Andro Fanavotana - Dingana Faha-5 amin'ny Planin'Andriamanitra - Izao Tontolo Izao Tena Iray amin'Andriamanitra

 

Ambasadaoro Kolejy - Toko faha-31

ANDRO FANAVOTANA :

IZAO TONTOLO IZAO TENA IRAY AMIN'ANDRIAMANITRA

Aorian'ny fiverenan'i Jesosy Kristy, inona no ho dingana lehibe indrindra amin'ny fametrahana ny fandriam-pahalemana eto an-tany? Tsy misy fiangonan-dehibe mahalala ny valiny. Nahoana? Io dingana lehibe io dia tandindon’ny Andro Fanavotana fanao isan-taona.

Mety efa naheno ianao fa misy "fifanolanana lehibe" eo amin'i Andriamanitra sy i Satana, fa i Kristy sy ny devoly dia ao anaty ady mifanditra hahazo ny fanahin'ny olona. Raha marina izany, dia mandresy i Satana! Ankehitriny, betsaka ny olona izay "tsy voavonjy" noho ny taloha. Arak’io fomba fijery io, Satana dia namboarina ho matanjaka noho i Kristy.

Fa i Satana tsy mahery noho i Jesosy Kristy! Hiverina i Jesosy, araky ny nampanantenainy, mba handroaka an'i Satana ary hanangana ny Fanjakan’Andriamanitra. Rehefa hiverina i Kristy dia tsy handao an'ity tontolo ity Izy - ny fitondram-panjakany, ny fiaraha-monina, ny fivavahany, ny fanatanjahan-tena, ny toekareny - izay eny an-tanan'ny devoly. Tsy hisy intsony ny herisetra sy ny fifaninanana, fa hisy vanim-potoan’ny fandriam-pahalemana sy ny fiaraha-miasa.
Sakana lehibe indrindra amin'ny fanesorana ny fiadanana eto amin’izao tontolo izao
Nandritry ny 6000 taona dia nitantana tsy hita maso an’ireo firenena i Satana. Manan-kery eo amin'ny sivilizasiona, ny governemanta ary ny mpitondra izy. Izy no nanome saina amin’ny ady maneran-tany, ary nanampy hitarika ny fahantrana, ny fankahalana, ny fijaliana, ary ny herisetra hianjady tamin’ny olombelona mandritry ny tantara nifandimby.
I Satana no mpitondra an'izao tontolo izao hatramin'izay nanomezan'Andriamanitra azy izany andraikitra izany, fony izy nantsoina hoe Mpitondra Fahazavana- Heylel amin'ny teny hebreo na Lucifer amin'ny teny latina. Fa efa voaisa ny andron'i Satana hitanany an'io andraikitra io.
Andriamanitra dia tsy mifaninana amin'i Satana - tsy misy "fifanolanana be"! Efa vita ny resaka momba ny hoe: iza no hitondra an'ity tany ity.
Efa nahafeno ny fepetra hisolo an'i Satana i Jesosy Kristy. Rehefa hiverina eto an-tany Izy ho Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo, dia haka ny fitondrana ambony indrindra eto amin'izao tontolo izao Izy ary hanala an'i Satana devoly! Hahazo fiadanana ity tontolo ity amin'ny farany.

Ny Andro Fanavotana Dia Tandindon’ny Fanesorana An'i Satana

Nomena antsika ny Andro Masin'Andriamanitra mba hampahatsiaro antsika fa manatanteraka tsikelikely ny Planina Lehibeny Andriamanitra. Ny fety telo voalohany – ny Paska, ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Masirasira ary ny Pentekosta – dia tandindon’ny fijinjana ara-panahy voalohany, ny voaloham-bokatra - ary ny famelana ny helony, ny fiantsoana azy ireo, ny fiomanany ary ny fanofanana azy ireo mialohan'ny fiverenan'i Kristy.
Ny fety efatra farany dia mampiseho ny planin'Andriamanitra hanome famonjena ho an'ireo izay mbola tsy voaantso. Ny Fetin'ny Trompetra dia mampiseho ny fidiran'i Kristy amin'ny raharahan'olombelona mba hampitsaharana ny famonoana ny zanak'olombelona amin'ny ady nokleary. I Kristy dia ho maika sy hentitra hanasazy ireo izay manimba ny tany.
Ny Sabata fahadimy isan-taona, ny Andro Fanavotana, dia mampiseho ny dingana fahadimy ao amin'ny planina Lehiben'Andriamanitra - ny fanesorana an'i Satana amin'ny toerana maha mpitondra an'izao tontolo izao azy, ary ny famindrana azy any amin'ny toerana iray lavitra ny olombelona. “Hofatorana” mandritry ny 1000 taona i Satana, ka tsy ho afaka hamitaka ireo firenena intsony, na hitaona ny olombelona hanota (Apok.20:1-3).
Ny Andro Fanavotana dia angamba no Andro Masina tsy fahita firy, satria io no andro iray nandidian'Andriamanitra ny olony hifady hanina - hifady sakafo sy fisotro manomboka amin'ny filentehan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehan'ny masoandro.

Fanetren-Tena Amin'ny Alàlan'ny Fifadian-Kanina

Jesosy Kristy, ilay ho mpitondra eto an-tany amin'ny ho avy, dia mahafeno ny fepetra amin'ny fanohavana tanteraka ny Fanjakan’Andriamanitra ary amin’ny fanetren-tena tanteraka. Ny iray tamin'ireo hetsika farany nataony tamin'ny mpianany dia ny fametrahana amin’ny lalàn’ny Paska amin'ny Testamenta Vaovao ny lanonana fifanasan-tongotra hanehoana ny fanetren-tena. Ny fijaliany sy ny fahafatesany handoavany ny sazin'ny fahotan'olombelona dia fihetsika feno fanetren-tena tanteraka, ny fanekena tanteraka ny sitrapon'ny Rainy, ny fitiavany antsika tanteraka. Ny tena kristiana dia tsy maintsy manetry tena toy izany mba hiara-hanjaka amin'i Kristy. Tsy hisy mpitondra ao amin'ny Fanjakan’Andriamanitra afaka manambony tena na ho tia tena (Marka 10:42-45).
Ny fifadian-kanina amin'ny andro Fanavotana dia fampahatsiahivana mazava ny toe-tsaina ilaina amin'ny famonjena, dia ny fanetren-tena, ny fanenenana, ny fitadiavana an'Andriamanitra sy ny làlany amin’ny fo tokoa.
Ankehitriny dia feno fizahozahoana sy avonavona izao tontolo izao, ary tsy mahatsapa fa nesorina ny fifandraisana tamin'Andriamanitra noho ny ota (Isa.59:2) - ny ota izay avy amin'ny herin'i Satana. Ireo olom-bitsy izay antsoin'Andriamanitra ankehitriny ihany no mihavana amin'Andriamanitra. Ny maro an'isa dia tsy maintsy miandry. Aorian'ny famatorana an'i Satana amin'ny Andro Fanavotana ho avy, dia hihavana amin'Andriamanitra ny zanak'olombelona rehetra - hanetry tena ary ho iray miaraka Aminy, amin'ny Andro Fanavotana. Aoka ho azontsika ny dikan'io fetin'Andriamanitra fahadimy io.


 

LESONA 31

FANAVOTANA: DINGANA FAHADIMY AMIN'NY PLANIN'ANDRIAMANITRA

 

1. Taorian'ny tranga mahatsiravina nasehon'ny bokin'ny Apokalypsy amin'ny tombo-kase enina sy ny trompetra enina, moa ve ny olona hibebaka sy hiverina amin'Andriamanitra? Apok.9:20-21. Na dia aorian'ireo loza fito farany aza – dia ny fahatezeran'Andriamanitra – mbola ho maro ihany ve ny olona hikomy? Apok.16:10-11, 21.
2. Nahoana no tsy hibebaka ny lehilahy sy ny vehivavy – moa ve satria voafitaka izy ireo? Apok.12:9; 13:11-14. Lavo ara-panahy ve izy ireo? Apok.18:3. Moa ve ny tafika izay manandrana miady amin'i Kristy koa mba notarihan’ny demonia? Apok.16:13-14. I Satana mihitsy ve no ao ambadik'io fitaka io? Mariho ny teny hoe dragona ao amin'ny andininy 13.
3. Mampahafantatra ve ny Baiboly fa i Satana sy ireo anjeliny nivadika no mitantana ara-panahy ny tontolo ankehitriny? Jaona 14:30; 2Kor.4:4; Efes.2:2; 6:12. Moa ve ny Tontolon’ny Ampitso izay ho avy dia ho tantanan'ny anjely? Heb.2:5
FANAMARIHANA: Ny Baiboly dia nanonona tontolo telo "izao rehetra izao taloha" izay rava tamin'ny safo-drano manerantany (2Pet 3:6), "izao andro izao " (Gal.1:4), ary "ny tontolo ho avy" - ny tontolon’ny ampitso. Any amin'ny tontolon’ny ampitso, ny devoly sy ny demoniany dia tsy hanan-kery amin’ny firenena, ny fiaraha-monina ary ny fivavahana eto an-tany intsony.
4. Iza no hisolo an ’i Satana ho mpitondra maneran-tany? Apok.5:12; 19:11-16; Mat.28:18. Iza no hisolo ny demonia ho mpanapaka ny firenena? 1Kor.6:2-3; Apok.2:26-27; 20:6. Moa ho eo ambany tongotry ny olo-masina ara-panoharana ve i Satana sy ny demonia? Rom.16:20.
5. Aorian'ny fiverenan'i Kristy hampihatra ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany, moa hogadraina amin'ny rojo ara-panoharana ve i Satana ary ho hidiana hisakanana azy tsy hamitaka ny olombelona? Apok.20:1-3. Aiza no hanidiana azy? Andininy 3. Ampitahao koa ny Apokalypsy 18:2 amin'ny Isaia 13:19-22.

Famatorana An'i Satana Aseho Amin'ny Andro Fanavotana

               Aorian'ny famerenan'i Kristy amin'ny laoniny ny Fanjakan’Andriamanitra, dia hofehezina tanteraka i Satana mandritry ny 1000 taona. Andao hojerena izao ny fomba ampisehoan’ny lanonana ara-panoharana ao amin'ny Lalàn'i Mosesy an’ity dingana fahadimy ao amin'ny Planina Lehiben'Andriamanitra ity.
1. Inona ny Sabata fanao isan-taona manaraka ny sivy andro aorian'ny Fetin'ny Trompetra? Lev.23:27. Nodidiana ve ny vahoakan'Andriamanitra hivory eo anoloany amin'ny Andro Fanavotana? Andininy mitovy; Nom.29:7.
FANAMARIHANA: Ireo fiangonana eto amin'ity tontolo ity dia tsy mahazo ny lafiny maro amin'ny Andro Masin'Andriamanitra. Saika izy rehetra dia tsy nitandrina izany fampahatsiahivana ny Planin’Andriamanitra fanao isan-taona izany, ka tsy fantatr'izy ireo hoe inona ny Planin’Andriamanitra. Tsy takatry ny sain'izao tontolo izao manokana ny hevitry ny Andro Fanavotana. Ary tsy mahagaga izany! Satria ity andro ity, mihoatra ny Andro Masina hafa, dia ankahalain'ilay mpamitaka lehibe satria maneho ny fahareseny izy io.
               Ny Levitikosy 16 dia mamaritra ny an-tsipirian’ny zavatra nodidin'Andriamanitra hataon’ny Mpisoronabe Levita amin'ny Andro Fanavotana. Ireo fombafomba ireo, izay tsy tanterahina intsony, dia maneho ny famatorana an'i Satana, ny dingana fahadimy amin'ny Planin’Andriamanitra, hamerenana amin'ny laoniny ny fitondrany eto an-tany, ary hitondra ny fahalalana ny famonjena amin'ny olona rehetra.
               Ny tanjon'ireo fombafomba nomen'Andriamanitra ireo Mpisoronabe Levita dia ny fampahatsiahivana ny Isiraelita ny fahotany, fa ny sazin’ny ota dia ny fahafatesana, ary mila Mpamonjy iray izy ireo handoa ny saziny. Ny tandindon’ny sorona voalazan’ny lalàna dia tanteraka tamin'ny fahafatesan'i Kristy tamin'ny taona 31 tar JK. Koa noho izany, dia tsy tokony hanolotra sorona intsony ankehitriny, ary tsy azo atao koa izany, satria tsy misy mpisorona Levita intsony ary tsy misy manam-pahefana hanatanteraka ireo andraikitra ara-nofo.
               Na dia tsy tanterahana intsony aza ny fombafomba, dia mbola afaka mahita ny dikany ara-bakiteny isika. Fa tsy maintsy fantarintsika aloha ny tsipiriany manan-danja vitsivitsy momba ny tabernakelin'Andriamanitra sy ny fisoronan’ny Levita.
               Rehefa nanaiky ny hiankohoka tamin'ny TOMPO ny zanak'olombelona, dia i Jehovah, ilay lasa Jesosy Kristy, (Eks.24:3), dia nanomboka nolazainy tamin'ny antsipirihany azy ireo ny fomba tokony hivavahana Aminy. Ny torolàlana voalohany nomeny dia ny amin'ny tabernakeliny (Eksodosy toko 25-27 ary 30). I Arona sy ny zanany lahy dia nofidin'Andriamanitra ho mpisorona (toko 28). Notendrena fa tsy nofidiana ny Mpisoron'Andriamanitra. Andriamanitra no niandraikitra an’izany.
               Ny tabernakely dia misy kianja voahodidin’ny efitra lamba. Tao amin'ny kianja dia misy ny alitara, ny tavy fisasana ary ny trano-lay eo afovoany. Nozarain’ny efitra lamba ho efitra roa ny trano-lay. Ilay faritra aorian’ny efitra lamba dia nantsoina hoe ny Toerana Masina Indrindra (Heb.9:3). Ny faritra anoloan'ny trano-lay dia ny "Toerana Masina" (Eks.26:33).
               Ny Toerana Masina indrindra ao amin'ny trano-lay dia maneho ny Seza Fiandrianan'Andriamanitra any an-danitra. Ny Fiaran'ny Fanekena, niaraka tamin'ny kerobima roa izay nanana elatra nanaloka teo ambonin'ny rakotra fanaovam-panavotana dia ao amin’ny Toerana Masina indrindra (Eks.25:10-22; 26:33-34). Tao anatin'ny Fiaran’ny Fanekena no nisy ny vato fisaka izay nanoratan'Andriamanitra ny Didy Folo. Ny saron'ny Fiara, izay antsoina hoe rakotra fanaovam-panavotana, dia eo i Jehovah, ilay lasa Jesosy Kristy, taty aoriana, no miteny amin’ny olona.
               Olona iray ihany, dia ny Mpisoronabe Levita, no nahazo niditra tao amin'ny Toerana Masina Indrindra. Nahazo niditra tao indray mandeha isan-taona izy, tamin'ny Andro Fanavotana irery ihany, mba hanatanteraka hetsika manokana hanaporofoana fa ho voafatotra i Satana. Koa noho izany, dia nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe an'io andro io Andriamanitra. Io andro io no tandindon’ny rohy mampifandray ny olombelona amin'Andriamanitra.
               Andao handinika ny Levitikosy 16 isika, ary hanamarika vetivety ny fombafomba izay tsy maintsy hatao amin'ny Andro Fanavotana. Aorian'izany topimaso izany, dia hiverina isika ary handinika ireo famantarana an'ohatra amin'ny dingana tsirairay.
1. Moa ve i Arona (sy ireo Mpisoronabe rehetra nifandimby) nahazo niditra teo anoloan’ny efitra lamba misy ny rakotra fanaovam-panavotana matetika araka izay tiany? Lev.16:2; Heb.9:6-7. Andro inona no nahazo niditra tao amin'ny Toerana Masina Indrindra izy? Lev.16:29-30.
2. Alohan'ny hidirany ao amin'ny Toerana Masina Indrindra, moa ve tsy maintsy mandro sy manao fitafiana manokana ny Mpisoronabe. Lev.16:4. Moa ve izy nanao sorona vantotr'ombilahy iray mba hanaovana fanavotana ho an’ny tenany? Andininy 3, 6, 11.
FANAMARIHANA: Ny sorona dia natao teo amin'ny alitara eo amin'ny kianjan'ny tabernakely. Tsy nisy olona afa-tsy ny Mpisoronabe irery ihany no navela hiditra ao amin’ny trano-lay fihaonana (and. 17). Tsy lanonana hojeren’ny besinimaro izany – fa teo anelanelan'ny Mpisoronabe sy Andriamanitra irery ihany.
3. Moa ve aorian’izany ny Mpisoronabe dia maka vainafo eran’ny fitondrana afo avy amin'ny alitara, ary ditin-kazo mani-pofona voatorotoro madinika eran-tanan-droa, ary miditra ao amin'ny Toerana Masina Indrindra? Andininy 12. Inona no nataony tamin'ny vainafo sy ny ditin-kazo manitra? Andininy 13. Inona no nafafiny teo amin'ny rakotra fanaovam-panavotana? Andininy 14.
4. Moa ve naka osilahy roa avy tamin'ny fiangonana ny Mpisoronabe taloha? Andininy 5, 7. Moa ve nanao filokana izy mba hamaritana ny iharan’ny filokana ho an’ny osy tsirairay? Andininy 8. Novonoina ho fanatitra noho ny ota ve ny osilahy izay niharan’ny filokana ho an'i Jehovah? Andininy 9, 15-16.
5. Mbola velona ve ilay osilahy hafa nentina? Andininy 10. Moa ve ny fahotan'ny fiangonana dia apetraka amin'ilay osilahy velona? Andininy 21. Avy teo, inona no natao tamin'io osilahy io? Andininy 22.

FANAMARIHANA: Ny vantotr'ombilahy sy osy ary ondrilahy dia ampahany amin'ny fombafomba momba ny sorona fanao isan'andro (Lev.1:2-5, 10; Nomery 28: 4, 11, 15). Misy zavatra roa tsy fahita manokana amin'ny fombafomba no natao tamin'ny Andro Fanavotana: 1) miditra ao amin'ny Toerana Masina Indrindra ny Mpisoronabe, ary 2) ny osilahy iray dia nentina tany an-tany efitra mandritry ny lanonana. Inona no ifandraisan'ireo fombafomba ireo amin'ny dingana fahadimy amin'ny Planin’Andriamanitra - ny famatorana an'i Satana? Ny valiny dia hazava ao amin'ny bokin'ny Hebreo ao amin'ny Testamenta Vaovao.

Ny Mpisoronabe Levita Dia Maneho Ny Mpisoronabe-Ntsika Mandrakizay

1. Moa ve ny ampahany anatiny indrindra amin'ny tabernakely natao tanana, maneho ny Seza Fiandrianan'Andriamanitra, ny Seza Fiandrianana marina? Heb.8:1-2; 9:23-24. Moa ve ny lanonana ataon'ny Mpisorona dia tandindon’ny zavatra any an-danitra? Heb.8:4-5. Jesosy Kristy ve no Mpisoronabe-ntsika mandrakizay? Heb.2:17; 3:1; 6:20; 7:26; 8:1.
FANAMARIHANA: Ny bokin'ny Hebreo dia nosoratana ho an'ny olona izay zatra ny asan'ny Mpisorona. Ny mpanoratra dia naneho fa i Kristy dia nahatanteraka ny marika rehetra ary dia nanjary Mpisoronabe izay manana toerana ambony sy mandrakizay.
               Betsaka ny Mpisoronabe tao amin'ny Testamenta Taloha, fa samy ho faty izy ireo ary hisy vaovao iray hapetraka (Heb.7:23). Fa i Kristy, lasa tsy mety maty, dia lasa Mpisoronabe mandrakizay (Heb.7:24). Tsy nanota fa lavorary, tsy voatery nanolotra sorona ho an'ny tenany i Kristy, toy ny nataon'ny Mpisoronabe Levita (andininy 26-27). Noho izany, Kristy, raha nanao sorona ny fiainany tsy misy ota, dia afaka foana mandoa ny sazin’ny fahotan'ny hafa. Taorian'ny fitsanganany tamin'ny maty ho any amin'ny fiainana mandrakizay, dia notendrena ho Mpisoronabe mandrakizay Izy (andininy 28).
               Mazava tokoa fa i Arona sy ny taranany - ireo Mpisoronabe tao amin'ny taranaka mifandimby - dia tandindon'i Jesosy Kristy. Ny anjara asan'izy ireo tamin'ny lanonan'ny Andro Fanavotana dia maneho ny zavatra hataon'i Kristy amin'ny fanavotana antsika amin’ny fahotana.
2. Moa ve tsy nanota i Arona sy ny taranany? Rom.3:10, 23. Moa ve izy tokony nanao sorona noho ny otany, mba hahafahany hisolo tena an'i Kristy vetivety? Heb.7:27; Lev.16:6.
FANAMARIHANA: Ny fanatitra noho ny ota dia sorona takiana amin'ny olona iray izay nanota (Levitikosy toko 4 ka hatramin'ny 7). Ireo sorona dia mampiseho fa ny sazin'ny ota dia ny fahafatesana. Ny fahafatesan'ny biby dia tsy mahaisotra ny fahotan'ny olombelona (Heb.10:4) - ireo sorona dia sary fotsiny mampiseho ny soron'i Kristy. Jesosy Kristy, Andriamanitra lasa olombelona, no nandoa nysazin’ny fahotan'ny olombelona tamin'ny fahafatesany tsy an-drariny.
3. Inona no natao tamin'ny ran'ny vantotr’ombilahy izay natolotra ho fanatitra noho ny ota? Lev.16:14. Nahoana? Heb. 9:7, 21-22.
FANAMARIHANA: Tao amin'ny fiaran’ny fanekena teo ambany rakotra fanaovam-panavotana dia nisy vato fisaka roa izay nisy ny Didy Folo. Koa satria notapahina ireo lalàna ireo, izay nahatonga ny sorona noho ny ota ho nilaina, dia nafafy tamin’ny fiaran’ny fanekena sy teo alohan'ny fiara ny ran'ny sorona; izany dia manonitra ny fandikana ny lalàn'Andriamanitra ara-panahy mandrakizay.
4. Moa maneho ny fahamarinana ve ny fitafian'ny Mpisoronabe? Apok.19:8. Ny fandroana ve maneho fo madio, feon'ny fieritreretana madio? Heb.10:22.
5. Rehefa niditra tao amin'ny Toerana Masina Indrindra ny Mpisoronabe, dia namboatra setroky ny ditin-kazo manitra. Inona no asehon’izany? Sal.141:2; Apok.5:8; 8:3-4.
FANAMARIHANA: Io emboka manitra io dia tandindon’ny fivavahana. Nampiasa ditin-kazo manitra ny Mpisorona; mankasitraka ny vavaka ataontsika Andriamanitra. Nototoina madinika ny ditin-kazo manitra; tokony hatao antsipiriany ny vavaka ataontsika. Maro loatra ny olona mivavaka ho an’ny tenany manokana, avy eo dia faranany haingana amin'ny ambangovangony toy izao: "Ary tahio koa ny olon-drehetra." Toy ny emboka manitra mivoaka avy amin'ny vainafo mahamay, dia mivoaka avy amin'ny marina toy ny rahona ny vavaka, mitondra famindram-po sy fiarovana ny vahoakan'Andriamanitra.
               Tamin'ny andron'ny Testamenta Taloha, dia olona iray ihany no afaka miditra ao ambadiky ny efitra lamba indray mandeha isan-taona. Saingy taorian'ny nahafatesan'i Jesosy, ny efitra lamba dia “triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany” (Mat.27:50-51). Izany dia tandindona nanokatra ny lalana mankany amin'ny Seza Fiandrianan'Andriamanitra.

               Ankehitriny dia afaka mifandray mivantana amin'Andriamanitra Ray amin'ny alàlan'ny vavaka ataontsika manokana isika, tsy mila mpanelanelana afa-tsy i Kristy (Heb.10:19-22; Jaona 15:16; 16:23). Amin'ny alàlan'ny fampiasana ny anaran'i Kristy, ny fivavahantsika dia miakatra any amin'ny Seza Fiandrianan'Andriamanitra any an-danitra amin'ny alalana ary amin'ny fahefan'ny Mpisoronabe-ntsika. Tsy nisy izany fifandraisana izany talohan'ny nitsanganan'i Kristy tamin'ny maty; ny fifandraisan'ny Isiraely taloha dia voafetra ho amin'i Jehovah izay tonga Kristy.

Ny osilahy voafantina ho an'i Jehovah

               Tamin'ny Andro Fanavotana, ny Mpisoronabe dia naka zanak'osy roa avy tamin'ny fiangonan'Isiraely (Lev.16:5, 7). Ny osilahy roa, tamin'ny endrika ivelany, dia nitovy. Fa izy ireo kosa dia tsy maintsy maneho ny endriky ny andraikitra roa samy hafa.
1. Ahoana no namaritana hoe iza ilay osy hisolo tena andraikitra inona? Lev.16:8. Inona no nanjo ny osilahy izay niharan'ny filokana ho an’I Jehovah? Andininy 9.
FANAMARIHANA: Jehovah izay nifampiraharaha tamin'ny Isiraely taloha, araky ny nianarantsika tamin'ny lesona teo aloha, dia mpikambana ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra izay lasa Jesosy Kristy (1Kor.10:1-4). Ka io osilahy io, izay natolotra ho fanatitra noho ny ota ary ny rany dia nafafy tamin'ny rakotra fanaovam-panavotana ho an'ny Isiraely rehetra, dia maneho an'i Jesosy Kristy.
               Na dia toa mitovy ihany aza ny osy roa, ny iray dia tandindon'i Kristy. Tsy voafetra tanteraka ny olona mba hamaritra hoe iza no osy mety. Noho izany, dia nila nanapa-kevitra Andriamanitra.
               Ny maro dia fiangaviana masina amin'Andriamanitra mba hanapa-kevitra araky ny tokony ho izy (Ohab. 16:33). Fotoam-pivavahana masina izany. Ireo loka maoderina dia mandoto io lanonana masina taloha io, izay miantso an'Andriamanitra. Nyolombelona, raha tsy misy fidiran'Andriamanitra an-tsehatra amin’ny fomba mahagaga, dia tsy afaka mamantatra hoe iza no misolo tena an'i Kristy.
               Ny ankamaroan'ny olona izay mieritreritra fa manompo an'i Kristy dia manaraka ny minisitra iray izay voafitaky ny devoly (2Kor.11:13-15). Voafitak'i Satana tokoa izao tontolo izao (Apok.12:9) ka ny olona rehetra dia tsy mahalala hoe iza Andriamanitra ary iza ilay fahavalo.
2. Moa ve ny Mpisoronabe nanao sorona ilay osilahy tandindon'i Kristy – ilay osilahy voafidy tamin’ny filokana "ho an'i Jehovah" - ho fanatitra noho ny ota ho an'ny vahoaka rehetra? Lev.16:15-16. Inona no sary asehon’ny ra tamin'ny sorona noho ny ota? Rom.3:23-26; Heb.9:12-14.
FANAMARIHANA: Ny famonoana ny osilahy ho an’i Jehovah ary ny famafazana ny rany amin'ny rakotra fanaovam-panavotana dia mampiseho ny fomba ahafahan'ny olombelona mihavana amin'Andriamanitra - amin'ny alàlan'ny sorona tsy manan-tsiny. I Kristy izany sorona izany. Noraisiny an-tsitrapo teo amin'ny hazo fijaliana ny heloka nataontsika, mba handoavany tanteraka ny sazy. Voahonitra sy voafafa ny helok’isika; lasa tsy misy izy io raha manaiky an'i Kristy ho Mpamonjy isika ary miala amin'ny fahotana.
               Ny fahotan'ny olona dia nentin'ny osy, toy ny nitondran'i Kristy ny fahotantsika teo amin'ny hazo fijaliana (Heb.9:28). Fa Kristy niala tamin'ny fahafatesana, niakatra ho eo amin'ny Seza Fiandrianan'Andriamanitra any an-danitra ary mbola hiverina.
3. Moa ve ny Mpisoronabe taranak’i Arona, rehefa namono ny osilahy tandindon'i Kristy, dia niditra tao amin'ny Toerana Masina Indrindra tao ambadiky ny efitra lamba, ary namafy ny ran'ilay osy teo amin'ny rakotra fanaovam-panavotana? Heb.9:7; Lev.16:15-16. Moa ve ny Toerana Masina Indrindra no tandindon’ny Seza Fiandrianan'Andriamanitra any an-danitra? Lev.16:2; Eks.25:21-22; Nom.7:8-9.
FANAMARIHANA: Ny alitara, ny tabernakely sy ny rakotra fanaovam-panavotana dia heverina ho voaloto noho ny fisian'ireo Isiraelita mpanota. Nandritry ny taona, ny fahotan'Israely dia noheverina fa nifindra tamin'ny tabernakely sy ny fiarany (Lev.4:2-7). Tamin'ny Andro Fanavotana, dia nodiovina ny fanamelohana an'ilay firenena, ka Andriamanitra dia afaka nanohy hitoetra miaraka amin'ny Isiraely. Ny ràn'ilay osilahy dia tandindon'ny ràn'i Kristy.
4. Moa ve i Kristy, taorian'ny sorona nataony sy ny nitsanganany tamin'ny maty, dia niditra tao ambadiky ny efitra lamba ho any amin'ny Seza Fiandrianan'Andriamanitra any an-danitra? Heb.6:19-20; 8:1; 9:24; 1Pet.3:22. Ny ràny mihitsy ve no natolony ho fanatitra noho ny ota? Heb.9:11-12.
FANAMARIHANA: Ny Mpisoronabe, izay mitondra ny rà fanonerana eo anoloan'ny Seza Fiandrianan'Andriamanitra, dia tandindona sy manao ny asan'i Kristy nitsangana tamin'ny maty. Samy tandindon’ i Kristy ny Mpisoronabe sy ny osilahy. Tsy azo nataon’ny Mpisoronabe ny ho maty isan-taona hanehoana ny fahafatesan'i Kristy. Ny osy no tsy maintsy natao tandindon'izany. Rehefa novonoina ny osy, dia tsy azony natao koa ny maneho an’i Jesosy Kristy nitsangana tamin'ny maty, ilay Mpisoronabe mandrakizay. Ny Mpisoronabe olombelona no maneho an’i Kristy velona sy nitsangana tamin'ny maty. Izany no antony tsy maintsy nidiovany ara-panoharana tamim-pitandremana alohan'ny hanaovany ny lanonana.
5. Inona no nataon'i Kristy, Mpisoronabe, nandritry ny 2 000 taona mahery? Heb.7:25; 4:14-16; 1Jaona.1:9; 2:1-2.
FANAMARIHANA: Kristy no Mpamonjintsika velona. Ny fahafatesan'i Kristy dia nandoa ny sazin'ny fahotan’ny olombelona rehetra. Saingy tsy nahavita ny asa nanaovana fanavotana ho an'ny olombelona rehetra izany. Mbola manjaka an'ity tontolo ity i Satana ary mitaona ny rehetra. Ny ankamaroan’ny olona dia tsy mino ny soron'i Kristy ka tsy mankatoa an'Andriamanitra.
               Ahoana no hanatanterahana ny asa fanavotana? Amin'ny fomba ahoana no hahatonga ny olombelona rehetra ho tena miaraka amin'Andriamanitra Ray? Ny valiny dia aseho amin'ny alàlan'ny tandindon'ny osilahy velona.


Ny osilahy noroahina ho any an-efitra

               Ny fomba hafakely amin'ny Andro Fanavotana dia ny fitondrana osilahy velona mankany an-efitra. Iza na inona no asehon'io osilahy io? Fa maninona no tsy novonoina io? Inona no hevitry ny tany efitra?
               Rehefa niditra tao ambadiky ny efitra lamba ho ao amin'ny Toerana Masina Indrindra ny Mpisoronabe, dia naneho an'i Kristy niakatra ho any amin'ny Seza Fiandrianan'Andriamanitra any an-danitra izy. Ny asa izay nataony tao amin'ny Toerana Masina Indrindra dia tandindon'ny asan'i Kristy nandritry ny 2 000 taona mahery. Rehefa nivoaka avy tao ilay Mpisoronabe, dia tandindon'ny fiverenan'i Kristy ety an-tany izany. Inona no nataon'ny Mpisoronabe taorian'izany - ary inona no hataon'i Kristy aorian'ny fiverenany?
1. Rehefa avy nanao sorona ilay osilahy iray ny Mpisoronabe Levita, ary namita ny asany tao anaty tabernakely, moa ve nalainy ilay osilahy hafa? Lev.16:20. Moa ve napetraky ny Mpisoronabe teo an-dohan'ity osilahy ity ny fahotan'ny vahoaka? Andininy 21.
FANAMARIHANA: Nanonitra ny fahotantsika i Jesosy Kristy rehefa nandray ny sazin’ny fahotantsika teo amboniny Izy tamin'ny nanolorany ny fiainany tsy misy ota ho antsika. Rehefa mibebaka amin'ny fahotantsika isika, dia voafafa ny trosantsika taloha. Ny fahotan 'ny vahoaka dia voahonitra ara-panoharana noho ny osilahy natao sorona (Lev.16:15). Ka inona ary ireo fahotana napetraka teo amin'ny lohan'ilay osilahy velona? Ny fanalahidin'ny fanazavana - ary ny hevitra ara-panoharan'ity Andro Masina ity - dia mitoetra amin'ny fahazoana marina hoe iza na inona no asehon'ity osilahy ity.
2. Ny osilahy voafidy tamin'ny filokana ho an'i Jehovah dia maneho an'i Kristy. Iza no asehon’ilay osilahy hafa? Lev.16:8. Moa ve tsy maintsy noroahina io? Lev.16:10.
FANAMARIHANA: Azazela, ho an'ireo mponina Semitita voalohany tany an-efitr'i Sinay, dia ilazana an'i Satana devoly! James Moffatt dia nandika an'io hoe "Azazela ilay demonia." Hoy i William Gesenius: "Io anarana io dia niantsoana ny demonia ratsy fanahy.... Ny anarana hoe Azazela ... dia ampiasain'ny Arabo koa hilazana ny demonia iray. »(Hebrew-Chaldee Lexicon, pejy 617). "Ao amin'ny Korano, ny devoly antsoina hoe Eblis, iray amin'ireo arikanjely any an-danitra, ary nantsoina hoe Azazil, dia nianjera noho ny tsy fankatoavana" (J.W.H. Stobart, Islam and his founder, pejy 114).
               Hermann Schultz dia nanoratra hoe: "Azazela dia ... anarana “Aramaic” ... iantsoana ny hery maloto sy tsy mendrika, izay nitoetra tany an-efitra, tany amin'ny tany voaozona, teo ivelan'ny fetra masina misy ny toby" (The Old Testament Theology, nadikan'i Paterson, 1892, vol 1, pejy 405).
               "Ny Mpisoronabe ... dia nanao filokana tamin’ny osilahy roa. Ny iray dia natao ho an'ny Tompo ho fanatitra noho ny ota. Ny iray kosa ho an'i Azazela (ilay misaraka tanteraka aminy, ny fanahy ratsy noheverina fa nitoetra tany an-efitra).ka halefa ho velona any an-tany foana "(F. Watson, The Cambridge Companion to the Bible, 1893, pejy 161.)
               Ny mpivaofy hevitra maoderina dia matetika tsy mifankahazo amin’io osilahy ho an’i Azazela io. Tsy mahagaga izany satria efa namitaka an'izao tontolo izao i Satana, ary mamitaka ny olona maro hihevitra fa tsy misy izy. Misy mpitsikera milaza fa io osy io dia mampiseho an'i Kristy. Tsy misy fanohanana ara-Baiboly na an'ohatra ny teoria toy izany.
               Andeha hojerena ny fanehoan-kevitry ny jiosy maoderina izay mampahazava fa ny osilahy Azazela dia maneho an'i Satana ny devoly: "Azazela ... dia mety ho demonia tokoa .... Ny asa          -soratra apokrifa Jiosy izay nosoratana tao amin'ny taonjato vitsivitsy nialoha ny vanim-potoana Kristiana, dia niresaka anjely izay voataona ... hikomy tamin'Andriamanitra. Tamin'ireo lahatsoratra ireo, Azazela dia iray amin'ireo mpitarika roa an'io fikomiana io. Ny antontan-taratasy taorian’ny Talmud (= boky mivaofy ny Làlan’i Mosesy, ampiasaina any amin’ny Sekolin’ny Raby) dia milaza tantara mitovitovy momba ny anjely mpikomy roa, Uzza sy Azzael - anarana roa samy hafa mitovitovy amin’ny Azazela. Ireo tantara toa angano ireo, izay tsy maintsy efa niely fatratra, dia toa manamafy fa ilay Azazela voalazan’ny Baiboly dia demonia"(Union of American Hebrew Congregations, The Torah - a Modern Commentary, pejy 859).
               Ny tena antony - ny tena mpamorona - ny fahotan'olombelona dia i Satana devoly (Jaona 8:42-44; Efesiana 2:2). I Satana dia meloka amin'ny fanentanana ny olombelona hanota.
               Nandoa ny anjara-sazintsika i Kristy amin'ny fahotana izay nibebahantsika rehetra. Saingy tsy mandoa ny ampahany amin'ny sazin’i Satana amin'ireny ota ireny Izy, na ny fahotan'ireo demonia hafa.
               Tsy omena famonjena ny demonia, ary mandà ny fibebahana izy ireo! Ka eto amin'ity fombafomba Levita ity, ny fahotan'i Satana rehetra - ny fahotana izay namporisihany hataon’ny olombelona, dia naverina ho eo an-dohan'i Satana izay tompon-kevitra tamin’izany!
               Rehefa miverina i Jesosy Kristy, dia apetrany eo amin'i Satana ny ampahany amin'ny fahotan'ny olombelona, ary avy eo dia ho esorina tsy ho eo anatrehan'ny olombelona izy. Hatao araky ny rariny izany.
3. Moa ny osilahy Azazela ve noroahina hanalavitra ny olombelona rehetra ka nitondra any ny fahotany? Lev.16:21-22. Moa ilay tany efitra izay nitondrana ilay osilahy iray ve dia tandindon'ny tanàna rava izay hanjo an’i "Babylona" maoderina? Vakio ny Isaia 13:19 ka hatramin'ny 14:23.
FANAMARIHANA: I Satana, ilay mpamporisika hanota, dia meloka amin'ny fitaomana antsika hanota, ary tsy azo hanaovana fanavotana ny helony. Apetraka ho andraikiny manokana ny fahotany, ary hesorina izy sy ny fahotany - esorina tanteraka eo anatrehan Andriamanitra sy ireo zanak’Andriamanitra voavotra! Ny herin'i Satana amin'ny olombelona dia nataony tamin'ny alalan'ny fitaka sy ny ota. Tamin'ny alàlan'ny sorom-panavotan'i Kristy, dia navotana indray isika, novidina sy navotana tamin'ny mpaka an-keriny ara-panahy. I Satana dia very ny fitakiany ho tompony, ary tsy ho afaka hampihatra izany fitaomana izany izy mandritry ny 1000 taona. Tsy ho afaka ho mpanohitra na mpiampanga ny rahalahiny intsony izy. Ny olombelona manontolo dia tsy azo avotana tanteraka – ho "iray" miaraka amin'Andriamanitra - mandra-pahatongan'izany.
4. Rehefa avy nifandray tamin'ny osilahin’i Azazela ny Mpisoronabe, moa ve izy tsy maintsy misasa alohan'ny hifandraisany amin'ny vahoaka? Lev.16:24. Ary moa ve ilay lehilahy nitondra ny osilahy tsy maintsy nanasa ny akanjony sy handro alohan'ny hidirany ao amin'ny toby? Andininy 26.
FANAMARIHANA: Noho ny famantarana, dia azo antoka fa nisy ny fifandraisana amin'ny devoly!
5. Moa ve ny osilahy Azazela hita taratra fa mbola velona? Andininy 10, 22
FANAMARIHANA: Satana dia fanahy ka tsy mety maty (Lioka 20:35-36). Mba hanamarinana izany, navela ho velona ny osy. Nefa mariho fa lasa very izy rehefa noroahina tanteraka. Izany dia maneho fa nosakanana i Satana tsy hitarika ny olombelona intsony taorian'ny fiverenan'i Kristy. Jereo ny fahatanterahan'ity ampahany amin'ny Planina Lehiben’Andriamanitra ity, araka ny ambaran'ny bokin'ny Apokalypsy.
6. Inona no hatao amin'i Satana aorian'ny Fiavian'i Kristy fanindroany? Apok.20:1-2. Aiza no hanipazana azy? Andininy 3. Jereo koa ny Apokalypsy 18:1-2.
FANAMARIHANA: Ny "lavaka tsy hita noanoa" na ny lavaka mangitsokitsoka dia nasehon’ny tany-efitra izay nandroahana ny osilahin’i Azazela. Satana sy ny demoniany dia hofatoran'ny anjelin'Andriamanitra (izay nasehon'ilay lehilahy voalaza ao amin'ny Levitikosy 16:21). Voaro tanteraka izy ka tsy ho afaka intsony hitarika ny olombelona hanota. Tsy ho afaka handefa toe-tsaina ratsy amin’ny olona intsony i Satana.

 

Ny fifadian-kanina amin'ny Andro Fanavotana

               Ny fitandremana ny fombam-pivavahana tany amin’ny Testamenta Taloha hatreto dia manaraka fombafomba. Ny Mpisoronabe sy ny mpanampy vitsivitsy ihany no voatokana nanatontosa izany. Saingy ny vahoaka manontolo na ny fiangonan'Isiraely dia nanana ny anjara ataony ihany koa. Izany dia ny fifadian-kanina sy ny fanakanana tsy hiasa amin'ny Andro Fanavotana.

               Inona no ifandraisan'ny fanesorana an'i Satana sy ny fifadian-kanina? Miasa i Satana amin'ny fandefasana amin’ny olombelona ny fitsiriritana, ny filan'ny nofo sy ny rehaka eo amin’ny fiainana (1Jaona2:16). Ny fifadian-kanina dia tsy manaiky ny herin’ny filan’ny nofo ary mahatonga antsika hanetri-tena; noho izany ny fifadian-kanina dia mampihena ny fitarihan'i Satana antsika amin'ny fiainantsika manokana; noho izany, ny fifadian-kanina dia tandindon’ny fanalana tanteraka an'i Satana amin'ny fiainantsika tsirairay, ary ny famindrana azy hiala amin’ny olombelona rehetra.

1. Ahoana no hitandremana ny Andro Fanavotana? Lev.16:29, 31; 23:28-32. Ahoana no fomba "hampahoriana" ny tena amin'io andro io? Isa.58:3; Ezra 8:21.
FANAMARIHANA: ny mampahory dia nadika avy amin'ny teny hebreo anah, izay midika hoe "mampahory, manetri-tena, mamoritra, mahakivy, mifady hanina"
Ny tanjon’ny hampahoriana ny tenantsika amin'ny Andro Fanavotana dia ny hampanetri-tena antsika eo anatrehan'Andriamanitra (Sal.35:13).
2. Moa ve ny Baiboly mandidy ny fifadian-kanina amin'io andro io "ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin’ny fara mandimby izany, eny amin'izay rehetra honenanareo"? Lev.23:29-32. Moa ve ny fifadian-kanina nodidiana hataon’ny fiangonana iray manontolo - na dia tamin'ny Jentilisa izay maniry hivavaka tamin'Andriamanitra aza? Lev.16:29.
FANAMARIHANA: Ireo fombafomba levita, na dia mampiseho mazava ny dikan'ny Andro Fanavotana aza izany, dia tsy tanterahina intsony (Heb.9:8-14; 10:1-4, 10-14). Fa ny Fiangonan'Andriamanitra dia mifady hanina amin'ity Andro Masina fanao isan-taona ity.
               Nahoana ireo sorona no lany andro, fa ny fifadian-kanina tsy mba lany andro? Ny tsy fitovizan'izy ireo dia izao: ireo fombafomba dia nasaina notanterahan'ny Mpisorona ho tandindon’ny sorona tamin'ny fahafatesan'ny Mesia na Kristy, fa ny fifadian-kanina kosa dia nodidiana hataon'ny fiangonana manontolo.
               Nandidy ny olony Andriamanitra mba hifady hanina amin'ny Andro Fanavotana. Mankatoa izany ny vahoakan'Andriamanitra ankehitriny. Ny tena kristiana dia Isiraelita ara-panahy, ka mankatoa ny didy nomen'Andriamanitra ny olony rehetra.
               Ny vahoakan'Andriamanitra rehetra dia mijanona amin'ny asany amin'ny andro Sabata; mivory izy ireo mba hivavaka sy hiaraka amin'ny namana amin’ny andro fitsaharana, dia ny fivoriana masina izany. Ny tena kristiana marina rehetra, toy ny Isiraelita rehetra, dia tsy tokony hihinana mofo tsy misy masirasira mandritra io fety io ary tokony hifady hanina amin'ny Andro Fanavotana.
3. Ao amin'ny Baiboly, ny fifadian-kanina noho ny antony ara-panahy ve dia midika fa tsy misakafo na misotro rano? Eks.34:28; Deot.9:18; Esth.4:16; Asan’ny Apostoly 9: 8-9. Amin'ny fotoana inona no tokony hanombohantsika ny fifadian-kanina amin'ny Andro Fanavotana? Lev.23:32.
FANAMARIHANA: Ao amin'ny kalandrie-n'Andriamanitra, ny andro dia manomboka amin’ny filentehan’ny masoandro (Gen. 1: 5, 8, 13, 19). Tokony hifady hanina isika amin'ny andro faha-10 amin'ny volana fahafito. Tsy tokony hihinana sakafo mavesatra tsy mahazatra isika, alohan'ny filentehan’ny masoandro amin’ny andro fahasivin’ny volana, mba hiezahana tsy hampahomby ny baikon'Andriamanitra.
               Tokony hifady hanina ve ireo ankizy? Raha matotra tsara izy ireo, ka hahatakatra fa takian'Andriamanitra izany amin'io andro io, dia azo ampianarina hifady hanina mandritra ny 12 na 18 ora izy ireo, alohan'ny hamelana azy ireo hifady hanina mandritry ny 24 ora.
               Ny lalàn'Andriamanitra dia mamela ny olona sasany hijanona tsy hifady hanina. Ny sokajy iray dia ny olona notoroan’ny dokotera mpitsabo hevitra fa mety hampidi-doza azy ara-batana ny fifadian-kanina. Ny zazakely dia tsy tokony hoterena hifady hanina. Ny ankamaroan'ny reny dia mamokatra ronono ampy hanohizana ny famahanana ny zazakely mandritra ny andro fifadian-kanina, fa ny sasany kosa tsy afaka manao izany. Mety ho vitsy ny mahita fa mila misotro rano kely alohan’ny fiverenana hisakafo.
               Ireo olona manaraka fitsaboana dia mety mila manohy mihinana ny fanafodiny. Tokony haka torohevitra tsara amin'ny dokotera mpitsabo azy izy ireo. Ny olona voan’ny diabeta dia mety mila manova ny fanafodiny na misotro jus. Ny governemantan’Andriamanitra naorina tao amin'ny Fiangonany dia manome hery ny Fiangonana hanao izany fanavahana izany rehefa ilaina izany.
4. Moa ve ny Fiangonana ao amin’ny Testamenta Vaovao nitandrina ny Andro Fanavotana? Asan’ny Apostoly 27:9.
FANAMARIHANA: Fantatry ny manam-pahaizana rehetra ara-Baiboly fa ny "fifadian-kanina" dia manondro ny Andro Fanavotana. Lioka evanjelistra dia nanoratra izany mihoatry ny 30 taona taorian'ny nanomboana an'i Kristy. Raha tsy nisy intsony ny Andro Fanavotana, dia ho tsy nanindri-mandry hanoratra ireo teny ireo Andriamanitra!
               Ny Fiangonan'Andriamanitra voalohany tao amin'ny Testamenta Vaovao dia manome ohatra ho an'ny Fiangonan'Andriamanitra ankehitriny. Ary ny tena Fiangonan'Andriamanitra amin'izao andro izao dia mitandrina ny Andro Masin'andriamanitra rehetra - anisan'izany ny fifadian-kanina amin'ny Andro Fanavotana!
5. Moa ve ny Andro Fanavotana mitovy amin’ny Andro Masina hafa, satria tsy misy asa na raharaha tokony hatao amin’izany? Lev.16:29; 23:30-31.
FANAMARIHANA: Ny asa rehetra fanaon’ny mpiasa, dia ny asa rehetra ara-batana na ara-tsaina mifandray amin'ny fahazoana fivelomana – dia voarara amin'ny sabata isan-kerinandro sy sabata fanao isan-taona.
               Ny kojakojan’asa ilaina amin'ny fikarakarana sakafo dia avela atao amin'ireo fety hafa (Ohatra. Eks.12:16), saingy tsy amin'ny Andro Fanavotana, satria tsy misy sakafo tokony hohanina amin'ity andro ity, ka tsy ilaina ny fanomanana sakafo.
               Na dia andro fifadian-kanina aza ny Andro Fanavotana, satria fivoriana masina nodidiana izy ity, dia fetin'ny Tenin'Andriamanitra ara-panahy. Tsy ny mofo ihany no tokony hivelomantsika.
               Tsy tokony hitomany isika rehefa mifady hanina sy mampahory ny fanahintsika amin'ny Andro Fanavotana.                Na dia malahelo noho ny ota sy ny valiny aza isika, dia tokony hifaly satria Andriamanitra dia hanafoana tanteraka izany ao amin’ny Planiny (Apok.21:4).
               Na dia mety hahatsapa-tena ho malemy ara-batana aza isika noho ny fifadian-kanina, dia tokony ho faly isika noho ny fanantenana ny fiainana mandrakizay. Ny Andro Fanavotana, sahala amin'ny Andro Masin'Andriamanitra rehetra, dia fotoana isian'ny fanantenana sy ny fifaliana.
6. Nahoana no tandremana am-panajana izany andro izany? Lev. 23:28.

FANAMARIHANA: Ny teny hoe fanavotana dia misy hevitra hoe "tokony ho iray aminy." Io andro io dia tandindon’ny maha-iray an’Andriamanitra sy ny olombelona; amin’ny teny anglisy “Atonement” dia milaza fa tena iray amin’Andriamanitra ny olombelona amin’io andro io!

7. Ny hoe mbola ilaina ny Andro Fanavotana dia mampiseho fa ny olona dia tsy mbola "iray" amin'Andriamanitra. Fa satria nahoana no tsy mbola iray Aminy? Isa.59:2; Sal.66:18.
FANAMARIHANA: Samy efa nanota isika rehetra (Romana 3:23). Lasa tafasaraka amin'Andriamanitra isika. Ny ilantsika fanakambanana, firaisana amin'Andriamanitra, dia hamafisina amin'ny teny hoe fanavotana miseho in-48 ao amin'ny bokin'ny Levitikosy. Na izany aza, Andriamanitra sy ny olombelona dia tsy afaka ho iray tanteraka, hifankahazo tanteraka, mandra-paha-voafatotra an'i Satana.
8. Ny Andro Fanavotana dia tandindon’ny faharesen'i Satana manerantany. Ahoana no nilazan'i Jakoba fa handresy an'i Satana amin'ny fiainantsika manokana isika? Jak.4:6-7, 10.
FANAMARIHANA: I Jesosy Kristy dia nandresy an'i Satana, ka nahafeno ny fepetra hanjaka amin'izao tontolo izao amin'ny alàlan'ny fifadian-kanina (Mat.4:1-11). I Jesosy dia nalemy ara-batana, fa natanjaka indrindra ara-panahy Izy, satria nanetry tena tanteraka. Tsy niantehitra tamin'ny hery maha-olombelona Azy Izy, na tamin'ny fahendren'olombelona, na tamin’ny teniny. Namaly an'i Satana tamin'ny Tenin'Andriamanitra Izy. Niantehitra tamin’ny herin’Andriamanitra Izy - ny fahefan’ny Fanahin’Andriamanitra ao Aminy. Izany koa no tokony hataontsika!
9. Moa ve ny Andro Fanavotana no fanombohan'ny fanafahana ny Isiraely fahiny? Lev.25:9-10.
FANAMARIHANA: Ny Taon-Jobily dia nomena ny Isiraelita mba hahafahan'ireo mahantra amin'ny trosa izay tsy vitan'izy ireo ny nandoa azy. Isaky ny 50 taona dia navela ny trosa rehetra, ary navotsotra ireo izay nivarotra ny tenany ho andevo. Ny tany very noho ny fahantrana dia naverina tamin'ny fianakaviana izay tompony tany am-boalohany.
               Natao izany tamin'ny Andro Fanavotana, ka nampifandray an'ity Andro Masina ity amin'ny fanafahana tamin'ny fanandevozana. Izany dia tandindon'ny Fanavotana ho avy manafaka amin'ny fanandevozana ara-panahy - famotsorana ny trosa ara-panahy rehetra sy ny fahotana - ny fahafahana amin'ny fakam-panahy sy ny fitaka ataon'i Satana sy ny demoniany - ary ny famerenana ny firenena tsirairay avy any amin'ny tany voatokana ho azy (Asa 17:26).

            Io teny hebreo anah dia hita koa ao amin'ny Deoteronomia 8:2-3: "Ary tsarovy ny lalana rehetra izay nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao tany an-efitra izao efa-polo taona izao, hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hahalala izay ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia. Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman'ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan'i Jehovah no iveloman'ny olona.”

Ny Hevitra Ara-Panahin’ny Fifadian-Kanina

               Ny Andro Fanavotana dia tsy tokony ho hany andro tsy maintsy hifadian'ny tena Kristiana. Ankoatr’ireo izay manana fetra ara-pahasalamana tsy mahazatra, ny Kristiana rehetra dia tokony hifady hanina amin'ny andro nosafidiny manokana. Nahoana? Mba handresena an'i Satana amin'ny fotoan'andro rehetra mandritry ny vanim-potoana isan-taona, ary mba hanatona an'Andriamanitra, ho lasa tena iray miaraka aminy mandritry ny taona.
1. Moa ve nifady hanina ny mpianatr'i Kristy raha mbola niaraka tamin'izy ireo fahavelony i Jesosy? Mat.9:14. Moa nilaza ve i Jesosy fa mbola ho avy ny fotoana hifadiany hanina? Andininy 15. Moa ve nanome torolàlana momba ny fifadian-kanina i Jesosy? Mat.6:16-18.
FANAMARIHANA: Ny fifadian-kanina dia tsy tokony ho "fisehosehoana" - tsy porofon'ny fitiavam-bavaka izany. Ny fahombiazan'ny fifadian-kanina dia eo amintsika sy Andriamanitra. Ny isa sy ny faharetan’ny fifadian-kanina dia matetika tsy voaresaka.
2. Moa ve i Jesosy nifady hanina nandritry ny fotoana maharitra? Mat.4:2.
FANAMARIHANA: ?Koa satria i Jesosy tsy nandika lalàna momba ny fahasalamana na dia iray aza, dia tao anatin'ny fahasalamana sy tanjaka tanteraka Izy. Isika tsy mba toy izany. Tsy misy na dia iray akory aza ho sahy hifady hanina mandritry ny 40 andro. Manimba ny fahasalamana tokoa ny fanaovana izany, ary ho tandindomin-doza aza ny fiainana, ka noho izany dia fahotana.
               Ireo zokiolona, sy ireo fantatra fa manana olana ara-pahasalamana toy ny diabeta na fahalemen'ny fo, dia tokony haka torohevitra ara-pitsaboana. Ny sasany, indrisy, dia tsy afaka mifady hanina na iray andro aza. Raha misalasala ianao, dia manontania torohevitra amin’ny olona mahay. Aza mieritreritra fa hitahy anao Andriamanitra raha toa ianao ka mihevi-tena ho marina, nefa hampidi-doza ny fahasalamanao amin'ny fifadian-kanina atao tsy am-pahendrena!
3. Moa ve i Paoly, raha lavo tamin’ny tany noho ny hery avy tany an-danitra, dia           nifady hanina mandra-piandriny ny hahalala ny sitrapon'Andriamanitra? Asa.9:6, 9. Moa ve izy nifady hanina matetika taty aoriana? 2Kor.11:27. Tokony hanaraka ny ohatra nomeny ve isika? 1Kor.11:1.
FANAMARIHANA: Ny ohatra ara-baiboly dia mampianatra antsika fa, mandritra ny fifadian-kanina noho ny antony ara-panahy, dia tsy tokony hihinana na hisotro isika. Izany dia manetri-tena kokoa noho ny tsy fisakafoanana fotsiny, na araky ny ampianarin'ny antokom-pivavahana sasany hoe tsy mihinan-kena fotsiny.
               Maro no nahatsikaritra fa misy tombontsoa azon'ny fahasalamana mifandraika amin'ny fifadian-kanina. Marina izany rehefa atao amin'ny antonony. Mandritry ny aretina sasany, ny vatana dia hanamafy ny fifadian-kanina amin'ny alàlan'ny mandoa sy mivalana. Amin'izany tranga izany, dia tokony hisotro rano betsaka ny olona iray mba hialana amin'ny loza ateraky ny fahaverezan-drano.
               Mandritry ny fifadian-kanina noho ny antony ara-pahasalamana, ny rano na ny ranom-boankazo dia sotroina matetika. Tsy tokony hafangaro ny fifadian-kanina ara-pahasalamana sy ny fifadian-kanina noho ny antony ara-panahy.
               Ny fifadian-kanina dia tsy faniriana voajanahary, ary indraindray tsy mahafinaritra izany. Ny olona sasany dia tsy maintsy voan'ny aretin'andoha rehefa mifady hanina. Indraindray izany dia avy amin'ny tsy fahitana kafe. Misy ny mahita fa mahasoa ny mijanona amin’ny fisotroana kafe, dite na cola, andro maromaro mialohan'ny hanombohana ny fifadian-kanina. Manampy azy ireo izany tsy ho voan’ny aretin'andoha toy izany alohan'ny hanombohana ny fifadian-kanina. Noho izany, mandritra ny fifadian-kanina, dia ho afaka hifantoka tsara amin'ny tena tanjon'ny fifadian-kanina isika, dia ny hanakaiky an'Andriamanitra, ny hihevitra bebe kokoa tahaka ny fiheverany.
               Ny fifadian-kanina dia tokony hihoatra noho ny hanoanana sy ny hetaheta tsotra. Tokony hahita zavatra ankoatry ny zavatra ara-batana isika, ary hianatra ny fitsipika ara-panahy. Tsy ny mofo ara-batana ihany no tokony hivelomana, fa tokony hitady ny sakafo ara-panahy ihany koa (Jaona 4:34; 6: 26-27, 32-35, 50-51). Tokony ho noana sy mangetaheta ny fahamarinana isika (Mat.5:6).
               Ny fifadian-kanina dia tokony hanampy antsika hanatona an'Andriamanitra bebe kokoa, handany fotoana bebe kokoa hianarana ny Teniny, amin'ny vavaka sy ny fisaintsainana, miezaka hamantatra ny sitrapon'Andriamanitra, maniry ny hankatoa Azy. Ny fifadian-kanina dia tokony hampanetri-tena antsika, hanampy antsika ho vonona hanaraka ny sitrapon'Andriamanitra - na mifanaraka amin'ny faniriantsika manokana izany na tsia.
               Ny fifadian-kanina dia mampiseho amintsika fa miankina amin'ny sakafo sy rano isika. Mampiharihary amintsika izany fa tena tia-tena isika, ary tena sarotra tokoa ny mandà ny tenantsika!
               Rehefa noana isika, dia mahatsapa fa tena manana saina ara-nofo. Ny fifadian-kanina dia fitsapana mba hahitana hoe inona no hatao loha-laharana? Moa ve ny fanirian'ny nofo sa ny faniriana amin-kitsimpo hanakaiky an'Andriamanitra?
               Rehefa mifady hanina ianao dia manapa-kevitra. Ny sasany miandry ny andro mety amin’izany, fa ny fifadian-kanina dia mazàna tsy mety amin’izany.
               Izany dia zavatra tsy maintsy akanao fotoana handinihana, ka avelanao ny raharaha ara-batana ary hatokanao io andro io amin'ny fikatsahana ny ara-panahy. Ny fotoana atokanao hanakaiky kokoa ny Mpamorona anao dia mahafinaritra Azy. Fantany fa tsara ho antsika izany.
               Tsy diso ny mifady hanina Sabata indraindray, fa ny fifadian-kanina kosa dia mahasoa kokoa ny ara-panahy amin'ny andro tsy misy fiatoana. Afoizo ny fotoananao; manamboara toerana eo amin'ny fiainanao ho an'Andriamanitra. Na efa nanalavitra an'Andriamanitra aza ianao, na maniry ny tsy hanalavitra Azy, dia mandehana manatona Azy haingana dia haingana!
4. Olona manao ahoana no hotsinjovin'Andriamanitra ka omeny fitia? Isa.66:2. Nampianarin’i Jesosy ve fa ireo manetry tena no hasandratra? Lioka 14:11.
FANAMARIHANA: Ny fifadian-kanina dia manampy antsika hahatakatra fa kely sy malemy isika ary tena mila an'Andriamanitra. Ny hanoanana kely dia manaporofo fa isika, toa an'i Joba, dia tsy inona fa zava-boahary kely, malemy, sy tsy misy dikany (Joba 25:6). Raha tsy miaraka amin’Andriamanitra, isika dia tsy misy vidiny fa mitovy amin’ny biby. Saingy raha miaraka amin'Andriamanitra, dia manana lanja lehibe kokoa isika!
               Ny fifadian-kanina dia tsy fanasaziana ny tena. Ny sazy rehetra tokony ho mendrika antsika dia efa voaloa feno tamin'ny fijalian'i Jesosy sy ny fahafatesany. Ary ny fifadian-kanina dia tsy tokony ho fitokonana tsy hihinan-kanina hanerena ny sitrapon'Andriamanitra. Tokony hifady hanina isika mba hanetry tena, mba hanatona an'Andriamanitra sy hanaiky ny sitrapony. Ny fifadian-kanina dia tokony hanampy antsika hiaiky ny maha-tsinontsinona antsika ary hahatsapa fa mila ny herin'Andriamanitra isika.
               Ny tena fanetren-tena dia ny fibebahana, fa tsy ny fampijalian-tena. Ny olona manetry tena dia miaiky fa diso lalana izy. Vonona hitady ny lalan'Andriamanitra izy - hangataka fanampiana sy fitarihana ary torolalana avy amin'Andriamanitra. Mariho ny ohatry ny Isiraelita (I Sam.7:3-7), ny Mpanjaka Davida (Sal.35:13), Ahaba (1Mpanjaka 21:17-29), ireo Ninivita (Jona 3:3-10), ary ny Jiosy (2Tantara 20:3-4; Neh.9:1-2).
5. Inona no lazain'Andriamanitra fa tokony hatao mandritry ny fifadian-kanina? Ezra 8:21; Isa.58:6-7; Joela 2:12-13; Zak.7:5-7. Nifady hanina ve ny mpanompon'Andriamanitra hahalalàna ny sitrapon'Andriamanitra? Asan’ny Apostoly 9:9; Dan.9:3; Asan’ny Apostoly 13:2-3.
FANAMARIHANA: Ny fifadian-kanina dia fotoana tsara handinihana ny ara-panahy, hahafantarana ny lesoka sy handresena ireo. Ny fifadian-kanina, rehefa atao amin'ny fitondran-tena tsara, dia hanampy antsika hanaiky ny sitrapon'Andriamanitra, ho tonga miaraka Aminy bebe kokoa, hanaiky ny valin'ny fivavahantsika, hanana finoana lehibe kokoa, hanohitra kokoa ny fakam-panahin'i Satana.
6. Nanome torolàlana momba ny fifandraisan'ny mpivady amin’ny fotoan’ny fifadian-kanina ve i Paoly? 1Kor.7:5.
FANAMARIHANA: Andriamanitra dia namorona ny firaisana ara-nofo ho ampahany ara-dalàna sy mahafinaritra amin'ny fanambadiana. Nilaza tamin'ny Korintiana i Paoly fa tsy tokony hamitaka ny vadiny ny lehilahy na ny vehivavy ka mandà ny firaisana ara-nofo (andininy 3-4). Fa i Paoly kosa dia nilaza fa afaka mifady ny firaisan         a izy ireo - tsy maharitra fa vetivety ihany - raha nifanaiky amin’izany izy roa. Ohatra iray mety ho antony tian'izy ireo hisakanana vetivety ny firaisan’ny mpivady, dia nilaza ny fifadian-kanina sy ny vavaka i Paoly. Ny Baiboly dia tsy mandrara ny firaisana ara-nofo mandritry ny fifadian-kanina, fa i Paoly dia namela ny fifadiana raha nifanaiky ny roa tonta (andininy 6).

Izao Tontolo Izao Aorian'ny Fanesorana An'i Satana

               Rehefa miverina eto an-tany amin-kery sy voninahitra i Kristy, dia handidy ny famatorana an'i Satana Izy. Tsy ho afaka hiasa amin'ny “zanaky ny tsy fankatoavana” intsony i Satana.
               Ny sain'olombelona, voahidin'i Satana ara-panahy tamin’ny voalohany, dia hosokafan'ny Fanahin'Andriamanitra! Ho afaka amin’ny fanangolen’i Satana ny tontolo, ka afaka handray ny fomba fiainan'Andriamanitra.
               Sambany vao ho afaka mahazo ny hevitry nyPlanin’ny Famonjen'Andriamanitra ny olombelona amin'ny ankapobeny. Avy eo ny olona dia hanomboka hahatsapa ny lalan-dratsiny, hibebaka ary hahazo famelan-keloka amin'ny fanekena an'i Kristy ho Mpamonjy azy. Amin'izay ihany vao ho lasa tena iray miaraka amin'i Kristy sy ny Ray ny olombelona, araky ny asehon'ny AndroFanavotana!
1. Inona no nambaran'ny Apostoly Petera fa hitranga rehefa hiverina eto an-tany Kristy? Asan’ny Apostoly 3:19-21.
FANAMARIHANA: Nantsoin'i Petera hoe "fotoana famelombelomana." ny fotoana hamerenana amin'ny laoniny ny fitondram-panjakan’Andriamanitra, dia ny fotoana izay hametrahana eo amin'ny lohan'i Satana ny anjarany amin’ny fahotana. Inona no mila averina eto an-tany? Ny fitondram-panjakan'Andriamanitra sy ny fomba fiainany. Natolotra ho an'i Adama sy Eva teo amin'ny Sahan'i Edena izany, saingy nolavin'izy ireo satria voafitaky ny menarana izy ireo.
               Mila mankatoa an'Andriamanitra izao tontolo izao, finoana fa tsy fisalasalana, fitokiana amin'ny fahendrena ambony sy ny traikefan'ny Mpamorona fa tsy ny fahendren'olombelona. Tokony hiala amin'ny eritreritra, ny fahatsapana, ny faniriana ary ny fihetseham-po isika, izay mifototra amin'ny fisintonan’ny nofo, rehefa mankatoa an'Andriamanitra.
               Ny dingana voalohany amin'ny fananganana fanjakana nofinofy eto an-tany dia ny famerenana indray ny fahefan'Andriamanitra, miaraka amin'ny fampiharana ny lalàn'Andriamanitra amin'ny alàlan'ny rafitra maneran-tany misy mpanjaka, ben'ny tanàna, mpitsara lavorary sy marina, sns. (Lioka 19:17, 19; Apok.5:10).
               Tsy ho feno ny firaisana amin’Andriamanitra raha esorina fotsiny i Satana. Ny asa lehibe indrindra dia izay mbola ho avy satria mbola mifankahala ny olona rehetra.
               Ny saina sy ny fomban'ny olombelona dia tsy maintsy averina tefena, ny toetrany dia folahina indray ary averina amin’ny lasitra mandra-pahatongany ho "iray" miaraka amin'Andriamanitra.
2. Hanao ahoana ny fihetsiky ny Isiraely sy ny Joda amin 'izany fotoana izany? Jer.31:9, 34; 50: 4-5. Voafitaky ny mpiandry azy ve izy ireo, dia ireo pasiterany? Jer.50:6. Hadisoan'i Azazela ve izany, amin'ny alàlan'ny mpanompony? 2Kor.11:13-15. Nefa "amin'izany andro izany", amin’ny Fanjakana Arivo Taona, dia mbola hanana ota bebe kokoa ve ny Isiraely sy ny Joda? Jer.50:20.
FANAMARIHANA: Hoy Andriamanitra fa "havelako ny helok’izay sisa narovako", dia ireo izay nentiny velona nandalo ny fahoriana lehibe sy ny Andron'ny Tompo. Hisy fifanarahana eo amin'Andriamanitra sy ny Isiraelita. Ny sazin'izy ireo mahatsiravina no nahatonga azy ireo hibebaka.
3. Moa ve ny firenen'Israely mbola hanana fandrafiana na fialonana? Isa.11:13. Rehefa mahita ny ohatra marin’ny Isiraely ny Jentilisa, moa ve ny maro amin'ireo firenen-kafa ireo te hanaraka ny ohatra napetrak'Isiraely? Deot.4:6-8; Efes.2:11-16.
4. Rehefa avy noesorina i Satana sy ny demoniany, dia mbola hisy fiantraikany ve ny sasany amin'ny famitahana sy ny fomba fiainany diso mandritry ny fotoana kelikely? Zak.14:17-19; Ezek.38:1-14. Moa ve ny ady nambara ao amin'ny Ezekiela 38 hitranga aorian'ny nanombohan'ny Fanjakan'i Kristy eto an-tany? Andininy 8, 11, 14.
FANAMARIHANA: Meseka sy Tobala dia olona avy any avaratr'i Eoropa sy Azia, toa an'i Goga sy Magoga; Gomera sy Togarma dia mponina hafa avy any Azia Afovoany. Ireo dia ampahany lehibe amin'ny taranak'olombelona. Satria firenena nampianarina tsy hino an'Andriamanitra tamin'ny vanim-potoana mialoha ny hanjakan'i Kristy ireo, dia lasa noterena izy ireo, tamin'ny alalàn'ny toe-javatra sy tranga samihafa, mba hankatoa an'Andriamanitra Izay velona mandrakizay.
5. Hanao sazy mafy ve Jehovah mba hampisehoana azy ireo fa Izy no Andriamanitra? Ezek.39:1-7. Inona no holazain'ny Jentilisa rehefa nianatra ny fahamarinana izy ireo - ary tonga saina tamin'ny farany ny amin’ny namitahan'ny rain'ny lainga azy ireo ?(Jaona 8:44) Moa ve handao ny lalan'ny razany izy ireo? Jer.16:19.
FANAMARIHANA: Endrey izany fitahiana rehefa voafatotra i Satana! Ho afaka amin'ny fahababoana ara-panahy ny olona rehetra, hampianarina ny làlan'Andriamanitra mba hisy fandriam-pahalemana marina, firindrana ary famonjena (Isa 11:9). Tena misy famelombelona!
               Ao amin'ny lesona manaraka, dia hianarantsika bebe kokoa ny fitahiana mahatalanjona izay ho tonga rehefa miaina mifanaraka amin'ny lalàn'Andriamanitra ny tany manontolo.

No comments:

Post a Comment