Ny Kristianisma dia Fomba Fiaina Iray

  Ambasadaoro Kolejy - Toko faha-12

NY KRISTIANISMA DIA FOMBA-FIAINA IRAY

 

          Ny Kristianisma no fivavahana nanjaka tany amin’ny tany tandrefana nandritry ny taona maro. Na izany aza, toa tsy dia nisy fiantraikany hita tany amin’ireo tany ireo nampihena ny faharavana vokatry ny ady, na ny fitondran-tenan’ny olona ampihariny amin’ny manodidina azy.

          Koa tsy tokony hahagaga raha heverin’ny olona ho tsy azo raisina na tsy azo hampiharina ny fampianaran’i Kristy eo amin’ny fiainana an-davan’andro. Nefa moa ve ny fara-hevitry ny olona mifanojo amin’ny fitsarana ny fomba-fiaina nampianarin’i Jesosy? Tsy marina izany! Lavitr’izany, ny tarehi-marika nangonina taorian’ny fanadihadiana isan-karazany dia manambara ny anton’ny tsy fahombiazan’ny kristianisma amin’ny sarambaben’ny vahoaka: satria vitsy kely ny olona izay milaza tena ho kristiana no mampihatra amin’ny fiainany ny fampianarana notorin’i Jesosy Kristy.

Hatramin’izao, ny ankabeazan’ny mpanaraka ny fivavahana kristiana no mpianatry ny Tompo amin’ny anarana fotsiny.Tsy ampiasainy tsotra izao ny fomba-fiaina nampianarin’i Jesosy.

          Amin’ireo firenena voalaza fa be kristiana any aminy, i Etazonia no toa tia vavaka indrindra. Saingy mariho anie izay voalazan’ny mpampianatra iray izay mahalala ny firehan’io tany io ara-pivavahana.

          Tamin’ny oronam-peo tao amin’ny Fahitalavitra amerikana P.B.S.dia hoy i Robert Franklin, direkteran’ny fampianarana ao amin’ny Institut de Théologie Candler (Fampianarana ny momba an’Andriamanitra), izay mikambana amin’ny Oniversite Emory ao Atlanta :”na dia voalazan’ny mpanao fanadihadiana Gallup aza fa ny 96% ny Amerikana dia milaza f amino an’Andriamanitra, dia tsy ekeko fa azo inoana izany filazana izany.Mino aho fa rehefa milaza ny olona fa mino an’Andriamanitra izy, dia toa te-hilaza izy fa mpanara-dia vondron’olona iray izy, izay fihetsika tsy dia mamiratra loatra eto amin’ity fiaraha-monina efa mandroso ity.

          Araky ny tsapako, ny olona dia mankafy ny zava-kanto sy tsara mifandray amin’ny fivavahana. Ohatra fotsiny, dia hankafy ny hoso-doko atao hoe Mesian’i Haendel izy, ny mpihira Negro Spirituals, ny zava-kanto ao amin’ny Chapelle Sixtine; Nefa heveriko fa be ny lalana tsy maintsy mbolahodiavina raha hitondra tena toy izay voalazan’ny Didy folo isika, sy ny Toriteny tany an-tendrombohitra, na ny fitondran-tena ampianarin’ny Fivavahana.”

          Maro ny fihevitry ny olona momba ny fitondran-tena kristiana. Maro ireo fianarana sy fanadihadiana no mampiharihary izany; Ireo mpanaraka ny kristianisma dia mihevitra fa mahafaly an’Andriamanitra izy ireo raha manambara ny finoany an’i Jesosy, rehefa mankany am-piangonana indraindray, na mitondra-tena toa olom-banona.

          Ho azy ireo, ny fivavahana dia izay tiany hatao ihany. Mihevitra izy ireo fa na inona na inona fombafombam-pivavahana ataony, na fihetsika manokana ataony ho fivavahana, dia hahazo fankasitrahana avy amin’Andriamanitra foana, rehefa nisy fikasana tsara na naovany izany.

          Ankoatr’izany, maro ireo mpitondr fivavahana no mampianatra main’ireo mpanaraka azy fa ny ezaka rehetra ataon’izy ireo mba hanao asa soa, arak’izay lalam-piainana ampianarin’ny Soratra Masina, dia mety ho lazain’ny olona ho tsy fahalalàna menatra, fa rehefa mino an’Andriamanitra dia ampy izay.

          Araky ny sasany, Andriamanitra dia tsy mitaky amintsika afa-tsy ny finoana ny fisian’i Jesosy, n any finoana ny Anarany fotsiny.

          Ny finoana fa ny toetra maha-kristiana dia tokony ho fomba-fiaina, ary Andriamanitra dia miandry antsika hanao zavatra hankasitrahany, izany fiheverana izany dia efa very tanteraka.

          Rariny ve ny mihevitra fa malalaka isika ny hanolotra an’Andriamanitra izay fombam-pivavahana nosafidintsika, ary afaka manamboatra Andriamanitra mitovy amintsika isika?

          Sa Andriamanitra dia nanambara tamintsika fomba-fiaina izay tiany harahintsika? Mahaliana Azy ve ny asantsika, sy ny fitondran-tenantsika? Manahy ny amin’ny fomba fianantsika ve Izy. Moa ve ny Teniny mamaritra ny lalam-piainana tiany harahintsika?

          Raha izany no izy, inona izany lalam-piainana izany? Misy fiantraikany amin’ny fomba fifandraisantsika amin’Andriamanitra ve izany? Amin’ity lesona ity, dia ho hitantsika ny valiny omen’ny Soratra Masina an’ireo fanontaniana rehetra ireo.

        NY LALAM-PIAINAN’ANDRIAMANITRA

Moa ve ampy hahazoana ny fiainana mandrakizay ny mino fotsiny an’i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy anao?

          “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin'ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka.” (Matio 7:21-23; ampitahao amin’i Lioka 9:23)

          Marina fa ny mankatoa sy ny manome voninahitra ny nandraikitr’i Kristy tamin’ny famonjeny antsika dia zava-dehibe. Na izany aza, marina koa fa, araky ny voalazan’i Jesosy Kristy, ny hoe mino fotsiny ny Anarany dia tsy mahafeno ny fepetra napetrak’Andriamanititra momba ny tokony hitondrana ny fomba-fiaina. Tsy maintsy manaraka ny sitrpon’ny Ra  y ihany koa isika.

          Naniry I Jesosy ny mba hahazoantsika fa miandry zavatra bebe kokoa avy amin’ny mpianany i Jesosy, fa tsy ny hoe mino Azy fotsiny amin’ny maha-Kristy Azy, na Mesia, sy miantso Azy hoe Tompo. Ny zavatra takiany amintsika dia ny hanovana ny fomba fiana         ntsika.

Ahoana no ilazan’i Jesosy ny fomba tokony hiainantsika?

          Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.”(Matio 7:13-14; Ampitahao amin’ny Lioka 13:23-25).

          I Georges Barna, Amerikana manam-pahaizana manokana momba ny fanadihadiana, izay mpandinika manokana ny fihetsiky ny olona  sy ny firehany amin’ny foto-kevitra fivavahana, dia nanamarika fa ny haben’ny kristianisma moderina dia mahatratra iray kilometatra, saingy ny halaliny dia zara raha misy iray santimetatra.

          Indrisy! Ny kristianisma manana habe toy izany dia mazava ho azy fa tsy lalana hitondra ho any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra akory, araky ny filazan’i Jesosy Kristy, fa arabe migodana mankany amin’ny fahaverezana.

          Ny lalana mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay no tokony harahina, ary koa tokony hijanona ao anatin’ny faritra napetrak’Andriamanitra amin’izany. Tsapa fa tsy izany akory ny arabe malalaka sy mamim-bahoaka izay mifanaraka amin’ny fitondran-tena samy hafa sy fanao rehetra afaka hasehontsika.

Inona no loharano nanovozan’ny olona ny heviny momba ny fomba tokony hanompoany an’Andriamanitra sy hivavahany?

          Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony; Fa ny fony kosa lavitra Ahy. Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy.” (Matio 15:8-9)

          Tsy naniraka ireo mpaminany ireo Aho, kanefa nidodododo ihany izy, tsy niteny taminy Aho, kanefa naminany ihany izy. Fa raha isan'ny mpihevitra teo amiko izy, dia ho nitory ny teniko tamin'ny oloko izy ka namerina azy hiala tamin'ny lalany ratsy sy tamin'ny faharatsian'ny nataony. » (Jeremia 23:21-22)

          Izany dia niseho tamin’ny andron’i Jesosy sy ireo mpaminany tao amin’ny Baiboly, ary toy izany koa no miseho ankehitriny! Ny a nkabeanan’ny olona dia manankina ny finoany amin’ny teny sy ny hevitra ambaran’ireo mpitondra fivavahana anakamamiany. Fa vitsy no mitodika any amin’ny Tenin’Andriamanitra voaboasan’ny Soratra Masina ho fototry ny finoana.

Inona no tokony ho loharanon’ny finoantsika sy mpitarika ny fitondran-tenantsika?

          Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy.” (Romana 10:17; ampitahao amin’ny Hebreo 11:1)

          “Ho amin'ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan'ny fahazavan'ny maraina” (Isaia 8:20)

          Raha maniry tokoa ny hankatoa an’Andriamanitra isika, araky ny didiny, dia tokony hisava am-pahamarinana ny niandohan’ny fomba fivavahantsika sy ny fomba fiainantsika. Diniho raha avy tamin’ny Soratra Masina izany. Ankoatr’izany, moa ve manraka ny Tenin’Andriamanitra marina ireo nampoanatra antsika? Sa kosa namafy ny hevitra sy ny fampianaran’olombelona ihany izy ireo?

          Ny valin’izany fanontaniana izany dia hampiharihary ny fahasamihafan   a lehibe amin’izany sy ny fomba izay atoron’Andriamanitra antsika: moa ve izany fomba izany hiara-hiasa amintsika satria mpanompon’Andriamanitra, sa kosa hanary antsika izany?

Foana ny hivavahana amin’Andriamanitra : moa ve fomba vaovao izany ?

          “Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian'Isaia anareo hoe: Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony; Fa ny fony kosa lavitra Ahy. Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy” (Matio 15:7-9)

          “Dia mankao aminao tahaka ny fihavin'ny olona izy ka mipetraka eo anatrehanao toa oloko ary mahare ny teninao, nefa tsy mety mankatò azy; fa, indro, teny mamy no lazain'ny vavany, nefa ny fony dia lasa manaraka ny filan-karena. Koa, indro, ianao dia ataony ho tahaka ny mpanao hira mahafinaritra, izay tsara feo sady mahay mitendry; fa mandre ny teninao izy, nefa tsy mety mankatò azy. (Ezekiela 33:31-32)

          Efa ho 2500 taona izao no nitantaran’ny mpaminany Isaia sy Ezekiela ny fanantomorana feno fitiavan-tena sy foana nampiasain’ny Zanak’Isiraely rehefa mivavaka amin’Andriamanitra izy ireo. Mandre ny tenin’Andriamanitra amin’ny alàlan’ireo iraka ny vahoaka, nefa tsy mampihatra izay norenesiny.

          Tany aoriana, tamin’ny vanim-potoan’ny Testamenta Taloha, dia nola      zain’i Jesosy fa tsy misy vidiny izany fanatonana izany, foana ny ivavahan’ireo amin’Andriamanitra, satria tsy mamoa voa sady tsy misy asany izany. Hatramin’izao dia tsy mbola niova izany. Izao fotoana izao no vanim-potoan’ny tsy finoana.

Ahoana no ilazan’ny Soratra Masina ny finoana sy ny fitondran-tenan’ny kristiana taloha?

        “ ary rehefa nandre azy Prisila sy Akoila, dia nandray azy hankao aminy [Apolosy] ka nampianatra azy marimarina kokoa ny amin'ny lalan'Andriamanitra. » (Asan'ny Apostoly 18:26)

          “Ary tamin'izany andro izany dia nisy tabataba be ihany ny amin'izany fampianarana izany. (Asan'ny Apostoly 19:23)

          Ary satria fantatr'i Feliksa tsaratsara kokoa ny amin'izany fampianarana izany, dia nampandeha azy rehetra izy aloha ka nanao hoe: Rehefa tafidinay Lysia, mpifehy arivo, dia hofotorako tsara ny raharahanareo.” (Asan'ny Apostoly 24:22; ampitahao amin’ny Asan'ny Apostoly 9:1-2: 19:1-2, 9-10)

          Ny mpikambana tao amin’ny fiangonana voalohany dia matetika no nilaza-tena fa manaraka ny lalan’ny Tompo. Nampifandraisin’i Paoly tamin’ny “lalan’ny Tompo” ny la       lam-pia      inan’ireo (Asa 18:25-26). Raha lazaina amin’ny teny hafa, ireo kristiana voalohany izay nampianarin’ireo Apostoly manokana, dia niavaka tamin’ny fahatanterahany sy ny asany. Hita taratra teo aminy ny lalan’Andriamanitra, ary izany dia nanavaka azy ireo teo amin’ny fiaraha-monina.

          Ny fomba-fiaina notandreman’ireo kristiana voalohany dia natao hoe: “ny Lalana” satria izy ireo dia niaina araky ny lalana narahin’i Kristy. Nanaraka ny ohatra noeny izy ireo. Nankatoa ny fampianarany. Izany lalana izany dia fomba-fiaina sy fisainana izay samihafa tanteraka amin’izay arahan’ny ankabeazan’ny olona.

NY FANORENANA

          Rehefa tonga tety an-tany i Jesosy Kristy, dia nanazava Izy fa io fomba-fisaina hafa io dia hitondra voa fahamarinana amin’ny alàlan’ny herin’ny Fanahy Masina. Nampianatra izy fa ny lalan’Andriamanitra dia lalana manome, tsy mitovy amin’ny lalan’olombelona, lalana mahazatra misy fitivan-tena, entanin’ny filàna (Lioka 6:38; Asa 20:35)

Inona no fifanoherana hitan’i Paoly amin’ireo fomba fisainana sy fomba-fiana roa ireo?

          “Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy. Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadanana” (Romana 8:5-6)

          Tsy manao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin'ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany. Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an'ny namany koa. Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa, » (Filipiana 2:3-5)

          Ny fanalahidy mba hiainana lalam-piainana hafa noho izay mampiavaka ity tontolo ity dia ny mamela ny Fanahin’Andriamanitra hiasa ao anatintsika, mba hahatonga antsika hisaina toa an’i jesosy Kristy. Amin’ny fanelanelanan’ny Fanahiny Masina, dia mitondra antsika haka fomba fisainana hafa Andriamanitra, sady manampy antsika koa hanova ny anton-javatra mibaiko ny asantsika. Ny mahatonga antsika ho tarihin’ny fihetseham-po tia-olona, fa tsy ny fihetseham-po tia-tena izay mampiavaka ny fomba fisainana voajanahary, dia mahatonga antsika koa hanova amin’ny fomba mahagaga ny fomba fiainantsika,sy izay rehetra hataontsika.

Inona avy ireo tena zava-dehibe tsy maintsy mialoha ny fomba-fianantsika vaovao?

          “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” (Matio 6:33)

          “Fa na iza na iza no hanao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.” (Matio 12:50)

          “Izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (1 Jaona 2:17)

          Mangataka antsika Andriamanitra mba hanitsy ireo zavatra tsy maintsy ataontsika mialoha, mba hahafahan’ny Fanahiny hanampy antsika hanova ny fomba fisainantsika. Ny voalohany indrindra hatao mialoha dia mila manompo an’Andriamanitra isika, manatanteraka ny sitrapony, ary maniry ny ho any amin’ny Fanjakany.

          Rehefa omentsika laharana voalohany eo amin’ny fiainantsika Andriamanitra, dia mampanantena antsika Izy fa hiahy sy hanome antsika izay ilaintsika. Raha dinihina, dia fampanantenana mahatalanjona izany, izay tokony hanome toky sy fahasahiana antsika.

          Ny miaina araky ny sitrapon’Andriamanitra dia tsara kokoa noho ny miantso ny anaran’Andriamanitra; ohatran’ny hoe manao izay mahafinaritra antsika isika amin’izany. Ny miaina araky ny sitrapon’Andriamanitra dia midika fa vonona ny hanao izay sitrapon’Andriamanitra isika, izany hoe manao izay asainy atao, sy miaina amin’ny fomba-fiaina voafaritry ny Teniny. Tsy maintsy azontsika mazava tsara ny fotopototra mamaritra izany fomba-fiaina izany.

 

Inona avy ireo dingana fototra hafa tsy maintsy harahina nampianarin’i Kristy sy ny Apostoliny?

          “Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an'i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin'ny lalàna? Manao ahoana no famakinao azy? Ary izy namaly ka nanao hoe: Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra ary, Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Ary hoy Jesosy taminy: Marina ny navalinao; ataovy izany, dia ho velona ianao.” (Lioka 10:25-28)

        Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.” (1 Jaona 5:3)

          Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. » (Jaona 15:13; ampitahao amin’ny Jaona 15:15-17).

          Ny lalam-piainana nampianarin’i Jesosy sy ny Apostoliny dia mifototra amin’ny fitandremana ny didin’Andriamanitra izay avy amin’ny fo feno fitiavana, izay vonona ny hanolotra ny ainy ho fanasoavana ny hafa. Lasa tantanin’ny faniriana hanome izy fa tsy ny handray. Izany no lalana misy fiahiana ny fiadanan’ny hafa.

          Ny kristiana marina dia tsy tokony hanorina ny fomba fianany vaovao amin’ny heviny manokana momba izay tsara sy ratsy. Ny fototry ny fomba fianantsika vaovao dia voafaritr’Andriamanitra ao antin’ny Soratra Masina. Ny lalàn’Andriamanitra, ary koa ny ohatra lavorary navelan’i Kristy ho antsika momba ny fanekena ny lalàny, no fitsipika mipetraka raisina ho fomba-fiainan’izay te-ho kristiana marina.

          Ataovy izay hahazoanao tsara ny anjara asan’ny lalàn’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika. Ao amin’ny epistiliny, ny Apostoly Paoly dia manantitra fa tsy misy lalàna afaka manamarina antsika, izany hoe ny lalàna dia tsy afaka mamafa ny fahadisoana vokatry ny fandikan-dalàna natao tany aloha (Romana 3:23-25). Ny fanamarinana, izany hoe ny fanalàna ny fahadisoana vokatry ny fahotana natao tany aloha, dia fanomezana omen’Andriamanitra maimaim-poana, rehefa mibebaka isika ka mametraka ny finoantsika ao amin’i Jesosy Kristy, Izay nanolotra ny Ainy ho sorona, ho onitry ny fahotantsika. Izany no nilazan’i Paoly ao amin’ny andininy 28 hoe : “Koa amin'izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan'ny lalàna”, izany hoe ny finoana an’i Jesosy Kristy Izay nanolotra ny Ainy ho sorona hisolo antsika.

          Avy eo dia nanazava ny asan’ny lalàna mandritry ny fiainantsika i Paoly. “Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika.” (Romana 3:31)

          Noho izany, ny tanjon’ny lalàna dia tsy ny hanomezana antsika ny famelana heloka, fa ny hamaritana ny atao hoe fahotana, “satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin'ny ota.” (Romana 3:20)

          Ny lalàn’Andriamanitra no manambara ny dingana arahina sy ny toetra mampiavaka sy mamaritra ny lalam-piainan’Andriamanitra.

          Manazava amintsika ny fototry ny fiainany manokana avy eo ny Apostoly Paoly : “Fa izao no ekeko aminao, fa araka ny fampianarana izay ataony[ataon’ireo tsy mpino] hoe fitokoana no anompoako an'Andriamanitry ny razako, sady inoako izay rehetra voasoratra eo amin'ny lalàna sy ny mpaminany,… (Asan'ny Apostoly 24:14-17). Ny lalm-piainana narahin’i Paoly dia taratr’izay nampianarin’ny Soratra Masina azy.

          Ny tokony ho hita taratra eo amin’ny fiainantsika, dia     ny toetra mahazatra avo indrindra ambaran’ny Soratra Masina momba ny fitondran-tena feno fiantràna. Ny fihetsik’isika dia tokony hidika ny faniriana hiara-miasa sy hanompo amim-panajàna an’Andriamanitra sy ny olona akaiky antsika. Amin’ny maha-tena kristiana antsika, tokony hamiratra isika noho ny fihetsika manompo sy tia olona, toy ny olona matoky tsy azo laizina an’ireo fepetra rehetra ampianarin’ny Soratra Masina.

NY FANEHOANA FITIAVANA, VONINAHITRA ARY HASINA

Moa milaza ny fotopototry ny tokony ho fitondran-tenantsika eo anatrehan’ny manodidina antsika ve ny Soratra Masina ?

          Manajà ny olona rehetra. Tiava ny rahalahy. Matahora an'Andriamanitra. Manajà ny mpanjaka. » Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amin'ny fahatahorana rehetra, tsy ny tsara sy ny malemy fanahy ihany, fa ny saro-po koa. » (1 Petera 2:17-18)

          « Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an'Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana. » (1 Jaona 4:8)

          Araky ny tenin’i Jaona, Andriamanitra dia fitiavana. Ary ny fitiavana no milaza ny fotopototr’Andriamanitra, ny toetrany, ny antony hanaovany zavatra, ny fomba fifandraisany amintsika. Dia toy izany koa, tiany ny hanehoantsika fitiavana amin’ireo izay mifanerasera amintsika.

 

Inona no tokony ho fihetsik’isika amin’ireo olona izay ambonintsika ?

          “Mampahatsiarova azy hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin'ny asa tsara rehetra, tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin'ny olona rehetra. » (Titosy 3:1-2; ampitahao amin’ny Efesiana 6:5-7)

 

        “Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an'ny olona rehetra, ho an'ny mpanjaka mbamin'izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra. Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin'ny fahalalana ny marina. » (1 Timoty 2:1-4)

 

          « Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin'Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin'Andriamanitra. Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin'Andriamanitra; ary izay manohitra dia hahazo fahamelohana. Fa ny mpanapaka dia tsy mba tahotry ny manao tsara, fa ny manao ratsy ihany. Ary ny tsy hatahotra ny fahefana va no tianao? Ataovy ary izay tsara, dia hahazo dera avy aminy ianao; » (Romana 13:1-3)

Ahoana ny fomba tokony hifampitondran’ny lehilahy sy ny vehivavy fehezin’ny fanambadiana?

          “Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy”, (Efesiana 5:25)

 

          “Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo. ary aza sosotra aminy.” (Kolosiana 3:19)

 

          Ary toy izany koa, ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan'ny fitondran-tenan'ny vavy izy, na dia tsy amin'ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny), rehefa hitany ny fahadiovan'ny fitondran-tenanareo amin'ny fahatahorana.” (1 Petera 3:1-2)

Moa ve manambara ny Soratra Masina fa tokony haneho fanajana ny zanaka, ary hahazo izany koa?

          « Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana), mba hahita soa ianao sy ho maro andro ambonin'ny tany. Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin'ny famaizana sy ny fananaran'ny Tompo izy. » (Efesiana 6:2-4)

          “Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin'ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin'ny Tompo izany. Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy. » (Kolosiana 3:20-21)

 

          “fa tsy ny zanaka no tokony hihary ho an'ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreniny no tokony hihary ho an'ny zanany. » (2 Korintiana 12:14)

 

          Zava-dehibe ny hanehoan’ny ray aman-dreny ho an’ny zanany haja, fitiavana, fahalemem-panahy, sy fampirisihana; ary toy izany koa, ireo zanaka dia tsy maintsy mianatra manaja, manome voninahitra sy fitiavana an’ireo ray aman-dreniny. Ny fifankatiavana sy fifanajana di      a miteraka toetra tsara amin’ny ankizy ary manefy fifamatoram-po maharitra amin’izy ireo sy ny ray aman-dreniny.

          Ny fifanajana izay noraisina tao anivon’ny ankohonana dia mifindra any amin’ny fia     inana rehefa olon-dehibe. Ny antony tena lehibe mahatonga ny firongatry ny herisetra sy fahatezerana hita eo anivon’ny fiaraha-monina ankehitriny dia vokatry ny fihenan’ny fifanajana izay hita eo anivon’ny fianakaviana, indrindra amin’ny fihetseham-poo sy ny fahatanterahan’ny ankizy.

Moa ve tian’Andriamanitra hamaly ny olona rehetra amim-pahatsaram-panahy sy halemem-panahy isika?

          « Ary tsy mety raha miady ny mpanompon'ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin'ny olona rehetra… » (2 Timoty 2:24)

          “Ary noho izany izaho dia mangataka aminareo mba handeha …amin'ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin'ny fahari-po mifandefitra amin'ny fitiavana” (Efesiana 4:1-2; ampitahao amin’ny 1Tesaloniana4:6-8)

          Ny lalam-piainan’Andriamanitra dia manomboka amin’ny fihetsika asehontsika amin’ny hafa. Amin’ny lafim-piainana rehetra, dia tokony hitondra ny hafa amin’ny hatsara       m-panahy, fitiavana ary fanajana isika.

Ankoatr’izany, rahoviana no maha-zava-dehibe ny hitiavana sy hanomezam-boninahitra marina an’Andriamanitra Ray sy ny Zanany?

        Dia hoy Jesosy taminy: Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra. Izany no didy lehibe sady voalohany. » (Matio 22:37-38; ampitahao amin’ny Malakia 1:6);

          “Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain'i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin'ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra” (Deotoronomia 10:12)

          “Ny fahasoavana anie ho amin'izay rehetra tia an'i Jesosy Kristy Tompontsika amin'ny fitiavana tsy mety levona. Amena.” (Efesiana 6:24; ampitahao amin’ny Jaona 5:22-23)

          Ny fanajana, ny fanomezam-boninahitra ary ny fitiavana an’Andriamanitra Ray, sy ny Zanany, Jesosy Ilay Mesia dia singa lehibe indrindra amin’ny fomba fiainantsika mananraka ny lalam-piainana izay tian’Andriamanitra ho hita taratra eo amintsika.

          Mba hampisy vokany ny fifandraisana amin’ny olona, dia ilaina ny mitandrina mba hisy ambaratongam-pifanajana sy fifanomezam-boninahitra eo amin’ny tsirairay. Ampio a     o koa ny fankasitrahana, izay fiandohan’ny fitiavana, ary izany no fiatombohan’ny fifandraisana manokana, lalina sy maharitra. Nefa kosa, esory anie ny iray fotsiny amin’ireo akora fototra ireo, dia hanomboka ho simba ny fifandraisana. Esory daholo izany, dia ho tapaka ny fifandraisana.

          Ny fanambadiana ohatra dia tsy hamokatra raha tsy maneho fitiavana, fanomezam-boninahitra, fanajana ny tsirairay. Tsy azo heverina ny fisian’ny fanambadiana tena sambatra raha toa ny andaniny zatra tsy miraharaha ny fihetseham-po sy ny fanirin’ny ankilany.

          Mampalahelo anefa fa ny ankabeazan’ireo milaza tena ho kristiana dia manao fihetsika toy izany amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Miandry ny hanehoan’Andriamanitra fitiava   na sy fanajana izy ireo rehefa mila sy mangata-javatra Aminy. Fa kosa, tsy hitany izay hilàna ny hanao toy izany Aminy rehefa mba anjarany kosa ny hanome voninahitra sy fanajàna an’Andriamanitra. Satria tokoa mantsy, tsy raharahiny ny Teniny, laviny ny fampianarany, ary manentsi-tadiny izy amin’ny Didiny. Tsy azony mihitsy ny mahafantatra fa misy fitia mifamaly tsy maintsy hifanaovana eo amin’ny fifandraisana izay mampifamatotra antsika amin’Andriamanitra, sy amin’ny ankohonana niova fo izay foronin’Andriamanitra amin’izao fotoana izao.

Ahoana ny fahitan’Andriamanitra ny fifandraisany amin’ireo olona tena niova fo?

          “Ary ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha” (2Korintiana 6:18)

          Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako.” (Apokalypsy 21:7)

          Fa izay rehetra nandray Azy [ny fahazavana, i Kristy] dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany” (Jaona 1:12; ampitahao amin’ny Romana 8:14-17)

 

Toy inona ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny Zanak’Isiraely taloha?

          « Ary handeha eo aminareo Aho ka ho Andriamanitrareo; ary ianareo ho oloko. » (Levitikosy 26:12)

          « Moa Jehovah hovalianareo toy izany va, Ry firenena adala ka tsy hendry? Tsy Izy va no Rainao, Izay nanavotra anao? Tsy Izy va no nanao anao sy nanorina anao? » (Deotoronomia 32:6)

          dia hataonao hoe Aho Vadiko [ry Isiraely], fa tsy hataonao intsony hoe Balako.[Tompoko] . Ary hofofoiko ho vadiko mandrakizay ianao, eny, hofofoiko ho vadiko amin'ny rariny sy ny hitsiny ary amin'ny fitiavana sy ny indrafo ianao; Eny, hofofoiko ho vadiko amin'ny fahamarinana ianao. Ka dia hahalala an'i Jehovah” (Hosea 2:18; 21-22)

Inona ny fifandraisana misy eo amin’Andriamanitra sy isika noho ny soron’i Kristy?

        “Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, Nefa Izaho no vadiny,hoy Jehovah. Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.” (Jeremia 31:31-33)

          “…rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin'ny rako” (1 Korintiana 11:25)

          Rehefa nifamatotra tamin’ny alàlan’ny fifanekena sy fanambadiana ny lehilahy sy vehivavy iray (Malakia 2:14), dia nanao fifanekena fa hifankatia izy ireo amin’ny maha-mpivady azy ireo. Dia toy izany koa, rehefa misy ny fifanekena nifamatoran’Andriamanitra sy ireo izay manaiky A2zy amin’ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra.

          Ao amin’ny Testamenta Vaovao, rehefa misy resaka fanekena vaovao, dia tokony ho eritreretina fa lalàna nampahatsiahivina na nohavaoazina izany; Tsy misy resaka mihitsy hoe fanekena hafa mihitsy izany.

          Fanavaozana ny fifanekena voalohany izay natolotr’Andriamanitra io.

          Eto isika dia afaka mampitaha izany amin’ny Lalàm-mpanorenan’i Etazonia. Nisy fanitsiana natao tamin’ny lalàm-panorenana fototra, ary ireo fanitsiana ireo no manazava ny fomba tokony hamakiana ny lalàm-panorenana fototra amin’ny toe-javatra sasantsasany.Ireo fanitsiana ireo dia manova ny antontan-taratasy voalohany, fa tsy manafoana azy kosa akory.

          Dia toy izany koa, ny Soratra Masina dia manaiky ny fisian’ny Fanekena Vaovao, izany hoe nohavaozina, ary io fanekena io dia natao ho an’ireo olona lahy sy vavy nety namboarin’ny Fanahin’Andriamanitra taorian’ny fibebahany sy ny nahavitan’ny batisany (Hebreo 8:6-10; Efesiana 2:11-13). Io fanekena vaovao io dia tsy manafoana ny a  ntontan-taratasy voalohany izay nampisy ny fifamatorana ta    loha.

          Na izany aza, misy lafin’ny antontan-taratasy voaloha     ny, dia ny Testamenta Taloha, izay tsy maintsy adika sy ampiharina amin’ny fomba hafa, araky ny fanahin’ny Lalàna, arak’izay nanazavan’i Kristy azy, fa tsy arak’izay voalaza sy vakina ao amin’ny Lalàna (2Korintia        na 3:6). Ohatra fotsiny, ny olona nijangajanga, ary nibebaka tamin’izany, dia havela ny helony fa tsy hotoraham-bato. Rehefa misy fibebahana, ny “fanompoana nitondra fa      namelohana” taloha dia lasa “fanompoana mitondra ny fahamarinana”; ary ny heloka rehetra vita taloha     n’izany dia ho voavela sy hohadinoina (andininy 9).

          Ao anatin’ny faritra nohavaozin’ny Fanekena Vaovao, ny soratra ao amin’ny Testa menta Vaovao dia ahitana ireo filazana voafaritra tsara momba ny fomba hampiharana ireo soratry ny Fanekena Taloha. Tsy misy soratra nof afaina ao amin’ny Fanekena Taloha na dia nampidirina aza ny Fanekena Vaovao (Matio 5:17).

          Nefa kosa, ny fanitsiana ny Fanekena Taloha dia voalaza tsirairay ao amin’ny Fanekena Vaovao. Ny fanovana tena miharihary dia ny fidiran’ny olona avy amin’ny firenen-drehetra, ny fanampiana fampanantenana tsaratsara kokoa, indrindra ny fampanantenana ny fiainana mandrakizay, ary koa ny fandraisan’ny Fanahy Masina anjara mavitrika amin’ireo niditra amin’ny fihavanana vaovao amin’Andriamanitra, izay nambaran’ny Fanekena Vaovao. Ireny fanovana ireny, sy ny hafa koa, no mahatonga ny Fanekena Vaovao amin’Andriamanitra sy ny olony hiainga amin’ny fototra tena mafy kokoa.

Inona no lazain’ny Soratra Masina momba ny fifandraisana ho avy amin’i Kristy sy ny Fiangonana?

          “Fa fahasaro-piaro araka an'Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy (Paoly) aminareo; fa nataoko fofombadin'ny lehilahy iray ianareo, mba hatolotra tahaka ny virijina madio ho an'i Kristy.” (2 Korintiana 11:2; ampitahao amin’ny Efesiana 5:25-32)

          “Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra Azy; fa tonga ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Ka efa niomana ny vadiny. Ary nasaina nitafy rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka izy; fa izany rongony fotsy madinika izany dia ny asa marina ataon'ny olona masina. Ary hoy koa izy tamiko Soraty: Sambatra izay nantsoina ho amin'ny fanasana fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Fa hoy izy tamiko: Ireo dia teny marin'Andriamanitra.” (Apokalypsy 19:7-9)

          Rehefa hiverina eto an-tany amin’ny maha-Mpanjakan’ny mpanjaka Azy i Jesosy, dia hametraka eo Aminy sy ireo olo-masina fifamatorana mitovy amin’izay misy amin’ny mpiva   dy; Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny fifandraisana ankehitriny amin’i Kristy sy ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonany dia tsy inona akory fa fiandohan’ny fifandraisana mandrakizay miorina amin’ny fifampitokisana, ny fahamarinana ary ny fitiavana.

          Ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra dia azo oharina amin’ny fifamatoran’ny mpianakavy izay, izay mivelatra tsy tapaka, toy izay misy eo amin’ny ray sy ireo zanany, na izay feno fitiavana, toy ny an’ny mpivady. Mba hahatonga izany fifamatorana izany handeha araky ny tokony ho izy, dia mila fatra tsy tapaka amin’ny fitiavana, ny fifanajàna sy ny fifanomezam-boninahitra, ary koa ezaka. Toy ny amin’ny fifandraisana rehetra, raha tiana hahomby iza ny, dia tsy maintsy handaniana fotoana maro.

Hatao lasa fomba ny mivavaka sy ny mianatra

          Ny fifanatonana tsara dia zava-dehibe amin’ny fivelar     an’ny fifandraisana tsara. Maro ireo vehivavy no mitalaho amin’ny vadiny amin’ireto teny fohy ireto hoe: “Iresaho aho”.

          Raha hendry ilay lehilahy dia hahafantatra io filàna io, ary ho faly hif       andray amin’ny vadiny. Ireo ankizy koa, dia mila fampirisihana sy toro-hevitra avy amin’ireo ray aman-dreniny; noho izany, izy ireo dia tokony hanongilan-tsofina amin’ny fangatahana, ny fanontaniana ary ny hevitry ny zanany.

          Ny fanalahidin’ny fifandraisana tsara dia ny fahafahana milaza ny hevitra mazana, sy mihaino am-pita      ndremana.

          Izany fomba izany koa no ampiharina eo amin’ny fifandraisana amin’ny Raintsika Izay any an-danitra. Ny fifanatonana tsara misy eo Aminy sy isika dia endrika miankina aman’aina amin’ny traikefantsika kristiana. Miteny amintsika amin’ny alàlan’ny Teniny Izy, dia ny Soratra Masina (Jeremia 10:1; Isaia 51:7).

          Miresaka Aminy isika rehefa mivavaka. Izany rohim-pifandraisana misy eo amin’Andriamanitra sy isika izany dia tsy tokony ho lalan’olon-tokana, satria isika dia tsy miresaka Aminy raha tsy hangata-javatra Aminy ihany, nefa ma  nentin-tadiny rehefa misy toro-hevitra na anatra omeny. Tsy maintsy mitandrina isika mba hisy tsy anki-janona ny fifandraisana mavitrika hifanakalozan’olon-droa.

 

Hafiriana no tokony hiresahana amin’Andriamanitra amin’ny alàlan’ny vavaka?

        “Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka aza mitsahatra. Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo.” (1 Tesaloniana 5:16-18)

          Tian’Andriamanitra ho lasa fahazarana ho antsika ny mivavaka. Tsy midoka akory izany fa hivavaka tsy anki-janona isan’andro isika. Fa tokony hitandrina isika mba ho la          sa fomba mahazatra antsika izany; tokony tsy hanadino hivavaka isika, in-telo isan’andro, mba hitohy ny fanatonantsika an’Andriamanitra tsy an-kiato.

Ahoana ny fahazarana mivavaka fanaon’ireo mpanompon’Andriamanitra mahatoky?

          “Hariva sy maraina ary mitatao vovonana no hitarainako sy hitolokoako; dia hihaino ny feoko Izy,” (Salamo 55:17)

          Nony fantatr'i Daniela fa efa voaisy sonia ny didy, dia nankao an-tranony izy; ary ny varavarankelin'ny tranony ambony nanandrify an'i Jerosalema dia nivoha. Koa intelo isan'andro no nandohalika ka nivavaka sy nisaotra teo anatrehan'Andriamaniny izy, satria fanaony hatramin'ny taloha izany.” (Daniela 6:11)

          “Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany.” (Marka 1:35)

          Ny Soratra Masina dia milaza fa fanao mahazatra an’ireo mpanompon’Andriamanitra ny mivavaka mihoatry ny in-dray mandeha ao anatin’ny ira          y andro, ary fanaony isan’andro izany. Tamin’ny fotoana mihoatry ny iray, nifoha maraina be i Jesosy, mba hananany fotoana bebe kokoa hiresahany manokana amin’Andriamanitra.

Tena mahaliana an’Andriamanitra tokoa ve izay mety horesahintsika Aminy?

        “Fa ny mason'ny Tompo dia mitsinjo ny marina, Ary ny sofiny mihaino ny fitarainany, Fa ny tavan'ny Tompo dia tezitra amin'ny mpanao ratsy" (1 Petera 3:12)

          “Ny fiàsan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra. » (Jakoba 5:16)

          Ny Bokin’ny Apokalypsy dia manohatra ny vavaka ataontsika amin’ny fofon’ny ditin-kazo manitra izay miakatra mankany amin’A ndriamanitra. (Apokalypsy 5:8; 8:3-4). Maniry lalina ny handre antsika hilaza izay ao am-pontsika Andriamanitra. Azo oharina amin’ny zatovo roa mifankatia izany, izay mifampiresaka matetika sy samy milaza izay ao am-pony, ary mitandrina tsara an’izay teny rehetra tononin’ny anankiray. A       nkasitrahan’Andriamanitra ny hanehoantsika firavoravoana toy izany, firehidrehitra toy izany ary faniriana fatratra ny hiresaka Aminy.

Moa ve mandray ny fivavahana ataontsika Aminy Andriamanitra?

          “… Na inona na inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany. » (Marka 11:24)

          Nefa aoka hangataka amin'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany. Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin'ny Tompo izany olona izany” (Jakoba 1:6-7)

          Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy;” (1 Jaona 5:14)

          Nampanantena Andriamanitra fa hihaino sy hamaly antsika, rehefa mandefa vavaka Aminy marina sy marisika isika, araky ny sitrapony, ary raha mametraka fitokiana Aminy isika.

Ny fivavahan’iza no ho lavin’Andriamanitra tsy ho henoiny?

          Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; Fa ny fivavaky ny marina no henoiny.” (Ohabolana 15:29)

          Indro, ny tànan'i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare. Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin'Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.” (Isaia 59:2)

          Izay manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna, Na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.” (Ohabolana 28:9; Zakaria 7:11-13)

          Mangataka ianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin'ny filanareo.” (Jakoba 4:3)

          Ny fifandraisana mahomby dia mitoetra amin’ny lafiny roa. Tsy tokony amin’ny vavaka ihany no iresahana amin’Andriamanitra, fa tokony ho jerena koa izay tiany ho lazaina amintsika. Izany di&a efa ataontsika rehefa mianatra sy mandalina ny Teniny izay voasoratra isika, dia ny Baiboly (Salamo 1:1-3; 119:97-100).

          Andrasan’Andriamanitra ny hitandremantsika         ny Teniny izay voasoratra, indrindra ireo fepetra fototra, dia ny Didy Folo, fa izany no ilaina mialoha raha ilaintsika ny hihainoany sy hamaliany ny fivavahantsika. Ireo boky ao amin’ny Baiboly dia azo laézaina fa taratasy nosoratan’Andriamanitra, ary ny tsirairay amin’ireo dia maneho amintsika izay zavatra handrasany hataontsika. Raha tsy raharahintsika ireo Teniny voasoratra ireo, dia zava-poana no handefasantsika Aminy ny fangatahantsika. Efa nolazainy tokoa mantsy fa ho laviny tsotra izao ny hamaly an’izany (Isaia 59:1-2).

          Izany dia toa an’ilay vehivavy iray izay miandry ny ha   nehoan’ny vadiny aminy fitiavana tsy misy fepetra, sy ny hanomezan’ny lahy azy zava-tsoa maro, nefa izy dia hita miharihary fa mijangajanga. Ny fiandrasana toy izany dia miharihary fa tsy mety ho efa. Toy izany koa, tsy mety hisy ny hamalian’Andriamanitra ny vavaky ny olona iray izay tsy manan-kevitra ny hatoky Azy ary koa mandà an-kitsirano ny hitandrina ny Teniny. Kanefa kosa, raha mibebaka amin’ny ratsy nataony io olona io, dia hiverina hiaino ny fivavahany indray Andriamanitra.

Moa ve ny Soratra Masina manazava amintsika ny fomba fianarana Baiboly mahomby?

        “Mazotoa manolotra ny tenanao amin'Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana” (2 Timoty 2:15)

          “Ary ny toe-panahin'ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin'ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan'andro, na marina izany, na tsia.” (Asan'ny Apostoly 17:11)

          “Anaka, raha raisinao ny teniko, Ary raketinao ao am-ponao ny didiko, Ka atongilanao amin'ny fahendrena ny sofinao, Ary ampitandremanao fahalalana ny fonao; Eny, raha miantso ny fahalalana ianao Ary manandratra ny feonao hahazo saina, Raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao Ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina: Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an'i Jehovah, Ary ho hitanao ny fahalalana an'Andriamanitra.” (Ohabolana 2:1-5)

          “Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao; Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao, Aza manao anao ho hendry; Matahora an'i Jehovah, ka mifadia ny ratsy” (Ohabolana 3:5-7)

          Ny zanaka izay mandray ny anatra omena azy dia mahafaly ny ray aman-dreniny. Dia toy izany koa, ravoravo Andriamanitra rehefa mazoto mianatra ny Teniny isika, mba hahalalàna ny hitondranantsika ny fiainantsika mba hahafaly Azy.

Inona ny tombontsoa lehibe indrindra azo avy amin’ny fianarana ny Baiboly?

          fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin'ny famonjena amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy. Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.” (2 Timoty 3:15-17)

          Amin’ny alàlan’ny Baiboly, Andriamanitra dia manome antsika fampianarana sy toro-làlana ahafahantsika mitandrina ny lalam-piainany. Manasazy sy manitsy antsika, ary manoro antsika izay tokony hovaina Izy. Manao izay hahatonga antsika hitombo ka ho tonga olon-dehibe ara-pa          nahy, ary ho tanteraka ny famonjena antsika. Rehefa mianatra Baiboly, dia midika izany fa mamela an’Andriamanitra hiresaka amintsika isika.Andraikitr’isika ny mitandrina ny Teniny, sy mandraikitra ireny ao an-tsaina ary mitondra-tena araky ny fahalalàna efa azo.

          Ny mpivady izay nianatra nikolokolo ny fifandraisana ara-po sy saina dia faly miresaka fatratra, matetika mandritry ny ora maro. Miady hevitra momba ny fikasany izy ireo, ny tahotra, ny hafaliana, ny zavatra kasainy sy ilainy. Mba hahazo fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra, dia ilaina ny resaka toy izany: fifandraisan’ny roa tonta marina sy mahomby.

Moa manampy antsika hahalala ny tena toetrantsika sy ny sitrapon’Andriamanitra ve ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra?

          “Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo.” (Hebreo 4:12)

          “Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao Ka manome fahalalana ho an'ny kely saina.” (Salamo 119:130)

          Noforonina ity fampianarana Baiboly ity mba hahafahanao mahazo ny Soratra Masina. Fa aza faly fotsiny mandray izay voalaza momba ny fampianarana Baiboly. Ianaro manokana ny Soratra Masina! Mametraha fanontaniana amin’ny tenanao, mikatsaha fahalalàna. Voasy ny andininy ary apetraho amin’ny teny manodidina misy azy; izany hoe vakio ny andininy mialoha sy manaraka azy. Izany no hamelanao an’Andriamanitra hiresaka aminao. Amin’ny alàlan’ny vavaka, dia angataho Izy hitarika anao amin’ny fandalinanao, dia meteza ianao ho rakotry ny Teniny. Amin’izany fomba izany, ary amin’izany ihany no handresy lahatra anao fa ny fandalinana nataonao dia tena fampianaran’Ilay Andriamanitra Velona.

Moa ve manana fomba hafa hilazany ny sitrapony amintsika Andriamanitra?

          « Ary Filipo nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy mamaky teny tao amin'Isaia mpaminany, ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao va izay vakinao? Fa hoy izy: Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy? Ary izy nangataka an'i Filipo hiakatra sy hipetraka eo aminy.” (Asan'ny Apostoly 8:30-31)

          « Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory? Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly!” (Romana 10:14-15)

          Tsy misy olona mahavita tena. Tsy ilaina ny mahafantatra hoe hatraiza ny fianarana efa nataonao; fan a ho ela na ho haingana, dia tsy maintsy mila mpampianatra ianao haneho anao ny lalan-tsara. Omen’Andriamanitra antsika izy ireny mba hanatanterahana ny olony (Efesiana 4:11-13), mba hampahafantariny antsika ny fototry ny Teniny. Izany koa no antony lehibe indrindra hisian’ny fivoriantsika, mba hampianarin’ny Loholon’ny Fiangonana antsika, izay efa nahazo ny fahamatorana ara-panahy, ny tenin’ny fiainana misy ao amin’ny Soratra Masina

NY FITANDREMANA NY SABATAN’ANDRIAMANITRA

          Ny ankabeazan’ny firenena dia mitandrina fety ho voninahitry ny olo-mangany. Ohatra, ny Frantsay dia mankalaza fety fanao isan-taona ny 14 jolay ho fahatsiarovana ny nakàna ny la Bastille; misy andro koa hahatsiarovany ireo maty, ary andro iray hahatsiarovana ny Fa  mpijanonana ny Ady; mba hanomezam-boninahitra an’ireo nanompo ny fireneny. Na dia any amin’ny toeram-piasana aza, dia ahitana lovan-tsofina natao hanajàna sy hanomezam-boninahitra olona na vondron’olona. Misy ohatra ny andron’ny sekretera, ets.

          Ao koa ny fanajàna olona ao amin’ny fianakaviana, toy ny fetin’ny Reny, na fetin’ny Ray. Misy koa mankalaza ny tsingerin-taonan’ny fanambadiana, mba hikojakojàna ny fifamatoran’ny mpianakavy, syhanamafisana izany.

          Raha tia an’Andriamanitra isika, ka te-hanana fifandraisana akaiky Aminy, dia tsy maintsy manokana fotoana koa isika mba hanomezana voninahitra Azy sy hanakaikezantsika Azy.

          Ao amin’ny bokiny be mpividy indrindra atao hoe “Ny lalana tsy be mpandeha indrindra”, ingahy Scott Peck dia nivaofy momba ny hasaro-bidin’ny fotoana laniana amin’ny fifandraisana amin’izay tianao. Hoy izy : “Raha misy zavatra tiantsika, dia misy vidiny amintsika io zavatra io, ary rehefa asiantsika vidiny izy io, dia andaniantsika ny fotoanantsika betsaka, mba hankafizantsika azy sy hikolokoloantsika azy.

          Noho izany, dia diniho ity tovolahy iray izay manam-pitiavana ny fiaranyn ary mariho ny fotoana laniany mba higagàny azy, handambolamboany azy, hanamboarany azy, sy hanaovany izay hahatonga lafatra azy. Na koa, diniho ity vavy antitra mikarakara ny zaridainany misy vonindraozy, ary mariho ny fotoana laniny handrantsanany azy, hanamboarany ny lafiny, hanasiany zezika azy ary hikolokoloany azy. Toy izany koa ny ataontsika raha tia ny zanatsika isika: mandany andro isika hijerena azy ireny, hikarakarana azy. Omentsika amin’ny fotoantsika izy ireo.” (1978, p;22)

          Koa satria izany fitsipi-pitondrana izany dia mihatra amin’ny olona malalantsika, ma ve tsy tokony azo ampiharina amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra ve izany?

          Ireo lovan-tsofina dia mandrisika antsika handany andro mba hanomezam-boninahitra ireo izay hajaintsika. Fa mba firy ny olona handany andro mba hanome voninahitra an’Andriamanitra, ka mitandrina sy manamasina ny Sabata, sy ireo andro masina hafa izay lazain’ny Baiboly miharihary?

Moa ve tsy maintsy miara-mivory amin’ny fotoana voafetra ny Kristiana?

        “Ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.” (Hebreo 10:24-25)

Moa ve voalazan’ny Soratra Masina ny andro tsy maintsy hivoriana hivavahana amin’Andriamanitra sy hanomezam-boninahitra Azy?

          « Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, dia fivoriana masina; aza manao raharaha akory ianareo, fa Sabata ho an'i Jehovah eny amin'izay fonenanareo rehetra izany. » (Levitikosy 23:3)

 

        “Ary dia milaza amin'ny Zanak'Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo.” (Eksodosy 31:13)

 

          Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy.” (Eksodosy 20:8)

 

          Andriamanitra no milaza amintsika ny fotoana izay hivoriantsika ho fanomezam-boninahitra Azy. Natokany ny andro faha-fito isan-kerinandro mba hivoria       ntsika, mba hanatsarana ny fifandraisantsika Aminy. Tiany ny hikolokoloana izany fifamatorana izany, ary iriany ny hitomboan’izany bebe kokoa. Izy no nanokana izany Sa     bata izany, io fotoana nohamasininy manokana io, mba hahafahantsika manatona Azy manokana, mba hahafahantsika manatsara ny fomba fifandraisantsika Aminy.

          Na izany aza, ny ankamaroan’ny olona dia mihevitra fa tsy manisy vidiny intsony an’izany fitandremana ny Sabata andro faha-fito izany intsony Andriamanitra, fa tsy misy dikany izany, na andro inona na andro inona no tandremana. Koa satria izy ireo dia mitandrina ny andro izay safidiany, dia tiany tsy hahalala fa Ilay Mpamorona antsika dia nanokana andro izay tsy maintsy hivoriantsika mba hankalazana ny fanompoantsika Azy. Ao amin’ny Didy faha-efatra, , dia lazainy mazava fa        tsy maintsy tandremana ny andro faha-fito isan-kerinandro.

          Raha resy lahatra isika fa tsy maintsy miaina araky ny Teny rehetra mivoaka ny vavan’Andriamanitra, araky ny baiko nomen’i Jesosy (Maztio 4:4), dia tsy afaka mandika izany Didy izany mihitsy. Raha misy fahamarinana ao amintsika, dia tsy mety ny milaza fa mino ny Didy Folo isika rehefa tsy ela aorian’izay dia lavintsika izany ka ariantsika ny Didy faha-efatra izay milaza amintsika hahatsiaro ny andro Sabata sy hanamasina izany.

Moa ve misy zavatra hafa andrasan’Andriamanitra amintsika amin’ny andro Sabata?

          Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra, Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao.” (Eksodosy 20:9-10)

 

          Raha miaro ny tongotrao amin'ny Sabata ianao ka tsy manao izay tianao amin'ny androko masina, ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana, ary ny nohamasinin'i Jehovah hoe mendrika hohajaina, ka manome voninahitra azy* ary tsy mandeha amin'ny lalanao, na manao izay tianao, na miteniteny foana, Dia hiravoravo amin'i Jehovah ianao, ary hasandratro ao amin'ny havoana amin'ny tany ianao, sy hofahanako amin'ny lovan'i Jakoba rainao; Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.” (Isaia 58:13-14)

 

          Ny Sabata dia fe-potoana tsy maintsy hanajanonana ny asa aman-draharaha fanao mandritry ny andro rehetra amin’ny herinandro. Nomen’Andriamanitra antsika ny Sabata mba hahafahantsika miala sasatra, mivavaka bebe kokoa noho ny an-davan’andro, hifantohana misimisy kokoa amin’ny fianarana ny Teniny, ankoatry ny mivory mba hahazo fampianarana ny Soratra Masina sy hiarahantsika amin’ireo rahalahy ara-pinoana.

          Maro no milaza amintsika fa izany sabata izany dia fanompoana be, enta-mavesatra, ary tonga i Kristy mba hanafaka antsika amin’izany. Nefa ny Tenin’Andriamanitra dia tsy milaza mihitsy na aiza na aiza faenta-mavesatra ny Sabata, ary tsy milaza koa izany fa tonga mba handrava izany i Kristy. Mifanohitra amin’izany, ny Soratra Masina dia manambara fa ny Sabata dia fotoam-pifaliana, fotoana tokony hatokana mba hanamafisana ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra       , sy amin’ireo rahalahy ao amin’i Kristy. Ireo izay tia an’Andriamanitra dia ho faly amin’ny fandraisana anjara amin’ireo fandaharam-potoana manokana fanao mandritry ny Sabata. Raha ny marina, dia ireo izay mody tia an’Andriamanitra no mety mihevitra ny Sabata ho enta-mavesatra. Noho ny fihetsiny, dia mihevitra izy ireo fa manelingelina ny fotoany manokana io andro io, ary manambaka azy izany.

Nahoana Andriamanitra no milaza fa zava-dehibe eo imasony ny fitandremana ny andro faha-fito amin’ny herinandro?

          “Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy.” (Eksodosy 20:11)

 

          “Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasina azy.” (Ezekiela 20:12)

 

          Ny Sabata andro faha-fito dia marika hamantarana ny vahoaka mivavaka amin’Andriamanitra Mpamorona. Mampahatsiaro antsika isan-kerinandro ny Sabata fa Ilay Andriamanitra Izay tompointsika, dia Ilay namorona ny Onivera, ary Izy irery no tokony hivavahantsika, f      a tsy ny zavatra noforoniny na oviana na oviana. Ny Sabata dia manome antsika tombon’andro, andro nomena antsika, mba ahafahantsika manatona Azy.

          Ireo fivavahana manompo sampy, misy karazany maro izy ireo, dia mivavaka amin’ny zavatra natao fa tsy amin’Ilay Mpahary. (Romana 1:22-25).

          Amin’ny alàlan’ny Teorian’ny Fivakina (Evolisiona), ny ankabeazan’ireo Manam-pahaizana ara-tsiansa eny amin’ny Oniversite dia tsy mino ny fisian’Andriamanitra, ary manandratra an’izany, ary izany fironana izany dia milaza fa nisy ho azy ny zava-boahary rehetra fa tsy nisy Mpamorona. Laviny ny fisian’Andriamanitra Mpamorona.

 

Moa ve nanome ohatra ho antsika momba ny fomba fitandremana ny Sabata ny Mpahary antsika tamin’ny nitsaharany tamin’io andro io?

        « Ary tamin'ny andro fahafito dia vitan'Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito Izy tamin'ny asany rehetra izay efa nataony. Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy. » (Genesisy 2:2-3)

 

Moa ve fanaon’i Jesosy Kristy, Ilay ohatra tanteraka ho antsika, ny miara-mivory amin’ny olon-kafa amin’ny andro Sabata?

          Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny.” (Lioka 4:16)

 

Moa ve ny fitandremana ny Sabata dia misy didy hiarahana mivory amin’ny olona izay mitovy finoana amintsika?

        “Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, dia fivoriana masina; aza manao raharaha akory ianareo, fa Sabata ho an'i Jehovah eny amin'izay fonenanareo rehetra izany.” (Levitikosy 23:3)

Moa ve io fampianarana izay mandidy ny vahoakan’Andriamanitra hivory tsy tapaka io naverina indray any amin’ny Testamenta Vaovao?

        Ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.” (Hebreo 10:24-25)

 

        “Fa iray no nihavian'izy roroa, na Izay manamasina, na izay hamasinina; koa izany no tsy mahamenatra Azy hanao ireo hoe "rahalahy" ka manao hoe: "Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko Aho; Eo amin'ny fiangonana no hiderako Anao"“ (Hebreo 2:11-12)

 

          Na ny fifandraisantsika amin’i Kristy aza dia manamafy ny fiaraha-mivory amin’ny zanak’Andriamanitra. Ny fivoriana miaraka amin’olon-kafa, mitovy firehana aminao, mba handalinana ny fahalalana an’Andriamanitra amin’ny fianarana ny Teniny, dia fomba hilazana Aminy fa mahaliana antsika Izy sy ny vahoakany.

          Ny fitandremana ny Sabata isan-kerinandro dia singa lehibe amin’ny karazam-piainana tian’Andriamanitra ho antsika.

Tian’Andriamanitra hiara-hivory koa ve isika amin’ny andro masina hafa, mba hanome voninahitra Azy?

          “Intelo isan-kerintaona no hanaovanao andro firavoravoana ho Ahy. Tandremo ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira…Ary tandremo koa ny andro firavoravoana amin'ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao, izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin'ny fanangonana amin'ny faran'ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao.” (Eksodosy 23:14-16)

 

          Nolazain’Andriamanitra fa tsy maintsy mivory isika mba hanome voninahitra Azy mandritry ny andro firavoravoana masina izay nodidiany hotandremantsika.

 

NY FINOANA SY NY FAHATOKIANA

Ahoana no maha-lehibe indrindra io resaka finoana io amin’ny fifamatorantsika amin’Andriamanitra?

          “Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.” (Hebreo 11:6)

 

          Ary izay mahatoky amin'ny kely indrindra dia mahatoky koa amin'ny be; ary izay tsy marina amin'ny kely indrindra dia tsy marina koa amin'ny be.” (Lioka 16:10)

 

          Ny finoana sy ny fahatokiana – ny finoana an’Andriamanitra sy ny matoky ny Teniny – dia endrika lehibe indrindra amin’ny lalam-piainana mifototra amin’ny Soratra Masina. Ao amin’ny Testamenta Vaovao, ny teny hoe finoana, fahatokiana sy ny fitokiana dia samy avy amin’ny teny Grika hoe pistis.

          Ny fivadihana, izany hoe ny tsy fisian’ny fahatokiana, dia antony lehibe mahatonga ny fahatapahan’ny fifandraisana, indrindra amin’ny fanambadiana. Rehefa misy fifandraisana akaiky amin’ny olona, dia zava-dehibe miankina aman’aina ny fitokisana sy ny fahatokiana. Rehefa misy fanamasinam-panambadiana, dia misy foana ny fanomezan-toky ampaha-bemaso ifanaovan’ireo hivady fa hatoky hatramin’ny fahafatesana izy ireo. Rehefa manao izany fanomezan-toky izany izy ireo, dia midika izany fa ny tsirairay dia hanaporofo fa ho mahatoky izy, ary hanaporofo amin’izay hataony ny fahamarinan’ny fihetseham-pony.

          Ingahy Scott Peck, ao amin’ny bokiny mitondra ny lohateny hoe: “Ny lalana tsy be mpandeha indrindra”, dia mamarana fa ny fanomezan-toky toy izany, ny filazana mazava toy izany fa hatoky araky ny faniriany, amin’ny fanomezan-toky sy ny fanekena nifanaovana rehefa ndeha hiaraka, izany dia zava-dehibe indrindra mba hisian’ny fiarahana mahafa-po. Hoy izy: “…mijanona ho mahatoky amin’izay zavatra nekena, izany no vato fehizoro, ny fototra iorenan’ny fiarahana tena mirindra.” (p. 140)

Karazam-pinoana inona no tsy mahomby?

        « Hianao manao fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany, - ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra. Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa? » (Jakoba 2:19-20)

          Tsy ampy ny mino an’Andriamanitra. Maty ny finoana tsy misy asa. Ny finoana velona dia miasa. “Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo. Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankatò, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin'ny fitaratra izy; fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin'izay dia hadinony ny tarehiny. Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn'ny fahafahana, ka maharitra amin'izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin'ny asany izany olona izany.” (Jakoba 1:22-25)

Moa ve manome ohatra Andriamanitra amin’ny fahatokiany eo amin’ny fanekeny sy ny teny nomeny?

        “Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin'ny taranaka arivo mandimby,” (Deotoronomia 7:9)

 

        “fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany.” (2 Timoty 2:13)

Inona no andrasan’Andriamanitra amintsika mba hanehoantsika Aminy ny finoantsika, ny fitokiantsika sy ny fahatokiantsika

“Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy? Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan'andro, ka misy aminareo manao aminy hoe: Mandehana amin'ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an'ny tenany, inona moa no soa azo amin'izany? Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy. Fa angamba hisy hanao hoe: Hianao manam-pinoana, ary izaho manana asa; asehoy amiko tsy amin'ny asa ny finoanao, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin'ny asako. Hianao manao fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany,- ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra. Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa? Tsy nohamarinina tamin'ny asa va Abrahama razantsika tamin'ny nanaterany an'Isaka zanany teo ambonin'ny alitara? Hitanao fa niara-niasa tamin'ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin'ny asa;” (Jakoba 2:14-22)

 

          Ny ohatra velona nomen’i Abrahama dia maneho amintsika ny tena finoana velona an’Andriamanitra. Tsy nijanona nino fotsiny Abrahama; nino izay nolazain’Andriamanitra izy, ary nanaraka ny didiny. Izany no ohatra tokony hotahafina.

          Koa satria Andriamanitra dia manaporofo amintsika ny fahatokiany, dia miandry koa Izy ny hanaovantsika toy izany. Miandry Izy ny hinoantsika ny fahatokiany, ny hinoantsika Azy, amin’ny fanehoana Aminy ny fahatokiana avy ao am-pontsika.

Ahoana ny fomba nanehoan’i Abrahama ny finoany, ny fomba ninoany an’Andriamanitra sy nametrahany fitokiana taminy?

          “satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny lalàko.” (Genesisy 26:5)

 

          Koa satria efa nametraka ny fitokiany tamin’Andriamanitra i Abrahama, dia niaina tamin’ny lalam-piainana nahafaly an’Andriamanitra izy.Koa satria ny tena kristianisma dia lalm-piainana, Andriamanitra dia manantena fa hoporofointsika Aminy ny finoantsika amin’izay ataontsika sy ny asantsika. Izany no fomba nahazatra an’i Abrahama. (Hebreo 11:8-10)

Inona no hahazo an’ireo minia ho tsy mahatoky any am-para?

        “Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa.” (Apokalypsy 21:8)

Moa ve ireo mpanompo matoky an’Andriamanitra tsy maintsy hiaritra fitsapana ka hijaly?

          “Fa ho amin'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany; "Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany" raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin'ny Mpitsara marina;” (1 Petera 2:21-23)

 

          “Koa izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon'Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny fanahiny ho an'ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy.” (1 Petera 4:19)

 

          “Ary tsy izany ihany, fa aoka isika hifaly amin'ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana; ary ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana;” (Romana 5:3-4)

 

          Mila finoana sy fandavan-tena ny manome toerana voalohany ho an’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika. Tsy maintsy hiaritra fitsapana ny kristiana, ary tsy maintsy hijaly izy, toy ny nahazo an’i Kristy sy ny Apostoly.

          Hoy i Petera: Koa amin'izany manetre tena ambanin'ny tàna-maherin'Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin'ny fotoan'andro; ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo. Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao. Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin'ny voninahiny mandrakizay ao amin'i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.” (1 Petera 5:6-10)

          Tsy vaovao akory izany fijaliana izany. Isika rehetra dia tsy maintsy mijaly amin’ny fomba samihafa. Fa anaty sokajy hafa ny fija     lian’ny kristiana. Noho izany, azon’ny mpanompon’Andriamanitra fa ny tanjon’ny fitsapàna sy ny fijaliana dia ny hampitombo sy hanamafy ny toetrany. “Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo.” (Romana 8:28)

Inona no fihetsika tokony hataon’ny kristiana mahatoky manoloana ny fitsapàna sy ny fijaliana mahazo azy?

          “Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany, fa araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin'ny fisehoan'ny voninahiny koa. Sambatra ianareo, raha haratsina noho ny anaran'i Kristy, fa ny Fanahin'ny voninahitra, dia ny Fanahin'Andriamanitra, mipetraka ao aminareo.” (1 Petera 4:12-14)

 

        “Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan'ny fakam-panahy samy hafa ianareo, satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana. Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona.” (Jakoba 1:2-4)

 

          Izay mino fa mahatoky Andriamanitra dia mahafantatra fa mahazo matoky Azy izy, mba hidirany an-tsehatra amin’ny fiainany. Fantany fa rehefa hanampy azy Andriamanitra mba hanafaka azy amin’izany fitsapana izany, ny fanampiany dia hitondra soa ho a         zy, ary manaraka ny planina lehibeny. Hanankina ny fiainany amin’Andriamanitra izy satria matoky ny fahendreny, ary satri          a fantany fa miasa am-pahamarinana Izy; dia vonona izy ny hijaly mba hanehoany izany. (1Petera 4:19)

          Fintinin’i Petera ny fihetsika matoky izay takian’ny Fanahin’Andriamanitra mba hananany : “Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin'ny fakam-panahy maro samy hafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany, mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin'ny afo aza), dia amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy, Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin'ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra, mandray ny anton'ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy.” (1 Petera 1:6-9)

MANAHAKA NY TOETRAN’ILAY SAMARITANA TSARA FANAHY

          Anisan’ny fanoharana tena malaza nataon’i Kristy ny fanoharana ny amin’ilay Samaritana tsara fanahy. Ao amin’io fanoharana io, dia miresaka lehilahy naratra izy, izay nitsirara tamin’ny tany, tsy afa-nihetsika, teo amin’ny lalana be mpandeha.

          Nifandimby nandalo azy ny olona roa, samy mpitondra fivavahana daholo, fa tsy nisy nijanona hamonjy azy. “Fa nisy kosa Samaritana anankiray nandeha tamin'ny nalehany ka tonga teo aminy, ary nony nahita azy, dia onena. Dia nanatona izy, ka nofeheziny ny feriny, sady nasiany diloilo sy divay; dia nampitaingeniny tamin'ny bibiny izy, ka nentiny ho any amin'ny tranom-bahiny, dia notsaboiny. Ary nony ampitson'iny, dia naka denaria roa izy, ka nomeny ny tompon'ny tranom-bahiny, sady nanao taminy hoe: Tsaboy izy; ary na hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako, rehefa miverina aho. » (Lioka 10:33-35)

          Nanome ity fanoharana ity tamin’ilay olona iray izay nanontany azy hoe “Iza ary no namako” i Jesosy. Rehefa avy nilaza ny fanoharana i Jesosy, dia nanontany azy hoe: “Iza moa amin'izy telo lahy no ataonao ho naman'ilay azon'ny jiolahy? Ary hoy izy: Ilay niantra azy. Dia hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ka mba manaova toy izany koa.” (Lioka 10:36-37)

Moa ve ny fazotoana manampy sy manompo ny hafa dia endrika lehibe indrindra amin’ny lalam-piainana kristiana?

          “Amin'ny sitrapo manao fanompoana toy ny amin'ny Tompo, fa tsy amin'olona, satria fantatrareo fa izay soa ataon'ny olona rehetra no horaisiny amin'ny Tompo, na andevo na tsy andevo izy.” (Efesiana 6:7-8)

 

        Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin'izao tontolo izao.” (Jakoba 1:27)

 

          Tsy nomelohan’i Jesosy ny mandray, nefa nantitranteriny fa hisy valisoa tsaratsara kokoa ho azon’izay manome (Asa 20:35).

          Mariho anie ny nolazain’i Jesosy tamin’ny Mpianany :

          “… Efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana” (Matio 10:8).

 

          “Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran'ny kapoaka ihany aza hosotroin'ny anankiray amin'ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.” (Matio 10:42)

 

          “Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren'ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin'ny fotoana? Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany. Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.” (Matio 24:45-47)

 

          Raha manome sy manompo ianao, dia mampiasa ny fitiavan’Andriamanitra. Izao no nolazain’i Paoly : “Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin'ny fitiavana.” (Galatiana 5:13, Romana 6:20-22).

Moa ve ny fiahiana ny hafa dia tokony hampiarina na dia amin’ireo tsy tia antsika aza?

          “Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao, ary mankahalà ny fahavalonao. Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo, mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina.” (Matio 5:43-45)

Aiza Andriamanitra no manambara fa mety ny tia ny namantsika?

          “Fa ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra zavatr'olona, mbamin'izay didy hafa rehetra, dia samy efa ao anatin'izao teny izao hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Romana 13:9).

          Ny didin’Andriamanitra, na ny lalàny, dia mamaritra sy manazava ny atao hoe fitiavana. Rehefa tena manao ezaka marina isika mba ho tonga fanambinana ho an’ny hafa, na tiany isika na tsy tiany, ny fahazoantsika na ny fankafizantsika ny lalàna sy ny didin’Andriamanitra dia hitombo tanteraka satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan'Andriamanitra ho ao am-pontsika” (Romana 5:5).

MISAHANA NY ANDRAIKITRA MANOKANA

Raha amin’ny resaka fitondran-tena kristiana, inona ireo andraikitra fototra sasantsany?

          « Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany, na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao, fa aleo misaotra. Fa fantatrareo marimarina fa samy tsy manana lova eo amin'ny fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany).” (Efesiana 5:3-5)

 

          “Anefa noho ny fijangajangana dia aoka ny lehilahy rehetra samy hanana ny vadiny avy, ary aoka koa ny vehivavy rehetra samy hanana ny vadiny avy.” (1 Korintiana 7:2)

 

          Aoka hanan-kaja amin'ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin'olona dia hohelohin'Andriamanitra” (Hebreo 13:4).

 

          Samy manana ny fiaviany ny mpianatra izay nantsoin’Andriamanitra. Na manao ahoana na manao ahoana ny halalin’ny fahotantsika taloha, dia mamela antsika Andriamanitra rehefa mibebaka sy miova isika. Na izany aza, mba hahafaly an’Andriamanitra, dia tsy maintsy mihaino sy manaraka ny fampianarany isika, mba hanana fitondran-tena azony ekena. Tsy maintsy mitandrina isika mba tsy hiverina amin’ny fomba ratsy izay melohiny, amin’ny fahotana izay efa nofafan’ny ran’i Kristy.

Inona no tokony hatao hanalavirana ny fitondran-tena ratsin’ny tontolo manodidina antsika?

          “Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.” (1 Korintiana 10:13)

          “Koa amin'izany…dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin'ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin'ny faharetana amin'izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an'i Jesosy, Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra Izy” (Hebreo 12:1-2; ampitahao amin’ny 1Petera 4:3-5).

 

          Ny fiarovan-tenantsika tsara indrindra amin’ny fahotana dia izao :

1.    Tsy maintsy manalavitra ny toe-draharaha mety hisian’ny fakam-panahy isika ary

2.    mitana fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra amin’ny alàlan’ny vavaka

          Hoy i Paoly : “Mandosira ny fijangajangana. Izay fahotana rehetra ataon'ny olona dia eny ivelan'ny tena ihany; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin'ny tenany.” (1 Korintiana 6:18)

 

Mba hahafahana mandositra ny fandriky ny fahotana, dia meteza isika ho tarihin’Andriamanitra, amin’ny alàlan’ny Fanahiny Masina. Izao no hafatrafatr’i Jesosy amin’izany : Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.” (Matio 26:41)

          Hoy ihany koa Izy ao amin’ny Lioka 22:40: “Ary raha vao tonga tao amin'izany tany izany, dia hoy Izy taminy: Mivavaha mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy. “

 

Inona no fihetsika tokony hananantsika manoloana ny fahotana? Mety ho tarihin’ny fahotana ve isika satria mitondra zavatra maharenoka izany? Ny fihetsik’isika manoloana izany dia zava-dehibe. Hoy ilay fitenana iray taloha izay : “Ny atao no manan-danja kokoa noho ny teny”. Ny fihetsika, ny safidy ataontsika, sy ny fitondran-tenantsika, dia manambara bebe kokoa ny maha-izy antsika sy izay hinoantsika. Ireo no manambara raha tena marina isika, na mpamitaka sy mpisoloky.

Moa ve tokony hiataka amin’ny tsi-mpino isika mba handosirana ny fahotana?

        “Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin'izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin'ny ratsy…Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin'izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin'izao tontolo izao.” (Jaona 17:18)

          Tsy nangataka na oviana na oviana tamin’ny mpikambana amin’ny Fiangonana i Jesosy ny hiataka tanteraka amin’ireo izay mbola tsy nibebaka tamin’ny fahotany.

          Araky ny nohazavain’i Paoly, “Nanoratra taminareo teo amin'ny epistily aho mba tsy hiharoharoanareo amin'izay mpijangajanga; nefa tsy ny mpijangajanga rehetra amin'izao tontolo izao, na ny mpierina sy ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy; fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin'izao tontolo izao ianareo. Fa ny nanoratako taminareo, dia ny mba tsy hiharoharoanareo aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny, dia aza miara-mihinana akory amin'ny toy izany ianareo.” (1Korintiana 5:9-11)

          Tsy maintsy miezaka hifidy ny namantsika akaiky isika, sy ireo manodidina      antsika, amin’ireo olona tsy afaka handrisika antsika hanota satria “…ny fikambanana amin'ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara.” (1Korintiana 15:33). Fa izany akory tsy tokony hanakana antsika hanana ihany koa fifandraisana amin’ny olona maro izay mbola tsy nantsoin’Andriamanitra.

          Jesosy ihany koa dia nikambana am-pahibemaso tamin’ny olona fantany fa mpanota.Tsy nety voatariky ny otany anefa Izy, ary koa tsy niataka tamin’ireo koa, satria hoe tsy mendrika ny hanakaiky Azy izy ireo.

          “Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranony Izy, dia maro ny mpamory hetra sy ny mpanota no niara-nipetraka nihinana tamin'i Jesosy mbamin'ny mpianany; fa nisy maro tao, dia nanaraka Azy izy. Ary ny mpanora-dalàna, izay isan'ny Fariseo, raha nahita fa niara-nipetraka nihinana tamin'ny mpanota sy ny mpamory hetra Izy, dia niteny tamin'ny mpianatra hoe: Miara-mihinana sy misotro amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota Izy! Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota” (Marka 2:15-17)

          Tadidio ny tenin’Andriamanitra manao hoe : “Manajà ny olona rehetra. Tiava ny rahalahy. Matahora an'Andriamanitra. Manajà ny mpanjaka » (1 Petera 2:17). Afaka miala amin’ny toerana mety hitondra antsika handray anjara amin’ny fahotany isika, fa tsy hanary azy amin’ny maha-namana azy. Tsy mahazo manalavitra azy, na manao mangatsiatsika na tsy mahalala fomba amin’ireo mpifanolo-bodi-rindrina, na havana, na mpiara-miasa, izay tsy mitovy firehana ara-pinoana amintsika isika. Raha maniry hiaraka amintsika izy rehefa manao asa eo amin’ny fiaraha-monina, dia tsy tokony hanakivy ny ezaka ataony isika, rehefa fantatsika fa tsy hanosika antsika amin’ny lalàn’Andriamanitra izy.

          Ho setrin’ny fihetsika feno fahalemem-panahy sy fanajàna asehontsika azy, mety ho ny ohatra omentsika no hiantraika amin’ny fitondran-tenany, sy amin’ny f          anantenany. (1Korintiana 7:12-16; 1Petera 3:1)

Moa ve tokony ho terentsika ny hafa hino izay hinoantsika?

          “Aoka ny fiteninareo ho amin'ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.” (Kolosiana 4:6)

 

          “fa manamasìna an i'Kristy ho Tompo ao am-ponareo; ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana, ka manàna fieritreretana tsara, mba ho menatra izay manaratsy ny fitondran-tenanareo tsara ao amin'i Kristy, dia izay anendrikendrehana anareo. » (1 Petera 3:15-16)

 

          Tsy maintsy miezaka isika haneho fanajana amin’ny fihetseham-po sy ny faharesen-dahatry ny hafa, na dia tena tsy miombon-kevitra aminy aza isika. Tsy tokony ho didintsika izy ireo hanaraka izay hinoantsika. Dia toy izany koa, tsy tokony ho terentsika izy ireo hiaino na handray ny fahalalàna tsy nangatahany sy tsy tiany horaisina akory. Mandrisika antsika i Petera mba hamaly azy tsotra, am-pahamarinana sy fahalalam-pomba, rehefa mangataka amintsika izy mba hanazava aminy ny finoantsika, arak’izay voalaza ao amin’ny Kolosiana 4:6 manao hoe: “Aoka ny fiteninareo ho amin'ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.”

          Tokony hitandrina tsara izay lazaintsika isika, ka hieritreritra an’izay tokony ho fihetsiny, ary handray azy amim-pitiavana. Tokony haneho aminy ny fahalalam-pomba izay tiantsika omena antsika isika raha toa mba mangataka aminy ny hampahafantatra antsika ny finoany isika. Tadidio koa, araky ny lesona hitantsika tany aloha, fa Andriamanitra irery no afaka miantso ny olona, sy manome azy ireo ny fahalalàna ilaina mba hahatonga azy hibebaka.

          Raha toa ka ny ohatra omentsika sy ny fitondran-tena tsara ananantsika no mandrisika azy hahalala izay hinoantsika sy ny lalam-piainantsika, dia tokonyhamaly tsara ny fanontaniany isika. Fa kosa, tsy tokony hamingavinga azy isika, na hanery azy hiaino izay tsy tiany ho fantatra akory. Misy fiteny manao hoe: “Na dia tianao horesen-dahatra tsy a        raky ny sitrapony aza ny olona iray, dia tsy hiova hevitra noho izany izy”. Marina izany amin’ny ankapobeny.

          Tsy maintsy hita taratra ao amintsika ny lalan’Andriamanitra sy ny toetrany. Raha manaja ny ohatra omentsika ny olona, dia mety te-hahalala ny antony manosika antsika hiaina toy izany izy. Koa afaka mamaly azy isika, ao anatin’ny fetran’izay mahaliana azy iha       ny.

ANDEHA ISIKA HIAINA MBA HAMPAMIRAPIRATRA NY FAHAZAVAN’ANDRIAMANITRA ETO AMIN’IZAO TONTOLO IZAO

          Hoy i Paoly: “Ataovy ny zavatra rehetra amin'ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana, mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao, mitana ny tenin'ny fiainana, mba hisy ho reharehako amin'ny andron'i Kristy, ka tsy ho nihazakazaka foana aho na nisasatra foana.” (Filipiana 2:14-16)

          Tian’Andriamanitra ho lasa ohatra ho an’ny olona eto amin’ity tontolo ity isika.

 

Moa ve Andriamanitra nandidy zavatra hafa momba ny ohatra tokony homentsika ny hafa?

        “Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany. Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.” (Matio 5:14-16)

 

          Manana andraikitra isika mba haneho ny vokatry ny Fanahy Masin’Andriamanitra sy ny fitiavany ny hafa, amin’ny fitondran-tenantsika sy ny ohatra omentsika.

 

Moa ve ny faniriantsika hanome ohatra tsara dia tokony ho hita taratra eo amin’ny fomba fitafintsika?

          “Koa tiako ny lehilahy hivavaka eny tontolo eny manandra-tanana masina, tsy amin'ny fahatezerana na amin'ny fifandirana. Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika mbamin'ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy, fa amin'ny asa tsara, araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin'Andriamanitra. » (1 Timoty 2:8-10)

 

          Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana; fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lò, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason'Andriamanitra.” (1 Petera 3:3-4)

 

          Zava-dehibe amin’Andriamanitra ny fisehoantsika, satria ny fomba fitafintsika sy ny fahadiovan’ny tenantsika dia tokony hahitana taratra ny fihetsika tena maotina, sy ny fahaiza-miaina. Izany hoe, tokony hialàna ireny didy akanjo be filirony izay manitona ny mason’ny olona ireny, na mety hahatonga ny olona hihevitra antsika ho olona hafahafa.

          Zava-dehibe koa ny fihetsik’isika, ny fiheverantsika ny tenantsika, ary isika koa dia mora tohina amin’ny fandrenesan’ny hafa. Rehefa manana fitsipi-pitondran-tena isika, ka maneho fanajana ny hafa, rehefa hita taratra ao amintsika ny toetran’i Kristy (Filipiana 2:5), dia mazana mora hita izany rehefa misafidy zavatra hanaovantsika isika, sy amin’ny fitondran-tenantsika. Matetika, izany safidy izany dia tena milaza ny toetrantsika.

          Tsy maintsy mahatakatra ny antonony isika. Tsy maintsy mianatra mitafy sy miseho amin’ny olona amin’ny fomba mendrika, araky ny toe-javatra, ary ialaho ny ho lasa tafahoatra fa vao mainka manintona ny mason’ny olona hijery antsika izany. Zava-dehibe ny hahitana fa mendrika sy mihaja lalandava ny fitafiantsika sy ny fitondran-tenantsika.

Inona no tokony hampiavaka antsika kokoa amin’izao tontolo izao?

          “Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra.” (Matio 4:4)

 

          « Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia. » (Jaona 13:35)

          “Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy. Ary izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny antsika.” (1 Jaona 3:24)

 

          Eo amin’ny fiainantsika, dia tokony hanome ohatra isika amin’ny fanekena ny Tenin’Andriamanitra rehetra, amin’ny fihetsika feno halemem-panahy izay taratry ny Fanahin’Andriamanitra ao anatintsika.

Inona ny fitondran-tenan’ny Fiangonany izay tian’i Jesosy ho hita eo amin’ny fifandraisany amin’ny tontolo hafa?

          “Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin'izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin'izao tontolo izao.” (Jaona 17:18)

 

          “koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao. » (Matio 28:19-20)

 

          Ankoatry ny manome ohatra momba ny fomba tokony hiainan’ny olombelona mba hahafaly an’Andriamanitra, ny Fiangonana dia tokony hi asa, ka mampianatra sy manazava ny lalan’Andriamanitra amin’ireo izay mihaino izany. Ny asa manaparitaka ny filazantsara amin’ny vahoaka dia mazàna andraikitry ny lehilahy voahosotra sy nofanina manokanamba ho afaka hampita ny hafatr’i Kristy amin’ny besinimaro am-pahombiazana.

          Ohatra fotsiny, i Paoly dia nandrisika ny mpikambana taoamin’ny Fiangonana Efesosy mba hangataka ny fanatrehan’Andriamanitra , ka nilaza hoe : “ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra, ary ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin'ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara (iraka migadra noho izany aho), mba hiteny izany amin'ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko.” (Efesiana 6:18-20)

          Nanao fanompoana tena mavitrika sy teny imason’olona i Paoly; tiany ny miangavy ny fanohanana sy ny fivavahan’ny mpikambana. Izany dia mba hahafahan’ny rehetra mandray anjara amin’ny asan’Andriamanitra nankininy amin’ny Fiangonany.

          Ankehitriny dia toy izany koa ny fandraisana anjara ataon’ny mpikambana. Dodona ireo izay nandray ny Fanahy Masina hiezaka haneho taratra ny fomba fiainan’Andriamanitra, ka mizaka ny asa fampielezana ny filazantsara izay nalefan’i Jesosy Kristy ho an’ny vahoakany.

 

Moa ve hitan’Andriamanitra ny ezaka ataon’ireo mpanompony izay miasa sy mandany ny androny amin’ny asany?

          “Ary tamin'izany izay natahotra an'i Jehovah dia samy niresaka tamin'ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an'i Jehovah sy mihevitra ny anarany. Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zananilahy izay manompo azy. Ka dia ho hitanareo indray ny tsi-fitovian'ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an'Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy. » (Malakia 3:16-18)

 

          Zava-dehibe ny hifankahitana amin’ireo izay itoeran’ny fanahy mitovy. Ny Fiangonana Miray, fikambanana maneran-tany, dia manana zana-piangonana an-jatony maro eran’izao tontolo izao, ary ny rehetra dia miezaka ny hanompo an’Andriamanitra sy hanatanteraka ny asany.

          Raha vao mandray ny Fanahin’Andriamanitra isika, rehefa atao batisa, dia an’Andriamanitra. Noho izany, dia mametraka ny fanantenany betsaka amin’ny zanany Andriamanitra. Tiany ny hanarahantsika marina ny lalam-piainany, ka ho mafana fo, satria fahazavan’izao tontolo izao.

HEVITRA HO TSAKOTSAKOINA

          Ireto fanontaniana manaraka ireto dia hanampy anao amin’ny fandalinanao, sy hahatonga anao hieritreritra bebe kokoa momba ireo fampianarana nentina teto amin’ity lesona ity, mba hahafahanao hampiasa izany eo amin’ny fiainanao. Soraty ny valin’ny fanontaniana, ary ampitahao amin’ireo andininy voalaza.

·       Mety ho foana ve ny fivavahana amin’ny Ray sy i Jesosy Kristy? (Matio 7:21-23; 15:7-9).

·       Asehon’ny Soratra Masina ho toy ny fomba-fiaina ve ny Kristianisma? (Asan’ny Apostoly 9:1-2; 18:26; 19:9, 23; 22:4; 24:14, 22).

·       Moa midika ve ny fitandremana ny lalan’Andriamanitra hoe ilaina ny manao ny sitrapon’ny Ray? (Matio 7:13-14, 21-23).

·       Inona avy ireo fitsipika fototra izay ahitana fa ny lalan’Andriamanitra dia samihafa amin’ny lalana tia-tenan’izao tontolo izao? (Filipiana 2:3-5; Matio 6:33; Lioka 10:25-28; 1Jaona 5:3).

·       Inona no ampianarin’ny Baiboly momba ny fomba fitondran-tenantsika manoloana an’Andriamanitra sy ny manodidina antsika? (Matio 22:37-39; Kolosiana 3:18-22).

·       Ahoana ny hanaovana ny fifandraisana amin’Andriamanitra? (1Tesaloniana 5:16-18; 1Jaona 5:14; Ohabolana 15:29; 2Timoty 2:15; 3:15-17; Asa 17:11; Romana 10:14)

·       Andro inona amin’ny herinandro no tandreman’ireo manaraka ny lalan’Andriamanitra? (Eksodosy 20:8-11; Hebreo 10:24-25)

·       Ahoana ny fisehon’ny finoana velona? (Jakoba 1:22-25; 2:19-20).

·       Manao ahoana ny fihetsika tokony ananan’ny kristiana manoloana nyfizahan-toetra azy? (1Petera 4:12-14; Jakoba 1:2-4).

·       Ahoana ny fomba tsy maintsy hanehoan’ny kristiana fitiavana amin’ny hafa, ary na dia ny fahavalony aza? (Jakoba 1:27; Asa 20:35; Matio 5:43-45; Romana 13:9).

·       Inona no andraikitra kristiana andrasan’Andriamanitra avy amin’ny kristiana niova fo, ary ahoana no mety hiovan’ireo manodidina antsika noho izany ohatra izany? (Efesiana 5:3-5; Matio 5:14-16; 1Petera 3:15-16).

No comments:

Post a Comment