mpitondra hafatr'Andriamanitra io - dia ho avy alohan'ny andron'ny Tompo, rehefa ho avy amin'ny heriny i Kristy hanafay ny tsy manoa sy hanjaka amim-pahamarinana? Mal.3:1-2, 5; 23-24.
FANAMARIHANA: I Jaona dia tandindon’ny mpitondra hafatra hirahin'Andriamanitra amin'ny fanahy sy ny herin'i Elia alohan'ny Fiavian'i Kristy Fanindroany. Ny olona dia ho vonona ho an'i Kristy amin'ny alàlan'ny hafatra momba ny fiverenan'i Kristy, ny fananganana ny Fanjakan’Andriamanitra ary ny filan'ny olona hibebaka.
3. Amin'ny fomba ahoana no hiomanan'ny Fiangonan’Andriamanitra ankehitriny amin'ny faran'ny tontolon'i Satana sy ny fidirana any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra? Mat.24:3, 14; Marka 13:10.
FANAMARIHANA: Avy amin'ireo andininy ireo, dia mazava fa ny Filazantsara marina dia tsy notorina tamin'izao tontolo izao nandritry ny 2000 taona mahery, satria mbola tsy eto ny farany. Nofoanana ny tena Filazantsara, ary arak'io faminanian'i Jesosy Kristy io, ny "filazantsara" notorina tamin'izao tontolo izao dia filazantsara iray hafa, sandoka!
               Ny Fiangonan’Andriamanitra, amin'ny alàlan'ny fitoriana ny Filazantsaran'i Kristy momba ny Fanjakan’Andriamanitra amin'izao tontolo izao ho vavolombelona, dia manomana olona an-tapitrisany amin'ny fiverenan'i Kristy. Na dia tsy dia miraharaha ny hafatra aza ny ankamaroan'ny olona ankehitriny, dia ho tadidiny izany rehefa manomboka manjaka i Kristy sy ny olona masina ary rehefa voafehy i Satana mpamitaka.Maro amin’ireo izay tsy mino ny hafatra ankehitriny no efa vonona hino rehefa ampianarin'i Kristy sy ireo mpanampy azy.
               Ny Fiangonan’Andriamanitra dia miomana amin'ny Fanjakan’Andriamanitra amin'ny fomba hafa koa. Ireo izay mino ny Filazantsaran'i Kristy amin’izao fotoana izao dia efa omanina amin'ny anjara asa manokana ho mpikambana amin'ny Fanjakan’Andriamanitra ho avy tsy ho ela. Malakia 3:1 dia milaza fa ho tonga ao amin'ny tempoliny ny Tompo. Andao hojerentsika ny dikan'izany.
4. Inona no Tempoly ara-panahy hiverenan'i Kristy amin'ny fiaviany fanindroany? 1Kor.3:16-17; 6:19; 2Kor.6:16; Efes.2:19-21.
FANAMARIHANA: Ny Fiangonan’Andriamanitra, izay misy ireo manana ny Fanahin'Andriamanitra ao anatiny, no Tempoly ara-panahy hatonin'i Kristy. Nilaza tamin'ny Efesiana i Paoly fa ao amin’ny Fiangonana “no irafetan'ny rafitra rehetra, mitombo tsara” ary "miaraka aorina" (Efesiana 2:21-22). Io fitomboana miaraka io dia tsy azo tanterahina raha tsy amin'ny alàlan'ny fitondram-panjakan'Andriamanitra.
               Tahaka ny tsy namoronan'Andriamanitra ny zavatra rehetra indray mandeha, fa tamin'ny dingana nifandimby, dia toy izany koa ny nanaovany ny famonjena ny olombelona, amin'ny dingana mifandimby.
5. Andriamanitra koa ve no nifidy mpanompo ao amin'ny Fiangonany ary nanendry azy ireo hanana andraikitra hampianatra ireo mpikambana, hanome azy ireo sakafo ara-panahy? 1Kor.1:10; 1Pet.5:1-3; Efes.4:11-13.
FANAMARIHANA: Ireo mpikamban'ny Fiangonan’Andriamanitra dia tsy mametraka ny foto-pampianarany manokana. Raha nanao izany izy ireo, dia hiteraka fikorontanana, satria ny mpikambana tsirairay dia eo amin'ny ambaratonga samihafa amin'ny fitomboan'ny fahalalana sy ny toetra.
               Voalamina ny Fiangonan’Andriamanitra, miteny zavatra iray ihany, tafakambana amin'ny alàlan'ny fahefana napetrak'Andriamanitra ao amin'ny mpanompony. Ny foto-pampianaran'ny Fiangonan’Andriamanitra dia avy amin'Andriamanitra, amin'ny alalàn'i Jesosy Kristy, amin'ny alàlan'ny Teniny sy ny fitaomam-panahiny, ho ao amin'ireo lehilahy nofidiny hitarika ny Fiangonany. Ny Pastera Jeneraly sy ny mpiara-miasa aminy dia mampianatra ny Pastera eo an-toerana, ary izy ireomiaraka no mampianatra ireo mpikamban'ny Fiangonan’Andriamanitra eran'izao tontolo izao.
Aleo hamafisina fa ny tanjon'ny Fiangonana dia tsy ny hanome famonjena ny mpikamban'ny Fiangonana fotsiny - ny tanjony dia ny hampianatra sy hampiofana azy ireo ho tonga fitaovana hampiasain'Andriamanitra hamonjy ny maro an'isa.

Mpikambana Amin’ny Fiangonana Miomana Ho Any Amin'ny Fanjakan’Andriamanitra

1. Fantatr'i Paoly ve fa jamba ara-panahy ny vahoaka Isiraely? Rom.10:16, 18-21. (Na dia naheno ny tena Filazantsara aza izy ireo dia tsy nankatoa izany.) Ninia namela azy ireo ho jamba ve Andriamanitra? Rom.11:8, 25, 32.
2. Na izany aza, fantatr'i Paoly ve fa ny Isiraelita dia hanana fotoana amin’ny ho avy hahazo famonjena? Rom.11:26. Ninia nataon’Andriamanitra jamba ve ny ankamaroan'ny Isiraelita mba hahazoany famindram-po amin’ny ho avy, amin'ny alàlan’ny famindram-pon'ireo izay nantsoina voalohany? Andininy 31.
FANAMARIHANA: Ny Andininy 26, izay mitanisa ny Isaia 59:20, dia manazava ny fotoana hahitan'ny ankamaroan'ny Isiraelita famonjena. Hoy i Isaia :" Hisy Mpanavotra ho tonga any Ziona” hiantso ireo hibebaka noho ny fahadisoana. Ny Mpanavotra ho avy any Ziona dia i Jesosy Kristy, fa i Paoly dia tsy niresaka momba ny Fiaviany Voalohany, satria mbola jamba ihany ny Isiraely tamin'ny fotoana nanoratan'i Paoly an'io.
               Ho voavonjy ny Isiraely rehetra rehefa miverina amin'ny hery sy voninahitra mba hanjaka ny Mpanavotra. Ary avy eo, araky ny nosoratan'i Paoly, ny Isiraelita dia hahazo ny anjarany amin’ny famonjena amin'ny alàlan'ny famindram-pon'ireo Kristianin’ny Taonjato voalohany, sy ireo izay nantsoina ho mpikamban'ny Fiangonan’Andriamanitra nandritra ny taonjato maro. Rehefa tafaverina i Kristy, dia hitsangana amin'ny maty sy/na hiova ho tsy mety maty ny tena Kristiana marina rehetra mba hanampy Azy hanjaka sy hampianatra ny làlan'ny famonjena amin'ny Isiraelita sy ny Jentilisa.
3. Firenena maro ve no hiakatra ho any Jerosalema - izay foiben'ny governemantan’i Kristy – mbaangataka ny hampianarina ny lalany? Mika 4: 2. Ho feno ny fahalalàna an’i Jehovah ve ny tany? Isa.11:9.
               Ny hany antony iantsoana ny olona rehetra ho amin’ny famonjena amin’izao fotoana izao, dia ny mba hahamendrika azy hanampy hanjaka sy hampianatra any amin’ny Tontolon’ny Ampitso.
4. Ho fanampin'ny maha mpanjaka azy, moa ve ireo zanak'Andriamanitra nateraky ny Fanahy koa ve dia ho mpisorona ihany koa? Apok.1:6; 5:10; 20:6. Inona no asan'ny mpisorona? Mal.2:7; Ezek.44:23.
FANAMARIHANA: Tahaka ny nanendrena ireo mpisorona Isiraelita hampianatra ny lalàn'Andriamanitra, ny mpikambana ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra nateraky ny Fanahy dia ho mpampianatra ny fomba fiainana arak’Andriamanitra, hanampy hitondra fahalalana ny làlana ho amin'ny famonjena ho an'ny rehetra.
               Ny famonjena ny olombelona rehetra ao amin'ny tontolon’ny ampitso dia ho tonga amin'ny alàlan'ny fiainana sy ny asan'i Kristy sy ireo olo-masina nateraky ny Fanahy. Amin'ny lafiny iray izany, amin'ny maha-mpisorona azy ireo, dia ho mpiara-mamonjy amin'i Kristy izy ireo.
               Moa Andriamanitra ve tsy marina satria manome ireo toerana-mpitondra ho an’ireo olom-bitsy voafidiny manokana? Tsy marina mihitsy izany. Andriamanitra tsy niantso na iza na iza mba hanana tombontsoa manokana - Niantso azy ireo ho amin'ny tanjony manokana Izy, dia ny asa lehibe izay hataony. Mamaly soa antsika araky ny asantsika Andriamanitra (Mat.16:27). Ireo izay antsoina ankehitriny dia tsy maintsy mandresy an'i Satana sy ny fiaraha-monina misy azy. Izany dia mitaky ezaka, fandavana tena ary finiavana, vidiny tsy ankasitrahan'ny ankamaroan'ny olombelona.
               Alohan'ny haha-mendrika an'i Jesosy hanjaka, dia tsy maintsy nandresy an'i Satana izy tamin'ny fotoana nanjakan'i Satana. Koa satria hiara-manjaka amin'i Kristy sy amin'ny alàlan'i Kristy ny Fiangonana, ny mpikamban'ny Fiangonana koa dia tsy maintsy mahafeno fepetra ihany koa amin'ny fanoherana sy fandresena an'i Satana mandritry ny fotoana mbola hanjakany (Apok.3:21) Tsy hotakiana amin'ny maro an'isa izany. Andriamanitra dia hiantso azy ireo ho amin'ny famonjena rehefa ho fehezin'i Kristy sy ny olona masina izao tontolo izao, rehefa tsy isalasalana fa ho mora kokoa ny miaina ny fomban'Andriamanitra. Ho mora kokoa izany noho ny asa efa vitan'ny voaloham-bokatr'Andriamanitra ankehitriny.
               Mba haha-mendrika azy ireo hanao ny asany amin'ny ho avy, ireo izay nantsoin'Andriamanitra ho ao amin'ny Fiangonany dia nomena maimaimpoana ny Fanahin'Andriamanitra sy ny fotoana ahazoany famonjena. Ny mpanapaka sy ny mpampianatra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra dia tsy maintsy omena alalana hahazo famonjena mialohan'ny hahazoan'ny mpianany ho avy an’izany. Ny Fiangonana dia fitaovana fiomanana ilaina hitondrana famonjena ho amin'ny zanak'olombelona rehetra!
               Ny antony manokana iantsoana ny olona rehetra ho amin'ny famonjena amin'izao vanim-potoana izao dia ny hahafeno ny fepetra hanampy amin'ny fitondrana sy fampianarana any amin’ny tontolon’ny ampitso, hanampy hiantso sy hamonjy ireo ho velona amin'izany fotoana izany.

Ny Fanahin’Andriamanitra Dia Manome Hery Ny Fiangonana

Nomen'Andriamanitra asa hatao ny olony ary nomeny hery izy ireo hahafahany manao izany. Ny Fiangonan’Andriamanitra dia tsy afaka nitory ny Filazantsara tamin'izao tontolo toy izay atao ankehitriny raha tsy misy ny Fanahin'Andriamanitra! Tsy afaka hiomana amin'ny anjara asa fitarihany ho avy koa ny vahoakan'Andriamanitra raha tsy misy izany hery masina izany.
1. Moa ve i Jesosy afaka nanao asa ara-panahy, anisan'izany ny fankatoavana an'Andriamanitra, tamin'ny herin’olombelona fotsiny? Jaona 5:30; 8:28. Taiza no nahazoany ny fahefana nilainy? Jaona 14:10, tapany farany.
FANAMARIHANA: "Nitoetra" tao amin'i Jesosy tamin'ny alàlan'ny Fanahy Masina ny Ray!
2. Nampanantena fanampiana ara-panahy mitovy tamin'ny mpianany ve i Kristy? Jaona 14:16. Inona ilay "Mpananatra"? Andininy 26. Moa ve i Kristy, amin'ny alàlan'ny Fanahy Masina, miaina ao amin'ireo mpanaraka Azy ankehitriny? Rom.8:9-10; Kol.1:27; 1Jaona 3:24.
FANAMARIHANA: Jesosy Kristy dia nankeo amin'ny seza fiandrianan'ny Ray any an-danitra mba handefa ny Fanahin'Andriamanitra ho an'ny mpianany (Jao.16:7). Tamin'ny alàlan'ny Fanahin'Andriamanitra, Kristy dia nonina tao anatin'izy ireo, fa tsy amin'ny maha-olombelona Azy, fa amin'ny maha-fanahy Azy. Ny fanantenan'ny tena Kristiana ny voninahitra - ny fanantenantsika ho tonga mpikambana ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra be voninahitra - dia ao amin'i Kristy Mpamonjy antsika, monina ao anatintsika amin'ny alàlan'ny Fanahy Masina.
3. Ilaina ve ny mankatoa an 'Andriamanitra mba hahazo ny fanomezana ny Fanahy Masina? Asan'ny Apostoly 5:32. Nankatoa an 'Andriamanitra ve i Jesosy ary manantena ny hankatoavan'ny Kristiana Azy koa ve Izy anio? Jaona 15:10. Mitovy tanteraka amin'ny didin'ny Rainy ve ny didin'i Kristy? Jaona 14:24.
4 Moa ve ireo Kristiana dia tsy maintsy manana ny Fanahin'Andriamanitra, ary koa mila mifandray amin'Izany koa, mamela Azy io hanova azy ireo, mba hitoviany endrika amin'i Kristy sy ny Ray? Rom. 6:13; 8:14; Filipiana.2:5; 2Kor.10:5.
FANAMARIHANA: Ny Fanahy Masin'Andriamanitra dia manome an’ireo zanany notorontoronin’ny Fanahy fahefana mihoatry ny herin’olombelona mba hanampiana azy ireo hiaina amin'ny fomba niainan'i Jesosy Kristy mihoatry ny 2.000 taona lasa izay. Amin'ny alàlan'io Fanahy io no ahafahan'i Kristy manome azy ireo hery hankatoavany an'Andriamanitra sy handreseny ny ota, ary hiaritra ny faran'ity tontolo ity. Ny Fanahin'Andriamanitra no hery izay manomana ireo voaloham-bokatr’Andriamanitra ho amin'ny asany any amin'ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny Fanahin'Andriamanitra koa dia hery ahatontosan'ny Fiangonan’Andriamanitra ny iraka hitory ny Filazantsaran'i Kristy any amin'izao tontolo izao.
5. Fahefana manao ahoana no nanaovana ny asan'Andriamanitra tamin'ny andron'i Zerobabela, mpanompon'Andriamanitra, izay nanangana ny Tempoly ara-drafitra (nohavaozina taty aoriana) izay nandehanan'i Jesosy? Zak.4:6. Inona no fahefana nomena ny mpianatr'i Jesosy hahafahany manao ny iraka nampanaovina azy ireo? Asan'ny Apostoly 1:8. Izany koa ve no hery nahafahan'i Paoly nitory ny Filazantsaran'i Kristy? Rom.15:19.
FANAMARIHANA: Ny asan'ny Fiangonan’Andriamanitra dia vita tamin'ny herin'ny Fanahin'Andriamanitra tamin'ny farany! Ny Fanjakan’Andriamanitra dia torina sy avoaka amin'izao tontolo izao ankehitriny amin'ny alàlan'ny tolo-kevitra avy amin'ny Fanahy Masina. Ny "vokatra" novokarin'Andriamanitra amin'ny alalàn'ny fitaovany olombelona dia vokatra mitovy amin’izay vokarin'ny Fanahiny tamin’ny alàlan’'i Jesosy olombelona sy ny "Tenan'i Kristy" niaraka tamin'ny andron'ny Apostoly!
6. Moa ve i Kristy nilaza fa ny mpanompony dia hanao asa lehibe kokoa noho ny nataony tety an-tany? Jaona 14:12. Inona no asa hataon'ny Fiangonana amin'ny fiomanana amin'ny faran'ity vanim-potoana ity sy ny fiverenan'i Kristy? Mat.24:14; Marka 13:10.
FANAMARIHANA: Amin'izao fotoana izao, ny iraka avy amin'Andriamanitra hanambara ny Filazantsaran'ny Fanjakan’Andriamanitra ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra dia tanterahina amin'ny fomba mahatalanjona. Ny Fiangonan’Andriamanitra ankehitriny dia mahatratra olona betsaka kokoa noho ny azon'i Jesosy Izay nanao dia an-tongotra. Miaraka amin'ny haitao maoderina ankehitriny, ny Fiangonan’Andriamanitra dia afaka mahatratra olona an-tapitrisa maro amin'ny alàlan'ny fahitalavitra, radio, satelita, milina fanontam-pirinty, ary fitaovam-pifandraisana hafa amin’ny olona marobe! Ireo fotodrafitrasa manamora asa ireo dia ahafahan'ny Fiangonana manao asa lehibe kokoa noho ny nataon'ny Apostoly tamin'ny taonjato voalohany. Ireny fotodrafitrasa manamora asa ireny anefa dia mandany vola bebe kokoa. Raha tsy nisy ny fahafolonkarena sy ny vola avy amin’ny mpikambana dia tsy ho tanteraka ny asan'ny Fiangonana! Afaka handefa anjely hitory ny Filazantsarany Andriamanitra. Fa kosa, mampiasa olombelona Izy satria amin'ny alàlan'ny fanohanana ny asa no ampiofanana azy ireo! Ary tsy afaka hiofana izy ireo raha tsy mandray anjara sy manohana!
               Ny Fanahin’Andriamanitra dia ny fahefana manomana ny voaloham-bokatra hanao ny asany any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
               Mora ho an'Andriamanitra ny hanome vola amin'ny fomba mahagaga. Fa kosa, mampiasa ny olombelona Izy mba hanome izany fanampiana izany. Ny fahafolonkarena sy ny fanatitra dia tsy manome harena an'Andriamanitra. Nandidy ny olony izy mba hanohana ny Fiangonany ho tombontsoany manokana. Mitombo toetra ara-panahy izy ireo, lasa vonona kokoa hitondra, ampahany amin'ny alàlan'ny fanohanany-na ny fanomezany ara-bola, asa, fampaherezana na vavaka-ny asa izay hatao!
               Ho an’ny kristiana rehetra izay mitombo ara-panahy, ny fony manontolo dia any amin'ny asa nomen'Andriamanitra hataon’ny Fiangonany. Ny "asantsika" dia misy ny anjarantsika amin'ny fanohanana ny asa amporisihan'Andriamanitra hataon’ny Fiangonany, hitory ny Filazantsaran'ny Fanjakan’Andriamanitra amin'izao tontolo izao ho vavolombelona.
               Ireo zanaka notorontoronin’ny Fanahy Masina no fitaovana ampiasainy amin'ny fanatanterahana ny asa lehibe nanirahany ny Fiangonany amin'ny andro farany! Tsy azo sarahina ny fitomboan'ny toetra ara-panahin’ny mpikambana sy ny asan'ny Fiangonana. Raha misy mpikambana mijanona tsy manohana ny asa hatao, dia hitsahatra tsy hitombo izany mpikambana izany. Saingy rehefa manohana ny Fiangonana ny mpikambana, dia hitombo ara-panahy koa izy ireo! Ary rehefa ankasitrahan'Andriamanitra izy ireo, dia hitahy sy hampitombo ny fahombiazan'ny asa atao Izy!

Nahoana No Antsoina Hoe Fetin'ny Voaloham-Bokatra?

               Hatramin'ity lesona ity dia tsy niresaka afa-tsy ny Fetin'ny Voaloham-bokatra isika, fa ny zavatra nianarantsika kosa dia mifandray amin'ny dikan'ity fety ity! Ny fahafantarana ny Planin’ny Famonjen'Andriamanitra ary indrindra ny anjara asan'ny Fiangonana amin'ny Planina Lehiben'Andriamanitra dia zava-dehibe amin'ny fahatakarana ny dikan'ity Andro Masin’Andriamanitra fahatelo fanao isan-taona ity. Fa nahoana? Satria ny andro Pentekosta dia tandindon’ny voaloham-bokatry ny famonjena, sy ny asa izay ataony ankehitriny, dia omen'ny Fanahin'Andriamanitra hery!
               Andriamanitra dia nanangana ny fety fanao isan-taona sy ny Andro Masina miaraka amin'ny fijinjam-bokatra roa fanao isan-taona any amin’ny tany Palestina. Ny Paska sy ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira dia tonga tamin'ny fiantombohan'ny fijinjana vokatra amin'ny Lohataona; ny fetin'ny voaloham-bokatra na ny Pentekosta dia tonga amin’ny faran’ny fijinjana vokatra.
               Ny fety amin’ny volana fahafito dia mifandray amin'ny fijinjana vokatra betsaka amin'ny Fahavaratra sy amin'ny fiandohan’ny Fararano. Fa ny fijinjana ara-panahy no tena ifantohan'Andriamanitra! Ny fijinjana ara-panahy dia nalaina tahaka tamin’ny fijinjam-bokatra, ny fijinjana voalohany dia fijinjana kely, avy eo ny fijinjana lehibe.
               Ny fetin'ny Lohataona dia maneho amin'ny Fiangonan’Andriamanitra isan-taona fa ireo nantsoiny ho ao amin’ny Fiangonany amin'izao vanim-potoana izao no ireo "voaloham-bokatra" - ny vondrona voalohany nomena ny Fanahin'Andriamanitra ary notolorana famonjena - ny fiandohana kely amin'ny fijinjana ara-panahy.
1. Inona no torolalana nomen'Andriamanitra momba ny Fetin'ny Voaloham-bokatra? Lev.23:15-17, 20. Moa ve izany Fety izany dia Sabata fanao isan-taona izay tsy maintsy hivorian'ny vahoaka? Andininy 21.
2. Mandra-pahoviana ny fetin'ny voaloham-bokatra na Pentekosta-no ho tandreman'ny vahoakan'Andriamanitra isan-taona? Lev.23:14, 21. Fantatry ny mpianatr'i Kristy ve fa tokony hitandrina ny andro Pentekosta izy ireo? Asan'ny Apostoly 2:1; 20:16; 1Kor.16:8.
FANAMARIHANA: Tsy nofoanan'i Jesosy ny Pentekosta na ny Andro Masina hafa fanao isan-taona. Mifanohitra amin'izany aza, fa nilazan'i Kristy ny mpianany mba ho ao Jerosalema ka amin'izany Andro Masina izany dia handray ny Fanahin'Andriamanitra izy ireo. Ary raha tsy nitandrina ny Andro Masin'Andriamanitra ny mpianatra, dia tsy ho teo izy ireo mba handray ny Fanahin'Andriamanitra! Ary elabe taorian'ny nahafatesan'i Kristy, dia nitandrina ny Fetin'ny Pentekosta niaraka tamin'ny Jentilisa niova fo i Paoly, ilay Apostolin'ny Jentilisa.
               Ny Encyclopaedia Britannica dia milaza izao momba ny fankalazan'ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao ny Pentekosta: "Ny fetin’ny Jiosy dia fisaorana an’Andriamanitra tamin'ny voaloham-bokatry ny fijinjana varimbazaha, fa ny raby dia nampifandray izany tamin'ny fahatsiarovana ny Lalàna nomen'Andriamanitra ny Hebreo tamin'i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay. Ny fanovan'ny Fiangonana ny andro firavoravoan'ny Jiosy ho fety kristiana dia nifandraika tamin'ny finoana fa ny fanomezana ny Fanahy Masina ho an'ireo mpanaraka an'i Jesosy dia milaza fa ny voaloham-bokatry ny fotoampitantanana vaovao dia nameno sy nandimby ny fotoampitantanana taloha .. . "(lahatsoratra" Pentekosta, "fanontana faha-15).
3. Inona no fanomezana manokana natolotry ny mpisorona tao amin'ny Testamenta Taloha tamin'ny andro Pentekosta? Lev.23:17. Moa ve ny masirasira tamin'ireo mofo ireo dia tandindon’ny fahotana? 1Kor.5:7.
FANAMARIHANA: Satria fetin'ny fijinjana ny Fetin'ny Voaloham-bokatra, maneho ny vokatra farany, ny mofo nandrahoina, fa tsy lafarina tsy nendasina, dia nahevaheva mba hankatoavin'Andriamanitra. Ilay masirasira tao anaty mofo dia naneho fa ny voaloham-bokatra ara-panahin'Andriamanitra dia nanana ota teo amin'ny fiainany. (Mazava ho azy fa tsy maintsy nibebaka tamin'ny ota izy ireo ary nodiovin'i Kristy mba hankasitrahan'Andriamanitra.) Nisy mofo roa - ny iray nisolo tena ny patriarka, ny mpitsara, ny mpaminany ary ny mpanjaka izay nantsoin'Andriamanitra tamin'ny vanim-potoan'ny Testamenta Taloha, ary ny iray hafa misolo tena ny Kristiana marina ao amin'ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao.

               Ny Pentekosta, na Fetin’ny Voaloham-bokatra, dia tandindon’ny fijinjàna ara-panahy voalohany hataon’Andriamanitra, ny olombelona mety maty fanahy hovaina ho andriamanitra tsy mety maty! Ny Fiangonan’Andriamanitra no ho izany lahimatoa jinjaina izany (Heb.12:23) - teraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra amin'ny fiverenan'i Kristy.

4. Moa ve ny Kristiana notorontoronin’ny Fanahy no santatry ny Planin’ny Famonjen'Andriamanitra? Jak.1:18. Manana ny voaloham-bokatry ny Fanahin'Andriamanitra ve ny Kristiana ankehitriny? Rom.8:23. Moa ve ny Kristiana sasany dia nantsoina koa hoe voaloham-bokatra ao amin'ny Baiboly? Rom.16:5; 1Kor.16:15; Apok.14:4.
FANAMARIHANA: Ny 144 000 ao amin'ny Apokalypsy 14:1-5 dia tsy ny voaloham-bokatra ihany (ny soratra grika dia milaza hoe "voaloham-bokatra", fa tsy "ny voaloham-bokatra"). Ireo rehetra hojinjaina amin'ny fijinjana ara-panahy voalohany ataon’Andriamanitra, ny fitsanganana voalohany, no voaloham-bokatra. Anisan'izany ireo mpaminanin'ny Testamenta Taloha sy ny Kristiana marina rehetra.

5. Inona no mamaritra hoe mpikamban'ny Fiangonan’Andriamanitra sy anisan'ny voaloham-bokatra ara-panahy ny olona iray? Rom.8:9, 11, 16; 1Kor.12:12-14. Nanana ny Fanahin'Andriamanitra ve ireo patriarka sy mpaminany tao amin'ny Testamenta taloha? 1Pet.1:10-11. Fa oviana no nanomezan’Andriamanitra voalohany ny Fanahiny tamin’ny vondrona lehibe iray? Asan'ny Apostoly 2:1-4. Nanamarika ny fiandohan'ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao ve noho izany ny andron'ny Pentekosta? Asan'ny Apostoly 2:1, 41, 47.

FANAMARIHANA: Tamin'ny andro Pentekosta tamin’ny taona 31 tar.J.K, Andriamanitra dia nandefa ny Fanahiny hanomboka ny Fiangonany – haha-torontoronina ara-panahy sy hanamafy ny voaloham-bokatra izay nanomboka nantsoiny ho ao amin'ny Fiangonany, izay tandindon’ny iray amin'ireo mofo natao "fanatitra ahevaheva." Ny Fetin'ny Pentekosta ao amin'ny Testamenta Vaovao ankehitriny dia fahatsiarovana ny fananganana ny Fiangonan’Andriamanitra ao amin'ny Testamenta Vaovao, amin'ny alàlan'ny fandraisana ny Fanahy Masina. Ny Fiangonan’Andriamanitra dia mitandrina ny Fetin'ny Voaloham-bokatra ho fampahatsiahivana isan-taona an'ity dingana ity ao amin'ny Planina Lehiben'Andriamanitra: ny vahoakan'Andriamanitra ankehitriny dia tena voaloham-bokatra voalohany - vondrona kely voalohany notolorana ny famonjena amin'ny alàlan'i Kristy.

               Tapaka ny fifandraisan’izao tontolo izao amin'Andriamanitra, afa-tsy ho an’ireo olona vitsivitsy nantsoiny, fa mbola tsy nantsoina ho amin'ny famonjena izy ireo, tsy mbola voavonjy na very, na notsaraina. Fa ny mpikambana ao amin'ny Fiangonan’Andriamanitra dia tsaraina amin’izao fotoana izao (1Pet.4:17), tsaraina amin'ny fanomanany tsara ny Fanjakan’Andriamanitra!

               Ny andro Pentekosta dia sary mampiseho ny Fiangonana izay nantsoina sy nofanina hanatontosa iraka manokana, mba hiomanana amin'ny fotoana hanokafan'Andriamanitra ny famonjena ho amin'izao tontolo izao, rehefa ho mpanjaka sy mpampianatra, mpiara-manjaka ary mpiara-mamonjy amin'i Kristy Izay Vadiny izy ireo!

Kristy, Ilay Voalohany Amin'ny Voaloham-Bokatra

Ny Fetin'ny Voaloham-bokatra dia tandindon’ireo voaloham-bokatr'Andriamanitra – dia izay rehetra ho teraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra amin'ny Fitsanganana Voalohany– dia ny vondron'olombelona voalohany izay nojinjain'Andriamanitra ary homena fiainana be voninahitra sy mahery ary tsy mety maty. Fa efa nisy olombelona iray naterak'Andriamanitra mihoatra ny 2.000 taona mialoha ny Fitsanganana Voalohany. Izy no voalohany amin'ny voaloham-bokatra, ary nalaina sary tamin'ny fombafomba tamin'ny Testamenta Taloha tamin'ny lanonana an'ohatra nandritry ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira, izay 50 andro mialoha ny fetin'ny voaloham-bokatra. Tena lehibe ny dikan'io lanonana io, na dia tsy tanterahina intsony aza izy io ankehitriny, satria tsy ilaina intsony ny asa-fisoronana tao amin'ny Testamenta Taloha.
1. Moa ve ny ampahany voalohany amin'ny fijinjam-bokatra lohataona ahevaheva eo imason'Andriamanitra mba ho eken'Andriamanitra? Lev.23:10-1l.
FANAMARIHANA: Tsy nanevaheva amboara ny mpisorona. Ny teny nadika hoe "amboara" dia ny teny hebreo hoe omer, izay fandrefesana tokony ho roa litatra eo ho eo. Araka ny fomban-drazana, ny Jiosy dia nanapaka amboara, nively ny amboara, avy eo nitoto ny voaloham-bokatra voalohany ho lafarina, ary nanolotra lafarina eran’ny omer. (Jereo ny Jewish Encyclopedia, mikasika ny "Omer.")
               Ny dikan-tenin’ny Baiboly maoderina sasany dia manome andalana mamaritra an'io fanevahevana io, ary manolotra loha-teny diso hoe :"Ny Fetin'ny Voaloham-bokatra". Ny loha-teny dia tsy anisan'ny lahatsoratra tany am-boalohany; tsy avy tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra izy ireny. Ny fanaterana amboara ahevaheva dia tsy "fety"; fa lanonana fotsiny izay nifandray indrindra tamin'ireo mpisorona. Mazava ny fahasamihafana rehefa mijery ireo teny hebreo tany am-boalohany isika.
               Araka ny efa nianarantsika tany am-boalohany tamin'ity lesona ity, ny Fetin'ny Voaloham-bokatra dia anarana hafa iantsoana ny Fetin'ny Herinandro na ny Pentekosta. Ao amin'ireo andininy manondro ny “andro firavoravoana amin'ny fijinjana ny voaloham-bokatra” (Eks.23:16; 34:22; Lev.23:17, 20; Nom.28:26), ny "voaloham-bokatra" dia nadika avy amin'ny teny hoe bikkuwr. Izy io dia manondro ny vokatry ny fijinjana lohataona iray manontolo. Na izany aza, ny voaloham-bokatra resahina ao amin'ny Levitikosy 23:10-11 dia reshiyth, angamba azo adika hoe "voalohany amin'ny voaloham-bokatra." Io no voalohany indrindra tamin'ny fijinjana lohataona, tamin'ny Andro Firavoravoana Fihinanana Mofo Tsy Misy Masirasira.
2. Tamin'ny andro inona no nanevahevana ny voalohany amin’ny voaloham-bokatra izay naterina? Lev.23:11.
FANAMARIHANA: Nadikan'i Fariseo ny hoe "andro ampitson'ny Sabata" amin'ny andro aorian'ny Sabata voalohany fanao isan-taona amin'ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira. Ny Sadoseo, izay matetika mpisorona, dia nilaza fa ny fanolorana ny mofo ahevaheva dia tsy maintsy hatao amin'ny andro aorian'ny Sabata isan-kerinandro, amin'ny andro alahady ihany. Mihamazava ny andro tena izy rehefa mandinika ny teny manodidina isika.
3. Moa ve ny datin'ny Fetin'ny Herinandro tsy maintsy isaina manomboka amin'ny andro nanolorana ny voaloham-bokatra? Lev.23:14-16; Deot.16:9-10.
FANAMARIHANA: Araky ny fandinihan’ny Rabi Jiosy, ny Pentekosta dia amin'ny andro faha-6 amin'ny volana fahatelo.
4. Ny fanaterana ny voaloham-bokatra dia nanamarika ny fiandohan'ny fijinjana voalohany isan-taona. Andao hojerentsika izao ny fomba nataon'i Jesosy Kristy, ilay voaloham-bokatra ara-panahy voalohany nojinjain'Andriamanitra, hahatanteraka ara-panahy an'io fanomezana io. Iza no voalohany natsangana tamin'ny maty mba ho ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra? Asan'ny Apostoly 26:23. Noho izany, moa ve Izy no santatry ny voaloham-bokatra amin'ny fijinjana ara-panahin'Andriamanitra? 1Kor.15:20, 23; Kol.1:13-15, 18.
FANAMARIHANA: Ireo rehetra hateraka ho ao amin’ny Ankohonan’Andriamanitra amin'ny Fitsanganana Voalohanydia ho voaloham-bokatra, vokatry ny fijinjana ara-panahy voalohany nataon’Andriamanitra. Ireo dia aseho sary amin'ny Fetin'ny Voaloham-bokatra. I Kristy, izay tonga zanaka naterak’Andriamanitra tamin'ny fitsanganany tamin'ny maty 2 000 taona lasa izay (Rom.1:4), no santatry ny voaloham-bokatra, sary asehon’ny lanonan’ny santatry ny voaloham-bokatra- 50 andro talohan'ny Pentekosta.
5. Taorian'ny nitsanganan'i Kristy tamin'ny maty, moa ve Izy tsy maintsy niakatra tany amin'ny Rainy any an-danitra? Jaona 20:17. Tamin'io andro io ihany, rehefa niverina tety an-tany Izy, moa ve azon'ny mpianany natao ny nikasika Azy? Vakio ny Mat.28:1-10, indrindra ny andininy 9, sy Jaona 20:19, 27. Andro inona tamin'ny herinandro io andro io? Jaona 20:19, tapany voalohany.
FANAMARIHANA: Vao mangiran-dratsy ny marainan'ny alahady, nandritry Ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira, dia tsy namela na iza na iza hikasika Azy i Kristy satria mbola tsy niakatra tany amin'ny Rainy Izy. Saingy ny harivan'io andro io ihany, dia navelan'i Kristy hikasika Azy ny mpianany. Izany dia mampiseho mazava fa i Kristy dia niakatra tany an-danitra ary neken'ny Rainy ho santatra amin’ny "voaloham-bokatra" ara-panahy; tamin'io andro io ihany, ny mpisorona Levita di nobaikona hanatitra ny santatry ny voaloham-bokatramba ho ankasitrahan'Andriamanitra!
               Noho izany, dia notanterahin'i Kristy ny tandindon'ny santatry ny voaloham-bokatra tamin'ny ampitson’ny Sabata isan-kerinandro fa tsy ny Sabata fanao isan-taona. Raha ny Sabata fanao isan-taona voalohany no eritreretina amin’ny teny hoe "Sabata" ao amin'ny Levitikosy 23:11, dia ahevaheva amin'ny zoma taona 31 tar JK izany ny voaloham-bokatra na omer. Saingy tamin’ny andro zomà, ny Mesia dia maty, milevina ao anaty fasana voaisy tombo-kase. Koa ny fanazavan’ny Raby Jiosy ny Levitikosy 23:11 dia tsy marina. Ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty na ny fijinjana dia nilaina alohan'ny hijinjana ny vokatra ara-panahy sisa tavela (jereo ny Lev.23:14 ho an'ity fahamarinana ity amin'ny marika).
Izao koa dia jereo ny fanisana ny Pentekosta.
6. Ahoana ny fomba hanisan'ny manam-pahefana ao amin'ny Fiangonana ny andron’ny Pentekosta? Lev.23:15-16.
FANAMARIHANA: Ny andro hanaterana ny amboara ahevaheva, dia ny alahady mandritry ny Fetin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira, no andro voalohany. Andro fahafito ny Sabata isan-kerinandro manaraka. Ny andro faha-49 dia Sabata fahafito, ary ny andro faha-50 dia andro alahady, andro aorian'ny “fito herinandro mipaka”

Fifanekena Vaovao Mameno Ny Fijinjana Voalohany

               Ny fanekena tao Sinay, izay antsoin'ny Kristiana hoe "Fanekena Taloha", dia fifanarahana fanambadiana teo amin'i Israel sy Ny Teny, Izay mpitondra tenin'ny Ankohonan’Andriamanitra. Ny fototry ny fanekena dia ny Didy Folo, izay neken' Isiraely hankatoavina, toy ny fanarahan'ny vehivavy ny vadiny.
               Araky ny lovantsofina Jiosy, ny Didy Folo dia nomena tamin'ny andro Pentekosta. Nefa ny Fanahy Masina kosa tsy nomena ny firenena tamin'izany. Ny fahatongavan’ny Fanahy Masina dia tsy niseho raha tsy tamin’ny Pentekosta hafa (Asa 2), ho an’ny Fiangonan’ny Testamenta Vaovao. Nitsahatra tsy nanan-kery ny fanekena tao Sinay rehefa novonoina Ny Teny, dia i.Kristy. Hatreo dia manantena fiFanekena Vaovao izany izao.
FANAMARIHANA: Ny fahalemen'ny fanekena tao Sinay dia tsy avy amin’ny lalàny, fa avy tamin'ny vahoaka (Heb.8:8). Tsy afaka nitandrina ny lalàna izy ireo satria tsy nanana ny Fanahy Masina.
FANAMARIHANA: Ny Fanekena Vaovao dia tsy hatao amin'ny olona mety maty izay tsy afaka hanatanteraka ny fampanantenany; izany dia haorina amin'ny olona manana fanahy tsy mety maty, izay nanaporofo nandritry ny fiainany, ny fahavononany hankatoa ny vadiny ho avy, dia Ilay "TOMPO" ao amin'ny Baiboly Hebreo izay lasa, noho ny nahaterahany ho olombelona, Jesosy ao amin'ny Testamenta Vaovao Grika. Na dia naroso aza ny Fanekena Vaovao, ary mandresy ny ota ny Kristiana ankehitriny, ary miaina araky ny lalàn'ny fanekena amin'ny alàlan'ny herin'ny Fanahy Masina, dia tsy ho vita izany mandra-pahatongan’ny fitsanganana voalohany. Amin'izay fotoana izay vao homena amin’ny fahafenoana ny Fanahin'Andriamanitra mba ha              hatonga ny zanak'Andriamanitra ho afaka manohitra tanteraka ny ota rehetra.

1. Moa ve nampanantena ny hanao Fanekena Vaovao tamin'ny olony ny Tompo? Jer.31:31-34.

2. Araka ny fehezan-kevitry ny Fanekena Vaovao naroso, inona no hataon'ny Tompo? Ezek.11:19-20; 36:26-27; 2Kor.3:3.

No comments:

Post a Comment