Inona no Mampiavaka ny Olombelona?

  Ambasadaoro Kolejy - Toko Faha-17

INONA NO MAMPIAVAKA NY OLOMBELONA?

 

               Ny famoronana ny olombelona ara-batana dia tena tsy manam-paharoa. Fa ahoana no tsy mampitovy ny olombelona? Inona no mahatonga ny olombelona ho tsy hitovy amin'ny zavaboary hafa rehetra? Ny zava-dehibe kokoa, Nahoana izy no miavaka? Ny valiny mahagaga amin’ireo fanontaniana ireo dia hita mazava ao amin’ny Baiboly.

               Ny mekanika tena sarotra sy tena tsy manam-paharoa izay noforonina sy natao dia ny olombelona manana ny sainy mahatalanjona sy ny vatany.

               Noho io zava-boahary io be pitsiny toy izany, dia ilaina ny nandefasan'ny Mpamorona ho antsika ny "boky torolalana" - toy ny andefasan'ny mpanamboatra fitaovana miaraka amin’izany fitaovana izany ny boky fampianarana manazava ny zavatra mety hatao amin’io fitaovana io.

Loharanon'ny tsi-fisiam-pahalalana

               Io boky fampianarana izay nalefan'Andriamanitra io, dia nianaranao tamin'ireo lesona ireo. Io no Baiboly Masina. Mampiharihary ny lafiny tsy ampy amin’ny fahalalana izy io- ny otri-kerin'ny olombelona izay tsy mampino. Izany fahalalana lehibe rehetra izany dia ambara sy hazavaina ho an'ireo izay mamaky sy mandalina azy ary mino ny zavatra lazainy.

               Ny Boky fampianaran'Andriamanitra dia milaza amintsika ny hoe iza isika, nahoana isika no misy, aiza no alehantsika, ary ny lalana handehanana any!

               Io koa dia mampiseho, araky ny efa hitantsika tao amin'ny lesona teo aloha, fa "Andriamanitra" dia Fianakaviana masina izay ahitana ny Persona ara-panahy roa ambony indrindra (Jaona 1:1). Andriamanitra, ilay lohan'io Ankohonana io, dia efa nisy hatrizay. Miaraka Aminy hatrizay, "ny Teny" dia Persona faharoa izay Andriamanitra ihany koa. Nahary ny zava-drehetra Andriamanitra amin'ny alàlan'ity Persona ara-panahy miaraka Aminy ity (andininy 2-3).
               Tamin’ny voalohany ny Teny dia namorona ny anjely – noforonina ho fanahy, na dia kely kokoa noho Andriamanitra aza ary tsy manana na oviana na oviana ny hery lehibe amin'ny famoronana. Avy eo, dia ny Onivera fizika, anisan'izany ny tany, no noforoniny. Avy eo, ny ampahatelon'ny anjely dia napetrak’Andriamanitra teto an-tany. Napetraka teo ambany fitondram-panjakan'Andriamanitra teto an-tany izy ireo, izay notantanin'ny arikanjely lehibe atao hoe Losifera.
               Teo ambany fitarihan'Andriamanitra - izay raha ny marina, dia ny fitantanana ny lalam-pitiavan’Andriamanitra araky ny voasoratra ao amin'ny Didy Folo – ny tany dia feno fiadanana, fahasambarana, fifaliana ary fahatanterahana mahavariana. Fa taty aoriana, dia nitarika ireo anjeliny hikomy miaraka aminy i Losifera. Nolaviny ny fitondran’Andriamanitra - tsy nampihariny intsony. Vokatr'izany, dia nanjary foana sy tsy nisy endrika ny tany, tao anatin'ny fisafotofotoana sy haizina tanteraka.

               Taorian’izany, tao anatin'ny enina andro, dia nohavaozin’Andriamanitra ny tarehin’ny tany. (Sal.104:30). Nandritra ny herinandro famoronana ao amin'ny Genesisy toko voalohany, dia namorona ny endrika ara-batana samihafa Andriamanitra - ny zava-maniry sy ny biby - izay miteraka ny tenany ihany. Ireo endri-piainana ireo dia noforonina tsy misy saina, na eritreritra na fahafahana hanapa-kevitra hanao zavatra; tsy manana fahaiza-miaina ara-pitondran-tena izy ireo - izay ny olombelona irery ihany no manana izany, ny olombelona izay sanganasan'ny hery famoronan’Andriamanitra.

               Ny mampita ny toetran'Andriamanitra ao amin'ny olombelona no lohahevitra mahaliana amin'ity lesona ity!

               Saingy alohan'ny hanombohanao ity fandinihana ity, dia alaovy aloha ny Baibolinao mba hahafahanao mitodika any amin'ny andinin-tsoratra rehetra nomena mba hamaliana ireo fanontaniana. Vakio foana ireo andinin-tsoratra ireo mba hahazoanao tombony tanteraka amin'ny fandalinanao.

 

LESONA 17

NY OLOMBELONA DIA "FANAHY" METY MATY

               Ao amin'ny boky torolalana izay nataon’Andriamanitra ho an'ny olombelona,izay fototry ny fahalalana rehetra, Andriamanitra Mpamorona dia manambara fahalalana betsaka izay tsy ho hain’ny olombelona ny hahita izany amin'ny herin’ny tenany ihany - anisan'izany ny fahalalana sy ny fahatakarana ny hoe inona ny olombelona, inona no antony nanaovana azy ho tahaka izany, ary koa ny hiafarany.

               Namorona ny olombelona voalohany Andriamanitra. Ary nolazainy tamintsika ny fomba nanaovany azy, mba ahafantarantsika marina ny momba antsika.

 

1. Avy amin'ny inona no namoronan' Andriamanitra ny olombelona? Gen.2:7. Moa ve ilay olombelona manontolo - "ianao" – no natao tamin’ny vovo-tany? Gen.3:19.
FANAMARIHANA: Namboarina avy tamin'ny vovo-tany i Adama, ka noho izany dia misy vovo-tany izy — dia ny vovoky ny tany!

 

2. Taorian'ny namoronan'Andriamanitra ny olombelona, dia ny sela rehetra tao amin'ny vatany - inona no nataony mba hanomezany aina ara-batana azy? Gen.2:7.

FANAMARIHANA: Andriamanitra dia nitsoka rivotra tao amin'ny havokavony tamin'ny vavorony - "ny fofon'aina" misy oksizena ary nanomboka niaina ilay olombelona! Mariho fa tsy milaza io andininy io fa nitsoka fanahy tsy mety maty tao amin'ny olombelona Andriamanitra.

3. Moa ve ny "fofon'aina" koa mandalo eo am-bavoron'ny biby? Gen.7:21-22. Ka ny fofon'aina ve no tapaka rehefa maty ny olona na ny biby iray? Andininy 23.

FANAMARIHANA: Ny loharanon'ny fiainana fizika ao amin'ny olombelona sy ny biby rehetra dia mitovy. Tsy misy na dia indray mandeha aza miresaka hoe ny "fofon'aina" dia milaza "fanahy tsy mety maty" na fiainana ankoatry ny vatana fizika. Raha tsy izany, ny biby toy ny vorona ary ny bibikely toy ny parasy, ny moka, dia manana fanahy tsy mety maty satria samy manana "fofon’aina" daholo izy rehetra!

4. Rehefa avy nanisy fofonaina tao am-bavoron’i Adama Andriamanitra, dia lasa inona izy? Gen.2:7 farany.

FANAMARIHANA: Ny olona tsy manana fanahy, fa ny olona no"fanahy"! Ny teny hebreo tany am-boalohany hilazana ny "fanahy" dia nephesh. Ny boky hoe Analytical Hebrew sy Chaldee Lexicon nosoratan'i Bagster sy dia mamaritra azy io ho "ny zavatra rehetra izay miaina, ny biby". Azo hilazana hoe "olona koa izay io," na koa "faty iray, na vatana maty." Ao amin'ny Genesisy 1:21, 24; 2:19; 9:10, 12, 15, 16 ary Levitikosy 11:46, ny nephesh dia nadika hoe "zava-manan’aina" rehefa miresaka biby. Ary ny nephesh dia adika hoe "maty" na “am-paty” ao amin'ny Levitikosy 19:28; 21:1; 22:4; Nomery 5:2; 6:11 ; 9:6, 7,10. Noho izany, ny olombelona dia voary. Ny olombelona dia Fanahy. Ny biby dia zava-+boahary na fanahy koa! Ny «fanahy» dia fiainana ara-batana fotsiny izay iharan'ny fahafatesana sy ny fahalovana. Ny fanahin'ny olona dia mazava fa ara-nofo, fa tsy ara-panahy. Mety maty izany!

5. Lazaina mazava ve fa ny olombelona dia "mety maty"? Joba 4:17. Ary nilazana mafy ve isika fa ny «fanahy» dia mety maty? Ezek.18:4, 20.
FANAMARIHANA: Koa satria fanahy ny olona, ary ny fanahy dia mety maty, dia mety maty ny olona, iharan'ny fahafatesana. Izany no mahatonga ny Soratra Masina hiantso ny olombelona hoe "olombelona mety maty."
6. Voaheloka ho faty ve i Adama rehefa nanota? Gen. 2:17, tapany farany. Ho lasa inona izy rehefa maty? Gen.3:19. Ny vatana ihany va no ho faty, sa ny olona rehetra, dia "ianao”, no ho faty? Andininy mitovy.

7. Inona no zavatra iray hitranga amin'ny olombelona sy ny biby? Mpitoriteny.3:19. Moa ve izany satria hitsahatra tsy hiditra ny havokavony ny rivotra? Andian-tsoratra mitovy.

8. Moa ve ny olombelona rehetra sy ny biby rehetra dia samy mandeha amin’ny toerana mitovy daholo rehefa maty? Andininy 20.

FANAMARIHANA: Rehefa maty ny biby, dia maty izy. Rehefa maty ny olombelona, dia maty tanteraka koa izy. Samy mandeha any am-pasana daholo izy ireo. Ary ny olona sy ny biby dia samy miverina ho vovoka indray.

9. Inona ary no anontanian'ny Mpitoriteny 3:21?

FANAMARIHANA: Ny teny hebreo hoe ruach, izay adika hoe "fanahy" ao amin'ity andininy ity, dia midika koa hoe rivotra, na fofonaina. Nadika in-27 hoe "fofonaina" izany ao amin'ny King James Version. Ohatra telo ny Genesisy 6:17; 7:15 sy Fitomaniana 4:20. Nadika in-83 koa hoe "rivotra" izy io. Araka izany dia hitantsika fa ny ruach dia misy dikany malalaka be, ary azo ampiharina amin'ny karazan-javatra maro izay azo lazaina malalaka hoe tsy hita maso. Midika hoe " fitoetra " sy "fanahy" koa io, ary raha miaraka amin'ny teny hoe "masina" izany, dia midika hoe ny Fanahy Masin'Andriamanitra.

            Koa nanontany i Solomona, satria fahafatesana mitovy ihany no hitranga amin'ny olona sy ny biby, "Iza no mahalala ny fanahin'ny olombelona, na miakatra any ambony izy, na tsia, ary ny fanahin'ny biby, na midina amin'ny tany izy, na tsia?”(Mpitoriteny 3:21). Na dia fahafatesana mitovy ihany aza no hihatra amin'izy roa tonta, ny Baiboly dia manambara fa misy fahasamihafana lehibe eo amin'ny olombelona sy ny biby, araka ny ho hitantsika tsy ho ela - ary io tsy fitoviana io dia tsy misy ifandraisany amin'ny "fanahy tsy mety maty".

10. Rehefa maty ny olona iray - lasa tsy manan’aina – moa ve mbola manana fahatsiarovan-tena ihany izy, ivelan’ny vatana noho ny "fanahy tsy mety maty" izay nisy tao anatiny? Mpito.9:5; Sal.146:4.
11. Afaka midera an'Andriamanitra ve ny maty? Sal.115:17. Misy fahatsiarovana an'Andriamanitra ve any amin'ny fahafatesana? Sal.6:5.
12. Moa ve mety hovonoina ny "fanahy"? Mat.10:28. Eto ve, tsy asehon'i Jesosy mazava fa tsy mety maty ny fanahin'ny olona? Aoka ho azontsika tsara ny zavatra noresahin'i Jesosy.

FANAMARIHANA: Misy ireo mampiasa ity andininy ity hanohanana ny finoan'ny besinimaro ny amin’ny tsy fahafatesan'ny fanahy. Na izany aza, dia milaza mazava tsara io andininy io fa ny fanahy dia zavatra mety haringana any amin'ny helo! Noho izany, na inona na inona io "fanahy" io, dia mety maty izy! Ny teny grika ao amin'ny Testamenta Vaovao izay nadika hoe "fanahy" dia psuch, izay midika fotsiny hoe "fiainana", na "fisiana", tsy misy hafa amin'ny teny hebreo tranainy ao amin'ny Testamenta Taloha hoe nephesh.

               Ao amin'ny Matio 10:28, ny teny hoe fanahy dia manondro fiainana izay tsy mety vonoin’ny olombelona mandrakizay - fa azon'Andriamanitra atao. Karazam-piainana inona ny toy izany? Mazava ho azy fa ny fiainana izay averin'Andriamanitra amin'ny fitsanganana amin'ny maty! Tsy afaka manapotika fiainana iray mandrakizay ny olona, fa havaozan'Andriamanitra amin'ny alàlan'ny fitsanganana amin'ny maty ny fiainana. Na dia mety hamono ny tenany aza ny olona, hoy i Jesosy, ny tena kristiana dia mahalala fa ny olombelona dia tsy afaka manala aminy ny fiainana mandrakizay, izay nampanantenain'Andriamanitra azy amin'ny fitsanganana amin'ny maty. Nefa ANDRIAMANITRA dia afaka manimba mandrakizay ny mety ho fiainana mandrakizay. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fanipazana ny olona natsangana ara-batana ao anaty “farihy afo” mba ho levona tanteraka - tsy hatsangana amin’ny maty intsony. Io no sazy farany noho ny ota (Romana 6:23) – dia ny fahafatesana mandrakizay!

            Ny bokin'i Lioka dia manamafy ny dikany hoe: "Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora Izay manam-pahefana hanary any amin'ny helo…" (Lioka 12:5). Andriamanitra dia tsy vitan'ny hoe afaka maka ny aintsika ara-batana ankehitriny, fa koa manam-pahefana hanangana antsika amin’ny maty, ary rehefa voaporofo fa tsy mankatoa sy tsy azo anarina isika, dia hanary antsika any amin'ny farihy afo, izay tsy misy fitsanganan'ny maty intsony Izy! (Apok.20:14-15; 21:8.) Satria azo atao ny fandringanana mandrakizay, dia izany no antony iray lehibe nahatonga an’Andriamanitra hanao ny olombelona ho mety maty!

Fa maninona no noforonina mety maty ny olombelona

               Tadidio tao amin'ny fanadihadiana nataontsika teo aloha, fa nitsahatra tsy nitantana ny fitondram-panjakan'Andriamanitra teto an-tany intsony ny arikanjely Losifera (antsoina hoe Satana), taorian'ny fikomiany niaraka tamin’ny ampahatelon'ny anjely. Taty aoriana, namorona ny olombelona voalohany Andriamanitra, izay manana hery mitatao ka hahatonga azy ho mendrika hisolo an'i Satana, ka ho mpitondra eto an-tany, ary hamerina amin'ny laoniny ny fitondrana sy ny lalan'Andriamanitra. Saingy, mba hahatonga ny olombelona ho mendrika handimby an'i Satana, izy dia tsy maintsy mandà ny lalan'i Satana ary ho lasa eo ambany fitantanan'Andriamanitra.
               Ny planina lehiben'Andriamanitra amin'ny fanatanterahana ny tanjony ho an'ny zanak'olombelona dia namboarina sy noforonina na dia efa talohan'ny namoronana ny olombelona aza. Raha manota ny olombelona mety maty noho ny fandavany ny fitondram-panjakan’Andriamanitra — toy ny nataon’ny rehetra afa-tsy Jesosy irery ihany - Andriamanitra dia hanao ny fomba hahazoany mibebaka - ka hialany amin’ny ota, hihavanany amin’Andriamanitra sy hiainany ny fomba fiainana araky ny fomban’Andriamanitra, dia amin’ny farany haterak’Andriamanitra ho mpikambana ao amin'ny Ankohonany mandrakizay!

1. Moa ve ny Teny nanolo-tena hiala vetivety amin’ny hery sy voninahitra lehibe izay nananany hatramin'ny mandrakizay, mba ho torontoronin'Andriamanitra, ary hateraky ny nofon'olombelona mba hanonerany ny sazin'ny otan’ny olombelona mety maty? Jaona 1:1, 14; 17:5; Heb.2:9; Fil.2:5-8; Rom.5:6-9; 1Petera 1:19-21; Apok.13:8.

FANAMARIHANA: Satria nomen'Andriamanitra ho andraikitry ny Teny ny famoronana ny olombelona (Jaona 1:3), ny Teny, rehefa nateraka ho olombelona nofo aman-drà mba ahafahany ho mety maty, noho ny fahafatesany, dia nanome fiainana lehibe kokoa, sarobidy kokoa noho ny fitambaran'ny ain'ny olombelona rehetra. Ary satria Izy dia sady Andriamanitra no olombelona, i Kristy, dia tsy manota mihitsy noho ny fahafenoan'ny Fanahy Masina tsy hita lany tao Aminy. Avy eo, na dia nisedra fakam-panahy rehetra tahaka ny olombelona rehetra aza Izy (Heb.4:15), dia tsy nanota mihitsy, ary afaka nandoa ny sazintsika noho ny fandikantsika ny lalàna, sazy izay mitondra fahafatesana mandrakizay (Romana 6:23).

               Satria manam-pahefana amin'ny fiainana sy ny fahafatesana Andriamanitra Ray, dia nanangana an'i Kristy tamin'ny maty ho amin'ny fiainana tsy mety maty Izy - ka mahatonga izany fiainana mandrakizay izany, noho ny fitsanganana amin'ny maty, ho azo hatao ho an'ny olombelona (Romana 5:10), ka hahalasa azy ho fanahy.

2. Moa ve Andriamanitra mandidy ny olona rehetra hibebaka? Marka 1:14-15; Asan’ny Apostoly 17:30; 2:38. Inona no tena safidintsika rehefa mibebaka isika? Deo.30:19-20.

FANAMARIHANA: Ny fibebahana dia ny fialana amin'ny lalan'i Satana, ary mitodika any amin'ny Fitondram-panjakan'Andriamanitra. Ny dikan’izany dia ny fanekena ny fitondran Andriamanitra hanjaka amin'ny fiainantsika amin'ny alàlan'ny lalàm-pitiavana. Ny fanekena an i Jesosy Kristy ho Mpamonjy sy ho Mpanjaka ho avy tsy ho ela - ilay "Adama faharoa" izay mendrika (ny Adama voalohany kosa tsy nahavita) ny hamerina ny fitondram-panjakan’Andriamanitra eto an-tany noho ny fandreseny an'i Satana. Ireo izay hiara-hanjaka amin'i Kristy dia tsy maintsy ho mendrika mandritra izao fiainana mety maty izao, amin'ny alàlan'ny fialàna amin’ny lalan'i Satana sy ny fandavana izany, amin’ny fandresena an’izany isan'andro isan’andro, ary miaina amin’ny lalàm-pitiavan’Andriamanitra amin’izay.

3. Moa ve ireo izay misafidy ny fiainana – ireo izay mibebaka amin'ny ota ary mankatoa an'Andriamanitra – dia hateraka ho fanahy tsy mety maty amin'ny fitsanganana voalohany? 1Kor.15:42-54; Jaona 3:3-8.

4. Ahoana kosa ny amin'ireo tsy mety hibebaka sy tsy manaiky ny fanavotan'i Kristy ho tambin'ny fahotany, ireo izay mandà ny hiala amin'ny lalan'i Satana ary mandà tsy hanaraka ny fitantanan'Andriamanitra eo amin'ny fiainany - inona no hanjo azy ireo any am-parany? Rom.6:23; Apok.20:14-15; Mal.4:1-3.

FANAMARIHANA: Tian'Andriamanitra ny olona rehetra izay niaina hatrizay mba ho afaka hibebaka sy ho mendrika ny hiaina mandrakizay (2Petera 3:9; 1Tim.2:3-4). Fa Andriamanitra kosa dia tsy hanery ny olona hisafidy ny fiainana. Ho an'izay minia tsy manaraka ny lalan'Andriamanitra izay mitondra mankany amin'ny fiainana mandrakizay, dia hisy ny "fahafatesana faharoa" – izay anjaran'ireo mpanota matevin-koditra, dia ireo tsy mety mibebaka. Hitsahatra tsy hisy intsony izy ireo. Ho toy ny tsy mbola nateraka izy ireo!

               Hitantsika izao fa Andriamanitra dia nifidy hanao ny olombelona ho zavatra fizika tamin’ny voalohany fa tsy fanahy noho ny antony lehibe. Talohan'ny namoronany ny olombelona, dia nanao ny anjely ho fanahy tsy mety maty Izy – fa tsy nofo aman-dra mety maty. Ary ny ampahatelon'ny anjely dia nanota noho ny fikomiany tamin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Saingy tsy fahafatesana ara-batana ny sazin'ireo anjely nanota.
               Ny anjely dia norafetina ho fanahy ka noho izany dia tsy mety maty. Satria ny ampahatelon'ny anjely no nifidy ny lalan'ny ota, ny saziny dia very mandrakizay ho azy ireo ny fandraisana anjara mavitrika amin’ny tanjona be voninahitra natokan'Andriamanitra ho azy ireo. Ary ny fahotany dia niteraka hadisoam-panantenana sy fitaka ho azy mandrakizay; feno hatezerana sy fankahalana ary fikomiana ny fanahiny. Nandao azy ireo mandrakizay ny fahasambarana sy ny fifaliana!
               Nikasa mialoha Andriamanitra fa raha misy ny olona manota ary tsy mety hibebaka, dia ho faty izy - ho toy ny tsy mbola nisy mihitsy izy. Ny olombelona tsy azo hanarina dia tsy havelan Andriamanitra hiaina mandrakizay ao anaty alahelo sy fijaliana toa ny anjely nianjera. Ity planina ity dia maneho ny famindram-pon'Andriamanitra lehibe amin'ny olombelona mety maty!

Rehefa nantsoin'Andriamanitra ny olombelona ary nahatsapa tena izy fa nanota, dia afaka ny hibebaka izy ary hiala amin'ny fahotany, ka hitodika mankany amin'ny lalan'Andriamanitra. Ary rehefa miova ny lalany, noho ny fanampian'Andriamanitra, dia afaka manohy fiainana mankatoa an'Andriamanitra izy.

               Afaka mitombo amin'ny fahalalana ara-panahy izy ary mampitombo ny toetran'Andriamanitra ao aminy, mandao ny fahazaran-dratsy, ny fahalemena ary ny fahotana. (Hianatra bebe kokoa momba ity isika any aoriana.)

               Ary izany rehetra izany dia vita amin'ny alalan'ny sitrapo manokana, ny safidy malalaka ananan'ny sain'ny olombelona tsirairay. Ary izany dia mitondra antsika ho any amin’ny ivom-besatr’ity lesona ity! Ny olombelona ihany, amin'ny zavaboary fizik        a rehetra, no manana fahaiza-manao mahagaga, toy ny mieritreritra, mandinika, mikasa, mamolavola, ary tonga amin'ny fehin-kevitra mifototra amin'ny fahalalana efa azo. Tsy takatry ny biby ny hevitra momba ny tsara sy ny ratsy. Tsy afaka mibebaka izy ireo.

               Efa mba noeritreretinao ve ny anton’izany? Efa mba nieritreritra momba ny tsy fitoviana lehibe eo amin’ny atidoham- biby sy ny sain'olombelona ve ianao, ary inona no mety nahatonga an'izany tsy fitoviana izany?

Fampitahana ny atidohan'ny biby sy ny sain'olombelona

               Misy hantsana lehibe tsy azo iampitàna eo anelanelan'ny atidoham-biby sy ny sain'olombelona. Ny Teorian’ny Evolisiona dia mihevitra fa biby ny olombelona. Fa ny zavatra iray tsy azon'ny evolisiona hazavaina dia ny fahasamihafana tanteraka eo amin'ny atidoham-biby, nomena fahaiza-manao tsy am-pieritreretana sy ny sain'olombelona, miaraka amin'ny fahefana mamorona noho ny fahaizan'ny saina, tsy manana fahaizana voajanahary toy izay ananan'ny biby.

               Ny biby sasany dia manana atidoha lehibe - na lehibe kokoa noho ny atidohan'olombelona aza, ary manana “cortex” be filirony ao amin’ny atidoha mitovitovy amin’ny an’ny olombelona, saingy tsy misy manana ny herin-tsaina, ny lojika, ny fahatsiarovan-tena sy ny fahaiza-mamorona. Ny ati-dohan’ny feso, ny trozona na ny “éléphant” dia lehibe kokoa noho ny atidohan'olombelona, ary somary kely kokoa ny an’ny rajako. Ny fahasamihafan’ny kalitao eo amin'ireo sy ny atidohan'olombelona dia tena kely - tsy misy dikany ka tsy azo raisina mba hanazavana ny fahasamihafana tsy hita pesimpesenina izay misy eo amin’ny olombelona mahira-tsaina, afaka mamorona zavatra maro mahatalanjona, sy ny atidohan’ny biby. Ny elanelana misy eo amin'ny atidohan-biby sy ny sain'olombelona dia mahagaga tokoa!

1. Moa ve ny biby noforonina araky ny endrik'Andriamanitra-sa samy noforonina araky ny karazany avy? Gen.1:21, 24-25. Iza no noforonina araky ny "endrika" sy ny "tarehin’"Andriamanitra? Gen.1:26-27. Moa ve ny olona hanjaka amin’ny zavaboary rehetra? Andininy 26.

FANAMARIHANA: Ireo andininy ireo dia manambara ny planina lehiben'Andriamanitra maneho ny fahamboniany - ny tanjony farany indrindra ho an'ny olombelona. Rehefa namorona an'i Adama avy tamin'ny vovo-tany Andriamanitra, dia namboariny araky ny "endrik’ANDRIAMANITRA" izy, dia ny seho ivelany sy ny bikany! Andriamanitra tsy nanao ny zavaboary hafa ho tahaka ny Tenany fa tanimanga. Io endrika sy tarehy tmanokana io dia nomena ny olona irery. Ny anton'izany dia satria ny olona dia noforonina misy otri-kery ho tonga Andriamanitra!

               Ny biby tsirairay dia noforonina misy atidoha mifanentana amin'ny karazany manokana. Fa ny biby tsy mba manana eritreritra sy saina mikambana, izay nomen'Andriamanitra ho an'ny olona ihany. Tsy mbola nisy biby nomena ny fahefana ara-tsaina - ny fahafahana mieritreritra, mamotopototra, misafidy sy manapa-kevitra - toy ny olombelona!

               Io saina sy toetra tena hafa io no mampiavaka ny olombelona amin'ny biby! Ny biby dia manana fahaiza-manao voajanahary. Ny atidohany dia "nalamin’"Andriamanitra hisy fahaiza-manao miavaka indrindra mba hivelomany sy hanatontosany ny fomban’ny karazany. Manaraka ny fahaiza-manao voajanahary izy ireo amin'ny sakafony, ny fanaovany akany, ny fifindra-monina ary ny fitomboany isa. Noho izany dia manamboatra tohodrano ny “castor”, manamboatra akany ny vorona, ets…Ireo fahaizana ireo dia nolovaina avy tamin’ny tarazo fa tsy mba vokatry ny fieritreretana, ny famotopotorana taorian’ny fisainana, na ny fahalalàn-javatra

               Ohatra, ny vorona an-tapitrisa maro no mirohotra mianatsimo isan-taona rehefa manatona ny ririnina any amin'ny ila-bolan-tany avaratra. Tsy mijanona "mieritreritra" izy ireo hoe fa maninona, tsy manontany tena izy ireo raha tokony hanao izany, tsy “manomana mialoha” ny dia alehany izy ireo. Avy amin'ny alàlan'ny fanairana anatiny-tahaka ny famantaranandro fahanana mialoha – dia ilaozany ny toerana fisakafoanany rehefa fahavaratra any amin’ny tany avaratra, ny famahanana ary mandeha an-jato na an’arivo kilaometatra maro mianatsimo izy ireo. Tsy takatry ny mpahay siansa tsara ny anton’izany - fa mandinika fotsiny ny fahaiza-manaon’ny biby voajanahary io izy ireo.
               Ny olona irery ihany no afaka manontany tena hoe "Nahoana aho no teraka? Inona ny fiainana? Inona ny fahafatesana? Misy tanjona ve amin’ny fiainan’olombelona?" Tsy mitovy amin'ny biby, fa ny olombelona dia tsy vitan'ny hoe mahay ny fanaovana zavatra sasany, fa fantany koa fa mahay izany izy - izany hoe fantany fa manana "fahalalana" izy. Fantany izany zavatra izany. Mahatsiaro tena izy, mahalala ny fisiany amin'ny maha-olona tsy manam-paharoa azy.

Ny karazam-borona tsirairay dia mamboatra karazana akany isan-karazany ary mihinana karazana sakafo manokana. Maro no mifindra toerana amin'ny fotoana samy hafa mankany amin'ny toerana samihafa. Saingy tsy misy amin'ireo fihetsika ireo nomanin'ny vorona mialoha izany. Izy ireo dia manana fotsiny fahaiza-manao sy fironana hanao zavatra ara-voajanahary araky ny nanaovan'ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ho an'ny voahary noforoniny tsirairay.

               Fa ny sain'olombelona dia tena tsy mitovy amin'ny fombam-biby voajanahary. Mahavita mamorona fomba isan-karazany ny olombelona mba hanaovany zavatra iray na hahatratrarany ny tanjona efa novinavinainy. Ny olombelona dia afaka mahazo fahalalana sy misaina avy amin'izany. Afaka maka tsoakevitra izy, afaka manapa-kevitra, ary manao zavatra araky ny planina efa nosaininy. Ny olombelona dia afaka mamolavola sy manangana trano isan-karazany, mampiasa modely isan-karazany sy fitaovana fanaovan-trano samihafa. Ny olombelona koa dia mihinana sakafo isan-karazany, voaomana amin'ny fomba maro samihafa. Mety miaina amin’ny fomba fiainana samy hafa tanteraka ny olombelona. Ary raha misy olona te hanova ny fomba fiainany, dia afaka manao izany izy! Ny olombelona dia tsy manana fomba voajanahary. Tsy fehezin'ny fombafomba efa nofaritana mialoha toy ny biby izy.

               Afaka misafidy ny olombelona; manana safidy malalaka izy. Afaka mamolavola fitsipi-pitondran-tena izy, sy mitondra tena arak’izay iriny. Afaka mamoron-kevitra ny olombelona ary manombatombana ny fahalalana satria manan-tsaina izy, izay nadika avy amin’ny fisainan'Andriamanitra! Ny olona dia afaka mamolavola sy mikasa ary mitondra ny planiny mba hisy vokany, satria efa nomena ny sasany amin’ny hery famoronan'Andriamanitra izy!

        Ireo toetra mampiavaka ny sainy sy ny toetrany ireo no mahatonga ny olombelona ho voahary fizika tsy manam-paharoa nataon’Andriamanitra. Andriamanitra dia nizara ny sasany amin'ireo toetrany manokana tamin'ny olona. Ary Andriamanitra dia manantena fa ny olombelona dia hampitombo ao aminy ny "endrika" ara-panahin’Andriamanitra misy saina lavorary sy toetra masina, ary ho lasa hitovy amin’izany (Mat.5:48) - satria ny olombelona dia fantatra fa noforonina araky ny “endrik'Andriamanitra” ara-batana.

Ny "fanahin’olombelona" no mitondra ny fahasamihafana!

               Ny olombelona dia noforonina hananana fifandraisana manokana amin'Andriamanitra, izay tsy misy mihitsy amin'ny biby. Ny olona dia natao araky ny karazan’ANDRIAMANITRA. Natao araky ny endrik'Andriamanitra izy mba hahafahany ho teraka indray andro any ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra! Ny tanjon'Andriamanitra tamin’ny nanaovany ny olombelona ho mety maty, sy ho araky ny endriny dia mitaky hery ara-tsaina ao amin'ny olombelona izay namboarina araky ny fisainan'Andriamanitra. Izay no mahatonga hoe : ny mampiavaka indrindra ny olombelona dia ny sainy. Inona ary izany no mampisaraka ny olombelona amin'ny fanjakan'ny biby? Inona no manome ny olombelona io herin-tsaina io ao amin'ny tanjon’Andriamanitra?

               Miankina amin'ny singa tsy fizika ao amin'ny atidohan'olombelona, izay tsy misy ao amin'ny atidohan-biby izany rehetra izany. Io singa tsy fizika io no mahatonga ny olombelona tsy hitovy mihitsy amin'ny biby. Io no mahatonga ny olombelona ho tsy manam-paharoa!

1.Satria tsy manana fanahy tsy mety maty ao anatiny ao ny olona izay tsy mamela azy hiaina misaraka amin'ny vatany aorian'ny fahafatesany (tsarovy fa ny olombelona dia fanahy mety maty), moa ve na dia izany aza ny Baiboly dia miresaka "fanahy AO AMIN'NY olombelona"? Joba 32:8, 18; Zak.12:1; 1Kor.2:11.

FANAMARIHANA: Misy andinin-tSoratra Masina maro mampiseho fa misy "fanahy" ao amin'ny olombelona! Io fanahy io dia tsy ilay olombelona – io dia zavatra izay ao anatin'ny olombelona. Rehefa miaraka amin'ny atidohan'ilay olombelona izy io, dia lasa sain'olombelona. Manome ny atidohan'ny olombelona ny herin'ny fahendreny manokana sy ny maha-izy azy izany - ny fahaizana misaina am-pahendrena, ary maka fanapahan-kevitra malalaka. Izany dia manome fahafahana hianaratra matematika, fitenim-pirenena na karazam-pahalalàna hafa toy ny mozika, ny zavakanto, ny mandrafitra, ny manidina, sns ... Fa izay ihany no zava-drehetra. Ny fanahy izay ao anatin'ny olombelona dia tsy manana fahatsapan-tena. Tsy «fanahy tsy mety maty» izany io.

2. Moa ve izany "fanahy ao anatin'ny olona" izany dia miavaka mazava amin'ny Fanahy Masin'Andriamanitra? 1Kor.2:11.

FANAMARIHANA: Ny fanahy izay ao anatin'ny olona dia azo antsoina hoe "fanahin’ny olombelona", satria ao anatin'ny olombelona tsirairay io, na dia fanahy aza izy io fa tsy matiera. Tsy "matoatoa" io, na olona ara-panahy, na Fanahy Masina. Tsy ilay olombelona io fa fanahy fototra ao amin'ilay olombelona. Tsy fanahy io - ny olombelona ara-batana dia fanahy. Ny fanahin'olombelona, nomen'Andriamanitra ny olombelona tsirairay, dia tsy manome aina mahavelona ny olombelona - ny ain'ny olombelona dia ao amin'ny rà ara-batana, mahazo oksyzena avy amin'ny fofon'aina (Lev.17:11). Saingy ny fanahy ao amin'ny olombelona dia manome ny herin'ny saina ao amin'ny atidohan'olombelona. Io singa tsy fizika io ao amin'ny atidohan'olombelona dia tsy misy ao amin’ny atidohan'ny biby.

               Ny fanahy ao amin'ny olombelona dia fanahy amin’ny ankapobeny, tsy misy hafa amin'ny rivotra iainana amin'izao tontolo izao, izay gaz amin’ny ankapobeny. Saingy tsy afaka mahita izany fanahy "olombelona" izany. Ny atidoha fizika dia mahita amin'ny alàlan'ny maso. Tsy afaka mandre ny fanahin'olombelona ao anaty olona iray. Mandre amin'ny alàlan’ny sofina ny atidoha. Io fanahin’olombelona io dia tsy afaka mieritreritra. Mieritreritra ny atidoha. Ny fanahin'olombelona dia manome hery hieritreretana mihoatra lavitra noho ny haavon'ny fiasan’ny atidohan'ny biby iray. Raha tsy misy izany fanahy izany, dia tsy afaka misaina ny biby.

               Na dia miditra ao amin'ny atidoha aza ny fahalalana amin'ny alàlan'ireo retsim-pandrenesana dimy ary voatahiry avy hatrany (tsiahivina) ao anatin'ny fanahy "olombelona" ao anatin'ilay olona, mitovitovy amin'ny solosaina izay mitahiry ny fanadiadiana. Io no mamela ny atidoha hahatsiaro eo no ho eo ny fahalalana voatahiry ao anaty fanahy, ka mahatonga ny atidoha hampiasa ny singam-pahalalana mifandraika amin'ny fizotran'ny fisainana syny famotopotorana.

               Ny fanahin'olombelona dia manolotra ny herin'ny saina ao amin'ny atidoha fizika amin'ny fomba roa:
4. Inona no nolazain'i Satana tamin'i Eva? Gen.3:4.

1) Io dia mahatonga ny atidoha hahatsiaro avy hatrany izay rehetra ilain'ny atidoha ao anatin’ny fahalalana voatahiry ao an-tsaina;

2) Io dia manolotra ny ati-doha izay angovo rehetra ilaina mba hampisaina azy - izany hoe mametraka ireo sombim-pahalalàna voatahiry ao amin’ny fanahy ao anatin'ilay antsoina hoe "fisainana", "famotopotorana" ary "fanatsoahan-kevitra." Ny fanahin'olombelona koa no tena fitaovana noforonin'i Jehovah mba hisian’ny firaisana manokana amin'ny olombelona sy i Jehovah Andriamanitra. (Mbola hiresaka bebe kokoa momba io isika tsy ho ela.)

Ny biby koa dia mahita, mandre, mioroka, manandrana ary mahatsapa, fa izay tsapan'ny retsim-pandrenesany dia tsy voatahiriny tahaka ny ataon'ny fanahin'olombelona. Tsy manana fanahy mahatonga ny atidoha hiasa ao anatin'ny dingan'ny fisainana, famotopotorana sy fahazoam-pahalalàna izy.

3. Nahoana no tsy mety azon'izao tontolo izao ny marina momba ny fanahy "olombelona" ao amin'ny olombelona ankehitriny? Apok.12:9.

FANAMARIHANA: Ny fahamarinana mahatalanjona momba ny "fanahy ao amin'ny olona" dia tena zava-dehibe izay noheverin'i Satana havadika sy hosimbaina efa taloha elabe. Nampisafotofotoiny ny sain'olombelona ary nitaona azy ireo izy hino ny "lainga lehibe" nataony hatramin'ny andron'i Adama sy Eva.

FANAMARIHANA: Ity no niandohan'ilay fampianarana "tsy fahafatesan'ny fanahy" izay be mpitia ankehitriny! Nilaza tamin’i Eva i Satana fa “tsy ho faty tokoa” – amin’ny teny hafa, dia manana “fanahy tsy mety maty” izy izay hiaina mandrakizay. Nino izany lainga izany i Eva. Ary ny ankamaroan'izao tontolo izao ankehitriny dia mbola mino ny fiovana sasany amin’io"lainga lehibe" taloha io!

Ilaina ny fanahy faharoa

               Ny olombelona dia manana fahaiza-manao ara-tsaina izay ahafahany mamolavola ny sambon-danitra hitondrana azy any amin'ny volana sy miverina avy eny, mamorona solosaina ary hanao asa hafa mahatalanjona amin'ny sehatra fizika sy materialy. Na izany aza, nandritry ny efa ho 6000 taona nisian’ny olombelona teto an-tany, dia noporofoiny fa tsy mahavaha ny olana eo amin'ny mpiara-belona izy. Nahoana no misy izany? Satria ny tena olan'ny olombelona dia ara-panahy ny toetrany ary ny olombelona voajanahary dia tsy afaka mamaha ny olana ara-panahy. Amin'ny famokarana ny solosaina na ny manidina eny amin'ny volana, dia miatrika zavatra fizika izaymety azony izy satria misy fanahin'ny olombelona ao anatiny. Saingy tsy afaka mamaha ny olana eo amin'ny mpiara-belona aminy izy satria tafiditra amin'izany ny fahalalana ara-panahy sy ny fahatakarana ny fitsipika ara-panahy izay tsy takatry ny sainy raha tsy misy singa hafa ara-panahy ampiana ao an-tsainy.

1. Inona no nasain'ny Fanahy Masina nosoratan'ny Apostoly Paoly momba ny fahatakaran'ny olombelona ny zavatra ara-panahy nomen'Andriamanitra? 1Kor.2:9-11. Inona no tsy maintsy ampiana alohan'ny hahafahan'ny olona mahatakatra ny fahalalana ara-panahy izay nambara? Andininy 11, tapany farany; andininy 14.

FANAMARIHANA: Ny olona dia natao mila fanahy hafa - ny Fanahy Masin'Andriamanitra! Tahaka ny olombelona izay tsy mahalala ny zavatra momba ny fahalalan’olombelona afa-tsy amin'ny fanahin'olombelona ao anatiny, dia toy izany koa no tsy hahalany ny zavatra momba an'Andriamanitra - fahalalana ara-panahy - afa-tsy amin'ny fanampian'ny Fanahin'Andriamanitra. Tahaka ny maha-marina fa tsy misy atidohan-biby-toy ny an’ny ombivavy, ohatra,-afaka mahazo na mahatakatra ny raharaha momba ny olombelona raha tsy misy fanahin’olombelona ao aminy, koa tsy misy sain'olombelona afaka mahazo ny fahamarinana ara-panahy momba ny planin’Andriamanitra raha tsy manana ny Fanahy Masina izy!

               Ny zavatra ara-panahy dia tsy hitan’ny maso, ren’ny sofina, na tsapain’ny tanana. Ny sain’ olombelona, izay tsy afaka mahazo fahalalana raha tsy avy amin’ny retsim-pandrenesana fizika, dia tsy hahatakatra marina na oviana na oviana ireo foto-kevitra sy fitsipika ara-panahy raha tsy manana ny Fanahy Masin’Andriamanitra. Mety hahavita hahalala ny ara-panahy ny olona iray noho ny Fanahy Masin’Andriamanitra, izay miasa ao an-tsainy miaraka amin’ny fanahy maha-olombelona. Izany no lalan-tokana ahafahan’ny sain’olombelona mandray sy mahatakatra ny fahalalana an’Andriamanitra ary mahatratra ny tanjon’Andriamanitra lehibe ho an’ny fiainan’ny olombelona.

2. Moa ve Andriamanitra manambara fa misy ny foto-kevitra fiaraha-mipetraky ny zavatra roa samihafa eo amin'ny famoronana ny olombelona? 1Kor.15:45-49. Tsy maintsy ateraka indray ve ny olona mba hidirany ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra na Ankohonan’Andriamanitra? Jaona 3:3-8.

FANAMARIHANA: Ny olombelona mety maty dia noforonina tsy feno. Ny famoronana tanteraka ny olombelona dia tsy maintsy tanterahana aorian’ny dingana roa : 1) ny dingana ara-batana, izay vita tamin 'ny namoronana ny olombelona voalohany, dia i Adama izany; ary 2) ny dingana ara-panahy, izay natomboka tamin’i Adama Faharoa, dia Jesosy Kristy. Ary mba hanatanterahany ny dingana ara-panahy, ny olona dia natao mba hila fanahy hafa, dia ny Fanahy Masin'Andriamanitra.

3. Ahoana no handraisan'ny olona ny Fanahy Masina? Asan’ny Apostoly 2:38; Jaona 7:37-39.

FANAMARIHANA: Amin'ny alàlan'i Kristy, ilay Adama Faharoa, dia afaka mahazo ny fanomezan’Andriamanitra ny Fanahiny Masina isika. Rehefa mibebaka sy mino an’i Jesosy Kristy, izay nandoa ny sazin’ny ota hisolo antsika, dia afaka mihavana aminAndriamanitra isika ary mahazo ny Fanahy Masin’Andriamanitra, izay ampiana ao amin’ny fanahintsika olombelona.

4. Moa ve isika lasa zanak'Andriamanitra notorontoroniny? 1Petera 1:3; Rom.8:14-17. (Tadidio fa efa nandinika ity fahamarinana mahafinaritra ity tany amin'ny lesona faha-8 isika.)

FANAMARIHANA: Ny fanahin'olombelona ao amin'ny olona sy ny Fanahy Masin'Andriamanitra dia mitambatra mba hanome zanak'Andriamanitra notorontoronina, tahaka ny sela lahy sy ny atodin’aina ao amin’ny vehivavy mitambatra no lasa olombelona notorontoronina, nefa mbola tsy nivoatra na vonona hateraka ho olombelona. Ny Fanahy Masin'Andriamanitra, rehefa mitambatra amin'ny fanahin'olombelona ao an-tsain'olombelona, dia manao zavatra roa: 1) maha-torontoronina ny zanak'olombelona mba hanana fiainana masina mandrakizay, ka ho teraka ao anatin'ny Ankohonan’Andriamanitra ho lasa andriamanitra, izay fanahy dzholo; 2) manamafy ao an-tsaina ny fahaizana mahazo ny fahalalana ara-panahy- mahazo ny fahalalana an'Andriamanitra.

5. Mety efa notorontoronin’ny Fanahy Masin'Andriamanitra ve i Adama sy Eva? Gen.2:9, 16-17.

FANAMARIHANA: Araka ny efa nohazavaina tsara tamin'ny lesona teo aloha, ny olombelona voalohany dia notolorana an-kalalahana an'io fanahy faharoa sy tena ilaina io. Tamin’ireo hazo an'ohatra roa tao amin'ny Saha Edena, ny "hazon'aina" dia maneho ny Fanahy Masin'Andriamanitra. Ny fakana ny vokatr’io hazo io dia midika ny fandraisana ny Fanahy Masin'Andriamanitra, izay raha niaraka tamin'ny fanahin'olombelona, dia hahalonaka azy ireo ho tonga zanak'Andriamanitra notorontoronina (mbola tsy teraka).

               Saingy tamin'ny fihinany ny "hazon'ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy", ny ray aman-drenintsika voalohany dia nandà ny Fanahin'Andriamanitra, izay mety hahatorontoronina ny fiainana an'Andriamanitra ao anatiny ary mety hahafahan'izy ireo hahafantatra ny fahalalana ara-panahy nambara. Noho izany, dia nanapaka ny tenany sy ny taranany tsy hiditra ao amin'ny Fanahin'Andriamanitra izy ireo ary nametra ny tenany sy ny zanak'olombelona ho amin'ny fahalalana sy ny fahatakarana ara-materialy fotsiny, afa-tsy ireo izay nantsoin'Andriamanitra manokana (Jaona 6:44).

6. Rahoviana no ho teraka ao amin'ny Ankohonana ara-panahin'Andriamanitra ny kristiana notorontoronin’ny fanahy? I Kôr. 15: 50-53; I Thess. 4: 16-17.

FANAMARIHANA: Ny kristiana notorontoronina ara-panahy dia manana ny fisian’ny fiainana mandrakizay ao anatiny, amin’ny fotoana fohy, amin'ny alàlan'ny ampahan'ny Fanahy avy amin'ny Ray. Fa tsy midika izany fa fanahy tsy mety maty izy. Tsy mbola noforonina tamin’ny Fanahin'Andriamanitra izy. “Ao anatin’ny lisitry ny mpandova” an'Andriamanitra izy izao (Rom 8:16-17) – fa tsy mbola nandova na tompony, mbola tsy "nateraka indray." Nefa, raha mitoetra ao amintsika ny Fanahy Masina, amin'ny fiverenan'i Kristy eto an-tany ho Mpanjakan'ny mpanjaka, Andriamanitra dia hanome antsika ny tsi-fahafatesana noho ny Fanahiny izay mitoetra ao amintsika (Romana 8:11).

               Ankehitriny, toy ny amin'ny fiterahan'ny olombelona, ilay tsiranoka izay lonaka, izay ho lasa zaza any am-bohoka, izay mbola tsy teraka, nefa tsy maintsy homena sakafo mandritry ny fotoana maharitra amin'ny alàlan'ilay reny olombelona; dia tahaka izany, ny kristiana notorontoronina dia mbola tsy teraka ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra. Ny ain’Andriamanitra dia mbola notorontoronina fotsiny. Tsy maintsy mitombo izany ankehitriny!

Nahoana isika no mila mitombo ara-panahy

               Ao anatin'ny tanjon'Andriamanitra amin'ny famoronana ny olombelona, dia tafiditra ao ny fampitomboana ny fahadiovam-po, toetra ara-panahy ao anatiny! Jereo tsara izay nolazain'Andriamanitra ao amin'ny Genesisy 1:26: «Andeha isika hamorona olona tahaka ny endritsika…" Eto, ny teny hebreo tany am-boalohany dia manondro zavatra ankoatry ny endrika sy ny bikan'Andriamanitra fotsiny. Ny endriny ivelany." Ny endrika "koa dia manondro saina sy toetra! Nomanin'Andriamanitra ho an'ny olona - izay nomeny saina mahay mamotopototra, - ny mba hananany any aoriana ny tena saina sy toetran'ANDRIAMANITRA!

               Ny tanjon'Andriamanitra tamin'ny namoronany ny olombelona dia ny hiteraka ny tenany hanana toetra ara-panahy tonga lafatra toy izay an'Andriamanitra irery ihany. Noforonina araka ny endrik'Andriamanitra sy ny bikany ny olombelona- ny tena endriny sy bikany - manana saina mitovy amin’ny Azy, mba hahafahan'Andriamanitra manomboka mampitombo ny toetran'Andriamanitra ao aminy.

1. Ampirisihina hitombo ara-panahy ve ny kristiana notorontoronina ara-panahy? 2Petera 3:18; 1Petera 2:1-2. Iza no mety hitovy amintsika any am-parany? Mat.5:48; Efes.4:15; 1Jaona 3:2, 9.

FANAMARIHANA: Tahaka ny hanombohan’ny vatana sy ny atidohan’olombelona mitombo tsikelikely mandritry ny vanim-potoana maha-ao am-bohoka azy, eo amin'ny fiterahan'ny olombelona, ny toetran'Andriamanitra izay marina sy masina dia tokony hanomboka hiforona ary hitombo raha vao notorontoronin’ ny Fanahin'Andriamanitra ny olona iray. Mazava ho azy fa tsy afaka hanana toetra tonga dia tena lavorary isika raha tsy hatsangana amin'ny maty, rehefa hamita ny fizotran'ny asany Andriamanitra amin'ny fanomezany antsika tsirairay vatana fanahy vaovao sy lavorary tanteraka, tsy misy fahotana (1Jaona 3:2, 9) - toetra izay ho toy ny an'i Kristy sy ny Ray. Nefa mandritra izany fotoana izany, dia maniry antsika hitombo amin'ny toetrany ara-panahy isan'andro isan'andro Izy, hankatoa ny didiny sy handresy ary hanongotra ny ota mba hiala amin'ny fiainantsika – ary hitombo mba ho tonga lavorary ara-panahy!

               Ny toetra tonga lafatra sy masina toy izany dia tsy azo foronina raha tsy misy ezaka. Tsy maintsy ampitomboina izany, ary mila fotoana sy traikefa izany. Manome fotoana hianarantsika ny fomba fiainan’ Andriamanitra isika, izay hitondra ny tena fandriam-pahalemana, ny fahasambarana, ary fiainana feno hafaliana sy fanambinana. Hianatra isika fa ny ota dia tsy mitondra afa-tsy alahelo, fahantrana, fijaliana ary fahafatesana ihany.

2. Inona no lalana iray lehibe hahazoantsika hitombo rehefa tonga zanaka notorontoronin’Andriamanitra ara-panahy isika? Mat.4:4; 2Tim.3:16-17.

FANAMARIHANA: Ho tonga "tsiranoka" ara-panahy isika, rehefa nandray ny Fanahy Masina, ary ho torontoronin'Andriamanitra isika. Ary mba hitomboana ara-panahy, dia mila mandray sakafo ara-panahy isika. Tahaka ny tsiranoka ao an-kibon'ny reny, izay tsy maintsy mivelona amin’ny sakafo mahavelona amin'ny alàlan'ny tavony, dia tsy maintsy mivelona amin’ny Tenin'Andriamanitra koa isika. "... ny teny izay nolazaiko taminareo" hoy i Jesosy, "dia fanahy sy fiainana. » (Jaona 6:63)

Voarakitra ao amin'ny Baiboly ireo teny ireo, ary i Jesosy dia nilaza fa tokony hiaina amin’ny tenin'Andriamanitra rehetra isika. Misotro amin'ireo teny manome fiainana ao amin'ny Baiboly ireo isika amin'ny famakiana, ny fandalinana ary fisaintsainana izay vakintsika.

               Ny fivoaran'ny toetra ara-panahy dia mitaky fotoana sy tonga traikefa amin'ny ankapobeny amin'ny alàlan'ny fampiharana ny Tenin'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika andavanandro. Manorina ny toetran'Andriamanitra marina ny olona rehefa mahay manavaka, amin'ny alàlan'ny fanambarana ataon'Andriamanitra ao amin'ny Baiboly Masina, ny tsara sy ny ratsy - ny tena soatoavina avy amin'ny diso-fahamarinana avy amin'ny fahadisoana, avy eo misafidy ny tsara ary mandà ny tsy marina ary, miaraka amin'ny fanampian'ny Fanahy Masin'Andriamanitra, manohitra ny ratsy ary MANAO NY TSARA! Ny fitomboana amin'ny fahalalana sy ny toetra ara-panahy dia dingana tsikelikely izay mitohy mandritry ny androm-piainan'ny olona tsirairay.

3. Moa ve ny vavaka dia zava-dehibe amin'ny fitomboana ara-panahy sy ny fandresentsika? Mat.6:5-15; Efes.6:18.

FANAMARIHANA: Ankoatry ny fianarana Baiboly, ny vavaka amin-kafanam-po dia tena ilaina tokoa. Misintona sakafo ara-panahy amin'ny alàlan'ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra manokana sy isan'andro. Rehefa mianatra Baiboly ianao, dia miresaka aminao Andriamanitra. Rehefa mivavaka ianao, dia miresaka Aminy. Tena mahalala an'Andriamanitra amin’izany fomba izany ianao, toy ny hahafantaranao tsara ny olona amin'ny resaka.

4. Moa ve ny fitiavana izay ifampizarantsika amin'ireo namana kristiana izay olona hafa notorontoronina ara-panahy ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra dia fomba iray lehibe hafa mampitombo ny toetran'Andriamanitra ao amintsika? 1Jaona 1:3, 7; Heb.10:25.

5. Inona ny anjara asan'ny Fiangonan'Andriamanitra mba hisian'ny fitomboana ara-panahy eo amin’ny tsirairay avy? Gal.4:26; Asan’ny Apostoly 20:28; Efes.4:11-15.

FANAMARIHANA: Ny fiangonan'Andriamanitra dia "reny" ara-panahin’izay rehetra notorontoronin’ny Fanahy Masin'Andriamanitra. Andriamanitra dia nametraka ireo mpanompo voantso sy voafidy ao amin'ny Fiangonany mba "hamahana ny andian'ondry", mba hahafahan'ny mpikambana tsirairay hitombo ara-panahy. I Kristy dia nanome ny minisitrany ho tompon'andraikitra amin'ny fampianarana, hampiofana sy hanoro hevitra ny mpikamban'ny Fiangonana. Ary toy ny reny mamelona olombelona izay manome sakafo ny zanany notorontoronina ao anaty kibony amin'ny alàlan'ny tavony sy ny tadim-poitra, ny zanak'Andriamanitra dia omena sakafo ara-panahy ao anatin'ny Fiangonana marina.

               Ary toy ny renin'olombelona izay mitondra ny zanany mbola tsy teraka ao anatin’ny faritry ny vatany izay ahafahany miaro azy amin'ny loza ara-batana, ny asan'ny Fiangonan'Andriamanitra dia ny miaro koa ny zanak'Andriamanitra notorontoronina amin'ny fahavoazana ara-panahy - amin'ny fampianaran-diso ataon'ireo minisitra sandoka izay miseho ho solontenan'i Kristy, fa raha ny tena izy (na tsapany na tsy tsapany) dia maneho an'i Satana sy ny lalany (2Kor.11:13-15).

6. Rahoviana isika Kristiana notorontoronina ara-panahy no ho lasa mpikambana matotra sy tonga lehibe ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra? 1Tes.4:16-17; Fil.3:20-21; 1Jaona 3:2.

FANAMARIHANA: Farany, rehefa atsangana amin'ny maty na miova ny nofo mety maty ho fanahy tsy mety maty amin'ny fiverenan'i Kristy, ny otri-kerin’ny olombelona tsy ampoizina dia hivelatra ho tena misy. Ho TERAKA ao amin'ny Ankohonan’Andriamanitra isika, ary hanana amin’ny fahafenoana ny tena toetran'Andriamanitra! Nefa kosa, satria ny vatana mety matin’ireo izay nitsangana dia efa lasa vovo-tany, ahoana no fomba hamerenan'Andriamanitra ny bikany taloha sy ny angom-pahalalana efa nananany? Ary ahoana ny momba ny toetra misy fahamarinana izay noforonin'Andriamanitra tao anatin'izy ireo tamin’ny mbola velona izy ireo? Ny valiny amin'ireo fanontaniana manitikitika ireo dia misy ifandraisany amin'ny "fanahy ao amin'ny olona"!
               Misy fiteny iray taloha manao hoe: "Tsy afaka mitondra na inona na inona ianao rehefa maty." Azonao atao ny mitarika ny tenanao tsy an-kiato mba hanangonanao vola be eto amin'ity fiainana ity, fa ilaozanao daholo izany rehefa maty ianao. Misy zavatra lehibe kokoa anefa amin'ny fiainana, izay tsy very rehefa maty ny olona iray. Ary izany dia ny fahadiovam-po, toetra ara-panahy izay novolavolain’Andriamanitra, ilay Lehiben’ny Mpanefy (Isaia 64:7), ao anatintsika tsirairay, isika izay zanany notorontoroniny ara-panahy. Amin'ny fitsanganana amin'ny maty, dia tsy vitan’ny hoe hitovy amin'ny izao toetranao izao ihany ianao (tsy misy kilema na haratsiana, mazava ho azy), hanana fahalalana mitovy amin’izay nanananao teto amin'ity fiainana ity ianao -ary toetra mitovy koa!

               Ny lehilahy “araka ny fon’”Andriamanitra toa an'i Abrahama, Mosesy, Davida ary Daniela dia maty an'arivo taona maro lasa izay. Nefa haverina amin'ny fiainana indray izy ireo amin'ny fiverenan'i Kristy. Koa satria nofo sy rà mety simba izy ireo, dia efa ela no nanjavona ny vatany ary niverina ho vovoka. Koa ahoana ny fomba hahavelonana azy ireo indray hanana ny maha-izy azy manokana? Andriamanitra dia tsy maintsy manana fomba hitahirizana ny endriny, ny bikany, ny sainy ary ny toetrany.

               Afaka mamelona ny olona iray efa maty Andriamanitra, na dia efa nanjavona aza ny vatan’io olona iray izay niaina taloha io, na simba, na nodorana ary naparitaka tamin'ny rivotra efatra. Ilay "fanahy ao amin'ny olombelona" no mitahiry ny endrika, ny bika, ny fitadidiana ary ny toetra. Ny vatana natsangana ho tsy mety maty amin'ny fitsanganana voalohany dia ho toy ilay taloha mihitsy, na dia ho ara-panahy aza amin’izay.

               Tsarovy fa Andriamanitra dia nanisy tao amin’ny olombelona tsirairay avy "fanahin’olombelona" mahaleo-tena. Araky ny nanasongadinana azy teo aloha, dia tsy manome fiainana io fanahy io, tsy afaka mahita, mandre, mahatsapa na mieritreritra io. Fa mampita faharanitan-tsaina ao amin’ny ati-doha izy. Ary io fanahy io dia mirakitra ny fahalalana rehetra noraisina tamin'ny alàlan'ireo retsim-pandrenesana dimy, ary mirakitra izay toetra rehetra niovaova nandritry ny fiainana. Ny "fanahy ao anatin'ny olombelona" kosa dia mirakitra ny maha-izy ny olona tsirairay sy ny seho fizikan'ny vatany manontolo, ary ny toetrany sy ny fihetsiny!

1. Ho lasa inona ny fanahin'ny olombelona rehefa maty izy? Mpit.12:7.

FANAMARIHANA: Rehefa maty isika, dia mitsahatra ny fahatsiarovan-tena (Mpito.9:5; Salamo 146:4). Ny atidoha fizika dia mihalevona. Fa ny fanahy maha-"olombelona", izay tsy mahatsiaro tena intsony satria tsy miasa intsony ny atidoha izay mampisy ny fahatsiarovan-tena, dia miverina any amin'Andriamanitra. Hotehirizan'Andriamanitra tsy ho simba io mandrapahatongan'ny fitsanganana amin'ny maty! Io no zavatra iray tao amin'ny olombelona mahatonga ny tsirairay hiaina indray. Noho izany, ny Baiboly dia milaza ny maty hoe "matory" mandritry ny fotoana fohy (Dan.12:2).

               Ary rehefa maty ny olona iray, izay "voarakitra" ao amin’ny fanahin’olombelona dia miverina any amin'Andriamanitra ary "tahiriziny" mandra-pahatongan'ny fitsanganana amin’ny maty, fotoana iz              ay hiverenany amin'ny fiainana sy ny fahatsiarovan-tena!"

               Mba hanehoana an-tsary ny fomba itahirizan'ny fanahin'ny olona ny toetra fizikan’ny olona iray, ny fahalalany, ny toetra amam-panahiny, ny maha-olona azy iray manontolo tsy ho simba hatramin'ny fitsanganana amin'ny maty, dia diniho ny fomba ampiasain'ny horonam-peo magnetika mba hitehirizany ny feo sy ny sary. Amin'ny firaketam-peo, ny feo na ny mozikan'ny orkestra dia voarakitra amin’ny fomba elektro-magnetika. Ny masonao dia tsy mahita izay voarakitra ao amin'ny kasety, kanefa dia ao izy. Avy eo ny feo dia averina na "hatsangana amin’ny maty" rehefa ampandehanina ny kasety amin’ny magnétophone. Raha tsy misy an’io anefa, dia tsy misy feo re akory. Saingy rehefa alefa ny kasety, dia tonga "miaina" avokoa ny feo rehetra, tahaka izay voarakitra tany am-boalohany.

Ny fitsanganana amin'ny maty dia mety noho ny "firaketana" ara-panahy

               Raha ho an’ny bande magnétoscope amin'ny fahitalavitra, dia voarakitra ao ny sary sy ny feo. Miverina amin'ny "fiainana" indray ny feo sy ny sary rehefa haverina alefa indray ny firaketana azy ao amin’ny magnétoscope!

Toa fahita izany rehetra izany ankehitriny. Toa lasa heverin’ny olona ho vitavita ho azy ireo "fahagagana maoderina" ireo, izay fahita an-davan'andro. Noho izany, tokony ho sarotra ho an'ny Mpamorona ve, Andriamanitra izay mpanao fahagagana, no hitahiry ilay toetra mampiavaka antsika amin'ny alalàn'ny “fanahin’olombelona” ao amintsika?

2. Karazam-batana toy inona no horaisin'ireo maty ao amin'i Kristy amin'ny fitsanganana amin'ny maty? Fil.3:20-2 1; 1Kor.15:42-44, 52.

FANAMARIHANA: Ilay olona nitsangana tamin'ny maty, efa naterak'Andriamanitra amin’izay, dia ho fanahy, fa tsy ho matiera intsony tahaka ny maodely olombelona. Ho velona tampoka miaraka amin'ny vatany vaovao izy. Hieritreritra izy fa vao teo izy no tsy nahatsiaro tena. Ho tahaka ny endriny tamin’izy mbola nofo aman-drà izy. Ny toetra izay navelany namboarin’Andriamanitra tao anatiny dia ho eo. Ary hiaina mandrakizay hatrany izy!
               Ankehitriny dia efa hitantsika ny tanjona lehiben’Andriamanitra Mpahary antsika rehefa nanao ny olombelona ho tsy manan-tsahala teo afovoan’ireo zava-boahary fizika rehetra Izy. Ny olombelona mety maty dia afaka mahazo ny fitsanganana amin'ny maty sy hitafy voninahitra sy tsi-fahafatesana –ary ho mpikambana mandrakizay ao anatin'ny Ankohonan’Andriamanitra ary hanjaka amin’ny Onivera manontolo!

 


No comments:

Post a Comment